1.3 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
amin'ity andininy ity, i Jeremia dia miresaka momban'ny fijaliany amin'i Yaveh, ary namaly azy Yaveh.
Loza ho ahy, ry reniko!
Mody miresaka amin'ny reniny i Jeremia ho fampisehoana fa tena malahelo izy.
lehilahin'ny adihevitra sy fandresen-dahatra
Ny teny "adihevitra" sy "fandresen-dahatra" dia mitovy ny dikany. Ireo no miaraka dia manamafy ny fifamalian'i Jeremia. DH: "lehilahy izay hifamalian'ny olona foana."
ampindramina
mampindram-bola amin'ny olona
Tsy hamonjy anao amin'ny tsara ve Aho?
Ny valin'io fanontaniana dia "eny". DH: "Hanavotra anareo amin'ny tsara tokoa Aho!"
ireo fahavalonao
Ireo no fahavalon'i Jeremia izay tsy nanaiky ny faminaniany.
amin'ny fotoan'ny loza sy fahoriana
Eto ny teny " loza" sy "fahoriana" dia mitovy ny dikany. Ireo no manamafy ny habetsaka na hamafin'ilay loza. DH: "amin'ny fotoan'ny fampahoriana lehibe."
Mahapotika vy ve ny olona?
Ny valin'io dia "tsia". Ny vy dia misolo-toerana ny fitsarana hentitra an'Andriamanitra. DH: "Ny fitsarako dia tsy azo ivalozana, tahaka ny vy izay tsy afaka potehina"
Indrindra fa ny vy avy any avaratra izay miharo varahina?
Ilay fanontaniana faharoa dia manamafy izay voalazan'ilay voalohany. DH: "na izany aza, ny fitsarako dia tahaka ny vy mahery"