forked from WA-Catalog/plt_tn
1023 B
1023 B
fa ny zava-poana no ho valisoany
Ny teny tsy feno dia azo tovanana. DH: "fa raha matoky azy ireo izy, dia ho zava-poana no ho valisoany"
tsy ho maitso ny sampany
Ny olona toa hasatra sy maty dia resahina toy ny hoe taho na sampana maina izy. DH: "ho toy ny maty izy, tahaka ny sampan-kazo maty izay tsy maitso intsony"
Hanintsana ny voa tsy matoiny tahaka ny voaloboka izy; ary hampiraraka ny voniny tahaka ny hazon'oliva
Ireo andalana roa ireo dia manome sary mitovy, izay averimberina mba hanamafisana fa tsy maintsy hitranga izany.
Hanintsana ny voa tsy matoiny tahaka ny voaloboka izy
Resahina toy ny hoe voaloboka manintsana voa tsy matoy ny olona ratsy fanahy izay miha malemy sy maty. DH: "tahaka ny voaloboka manintsana voa tsy matoy, no hanintsanan'ny ratsy fanahy ny heriny"
hampiraraka ny voniny tahaka ny hazon'oliva
Resahina toy ny hoe hazo oliva mandraraka vony ny olona ratsy fanahy miha malemy sy maty. DH: "tahaka ny hazo oliva mandraraka vony, no hahaverezan'ny ratsy fanahy ny heriny"