# ho tahaka ny vavako Jeremia dia nampitahaina amin'ny molotr'i Yaveh satria izy dia nampiasaina hitondra ny hafatr'i Yaveh. DH: "hiteny ho Ahy ianao" # Ho ataoko toy ny manda varahina tsy azo idirana ho an'ity vahoaka ity ianao Ho ataoko manda varahina tsy azo idirana amin'ity vahoaka ity ianao # hanangana ady aminao izy ireo. Nefa tsy handresy anao izy ireo DH: "Hiady aminao izy ireo, saingy tsy handresy anao." # hamonjy anao ... hanavotra anao Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny dikany ary nampiasaina eto mba hanamafisana ny fiarovana entin'Andriamanitra. # izany no fanambaran'i Yaveh Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:7. # mpanao jadona Mpanapaka izay mangataka fankatoavana manontolo ary tsy minamana amin'ny olona ambanin'ny fahefany.