# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: amin'ity andininy ity, i Jeremia dia miresaka momban'ny fijaliany amin'i Yaveh, ary namaly azy Yaveh. # Loza ho ahy, ry reniko! Mody miresaka amin'ny reniny i Jeremia ho fampisehoana fa tena malahelo izy. # lehilahin'ny adihevitra sy fandresen-dahatra Ny teny "adihevitra" sy "fandresen-dahatra" dia mitovy ny dikany. Ireo no miaraka dia manamafy ny fifamalian'i Jeremia. DH: "lehilahy izay hifamalian'ny olona foana." # ampindramina mampindram-bola amin'ny olona # Tsy hamonjy anao amin'ny tsara ve Aho? Ny valin'io fanontaniana dia "eny". DH: "Hanavotra anareo amin'ny tsara tokoa Aho!" # ireo fahavalonao Ireo no fahavalon'i Jeremia izay tsy nanaiky ny faminaniany. # amin'ny fotoan'ny loza sy fahoriana Eto ny teny " loza" sy "fahoriana" dia mitovy ny dikany. Ireo no manamafy ny habetsaka na hamafin'ilay loza. DH: "amin'ny fotoan'ny fampahoriana lehibe." # Mahapotika vy ve ny olona? Ny valin'io dia "tsia". Ny vy dia misolo-toerana ny fitsarana hentitra an'Andriamanitra. DH: "Ny fitsarako dia tsy azo ivalozana, tahaka ny vy izay tsy afaka potehina" # Indrindra fa ny vy avy any avaratra izay miharo varahina? Ilay fanontaniana faharoa dia manamafy izay voalazan'ilay voalohany. DH: "na izany aza, ny fitsarako dia tahaka ny vy mahery"