# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy mampatsiahy ny vahoaka ny amin'izay nitranga tany aloha. # Nitalaho aho Eto ny "aho" dia maneho an'i Mosesy. Ity dia midika fa nangataka tamin'i Yaveh tamin'ny fomba feno hafanam-po sy fihetseham-po izy. # nanomboka nampiseho ... tamin'ny mpanomponao Eto ny hoe "tamin'ny mpanomponao" dia fomba mihaja entina hilazana olona iray manana fahefana lehibe kokoa. DH: "nanomboka nampiseho ahy, mpanomponao" # ny tananao mahery Eto ny hoe "tanana" dia midika hoe fahefana. DH: "ny fahefanao" # fa aiza any an-danitra ... mahery tahaka izany? Mampiasa fanontaniana Mosesy mba hanamafisana fa Yaveh irery ihany no Andriamanitra manana fahefana hanao ny asa izay efa vitany. DH: "fa tsy misy andriamanitra afaka ... mahery tahaka izany." # any an-danitra na ety an-tany Ireo roa ireo dia midika hoe "na aiza na aiza." # an-dafin'i Jordana "andrefan'ny Renirano Jordana." Tamin'i Mosesy niteny ireo teny ireo tamin'i Yaveh, dia tao atsinanan'ny Renirano Jordana tao Moaba izy.