# tsy tianay ianareo tsy ahafantatra Azo adika hoe DH: "tianay ianareo ahafantatra" # Izahay dia novesarina tanteraka mihoatra an'izay tokony ho zakanay I Paoly sy Timothy dia manambara ny fihetseham-po feno fahakivian'izy ireo toy lanja mavesatra izay tsy maintsy zakain'izy ireo. # Izahay dia novesarina tanteraka Ny teny hoe: "novesarina" dia manambara ny fahatsapana fahakiviana. Azo adika hoe DH: "ireo olana izay niainanay dia nanorotoro anay tanteraka" na "Tao anatin'ny fahakiviana tanteraka izahay.'' # Teo aminay tokoa ny fanamelohana ho faty I Paoly sy Timoty dia mampitaha ny fahakivian'izy ireo amin'ny olona voaheloka ho faty. DH: "tao anatin'ny fahakiviana tahaka ny olona izay voaheloka ho faty izahay" # fa kosa amin'Andriamanitra Ny teny hoe: " hametraka ny tokinay" dia tsy nampidirina tato amin'ity fehezanteny ity. DH: "fa kosa, mametraka ny tokinay amin'Andriamanitra izahay" # izay mampitsangana ny maty "izay nanangana ireo maty" # tamin'ny loza mahafaty Ampitahain'i Paoly amin'ny loza mahatsiaravina na loza mahafaty ny fahakiviana vokatry ny olana nianjady tamin'izy ireo. DH: "fahadisoam-panantenana"