plt_tn/1co/07/01.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manome fampianarana manokana ho an'ireo mpino momba ny fanambadiana i Paoly.
# Ary
Mampiditra lohahevitra vaovao amin'ny fampianarany i Paoly.
# olana izay nosoratanareo momba ny hoe
Ireo Korintiana dia nanoratra taratasy ho an'i Paoly mba hangataka valim-panontaniana maromaro.
# momba ny hoe: "Tsara ho an'ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy." Nefa noho
Ireo mety ho dikany: 1) Paoly dia mamerina izay nosoratan'ireo Korintiana, "momba ny hoe: nanoratra ianareo hoe: 'Tsara amin'ny lehilahy ny tsy mikasika ny vehivavy' Marina izany, nefa satria" na 2) Paoly dia milaza izay eritreriny, 'ny valinteniko dia eny, tsara amin'ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy. Fa satria"
# Tsara
"Tena manampy izany," fa tsy hoe ratsy ny "mikasika"
# ho an'ny lehilahy
Ireo mety ho dikany: 1) vady lehilahy na 2) izay lehilahy rehetra.
# ny tsy mikasika vehivavy.
Ireo mety ho dikany: 1) "tsy manao firaisana ara-nofo miaraka amin'ny vehivavy," vadin'ny lehilahy no resaka eto, na 2) "tsy manambady mihitsy"
# Nefa noho ireo fakam-panahy amin'ny fahavetavetana maro isan-karazany, dia
"Kanefa Satana dia maka fanahy ny olona mba hanao fahotana ara-nofo, dia" na "Nefa haniry ny hanao ny fahotana ara-nofo isika nohon'ny toetra maha-mpanota antsika, dia"