plt_ulb/67-REV.usfm

848 lines
74 KiB
Plaintext

\id REV
\ide UTF-8
\h Apokalypsy
\toc1 Apokalypsy
\toc2 Apokalypsy
\toc3 rev
\mt Apokalypsy
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ity ny fanambarana an'i Jesosy Kristy izay nomen'Andriamanitra azy hampisehona an'ireo mpanompony ny zavatra tsy maintsy hitranga. Nampahafantariny izany tamin'ny alalan'ny fandefasany ny anjeliny ho an'i Jaona mpanompony.
\v 2 Jaona dia nanamarina ny momban'ny tenin'Andriamanitra sy ireo fijoroana vavolombelona mahakasika an'i Jesosy Kristy, sy ireo zavatra rehetra hitany.
\v 3 Sambatra izy izay mamaky amin'ny feo avo, ary izay mihaino ny tenin'izany faminaniana izany, sy izay mitandrina izay voasoratra ao aminy, satria efa akaiky ny fotoana.
\s5
\v 4 Jaona nankany amin'ireo fiangonana fito tany Asia: Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, sy avy amin'ireo fanahy fito izay eo anatrehan'ny seza fiandrianany,
\v 5 ary avy amin'i Jesosy Kristy, izay vavolombelona marina, lahimatoa amin'ny maty, ary lehiben'ny mpanjakan'ny tany. Ho an'ilay tia antsika sy nanafaka antsika tamin'ireo fahotantsika tamin'ny ràny—
\v 6 Izy dia nanao antsika ho fanjakana, mpisorona ho an'Andriamaniny sy Rainy— ho Azy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay doria. Amena.
\s5
\v 7 Indro, avy amin'ny rahona Izy; ary ny maso rehetra hahita Azy, na dia ireo nandefona Azy aza. Ny firenena rehetra ambonin'ny tany hitomany Azy. Eny, Amena.
\v 8 "Izaho no Alfa sy Omega," hoy ny Tompo Andriamanitra, "ilay ankehitriny, sy taloha, ary ho avy, dia ilay Tsitoha."
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny hafa taloha dia mivaky toy izao: "Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy fiafarana," hoy ny Tompo Andriamanitra. \f*
\s5
\v 9 Izaho, Jaona—rahalahinareo sy ilay iray izay nizara taminareo tao anatin'ny fijaliana sy fanjakana ary ny faharetana ao amin'i Jesosy Kristy— dia tao amin'ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona ny mahakasika an'i Jesosy.
\v 10 Izaho dia notarihin'ny Fanahy tamin'ny andron'ny Tompo. Nandre feo mahery tahaka ny trompetra teo ivohoko aho.
\v 11 Nanao izany hoe: "Soraty ao amin'ny boky izay hitanao, koa alefaso any amin'ireo fiangonana fito— ho an'ny Efesosy, Smyrna, Pergamosy, Tyatira, Sardisy, Filadelfia, ary Laodikia."
\s5
\v 12 Nizaha ny manodidina aho nitady hoe feon'iza izany niteny tamiko izany, ary raha nitodika aho dia nahita fanaovan-jiro volamena fito.
\v 13 Ary teo afovoan'ny fanaovan-jiro nisy anankiray tahaka ny Zanak'olona, nitafy akanjo lava tonga hatrany amin'ny tongony, ary fehin-kibo volamena manodidina ny tratrany.
\s5
\v 14 Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry— fotsy tahaka ny rano mandry, ary ny masony tahaka ny lelafo.
\v 15 Ny tongony mangirana tahaka ny varahina, toy ny varahina voadio teo amin'ny lafaoro, ary ny feony toy ny feona rano be mikoriana.
\v 16 Ary nanana kintana fito teny an-tanany ankavanana Izy, ary sabatra roa lela maranitra nivoaka avy teo amin'ny vavany. Ny tarehiny dia nazava tahaka ny masoandro rehefa miredareda.
\s5
\v 17 Rehefa nahita Azy aho, dia nianjera teo amin'ny tongony tahaka ny olona maty. Nanendry ahy tamin'ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: "Aza matahotra. Izaho no voalohany sy farany,
\v 18 ary ilay iray izay velona. Efa maty Aho, fa indro, velona mandrakizay! Ary Izaho manana ny fanalahidin'ny fahafatesana sy ny Fiainan-tsy hita.
\s5
\v 19 Noho izany soraty izay hitanao, izay ankehitriny, sy izay hitranga aorian'izao.
\v 20 Tahaka ny zava-miafina mahakasika ireo kintana fito izay hitanao teny an-tanan-kavanako, sy ireo fanaovan-jiro volamena fito: "Ny kintana fito dia ireo anjelin'ny fiangonana fito, ary ny fanaovan-jiro fito dia ireo fiangonana fito."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Efesosy hoe: "Ireto ny teny avy amin'ilay iray izay mitazona ireo kintana fito amin'ny tanan-kavanany ary mandeha eo amin'ireo fanaovan-jiro volamena fito,
\v 2 "Fantatro izay efa vitanao sy ny asa mafinao ary ny fiaretanao maharitra. Fantatro fa tsy afaka handefitra amin'ny olon-dratsy ianao. Fantatro fa notsapainao ireo izay milaza azy ireo ho apostoly, nefa tsy izy, ary hitanao izy ireo fa sandoka.
\s5
\v 3 Fantatro fa manana faharetana ianao, ary nijaly mafy nohon'ny amin'ny anarako, ary tsy nilavo lefona ianao.
\v 4 Nefa manohitra anao aho satria namela ny fitiavanao voalohany ianao.
\v 5 Tsarovy noho izany ny toerana izay nahalavo anao. Mibebaha ary manaova ireo zavatra izay nataonao voalohany. Fa raha tsy mibebaka ianao, dia ho avy any aminao aho ary hanala ireo fanaovan-jironao amin'ny fitoerany.
\s5
\v 6 Kanefa izao no ataonao: "Halanao ny zava-bitan'ny Nikolaita, izay halako ihany koa.
\v 7 Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana. Ho an'ilay iray izay maharesy dia homeko alalana hihinana ny avy amin'ny hazon'ny fiainana, izay ao amin'ny paradisan'Andriamanitra."'"
\s5
\v 8 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Smyrna hoe: "Ireto ny tenin'ilay iray izay voalohany ary farany, ilay iray izay efa maty nefa velona indray:
\v 9 "Fantatro ireo fahorianao sy ny fahantranao, nefa manan-karena ianao. Fantatro ny fitenenan-dratsy ho an'ireo izay miteny ny tenany fa Jiosy, kanefa tsy izy. Synagogan'i Satana izy ireo.
\s5
\v 10 Aza matahotra ny amin'izay efa hiaretanao. Indro! Ny devoly dia hanipy ny sasany aminareo any amin'ny tranomaizina mba ho tsapaina ianareo, ary hijaly mandritry ny folo andro ianareo. Matokia mandra-pafahaty, ka homeko anareo ny satro-boninahitry ny fiainana.
\v 11 Izay manan-tsofina aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana. Ilay iray izay maharesy dia tsy ho simban'ny fahafatesana faharoa."'"
\s5
\v 12 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Pergamosy hoe: "Ireto ny tenin'ilay iray izay manana sabatra roa lela:
\v 13 "Fantatro izay onenanao, dia ao amin'ny hitoeran'ny seza fiandrianan'i Satana. Ary ankehitriny mitana mafy ny anarako ianao. Fantatro fa tsy nandà ny finoanao ny amiko ianao, na dia tamin'ireo andron'i Antipasy vavolombeloko aza, izay nahatoky Ahy, izay novonoina teo aminareo, tao amin'ny fonenan'i Satana.
\s5
\v 14 Fa manan-teny kely aminao Aho: "Misy sasany aminareo mitana mafy ny fampianaran'ny Balama, izay nampianatra an'i Balaka hametraka fanafintohinana eo anoloan'ny zanak'Israely, mba hihinanan'izy ireo ny sakafo natao sorona ho an'ny sampy ary ho fijangajangana.
\v 15 Toy izany ihany, misy sasany aminareo izay mitana mafy ny fampianaran'ireo Nikolaita.
\s5
\v 16 Mibebaha, noho izany! Fa raha tsy izany, dia ho tonga faingana any aminareo Aho, ary hifanandrina amin'izy ireo aho miaraka amin'ny sabatry ny vavako.
\v 17 Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana. Ho an'ireo izay maharesy, homeko ny sasany amin'ireo mana miafina, ary homeko vato fotsy miaraka amin'ny anaram-baovao voasoratra eo amin'ny vato, anarana izay tsy fantatr'olona afa-tsy izay mandray azy ihany."'"
\s5
\v 18 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana ao Tyatira hoe: 'Ireto ny tenin'ny Zanak'Andriamanitra, izay manana maso toy ny lelafo ary tongotra toy ny varahina mangirana:
\v 19 "Fantatro izay vitanao: Ny fitiavanao sy ny finoanao sy ny fanomponao ary ny faharetanao. Fantatro fa izay vitanao farany dia betsaka noho izay vitanao voalohany.
\s5
\v 20 Kanefa izao no hanoherako anao: Leferinao ilay vehivavy Zezebela, izay miantso ny tenany ho mpaminany vavy. Amin'ny alalan'ny fampianarany dia mamitaka ireo mpanompoko izy mba hijangajanga sy hihinana sakafo atao sorona ho an'ny sampy.
\v 21 Nanome fotoana mba hibebahany Aho, kanefa tsy mety hibebaka ny amin'ny fijangajangany izy.
\s5
\v 22 Indro! Hataoko marary eo ampandriana izy, ary ireo izay mijangajanga miaraka aminy dia hampahoriako mafy, raha tsy mibebaka amin'ny asa ratsin'ilay vehivavy izy ireo.
\v 23 Ho vonoiko ho faty ireo zanany, ary ireo fiangonana rehetra dia hahalala fa Izaho ilay mahita ny fieritreretana sy fihetsem-po. Homeko araka ny asanareo tsirairay avy ianareo.
\s5
\v 24 Fa ny aminareo izay sisa ao Tyatira, izay rehetra tsy mitana izao fampianarana izao, sy tsy mahalala izay antsoin'ny sasany hoe sain-dalin'i Satana— Izao no lazaiko aminareo hoe: "Tsy vesarako entana hafa ianareo."
\v 25 Na izany aza, tsy maintsy mitazona mafy ny finoanareo ianareo mandra-pihaviko.
\s5
\v 26 Ilay iray izay maharesy sy izay manao izay efa vitako hatramin'ny farany, dia homeko azy ny fahefana amin'ny firenena rehetra.
\v 27 'Hanapaka eo amin'izy ireo miaraka amin'ny tehim-by izy, toy ny fanorotorona vilany tany no hanapotehina azy ireo.'
\v 28 Tahaka ny nandraisako avy amin'ny Raiko, no hanomezako azy kintana maraina ihany koa.
\v 29 Aoka ilay iray izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy ho an'ireo fiangonana.'"'
\s5
\c 3
\p
\v 1 Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Sardisy hoe: 'Izao no tenin'ilay mitàna ireo Fanahy fiton'Andriamanitra sy ireo kintana fito. "Fantatro izay nataonao. Malaza ho velona ianao, nefa ianao maty.
\v 2 Mifohaza ary hatanjaho izay tavela, fa efa ho faty, satria tsy hitako tanteraka ireo asanao eo imason'Andriamanitro.
\s5
\v 3 Tadidio, noho izany, izay noraisinareo sy renareo. Ankatoavy izany, ary mibebaha. Fa raha tsy mifoha ianareo, dia ho avy toy ny mpangalatra Aho, ary tsy ho fantatrareo ny ora hiaviako aminareo.
\v 4 Fa misy anaran'olona vitsivitsy any Sardisy izay tsy nandoto ny akanjon'izy ireo. Handeha hiaraka amiko izy ireo, miakanjo fotsy, satria mendrika.
\s5
\v 5 Ilay iray izay maharesy dia ho ampiakanjoana fotsy, ary tsy hamafa ny anarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana mihitsy Aho, ary hilaza ny anarany eo anatrehan'ny Raiko, sy eo anatrehan'ireo anjeliny.
\v 6 Aoka izay manan-tsofina hiaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.""'
\s5
\v 7 "Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Filadelfia hoe: 'Izao no tenin'ilay iray izay masina sy marina_ izy no mitazona ny fanalahidin'i Davida, izy no mamoha ary tsy misy na iza na iza manidy, izy no manidy ary tsy misy na iza na iza afaka mamoha.
\v 8 "Fantatro izay vitanareo. Indro, nametrahako varavarana mivoha eo anoloanareo izay tsy afaka hidin'iza na iza. Fantatro fa manana hery kely ianareo, ka nankàto ny teniko ary tsy nandà ny anarako.
\s5
\v 9 Indro! Ireo izay an'ny synagogan'ny Satana, ireo izay milaza fa Jiosy izy ireo nefa tsy izy akory; fa mandainga kosa izy ireo. Hataoko tonga ka hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo, ary ho avy izy ireo mba hahafantatra fa nitia anao Aho.
\v 10 Satria efa nitandrina ny didiko tamin'ny faharetana ianareo, dia hiaro anareo amin'ny andro fitsapana izay efa ho avy amin'izao tontolo rehetra izao ihany koa Aho, mba hitsapa ireo izay miaina eo ambonin'ny tany.
\v 11 Ho avy tsy ho ela Aho. Tano mafy izay hanananao mba tsy hisy afaka hanala ny satro-boninahitrao.
\s5
\v 12 Ataoko andry eo amin'ny tempolin'ny Andriamanitro izay mandresy, ary tsy hiala eo mihitsy izy. Ho soratako eo aminy ny anaran'Andriamanitro, ilay anaran'ny tanànan'ny Andriamanitro (ilay Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin'ny Andriamanitro), sy ny anarako vaovao.
\v 13 Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.""'
\s5
\v 14 "Soraty ho an'ny anjelin'ny fiangonana any Laodikia hoe: "Izao no tenin'ny Amena, ilay vavolombelona mahatoky sy marina, ilay mpanapaka ny zava-boaarin' Andriamanitra.
\v 15 "Fantatro izay nataonareo, ary tsy mangatsiaka na mafana ianareo. Maniry Aho mba ho mangatsiaka na mafana ianareo!
\v 16 Noho izany, satria ianareo matimaty_ sady tsy mafana no tsy mangatsiaka_dia efa haloan'ny vavako ianareo.
\s5
\v 17 Fa hoy ianareo hoe: 'Manan-karena aho, nanana fitaovana maro, ka tsy mila na inona na inona.' Saingy tsy fantatrareo fa ianareo no tena ory, mampahonena, mahantra, jamba ary mitanjaka.
\v 18 Henoy ny torohevitro: Mividiana volamena voadio tamin'ny afo amiko mba ho tonga mpanan-karena ianareo, ary akanjo fotsy manjopiaka mba ho afaka mampitafy ny tenanareo ianareo ka tsy hampiseho ny henatry ny fitanjahanareo, ary hanosotra ny masonareo mba hahiratanareo.
\s5
\v 19 Ampiofaniko ny tsirairay avy izay tiako, ary hampianariko azy ireo ny fomba tokony hiainan'izy ireo. Noho izany, mazotoa ary mibebaha.
\v 20 Indro, mijoro eto amin'ny varavarana Aho ary mandondona. Raha misy mandre ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia ho avy ao an-tranony Aho ka hihinana miaraka aminy, ary izy miaraka amiko.
\s5
\v 21 Ilay iray izay mandresy, hatolotro azy ny zo hipetraka miaraka amiko eo amin'ny seza fiandrianako, tahaka ny nandreseko koa ka nipetrahako niaraka tamin'ny Raiko teo amin'ny seza fiandrianany.
\v 22 Aoka izay manan-tsofina hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ireo fiangonana.""'
\s5
\c 4
\p
\v 1 Taorin'izany zavatra izany dia nijery aho, ary nahita varavarana iray nisokatra teny amin'ny lanitra. Ny feo voalohany izay reko dia niresaka tamiko tahaka ny trompetra, nanao hoe: "Miakara ety, ary ho asehoko anao izay tsy maintsy hitranga aorian'ireo zavatra ireo."
\v 2 Nisy fotoana aho voatariky ny Fanahy, ary nahita fa nisy seza fiandrianana nipetraka teny amin'ny lanitra, nisy olona nipetraka teo ambonin'izany.
\v 3 Ilay iray izay nipetraka teo amboniny dia miendrika tahaka ny jaspa sy karneola. Nisy avana nanodidina ny seza fiandrianana. Ilay avana dia miendrika toy ny emeraoda.
\s5
\v 4 Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana, ary loholona efatra amby roapolo no nipetraka teo ambonin'ireo seza fiandrianana, niakanjo fotsy, niaraka tamin'ny satro-boninahitra volamena teny amin'ny lohan'izy ireo.
\v 5 Avy tamin'ilay seza fiandrianana no nisy tsela-pahazavana, kotroka, ary kotro-baratra. Nisy jiro fito nirehitra teo anoloan'ny seza fiandrianana, jiro izay fanahy fiton'Andriamanitra
\s5
\v 6 Teo alohan'ny seza fiandrianana dia nisy ranomasina fitaratra, tahaka ny kristaly. Ireo zava-manan'aina efatra dia teo afovoan'ny seza fiandrianana sy nanodidina izany, feno maso, teo anoloany sy tao an-damosiny.
\s5
\v 7 Ilay zava-manan'aina voalohany dia tahaka ny liona, ilay zava-manan'aina faharoa tahaka ny zanak'omby, ilay zava-manan'aina fahatelo dia miendrika olona, ary ilay zava-manan'aina fahaefatra tahaka ny voro-mahery manidina.
\v 8 Ireo zava-manan'aina efatra dia samy manana elatra enina avy, feno maso ny ambony sy ny ambany. Andro sy alina izy ireo dia tsy mitsahatra miteny hoe: "Masina, masina, masina ilay Tompo Andriamanitra Tsitoha izay nisy, sy misy, ary mbola ho avy."
\s5
\v 9 Na oviana na oviana ireo zava-manan'aina dia hanome voninahitra, laza, ary fisaorana an'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana, ilay iray izay velona mandrakizay doria,
\v 10 ireo loholona efatra amby roapolo dia nampiankohoka ny tenan'izy ireo eo anoloan'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana. Miankohoka eo amin'ilay iray izay velona mandrakizay doria izy ireo, ary nanipy ny satro-boninahitr'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana, miteny hoe:
\v 11 "Mendrika ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, handray ny voninahitra sy ny laza ary ny hery. Fa Ianao no namorona ny zavatra rehetra, ary tamin'ny alalan'ny sitraponao, dia nisy izy ireo ary nohariana."
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ary nahita ny tanan-kavanan'ilay iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana aho, horonan-taratasy voasoratra eo anoloana sy ao aoriana. Ary nofehezina tamin'ny tombo-kase fito izany.
\v 2 Nahita anjely mahery nanambara tamin'ny feo mafy aho, niteny hoe: "Iza no mendrika ny hanokatra ny horonan-taratasy ary hamoha ny tombo-kasen'izany?"
\s5
\v 3 Tsy misy olona avy an-danitra na eto an-tany na ambanin'ny tany ka afaka hanokatra ny horonan-taratasy na hamaky izany.
\v 4 Nitomany mafy aho- satria tsy nisy olona hita mendrika ny hanokatra ny horonan-taratasy na hamaky izany.
\v 5 Kanefa iray tamin'ireo loholona nilaza tamiko hoe: "Aza mitomany. Indro! Ilay lion'ny fokon'i Joda, ilay solofon'i Davida, dia nandresy. Afaka ny hanokatra ny horonan-taratasy sy ireo tombo-kase fito izy.
\s5
\v 6 Nahita Zanak'ondry mitsangana eo anelanelan'ny seza fiandrianana sy ireo zava-manan'aina efatra ary eo anivon'ireo loholona aho. Toy ny hoe olona novonoina izy. Nanana tandroka fito sy maso fito izy; izy ireo no fanahy fiton'Andriamanitra nalefa nanerana ny tany.
\v 7 Nandeha izy ary naka ilay horonan-taratasy teny amin'ny tanan-kavanan'ilay iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana.
\s5
\v 8 Rehefa noraisin'ilay Zanak'ondry ilay horonan-taratasy, ireo zava-manan'aina efatra sy ireo loholona efatra amby roapolo dia nampiankohoka ny tenan'izy ireo teo anoloany. Samy nanana lokanga sy lovia volamena feno emboka manitra avy ny tsirairay tamin'izy ireo, izay vavak'ireo mpino.
\s5
\v 9 Nihira hira vaovao izy ireo: "Mendrika ny handray an'ilay horonan-taratasy ianao ary hanokatra ny tombo-kasen'izany. Fa ianao dia novonoina, ary tamin'ny rànao no nividianana an'ireo olon'Andriamanitra avy tamin'ny foko, fiteny, olona, ary firenena rehetra.
\v 10 Nataonao fanjakana sy mpisorona izy ireo mba hanompo an'Andriamanitra, ary hanjaka eto an-tany."
\s5
\v 11 Avy eo aho dia nahita sy nandre feon'anjely maro nanodidina ny seza fiandrianana sy ireo zava-manan'aina ary ireo loholona. Ny fitambaran'ny izy ireo dia aman'alina alina.
\v 12 Niteny tamin'ny feo mafy izy ireo hoe: "Mendrika anie ilay Zanak'ondry izay novonoina mba handray fahefana, harena, fahendrena, hery, laza, voninahitra, ary dera."
\s5
\v 13 Nandre ireo zavatra voaforona rehetra izay tany an-danitra sy teto an-tany ary an-dranomasina aho- ny zavatra rehetra tao anatin'ireo-niteny hoe: "Ho an'ilay iray izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana sy ho an'ilay Zanak'ondry, anie ny dera, ny laza, ny voninahitra, ary ny fahefana handidy, mandrakizay doria."
\v 14 Ireo zava-manan'aina efatra, niteny hoe: "Amena!" Ary ireo loholona niankohoka sy nivavaka.
\f + \ft Fanamarihana: Ny sasany aminíreo dikan-teny taloha dia mivaky hoe: "Ireo loholona roa amby efapolo dia niankohoka sy nanompo an'ilay iray izay velona mandrakizay doria." \f*
\s5
\c 6
\p
\v 1 Rehefa nanokatra ny iray tamin'ireo tombo-kase fito ny Zanak'ondry dia nijery aho, ary nandre ny iray tamin'ireo zava-manan'aina efatra tamin'ny feo toy ny kotroka aho niteny hoe: "Avia!
\v 2 Nijery aho ary nisy soavaly fotsy teo. Ny mpitaingina izany dia nitazona tsipìka, ary nomena satro-boninahitra izy. Nivoaka toy ny mpandresy izy mba handresy.
\s5
\v 3 Rehefa nanokatra ny tombo-kase faharoa ny Zanak'ondry, dia nandre ny zava-manan'aina faharoa aho niteny hoe: "Avia!"
\v 4 Dia nisy soavaly hafa nivoaka- mirehitra mena. Ny mpitaingina izany no nomena alalana hanala ny fiadanana amin'ny tany, mba hifamono ny olony. Io mpitaingina io dia nomena sabatra lehibe.
\s5
\v 5 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahatelo ny Zanak'ondry, dia nandre ny zava-manan'aina fahatelo aho niteny hoe: "Avia!" Nahita soavaly mainty aho, ary ny mpitaingina izany dia nitàna mizàna teny an-tanany.
\v 6 Nandre tahaka ny feo tamin'ny zava-manan'aina efatra aho niteny hoe: "Ny vary eran'ny fatram-bary ho an'ny denaria iray, ary ny hordea in-telon'ny fatram-bary ho an'ny denaria iray. Fa aza manimba ny menaka sy ny divay."
\s5
\v 7 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahaefatra ny Zanak'ondry, dia nandre ny feon'ny zava-manan'aina fahaefatra aho niteny hoe: "Avia!
\v 8 Dia nahita soavaly hatsatra aho. Ny mpitaingina izany dia nantsoina hoe Fahafatesana, ary ireo Fasana dia nanaraka azy. Nomena fahefana amin'ny ampaha-efatry ny tany izy ireo, mba hamono amin'ny sabatra, hanoanana sy aretina, ary amin'ireo bibidian'ny tany.
\s5
\v 9 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahadimy ny Zanak'ondry, dia hitako tao ambany alitara ireo fanahin'ireo izay novonoina noho ny tenin'Andriamanitra sy ny fijoroana vavolombelona izay notànan'izy ireo.
\v 10 Nihiaka tamin'ny feo mafy izy ireo hoe: "Mandra-pahoviana, ry Mpanapaka ambonin'ny rehetra, masina sy marina, no hitsaranao ireo izay miaina eto an-tany, sy hamalianao faty ny rànay?
\v 11 Dia nomena akanjolava ny tsirairay avy tamin'izy ireo, ary notenenina izy ireo fa tokony hiandry kelikely mandra-pahazoana ny isa fenon'ireo mpiara-manompon'izy ireo sy ireo rahalahy sy anabavin'izy ireo izay tokony hovonoina izy ireo, toy ny namonoana azy ireo.
\s5
\v 12 Rehefa nanokatra ny tombo-kase fahaenina ny Zanak'ondry, dia nijery aho ary nisy horohoron-tany lehibe. Lasa mainty toy ny lamba fisaonana ny masoandro, ary ny volana fenomanana dia lasa toy ny rà.
\v 13 Ireo kintana teny amin'ny lanitra dia nianjera tety an-tany, toy ny aviavy manintsana ny voany manta rehefa ahetsiky ny rivotra mahery.
\v 14 Ny lanitra dia nanjavona toy ny horonan-taratasy izay naorongorona. Ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nesorina teo amin'ny toerany.
\s5
\v 15 Avy eo ireo mpanjakan'ny tany sy ny olona manan-danja, sy ireo jeneraly, ny mpanan-karena, ny mahery, ary ny hafa rehetra, andevo sy afaka, niafina tao anatin'ireo lava-bato sy tamin'ireo vatolampin'ny tendrombohitra.
\v 16 Niteny tamin'ireo tendrombohitra sy tamin'ireo vatolampy izy ireo hoe: "Mianjerà aminay! Afeno amin'ny tavan'ilay iray izay mipetraka eo amin' ny seza fiandrianana sy amin'ny fahatezeran'ny Zanak'ondry izahay.
\v 17 Fa Tonga ny andro lehiben'ny fahatezeran'izy ireo. Iza no hahavita hiharitra?"
\s5
\c 7
\p
\v 1 Taorian'izany dia nahita anjely efatra nitsangana teo amin'ny zoro tany efatra aho, nanohitra mafy ny rivotra efatry ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin'ny tany, amin'ny ranomasina, na hifanohitra amin'ny hazo rehetra.
\v 2 Nahita anjely hafa aho niakatra avy tany antsinanana, izay nanana ny tombo-kasen'Andriamanitra velona. Nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ireo anjely efatra izay nahazo alalana hanimba ny tany sy ny ranomasina izy hoe:
\v 3 "Aza simbana ny tany, ny ranomasina, na ireo hazo mandra-panisintsika ny tombo-kase eo amin'ny handrin'ireo mpanompon'Andriamanitsika."
\s5
\v 4 Nahare ny isan'ireo izay voatombo-kase aho: 144, 000, no voatombo-kase avy tamin'ny fokon'ny olon'israely rehetra:
\v 5 Roa arivo sy iray alina no voatombo-kase avy tamin'ny fokon'i Joda, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Robena, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Gada,
\v 6 roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Asera, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Naftaly, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Manase.
\s5
\v 7 roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Simeona, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Levy, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Isakara,
\v 8 roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Zebolona, roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Josefa, ary roa arivo sy iray alina avy tamin'ny fokon'i Benjamina no voatombo-kase.
\s5
\v 9 Taorian'ireo zavatra ireo dia nijery aho, ary nisy olona maro be izay tsy tambo isaina--- avy tamin'ny firenena, foko, olona, ary fiteny rehetra---- nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anoloan'ny Zanak'ondry. Nanao ankajo lava fotsy sy mitana sampan-drofia teny amin'ny tanan'izy ireo,
\v 10 ary niantso mafy tamin'ny feo mahery izy ireo nanao hoe: "Ny famonjena dia an'Andriamanitsika izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy an'ny Zanak'ondry!"
\s5
\v 11 Ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana sy manodidina ireo loholona sy ny zava-manan-aina efatra, ary izy ireo dia nampiankohoka ny tavan'izy ireo teo anoloan'ny seza fiandrianana. Nivavaka tamin'Andriamanitra izy ireo
\v 12 nanao hoe: "Amena! Dera, voninahitra, fahendrena, fisaorana, fahefana, ary ny hery anie ho an'Andriamanitsika mandrakizay doria! Amena!"
\s5
\v 13 Avy eo ny iray tamin'ireo loholona nanontany ahy hoe: "Iza ireo, mitafy akanjolava fotsy, ary avy aiza izy ireo?"
\v 14 Hoy aho taminy: "Tompoko, Ianao mahafantatra," ary hoy izy tamiko: "Ireo no hivoaka avy amin'ny Fahoriana Lehibe. Nosasan'izy ireo ny akanjolavany ary nofotsiana tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry.
\s5
\v 15 Noho izany antony izany, dia eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanira izy ireo, sy mivavaka aminy andro aman'alina ao amin'ny tempoliny. Ny iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana dia hamelatra ny lainy amin'izy ireo.
\v 16 Tsy ho noana intsony izy ireo, na hangetaheta indray. Tsy hamely azy ny masoandro, na ny hafanana mandoro.
\v 17 Fa ny Zanak'ondry eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho mpiandry azy ireo sy hitari-dalana azy ireo any amin'ny loharanon'ny rano velona, ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Rehefa novahan'ilay Zanak'ondry ny tombo-kase fahafito, dia nisy fahanginana tany an-danitra teo amin'ny antsasaka ora teo.
\v 2 Avy eo dia hitako ireo anjely fito izay nitsangana teo anoloan'Andriamanitra, ary nomena trompetra fito izy ireo.
\s5
\v 3 Nisy anjely hafa tonga, nitazona lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra, nitsangana teo ambonin'ny alitara. Ditin-kazo manitra maro no nomena azy mba hanolorany izany mbamin'ny vavaky ny mpino rehetra eo ambonin'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra eo anoloan'ny sezam-boninahitra.
\v 4 Ny setrok'ilay ditin-kazo manitra, mbamin'ny vavak'ireo mpino, dia niakatra teo anoloan' Andriamanitra avy amin'ny tanan'ny anjely.
\v 5 Naka ilay lovia fandoroana ditin-kazo manitra ilay anjely ary nameno izany tamin'ny afo avy eo amin'ny alitara. Avy eo natsipiny tamin'ny tany izany, ary nisy kotro-baratra, kotroka, tselatra, ary horohoron-tany.
\s5
\v 6 Ireo anjely fito izay nanana ireo trompetra fito dia niomana hitsoka izany.
\v 7 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely voalohany, ary nisy havandra sy afo mifangaro rà. Natsipy tety an-tany izany mba ho may ny ampahatelon'izany, may ny ampahatelon'ny hazo, ary may avokoa ireo ahi-maitso.
\f + \ft Fanamarihana: Ny sasany amin'ireo dikan-teny taloha dia manala ny hoe: "mba ho may ny ampahatelon'izany." \f*
\s5
\v 8 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faharoa, ary nisy zavatra toy ny tendrombohitra lehibe nirehitr'afo natsipy tany an-dranomasina. Lasa rà ny ampahatelon'ny ranomasina,
\v 9 maty ny ampahatelon'ny zava-manan'aina tao an-dranomasina, ary rava ny ampahatelon'ireo sambo.
\s5
\v 10 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely fahatelo, ary nisy kintana lehibe nilatsaka avy any an-danitra, mirehitra toy ny fanilo, tamin'ny ampahatelon'ireo ony sy loharano.
\v 11 Zava-mangidy no anaran'ilay kintana. Lasa nangidy ny ampahatelon'ilay rano, ary olona maro no maty tamin'ilay rano izay lasa nangidy.
\s5
\v 12 Nitsoka ny trompetrany ilay anjely faha-efatra, ary niova ny ampahatelon'ny masoandro, toy ny ampahatelon'ny volana sy ny ampahatelon'ireo kintana. Noho izany dia lasa mainty ny ampahatelon'ireo; tsy nisy hazavana ny ampahatelon'ny andro sy ny ampahatelon'ny alina.
\s5
\v 13 Nijery aho, ary nandre voro-mahery izay nanidina teny afovoan'ny lanitra, niantso tamin'ny feo mafy hoe: '"Loza, loza, loza, ho an'ireo izay monina eny amin'ny tany, nohon'ny feona trompetra sisa izay efa ho tsofin'ireo anjely telo."
\s5
\c 9
\p
\v 1 Nampaneno ny trompetrany ny anjely fahadimy. Nahita kintana avy any an-danitra aho izay nianjera teny amin'ny tany. Ilay kintana no nomena ny fanalahidin'ilay lavaka tsy hita noanoa.
\v 2 Nosokafany ilay lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivoaka tao amin'ny lavaka toy ny setroka avy amin'ny lafaoro lehibe. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon'ny setroka nivoaka tao an-davaka.
\s5
\v 3 Avy amin'ny setroka no nahatongavan'ireo valala teto ambonin'ny tany, ary nomena hery tahaka ny an'ny maingoka teto ambonin'ny tany izy ireo.
\v 4 Notenenina izy ireo tsy hanimba ny ahitra teto ambonin'ny tany na ireo zava-maniry maitso na hazo, fa ireo olona izay tsy manana tombo-kasen'Andriamanitra eo amin'ny handrin'izy ireo ihany.
\s5
\v 5 Tsy nahazo alalana ny hamono ireo olona ireo izy ireo, fa hampijaly azy ireo mandritra ny dimy volana ihany. Ny fanaintainan'izy ireo dia ho toy ny tsindron'ny maingoka rehefa mamely olona.
\v 6 Amin'ireo andro ireo dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita izany. Haniry ny ho faty mafy izy ireo, nefa handositra azy ireo ny fahafatesana.
\s5
\v 7 Toy ny soavaly nomanina tamin'ny ady ireo valala. Tamin'ny lohan'izy ireo dia nisy zavatra toy ny satro-boninahitra volamena, ary ny tavan'izy ireo dia toy ny tavan'olombelona.
\v 8 Nanana volo toy ny volom-behivavy izy ireo, ary ny nifin' izy ireo dia toy ny nifin'ny ireo liona.
\v 9 Nanana fiarovan-tratra toy ny fiarovan-tratra vy izy ireo, ary ny feon'ny elatr'izy ireo dia toy ny feon'ny kalesy sy soavaly maro mihazakazaka ho any amin'ny ady.
\s5
\v 10 Nanana rambo nisy fanindromana toy ny maingoka izy ireo; ao amin'ny rambon'izy ireo no misy ny hery hanimba ny olona mandritra ny dimy volana.
\v 11 Nanana mpanjaka izy ireo dia ilay anjelin'ilay lavaka tsy hita noanoa. Ny anarany tamin'ny teny Hebreo dia Abadona, ary ny anarany tamin'ny teny grika dia i Apolyona.
\v 12 Lasa ny loza voalohany. Indro! aorian'izao dia mbola hisy loza roa ho avy.
\s5
\v 13 Nampaneno ny trompetrany ilay anjely fahaenina, ary naheno ny feo nivoaka tamin'ny tandroky ny alitara volamena izay efa nisy teo anatrehan'Andriamanitra aho.
\v 14 Ary niteny tamin'ilay anjely fahaenina ilay feo manao hoe: "Avotsory ireo anjely efatra izay mifatotra any amin'ilay renirano lehiben' ny Eofrata."
\v 15 Ireo anjely efatra izay efa nomanina tamin'izany ora izany, izany andro izany, izany volana izany, ary izany taona izany, dia navotsotra mba hamono ny ampahatelon'ny olombelona.
\s5
\v 16 Ny isan'ireo miramila nitaingin-tsoavaly dia 200, 000, 000. Naheno ireo isa ireo aho.
\v 17 Toy izany no fomba nahitako ireo soavaly tao amin'ny fahitako sy ireo izay nitaingina teo amin'izy ireo: Ireo fiarovan-tratran'izy ireo dia mirehitra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin'ny lohan'ireo liona ny lohan'ireo soavaly, ary ny nivoaka avy tao am-bavan'izy ireo dia afo, setroka, ary solifara.
\s5
\v 18 Ary ny ampahatelon'ireo olona dia matin'ireo loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny solifara izay nivoaka avy tao am-bavan'izy ireo.
\v 19 Fa ny herin'ireo soavaly dia avy tao amin'ny vavan'izy ireo sy tamin'ny rambon'izy ireo - fa ny rambon'izy ireo dia toy ny bibilava, ary nanana loha izay afaka mandratra olona izy ireo.
\s5
\v 20 Ny ambin'ireo olombelona, ireo izay tsy matin'ireo loza ireo, dia tsy nibebaka tamin'asa izay vitan'izy ireo, na nijanona nanompo ireo demony sy sampy volamena, volafotsy, varahana, vato, ary hazo- ireo zavatra izay tsy hita maso, re, na mandeha.
\v 21 Izy ireo dia mbola tsy nibebaka tamin'ny asa famonoana, ny famosavian'izy ireo, ny fijangajangana na ireo asa fangalaran'izy ireo.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Avy eo aho dia nahita anjely mahery hafa nidina avy any an-danitra. Tao anaty rahona izy, ary nisy avana teo ambonin'ny lohany. Ny tarehiny dia miendrika masoandro ary ny tongony dia tahaka ny andry afo.
\v 2 Mitazona horonan-taratasy kely mivelatra amin'ny tanany izy, ary mametraka ny tongony havanana amin'ny ranomasina sy ny tongony havia amin'ny tany.
\s5
\v 3 Avy eo izy dia nihiaka tamin'ny feo mafy tahaka ny fieron'ny liona. Rehefa nihiaka izy, dia nikotroka mafy tamin'ny feony ny kotroka fito.
\v 4 Rehefa nikotroka ny kotroka fito, dia teo andalam-panoratana aho, fa nandre feo avy any an-danitra aho niteny hoe: "Tazomy ho tsiambaratelo izay nolazain'ny kotroka fito. Aza soratana izany."
\s5
\v 5 Avy eo ilay anjely hitako nitsangana teo ambony ranomasina sy teo amin'ny tany, nanandratra ny tanany havanana tany an-danitra.
\v 6 Izy nianiana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay doria, izay namorona ny lanitra sy izay rehetra ao anatin'izany, ny tany sy izay rehetra ao anatin'izany, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao anatin'izany, ary ilay anjely niteny hoe: "Tsy hisy fiandrasana intsony.
\v 7 Fa amin'ny andro iray rehefa hampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, dia ho tanteraka ny misterin'Andriamanitra, tahaka ny nanambarany tamin'ireo mpaminany mpanompony."
\s5
\v 8 Ilay feo izay reko avy any an-danitra niteny tamiko indray hoe: "Mandehana, alaivo ilay horonan-taratasy mivelatra izay eny an-tanan'ilay anjely mitsangana eo ambony ranomasina sy ambonin'ny tany."
\v 9 Avy eo dia lasa nankany amin'ilay anjely aho ary niteny taminy mba hanome ahy ilay horonan-taratasy kely. Hoy izy tamiko: "Raiso ny horonan-taratasy ary hano izany. Hampangidy ny ao an-kibonao izany, fa ao am-bavanao dia ho mamy tahaka ny tantely izany."
\s5
\v 10 Nalaiko tamin' ny tanan'ilay anjely ilay horonan-taratasy kely ary nohaniko izany. Mamy tahaka ny tantely tao am-bavako izany, fa taorinan'ny nihinanako azy, dia lasa nangidy ny tao an-kiboko.
\v 11 Avy eo nisy olona iray niteny tamiko hoe: "Tsy maintsy maminany indray ianao momban'ireo olona maro, ireo firenena, ireo fiteny, ary ireo mpanjaka."
\s5
\c 11
\p
\v 1 Nomena volotara mba ampiasaina tahaka ny tehina aho. Nolazaina tamiko hoe: "Mitsangàna ary refeso ny tempolin'Andriamanitra sy ny alitara, ary ireo izay mivavaka ao.
\v 2 Fa aza refesina ny kianja eo ivelan'ny tempoly, fa nomena an'ireo Jentilisa izany. Hanitsaka ny tanàna masina mandritry ny roa amby efapolo volana izy ireo.
\s5
\v 3 Homeko ireo vavolombeloko roa ny fahefana haminany mandritry ny 1, 260 andro, nitafy lamba fisaonana."
\v 4 Ireo vavolombelona ireo dia hazon'oliva roa sy ny fitoeran-jiro roa izay nitsangana teo anatrehan'ny Tompon'ny tany.
\v 5 Raha misy olona misafidy handratra azy ireo, dia mivoaka afo ny vavan'izy ireo ka hihinana ireo fahavalon'izy ireo. Na iza na iza maniry ny handratra azy ireo dia tsy maintsy hovonoina amin'izany fomba izany.
\s5
\v 6 Ireo vavolombelona ireo dia manana fahefana hanidy ny lanitra mba tsy hilatsahan'ny orana mandritry ny andro haminanian'izy ireo. Manam-pahefana izy ireo hanova ny rano ho rà sy hamely ny tany amin'ny karazana loza rehetra na oviana na oviana irian'izy ireo.
\v 7 Rehefa ho vita ny fijoroan'izy ireo vavolombelona, dia miakatra avy any anaty lavaka tsy hita noanoa ilay bibidia hiady hanohitra azy ireo. Handresy azy ireo Izy ary hamono azy ireo.
\s5
\v 8 Hiampatra eny amin'ny lalan'ny tanàn-dehibe ny fatin'izy ireo (izay antsoina ihany koa hoe Sodoma sy Egypta) izay namantsihana ny Tompon'izy ireo.
\v 9 Hijery ny fatin'izy ireo mandritra ny telo andro sy tapany ny olona, ny foko, fiteny, ary ny firenena rehetra. Tsy ho avelan'izy ireo apetraka ao am-pasana ireo
\s5
\v 10 Ireo izay miaina eo ambonin'ny tany dia hifaly amin'izy ireo ary hankalaza. Hifandefa fanomezana mihintsy aza izy ireo satria nampijaly ireo izay miaina ambonin'ny tany ireo mpaminany roa ireo.
\v 11 Fa afaka telo andro sy tapany dia hiditra ao amin'izy ireo ny fofon'aina avy amin'Andriamanitra, ary hijoro amin'ny tongony izy ireo. Hilatsaka amin'ireo izay mahita azy ireo ny tahotra lehibe.
\v 12 Avy eo dia handre feo mahery avy any an-danitra izy ireo miteny azy ireo hoe: "Miakara eto!" Avy eo dia hiakatra ho any an-danitra ao anaty rahona izy ireo, raha mbola mijery tany ireo fahavalon'izy ireo.
\s5
\v 13 Amin'izany ora izany dia hisy horohoron-tany mafy, ary hirodana ny ampahafolon'ny tanàna. Fito arivo ny olona ho faty amin'ilay horohorontany, ary ho raiki-tahotra ireo olona sisa tsy maty ary hanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.
\v 14 Lasa ny loza faharoa. Indro! tonga faingana ny loza fahatelo.
\s5
\v 15 Avy eo dia nampaneno ny trompetrany ny anjely fahafito, ary nisy feo mafy niteny tany an-danitra nanao hoe: "Ho lasa fanjakan'ny Tompontsika sy ny Kristiny ny fanjakan'izao tontolo izao. Izy no hanjaka mandrakizay doria."
\s5
\v 16 Avy eo ireo loholona efatra amby roapolo izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianan'izy ireo teo anatrehan'Andriamanitra dia nampiankohoka ny tenan'izy ireo. Nankalaza an'Andriamanitra izy ireo.
\v 17 Hoy izy ireo: "Manome fisaorana Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, ilay ankehitriny sy taloha, satria naka ny herinao lehibe ianao ary nanomboka nanjaka.
\f + \ft Fanamarihana: Ny sasany amin'ireo dikan-teny taloha dia mivaky hoe: Ny mpanapaka ny rehetra, ilay ankehitriny sy taloha, ary ilay ho avy, fa ny dikan-teny amin'izao fotoana tsy toy izany. \f*
\s5
\v 18 Tezitra mafy ireo firenena, kanefa tonga ny fahatezeranao. Tonga ny fotoana hitsarana ny maty sy hamalianao soa ireo mpaminany mpanomponao, ireo izay mpino, sy ireo izay natahotra ny anaranao, na ny tsy manan-danja na ny mahery. Tonga ny fotoana handringananao ireo izay manimba ny tany."
\s5
\v 19 Avy eo dia nisokatra ny tempolin'Andriamanitra tany an-danitra ary hita ny fiaran'ny fanekeny ao anatin'ny tempoliny. Nisy tsela-pahazavana, kotroka, kotrokorana, horohorontany, ary havandra vaventy tao.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Famantarana lehibe no hita tany an-danitra: vehivavy nitafy ny masoandro, ary ny volana teo ambanin' ny tongony, ary satro-boninahitra vita tamin'ny kintana roa ambin'ny folo no teo amin'ny lohany.
\v 2 Bevohoka izy, ary nihiaka mafy fa efa ho teraka, ao anatin'ny fihetsehan-jaza.
\s5
\v 3 Avy eo nisy famantarana hafa niseho tany an-danitra: Indro! Nisy dragona mena goavam-be izay nanana loha fito sy tandroka folo, ary nisy satro-boninahitra fito teo amin'ireo lohany.
\v 4 Ny rambony dia nifaoka ny ampahatelon'ny kintana tany an-danitra sady nanipy azy ireo teny amin'ny tany. Ilay dragona nijoro teo anoloan'ilay vehivavy izay efa ho teraka, ka rehefa teraka izy, dia afaka handrapaka ny zanany izy.
\s5
\v 5 Niteraka zazalahy izy, izay hanapaka ny firenena rehetra miaraka amin'ny tehim-by. Ny zanany dia nalaina an-keriny ho any amin'Andriamanitra sy ho eo amin'ny seza fiandrianany,
\v 6 ary ilay vehivavy dia nandositra nankany an'efitra, izay nisy toerana efa nomanin'Andriamanitra ho azy, koa dia ho voakarakara mandritry ny 1260 andro izy.
\s5
\v 7 Ary nisy ady tany an-danitra. Mikaela sy ireo anjeliny dia niady tamin'ilay dragona; ary ilay dragona sy ny anjeliny dia namaly ady.
\v 8 Fa tsy dia natanjaka ilay dragona ka tsy naharesy. Koa tsy nisy toerana ho azy sy ireo anjeliny intsony tany an-danitra.
\v 9 Ilay dragona lehibe— izay menarana fahiny nantsoina hoe devoly na Satana, ilay namitaka an'izao tontolo izao—dia natsipy teny ambonin'ny tany, ary ireo anjeliny dia natsipy niaraka taminy.
\s5
\v 10 Avy eo nandre feo mafy avy any an-danitra aho: "Ankehitriny dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan'Andriamanitsika ary ny fahefan'i Kristiny. Fa ny mpiampanga ny rahalahintsika dia natsipy tany ambany, ilay iray izay miampanga azy ireo andro aman'alina eo anatrehan'Andriamanitsika.
\s5
\v 11 Izy ireo dia naharesy azy tamin'ny ràn'ny Zanak'ondry sy tamin'ny teny fijoron'izy ireo vavolombelona, fa tsy nankamamy ny fiainany intsony izy ireo na dia ho faty aza.
\v 12 Noho izany, mifalia, ianareo ry lanitra, sy izay rehetra monina ao aminy. Fa mitandrema ny amin'ny tany sy ny ranomasina satria ny devoly dia nidina teny aminareo. Feno fahatezerana izy, satria fantany fa fotoana fohy sisa no hananany.
\s5
\v 13 Rehefa nahafantatra ilay dragona fa nazera tamin'ny tany izy, dia nanenjika ilay vehivavy niteraka zazalahy izy.
\v 14 Fa ilay vehivavy dia nomena elatra roan'ny voromahery lehibe, ka dia afaka nanidina nankany amin'ilay toerana nokarakaraina ho azy tany an'efitra. Io ilay toerana hitsinjovana azy, mandritry ny telo taona sy tapany— mba tsy ho hitan'ilay menarana.
\s5
\v 15 Namoaka rano toy ny renirano tamin'ny vavany ilay menarana, izay hifaoka an-dravehivavy.
\v 16 Fa ny tany nanampy an-dravehivavy. Nosokafan'ny tany ny vavany ary dia nateliny ny riaka izay navoakan'ny vavan'ilay dragona.
\v 17 Ary tezitra tamin-dravehivavy ilay dragona ka niala ary nitady ady tamin'ny ambin'ireo taranany, izay mankàto ny didin'Andriamanitra ary mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy.
\v 18 Avy eo nitsangana teo ambonin'ny fasiky ny ranomasina ilay dragona.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Ary nahita bibi-dia aho niakatra avy tamin'ny ranomasina. Nanana tandroka folo izany ary loha fito. Teo amin'ny tandrony dia nisy diadema folo, ary teo amin'ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy avy.
\v 2 Ilay bibi-dia izay hitako dia tahaka ny leoparda. Ny tongony dia tahaka ny tongotra bera, ary ny vavany dia tahakan'ny vavan'ny liona. Ilay dragona nanome azy ny heriny, ny seza fiandrianany, ary ny fahefany lehibe hanapaka.
\s5
\v 3 Ny lohan'ilay bibi-dia anankiray dia toa efa maty, kanefa sitrana ilay ratra saika nahafaty azy. Ary gaga ny tany rehetra ka nanaraka ilay bibi-dia.
\v 4 Ary dia niankohoka koa teo amin'ilay dragona izy ireo, satria izy no nanome ny fahefany ho an'ny bibi-dia. Niankohaka teo amin'ilay bibi-dia, koa, izy ireo, ary niteny hoe: "Iza no tahakan'ny bibi-dia?" ary "Iza no afaka miady aminy?"
\s5
\v 5 Nomena vava izay afaka miteny fireharehana sy fitenenan-dratsy ilay bibi-dia. Nomena alalana izy mba hampihatra fahefana mandritran'ny efatra ambi-efapolo volana.
\v 6 Ary nanokatra ny vavany hiteny ratsy an'Andriamanitra ilay bibi-dia: niteny ratsy ny anarany, ny toerana izay honenany ary ireo izay mipetraka ao an-danitra.
\s5
\v 7 Navela hiady tamin'ireo mpino ary handresy azy ireo ilay bibi-dia. Ary koa, ny fahefana dia nomena azy manerana ny foko, ny olona, ny fiteny, ary ny firenena rehetra.
\v 8 Hiankohoka eo aminy ireo rehetra izay monina ambonin'ny tany, ireo izay tsy voasoratra anarana, nandritran'ny famoronana izao tontolo izao, ao amin'ny Bokin'ny Fiainana, izay an'ny Zanak'ondry, izay efa novonoina.
\s5
\v 9 Raha misy manan-tsofina, aoka izy hihaino.
\v 10 Raha misy nalaina babo, dia handeha amin'ny fahababona izy. Raha misy novonoina tamin'ny sabatra, amin'ny sabatra no hamonoana azy. Ity no antso ho an'ny faharetana ary finoana ho an'ireo izay masina.
\s5
\v 11 Ary nahita bibi-dia hafa aho niakatra avy tamin'ny tany. Izany dia nanana tandroka roa tahakan'ny zanak'ondry, ary niteny tahakan'ny dragona.
\v 12 Nampihariny avokoa ny fahefana rehetra an'ilay bibi-dia voalohany eo anatrehany, ary ny tany sy ireo izay monina eo aminy dia asainy miankohoka eo amin'ilay bibi-dia voalohany— ilay iray izay sitrana tamin'ny ratra saika nahafaty azy.
\s5
\v 13 Nanao fahagagana maro lehibe izy. Nampidina afo avy any an-danitra ho amin'ny tany teo anoloan'ny olona.
\v 14 Tamin'ny alalan'ny famantarana dia nomena alalana anao izany, namitaka an'ireo izay monina ambonin'ny tany izany. Niteny tamin'izy ireo izany mba hanambotra sary ho voninahitry ny bibi-dia izay voaratran'ny sabatra nefa velona.
\s5
\v 15 Navela asiana aina ny sarin'ny bibi-dia mba ahafahan'ilay sary miteny ary izay rehetra tsy manaiky miankohoka amin'ilay bibi-dia dia novonoina.
\v 16 Nanery ny tsirairay ihany koa izany, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny mahantra, na ny tsy andevo na ny andevo, dia mandray ny marika eo amin'ny tanana ankavanana na oe amin'ny andrina.
\v 17 Tsy hisy olona mahazo mividy na mivarotra mandra-pahazony ny mariky ny bibi-dia, izany dia ny isan'ny fanehoana ny anarany.
\s5
\v 18 Izany dia mitaky fahendrena. Raha misy olona manan-tsaina, aoka izy hanisa ny isan'ny bibi-dia. Fa izany dia isan'ny olona. Izany isa izany dia 666.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Nijery aho ary nahita ny Zanak'ondry nitsangana teo amin'ny tendrombohitra Ziona. Niaraka taminy ireo 144. 000 izay nanana ny anarany sy ny anaran'ny Rainy voasoratra eo amin'ny handrin'izy ireo.
\v 2 Nandre feo avy any an-danitra toy ny firohondrohon'ny rano maro sy kotroka mafy aho. Ny feo reko ihany koa dia toy ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.
\s5
\v 3 Nihira hira vaovao teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anoloan'ireo zava-manan'aina efatra sy ireo loholona izy ireo. Tsy nisy na iza na iza afaka nianatra ny hira afa-tsy ireo 144. 000 izay novidiana avy teto an-tany ihany.
\v 4 Ireo dia olona izay tsy nandoto ny tenan'izy ireo tamim-behivavy, fa nihazona ny tenany madio ara-nofo izy ireo. Izany dia izay manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza alehany. Izy ireny dia novidiana avy tamin'ny olombelona toy ny voaloham-bokatra ho an'Andriamanitra sy ho an'ny Zanak'ondry.
\v 5 Tsy nisy lainga hita teo amin'ny molotr'izy ireo, tsy manan-tsiny izy ireo.
\f + \ft Fanamarihina: Ny dikan-teny sasany manampy hoe: "teo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra" \f*
\s5
\v 6 Nahita anjely hafa nanidina ambony aho, izay nanana ny hafatra mandrakizain'ny vaovao mahafaly hambara amin'ireo izay miaina ambonin'ny tany- amin'ny firenena, foko, fiteny, ary ny olona rehetra.
\v 7 Niantso tamin'ny feo mafy izy hoe: "Matahora an'Andriamanitra ary manomeza voninahitra Azy. Fa tonga ny oran'ny fitsarany. Mivavaha Aminy, ny iray izay nanao ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, ary ny loharano."
\s5
\v 8 Nisy anjely hafa- ny anjely faharoa- nanaraka niteny hoe: "Nianjera, nianjera Babylona lehibe, izay nandresy lahatra ireo firenena rehetra mba hisotro ny divain'ny fitondran-tena malotony."
\s5
\v 9 Nisy anjely hafa- anjely fahatelo- nanaraka azy ireo, niteny tamin'ny feo mafy hoe: "Raha misy mivavaka amin'ny ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika eo amin'ny handriny na eo amin'ny tanany,
\v 10 dia hisotro ny sasany amin'ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra ihany koa izy, divay tsy niharo izay narotsaka tao anatin'ny kapoaky ny hatezerany. Ny olona izay misotro izany dia ho ampijaliana amin'ny afo sy solifara eo anoloan'ireo anjely masin'Andriamanitra sy eo anoloan'ny Zanak'ondry.
\s5
\v 11 Ny setroka avy amin'ny fijalian'izy ireo dia miakatra mandrakizay doria, ary tsy manam-pitsaharana andro sy alina izy ireo- ireo mpanompon'ny bibidia sy ny sariny ireo, ary ny olon-drehetra izay mandray ny mariky ny anarany.
\v 12 Ity dia antso ho an'ny faharetana maharitr'ireo izay masina, ireo izay mankatoa ireo didin'Andriamanitra ary mino an'i Jesosy."
\s5
\v 13 Nandre feo avy any an-danitra aho niteny hoe: "Soraty izao: Sambatra ny maty izay maty ao amin'ny Tompo." "Eny", hoy ny Fanahy, "mba ahafahan'izy ireo miala sasatra amin'ny asan'izy ireo, fa ny vitan'izy ireo dia hanaraka azy ireo."
\s5
\v 14 Nijery aho, ary nisy rahona fotsy. Nipetraka teo amin'ny rahona ny iray toy ny zanak'olona. Nanana satro-boninahitra volamena teo amin'ny lohany sy fijinjana maranitra eny an-tanany izy.
\v 15 Dia nisy anjely hafa nivoaka ny tempoly ary niantso tamin'ny feo mafy an'ilay mipetraka eo amin'ny rahona nanao hoe: "Raiso ny fijinjanao ka manomboa mijinja. Fa tonga ny fotoana hijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany."
\v 16 Ary ny iray izay nipetraka teo amin'ny rahona nampandroso ny fijinjany teto an-tany, ka nojinjaina ny tany.
\s5
\v 17 Nisy anjely hafa nivoaka avy tao an-tempoly tany an-danitra; nanana fijinjana maranitra ihany koa izy.
\v 18 Mbola nisy anjely hafa koa nivoaka ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, izay nanana fahefana amin'ny afo. Niantso tamin'ny feo mahery an'ilay ireo izay nanana fijinjana maranitra izy hoe: "Raiso ny fijinjanao maranitra ary angony ireo sampahom-boaloboka avy amin'ny voaloboky ny tany, fa ireo voaloboka dia efa masaka izao."
\s5
\v 19 Nampandroso ny fijinjany tamin'ny tany ilay anjely ary nanangona ny vokatry ny voaloboky ny tany. Natsipiny tao anaty famiazam-boaloboka lehiben'ny fahatezeran'Andriamanitra izany.
\v 20 Ny famiazam-boaloboka dia nitsahina tany ivelan'ny tanàna, ary ny rà dia niraraka avy ao amin'izany ka tonga hatreny amin'ny haavon'ny lamboridin-tsoavaly, izay 1. 600 stadio.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Avy eo dia nahita famantarana hafa teny amin'ny lanitra aho, lehibe sy mahatalanjona: Nisy anjely fito miaraka amin'ny loza fito, izay loza farany indrindra, fa amin'izy ireo no hahatanteraka ny fahatezeran'Andriamanitra.
\s5
\v 2 Nahita izay niseho tamin'ny ranomasina fitaratra nampiarahana tamin'ny afo aho. Nitsangana teo akaikin'ny ranomasina ireo izay nandresy an'ilay bibidia sy ny sariny, sy ny isa maneho ny anarany. Izy ireo dia nitazona harpa nomen'Andriamanitra azy ireo
\s5
\v 3 Izy ireo nihira ny hiran'i Mosesy, ilay mpanompon'Andriamanitra, ny hiran'ny Zanak'ondry hoe: "Lehibe sy mahatalanjona ireo asanao, Tompo Andriamanitra, ilay Avo indrindra. Marina sy mahitsy ireo lalanao, ry Mpanjakan'ireo firenena.
\v 4 Iza no tsy hahatahotra Anao, ry Tompo, sy hanome voninahitra ny anaranao? Fa Ianao irery no masina. Ny firenena rehetra ho avy sy hivavaka eo anatrehanao satria ireo asanao marina dia efa nambara."
\s5
\v 5 Taorian'ireo zavatra ireo aho dia nijery, ary nisokatra teny amin'ny lanitra ilay tempoly izay manana lain'ny fijoroana vavolombelona.
\v 6 Nivoaka avy tao amin'ilay toerana masina indrindra ireo anjely fito mitazona ireo loza fito. Izy ireo dia miakanjo madio, lamba rongony mamiratra sy misy fehin-kibo volamena manodidina ny tratran'izy ireo.
\s5
\v 7 Iray tamin'ireo zava-manan'aina efatra nanome an'ireo anjely fito lovia volamena fito feno ny fahatezeran'Andriamanitra, ilay velona mandrakizay doria.
\v 8 Feno setroka avy amin'ny voninahitr'Andriamanitra sy avy amin'ny heriny ny tempoly. Tsy misy na iza na iza afaka miditra ao mandra-pahatanteraky ny loza fiton'ireo anjely fito.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Nandre feo mafy niantso avy tao an-tempoly aho ary niteny tamin'ireo anjely fito hoe: "Mandehana ary araraho amin'ny tany ireo lovia fito feno ny hatezeran' Andriamanitra."
\s5
\v 2 Lasa ilay anjely voalohany ary nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny tany; ratra ratsy sy maharary no tonga tamin'ny olona izay nanana ny mariky ny bibi-dia, ireo izay nankalaza ny sariny.
\s5
\v 3 Ilay anjely faharoa nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ranomasina. Lasa rà izany, toy ny ràn'olona maty, ary maty ny zava-manan'aina rehetra tao an-dranomasina.
\s5
\v 4 Ilay anjely fahatelo nandraraka ny tao an-doviany tamin'ireo ony sy loharano, ary lasa rà ireo.
\v 5 Reko ny anjelin'ny rano manao hoe: "Marina Ianao_ilay ankehitriny sy taloha, Ilay iray Masina_ satria efa nitsara ireo zavatra ireo Ianao.
\f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy sasany taloha dia mamaky hoe: "Marina Ianao, Tompo_ Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, satria efa nitsara ireo zavatra ireo Ianao." \f*
\v 6 Satria ny ràn'ireo mpino sy mpaminany no nalatsak'izy ireo, dia nomenao rà ho sotroina izy ireo; izany no mendrika azy ireo."
\v 7 Reko ny alitara namaly hoe: "Eny, Tompo Andriamanitra lehibe, ireo fitsaranao dia marina sy mahitsy."
\s5
\v 8 Ilay anjely fahefatra nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny masoandro, ary nahazo alalana handoro ny olona amin'ny afo izany.
\v 9 Main'ilay hafanana be izy ireo, ary niteny ratsy ny anaran'Andriamanitra, izay manana ny fahefana amin'ireny loza ireny. Tsy nibebaka izy ireo na nanome voninahitra Azy.
\s5
\v 10 Avy eo ilay anjely fahadimy nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny seza fiandrianan'ilay bibi-dia, ary nandrakotra ny fanjakany ny haizina. Nitsako ny lelany izy ireo nohon'ny fahoriana.
\v 11 Niteny ratsy ilay Andriamanitry ny lanitra izy ireo nohon'ny fahoriana sy ratran'izy ireo, ary mbola nandà ny hibebaka amin'izay vitan'izy ireo ihany izy ireo.
\s5
\v 12 Ilay anjely faha-enina nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny ony lehibe, ilay Eofrata. Noritina izany mba hanomanana ny lalana ho an'ireo mpanjaka izay ho tonga avy any antsinanana.
\v 13 Nahita fanahy maloto telo aho izay niendrika sahona mivoaka avy any am-bavan'ny dragona, avy any am-bavan'ny biby-dia, ary avy amin'ny vavan'ny mpaminany sandoka.
\v 14 Fa fanahin'ny demonia manao famantarana mahagaga izy ireo. Nankany amin'ireo mpanjakan'izao tontolo izao izy ireo mba hanangona azy ireo miaraka ho an'ny adin'ny andro lehiben'Andriamanitra Avo indrindra.
\s5
\v 15 ("Indro! Avy toy ny mpangalatra Aho! Sambatra izay miambina, miaro ireo fitafiany mba tsy hivoaka mitanjaka izy ary hitan'izy ireo ny fahamenarany.")
\v 16 Nentin'izy ireo niaraka tany amin'ny toerana izay antsoina hoe Hara-magedona amin'ny Hebreo izy ireo.
\s5
\v 17 Avy eo ilay anjely fahafito nandraraka ny tao an-doviany tamin'ny rivotra. Ary nisy feo mafy nivoaka avy tao an-tempoly sy avy tamin'ny seza fiandrianana, manao hoe: '"Vita izany!"
\v 18 Nisy tselatra, kotroka, kotro-baratra, ary horohoron-tany mafy_ horohoron-tany lehibe noho izay efa nitranga hatramin'izay nisian'olona teto an-tany, ka dia mafy izany horohoron-tany izany.
\v 19 Vaky ho fizarana telo ilay tanàna lehibe, ary rava ny tanànan'ireo firenena. Avy eo Andriamanitra niantso mba hahatsiaro an'i Babylona lehibe, ary nomeny izany tanàna izany ny kapoaka feno divay vita avy amin'ny firehetan'ny fahatezerany.
\s5
\v 20 Nanjavona ny nosy rehetra, ary tsy hita intsony ireo tendrombohitra.
\v 21 Nisy havandra vaventy, milanja eo amin'ny talenta iray eo, nidina avy any an-danitra ho amin'ny olona. Nanozona an'Andriamanitra izy ireo nohon'ny loza avy tamin'ny havandra satria tena mafy loatra izany loza izany.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Iray tamin'ireo anjely fito izay nitazona ireo lovia volamena fito nanatona sy niteny tamiko hoe: "Avia, ho asehoko anao ny sazin'ny mpijangajanga lehibe izay mipetraka ambony rano maro.
\v 2 Niaraka taminy no nampijangajanga an'ireo mpanjakan'ny tany. Ny divain'ny fijangajangany no nahamamo ireo mponin'ny tany."
\s5
\v 3 Avy eo ilay anjely nitondra ahy tamin'ny Fanahy tany amin'ny tany karakaina, ary nahita vehivavy nipetraka teo ambony bibi-dia mena izay feno anarana teny ratsy aho. Ilay bibi-dia dia manana loha fito sy tandroka folo.
\v 4 Ilay vehivavy dia niakanjo voloparasy sy mena ary voaravaka volamena, vato sarobidy, ary vato soa. Izy dia nitazona tamin'ny tanany kapoaka volamena feno ireo zavatra maharikoriko sy ireo tsy fahadiovan'ny fijangajangany.
\v 5 Teo amin'ny handriny no nisy anarana manana dikany miafina voasoratra hoe: "Babilona lehibe, ilay renin'ireo mpijangajanga sy ny zavatra maharikorikon'ny tany."
\s5
\v 6 Nahita aho fa ilay vehivavy dia mamon'ny ràn'ireo mpino sy ny ràn'ireo martiry ho an' i Jesosy. Rehefa nahita azy aho, dia tena talanjona.
\v 7 Fa ilay anjely niteny tamiko hoe: "Maninona no talanjona ianao? Ho azavaiko anao ny dikan'ilay vehivavy sy ilay bibi-dia izay mitondra azy, ilay bibi-dia izay manana loha fito sy tandroka folo.
\s5
\v 8 Ilay bibi-dia izay hitanao dia misy, fa tsy misy ankehitriny, fa andalam-piakarana avy any amin'ny farany ambanin'ny lavaka tsy hita noanoa. Avy eo dia hankany amin'ny fahasimbana izany. Ireo izay miaina ambony tany, ireo izay tsy voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana hatramin'ny namoronana an'izao tontolo izao ny anarany- ho gaga izy ireo rehefa hahita fa ilay bibi-dia dia misy, fa tsy misy intsony ankehitriny, fa andalam-pihaviana.
\s5
\v 9 Miantso saina izay manam-pahendrena izany. Ireo loha fito dia vohitra fito izay hipetrahan'ilay vehivavy.
\v 10 Izy ireo ihany koa dia mpanjaka fito. Mpanjaka dimy no lavo, anankiray no misy, ary ny hafa dia mbola tsy tonga; rehefa tonga izy, dia fe-potoana kely ihany no hitoerany.
\s5
\v 11 Ilay bibi-dia izay misy, fa tsy misy ankehitriny, mpanjaka fahavalo izy; kanefa iray amin'ireo mpanjaka fito izy, ary hankany amin'ny fahasimbana.
\s5
\v 12 Ireo tandroka folo izay hitanao dia mpanjaka folo izay mbola tsy nandray fanjakana, fa hahazo fahefana tahaka ny mpanjaka miaraka amin'ilay bibi-dia -mandritry ny adiny iray izy ireo.
\v 13 Firaisan-tsaina izany, ary izy ireo dia hanome ny hery sy ny fahefan'izy ireo an'ilay bibidia.
\v 14 Hanangan'ady manohitra ny Zanak'ondry izy ireo. Fa ny Zanak'ondry no handresy azy ireo satria Izy no Tompon'ny tompo, ary Mpanjakan'ny mpanjaka-ary miaraka aminy ireo voaantso, ireo voafidy, ary ireo manam-pinoana."
\s5
\v 15 Hoy ny anjely tamiko: "Ireo rano izay hitanao, teo amin'ilay nipetrahan'ilay mpijangajanga, no olona, vondron'olona, firenena, ary fiteny.
\s5
\v 16 Ireo tandroka folo izay hitanao-izy ireo sy ilay bibi-dia dia hankahala an'ilay mpijangajanga. Ho ataon'izy ireo lao sy mitanjaka izy, handrovitra ny nofony izy ireo, ary handoro azy tanteraka amin'ny afo.
\v 17 Fa Andriamanitra efa nametraka izany tao am-pon'izy ireo mba hanatanteraka ny fikasany amin'ny faneken'izy ireo hanome ny herin'izy ireo hitondrana ilay bibi-dia mandra-pahatanteraky ny tenin'Andriamanitra.
\s5
\v 18 Ary ravehivavy, ilay hitanao no tanàna lehibe izay manjaka amin'ny mpanjakan'ny tany."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo dia nahita anjely hafa izay nidina avy any an-danitra aho. Nanana fahefana lehibe izy, ary namirapiratra nohon'ny ny voninahiny ny tany.
\v 2 Nihiaka tamin'ny feo mahery izy, niteny hoe: "Nianjera, nianjera ilay Babylona lehibe! Lasa tonga toeram-ponenan'ny demony, fialofana ho an'ireo fanahy maloto, ary fialofana ho an'ny ireo vorona maloto sy marikoriko rehetra.
\v 3 Fa ny firenena rehetra dia nisotro ny divain'ny fitondran-tena malotony. Ireo mpanjakan'ny tany dia nanao fitondran-tena maloto taminy. Ireo mpivarotra ny tany dia tonga mpanan-karena tamin'alalan'ny fomba fiainany amin'ny nofo."
\s5
\v 4 Avy eo dia nandre feo hafa avy any an-danitra aho, miteny hoe: "Mialà aminy, ry oloko, mba tsy hizarany ny fahotany ao aminareo, ary mba tsy hahazonareo ireo lozany.
\v 5 Efa nihangona tahaka ny ahavon'ny lanitra ireo fahotany, ary Andriamanitra mahatsiaro ireo asa ratsiny.
\v 6 Mamalia azy tahaka ny namalian'ny hafa, ary valio avy roa eny izay efa vitany; tao amin'ny kapoka izay efa nofenoiny, dia fenoy avo roa eny ho azy.
\s5
\v 7 Toy izy nanome voninahitra ny tenany sy niaina tamin'ny tsy fiafiana, omeo azy ny fampijaliana sy ny alahelo sahaza azy. Fa izy nilaza tao am-pony nanao hoe: 'Nipetraka toy ny mpanjaka vavy aho. Tsy maty vady aho, ary tsy hisaona mandrakizay.'
\v 8 Noho izany dia ho avy amin'ny andro iray ireo areti-mandringany: ny fahafatesana, ny fisaonana, ary ny mosary. Hodoran'ny afo izy, fa ny Tompo Andriamanitra dia mahery, ary izy no mpitsara azy."
\s5
\v 9 Ireo mpanjakan'ny tany izay nijangajanga sy nandeha tsy am-pieritreretana niaraka taminy dia hitomany ary hiankohoka eo anatrehany rehefa hahita ny setroky ny fahamaizany izy ireo.
\v 10 Hijoro lavitra izy ireo, hatahotra ny fijaliany, hiteny hoe: "Loza, loza ho an'ilay tanàna lehibe, Babylona, ilay tanàna mahery, fa amin'ny ora iray dia ho avy ny sazinareo."
\s5
\v 11 Ireo mpivarotra ny tany dia mitomany sy misaona ho azy, satria tsy nisy olona niady varotra ho azy intsony-
\v 12 varotra volamena, volafotsy, vato sarobidy, firavaka, lamban-drongony tena tsara, volomparasy, landy, mena, ireo karazana hazo ala, ny fanaka ivoara, ny fanaka rehetra vita avy amin'ny hazo sarobidy, varahina, vy, marbra,
\v 13 kanelina, zava-manitra, ditin-kazo, miora, hanitra, divay, menaka, koba tsara toto, vary, biby fiompy ary ondry, soavaly sy kalesy, ireo andevo sy fanahin'olona.
\s5
\v 14 Ny vokatra izay tinao tamin'ny herinao rehetra dia hiala aminao. ny entanao lafo vidy sy ireo namirapiratra dia nanjavona, ary tsy ho hita intsony mandrakizay.
\s5
\v 15 Ny mpivarotra ireo entana izay tonga mpanan-karena noho izy dia hiala aminy lavitra nohon'ny fatahorana ny fijaliany, hitomany sy hisaona mafy.
\v 16 Hiteny izy ireo hoe: "Loza, loza ho an'ilay tanàna lehibe izay niakanjo tamin'ny lamban-drongony tena tsara, volomparasy, sy mena, ary noravahana tamin'ny volamena, firavaka sarobidy, ary vatosoa!
\v 17 Anatin' ny ora iray dia ho foana izany harena rehetra izany. "Ireo kapitenin-tsambo rehetra, ireo mandeha eny ambonin'ny ranomasina rehetra, tantsambo, sy izay rehetra monina an-dranomasina, dia hijoro alavitra.
\s5
\v 18 Nihiaka izy ireo raha vao nahita an'ilay setrokin'ny fahamaizany. Niteny izy ireo hoe: "Tanàna inona no toy ny tanàna lehibe?"
\v 19 Nanipy vovoka teny an-dohany izy, ary nihiaka mafy, nitomany, sy nisaona, nanao hoe: "Loza, loza ho an'ilay tanàna lehibe izay nisy an'ireo rehetra nanana ireo sambo an-dranomasina no tonga mpanan-karena avy amin'ny harenany. Fa tao anaty ora iray dia simba izany."
\v 20 "Mifalia aminy, ry lanitra, ianareo mpino, apostoly, ary mpaminany, fa Andriamanitra nitondra ny fitsaranareo taminy!"
\s5
\v 21 Anjely mahery iray naka vato toy ny vato lehibe ary nanipy izany tany an-dranomasina, ary nilaza hoe: "amin'izany fomba izany, Babylona, ilay tanàna lehibe, harodana arahina herisetra, ary tsy ho hita intsony.
\v 22 Ilay feo nataon'ireo lokanga, mpitendry mozika, mpitsoka sodina, sy trompetra dia tsy ho re ao aminao intsony. Ireo mpanao asa-tanana isan-karazany dia tsy hita ao aminao intsony. Tsy hisy feon'ny vato fikosoham-bary ho re intsony eo aminao.
\s5
\v 23 Ny fahazavan'ny jiro, dia tsy hamirapiratra ao aminao intsony. Ireo feon'ny mpampakatra sy ampakarina dia tsy ho re ao aminao intsony, fa ny mpivarotrareo no andrian'ny tany, ary ireo firenena dia voafitaka tamin'ny famosavinareo.
\v 24 Tao aminy no nahitana ny ràn'ilay mpaminany, sy ireo mpino, ary ny ràn'ireo rehetra izay voavono teto an-tany."
\s5
\c 19
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo dia nandre izay toy ny feo mafin'ny vahoaka maro isa tany an-danitra aho nanao hoe: "Aleloia. Ny famonjena, ny voninahitra, ary ny hery dia an'Andriamanitsika.
\v 2 Ireo fitsarany dia marina sy mahitsy, fa nitsara ny mpivaro-tena lehibe izay nanaratsy ny tany tamin'ny fijangajangany izy. Namaly faty ny ràn'ireo mpanompony, izay nalatsany izy."
\s5
\v 3 Niteny fanindroany izy ireo hoe: "Aleloia! Ny setroka dia miakatra avy aminy mandrakizay doria."
\v 4 Ireo loholona efatra amby roapolo sy ireo zava-manan'aina efatra dia niankohoka ary nanompo an'Andriamanitra izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana. Hoy izy ireo: "Amena. Aleloia!"
\s5
\v 5 Dia nisy feo nivoaka avy tao amin'ny seza fiandrianana, nanao hoe: "Derao Andriamanitsika, ianareo rehetra mpanompony, ianareo izay matahotra Azy, na ny tsy manan-danja na ny mahery."
\s5
\v 6 Dia nandre izay toy ny feon'ny olona maro isa, toy ny firohondrohon'ny rano maro, sy toy ny fianjeran'ny kotroka mafy aho, nanao hoe: "Aleloia! Fa manjaka ny Tompo, Andriamanitra izay manapaka amin'ny rehetra.
\s5
\v 7 Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ary hanome voninahitra Azy satria tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ary ny ampiakariny efa niomana.
\v 8 Nomena alalana hiakanjo lamba rongony mamiratra sy madio izy" (fa ny lamba rongony dia ireo asa marin'ireo olo-masina).
\s5
\v 9 Ilay anjely niteny tamiko hoe: "Soraty izao: Sambatra ireo izay nasaina tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry. Niteny tamiko koa izy hoe: "Ireo dia teny marin'Andriamanitra."
\v 10 Niankohoka teo amin'ny tongony mba hanompo azy aho, fa hoy izy tamiko: "Aza manao izao! Izaho dia mpiara-manompo aminao sy ireo rahalahinao izay mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy. Manompoa an'Andriamanitra, fa ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy dia ny fanahin'ny faminaniana."
\s5
\v 11 Dia nahita ny lanitra nisokatra aho ary nijery ka nisy soavaly fotsy. Ilay mpitaingina izany dia nantsoina hoe mahatoky sy marina. Amin'ny fahamarinana no hitsarany sy hiadiany.
\v 12 Ireo masony dia toy ny lelan'afo afo, ary eo amin'ny lohany misy satro-boninahitra maro. Manana anarana voasoratra eo aminy izay tsy misy mahafantatra afa-tsy izy ihany izy.
\v 13 Miakanjo akanjo lava izay natsoboka tao amin'ny rà izy, ary ny anarany dia nantsoina hoe ny Tenin'Andriamanitra.
\s5
\v 14 Ireo tafiky ny lanitra dia nanaraka azy tamin'ny soavaly fotsy, miakanjo lamba rongony, fotsy sy madio.
\v 15 Avy ao amin'ny vavany no mivoaka ny sabatra maranitra izay amin'izany no hamelezany ireo firenena, ary hanapaka azy ireo amin'ny tehina vy izy. Manitsaka ao amin'ny famiazan'ny fahaviniran'ny fahatezeran'Andriamanitra Tsitoha izy.
\v 16 Manana anarana voasoratra eo amin'ny akanjo lavany eo amin'ny feny izy hoe: "Mpanjakan'ireo mpanjaka sy Tompon'ireo tompo."
\s5
\v 17 Nahita anjely nitsangana teo amin'ny masoandro aho. Niantso tamin'ny feo mahery ireo vorona manidina ambony rehetra izy hoe: "Avia, miangòna ho an'ny fety lehiben'Andriamanitra.
\v 18 Avia ihinana ny nofon'ireo mpanjaka, ny nofon'ireo mpitari-tafika, ny nofon'ireo lehilahy mahery, ny nofon'ireo soavaly sy ireo mpitaingina izany, ary ny nofon'ny lehilahy rehetra, ny afaka sy ny andevo, ny tsy manan-danja sy ny mahery."
\s5
\v 19 Nahita ny bibi-dia sy ireo mpanjakan'ny tany niaraka tamin'ny tafik'izy ireo aho. Niangona izy ireo mba hiady amin'ny iray izay nitaingina ny soavaly sy amin'ny tafiny.
\v 20 Voasambotra ilay bibi-dia ary niaraka taminy ny mpaminany sandoka izay nanao ireo famantarana teo anatrehany. Tamin'ireo famantarana ireo no namitahany ireo izay nandray ny mariky ny bibi-dia sy ireo izay nanompo ny sariny. Izy roa ireo dia natsipy velona tao anaty farihin'afo mirehitra solifara.
\s5
\v 21 Ny ambin'izy ireo dia novonoina tamin'ny sabatra izay nivoaka ny vavan'ny iray izay nitaingina ny soavaly. Ny vorona rehetra nihinana ny nofo mangatsiakan'izy ireo.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary nahita anjely nidina avy tany an-danitra aho. Nanana ny fanalahidin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, ary nanana rojo vy lehibe teny an-tanany.
\v 2 Nisambotra an'ilay dragona izy, ny menarana fahiny, ilay devoly, na satana, ary nofatorany arivo taona.
\v 3 Natsipiny tany amin'ny lavaka tsy hita noanoa izy, nohidiny izany ary nasina tombo-kase teo aminy. Natao izany mba tsy hamitahany ny firenena maro intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona. Aorian'izany, dia tsy maintsy havotsotra fotoana kelikely izy.
\s5
\v 4 Ary nahita seza fiandrianana maro aho. Nipetraka teo amboniny ireo izay nomena fahefana mitsara. Nahita ny fanahin'ireo izay notapahin-doha aho noho ny fijoroana vavolombelona mahakasika an'i Jesosy ary nohon'ny tenin'Andriamanitra. Tsy niankohoka tamin'ny bibi-dia na tamin'ny sariny izy ireo, ary izy ireo dia nandà ny handray ny mariky ny bibi-dia teo amin'ny handriny na teo amin'ny tanany. Tonga velona indray izy ireo, ary nanjaka niaraka tamin'i Kristy nandritran'ny arivo taona.
\s5
\v 5 Ny ambin'ireo maty dia tsy velona mandra-pahatapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana voalohany.
\v 6 Sambatra ary masina izay olona manana anjara amin'ny fitsanganana voalohany! Eo anatrehan'izany dia tsy manan-kery ny fahafatesana faharoa. Izy ireo dia ho mpisorona an'Andriamanitra sy Kristy ary hanjaka miaraka Aminy mandritran'ny arivo taona.
\s5
\v 7 Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana ao amin'ny tranomaiziny Satana.
\v 8 Hivoaka izy mba hamitaka ny firenena maro eny amin'ny vazan-tany efatra—Goga sy Magoga—mba hitondra azy ireo miaraka ho any amin'ny ady. Izy ireo dia ho betsaka tahaka ny fasiky ny ranomasina.
\s5
\v 9 Niakatra teo ambonin'ny tany lemaka izy ireo ary nanodidina ny tobin'ireo mpino, ilay tanàna malala. Nefa nisy afo nidina avy tany an-danitra ary nandripaka azy ireo.
\v 10 Ny devoly, izay namitaka azy ireo, dia natsipy tao amin'ny farihy afo solifara, toerana izay hanipazana ny bibi-dia sy ny mpaminany sandoka. Ary ho ampijaliana andro aman'alina mandrakizay ary mandrakizay izy ireo.
\s5
\v 11 Ary nahita seza fiandrianana fotsy lehibe aho sy ilay nipetraka teo amboniny. Ny tany sy ny lanitra dia nandositra ny fanatrehany, kanefa tsy nisy toerana andehanan'izy ireo.
\v 12 Nahita ny maty aho—ny lehibe ary ny kely— nijoro teo anoloan'ny seza fiandrianana, ary novelarina ireo boky. Ary nisy boky anankiray novelarina—Ny Bokin'ny Fiainana. Ny maty dia notsaraina araka izay voasoratra tao amin'ireo boky, araka ireo asany.
\s5
\v 13 Ny ranomasina namoaka ny maty izay tao anatiny. Ny fahafatesana sy ireo fiainan-tsy hita dia namoaka ny maty izay tao amin'izy ireo, ary ny maty dia notsaraina araka ny zavatra nataony.
\v 14 Ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita dia natsipy tao amin'ny farihy afo. Izany no fahafatesana faharoa— dia ny farihy afo.
\v 15 Raha nisy anarana tsy hita voasoratra ao amin'ny Bokin'ny Fiainana, dia natsipy tao amin'ny farihy afo.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Avy eo aho nahita lanitra vaovao sy tany vaovao, fa foana ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony ny ranomasina.
\v 2 Hitako ilay tanàna masina, Jerosalema vaovao, izay nidina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina ampihaingoana ho an'ny vadiny.
\s5
\v 3 Nandre feo mahery avy any amin'ny seza fiandrianana aho manao hoe: "Indro! Eo amin'ny olona ny toeran'ny tabernakelin'Andriamanitra, ary hiaina miaraka amin'izy ireo izy. Ho olony izy ireo, ary Andriamanitra tenany hiaraka amin'izy ireo ary Izy ho Andriamanitr'izy ireo.
\v 4 Hamafa ny ranomaso rehetra amin'ny mason'izy ireo Izy, ary tsy hisy fahafatesana intsony, na alahelo, na tomany, na fanaintainana. Efa lasa ireo zavatra teo aloha.
\s5
\v 5 Ilay iray izay nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana niteny hoe: "Indro! Nataoko vaovao ny zavatra rehetra." Hoy Izy: "Soraty izao satria ireto teny ireto dia mahatoky sy marina."
\v 6 Hoy Izy tamiko hoe: "Efa vita ireo zavatra ireo! Izaho no Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia homeko ho sotroina maimaim-poana avy amin'ny loharanon'ny fiainana.
\s5
\v 7 Izay mandresy dia handova ireo zavatra ireo, ary Izaho no ho Andriamaniny, ary izy ho zanako.
\v 8 Fa ireo osa, tsy manam-pinoana, maharikoriko, mpamono olona, mpijangajanga, mpanao ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, dia any amin'ny farihy mirehitr'afo solifara no toeran'izy ireo. Izany no fahafatesana faharoa."
\s5
\v 9 Nanatona ahy ny iray tamin'ireo anjely fito, ilay iray izay nanana ireo lovia fito feno ireo loza fito farany, ary hoy izy hoe: "Avy ety. Ho asehoko anao ilay ampakarina, ilay vadin'ny Zanak'ondry."
\v 10 Avy eo dia noentiny tamin'ny Fanahy tany amin'ny tendrombohitra avo aho ary nasehony ahy ilay Jerosalema tanàna masina midina avy any an-danitra avy amin'Andriamanitra.
\s5
\v 11 Nanana ny voninahitr'Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany dia tahaka ny vato soa sarobidy, tahaka ny vato kristalina jaspy madio.
\v 12 Nanana rindrina avo lehibe niaraka tamin'ny vavahady roa ambin'ny folo izany, niaraka tamin'ny anjely roa ambin'ny folo teo amin'ireo vavahady. Teo amin'ireo vavahady no voasoratra ny anaran'ireo foko roa ambin'ny folon'ny zanak'Israely.
\v 13 Nisy vavahady telo teo antsinanana, vavahady telo teo avaratra, vavahady telo teo atsimo, ary vavahady telo teo andrefana.
\s5
\v 14 Nanana fototra roa ambin'ny folo ny rindrin'ilay tanàna, ary teo amin'ireo no nisy ireo anarana roa ambin'ny folon'ny apostolin'ny Zanak'ondry.
\v 15 Ilay iray izay niresaka tamiko dia nanana fandrefesana volotara vita tamin'ny volamena mba handrefesana ny tanàna, ireo vavahadiny, ary ny rindriny.
\s5
\v 16 Miendrika efa-joro ilay tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin'ilay fandrefesana volotara izy, roa arivo stadio ny halavany (mitovy ny lavany, sakany, ary hahavony).
\v 17 Nandrefy ny rindrin'izany koa izy, 114 hakiho raha refin'ny olona (izay refin'ny anjely ihany koa).
\s5
\v 18 Vita tamin'ny jaspy ilay rindrina ary tamin'ny volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra madio.
\v 19 Ny fototr'ilay rindrina dia voaravaka tamin'ireo karazana vato sarobidy rehetra. Ny voalohany dia jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda,
\v 20 ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha iraika ambin'ny folo jacinta, ny faha roa ambin'ny folo ametysta.
\s5
\v 21 Ny vavahady roa ambin'ny folo dia vato soa roa ambin'ny folo; ny tsirairay amin'ireo vavahady dia vita tamin'ny vato soa iray. Ireo lalam-be teo an-tanàna dia volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra mangarahara.
\v 22 Tsy nahita tempoly tao amin'ny tanàna aho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanak'ondry no tempoliny.
\s5
\v 23 Ny tanàna dia tsy nila masoandro na volana mba hamirapiratra amin'izany satria ny voninahitr'Andriamanitra dia namirapiratra tamin'izany, ary ny Zanak'ondry no jiron'izany.
\v 24 Handeha amin'ny fahazavan'izany tanàna izany ireo firenena. Ireo mpanjakan'ny tany dia hitondra ny fahatsaran'izy ireo ho ao amin'izany.
\f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha sasany dia mivaky hoe: "Ireo firenena izay voavonjy dia handeha amin'ny fahazavan'izany tanàna izany." \f*
\v 25 Tsy hidy ireo vavahadin'izany mandritry ny andro, ary tsy hisy alina any.
\s5
\v 26 Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan'ireo firenena ao amin'izany izy ireo,
\v 27 ary tsy hisy maloto hiditra ao amin'izany mihitsy. Tsy hisy na iza na iza hanao zavatra mahamenatra na mamitaka hiditra ao, fa ireo izay voasoratra anarana ao amin'ny Bokin'ny Zanak'ondrin'ny fiainana ihany.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Ary nasehon'ilay anjely ahy ilay onin'ny ranon'ny fiainana, madio tahaka ny kristaly. Izany dia mikoriana avy any amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry
\v 2 mamakivaky eo afovoan'ny lalan'ny tanàna. Ary ny andaniny roa amin'ny ony dia samy misy ilay hazon'ny fiainana, mamoa karazana voa roa ambin'ny folo, ary izany dia mamoa ny voany isam-bolana. Ny ravin'izany hazo izany dia natao hanasitrana ny firenena rehetra.
\s5
\v 3 Ka tsy hisy intsony ny voahozona. Ny seza fiandrianan'Andriamanitra sy ny Zanak'ondry dia ho ao amin'ny tanàna, ary ireo mpanompony dia hanompo Azy.
\v 4 Hahita ny Endriny izy ireo, ary ny Anarany dia ho eo amin'ny handrin'izy ireo.
\v 5 Ka tsy hisy alina intsony; izy ireo dia tsy mila fahazavan'ny jiro na ny masoandro intsony satria ny Tompo Andriamanitra no hazava eo amin'izy ireo. Ary hanjaka mandrakizay doria izy ireo.
\s5
\v 6 Hoy ilay anjely tamiko: "Ireo teny ireo dia azo atokisana sy marina. Ny tompo, ilay Andriamanitr'ireo fanahin'ireo mpaminany, dia nandefa ny anjeliny mba hampiseho izay zavatra tsy maintsy hitranga tsy ho ela amin'ireo mpanompony."
\v 7 Indro! Efa akaiky ny fihaviako! Sambatra izay mankàto ireo tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity."
\s5
\v 8 Izaho, Jaona, ilay iray izay nandre sy nahita ireo zavatra ireo. Rehefa nandre sy nahita izany aho, dia niankohoka teo amin'ny tongotr'ilay anjely ny tenako mba hidera azy, ilay anjely izay nampiseho ahy ireo zavatra ireo.
\v 9 Hoy izy tamiko: "Aza manao izany! Fa mpanompo namanao miaraka aminao aho, miaraka amin'ireo mpaminany rahalahinao, ary miaraka amin'ireo izay mankàto ireo tenin'ity boky ity. Miderà an'Andriamanitra!"
\s5
\v 10 Hoy izy tamiko: "Aza asiana tombo-kase ireo tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity, fa antomotra ny fotoana.
\v 11 Izay manao ny tsy marina, avelao izy hanohy ny tsy fahamarinana. Izay maloto fiaina, avelao izy hanohy ny fiainany maloto. Izay marina, avelao izy hanohy ny fanaovana ny marina. Izay masina, avelao izy hanohy ny fahamasinana."
\s5
\v 12 "Indro! Efa akaiky ny fihaviako. Ny valisoako dia miaraka amiko, mba hamaliako ny tsirairay araka ny zava-bitany.
\v 13 Izaho no Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
\s5
\v 14 Sambatra ireo izay manasa ny akanjon'izy ireo mba hahazo alalana mihinana avy amin'ny hazon'ny fiainana sy hiditra ao amin'ny tanàna avy eo amin'ny vavahady.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony: "Sambatra ireo izay manasa ny ankanjon'izy ireo." Ireo antontan-taratasy hafa taloha dia mivaky hoe: "Sambatra ireo izay manao ny didiny." \f*
\v 15 Fa any ivelany ireo alika, ireo mpanao ody, ireo mpijangajanga, ireo mpamono olona, ireo mpanompo sampy, ary izay rehetra tia mandainga sy ireo mpandainga.
\s5
\v 16 Izaho, Jesosy, dia nandefa ny anjeliko mba hanambara aminareo ireo zavatra ho an'ireo fiangonana. Izaho no fakany sy taranak'i Davida, ilay kintana mamirapiratra maraina."
\s5
\v 17 Ny Fanahy sy ny Ampakarina manao hoe: "Avia!" Aoka izay mandre hiteny hoe: "Avia!" Na iza na iza mangetaheta, aoka izy hanatona, ary na iza na iza maniry izany, aoka izy hahazo maimaim-poana ny ranon'ny fiainana.
\s5
\v 18 Izaho dia manambara amin'izay rehetra mandre ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity: "Raha misy manampy ireo, Andriamanitra hanampy loza ho azy izay voasoratra ao amin'ity boky ity.
\v 19 Raha misy manaisotra ny teny faminaniana amin'ity boky ity, Andriamanitra dia hanaisotra ny anjarany amin'ny hazon'ny fiainana sy ny tanàna masina izay voasoratra ao anatin'ity boky ity."
\f + \ft Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha dia mivaky hoe: "Andriamanitra hanaisotra ny anjarany ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ary ao amin'ny tanàna masina izay voasoratra ao amin'ity boky ity." \f*
\s5
\v 20 Hoy ilay iray izay manambara ireo zavatra ireo: "Eny! Efa akaiky ny fihaviako." Amena! Tongava, ry Tompo Jesosy!
\v 21 Ho amin'ny olona rehetra anie ny fahasoavan'ny Tompo Jesosy. Amena.