plt_ulb/56-2TI.usfm

161 lines
12 KiB
Plaintext

\id 2TI
\ide UTF-8
\h 2 Timoty
\toc1 2 Timoty
\toc2 2 Timoty
\toc3 2ti
\mt 2 Timoty
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, araka ny fampanantenan'ny fiainana izay ao amin'i Kristy Jesosy,
\v 2 an'i Timoty, zanaka tiana: Fahasoavana, fiantrana, ary fiadanana avy amin'Andriamanitra ilay Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
\s5
\v 3 Misaotra an'Andriamanitra aho, izay tompoiko avy amin'ireo razambeko, miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio, tahaka ny hahatsiarovako anao mandrakariva amin'ny fivavahako andro aman'alina.
\v 4 Tahaka ny hahatsiarovako ireo ranomasonao, maniry mafy ny hahita anao aho, ka mety ho feno hafaliana aho.
\v 5 Nampahatsiahivina tamiko ny finoanao marina, izay niaina voalohany tao amin'ny renibenao Loisa sy ny reninao Eonisa, ary resy lahatra aho izao fa miaina ao aminao ihany koa izany.
\s5
\v 6 Izany no antony ampahatsiahivako anao mba hampiasanao indray ny fanomezan'Andriamanitra ao aminao amin'ny alalan'ny fametrahako tanana.
\v 7 Fa Andriamanitra tsy nanome fanahin'ny tahotra antsika, fa ny hery sy fitiavana ary fifehezan-tena.
\s5
\v 8 Ka aza menatra amin'ny fijoroana vavolombelona momban'ny Tompontsika, na amiko, Paoly, ilay gadrany. Fa kosa, mizarà amin'ny fahoriana ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra.
\v 9 Fa Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny antso masina. Nanao izany Izy, tsy noho ireo asantsika, fa nohon'ny drafitra izay efa nataony sy ny fahasoavany. Na dia mbola tsy niandoha aza ny fotoana dia efa nanome antsika ireny zavatra ireny tao amin'i Kristy Jesosy Izy.
\v 10 Fa ankehitriny ny famonjen'Andriamanitra dia nambara tamin'ny alalan'ny fisehoan'i Kristy Jesosy Mpanavotra antsika. Kristy izay nanafoana ny fahafatesana ary nitondra fiainana izay tsy ho tapitra mandrakizay mba hanazava amin'ny alalan'ny filazantsara.
\v 11 Noho izany, dia voatondro ho mpitory teny aho, ho apostoly, ary ho mpampianatra.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny taloha sasany dia manampy hoe: "Ho an'ny Jentilisa." \f*
\s5
\v 12 Fa noho izany antony izany dia mijaly amin'ireny zavatra ireny ihany koa aho. Fa tsy menatra aho, satria fantatro Izy ilay ninoako. Resy lahatra aho fa afaka mitazona izay efa nankiniko taminy Izy mandra-pahatongan'izany andro izany.
\v 13 Tazomy ny ohatra momba ireo hafatry ny finoana izay henonareo tamiko, miaraka amin'ny finoana sy fitiavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 14 Ny zavatra tsara izay nataon'Andriamanitra taminao, ambeno amin'ny alalan'ny Fanahy Masina izany, izay miaina ao amintsika
\s5
\v 15 Fantatrareo izany, fa izay rehetra nipetraka tany Azia dia nivadika tamiko. Ao amin'io fikambanana io ireo Fizelio sy ireo Hermozena.
\v 16 Enga anie ny Tompo hanome famindram-po amin'ny tokantranon'i Onesiforo, satria namelombelona ahy matetika izy ary tsy menatra tamin'ny gadrako.
\v 17 Fa kosa, rehefa tany Roma izy, dia nitady ahy fatratra, ka hitany aho.
\v 18 Ny Tompo anie hampiseho azy ka hahitany famindram-po avy aminy amin'izany andro izany. Ireo fomba rehetra nanampiany ahy tao Efesosy, dia fantatrareo tsara.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Noho izany ianao, ry zanako, mahereza ao amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Jesosy Kristy.
\v 2 Ireo zavatra renonareo avy amiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro, dia hankino amin'ny olona mahatoky izay afaka hampianatra ny sasany koa.
\s5
\v 3 Mihareta zava-tsarotra miaraka amiko, toy ny miaramila tsaran'i Jesosy Kristy.
\v 4 Tsy misy miaramila manompo raha mbola voafandrik'ireo rahaharan'izao fiainana izao, mba hafahany mampifaly ny lehibeny.
\v 5 Ary, raha misy olona mifaninana toy ny atleta, dia tsy mandray ny satro-boninahitra izy raha tsy mifaninana amin'ny alalan'ireo fitsipika.
\s5
\v 6 Ilaina ny fandraisan'ilay mpamboly izay miasa mafy ny anjara vokatra voalohany.
\v 7 Saino ny moba izay lazaiko, fa ny Tompo no hanome anareo ny fahatakarana amin'ny zavatra rehetra.
\s5
\v 8 Tsarovy Jesosy Kristy, avy amin'ny taranak'i Davida, izay natsangana tamin'ireo maty. Izany dia araky ny hafatry ny filazantsarako,
\v 9 izay mampijaly ahy ny amin'ny famatorana toy ny mpamono olona. Fa ny tenin'Andriamanitra dia tsy voafatotra.
\v 10 Noho izany hiaretako ny zavatra rehetra ho an'ireo voafidy, mba ho afaka handray ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy ihany koa izy ireo, miaraka amin'ny voninahitra mandrakizay.
\s5
\v 11 Ity teny ity dia mendri-pitokisana: "Raha maty niaraka taminy isika, dia ho velona hiaraka aminy ihany koa.
\v 12 Raha miaritra isika, dia hanjaka hiaraka aminy ihany koa. Raha mandà Azy isika, dia handà antsika ihany koa Izy.
\v 13 Raha tsy mahatoky isika, dia hahatoky foana Izy, satria tsy afaka mandà ny tenany Izy."
\s5
\v 14 Ampahatsiahivo azy ireo hatrany ireo zavatra ireo. Ampitandremo eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo mba tsy hifamaly momba ireo teny. Noho io dia tsy misy zavatra ilaina. Noho io dia misy fahasimbana ho an'ireo izay mihaino.
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny sasany dia mivaky hoe: "Ampitandremo eo anatrehan'Andriamanitra izy ireo \f*
\v 15 Omeo ny tsara avy aminao mba hanoloranao tena ho an'Andriamanitra tahaka ilay ankatoavina, mpiasa izay tsy manana antony hahamenarana, izay mampianatra ny tenin'ny fahamarinana amin'ny tokony ho izy.
\s5
\v 16 Hialao ny teny fanevatevana, izay mitondra tsikelikely any amin'ny faharatsim-panahy.
\v 17 Ny resak'izy ireo dia hiely toy ny fery mandoaka. Eo anivon'ireo Hymeneo sy Fileto.
\v 18 Izy ireo no lehilahy tsy mba nahalala ny marina. Miteny izy ireo fa ny fitsanganana amin'ny maty dia efa nitranga. Simbain'izy ireo ny finoan'ny sasany.
\s5
\v 19 Na dia izany aza, ny fototra mafy orin'Andriamanitra dia mijoro. Manana ity soratra ity: "Ny Tompo dia mahafantatra ireo izay azy" ary "Izay rehetra manonona ny anaran'ny Tompo dia tsy maintsy miala amin'ny tsy fahamarinana."
\v 20 Ao amin'ny tranon'ny mpanan-karena, dia tsy ireo fitoeran'ny volamena sy volafotsy ihany no ao. Misy ihany koa ireo fitoeran'ny hazo sy tanimanga. Ny sasany amin'izy ireo dia ho ampiasaina amim-boninahitra, ary ny sasany ho amin'ny fanalam-baraka.
\v 21 Raha misy olona manadio ny tenany ho afaka amin'ny fahafaham-baraka, dia fitoerana manan-kaja izy. Izy dia voatokana, ilain'ny Tompony, ary voaomana amin'ny asa tsara rehetra.
\s5
\v 22 Mandosira an'ireo filàn'ny tanora. Mikatsaha fahamarinana, finoana, fitiavana, ary fihavanana miaraka amin'ireo izay miantso ny Tompo amin'ny fo madio.
\v 23 Saingy mandàva ireo fanontaniana adala sy tsy misy fotony. Fantatrareo fa miteraka ady ireo.
\s5
\v 24 Ny mpanompon'ny Tompo dia tsy tokony mifanditra. Fa kosa tsy maintsy malemy fanahy amin'ny rehetra izy, mahay mampianatra, ary maharitra.
\v 25 Tsy maintsy ao amin'ny fahalemem-panahy no ampianarany ireo izay manohitra azy. Fa angamba Andriamanitra mety hanome azy ireo fibebahana ho an'ny fahalalana ny marina.
\v 26 Mety hody indray ny fisainan'izy ireo ary handao ny fandriky ny devoly, rehefa avy nosamboriny tamin'ny sitrapony.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Fa fantaro izao: amin'ireo andro farany dia hisy ireo fotoan-tsarotra.
\v 2 Satria ny olona ho tia tena, tia vola, ho mpirehareha, ho mpandoka tena, ho mpanevateva an'Andriamanitra, tsy manoa ray aman-dreny, tsy misaotra, ary tsy masina.
\v 3 Tsy hanam-pitiavana ny fianakaviany izy ireo, mpanohitohitra, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, hahery setra, tsy ho tia ny tsara.
\v 4 Ho mpamadika izy ireo, tsy misy eritreritra, mpanambony tena, tia fahafinaretana mihoatra noho ireo tia an'Andriamanitra.
\s5
\v 5 Hanana ny toetra toy ny an'Andriamanitra izy ireo, kanefa dia handà ny heriny. Mialà amin'ireny olona ireny.
\v 6 Satria ny sasany tamin'ireo dia ireo lehilahy izay miditra ao an-tokantrano ary mambabo ireo vehivavy adala. Ireo no vehivavy izay tsy afaka amin'ny fahotana sy voatarika amin'ireo filàna samihafa.
\v 7 Ireo vehivavy ireo dia mianatra foana, kanefa tsy ho tonga amin'ny fahafantarana ny fahamarinana mihitsy.
\s5
\v 8 Tahaka izany ihany koa i Jana sy i Jambra nitsangana nanohitra an'i Mosesy. Tamin'izany dia nitsangana ihany koa ireo mpampianatra sandoka ireo hanohitra ny marina. Izy ireo dia lehilahy simba fisainana, tsy nankasitrahana tamin'ny finoana.
\v 9 Fa tsy handroso lavitra izy ireo. Satria ny hadalany dia ho hita mazava amin'ny olona rehetra, tahaka ny an'ireo lehilahy ireo.
\s5
\v 10 Fa raha ianareo kosa, dia efa nanaraka ny fampianarako, ny fitondrana, ny fikasana, ny finoana, ny faharetam-po, ny fitiavana, ny faharetana,
\v 11 ireo fanenjehana, ireo fijaliana, ary izay nitranga tamiko tany Antiokia, tany Ikonioma ary tany Lystra. Niharitra ireo fanenjehana aho. Avy amin'ireo rehetra ireo, dia namonjy ahy ny Tompo.
\v 12 Izay rehetra te-hiaina araka ny fomban'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy dia ho enjehina.
\v 13 Ireo olon-dratsy sy ireo mpisandoka dia ho any amin'ny ratsy kokoa hatrany. Izy ireo dia hitarika ireo olon-kafa ho any amin'ny lalan-diso. Ary izy ireo tenany dia ho voatarika amin'izany.
\s5
\v 14 Fa raha ianareo kosa, mitoera ao amin'ireo zavatra izay efa nianaranareo sy izay efa ninoanareo mafy hoe avy amin'iza no efa nianaranareo.
\v 15 Fantatrareo fa hatramin'ny fahazazana dia efa nahalala ireo asa soratra masina ianareo. Ireny dia hahavita hampahendry anareo ho amin'ny famonjena amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy Kristy.
\s5
\v 16 Ny Soratra Masina rehetra dia avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra. Izany dia tombony ho an'ny fotom-pampianarana, ho an'ny fanondroana ireo diso, ho an'ny fanitsiana, ary ho an'ny fampiofanana amin'ny fahamarinana.
\v 17 Izany dia mba hahatonga ny lehilahin'Andriamanitra hahay tsara, sy ho voaomana tanteraka amin'ny asa tsara rehetra.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Izaho dia manome ity didy hentitra ity eo anatrehan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy, izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny fisehoany sy ny fanjakany:
\v 2 Mitoria ny Teny. Mivononà na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana. Mananàra, mitenena mafy, mampirisiha, amim-paharetana sy ny fampianarana rehetra.
\s5
\v 3 Satria ho avy ny fotoana izay tsy hazakan'ny olona ny feon'ny fampianarana. Fa kosa, izy ireo dia hisafidy mpampianatra ho azy araka ireo faniriany manokana. Ireo dia hanitikitika ny sofin'izy ireo.
\v 4 Hanala ny fihainoan'izy ireo amin'ny fahamarinana ireo, ary hivily ho any amin'ireo angano.
\v 5 Kanefa ianareo, eritrereto tsara ny zava-drehetra. Hiareto ny zava-tsarotra; ataovy ny asan'ny evanjelista; tanteraho ny fanompoanareo.
\s5
\v 6 Satria efa ho atolotra sahady aho. Efa tonga ny fotoana hialako.
\v 7 Izaho dia efa nahavita ny ady tsara; efa nahavita ny hazakazaka aho; efa notazomiko ny finoana.
\v 8 Ny satro-boninahitry ny fahamarinana dia efa voatokana ho ahy, izay homen'ny Tompo, ilay mpitsara marina, ho ahy amin'izany andro izany, ary tsy ho ahy irery ihany, fa ihany koa ho an'ireo rehetra izay efa nitia ny fisehoany.
\s5
\v 9 Omeo izay tsara rehetra avy aminao mba hankanesana aty amiko haingana.
\v 10 Satria i Demasy efa nandao ahy. Tiany izao tontolo izao ary efa nandeha tany Tesalonika izy. Kreska dia nankany Galatia, ary Titosy nankany Dalmatia.
\s5
\v 11 Lioka irery ihany no miaraka amiko. Alaivo i Marka ary ento izy miaraka aminao satria ilaiko amin'ny asa izy.
\v 12 Tykiko dia nalefako tany Efesosy.
\v 13 Ilay lamba izay navelako tao Troasy miaraka amin'ny Karpo, ento iny rehefa tonga ianao, ary ireo boky, indrindra ireo mifono hoditra.
\s5
\v 14 Aleksandro ilay mpanefy varahina dia nampiharihary asa ratsy maro tamiko. Ny Tompo dia hamaly azy araka ireo asany.
\v 15 Ianao ihany koa dia tokony hitandrina ny tenanao aminy, satria izy dia manohitra mafy ireo teninay.
\v 16 Tamin'ny fiarovan-tenako voalohany, tsy nisy nanohana ahy. Nefa kosa, ny olona rehetra nandao ahy. Aoka mba tsy ho voaheloka amin'izany izy ireo.
\s5
\v 17 Fa ny Tompo dia nitsangana teo anilako ary nankahery ahy mba, amin'ny alalako, ny fanambarana dia afaka tanterahina tanteraka, ary mba afaka haheno ireo Jentilisa rehetra. Izaho dia avotra tamin'ny vavan'ny liona.
\v 18 Ny Tompo dia hanavotra ahy amin'ny asa ratsy rehetra ary hamonjy ahy amin'ny fanjakany any an-danitra. Ho azy anie ny voninahitra mandrakizay doria. Amena.
\s5
\v 19 Ataovy veloma i Prisila, i Akoila, ary ireo ankohonan'i Onesiforosy.
\v 20 Erasto dia nitoetra tao Korinto, fa i Trofimo dia nilaozako fa narary ao Mileto.
\v 21 Omeo izay tsara indrindra avy aminao mba ahatongavana alohan'ny ririnina. Manao veloma anao i Eolobolo, ary Poda ihany koa, Lino, Klaodio, ary ireo rahalahy rehetra.
\v 22 Hiaraka amin'ny fanahinao anie ny Tompo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.