plt_ulb/55-1TI.usfm

224 lines
17 KiB
Plaintext

\id 1TI
\ide UTF-8
\h 1 Timoty
\toc1 1 Timoty
\toc2 1 Timoty
\toc3 1ti
\mt 1 Timoty
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy araka ny didin'Andriamanitra mpamonjy antsika sy i Kristy Jesosy tokintsika,
\v 2 ho an'i Timoty, zanaka lahy marina ao amin'ny finoana: Fahasoavana, famindram-po, ary fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesosy Tompontsika.
\s5
\v 3 Araka ny nangatahiko mafy ho ataonao rehefa niala tao Makedonia aho, mitoera ao Efesosy mba hahafahanao mibaiko ireo olona sasany tsy hampianatra foto-pampianarana hafa
\v 4 Tsy tokony hitandrina ireo tantara sy tetiarana tsy misy fiafarany izy ireo. Ireo dia niteraka adihevitra fa tsy manampy ny drafitr'Andriamanitra, izay amin'ny alalan'ny finoana.
\s5
\v 5 Ary ny tanjon'ny didy dia fitiavana avy amin'ny fo madio, avy amin'ny feon'ny fieritreretana tsara, ary avy amin'ny finoana tsy mihatsaravelatsihy.
\v 6 Ny olona sasany dia tsy nahatratra ny tanjona ary niala tamin'ireo zavatra ireo ho any amin'ny lahateny adaladala.
\v 7 Izy ireo dia te ho mpampiana-dalàna, kanefa izy ireo tsy mahazo izay lazainy sy hizingizinin'izy ireo.
\v 8 Fa isika dia mahafantatra fa ny lalàna dia tsara raha misy iray mampiasa azy amin'ny ara-dalàna.
\s5
\v 9 Isika dia mahafantatra izany, fa ny lalàna dia tsy natao ho an'ny olo-marina, fa ho an'ny mpandika lalàna sy olona mpikomy, ho an'ireo ratsy fanahy sy mpanota, ary ho an'ireo andriamani-diso sy tsy masina. Izany dia natao ho an'ireo izay mamono ny ray sy reniny, ho an'ireo mpamono olona,
\v 10 ho an'ireo ratsy fitondran-tena ara-nofo, ho an'ireo sodomita, ho an'ireo mpaka an-keriny olona mba ho andevozina, ho an'ireo mpandainga, ho an'ireo vavolombelona tsy marina, ary na inona na inona hafa manohitra ny fampianarana mahatoky.
\v 11 Io fampianarana io dia mifanaraka amin'ny filazantsaran'ny voninahitr'ilay Andriamanitra voatahy izay nankinina tamiko.
\s5
\v 12 Isaorako i Kristy Jesosy Tompontsika. Nampahery ahy Izy, fa nataony mahatoky aho, ary nanendry ahy ho amin'ny fanompoana Izy.
\v 13 Izaho dia mpiteny ratsy, mpanenjika, ary lehilahy mahery setra. Kanefa nahazo famindram-po aho satria tamin'ny tsy fahalalana no nanaovako izany noho ny tsy finoana.
\v 14 Fa ny fahasoavan'ny Tompontsika no nandrakotra tamin'ny finoana sy fitiavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.
\s5
\v 15 Izao hafatra izao dia azo antoka sy mendrika ny fanekena rehetra, fa i Kristy Jesosy dia tonga teto an-tany hamonjy ireo mpanota. Izaho no ratsy indrindra tamin'ireo.
\v 16 Fa noho izany antony izany no namindrana fo tamiko, mba amin'ny alalako, ny lehibe indrindra, i Kristy Jesosy dia mety hampiseho ny faharetana rehetra. Nanao izany Izy ho ohatra ho an'ireo izay maniry hatoky Azy ho an'ny fiainana mandrakizay.
\v 17 Ary ho an'ny mpanjakan'ny taona, tsy mety maty, tsy hita maso, ny Andriamanitra tokana, anie ny laza sy voninahitra mandrakizay doria. Amena.
\s5
\v 18 Izao didy izao no omeko anao, Timoty, zanako, araka ireo faminaniana natao momba anao tany aloha, fa ianao dia mety hiady ny ady tsara,
\v 19 ny fiazonana ny finoana sy ny feon'ny fieritreretana tsara. Tamin'ny fandavana izany, misy ny nanao sambo vaky ny finoany.
\v 20 Tahaka an'i Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an'i Satana mba ampianarana azy ireo tsy hiteny ratsy.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Voalohany indindra noho izany, dia mampirisika aho fa ireo fangatahana, vavaka, fifonana, ary fisaorana dia natao ho an'ny olona rehetra,
\v 2 ho an'ireo mpanjaka sy ireo rehetra eo amin'ny fahefana, mba ahafahantsika miaina am-piadanana sy miaina milamina amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy fahamendrehana rehetra.
\v 3 Izany dia tsara sy azo ekena eo anatrehan'Andriamanitra mpamonjintsika.
\v 4 Iriany mba hovonjena daholo ny olona rehetra ary ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.
\s5
\v 5 Fa iray ihany no Andriamanitra, ary iray ihany no mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona, dia ilay lehilahy Kristy Jesosy.
\v 6 Izy nanome ny tenany ho vidim-panavotana ho an'ny rehetra, tahaka ny fijoroana vavolombelona amin'ny fotoana tokony ho izy.
\v 7 Fa amin'izany tanjona izany, izaho, ny tenako, dia natao ho mpitory sy ho apostoly. Miteny ny marina aho. Tsy mandainga aho. Mpampianatra an'ireo Jentilisa amin'ny finoana sy fahamarinana aho.
\s5
\v 8 Noho izany, tiako ny lehilahy na aiza na aiza mba hivavaka sy hanandra-tanana masina tsy am-pahatezerana na amin'ny fifandirana.
\v 9 Toa izany koa, tiako ny vehivavy mba hiakanjo akanjo mendrika ny tenany, amin'ny fahamaotinana sy fahafehezan-tena. Tsy tokony hanao volo mirandrana, na volamena, na voahangy, na akanjo lafo vidy.
\v 10 Tiako izy ireo hiakanjo amin'izay mety ho an'ireo vehivavy izay mampiseho toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny alalan'ireo asa tsara.
\s5
\v 11 Ny vehivavy dia tokony hianatra am-pahanginana ary hanaiky tanteraka.
\v 12 Tsy avelako hampianatra ny vehivavy na hampihatra fahefana amin'ny lehilahy, fa hijanona ao anaty fahanginana.
\s5
\v 13 Fa Adama no noforonina voalohany, avy eo i Eva.
\v 14 Adama dia tsy voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka tanteraka tamin'ny fandikan-dalàna.
\v 15 Na izany aza, hovonjena izy amin'ny alalan'ny fiterahan-jaza, raha mitohy amin'ny finoana sy fitiavana ary fahamasinana miaraka amin'ny fahononan-tena.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Matokia izao teny izao: Raha misy olona iray maniry ny ho mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy.
\v 2 Noho izany dia ny mpiandraikitra dia tsy maintsy tsy manan-tsiny. Tsy maintsy manambady vehivavy tokana izy. Izy dia tokony hahay handajalanja, hendry, tia filaminana, tia mandray olona. Tsy maintsy mahay mampianatra izy.
\v 3 Tsy tokony za-dratsy amin'ny divay izy, tsy mpila ady, fa kosa, malemy fanahy, feno fiadanam-po. Izy dia tsy tokony ho tia vola.
\s5
\v 4 Tokony hitantana tsara ny tokantranony izy, ary ireo zanany dia tokony hanaiky azy am-panajana tanteraka.
\v 5 Fa raha tsy mahay mitantana ny tokantranony izy, ahoana no hikarakarany ny fiangonan'Andriamanitra?
\s5
\v 6 Tsy tokony ho olona vao niova fo izy, mba tsy hieboeboany ka ho lavo amin'ny fanamelohana tahaka ny devoly.
\v 7 Izy ihany koa dia tsy maintsy tsara laza amin'ireo olona eny ivelany, mba tsy ho lavo anaty fahafaham-baraka sy ny fandriky ny devoly.
\s5
\v 8 Ireo Diakona, toy izany ihany koa, dia tokony ho mendrika. Izy ireo dia tsy tokony hisotro divay be loatra na tsy mahalala onona ara-tsakafo.
\v 9 Tokony hitazona ny fahamarinan'ny finoana nambara miaraka amin'ny feon'ny fieritreretana madio.
\v 10 Izy ireo ihany koa dia tokony ho sedraina mialoha, avy eo dia tokony hanompo satria tsy manan-tsiny izy ireo.
\s5
\v 11 Ireo vehivavy ihany koa dia tokony ho mendrika tahaka izany. Tsy tokony ho mpanendrikendrika izy ireo. Tokony hahay handanjalanja ary mahatoky amin'ny zavatra rehetra.
\v 12 Ireo Diakona dia tokony hanambady vehivavy tokana. Tsy maintsy mitantana tsara ireo zanany sy ny tokantranony izy ireo.
\v 13 Fa ireo izay nanompo tsara dia handray ny laza tsara sy fahatokisana lehibe amin'ny finoana ho an'ny tenan'izy ireo izay ao amin'i Jesosy Kristy.
\s5
\v 14 Manoratra ireto zavatra ireto aminao aho, ary manantena ny ho avy tsy ho ela any aminao aho.
\v 15 Fa raha tara aho, dia manoratra mba hahafantaranareo ny fitondran-tena ao amin'ny tokantranon'Andriamanitra, izay fiangonan'Andriamanitra velona, ilay vato fehizoro sy fiorenan'ny fahamarinana.
\s5
\v 16 Tsy azo lavina fa ny fahamarinana nambara izay araka an'Andriamanitra dia lehibe: "Izy dia niseho tamin'ny nofo, nohamarinin'ny Fanahy, hitan'ny anjely, nambara teo anivon'ireo firenena, ninoan'izao tontolo izao, ary nasandratra tamim-boninahitra."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ankehitriny miteny mazava tsara ny Fanahy fa amin'ny fotoana any aoriana any dia hiala amin'ny finoana ny olona sasany ary mitandrema tsara ny amin'ireo fanahy mpamitaka sy ireo fampianaran'ireo demonia
\v 2 amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpandainga. Fa voamarika amin'ny vy mamay ny feon'ny fieritreretan'izy ireo.
\s5
\v 3 Ho raràn'izy ireo ny manambady sy ny mandray ireo sakafo izay noforonin'Andriamanitra ho zaraina miaraka amin'ny fisaorana eo amin'ireo izay mino sy izay mahafantatra ny marina.
\v 4 Fa ny zavatra rehetra izay noforonin'Andriamanitra dia tsara. Tsisy holavina ny zavatra noraisintsika tamim-pisaorana.
\v 5 Fa nohamasinina tamin'ny tenin'Andriamanitra sy ny vavaka izany.
\s5
\v 6 Raha apetrakareo eo anoloan'ireo rahalahy ireo zavatra ireo, dia ho mpanompo tsaran'i Jesosy Kristy ianareo. Fa notaizana tamin'ireo tenin'ny finoana sy tamin'ny fampianarana tsara izay narahinareo ianareo.
\v 7 Fa lavo ny angano tantarain'ny vavy antitra. Fa kosa, tariho hanome voninahitra an'Andriamanitra ny tenanareo.
\v 8 Fa ny vatana hofanina dia kely ihany no azo ampiasana azy, nefa fampiasa amin'ny zavatra rehetra ny toetra araka an'Andriamanitra. Mihazona ny fampanantenana amin'ity fiainana ankehitriny ity sy ny fiainan-ko avy.
\s5
\v 9 Ity hafatra ity dia mendri-pitokisana sy mendrika ny fahafenoan'ny fanekena.
\v 10 Fa noho izany dia hitolona sy hiasa mafy isika. Fa mahatoky ao amin'Andriamanitra velona isika, izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra ireo izay mino.
\s5
\v 11 Ambarao sy ampianaro ireo zavatra ireo.
\v 12 Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona ny fahatanoranao. Fa kosa, aoka ho ohatra ho an'ireo izay mino, amin'ny fiteny, fitondran-tena, fitiavana, finoana, ary fahadiovana.
\v 13 Mandra-pihaviko, tohizo ny famakiana, ny fananarana, sy ny fampianarana.
\s5
\v 14 Aza atao tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana izay ao aminao, izay nomena anao tamin'ny alalan'ny faminaniana, niaraka tamin'ny fametrahan-tanan'ireo loholona.
\v 15 Tandrovy ireny zavatra ireny. Meteza ho ao amin'izy ireo, mba hiharihary amin'ny olona rehetra ny fandrosoanao.
\v 16 Tandremo tsara ny tenanao sy ny fampianarana. Tohizo ireny zavatra ireny. Fa raha manao toy izany, dia ho vonjenao ny tenanao sy ireo izay mihaino anao.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Aza mibedy ny lahy antitra. Fa kosa, anaro toy ny ray izy. Anaro toy ny rahalahy ireo lehilahy tanora.
\v 2 Anaro tahaka ny reny ireo vavy antitra, ary ireo vehivahy tanora toy ny anabavy ao amin'ny fahadiovana rehetra.
\s5
\v 3 Manajà ireo mpitondratena, ireo tena mpitondratena.
\v 4 Fa raha manan-janaka na zafikely ny mpitondratena iray, dia avelao izy ireo aloha hianatra haneho fanajana ao amin'ny tokantranony. Aoka izy ireo hamaly babena ireo ray aman-dreniny, satria ankasitrahan'Andriamanitra izany.
\s5
\v 5 Fa ny tena mpitondratena dia navela ho irery. Mametraka ny fitokiany amin'Andriamanitra izy. Mitoetra hatrany amin'ireo fangatahana sy vavaka andro aman'alina.
\v 6 Na izany aza, ny vehivavy izay miaina ho an'ny fahafinaretana dia maty, na dia mbola velona aza izy.
\s5
\v 7 Torio izany zavatra izany mba tsy ananan'izy ireo tsiny.
\v 8 Fa raha misy olona tsy manome ho an'ireo havany akaiky, indrindra ho an'ireo izay ao amin'ny ankohonany, dia nandà ny finoana izy ary ratsy lavitra noho ny tsy mpino.
\s5
\v 9 Aoka hosoratana ho mpitondratena ny vehivavy izay tsy latsaky ny enimpolo taona, vehivavy iray izay vadin'ny lehilahy iray.
\v 10 Tokony ho fantatra noho ireo asa tsara izy, na nikarakara ireo ankizy, na ihany koa nampiantrano ireo mpivahiny, na nanasa ny tongotr'ireo mpino, na nanamaivana ny ory, na nanolo-tena tamin'ny asa tsara rehetra.
\s5
\v 11 Fa ho an'ireo mpitondratena mbola tanora kosa, dia aza manaiky ny hanoratra azy ireo ao anaty lisitra. Fa rehefa milavo-lefona amin'ny filan'ny nofo hanohitra an'i Kristy izy ireo, dia te-hanambady.
\v 12 Amin'izany izy ireo dia hahazo fanamelohana satria namadika ny fanoloran-tenany voalohany.
\v 13 Ka dia lasa zatra malaina koa izy ireo. Mandehandeha mitety trano. Tsy hoe lasa malaina fotsiny ihany izy ireo, fa lasa mpifosa sy mpila ady ihany koa. Miteny zavatra izay tsy tokony ho teneniny izy ireo.
\s5
\v 14 Noho izany dia tiako hanambady ireo vehivavy mbola tanora, hiteraka, hikarakara tokantrano, mba tsy ahafahany manome irika ny fahavalo hiampanga anay ho nanao ratsy.
\v 15 Fa ny sasany efa nivily sahady hanaraka an'i Satana.
\v 16 Raha misy vehivavy mino manana mpitondratena, aoka izy hanampy azy ireo, mba tsy hanavesatra ny fiangonana, mba hahafahany manampy ireo tena mpitondratena marina.
\s5
\v 17 Aoka ireo loholona izay manapaka tsara mba ho raisina ho mendri-boninahitra avo roa heny, indrindra ireo izay miasa miaraka amin'ny teny sy amin'ny fampianarana.
\v 18 Fa hoy ny Soratra Masina hoe: "Tsy tokony hanisy fehiny ny vavan'ny ny omby ianao raha mbola mively voa izy." ary koa: "Ny mpiasa dia mendrika ny karamany."
\s5
\v 19 Aza mandray fiampangana manohitra ny loholona iray raha tsy misy vavolombelona roa na telo.
\v 20 Ahitsio eo anatrehan'ny rehetra ireo mpanota mba hatahotra ny ambiny hafa.
\s5
\v 21 Mandidy anao mafy aho eo anatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'i Kristy Jesosy ary ireo anjely voafidy, mba hihazonanao ireo didy ireo tsy misy fitsaratsarana ary mba tsy hanaovanao na inona na inona amin'ny fiandaniana.
\v 22 Aza maimaika mametra-tanana amin'iza na iza. Aza miray ao amin'ny fahotan'ny olon-kafa. Tokony hitazona ny tenanao hadio ianao.
\s5
\v 23 Tokony tsy hisotro rano intsony ianao. Fa kosa, tokony handray divay kely ianao ho an'ny vavony sy ireo aretinao mateti-pitranga.
\v 24 Ny fahotan'ireo olona sasany dia fantatra miharihary, ary izy ireo dia mandeha alohan'ireo ao amin'ny fitsarana. Fa ny ota sasany manaraka avy aty aoriana.
\v 25 Toy izany ihany koa, misy asa tsara fantatra miharihary, saingy ireo sasany aza dia tsy azo afenina.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Aoka ireo rehetra izay ao ambanin'ny zioga toy ireo andevo mba hanao ny tompony ho mendrika ny haja rehetra. Izy ireo dia tokony hanao izany mba tsy hitenenana ratsy ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarana.
\v 2 Ireo andevo izay manana tompo mino dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy ireo satria mpirahalahy aminy. Fa kosa, izy ireo dia tokony hanompo ireo hatrany hatrany. Fa ireo tompo izay nampiana tamin'ny asan'izy ireo dia mpino sady tiavina. Ampianaro ary ambarao ireo zavatra ireo.
\s5
\v 3 Hevero fa ny olona dia mampianatra amin'ny fomba hafa ary tsy manaiky ny fanoroantsika ara-pinoana, izay, tenin'i Jesosy Kristy Tompontsika. Hevero fa izy ireo dia tsy manaiky ny fampianarana izay mitondra any amin'ny toetra araka an'Andriamanitra.
\v 4 Izany olona izany dia mirehareha ary tsy mahalala na inona na inona. Fa kosa, izy dia adalan'ireo adihevitra sy ireo fandresen-dahatra momba ireo teny. Ireny teny ireny dia miteraka fialonana, fanevatevana, ahiahy ratsy,
\v 5 ary ny fifandonana eo amin'ireo olona maloto fisainana. Miala amin'ny marina izy ireo. Mihevitra izy fa ny toetra araka an'Andriamanitra no fomba ahatongavana ho mpanan-karena.
\f + \ft Fanamarihana: Ny fandikana taloha sasany dia manampy hoe: "Miala amin'ny zavatra toy izany". Fa ny fandikana taloha tsara indrindra dia tsy manampy izany. \f*
\s5
\v 6 Ary ny toetra araka an'Andriamanitra miaraka amin'ny fahafaham-po dia tombony lehibe.
\v 7 Satria isika dia tsy nitondra na inona na inona amin'izao tontolo izao. Tsy hahavita hitondra na inona na inona isika.
\v 8 Fa kosa, aoka isika ho afa-po amin'ny hanina sy ny fitafiana.
\s5
\v 9 Ary ireo izay te ho lasa mpanan-karena dia latsaka ao anatin'ny fakam-panahy, ao anatin'ny fandrika. Latsaka tao anatin'ny hadalana sy ireo filàna mampidi-doza maro izy ireo, ary ihany koa ireo hafa mandetika ireo olona ao amin'ny faharavana sy ny fandriganana.
\v 10 Satria fototr'ireo karazan-dratsy rehetra ny fitiavam-bola. Ny olona sasany izay maniry izany dia efa voavily niala tamin'ny finoana ary nanindrona ny tenan'izy ireo tamin'ny fahoriana lehibe.
\s5
\v 11 Fa ianao, ry lehilahin'Andriamanitra, mandosira ireo zavatra ireo. Miezaha mitady ny fahamarinana, ny toetra araka an'Andriamanitra, ny fahatokisana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny hatsaram-panahy.
\v 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana. Hazony ny fiainana mandrakizay fa ho amin'izany no niantsoana anao. Izany dia momba ny nijoronao vavolombelona ny amin'izay inoanao teo anatrehan'ireo vavolombelona maro tamin'izay tsara.
\s5
\v 13 Izaho dia manome anao izany didy izany eto anoloan'Andriamanitra, izay nahatonga ny zavatra rehetra ho velona, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, izay nilaza ny marina teo anatrehan'i Pontio Pilato:
\v 14 Tehirizo tsara ny didy, tsy manan-tsiny, mandra-pisehon'ny Tompontsika Jesosy Kristy.
\s5
\v 15 Andriamanitra dia maneho ny fisehoany amin'ny fotoana tokony ho izy_ Andriamanitra, ilay iray izay notahiana, ilay hery tokana, ilay Mpanjaka izay manjaka, ary ilay Tompo izay manapaka.
\v 16 Izy irery ihany no manana ny tsy fahafatesana ary mitoetra eo amin'ny hazavana tsy azo hanatonana. Tsy misy olombelona mahita azy na afaka mijery Azy. Ho azy anie ny voninahitra sy ny hery mandrakizay. Amena.
\s5
\v 17 Lazao ny mpanan-karena amin'izao tontolo izao mba tsy hirehareha, sy manantena ny harena, izay tsy azo antoka. Fa kosa, tokony hanantena an'Andriamanitra izy ireo. Manome antsika ny harena marina rehetra Izy mba hifaliantsika.
\v 18 Lazao izy ireo mba hanao ny tsara, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, mba alala-tanana, ary vonona hizara.
\v 19 Amin'izany fomba izany, dia ho tehirizin'izy ireo ny fototra tsara ho an'ny tenany amin'izay ho avy, ka hihazonany ny tena fiainana.
\s5
\v 20 Ry Timoty, arovy izay natolotra anao. Hialao ny resaka adala sy ny fandresen-dahatra mifanohitra momba ny fiantsoana diso ny amin'izay atao hoe fahalalana.
\v 21 Ny olona sasany dia manambara izany zavatra izany ka dia tsy nahatsiaro ny finoany izy ireo. Ho aminareo anie ny fahasoavana.