plt_ulb/54-2TH.usfm

99 lines
7.5 KiB
Plaintext

\id 2TH
\ide UTF-8
\h 2 Tesaloniana
\toc1 2 Tesaloniana
\toc2 2 Tesaloniana
\toc3 2th
\mt 2 Tesaloniana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, sy Silasy, ary Timoty, ho any amin'ny fiangonan'ireo Tesaloniana ao amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
\v 2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
\s5
\v 3 Izahay dia tokony hanome fisaorana an'Andriamanitra ho anareo foana, ry rahalahy. Fa izany no tsara atao, satria tena mitombo fatratra ny finoanareo, ary ny fitiavanareo tsirairay dia mitombo ho an'ny hafa.
\v 4 Noho izany dia izahay tenanay dia miteny am-pireharehana momba anareo eo amin'ireo fiangonan'Andriamanitra. Izahay dia miresaka ny momban'ny faharetanareo ary ny finoanareo tamin'ny izay rehetra nanenjehana anareo. Miresaka momban'ireo fahoriana izay niaretanareo.
\v 5 Izany dia famantarana ny fitsarana marin'Andriamanitra. Ny vokany dia horaisina ho mendrika ny fanjakan'Andriamanitra izay nijalianareo ianareo.
\s5
\v 6 Marina amin'Andriamanitra ny hamaly fahoriana ireo izay nampahory anareo,
\v 7 ary hanome fitsaharana ho anareo izay nampahoriana niaraka taminay. Ho ataony izany amin'ny fisehoan'i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin'ireo anjelin'ny heriny.
\v 8 Ao amin'ny afo miredareda no hanaovany ny valifaty amin'ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra sy amin'ireo izay tsy mamaly ny filazantsaran'i Jesosy Tompontsika.
\s5
\v 9 Izy ireo dia hijaly amin'ny famaizan'ny fandringanana mandrakizay lavitry ny fanatrehan'ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny.
\v 10 Hanao izany izy rehefa tonga amin'izany andro izany mba hanomezan'ny olony voninahitra azy sy higagan'ireo rehetra izay nino. Fa ny fijoroanay vavolombelona aminareo dia ninoana.
\s5
\v 11 Noho izany dia mivavaka mandrakariva ho anareo ihany koa izahay. Mivavaka izahay mba ho mendrika ny ho raisin'ny Andriamanitsika amin'ny fiantsoana ianareo. Mivavaka izahay mba ho tanterahiny amin'ny hery ny fanirianareo ny fahatsarana sy ny asan'ny finoana rehetra.
\v 12 Mivavaka ho an'ireo zavatra ireo izahay mba omenareo voninahitra ny anaran'i Jesosy Tompontsika. Mivavaka izahay mba hanomezany voninahitra anareo, nohon'ny fahasoavan'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ankehitriny ny momban'ny fiavian'i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny nanangonana antsika iaraka aminy: manontany anareo izahay, ry rahalahy,
\v 2 mba tsy ho mora helingelenina na hihorohoro ianareo, na amin'ny fanahy, na amin'ny hafatra, na amin'ny taratasy izay toy ny hoe ho avy aminay, noho ny vokatry ny fahatongavan'izany andron'ny Tompo izany.
\s5
\v 3 Aza avela hisy olona hamitaka anareo na amin'ny fomba ahoana. Fa tsy ho tonga izany raha tsy aorian'ny fahatongavan'ny fianjerana, ary ny lehilahy mpandika lalàna dia aseho, ny zanaky ny fahasimbana.
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny taloha sasany dia mivaky hoe: "ary ny lehilahy mpanota dia aseho". \f*
\v 4 Izy ilay manohitra sy manandratra ny tenany amin'izay rehetra antsoina hoe Andriamanitra na izay ivavahana. Vokatr'izany, dia nipetraka tao amin'ny Tempolin'Andriamanitra izy ary mampiseho ny tenany ho toy ny Andriamanitra.
\s5
\v 5 Tsy tadidinareo ve fa fony izaho niaraka taminareo dia efa niteny ireo zavatra ireo?
\v 6 Ankehitriny fantatrareo inona no mitana azy, mba hisehoany amin'ny fotoana mety irery ihany.
\v 7 Fa ny zava-miafin'ny fandikan-dalàna dia efa miasa, misy olona iray ihany misakana azy ankehitriny mandra-panalana azy teo amin'ny lalana.
\s5
\v 8 Avy eo ilay tena mpandika lalàna dia ho aseho, izay hovonoin'i Jesosy Tompo amin'ny fofonain'ny vavany. Ny Tompo dia hitondra azy amin'ny tsy misy dikany amin'ny alalan'ny fisehoan'ny fiaviany.
\v 9 Ny fiavin'ilay tena mpandika lalàna dia noho ny asan'ny Satana miaraka amin'ny hery rehetra, ireo famantarana, ary ireo fahagagana tsy marina,
\v 10 ary miaraka amin'ny fitaka rehetra ny amin'ny tsy fahamarinana. Ireo zavatra ireo dia ho an'ireo izay very, satria izy ireo dia tsy nandray ny fitiavan'ny fahamarinana mba ahavoavonjy azy ireo.
\s5
\v 11 Noho izany antony izany dia mandefa asan'ny fahadisoana Andriamanitra mba hinoan'izy ireo lainga.
\v 12 Vokatr'izany dia hotsaraina daholo izy rehetra, ireo izay tsy mino ny fahamarinana fa kosa maka fahafinaretana amin'ny tsy fahamarinana.
\s5
\v 13 Fa izahay dia tokony manome fisaorana an'Andriamanitra foana ho anareo, ry rahalahy notiavin'ny Tompo. Fa Andriamanitra no nifidy anareo toy ireo voaloham-bokatra ho an'ny famonjena amin'ny fanamasinana ny Fanahy sy ny finoana ny fahamarinana.
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny hafa dia mivaky toy izao: "Fa Andriamanitra dia nifidy anareo hatramin'ny voalohany ho an'ny famonjena. \f*
\v 14 Izany no niantsoany anareo tamin'ny alalan'ny filazantsaranay mba ahazoanareo ny voninahitr'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 15 Ka noho izany, ry rahalahy, mijoroa mafy. Tazomy ireo fahamarinana izay nampianarina anareo. Na tamin'ny teny na tamin'ny taratasinay.
\s5
\v 16 Ankehitriny aoka i Jesosy Kristy Tompontsika tenany, ary Andriamanitra Raintsika izay tiantsika sy nanome antsika fankaherezana mandrakizay sy ny fahatokisana tsara ho an'ny ho avy amin'ny alalan'ny fahasoavana,
\v 17 hankahery ary hametraka ny fonareo amin'ny asa tsara rehetra sy ny teny.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ankehitriny, ry rahalahy, mivavaha ho anay, mba ho deraina sy homem-boninahitra ny tenin'ny Tompo, dia tahakan'izany ihany koa ny aminareo.
\v 2 Mivavaha mba ho afaka amin'ireo ratsy fanahy sy olon-dratsy izahay, fa tsy ny rehetra no manam-pinoana.
\v 3 Fa ny Tompo dia mahatoky, izay manamafy orina sy miambina anareo amin'ilay ratsy.
\s5
\v 4 Manana fahatokiana amin'ny Tompo momba anareo izahay, mba sady hanaovanareo no hanohizanareo ireo zavatra izay nandidiana anay ianareo.
\v 5 Ny Tompo anie hitarika ny fonareo ho amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fiaretan'i Kristy.
\s5
\v 6 Ankehitriny mandidy anareo izahay, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiala amin'ireo rahalahy rehetra izay miaina ao anatin'ny hakamoana sy tsy araka ireo fomban-drazana izay noraisinareo taminay.
\v 7 Fa ianareo tenanareo dia mahafantatra fa mety aminareo ny maka tahaka anay. Tsy niaina teo anivonareo tahaka ireo izay tsy nanana fitsipika izahay.
\v 8 Tsy nihinana sakafon'olona tsy naloa vola izahay. Fa kosa, niasa andro aman'alina tamin'ny asa sarotra sy ny zava-tsarotra izahay, mba tsy ho enta-mavesatra ho an'ny tsirairay aminareo.
\v 9 Tsy hoe nohon'ny tsy fananana fahefana no nanaovanay izany. Fa kosa, nanao izany izahay mba ho fitaratra ho anareo, ka mba hanahaka anay ianareo.
\s5
\v 10 Rehefa niaraka taminareo izahay, dia nandidy anareo hoe: "Raha misy iray tsy te hiasa, dia tsy tokony hihinana izy."
\v 11 Fa mandre izahay fa miraviravy tanana ny sasany aminareo. Tsy miasa izy ireo fa mpitsabaka.
\v 12 Ankehitriny ireo olona tahaka izany dia didinay sy hanarinay amin'i Jesosy Kristy Tompo, mba hiasa am-pahanginana sy hihinana ny sakafon'izy ireo manokana.
\s5
\v 13 Fa ianareo, ry rahalahy, aza mamoy fo amin'ny fanaovana izay marina.
\v 14 Raha misy tsy mankatoa ny tenintsika amin'ity taratasy ity, mariho eo imason'ny olona izy ary aza manana fifandraisana aminy, ka mety ho menatra izy.
\v 15 Aza raisina ho fahavalo izy, fa hanaro ho toy ny rahalahy.
\s5
\v 16 Fa ilay Tompon'ny fiadanana anie hanome fiadanana anareo amin'ireo fotoana sy amin'ireo fomba rehetra. Ho aminareo rehetra anie ny Tompo.
\v 17 Ity no fanaovako veloma, izaho Paoly, tamin'ny tanako, izay famantarana amin'ny taratasy rehetra. Izao no soratro.
\v 18 Ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika anie ho aminareo rehetra.