plt_ulb/52-COL.usfm

189 lines
15 KiB
Plaintext

\id COL
\ide UTF-8
\h Kolosiana
\toc1 Kolosiana
\toc2 Kolosiana
\toc3 col
\mt Kolosiana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, apostolin'i Kristy Jesosy amin'ny alalan'ny sitrapon'Andriamanitra, ary i Timoty rahalahantsika,
\v 2 ho an'ireo mpino sy ireo rahalahy mahatoky ao amin'ny Kristy izay any Kolosia. Ho aminareo anie ny fahasoavana, sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika.
\f + \ft Fanamarihana ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany manampy hoe: "ary ny Tompo Jesosy Kristy". \f*
\v 3 Manome fisaorana an'Andriamanitra isika, ilay Rain'ny Tompontsika Jesosy Kristy, ary mivavaka mandrakariva ho anareo izahay.
\s5
\v 4 Efa renay ny finoanareo an'i Kristy Jesosy ary ny fitiavana izay ananareo ho an'izay rehetra voatokana ho an'Andriamanitra.
\v 5 Manana izany fitiavana izany ianareo noho ny fanantenana azo antoka natokana ho anareo any an-danitra. Henonareo ny momba io fanantenana azo antoka io talohan'ny teny amin'ny fahamarinana, ny filazantsara,
\v 6 izay tonga aminareo. Ity filazantsara ity dia mitondra vokatra ary mitombo eran'izao tontolo izao. Izany dia efa nanao izany taminao ihany koananomboka tamin'ny andro nahenonao azy ary nianaranao ny momban'ny fahasoavan'Andriamanitra ao amin'ny marina.
\s5
\v 7 Ity ny filazantsara izay araka ny nianaranareo tamin'ny Epafra, ilay mpiara-manompo malalantsika, izay mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny anarantsika.
\f + \ft Fanamarihana ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Amin'ny anaranareo" \f*
\v 8 Nampahalalan'ny Epafra anay ny fitiavanareo ny Fanahy.
\s5
\v 9 Noho io fitiavana io, hatramin'ny andro nahenonay izany dia tsy nitsahatra nivavaka ho anareo izahay. Nangataka izahay mba ho feno fahalalana ny sitrapony amin'ny fahendrena rehetra sy fahalalana ara-panahy ianareo.
\v 10 Nivavaka izahay mba handehanareo am-pahamendrehana ao amin'ny Tompo amin'ireo fomba ankasitrahan'Andriamanitra. Nivavaka izahay mba hamokatra amin'ny asa soa rehetra ianareo ary mba hitombo fahalalana an'Andriamanitra.
\s5
\v 11 Mivavaka izahay mba hahazo hery amin'ny fahaizana rehetra ianareo araka ny herin'ny voninahitra amin'ny fiaretana sy ny faharetana.
\v 12 Mivavaka izahay mba hanome fisaorana an'ny Raintsika am-pifaliana ianareo, izay nahafahanareo hanana anjara amin'ny lovan'ireo mpino amin'ny fahazavana
\f + \ft Fanamarihana ambany pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "izay nahafahantsika nanana anjara". \f*
\s5
\v 13 Namonjy antsika tamin'ny fanapahan'ny haizina sy namindra antsika ho any amin'ny fanjakan'ny Zanany lahy malalany Izy.
\v 14 Ao amin'ny Zanany lahy no ananantsika ny fanavotana, ny famelana ireo fahotana.
\f + \ft Fanamarihana ambanin'ny pejy: misy dikan-teny sasany mivaky hoe: "Ao amin'ny Zanany no ananantsika fanavotana amin'ny alalan'ny ràny, dia ny famelana ireo fahotana." \f*
\s5
\v 15 Ny Zanaka lahy dia endrik'ilay Andriamanitra tsy hita maso. Izy ilay teraka voalohany tamin'ny fahariana.
\v 16 Fa tamin'ny alalany no nahariana ny zavatra rehetra, ireo izay any an-danitra sy ireo izay ety ambonin'ny tany, ireo zavatra hita maso sy ireo tsy hita. Na ireo seza fiandrianana, na ireo fanapahana, na ireo fitondram-panjakana, na ireo manam-pahefana, ireo zavatra rehetra dia nohariana tamin'ny alalany sy ho azy.
\v 17 Izy no alohan'ny zavatra rehetra, ary ao aminy no haharetan'ny zavatra rehetra.
\s5
\v 18 Izy no lohan'ny vatana, sy ny fiangonana. Izy no fiandohana sy teraka voalohany avy eo anivon'ireo maty, ka izy no nanana toerana voalohany teo anivon'ireo zavatra rehetra.
\v 19 Satria sitrak'Andriamanitra ny tokony ny hiainan'ny fahatsarany rehetra ao aminy,
\v 20 ary mba hampihavana amin'ny alalan'ny Zanaka lahy amin'ny zava-drehetra amin'izy tenany. Andriamanitra dia nihavana tamin'ny alalan'ny ràn'ny hazo fijaliany. Andriamanitra no nampihavana ny zava-drehetra tamin'ny tenany, na ny zavatra rehetra eto ambonin'ny tany na ireo zavatra rehetra any an-danitra.
\s5
\v 21 Tamin'ny fotoana iray, ianareo ihany koa, dia vahiny tamin'Andriamanitra ary fahavalony tao an-tsainy sy tamin'ireo asa ratsy.
\v 22 Fa ankehitriny izy no nampihavana anareo tamin'ny vatany manontolo tamin'ny alalan'ny fahafatesana. Nataony izany mba hanaovana anareo ho masina, tsy hanam-pondro eo anatrehany, ary nanala baraka azy noho ny fanaratsiana,
\v 23 raha manohy amin'ny finoana ianareo, miorina sy mafy orina, dia aza mihataka amin'ny fanantenana mahatokin'ny filazantsara izay renareo. Ity no filazantsara izay nambara tamin'ny olona rehetra nohariana ambanin'ny lanitra. Ity no filazantsara izay, nahatonga ahy, Paoly, ho mpanompo.
\s5
\v 24 Ankehitriny aho dia faly amin'ny fijaliko ho anareo, ary izaho dia nameno ny nofoko izay tsy ampy amin'ireo fahorian'i Kristy noho ny vatany, dia ny fiangonana.
\v 25 Noho ny fiangonana no nahampanompo ahy, araka ny andraikitra avy amin'Andriamanitra izay nomeny ahy ho anareo, mba hahatanteraka ny tenin'Andriamanitra.
\v 26 Io no marina miafina izay nafenina nandritry ny taona maro sy ho an'ireo taranaka. Fa ankehitriny dia efa niseho izany tamin'ireo izay mino azy.
\v 27 Tamin'izy ireo no tian'Andriamanitra nampahafantarina ireo haren'ny voninahitr'ity fahamarinana miafina ity teo anivon'ny Jentilisa. Izany dia Kristy no ao aminao, ilay tokin'ny voninahitra ho avy.
\s5
\v 28 Dia izy ilay notorianay. Nananatra ny olona rehetra izahay, ary nampianatra ny olona rehetra tamin'ny fahendrena rehetra, mba hanolorantsika ny olona rehetra feno ao amin'i Kristy.
\v 29 Noho izany dia miasa mafy aho sy miezaka araka ny tanjany izay miasa ato amiko amin'ny hery.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Fa tiako ho fantatrareo ny halehiben'ny tolona nataoko ho anareo, ho an'ireo any Laodikia, sy ho an'ireo maro mbola tsy nahita ny tavako tamin'ny nofo.
\v 2 Miasa aho mba hampahery ny fon'izy ireo amin'ny fampiraisana azy ireo miaraka ao amin'ny fitiavana sy ny harena rehetra amin'ny fahalalana azo antoka, ho amin'ny fahalalana ny fahamarinana miafin'Andriamanitra, izany hoe, i Kristy.
\v 3 Ao aminy ny haren'ny fahendrena sy izay fahalalana rehetra no miafina.
\s5
\v 4 Milaza izany aho mba tsy hisy hitarika anareo amin'ny lahateny mandresy lahatra.
\v 5 Na dia tsy miaraka aminareo ao amin'ny nofo aza aho, dia miaraka aminareo ao amin'ny fanahy. Faly aho mahita ny filaminanareo tsara sy ny tanjakin'ny finoanareo an'i Kristy.
\s5
\v 6 Raha nandray an'i Kristy Tompo ianareo, dia mandehana ao aminy.
\v 7 Mifotora mafy aminy, miorena ao aminy, miorena amin'ny finoana izay efa nampianarina anareo, ary mazotoa manome fisaorana.
\s5
\v 8 Mitandrema mba tsy hamela olona hisambotra anareo amin'ny alalan'ny filozofia na ny fitaka foana araky ny fanaon'ny olona, izay manaraka ny endrik'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i kristy.
\v 9 Fa ao Aminy no mitoetra ny fahatsaran'ny tenan'Andriamanitra rehetra.
\s5
\v 10 Feno ianareo ao Aminy. Izy no lohan'ny hery sy ny fahefana rehetra.
\v 11 Tao Aminy ihany koa ianareo no noforaina tamin'ny famorana izay tsy nataon'ny olombelona amin'ny fanesorana ny nofo amin'ny vatana, fa tamin'ny famoran'i Kristy.
\v 12 Niara-nalevina taminy tamin'ny batisa ianareo, ary tao Aminy no nananganana anareo tamin'ny alalan'ny finoana maherin'Andiamanitra, izay nanangana azy tamin'ireo izay maty.
\s5
\v 13 Fony ianareo maty tamin'ireo fahotana sy ny tsy fahavitan'ny nofonareo famorana, izy no namelona anareo niaraka taminy sy namela antsika tamin'ireo fahotantsika rehetra.
\f + \ft Fanamarihana: misy dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: "ary namela ny fahotantsika rehetra" \f*
\v 14 Nofafany ny rakitsoratrin'ny trosam-panafahana sy ireo fitsipika nifanohitra tamintsika. Nalany izany rehetra izany ary nofantsihiny teo amin'ny hazo fijaliana.
\v 15 Nalany ireo hery sy ireo fahefana, ary Izy dia nanao fampisehoana ampahibemaso an'izy ireo, nandresy mihoatra an'izy ireo tamin'ny hazo fijaliana.
\s5
\v 16 Koa, aza avela hisy hitsara anareo na amin'ny fihinana na amin'ny fisotroana, na amin'ny andro fety na amin'ny volana vaovao, na amin'ny andro Sabata.
\v 17 Izany no alok'ireo zavatra ho avy, fa ny tena izy dia i Kristy.
\s5
\v 18 Aza avela hisy na iza na iza izay mila ny fanetren-tena sy ny fideran'ny anjely hitsara anareo ka tsy hahazoanareo ny lokanareo. Ny olona toy izany dia miditra amin'ny zavatra hitany ary manjary mieboebo amin'ny fisainan'ny nofony.
\v 19 Tsy mihazona ny lohany izy. Izany dia avy amin'ny loha izay nomen'Andriamanitra ny vatana manontolo manerana ireo vanin-taolany sy ny hozany izay manome ka mihazona izany rehetra izany mitambatra; izany dia mitombo miaraka amin'ny fampitomboana nomen'Andriamanitra.
\s5
\v 20 Raha maty niaraka tamin'i Kristy ianareo tamin'ireo endrik'izao tontolo izao, nahoana ary ianareo no miaina toy ny voatery amin'ny tany:
\v 21 "Aza mihodina, aza manandrana, ary aza mikasika"?
\v 22 Izany zavatra rehetra izany dia ho an'ny fahalovana, araka ny torolalana sy ny fampianaran'olombelona.
\v 23 Ireny fitsipika ireny dia manana fahendren'ny fomba fivavahana, ny fanetren-tena izay nataon'ny tenany manokana ary ny fampahoriana ny vatana. Fa izy ireo dia tsy manan-danja amin'ny fanoherana ny fandeferana ny filan'ny nofo.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Koa raha Andriamanitra no nanangana anareo niaraka tamin'i Kristy, katsaho ireo zavatra any ambony, izay ipetrahan'i Kristy eo an-tanan- kavanan'Andriamanitra.
\v 2 Saino ireo zavatra any ambony, fa tsy ireo zavatra eto an-tany.
\v 3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo dia miafina miaraka amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra.
\v 4 Rehefa miseho i Kristy, izay fiainanareo, dia ianareo koa hiara-hiseho aminy ao amim-boninahitra.
\f + \ft Fanamarihana eny ambanin'ny pejy: Ireo dikan-teny taloha sasany miteny hoe: "Rehefa miseho Kristy, izay fiainanareo, dia ianareo ihany koa dia hiara-hiseho miaraka aminy am-boninahitra. \f*
\s5
\v 5 Vonoy, avy eo, ireo mpikambana izay eto an-tany- ny filan-dratsy, fahalotoana, firehetan'ny filana, faniriana ratsy, ary fahatendana, izay fanompoan-tsampy.
\v 6 Noho ireny zavatra ireny no hahatongavan'ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana.
\f + \ft Fanamarihana eny ambanin'ny pejy: Ny dikan-teny taloha sasany mivaky hoe: "Noho ireny zavatra ireny no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra." \f*
\v 7 Tao amin'ireny zavatra izay nandehananareo ireny taloha ihany koa rehefa mbola niaina tao amin'ireny ianareo.
\v 8 Fa ankehitriny ianareo dia tsy maintsy manary ireny zavatra rehetra ireny - fahatezerana, fahavinirana, ireo fikasan-dratsy, ireo fanevatevana, ary teny fahavetavetana avy amin'ny vavanareo.
\s5
\v 9 Aza mifandainga, fa efa narianareo ny toetra taloha miaraka amin'ireo fampiharana izany,
\v 10 ary notafinareo ny toetra vaovao izay nohavaozina ao amin'ny fahalalana araka ny endrik'izay namorona izany.
\v 11 Ao amin'izany dia tsy misy Grika sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, barbariana, Skytiana, andevo, olon'afaka, fa i Kristy no rehetra, ary ao amin'ny rehetra.
\s5
\v 12 Koa, mitafia, araka ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra, masina ary malala, famindram-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary faharetana.
\v 13 Mifampitondrà tsara. Mifamelà. Raha misy olona iray manana fitarainana momba ny olona hafa, mamelà toy izay namelan'ny Tompo anareo.
\v 14 Ambonin'ireny zavatra rehetra reny, manàna fitiavana, izay mamatotra antsika amin'ny fahatanterahana.
\s5
\v 15 Aoka ny fiadanan'i Kristy hanapaka ao amin'ny fonareo. Fa ho an'izany fiadanana izany no niantsoana anareo ho vatana iray. Ary misaora.
\v 16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Amin'ny fahendrena rehetra mifampianara ary mifananara amin'ireo salamo sy fihirana ary hira ara-panahy. Mihirà amin'ny fisaorana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
\v 17 Na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny na amin'ny asa, ataovy amin'ny anaran'ny Tompo Jesosy ny rehetra. Manomeza fisaorana ho an'Andriamanitra ilay Ray amin'ny alalany.
\s5
\v 18 Ry vehivavy, maneke ny vadinareo, fa izany no mety ao amin'ny Tompo.
\v 19 Ry lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza masiaka amin'izy ireo.
\v 20 Ry zanaka, mankatoava ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra, fa izany no ankasitrana ao amin'ny Tompo.
\v 21 Ry ray, aza manao izay mampalahelo ireo zanakareo, mba tsy ho kivy izy ireo.
\s5
\v 22 Ry andevo, mankatoava ny tomponareo araka ny nofo amin'ireo zavatra rehetra, tsy amin'ny asa eo imaso toy ny olona mpila sitraka, fa amin'ny fo tsotra. Matahora ny Tompo.
\v 23 Na inona na inona ataonareo, miasà avy amin'ny fanahinareo toy ny ho an'ny Tompo fa tsy ho an'ny olona.
\v 24 Fantatrareo fa ianareo dia handray ny valisoan'ny lova avy amin'ny Tompo. Izy no Tompo Kristy izay tompoinareo.
\v 25 Fa izay manao ny tsy fahamarinana dia handray ny sazy ho an'ny tsy fahamarinana izay nataony, ary tsy misy fizahan-tava.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ry tompo, omeo ireo andevo izay marina sy rariny. Fantatrareo fa ianareo ihany koa manana tompo iray any an-danitra.
\s5
\v 2 Mahareta mandrakariva amin'ny fivavahana. Miambena amin'izany amin'ny fanomezana fisaorana.
\v 3 Miaraha mivavaka ho anay ihany koa, mba hanokafan'Andriamanitra varavarana ho an'ny teny, mba hilazana ny fahamarinana miafin'i Kristy. Nohon'ny amin'izany, dia voafatotra aho.
\v 4 Mivavaha mba ahafahako manazava izany, raha tokony hiteny aho.
\s5
\v 5 Mandehana amin'ny fahendrena any amin'ireo izay any ivelany, ary araraoty ny fotoana. Aoka ny teninareo hiaraka amin'ny fahasoavana hatrany.
\v 6 Aoka ireo ho vonton-tsira, mba hahafahanareo mahalala ny fomba tokony hamalianareo ny olona tsirairay.
\s5
\v 7 Raha ireo zavatra momba ahy, dia i Tykyko no hampahafantatra ireny aminareo. Izy dia rahalahy malala, mpanompo mahatoky, ary mpiara-manompo ao amin'ny Tompo.
\v 8 Nalefako any aminareo izy noho izao, mba ahafahanareo mahafantatra ny zavatra momba anay, ary mba ahafahany mampahery ny fonareo.
\f + \ft Fanamarihana eny ambanin'ny pejy: ireo dikan-teny sasany taloha mivaky hoe: "nalefako any aminareo izy noho izao, mba ahafahany mahafantantra ireo zavatra momba anareo, ary mba ahafahany mampahery ny fonareo". \f*
\v 9 Nalefako izy niaraka tamin'i Onesimosy, ilay rahalahy mahatoky sady malala, izay iray aminareo. Izy ireo no hilaza aminareo ny zava-drehetra izay efa nitranga taty.
\s5
\v 10 Aristarko, ilay miara-migadra amiko, dia miarahaba anareo, tahaka izany koa i Marka, havan'i Barnabasy (izay nahazoanareo baiko; raha mankany aminareo izy, dia raiso),
\v 11 ary Jesosy ihany koa izay antsoina hoe Josto. Ireo avy amin'ny voafora ireo ihany no mpiara-miasa amiko ho an'ny fanjakan'Andriamanitra. Fampiononana ho ahy izy ireo.
\s5
\v 12 Epafra dia miarahaba anareo. Iray aminareo izy ary mpanompon'i Kristy Jesosy. Mitolona am-bavaka ho anareo foana izy, mba hahatanteraka anareo ary hahazo antoka tanteraka ao amin'ny sitrapon'Andriamanitra rehetra.
\v 13 Fa mijoro vavolombelona ho azy aho, fa miasa mafy ho anareo izy, sy ho an'ireo any Laodika, ary ho an'ireo izay any Hierapolia.
\v 14 Lioka ilay mpitsabo malala sy Demasy dia miarahaba anareo.
\s5
\v 15 Arahabao ireo rahalahy any Laodika, sy Nymfa, ary ny fiangonana izay ao an-tranony.
\v 16 Rehefa voavaky eo anivonareo ity taratasy ity, dia ataovy vakiana ao amin'ny fiangonan'ny Laodikiana ihany koa, ary ataovy voavakinareo ihany koa ny taratasy avy any Laodika.
\v 17 Lazao i Arikipo hoe: "Tandremo ny asa fanompoana izay noraisinao tao amin'ny Tompo, fa tokony ho tanterahinareo izany."
\s5
\v 18 Ity fanaovam-beloma ity dia ataon'ny tanako manokana -Paoly. Tsarovy ny fifatorako. Ho aminareo anie ny fahasoavana.