plt_ulb/47-1CO.usfm

840 lines
66 KiB
Plaintext
Raw Permalink Blame History

This file contains ambiguous Unicode characters

This file contains Unicode characters that might be confused with other characters. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

\id 1CO
\ide UTF-8
\h I Korintiana
\toc1 I Korintiana
\toc2 I Korintiana
\toc3 1co
\mt I Korintiana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Paoly, nantsoin'i Jesosy Kristy mba ho Apostoly nohon'ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahintsika,
\v 2 ho an'ny fiangonan'Andriamanitra ao Korinto, ho an'ireo izay nohamasinina tao amin'i Kristy Jesosy, izay voantso ho olona masina. Manoratra ho an'ireo rehetra izay miantso ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny toerana rehetra ihany koa izahay, dia Tompon'izy ireo sy antsika.
\v 3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
\s5
\v 4 Izaho dia manome fisaorana ho an'Andriamanitro ho anareo foana nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomen'i Jesosy Kristy anareo.
\v 5 Nataony nanankarena tamin'ny fomba rehetra ianareo, tamin'ny fiteny rehetra sy ny fahalalana rehetra,
\v 6 raha vao voaporofo teo aminareo fa marina ny fanambarana momban'i Kristy.
\s5
\v 7 Noho izany ianareo dia tsy ory fanomezam-pahasoavana eo am-piandrasanareo fatratra ny fanambarana an'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 8 Izy ihany koa dia hampahery anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny ianareo amin'ny andron'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\v 9 Mahatoky Andriamanitra, izay niantso anareo ho amin'ny firaisana amin'ny Zanany lahy, Jesosy Kristy Tompontsika.
\s5
\v 10 Ankehitriny dia mampirisika anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hifanaraka ianareo rehetra, ary tsy hisy fisarahana eo aminareo. Mampirisika aho mba hikambana amin'ny saina mitovy sy tanjona mitovy ianareo.
\v 11 Fa efa natao mazava tamiko, ry rahalahy, tamin'ny alalan'ny vahoakan'i Kloe fa misy fifampiandaniana eo aminareo.
\s5
\v 12 Ny tiako ambara dia izao: Ny tsirairay aminareo samy manao hoe: "Izaho miaraka amin'i Paoly," na "Izaho miaraka amin'i Apolosy," na "Izaho miaraka amin'i Kefasy," na "Izaho miaraka amin'i Kristy."
\v 13 Voazarazara ve Kristy? Paoly ve no nomboana ho anareo? Tamin'ny anaran'i Paoly ve no nanaovana batisa anareo?
\s5
\v 14 Misaotra an'Andriamanitra aho fa tsy nisy nataoko batisa ianareo, afa-tsy Krispo sy Gaio.
\v 15 Izany dia mba tsy hafahan'iza na iza miteny hoe tamin'ny anarako no nanaovana batisa anareo.
\v 16 (Izaho ihany koa dia nanao batisa ny ankohonan'i Stefanasy. Ny ankoatra izay, tsy fantatro raha nanao batisa olona hafa aho.)
\s5
\v 17 Fa Kristy dia tsy naniraka ahy mba hampanao batisa fa hitory ny filazantsara. Izy tsy nandefa ahy hitory amin'ny tenin'ny fahendren'ny olombelona, mba tsy ho foana ny herin'ny hazofijalian'i Kristy.
\s5
\v 18 Fa ny hafatra momba ny hazo fijaliana dia fahadalana amin'ireo izay ho faty. Fa eo amin'ireo izay ho vonjen'Andriamanitra kosa, dia herin'Andriamanitra izany.
\v 19 Fa voasoratra hoe: "Ho potehiko ny fahendren'ny hendry. Ho foanako ny fahalalanan'ny mahay."
\s5
\v 20 Aiza ny olon-kendry? Aiza ny manam-pahaizana? Aiza ny mpiady hevitra an'izao tontolo izao? Moa tsy navadik'Andriamanitra ho fahadalana ve ny fahendren'izao tontolo izao?
\v 21 Satria tsy nahalala an'Andriamanitra izao tontolo izao tao amin'ny fahendreny, dia sitrak'Andriamanitra ny hamonjy ireo izay mino amin'ny alalan'ny fahadalan'ny fitoriana.
\s5
\v 22 Fa ireo Jiosy dia mangataka famantarana mahagaga ary ireo Grika mikaroka fahendrena.
\v 23 Fa izahay mitory an'i Kristy voahombo, izay vato fanafintohinana ho an'ireo Jiosy ary fahadalana ho an'ireo Grika.
\s5
\v 24 Fa ho an'ireo izay nantsoin'Andriamanitra, ireo Jiosy sy ireo Grika, dia mitory an'i Kristy tahaka ny hery sy fahendren'Andriamanitra izahay.
\v 25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona, ary ny fahalemen'Andriamanitra dia matanjaka noho ny olona.
\s5
\v 26 Hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy. Tsy maro taminareo no hendry raha ny amin'ny maha olombelona. Tsy maro taminareo no nahery. Tsy maro taminareo no avo firazanana.
\v 27 Fa Andriamanitra dia nisafidy ireo zavatra adalan'izao tontolo izao mba hampahamenatra ny hendry. Andriamanitra dia nisafidy izay malemy eo amin'izao tontolo izao mba hampahamenatra izay matanjaka.
\s5
\v 28 Andriamanitra dia nisafidy izay ambany sy hamavoina eto amin'izao tontolo izao. Na Izy aza dia nifidy ireo zavatra izay noheverina ho tsinontsinona, mba hahatonga tsinontsinoa ireo zavatra izay atao ho manan-danja.
\v 29 Nataony izany mba tsy hisy hanana antony hireharehana eo anatrehany.
\s5
\v 30 Nohon'ny nataon'Andriamanitra, ankehitriny ianareo dia ao amin'i Kristy Jesosy, izay lasa fahendrena ho antsika avy amin'Andriamanitra. Izy dia lasa fahamarinantsika, fahamasinantsika ary fahafahantsika.
\v 31 Vokatr'izany, araka izay voalazan' ny Soratra Masina hoe: "Aoka izay mirehareha, hirehareha ao amin'ny Tompo."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Rehefa nankeo aminareo aho, ry rahalahy, dia tsy tonga niaraka tamina lahateny na fahendrena raha nanambara ny misitery momban'Andriamanitra.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dika-teny maro hafa dia mivaky toy izao hoe: "Raha nanambara ny fijoroana vavolombelona momban'Andriamanitra aho." \f*
\v 2 Fa nanapa-kevitra tsy hahalala na inona na inona aho rehefa teo aminareo, afa-tsy Jesosy Kristy, sy Izy voahombo.
\s5
\v 3 Ary niaraka taminareo aho teo amin'ny fahalemena, sy teo amin'ny tahotra, ary teo amin'ny fangovitana lehibe.
\v 4 Ary ny hafatro sy ny fanambarako dia tsy tamin'ny teny fandresen-dahatry ny fahendrena. Fa kosa, ireo dia tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy hery,
\v 5 mba tsy ho ao amin'ny fahendren'ny olombelona ny finoanareo, fa ao amin'ny herin'Andriamanitra.
\s5
\v 6 Ankehitriny dia miresaka fahendrena eo amin'ireo matotra isika, fa tsy ny fahendren'izao tontolo izao, na ny an'ireo mpanapak'izao vaninandro izao, izay mandalo ihany.
\v 7 Fa kosa, milaza ny fahendren' Andriamanitra amin'ny fahamarinana miafina isika, ilay fahendrena miafina izay notendren'Andriamanitra mialoha talohan'ireo vaninandro rehetra ho voninahintsika.
\s5
\v 8 Tsy nisy tamin'ireo mpanapak'izao andro izao no nahafantatra io fahendrena io, fa raha nahatakatra izany izy ireo tamin'izany fotoana izany, dia tsy ho nomboin'izy ireo ilay Tompon'ny voninahitra.
\v 9 Fa araka izay voasoratra hoe: "Ireo zavatra izay tsy nisy maso nahita, tsy nisy sofina nandre, tsy nisy eritreritra nahazo an-tsaina, ireo zavatra izay nomanin' Andriamanitra ho an'ireo tia Azy."
\s5
\v 10 Ireo no zavatra nasehon'Andriamanitra taminay tamin'ny alalan'ny Fanahy. Fa ny Fanahy dia mitady ny zavatra rehetra, na dia ireo zavatra lalin'Andriamanitra aza.
\v 11 Fa iza no mahafantatra ny fisainan'ny olona iray afa-tsy ny fanahin'ny olona ao aminy? Araka izany koa, tsy misy mahafantatra ireo zavatra lalin'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra.
\s5
\v 12 Fa tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao isika, fa ny Fanahy izay avy amin'Andriamanitra, mba hafahantsika mahafantatra ireo zavatra omena antsika maimaimpoana avy amin'Andriamanitra.
\v 13 Miteny momba ireo zavatra ireo amin'ny teny izay tsy hain'ny fahendren'ny olombelona ampianarina izahay, fa izay ampianarin'ny Fanahy anay. Ny Fanahy no mandika ny teny ara-panahy miaraka amin'ny fahendrena ara-panahy.
\s5
\v 14 Ny olona izay tsy ara-panahy dia tsy mandray ireo zavatra izay an'ny Fanahin'Andriamanitra, satria fahadalana aminy ireny. Tsy afa-mahalala an'ireny izy satria famantarana ara-panahy ireny.
\v 15 Izay ara-panahy dia mitsara ny zavatra rehetra, fa tsy iharan'ny fitsaran'ny hafa izy.
\v 16 "Fa iza no afa-mahalala ny fisainan'ny Tompo, no ho afaka hampianatra Azy?" Fa izahay dia manana ny fisainan'i Kristy.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary izaho, ry rahalahy, dia tsy afaka niteny taminareo tahaka ny olona izay ara-panahy, fa kosa tahaka ny olona ara-nofo, tahaka ny zazakely ao amin'i Kristy.
\v 2 Nofahanako ronono ianareo, fa tsy ventin-kanina, satria tsy vonona tamin'izany ianareo; ary na ankehitriny aza dia mbola tsy vonona amin'izany ianareo.
\s5
\v 3 Satria ianareo mbola araky ny nofo. Fa na aiza misy fahasarotam-piaro sy fifandirana eo aminareo, dia tsy miaina araky ny nofo ve ianareo, ary tsy mandeha amin'ny fenitry ny olombelona?
\v 4 Fa rehefa misy iray miteny hoe: "Izaho manaraka an'i Paoly," ary ny anankiray miteny hoe: "Izaho manaraka an'i Apolosy," dia tsy miaina tahaka ny olombelona ihany ve ianareo?
\v 5 Iza ary Apolosy? Iza Paoly? Mpanompo izay tamin'ny alalany no ninoanareo, izay nomen'ny Tompo asa avy.
\s5
\v 6 Izaho no namboly, Apolosy no nanondraka, fa Andriamanitra no nampitombo.
\v 7 Ka noho izany, na izy izay mamboly na izy izay manondraka dia tsy misy dikany. Fa Andriamanitra no mampitombo.
\s5
\v 8 Ary izy izay mamboly sy izy izay manondraka dia iray, ary ny tsirairay dia samy hahazo ny karamany avy araka ny asany.
\v 9 Fa izahay dia mpiara-miasa amin' Andriamanitra. Ianareo dia sahan'Andriamanitra, sy tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 10 Araka ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy tahaka ny mpanao trano mahay, dia nametraka ny fototra aho ary hafa no manorina eo amboniny. Fa aoka ny lehilahy tsirairay hitandrina ny amin'ny fomba hanorenany eo amin'izany.
\v 11 Fa tsy misy olona mametraka fototra afa-tsy ilay iray izay napetraka, izany hoe, Jesosy kristy.
\s5
\v 12 Ankehitriny raha misy olona manorina eo ambonin'ny fototra amin'ny volamena, volafotsy, vato sarobidy, hazo, bozaka, na mololo,
\v 13 dia haseho ny asany, fa ny andro mazava no haneho izany. Satria haseho amin'ny afo izany. Ny afo no hitsapana ny hatsaran'ny nataon'ny tsirairay.
\s5
\v 14 Raha mitoetra ny asan'ilay olona, dia hahazo valisoa izy;
\v 15 fa raha may ny asan'ilay olona, dia ho fatiantoka izy, fa izy tenany dia ho vonjena, toy ny nitsoaka tamin'ny afo ihany.
\s5
\v 16 Tsy fantatrareo ve fa ianareo dia tempolin' Andriamanitra ary ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao aminareo?
\v 17 Raha misy olona manimba ny tempolin'Andriamanitra, dia hanimba izany olona izany Andriamanitra. Fa masina ny tempolin'Andriamanitra, ary toy izany koa ianareo.
\s5
\v 18 Aza avela hisy olona hamita-tena. Raha misy olona eo aminareo mihevitra fa hendry izy amin'izao vanim-potoana izao, avelao izy ho lasa "adala" amin'izay mba mety ho lasa hendry izy.
\v 19 Fa ny fahendren'izao tontolo izao dia fahadalana eo amin'Andriamanitra. Satria voasoratra hoe: "Nahatratra ny hendry tao amin'ny hafetsen'izy ireo Izy."
\v 20 Ary koa hoe: "Ny Tompo dia mahalala fa ny fihevitry ny hendry dia zava-poana."
\s5
\v 21 Noho izany tsy misy fireharehana momban'ny olona intsony! Fa ny zava-drehetra dia anareo,
\v 22 na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiainana, na fahafatesana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy. Ny zava-drehetra dia anareo,
\v 23 ary ianareo dia an'i Kristy, ary Kristy dia an'Andriamanitra.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Toy izao no tokony handraisan'ny olona antsika, tahaka ny mpanompon'i Kristy ary mpitandrina ireo misterin'Andriamanitra.
\v 2 Amin'izany fifandraisana izany, dia fepetra takiana amin'ireo mpitandrina ny maha-mendri-pitokiana azy ireo.
\s5
\v 3 Fa amiko dia zavatra kely dia kely ny tokony hitsaranareo na hitsaran'olombelona rehetra ahy. Fa na izaho aza tsy mitsara ny tenako.
\v 4 Izaho dia tsy mahafantatra izay fiampangana natao tamiko, fa izany dia tsy midika fa tsy manan-tsiny aho. Ny Tompo no mitsara ahy.
\s5
\v 5 Noho izany, aza manonona fitsarana momban'ny zavatra rehetra mialohan'ny fotoana, mialohan'ny hiavian'ny Tompo. Izy dia hitondra ireo zava-miafin'ny haizina ho amin'ny fahazavana ary hampiseho ny fikasan'ny fo. Avy eo ny tsirairay avy dia handray ny fiderany avy amin'Andriamanitra.
\s5
\v 6 Ankehitriny, ry rahalahy, nampihatra ireo fitsipika ireo tamiko sy tamin'i Apolosy aho nohon'ny aminareo, mba hafahanareo mianatra avy aminay ny dikan'ny fitenenana hoe: "Aza mandeha mihoatra izay voasoratra." Izany dia mba tsy hisy iray aminareo hirehareha ny amin'ny fankasitrahana ny anankiray noho ny hafa.
\v 7 Fa iza no mahita fahasamihafana eo aminareo sy ireo hafa? Inona no anananareo ka tsy noraisinareo maimaimpoana? Raha nandray izany maimaimpoana ianareo, nahoana ianareo no mirehareha toy ny tsy nanao toy izany?
\s5
\v 8 Efa anananareo daholo izay rehetra tadiavinareo! Efa lasa mpanankarena ianareo! Ary efa nanomboka nanjaka ianareo—ary izany dia tsy avy taminay! Izaho dia maniry tokoa ny nanjakanareo, mba hafahanay manjaka miaraka aminareo.
\v 9 Fa izaho dia mieritreritra fa Andriamanitra dia nametraka antsika ho apostoly miharihary tahaka ny farany amin'ny laharana sy tahaka ny olona voaheloka ho faty. Izahay dia lasa fampisehoana ho an'izao tontolo izao—ho an'ireo anjely, ary ny ho an'ny olombelona.
\s5
\v 10 Izahay dia adala nohon'ny amin'i Kristy, fa ianareo dia hendry ao amin'i Kristy. Malemy izahay, fa ianareo mahery. Ianareo dia nomem-boninahitra, fa izahay kosa tsy nalaim-baraka.
\v 11 Mandrak'ankehitriny izahay dia noana sy mangetaheta, mahantra fitafy, voakapoka mafy, ary tsy manan-kialofana.
\s5
\v 12 Miasa mafy izahay, miasa amin'ny alalan'ny tananay ihany. Rehefa latsaina izahay, dia miaritra.
\v 13 Rehefa henjehina izahay, dia mitso-drano. Rehefa voaendrikendrika izahay, dia miteny amin-katsaram-panahy. Izahay dia niova, ary mbola raisina ho, fakon'izao tontolo izao sy faikan'ny zavatra rehetra.
\s5
\v 14 Izaho dia tsy nanoratra ireo zavatra ireo mba hahamenatra anareo, fa manitsy anareo toy ny zanaka malalako.
\v 15 Fa na dia manana mpiambina iray alina ao amin'i Kristy aza ianareo, dia tsy manana ray maro be. Fa izaho dia lasa rainareo ao amin'i Kristy Jesosy tamin'ny alalan'ny filazantsara.
\v 16 Noho izany dia mamporisika anareo aho mba ho mpaka-tahaka ahy.
\s5
\v 17 Izany no nandefasako anareo an'i Timoty, zanaka malalako sady mahatoky ao amin'ny Tompo. Izy dia hampatsiahy anareo ireo lalako ao amin'i Kristy, tahaka ny ampianarako azy ireo na aiza na aiza sy ao amin'ny fiangonana rehetra.
\v 18 Ankehitriny dia lasa miavona ny sasany aminareo, manao toy ny hoe tsy ho avy any aminareo aho.
\s5
\v 19 Fa ho avy tsy ho ela any aminareo aho, raha sitraky ny Tompo. Ary tsy hahafantatra ny resak'ireo izay tena miavona fotsiny aho, fa hahita ny herin'izy ireo.
\v 20 Satria ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy mifototra amin'ny resaka fa amin'ny hery.
\v 21 Inona no tadiavinareo? Tokony ho avy any aminareo miaraka amin'ny tsorakazo ve aho sa miaraka amin'ny fitiavana feno halemem-panahy?
\s5
\c 5
\p
\v 1 Izahay dia nahare tatitra fa misy fijangajangana eo aminareo, karazana fitondran-tena tsy mendrika izay tsy azo atao akory eo amin'ireo Jentilisa. Ny tatitra dia hoe misy iray aminareo miara-matory amin'ny vadin-drainy.
\v 2 Ianareo dia tena miavonavona! Fa tsy tokony alahelo ve ianareo? Ny iray izay nanao izany dia tsy maintsy alàna eto aminareo.
\s5
\v 3 Fa na dia tsy eo ara-batana aza aho fa mbola eo ara-panahy, dia efa nitsara ilay iray izay nanao izany sahady, toy ny hoe teo aho.
\v 4 Rehefa miara-mivory amin'ny anaran'i Jesosy Tompontsika ianareo, ary ny fanahiko dia eo koa amin'ny herin'i Jesosy Tompontsika, dia efa nitsara io olona io sahady aho.
\v 5 Nataoko izany mba hanolorana izany lehilahy izany ho an'ny Satana ho famotehana ny nofo, mba ho voavonjy ny fanahiny amin'ny andron'ny Tompo.
\s5
\v 6 Tsy tsara ny fireharehanareo! Tsy fantatrareo ve fa ny lalivay kely dia manova ny mofo manontolo?
\v 7 Diovy ny tenanareo amin'ny lalivay taloha mba ho tonga mofo vaovao ianareo, ka mba ho tonga mofo tsy misy lalivay. Fa Kristy, ilay Zanak'ondrintsika tamin'ny Paska, dia natao sorona.
\v 8 Noho izany dia aoka isika hankalaza ny firavoravoana, tsy amin'ny lalivay taloha, ilay lalivain'ny fitondran-tena ratsy sy faharatsiana. Fa kosa, aoka isika hankalaza amin'ny mofo tsy misy lalivain'ny fahadiovam-po sy fahamarinana.
\s5
\v 9 Izaho dia nanoratra ho anareo tao amin'ny taratasiko mba tsy hiarahanareo miasa amin'ireo olona mpijangajanga.
\v 10 Kanefa ny tiako ambara dia tsy ny olona mpijanganjaga rehetra eto amin'izao tontolo izao, na ireo tsy mahonon-tena, na ireo mpisoloky, na ireo mpanompo sampy, satria mba hialana amin'izy ireo dia mila miala amin'izao tontolo izao ianareo.
\s5
\v 11 Nefa ankehitriny aho manoratra ho anareo mba tsy hiara-hiasa miaraka amin'iza na iza izay antsoina hoe rahalahy nefa miaina ao anatin'ny fijangajangana, na izay tsy mahonon-tena, na mpanompo sampy, na mpiteny ratsy, na mpimamo, na mpisoloky. Aza mihinana sakafo miaraka amin'ny olona toy izany akory.
\v 12 Fa ahoana no idirako amin'ny fitsarana ireo izay any ivelan'ny fiangonana? Mifanohitra amin'izany, ianareo ve tsy tokony hitsara ireo izay ao anatin'ny fiangonana?
\v 13 Fa Andriamanitra dia mitsara ireo izay any ivelany. "Esory eo aminareo ny olon-dratsy."
\s5
\c 6
\p
\v 1 Rehefa misy iray aminareo manana ady amin'iray hafa, sahy handeha any amin'ny fitsarana eo anatrehan'ny mpitsara tsy mpino ve izy, fa tsy eo anatrehan'ireo mpino?
\v 2 Moa tsy fantatrareo ve fa ireo mpino no hitsara an'izao tontolo izao? Raha izany, ianareo no hitsara an'izao tontolo izao, moa tsy mahavita mandamina raharaha madinika ve ianareo?
\v 3 Moa tsy fantatrareo ve fa hitsara ireo anjely isika? Toy ny ahoana, noho izany, ny fihoaran'ny fahafahantsika mitsara ireo raharaha amin'ity fiainana ity?
\s5
\v 4 Raha toa ary ka afaka mitsara ny zavatra izay miseho amin'ny andavanandrom-piainana ianao, nahoana ianao no mametraka karazana tranga tahaka izany eo anatrehan'ireo izay tsinontsinona ao amin'ny fiangonana?
\v 5 Hahamenatra anareo no hilazako izany. Moa ve tsy mba misy ampy fahendrena na dia iray akory aza eo aminareo handamina ny disadisa eo amin'ny mpirahalahy?
\v 6 Fa kosa, misy mpino iray mandeha mifanatrika amin'ny mpino hafa eo amin'ny fitsarana, ary izany raharaha izany dia hapetraka eo anatrehan'ny mpitsara izay tsy mpino!
\s5
\v 7 Ny fisian'ny ady eo aminareo Kristiana rehetra dia efa faharesena ho anareo sahady. Fa tsy aleo ve mijaly amin'ny fahadisoana? Fa tsy aleo ve avela ho voafitaka ny tenanareo?
\v 8 Fa ianareo dia nandiso sy namitaka ireo hafa, ary dia rahalahinareo ihany izy ireo!
\s5
\v 9 Moa ve tsy fantatrareo fa ny tsy marina dia tsy handova ny Fanjakan'Andriamanitra? Aza mino lainga. Ireo vetaveta, ireo mpanompo sampy, ireo mpijangajanga, ireo lehilahy mpivaro-tena, ireo izay miara-mandry amin'ny samy lehilahy,
\v 10 ireo mpangalatra, ireo tsy mahalala onona, ireo mpimamo, ireo mpanaratsy, ireo mpanao an-keriny—tsy misy iray amin'izy ireo handova ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 11 Toy izany ny sasany aminareo. Fa efa voadio ianareo, nohamasinina ianareo, ary voamarina teo amin'Andriamanitra ianareo tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy Kristy sy tamin'ny Fanahin'Andriamanitsika.
\s5
\v 12 "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko," fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa. "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna amiko," fa tsy ho andevozin'ny iray amin'ireo aho.
\v 13 "Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo natao ho an'ny hanina," fa Andriamanitra dia hanafoana azy roa ireo. Ny vatana dia tsy natao ho an'ny fijangajangana. Fa kosa, ny vatana dia natao ho an'ny Tompo, ary ny Tompo dia hanome ho an'ny vatana.
\s5
\v 14 Andriamanitra dia efa nanangana ny Tompo sady hanangana antsika amin'ny heriny koa.
\v 15 Moa tsy fantatrareo ve fa ny tenanareo dia rantsam-batan'i Kristy? Ka ho entiko ve izany ireo rantsam-batan'i Kristy ary hampiray azy ireo amin'ny mpivaro-tena? Tsy hisy anie izany!
\s5
\v 16 Moa tsy fantatrareo ve fa izay miray amin'ny mpivaro-tena dia lasa nofo iray aminy? Tahaka ny voalazan'ny Soratra Masina hoe: "Ho nofo iray ihany izy roa."
\v 17 Fa izy izay miray amin'ny Tompo dia lasa fanahy iray Aminy.
\s5
\v 18 Hialao ny fijangajangana! Ny fahotana rehetra hafa izay ataon'ny olona dia ivelan'ny tena, fa ny olona mpijangajanga dia manota ho amin'ny tenany ihany.
\s5
\v 19 Moa ve tsy fantatrareo fa ny vatanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, izay monina ao anatinareo, izay azonareo avy amin'Andriamanitra? Moa tsy fantatrareo ve fa tsy anareo ny tenanareo?
\v 20 Fa olom-boavidy ianareo. Noho izany dia mankalazà an' Andriamanitra amin'ny tenanareo.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dika-teny taloha sasany dia mivaky toy izao hoe: "Noho izany mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo sy amin'ny fanahinareo, izay an' Andriamanitra." Fa ny dika-teny tsara indrindra dia tsy mivaky toa an'io. \f*
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ary mahakasika ireo olana izay nosoratanareo momban'ny hoe: "Tsara ho an'ny lehilahy ny tsy mikasika vehivavy."
\v 2 Nefa noho ireo fakam-panahy amin'ny fahavetavetana maro isan-karazany, dia tokony hanana ny vadiny manokana avy ny lehilahy tsirairay, ary ny vehivavy tsirairay dia tokony hanana ny vadiny manokana avy.
\s5
\v 3 Ny lehilahy dia tokony hanome ireo zo ara-panambadiana ho an'ny vadiny, ary toy izany koa ny vehivavy ho an'ny vadiny.
\v 4 Tsy ny vehivavy no manana fahefana amin'ny vatany manokana, fa ny vadiny. Toy izany koa, tsy ny lehilahy no manana fahefana amin'ny vatany manokana, fa ny vadiny no manana.
\s5
\v 5 Aza mifanakatsakana ianareo tsirairay, afa-tsy amin'ny fifanarahana nifanaovana ary amin'ny fotoana voatokana. Ataovy izany mba hafahanareo manokan-tena amin'ny vavaka. Avy eo dia tokony hiara-hatory indray ianareo, mba tsy hafahan'ny Satana maka fanahy anareo nohon'ny tsy fanananareo fifehezan-tena.
\v 6 Kanefa izaho dia milaza ireo zavatra ireo aminareo am-pahalalahana fa tsy didy akory.
\v 7 Iriko ny olona rehetra ho toa ahy. Fa ny tsirairay dia samy manana ny fanomezam-pahasoavany manokana avy amin'Andriamanitra. Ny iray manana ity karazam-panomezam-pahasoavana ity, ary ny iray hafa manana karazany hafa koa.
\s5
\v 8 Ho an'ireo izay tsy manambady sy ireo mpitondratena dia miteny aho fa tsara ho azy ireo raha mijanona tsy manambady izy ireo, tahaka ahy.
\v 9 Kanefa izy ireo raha tsy afaka mamehy tena, dia tokony hanambady. Satria tsara kokoa ho azy ireo ny manambady toy izay ampirehetin'ny filàna ara-nofo.
\s5
\v 10 Ary ho an'ireo izay manambady dia manome izao didy izao aho—tsy izaho, fa ny Tompo—ny vehivavy dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny,
\v 11 (fa raha toa izy ka misaraka amin'ny vadiny, dia tokony hijanona tsy hanambady na koa miverina mihavana amin'ny vadiny) —ary ny lehilahy dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny.
\s5
\v 12 Fa ho an'ny sisa dia milaza aho—izaho, fa tsy ny Tompo—hoe raha misy rahalahy iray manana vady tsy mpino, ary raha mahafaly azy ny miara-miaina aminy, dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy.
\v 13 Raha ny vehivavy iray no manana vady tsy mpino, ary raha mahafaly azy ny miara-miaina aminy, dia tsy tokony hisaraka amin'ny vadiny izy.
\v 14 Satria ny lehilahy tsy mpino dia natokana noho ny amin'ny vadiny, ary ny vehivahy tsy mpino dia natokana nohon'ny amin'ny rahalahy. Fa raha tsy izany dia ho maloto ny zanakareo, nefa raha ny marina dia efa voatokana izy ireo.
\s5
\v 15 Fa raha ny vady tsy kristianina no mandao, avelao izy andeha. Amin'ny toe-javatra toy izany, ny rahalahy na ny rahavavy dia tsy voafatotr'ireo voadin'izy ireo. Andriamanitra dia niantso antsika mba hiaina am-piadanana.
\v 16 Fa amin'ny fomba ahoana no ahalalanao, ry vehivavy, raha ho voavonjinao ny vadinao? Na amin'ny fomba ahoana no ahalalanao, ry lehilahy, raha ho voavonjinao ny vadinao?
\s5
\v 17 Fa avelao fotsiny ny tsirairay avy hiaina ny fiainana izay efa nanendren'ny Tompo azy, ary araka ny efa niantsoan'Andriamanitra azy. Io no fitsipiko ao amin'ny fiangonana rehetra.
\v 18 Efa voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina mba hino? Izy dia tsy tokony hiezaka ny hisehoseho tahaka ny tsy voafora. Tsy voafora ve ny olona iray rehefa nantsoina ho amin'ny finoana? Tsy tokony ho foraina izy.
\v 19 Satria tsy ny famorana na ny tsy famorana no zava-dehibe. Ny zava-dehibe dia ny fankatoavana ireo didin'Andriamanitra.
\s5
\v 20 Ny tsirairay avy dia tokony hijanona amin'ny fiantsoana izay nisy azy rehefa nantsoin'Andriamanitra mba hino izy.
\v 21 Andevo ve ianao fony Andriamanitra niantso anao? Aza miahiahy ny amin'izany. Fa raha mety ho afaka ianao, dia araraoty izany.
\v 22 Satria ny olona iray izay nantsoin'ny Tompo ho andevo dia olona afaky ny Tompo. Toy izany koa ny olona izay afaka fony izy nantsoina mba hino dia andevon'i Kristy.
\v 23 Ianareo dia voavidy, noho izany dia aza tonga toy ireo andevon'ny olona.
\v 24 Ry rahalahy, na inona na inona fiainana nisy antsika tsirairay fony isika nantsoina mba hino, dia aoka isika hijanona ho toy izany.
\s5
\v 25 Ary mahakasika ireo izay tsy nanambady mihitsy, izaho dia tsy manana didy avy any amin'ny Tompo. Nefa izaho dia manome ny hevitro tahaka ny iray izay, amin'ny alalan'ny famindram-pon'ny Tompo, dia mendri-pitokisana.
\v 26 Noho izany, mieritreritra aho fa nohon' ny loza izay ho avy, dia tsara ho an'ny lehilahy ny mijanona amin'ny maha izy azy.
\s5
\v 27 Voafatotra amin'ny vehivavy ve ianareo? Aza mitady ny ho afaka aminy. Afaka amin'ny vadinao ve ianao? Aza mitady vady. Nefa raha manambady ianareo, dia tsy nanota.
\v 28 Raha ny vehivavy tsy manambady no manambady, dia tsy nanota izy. Nefa ireo izay manambady dia hanana karazan'olana maro raha mbola velona, ary izaho dia te hanala anareo amin'izany.
\s5
\v 29 Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Fohy ny fotoana. Manomboka izao, aleo ireo izay efa manam-bady hiaina ho tahaka ny tsy manana.
\v 30 Ireo izay mitomany dia tokony hanao ho tahaka ny tsy mitomany, ireo izay mifaly ho tahaka ny tsy mifaly, ary ireo izay mividy ho tahaka ny tsy manana na inona na inona;
\v 31 ary ireo izay mampiasa izao tontolo izao dia tsy tokony hanao tahaka ny mampiasa izany tanteraka. Satria izao tontolo izao amin'ny endriny ankehitriny dia ho tonga amin'ny fiafarana.
\s5
\v 32 Tiako ianareo ho afaka amin'ireo ahiahy. Ny lehilahy tsy manambady dia miahiahy ny amin'ny ireo zavatry ny Tompo, ny amin'ny fomba hampifaliana Azy.
\v 33 Fa ny lehilahy manambady dia miahiahy ny amin'ny zavatr'izao tontolo izao, ny amin'ny fomba hampifaliana ny vadiny—
\v 34 mizarazara izy. Ny vehivavy tsy manambady na virijiny dia miahiahy ny amin'ny zavatry ny Tompo, ny amin'ny fomba hanokanana amin'ny tena sy ny fanahy. Fa ny vehivavy manambady dia miahiahy ny amin'ny zavatr'izao tontolo izao, ny amin'ny fomba hampifaliana ny vadiny.
\s5
\v 35 Lazaiko izany ho an'ny tombotsoanareo manokana, fa tsy hametraka izay rehetra sakantsakana eo aminareo. Milaza izany aho noho izay marina, amin'izay ianareo mba hanolo-tena ho an'ny Tompo tsy misy fanelingelenana.
\s5
\v 36 Nefa raha misy olona iray mihevitra fa tsy mitondra ny fofom-badiny am-panajana—raha mihoatra ny taonan'ny fanambadiana ilay vehivavy ary tsy maintsy toy izany—dia tokony hanao izay tiany izy. Tsy manota izy. Tokony hivady izy ireo.
\v 37 Nefa raha nikasa tsara tao am-pony izy, raha toa ka tsy ambany faneriterena fa afaka mifehy ny sitrapony manokana, ary raha nanapa-kevitra tao am-pony izy ny hanao izany, mba hitazomana ny fofombadiny ho virijiny, dia tsara ny ataony.
\v 38 Koa izay manambady ny fofombadiny dia manao ny tsara, ary izay misafidy ny tsy hanambady dia hanao ny tsaratsara kokoa aza.
\s5
\v 39 Ny vehivavy dia voafatotry ny vadiny raha mbola velona ralehilahy. Fa raha maty ny vadiny, dia malalaka tsara izy ny hanambady izay tiany ho vadiana, nefa ao amin'ny Tompo ihany.
\v 40 Nefa amin'ny fitsarako dia tokony ho faly kokoa izy raha miaina amin'izao ihany. Ary heveriko fa izaho ihany koa dia manana ny Fanahin' Andriamanitra.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Ary mahakasika ny hanina atao sorona ho an'ny sampy—fantantsika fa: "Isika rehetra dia manam-pahalalana." Ny fahalalana mampirehareha, fa ny fitiavana manangana.
\v 2 Raha misy olona iray mihevitra ny tenany fa mahafanta-javatra, dia mbola tsy mahafantatra araka izay tokony hahafantarany akory izany olona izany.
\v 3 Fa raha misy olona iray tia an'Andriamanitra, dia fantany izany olona izany.
\s5
\v 4 Koa raha ny mahakasika ny fihinanana sakafo natao sorona ho an'ny sampy—dia fantantsika fa "ny sampy eto amin'izao tontolo izao dia tsinontsinona" ary "fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy iray ihany."
\v 5 Fa mety misy ireo mody antsoina hoe andriamanitra, na any an-danitra na ety an-tany, toy ny hamaron'ireo "andriamanitra" sy ny hamaron'ireo "tompo."
\v 6 Fa ho antsika, "Iray ihany no Andriamanitra dia ilay Ray, izay avy aminy ny zavatra rehetra, ary Izy no antony hivelomantsika, ary iray no Tompo Jesosy Kristy, izay tamin'ny alalany no nisian'ny zavatra rehetra, ary tamin'ny alalany no nisiantsika."
\s5
\v 7 Na izany aza, izany fahalalana izany dia mbola tsy ao amin'ny tsirairay. Fa kosa, ny sasany teo aloha dia nampihatra ny fanompoan-tsampy, dia nihinana izany sakafo izany toy ny hoe zavatra natao sorona ho an'ny sampy izany. Noho izany dia simba ny fieritreretan'izy ireo satria malemy izany.
\s5
\v 8 Fa tsy ny hanina no hanolotra antsika eo amin'Andriamanitra. Fa tsy ratsy indrindra isika raha tsy mihinana, na koa hoe tsara kokoa raha mihinana izany.
\v 9 Tandremo mba tsy ny fahalalanareo no antony hahatonga ireo olona osa ara-pinoana ho tafintohina.
\v 10 Fa ataovy toy ny hoe misy mahita ianao, izay manam-pahalalana, mihinana ny sakafo ao amin'ny tempolin'ny sampy. Tsy ny fahalemen'ny fieritreretany ve no nasahiany hihinana izay natolotra ho an'ny sampy?
\s5
\v 11 Koa nohon'ny fahalalanao ny toetra marina momba ny sampy, dia very ilay rahalahy malemy finoana iray, izay nahafatesan'i Kristy.
\v 12 Noho izany, rehefa manota amin'ny rahalahinareo ianareo ka mandratra ny saina malemin'izy ireo, dia manota manohitra an'i Kristy ianareo.
\v 13 Noho izany, raha ny sakafo no mahatonga ny rahalahiko ho tafintohina, dia tsy hihinan-kena intsony aho, mba tsy avy amiko no hahalavo ny rahalahiko.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Tsy olona afaka ve aho? Tsy apostoly ve aho? Tsy nahita an'i Jesosy Tompontsika ve aho? Tsy asako ao amin'ny Tompo ve ianareo?
\v 2 Raha tsy apostoly ho an'ny hafa aho, dia farafaharatsiny Apostoly ho anareo. Fa ianareo no porofo amin'ny maha-apostoly ahy ao amin'ny Tompo.
\s5
\v 3 Izao no fiarovako amin'ireo izay manadihady ahy:
\v 4 Moa ve izahay tsy mahazo alalana ny hihinana sy hisotro?
\v 5 Moa ve izahay tsy mahazo mitondra vady izay mpino, tahaka ny ataon'ireo apostoly sasany, sy ireo rahalahin'ny Tompo, ary Kefasy?
\v 6 Sa Barnabasy sy izaho irery no tsy maintsy miasa?
\s5
\v 7 Iza no manao fanompoana miaramila amin'ny fandaniany manokana? Iza no mamboly voaloboka ary tsy mihinana ny voany? Na iza no miandry ondry ka tsy misotro ny ronono avy amin'izany?
\v 8 Moa ve izaho milaza ireo zavatra ireo mifototra amin'ny fahefan'ny olombelona? Tsy milaza izany koa ve ny lalàna?
\s5
\v 9 Fa izany dia efa voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: "Aza asiana fehi-vava ny omby rehefa miely voa izy." Tena ilay omby tokoa ve no hiahian'Andriamanitra?
\v 10 Tsy miresaka momba anay ve izy? Efa nosoratana ho antsika, fa izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana, ary izay mively dia tokony hively amin'ny fanantenana ny hahazo anjara amin'ny vokatra.
\v 11 Raha namafy zavatra ara-panahy teo aminareo izahay, moa be loatra aminay ve ny mijinja zavatra ara-materialy avy aminareo?
\s5
\v 12 Raha mampihatra izany zo izany avy aminareo ireo hafa, moa ve izahay tsy manana mihoatra? Na dia izany aza, tsy nitaky izany zo izany izahay. Fa kosa, naleonay niaritra ny zavatra rehetra toy izay ho sakana ho an'ny filazantsaran'i Kristy.
\v 13 Moa ve tsy fantatrareo fa ireo izay manompo ao amin'ny tempoly dia mahazo ny sakafon'izy ireo avy ao amin'ny tempoly? Ary moa ve tsy fantatrareo fa ireo izay manompo eny amin'ny alitara dia mahazo anjara amin'izay natao fanatitra teo amin'ny Alitra?
\v 14 Toy izany koa, ny Tompo dia nandidy fa ireo izay mitory ny filazantsara dia tokony hahazo ny fiveloman'izy ireo avy amin'ny filazantsara.
\s5
\v 15 Nefa tsy nitaky ny iray tamin'ireo zo ireo aho. Ary tsy manoratra an'izao aho mba mba mety hisy zavatra hatao ho ahy. Aleoko maty toy izay hisy olona hanaisotra amiko izany rehareha izany.
\v 16 Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy antony tokony ireharehako, satria tsy maintsy manao izany aho. Ary loza ho ahy raha tsy mitory ny filazantsara aho!
\s5
\v 17 Fa raha manao izany an-tsitrapo aho, dia manana valisoa. Fa raha tsy an-tsitrapo kosa, dia mbola manana ny andraikitra izay nankinina tamiko aho.
\v 18 Inona ary izany no valisoako? Izany dia rehefa mitory aho, dia afaka manolotra ny filazantsara tsy misy fandoavam-bola ka mba tsy hampiasa tanteraka ny zoko amin'ny filazantsara.
\s5
\v 19 Fa na dia afaka amin'ny rehetra aza aho, dia tonga ho mpanompo ho an'ny rehetra, mba hahazoako bebe kokoa.
\v 20 Teo amin'ny Jiosy dia lasa toy ny Jiosy aho, mba hahazoako ny Jiosy. Teo amin'ireo izay ambanin'ny lalàna, dia lasa toy ny olona izay ambanin'ny lalàna aho mba hahazoako ireo izay ambanin'ny lalàna. Nanao izany aho na dia tsy teo ambanin'ny lalàna aza ny tenako.
\f + \ft Fanamarihana: Ny baiboly ULB sy ny UDB dia mivaky hoe: "Nanao izany aho na dia tsy teo ambanin'ny lalàna aza ny tenako." Ny dikan-teny taloha sasany dia tsy manisy izany. \f*
\s5
\v 21 Tamin'ireo izay ivelan'ny lalàna, dia lasa toy ny olona ivelan'ny lalàna aho, na dia tsy ivelan'ny lalàn'Andriamanitra aza ny tenako, fa ambanin'ny lalàn'i Kristy. Nanao izany aho mba hahazoako ireo izay ambanin'ny lalàna.
\v 22 Teo amin'ireo malemy dia lasa malemy aho, mba hahazoako ireo malemy. Tonga zavatra rehetra ho an'ny olona rehetra aho, mba hamonjeko ny sasany amin'ny fomba rehetra.
\v 23 Manao ny zavatra rehetra aho ho an'ny filazantsara, mba hafahako mandray anjara amin'ireo fitahian'izany.
\s5
\v 24 Moa ve tsy fantatrareo fa amin'ny fihazakazahana iray ny mpihazakazaka rehetra dia manao ny fihazakazahana, nefa iray ihany no mahazo ny loka? Koa mihazakazaha mba hahazo ny loka.
\v 25 Ny atileta iray dia mampihatra ny fifehezan-tena amin'ny fanazaran-tenany rehetra. Manao izany izy ireo mba handray satro-boninahita izay mety simba, kanefa kosa isika mihazakazaka mba hahazoantsika satro-boninahitra tsy mety simba.
\v 26 Ka noho izany dia tsy mihazakazaka amin'ny tsy misy antony aho na mamely totohondry amin'ny rivotra.
\v 27 Fa feheziko ny tenako ary ataoko andevo, mba tsy ho lavina ny tenako, rehefa avy nitory tamin'ny hafa aho.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa ireo raintsika dia tao ambanin'ny rahona avokoa ary namakivaky ny ranomasina.
\v 2 Ny rehetra dia natao batisa ho amin'i Mosesy tao amin'ny rahona sy tao amin'ny ranomasina,
\v 3 ary ny rehetra dia samy nihinana sakafom-panahy mitovy.
\v 4 Ny rehetra dia nisotro ranom-panahy mitovy. Fa izy ireo dia nisotro tamin'ny vatolampim-panahy izay nanaraka azy ireo, dia Kristy izany vatolampy izany.
\s5
\v 5 Fa Andriamanitra dia tsy nankasitraka tsara ny ankamaroan'izy ireo, ary ny fatin'izy ireo dia naparitaka tany an'efitra.
\v 6 Ankehitriny ireny zavatra ireny dia ohatra ho antsika, mba tsy haniriantsika zava-dratsy toy ny nilan'izy ireo.
\s5
\v 7 Aza manompo sampy, toy ny sasany tamin'izy ireo. Izany dia araka izay voasoratra hoe: "Ireo olona nipetraka mba hihinana sy hisotro, ary nitsangana mba hilalao."
\v 8 Aoka isika tsy hijangajanga, toy ny nataon'ny maro tamin'izy ireo. Tao anatin'ny iray andro, dia olona telo arivo sy roa alina no maty nohon'ny amin'izany.
\s5
\v 9 Aoka ihany koa isika tsy hitsapa an'i Kristy, toy ny nataon'ny maro tamin'izy ireo ka naringan'ireo menarana.
\v 10 Aza mimonomonona ihany koa, toy ny nataon'ny maro tamin'izy ireo ka naringan'ny anjelin'ny fahafatesana.
\s5
\v 11 Ary ireny zavatra ireny no nitranga tamin'izy ireo mba ho ohatra ho antsika. Nosoratana mba ho fampianarana antsika izy ireny—ho amintsika izay niavian'ny fara-andro.
\v 12 Noho izany aoka izay mieritreritra ny tenany ho efa mijoro mitandrina tsara mba tsy hianjera.
\v 13 Tsy nisy fakam-panahy nahatratra anareo izay tsy iraisan'ny olombelona rehetra. Fa kosa, Andriamanitra dia mahatoky. Tsy hamela anareo ho alaim-panahy mihoatra izay zakanareo Izy. Miaraka amin'ny fakam-panahy dia hanome anareo ny lalana hitsoahana ihany koa Izy, mba hafahanareo miaritra izany.
\s5
\v 14 Noho izany, ry malalako, mandosira lavitry ny fanompoan-tsampy.
\v 15 Miteny aminareo toy ny olona manan-tsaina aho, mba hafahanareo mitsara izay lazaiko.
\v 16 Ny kapoakan'ny fisaorana izay isaorantsika, moa ve izany tsy fiombonana amin'ny ràn'i Kristy? Ny mofo izay vakiantsika, moa ve izany tsy fiombonana amin'ny vatan'i Kristy?
\v 17 Satria iray ihany ny mofo, isika izay maro dia vatana iray. Isika rehetra dia mandray amin'ny mofo iray ihany.
\s5
\v 18 Jereo ireo vahoakan'Israely: moa ve ireo izay mihinana ireo fanatitra tsy mpandray anjara eo amin'ny alitara?
\v 19 Inona ary no ho lazaiko? Hoe tsy misy dikany ve izany ny sampy? Sa ny sakafo izay natao fanatitra tamin'ny sampy no tsy misy dikany?
\s5
\v 20 Fa miresaka momban'ny zavatra izay ataon'ireo Jentilisa mpanompo sampy fanatitra aho, fa omen'izy ireo an'ireo demonia ireny zavatra ireny fa tsy an' Andriamanitra. Tsy tiako ianareo ho mpiombona amin'ny demonia!
\v 21 Tsy afaka misotro ny kapoakan' ny Tompo sy ny kapoakan'ny demonia ianareo. Tsy afaka miray eo amin'ny latabatry ny Tompo sy ny latabatr'ireo demonia ianareo.
\v 22 Sa manao izay mahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mahery noho Izy ve isika?
\s5
\v 23 "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna," fa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa. "Ny zavatra rehetra dia ara-dalàna," fa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso ny olona.
\v 24 Tsy misy tokony hitady ny tombontosoany manokana. Fa kosa, ny tsirairay dia tokony hitady ny tombotsoan'ny namany.
\s5
\v 25 Afaka mihinana izay rehetra amidy eny an-tsena ianareo, fa aza manontany ny fieritreretana.
\v 26 Fa "An'ny Tompo ny tany, sy izay rehetra misy eo aminy."
\v 27 Raha misy tsy mpino manasa anareo hisakafo, ka maniry ny handeha ianareo, dia hano izay rehetra mipetraka eo anoloanareo ka aza mametra-panontaniana ny amin'ny fieritreretana.
\s5
\v 28 Fa raha misy miteny aminao hoe: "Ity sakafo ity dia avy amin'ny fanatitry ny mpanompo sampy," dia aza mihinana izany. Izany dia ho an'ilay nampahafantatra anareo, sy ho an'ny fieritreretana.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dika-teny taloha sasany dia manampy hoe: "Fa ny tany sy ny zavatra rehetra ao aminy dia an'ny Tompo." Fa ny dikan-teny tsara indrindra dia tsy misy izany. \f*
\v 29 Tsy miteny aho hoe ny fieritreretanao manokana, fa ny fieritreretan'ny olon-kafa. Nahoana ny fahafahako no tokony ho tsarain'ny fieritreretan'ny hafa?
\v 30 Raha mandray anjara amin'ny sakafo am-pankasitrahana aho, nahoana no tevatevaina amin'izay nanomezako fisaorana?
\s5
\v 31 Noho izany, na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr' Andriamanitra avokoa.
\v 32 Aza manome fanafintohinana ny Jiosy na ny Grika, na ny fiangonan'Andriamanitra.
\v 33 Miezaka ny hahafaly ny olon-drehetra amin'ny zavatra rehetra aho. Tsy mitady ny tombontsoako aho, fa ny an'ny maro. Ataoko izany mba ho voavonjy izy ireo.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Alao tahaka aho, toa ahy mpaka tahaka an'i Kristy.
\v 2 Ary midera anareo aho satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo. Midera anareo aho satria mitazona mafy ny fombafomba araka izay nanolorako azy ireo teo aminareo ianareo.
\v 3 Ary tiako ho azonareo fa Kristy no lohan'ny lehilahy rehetra, fa ny lahy no lohan'ny vavy, ary Andriamanitra no lohan'i Kristy.
\v 4 Ary manala voninahitra ny lohany ireo lehilahy izay mivavaka na maminany ka misaron-doha.
\s5
\v 5 Fa manala voninahitra ny lohany ireo vehivavy izay mivavaka na maminany tsy misaron-doha. Fa tsy hafa ary mitovy amin'ny hoe vehivavy manaratra ny lohany izany.
\v 6 Fa raha tsy misaron-doha ny vehivavy, dia tokony tapahina ho fohy ny volony. Raha mahamenatra ny vehivavy ny manapaka ny volony na ny manaratra ny lohany, dia aoka izy hanarona ny lohany.
\s5
\v 7 Fa tsy tokony hanarona ny lohany ny lehilahy, satria izy no sary sy voninahitr'Andriamanitra. Fa ny vehivavy dia voninahitry ny lehilahy.
\v 8 Fa ny lehilahy dia tsy natao avy tamin'ny vehivavy. Fa kosa, ny vehivavy no natao avy tamin'ny lehilahy.
\s5
\v 9 Fa tsy misy lehilahy noforonina ho an'ny vehivavy. Fa kosa, ny vehivavy no noforonina ho an'ny lehilahy.
\v 10 Izany no tokony hananan'ny vehivavy ny mariky ny fahefana eo amin'ny lohany, noho ireo anjely.
\s5
\v 11 Na izany aza, ao amin'ny Tompo, tsy mahaleo-tena amin'ny lehilahy ny vehivavy, na ny lehilahy mahaleo-tena amin'ny vehivavy.
\v 12 Fa raha avy amin'ny lehilahy ny vehivavy, dia ny lehilahy koa dia avy amin'ny vehivavy. Ary avy amin'Andriamanitra ny zava-drehetra.
\s5
\v 13 Tsarao ny tenanareo: Mety amin'ny vehivavy ve ny mivavaka amin'Andriamanitra tsy misaron-doha?
\v 14 Tsy ny natiora mihitsy aza ve no mampianatra anareo fa raha ny lehilahy no lava volo, dia fahafaham-baraka ho azy izany?
\v 15 Tsy mampianatra anareo ve ny natiora fa raha ny vehivavy no lava volo, dia voninahitra ho azy izany? Fa nomena azy ny volony mba hanaronana azy.
\v 16 Fa raha misy te-hiady hevitra amin'izany, dia tsy manana fampiharana hafa izahay, na ireo fiangonan'Andriamanitra.
\s5
\v 17 Fa anatinireo torolalana manaraka, dia tsy midera anareo aho. Fa rehefa miara-tonga ianareo, dia tsy ho amin'ny tsara izany fa ho amin'ny ratsy indrindra.
\v 18 Fa tamin'ny voalohany indrindra, dia reko fa rehefa miaraka miangona ao amin'ny fiangonana ianareo, dia misy fizarazarana eo aminareo, ary mino izany amin'ny ampahany aho.
\v 19 Fa tsy maintsy misy fitsitokotokoana eo aminareo, mba hankasitrahana eo aminareo ireo izay nekena.
\s5
\v 20 Fa rehefa miangona ianareo, dia tsy ny Fanasan'ny Tompo no hoaninareo.
\v 21 Rehefa mihinana ianareo, dia samy mihinana ny sakafony manokana ny tsirairay alohan'ny hisakafoan'ireo hafa. Noana ny iray, ary ny hafa lasa mamo.
\v 22 Tsy manana trano isakafoana sy isotroana ve ianareo? Ho tsinontsiniavinareo ve ny fiangonan'Andriamanitra ka hahetrinareo izay tsy manana na inona na inona? Inona no tokony ho teneniko aminareo? Tokony hidera anareo ve aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho!
\s5
\v 23 Fa noraisiko avy amin'ny Tompo ihany koa izay ampitaiko anareo, fa Jesosy Tompo, tamin'ny alina izay namadihana Azy, dia naka mofo.
\v 24 Rehefa avy nisaotra Izy, dia nanapaka izany ary niteny hoe: "Ity ny vatako, izay ho anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy."
\s5
\v 25 Mitovy amin'izay koa dia noraisiny ny kapoaka rehefa avy nisakafo hariva, ary niteny Izy hoe: "Ity kapoaka ity no fanekena vaovao ao amin'ny ràko. Ataovy izao na oviana na oviana ianareo no misotro, ho fahatsiarovana Ahy."
\v 26 Amin'ny fotoana rehetra izay hinananareo ity mofo ity sy hisotronareo amin'ity kapoaka ity, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-piaviny ianareo.
\s5
\v 27 Na iza na iza, noho izany, mihinana ny mofo na misotro amin'ny kapoakan'ny Tompo amin'ny fomba tsy mendrika, dia ho meloka ny amin'ny vatana sy ny ràn'ny Tompo.
\v 28 Aoka handinika ny tenany aloha ny olona, ary amin'izany dia aoka hihinana ny mofo ary hisotro amin'ny kapoaka izy.
\v 29 Fa izy izay mihinana sy misotro ka tsy mahafantatra ny vatana, dia mihinana sy misotro fitsarana ho an'ny tenany.
\v 30 Izany no mahatonga ny maro aminareo ho osa sy marary, ary ny sasany aminareo ho faty.
\s5
\v 31 Fa raha mandinin-tena isika, dia tsy ho tsaraina.
\v 32 Fa rehefa voatsaran'ny Tompo isika, dia mpanara-dalàna, mba tsy ho voaheloka miaraka amin'izao tontolo izao.
\s5
\v 33 Noho izany, ry rahalahiko, rehefa miangona mba hihinana ianareo, dia mifampiandrasa.
\v 34 Raha misy olona iray noana, aoka izy hihinana any an-trano, amin'izay rehefa miangona ianareo dia tsy ho amin'ny fitsarana izany. Ary mahakasika ireo zavatra hafa izay nosoratanareo, dia hanome toro-lalana aho rehefa tonga.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Momba ireo fanomezam-panahy, ry rahalahy, dia tsy tiako tsy ahafantatra ianareo.
\v 2 Fantatrareo fa fony ianareo mpanompo sampy, dia voavily nankany amin'ireo sampy tsy manam-peo ianareo, tany amin'izay lalana rehetra nitarihin'ireny anareo.
\v 3 Noho izany tiako ho fantatrareo fa tsy misy olona izay miteny amin'ny Fanahin'Andriamanitra afaka miteny hoe: "Jesosy dia voaozona." Tsy misy afaka miteny hoe: "Jesosy dia Tompo," afa-tsy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina.
\s5
\v 4 Ary misy fanomezam-panahy samihafa, fa Fanahy mitovy ihany.
\v 5 Misy fanompoana samihafa, fa Tompo mitovy ihany;
\v 6 ary misy karazan'asa samihafa, fa Andriamanitra mitovy ihany no manao azy ireo ho azo atao amin'ny tsirairay.
\s5
\v 7 Ary ho an'ny tsirairay no nomena ny fanehoana ivelan'ny Fanahy ho an'ny tombontsoan'ny rehetra.
\v 8 Fa ho an'ny olona iray dia nomena avy amin'ny Fanahy ny tenin'ny fahendrena, ary ho an'ny iray hafa ny tenin'ny fahalalana amin'ny alalan'ny Fanahy mitovy ihany.
\s5
\v 9 Ho an'ny iray hafa dia nomena ny finoana amin'ny alalan'ny Fanahy mitovy, ary ho an'ny iray hafa ireo fanomezam-pahasoavana hanasitrana amin'ny alalan'ny Fanahy iray.
\v 10 Ho an'ny iray hafa dia nomena ireo asan'ny hery, ary ho an'ny iray hafa faminaniana. Ho an'ny iray hafa dia nomena ny fahafahana manavaka ireo fanahy, ho an'ny iray hafa ireo karazana fiteny samihafa, ary ho an'ny iray hafa ny fandikana teny.
\v 11 Fa ny Fanahy iray sy mitovy ihany no miasa ao amin'izany rehetra izany, manome ireo fanomezam-panahy ho an'ny olona tsirairay avy, araka izay nofidiany.
\s5
\v 12 Fa satria ny vatana dia iray ary manana rantsana maro ary ny rehetra dia rantsan'ilay vatana ihany, noho izany dia miaraka amin'i Kristy izany.
\v 13 Fa tamin'ny alalan'ny Fanahy iray no nanaovana batisa antsika rehetra ho vatana iray, na ireo Jiosy na ireo Grika, na voafatotra na afaka, ary ny rehetra dia natao mba hisotro amin'ny Fanahy iray.
\s5
\v 14 Fa ny vatana dia tsy rantsana tokana, fa maro.
\v 15 Raha miteny ny tongotra hoe: "Satria tsy tanana aho, dia tsy rantsana amin'ny vatana aho," izany dia tsy kely amin'ny rantsan'ny vatana akory.
\v 16 Ary raha ny sofina no hiteny hoe: "Satria tsy maso aho, dia tsy rantsana amin'ny vatana aho," izany dia tsy kely amin'ny rantsan'ny vantana akory.
\v 17 Raha maso ny vatana rehetra, dia ho aiza ny fandrenesana? Raha sofina ny vatana rehetra, dia ho aiza ny fanimboloana?
\s5
\v 18 Fa Andriamanitra nandamina ny rantsan'ny vatana tsirairay araka ny namoronany izany.
\v 19 Raha rantsana mitovy ihany izy rehetra, aiza no hisy ny vatana?
\v 20 Ka izao dia rantsana maro izy ireo, fa vatana iray ihany.
\s5
\v 21 Ny maso tsy afaka miteny amin'ny tanana hoe: "Tsy misy ilàko anao." Na ny loha tsy hiteny amin'ny tongotra hoe: "Tsy misy ilàko anao."
\v 22 Fa ireo rantsana amin'ny vatana izay miseho ho malemy kokoa dia tena ilaina,
\v 23 ary ireo rantsan'ny vatana izay heverintsika fa tsy dia manan-danja, dia omentsika lanja lehibe kokoa ireo, ary ireo rantsantsika tsy fampiseho dia manana fahamendrehana mihoatra.
\v 24 Ary ny rantsantsika fampiseho dia tsy mila entina amin'ny fahamendrehana, fa ireo dia efa manana fahamendrehana. Fa Andriamanitra nampikambana ny rantsana rehetra miaraka, ary izy nanome lanja kokoa an'ireo izay tsy ampy izany.
\s5
\v 25 Nanao izany Izy mba tsy hisy fisarahana eo amin'ny vatana, fa mba hifampikarakara amin'ny fitiavana mitovy ireo rantsana.
\v 26 Noho izany rehefa mijaly ny rantsana iray, dia miara-mijaly ireo rantsana rehetra; na rehefa omen-danja ny rantsana iray, dia miara-mifaly ny rantsana rehetra.
\v 27 Ary ianareo dia vatan'i Kristy ary rantsana amin'izany ny tsirairay.
\s5
\v 28 Ary Andriamanitra nanendry tao amin'ny fiangonana ireo apostoly aloha, faharoa ireo mpaminany, fahatelo ireo mpampianatra, avy eo ireo izay manao asa mahagaga, avy eo ireo fanomezam-pahasoavana hanasitrana, ireo izay manome fanampiana, ireo izay manao ny asan'ny fitantanan-draharaha, ary ireo izay manana karazana fiteny samihafa.
\v 29 Apostoly ve izy rehetra? Mpaminany avokoa ve? Mpampianatra avokoa ve? Manao asa mahagaga avokoa ve ny rehetra?
\s5
\v 30 Manana fanomezam-panahy hanasitrana ve izy rehetra? Miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ve izy rehetra? Mandika teny ve izy rehetra?
\v 31 Katsaho fatrara ireo fanomezam-panahy lehibe kokoa. Fa hampiseho anareo lalana tsaratsara kokoa aho.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Na dia atao hoe miteny amin'ny fitenin'ireo olona sy ireo anjely aza aho. Fa raha tsy manana fitiavana, dia tonga vy maneno na kipantsona mikarantsam-peo aho.
\v 2 Na dia atao hoe manana fanomezan'ny faminaniana ary mahafantatra ireo misitery sy fahalalana rehetra aza aho, ary manana ny finoana rehetra afahana mamindra ireo tendrombohitra. Fa raha tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona aho.
\v 3 Na dia atao hoe manome izay rehetra ananako hamahanana ny mahantra aza aho, ary manolotra ny tenako ho dorana. Fa raha tsy manam-pitiavana, dia tsy mahazo na inona na inona aho.
\f + \ft Fanamarihana: Ny ULB sy ny UDB dia samy manana dikan-teny maro, mivaky toy izao hoe: "Homeko mba ho dorana ny tenako." Ny dikan-teny sasany kosa dia mivaky hoe: "Homeko ny tenako mba ho reharehako." \f*
\s5
\v 4 Ny fitiavana dia mahari-po sady tsara fanahy. Ny fitiavana dia tsy mitsiriritra na mirehareha. Tsy miavona
\v 5 na manao izay tsy mahamendrika. Tsy tia tena. Tsy mora tezitra, na mitanisa fahadisoana.
\v 6 Tsy mifaly amin'ny tsy fahamarinana. Fa kosa, mifaly amin'ny fahamarinana.
\v 7 Ny fitiavana dia mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, matoky zavatra rehetra, ary miharitra ny zavatra rehetra.
\s5
\v 8 Tsy ho tapitra mandrakizay ny fitiavana. Raha misy faminaniana, dia ho levona ireo. Raha misy fitenenana amin'ny teny tsy fantatra, hitsahatra ireo. Raha misy fahalalana, dia ho levona izany.
\v 9 Fa isika dia mahafantatra amin'ny ampahany ary maminany amin'ny ampahany.
\v 10 Fa rehefa tonga ilay tena lafatra, dia ho levona izay tsy tanteraka.
\s5
\v 11 Fony mbola zaza aho, dia niresaka toy ny zaza, nieritreritra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza. Rehefa lehibe aho, dia navelako ny fahazazana.
\v 12 Fa ankehitriny isika dia mahita tsy mivantana amin'ny fitaratra, fa rahatrizay dia hifanatri-tava. Ankehitriny aho dia mahafantatra amin'ny ampahany, fa avy eo aho dia hahafantatra tanteraka toy ny nahafantarana ahy tanteraka.
\v 13 Fa ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana rahatrizay, ary ny fitiavana. Fa ny lehibe indrindra amin'ireo dia ny fitiavana.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Mitadiava fitiavana ary manàna zotom-po amin'ireo fanomezam-panahy, indrindra fa ny mba haminanianareo.
\v 2 Fa izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tsy miresaka amin'ny olona fa amin' Andriamanitra. Fa tsy misy mahazo azy satria miresaka zava-miafina ao amin'ny Fanahy izy.
\v 3 Fa izay maminany dia miresaka amin'ny olona mba ho fampiorenana azy ireo, ho fampirisihana azy ireo, ary fampiononana azy ireo.
\v 4 Izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia manorina ny tenany, fa izay maminany dia manorina ny fiangonana.
\s5
\v 5 Ankehitriny dia maniry anareo rehetra hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra aho. Fa mbola mihoatra noho izany aza, maniry Aho ny haminanianareo. Izay maminany dia lehibe kokoa noho izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra (raha tsy hoe misy olona iray mandika teny ka mba mety hiorenan'ny fiangonana).
\v 6 Fa ankehitriny, ry rahalahy, raha tonga eo aminareo amin'ny fiteny tsy fantatra aho, inona no tombon-tsoa omeko anareo amin'izany? Tsy afaka aho, raha tsy hoe miresaka aminareo amin'ny fanambarana, na fahalalana, na faminaniana, na fampianarana.
\s5
\v 7 Raha mamoaka feo ireo zava-maneno tsy manan'aina—tahaka ny sodina na lokanga—ary tsy mamoaka lantom-peo samihafa ireo, ahoana no hahafantaran'ny olona izay melodia avoakan'ny sodina na ny lokanga?
\v 8 Fa raha manao feo hafahafa ny trompetra, ahoana no hahafantaran'ny olona rehefa fotoana hiomanana amin'ny ady?
\v 9 Ka toy izany ihany koa ny aminareo. Raha tsy mazava ny teny aloaky ny vavanareo, ahoana no hahafantaran'ny olona izay nolazainareo? Hiteny ianareo, ary tsy hisy hahazo anareo.
\s5
\v 10 Misy fiteny maro samihafa eto amin'izao tontolo izao, ary tsy misy amin'ireny no tsy misy dikany.
\v 11 Fa raha tsy mahafantatra ny dikan'ny fiteny iray aho, dia ho vahiny amin'izay miteny, ary izay miteny ho vahiny amiko.
\s5
\v 12 Tahaka izany ihany koa ny aminareo. Satria maniry fatrara ny fihetsehan'ny Fanahy ianareo, dia manàna zotom-po mba hiroborobo amin'ny fanorenana ny fiangonana.
\v 13 Noho izany izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra dia tokony hivavaka mba hafahany mandika teny.
\v 14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra Aho, dia mivavaka ny fanahiko, fa ny saiko tsy mamoa.
\s5
\v 15 Inona no tokony ho ataoko? Hivavaka amin'ny Fanahiko aho, fa hivavaka amin'ny saiko ihany koa. Hihira miaraka amin'ny Fanahiko aho, ary hihira miaraka amin'ny saiko ihany koa.
\v 16 Raha tsy izany, raha midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny Fanahy iananareo, ahoana no hitenenan'ny vahiny hoe "Amena" rehefa manome fisaorana ianao raha toa ka tsy fantany izay lazainao.
\s5
\v 17 Fa ianao dia tena manome fisaorana tsara ihany, fa ny olon-kafa tsy miorina.
\v 18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra.
\v 19 Saingy any am-piangonana dia aleoko miteny teny dimy araka ny fahazoako mba hafahako mampianatra ireo hafa, toy izay teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra.
\s5
\v 20 Ry rahalahy, aza mba zaza amin'ny fihevitrareo. Fa kosa, raha amin'ny ratsy, dia manaova tahaka ny zaza. Fa amin'ny fihevitrareo dia aoka ho matotra ianareo.
\v 21 Ao amin'ny lalàna dia voasoratra hoe: "Amin'ny alalan'ny olona hafa fiteny sy amin'ny alalan'ny molotry ny vahiny dia hiresaka amin'ireto olona ireto Aho. Na dia tsy handre Ahy aza izy ireo," hoy ny Tompo.
\s5
\v 22 Noho izany ireo fiteny tsy fantatra dia famantarana, tsy amin'ireo mpino, fa amin'ireo tsy mpino. Fa ny faminaniana kosa dia ho famantarana, tsy ho an'ireo tsy mpino, fa ho an'ireo mpino.
\v 23 Noho izany, raha toa ka, miara-miangona ny fiangonana rehetra ary miteny amin'ny fiteny tsy fantatra avokoa, ary miditra ireo vahiny sy tsy mpino, tsy ho lazain'izy ireo fa adala ve ianareo?
\s5
\v 24 Fa raha naminany avokoa ianareo rehetra ka nisy tsy mpino na vahiny niditra, dia ho resy lahatra amin'izay rehetra henony izy. Ho tsaraina amin'ny alalan'izay rehetra voalaza izy.
\v 25 Ho ambara ny tsiambaratelo ao am-pony. Vokatr'izany, hiankohoka izy ary hitsaoka an'Andriamanitra. Hanambara izy fa tena eo aminareo Andriamanitra.
\s5
\v 26 Inona izany no manaraka, ry rahalahy? Rehefa tafaray ianareo, ny tsirairay dia manana salamo, fampianarana, fanambarana, fiteny tsy fantatra, na fandikan-teny. Ataovy ny zava-drehetra mba hanorenanareo ny fiangonana.
\v 27 Raha misy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, avelao hisy roa na farafahabetsany telo eo, ary mandeha tsirairay, avy eo dia tokony hisy anankiray handika ny teny izay voalaza.
\v 28 Fa raha tsy misy mpandika teny, avelao ny tsirairay amin'izy ireo hitazona fahanginana ao am-piangonana. Avelao ny tsirairay hiresaka mitokana amin'ny tenany sy amin'Andriamanitra.
\s5
\v 29 Avelao hiteny ny mpaminany roa na telo, ary avelao ireo hafa hihaino amin'ny fahaiza-manavaka izay voalaza.
\v 30 Fa raha misy fahitana omena izay mipetraka eo amin'ny fanompoana, avelao hangina ilay iray izay niteny.
\s5
\v 31 Fa ny tsirairay aminareo dia afaka mifandimby maminany mba hafahan'ny tsirairay mianatra ary mba hahery ny rehetra.
\v 32 Fa ny fanahin'ireo mpaminany dia eo ambanin'ny fanaraha-mason'ireo mpaminany.
\v 33 Fa Andriamanitra dia tsy Andriamanitry ny fikorontanana, fa ny fiadanana. Izany no fitsipika ho an'ireo fiangonan'ireo mpino rehetra.
\s5
\v 34 Ny vehivavy dia tokony hitazona fahanginana ao am-piangonana. Satria tsy mahazo alalana hiteny izy ireo. Fa kosa, tokony hanaiky izy ireo, tahaka ny ambaran'ny lalàna.
\v 35 Raha misy irian'izy ireo hianarana, avelao hanontany ny vadiny any an-trano izy ireo. Fa mahamenatra ho an'ny vehivavy ny miteny ao am-piangonana.
\v 36 Avy aminareo ve no niavian'ny tenin'Andriamanitra? Ianareo irery ve no voakasik'izany?
\s5
\v 37 Raha misy mieritreritra ny tenany ho mpaminany na ara-panahy, dia tokony hanaiky izy fa ireo zavatra izay soratako aminareo dia didin'ny Tompo.
\v 38 Fa raha misy tsy manaiky izany, dia aleo izy tsy ho ekena.
\f + \ft Fanamarihana: Ny ankamaroan'ny dikan-teny, ao anatin'izany ny ULB sy UDB, dia mamaky hoe: "Fa raha misy tsy manaiky izany, dia aoka tsy ho ekena izy." Ny dikan-teny sasany taloha manao hoe: "Fa raha misy tsy mahalala izany, dia aoka izy tsy hahalala izany." \f*
\s5
\v 39 Koa amin'izany, ry rahalahy, maniria fatratra ny haminany, ary aza mandrara an'iza na iza hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra.
\v 40 Fa avelao ny zava-drehetra atao araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ankehitriny mampahatsiahy anareo aho, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay nambarako taminareo, izay noraisinareo sy izay ijoroanareo.
\v 2 Amin'ny alalan'izany filazantsara izany no havoavonjy anareo, raha mihazona mafy amin'ny teny notoriako taminareo ianareo, raha tsy hoe ninonino foana.
\s5
\v 3 Fa natolotro ho zava-dehibe voalohany ho anareo izay voaraiko ihany koa: fa maty ho an'ny fahotantsika Kristy araka ny Soratra Masina,
\v 4 ary nalevina Izy, ary Izy dia natsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina.
\s5
\v 5 Kristy dia niseho tamin'i Kefasy, ary avy eo tamin'ireo roa ambin'ny folo;
\v 6 avy eo dia niseho indray mandeha tamin'ireo rahalahy mihoatry ny dimanjato Izy. Mbola velona ny ankamaroan'izy ireo, fa ny sasany dia nodimandry.
\v 7 Avy eo Izy niseho tamin'i Jakoba, avy eo tamin'ireo apostoly rehetra.
\s5
\v 8 Farany indrindra, dia niseho tamiko Izy, toy ny hoe tamin'ny zaza teraka tsy tonga volana.
\v 9 Fa izaho no kely indrindra amin'ireo apostoly. Izaho dia tsy mendrika ny antsoina hoe apostoly satria nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra aho.
\s5
\v 10 Fa nohon'ny fahasoavan'Andriamanitra no naha toy izaho ahy, ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko. Fa kosa, niasa mafy kokoa noho izy rehetra aho. Nefa tsy izaho izany, fa ny fahasoavan'Andriamanitra izay miaraka amiko.
\v 11 Noho izany na izaho izany na izy ireo, araka ny nitorianay dia araka izany no ninoanareo.
\s5
\v 12 Ankehitriny raha nambara fa Kristy dia natsangana tamin'ny maty, ahoana no hafahan'ny sasany aminareo milaza fa tsy misy ny fitsaganana amin'ny maty?
\v 13 Nefa raha tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, dia tsy natsangana akory Kristy;
\v 14 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny fitorianay, ary foana ihany koa ny finoanareo.
\s5
\v 15 Koa, dia hita ho vavolombelona diso momban' Andriamanitra izahay satria nijoro vavolombelona nanohitra an'Andriamanitra, niteny hoe natsangany Kristy rehefa tsy nanao izany Izy.
\v 16 Raha tsy natsangana ny maty, dia na Kristy aza tsy natsangana;
\v 17 ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ary dia mbola ao amin'ny fahotanareo ianareo.
\s5
\v 18 Ary izay rehetra maty ao amin'i Kristy dia efa very ihany koa.
\v 19 Raha amin'ity fiainana ity ihany no ananantsika toky amin'ny ho avy ao amin'i Kristy, dia isika no mampahonena indrindra amin'ny olona rehetra.
\s5
\v 20 Fa ankehitriny dia efa natsangana tamin'ny maty Kristy, ilay voaloham-bokatr'ireo izay maty.
\v 21 Fa satria tonga tamin'ny alalan'ny olona iray ny fahafatesana, dia avy tamin'ny alalan'ny olona iray ihany koa no nihavian'ny fitsanganana amin'ny maty.
\s5
\v 22 Fa toy ny nahafatesan'ny rehetra tao amin'i Adama, dia ho velomina ao amin'i Kristy ihany koa ny rehetra.
\v 23 Kanefa samy ao amin'ny filaharany manokana ny tsirairay: Kristy, ilay voaloham-bokatra, ary avy eo ireo izay an'i Kristy dia ho atao velona amin'ny fiaviany.
\s5
\v 24 Avy eo dia ho tonga ny farany, rehefa homen'i Kristy ho an'Andriamanitra Ray ny fanjakana. Izany dia rehefa hanafoana ny fitsipika rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery Izy.
\v 25 Fa tsy maintsy manjaka Izy mandra-pametrany ny fahavalony rehetra ao ambanin'ny tongony.
\v 26 Ny fahavalo farany ho haringana dia ny fahafatesana.
\s5
\v 27 Fa "Napetrany teo ambanin'ny tongony avokoa ny zavatra rehetra." Fa voalaza fa: "Izy no nametraka ny zavatra rehetra," dia mazava tsara fa tsy tafiditra ao anatin'izany ilay iray nametraka ny zavatra rehetra hanaiky ny tenany.
\v 28 Rehefa manaiky Azy ny zavatra rehetra, dia ny Zanaka mihitsy no hanaiky ilay iray izay nampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Hiseho izany mba ho rehetra ao amin'ny rehetra ny Andriamanitra Ray.
\s5
\v 29 Na koa inona no ilaina ireo izay vita batisa ho an'ny maty? Raha tsy natsangana mihitsy ny maty, nahoana izy ireo no natao batisa ho an'izy ireo?
\v 30 Nahoana ary, isika no am-bava loza isan'ora?
\s5
\v 31 Miatrika fahafatesana isan'andro aho! Izany dia azo antoka tahaka ny fireharehako ny aminareo, izay azoko ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.
\v 32 Inona no tombony azoko, avy amin'ny fomba fijerin'ny olombelona, raha niady tamin'ny biby tao Efesosy aho, raha tsy natsangana ny maty? "Aoka isika hihinana sy hisotro satria ho faty isika rahampitso."
\s5
\v 33 Aza mety ho fitahana hoe: "Manimba ny fisainana tsara ny naman-dratsy."
\v 34 Mandiniha! Miainà am-pahamarinana! Aza manohy manota! Fa ny sasany aminareo dia tsy manana fahalalana an'Andriamanitra. Milaza izany ho amin'ny fahamenaranareo aho.
\s5
\v 35 Fa ny olona iray hiteny hoe: "Ahoana no nananganana ny maty, ary amin'ny karazana vatana inona no hatongavan'izy ireo?"
\v 36 Tsy mahalala na inona na inoana ianareo! Izay hafafinareo dia tsy hanomboka hitombo raha tsy maty izany.
\s5
\v 37 Izay nafafinareo dia tsy ny vatana izay ho avy, fa voa fostiny. Izany dia mety ho lasa vary na zavatra hafa.
\v 38 Fa homen'Andriamanitra azy ny vatana araka izay safidiany, ary samy amin'ny vatany avy ny voa tsirairay.
\v 39 Tsy ny nofo rehetra no mitovy. Fa kosa, iray ny nofon'ny olombelona, dia hafa ny nofon' ireo biby, ary nofo hafa ny an'ireo vorona, ary hafa ny an'ny hazandrano.
\s5
\v 40 Misy ihany koa ireo vatana any an-danitra sy ireo vatan'ny eto an-tany. Fa karazana iray ihany ny voninahitry ny vatana any an-danitra ary hafa ny voninahitry ny eto an-tany.
\v 41 Iray ny voninahitry ny masoandro, ary hafa ny voninahitry ny volana, ary voninahitra hafa ny an'ireo kintana. Fa ny kintana iray miavaka amin'ny kintana iray hafa amin'ny voninahitra.
\s5
\v 42 Toy izany koa ny fitsanganana amin'ny maty. Izay afafy dia mety simba, ary izay atsangana dia tsy mety simba.
\v 43 Afafy tamin'ny fahafaham-baraka izany; dia natsangana am-boninahitra. Afafy tamin'ny fahalemena izany; dia natsangana amin'ny hery.
\v 44 Afafy amin'ny vatana voajanahary izany; dia atsangana ho vatana ara-panahy. Raha misy vatana voajanahary, dia misy vatana ara-panahy ihany koa.
\s5
\v 45 Ary efa voasoratra ihany koa fa: "Lasa fanahy velona Adama ilay lehilahy voalohany" Ilay Adama farany dia lasa fanahy manome fiainana.
\v 46 Fa tsy ny ara-panahy no tonga voalohany fa ny voajanahary, ary avy eo ny ara-panahy.
\s5
\v 47 Ny olona voalohany dia avy amin'ny tany, namboarina tamin'ny vovoka. Ny olona faharoa dia avy any an-danitra.
\v 48 Toy ilay iray namboarina tamin'ny vovoka, toy izany koa ilay olona any an-danitra, ary tahaka izany ihany koa ireo izay avy any an-danitra.
\v 49 Toy ny nitondrantsika ny endrik'ilay olon'ny vovoka, dia hitondra ny endrik'ilay olon'ny lanitra ihany koa isika.
\s5
\v 50 Ary izao no lazaiko, ry rahalahy, fa ny nofo aman-drà dia tsy afaka ny handova ny fanjakan'Andriamanitra. Na izay mety simba handova izay tsy mety simba.
\v 51 Indro! Zava-marina miafina no ho lazaiko anareo hoe: Tsy ho faty avokoa isika rehetra, fa hovaina avokoa isika rehetra.
\s5
\v 52 Hiova isika amin'ny fotoana iray, ao anatin'ny indray mipi-maso, amin'ny trompetra farany. Haneno ny trompetra, ary ireo maty dia hatsangana ho tsy mety lo, ary dia hovaina isika.
\v 53 Fa ity vatana mety simba ity dia tsy maintsy hitafy izay tsy mety lo, ary ity vatana mety maty ity dia tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana.
\s5
\v 54 Fa rehefa mitafy ny tsy mety simba ity vatana mety simba ity, ary rehefa mitafy ny tsy fahafatesana ity vatana mety maty ity, dia ho tonga amin'ilay teny izay voasoratra hoe, "Voatelina tamin'ny fandresena ny fahafatesana."
\v 55 "Ry fahafatesana, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana, aiza ny fanindronanao?"
\s5
\v 56 Ny ota no fanindron'ny fahafatesana, ary ny herin'ny ota dia ny lalàna.
\v 57 Fa isaorana Andriamanitra, izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika!
\s5
\v 58 Noho izany, ry rahalahy malalako, miorena tsara ary aza miozongozona. Miroboroboa mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy very maina ny asanareo ao amin'ny Tompo.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Ary mahakasika ny fanangonam-bola ho an'ireo mpino, araka ny nanoroako lalana ny fiangonan'i Galatia, dia toy izany koa no tokony ataonareo.
\v 2 Amin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia tokony hanokana zavatra ny tsirairay aminareo ary hitahiry izany araka izay vitanareo. Manaova izany mba tsy hisian'ny fanangonam-bola rehefa tonga aho.
\s5
\v 3 Rehefa tonga aho, na iza na iza ekenareo, dia alefako miaraka amin'ny taratasy mba hanolorako ny fanatitrareo ho an'i Jerosalema.
\v 4 Raha toa ka mety amiko ihany koa ny mandeha, dia handeha hiaraka amiko izy ireo.
\s5
\v 5 Fa ho avy any aminareo aho rehefa mandalo an'i Makedonia. Fa handalo an'i Makedonia aho.
\v 6 Mety afaka hijanona miaraka aminareo aho na mandritra ny ririnina mihitsy aza, mba hahafahanareo manampy ahy amin'ny diako, na aiza na aiza alehako.
\s5
\v 7 Fa tsy maniry ny hahita anareo mandritra ny fotoana fohy aho izao. Fa manantena ny hitoetra maharitraritra miaraka aminareo, raha avelan'ny Tompo.
\v 8 Fa hijanona ao Efesaosy aho mandra-pahatongan'ny Pentekosta,
\v 9 fa efa varavarana malalaka no nisokatra ho ahy, ary misy fahavalo maro.
\s5
\v 10 Ary rehefa tonga Timoty, dia ezaho mba tsy hatahotra izy miaraka aminareo, fa manao ny asan'ny Tompo izy, tahaka ny ataoko.
\v 11 Aza avela hisy olona hanao tsinontsinona azy. Ampio izy amin'ny lalany amin'ny fiadanana, mba hafahany mankeo amiko. Fa manantena azy mba ho tonga hiaraka amin'ireo rahalahy aho.
\v 12 Ary mahakasika an'i Apolosy rahalahintsika, dia nampirisika azy mafy aho mba hamangy anareo miaraka amin'ireo rahalahy. Fa mbola tsy vonona tanteraka ny ho avy izy izao. Na izany aza, ho tonga izy rehefa mety ny fotoana.
\s5
\v 13 Miambena, mijoroa tsara amin'ny finoana, miasà tahaka ny lehilahy, mahereza.
\v 14 Aoka ho atao am- pitiavana izay ataonao rehetra.
\s5
\v 15 Fantatrareo ny ankohonan'i Stefanasy, fa izy ireo no niova fo voalohany tao Asaia, ary izy ireo nametraka ny tenan'izy ireo ho amin'ny fanompoana ireo mpino. Ary mamporisika anareo aho, ry rahalahy,
\v 16 mba hanaiky ny olona toy izany sy amin'ny olona rehetra izay manampy amin'ny asa sy miasa miaraka aminay.
\s5
\v 17 Mifaly amin'ny fahatongavan'i Stefanasy, Fortinatasy, ary Akaiosy aho. Nameno ny tsy naha-teo anareo izy ireo.
\v 18 Fa namelombelona ny fanahiko sy ny anareo izy ireo. Ka noho izany, fantaro ny olona toy izany.
\s5
\v 19 Ireo fiangonan'i Asia dia manao veloma anareo. Akila sy Pritsila dia manao veloma anareo ao amin'ny Tompo, miaraka amin'ny fiangonana izay ao amin'ny fonenan'izy ireo.
\v 20 Ny rahalahy rehetra manao veloma anareo. Mifanaova veloma amin'ny oroka masina.
\s5
\v 21 Izaho, Paoly, manoratra ity amin'ny tanako.
\v 22 Raha misy olona tsy tia ny Tompo, enga anie mba ho voaozona izy. Ho tonga, ny Tompontsika!
\v 23 Ho aminareo anie ny fahasoavan'ny Jesosy Tompo.
\v 24 Ho aminareo rehetra ny fitiavako ao amin'i Jesosy Kristy.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia manampy hoe: "Amena." Fa ny vaovao maro hafa, ao anatin'izany ny ULB sy ny UDB, dia manala izany. \f*