plt_ulb/45-ACT.usfm

1880 lines
163 KiB
Plaintext
Raw Permalink Blame History

This file contains invisible Unicode characters

This file contains invisible Unicode characters that are indistinguishable to humans but may be processed differently by a computer. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

\id ACT
\ide UTF-8
\h Asan' ny Apostoly
\toc1 Asan' ny Apostoly
\toc2 Asan' ny Apostoly
\toc3 act
\mt Asan' ny Apostoly
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ny boky nosoratako teo aloha, ry Teofilo, dia manambara ny rehetra izay natombok' i Jesosy sy nampianariny,
\v 2 hatramin' ny andro nampiakarana azy, avy eo dia nandidy ireo Apostoly izay nofidiny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina Izy.
\v 3 Taorian'ny nijaliany, dia nampiseho ny tenany velona tamin'izy ireo Izy niaraka tamin'ireo porofo mandresy lahatra maro. Niseho tamin' izy ireo Izy nandritra ny andro efapolo andro, ary niresaka momba ny fanjakan'Andriamanitra.
\s5
\v 4 Rehefa nihaona niaraka tamin'izy ireo Izy, dia nandidy azy ireo tsy hiala ao Jerosalema, fa hiandry ny fampanantenan'ny Ray, momba izay, nolazainy hoe: "Nandre tamiko ianareo
\v 5 fa nanao batisa tamin' ny rano tokoa i Jaona, fa ianareo dia tokony hatao batisa amin'ny Fanahy Masina ao anatin'ny andro vitsy".
\s5
\v 6 Rehefa tafavory niaraka izy ireo dia nanontany Azy izy ireo hoe: "Tompo, Izao ve no fotoana hamerenanao ny fanjakana ho an'Israely?"
\v 7 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Tsy ianareo no hahafantatra ny fotoana na ireo vanin'andro izay notendren' ny Ray tamin'ny fahefany manokana.
\v 8 Fa rehefa tonga kosa ny Fanahy Masina dia hahazo hery ianareo, ka ho lasa vavolombeloko eran' ny Jerosalema sy Jodia iray manontolo ary Samaria, sy hatrany am-paran-tany."
\s5
\v 9 Rehefa niteny izany zavatra izany i Jesosy Tompo, dia niandrandra izy ireo, nakarina Izy, ary ny rahona nanakona Azy teo imason' izy ireo.
\v 10 Raha mbola nibanjina ny lanitra iny izy ireo tamin' ny nandehanany, tampoka teo, nisy roalahy niakanjo fotsy nitsangana teo anilan' izy ireo.
\v 11 Niteny izy ireo hoe: "Ry lehilahy avy any Galilia, maninona ianareo no mitsangana eto mijery ny lanitra? Iny Jesosy nalaina taminareo izay nampiakarina any an-danitra iny, dia hiverina tahaka ny nahitanareo azy niakatra any an-danitra teo iny.
\s5
\v 12 Avy eo izy ireo dia niverina tany Jerosalema avy tao amin'ny tendrimbohitr'Oliva, izay eo akaikin'ny Jerosalema, mitovy amin'ny dian'ny andro Sabata iray.
\v 13 Rehefa tonga izy ireo, dia niakatra tao amin'ny efitra ambony rihana, izay nitoeran' izy ireo. Izy ireo dia i Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, ary Jodasy zanak'i Jakoba.
\v 14 Nitambatra ho iray izy rehetra, ary nazoto nivavaka. Anisan'izany ireo vehivavy, Maria renin'i Jesosy, sy ireo rahalahiny.
\s5
\v 15 Tamin' izany andro izany i Petera dia nitsangana teo afovoan' ireo rahalahiny, eo amin'ny ny olona 120 eo, ary niteny hoe
\v 16 : "Ry rahalahy, tena nilaina ny fahatanterahan'ny Soratra Masina, izay nambaran' ny Fanahy Masina mialoha tamin' ny vavan'i Davida momba an' i Jodasy, izay nitondra ireo olona nisambotra an' i Jesosy."
\s5
\v 17 Fa anisan'ny iray amintsika izy ary nahazo ny anjarany tamin'izao fanompoana izao."
\v 18 (Ankehitriny io lehilahy io dia nividy saha tamin' ny vola azony tamin' ny faharatsiana izy, ary lavo nihohoka teo izy, ka nisokatra sy nipoaka ny vatany, ary nivoaka avokoa ny tsinainy.
\v 19 Ireo olona rehetra tao Jerosalema dia naheno ny momba izany, ary niantso io saha io tamin'ny fitenin'izy ireo hoe: "Akeldama", izany hoe: "Sahan-dRà.")
\s5
\v 20 Fa efa voasoratra ao amin' ny Bokin'ny Salamo hoe: "Avelao ho lao ny sahany, ary aza avela na dia olona iray aza hipetraka ao'; 'Avelao ho raisin'ny olon-kafa ny andraikiny."
\s5
\v 21 Noho izany, dia ilaina, ny iray amin'ireo lehilahy niaraka tamintsika nandritran'ny fotoana rehetra nidiran' i Jesosy Tompo sy ny nivoahany teto amintsika,
\v 22 hatramin'ny batisan'i Jaona ka hatramin'ny andro niakarany teo amintsika, dia tsy maintsy vavolombelona miaraka amintsika amin'ny fitsanganany."
\v 23 Ary nametraka roa lahy izy ireo, dia i Josefa nantsoina hoe Barsabasy, na koa atao hoe Josto, ary Matia.
\s5
\v 24 Nivavaka izy ireo ary niteny hoe: "Ianao, ry Tompo, no mahalala ireo fon'ny olona rehetra, koa ambarao izay hofidinao amin' izy roalahy
\v 25 mba haka ny toerana ato amin' izao fanompoana izao sy ny maha Apostoly nohon' ny fandikan-dalàna izay nataon' i Jodasy handeha ho any amin' ny toerany manokana.
\v 26 Izy ireo dia niloka ho azy ireo, ary nilatsaka tamin'i Matia ny filokana, ary voaisa ho Apostoly iraika ambin' ny folo izy.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Nony tonga ny andron'ny Pantekosta, niangona tamin'ny toerana iray izy rehetra.
\v 2 Tampoka teo avy any an-danitra nisy feo toy ny rivotra mahery nifofofofo, ary nameno ny trano manontolo izay nipetrahan'izy ireo izany.
\v 3 Nisy afo niendrika lela maro izay nizarazara, ary nipetraka teo ambonin'izy ireo tsirairay avy.
\v 4 Izy rehetra dia feno ny Fanahy Masina ary nanomboka niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araky ny nomen'ny Fanahy Masina hitenen'izy ireo.
\s5
\v 5 Ary nisy Jiosy izay nipetraka tao Jerosalema, olon'Andriamanitra, avy amin'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
\v 6 Rehefa nandre izany feo izany, dia tonga niraka ireo vahoaka sady sahiran-tsaina satria ny tsirairay dia samy nandre azy ireo niteny tamin'ny fiteniny avy.
\v 7 Izy ireo dia talanjona sy gaga; niteny hoe: "Marina, fa tsy ireo rehetra miteny ireo ve no Galileanina?
\s5
\v 8 Nahoana no maheno azy ireo isika, amin'ny fitenintsika tsirairay avy izay naha lehibe antsika?
\v 9 Partianina sy Medianina ary Elemita, ary ireo izay mipetraka any Mesopotamia, any Jodia sy Kapadokia, any Ponto sy Asia,
\v 10 Frygia sy Pamfylia, any Egypta ary Libya hatrany amin'i Kyrena, ary ireo mpitsidika avy any Roma,
\v 11 Jiosy sy Proselyta, Kreatana sy Arabo, dia rentsika miresaka amin'ny fitenintsika momba ny asa lehibe ataon'Andriamanitra."
\s5
\v 12 Izy ireo dia gaga ary sahiran-tsaina; ary nifampiresaka izy ireo hoe: "Inona no dikan'izany?"
\v 13 Fa ireo sasany naneso sady niteny hoe: "Izy ireo dia mamon'ny divay vaovao."
\s5
\v 14 Fa i Petera nitsangana niaraka tamin'izy iraik'ambin'ny folo, nampiakatra ny feony, ary nilaza tamin'izy ireo hoe: "Ry lehilahin'i Jodea sy ianareo rehetra izay mipetraka eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, tandremo ireo teniko.
\v 15 Ho an'ireo olona tsy mamo araka izay heverinareo, fa vao ora fahatelo amin'ny andro izao.
\s5
\v 16 Fa izao ilay voalaza tamin'i Joela mpaminany:
\v 17 'Amin'ny andro farany,' Andriamanitra miteny hoe: 'Halatsako amin'ny olona rehetra ny Fanahiko. Ireo zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy dia haminany, ny zatovonareo dia hahita fahitana, ary ny anti-dahinareo hanofy nofy.
\s5
\v 18 Toy izany koa ny amin'ireo mpanompoko lahy sy ny mpanompoko vavy amin'ireo andro ireo. Halatsako ny Fanahiko, ary izy ireo dia haminany.
\v 19 Izao dia hampiseho zava-mahagaga eny amin'ny lanitra ambony sy famantarana eny amin'ny tany ambany, rà, afo, ary enton-tsetroka.
\s5
\v 20 Ny masoandro dia ho lasa haizina ary ny volana ho lasa rà, mialohan'ny andro lehibe sy miavaka hiavian'ny Tompo.
\v 21 Ary ny olona rehetra izay miantso ny anaran'Andriamanitra dia ho voavonjy.
\s5
\v 22 Ry olon'Israely, henoy izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, ilay olona nampisehoana anareo tamin'ny alalan'Andriamanitra mba ho marina amin'ireo asa lehibe, ireo fahagagana, ary ireo famantarana izay nataon'Andriamanitra taminy teo afovoanareo, araka ny fantatrin'ny tenanareo.
\v 23 Io lehilahy io dia natolotry ny drafitr'Andriamanitra izay efa nomanina mialoha sy ny fahalalany, ary ny tanan'ny mpandika lalàna sy ianareo, namono azy tamin'ny famantsihana azy teo amin'ny hazo fijaliana.
\v 24 Fa Andriamanitra nanangana Azy, nanafaka Azy tamin'ireo fanaintainan'ny fahafatesana, satria sarotra ho Azy ny niala tamin'izany.
\s5
\v 25 Fa i Davida miteny momba azy hoe, "Nahita ny Tompo teo anoloako mandrakariva aho, fa eto an-tanan-kavanako Izy ka tsy tokony hangozohozo aho.
\v 26 Dia tena faly ny foko ary niravoravo ny lelako. Ary ihany koa, ny nofoko hivelona amin'ny fahatokiana.
\s5
\v 27 Fa tsy nilaozanao ho any amin'ny Fiainan-tsy hita ny fanahiko ary tsy hamela ny Iray Masinao ho lo ianao.
\v 28 Nampahafantatra ahy ireo lalan'ny fiainana Ianao; Ianao dia hameno fifaliana ahy amin'ny endrikao.'
\s5
\v 29 Ry rahalahy, afaka miresaka aminareo am-pitokiana momba an'i Davida Patriarika aho: efa maty izy no nalevina, ary ny fasany dia eto amintsika mandrak'androany.
\v 30 Noho izany, mpaminany izy ary fantany fa efa nianiana taminy Andriamanitra, fa ny taranany no ho eo amin'ny seza fiandrianany.
\v 31 Efa hitany izany dia niresaka momban'ny fitsangananan'i Kristy tamin'ny fahafatesana, 'sady izy tsy navela tao amin'ny fiainan-tsy hita, no tsy nanao ny nofony ho tratrin'ny fahaloavana.'
\s5
\v 32 Io Jesosy io-Andriamanitra no nanangana Azy, ka vavolombelon'izany izahay rehetra.
\v 33 Noho izany rehefa nasandratry ny tanan'ankavanan'Andriamanitra Izy dia nandray ny Fanahy Masina nampanantenaina avy tamin'ny Ray, efa narotsany izany, izay hitanareo sy renareo.
\s5
\v 34 Fa i Davida dia tsy niakatra tany an-danitra, fa izy niteny oe: 'Ny Tompo nilaza tamin'ny Tompoko, "mitoera eto an-tanako ankavanako,
\v 35 mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.'"
\v 36 Noho izany, aoka ho fantatry ny rehetra indrindra ny tranon' Israely fa Andriamanitra no nanao Azy ho Tompo sy Kristy, ilay Jesosy izay nombohanareo."
\s5
\v 37 Ary raha nandre izany izy ireo, voatsindrona ny fon'izy ireo, ary niteny tamin'i Petera sy ireo apostoly ambiny hoe: "Rahalahy, inona no tokony ho ataonay?"
\v 38 Avy eo Petera niteny tamin'izy ireo hoe: "Mibebaha manaova batisa, ianareo tsirairay avy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ho famelana ny fahotanareo, sy handraisanareo ny fanomezan'ny Fanahy Masina.
\v 39 Fa ny fampanantenana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ireo rehetra izay lavitra, ka ho betsaka ireo olona izay ho antsoin' ny Tompo Andriamanintsika."
\s5
\v 40 Niaraka tamin'ny teny maro hafa no nijoroany ho vavolombelona sy nandrisihany azy ireo; nilaza izy hoe, "Vonjeo ny tenanao amin'ity taranaka ratsy fanahy ity."
\v 41 Ary izy ireo nandray ny teniny ka natao batisa, ary tokony fanahin'olona teo amin'ny telo arivo teo ho eo no nampiana tamin'io andro io.
\v 42 Nanohy sy niharitra ny asa fitoriana sy ny fampianaran'ny apostoly izy ireo, teo amin'ny fanampahana ny mofo sy ny fivavahana.
\s5
\v 43 Tonga teo amin'ny fanahin'ny tsirairay tahotra, ary fahagagana sy famantarana maro no vita tamin'ny alalan'ny apostoly.
\v 44 Ireo rehetra nino dia niangona ary nanana zavatra nitovy,
\v 45 ary izy ireo dia nivarotra ny taniny sy ny fananany ka nizara izany tamin'izy rehetra, arak'izay nilainy avy.
\s5
\v 46 Ary isan'andro isan'andro dia nitohy nanompo tamin'ny fomba fijery mitovy tao an-tempoly izy ireo, sy nanapaka ny mofo tao an-trano, ary nizara sakafo tamim-pifaliana sy fo feno fanetren-tena;
\v 47 Nidera an'Andriamanitra ary nahazo fankasitrahana tamin'ny olona rehetra. Isan'andro ny Tompo dia nanampy ny isan'ireo izay voavonjy.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary Petera sy i Jaona niakatra teny amin'ny tempoly tamin'ny oran'ny fivavahana, ny ora faha sivy.
\v 2 Ary nisy lehilahy iray nalemy efa hatrany am-piterahana nentina isan'andro teny amin'ny Vavahady Tsaran'endriky ny tempoly, mba hangataka fanomezana ara-bola any amin'ireo olona izay mankeny amin'ny tempoly.
\v 3 Rehefa nahita an'i Petera sy i Jaona izay handeha hiditra ny tempoly, dia nangataka fanomezana ara-bola tamin'izy ireo izy.
\s5
\v 4 Nibanjina ny masony niaraka tamin'i Jaona i Petera dia niteny hoe: "Jereo izahay".
\v 5 Ilay lehilahy malemy nijery azy ireo, nanantena ny handray zavatra avy any amin'izy ireo.
\v 6 Nefa i Petera niteny hoe: "Volafotsy sy volamena no tsy ananako, nefa izay ananako, no homeko anao. Amin'ny anaran'i Jesosy Kristy avy any Nazareta, mandehana."
\s5
\v 7 Nandray azy tamin'ny tanana havanana, i Petera nanangana azy, ary avy hatrany dia lasa natanjaka ny tongotr'ilay lehilahy sy ny kitrokeliny.
\v 8 Nitsambikina, ilay lehilahy malemy dia nitsangana ka nanomboka nandeha; ary niaraka niditra tamin'i Petera sy i Jaona tao an-tempoly izy, nandeha, nitsambikina, ary nidera an'Andriamanitra.
\s5
\v 9 Ny olona rehetra dia nahita azy nandeha sy nidera an'Andriamanitra.
\v 10 Tsikaritr'izy ireo fa izy ilay lehilahy nangataka fanomezana ara-bola tamin'ireo olona teo amin'ilay Vavahady Tsaran'ny tempoly; ary tena gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga taminy.
\s5
\v 11 Ary noho izy nitazona an'i Petera sy Jaona, ny olona rehetra dia nirohatra nankeny amin'izy ireo teny amin'ny fialofana izay nantsoina hoe fialofan'i Solomona ny olona rehetra, ary tena talanjona.
\v 12 Rehefa nahita izany i Petera dia namaly ny olona hoe: "Ianareo ry vahoakan'Israely, nahoana no talanjona ianareo? Nahoana ny masonareo no mandinika anay, ohatran'ny hoe herinay na fahamasinanay manokana no nampandeha azy?
\s5
\v 13 Ny Andriamanitry Abrahama, sy an'Isaka, ary an'i Jakoba, ilay Andriamanitr'ireo raintsika, nanome voninahitra an'i Jesosy mpanompony. Izy ilay natolotrareo sy nolavinareo teo anoloan'i Pilato, tamin'izy nanapa-kevitra ny handefa azy.
\v 14 Nolavinareo Ilay iray izay Masina sy Marina ary naleonareo nangataka ilay mpamono olona mba ho alefa ho anareo.
\s5
\v 15 Novonoinareo ny Mpanorina ny fiainana, izay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty_ary vavolombelon'izany izahay.
\v 16 Ankehitriny, noho ny finoana amin'ny anarany_ilay lehilahy izay hitanareo sy fantatrareo_iny anarana iny ihany no nahatonga azy hahery. Ny finoana avy amin'i Jesosy no nanome izao fahasitranana feno izao ho azy eto anatrehanareo rehetra.
\s5
\v 17 Ankehitriny, ry rahalahy, fantatro fa nanao izany ianareo noho ny tsy fahalalanareo, toy ny nataon'ireo mpitondra anareo ihany koa.
\v 18 Fa ireo zavatra izay voalazan'Andriamanitra mialoha tamin'ny vavan'ireo mpaminany rehetra, hoe tokony hijaly ny Kristiny, fa efa tanterany ankehitriny.
\s5
\v 19 Mibebaha, noho izany, ary miverena, mba ho voavono ny fahotanareo, mba ho tonga ny fotoana mahavelombelona eo anatrehan'ny Tompo;
\v 20 ary mba handefa an'ilay Kristy izay voatendry ho anao izy, dia i Jesosy.
\s5
\v 21 Izy ilay tsy maintsy ho raisin'ny Lanitra ambara-pahatongavan'ny ora famerenana amin'ny laoniny ny zava-drehetra, momban'izay nolazain'Andriamanitra fahiny tamin'ny vavan'ireo mpaminany masina.
\v 22 Niteny tokoa i Mosesy hoe: 'Ny Tompo Andriamanitra dia hanangana mpaminany toa ahy avy amin'ireo rahalahinareo. Ianareo hihaino ny zava-drehetra izay ho lazainy aminareo.
\v 23 Hitranga ny hoe izay olona rehetra tsy mihaino izany mpaminany izany dia ho ringanina tanteraka tsy ho ao amin'olona.'
\s5
\v 24 Eny, ary ireo mpaminany rehetra nanomboka teo amin'i Samoela sy ireo izay tonga taoriany, dia niteny mafy sy nanambara ireo andro ireo.
\v 25 Ianareo no zanak'ireo mpaminany sy ny fanekena izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo razambe, araka ny nolazainy tamin'i Abrahama hoe: 'Ao amin'ny taranakao dia ho tahiana ireo fianakaviana rehetra eran-tany.'
\v 26 Taorian'ny nananganan'Andriamanitra ny mpanompony, dia nandefa azy ho anareo aloha izy, mba hitahy anareo amin'ny fialanareo amin'ny faharatsianareo."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Raha niresaka tamin'ireo vahoaka i Petera sy Jaona, dia tonga ireo mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly ary ireo Sadoseo.
\v 2 Tezitra mafy izy ireo noho i Petera sy Jaona nampianatra ny vahoaka sy nitory ny fitsanganana amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesosy.
\v 3 Nosamborina izy ireo ary natao tany am-ponja mandrapahatongan'ny maraina, satria efa hariva ny andro tamin'izany.
\v 4 Kanefa maro tamin'ireo olona izay nandre ny hafatra no nino; ary ny isan'ireo lehilahy izay nino dia dimy arivo teo ho eo.
\s5
\v 5 Ary nony ampitson'iny dia niangona tao Jerosalema ny mpanapak'izy ireo, zokiolona ary ireo mpanora-dalàna.
\v 6 Teo i Anasy mpisoronabe, Kaiafa, Jaona, sy Aleksandro sy izay rehetra havan'ireo mpisoronabe.
\v 7 Nony naroso teo afovoany i Petera sy Jaona, dia nanontany azy ireo hoe: "Amin'ny hery inona, na amin'ny anarana inona, no nanaovanareo izany?"
\s5
\v 8 Avy eo i Petera, feno ny Fanahy Masina, dia niteny azy ireo hoe: "Ianao ry mpanapaka ny vahoaka, sy ny loholona,
\v 9 raha nanontaniana momban'ny asa soa nataonay tamin'io lehilahy narary io izahay tamin'io andro io_tamin'ny fomba ahoana no nahasitrana io lehilahy io?
\v 10 Dia aoka ho fantatrareo rehetra ary ny vahoakan'Israely rehetra, fa tamin'ny anaran'ny Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohombohanareo, ilay natsangan'Andriamanitra tamin'ny maty_tamin'ny alalany no ijoroan'ity lehilahy ity salama eto imasonareo."
\s5
\v 11 Jesosy Kristy dia vato izay nataonareo mpanori-trano tsinontsinona kanefa efa natao ho lohan'ny vato fehizoro.
\v 12 Ary tsy misy famonjena avy amin'ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomen'ny olona izay tsy maintsy hahavonjy antsika".
\s5
\v 13 Ary rehefa nahita ny fahasahian'i Petera sy Jaona izy ireo, ary nahatsapa fa olon-tsotra, olona tsy nandia fianarana, dia talanjona izy ireo, nahafantatra fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera sy Jaona.
\v 14 Satria izy ireo nahita ilay lehilahy izay sitrana nijoro niaraka tamin'izy ireo, ka tsy nahita ambara hanoherana izany izy ireo.
\s5
\v 15 Fa rehefa avy nandidy ireo apostoly handao ny fivorian'ny filan-kevitra izy reo, dia nifampiresaka izy ireo.
\v 16 Hoy izy ireo hoe: "Inona no tokony ho atao amin'ireto lehilahy ireto? Noho ny fahagagana vita tamin'ny alalan'izy ireo dia fantatr'ireo olona rehetra mipetraka eto Jerosalema, ary tsy azontsika lavina.
\v 17 Fa mba tsy hiparitahan'izany amin'ny vahoaka kosa, dia handao isika hampitandrina azy ireo mba tsy hitenenan'izy ireo izany anarana izany intsony.
\v 18 Nantsoiny hiditra i Petera sy Jaona ary noteneniny izy ireo tsy hiteny sy tsy hampianatra amin'ny anaran'i jesosy intsony.
\s5
\v 19 Kanefa namaly azy ireo kosa i Petera sy Jaona niteny hoe: "Raha marina eo imason'Andriamanitra ny manaiky anareo mihoatra Azy, dia ianareo no mitsara.
\v 20 Tsy afaka ny hijanona tsy hiteny momba ireo zavatra hitanay sy renay izahay."
\s5
\v 21 Taorian'ny fampitandremana an'i Petera sy Jaona, dia navelany nandeha izy ireo. Fa tsy nahita fomba hanasaziana azy ireo izy ireo, satria nidera an'Andriamanitra ireo vahoaka noho ny zava-bitany.
\v 22 Ilay lehilahy izay niaina ny fahagagana sy fanasitranana dia nihoatra ny efa-polo taona.
\s5
\v 23 Taorian'ny nanafahana azy ireo, dia tonga teo amin'ny vahoakany i Petera sy Jaona ary notateriny azy ireo izay rehetra notenenin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo loholona tamin'izy ireo.
\v 24 Rehefa henon'izy ireo izany, dia niara-nanandratra ny feon'izy ireo ho an'Andriamanitra izy ireo ka niteny hoe: "Tompo, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary izay rehetra ao aminy.
\v 25 Niteny tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny raintsika Davida Ianao hoe: 'Nahoana no tezitra ireo firenena Jentilisa, sy ireo olona mieritreritra zavatra tsy misy ilana azy?'
\s5
\v 26 Ianareo miteny hoe: Ireo Mpanjakan'ny tany dia nitambatra, ary ireo mpanapaka dia nivondrona hanohitra ny Tompo, sy hanohitra ny Kristiny.'
\s5
\v 27 Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilaty, izay niaraka tamin'ireo jentilisa sy ireo vahoakan'i Israely, no niara-niangona tao an-tanàna hanohitra an'i Jesosy mpanomponareo, izay nosoranareo.
\v 28 Niara-nivory izy ireo mba hanao izay rehetra nataon'ny tananareo sy ireo drafitrareo izay efa notapahin'izy ireo ho atao mialoha.
\s5
\v 29 Ankehitriny, Tompo, jereo ireo fampitandreman'izy ireo ary omeo ireo mpanomponao mba hitenenany ny teninao an-kasahiana tanteraka.
\v 30 Ahinjiro ny tananao mba hanasitrana, ary hanome ireo famantarana sy fahagagana amin'ny alalan'ny anaran'i Jesosy mpanomponao masina."
\v 31 Rehefa avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny toerana izay niarahan'izy ireo nivory, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nilaza ny tenin'Andriamanitra an-kasahiana.
\s5
\v 32 Ny ankabeazan'ireo izay nino dia fo sy fanahy iray. Tsy nisy niteny fa ny zavatra izay azony dia azy manokana, fa zavatra niarahan'izy ireo nanana.
\v 33 Niaraka tamin'ny hery lehibe no nanambaran'ny apostoly ny fijoroan'izy ireo vavolombelona momba ny fitsanganan'i Jesosy Tompo tamin'ny maty, ary fahasoavana lehibe no teo amin'ny izy rehetra.
\s5
\v 34 Tsy nisy olona nanan-java maha-ory teo amin'izy ireo, fa izay rehetra nanana tany na trano dia namidy ary nitondra ny volan'ny zavatra rehetra izay lafo.
\v 35 ary napetraka teo an-tongotr'ireo apostoly, ary nozaraina tamin'ny olona tsirairay arak'izay ilain'izy ireo.
\s5
\v 36 Josefa, Levita iray, lehilahy avy any Sipra izay nantsoin'ireo apostoly hoe Barnabasy (izay midika hoe Zanaka lahin'ny Fampaherezana),
\v 37 nivarotra tany sy nitondra ny vola ary nametraka azy teo an-tongotr'ireo apostoly.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Fa nisy lehilahy iray nantsoina hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotra anjara tany,
\v 2 ary notazominy ny sasany tamin'ireo vola vidiny (ny vadiny ihany koa nahalala izany), ary nitondra ny ampahany hafa tamin'izany ary nametraka azy teo an-tongotr'ireo apostoly.
\s5
\v 3 Fa Petera niteny hoe: "Ananiasy, nahoana no nofenoin'i Satana lainga ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina, sy hitazona ny ampahany tamin'ilay vidin-tany?
\v 4 Raha mbola tsy lafo izany, tsy nijanona ho fanananao manokana ve izany, ary rehefa lafo izany, tsy teo amin'ny fahefanao ve izany? Ahoana no nieritreretanao izany zavatra izany tao amin'ny fonao? Tsy nandainga tamin'ny olona ianao, fa tamin'Andriamanitra."
\v 5 Nony nandre ireo teny ireo, dia lavo tamin'ny tany Ananiasy ka afaka ny ainy, ary tahotra lehibe no tonga tamin'izay rehetra naheno izany.
\v 6 Ary ireo tovolahy dia niroso ka namono lamba azy, ka nentin'izy ireo nivoaka izy ary nalevina.
\s5
\v 7 Taorian'ny ora telo teo ho eo, dia niditra ny vadiny, mbola tsy nahafantatra izay nitranga.
\v 8 Petera niteny taminy hoe: "Lazao ahy raha izany no namarotanareo ilay tany." dia hoy izy: "Eny, noho izany."
\s5
\v 9 Avy eo i Petera niteny azy hoe: "Nahoana ianareo no nanaiky hiara-hitsapa ny Fanahin'ny Tompo? Indro, ireo tongotr'ireo olona izay nandevina ny vadinao dia eo am-baravarana, ary hamoaka anao izy ireo.
\v 10 Ary lavo teo noho eo teo amin'ny tongony izy ary afaka ny ainy. Rehefa niditra tao ireo tovolahy, dia nahita azy maty, ka nitondra azy nivoaka sy nandevina azy teo anilan'ny vadiny.
\v 11 Raiki-tahotra ny fiangonana manontolo, sy ireo rehetra izay nandre izany zavatra izany.
\s5
\v 12 Famantarana sy fahagagana maro no niseho tamin'ireo vahoaka tamin'ny alalan'ny tanan'ireo Apostoly. Niaraka teo amin'ny fialofan'i Salomona izy ireo.
\v 13 Fa tsy nisy olona hafa nanana fahasahiana hiaraka amin'izy ireo; kanefa, ny vahoaka dia nanandratra fankasitrahana avo azy ireo.
\s5
\v 14 Ary vao maika nihamaro ireo mpino izay nanampy isa ny Tompo, andian-dehilahy sy vehivavy,
\v 15 ka nentin'izy ireo teny an-dalana hatramin'ny ny marary ary nampandrin'izy ireo teo ambony fandriana sy farafara, ka mba rehefa mandalo i Petera, dia mety mba hanaloka ny sasany amin'izy ireo ny alokany.
\v 16 Teo ihany koa dia maro ny vahoaka no niara-tonga avy ao amin'ireo tanàna manodidina an'ny Jerosalema, nitondra ny marary sy ireo izay nampahorian'ny fanahy maloto, ary dia sitrana izy rehetra.
\s5
\v 17 Fa nitsangana ny mpisoronabe, sy ireo izay niaraka taminy (izay sekta an'ireo Sadoseo); ary dia feno fialonana izy ireo
\v 18 ary nisambotra an-kery ireo apostoly, ary nampiditra azy ireo tany an-trano maizina.
\s5
\v 19 Ary nandritran'ny alina dia nisy anjelin'ny Tompo nanokatra ny varavaran'ny fonja ary namoaka azy ireo tao, sy niteny hoe:
\v 20 "Mandehana, mitsangana ao amin'ny tempoly ary mitenena amin'ny olona ireo teny rehetran'ity fiainana ity."
\v 21 Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra tao amin'ny tempoly izy ireo raha vao maraina ny andro ka nampianatra. Fa tonga ny mpisoronabe, sy ireo izay niaraka taminy, ary niantso ny filan-kevitra rehetra, ireo loholona rehetran'ny vahoakan'Israely, ary nalefa tany am-ponja mba hamoaka ireo apostoly.
\s5
\v 22 Fa nony tonga ilay mpiandry raharaha dia tsy nahita azy ireo tao am-ponja, ka niverina izy ireo ary nitatitra hoe:
\v 23 "Nahita ny trano maizina nihidy tsara izahay ary ny mpiambina dia nijoro niandry teo am-baravarana, fa rehefa novahanay izany, tsy nahita olona tao anatiny izahay."
\s5
\v 24 Ary rehefa naheno izany ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly sy ireo mpisorona be, dia very hevitra tanteraka izy ireo nahakasika ny zavatra mety hitranga.
\v 25 Fa nisy olona tonga ary niteny tamin'izy ireo nanao hoe: "Ireo lehilahy izay nataonareo tao an-trano maizina dia mitsangana ao amin'ny tempoly ary mampianatra ny vahoaka."
\s5
\v 26 Ary lasa ny lehiben'ny mpiambina niaraka tamin'ireo mpiandry raharaha, ary nitondra azy ireo niverina, fa tsy tamin'ny herisetra, satria natahotra ny vahoaka izy ireo fandrao ho torahany vato.
\v 27 Rehefa nitondra azy ireo izy ireo, dia nandefa azy ireo teo anatrehan'ny filan-kevitra. Nanadihady azy ireo ny mpisorona be,
\v 28 niteny hoe: "Noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin'io anarana io, kanefa, nofenonareo ny fampianaranareo i Jerosalema, ary tianareo ho tompon'andraikitra amin'ny ran'io lehilahy io izahay."
\s5
\v 29 Fa i Petera sy ireo apostoly namaly hoe: "Izahay dia tokony hanaiky an'Andriamanitra nohon'ny olona.
\v 30 Ny Andriamanitrin'ny razanay nanangana an'i Jesosy, izay novonoinareo tamin'ny fanantonana Azy teo amin'ny hazo.
\v 31 Andriamanitra nanandratra Azy teo amin'ny tanan-kavanany mba ho Tompo sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana ho an'Israely, sy famelana ny heloka.
\v 32 Izahay dia vavolombelona ny amin'izany zavatra izany, ary ihany koa ny Fanahy Masina, izay nomen'Andriamanitra ho an'ireo manaiky Azy."
\s5
\v 33 Raha naheno izany ireo tao amin'ny filan-kevitra, dia tezitra izy ireo ary nitady hanomono ireo apostoly.
\v 34 Fa nisy Fariseo iray natsoina hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay najain'ny olona rehetra, nitsangana ary nandidy ireo apostoly mba ho alaina avoaka kely any ivelany.
\s5
\v 35 Ary izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Lehilahy Isiraely, tandremo tsara ny amin'ny zavatra izay ho ataonareo miaraka amin'ireo olona ireo.
\v 36 Fa tany aloha tany, Teodasy nilaza ny tenany ho zavatra, ary vondron'olona, tokony ho efa-jato, nanaraka azy. Novonoina izy, ary ireo rehetra izay nanaiky azy dia niparitaka ary tonga tsinontsinona.
\v 37 Avy eo io lehilahy io, Jodasy avy any Galilia dia nitsangana tamin'ny andron'ny fanisana ary nitaona olona maromaro hanaraka azy. Izy ihany koa dia novonoina, ary ireo rehetra izay nanaiky azy dia niparitaka.
\s5
\v 38 Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo, manalavira an'ireo lehilahy ireo ary avelao irery izy ireo, fa raha avy amin'ny olona io drafitra na io asa io, dia ho foana izany.
\v 39 Fa raha avy amin'Andriamanitra kosa, dia tsy ho azonareo foanana ireo; mety ho hitanareo aza fa miady amin'Andriamanitra ianareo." Dia resy lahatra izy ireo.
\s5
\v 40 Ary niantso an'ireo apostoly hiditra izy ireo ary nikapoka sy nandidy azy ireo tsy hiteny amin'ny anaran'i Jesosy, ary namela azy ireo handeha.
\v 41 Izy ireo dia nandao ny filan-kevitra tam-pifaliana satria mendrika ny hitondra fahafam-baraka ho an'Ilay Anarana.
\v 42 Tao aorian'izay isan'andro, tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an' i Jesosy ho Kristy izy ireo, teo an-kianjan'ny tempoly sy tamin'ny trano maro.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary tamin'izany andro izany, rehefa nihanitombo ny isan'ireo mpianatra, dia nanomboka nisy fitarainana nataon'ireo Jiosy miteny Grika hanoherana ireo Hebreo, satria nataon'izy ireo tsinotsinona ireo mpitondra-tenany tamin'ny fizarana sakafo isan'andro.
\s5
\v 2 Ny roa ambin'ny folo dia niantso ireo mpianatra rehetra ho any amin'izy ireo sady niteny hoe: "Tsy mety ho antsika raha mandao ny tenin'Andriamanitra mba hikarakara ireo latabatra.
\v 3 Noho izany ianareo dia tokony mifidy, ry rahalahy, fito aminareo, lehilahy tsara laza, feno ny Fanahy sy fahendrena, mba ho tendrenay hikarakara izany raharaha izany.
\v 4 Raha ny aminay, dia hanohy hatrany amin'ny fivavahana sy amin'ny fampianarana ny teny izahay."
\s5
\v 5 Nahafinaritra ny olona rehetra ny teny nataon'izy ireo. Ka nifidy an'i Stefana izy ireo, lehilahy feno finoana sy Fanahy Masina, ary i Filipo, Prokoro, Nikanora, Timona, Parmena ary Nikoleo, proselyta avy any Antiokia.
\v 6 Ireo mpino dia nitondra ireo lehilahy teo anatrehan'ny Apostoly, izay nivavaka sy nametraka ny tanany tamin'izy ireo.
\s5
\v 7 Ka niparitaka hatrany ny tenin'Andriamanitra, ary ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema dia nihanitombo be, ary mpisorona maro be kosa no lasa mpankatoa ny finoana.
\s5
\v 8 Ary i Stefana, feno fahasoavana sy hery, dia nanao fahagagana sy famantarana lehibe teo amin'ny vahoaka.
\v 9 Fa nisy vahoaka sasany nitsangana izay an'ny synagoga izay atao hoe ny Synagogan'ny Libertina, sy an'ny Kyreniana sy Aleksandriana, ary ny sasany avy any Kilikia sy Azia. Ireo olona ireo dia niady hevitra tamin'i Stefana
\s5
\v 10 Izy ireo dia tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany i Stefana.
\v 11 Avy eo dia nisy olona nanaovan'izy ireo kolikoly mba hiteny hoe: "Efa renay i Stefana niteny ratsy momban'i Mosesy sy Andriamanitra."
\s5
\v 12 Nanaitra ny olona izy ireo, ny loholona, sy ny mpanora-dalàna, dia nankeo amin'i Stefana izy ireo ary nisambotra azy sy nitondra azy teo anatrehan'ireo mpanolotsaina.
\v 13 Ary izy ireo dia nitondra fijoroana vavolombelona diso, dia niteny hoe: "Ito lehilahy ito dia tsy mitsahatra miteny ratsy ity toerana masina ity sy ny lalàna.
\v 14 Fa izahay dia nandre azy niteny fa io Jesosy avy any Nazareta io dia handrava ity toerana ity sy hanova ireo fomba izay natolotr'i Mosesy antsika."
\v 15 Ireo rehetra izay nipetraka teo amin'ny toeran'ny mpanolotsaina dia nandinika azy ka nahita fa tahaka ny anjely ny tarehiny.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ny mpisoronabe niteny hoe: "Marina ve izany rehetra izany?"
\v 2 Stefana niteny hoe: "Ry rahalahy sy ry ray, henoy aho: "Ny Andriamanitrin'ny voninahitra niseho tamin'ny raintsika Abrahama tamin'izy tany Mesopotamia, talohan'ny nipetrahany tao Harana;
\v 3 niteny taminy Izy hoe: "Mialà eo amin'ny taninao ianao sy ireo havanao, ary mandehana any amin'ilay tany izay asehoko anao."
\s5
\v 4 Avy eo niala an'ilay tanin'ny Kaldeana izy ary nipetraka tany Harana; nanomboka teo, taorian'ny nahafatesan'ny rainy, nentin'Andriamanitra tany amin'io tany io izy, izay hipetrahanao izao.
\v 5 Tsy nomeny ho lova teo izy, tsia, tsy ampy hametrahana tongotra akory. Fa nanome toky izy_na dia mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama fa_izy dia hanome ny tany azy ho fananany sy ho an'ireo taranany any aoriany.
\s5
\v 6 Andriamanitra dia niresaka taminy tahaka izao, fa ireo taranany dia hipetraka maharitra any amin'ny tanin'ny firenen-kafa, ary ireo mponina ao dia hitondra azy ireo amin'ny fanandevozana sy fampahoriana mandritry ny efa-jato taona.
\v 7 'Nefa ho tsaraiko ny firenena izay tompoin'izy ireo,' hoy Andriamanitra, 'ary aorian'izany dia hanantona sy hidera Ahy eo amin'io toerana io izy ireo.
\v 8 Avy eo nomen'Andriamanitra an'i Abrahama ny fanekena amin'ny famorana, ka i Abrahama dia lasa rain'Isaka ary namora azy tamin'ny andro fahavalo; Isaka dia lasa rain'i Jakoba, ary Jakoba lasa rain'ireo patriarika roa ambin'ny folo.
\s5
\v 9 Satria ireo patriarika dia nialona an'i Josefa, ka namidin'izy ireo tany Egypta izy; fa Andriamanitra dia niaraka taminy
\v 10 ary namonjy azy tamin'ireo olany rehetra. I Josefa dia nomeny fankasitrahana sy fahendrena teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'Egypta, izay nametraka azy ho governora manapaka an' Egypta sy ambonin'ireo fananany rehetra.
\s5
\v 11 Ary dia tonga ny mosary nanerana an'Egypta sy Kanana, sy fijaliana lehibe, ary ireo razantsika dia tsy nahita sakafo.
\v 12 Fa rehefa naheno i Jakoba fa nisy vary tao Egypta, nandefa ireo razantsika tamin'ny dian'izy ireo voalohany izy.
\v 13 Tamin'ny dian'izy ireo faharoa i Josefa nampahafantatra ny tenany tamin'ireo rahalahiny, ary ny fianakavian'i Josefa dia lasa fantatr'i Farao.
\s5
\v 14 Josefa dia naniraka ireo rahalahiny hiteny an'i Jakoba rainy mba hoavy any Egypta, miaraka amin'ireo havany rehetra, teo amin'ny dimy ambin'ny fitopolo olona raha atambatra.
\v 15 Noho izany Jakoba dia nidina tao Egypta, ary maty izy, izy sy ireo razantsika.
\v 16 Nolanjaina ho any Sekema izy ireo ary nalevina tao amin'ilay fasana izay novidian'i Abrahama tamin'ny volafotsy tamin'ireo zanak'i Hamora tany Sekema.
\s5
\v 17 Rehefa nanakaiky ny fotoanan'ilay fampanantenana, ilay fampanantenana izay nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama, dia nihamaro sy nitombo ny olona tao Egypta,
\v 18 mandra-pitsangan'ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka izay tsy nahafantatra ny momba an'i Josefa.
\v 19 Io mpanjaka io ihany no namitaka ny vahoakantsika sy nampahory ireo razantsika, izy ireo dia nanery ny razantsika handao ireo zanany ambava loza mba tsy ho velona.
\s5
\v 20 Tamin'izany fotoana izany i Mosesy no teraka; izy dia tsara teo anatrehan'Andriamanitra ary notaizana telo volana tao an-tranon'ny Rainy.
\v 21 Rehefa navoaka teny ivelany izy, dia ny zanaka vavin'i Farao no nanangana sy nitaiza azy tahaka ny zanany lahy.
\s5
\v 22 I Mosesy dia nampianarina ireo fahendrena rehetra nananan'ny Egyptiana, ary izy dia nahery tamin'ny teniny sy ny asany.
\v 23 Ka rehefa ho efapolo taona izy, tonga tao am-pony ny hitsidika ireo rahalahiny, zanak'Israely.
\v 24 Nahita israelita iray izay nampahoriana ka niaro azy i Mosesy sady namaly an'ilay izay nampahory azy tamin'ny famonona ilay Egyptianina:
\v 25 Nihevitra izy fa ho azon'ireo rahalahiny fa tamin'ny alalan'ny tanany Andriamanitra no nanavotra azy ireo, nefa dia tsy azon'izy ireo izany.
\s5
\v 26 Ny andro manaraka dia tonga tao amin'ireo Israelita sasany izy raha izy ireo nifanditra; nanandrana ny nampitony ny tsirairay avy izy, niteny hoe: "Ry lehilahy, ianareo dia mpirahalahy, maninona ianareo no mifandratra?"
\v 27 Fa ny iray izay nanao tsy nety tamin'ny namany nanosika azy, ary niteny hoe: "Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay?
\v 28 Tianao ve ny hamono ahy, tahaka ny namononao ireo Egyptianina omaly?"
\s5
\v 29 Nitsoaka i Mosesy rehefa nandre izany; lasa mpiavy izy tao amin'ny tanin'ny Midiana, izay niterahany ny zanany roa lahy.
\v 30 Rehefa dila ny efapolo taona, nisy anjely iray nipotra taminy tany an'efitra teny amin' tendrombohitra Sinay, teo amin'ny lelafon'ilay voaroy nirehitra.
\s5
\v 31 Rehefa tazan'i Mosesy ilay afo, talanjona izy tamin'ilay fahitana; ary rehefa nanatona izy ka nijery ilay izy, indro avy any nisy feon'ny Tompo niteny hoe:
\v 32 "Izaho no Andriamanitr'ireo razanao, Andriamanitr'Abrahama, sy Isaka, ary Jakoba." Nangovitra i Mosesy ary tsy sahy nijery.
\s5
\v 33 Ny Tompo niteny taminy hoe: "Esory ny kapa eny amin'ny tongotrao, fa io toerana izay hijoronao io dia tany masina.
\v 34 Efa hitako tokoa ny fijalian'ny vahoakako izay ao Egypta, henoko ny fitarainan'izy ireo, ary efa nidina nanavotra azy ireo Aho; koa ankehitriny, alefako ho any Egypta ianao."
\s5
\v 35 Io ilay Mosesy izay nolavin'izy ireo, rehefa niteny izy ireo hoe: "Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy ho mpitsara?" Izy ilay tokana izay nalefan'Andriamanitra sady ho mpanapaka no mpanavotra. Andriamanitra nandefa azy tamin'ny alalan'ny tanan'ilay anjely izay nipoitra tamin'i Mosesy teny amin'ny voaroy.
\v 36 Nitarika azy ireo hiala tao Egypta i Mosesy, rehefa avy nanao fahagagana sy famantarana tao Egypta sy teny amin'ny ranomasina mena, ary teny an'efitra nandritry ny efapolo taona.
\v 37 Io ihany ilay Mosesy izay niteny tamin'ny vahoakan'Israely hoe: "Andriamanitra dia hanangana mpaminany ho anareo eo amin'ny rahalahinareo, mpaminany tahaka ahy.'"
\s5
\v 38 Izy ilay lehilahy izay tao am-piangonana tao an'efitra niaraka tamin'ilay anjely izay niteny taminy teny amin'tendrombohitr'i Sinay. Izy ilay lehilahy niaraka tamin'ireo razantsika; izy ilay lehilahy izay nandray ny teny velona zaraina ho antsika.
\v 39 Izy ilay lehilahy izay tsy nankatoavin'ireo razantsika; natosik'izy ireo lavitra azy ireo izy, ary any ampon'izy ireo dia niverina tany Egypta izy ireo.
\v 40 Tamin'io fotoana io niteny tamin'i Arona izy ireo hoe: "Hanaovy Andriamanitra izahay hitarika anay, tahaka an'i Mosesy, izay nitarika antsika hivoaka an'ny Egypta, tsy fantatsika izay nitranga taminy."
\s5
\v 41 Ary nanao omby lahy kely izy ireo tamin'izany andro izany ary nitondra fanatitra teo amin'ilay sampy, ary nifaly tamin'ny asan-tanany izy ireo.
\v 42 nitodika Andriamanitra ary namela azy ireo mba ho fiderana ireo kintana eny an-danitra, araka ny voasoratra tao amin'ny bokin'ny mpaminany: "Ianareo ve nanolotra ahy biby maty sy fanatitra nandritrin'ny efapolo taona tao an'efitra, tranon'ny Israely?
\s5
\v 43 Nekenareo ny tabernakelin'i Moloka sy ny kintan' andriamanitra Refana, sy ireo sary izay ataonareo hiderana azy, ary izaho hitondra anareo any ankotran' Babylona."
\s5
\v 44 Ireo razantsika dia nanana tabernakelin'ny fijoroana vavolombelona tao an'efitra, araka ny baikon'Andriamanitra rehefa niteny tamin'i Mosesy Izy, izay tokony nataony nitovy tamin'ilay fomba efa hitany.
\v 45 Io ilay tranolay izay nalain'ireo razantsika, ary noentiny tao amin'ilay tany niaraka tamin'i Josoa, teo anatrehan'ireo razantsika, ireo fananan'ny firenena izay nandroahan'Andriamanitra ny tany izay noraisin'izy ireo ho fananan'izy ireo manokana, Ilay tranolay dia nitoetra tao amin'ilay tany nandritry ny andron'i Davida,
\v 46 ary izy nahazo fankasitrahana tao amin'ny fahitan'Andriamanitra ary nanontany raha hahita toerana honenana ho an'Andriamanitr'i Jakoba.
\s5
\v 47 Fa i Salomona no nanamboatra ny trano ho an'Andriamanitra.
\v 48 Na izany aza, ny Avo indrindra dia tsy nipetraka tao amin'ny trano vita tamin'ny tanana, araka ny voalazan'ny mpaminany hoe:
\v 49 "Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano toy inona no afaka hamboarinao ho ahy? hoy ny Tompo, na toerana toy ny inona no hitsaharako?
\v 50 Tsy tanako ve no nanao ireo zavatra rehetra ireo?
\s5
\v 51 Ireo olona mafy hatoka sy tsy voafora ao am-po sy sofina, ianareo dia manohitra foana ny Fanahy Masina; ianareo dia manao tahaka izay nataon'ny razanareo.
\v 52 Iza tamin'ireo razanareo no tsy nanenjika mpaminany? Novonoin'izy ireo ny mpaminany izay niseho talohan'ny fiavin'ilay Fahamarinana, ary ankehitriny ianareo dia lasa mpamadika sy mpamono azy koa,
\v 53 ianareo vahoaka izay nandray ny lalàna izay napetrak'ireo anjely, kanefa tsy notazominareo izany."
\s5
\v 54 Ary rehefa naheno ireo zavatra ireo ny mpikambana ao amin'ny filan-kevitra, tohina ny fon'izy ireo, ary nihidy vazana izy ireo tamin'ny Stefana.
\v 55 Fa izy, izay feno Fanahy Masina, nijery tsara ny lanitra ary nahita ny voninahitr'Andriamanitra, ary nahita an'i Jesosy nijoro teo ankavanan'Andriamanitra.
\v 56 Stefana niteny hoe: "Jereo, itako misokatra ireo lanitra, ary ny zanak'olona mijoro eo ankavanan' Andriamanitra."
\s5
\v 57 Teo amin'izany dia notapenan'ireo mpikambana ao amin'ny filan-kevitra ny sofin'izy ireo, ary nihiaka niaraka tamin'ny feo ambony, nihazakazaka izy ireo nankeny aminy.
\v 58 Notaritin'izy ireo ivelan'ny tanàna izy ary nanomboka nitora-bato azy izy ireo, ary ireo vavolombelona dia nametraka ny akanjony teo amin'ny tongotr'ilay zaza lahy nantsoina hoe Saoly.
\s5
\v 59 Raha nitora-bato an'i Stefana iny izy ireo, niantso mafy ny Tompo izy ary niteny hoe: "Tompo Jesosy, raiso ny fanahiko."
\v 60 Nandohalika izy ary niantso tamin'ny feo mahery hoe: "Tompo, aza tazomina izao ota izao hanoherana azy ireo." Rehefa avy niteny izany izy dia resitory.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Nanaiky ny fahafatesany i Saoly. Ka nanomboka tamin'io andro io ny fanenjeana lehibe hanoherana ny fiangonana izay tao Jerosalema; ary ireo mpino rehetra dia niparitaka nanerana ireo faritry Jodia sy Samaria, ankoatra ireo apostoly.
\v 2 Ireo lehilahy matahotra anÁndriamanitra dia nandevina an'i Stefana ary nanao hira fisaonana azy.
\v 3 Fa Saoly dia nanimba tanteraka ny fiangonana; nitety trano izy ary naka ireo lehilahy sy ireo vehivavy, ary nandefa azy ireo tany an-trano maizina.
\s5
\v 4 Fa ireo mpino izay niparitaka dia nandeha nitory ny teny.
\v 5 Filipo dia nidina tany amin'ny tanàn-dehiben'ny Samaria ary nitory an'i Kristy tamin'izy ireo.
\s5
\v 6 Rehefa nandre sy nahita ireo famantarana izay nataon'i Filipo ny vahoaka maro, dia nifantoka tsara tamin'izay nolazainy izy ireo.
\v 7 Ireo fanahy maloto dia nivoaka tamin'ireo maro izay nidirany, nihiaka mafy, ary maro tamin'ireo malemy sy kilemaina no sitrana.
\v 8 Noho izany dia nisy fifaliana lehibe tao amin'ilay tanàn-dehibe.
\s5
\v 9 Fa nisy lehilahy iray nantsoina hoe Simona tao amin'ny tanàn-dehibe, izay vao haingana no nilalao ody; matetika nampitolagaga ireo vahoakan'ny Samaria izy, rehefa manambara fa izy dia olona manan-danja.
\v 10 Ireo Samaritana rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia nihaino tsara azy; ary hoy izy ireo hoe: "Io lehilahy io dia ilay fahefan' Andriamanitra izay antsoina hoe Lehibe."
\v 11 Izy ireo dia nihaino azy, satria izy dia nampitolagaga azy ireo efa nandritry ny fotoana ela tamin'ireo odiny.
\s5
\v 12 Fa rehefa nino an'i Filipo izy ireo noho izy nitory ny filazantsara momba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny anaran'i Jesosy Kristy, dia natao batisa izy ireo, na ireo lehilahy na ireo vehivavy.
\v 13 Na i Simona aza dia nino, ary taorian'ny nanaovana batisa azy dia nijanona niaraka tamin'i Filipo foana izy. Rehefa nahita ireo famantarana sy asa lehibe izay niseho izy, dia gaga.
\s5
\v 14 Ary rehefa henon'ireo apostoly ao Jerosalema fa nandray ny tenin'Andriamanitra Samaria, dia nalefan'izy ireo tany amin'izy ireo i Petera sy Jaona.
\v 15 Rehefa nidina izy ireo, dia nivavaka ho azy ireo izy ireo, mba mety handraisan'izy ireo ny Fanahy Masina.
\v 16 Fa nandrapahatongan'izany fotoana izany, dia mbola tsy nisy nilatsahan'ny Fanahy Masina mihitsy izy ireo; fa vita batisa tamin'ny anaran'i Tompo Jesosy fotsiny ihany.
\v 17 Avy eo i Petera sy Jaona dia nametraka ny tanany teo amin'izy ireo, ary dia nandray ny Fanahy Masina izy ireo.
\s5
\v 18 Ary rehefa hitan'i Simona fa ny Fanahy Masina dia natolotra teo an-tanan'ireo apostoly tamin'ny alalan'ny fametrahan-tanana, dia nomeny vola izy ireo.
\v 19 Hoy izy hoe: "Omeo ahy ihany koa izany fahefana izany, ka izay rehetra ametrahako tanana dia mety handray ny Fanahy Masina."
\s5
\v 20 Fa hoy i Petera taminy hoe: "Ho levona miaraka aminao anie ny volafotsinao, satria ianao nieritreritra ny hahazo ny fanomezan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vola.
\v 21 Ianao dia tsy manana anjara na ampahany amin'izany zavatra izany, satria ny fonao dia tsy marina amin'Andriamanitra.
\v 22 Noho izany mibebaha amin'ny faharatsianao, ary mivavaha amin'ny Tompo, sao mba mety hamela ny fanirian'ny fonao Izy.
\v 23 Fa izaho mahita fa ianao dia voapozin'ny lolom-po sy voafatotry ny fahotana ianao."
\s5
\v 24 Simona namaly ary niteny hoe: "Mivavaha amin'ny Tompo ho ahy, mba tsy hisy hitranga amiko ireo izay nolazainao."
\s5
\v 25 Rehefa nijoro vavolombelona sy nanambara ny tenin'ny Tompo izy ireo, dia niverina tany Jerosalema i Petera sy Jaona, nitory ny filazantsara tamin'ireo tanàna maro ao Samaritana.
\s5
\v 26 Ary nisy anjelin'ny Tompo niresaka tamin'i Filipo sady niteny hoe: "Mitsangàna ary mandehana mianatsimon'ny lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza." (Io lalana io dia any an'efitra.)
\v 27 Dia nitsangana izy ary nandeha. Indro, nisy lehilahy avy any Etiopia, tandapan'ny Kandasy, mpanjaka vavin'ireo Etiopiana. Izy no niandraikitra ny hareny rehetra. Tonga tany Jerosalema izy mba hidera.
\v 28 Ary nody izy ka nipetraka teo amin'ny kalesany, ary namaky ny tenin'i Isaia mpaminany.
\s5
\v 29 Ary ilay fanahy niteny tamin'i Filipo hoe: "Mandehana ary aza miala lavitra an'io kalesy io."
\v 30 Ka dia nihazakazaka nanatona azy izy, ary nandre azy namaky ny teny tao amin'Isaia mpaminany, ary niteny hoe: "Azonao ve io vakianao io?"
\v 31 Niteny ilay Etiopiana nanao hoe: "Ahoana no hahafantarako, raha tsy misy olona mitari-dalana ahy?" Niangavy an'i Filipo izy mba hanatona ny kalesa ary hipetraka hiaraka aminy.
\s5
\v 32 Ary ny andalan-tsoratra masina izay novakian'ilay Etiopiana dia nanao hoe: "Noentina ho vonoina tahaka ny ondry izy, ary tahaka ny zanak'ondry moana eo anoloan'ny mpanety azy, noho izany dia tsy niloa-bava izy.
\v 33 Fa tamin'ny fanalam-baraka azy dia nesorina taminy ny rariny. Iza no afaka hamaritra tanteraka ireo taranany? Nohon'ny ainy nesorina teto an-tany."
\s5
\v 34 Noho izany dia nanontany an'ilay tandapa i Filipo, nanao hoe: "Mitalaho aminao aho, iza no resahan'io mpaminany io, ny tenany ihany ve, sa olon-kafa?"
\v 35 Nanomboka niteny i Filipo, ary nanomboka tamin'izany soratra masina izany no nitoriany ny filazantsara momba an'i Jesosy taminy.
\s5
\v 36 Rehefa nandeha teny an-dalana izy ireo, dia nanatona teny amin'izay nisy rano izy ireo ary hoy ilay tandapa hoe: "Indro, misy rano eto. Inona no mahasakana ahy tsy atao batisa?"
\v 37 \f + \ft Fanamarihana: Hoy Filipo hoe: "Raha mino amin'ny fonao manontolo ianao, dia afaka atao batisa." Ilay Etiopiana namaly hoe: "Mino aho fa Jesosy Kristy no Zanak'Andriamanitra." \f*
\v 38 Ka nasain'ilay Etiopiana najanona ilay kalesa. Nidina nankeny amin'ny rano izy ireo, i Filipo sy ilay tandapa, ary nataon'i Filipo batisa izy.
\s5
\v 39 Rehefa nivoaka ny rano izy ireo, dia noentin'ny Fanahin'ny Tompo i Filipo, ka tsy hitan'ilay tandapa intsony izy, fa nandeha tam-pifaliana teny amin'ny lalany.
\v 40 Fa i Filipo dia niseho tany Azota ary nitety io faritra io izy, nitory ny filazantsara eraky ny tanan-dehibe rehetra mandrapahatongany tany Kaisaria.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Fa i Saoly, dia mbola niteny fandrahonana foana eny fa na hatramin'ny famonoana manohitra ireo mpianatry ny Tompo aza, nandeha tany amin'ny mpisoronabe
\v 2 ary nanontany azy ireo taratasy ho an'ireo synagoga tao Damaskosy, ka raha mahita na iza na iza eo amin'ny Lalany izy, na lehilahy na vehivavy, dia entiny hifatotra any Jerosalema izy ireo.
\s5
\v 3 Raha mbola nandeha izy, dia izao no nitranga rehefa tonga teo akaikin'i Damaskosy izy, tampoka teo dia nisy hazavana namirapiratra nanodidina azy avy any an-danitra;
\v 4 ary nianjera tamin'ny tany izy ka nandre feo niteny taminy hoe: "Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika ahy?"
\s5
\v 5 Saoly namaly hoe: "Iza ianao, Tompo?" Hoy ny Tompo: "Izaho no Jesosy izay enjehinao,
\v 6 fa mitsangàna, midira ao amin'ny tanàna, ary ho lazaina aminao izay tsy maintsy ho ataonao."
\v 7 Ny lehilahy izay niara-dia tamin'i Saoly dia nijoro tsy nahateny, nandre ny feo, fa tsy nahita an' iza na iza.
\s5
\v 8 Nitsangana avy tamin'ny tany i Saoly, ary rehefa nanokatra ny masony izy, dia tsy afaka nahita na inona na inona izy; ka notantanan'izy ireo tamin'ny tanany izy ary nentina tany Damaskosy.
\v 9 Tsy nahiratra izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinana izy no sady tsy nisotro.
\s5
\v 10 Ary nisy mpianatra tao Damaskosy antsoina hoe Ananiasy. Niteny taminy tamin'ny fahitana ny Tompo: "Ananiasy!" Hoy izy: "Indro, inty aho, Tompo."
\v 11 Niteny taminy ny Tompo: "Mitsangàna, ary mandehana any amin'ny lalana izay antsoina hoe Mahitsy, ary rehefa ao an-tranon'i Jodasy dia mangataha amin'ilay lehilahy avy any Tarsosy antsoina hoe Saoly, fa mivavaka izy.
\v 12 Efa nahita tamin'ny fahitana ny fihavian'ny olona antsoina hoe Ananiasy izy ary hametraka ny tanany eo aminy, ka mety hahita indray izy."
\s5
\v 13 Fa namaly Ananiasy hoe: "Tompo, efa nandre tamin'ny maro momba io olona io aho, mahakasika ny ratsy nataony tamin'ny olonao masina tao Jerosalema.
\v 14 Nanana fahefana tamin'ireo lohan'ny mpisorona izy mba hisambotra izay rehetra miantso ny anaranao eto."
\v 15 Fa ny Tompo niteny taminy hoe: "Mandehana, fa izy dia fitaovana nofidiko, mba hitondra ny anarako eo anoloan'ny Jentilisa sy ireo mpanjaka ary ny zanak'Israely;
\v 16 fa ho asehoko azy hoe ahoana ny fijaliany noho ny amin'ny anarako."
\s5
\v 17 Ka lasa i Ananiasy, ary niditra tao amin'ny trano. Nametraka ny tanany teo aminy, dia niteny izy hoe: "Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesosy, izay niseho taminao teny an-dalana rehefa nakaty ianao, no nandefa ahy taty mba mety hahiratanao ary ho feno ny Fanahy Masina."
\v 18 Teo no ho eo dia zavatra toy ny kiran-trondro no niendaka avy hatrany teo amin'ny mason'i Saoly, ary nahiratra izy; nitsangana izy ary natao batisa;
\v 19 ary nihinana izy ka nahazo hery. Nipetraka niaraka tamin'ireo mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.
\s5
\v 20 Avy hatrany dia nanambara an'i Jesosy tao amin'ny Synagoga izy, nilaza fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
\v 21 Izay rehetra nandre azy dia gaga ary niteny hoe: "Tsy io olona io ve no namono ireo tany Jerosalema izay niantso tamin'io anarana io? Tonga teto izy mba haka azy ireo ho fatorana ho any amin'ny mpisorombe."
\v 22 Fa lasa nihanahery i Saoly, ary nampahory ny Jiosy izay nonina tao Damaskosy ka nanaporofo fa Jesosy no Kristy.
\s5
\v 23 Taorian'ny andro maromaro, niara- nanao drafitra mba hamono azy ireo Jiosy.
\v 24 Fa lasa fantatr'i Saoly ny tetik'izy ireo. Ary niandry ny vavahady andro aman'alina mba hamono azy izy ireo.
\v 25 Fa naka azy tamin'ny alina ireo mpianany ary namela azy hidina tamin'ny rindrina, nampidina azy tao anaty harona.
\s5
\v 26 Rehefa tonga teo Jerosalema izy, dia nanandrana ny hanatona ireo mpianatra i Saoly, nefa natahotra azy daholo ireo, tsy nino fa mpianatra izy.
\v 27 Fa naka azy i Barnabasy ary nitondra azy teo amin'ireo Apostoly, ary nilaza tamin'ireo izy hoe ahoana no nahitan'i Saoly ny Tompo teny an-dalana sy ny nitenenan'ny Tompo taminy, ary ahoana no nitorian'i Saoly am-pasahiana tamin'ny anaran'i Jesosy tao Damaskosy.
\s5
\v 28 Nihaona tamin'izy ireo izy rehefa niditra ary nivoaka an'i Jerosalema. Niteny am-pasahiana tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo izy
\v 29 ary niady hevitra niaraka tamin'ireo Jiosy Grika; nefa mbola niezaka ny hamono azy ihany izy ireo.
\v 30 Rehefa fantatr'ireo rahalahy izany, dia nentin'izy ireo nidina tany Kaisaria izy ary nalefany ho any Tarsosy izy.
\s5
\v 31 Ary avy eo, ny fiangonana nanerana an'i Jodia rehetra, Galilia, ary Samaria nanana fiadanana ary voaorina; ary, nandeha tamin-tahotra ny Tompo sy tamin'ny fampiononan'ny Fanahy Masina, ka nitombo isa ny fiangonana.
\v 32 Dia tonga izany ankehitriny, raha nandeha nanerana ny faritra manontolo Petera, dia nandeha nidina tany amin'ireo mpino izay nipetraka tao amin'ny tananan'i Lyda ihany koa izy.
\s5
\v 33 Nahita olona antsoina hoe Aenasy tao izy, izay efa teo am-pandriany nandritry ny valo taona, satria nalemy izy.
\v 34 Petera niteny taminy hoe: "Aenasy, manasitrana anao Jesosy Kristy. Mitsangàna ary amboary ny fandrianao," ary niaraka tamin'izay dia nitsangana izy.
\v 35 Fa izay rehetra nipetraka tao Lyda sy tao Sarona dia nahita ny lehilahy ka nitodika tamin'ny Tompo izy ireo.
\s5
\v 36 Ary nisy mpianatra iray antsoina hoe Tabita tao Jopa, izay adika hoe "Dorkasy." Nanao asa soa betsaka io vehivavy io ary nanao fanampiana feno asa fiantrana izay nataony ho an'ny mahantra.
\v 37 Tamin'ireo andro ireo dia narary izy ary maty; rehefa nanasa azy izy ireo, dia napetrak'izy ireo tao amin'ny efitrano ambony izy.
\s5
\v 38 Satria efa nanakaiky an'i Lyda i Jopa, ary nandre ireo mpianatra fa tao Petera, dia nandefa olona roa tany aminy izy ireo, niangavy azy: "Tongava re any aminay tsy misy hatak'andro."
\v 39 Nitsangana Petera ary nandeha niaraka tamin'izy ireo. Rehefa tonga izy, dia nitondra azy tao amin'ny efitra ambony izy ireo, ary ny mpitondratena rehetra nitsangana teo anilany nitomany, nampiseho azy akanjo sy ny lamba izay nataon'ireo Dorkasy fony izy niaraka tamin'izy ireo.
\s5
\v 40 Nalefan'i Petera tany ivelan'ny efitra izy rehetra, nandohalika, ary nivavaka; avy eo, nitodika tamin'ilay razana, niteny izy hoe: "Tabita, mitsangàna." Dia nanokatra ny masony izy avy eo, ary nahita an'i Petera izy dia niarina.
\v 41 Avy eo nanolo-tanana azy Petera ary nampitsangana azy; ary rehefa niantso ireo mpino sy ireo mpitondratena izy, dia nasehony tamin'izy ireo ny fahavelomany.
\v 42 Lasa fantatra nanerana an'i Jopa rehetra izany zavatra izany, ary olona maro no nino ny Tompo.
\v 43 Tamin'izany Petera dia nipetraka andro maromaro niaraka tamin'ilay lehilahy iray antsoina hoe Simona tao Jopa, izay mpandoko hoditra.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Ary nisy lehilahy iray tao amin'ny tananan'ny Kaisaria, atao hoe Kornelio, kapitenin'ireo antoko Miaramila Italiana.
\v 2 Lehilahy mpivavaka izy, ilay iray izay midera an'Andriamanitra miaraka amin'ny ankohonany rehetra; nanome vola betsaka an'ireo izay tao anatin'ny tsy fahampiana izy, ary nivavaka mandrakariva tamin'Andriamanitra.
\s5
\v 3 Nanodidina ny tamin'ny ora faha sivy maraina teo ho eo, nahita mazava tamin'ny fahitana anjelin'Andriamanitra nanatona azy izy. Ilay anjely niteny taminy hoe: "Ry Kornelio!"
\v 4 Kornelio nibanjina ilay anjely ary tena raiki-tahotra ka niteny hoe: "Fa inona ity, tompoko?" Ilay anjely niteny taminy hoe: "Ireo vavakao sy ireo fanomezanao ho an'ny mahantra dia tafakatra ho fanati-pahatsiarovana eo anatrehan'Andriamanitra.
\v 5 Ary maniraha lehilahy hankany amin'ny tanànan'ny Jopa mba haka ilay lehilahy iray atao hoe Simona izay antsoina hoe Petera.
\v 6 Mipetraka miaraka amin'ny mpandoko hoditra antsoina hoe Simona izy, izay eny amoron-dranomasina ny tranony."
\s5
\v 7 Rehefa lasa ilay anjely izay niresaka taminy, dia niantso ny roa tamin'ny mpanompony tao an-trano i Kornelio, ary miaramila mpivavaka iray tamin'ireo izay nanompo azy.
\v 8 Kornelio nilaza tamin'izy ireo izay rehetra nitranga ary nandefa azy ireo tany Jopa.
\s5
\v 9 Ary ny ampitso nanodidina ny ora faha-enina teo, raha mbola teny an-dalana izy ireo ka nanatona ny tanàna, dia niakatra teny ambony tafon-trano i Petera mba hivavaka.
\v 10 Nanomboka niha-noana izy avy eo ka nitady zavatra ho hanina, kanefa raha mbola teo am-pandrahoana sakafo ny olona, dia nahita fahitana izy,
\v 11 ary nahita ny lanitra nisokatra izy sy fitahirizana iray nidina, toy ny lamba be midina ety an-tany, ampidinina amin'ny zorony efatra.
\v 12 Tao no nisy karazam-biby manan-tongotra efatra sy zavatra izay mandady rehetra eto an-tany, ary ny voron'ny lanitra.
\s5
\v 13 Dia nisy feo niteny taminy hoe: "Mitsangàna, ry Petera, mamono ary mihinana."
\v 14 Fa i Petera niteny hoe: "Tsia, Tompo; fa mbola tsy nihinana zavatra izay voarara sy tsy madio mihitsy aho."
\v 15 Saingy tonga taminy fanindroany indray ilay feo hoe: "Izay nodiovin'Andriamanitra, dia tsy antsoina hoe fady."
\v 16 Niseho in-telo izany; ary avy eo ilay fitahirizana dia niverina niakatra teo no ho eo tany an-danitra.
\s5
\v 17 Ary rehefa very hevitra momba ny dikan'ilay fahitana izay hitany i Petera, dia indro, ireo lehilahy izay nalefan'i Kornelio nitsangana nanoloana ny vavahady, avy eo izy ireo dia nanontany izay lalan'izy ireo mankao an-trano.
\v 18 Dia niantso izy ireo ary nanontany an'i Simona, nantsoina ihany koa hoe Petera, izay nijanona teo.
\s5
\v 19 Raha mbola nieritreritra momba ilay fahitana i Petera, dia niteny taminy ny Fanahy hoe: "Indro, lehilahy telo no mitady anao. \f + \ft Fanamarihana: Ny amin'ny dikan-teny taloha dia hoe: "Lehilahy roa no mitady anao" na "misy lehilahy sasan-tsasany mitady anao. \f*
\v 20 Mitsangàna ary midina ka miaraha amin'izy ireo. Aza misalasala miaraka amin'izy ireo, satria izaho no nandefa azy ireo.
\v 21 Ary Petera nidina tany amin'ireo lehilahy ireo ka niteny hoe: "Izaho ilay tadiavinareo. Inona no antony nahatongavanareo?"
\s5
\v 22 Hoy izy ireo hoe: "Ny kapiteny antsoina hoe Kornelio, lehilahy marina ary olona izay midera an'Andriamanitra, ary tsara laza any amin'ny firenen'ny Jiosy rehetra, izay nolazain'ny anjely masin'Andriamanitra mba hampaka anao ho any an-tranony, noho izany dia afaka mihaino ny hafatra avy aminao izy."
\v 23 Dia nanasa azy ireo hiditra sy hijanona hiaraka aminy Petera. Ny ampitso marainan'iny dia nitsangana izy ka niaraka tamin'izy ireo, ary ny sasany tamin'ireo rahalahy avy any Jopa dia nanaraka azy.
\s5
\v 24 Ny andro manaraka dia nankao Kaisaria izy ireo. Kornelio dia niandry azy ireo; nantsoiny niaraka ny havany sy ny namany akaiky.
\s5
\v 25 Ary tamin'izany rehefa niditra Petera, nifankahita taminy i Kornelio ary niankohoka teo an-tongony mba hidera azy.
\v 26 Fa Petera nanampy azy, niteny hoe: "Mitsangàna! Izaho ihany koa dia olona ihany.
\s5
\v 27 Raha mbola niresaka niaraka taminy i Petera, dia niditra izy ary nahita olona maro be niara-niangona.
\v 28 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Ny tenanareo mahalala fa tsy ara-dalana ho an'ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy olona avy amin'ny firenena hafa. Fa Andriamanitra naneho tamiko fa tsy tokony hiantso olo-pady na tsy madio aho.
\v 29 Izany no antony nahatongavako tsy nisy fanakantsakanana, rehefa nirahina Aho. Ka manontany anareo Aho hoe nahoana ianareo no maniraka ho ahy."
\s5
\v 30 Kornelio niteny hoe: "Efatra andro mialohan'izao ora izao indrindra, dia nivavaka tao an-tranoko aho tamin'ny ora fahasivy; ary nahita, lehilahy iray nitsangana teo anoloako nanao akanjo namirapiratra.
\v 31 Hoy izy hoe: 'Ry Kornelio, efa ren'Andriamanitra ny vavakao, ary ireo fanomezanao ho an'ireo mahantra dia mampatsiahy an'Andriamanitra ny momba anao.
\v 32 Noho izany dia maniraha olona ho any Jopa, ary antsoy mankany aminao ilay lehilahy atao hoe Simona izay antsoina hoe Petera. Mipetraka ao an-tranon'i Simona mpandon-koditra antsoina hoe: Simona izy, izay eny amoron-dranomasina.'
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia manampy hoe: "Rehefa tonga Izy, dia hiresaka aminao." \f*
\v 33 Ary avy hatrany dia nalefako ho anao. Tsara ny fahatongavanao. Ary ankehitriny, isika rehetra tonga eto imason'Andriamanitra, mba hihaino ireo rehetra izay nolazain'ny Tompo anareo no tenenina."
\f + \ft Fanamarihana: "Raha tokony ho: "nolazain'ny Tompo no tenenina" no eo, dia ny dikan-teny taloha dia hoe: "nolazain'Andriamanitra no tenenina." \f*
\s5
\v 34 Avy eo dia nanokatra ny vavany Petera ary niteny hoe: "Marina tokoa, fantatro fa Andriamanitra dia tsy miandany na amin'iza na amin'iza.
\v 35 Fa kosa, any amin'ny firenena tsirairay na iza na iza no midera sy manao asa marina dia ekeny avokoa.
\s5
\v 36 Fantatrareo ilay hafatra izay nalefany ho an'ny olon'Israely, rehefa nanambara filazantsara momba ny fiadanana avy amin' ny alalan' i Jesosy Kristy izy, izay Tompon'ny rehetra-
\v 37 Ianareo tenanareo dia mahalala ireo zava-niseho, izay tena nitranga tao amin'ny toerana rehetra tao Jodia, nanomboka tany Galilia, taorian'ny batisa izay nambaran'i Jaona;
\v 38 ireo zava-nitranga mikasika an'i Jesosin'ny Nazareta, ny fomba nanosoran'Andriamanitra azy tamin'ny Fanahy Masina sy tamin'ny hery. Nandeha nanao soa izy sady nanasitrana ireo rehetra izay voagejan' ny devoly, satria Andriamanitra dia niaraka taminy.
\s5
\v 39 Isika dia vavolombelon'ireo zava-bitan'i Jesosy rehetra, tany amin'ny tanin'ny Jiosy sy tany Jerosalema. Novonoin'izy ireo izy tamin'ny alalan'ny fanantonana azy teo amin'ny hazo,
\v 40 fa Andriamanitra nanangana azy tamin'ny andro fahatelo ary nanao izay hahitana azy,
\v 41 tsy ireo olona rehetra, fa ireo vavolombelona izay voafidin'Andriamanitra mialoha- tamintsika izay nihinana sy nisotro niaraka taminy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty.
\s5
\v 42 Nandidy anay izy mba hanambara amin'ny olona sy hijoro vavolombelona fa izy ilay iray nofidin'Andriamanitra ho Mpitsaran'ny velona sy ny maty.
\v 43 Ho azy no hijoroan'ny mpaminany rehetra vavolombelona, mba ho ireo izay mino azy no handray famelan-keloka amin'ny alalan'ny anarany.
\s5
\v 44 Raha mbola niteny izany zavatra izany i Petera, dia nilatsaka tamin'ireo rehetra izay nihaino ny hafany ny Fanahy Masina.
\v 45 Ireo olona tao anatin'ny vondron'ny mpino voafora- ireo rehetra izay niaraka tamin'i Petera- dia gaga, satria ny fanomezan'ny Fanahy Masina dia narotsaka ho an'ny Jentilisa ihany koa.
\s5
\v 46 Fa ren'izy ireo ireo Jentilisa izay miteny amin'ireo fiteny hafa sy mankalaza an'Andriamanitra. Dia namaly Petera hoe:
\v 47 Moa ve misy olona afaka mitazona rano mba tsy hanaovana batisa azy ireo, ireo olona izay nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa?
\v 48 Dia nandidy azy ireo mba ho atao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangataka azy izy ireo mba hitoetra hiaraka amin'izy ireo mandritry ny andro vitsivitsy.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary ireo apostoly sy ireo rahalahy izay tany Jodia nahare fa ireo Jentilisa ihany koa dia nandray ny Tenin'Andriamanitra.
\v 2 Rehefa niakatra tany Jerosalema i Petera, ireo izay tao amin'ny antokon'ireo voafora dia nanakiana azy;
\v 3 hoy izy ireo hoe: "Ianao nikambana niaraka tamin'ireo lehilahy tsy voafora sady nisakafo niaraka tamin'izy ireo!"
\s5
\v 4 Fa Petera nanomboka nanazava ny zava-nitranga tamin'izy ireo tamin'ny antsipirihiny; hoy izy hoe:
\v 5 "Nivavaka tany amin'ny tanànan'ny Jopa aho, ary nahita fahitana ny amin'ny fisian-javatra iray izay nidina, tahaka ny lamba lehibe nahidina avy any an-danitra tamin'ireo zorony efatra aho. Nidina teo amiko izany.
\v 6 Nibanjina izany aho ary nisaintsaina momba izany. Nahita ireo biby manan-tongotra efatry ny tany, ireo biby dia, ireo biby mandady, ary ireo vorona eny amin'ny lanitra aho.
\s5
\v 7 Avy eo aho dia nahare feo niteny tamiko hoe: "Mitsangàna, ry Petera; mamono ary mihinàna."
\v 8 Hoy aho hoe: "Tsia, ry Tompo; fa tsy mbola nisy zavatra tsy masina na maloto mihitsy niditra tato am-bavako."
\v 9 Fa ilay feo namaly avy any an-danitra indray hoe: "Izay nambaran'Andriamanitra fa madio, aza antsoina hoe maloto."
\v 10 Niseho in-telo izany, ary avy eo dia nalaina niverina niakatra tany an-danitra indray ny zavatra rehetra
\s5
\v 11 Indro, teo no ho eo dia nisy telo lahy nitsangana teo anoloan'ny trano izay nisy anay; nalefa avy tany Kaisaria nankaty amiko izy ireo.
\v 12 Ny Fanahy dia nandidy ahy hiaraka amin'izy ireo, ary tsy tokony hanisy fizahan-tava amin'izy ireo aho. Ireo rahalahy enina ireo dia nandeha niaraka tamiko, ary nandeha nankao an-tranon'ilay lehilahy izahay.
\v 13 Izy niteny taminay ny nahitany anjely iray nitsangana tao an-tranony ary niteny hoe: "Maniraha lehilahy any Jopa ary ento miverina i Simona izay antsoina hoe Petera.
\v 14 Izy dia hilaza hafatra iray aminao izay havoavonjy anao - ianao sy ny ankohonanao rehetra."
\s5
\v 15 Raha vao nanomboka niteny tamin'izy ireo aho, ny Fanahy Masina dia tonga tamin'izy ireo, tahaka ny nidinany taminay tany am-boalohany.
\v 16 Tsaroako ny tenin'ny Tompo, ny nitenenany hoe: "Jaona nanao batisa tamin'ny rano tokoa; fa ianareo dia mila hatao batisa ao amin'ny Fanahy Masina."
\s5
\v 17 Koa raha Andriamanitra nanome azy ireo ny fanomezana mitovy amin'izay nomeny antsika tamin'isika nino an'ny Tompo Jesosy Kristy, iza aho, no ho afaka hanohitra an'Andriamanitra?"
\v 18 Rehefa henon'izy ireo izany zavatra izany, tsy niteny na inona na inona hoenti-mamaly izy ireo, fa nidera an'Andriamanitra kosa izy ireo ary niteny hoe: "Ary Andriamanitra nanome fibebahana ho fiainana ho an'ireo jentilisa ihany koa."
\s5
\v 19 Ary ireo izay naparitaka noho ny fanenjehana izay niatomboka tamin'ny fahafatesan'i Stefana dia niely lavitra tany Foinika, Kyprosy, ary Antioka, fa izy ireo dia nilaza ny hafatra momba an'i Jesosy tamin'ireo Jiosy irery ihany.
\v 20 Fa ny sasany tamin'izy ireo, ireo lehilahy avy any Kyprosy sy Kyrena, dia nandeha tany Antioka ary niresaka tamin'ireo Grika ihany koa, nilaza tamin'izy ireo ny filazantsara momba ny Tompo Jesosy.
\v 21 Ny tanan'ny Tompo dia niaraka tamin'izy ireo; maro isa no nino ary nitodika tamin'ny Tompo.
\s5
\v 22 Ireo vaovao momba azy ireo dia tonga teny an-tsofin'ny fiangonana tao Jerosalema, ary izy ireo naniraka an'i Barnabasy hatrany Antioka.
\v 23 Rehefa tonga izy ka nahita ny fanomezan'Andriamanitra, dia ravoravo izy; ary izy nampahery azy rehetra mba hitoetra miaraka amin'ny Tompo amin'ny fon'izy ireo rehetra.
\v 24 Satria izy dia lehilahy tsara sady feno ny Fanahy masina sy finoana, ary olona maro no niampy ho an'ny Tompo.
\s5
\v 25 Dia nandeha nankany Tarsosy i Barnabasy mba hitady an'i Saoly.
\v 26 Rehefa hitany izy, dia nentiny tany Antioka. Ary nandritry ny herintaona maninjitra izy ireo dia niara-niangona niaraka tamin'ny fiangonana ary nampianatra olona maro. Ireo mpianatra dia nantsoina voalohany hoe kristiana tao Antioka.
\s5
\v 27 Ary tamin'izany andro izany dia nisy mpaminany maromaro nidina avy tany Jerosalema nankany Antioka.
\v 28 Iray tamin'izy ireo, i Agabo no iantsoana azy, nitsangana ary notoroin'ny Fanahy fa hisy mosary lehibe hitranga manerana izao tontolo izao. Nitranga izany tamin'ny andron'i Klaodio.
\s5
\v 29 Noho izany, ireo mpianatra, araka ny fahafahan'ny tsirairay avy, dia nanapa-kevitra ny handefa fanampiana ho an'ireo rahalahy tany Jodia.
\v 30 Nanao izany izy ireo; nandefa vola ho an'ireo loholona izy ireo tamin'ny tanan'i Barnabasy sy Saoly.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka nisambotra ireo sasany izay an'ny fiangonana mba hahafahany mampijaly azy ireo.
\v 2 Novonoiny tamin'ny sabatra Jakoba rahalahin'i Jaona.
\s5
\v 3 Ary rehefa hitany fa nahafaly ireo Jiosy izany, dia nanao izay hisamborana an'i Petera koa izy. Izany dia nandritry ny andron'ny mofo tsy misy masirasira.
\v 4 Rehefa avy nosamborina izy, dia nataony tany am-ponja izy ary nanendry miaramila efa-toko hiambina azy, nikasa ny hitondra azy eo amin'ny olona aorian'ny Paska izy.
\s5
\v 5 Noho izany dia notazonina tao am-ponja Petera, fa ny vavaka dia nataon'ireo izay tao am-piangonana mafy kokoa tamin'Andriamanitra ho azy.
\v 6 Ny alina alohan'ny hitondran'i Heroda azy hotsaraina, Petera dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa, voafatotra tamin'ny rojo anankiroa, raha mbola nijanona niambina ny fonja ny mpiandry teo alohan'ny varavarana.
\s5
\v 7 Indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho tampoka teo akaikiny, ary nisy hazavana namiratra tao anatin'ny efitry ny fonja. Nikapoka an'i Petera teo amin'ny ilany izy ary namoha azy ka nanao hoe: "Mitsangàna haingana", ary ireo rojony niala tamin'ny tanany.
\v 8 Ny anjely niteny taminy hoe: "Ampiakanjoy ny tenanao ary anaovy ny kiraronao." Dia nataon'i Petera araka izany. Ny anjely niteny taminy hoe: "Anaovy ny akanjonao ivelany ary manaraha ahy."
\s5
\v 9 Dia nanaraka ilay anjely Petera ary nivoaka. Tsy fantany fa ireo izay nataon'ny anjely dia tena izy. Nihevitra izy fa nahita fahitana.
\v 10 Rehefa avy nandalo teo amin'ny mpiambina voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mitondra mankany amin'ny tanàna; nisokatra ho azy tamin'izy ireo izany. Nivoaka izy ireo ary nidina tamin'ny lalana iray, ary ilay anjely nandao azy avy hatrany.
\s5
\v 11 Rehefa niverina tamin'ny tenany Petera, niteny izy hoe: "Ankehitriny dia fantatro marina fa ny Tompo no nandefa ny anjeliny ary nanafaka ahy tamin'ny tanan'i Heroda, sy tamin'ny zavatra rehetra izay nandrasan'ny Jiosy hiseho.
\v 12 Rehefa tonga saina tamin'izany izy, dia nankany amin'ny tranon'i Maria renin'i Jaona, antsoina koa hoe Marka, izay nisy olona maro niangona sy nivavaka.
\s5
\v 13 Rehefa nandondona teo am-bavahady izy, nisy mpanompo vavy iray antsoina hoe Roda tonga namaly.
\v 14 Rehefa fantany ny feon'i Petera, tamin-kafaliana dia tsy nahavita namoha ny varavarana izy; fa kosa, nandeha nihazakazaka nankany an-trano izy, notateriny fa Petera nijoro teo am-baravarana.
\v 15 Dia niteny taminy izy ireo hoe: "Adala ianao." Fa nanizingizina izy fa izany no izy. Niteny izy ireo hoe: "Ny anjeliny izany."
\s5
\v 16 Fa Petera nanohy nandondona, ary rehefa novohain'izy ireo ny varavarana, dia nahita azy izy Ireo ary gaga.
\v 17 Petera nanetsika ny tanany tamin'izy ireo mba hangina, ary noteneniny tamin'izy ireo ny fomba nitondran'ny Tompo azy nivoaka ny fonja. Hoy izy hoe: "Tatero any amin'i Jakoba sy ireo rahalahy izany zavatra izany. "Dia niala izy ary nandeha tany tamin'ny toerana hafa.
\s5
\v 18 Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nisy fientanam-po kely teo amin'ireo miaramila ny amin'izay nitranga tamin'i Petera.
\v 19 Rehefa avy nitady azy Heroda ary tsy nahita azy, dia nanadihady ny mpiandry izy ary nandidy azy ireo mba hovonoina. Dia nidina avy any Jodia nankany Kaisaria izy ary nitoetra tany.
\s5
\v 20 Ary Heroda dia tezitra mafy tamin'ny vahoakan'i Tyra sy Sidona. Niara-nankany aminy izy ireo. Nandresy lahatra an'i Blasto izy ireo, ilay mpanampin'ny mpanjaka, mba hanampy azy ireo. Dia nangataka fihavanana izy ireo, satria ny tanànan'izy ireo dia mandray ny sakafony avy amin'ny mpanjakan'ny tanàna.
\v 21 Tamin'ny andro voatondro Heroda dia nampiakanjo ny tenany akanjona mpanjaka ary nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana; nikabary tamin'izy ireo izy.
\s5
\v 22 Nihiaka ny vahoaka: "Izany dia feona andriamanitra, fa tsy an'olona!"
\v 23 Teo noho eo dia nisy anjelin'ny Tompo namely azy; satria tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy; nohanin'ny kankana izy dia maty.
\s5
\v 24 Fa ny tenin'Andriamanitra nitombo sy nihamaro.
\v 25 Ka rehefa vitan'i Barnabasy sy Saoly ny iraka nampanaovina azy ireo, dia niverina avy tany
\f + \ft Ny sasany amin'ireo dika soratra tranainy miteny hoe: "Izy ireo niverina tany Jerosalema \f*
Jerosalema izy ireo, nitondra an'i Jaona niaraka tamin'izy ireo, izay antsoina ihany koa hoe Marka.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Ary tao amin'ny fiangonana tao Antioka, dia nisy mpaminany sy mpampianatra maro tao. Izy ireo dia Barnabasy, Simona (izay antsoina hoe Nigera), Lisiosa avy amin'i Sirena, Manaena (ilay rahalahy izay niolonono tamin'i Heroda mpanapaka), ary Saoly.
\v 2 Raha mbola nidera ny Tompo sy nifady hanina izy ireo, ny Fanahy Masina niteny hoe: "Atokany ho ahy Barnabasy sy i Saoly, mba hanao ny asa izay niantsoko azy ireo."
\v 3 Taorian'ny nifadian'izy ireo hanina, sy nivavahany, ary nametrahan'izy ireo tànana tamin'ireo lehilahy ireo, izy ireo dia nalefan'izy ireo.
\s5
\v 4 Ka nankato ny Fanahy Masina i Barnabasy sy i Saoly ka nandeha nidina nankany Selosia; avy teny izy ireo dia niantsambo ho any amin'ny nosin'ny Sipra.
\v 5 Rehefa tao amin'ilay tanànan'ny Salamina izy ireo, dia nitory ny tenin'Andriamanitra tao amin'ny Synagogan'ireo Jiosy izy ireo. Ary nanana an'i Jaona Marka koa izy ireo mba ho mpanampy azy ireo.
\s5
\v 6 Ary rehefa namakivaky ny nosy iray manontolo mankany Pafosy izy ireo, dia nahita mpanao ody, izay mpaminany Jiosy sandoka, ary ny anarany dia Bara Jesosy.
\v 7 Mpanao ody izay niara-niasa tamin'ireo governora, Serjio Paolosy, izay lehilahy tena mahay. Nosamborin'io lehilahy io Barnabasy sy i Saoly, satria te haheno ny tenin'Andriamanitra izy.
\v 8 Fa Elimasy "mpanao ody" (izany no nandikana ny anarany) nanohitra azy ireo; ary niezaka ny hanodina ny governora hiala amin'ny finoana izy.
\s5
\v 9 Fa i Saoly, izay antsoina ihany koa hoe Paoly, dia feno ny Fanahy Masina, ary nandinika azy tsara.
\v 10 Ary niteny hoe: "Ianao ry zanaky ny Devoly, ianao dia feno ny karazam-pitaka sy faharatsiana rehetra. Fahavalon'izay rehetra marina ianao. Tsy hijanona ny hamily ny lala-mahitsin'ny Tompo mihitsy ianao, sa tsy izany?
\s5
\v 11 Fa indro ankehitriny, ny tanan'ny Tompo eo aminao, ka ho tonga jamba ianao. Ary tsy hahita ny masoandro aloha ianao. "Teo no ho eo dia nilatsaka tao amin'i Elimasy ny fahanjavozavonana sy fahamaizinana; nanomboka nivezivezy ary nangataka tamin'ny olona izy mba hitantana azy amin' ny tanana.
\v 12 Rehefa avy nahita izay zava-niseho ny governora, dia nino izy, satria gaga tamin'ny fampianarana momba ny Tompo izy.
\s5
\v 13 Ary Paoly sy ny namany dia lasa niantsambo avy Pafosy nankany amin'ny Perga any Pafilia. Fa Jaona kosa nandao azy ireo ary niverina tany Jerosalema.
\v 14 Paoly sy ireo namany dia nandeha avy tany Perga ary nankany Antiokan'i Pisidia. Ary tao dia nandeha nankany amin'ny synagoga tamin'ny andron'ny Sabata izy ireo ary nipetraka.
\v 15 Taorian'ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, dia nandefa hafatra tany amin'izy ireo ny mpitariky ny Synagoga niteny hoe: "Ry rahalahy, raha manana hafatra fampaherezana ho an'ny olona eto ianareo, dia teneno izany."
\s5
\v 16 Ka nitsangana Paoly ary nanao fihetsika tamin'ny tanany, niteny hoe: "Ry olon'Israely ary ianareo izay manome voninahitra an'Andriamanitra, mihainoa.
\v 17 Ny Andriamanitry ny olon'Israely dia nisafidy ny raintsika ary nampitombo isa ny olona rehefa nipetraka tao amin'ny tanin'ny Egypta, ary tamin'ny fanandratana ny sandriny no nitarihany azy ireo hivoaka tao.
\v 18 Ary nandritry ny efapolo taona teo ho eo no nandeferany azy ireo tany an'efitra.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia mivaky toy izao: "Nandritry ny efapolo taona eo ho eo dia niahy azy ireo tany an'efitra izy." \f*
\s5
\v 19 Ary rehefa avy nandrava firenena fito tany amin'ny tany Kanana izy, dia nomeny ny vahoakantsika ny tanin'izy ireo mba ho lova.
\v 20 Izany zava-drehetra niseho izany dia efa tamin'ny faha dimampolo sy efa-jato taona. Taorian'izany zavatra rehetra izany, Andriamanitra nanome mpitsara azy ireo mandra-piavin'i Samoela mpaminany.
\s5
\v 21 Dia nangataka mpanjaka ny olona avy eo, ary Andriamanitra nanome azy ireo an'i Saoly zanaka lahin'i Kisa, lehilahy izay avy amin'ny fokon'i Benjamina, mba ho mpanjaka mandritry ny efapolo taona.
\v 22 Ary avy eo Andriamanitra nanala azy teo amin'ny fanjakany, ka nanandratra an'i Davida mba ho mpanjakan'izy ireo. Fa izany no nolazain'Andriamanitra momba an'i Davida hoe: "Efa nahita an'i Davida zanak'i Jesea aho mba ho olon'ny foko, izay hanao izay rehetra tiako hataony.
\s5
\v 23 Fa avy amin'ny taranak'io lehilahy io no hitondran'Andriamanitra mpanavotra ho an'Israely, dia i Jesosy, araka izay efa nampanantenainy hatao.
\v 24 Nanomboka niseho izany, talohan'ny nahatongavan'i Jesosy, Jaona nanambara voalohany tamin'ny vahoakan'Israely rehetra momba ny batisan'ny fibebahana.
\v 25 Satria Jaona efa nahavita ny asany, dia hoy izy: "Iza no hieritretanareo ahy? Tsy izaho ilay izy. Fa henoy, hisy iray ho avy aorinako, ary ny kiraron'ny tongony dia tsy hahamendrika ahy ny hamaha azy.
\s5
\v 26 Ry rahalahy, zanaka avy amin'ny taranak'i Abrahama, ary izay midera an'Andriamanitra rehetra eo aminareo, ho antsika no nandefasana izany hafatra momban'ny famonjena izany.
\v 27 Fa ireo izay mipetraka any Jerosalema, sy ny mpitondran' izy ireo, dia tsy nahafantatra azy, ka tanterak'izy ireo ny voalazan'ny mpaminany izay vakiana isan-tsabata ny amin'ny fanamelohana azy.
\s5
\v 28 Na dia tsy mahita antony tsara hamonoana azy aza izy ireo, dia nangataka tamin'i Pilaty ihany mba hamono azy.
\v 29 Rehefa tanterak'izy ireo ny zavatra rehetra izay voasoratra momba azy, dia nampidin'izy ireo teny amin'ny hazo Izy ary nampandriany tao am-pasana.
\s5
\v 30 Fa Andriamanitra kosa nampitsangana azy tamin'ny maty.
\v 31 Ary hitan'ireo izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia mankany Jerosalema izy nandritry ny andro maromaro. Ary ankehitriny dia ireo olona ireo no vavolombelony ho an'ny olona.
\s5
\v 32 Noho izany izahay miteny aminareo ny filazantsara izay nampanantenain'Andriamanitra tamin'ny raintsika izay efa tanterany ho antsika,
\v 33 zanak'izy ireo, tamin'ny nananganany an'i Jesosy. Arak'izay efa voasoratra ao amin'ny salamo faharoa hoe: 'Zanako ianao, anio dia ho tonga Rainao aho.'
\v 34 Ny antony nananganana azy tamin'ny maty dia ny mba tsy hahasimba mandrakizay ny vatany, Andriamanitra niteny toy izao: 'Homeko anareo ny fitahiana masina sy azo antoka nampanantenaina an'i Davida.'
\s5
\v 35 Izany koa no nahatonga azy niteny tao amin'ny salamo hafa hoe: "Tsy hamela ilay Masina hahita ny lo ianao."
\v 36 Satria rehefa nanatanteraka ireo fanirian'Andriamanitra ho an'ny taranany i Davida dia resin-tory izy, ka nampandriana niaraka tamin'ireo rainy izy ary ny vatany niharan'ny fahalovana.
\v 37 Fa izy izay natsangan'Andriamanitra dia tsy niharan'ny faharavana.
\s5
\v 38 Ka aoka ho fantatrareo izany, ry rahalahy, fa tamin'ny alalan'io lehilahy io no nanambarana taminareo ny famelana ny fahotana.
\v 39 Amin'ny alalany ny olona tsirairay izay mino dia voamarina amin'ny zavatra rehetra izay mety tsy ho voamarin'io lalàn'i Mosesy io.
\s5
\v 40 Ka mitandrema mba tsy hiseho aminareo izay zavatra nolazain'ny mpaminany hoe:
\v 41 "Indro, ianareo ry mpanao tsinontsinona, dia ho gaga ary ho levona. Fa Izaho manao asa amin'ny andronareo, Asa izay tsy ninoanareo mihitsy, na dia misy olona manambara izany aminareo aza."
\s5
\v 42 Rehefa lasa i Barnabasy sy i Paoly, dia niangavy azy ireo ny olona mba hitorian'izy ireo ireo teny ireo ihany amin'ny Sabata manaraka.
\v 43 Rehefa tapitra ny fivoriana tao amin'ny Synagoga, dia maro tamin'ireo Jiosy sy ireo proselita mahafatra-po no nanaraka an'i Paoly sy Barnabasy, izay niresaka tamin'izy ireo sy nampirisika azy mba hanohy ao amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.
\s5
\v 44 Tamin'ny Sabata manaraka, dia saika ny tanàna manontolo no niaraka niangona mba handre ny tenin'ny Tompo.
\v 45 Rehefa nahita ireo vahoaka ny Jiosy, dia feno fialonana izy ireo ary niteny nanohitra ireo zavatra izay nolazain'i Paoly sy naneso azy.
\s5
\v 46 Fa Paoly sy Barnabasy niteny am-pasahiana ary nilaza hoe: "Ilaina ho voalaza aminareo mialoha ny tenin'Andriamanitra. Fa rehefa manosika izany ianareo ary mihevitra ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay, dia indro, hiverina any amin'ny Jentilisa izahay.
\v 47 Araka izay efa nandidian'ny Tompo anay, manao hoe: "Napetrako mba ho fahazavan'ny Jentilisa ianareo, izany no tokony hitondranareo famonjena ho an'ireo izay any amin'ny fara-vazan-tany."
\s5
\v 48 Rehefa nandre izany ny Jentilisa, dia faly sy nidera ny tenin'ny Tompo. Ary maro ireo izay voatendry ho amin'ny finoana ny fiainana mandrakizay no nino.
\v 49 Ary ny tenin'ny Tompo dia niely eraky ny faritra manontolo.
\s5
\v 50 Fa ny Jiosy kosa dia namporisika ireo vehivavy mahafatra-po sy manan-danja, sy ireo lehilahy mpitarika tao an-tanàna. Niteraka fanenjehana ho an'i Paoly sy Barnabasy izany ary nanipy azy ireo ho any ivelan'ny sisin-tanin'ny tanàna.
\v 51 Fa Paoly sy Barnabasy nanintsana ny vovoka tamin'ny tongotr'izy ireo mba hanoherana azy ireo. Ary avy eo izy ireo dia nankany amin'ny tanànan'i Ikoniama.
\v 52 Ary ny mpianatra dia feno hafaliana sy ny Fanahy Masina.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ary tamin'izany tao Ikonioma Paoly sy Barnabasy niara-niditra tao amin'ny Synagogan'ny jiosy ka niresaka tam-pahavitrihana ary ny vahoaka maro be Jiosy sy Grika dia nino.
\v 2 Fa ny jiosy izay tsy nankato kosa dia nanakorontana ny fisainan'ny jentilisa ka nahatonga azy ireo hanohitra ireo rahalahy.
\s5
\v 3 Ka nitoetra ela teo izy ireo, niteny am-pasahiana niaraka tamin'ny herin'ny Tompo, tamin'ny nanomezany porofo mahakasika ny hafatra ny amin'ny fahasoavany. Izy nanao izany tamin'ny alalan'ny famantarana sy fahagagana izay natao tamin'ny alalan'ny tanan'i Paoly sy Barnabasy.
\v 4 Saingy ny ankamaroan'ny tanàna dia nizarazara: ny olona sasany niandany niaraka tamin'ireo jiosy, ary ny sasany niaraka tamin'ireo apostoly.
\s5
\v 5 Rehefa nanandrana nandresy lahatra ny mpitarika azy ireo ny Jentilisa sy ny Jiosy mba hamono sy hitora-bato an'i Paoly sy Barnabasy,
\v 6 dia nanjary niafina izy ireo ary nandositra haingana tao an-tanànan'ny Lykaonia, Lystra sy Derbe, ary ireo tanàna manodidina ny faritra,
\v 7 ka tany izy ireo no nanambara ny filazantsara.
\s5
\v 8 Nisy lehilahy iray nipetraka tao Lystra, malemy ny tongony, hatrany an-kibon-dreniny, izay efa tsy nandeha hatramin'izay.
\v 9 Io lehilahy io nandre an'i Paoly niteny. Paoly nanatrika azy tsara teo amin'ny masony ka nahita fa manana finoana ny ho sitrana izy.
\v 10 Koa nilaza taminy izy tamin'ny feo mahery hoe: "Mitsangàna amin'ny tongotrao." Noho ny avy eo ilay lehilahy dia nitsambikimbikina ary nandeha teo amin'ny manodidina.
\s5
\v 11 Rehefa nahita izay nataon'i Paoly ireo vahoaka maro be dia nanandratra ny feony izy ireo, niteny tamin'ny fitenin'ny Lykonia hoe: "Nidina avy any an-danitra ho amintsika amin'ny endrik'olona ireo andriamanitra.'
\v 12 Niantso an' i Barabasy izy ireo hoe "Jopitera", ary Paoly "Merkory", satria izy no mpandaha-teny.
\v 13 Ny mpisoron'i Jopitera, izay ny tempoly dia teo ivelan'ny tanàna, dia nitondra omby sy fehiloha vy teo am-bavahady; izy sy ny vahoaka maro be nikasa hanome sorona.
\s5
\v 14 Fa ny apostoly, Barnabasy sy Paoly, rehefa nandre izany dia nandrovitra ny fitafiany izy ireo ka nandeha haingana ho ao anaty vahoaka, nitaraina sy niteny hoe:
\v 15 "Ry lehilahy, nahoana ianareo no manao izao zavatra izao? Izahay ihany koa dia olombelona mitovy fahatsapana aminareo ihany. Izahay mitondra ny filazantsara ho anareo, mba hitodihanareo hiala amin'izao zava-poana izao ho any amin'Andriamanitra velona, izay nanao ny lanitra, ny tany, ary ny ranomasina sy ny zava-drehetra izay ao aminy.
\v 16 Tamin'ny andro taloha, Izy dia namela ny firenena rehetra nandeha tamin'ny lalany manokana avy.
\s5
\v 17 Kanefa, Izy dia tsy namela ny tenany tsy hisy vavolombelona, tao amin'izany dia nanao ny tsara Izy ary nanome anareo ranon'orana avy any an-danitra sy vanim-potona mahavokatra, ka hameno ny fonareo amin'ny sakafo sy firavoravoana."
\v 18 Fa na dia tamin'izany teny izany aza, Paoly sy Barnabasy dia tsy nitsahatra nihazona ny vahoaka maro be tsy hanao sorona ho azy ireo.
\s5
\v 19 Fa ny Jiosy sasany avy ao Antiokia sy Ikonioma dia tonga ary nandresy lahatra ny vahoaka. Izy ireo nitora-bato an'i Paoly sy nitarika azy hivoaka ny tanàna, ary nieritreritra fa maty izy.
\v 20 Ary raha mbola nijoro nanodidina azy teo ireo mpianatra, dia nitsangana izy ary niditra ny tanàna. Ny ampitso, dia nandeha nankany Derbe niaraka tamin'i Barnabasy izy.
\s5
\v 21 Avy eo izy ireo nanambara ny filazantsara tao amin'izany tanàna izany ka nahazo mpianatra maro, niverina tao Lystra izy ireo, tany Ikonioma, sy tany Antiokia.
\v 22 Izy ireo dia nanohy nampahery ny fanahin'ireo mpianatra ary namporisika azy mba hanohy ao amin'ny finoana, no sady nilaza fa: "Tsy maintsy amin'ny fahoriana maro be no hidirantsika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\v 23 Rehefa nanendry loholona ho azy ireo teo amin'ny isam-piangonana izy ireo, sy nivavaka tamin'ny fifadian-kanina, dia natolotr'izy ireo ho an'ny Tompo izany, izay ninoan'izy ireo.
\v 24 Dia nandalo tamin'ny Pisidia izy ireo ka tonga tao Panfilia.
\v 25 Rehefa nanambara ny teny tao Perga izy ireo, dia nandeha nidina tany Atalia.
\v 26 Avy tany izy ireo no niantsambo nidina ho any Antiokia, izay nahazoan'izy ireo ny fahasoavan' Andriamanitra ho an'ny asa izay vitan'izy ireo ankehitriny.
\s5
\v 27 Rehefa tonga tao Antioka izy ireo ary nanangona niaraka ny fiangonana, dia nitatitra ny zavatra rehetra izay vitan'Andriamanitra tamin'izy ireo, sy hoe ahoana no namoahany varavaran'ny finoana ho an'ireo Jentilisa.
\v 28 Dia nijanona fotoana ela niaraka tamin'ireo mpianatra izy ireo
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ny olona sasany dia nidina avy tany Jodia hatrany Antiokia ary nampianatra ireo rahalahy, ka niteny hoe: "Raha tsy vita famorana araka ny fomba fanaon'i Mosesy ianareo, dia tsy ho voavonjy ianareo."
\v 2 Izany dia nitondra an'i Paoly sy Barnabasy tao anaty fifandirana sy ady hevitra tamin'izy ireo. Noho izany i Paoly sy i Barnabasy dia voatendry niaraka tamin'ny sasany hafa tamin'izy ireo hiakatra any Jerosalema mba hihaona amin'ireo apostoly sy ireo loholona momba izany fanontaniana izany.
\s5
\v 3 Noho izany izy ireo, nalefan'ny fiangonana, dia namakivaky an'i Foinika sy Samaria ary nanambara ny fiovam-pon'ireo Jentilisa. Izy ireo dia nitondra hafaliana lehibe tamin'ireo rahalahy rehetra.
\v 4 Rehefa tonga tao Jerosalema izy ireo, dia noraisin'ny fiangonana sy ireo apostoly ary ireo loholona, ka nitatitra ireo zavatra rehetra izay nataon' Andriamanitra tamin'izy ireo.
\s5
\v 5 Nefa ny olona sasany izay nino, izay tao amin'ny tarik'ireo Fariseo, dia nitsangana sy niteny hoe: "Ilaina ny manao ny famorana azy ireo sy ny mibaiko azy ireo hitandrina ny lalàn'i Mosesy."
\v 6 Noho izany ireo apostoly sy ireo loholona dia niara-nivory mba handinika izany zava-misy izany.
\s5
\v 7 Taorian'ny ady hevitra be, nitsangana i Petera ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Ry rahalahy, fantatrareo fa efa taloha ela be Andriamanitra no nanao safidy teo aminareo, mba ho amin'ny alalan'ny vavako dia tokony handre ny tenin'ny filazantsara ireo Jentilisa, ary hino.
\v 8 Andriamanitra, izay mahafantatra ny fo, vavolombelona amin'izy ireo, nanome ny Fanahy Masina azy ireo, toy ny nataony tamintsika;
\v 9 ary tsy nanao fanavakavahana tamintsika sy tamin'izy ireo Izy, nanadio ny fon'izy ireo tamin'ny finoana.
\s5
\v 10 Ary noho izany nahoana ianareo no mitsapa an'Andriamanitra, hoe tokony hametrahanareo zioga eo amin'ny vozon'ireo mpianatra nefa na ny razantsika na isika aza tsy mahavita milanja?
\v 11 Nefa mino isika fa ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesosy, toa azy ireo ihany koa."
\s5
\v 12 Ny olona rehetra dia nitazona ny fahanginana nandritry ny nihainoan'izy ireo an'i Barnabasy sy Paoly mitatitra ireo famantarana sy ireo fahagagana niasan'Andriamanitra izay niasa tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan'izy ireo.
\s5
\v 13 Rehefa avy nijanona niresaka izy ireo, dia namaly Jakoba, niteny hoe: "Ry rahalahy, henoy aho.
\v 14 I Simeona dia efa nanambara ny fomba nanampian'Andriamanitra tam-pahasoavana voalohany ireo Jentilisa mba haka amin'izy ireo olona ho an'ny anarany.
\s5
\v 15 Ireo tenin'ireo mpaminany dia momba izany, araka ny voasoratra hoe:
\v 16 'Aorian'ireo zavatra ireo dia hiverina aho, ary hanangana indray ny trano lain'i Davida aho, izay efa nianjera; Hanamboatra sy hamerina amin'ny laoniny indray ireo faharavany aho,
\v 17 mba hitady ny Tompo ireo olona sisa tavela, ao anatin'izany ireo Jentilisa rehetra izay antsoina amin'ny anarako.'
\v 18 Izao no nolazain'ny Tompo, ireo izay efa nanao ireo zavatra ireo izay efa fantatra tamin'ireo razambe fahiny.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha dia mivaky toy izao: "Izao no nolazain'ny Tompo, amin'ireo izay fantatra tamin'ny andro fahiny ny asany rehetra. \f*
\s5
\v 19 Noho izany, ny hevitro dia, tsy tokony hanakorontana ireo avy amin'ny Jentilisa izay nitodika tamin'Andriamanitra isika.
\v 20 Fa isika dia hanoratra ho azy ireo fa tsy maintsy miala amin'ny fahalotoan'ireo sampy izy ireo, amin'ny fahavetavetana, ary amin'ny henan'ireo biby voakenda, sy amin'ny rà izy ireo.
\v 21 Satria Mosesy dia efa voambara tamin'ny isan-tanàna tamin'ny andro fahiny ary izy dia vakiana ao amin'ireo synagoga isaky ny Sabata."
\s5
\v 22 Dia toa tsara tamin'ireo apostoly sy ireo loholona, niaraka tamin'ny fiangonana manontolo, ny hifidy an'i Joda izay antsoina hoe Barsabasy, sy i Silasy, izay mpitarika ny fiangonana, sy ny handefa azy ireo any Antokia miaraka amin'i Paoly sy Barnabasy.
\v 23 Izy ireo dia nanoratra ity: "Hatrany amin'ireo apostoly sy ireo loholona, ireo rahalahinareo, hatramin'ireo rahalahy avy any Jentily any Antiokia, Siria, ary Kilikia: Arahaba!
\s5
\v 24 Isika dia efa nandre fa ireo olona sasany dia niala tamintsika, tsy nisy baiko avy amintsika, ary nanelingelina anareo tamin'ireo fampianarana izay nampikorontana ny fanahinareo.
\v 25 Izao no izy, izahay rehetra dia efa nanaiky ny hifidy ireo lehilahy sy handefa azy ireo any aminareo miaraka amin'i Barnabasy sy Paoly malalanay,
\v 26 lehilahy izay nanao ny ainy tsy ho zavatra ho an'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika.
\s5
\v 27 Noho izany izahay dia maniraka an'i Joda sy i Silasy, izay hilaza aminareo io zavatra io ihany amin'ny tenin'izy ireo manokana.
\v 28 Fa toa tsara amin'ny Fanahy Masina sy aminay, ny tsy hampitondra anareo entana lehibe noho ireo zavatra tena ilaina ireo:
\v 29 mba hialanareo amin'ireo zavatra nataonareo ho fanatitra amin'ireo sampy, rà, ireo zavatra voakenda, ary avy amin'ny fahavetavetana. Raha mitandrina ny tenanareo amin'izany ianareo, dia ho tsara aminareo izany. Veloma."
\s5
\v 30 Noho izany izy ireo, rehefa voaroaka, dia nidina tany Antiokia; avy eo izy ireo dia namory ny vahoaka niaraka, ary nanolotra ilay taratasy izy ireo.
\v 31 Rehefa voavakin'izy ireo izany, dia nifaly izy ireo noho ny fampaherezana.
\v 32 Joda sy i Silasy, mpaminany ihany koa, dia nankahery ireo rahalahy tamin'ny teny maro sy nampahery azy ireo.
\s5
\v 33 Rehefa avy nijanona fotoana vitsivitsy tao izy ireo, dia nalefa am-piadanana avy amin'ireo rahalahy ho any amin'ireo izay nandefa azy ireo izy ireo.
\v 34 \f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny tranainy indrindra dia manala ny andininy faha34 (jereo ny Asa 15:40): "Nefa mbola satrin'i Silasy ny hijanona teo." \f*
\v 35 Fa i Paoly sy Barnabasy dia nijanona tany Antiokia niaraka tamin'ireo maro hafa, izay nampianaran'izy ireo sy nanambaran'izy ireo ny tenin'ny Tompo.
\s5
\v 36 Taorian'ny andro vitsy Paoly dia niteny tamin'i Barnabasy hoe: "Andao isika hiverina ankehitriny ary hamangy ireo rahalahy any amin'ny tanàna rehetra izay nanambarantsika ny tenin'ny Tompo, ary hahita hoe manao ahoana izy ireo."
\v 37 I Barnabasy dia te hitondra ihany koa an'i Jaona izay nantsoina hoe Marka hiaraka amin'izy ireo.
\v 38 Nefa i Paoly nihevitra fa tsy tsara ny hitondrana an'i Marka, izay nandao azy ireo tany Panfilia sy tsy nanohy niara-niasa tamin'izy ireo niasa.
\s5
\v 39 Avy eo dia nisy fifandirana mafy, ka nisaraka izy ireo, ary i Barnabasy nitondra an'i Marka niaraka taminy ary nandeha sambo nankany Sipra.
\v 40 Fa i Paoly nifidy an'i Silasy ary nandeha, taorian'ny nanomezan'ireo rahalahy azy andraikitra ho an'ny fahasoavan'ny Tompo.
\v 41 Avy eo izy dia nandeha namakivaky an'i Syria sy i Kilikia, ka nampatanjaka ireo fiangonana.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Tonga tany Derbe sy Lystra ihany koa Paoly, ary indro, teo ilay mpianatra iray antsoina hoe Timoty, zanaka lahin'ny vehivavy Jiosy izay nino; Grika ny rainy.
\v 2 Izy dia tsara laza tamin'ireo rahalahiny izay tany Lystra ary Ikonioma.
\v 3 Tian' i Paoly hiara-dia aminy izy; dia nalainy izy ary noforany noho ireo Jiosy izay teo amin'ireo toerana ireo, satria fantatr'izy rehetra fa Grika ny rainy.
\s5
\v 4 Raha nandeha namakivaky ireo tanàna maro izy ireo, dia nanolotra toromarika ho an'ireo mpino mba hankato ny fampianarana, izay nosoratan'ny Apostoly sy ny loholona tao Jerosalema.
\v 5 Ka niha-natanjaka tamin'ny finoana ny fiangonana ary nitombo isa isan'andro.
\s5
\v 6 Nandeha namakivaky ny faritry ny Frygia sy Galatia Paoly sy ny namany, satria noraran' ny Fanahy Masina izy ireo hanambara ny teny any amin'ny faritr'i Asia.
\v 7 Rehefa niditra nanakaiky an' i Mysia, dia te-handeha ho any Bitynia izy ireo, nefa nosakanan' ny Fanahin'i Jesosy izy ireo.
\v 8 Ka nandalo tamin'i Mysia, dia nandeha nidina tany amin'ny tanàna an'i Troasy izy ireo.
\s5
\v 9 Nahita fahitana i Paoly tamin'ny alina: lehilahy iray Makedoniana nitsangana teo, niantso azy ary niteny hoe: "Avia aty Makedonia ary vonjeo izahay."
\v 10 Rehefa avy nahita ny fahitana i Paoly, dia niainga hihazo an' i Makedonia avy hatrany izahay, nahatsapa fa Andriamanitra no niantso anay mba hitory ny filazantsara amin' izy ireo.
\s5
\v 11 Niantsambo noho izany avy any Troasy, dia nizotra mahitsy ho any Samatrakia izahay, ary nihazo an'i Neapolia izahay ny andro manaraka.
\v 12 Avy teo dia nandeha nankany Filipy izahay, izay isan'ny tanàna Makedonia, izay tanàna manan-danja indrindra ao amin'ny faritra sy ny zana-tany Romanina, ary nijanona tao amin'izany tanàna izany nandritry ny andro maro izahay.
\v 13 Tamin'ny andron'ny Sabata dia nandeha tany ivelan'ny vavahady akaikin'ny renirano izahay, izay noeritreretinay fa misy toeram-pivavahana. Nipetraka izahay ary niresaka tamin'ireo vehivavy izay niara-tonga teo.
\s5
\v 14 Nisy vehivavy iray atao hoe Lydia, mpivaro-damba volomparasy avy any amin'ny tanànan' i Tyatira, izay nanompo an'Andriamanitra, nihaino anay. Nanokatra ny fony ny Tompo hitandrina ny teny izay nolazain' i Paoly.
\v 15 Rehefa vita batisa izy sy ny ankohonany, dia namporisika anay izy, niteny hoe: "Raha nitsara ahy ho mahatoky amin'ny Tompo ianareo, dia midira ary mitoera ao an-trano." Ary nandresy lahatra anay izy.
\s5
\v 16 Ary tamin'izany, raha nandeha nankany amin' ny toeram-pivavahana izahay, dia nisy zatovovavy iray izay manana fanahin'ny sikidy nifanena taminay. Nitondra tombony maro ho an'ny tompony tamin'ny alalan'ny sikidy izy.
\v 17 Nanaraka anay sy Paoly avy ao aoriana io vehivavy io ary niantso mafy, nanao hoe: "Ireo lehilahy ireo dia mpanompon' Andriamanitra Avo Indrindra. Manambara aminareo ny lalam-pamonjena izy ireo."
\v 18 Nanao izany nandritry ny andro maro izy. Fa i Paoly dia nanomboka sosotra taminy ka nitodika ary niteny tamin' ny fanahy hoe: "Mandidy anao amin' ny anaran'i Jesosy Kristy aho mba hivoaka ao aminy." Ary nivoaka avy hatrany izany.
\s5
\v 19 Rehefa hitan'ireo tompony fa lasa ilay fanantenana ny amin'ny tombony ho azy ireo, dia nosamborin' izy ireo i Paoly sy Silasy ary notaritiny izy ireo ho any an-tsena teo anoloan'ireo manam-pahefana.
\v 20 Rehefa nitondra azy ireo teo anoloan'ireo mpitsara izy ireo, dia niteny hoe: "Manakorontana ny tanànantsika ireto lehilahy ireto. Jiosy izy ireo.
\v 21 Manambara fomba izay tsy ara-dalàna ho an'ny Romanina ny manaiky na mampihatra azy izy ireo."
\s5
\v 22 Dia nitsangana ny vahoaka nanohitra an' i Paoly sy Silasy; nanala ny lamban'izy ireo ny mpitsara ary nandidy azy ireo mba ho kapohina amin'ny hazo.
\v 23 Rehefa nokapohin'ireo mafy izy ireo, dia nalefan'izy ireo any an-tranomaizina ary nandidy ny mpiandry tranomaizina mba hiambina mafy azy ireo.
\v 24 Rehefa naharay izany didy izany ny mpiambina, dia nalefany tany amin'ny farany lalina indrindra amin'ny fonja izy ireo ary nofatorany teo amin'ny hazo ny tongotr'izy ireo.
\s5
\v 25 Nanodidina ny misasak'alina dia nivavaka i Paoly sy Silasy ary nihira fiderana an'Andriamanitra, ary ireo gadra hafa dia nihaino azy ireo.
\v 26 Tampoka teo dia nisy horohorontany lehibe, ka nampihozongozona ny fototry ny fonja; ary nisokatra avy hatrany ny varavarana rehetra, ary nivaha ny fatoran'ny olona rehetra.
\s5
\v 27 Taitra tamin'ny torimaso ny mpiandry ny tranomaizina ary nahita ireo varavaran'ny fonja nivoha; namoaka ny sabany izy ka saika hamono ny tenany, satria noeritreretiny fa nandositra ireo gadra.
\v 28 Fa niantso tamin'ny feo mafy Paoly, nanao hoe: "Aza mandratra ny tenanao, satria ato daholo izahay rehetra."
\s5
\v 29 Nampiantso Jiro ilay mpiandry tranomaizina ary niditra haingana tao anatiny, tora-kovitra noho ny tahotra, nihohoka teo anoloan'i Paoly sy Silasy,
\v 30 ary nitondra azy ireo nivoaka sy niteny hoe: "Tompoko, inona no tsy maintsy hataoko mba ho voavonjy?"
\v 31 Hoy izy ireo hoe: "Minoa an'i Tompo Jesosy, dia ho voavonjy ianao, ianao sy ny ankohonanao."
\s5
\v 32 Nitory ny tenin'ny Tompo taminy izy ireo, niaraka tamin'ny olona rehetra tao an-tranony.
\v 33 Avy eo dia nandray azy ireo tamin'ny alina tamin'iny ora iny ihany ilay mpiandry fonja, ary nanasa ny ferin'izy ireo, ary izy sy ireo rehetra tao amin'ny tranony iray manontolo dia natao batisa teo no ho eo.
\v 34 Avy eo dia nentiny niakatra tao an-tranony i Paoly sy Silasy ary nandroso sakafo teo anoloan'izy ireo izy, dia nifaly tokoa izy niaraka tamin'ireo izay tao an-tranony, fa efa nino an'Andriamanitra izy.
\s5
\v 35 Ary rehefa maraina ny andro, dia nandefa teny tamin'ireo mpiambina ireo mpitsara, niteny hoe: "Avelao handeha ireo lehilahy ireo."
\v 36 Nitatitra izany teny izany tamin'i Paoly ilay mpiambina, niteny hoe: "Nampitondra teny tamiko ireo mpitsara mba hamela anareo handeha: noho izany ankehitriny mivoaha, ary mandehana am-piadanana."
\s5
\v 37 Fa niteny tamin' izy ireo Paoly hoe: "Nikapoka anay ampahibemaso tsy nisy fitsarana izy ireo, na dia mizàka ny zom-pirenena Romanina aza izahay_ ary nalefan'izy ireo tao am-pigadrana. Ankehitriny dia tian'izy ireo ho alefa an-tsokotsoko ve izahay? Tsia! Aoka ny tenan'izy ireo no ho tonga eto sy hitarika anay hivoaka."
\v 38 Nitatitra izany teny izany tamin'ny mpitsara ny mpiambina, ary raha vao nandre izy ireo fa romanina i Paoly sy Silasy, dia natahotra izy ireo.
\v 39 Tonga sy nialatsiny tamin'izy ireo ny mpitsara ary nitondra azy ireo nivoaka, nangataka azy ireo mba hiala ao an-tanàna.
\s5
\v 40 Ka niala tao an-tranomaizina i Paoly sy Silasy ary nankao an-tranon'i Lydia. Rehefa nahita ireo rahalahy i Paoly sy Silasy, dia nampahery azy ireo ary avy eo dia niala tao an-tanàna izy ireo.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Ary rehefa nandalo ireo tanànan'ny Anfipolia sy Apolonia izy ireo, dia tonga tao amin'ny tanànan'i Tesalonika izy ireo, izay nisy Synagogan'ny Jiosy.
\v 2 Paoly, araka ny fomba fanaony dia nankeo amin'izy ireo, ary niady hevitra niaraka tamin'izy ireo avy ao amin'ny Soratra Masina nandritra ny andro Sabata telo.
\s5
\v 3 Nosokafany ny Soratra Masina ary nazavainy fa nilain' i Kristy ny nijaly sy hitsangana indray amin'ny maty. Hoy izy hoe: "Io Jesosy izay ambarako aminareo io no Kristy."
\v 4 Resy lahatra ny sasany tamin'ireo Jiosy ary nanaraka an'i Paoly sy Silasy, anisan'izany ireo mpivavaka Grika maro an'isa, ary tsy vitsy ny vehivavy mpitarika.
\s5
\v 5 Fa ireo Jiosy tsy mpino nenti-pialonana dia naka ireo olona ratsy fanahy avy any an-tsena, nanangona niaraka ny vahoaka, ary nampitabataba ny tanàna. Nanafika ny tranon'i Jasona, te hitondra an'i Paoly sy Silasy hiala ny vahoaka izy ireo.
\v 6 Fa rehefa tsy hitany izy ireo, dia notarihan'izy ireo i Jasona sy ny rahalahy hafa sasany ho eo anoloan'ny manam-pahefanan'ny tanàna, nitomany, "Ireto lehilahy izay nampitsimbadika izao tontolo izao ireto dia tonga eto ihany koa.
\v 7 Ireto lehilahy izay nampandrosoan'i Jasona ireto dia manohitra ny didin'i Kaisara; miteny izy ireo fa misy mpanjaka hafa-dia i Jesosy."
\s5
\v 8 Voaelingelina ny vahoaka sy ny manam-pahefana teo amin'ny tanàna rehefa nahare izany zavatra izany.
\v 9 Fa rehefa avy eo ny manam-pahefana nampanao sy nampandoa vola an'i Jasona sy ny ambiny mba ho antoka, avy eo izy ireo namela azy ireo handeha izy ireo.
\s5
\v 10 Nalefan'ireo rahalahy tany Beria ny alin'iny i Paoly sy Silasy. Rehefa tonga tany izy ireo, dia niditra tao amin'ny synagogan'ny Jiosy.
\v 11 Ary ireo olona ireo dia mihaja kokoa noho ireo any Tesalonika, fa nandray ny teny tamim-pahavononan'ny saina rehetra izy ireo, nandinika ny Soratra Masina isan'andro mba hahita raha tena izany tokoa ireny zavatra ireny.
\v 12 Noho izany dia maro tamin'izy ireo no nino, tao anatin'izany ny vehivavy Grika manan-kaja sasany sy lehilahy maro.
\s5
\v 13 Fa ireo Jiosin'ny Tesalonika rehefa nahare fa i Paoly dia nanambara ny tenin'Andriamanitra tao Beria ihany koa, dia nandeha teny izy ireo ary nampitabataba sy nampikorontana ireo vahoaka.
\v 14 Ary avy hatrany, ireo rahalahy nandefa an'i Paoly ho any an-dranomasina, fa i Silasy sy i Timoty nijanona teo.
\v 15 Ireo izay nitarika an'i Paoly nitondra azy hatrany amin'ny tanànan'i Atena. Raha namela an'i Paoly teo izy ireo, dia nandray torolàlana avy aminy ho an'ny Silasy sy Timoty mba hankany aminy haingana araka izay azo atao.
\s5
\v 16 Ary raha niandry azy ireo tany Atena i paoly, dia tonga tezitra tao anatiny ny fanahiny raha vao nahita ny tanàna feno sampy.
\v 17 Ka niady hevitra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'ireo Jiosy sy ireo hafa izay nanompo an'Andriamanitra izy, tahaka izany koa ny tao amin'ny toeran'ny raharaham-barotra niaraka tamin'ireo izay teo.
\s5
\v 18 Fa ny sasany tamin'ireo filozofa Epikoreana sy Stoika ihany koa nifanena taminy. Ny sasany nilaza hoe: "Inona no tian'io be resaka io ho lazaina?" Ny hafa nilaza hoe: "Toa ohatran' ilay iray izay miantso ny olona hanaraka ireo andriamanitra hafahafa izy," satria nitory an'i Jesosy sy ny fitsanganana amin'ny maty izy.
\s5
\v 19 Naka an'i Paoly izy ireo ary nitondra azy tao amin'ny Areopago, niteny hoe: "Afaka mamantatra izany fampianarana vaovao izay noteneninao izany ve izahay?
\v 20 Fa mitondra zavatra hafahafa tsy fahenon'ny sofinay ianao. Noho izany, te hahafantatra ny dikan'izany zavatra izany izahay."
\v 21 (Ary ny Atenina rehetra sy ny vahiny nipetraka dia nandany ny fotoanany tamin'ny tsy nisy fa ihany koa tamin'ny filazana na fihainoana momban'ny zava-baovao.)
\s5
\v 22 Ka nitsangana teo afovoan'ny Areopago i Paoly ary niteny hoe: "Ianareo lehilahin'i Ateniana, hitako fa tena relijiozy amin'ny fomba rehetra ianareo.
\v 23 Fa raha nandalo aho ary nandinika ny tanjon'ny fomba fanompoam-pivavahanareo, dia nahita alitara aho misy ity soratra ity hoe: "Ho an'Andriamanitra Tsy Fantatra. "Inona noho izany no hivavahanareo ao amin'ny tsy fahafantarana, izany no lazaiko aminareo.
\s5
\v 24 Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zava-drehetra eo aminy, satria Tompon'ny lanitra sy ny tany Izy, tsy mipetraka ao anaty tempoly voaorina tamin'ny tanana.
\v 25 Na izy tsy notompoina tamin'ny tanan'olona, toy ny nila zavatra izy, satria izy tenany no manome fiainana ny olona sy ny fofon'aina ary ny zavatra hafa rehetra.
\s5
\v 26 Avy amin'ny olona iray no nanaovany ny firenena rehetra ho an'ny olona mba hiaina eo ambonin'ny tany, namaritra ny vanim-potoan'izy ireo sy nanendry ny toera-ponenana ary ny andro iainan'ireo,
\v 27 ka mba tokony hitady an'Andriamanitra izy ireo, raha toa ka mety hahatratra sy hahita Azy izy ireo. Kanefa mbola tsy lavitra antsika tsirairay avy Izy.
\s5
\v 28 Satria isika dia mivelona sy mihetsika ary manana ny maha-izy antsika, tahaka ny notenenin'ny iray amin'ny mpanao tononkalonareo manokana hoe: "Fa taranany ihany koa isika."
\v 29 Noho izany, satria zanak'Andriamanitra isika, isika dia tsy tokony hieritreritra fa ny hatsaran'ny fombany dia mitovy amin'ny volamena, na volafotsy, na sary-vongana izay noforonina avy amin'ny asa tànana sy aingam-panahin'olombelona.
\s5
\v 30 Noho izany dia nohadinon'Andriamanitra ny fotoan'ny tsy fahalalana, fa ankehitriny mandidy ny olona rehetra eny rehetra eny mba hibebaka izy.
\v 31 Izany no izy satria nametraka andro izy hoe rahoviana no hitsara an'izao tontolo izao amin'ny fahamarinana amin'ny alalan'ny olona izay nofidiany. Nanome porofon'io lehilahy io tamin'ny olona tsirairay tamin'ny alalan'ny fananganana azy tamin'ny maty Andriamanitra.
\s5
\v 32 Ary rehefa nahare ny fitsanganana amin'ny maty ny olon'i Atena, dia naneso an'i Paoly ny sasany; fa ny sasany nilaza hoe: "Hihaino anao indray momba izany zavatra izany izahay."
\v 33 Taorian'izay, nandao azy ireo i Paoly.
\v 34 Fa ny sasany tamin'ny olona nanaraka azy ary nino, tao anatin'izany i Dionysio Aeropagita, vehivavy antsoina hoe Damary, ary ny sasany niaraka tamin'izy ireo.
\s5
\c 18
\p
\v 1 Ary tao aorian'ireo zavatra ireo Paoly dia niala tao Atena ary nankany Korinto.
\v 2 Nihaona tamina Jiosy nantsoina hoe Akoila tao izy, tera-tany Ponto, izay vao tonga avy tany Italia niaraka tamin'i Prisila vadiny, satria i Klaodio nandidy ny Jiosy rehetra hiala tao Roma. Paoly nankeo amin'izy ireo,
\v 3 ary satria varotra mitovy ihany no hiasany, dia niara-nipetraka tamin'izy ireo izy ary niasa, fa ny manao lay no asan'izy ireo.
\s5
\v 4 Ka niady hevitra tao amin'ny synagoga isaky ny Sabata i Paoly. Nandresy lahatra ireo Jiosy sy Grika izy.
\v 5 Fa rehefa nidina avy tany Makedonia i Silasy sy Timoty, dia noteren'ny Fanahy hanambara amin'ireo Jiosy fa Jesosy no Kristy i Paoly.
\v 6 Rehefa nanohitra sy nanesoeso azy ireo Jiosy, dia nanofaofa ny lambany tany amin'izy ireo i Paoly ka nanao hoe: "Ho eo amin'ny lohanareo anie ny rànareo; tsy manan-tsiny aho. Fa manomboka izao dia ho any amin'ny Jentilisa aho."
\s5
\v 7 Dia niala teo izy avy eo ary nandeha nankany an-tranon'i Titosy Josto, lehilahy izay manompo an'Andriamanitra. Ny tranony dia akaikin'ny synagoga.
\v 8 Krispo, mpitarika ny synagoga, nino ny Tompo, niaraka tamin'ireo rehetra izay nipetraka tao amin'ny tranony; ary maro tamin'ireo Korintiana izay nandre momba izany no nino sy natao batisa.
\s5
\v 9 Ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana ny alina hoe: "Aza matahotra, ary aza mangina fa mitenena.
\v 10 Fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hahazo hanao ratsy anao, fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho."
\v 11 Nitoetra tao herintaona sy enim-bolana i Paoly ary nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo amin'izy ireo.
\s5
\v 12 Fa rehefa lasa governoran'ny Akaia i Galio, dia niara-nitsangana ireo Jiosy hanohitra an'i Paoly ka nitondra azy teo anatrehan'ny toeram-pitsarana;
\v 13 niteny izy ireo hoe: "Io lehilahy io dia mandresy lahatra ny vahoaka mba hanompo an'Andriamanitra izay mifanohitra amin'ny lalàna."
\s5
\v 14 Ary raha handeha hiteny Paoly, dia niteny tamin'ny Jiosy i Galio hoe: "Ianareo Jiosy, raha toa ka resaka zava-dratsy na heloka izany, dia mbola azo eritreretina ny fifampiraharahana aminareo."
\v 15 Fa hatrizay nisian'ireo fanontaniana momba ireo teny sy anarana ary lalànareo manokana ireo, alaminonareo izany. Izaho tsy maniry ny ho mpitsara izany raharaha izany."
\s5
\v 16 Galio nanala azy ireo hiala teo amin'ny sezam-pitsarana.
\v 17 Ka nisambotra an'i Sostena izy rehetra, ny mpanapaka ny synagoga, ary nikapoka azy teo anoloan'ny toeram-pitsarana. Fa Galio tsy niraharaha izay nataon'izy ireo.
\s5
\v 18 Paoly, rehefa avy nipetraka tao nandritry ny andro maromaro kokoa, dia namela ireo rahalahy ka niondrana an-tsambo ho any Syria niaraka tamin'i Prisila sy Akolia. Talohan'ny niaingany teo amin'ny seranan-tsambo dia nohetezany tao Kenkrea ny volony noho ilay voady izay nataony.
\v 19 Rehefa tonga tany Efesosy izy ireo, dia navelan'i Paoly teo i Prisila sy Akoila, fa izy tenany niditra tao amin'ny synagoga ka niady hevitra tamin'ireo Jiosy.
\s5
\v 20 Rehefa nangataka an'i Paoly mba hijanona elaela izy ireo, dia nandà izy.
\v 21 Fa nandao azy ireo izy, niteny hoe: "Mbola hiverina aty aho raha sitrapon'Andriamanitra izany." Dia niondrana an-tsambo niala tao Efesosy izy avy eo.
\s5
\v 22 Rehefa niantsona tao Kaisaria i Paoly, dia niakatra izy ka niarahaba ny fiangonan'ny Jerosalema ary nidina nankany Antioky avy eo.
\v 23 Rehefa avy nitoetra ora maromaro tao izy, dia niainga i Paoly ka nitety ireo faritr'i Galatia sy Frygia ary nankahery ny mpianatra rehetra.
\s5
\v 24 Ary nisy Jiosy anankiray nantsoina hoe Apolosy, teraka tany Aleksandria, tonga tao Efesosy. Izy dia nahay nandaha-teny sady nahalala tsara ny Soratra Masina.
\v 25 Apolosy dia nampianarina tamin'ny fampianaran'ny Tompo. Mahafatra-po amin'ny fanahy, izy niteny sy nampianatra marina ireo zavatra mahakasika an'i Jesosy, kanefa ny batisan'i Jaona ihany no fantany.
\v 26 Apolosy nanomboka niteny am-pasahiana tao amin'ny synagoga. Fa rehefa naheno azy i Prisila sy Akoila, dia naka azy ho eny amin'ny sisiny ary nanazava taminy marina kokoa ny lalan'Andriamanitra.
\s5
\v 27 Rehefa naniry mba hamakivaky an'i Akaia izy, dia nampahery azy ireo rahalahy ary nanoratra ho an'ireo mpianatra tao Akaia mba handray azy. Rehefa tonga izy, dia nanampy betsaka ireo izay nino tamin'ny fahasoavana.
\v 28 Apolosy nanohitra mafy ireo Jiosy tamin'ny ady hevitra ampahibemaso, nampiseho tamin'ny alalan'ny Soratra Masina fa Jesosy no Kristy.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Ary raha mbola tany Korinty i Apolosy, dia nandalo tamin'ny firenena ambony i Paoly ary tonga tao amin'ny tanànan'ny Efesosy, ary nahita mpianatra sasany tao.
\v 2 Hoy Paoly tamin'izy ireo hoe: "Nahazo ny Fanahy Masina ve ianareo rehefa nino?" Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, mbola tsy nandre momba ny Fanahy Masina akory izahay."
\s5
\v 3 Paoly niteny hoe: "Tao amin'ny inona ary izany no nanaovana batisa anareo?" Namaly izy ireo hoe: "Tao amin'ny batisan'i Jaona."
\v 4 Ka namaly Paoly hoe: "Jaona manao batisa amin'ny batisan'ny fibebahana. Niteny tamin'ny vahoaka izy fa tokony hino ilay iray izay ho tonga aoriany izy ireo, izany dia, ao amin'i Jesosy."
\s5
\v 5 Rehefa naheno izany ny olona, dia natao batisa tamin'ny anaran'ny Tompo Jesosy izy ireo.
\v 6 Avy eo rehefa nametraka ny tanany tamin'izy ireo i Paoly, dia nilatsaka tamin'izy ireo ny Fanahy Masina ary niteny tamin'ny fiteny hafa sy naminany izy ireo.
\v 7 Teo amin'ny roa ambin'ny folo teo ho eo izy rehetra.
\s5
\v 8 Niditra tao amin'ny sinagoga i Paoly ary niteny am-pahasahiana nandritry ny telo volana, nandresy lahatra sy nampanaiky azy ireo ny momba ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 9 Fa rehefa mafy fo sy tsy nankàto ireo Jiosy sasany, dia nanomboka niteny ratsy ny Lalana teo anoloan'ny vahoaka izy ireo. Ka nilaozan'i Paoly izy ireo ary nentiny ireo mpianatra, nandresy lahatra azy ireo isan'andro tao amin'ny efitrano fampianaran'ny Tiraniana.
\v 10 Nitohy nandritry ny roa taona izany, ka izay rehetra nipetraka tao Asia dia nandre ny tenin'ny Tompo, ary ireo Jiosy sy ireo Grika.
\s5
\v 11 Andriamanitra nanao asa mahagaga tamin'ny alalan'ny tanan'i Paoly,
\v 12 ka na dia ireo mosoara sy aron'akanjo izay nikasika azy aza dia natao tamin'ny marary ka sitrana ny aretin'izy ireo ary nivoaka avy tao amin'izy ireo ireo fanahy ratsy.
\s5
\v 13 Fa nisy Jiosy mpanala fanahy ratsy nandeha teny an-toerana. Niantso ny anaran'ny Tompo Jesosy izy ireo mba hananan'izy ireo hery hanoherana ny fanahy ratsy rehefa niteny izy ireo hoe: "Amin'ny alalan'i Jesosy izay nambaran'i Paoly, mandidy anao aho mba hivoaka."
\v 14 Ny mpisoronabe Jiosy mitondra ny anarany hoe Skeva ary nanan-janaka fito lahy no nanao izany.
\s5
\v 15 Nisy fanahy ratsy namaly azy ireo hoe: "Fantatro Jesosy, ary fantatro Paoly; fa iza ianareo?"
\v 16 Ny fanahy ratsy tao amin'ilay lehilahy dia niantsampy tamin'ireo mpanala devoly ary nitsoaka tao amin'ilay trano nitanjaka sy naratra.
\v 17 Lasa fantatry ny rehetra izany, sy ireo Jiosy sy ireo Jentilisa, izay nipetraka tany Efesosy. Lasa natahotra mafy izy ireo, ka ny anaran'ny Tompo Jesosy dia nomem-boninahitra.
\s5
\v 18 Ary koa, maro tamin'ireo mpino no nanatona sy nibebaka ary niaiky ireo zavatra ratsy izay vitan'izy ireo.
\v 19 Maro ireo nilalao ody no niara-nitondra ny bokin'izy ireo sy nandoro izany teo imason'ny tsirairay. Rehefa nanisa ny tombam-bidin'ireny izy ireo, dia farantsa volafotsy dimy alina izany.
\v 20 Ka niely fatratra tamin'ny fomba matanjaka ny tenin'ny Tompo.
\s5
\v 21 Ary rehefa nahavita ny asa fanompoany tany Efesiosy i Paoly, dia nanapa-kevitra tamin'ny fanahy izy mba handalo an'i Makedonia sy Akaia teny an-dalany mankany Jerosalema, hoy izy: "Rehefa avy any aho, dia tsy maintsy mankany Roma ihany koa."
\v 22 Paoly nandefa roa tamin'ireo mpanampy azy ho any Makedonia, i Timoty sy Erasto, izay nanampy azy. Fa izy tenany nijanona fotoana fohy tany Asia.
\s5
\v 23 Tamin'izany fotoana izany tany Efesosy dia nisy fanelingelenana lehibe mikasika ny Làlana.
\v 24 Fa nisy mpanefy volafotsy iray antsoina hoe Demetrio, izay nanao ny sary sikotra volafotsin'i Diana, nampiditra vola be ho an'ireo mpanao asa-tànana.
\v 25 Ka nangoniny niaraka ireo lehilahy miandraikitra an'io asa io ary niteny hoe: "Tompoko, fantatrao fa amin'ity raharaha ity dia mahazo vola be izahay.
\s5
\v 26 Hitanao sy renao izany, tsy tany Efesisosy ihany, fa saika manerana an'i Asia iray manontolo, io Paoly io dia nandresy lahatra sy nahataona olona maro. Milaza izy fa tsy misy andriamanitra vita tamin'ny tànana.
\v 27 Fa ny loza dia tsy hoe ny varotsika ihany no tsy ho ilaina intsony, fa ny tempolin'ny andriamanim-bavy lehibe Diana ihany koa dia azo heverina ho tsy misy dikany. Dia mety ho very voninahitra izy avy eo, izy izay tompoin'ny Asia rehetra sy izao tontolo izao."
\s5
\v 28 Rehefa nandre izany izy ireo, dia feno hatezerana izy ireo ka nihiaka mafy, nanao hoe: "Lehibe i Diana an'i Efesiosy."
\v 29 Feno fifanjevona tao amin'ny tanàna iray manontolo, ary niara-nifanaretsaka ho ao amin'ny trano fanaovana fampisehoana an-tsehatra ny vahoaka. Voasambotr'izy ireo ireo mpiara-dia tamin'i Paoly, Gaio sy Aristarko, izay avy any Makedonia.
\s5
\v 30 Te hiditra tao amin'ireo vahoaka maro i Paoly, fa nosakanan'ireo mpianatra izy.
\v 31 Ary ihany koa, ny sasany tamin'ireo manam-pahefana tao amin'ny faritr'i Asia izay namany dia nandefa hafatra nangataka azy mafy tsy hiditra ao amin'ny trano fanaovana fampisehoana an-tsehatra.
\v 32 Olona sasan-tsasany no nihiaka zavatra iray, ary ny an'ny sasany hafa, satria tao anaty fifanjevoana ny vahoaka. Ny ankamaroan'izy ireo aza tsy mahafantatra akory hoe nahoana izy ireo no niara-tonga.
\s5
\v 33 Ny sasany tamin'ireo vahoaka no nampahafantatra an'i Aleksandra, izay natosik'ireo vahoaka ho eny aloha, ka nanao fihetsika tamin'ny tanany i Aleksandra, te hanome fanazavana ho an'ireo izay nivory.
\v 34 Fa rehefa nahafantatra izy ireo fa Jiosy izy, dia nihiaka mafy tamin'ny feo iray izy rehetra teo ho eo amin'ny ora roa, nanao hoe: "Lehibe ny Artemisin'ny Efesiana."
\s5
\v 35 Rehefa nampangiana ny vahoaka ny lehiben'ny tanàna, dia niteny izy hoe: "Ianao olon'ny Efesiosy, olona iza no teo ka tsy nahafantatra fa ny tanànan'ny Efesiana dia mpiambina ny tempolin'ny Diana lehibe sy ny sary izay nilatsaka avy any an-danitra?
\v 36 Ary hita avy eo fa tsy azo lavina ireo zavatra ireo, dia tokony hangina ianareo ka tsy hanao na inona na inona tsy am-piheverana.
\v 37 Fa nentinareo ety amin'ny fitsarana ireo lehilahy ireo izay sady tsy mpandroba tempoly no tsy mpiteny ratsy ny andriamanim-bavintsika.
\s5
\v 38 Noho izany, raha manana fiampangana manohitra ny tsirairay i Demetrio sy ireo mpanao asa tanana izay miaraka aminy, dia misokatra ireo fitsarana ary misy solontena ao. Avelao izy ireo hifampiampanga.
\v 39 Fa raha mitady zavatra momba ny olana hafa ianareo, dia tokony ho hatsangana amin'ny fivoariana ara-dalàna izany.
\v 40 Fa indrindra isika dia tandindomin-doza ho voampanga mikasika an'io andron'ny tabataba io. Tsy misy antony izany fikorontanana izany, ary tsy ho afaka hanazava izany isika."
\v 41 Rehefa niteny izany izy, dia noravainy ny fivoriana.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Rehefa tapitra ny tabataba, namory ireo mpianatra i Paoly ary nampahery azy ireo avy eo, nanao veloma izy ary lasa mba handeha ho any Makedonia.
\v 2 Rehefa nandeha teny amin'ireo faritra ireo izy sy nanao teny fankaherezana maro azy ireo, dia tonga tany Gresia izy.
\v 3 Rehefa avy nijanona telo volana tao izy, nisy teti-dratsy noforonin'ireo Jiosy hanoherana azy raha izy handeha hiantsambo ho any Syria iny, ka nanapa-kevitra ny hiverina ho any Makedonia izy.
\s5
\v 4 Nanaraka azy hatrany Asia lavitra any i Sopatera zanaka lahin'i Pyro avy any Beria; Aristarko sy Sekondo, samy avy amin'ireo mpino Tesalonika; Gayo avy any Derbe; Tymoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.
\v 5 Fa ireo lehilahy ireo efa nialoha anay ary niandry anay tany Troasy.
\v 6 Niondrana an-tsambo niala tao Filipy izahay taorian'ny andro fihinanana mofo tsy masira, ary tao anatin'ny dimy andro dia tonga tany amin'izy ireo tany Troasy izahay. Ary nitoetra tao izahay nandritra ny fito andro.
\s5
\v 7 Tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, rehefa niangona niaraka mba hanapaka ny mofo izahay, dia niresaka tamin'ireo mpino i Paoly. Izy dia nikasa handeha ny ampitson'iny, ka tsy nanohy niresaka hatramin'ny sasakalina izy.
\v 8 Nisy jiro maro tao amin'ny efitra ambony izay nahatongavanay niaraka.
\s5
\v 9 Teo amin'ny varavarankely no nipetraka ity tovolahy nantsoina hoe Eotika, izay tafalatsaka tao anaty torimaso lalina. Raha niresaka naharitra kokoa i Paoly, io tovolahy io, dia mbola natory, tafalatsaka avy eny amin'ny rihana fahatelo ary nony narenina izy dia hita fa efa maty.
\v 10 Fa i Paoly nidina, naninjitra ny tenany teo aminy, ary namihina azy. Avy eo izy niteny hoe: "Aza malahelo intsony, fa velona izy."
\s5
\v 11 Dia niakatra indray izy avy eo ary nanapaka ny mofo sy nihinana. Rehefa avy niresaka ela tamin'izy ireo hatramin'ny mangiran-dratsy izy, dia nandeha.
\v 12 Nitondra ilay tovolahy efa velona niverina izy ireo ary tena faly dia faly.
\s5
\v 13 Isika mihitsy no nandeha nialohan'i Paoly tamin'ny sambo ary niantsambo ho any Aso, fa any no kasainay handraisana an'i Paoly. Izany no faniriany izy tenany ho atao, satria naniry handeha an-tanety izy.
\v 14 Rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia nentinay tamin'ny sambo izy ka nankany Mitylena.
\s5
\v 15 Avy eo niantsambo avy teo izahay ary tonga tao amin'ny tandrifin'ny nosin'i Kio ny ampitso. Ny andro manaraka dia niantsona tao amin'ny nosin'ny Samo izahay, ary ny ampitson'iny dia tonga tao amin'ny tanànan'i Mileto.
\v 16 Fa Paoly nanapa-kevitra ny hiantsambo handalo an'i Efesosy, mba tsy handany fotoana ela any Asia izy; satria izy dia maika ny ho any Jerosalema ny andron'ny Pentekosta, raha azony atao ny manao izany.
\s5
\v 17 Avy any Mileto no nandefasany lehilahy ho any Efesosy ary nampiantso ny loholon'ny fiangonana hankeo aminy.
\v 18 Rehefa tonga tao aminy izy ireo, dia niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Ianareo tenanareo mahafantatra, hatramin'ny andro voalohany nanitsahako an'i Asia, hoe toy ny ahoana no nandaniako ny fotoanako niaraka taminareo.
\v 19 Izaho dia nanompo hatrany ny Tompo tamin'ny fanetre-tena rehetra sy ranomaso, ary tao anaty fijaliana no nitranga tamiko izany nohon'ny teti-dratsin'ireo Jiosy.
\v 20 Ianareo dia mahafantatra fa tsy nitazona fahanginana tamin'ny fanambarana taminareo ireo rehetra izay nilaina aho, sy ny fomba nampianarako anareo teo imason'olona ary tamin'ny isan-trano,
\v 21 nijoroako vavolombelona teo amin'ireo Jiosy sy ireo Jentilisa momba ny fibebahana amin'Andriamanitra sy ny finoana ao amin'ny Jesosy Tompontsika.
\s5
\v 22 Indro ankehitriny, ho any Jerosalema aho, noteren'ny Fanahy Masina ka tsy mahalala izay hahazo ahy any,
\v 23 afa-tsy izay hampitandreman'ny Fanahy Masina ahy isaky ny tanàn-dehibe amin'ireo famatorana sy fijaliana izay miandry ahy.
\v 24 Fa izaho dia tsy mihevitra ny fiainako hoe sarobidy amin'ny tenako, raha tsy hoe hahavita ny hazakazako sy ny asa fanompoko izay noraisiko avy amin'Jesosy Tompo aho, hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan' Andriamanitra.
\s5
\v 25 Ary indro ankehitriny, fantatro fa ianareo rehetra, izay nanambarako ny fanjakana, no tsy hahita ny tarehiko intsony.
\v 26 Noho izany ambarako aminareo amin'ity andro ity, fa izaho dia tsy manan-tsiny amin'ny ràn'ny olona.
\v 27 Fa tsy nafeniko taminareo ny fanambarana ny sitrapon'Andriamanitra rehetra.
\s5
\v 28 Noho izany tandremo ny momban'ny tenanareo, sy ny momban'ireo ondry rehetra izay nampiandraketan'ny Fanahy Masina anareo. Mitandrema amin'ny mpiandry ondrin'ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiany tamin'ny ràny manokana.
\f + \ft Fanamarihana: raha toa ka "Tamin'ny ràny manokana" ny amin'ny antonta-taratasy fahiny dia mivaky hoe: "Tamin'ny ràn'ny zanaka lahiny manokana." \f*
\v 29 Fantatro fa aorian'ny fandehanako, dia ho avy eo aminareo ireo amboadia masika ary tsy hiantra an'ireo ondry.
\v 30 Fantatro fa na dia avy aminareo aza dia hisy olona ho avy ary hanova ny marina mba hitarika ireo mpianatra hanaraka azy ireo.
\s5
\v 31 Koa miambena. Tsarovy fa nandritry ny telo taona aho no tsy nijanona nampianatra ny tsirairay avy aminareo andro aman'alina tamin'ny ranomaso.
\v 32 Ankehitriny ankiniko amin'Andriamanitra sy amin'ny tenin'ny fahasoavany ianareo, izay afaka manangana sy manome anareo ny lova eo amin'ireo rehetra izay nohamasinina.
\s5
\v 33 Tsy nitsiriritra volafotsy, volamena, na lamban'olona aho.
\v 34 Ianareo tenanareo no mahafantatra fa ireto tanana ireto no nanolotra izay nilaiko ary ireo nilain'ireo izay niaraka tamiko.
\v 35 Tamin'ny zava-drehetra no nanomezako ohatra anareo ny fomba tokony hanampinareo ireo malemy amin'ny alalan'ny asa, ary ny fomba hitadidianareo ireo tenin'i Tompo Jesosy, teny izay nambarany izy tenany hoe: "Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray."
\s5
\v 36 Rehefa avy niteny toy izany izy, dia nandohalika ary nivavaka niaraka tamin'izy rehetra.
\v 37 Nisy fitomaniana be teo ary namihina an'i Paoly sy nanoroka azy izy ireo.
\v 38 Nalahelo ny maro tamin'izy ireo noho izay noteneniny, hoe: izy ireo dia tsy hahita ny tavany intsony. Avy eo nanatitra azy teny amin'ny sambo izy ireo.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Rehefa niala teo amin'izy ireo izahay dia niantsambo, ary nizotra lala-mahitsy nankany amin'ny tanànan'i Kosy, nankany amin'ny tanànan'i Rody ny andro manaraka, ary avy ao dia nankany amin'ny tanànan'i Patara.
\v 2 Rehefa nahita sambo niampita nankany Foinika izahay, dia niditra tao izahay ka niantsambo.
\s5
\v 3 Rehefa avy nahita an'i Kyprosy, dia namela izany teny ampitan'ny sambo, niantsambo ho any Syria izahay ary niantsona tao Tyro, toerana izay namoahan'ireo tantsambo ny entana tao anaty sambo.
\v 4 Raha vao nahita an'ireo mpianatra izahay, dia nijanona tany nandritra ny fito andro. Tamin'ny alalan'ny Fanahy dia nandresy lahatra an'i Paoly hatrany izy ireo mba tsy handeha ho any Jerosalema.
\s5
\v 5 Rehefa tapitra ny andronay teny, dia niala tao izahay ka nandeha tamin'ny làlanay, ary izy rehetra, niaraka tamin'ireo vady aman-janany, nanaraka nivoaka tao amin'ny tanàna. Ary nandohalika teny amorn-dranomasina dia nivavaka
\v 6 ary nifanao veloma. Dia niditra tao an-tsambo izahay, ary izy ireo niverina tany an-tranony.
\s5
\v 7 Rehefa vitanay ny dia tany Tyro, dia tonga tany Ptolemaisy izahay. Tany dia nihaona tamin'ireo rahalahy ary nijanona iray andro niaraka tamin'izy ireo.
\v 8 Ny ampitso dia niala tao izahay ary nandeha tany Sezarea. Niditra ny tranon'i Filipo isika, evanjelista, izay iray tamin'ireo fito, ary nijanona niaraka taminy izahay.
\v 9 Ankehitriny io lehilahy io dia nanan-janaka vavy virjiny efatra izay naminany.
\s5
\v 10 Rehefa nijanona tao nandritry ny andro maromaro izahay, dia nisy mpaminany anankiray nidina avy tany Jodia nantsoina hoe Agabo.
\v 11 Nanatona anay ary naka ny fehikibon'i Paoly izy. Tamin'iny no namatorany ny tongony sy ny tanany ary niteny hoe: "Hoy ny Fanahy Masina, 'dia ho toy izao no hamatoran' ireo Jiosy any Jerosalema ny lehilahy izay tompon'ity fehin-kibo ity, ary hanolotra azy eo an-tanan'ireo Jentilisa.'"
\s5
\v 12 Rehefa naheno izany zavatra izany izahay, dia izahay sy ireo olona monina tao amin'io toerana io dia niangavy tamin'i Paoly tsy hiakatra ho any Jerosalema.
\v 13 Ary namaly i Paoly nanao hoe: "Inona no ataonareo, mitomany sy mandratra ny foko? Izaho efa vonona, tsy hoe hofatorana fotsiny ihany, fa ho faty any Jerosalema ihany koa amin'ny anaran'i Tompo Jesosy."
\v 14 Satria tsy naniry ny horesen-dahatra i Paoly, dia nijanona nanandrana izahay ary niteny hoe: "Aoka ho tanteraka ny sitra-pon'ny Tompo."
\s5
\v 15 Tao aorian'ireo andro ireo, dia nitondra ny kitaponay izahay ka niakatra nankany Jerosalema.
\v 16 Dia nisy ireo mpianatra sasany ihany koa avy any Sezarea nanaraka anay. Nitondra lehilahy iray niaraka taminízy ireo izay nantsoina hoe Menasona, lehilahy avy any Sipra, mpianatra mainty molaly, izay tokony hiarahanay mitoetra.
\s5
\v 17 Rehefa tonga tany Jerosalema izahay, dia nandray anay am-pifaliana ireo rahalahy.
\v 18 Ny ampitso dia nanaraka anay i Paoly ho any amin'i Jakoba, ary teo daholo ireo loholona rehetra.
\v 19 Rehefa avy niarahaba azy ireo izy, dia nitatitra tsirairay ireo zavatra rehetra izay efa nataon'Andriamanitra tamin'ireo Jentilisa tamin'ny alalan'ny asa fanompoany.
\s5
\v 20 Rehefa nandre izany izy ireo, dia nidera an'Andriamanitra, ary niteny taminy hoe: "Hitanao, ry rahalahy, an'arivony firy no nino tamin'ireo Jiosy. Tapa-kevitra izy rehetra hitandrina ny lalàna.
\v 21 Efa nolazan'izy ireo ny momba anao, fa ianao dia mampianatra ireo Jiosy rehetra izay mipetraka eo amin'ireo Jentilisa hahafoy an'i Mosesy, ary ianao milaza azy ireo tsy hamora ny zanany, ary tsy hanaraka ny fomba taloha.
\s5
\v 22 Inona no tokony ho hataontsika? Ho ren'izy ireo tokoa fa tonga ianao.
\v 23 Koa ataovy izay lazainay anao. Manana lehilahy efatra izay nanao voady izahay.
\v 24 Ento ireo lehilahy ireo ary diovy miaraka amin'izy ireo ny tenanareo, ary haloavy ireo fandanian'izy ireo, mba hanaratra ny lohany izy ireo. Ka ho fantatry ny olona rehetra fa ireo zavatra izay nolazaina momba anareo dia diso. Ho fantatr'izy ireo fa ianao dia manaraka lalàna ihany koa.
\s5
\v 25 Fa mikasika ireo Jentilisa izay nino, izahay dia nanoratra sy nanome torolalana fa tokony hitandrina ny tenany amin'ny zavatra vita sorona ho an'ny sampy izy ireo, avy amin'ny rà, avy amin'izay nokendaina, sy avy amin'ny fijangajangana.
\v 26 Avy eo dia nalain'i Paoly ireo lehilahy, ary ny ampitso, izy nanadio ny tenany niaraka tamin'izy ireo, niditra tao an-tempoly, nanambara ny vanim-potoanan'ny andron'ny fanadiovana, mandra-panatitra ny fanatitra ho an'ny olona tsirairay tamin'izy ireo.
\s5
\v 27 Rehefa ho tapitra ireo andro fito, ireo Jiosy sasantsasany avy any Asia, nahita an'i Paoly tao an-tempoly, nampikorontana ireo vahoaka manontolo, ary nisambotra azy.
\v 28 Nitabataba izy ireo hoe: "Ry olon'Israely, ampio izahay". Io ilay lehilahy izay mampianatra ny olona rehetra hatraiza hatraiza ireo zavatra izay manohitra ny olona, ny lalàna, ary ity toerana ity. Fanampin'izany, nitondra Grika tao an-tempoly ihany koa izy ary nandoto an'ity toerana masina ity.
\v 29 "Fa izy ireo teo aloha nahita an'i Trofima izay Efezianina niaraka taminy tao an-tanàna, ary nieritreritra izy ireo fa i Paoly no nitondra azy tao an-tempoly.
\s5
\v 30 Nifanaritaka ny tanàna rehetra, ary niaraka nihazakazaka sy nisambotra an'i Paoly ny olona. Nisintona azy hivoaka ao amin'ny tempoly izy ireo, dia nakatona teo noho eo ny varavarana.
\v 31 Raha teo am-pamonoana azy izy ireo, dia nisy vaovao tonga tany amin'ny kapitenin'ny mpiambina fa mikorontana avokoa Jerosalema iray manontolo.
\s5
\v 32 Avy hatrany dia naka miaramila sy kapiteny izy ary nihazakaza nidina nankany amin'ireo vahoaka. Rehefa nahita ny kapiteny sy ireo miaramila ny vahoaka, dia nijanona nikapoka an'i Paoly izy ireo.
\v 33 Dia nanatona ilay kapiteny ary nisambotra an'i Paoly, ary nasainy nofatorana tamin'ny rojo vy roa izy. Dia nanontany izy hoe iza izy ary inona no nataony.
\s5
\v 34 Ny sasany tamin'ireo vahoaka nitabataba zavatra iray ary ireo hafa zavatra hafa. Satria tsy afaka niteny na inona na inona ny kapiteny noho ny tabataba rehetra, dia nasainy nentina ho any amin'ny rova i Paoly.
\v 35 Rehefa tonga teo amin'ny tohatra izy, dia nentin'ireo miaramila izy noho ny herisetran'ny vahoaka.
\v 36 Fa nanaraka tao aoriana ny vahoaka be ary nanohy nihorakoraka hoe: "Vonoy izy"
\s5
\v 37 Raha iny ho entina tao an-drova iny i Paoly, dia hoy izy tamin'ny kapiteny: "Afaka miteny zavatra aminao ve aho?" Hoy ilay kapiteny hoe: "Miteny Grika ve ianao?
\v 38 Tsy ianao ve ilay Egyptiana, izay nitarika fikomiana tany aloha ary nitarika ireo efatra arivo lahy an'ny 'mpamono olona' nivoaka avy tany an-tany efitra?"
\s5
\v 39 I Paoly dia niteny hoe: "Izaho dia Jiosy, avy any amin'ny tanàn'i Tarsosy any Kiliaka. Izaho dia olom-pirenen'ny tanàna manan-danja. Mangataka aminao aho, avelao aho hiteny amin'ny olona".
\v 40 Rehefa namela azy hiteny ilay kapiteny, dia nitsangana teo amin'ny tohatra i Paoly ary nanao fihetsika tamin'ny tànany tamin'ny vahoaka. Rehefa nisy fahanginana lalina, dia niresaka tamin'izy ireo tamin'ny fiteny Hebreo izy. Hoy izy:
\s5
\c 22
\p
\v 1 "Ry rahalahy sy ry ray, henoy ny fiarovako izay hataoko aminareo ankehitriny."
\v 2 Rehefa nandre an'i Paoly niteny tamin'ny teny Hebreo ireo vahoaka, dia lasa nangina izy ireo. Hoy izy hoe:
\s5
\v 3 "Jiosy aho, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa nobeazina teto amin' ity tanàna ity teo amin'ny tongotr'i Gamaliela. Nampianarina araka ny fomba hentitry ny lalàn'ireo razantsika aho. Tena mafana fo ho an'Andriamanitra aho, tahaka anareo rehetra amin'izao andro izao.
\v 4 Nanenjika io Làlana io ho amin'ny fahafatesana aho, namatotra sy nanolotra azy ireo ho atao an-trano maizina na lahy na vavy,
\v 5 ary ny mpisorona be sy ireo loholona rehetra afaka mijoro vavolombelona. Naharay taratasy avy any amin'izy ireo aho ho an'ireo rahalahy any Damaskosy, ary nandeha nankany nitondra azy ireo niverina mbola mifatotra hankany Jerosalema mba hanasaziana azy ireo.
\s5
\v 6 Izao no niseho rehefa nandeha ary nanakaiky an'ny Damaskosy aho, ary tamin'ny mitataovovonana teo ho eo dia nisy hazavana lehibe avy any an-danitra nanomboka namiratra nanodidina ahy.
\v 7 Lavo tamin'ny tany aho ary nahare feo niteny tamiko hoe: 'Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy?'
\v 8 Namaly aho hoe: 'Iza moa ianao, Tompoko?' Niteny tamiko Izy hoe: 'Izaho no Jesosin'ny Nazareta, izay enjehinao.'
\s5
\v 9 Ireo izay niaraka tamiko dia nahita ny hazavana, fa izy ireo dia tsy nahafantatra ilay feony izay niteny tamiko.
\v 10 Hoy aho hoe: 'Inona no tokony ataoko, Tompoko?' Ny Tompo niteny tamiko hoe: 'Mitsangàna ary midira any Damaskosy; any no hanambarana anao ny zava-drehetra izay tokony hataonao.'
\v 11 Tsy nahita noho'ny famirapiratan'izany fahazavana izany aho, ary notantanan'ireo izay niaraka tamiko, ka dia tonga tany Damaskosy aho.
\s5
\v 12 Nihaona tamin'ny lehilahy iray nantsoina hoe Ananiasy tany aho, lehilahy matahotra an'Andriamanitra nanaraka ny lalàna ary tsara laza teo amin'ireo Jiosy rehetra izay nipetraka tao.
\v 13 Nanatona ahy izy, nijoro teo anilako, ary niteny hoe: 'Ry rahalahy Saoly, mahiràta.' Tamin'izany ora izany indrindra dia nahita azy aho.
\s5
\v 14 Ary niteny izy hoe: 'Ny Andriamanitr'ireo razantsika dia nifidy anao mba hahalala ny sitrapony, mba hahita ny Iray Marina, ary handre ny feo aloaky ny vavany.
\v 15 Fa ho vavolombelona ho Azy amin'ny olona rehetra momba izay hitanao sy renao ianao.
\v 16 Ary maninona ianao no miandry? Mitsangàna, aoka ho atao batisa, ary diovy ireo fahotanao, miantsoa amin'ny anarany."
\s5
\v 17 Rehefa avy niverina tany Jerosalema aho, ary raha mbola nivavaka tao an-tempoly, dia nahazo tsindrimandry aho.
\v 18 Nahita Azy aho niteny tamiko hoe: 'Malaky mialà an'i Jerosalema faingana, satria izy ireo tsy hanaiky ny fijoronao vavolombelona momba Ahy.'
\s5
\v 19 Hoy aho: 'Tompo, izy ireo tenany dia mahafantatra fa izaho nanagadra sy nikapoka ireo izay nino Anao tao amin'ny synagoga rehetra.
\v 20 Rehefa nalatsaka ny ràn'i Stefana vavolombelonao, izaho koa dia mba nitsangana teo sy nanaiky, ary niambina ny fitafian'ireo izay namono azy aho.'
\v 21 Fa niteny tamiko Izy hoe: 'Mandehana, satria halefako lavitra an'ireo Jentilisa ianao.'"
\s5
\v 22 Nihaino azy izy ireo mandra-piteniny izany. Dia nihiaka mafy izy ireo ary niteny hoe: "Vonoy hiala eto amin'ny tany ny lehilahy tahaka io, satria tsy mendriky ny ho velona izy."
\v 23 Raha nitabataba izy ireo, nanipy ny akanjony, ary nanipy vovoka tamin'ny rivotra,
\v 24 ny lehiben'ny kapiteny dia nandidy an'i Paoly mba ho entina any amin'ny lapa. Izy nandidy fa tokony hadinina miaraka amin'ny kapoka izy, ka mba izy tenany dia hahalala hoe nahoana izy ireo no nihikiaka nanohitra azy toy izany.
\s5
\v 25 Rehefa namatotra azy tamin'ny kofehy hoditra izy ireo, dia hoy Paoly tamin'ilay kapiteny izay nitsangana teo: "Ara-dalàna ho anareo ve ny manakaravasy lehilahy izay Romana sy tsy mbola notsaraina akory?
\v 26 Rehefa naheno izany ilay kapiteny, dia nankany amin'ny lehiben'ny kapiteny izy ka nilaza azy, niteny hoe: "Inona izao ataonao izao? Fa mponin'ny Romana io lehilahy io."
\s5
\v 27 Nanatona ilay lehiben'ny kapiteny ary niteny taminy hoe: "Teneno ahy, mponina Romana ve ianao?" Paoly namaly hoe: "Eny."
\v 28 Ary namaly ilay lehiben'ny kapiteny hoe: "Tamin'ny vola be fotsiny no nahazoko io zom-pirenena io. Fa Paoly niteny hoe: "Nateraka ho mponin'ny Romana aho."
\v 29 Ary nandao azy teo no ho eo ilay lehilahy izay nametra-panontaniana azy. Natahotra ihany koa ilay lehiben'ny kapiteny, rehefa fantany fa mponina Romana i Paoly, satria izy namatotra azy.
\s5
\v 30 Ny ampitso, te hafantatra ny marina momba ireo fanendrikendrehan'ireo Jiosy nanohitra an'i Paoly ny lehiben'ny kapiteny. Ka novahany ireo fatotra ary nibaiko ireo mpisorona be sy ireo filan-kevitra rehetra mba hivory izy. Ary nitondra an'i Paoly nidina izy ary nametraka azy teo afovoan'izy ireo.
\s5
\c 23
\p
\v 1 I Petera dia nijery nivantana tany amin'ireo mpikambana tao amin'ny filan-kevitra ary niteny hoe: "Ry rahalahy, izaho dia efa niaina teo anatrehan'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara rehetra mandraka androany."
\v 2 Ny mpisorombe Ananiasy dia nibaiko ireo izay nitsangana teo akaikiny mba hamelezana ny vavany.
\v 3 Avy eo i Paoly niteny azy hoe: "Andriamanitra dia hikapoka anao, ianao ry rindrina voalalotra fotsy. Ianao ve dia mipetraka hitsara ahy amin'ny lalàna, nefa mandidy ahy mba ho kapohina, tsy araka ny lalàna?
\s5
\v 4 Ireo izay nitsangana teo dia niteny hoe: "Izao ve no fomba hanevatevanareo ny mpisoromben'Andriamanitra?"
\v 5 I Paoly niteny hoe: "Tsy nahafantatra aho, ry rahalahy, hoe izy ilay lehiben'ny mpisorombe. Fa efa voasoratra hoe: tsy tokony hiteny ratsy ny mpitondra ny vahoakanao ianao."
\s5
\v 6 Rehefa hitan'i Paoly fa ny sasany tamin'ny filan-kevitra dia Sadoseo ary ny hafa Fariseo, dia niteny mafy tao amin'ny filan-kevitra izy hoe: "Ry rahalahy, Izaho dia Fariseo, zanaka lahin'ireo Fariseo. Izany no izy satria izaho dia manantena tsara ny fitsanganan'ny maty izay hitsarana ahy."
\v 7 Rehefa niteny izany izy, dia nanomboka nisy fifandirana teo amin'ireo Fariseo sy ireo Sadoseso, ary ny vahoaka dia nizara.
\v 8 Fa ireo Sadoseo dia niteny fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty, tsy misy ireo anjely, ary tsy misy ireo fanahy, nefa ireo Fariseo dia nanaiky an'izy rehetra ireo.
\s5
\v 9 Noho izany dia nisy fitabatabana mafy niseho, ary ny sasany tamin'ireo mpanora-dalànan'ireo Fariseo dia nitsangana ary niady hevitra, niteny hoe: "Izahay dia tsy mahita zavatra diso amin'io lehilahy io. Ahoana raha ny fanahy na ny anjely no niresaka taminy?"
\v 10 Nony nisy fifandirana mafy teo, ny kapiteny mpitarika dia natahotra sao dia hifandrotehan'izy ireo i Paoly, noho izany izy dia nandidy ireo miaramila mba hidina sy haka azy an-keriny any amin'ireo mpikambana ao amin'ny filan-kevitra, ary hitondra azy any an-dapa.
\s5
\v 11 Ny alina manaraka ny Tompo dia nijoro teo anilany ary niteny hoe: "Aza matahotra, fa toy ny nijoroanao vavolombelona momba ahy tany Jerosalema, no tsy maintsy hijoroanao vavolombelona any Roma ihany koa."
\s5
\v 12 Rehefa maraina ny andro, ny Jiosy sasany dia namorona tetika ary nanozona ny tenan'izy ireo miaraka amin'ny fianianana mba tsy hihinana na hisotro na inona na inona ambara-pamonoan'izy ireo an'i Paoly.
\v 13 Mihoatra ny efapolo olona izy ireo izay namorona io tetika io.
\s5
\v 14 Izy ireo dia nandeha tany amin'ireo mpisorombe sy ireo loholona ka niteny hoe: "Izahay dia efa nanao fanozonana lehibe tamin'ny tenanay, mba tsy hihinana na inona na inona ambara-pamonoanay an'i Paoly.
\v 15 Ankehitriny, noho izany, avelao ny filan-kevitra hiteny amin'ny kapiteny mpitarika mba hitondra azy hidina eto aminareo, ary ianareo toy ny hoe hanapa-kevitra amin'ny zava-misy momba azy marina kokoa. Fa ho anay, izahay dia vonona ny hamono azy alohan'ny fahatongavany eto."
\s5
\v 16 Nefa ny zanaka lahin'ny anabavin'i Paoly dia naheno fa teo am-piandrasana ny hamonoana azy izy ireo, noho izany izy dia nandeha ary niditra ny lapa ka niteny tamin'i Paoly.
\v 17 I Paoly dia niantso ny iray tamin'ireo kapiteny ka niteny hoe: "Ento any amin'ny kapiteny mpitarika ity tovolahy ity, fa manana zavatra lazaina aminy izy."
\s5
\v 18 Noho izany ilay kapiteny dia nandray ilay tovolahy ary nitondra azy tany amin'ny kapiteny mpitarika ka niteny hoe: "I Paoly ilay gadra no niantso ahy ho any aminy, ary nangataka ahy mba hitondra ity tovolahy ity ho eto aminao. Manana zavatra ho lazaina aminao izy."
\v 19 Ny kapiteny mpitarika dia naka azy tamin'ny tanana ho any amin'ny toerana mitokana ary nanontany azy hoe: "Inona izany tokony ho lazainao amiko izany?"
\s5
\v 20 Ilay tovolahy niteny hoe: "Ireo jiosy dia efa nanaiky ny hangataka aminao mba hitondra an'i Paoly hidina any amin'ny filan-kevitra rahampitso, toy ny hoe izy ireo dia handeha hanontany ny momba azy marina kokoa.
\v 21 Nefa aza manaiky azy ireo, satria nisy olona mihoatra ny efapolo izay efa vonona ny hamono azy. Niantso ozona ho an'ny tenany izy ireo, mba tsy hihinana na hisotro ambara-pamonoan'izy ireo azy. Fa na dia izao aza dia efa vonona izy ireo, miandry fanekena avy any aminao."
\s5
\v 22 Ka navelan'ilay kapiteny mpifehy handeha ilay tovolahy, taorian'ny nanoroany azy hoe: "Aza miteny na amin'iza na amin'iza hoe niteny ireo zavatra ireo tamiko ianao."
\v 23 Avy eo izy dia niantso ho eo aminy ny roa tamin'ireo kapiteny ka niteny hoe: "Alaivo ny miaramila roanjato izay vonona ny andeha any Kaisaria, sy mpitaingin-tsoavaly fitopolo ihany koa, ary mpitondra lefona roanjato. Handeha ianao amin'ny ora fahatelon'ny alina."
\v 24 Izy ihany koa dia nandidy azy ireo mba hanome biby izay afaka hotaingenan'i Paoly, ary mba hitondra azy soa aman-tsara any amin'i Feliksa ilay governora.
\s5
\v 25 Avy eo dia nanoratra taratasy toy izao izy:
\v 26 "Klaodio Lisia ho an'i Feliksa governora tsara indrindra, arahaba.
\v 27 Io lehilahy io dia nosamborin'ireo Jiosy ary saika novonoin'izy ireo, rehefa tonga teo amin'izy ireo niaraka tamin'ireo miaramila aho dia nanavotra azy, satria nahafantatra aho fa izy dia olom-pirenena Romana.
\s5
\v 28 Izaho dia te hahalala ny antony niampangan'izy ireo azy, noho izany dia nentiko nidina tao amin'ny filan-kevitr'izy ireo izy.
\v 29 Nahafantatra aho fa voapanga tamin'ny ady hevitra mikasika ny lalàn'izy ireo manokana izy, nefa tsy nisy fiampangana nanohitra azy izay mendrika fahafatesana na fanagadrana.
\v 30 Avy eo dia nampafantarina ahy fa nisy tetika hanoherana ilay lehilahy, noho izany dia nandefa azy teo noho eo tany aminao aho, ary nanafatra ireo mpiampanga azy ihany koa mba hitondra ny fanamelohan'izy ireo azy eo anatrehanao. Veloma."
\s5
\v 31 Ka noho izany ireo miaramila dia nankatò ireo baikon'izy ireo. Nalain'izy ireo i Paoly ary nentiny tamin'ny alina tany Antipatria.
\v 32 Ny ampitso, ny ankamaroan'ireo miaramila dia nandao ireo mpitaingin-tsoavaly mba handeha hiaraka aminy fa izy ireo dia niverina tany an-dapa.
\v 33 Rehefa tonga tany Kaisaria ireo mpitaingin-tsoavaly ka nanolotra ny taratasy ho an'ny governora, dia nanolotra an'i Paoly taminy ihany koa.
\s5
\v 34 Rehefa namaky ny taratasy ny governora, dia nanontany ny faritany izay niavian' i Paoly izy. Rehefa fantany fa avy any Kilikia izy,
\v 35 dia niteny hoe: "Izaho dia haheno tanteraka anao rehefa tonga eto ireo mpiampanga anao." Dia nasainy notazomina tao ao amin'ireo foiben'ny fanjakan'i Heroda izy.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Taorian'ny dimy andro, Ananiasy ilay mpisorona be, ireo loholona sasany, ary mpikabary antsoina hoe Tertylo dia nandeha tany. Ireo lehilahy ireo dia nitondra fiampangana an'i Paoly teo anoloan'ny governora.
\v 2 Rehefa nitsangana teo anoloan'ny governora i Paoly, dia nanomboka niampanga azy i Tertylo ka niteny tamin'ny governora hoe: "Noho ianao dia manana fiadanana lehibe izahay, ary ny fahitanao dia mitondra fanovana tsara eo amin'ny firenenay;
\v 3 koa am-pankasitrahana tanteraka no handraisanay ny zavatra rehetra izay ataonao, ry Feliksa tsara indrindra.
\s5
\v 4 Mba tsy hitazomako anareo ela loatra, dia mangataka fotoana fohy aminareo aho mba hihaino ahy am-pahatoniana.
\v 5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa mpanakorontana ary iray izay nitarika ny Jiosy rehetra manerana izao tontolo izao hikomy. Izy no mpitarika ny sekta Nazareana.
\v 6 Ary izy ihany koa no niezaka ny handoto ny tempoly, ka dia nosamborinay izy.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha dia nanampy hoe: "Tianay ho tsaraina araka ny lalànay izy." \f*
\s5
\v 7 \f + \ft Fanamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha dia ahitana ao amin'ny andininy faha 7 hoe: "Fa Lysia, mpiandraikitra, tonga ary naka azy an-keriny teo an-tananay." \f*
\v 8 Rehefa manontany an'i Paoly mikasika ireny zava-drehetra ireny ianao, dia ho fantatrao ny mikasika ireny fiampangana nataonay momba azy ireny."
\f + \ft Fanamarihana: Ireo antontan-taratasy taloha dia nanampy ao amin'ny tapany voalohany amin'ny andininy faha 8 hoe: "Nandefa anay teo aminao." \f*
\v 9 Ireo Jiosy ihany koa dia nanampy trotraka ireny fiampangana ireny, ary nanamafy fa marina avokoa ireny.
\s5
\v 10 Fa rehefa notondroin'ny mpanapaka hiteny i Paoly, dia namaly Paoly hoe: "Fantatro fa ianao dia efa mpitsara teto amin'ity firenena ity nandritry ny taona maro, ka dia faly ny tenako manazava aminao.
\v 11 Ho fantatrao fa tsy mbola nihoatra ny roa ambin'ny folo andro izay no niakarako nidera tany Jerosalema.
\v 12 Rehefa hitan'izy ireo tao an-tempoly aho, dia tsy niady hevitra na tamin'iza na tamin'iza aho, ary tsy namporisika ny vahoaka, na tao amin'ireo synagoga, na tao an-tanàna.
\v 13 Tsy afaka manaporofo aminao ireo fiampangana izay ataony amiko ankehitriny izy ireo.
\s5
\v 14 Saingy izaho manaiky izao aminao, araka ny Fampianarana izay antsoin'izy ireo hoe sekta, dia toy izany koa no hanompoko ny Andriamanitry ny razambentsika. Izaho dia mahatoky amin'ny rehetra izay ao amin'ny lalàna sy ireo voasoratr'ireo mpaminany.
\v 15 Manana ny fahatokisana an'Andriamanitra toy ireo olona ireo aho, fa hisy ny fitsanganan'ny marina sy ny ratsy fanahy amin'ny maty.
\v 16 Noho izany aho dia miezaka mandrakariva mba hanana fisainana madio eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olombelona.
\s5
\v 17 Ary taorian'ny taona maro dia tonga aho hitondra fanampiana ho an'ny fireneko sy fanomezana ara-bola.
\v 18 Rehefa vitako izany, nisy Jiosy vitsivitsy avy any Asia nahita ahy tany amin'ny fetin'ny fanadiovana tao amin'ny tempoly, tsy niaraka tamin'ny vahoaka na tabataba.
\v 19 Ireo olona ireo dia tokony ho eo anatrehanareo ankehitriny ka hiteny izay hiampangan' izy ireo ahy, raha manana zavatra izy ireo.
\s5
\v 20 Na koa, ireo olona ireo ihany no tsy tokony hiteny izay hitan'izy ireo tsy mety aty amiko rehefa nitsangana teo anoloan'ny filan-kevitry ny Jiosy aho,
\v 21 raha tsy hoe momba ny zavatra iray izay nihikiako rehefa nijoro teo anivon'izy ireo aho: 'Izany dia mikasika ny fitsanganan'ny maty izay hitsarana ahy eto anatrehanareo androany.'
\s5
\v 22 Ary Feliksa, izay nampahafantarina tsara momba ilay Fampianarana. Izy dia niteny hoe: "Rehefa midina avy any Jerosalema i Lysia mpandidy, dia hanapa-kevitra ny amin'ny raharahanao aho."
\v 23 Avy eo izy nandidy ilay kapiteny fa i Paoly dia tokony hambenana, fa mba hisy fahafahana dia tsy hisy amin'ireo namany ho sakanana amin'ny fanampiana izay zavatra ilainy.
\s5
\v 24 Andro vitsivitsy taorian'izay, dia niverina niaraka tamin'i Drosila vadiny i Feliksa, izay vehivavy Jiosy, ka nalefa ho an'i Paoly izy ary naheno taminy momba ny finoana ao amin'i Kristy Jesosy.
\v 25 Fa rehefa niady hevitra niaraka taminy i Paoly momba ny fahamarinana, fahononan-tena, sy ny fitsarana ho avy, dia lasa raiki-tahotra i Feliksa ka niteny hoe: "Mandehana manomboka izao. Fa rehefa manana fahafahana aho aoriana ao, dia handefa ho anao."
\s5
\v 26 Nandritr'izany fotoana izany ihany, dia nanantena izy fa hanome vola azy i Paoly, noho izany dia nandefa ho azy matetika izy ary niresaka taminy.
\v 27 Fa rehefa afaka roa taona, dia lasa governora nandimby an'i Feliksa i Porsio Festosy, saingy Feliksa te hahazo sitraka tamin'ireo Jiosy, dia navelany ho hambenana ihany i Paoly.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Ankehitriny, Festony niditra tao amin'ny faritany, ary telo andro taty aoriana, dia niakatra avy tao Kaisaria izy ho any Jerosalema.
\v 2 Ny lohan'ny mpisorona sy ireo Jiosy manan-kaja dia nitondra fanamelohana hiampangana an'i Paoly, ka namporisika azy
\v 3 sy nangataka taminy izy ireo mba hampidi-doza an'i Paoly_ ka mety hampiantso an'i Paoly ho any Jerosalema Festosy mba afahan'izy ireo mamono azy eny an-dalana.
\s5
\v 4 Kanefa Festosy namaly fa gadra ao Kaisaria Paoly, ary izy tenany dia hiverina any tsy ho ela.
\v 5 "Noho izany, ireo izay afaka," hoy izy: "dia tokony handeha hiaraka aminay ho any. Raha nanao zavatra tsy nety ilay lehilahy, dia tokony hiampanga azy ianareo."
\s5
\v 6 Festosy dia tsy nijanona nihoatry ny valo na folo andro ary avy eo nidina nankany Kaisaria, ary ny andro manaraka dia nipetraka teo amin'ny toeran'ny fitsarana izy ary nandidy an'i Paoly mba ho entina any aminy.
\v 7 Rehefa tonga izy, dia nipetraka teo akaiky teo ireo Jiosy avy any Jerosalema, ary nitondra fiampangana goavana maro izy ireo izay tsy afaka noporofoin'izy ireo.
\v 8 Niaro-tena Paoly ary niteny hoe: "Tsy nanao zavatra ratsy manohitra ny lalàn'ny Jiosy aho na manohitra ny tempoly na manohitra an'i Kaisara."
\s5
\v 9 Saingy nitady izay ahazoana ny fankasitrakan'ireo Jiosy i Festosy, ary noho izany dia namaly an'i Paoly izy ka niteny hoe: "Te-hiakatra ho any Jerosalema ve ianao ary ho tsaraiko momba ireny zavatra tany ireny?
\v 10 Hoy Paoly hoe: "Mitsangana eto anoloan'ny seza fitsaran'i Kaisara aho izay tsy maintsy hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy ny Jiosy aho, araka ny efa fantatrao tsara.
\s5
\v 11 Kanefa raha nanao ratsy aho ary raha nanao izay mendrika ny fahafatesana, dia tsy mandà ny ho faty. Fa raha tsy misy ireo fiampangan'izy ireo, dia tsy misy olona afaka mitondra ahy ho any amin'izy ireo. Mangataka an'i Kaisara aho."
\v 12 Rehefa avy niresaka tamin'ny filan-kevitra Festosy, dia namaly izy hoe: "Nanagataka an'i Kaisara ianao. Any amin'i Kaisara no handehananao.
\s5
\v 13 Ary taorian'ny andro vitsivitsy, dia tonga tany amin'i Kaisaria i Agripa mpanjaka sy Berenika mba hamangy an'i Festosy.
\v 14 Taorian'ny naha tao azy nandritry ny andro maro, dia natolotr'i Festosy teo amin'ny mpanjaka ny raharahan'i Paoly; niteny izy hoe: "Nisy lehilahy iray navelan'i Felix aty toy ny gadra.
\v 15 Rehefa tany Jerosalema aho, dia nitondra fiampangana ity lehilahy ity taty amiko ireo lohan'ny mpisorona sy ireo loholon'ny Jiosy, ary nangataka teny fanamelohana ho azy izy ireo.
\v 16 Namaly azy ireo aho fa tsy fomban'ireo Romana ny manolotra olona mialohan'ny hiatrehany ireo mpiampanga azy sy hananany fahafahana hiaro-tena amin'ireo fiampangana.
\s5
\v 17 Noho izany, rehefa niara-tonga teto izy ireo, dia tsy niandry aho, fa ny andro manaraka dia nipetraka teo amin'ny sezan'ny fitsarana aho ary nibaiko ny ampidirana ilay lehilahy.
\v 18 Rehefa nitsangana ireo mpiampanga ka nanameloka azy, dia noheveriko fa tsy nisy goavana ny fampiangana nentin'izy ireo ho azy.
\v 19 Fa kosa, nifamaly izy ireo mahakasika ny fivavahan'izy ireo manokana sy momba izany Jesosy izay maty izany, izay nambaran'i Paoly fa velona.
\v 20 Tsy azoko antoka ny fomba hanadihadiana ity tranga ity, ary noho izany dia nanontaniako izy raha vonona ny ho any Jerosalema mba ho tsaraina any momba ireo fiampangana ireo.
\s5
\v 21 Fa rehefa nangataka ny hijanonana ao am-ponja mba hiandry ny fanapahan-kevitry ny Amperora i Paoly, dia nandidy azy aho mba ho tazomina ao am-ponja izy mandra-pandefasako azy any amin'i Kaisara."
\v 22 Agripa niresaka tamin'i Festosy hoe: "Te-handre ity lehilahy ity ihany koa aho." "Rahampitso," hoy Festosy: "Handre azy ianao."
\s5
\v 23 Ka ny andro manaraka, dia tonga niaraka tamin'ny lanonana marobe Agripa sy Berenika; nankao amin'ny efitrano lehibe niaraka tamin'ireo miaramila mpifehy sy ireo lehilahy manan-kaja teo amin'ny tanàna izy ireo. Rehefa niteny ilay didy Festosy, dia nentin'izy ireo Paoly.
\v 24 Hoy Festosy hoe: "Agripa mpanjaka, sy ianareo lehilahy rehetra izay miaraka aminay eto, itanareo ity lehilahy ity; ireo vahoakan'ny Jiosy rehetra nifanaraka tamiko tany Jerosalema sy eto ihany koa, dia nitaraina tamiko izy ireo fa tsy tokony ho velona intsony izy.
\s5
\v 25 Fantatro fa tsy nanao na inona na inona mendrika ny fahafatesana izy; fa satria nangataka ny Amperora izy, dia nanapa-kevitra aho ny handefa azy.
\v 26 Saingy tsy misy zavatra manan-danja ho soratako any amin'ny Amperora. Noho izany antony izany, dia nentiko teo aminareo izy, indrindra aminao, Agripa Mpanjaka, mba afahako manana zavatra ho sorotana bebe kokoa momba ilay raharaha.
\v 27 Satria toa tsy mety amiko ny mandefa gadra sy tsy milaza izay hiampangana azy koa.
\s5
\c 26
\p
\v 1 Noho izany Agripa niteny tamin'i Paoly hoe: "Afaka miteny ho an'ny tenanao ianao." Dia naninjitra ny tanany Paoly ary nanao ny fiarovan-tenany.
\v 2 "Maneho ny tenako toy ny faly aho, ry Agripa mpanjaka, mba hitondra ny zavatra mahazo ahy eto anoloanao androany manohitra ireo fiampangan'ireo Jiosy rehetra;
\v 3 indrindra, satria ianao efa matihanina amin'ny fomba amam-panao sy fanontanian'ny Jiosy rehetra. Noho izany dia mangataka anao aho hihaino ahy am-paharetana.
\s5
\v 4 Marina fa, ireo Jiosy rehetra dia mahafantatra ny fomba fiainako hatramin'ny fahatanorako tany amin'ny fireneko manokana sy tao Jerosalema.
\v 5 Izy ireo dia nahafantatra ahy hatrany am-boalohany ary tokony hanaiky izy ireo fa Fariseo fiaina aho, ny hentitra indrindra amin'ny antokon'ny fivavahantsika.
\s5
\v 6 Ary mijoro eto aho mba ho tsaraina satria mitady ny fampanantenana izay nataon'Andriamanitra tamin'ireo razantsika aho.
\v 7 Fa ity no fampanantenana nantenain'ny fokontsika roambinifolo ho raisina raha nanompo an'Andriamanitra andro aman'alina tokoa izy ireo. Ho an'izany fanantenana izany, ry Agripa mpanjaka, no hiampangan'ireo Jiosy ahy.
\v 8 Nahoana ianareo no mihevitra fa tsy azo inoana fa manangana ny maty Andriamanitra?
\s5
\v 9 Nisy fotoana aho nihevitra tamin'ny tenako fa tokony hanao zavatra maro manohitra ny anaran'i Jesosy avy any Nazareta aho.
\v 10 Nanao izany tany Jerosalema aho. Nanidy maro tamin'ireo mpino tany am-ponja tamin'ny fahefana noraisiko avy tamin'ireo lohan'ny mpisorona aho, ary rehefa voavono izy ireo, dia nandatsaka ny vatoko hanohitra azy ireo aho.
\v 11 Nosaziako imbetsaka izy ireo tany amin'ireo synagoga rehetra ary niezaka ny hanery azy ireo mba hiteny ratsy aho. Tezitra mafy tamin'izy ireo aho ary nanenjika azy ireo na dia tany amin'ireo tanàna any ivelany aza.
\s5
\v 12 Raha mbola nanao izany aho, dia nandeha tany Damaskosy niaraka tamin'ny fahefana sy ireo didy avy amin'ireo lohan'ny mpisorona;
\v 13 ary teny an-dalana nankany, tamin'ny mitataovovonana, ry Mpanjaka, dia nahita hazavana avy eny an-danitra aho izay mamiratra noho ny masoandro ary izany dia namiratra nanodidina ahy sy ireo lehilahy izay niara-dia tamiko.
\v 14 Rehefa nianjera tamin'ny tany izahay rehetra, dia nahare feo niresaka tamiko aho izay niteny tamin'ny teny Hebreo hoe: 'Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Sarotra ho anao ny handaka fanindronana.'
\s5
\v 15 Avy eo niteny aho hoe: 'Iza ianao, Tompo ve?' Ny Tompo namaly hoe: 'Izaho no Jesosy izay enjehinao.
\v 16 Ankehitriny miarena ary mitsangana amin'ny tongotrao; satria noho izao antony izao no nisehoako taminao, mba hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona mahakasika ireo zavatra izay fantatrao momba Ahy ankehitriny ary ireo zavatra izay hasehoako anao ao aoriana kely;
\v 17 ary hanavotra anao ao amin'ny vahoaka sy ireo Jentilisa izay hanirahako anao aho,
\v 18 mba hanokatra ny mason'izy ireo ary hampitodika azy ireo hiala amin'ny haizina hankany amin'ny fahazavana ary amin'ny herin'ny Satana hankany amin'Andriamanitra, mba hafahan'izy ireo mandray avy amin'Andriamanitra ny famelan-keloky ny fahotana sy ny lova izay omeko azy ireo izay nohamasinina tamin'ny finoana Ahy.'
\s5
\v 19 Noho izany, ry Agripa mpanjaka, nankatoa ny fahitana avy tany an-danitra aho;
\v 20 fa, ny an'ireo izay tany Damaskosy aloha, ary avy eo tany Jerosalema, ary nanerana ny tanin'ny Jodia rehetra, ary koa tamin'ireo Jentilisa, nanome azy ireo ny hafatra aho fa tokony hibebaka sy hitodika amin'Andriamanitra izy ireo, hanao ny asa mendrika ny fibebahana.
\v 21 Noho izany antony izany no nisamboran'ireo Jiosy ahy tao an-tempoly sy niezaka hamono ahy.
\s5
\v 22 Nanampy ahy hatramin'izao Andriamanitra, noho izany dia mitsangana aho ary mijoro vavolombelona amin'ny olon-tsotra sy amin'ireo manan-kaja tsy hilaza na inona na inona mihoatra izay nolazain'ireo mpaninany sy Mosesy fa hitranga;
\v 23 fa tsy maintsy hijaly Kristy, ary Izy no ho voalohany hitsangana amin'ireo maty mba hitsangana sy hitory fahazavana ho an'ireo vahoaka Jiosy sy ireo Jentilisa."
\s5
\v 24 Raha vitan'i Paoly ny fiarovan-tenany, dia niteny tamin'ny feo mafy Festosy hoe: "Paoly, very saina ianao; ny fianaranao be loatra no nahatonga anao ho very saina."
\v 25 Fa hoy Paoly hoe: "Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra; fa amin'ny fahasahiana aho miteny tenin'ny fahamarinana sy fahamatorana.
\v 26 Fa ny mpanjaka mahafantatra momba izany zavatra izany; ary noho izany, miteny an-kalalahana aminy aho, fa resy lahatra fa tsy nisy tamin'izany nafenina taminy; satria tsy natao tany amin'ny takona izany.
\s5
\v 27 Mino ny mpaminany ve ianao, ry Agripa mpanjaka? Fantatro fa mino ianao."
\v 28 Agripa niteny tamin'i Paoly hoe: "Ao anatin'ny fotoana fohy ve no handresenao lahatra ahy sy hanaovanao ahy ho kristiana?"
\v 29 Hoy Paoly hoe: "Mivavaka amin'Andriamanitra aho, mba na ho ao anatin'ny fotoana fohy na fotoana lava, tsy ianao ihany, fa ireo rehetra izay mandre ahy androany ihany koa, dia hitovy amiko, fa tsy miaraka an'ireny rojo ireny."
\s5
\v 30 Avy eo nitsangana ny mpanjaka, sy ny governora, sy Berenika ihany koa, ary ireo izay nipetraka niaraka tamin'izy ireo;
\v 31 rehefa nandao ny trano fivoriana izy ireo, dia nifampiresaka ary niteny hoe: "Ity lehilahy ity tsy manao zavatra mendrika ny fahafatesana na famatorana."
\v 32 Hoy Agripa tamin'i Festosy hoe: "Ity lehilahy ity dia afaka nalefa raha tsy nantsoina tany amin'i Kaisara izy."
\s5
\c 27
\p
\v 1 Rehefa tapaka fa tokony hiantsambo ho any Italia izahay, dia napetrak'izy ireo i Paoly sy ireo gadra hafa ho eo ambanin'ny fiahian'ny kapiteny iray antsoina hoe Jolio izay an'ny rezimantan'ny Amperora.
\v 2 Niditra tanaty sambo iray avy any Adramytena izahay, izay hiondrana manaraka ny sisin-tanin'ny Asia. Ka dia nandeha an-dranomasina izahay. Aristarko avy any Tesalonika any Makedonia dia nandeha niaraka taminay.
\s5
\v 3 Ny andro manaraka dia tonga tao amin'ny tanànan'ny Sidona izahay, izay nitondran'i Jolio an'i Paoly tamin'ny hatsaram-panahy ary namela azy handeha ho any amin'ireo namany handray ny fikarakaran'izy ireo.
\v 4 Avy tany izahay no nandeha an-dranomasina ary niantsambo nanaraka ny moron'ny Kyprosy, nanakaiky ny nosy, satria nanohitra anay ny rivotra.
\v 5 Avy eo niantsambo namakivaky ny ranomasina izahay ary nanakaiky ny sisin-tanin'ny Kilikia sy Pamfilia, tonga tao Myra izahay, tananàn'ny Lykia.
\v 6 Tany, ny kapiteny dia nahita sambo iray avy any Aleksandria izay hiantsambo ho any Italia. Napetrany tao amin'izany izahay.
\s5
\v 7 Rehefa niantsambo niadana nandritry ny andro maro izahay ary ny farany dia tonga tam-pahasahiranana teo akaikin'ny Kinidio, dia tsy namela anay andeha tamin'izany lalana izany intsony ny rivotra, ka dia niantsambo nanaraka ny ilany takon-drivotry ny Kreta izahay, mifanandrify amin'ny Salmona.
\v 8 Nanara-morona tam-pahasahiranana izahay, nandra-pahatonganay tany amin'ny toerana iray antsoina hoe Tsara-fitodian-tsambo, izay akaikin'ny tanànan'ny Lasea.
\s5
\v 9 Ary nandany fotoana betsaka izahay, efa dila ihany koa ny fotoana fifadian-kanin'ireo Jiosy, ary efa lasa nampidi-doza ny miondrana an-tsambo. Ka dia nampitandrina azy ireo Paoly,
\v 10 ary niteny hoe: "Ry lehilahy, hitako fa ity dia izay ho ataontsika ity dia hisy faharatrana sy fatiantoka maro, tsy ho an'ny entana sy ny sambo ihany, fa ho an'ny aintsika koa."
\v 11 Fa ny kapiteny nanome lanja kokoa ny mpitondra sy ny tompon'ny sambo noho ireo zavatra izay voalazan'i Paoly.
\s5
\v 12 Satria ao amin'ny seranana dia tsy mora raha hijanonana mandritry ny ririnina, dia maro tamin'ireo mpiantsambo no nanoro hevitra ny hiondrana hiala teo, fa ndrao mba afaka hihazo ny tanànan'ny Foiniksa amin'ny fomba rehetra izahay, mba hitoetra any mandritry ny ririnina. Foiniksa dia seranana any Kreta, ary manatrika ny mianavaratra-andrefana sy ny mianatsimo-andrefana izany.
\v 13 Rehefa nanomboka nitsoka malefaka ny rivotra avy any atsimo, dia nihevitra ireo tantsambo fa nanana izay nilain'izy ireo. Ka dia nampakatra ny vatofantsika ary niondrana nanaraka an'i Kreta izy ireo, nanakaiky ny moron-dranomasina.
\s5
\v 14 Fa afaka fotoana fohy dia nisy tafio-drivotra mahery, nantsoina hoe Eoraklydona, nanomboka namely mafy avy any amin'ny nosy.
\v 15 Rehefa tratry ny tafiotra ny sambo ary tsy afaka nanohitra ny rivotra intsony, dia tsy maintsy nanome lalana ny tafiotra izahay ary nentin'ny rivotra teny rehetra teny.
\v 16 Niantsambo nanaraka ny moron'ny nosy kely iray antsoina hoe Kaoda izahay, ary tamim-pahasahiranana no nahafahanay niaro ny lakana famonjena aina.
\s5
\v 17 Rehefa nampiakarin'izy ireo ny lakana famonjena aina, dia nampiasain'izy ireo ny tadin'izany mba hamatorana ny vatan'ny sambo. Natahotra izy ireo fa tokony handeha ambonin'ny fasika mandrevon'ny Syrtiso, ka dia nalatsak'izy ireo ny vatofantsiky ny ranomasina ary nandeha ho azy teny.
\v 18 Tratran'ny famelezana mahery vaikan'ny tafiotra izahay hany ka ny andro manaraka io dia nanomboka nanary ireo entana tany ivelan'ny sambo izy ireo.
\s5
\v 19 Tamin'ny andro fahatelo ireo tantsambo dia nanipy ny entan'ny sambo tany ivelan'ny sambo tamin'ny tanan'izy ireo manokana.
\v 20 Rehefa tsy namiratra taminay nandritry ny andro maro ny masoandro sy ny kintana, ary mbola namely anay ilay tafiotra lehibe, dia very avokoa ny fanantenana ny hahavoavonjy anay.
\s5
\v 21 Rehefa lasa lavitra tsy nisy sakafo izy ireo, dia nitsangana teo amin'ireo tantsambo Paoly avy eo ary niteny hoe: "Ry lehilahy, tokony nihaino ahy ianareo, ary tsy niondrana avy tany Kreta, ho tratran'izao faharatrana sy fatiantoka izao.
\v 22 Ankehitriny dia mamporisika anareo aho mba hahery, fa tsy hisy fahaverezan'aina eo anivonareo, fa fahaverezan'ny sambo fotsiny ihany.
\s5
\v 23 Fa tamin'ny alina dia nisy anjelin'Andriamanitra izay tompoko, izay tompoiko ihany koa _ nitsangana teo anilako ny anjeliny
\v 24 ary niteny hoe: 'Aza matahotra, ry Paoly. Tsy maintsy hitsangana eo anatrehan'i Kaisara ianao, ary indro, Andriamanitra ao amin'ny hatsaram-panahiny no nanome anao ireo rehetra miantsambo miaraka aminao.'
\v 25 Noho izany mionona, ry lehilahy! Fa mahatoky an'Andriamanitra aho fa hitranga araka izay voalaza tamiko izany.
\v 26 Saingy tsy maintsy hidona amina nosy maromaro isika."
\s5
\v 27 Rehefa tonga ny alina faha-efatra ambin'ny folo, raha natoptopa tetsy sy teroa tao amin'ny ranomasin'ny Adrea izahay, tokony ho tamin'ny sasak'alina dia nihevitra ireo tantsambo fa nanakaiky tany izy ireo.
\v 28 Dia naka refin-drano izy ireo ary nahita fa efapolo metatra ny halaliny; taoriana kelin'izany, dia mbola naka refin-drano ihany izy ireo ary nahita fa telopolo metatra ny halaliny.
\v 29 Natahotra izy ireo sao hidona amin'ireo vato izahay, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra avy ao aoriana izy ireo ary nivavaka mba hiavian'ny maraina tsy ho ela.
\s5
\v 30 Ireo tantsambo dia nitady fomba handaozana ny sambo ary nandatsaka ny lakana famonjena aina tany an-dranomasina, ary nody nandatsaka ny vatofantsika avy teo an-doha-tsambo izy ireo.
\v 31 Fa Paoly niteny tamin'ny kapiteny sy ireo miaramila hoe: "Raha tsy mijanona anaty sambo ireo lehilahy ireo, tsy ho voavonjy ianareo."
\v 32 Avy eo ireo miaramila nanapaka ny tadin'ny lakana ka dia namela izany ho rendrika.
\s5
\v 33 Rehefa nanomboka nihanazava ny andro, dia namporisika azy rehetra Paoly mba haka sakafo maromaro. Hoy izy hoe: "Ity andro ity no andro faha-efatra ambiny folo izay hiandrasanareo ary tsy hinananareo; tsy nihinana na inona na inona ianareo.
\v 34 Noho izany dia mamporisika anareo aho mba hizara sakafo, fa ilaina izany mba hahavelona anareo. Fa tsy hisy na iray aminareo izay ho very na dia ny singam-bolon-dohany aza."
\v 35 Rehefa avy niteny izany izy, dia naka mofo ary nisaotra an'Andriamanitra teo imason'ny rehetra. Avy eo izy nizarazara ny mofo ary nanomboka nihinana.
\s5
\v 36 Avy eo dia nahery izy rehetra ary naka sakafo ihany koa.
\v 37 Olona 276 izahay no tao anaty sambo.
\v 38 Rehefa nihinana tsara izy ireo, dia nohamaivanin'izy ireo ny sambo tamin'ny nanarian'izy ireo vary tanaty ranomasina.
\s5
\v 39 Rehefa tonga ny andro, dia tsy fantatr'izy ireo ilay tany, fa nahita helon-drano anankiray nisy tora-pasika izy ireo, ary nifandinika izy ireo raha afaka hitondra ny sambo teny.
\v 40 Ka dia notapahin'izy ireo ireo vatofantsika ary navelan'izy ireo tany an-dranomasina. Niaraka tamin'izay dia nalatsak'izy ireo ny tady teo amin'ny familiana ary natsangany ny lay ho eo amin'ny rivotra; ary dia niroso nankeo amin'ny tora-pasika izy ireo.
\v 41 Fa tonga teo amin'ny toerana iray izay nisy ranomasina nifanapaka izy ireo, ka nidona tamin'ny tany ny sambo. Ary ny loha-sambo dia niraikitra teo ary nijanona tsy afa-nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa nanomboka vaky nohon'ny hahery vaikan'ny onja.
\s5
\v 42 Ny tetik'ireo miaramila dia ny hamono ireo gadra mba tsy hisy amin'izy ireo ho afaka andeha hilomano ka hitsoaka.
\v 43 Fa ilay kapiteny te-hamonjy an'i Paoly, ka dia najanony ny tetik'izy ireo; ary nomeny baiko ireo mahay milomano mba hilatsaka ivelan'ny sambo aloha ary ho eny an-tanety.
\v 44 Avy eo tokony hanaraka ny ambin'ireo lehilahy, ny sasany ambony hazo fisaka, ary ny sasany ambony zavatra hafa avy tao amin'ny sambo. Toy izany no nitranga ka ny rehetra taminay dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety.
\s5
\c 28
\p
\v 1 Rehefa tonga soa aman-tsara izahay, dia hainay fa ilay tany dia nantsoina hoe Malta.
\v 2 Ireo terantany dia tsy nanome hatsaram-panahy tsotra taminay fotsiny, fa nandrehitra afo izy ireo ary nampandroso anay rehetra, nohon'ny orana mikija sy ny hatsiaka.
\s5
\v 3 Fa rehefa nanangona kitay hazo sy nametraka izany teo amin'ny afo Paoly, dia nisy menarana nivoaka nohon'ny hafanana, ary nifatotra tamin'ny tanany.
\v 4 Rehefa nahita ilay biby nihantona teo amin'ny tanany ireo terantany, dia nifampiresaka izy ireo hoe: "Tena mpamono olona izay nitsoaka avy tany an-dranomasina io lehilahy io, raha ny rariny dia tsy tokony ho velona izy."
\s5
\v 5 Fa avy eo nanozongozona ilay biby ho anaty afo izy nefa tsy naratra akory.
\v 6 Niandry azy mba ho voan'ny tazo na ho faty tampoka izy ireo. Fa rehefa avy nijery azy maharitra izy ireo ary nahita fa tsy nisy zavatra tsy mahazatra nanjo azy, dia niova hevitra izy ireo ary nilaza fa izy dia andriamanitra.
\s5
\v 7 Ary tamin'ny toerana akaiky teo nisy ireo tany izay an'ilay lehilahy lehiben'ny nosy, lehilahy antsoina hoe Poplio. Nandray anay izy ary nanome sakafo anay tamin'ny hatsaram-panahy nandritry ny telo andro.
\v 8 Ny rain'i Poplio dia nararin'ny tazo sy fivalanan-drà. Rehefa nankany aminy Paoly, dia nivavaka izy, nametraka ny tanany teo aminy, ary nanasitrana azy.
\v 9 Taorian'ny nitrangan'izany, dia nanatona azy avokoa ny ambin'ny vahoaka rehetra izay narary teo amin'ilay nosy ary sitrana.
\v 10 Ny vahoaka ihany koa dia nanome voninahitra anay tamin'ny voninahitra maro. Ary rehefa niomana andeha hiantsambo izahay, dia nanome anay izay nilainay izy ireo.
\s5
\v 11 Afaka telo volana izahay dia nandeha niondrana tamin'ny sambo izay nijanona tao amin'ilay nosy nandritry ny ririnina, sambon'i Aleksandria, misy '"sarikamban'andriamanitra" eo anoloan'ny sambo
\v 12 Ary rehefa tonga tamin'ilay tanànan'i Sirakosa izahay, dia nitoetra tao nandritry ny telo andro.
\s5
\v 13 Niala avy teo izahay no niantsambo ka tonga tany amin'ny tanànan'i Regioma. Ary rehefa afaka iray andro dia nisy rivotra nitsoka avy any atsimo, ka roa andro izahay dia tonga tao amin'ny tanànan'i Potioly.
\v 14 Tao no nahitanay ireo rahalahy sasany ary nanasa anay mba hijanona hiaraka amin'izy ireo mandritry ny fito andro. Tamin'ny alalan'izany no nahatongavanay tany Roma.
\v 15 Avy teny ireo rahalahy, taorian'ny nandrenesan'izy ireo ny momba anay, dia tonga nitsena anay hatrany amin'ny tsenan'i Apio sy ireo tranom-bahiny telo. Rehefa nahita ireo rahalahy Paoly, dia nisaotra an'Andriamanitra izy ary nahazo hery.
\s5
\v 16 Rehefa niditra tao Roma izahay, dia nahazo alalana hiara-hiaina amin'ireo miaramila niambina azy Paoly.
\v 17 Ary rehefa afaka hateloana taorinan'izay dia nampiantso niaraka ireo lehilahy izay mpitarika teo amin'ireo Jiosy ireo i Paoly. Rehefa niaraka tonga izy ireo, dia niteny tamin'izy ireo izy hoe: "Ry rahalahy, na dia tsy nanao zavatra ratsy tamin'ny olona na ny fomban'ireo razantsika aza aho, dia natolotra ho voafonja tany Jerosalema teo an-tanan'ny Romana.
\v 18 Rehefa avy nanadihady ahy izy ireo, dia naniry ny hanafaka ahy, satria tsy nisy antony tokony hanamelohana ahy ho faty.
\s5
\v 19 Fa rehefa nanohitra ny fanirian'izy ireo ny Jiosy, dia voatery aho nampiantso an'i Kaisara, na dia tsy toy ny hoe nitondra fiampangana hanohitra ny fireneko aza.
\v 20 Nohon'ny antsoko, dia, nangataka ny hahita anareo sy hiresaka aminareo aho. Izany dia nohon'ny fahatokisan'Israely momba ny hamatorana ahy amin'ity rojo ity."
\s5
\v 21 Avy eo dia niteny taminy izy ireo hoe: "Tsy mbola naharay ireo taratasy momba anao avy any Jodia izahay, na rahalahy tonga sy nitatitra na niteny zavatra ratsy momba anao.
\v 22 Fa tianay ho re aminao ny eritreritrao momba izany sekta izany, satria fantatray fa efa ratsy laza eny rehetra eny izany.
\s5
\v 23 Rehefa nisafidy andro ho azy izy ireo, dia maro kokoa ireo olona nanantona azy tany amin'ny trano nivahinianany. Nampahafantatra ilay raharaha tamin'izy ireo izy, ary nijoro vavolombelona momban'ny fanjakan'Andriamanitra. Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny momba an'i Jesosy izy, na tamin'ny alalan'i Mosesy izany na tamin'ny alalan'ny mpaminany, nanomboka maraina ka hatramin'ny hariva.
\v 24 Ny sasany dia resy lahatra tamin'ireo zavatra izay voalaza, raha tsy nino kosa ireo hafa.
\s5
\v 25 Rehefa tsy nifanaraka izy ireo, dia lasa taorian'ny nanambaran'i Paoly ity teny iray ity hoe: "Ny Fanahy Masina dia niteny tsara ireo razanareo tamin'ny alalan'Isaia mpaminany.
\v 26 Hoy izy hoe: 'Mandehana any amin'ireo vahoaka ireo ary lazao hoe: "Amin'ny fihainoana no handrenesanareo, fa tsy hahatakatra; ary amin'ny fahitana no hahitanareo, fa tsy hahita.
\s5
\v 27 Fa nihadonto ny fon'ireo olona ireo, ary sarotra amin'ny sofin'izy ireo ny handre, ary nanakipy ny masony izy ireo. Fa raha tsy izany dia mety afaka hahita amin'ny masony izy ireo, ary handre amin'ny sofiny, sy hahatakatra amin'ny fony ka hiverina indray, dia hanasitrana azy ireo aho."'
\s5
\v 28 Noho izany, tokony ho fantatrareo fa izany famonjen'Andriamanitra izany dia nalefa tamin'ireo Jentilisy, ary hihaino izy ireo."
\v 29 \f + \ft Fanamarihana eny amin'ny farany ambanin'ny pejy: Asa 28: 29- Ny antontan-taratasy sasany dia manana ny andininy. 29 hoe: "Rehefa niteny ireo zavatra ireo izy, dia lasa ny Jiosy. Nisy fifandirana lehibe teo amin'izy ireo." \f*
\s5
\v 30 Paoly dia niaina nandritry ny roa taona maninjitra tao amin'ny tranony nohofaina manokana, ary nandray izay rehetra tonga tao aminy izy.
\v 31 Nanambara ny fanjakan'Andriamanitra izy ary nampianatra ireo zavatra momban'i Tompo Jesosy Kristy tamin'ny fahasahiana rehetra. Ary tsy nisy nanakana izy.