plt_ulb/43-LUK.usfm

2193 lines
163 KiB
Plaintext

\id LUK
\ide UTF-8
\h Lioka
\toc1 Lioka
\toc2 Lioka
\toc3 luk
\mt Lioka
\s5
\c 1
\p
\v 1 Maro ireo niezaka nanoratra tantara mahakasika ireo zava-nitranga izay tanteraka teto amintsika,
\v 2 araka izay efa nanoloran'izy ireo azy tamintsika, izay efa vavolombelona nanatri-maso sy mpanompon'ny teny hatrany am-piandohana.
\v 3 Ary amiko ihany koa dia toa mety - rehefa nanadihady tsara ny fandehan'ny zavatra rehetra hatramin'ny voalohany - ny hanoratra tatitra araka ny filaharany ho anao, ry Teofilo mendrika indrindra.
\v 4 Izany dia mba hahalalanao ny marina momba ireo zavatra izay nampianarina anao.
\s5
\v 5 Tamin'ny andron'i Heroda, mpanjakan'ny Jodia, dia nisy iray tamin'ny mpisorona antsoina hoe Zakaria, avy amin'ny antokon'i Abia. Ny vadiny dia avy amin'ny zanaka vavin'i Arona, ary ny anarany dia Elizabeta.
\v 6 Samy marina teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo, ary nankatoa ireo didy rehetra sy ireo fitsipiky ny Tompo.
\v 7 Fa tsy nanan-janaka anefa izy ireo, satria momba Elizabeta, ary samy efa tena antitra ihany koa izy roa ireo tamin'izany fotoana izany.
\s5
\v 8 Ary izany dia mahakasika an'i Zakaria teo fanatrehan'Andriamanitra, nanatanteraka ireo asan'ny fisoronana araka ny fifandimbiasan'ny isan-tokony.
\v 9 Araka ny fomba fanaon'izy ireo ny amin'ny fisafidianana mpisorona izay tokony hanompo, dia voafidin'ny kodia kely hiditra handoro ny emboka manitra ao an-tempolin'ny Tompo izy.
\v 10 Tamin'ny ora nandoroana ny emboka manitra dia nivavaka teny ivelany ny vahoaka rehetra.
\s5
\v 11 Ary nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy ary nitsangana teo ankavanan'ny alitara nisy ny emboka manitra.
\v 12 Rehefa nahita azy i Zakaria, dia raiki-tahotra ary heniky ny tahotra izy.
\v 13 Fa hoy ny anjely taminy: "Aza matahotra, ry Zakaria, efa nohenoina ny vavakao. Hitoe-jaza lahy aminao Elizabeta vadinao. Jaona no ho ataonareo anarany.
\s5
\v 14 Hanam-pifaliana sy haravoana ianao, ary maro koa no ho faly amin'ny fahaterahany.
\v 15 Satria ho lehibe izy eo imaso'ny Tompo. Tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery mihitsy izy, ary ho feno ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny izy.
\s5
\v 16 Maro amin'ny vahoakan'Israely no hitodika amin'ny Tompo Andriamanitr'izy ireo.
\v 17 Handeha eo alohan'ny tavan'ny Tompo amin'ny fanahy sy ny herin'Elia izy. Izany no ataony dia ny mba hitodihan'ny fon'ny ray amin'ny zanaka, mba handehanan'ireo izay tsy mankatoa amin'ny lalan'ny fahendren'ny marina - mba hanomanana vahoaka efa vonona ho an'ny Tompo nohomanina ho Azy."
\s5
\v 18 Ary Zakaria niteny tamin'ilay anjely hoe: "Ahoana no ahalalako izany? Fa izaho efa anti-dahy ary ny vadiko dia tena efa antitra."
\v 19 Ary hoy ny anjely namaly sy niteny taminy: "Izaho no Gabriela, ilay mitsangana eo anatrehan'Andriamanitra. Ary voairaka aho mba hilaza aminao, hitondra izao vaovao tsara izao aminao.
\v 20 Koa indro! Ho moana ianao, ka tsy afaka hiteny, mandra-piavin'ny andro hisehoan'ireo zavatra ireo. Satria tsy nino ny teniko ianao, izay ho tanteraka amin'ny fotoana voafaritra."
\s5
\v 21 Ary ny vahoaka sasa-niandry an'i Zakaria. Gaga nohon'ny fijanonany maharitra tao an-tempoly izy ireo.
\v 22 Fa rehefa nivoaka izy, dia tsy afaka niresaka tamin'izy ireo. Ary fantatr'ireo fa nahita fahitana izy tamin'ny tao an-tempoly. Nanao baiko moana tamin'ireo izy ary nijanona ho moana.
\v 23 Ary rehefa tonga ny andro ahataperan'ny fanompoany, dia lasa nody tany an-tranony izy.
\s5
\v 24 Taorinan'ireo andro ireo, dia nitoe-jaza Elizabeta ary niafina nandritry ny dimy volana. Hoy izy hoe:
\v 25 "Izao no nataon'ny Tompo ho ahy rehefa nitsinjo ahy Izy mba hanala ny henatro eo anatrehan'ny olona."
\s5
\v 26 Teo amin'ny faha enim-bolana, dia nirahin'Andriamanitra ny anjely Gabriela nankany amin'ny tanàna iray tao Galilia antsoina hoe Nazareta,
\v 27 ho any amina virjiny iray izay fofom-badina lehilahy antsoina hoe Josefa. Anisan'ny taranak'i Davida izy, ary ny anaran'ilay virjiny dia Maria.
\v 28 Nankeo aminy izy ary niteny hoe: "Arahaba, ry ilay nohasoavina indrindra! Ny Tompo ho ao aminao."
\v 29 Fa tena very hevitra tamin'ny teniny izy nanotany tena hoe karazana fiarahabana toy ny inona izany.
\s5
\v 30 Hoy ny anjely taminy: "Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita sitraka tamin'Andriamanitra ianao.
\v 31 Indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Ary ny anarany ho antsoinao hoe 'Jesosy.'
\v 32 Ho lehibe Izy ary ho antsoina hoe Zanaky ny Avo Indrindra. Ny Tompo Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan'i Davida razambeny.
\v 33 Ary hanjaka mandrakizay amin'ny taranak'i Jakoba izy, ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany."
\s5
\v 34 Hoy Maria tamin'ilay anjely: "Ahoana no hisehoan'izany, fa mbola tsy niara-nandry tamina lehilahy aho?"
\v 35 Ny anjely namaly sy niteny taminy hoe: "Hirotsaka aminao ny Fanahy Masina, ary ny herin'ny Avo Indrindra no ho avy aminao. Ka ilay masina ho teraka dia ho antsoina hoe Zanak'Andriamanitra.
\s5
\v 36 Indro, Elizabeta havanao dia nitoe-jaza lahy ihany koa na dia tamin'ny fahanterany aza. Efa faha enim-bolana ny azy izao, izy ilay nantsoina hoe momba.
\v 37 Satria tsy misy zavatra tsy ho azo tanterahana amin'Andriamanitra."
\v 38 Hoy i Maria: "Indro, izaho no mpanompovavin'ny Tompo. Aoka ho tanteraka amiko izany araka ny hafatrao." Ary niala teo aminy ny anjely.
\s5
\v 39 Ary tamin'izany andro izany i Maria dia niainga ka nandeha faingana nankany amin'ny tany avo, any amin'ny tanànan'i Jodia.
\v 40 Nankany amin'ny tranon'i Zakaria izy ary niarahaba an'i Elizabeta.
\v 41 Ary nony naheno ny fiarahaban'i Maria i Elizabeta, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina Elizabeta.
\s5
\v 42 Nanandram-peo sy niteny mafy izy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny nateraky ny kibonao.
\v 43 Nahoana izany no mitranga amiko fa ilay renin'ny Tompoko no tonga hanatona ahy?
\v 44 Fa indro, rehefa tonga teo an-tsofiko ny fiarahabanao, dia nientan-kafaliana ny zaza ato an-kiboko.
\v 45 Sambatra izy izay nino fa ho tanteraka ireo zavatra izay nolazain'ny Tompo taminy."
\s5
\v 46 Hoy i Maria: "Midera ny Tompo ny fanahiko,
\v 47 ary ny fanahiko nifaly tao amin'Andriamanitra mpamonjiko.
\s5
\v 48 Fa nijery ny fahantran'ny mpanompo vaviny Izy. Ary indro, manomboka izao ny taranaka rehetra hiantso ahy hoe sambatra.
\v 49 Satria nanao zavatra lehibe tamiko ilay mahefa ny zavatra rehetra, ary masina ny anarany.
\s5
\v 50 Fa maharitra ho an'ny taranaka faramandimby izay matahotra Azy ny famindram-pony.
\v 51 Nampiseho ny heriny tamin'ny sandriny izy; ary nanaparitaka ireo izay nirehareha tamin'ny eritreritry ny fon'izy ireo.
\s5
\v 52 Naongany tamin'ny seza fiandrianany ny zanaka lahin'ny mpanjaka ary ireo ambany nasandrany.
\v 53 Nataony voky zava-tsoa ireo noana, fa ny mpanan-karena nampodiany tsy nanana na inona na inona.
\s5
\v 54 Nanome fanampiana an'Israely mpanompony Izy, mba hahatsiarovany haneho famindram-po
\v 55 (araka ny nolazainy tamin'ireo raintsika) tamin'i Abrahama sy ny taranany mandrakizay."
\s5
\v 56 Nijanona nitoetra tao amin'i Elizabeta tokony ho telo volana i Maria ary avy eo niverina nody tany an-tranony.
\v 57 Ary tonga ny fotoana hiterahan'i Elizabeta ny zanany ary niteraka zazalahy izy.
\v 58 Naheno ny famindram-po lehibe nataon'ny Tompo taminy ireo mpiara-monina aminy sy ireo havany, ary niara-paly taminy izy ireo.
\s5
\v 59 Ary tamin'ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy ireo. Saika ho antsoin'izy ireo hoe "Zakaria," araka ny anaran-drainy izy.
\v 60 Fa ny reniny kosa namaly ary niteny hoe: "Tsia. Jaona no hiantsoana azy."
\v 61 Ary hoy ireo taminy: "Tsy misy amin'ny havanao antsoina amin'izany anarana izany."
\s5
\v 62 Nanao baiko moana tamin'ny rainy izy ireo ny amin'ny tiany ho atao anarany.
\v 63 Nangataka solaitra fanoratana ny rainy ary nanoratra hoe: "Jaona no anarany." Ary dia gaga tamin'izany izy rehetra.
\s5
\v 64 Ary niaraka tamin'izay dia nisokatra ny vavany ary nafahana ny lelany. Niteny izy ary nidera an'Andriamanitra.
\v 65 Tonga teo amin'ireo rehetra nanodidina azy ireo ny tahotra. Ary niely eraky ny tanàna avon'i Jodia ny zava-niseho rehetra teo.
\v 66 Ary ireo rehetra nandre ireo dia nandray ireny tao am-pony, ary nilaza hoe: "Ho lasa inona ary ity zaza ity?" Fa momba azy ny tanan'ny Tompo.
\s5
\v 67 Ary feno ny Fanahy masina i Zakaria rainy ary naminany, ka nilaza hoe:
\v 68 "Deraina anie ny Tompo, Andriamanitr'Israely, fa tonga nanampy sy nanatanteraka ny fanafahana ho an'ny vahoakany Izy.
\s5
\v 69 Nanandratra avo ny tandrom-panavotana ho antsika ao an-tranon'i Davida mpanompony Izy,
\v 70 tahaka izay nolazainy tamin'ny vavan'ireo mpaminany masina tamin'ny andro taloha tany.
\v 71 Hitondra famonjena amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tanan'ireo rehetra mankahala antsika Izy.
\s5
\v 72 Izany no hataony dia ny mba hampisehoana ny famindram-po amin'ireo raintsika sy hampatsiahivana ny fanekem-pihavanany Masina,
\v 73 dia ilay fianianana nolazainy tamin'i Abrahama raintsika.
\v 74 Nianiana ny hahazoantsika, rehefa afaka tamin'ny tanan'ny fahavalontsika, manompo Azy tsy amin-tahotra,
\v 75 am-pahamasinana sy am-pahamarinana eo anatrehany amin'ny androntsika rehetra.
\s5
\v 76 Eny, ary ianao, ry zaza, dia ho antsoina hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra, fa handeha hialoha ny tavan'ny Tompo ianao ary hanamboatra ny lalany, mba hanomana ny olona ny amin'ny fiaviany,
\v 77 mba hanome fahalalam-pamonjena ho an'ny olony amin'ny alalan'ny famelana ny helok'izy ireo.
\s5
\v 78 Izany no hiseho dia nohon'ny famindram-po masin'ny Andriamanitsika, nohon'ny amin'izany no hiposahan'ny masoandro avy amin'ny avo mba ho avy hanampy antsika,
\v 79 hanazava an'ireo izay mipetraka ao anatin'ny haizina sy ireo ao anatin'ny aloky ny fahafatesana. Hataony izany mba hitarihana ny tongotsika amin'ny lalam-piadanana."
\s5
\v 80 Ary ny zaza dia nitombo ary tonga nahery amin'ny fanahy, ary tany an'efitra izy mandra-piavin'ny andro hisehoany ankarihary amin'Israely.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ary tamin'izany andro izany, dia nandefa didy mibaiko izay mibaiko ny hanisana ny olona rehetra miaina eto amin'izao tontolo izao Aogosto Kaisara.
\v 2 Izany no fanisam-bahoaka natao voalohany tamin'i Kyrenio no mpanapaka tany Syria.
\v 3 Noho izany ny olon-drehetra dia nankany amin'ny tanàna niaviny avy mba hisoratra anarana ho an'ny fanisam-bahoaka.
\s5
\v 4 Dia nandeha niakatra avy tany Galilia koa Josefa, avy tany an-tanànan'ny Nazareta, ho any Jodia, tanànan'i Davida izay antsoina hoe Betlehema, satria izy avy amin'ny trano sy fianakavian'i Davida.
\v 5 Nandeha tany izy mba hisoratra anarana niaraka tamin'i Maria, izay fofom-badiny ary nitoe-jaza.
\s5
\v 6 Ary raha mbola tany izy ireo, dia tonga ny fotoana hiterahany ny zanany.
\v 7 Niteraka zaza lahy izy, zanany voalohany, ary izy nandrakotra lamban-jaza Azy sy nampandry Azy teo amin'ny fihinanam-bilona, satria tsy nisy toerana ho azy ireo tao amin'ny hotely.
\s5
\v 8 Nisy mpiandry ondry tamin' izany faritra izany izay nijanona tany an-tsaha, niandry ny andian'ondriny tamin'ny alina.
\v 9 Nisy anjelin' ny tompo niseho tamin'izy ireo, ary ny voninahitry ny Tompo namirapiratra manodidina azy, ary feno tahotra lehibe izy ireo.
\s5
\v 10 Dia niteny tamin'izy ireo ny anjely nanao hoe: "Aza matahotra, fa hitondra vaovao tsara izay hitondra hafaliana lehibe ho an'ny olona rehetra aho.
\v 11 Androany dia nisy mpanavotra izay teraka ho anareo any an-tanànan'i Davida! Izy no Kristy Tompo!
\v 12 Izao no famantarana izay homena anareo: Hahita zazakely mirakotra lamban-jaza ary mandry eo amin'ny fihinanam-bilona ianareo."
\s5
\v 13 Tampoka teo niaraka tamin'ilay anjely, dia nisy tafiky ny lanitra lehibe nidera an'Andriamanitra nanao hoe:
\v 14 "Voninahitra ho an'Andriamanitra any amin'ny avo indrindra, ary hisy fiadanana anie eto an-tany eo amin'ny olona izay ankasitrahany."
\s5
\v 15 Ary rehefa niala teo amin'izy ireo nankany an-danitra ireo anjely, ny mpiandry ondry nifampiteny hoe: "Andeha isika izao ho any Betlehema, ary hijery izany zava-nitranga izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsika izany."
\v 16 Nandeha faingana tany izy ireo ary nahita an'i Maria sy Josefa, ary nahita ny zazakely nandry teo amin'ny fihinanam-bilona.
\s5
\v 17 Taorian'ny nahitan' izy ireo Azy, dia nampahafantarin'izy ireo ny zavatra rehetra nolazaina azy ireo momba io zaza io.
\v 18 Izay rehetra nandre izany dia gaga ny amin'ny nolazain'ny mpiandry ondry tamin'izy ireo.
\v 19 Fa Maria kosa nanohy nieritreritra momba ny zavatra rehetra izay reny, ary nitahiry ireny tao am-pony.
\v 20 Niverina ireo mpiandry ondry, nanome voninahitra sy nankalaza an' Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay ren'izy ireo sy hitan'ireo, araka izay nolazaina tamin' izy ireo.
\s5
\v 21 Nony tapitra ny andro fahavalo, rehefa noforàna Izy, dia nomena anarana hoe Jesosy, ilay anarana nomen'ny anjely Azy talohan'ny nametrahana Azy tao an-kibo.
\s5
\v 22 Ary rehefa dila ny isan'ny andro notakiana hidiovany, araka ny lalàn'i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra ho any an-tempoly tao Jerosalema i Maria sy Josefa mba hanolotra Azy eo amin'ny Tompo.
\v 23 Araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'ny Tompo hoe: "Ny lahy rehetra izay voaloha-teraka dia hatokana ho an'ny Tompo."
\v 24 Noho izany dia nanolotra sorona araka izay voalaza ao amin' ny lalàn'ny Tompo izy ireo, "domohina roa na zanaka voromailala roa."
\s5
\v 25 Ary indro, nisy lehilahy tany Jerosalema, Simona no anarany, ary izany lehilahy izany dia marina sy mafana fo. Nitady ny fampiononana an'Israely izy, ary tao aminy ny Fanahy Masina.
\v 26 Nambaran'ny Fanahy Masina taminy fa tsy hahita fahafatesana mialohan'ny ahitany ny Kristin'ny Tompo izy.
\s5
\v 27 Notarihin' ny Fanahy, nankany an-tempoly Simona. Rehefa nitondra an'i Jesosy zazakely niditra ny ray aman-dreniny, mba hanao Azy araka ny fomba ao amin'ny lalàna,
\v 28 dia noraisiny ho eny an-tsandriny Izy sady nidera an' Andriamanitra ary nanao hoe:
\v 29 "Ankehitriny avelao andeha am-piadanana ny mpanomponao, ry Tompo, araka ny teninao.
\s5
\v 30 Fa ny masoko nahita ny famonjenao,
\v 31 izay nomaninao teo amin'ny fanatrehan'ny olona rehetra:
\v 32 Dia fahazavana ho fanambarana ho an'ny Jentilisa ary voninahitra ho an'Israely olonao."
\s5
\v 33 Ny ray sy renin' ilay zaza dia talanjona tamin' ny zavatra nolazaina mahakasika Azy.
\v 34 Nitso-drano azy ireo Simona ary niteny tamin' i Maria reniny hoe: "Indro, ity zaza ity dia voatendry ho amin'ny fandavoana sy fanandratana ny olon'Israely maro ary ho famantarana izay nolavina -
\v 35 ary hisy sabatra handoaka ny fanahinao - mba ho voambara ny hevitry ny fo maro."
\s5
\v 36 Nisy mpaminany vavy iray antsoina hoe Ana teo. Zanakavavin'i Fanoela avy amin'ny foko Asera izy. Tena antitra izy. Nipetraka niaraka tamin' ny vadiny fito taona taorian'ny nahavirijiny azy izy,
\v 37 ary mpitondra tena nandritry ny efatra amby valopolo taona. Tsy nandao ny tempoly mihitsy izy fa nanompo tamin'ny fifadian-kanina sy vavaka, andro aman'alina.
\v 38 Tamin' izany ora izany indrindra dia nanatona akaiky azy ireo izy ary nanomboka nanome fisaorana an'Andriamanitra sy nilaza ny momban'ilay zaza tamin'ny olona rehetra izay niandry ny fanavotana an'i Jerosalema.
\s5
\v 39 Rehefa nahavita ny zavatra rehetra nasaina nataony araka ny lalàn'ny Tompo izy ireo, dia niverina tany Galilia, any amin'ny tanànan'izy ireo any Nazareta.
\v 40 Nihalehibe ny zaza ary nihanatanjaka, nitombo fahendrena, ary ny fahasoavan'Andriamanitra dia tao aminy.
\s5
\v 41 Ny ray aman-dreniny dia nankany Jerosalema isan-taona hamonjy ny Firavoravoan'ny Paska.
\v 42 Rehefa roa ambin'ny folo taona Izy, dia nandeha nankany araka ny fomba fanao amin'ny fety indray izy ireo.
\v 43 Ary rehefa avy nitoetra tany nandritry ny andron'ny fety manontolo izy ireo, dia nanomboka niverina nody izy ireo. Fa Jesosy zazalahy nijanona tany Jerosalema nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany.
\v 44 Nataon'izy ireo fa niaraka tamin'ny olona niara-dia tamin'izy ireo Izy, dia nandeha nandritry ny andro iray manontolo izy ireo. Ary avy eo dia nanomboka nitady Azy tany amin'ireo havany sy ireo namany izy ireo.
\s5
\v 45 Rehefa tsy hitan'izy ireo Izy, dia niverina tany Jerosalema izy ireo ka nanomboka nitady Azy tany.
\v 46 Nony afaka telo andro, dia hitan'izy ireo tao an-tempoly Izy, nipetraka teo afovoan'ireo mpampianatra, nihaino azy ireo sy nametraka fanontaniana tamin'izy ireo.
\v 47 Izay rehetra naheno Azy dia gaga tamin' ny fahalalany sy ireo valinteniny.
\s5
\v 48 Rehefa nahita Azy izy ireo, dia talanjona. Ny reniny niteny taminy hoe: "Anaka, nahoana ianao no nanao toa izao anay? Henoy, izaho sy ny rainao nitady anao tamin-tebiteby."
\v 49 Izy niteny tamin' izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no nitady Ahy? Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho ao an-tranon'ny Raiko Aho?"
\v 50 Fa tsy azon'izy ireo izay tiany holazaina tamin' izany teny izany.
\s5
\v 51 Dia nody niaraka tamin'izy ireo tany Nazareta Izy sady nankatoa azy ireo. Ny reniny dia nitahiry izany zavatra rehetra izany tao am- pony.
\v 52 Fa Jesosy niha-nitombo fahendrena sy nitombo tena, ary nitombo fitia tamin'Andriamanitra sy ny olona.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Tamin'ny taona faha dimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberie Kaisara - fony Pontio Pilato no goveronoran'i Jodia, Heroda dia mpanapaka tao Galilia, Filipo ralahiny dia mpanapaka tao amin'ny faritra Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania dia mpanapak'i Abilena,
\v 2 nandritry ny fisoronam-ben'i Aniasy sy Kaiafa - dia tonga tamin'i Jaona zanaka lahin'i Zakaria tany an'efitra ny tenin'Andriamanitra.
\s5
\v 3 Nandeha tany amin'ireo faritra rehetra manodidina an'ny Jordana Izy, nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelana ireo heloka.
\s5
\v 4 Araka ny voasoratra ao amin'ny bokin'ny tenin'ny Isaia mpaminany hoe: "Nisy feo iray niantso mafy avy any an'efitra hoe: 'Ataovy vonona ny lalan'ny Tompo, ataovy mahitsy ny lalan-kalehany.
\s5
\v 5 Ny lohasaha rehetra ho totofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana hahetry, ary ny lalana miholaka dia amboarina hahitsy, ary ny toerana mikitoantoana dia ho atao lalana,
\v 6 ary ny nofo rehetra dia hahita ny famonjenan'Andriamanitra."'
\s5
\v 7 Koa niteny tamin'ireo vaohaka izay tonga ho ataony batisa i Jaona hoe: "Ianareo ry taranaky ny menarana! Iza no nampitandrina anareo mba handositra ny fahatezerana izay ho avy?
\s5
\v 8 Noho izany, mamokara voa mendrika ny fibebahana, ary aza manomboka miteny ao anatinareo hoe: 'Izahay manana an'i Abrahama ho rainay,' fa miteny anareo aho fa Andriamanitra dia afaka manangana zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ireto vato ireto.
\s5
\v 9 Ankehitriny aza ny famaky dia mipetraka eo amin'ny fototry ny hazo. Koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia voakapa ary hatsipy any amin'ny afo."
\s5
\v 10 Ary ireo vaohaka dia nanontany azy hatrany, niteny hoe: "Inona ary no ataonay?"
\v 11 Namaly izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha misy olona manana akanjo lava roa, tokony mizara izany amin'ny olona iray izay tsy manana izy, ary izay manana sakafo koa dia tokony hanao toy izany."
\s5
\v 12 Ireo mpamory hetra koa dia tonga mba hatao batisa, ary niteny taminy hoe: "Mpampianatra o, inona no tsy maintsy ataonay?"
\v 13 Izy niteny azy ireo hoe: "Aza manangona vola mihoatra noho izay nasaina halainareo."
\s5
\v 14 Miaramila maromaro koa nanontany azy, niteny hoe: "Ahoana ny momba anay? Inona no tsy maintsy ataonay?" Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Aza maka vola amin'olona an-keriny, ary aza miapanga lainga olona. Mifalia amin'ny karamanareo."
\s5
\v 15 Ary raha niandry fatratra ny fahatongavan'i Kristy ny vaohaka, dia nanontany tao am-pony ny mahakasikan'i Jaona ny tsirairay, na mety ho izy na tsy izy no Kristy.
\v 16 Jaona namaly tamin'ny fitenenana azy rehetra hoe: "Raha ny amiko, dia manao batisa anareo amin'ny rano aho, fa misy olona iray ho avy izay mahery mihoatra ahy, ary tsy mendrika aho na dia hamaha ireo fehi-kapany aza. Hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo Izy.
\s5
\v 17 Eo an-tanany ny fikororohany mba hanadiovana tsara ny ao am-pomoloany sy hanangonana ny vary ho any amin'ny sompiny. Fa ho dorany amin'ny afo tsy mety vonoina ny akofa."
\s5
\v 18 Niaraka tamin'ny fananarana maro hafa ihany koa, Jaona nitory vaovao tsara ho an'ny vahoaka.
\v 19 Heroda mpanapaka Rehefa nanarina nohon'ny fanambadiana ny vadin-drahalahiny Herodiasy, sy nohon'ny zavatra ratsy hafa rehetra izay vitany,
\v 20 dia ho fanampin'izany rehetra izany, dia nidiny tany am-ponja Jaona.
\s5
\v 21 Ary, rehefa vita batisa avokoa ny olona rehetra, dia natao batisa koa Jesosy, ary raha mbola nivavaka izy, dia nisokatra ny lanitra,
\v 22 ary ny Fanahy Masina naka endrika ka nidina teo aminy tahaka ny voromailala, ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Ianao no Zanako, malalako. Faly Aho nohon'ny aminao."
\s5
\v 23 Rehefa nanomboka ny asa fanompoany Jesosy, dia teo amin'ny telo-polo taona teo Izy. Izy no zanaka lahin'i (araky ny fiheverana) Josefa, zanak'i Hely,
\v 24 zanak'i Matata, zanak'i Levy, zanak'i Melky, zanak'i Janay, zanak'i Josefa.
\s5
\v 25 Josefa dia zanak'i Matitia, zanak'i Amosa, zanak'i Nahoma, zanak'i Elsy, zanak'i Nagay, zanak'i Mata,
\v 26 zanak'i Matatia, zanak'i Semey, zanak'i Joseka, zanak'i Joda.
\s5
\v 27 Joda dia zanak'i Joanana, zanak'i Rase, zanak'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, zanak'i Nery,
\v 28 zanak'i Melky, zanak'i Ady, zanak'i kosama, zanak'i Elmadama, zank'i Era,
\v 29 zanak'i Josoa, zanak'i Eliezara, zanak'i Joreima, zanak'i Matata, zanak'i Levy.
\s5
\v 30 Levy dia zanak'i Simeona, zanak'i Joda, zanak'i Josefa, zanak'i Jonama, zanak'i Eliakima,
\v 31 zanak'i Melea, zanak'i Mena, zanak'i Matata, zanak'i Natana, zanak'i Davida,
\v 32 zanak'i Jese, zanak'i Obeda, zanak'i Boaza, zanak'i Salmona, zanak'i Nahasona.
\s5
\v 33 Nahasona dia zanak'i Aminadaba, zanak'i Adimina, zanak'i Arny, zanak'i Hezrona, zanak'i Fazera, zanak'i Joda,
\v 34 zanak'i Jakoba, zanak'i Isaka, zanak'i Abrahama, zanak'i Tera, zanak'i Nahora,
\v 35 zanak'i Seroga, zanak'i Reo, zanak'i Palega, zanak'i Ebera, zanak'i Sela.
\s5
\v 36 Sela dia zanak'i Kenana, zanak'i Arpaksada, zanak'i Sema, zanak'i Noa, zanak'i Lameka, zanak'i
\v 37 Metosela, zanak'i Enoka, zanak'i Jareda, zanak'i Mahalalila, zanak'i Kenana,
\v 38 zanak'i Enosa, zanak'i Seta, zanak'i Adama, zanak'Andriamanitra.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Taorian'izany Jesosy, rehefa feno ny Fanahy Masina, dia niverina avy tany amin'ny reniranon'i Jordana, ary nentin'ny Fanahy Masina tany an'efitra
\v 2 izay nakan'ny devoly fanahy Azy nandritry ny efapolo andro. Tsy nihinana na inona na inona Izy nandritra ireo andro ireo, ary tamin'ny fotoana farany dia noana Izy.
\s5
\v 3 Ny devoly niteny taminy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Ianao, dia didio ho lasa mofo io vato io."
\v 4 Jesosy namaly azy hoe: "Voasoratra hoe: 'Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona."'
\s5
\v 5 Avy eo nentin'ny devoly teny amin'ny toerana avo Jesosy ary nasehony Azy vetivety avokoa ny fanjakana rehetran'izao tontolo izao.
\v 6 Ny devoly niteny taminy hoe: "Homeko anao ny fahefana rehetra sy ny famirapiratany rehetra, satria efa nomena ahy ireo, ary afaka omeko ny olona izay tiako omena azy.
\v 7 Noho izany, raha miankohoka sy manompo ahy Ianao, dia ho lasanao izany."
\s5
\v 8 Kanefa Jesosy namaly ka niteny azy hoe: "Voasoratra hoe: 'Hidera ny Tompo Andriamanitrao ianao, ary Izy irery ihany no ho tompoinao.'"
\s5
\v 9 Avy eo ny devoly dia nitondra an'i Jesosy tany Jerosalema ary nataony teny amin'ny fara-tampon'ny tempoly, ary niteny taminy hoe: "Raha zanak'Andriamanitra Ianao, dia azerao avy ety ny tenenao.
\v 10 Satria efa voasoratra hoe: 'Hibaiko ny anjeliny ny aminao Izy, mba hiaro anao,'
\v 11 ary, 'Izy ireo hanandratra anao amin'ny tanany, mba tsy ho tafitohan'ny vato ny tongotrao.'"
\s5
\v 12 Namaly azy, Jesosy niteny hoe: "Efa nambara hoe: 'Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao."'
\v 13 Rehefa vita ny fangalan'ny devoly fanahy an'i Jesosy, dia lasa izy ary nandao Azy ambara pahatongan'ny fotoana hafa.
\s5
\v 14 Avy eo Jesosy niverina tany Galilia tamin'ny herin'ny Fanahy, ary ny vaovao momba Azy dia efa niely nanerana ny faritra manodidina rehetra.
\v 15 Dia nanomboka nampianatra tao amin'ny Synagogan'izy ireo Izy ary noderain'ny rehetra.
\s5
\v 16 Nandeha tany Nazareta Izy, ilay tanana nahalehibe azy, ary araka ny fomba fanaony, dia niditra tao amin'ny Synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana mba hamaky teny mafy.
\v 17 Natolotra azy ny horonan-taratasin'Isaia mpaminany. Nosokafany ilay boky ary hitany ny toerana nanoratana azy,
\s5
\v 18 "Ny Fanahin'ny Tompo dia ato amiko, satria Izy nanosotra ahy hilaza ny vaovao mahafaly ho an'ny mahantra. Izy no nandefa ahy hanambara fahafahana ho an'ireo babo, ary hamerina ny fahitana ho an'ny jamba, hanafaka ireo izay ampahoriana,
\v 19 hanambara ny taom-pankasitrahan'Andriamanitra."
\s5
\v 20 Avy eo dia naoriny ny taratasy, naveriny tany amin'ny mpitandrina, ary nipetraka Izy. Ny mason'ireo rehetra tao amin'ny Synagoga dia nibanjina Azy.
\v 21 Nanomboka niresaka tamin'izy ireo Izy hoe: "Androany ity Soratra Masina ity dia tanteraka eo am-pihainoanareo."
\v 22 Ny rehetra tao dia nilaza tsara ny momba Azy ary gaga tamin'ny tenim-pahasoavana izay naloaky ny vavany izy ireo, ary nanontany Izy ireo hoe: "Fa tsy ilay zanak'i Josefa ve ity?"
\s5
\v 23 Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Azo antoka fa hilaza ity ohabolana ity amiko ianareo hoe: 'Dokotera, sitrano ny tenanao. Na inona na inona renay fa nataonao tao Kapernaomy, dia manoava toy izany any amin'ny taninao."'
\v 24 Nefa niteny Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, tsy misy mpaminany voaray ao amin'ny taniny.
\s5
\v 25 Kanefa lazaiko marina aminareo fa maro ny vehivavy mpitondra-tena tany Israely tamin'ny andron'i Elia, raha nihidy ny lanitra nandritra ny telo taona sy enim-bolana, ary nisy mosary lehibe tonga teo amin'ny tany rehetra.
\v 26 Nefa Elia tsy nalefa na tamin'iray tamin'izy ireo aza, fa tao Zerapata any Sidona ihany, tany amin'ny mpitondra tena izay nipetraka tany.
\v 27 Fa maro ireo boka tao Israely tamin'ny andron'i Elisa mpaminany, nefa tsy nisy na dia iray tamin'izy ireo aza sitrana afa-tsy Namàna ilay Syriana."
\s5
\v 28 Ny olona rehetra tao amin'ny Synagoga dia heniky ny hatezerana rehefa nandre ireo zavatra ireo.
\v 29 Nitsangana izy ireo, nanery Azy hiala ny tanàna, ary nandefa Azy teny an-tampon'ny havoana izay niorenan'ny tananan'izy ireo, mba hanjerana Azy amin'ny hantsana.
\v 30 Nefa nandeha namakivaky teo afovoan'izy ireo Izy dia lasa nandeha tany amin'ny toeran-kafa.
\s5
\v 31 Avy eo Izy dia nidina tany Kapernaomy, tanàna iray any Galilia, ary nanomboka nampianatra azy ireo tamin'ny Sabata Izy.
\v 32 Izy ireo dia nitolagaga tamin'ny fampianarana nataony, satria niteny tamin'ny fahefana Izy.
\s5
\v 33 Ary tao amin'ny Synagoga dia nisy lehilahy izay nitoeran'ny fanahy maloton'ny demonia, ary izy dia nihikiaka tamin'ny feo mafy hoe:
\v 34 "Ah! Inona no ifandraisanay aminao, ry Jesosy avy any Nazareta? Tonga mba hamotika anay ve Ianao? Fantatro hoe iza Ianao - ilay Iray Masin'Andriamanitra!"
\s5
\v 35 Jesosy niteny mafy ilay demony, ka nanao hoe: "Aza miteny ary mialà ao aminy!" Rehefa nanipy ilay lehilahy hianjera teo afovoan'izy ireo ny demony, dia niala tao aminy, ary tsy nandratra azy akory.
\v 36 Nitologaga avokoa ny olona rehetra, ary nanohy nifampiresaka ny momba izany. Niteny izy ireo hoe: "Fa teny toy ny ahoana re izany?" Baikoiny amin'ny fahefana sy hery ny fanahy maloto dia mivoaka."
\v 37 Noho izany dia nanomboka niely nanerana ny faritra manodidina ny lazany.
\s5
\v 38 Dia nandao ny synagoga Jesosy ary niditra tao an-tranon'i Simona. Ary nampijalian'ny tazo mahery ny rafozam-bavin'i Simona, ary niangavy taminy ho azy izy ireo.
\v 39 Ka nijoro teo anoloany Izy ary niteny mafy ny tazo, dia niala taminy izany. Avy hatrany izy dia nitsangana ary nanomboka nanompo azy ireo.
\s5
\v 40 Rehefa nilentika ny masoandro, dia nitondra ny olon-drehetra nararin'ny aretina maro samihafa teo amin'ny Jesosy ny olona. Nametra-tanana tamin'ny tsirariray avy amin'izy ireo Izy ka nanasitrana azy ireo.
\v 41 Ireo demony ihany koa dia niala tao amin'ny maro tamin'izy ireo, nihiakihaka mafy sy nilaza hoe: "Ianao no Zanak'Andriamanitra!" Jesosy niteny mafy ireo demonia ka tsy namela azy ireo hiteny, satria fantatr'izy ireo fa Izy no Kristy.
\s5
\v 42 Vao mangiran-dratsy, dia nandeha tany amin'ny toerana mangingina Izy. Vahoaka maro be no nitady Azy ary nakeny amin'ny toerana izay nisy Azy. Izy ireo dia niezaka ny nihazona Azy mba tsy hiala eo amin'izy ireo.
\v 43 Fa Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Tsy maintsy mitory ny vaovao mahafaly momba ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny tanàna maro hafa ihany koa Aho, satria izany no antony nanirahina Ahy tety.
\v 44 Avy eo Izy dia nanohy nitory tao amin'ireo synagoga manerana an'i Jodia.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ary izao no nitranga, raha nitangorona nanodidina an'i Jesosy ireo olana ary nihaino ny tenin' Andriamanitra, dia nitsangana teo amoron'ny farihin'i Genesareta Izy.
\v 2 Nahita sambokely roa nijanona teo amoron'ny farihy Izy. Efa nivoaka tao ireo mpanjono ary nanasa ireo haratony.
\v 3 Niditra tao amin'ny iray tamin'ireo sambokely Jesosy, izay an'i Simona, ary nangataka azy mba handefa izany eny amin'ny rano lavidavitry ny tanety. Avy eo dia nipetraka Izy ka nampianatra ireo olona teny ivelan'ny sambokely.
\s5
\v 4 Rehefa nitsahatra niteny Izy, dia niteny tamin'i Simona Izy hoe: "Ento ny ho any amin'ny rano lalina kokoa ny sambokely dia halatsao ny haratonareo mba ahazoanareo hazandrano."
\v 5 Simona namaly Azy ka niteny hoe: "Tompo o, efa niasa ny alina tontolo izahay, fa tsy nahazo na inona na inona, fa nohon'ny teninao, dia ho halatsako ireo harato."
\v 6 Rehefa nataon'izy ireo izany, dia nahangona hazandrano maro dia maro izy ireo, ary nitriatra ireo haraton'izy ireo.
\v 7 Koa nanao fihetsika tamin'ireo namany izay tao anatin'ilay sambokely iray hafa izy ireo fa izy ireo fa tokony ho avy ary hanampy azy ireo. Dia tonga izy ireo ka nameno ny sambokely roa, ka dia nanomboka nilentika izy ireo.
\s5
\v 8 Fa Simona Petera, raha vao nahita izany, dia niankohoka teo an-tongotr'i Jesosy, niteny hoe: "Mialà amiko, fa lehilahy mpanota aho."
\v 9 Fa gaga izy, sy ireo izay rehetra niaraka taminy, nohon'ny haben'ny hazandrano izay azon'izy ireo.
\v 10 Tao anatin'izany Jakoba sy Jaona, zanak'i Zebedio, izay mpiara miasa amin'i Simona. Jesosy niteny tamin'i Simona hoe: "Aza matahotra, fa manomboka izao dia hanarato olona ianao."
\v 11 Rehefa nentin'izy ireo teny an-tanety ny sambokelin'izy ireo, dia namela ny zavatra rehetra izy ireo ka nanaraka Azy.
\s5
\v 12 Dia nitranga izao raha mbola tao amin'ny iray tamin'ireo tanàna Izy, dia nisy lehilahy feno habokana teo. Nony nahita an'i Jesosy izy, dia niankohoka teo Aminy ary nitalaho taminy, nanao hoe: "Tompo, raha mety ianao, dia afaka manadio ahy."
\v 13 Ary dia naninjitra ny tanany Jesosy ary nikasika azy, niteny hoe: "Mety aho. Madiova." Teo noho eo dia afaka taminy ny habokana.
\s5
\v 14 Norarany izy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza, fa nolazainy taminy hoe: "Zory ny lalanao, misehoa amin'ny mpisorona ary manolora sorona ho an'ny fanadiovana anao, araka izay nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona amin'izy ireo."
\s5
\v 15 Kanefa ny tatitra momba Azy dia niely lavitra kokoa aza, ary vaohaka maro be no niara-tonga mba hihaino Azy nampianatra ary mba ho sitrana amin'ny aretin'izy ireo.
\v 16 Kanefa matetika Izy dia niala nankany any amin'ny tany foana ary nivavaka.
\s5
\v 17 Ary tamin'ny andro iray tamin'ireo andro nampianarany, dia nisy Fariseo sy mpampiana-dalàna nipetraka teo izay avy amin'ny tanàna samihafa ao amin'ny faritry Galilia sy Jodia, ary ihany koa avy ao amin'ny tanànan'i Jerosalema. Ny herin'ny Tompo no tao aminy mba hanasitranana.
\s5
\v 18 Ary nisy lehilahy sasany tonga, nitondra lehilahy anankiray izay voan'ny paralisisa teo amin'ny fandriana, ary izy ireo dia nitady fomba hitondrana azy ao anatiny mba hametrahana azy ho eo anoloan'i Jesosy.
\v 19 Tsy nahita fomba hampidirana azy tao anatiny izy ireo noho ireo vahoaka, noho izany dia nankany amin'ny tampo-trano izy ireo ary nampidina ny fandrian'ilay lehilahy avy eo an-tafo trano, tamin'ny fandriany, teo afovoan'ny olona, teo anoloan'i Jesosy.
\s5
\v 20 Rehefa nahita ny finoan'izy ireo, dia hoy Jesosy hoe: "Ralehilahy, voavela ny helokao."
\v 21 Nanomboka nanontany ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, ka niteny hoe: "Iza moa ity izay miteny ratsy ity? Iza no afaka mamela ny fahotana afa-tsy Andriamanitra irery ihany?"
\s5
\v 22 Fa Jesosy, nahalala izay noeritreretin'izy ireo, namaly ary niteny azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no manontany izany ao am-ponareo?
\v 23 Inona no mora lazaina kokoa: 'Voavela ny helokao' sa ny miteny hoe: 'Mitsangana ary mandehana?'
\v 24 Nefa mba hahafantaranareo fa ny Zanak'Olona dia manam-pahefana hamela heloka eto an-tany, dia lazaiko aminao, mitsangàna, ento ny fandrianao ary mandehana any an-tranonao."
\s5
\v 25 Teo noho eo dia nitsangana teo anoloan'izy ireo izy ary naka ilay fandriana izay nandriany. Avy eo dia niala nankany an-tranony izy, nanome voninahitra an'Andriamanitra.
\v 26 Talanjona ny rehetra ary nanome voninahitra an'Andriamanitra izy ireo. Feno tahotra izy ireo, niteny hoe: "Nahita zava-mahagaga isika androany."
\s5
\v 27 Taorian'ny nitrangan'ireo zavatra ireo, dia niala teo i Jesosy ka nahita mpamory hetra iray izay antsoina hoe Levy nipetraka teo amin'ny trano lain'ny mpamory hetra. Niteny taminy Izy hoe: "Manaraha Ahy."
\v 28 Dia nitsangana i Levy ka nanaraka Azy, ka namela ny zava-drehetra.
\s5
\v 29 Dia nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an'i Jesosy i Levy. Betsaka ireo mpamory hetra sy ireo olona hafa izay nipetraka teo amin'ny latabatra ary nihinana niaraka tamin'izy ireo.
\v 30 Kanefa ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna dia nitaraina tamin'ireo mpianany, niteny hoe: "Nahoana ianao no mihinana sy misotro miaraka amin'ireo mpamory hetra sy ny olona mpanota hafa?"
\v 31 Namaly azy ireo Jesosy hoe: "Tsy mila dokotera ny olona salama; fa ireo marary ihany.
\v 32 Tsy tonga hiantso ny olo-marina ho amin'ny fibebahana Aho, fa hiantso ny mpanota ho amin'ny fibebahana."
\s5
\v 33 Dia hoy izy ireo taminy hoe: "Ireo mpianatr'i Jaona dia matetika mifady hanina sy mivavaka, ary ireo mpianatr'ireo Fariseo dia manao toy izany koa. Kanefa ny mpianatrao dia mihinana sy misotro."
\v 34 Jesosy niteny azy ireo hoe: "Moa ve misy olona mahavita mampifady hanina ny havan'ny mpampakatra raha toa ka mbola mitoetra eo amin'izy ireo ny mpampakatra?
\v 35 Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra eo amin'izy ireo, ary amin'izany andro izany dia hifady hanina izy ireo."
\s5
\v 36 Dia nanao fanoharana tamin'izy ireo koa Jesosy. "Tsy misy olona mandrovitra tapa-damba avy amin'ny lamba vaovao ary mampiasa izany mba hanamboarana ny lamba tonta. Raha manao izany izy, dia hanimba ilay lamba vaovao, ary ilay tapa-damba avy amin'ilay lamba vaovao dia tsy hifanaraka amin'ilay lamba tonta.
\s5
\v 37 Tsy misy olona manisy divay vaovao ao anatin'ny siny hoditra tonta. Raha manao izany izy, dia hampitriatra ny hoditra ilay divay vaovao, ary dia ho raraka ny divay, ary ho simba ilay siny hoditra.
\v 38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy atao ao anatin'ny siny hoditra vaovao.
\v 39 Tsy misy olona avy nisotro ny divay taloha ka haniry ny vaovao, fa hoy izy hoe: 'Ilay taloha no tsara."'
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary tamin'ny Sabata dia nandeha nankany an-tanimbary Jesosy ary ireo mpianatra naka ny salohim-bary, nikosoka izany tamin'ny tanan'izy ireo ary nihinana ny voa.
\v 2 Fa ny sasany tamin'ireo Fariseo kosa niteny hoe: "Nahoana ianareo no manao zavatra tsy ara-dalàna ny manao azy amin'ny andro Sabata?"
\s5
\v 3 Namaly azy ireo, Jesosy niteny hoe: "Mbola tsy novakianareo akory ve izay nataon'i Davida rehefa noana izy, izy sy ireo lehilahy izay niaraka taminy?
\v 4 Nandeha nakao an-tranon'Andriamanitra izy, ary nandray ny mofon'ny fanatrehana sy nihinana ny ampahany tamin'izany, ary nomeny apahany koa ny lehilahy izay niaraka taminy mba hihinana, na dia ny mpisorona ihany aza no araka ny lalàna raha mihinana izany."
\v 5 Avy eo Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ny Zanak'Olona dia Tompon'ny Sabata."
\s5
\v 6 Ary tamin'ny Sabata hafa dia nandeha tao amin'ny synagoga Izy dia nampianatra ny vahoaka tao. Nisy lehilahy iray maty tanana havanana tao.
\v 7 Njery akaiky Azy tsara ireo mpanora-dalana sy ireo fariseo mba hahita raha hanasitrana olona amin'ny Sabata Izy, mba afahan'izy ireo mahita antony hiampangana Azy.
\v 8 Kanefa fantany izay tao an-tsain'ireo ary nilaza tamin'ilay lehilahy izay maty tanana Izy hoe: "Mitsangàna, ary mankanesa eto afovoan'ny olon-drehetra eto." Koa nitsangana ilay lehilahy ary nitsangana teo.
\s5
\v 9 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Manontany anareo aho, ara-dalàna amin'ny Sabata ve ny fanaovana ny tsara sa ny fanaovana ny ratsy, ny manavotra aina sa ny mamotika azy?"
\v 10 Ary nijery ny manodidina azy rehetra Izy ka niteny tamin'ilay lehilahy hoe: "Ahinjiro ny tananao." Nanao izany izy, ary sitrana ny tanany.
\v 11 Nefa feno hatezerana izy ireo ary nifampiresaka momba izay mety ho hataon'izy ireo amin'i Jesosy.
\s5
\v 12 Tamin'izany andro izany dia nandeha nankany an-tendrombohitra Izy mba hivavaka. Notohizany nandritra ny alina tontolo ny fivavahana tamin'Andriamanitra.
\v 13 Rehefa tonga ny andro, niantso ny mpianany ho eo aminy Izy, ary nifidy roa ambin'ny folo tamin'ireo Izy, izay nantsoiny ihany koa hoe Apostoly.
\s5
\v 14 Ny anaran'ireo Apostoly ireo dia Simona (izy izay antsoina ihany koa hoe Petera) ary ny rahalahiny Andrea, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelemeo,
\v 15 Matio, Tomasy, Jakoba zanaka lahin'i Alfeo, Simona izay antsoina hoe Zelota,
\v 16 Jodasy zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, izay tonga mpamadika.
\s5
\v 17 Avy eo Jesosy nidina ny tendrombohitra niaraka tamin'izy ireo dia nitsangana tamin'ny tany marina niaraka tamin'ny mpianany maro sy vahoaka maro avy any Jodia sy Jerosalema ary ny sisin-tanin'ny Tyro sy Sidona.
\v 18 Tonga ireo mba hihaino Azy ary mba ho sitranina amin'ny aretin'izy ireo. Sitrana ihany koa ny vahoaka izay korontanin'ny fanahy maloto.
\v 19 Ny olon-drehetra tamin'ireo vahoaka dia niezaka ny hikasika Azy hatrany satria nivoaka avy taminy ny hery manasitrana, ary sitrany avokoa izy rehetra.
\s5
\v 20 Dia nijery ny mpianany Izy, ary niteny hoe: "Sambatra ianareo izay mahantra, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 21 Sambatra ianareo izay noana ankehitriny, fa ho voky ianareo. Sambatra ianareo izay mitomany ankehitriny, fa hiomehy ianareo.
\s5
\v 22 Sambatra ianareo rehefa mankahala anareo ny olona ary rehefa ahilik'izy ireo sy haratsian'izy ireo ianareo, nohon'ny amin'ny Zanak'Olona.
\v 23 Mifalia amin'izany andro izany ary mibitaha an-kafaliana, satria azo antoka fa hahazo valisoa lehibe any an-danitra ianareo, fa mitovy amin'izany no nitondran'ny razan'ireo an'ireo mpaminany.
\s5
\v 24 Fa loza ho anareo izay manan-karena, fa efa azonareo izay mahafa-po anareo.
\v 25 Loza ho anareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo any aoriana any. Loza ho anareo izay mihomehy ankehitriny, fa hisaona sy hitomany ianareo any aoriana any.
\s5
\v 26 Loza ho anareo, rehefa milaza tsara momba anareo ny olona rehetra, fa mitovy amin'izany ny nataon'ny razan'izy ireo tamin'ireo mpaminany sandoka.
\s5
\v 27 Fa milaza aminareo izay mihaino Aho, tiavo ny fahavalonareo ary manaova ny tsara amin'izay mankahala anareo.
\v 28 Tahio izay manozona anareo ary mivavaha ho an'ireo izay manao tsinontsinona anareo.
\s5
\v 29 Raha misy mamelaka ny takolakao iray, dia omeo azy koa ny ilany. Raha misy olona maka ny lambanao, aza mihazona na dia ny akanjonao koa aza.
\v 30 Omeo izay rehetra mangataka aminao. Raha misy olona maka ny zavatra izay anao, aza mangataka ny hamerenany izany aminao.
\s5
\v 31 Tahaka izay tianao hataon'ny olona aminao, dia tokony hataonao amin'izy ireo koa izany.
\v 32 Raha izay olona tia anao ihany no tiavinao, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza mba tia an'izay tia azy koa.
\v 33 Raha amin'izay olona manao soa anao ihany ianao no manao soa, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza dia manao toy izany.
\v 34 Raha tsy mampindrana afa-tsy amin'izay olona handrasana fa hamerina izany aminao ihany ianao, inona no soa ho azonao amin'izany? Fa na ny mpanota aza mampindrana ny mpanota, mba hahazoana torak'izany koa.
\s5
\v 35 Fa tiavo ny fahavalonareo ary manaova ny tsara ho azy ireny. Mampindrama ka aza miandry valiny ary ho lehibe ny valisoanareo ary ho zanaky ny Avo Indrindra ianareo, fa Izy tenany dia tsara fanahy amin'izay tsy misaotra sy ny olona ratsy fanahy.
\v 36 Manàna famindram-po, tahaka ny Rainareo mpamindra fo.
\s5
\v 37 Aza mitsara, ary tsy ho tsaraina ianareo. Aza manameloka, ary tsy ho melohina ianareo. Mamelà ny hafa, ary ho avela ianareo.
\s5
\v 38 Manomeza, dia omena anareo izany. Fahafoizana be _ izay atafotafo, miara-voahontsana ary mitobaka _ no hararaka eo am-pofoanao. Araka ny famaharanareo, no hamaharana anareo toy izany koa."
\s5
\v 39 Avy eo Izy nanao fanoharana tamin'izy ireo koa. "Moa ve ny olona jamba afaka mitarika olona jamba hafa? Raha manao izany izy, dia mety hilatsaka any an-kady izy roa, sa tsia?
\v 40 Ny mpianatra iray dia tsy lehibe noho ny mpampianany, fa izay rehetra nahatanteraka ny fiofanana dia hitovy amin'ny mpampianany.
\s5
\v 41 Fa nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo kely izay ao anatin'ny mason'ny rahalahinao, kanefa tsy mahatsikaritra ny vatan-kazo ao anaty masonao?
\v 42 Ahoana no itenenanao ny rahalahinao hoe: 'Ry rahalahy, mamelà ahy hanala ny sombin-kazo eo amin'ny masonao eo io,' rehefa tsy hitanao akory ny vatan-kazo eo amin'ny masonao? Ry mpiatsaravelatsihy! Esory eo amin'ny masonao aloha ny vatan-kazo, avy eo dia hahita tsara ianao ka afaka hanala ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao.
\s5
\v 43 Fa tsy misy hazo tsara hamokatra voankazo lo, na hoe hazo lo hamokatra voankazo tsara.
\v 44 Fa ny hazo tsirairay dia fantatra amin'ny karazam-boankazo izay vokariny. Fa tsy afaka ny hioty aviavy amin'ny tsilo ny olona, na haka voaloboka amin'ny hazona voaroy.
\s5
\v 45 Ny olona tsara mamokatra izay tsara avy amin'ny harena soan'ny fony, ary ny olona ratsy mamokatra izay ratsy avy amin'ny haren-dratsin'ny fony. Fa izay aloaky ny fony no tenenin'ny vavany.
\s5
\v 46 Fa maninona ianareo no miantso Ahy hoe: 'Tompo, Tompo,' kanefa ianareo tsy mankatoa izay zavatra teneniko?
\v 47 Ny olona rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ary mankatoa izany, dia ho lazaiko anareo hoe toy ny inona izy.
\v 48 Tahaka ny olona izay nanangana trano izy, izay nandavaka lalina teo amin'ny tany ary nanorina ny fototry ny trano teo ambony vatolampy. Rehefa tonga ny tondra-drano, dia nandriaka nanohitra izany trano izany ny rano be, fa tsy nampiontsona azy, satria tsara orina ilay izy.
\s5
\v 49 Ary izay olona mandre ny teniko nefa tsy mankatoa izany, dia mitovy amin'ny olona izay nanorina trano teo ambonin'ny tany ka tsy nanisy fototra. Rehefa nandriaka namely io trano io ny rano be, dia nianjera avy hatrany izany, ary rava tanteraka izany trano izany."
\s5
\c 7
\p
\v 1 Rehefa nahavita niteny ny zavatra rehetra teo anatrehan'ny vahoaka Jesosy, dia niditra tao Kapernaomy Izy.
\s5
\v 2 Ary nisy kapiteny iray nanana mpanompo izay tena najainy, ary narary sy efa akaiky ho faty izy.
\v 3 Rehefa nandre ny momban'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy ho any Aminy izy, hangataka Azy mba ho avy ary hanasitrana ny mpanompony.
\v 4 Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy izy ireo, dia nangataka mafy taminy, niteny hoe: "Mendrika ny hanaovanao izany ho azy izy,
\v 5 satria tiany ny firenenay, ary izy ilay nanamboatra ny Synagoga ho anay."
\s5
\v 6 Koa dia nanohy ny lalany niaraka tamin'izy ireo Jesosy. Fa raha mbola tsy lavitra ny trano Izy, dia nandefa namana ilay kapiteny niteny taminy hoe: "Tompo o, aza manahira-tena Ianao, satria tsy mendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho.
\v 7 Noho izany dia tsy nihevitra ny tenako ho mendrika hankeo aminao aho, fa mitenena teny iray ihany dia ho sitrana ny mpanompoko.
\v 8 Koa satria izao koa dia lehilahy izay ambany fahefana, manana miaramila ao ambaniko koa. Hoy aho amin'ity iray ity hoe: 'Mandehana,' dia mandeha izy, ary amin'ny iray hafa: 'Avia,' dia tamy izy, ary amin'ny mpanompoko hoe: 'Ataovy ity,' ary dia ataony izany."
\s5
\v 9 Rehefa nandre izany Jesosy, dia talanjona taminy Izy, ary nitodika tamin'ireo vahoaka izay nanaraka Azy dia nanao hoe: "Lazaiko aminareo, fa na dia tany Israely aza tsy nahitako finoana toy izao."
\v 10 Rehefa niverina tany an-trano ireo izay nirahana, dia nahita fa salama tsara ilay mpanompo.
\s5
\v 11 Taoriana kelin'izany, dia nandeha tany amin'ny tanàna atao hoe Naina i Jesosy, ary niaraka taminy ireo mpianany sy ireo vahoaka maro be.
\v 12 Raha nanakaiky ny vavahadin'ny tanàna Izy, indro, nisy lehilahy iray efa maty nentina nivoaka, zanaka lahy tokan'ny reniny (izay mpitondratena), ary vahoaka maro be avy ao amin'ny tanàna no niaraka taminy.
\v 13 Nony nahita azy ny Tompo, dia honena tanteraka azy ka nanao taminy hoe: "Aza mitomany."
\v 14 Avy eo dia niakatra Izy ary nikasika an'ilay vata izay nitondran'izy ireo ilay razana, ary nijanona ireo nitondra izany. Hoy Izy hoe: "Ry tovolahy, hoy Aho aminao, miarena."
\v 15 Dia niarina ilay maty ka nanomboka niteny, ary Jesosy nanolotra azy teo amin'ny reniny.
\s5
\v 16 Nandresy azy rehetra ny tahotra, ka nanohy nidera an'Andriamanatra hatrany izy ireo, niteny hoe: "Mpaminany lehibe no natsangana eto amintsika" ary "Andriamanitra nitsinjo ny olony."
\v 17 Ity vaovao momban'i Jesosy ity dia niely nanerana an'i Jodia sy ireo faritra manodidina rehetra.
\s5
\v 18 Ireo mpianatr'i Jaona niteny taminy ny momba ireo zavatra ireo.
\v 19 Dia niantso anankiroa tamin'ireo mpianany Jaona ka naniraka azy ireo ho any amin'ny Tompo mba hiteny hoe: "Ianao ve ilay ho avy, sa tokony mbola hijery hafa izahay?"
\v 20 Ary rehefa nanatona akaiky an'i Jesosy izy ireo, dia hoy ireo lehilahy hoe: "Jaona mpanao batisa no naniraka anay aty aminao hanontany hoe: 'Ianao ve ilay ho avy, sa tokony mbola hijery hafa izahay?"'
\s5
\v 21 Ary tamin'izany ora izany dia nahasitrana olona maro tamin'ny aretina sy fahoriana ary fanaintainana avy amin'ireo fanahy ratsy Izy, ary olona jamba maro no napahiratiny.
\v 22 Jesosy namaly ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Rehefa avy nandeha tamin'ny lalanareo ianareo, tatero amin'i Jaona izay hitanareo sy renareo. Nahiratra ny jamba, nandeha ny malemy, ireo nadio ny boka, nandre ny marenina, nitsangan-ko velona ny maty, ary nitoriana ny filazantsara ny olona anatin'ny tsy fahmapiana.
\v 23 Sambatra ny olona izay tsy mitsahatra ny mino Ahy nohon'ny ataoko."
\s5
\v 24 Ary nony lasa ireo irak'iJaona, dia nanomboka niteny tamin'ny vahoaka Jesosy ny momban'i Jaona hoe: "Hijery inona no nivoahanareo tany an'efitra? Volotara nahozongozon'ny rivotra ve?
\v 25 Fa hijery inona no nivohanareo tany? Lehilahy miakanjo soa ve? Jereo, ireo izay mitafy akanjo lafo vidy sy ireo miaina ao amin'ny fiainana soa dia ao amin'ny lapan'ny mpanjaka.
\v 26 Fa hijery inona no nivohanareo tany? Mpaminany ve? Eny, hoy Aho aminareo, ary mihoatra lavitra noho ny mpaminany.
\s5
\v 27 Izy no ilay voasoratra hoe: 'Indro, alefako mialoha anao ny mpitondra hafatro, izay hanomana ny lalanao mialoha anao.'
\v 28 Lazaiko aminareo, fa aminareo izay natera-behivavy dia tsy misy lehibe noho Jaona. Nefa ilay kely indrindra ao amin'ny fanjakan' Andriamanitra dia lehibe noho izy."
\s5
\v 29 (Rehefa naheno izany ny olona rehetra, anisan'izany ireo mpamory hetra, dia nanambara fa marina Andriamanitra, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona izy ireo.
\v 30 Fa ireo Fariseo sy ireo mpahay lalàna Jiosy kosa nandà ny tanjon' Andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo, satria tsy nataon'i Jaona batisa.)
\s5
\v 31 "Amin'ny ionana, ary, no afahako mampitaha ny olona amin'ity taranaka ity? Tahaka ny inona moa izy ireo?
\v 32 Tahaka ny ankizy milalao eny an-tsena izy ireo, izay mipetraka sy mifampiantso ary miteny hoe: 'Nitsoka sodina ho anareo izahay, dia tsy nandihy ianareo. Nanao hira fisaonana ho anareo izahay, dia tsy nitomany ianareo.'
\s5
\v 33 Fa Jaona mpanao Batisa tonga tsy nihinana mofo ary tsy nisotro divay, dia hoy ianareo hoe: 'Misy demonia izy.'
\v 34 Ny Zanak'Olona tonga nihinana sy nisotro, dia hoy ianareo hoe: 'Jereo, fa tenda-kanina sy mpisotro Izy, naman'ireo mpamory hetra sy mpanota!"
\v 35 Fa ny fahendrena dia voamarina amin'ny zanany rehetra."
\s5
\v 36 Ary ny iray tamin'ireo Fariseo nanasa an'i Jesosy hisakafo miaraka taminy. Koa rehefa avy niditra tao an-tranon'ilay Fariseo Jesosy, dia nipetraka hihinana teo amin'ny latabatra.
\v 37 Indro, nisy vehivavy tao an-tanàna izay mpanota. Ary rehefa nahatsikaritra izy fa nipetraka teo amin'ny latabatra tao an-tranon'ilay Fariseo Izy, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy.
\v 38 Ary raha nitsangana taoriany teo akaikin'ny tongony izy, dia nitomany, ka nanomboka nandena ny tongony tamin'ny ranomasony, ka dia nofafany tamin'ny volon-dohany ireo sady nanoroka ny tongony ary nanosotra ireo tamin'ny menaka manitra.
\s5
\v 39 Rehefa nahita izany ilay Fariseo nanasa an'i Jesosy, dia nieritreritra, niteny hoe: "Raha mpaminany ito lehilahy ito, dia tokony ho fantany hoe karazana vehivavy manao ahoana io mikitika Azy io, fa mpanota io."
\v 40 Jesosy namaly ka niteny taminy hoe: "Simona, misy zavatra ho teneniko aminao." Hoy izy hoe: "Lazao izany, Mpampiantra o!"
\s5
\v 41 Jesosy niteny hoe: "Nisy mpampindra-bola nanana mpitrosa roa lahy. Ny iray dia tokony andoa diman-jato denaria, ny iray dimam-polo.
\v 42 Rehefa tsy afaka nanefa izany taminy izy ireo, dia samy navelany izy roa lahy. Noho izany, iza amin'izy roa lahy no ho tia Azy kokoa?"
\v 43 Simona namaly Azy ka niteny hoe: "Heveriko fa ilay namoizany be." Dia hoy Jesosy taminy hoe: "Marina ny fitsaranao."
\s5
\v 44 Ary Jesosy nitodika tany amin'ilay vehivavy ka niteny tamin'i Simona hoe: "Hitanao io vehivevy io. Niditra tato an-tranonao Aho. Tsy nanome rano hanasana ny tongotro ianao, fa izy nahakotsa ireo tongotro tamin'ny ranomasony ary namafa azy ireo tamin'ny volon-dohany.
\v 45 Tsy nanoroka Ahy ianao, fa hatr'izay nidirako tato dia tsy nitsahatra nanoroka ny tongotro izy.
\s5
\v 46 Tsy nosoranao diloilo ny lohako, fa izy nanosotra ny tongotro tamin'ny menaka manitra.
\v 47 Noho izany dia milaza aminao Aho fa, ireo fahotany, izay maro, dia voavela _ satria izy be fitiavana. Fa izay navela kely, dia tia kely."
\s5
\v 48 Dia hoy Izy taminy hoe: "Voavela ireo fahotanao."
\v 49 Ireo niara-nipetraka nihinana teo dia nanomboka nifampiresaka teo amin'izy ireo hoe: "Iza moa Ity no dia mamela ireo heloka?"
\v 50 Avy eo hoy Jesosy tamin-dravehivavy hoe: "Ny finoanao no nahavonjy anao. Mandehana am-piadanana."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Ary taoriana kelin'izany dia nanomboka nandeha nitety tanàna sy vohitra samihafa Jesosy, nitory sy nanambara ny filazantsara mahakasika ny fanjakan'Andriamanitra. Niaraka taminy ireo roa ambin'ny folo lahy,
\v 2 tahaka ireo vehivavy sasany izay sitrana tamin'ny fanahy ratsy sy ny aretina: Maria izay nantsoina hoe Magdalena, izay efa namoahana demonia fito;
\v 3 Johana, vadin'i Koza, izay mpitan-draharahan'i Heroda, ary Sosana; sy ireo maro hafa koa, izay, tamin'ny fananan'izy ireo, dia nanome izay nilain'izy ireo.
\s5
\v 4 Raha mbola nisy vahoaka maro nihangona, dia tamy nanatona Azy ireo olona avy tamin'ny isan-tanàna, Dia nanao fanoharana izy hoe:
\v 5 "Nisy mpamboly nivoaka mba hamafy ny voany. Raha izy namafy iny, dia voafafy teny amoron-dalana ny sasany ary dia voahitsakitsaka izany, ary lanin'ny voron'ny lanitra.
\v 6 Ny sasany kosa voafafy teny amin'ny vatolampy, ka raha vao nitsimoka, dia nalazo izany, satria tsy nisy hamandoana.
\s5
\v 7 Ary ny sasany dia voafafy teo amin'ny tsilo, ary ny tsilo niara-naniry tamin'ny voa ka nangeja izany.
\v 8 Ny sasany voafafy teny amin'ny tany lonaka ka namoa vokatra izay tsara lavitra avo zato heny." Taorian'i Jesosy niteny ireo zavatra ireo, dia niantso mafy Izy hoe: "Izay manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino."
\s5
\v 9 Nanontany Azy ireo mpianany ny amin'ny tian'izany fanoharana izany hambara.
\v 10 Hoy Izy hoe: "Ny fahalalana ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra dia nomena anareo, fa ho an'ny hafa dia miresaka amin'ny fanoharana Aho, mba tsy ahita izy ireo na dia mahita aza, ary tsy hahalala na dia mandre aza."
\s5
\v 11 Ary izao no dikan'ilay fanoharana: ny voa dia ny tenin'Andriamanitra.
\v 12 Ireo voafafy teny amin'ny sisin-dalana dia ireo izay mandre, saingy avy eo dia tonga ny devoly ka maka ilay teny tao am-pony, mba tsy hino sy ho voavonjy izy ireo.
\v 13 Ary ireo teo amin'ny vatolampy kosa dia ireo izay, rehefa mandre ny teny, dia mandray izany amin-kafaliana. Nefa tsy misy fakany ireo; vetivety foana ny finoan'izy ireo, ary amin'ny fotoana fitsapana dia lavo izy ireo.
\s5
\v 14 Ireo voa voafafy teo amin'ny tsilo dia ireo olona mandre ny teny, fa rehefa mandeha amin'ny lalany izy ireo, dia voagejan'ny fiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan'izao fiainana izao, ka tsy matoy ny voany.
\v 15 Fa ny voa voafafy tamin'ny tany tsara, dia ireo no, mandre ny teny tamin'ny fo marina sy tsara, ary izy ireo mihazona azy tsara ary namokatra am-paharetana.
\s5
\v 16 Ary, tsy misy olona, rehefa nandrehitra jiro, dia manarona azy amin'ny sarony na mametraka izany ao ambany fandriana. Fa kosa, mametraka azy eo amin'ny fanaovan-jiro, mba ho hitan'ny olona rehetra izay miditra ny hazavana.
\v 17 Satria tsy misy takona izay tsy ho ampahafantarina, na zavatra miafina izay tsy ho fantatra ary hiseho eo amin'ny hazavana.
\v 18 Koa mihainoa tsara, izay manana, dia mbola homena bebe kokoa, fa ho an'izay tsy manana kosa, na izay heveriny hanany aza dia ho esorina aminy."
\s5
\v 19 Avy eo ny reniny sy ny rahalahiny nanatona Azy, nefa tsy afaka nanankaiky Azy nohon'ny vahoaka.
\v 20 Nisy nilaza taminy hoe: "Ny reninao sy ny rahalahinao dia mijoro ao ivelany, te hahita anao."
\v 21 Fa Jesosy namaly sy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireo izay mandre ny tenin'Andriamanitra sy manao izany."
\s5
\v 22 Ary indray andro dia nandeha an-tsambo kely Izy niaraka tamin'ireo mpianany, ary Izy nilaza tamin'izy ireo hoe: "Andeha isika ho eny ampitan'ny farihy." Dia lasa izy ireo.
\v 23 Fa raha nandeha iny izy ireo dia resi-tory Jesosy. Ary nisy tafio-drivotra tonga teo amin'ny farihy, ka feno rano ny sambo kely, ary notandindonin-doza izy ireo.
\s5
\v 24 Avy eo nankeo aminy ka namoha Azy ireo mpianatr'i Jesosy, nanao hoe: "Tompo o! Tompo o! Ho faty isika!" Ary nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra sy ny rano manonja, ary nitsahatra ireo, ka nisy fitoniana teo.
\v 25 Ary niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Aiza ny finoanareo?" ary natahotra mafy izy ireo. Ary natahotra no sady gaga ihany koa izy ireo, ary nifampanontany hoe: "Iza moa ilay io, no mandidy na ny rivotra sy ny rano aza, ary manaiky Azy ireo?"
\s5
\v 26 Izy ireo dia nihazo ny faritr'i Gerasena, izay tandrifin'ny farihin'i Galilea.
\v 27 Ary rehefa niakatra hankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena tamin'ny lehilahy iray avy tao an-tanàna izay nisy demonia. Ary efa ela izy no tsy niakanjo, ary tsy nipetraka tao an-trano fa teny amin'ny fasana.
\s5
\v 28 Rehefa nahita an'i Jesosy izy, dia nihiaka mafy sy niankohoka teo anoloany ka niteny tamin'ny feo mafy hoe: "Inona no iraisanao amiko, ry Jesosy, zanak'Andriamanitra Avo indrindra o? Miangavy Anao aho, aza mampijaly ahy."
\v 29 Fa Jesosy nandidy ny fanahy maloto hiala tao amin'ilay lehilahy. Fa efa nandritry ny fotoana maro no nangeja azy izany, ka na dia nofatorana tamin'ny rojo sy gadra vy ary nambenana aza izy, dia nopotehiny ireo rojony ary nentin'ny demonia tany an'efitra izy.
\s5
\v 30 Jesosy nanontany azy hoe: "Iza no anaranao? Ary hoy izy hoe: "Legiona," fa maro ny demonia izay efa nidira tao aminy.
\v 31 Izy ireo niangavy Azy hatrany mba tsy handefa azy ho any amin'ny lavaka tsy hita noanoa.
\s5
\v 32 Ary nisy andian-kisoa maro nisakafo teo akaikin'ny havoana. Ka niangavyAzy ilay demonia mba hamela azy ireo ho ao amin'ireo, ka namela azy Izy.
\v 33 Koa nivoaka tao amin'ilay lehilahy ireo demonia ary nifindra tao amin'ireo kisoa, ary nitratrevatreva tany amin'ny hantsana nankao amin'ny farihy ireo andian- kisoa ka maty.
\s5
\v 34 Ary nohon'ny nahita ny zavatra nitranga ireo mpiambina ny kisoa, dia nihazakazaka ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
\v 35 Noho izany dia nivoaka ny mponina tao an-tanàna mba hijery ny zavatra nitranga, ary nanatona an'i jesosy izy ireo ka nahita ilay lehilahy izay nivoahan'ny demonia. Ary izy nipetraka teo an-tongotr'i Jesosy, nitafy ary vory saina; ary raiki-tahotra izy ireo.
\s5
\v 36 Avy eo ireo izay nahita izany nilaza azy ireo ny fomba nahasitrana ilay lehilahy nanjakan'ny demonia.
\v 37 Ary ny vahoaka rehetra teo amin'ny faritanin'i Gerasena dia nangataka an'i Jesosy mba hiala eo amin'izy ireo, satria heniky ny tahotra mafy izy ireo. Noho izany dia nandeha an-tsambo kely Izy mba afahan'izy ireo miverina.
\s5
\v 38 Ilay lehilahy nivoahan'ny demonia dia niangavy taminy mba hamela azy handeha hiaraka aminy, fa Jesosy nandefa azy, niteny hoe:
\v 39 "Miverena any an-tranonao ka manomeza tatitra feno momba izay nataon'Andriamanitra taminao." Ary ilay lehilahy nandeha tamin'ny lalany, dia nanambara manerana ny tanàna rehetra izay nataon'i Jesosy taminy.
\s5
\v 40 Ary rehefa niverina Jesosy, dia nandray azy ny vahoaka, fa izy ireo dia efa niandry Azy.
\v 41 Indro, nisy lehilahy iray atao hoe Jairo, izay iray tamin'ireo mpitarika tao amin'ny Synagoga, nanatona sy niankohoka teo an-tongotr'i Jesosy, ka niangavy azy mba ho any an-tranony,
\v 42 satria ny zanany vavy tokana, izay zazavavy teo amin'ny roa ambin'ny folo taona teo ho eo, dia eo ambavahoanan'ny fahafatesana. Raha nandeha tamin'ny lalany Jesosy, dia niara-nifaneritery nanodidina Azy ny vahoaka maro be.
\s5
\v 43 Ary nisy vehivavy iray teo izay efa nadeha rà nandritry ny roa ambin'ny folo taona ary efa nandany ny volany rehetra,
\f + \ft Fanamarihana: Ireo manam-pahaizana dia mizarazara hevitra raha tokony ampidirina eto ny fehezanteny hoe: "Nandany ny volany rehetra (izy) \f*
ary tsy nisy nahasitrana azy na iza na iza.
\v 44 Ary izy dia nankeo aorian'i Jesosy ka nikasika ny rambon-dambany, dia nitsahatra avy hatrany ny ràny.
\s5
\v 45 Jesosy niteny hoe: "Iza ilay nikasika Ahy teo?" Rehefa nandà ny rehetra, dia hoy Petera hoe: "Tompo, manodidina Anao avokoa ny vahoaka rehetra ary manery Anao."
\v 46 Fa Jesosy niteny hoe: "Nisy nikasika Aho, satria fantatro fa nisy hery niala avy tato amiko."
\s5
\v 47 Rehefa hitan'ilay vehivavy fa tsy takona izy, dia nangovitra izy ary niankohoka teo Aminy. Nambarany teo imason'ny olona ny antony nikasihany Azy, sy ny fomba nahasitrana azy avy hatrany.
\v 48 Ary Izy niteny taminy hoe: "Ry zanaka vavy, ny finoanao no nahasitrana anao. Mandehana am-piadanana."
\s5
\v 49 Avy eo raha mbola niteny izy, dia nisy olona iray avy amin'ny tranon'ny mpitarika synagoga, nanao hoe: "Maty ny zanakao vavy. Aza manahirana ny mpampianatra intsony."
\v 50 Fa rehefa nandre izany Jesosy, dia namaly an'i Jairo Izy hoe: "Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho sitrana izy."
\s5
\v 51 Rehefa nankao an-trano Izy, dia tsy namela na dia olona iray aza hiara-hiditra aminy ankoatran'i Petera sy Jaona sy Jakoba, sy ny rain'ilay zaza ary ny reniny.
\v 52 Ary ny rehetra dia nisaona sy nitomany azy,
\v 53 Fa Izy niteny hoe: "Aza mitomany; tsy maty izy fa matory." Dia nihomehy Azy izy ireo, satria fantatra fa maty ilay zaza vavy.
\s5
\v 54 Fa noraisiny tamin'ny tanana izy ka niantso mafy, niteny hoe: "Anaka, mitsangàna!"
\v 55 Ary niverina ny fanahiny, ka niharina avy hatrany izy. Ary nibaiko azy ireo Izy mba hanome hanina ho azy.
\v 56 Ary gaga ny Ray aman-dreniny, fa Izy kosa nandrara azy ireo mba tsy hilaza na amin'iza na iza ny zavatra izay nitranga.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Niantso ireo roa ambin'ny folo lahy Izy ary nanome azy ireo ny hery sy fahefana amin'ireo demonia rehetra ary hanasitrana ireo aretina.
\v 2 Nalefany izy ireo hitory ny fanjakanan'Andriamanitra sy hanasitrana ny marary.
\s5
\v 3 Hoy Izy tamin'izy ireo Izy hoe: "Aza mitondra na inona na inona amin'ny dianareo _ tsy misy tehina, tsy misy kitapom-batsy, tsy misy mofo, tsy misy vola, ary tsy misy akanjo fanampiny.
\v 4 Izay trano idiranareo, dia mijanona ao mandra-pialanareo.
\s5
\v 5 Na aiza na aiza tsy handraisan'izy ireo anareo, rehefa mandao izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano hiala amin'ny tongotrareo ny vovoka mba ho fijoroana vavolombelona anoherana azy ireo."
\v 6 Avy eo dia lasa izy ireo ary namakivaky ireo tanàna, nitory ny filazantsara sy nanasitrana teny rehetra teny.
\s5
\v 7 Ary henon'i Eroda mpanapaka avokoa ireo izay nitranga rehetra, ary dia very hevitra izy, satria voalazan'ny sasany fa Jaona mpanao batisa dia nitsangana tamin'ny maty,
\v 8 ary voalaza fa niseho Elia, ary ny sasany kosa milaza fa iray tamin'ireo mpaminany fahiny no nitsangana tamin'ny maty.
\v 9 Hoy Eroda hoe: "Izaho no nanapa-doha an'i Jaona, koa iza indray izany olona andrenesako zavatra tahaka izany?" Ary niezaka ny ahita Azy izy.
\s5
\v 10 Rehefa niverina ireo apostoly, dia nitantara taminy ireo zavatra rehetra vitan'izy ireo. Avy eo nentiny niaraka taminy izy ireo, ary nandeha nitokana ho amin'ny tanàna antsoina hoe Betsaida.
\v 11 Fa vao nandre ny momba izany ireo vahoaka, dia nanaraka Azy. Dia noraisiny izy ireo ary nambarany azy ireo ny momban'ny fanjakan'Andriamanitra, ary nanasitrana ireo izay nila fanasitranana Izy.
\s5
\v 12 Ary rehefa ho ariva ny andro, dia nanatona Azy ireo roa ambin'ny folo ka niteny hoe: "Alefaso andeha ireo vahoaka mba afahan'izy ireo mandeha any amin'ireo tanàna manodidina sy ambanivohitra mba hahita fatoriana sy sakafo, satria aty amin'ny tany foana isika."
\v 13 Fa hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Omenareo zavatra ho hanina izy ireo." Ary niteny ireo hoe: "Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay _ raha tsy hoe mandeha izahay ary mividy sakafo ho an'ireo olona rehetra ireo."
\v 14 (Teo dia nisy teo amin'ny lehilahy dimy arivo teo ho eo). Ary nilaza tamin'ireo mpianany Izy hoe: "Apetraho ho vondrona dimampolo isan'isany izy ireo."
\s5
\v 15 Koa dia nanao izany izy ireo, ary nampipetraka ireo vahoaka.
\v 16 Nandray ireo mofo dimy sy hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, nisaotra ireo ary nozarazarainy, ka dia nomeny ireo mpianatra izany mba ho tolorana ireo vahoaka.
\v 17 Nihinana izy rehetra ka afa-po, ary nangonina ireo sisa tsy lany _ ka nisy potipotiny roa ambin'ny folo harona.
\s5
\v 18 Ary rehefa nivavaka manokana Jesosy, dia niaraka taminy ireo mpianatra. Dia nanontany azy ireo Izy, nanao hoe: "Ataon'ireo vahoaka ho iza moa aho?"
\v 19 Namaly izy ireo hoe: "Jaona mpanao batisa. Fa ireo sasany nilaza hoe Elia, ary ireo sasany milaza fa nitsangana tamin'ny maty ny iray tamin'ireo mpaminany fahiny."
\s5
\v 20 Ary niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Fa ataonao ho iza moa Aho?" Namaly Petera hoe: "Ilay Kristin'Andriamanitra."
\v 21 Fa noraràny mafy izy ireo tsy hilaza izany na amin'iza na iza,
\v 22 nanao hoe: "Ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hijaly amin'ny zavatra maro ary ho lavin'ireo loholona sy lohan'ny mpisorona ary ireo mpanora-dalàna, ho vonoina Izy ary amin'ny andro fahatelo dia hatsangana."
\s5
\v 23 Ary hoy Izy tamin'izy rehetra hoe: "Raha misy te hanaraka ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy ary mitondra ny hazofijaliany isan'andro ary manaraka Ahy.
\v 24 Na iza na iza te hanavotra ny ainy dia hanary izany, fa na iza na iza manary ny ainy noho ny fitiavana Ahy dia hanavotra izany.
\v 25 Inona no tsara azon'ny olona amin'ny fananana izao tontolo izao, kanefa manary na mamotika ny ainy?
\s5
\v 26 Fa na iza na iza menatra ny amiko sy ireo teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak'Olona rehefa tonga amin'ny voninahiny, sy ny voninahitry ny Ray sy ireo anjely masina Izy.
\v 27 Fa lazaiko marina aminareo, fa ny sasany amin'ireo izay mitsangana eto dia tsy hahita fahafatesana mialohan'ny ahitany ny fanjakan' Andriamanitra."
\s5
\v 28 Ary valo andro teo ho eo taorian'ny nilazan'i Jesosy ireo teny ireo, dia nentiny niaraka taminy Petera sy Jaona ary Jakoba ka niakatra ny tendrombohitra hivavaka.
\v 29 Raha nivavaka iny Izy, dia niova ny endriky ny tarehiny, ary nivadika fotsy manjelanjelatra ny akanjony.
\s5
\v 30 Indro, nisy roa lahy niresaka taminy, Mosesy sy Elisa,
\v 31 izay niseho tamim-boninahitra mamirapiratra. Niresaka momba ny fialàny Izy, izay ho entiny ho ho tanterahina any Jerosalema.
\s5
\v 32 Ary Petera sy ireo izay niaraka taminy dia navesatrin'ny torimaso, fa rehefa tena taitra tanteraka izy ireo, dia nahita ny voninahiny sy ireo lehilahy roa izay nitsangana niaraka taminy.
\v 33 Ary rehefa niala nanalavitra an'i Jesosy izy ireo, dia hoy Petera taminy hoe: "Tompo, tsara amintsika ny mijanona eto. Avelao izahay hanamboatra fialofana telo, iray ho Anao, iray ho an'i Mosesy, ary iray ho an'i Elia." (Tsy fantany izay nolazainy.)
\s5
\v 34 Teo am-pitenenany izany izy, dia nisy rahona tonga nanarona azy ireo, ka dia natahoatra izy ireo rehefa niditra tao amin'ilay rahona.
\v 35 Nisy feo nivoaka avy tany amin'ilay rahona, nanao hoe: "Inty no Zanaka Lahiko, ilay Iray izay voafidy; henoy Izy."
\v 36 Rehefa niteny ilay feo, dia Jesosy irery no hita teo. Nitazona ny fahanginany izy ireo ary tsy niteny tamin'iza na iza tamin'izany andro izany ny momba izay rehetra hitan'izy ireo.
\s5
\v 37 Ary ny andro manaraka an'io, rehefa nidina avy any an-tendrombohitra izy ireo, dia vahoaka maro nifanena taminy.
\v 38 Indro, nisy lehilahy iray avy tao amin'ny vahoaka no nihiaka mafy, nanao hoe: "Ry mpampianatra o, mitalaho aminao aho mba hijery ity zanako lahy ity, fa zanako tokana izy.
\v 39 Hitanao, misy fanahy mibaiko azy dia mihiaka tampoka izy; mampifanintona azy izany ka mampamoaka roatra ny vavany. Tsy miala aminy izany ary mahatorovana tanteraka azy.
\v 40 Nitalaho tamin'ireo mpianatrao aho mba hanala izany, fa tsy afak'izy ireo."
\s5
\v 41 Namaly Jesosy ka nanao hoe: "Ianareo tsy mpino sy taranaka ratsy fitondran-tena, hafiriana no tsy maintsy hitoerako miaraka aminareo sy hiaretako miaraka aminareo? Ento ety ny zanakao lahy."
\v 42 Rehefa nanatona ilay zaza lahy, dia natsipin'ny demonia tamin'ny tany izy ary nampihinjitsinjitra azy. Fa Jesosy niteny mafy ilay fanahy maloto ary nanasitrana ilay zaza lahy, ary namerina azy tany amin'ny rainy.
\s5
\v 43 Ary avy eo dia talanjona avokoa izy rehetra nahita ny halehiben'Andriamanitra. Raha gaga tamin'ny zava-drehetra nataony iny izy ireo, dia hoy Izy tamin'ny mpianany hoe:
\v 44 "Avelao ireto teny ireto ho tonga lalina ao an-tsofinareo: ny Zanak'Olona dia ho vadihana ho eo an-tanan'olona."
\v 45 Fa tsy azon'izy ireo izany fanambarana izany. Izany dia nafenina tamin'izy ireo, noho izany dia tsy azon'izy ireo ny dikan'izany, ary mbola natahotra izy ireo ny hanontany ny momba izany fanambarana izany.
\s5
\v 46 Ary avy eo dia nisy fifandirana nanomboka teo amin'izy ireo ny amin'izay ho lehibe indrindra amin'izy ireo.
\v 47 Fa Jesosy, nahafantatra ny fihevitra tany am-pon'izy ireo, dia naka zazakely iray ka napetrany teo anilany
\v 48 ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Fa na iza mandray ity zaza ity amin'ny anarako, dia mandray Ahy; ary na iza na iza mandray Ahy, dia mandray ilay Iray izay naniraka Ahy. Fa izay kely indrindra aminareo rehetra no lehibe."
\s5
\v 49 Jaona namaly hoe: "Tompo o, nahita olona iray izahay nanala demonia tamin'ny anaranao dia nosakananay izy, satria izy tsy manara-dia miaraka aminay."
\v 50 "Aza raràna izy," hoy Jesosy, "satria izay tsy manohitra anareo dia momba anareo."
\s5
\v 51 Rehefa nanakaiky ny andro ampiakarana Azy, dia niatrika ho any Jerosalema Izy.
\v 52 Nandefa mpitondra hafatra Izy hialoha Azy, ary nandeha izy ireo ka niditra tao amin'ny tanàna Samaritana iray mba hanomana ny zavatra rehetra ho Azy.
\v 53 Fa ny vahoaka tao tsy nandray Azy, satria nitodika ho any Jerosalema Izy.
\s5
\v 54 Rehefa nahita izany Jakoba sy Jaona mpianatra, dia hoy izy ireo hoe: "Tompoko, tianao ve izahay raha handefa afo milatsaka avy any an-danitra mba hamotika azy ireo?"
\v 55 Fa nitodika Izy ary niteny mafy tamin'izy ireo,
\v 56 ary lasa tany amin'ny tanàna hafa izy ireo.
\s5
\v 57 Ary rehefa nandeha teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona iray nanao taminy hoe: "Hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao."
\v 58 Jesosy niteny taminy hoe: "Ny amboahaolo manan-davaka, ary ireo vorona eny an-danitra dia manana ny akaniny, fa ny Zanak'Olona tsy manana toerana asiana ny lohany."
\s5
\v 59 Ary hoy Izy tamin'ny hafa hoe: "Manaraha Ahy." Fa hoy izy hoe: "Tompoko, avelao aho aloha handeha handevina ny raiko."
\v 60 Fa hoy Izy taminy hoe: "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy. Fa ho anao, mandehana ka mitoria any lavitra any ary hitaro ny fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\v 61 Ary nisy olona hafa nanao hoe: "Hanaraka Anao aho, Tompo, fa avelao aho aloha hanao veloma ireo any an-tranoko."
\v 62 Jesosy namaly azy hoe: "Tsy misy olona mitàna angady ary miherika ka mendrika ho ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\c 10
\p
\v 1 Ary taorian'ireny zavatra ireny, dia nifidy fitopolo lahy
\f + \ft Fanamarihana: Maro amin'ireo fandikana taloha tsara indrindra no mivaky hoe: "Fitopolo", Fa ny sasany mivaky hoe: "roa ambi-fitopolo." \f*
hafa ny Tompo, ary nandefa azy ireny tsiroaroa nialoha Azy tany amin'ny tanàna rehetra sy toerana izay efa halehany.
\v 2 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Be ny vokatra, fa vitsy ny mpiasa. Noho izany hangataho ny Tompon'ny vokatra mba handefa mpiasa mba ho eny amin'ny vokatra.
\s5
\v 3 Mandehana amin'ny lalanareo. Jereo, alefako tahaka ny zanak'ondry eo afovoan'ny ambodia ianareo.
\v 4 Aza mitondra fitoeram-bola, na fitoeran'entana, na kapa, ary aza miarahaba na iza na iza eny an-dalana.
\s5
\v 5 Izay trano hidiranareo, lazao aloha hoe: 'Fiadanana anie ho amin'ity trano ity!'
\v 6 Raha misy olon'ny fiadanana ao, dia hitoetra aminy ny fiadanana izay lazainareo, fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo izany.
\v 7 Mitoera ao amin'io trano io ihany, mihinana sy misotro izay omen'izy ireo, fa ny mpiasa dia mendrika ny karamany. Aza mifindrafindra trano.
\s5
\v 8 Fa amin'izay tanàna idiranareo, ka mandray anareo, hano izay aroso eo anoloanareo,
\v 9 ary sitrano ny marary izay ao. Lazao izy ireo hoe: 'Efa manakaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra.'
\s5
\v 10 Na oviana na oviana ianareo no miditra tanàna ka tsy mandray anareo izy ireo, dia mivoaha eny an-dalana ary lazao hoe:
\v 11 'Fa na dia ny vovoky ny tanànanareo izay miraikitra amin'ny tongotray aza dia ho fafanay hanohitra anareo! Fantaro anefa izao: Efa manakaiky ny fanjakan'Andriamanitra.'
\v 12 Lazaiko aminareo fa amin'ny andron'ny fitsarana dia ho azo leferina kokoa ny an'i Sodoma noho ny an'izany tanàna izany.
\s5
\v 13 Loza ho anao, ry Korazina! Loza ho anao, ry Betsaida! Fa raha ny asa lehibe izay natao tao aminao no natao tany Tyro sy Sidona, dia efa ela izy ireo no nibebaka, nipetraka tamin'ny lamba fisaonana sy lavenona.
\v 14 Fa ho azo leferina kokoa ny an'i Tyro sy Sidona amin'ny fitsarana noho ny aminareo.
\v 15 Ianao, ry Kapernaomy, mieritreritra ve ianao fa ho hasandratra any an-danitra? Tsia, ho entina midina any amin'ny Hadesy ianao.
\s5
\v 16 Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy, ary izay mandà anareo dia mandà Ahy, ary izay mandà Ahy dia mandà ilay naniraka Ahy."
\s5
\v 17 Niverina am-pifaliana ireo fito-polo, ka nilaza hoe: "Tompo, na dia ny demonia aza dia nanaiky anay tamin'ny anaranao."
\v 18 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Nijery an'i Satana nilatsaka avy any an-danitra toy ny tselatra Aho."
\v 19 Jereo, fa efa nomeko anareo ny fahefana hanitsaka ny menarana, ny maingoka, ary ambonin'ny hery rehetran'ny fahavalo, ary na inona na inona dia tsy hisy handratra anareo amin'ny fomba rehetra.
\v 20 Na dia izany aza dia aza mifaly fotsiny amin'izany, hoa nanaiky anareo ny fanahy, fa mifalia kokoa hoe voasoratra any an-danitra ny anaranareo."
\s5
\v 21 Tamin'io fotoana io ihany dia nifaly tokoa tao amin'ny Fanahy Masina izy, ary niteny hoe: "Midera Anao Aho, ry Ray, Tompon'ny lanitra sy ny tany, fa efa nafeninao ireny zavatra ireny tamin'ny hendry sy ny manan-tsaina, ary nambara tamin'ireo tsy manam-pahalalana, toy ny zaza madinika. Eny, Raiko, fa izany no ankasitrahana tsara eo imasonao."
\s5
\v 22 Ny zava-drehetra dia nankinin'ny Ray tamiko, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Zanaka afa-tsy ny Ray, ary tsy misy mahalala hoe iza ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay nosafidian'ny Zanaka haseho Azy."
\s5
\v 23 Avy eo dia niodina teo amin'ireo mpianatra Izy ka nilaza mangingina hoe: "Sambatra izay mahita ireo zavatra izay hitanareo.
\v 24 Lazaiko aminareo, mpaminany sy mpanjaka maro no naniry ahita izay zavatra hitanareo, fa tsy hitan'izy ireo izany, ary aheno ireo zavatra renareo, fa tsy ren'izy ireo izany."
\s5
\v 25 Indro, nisy mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy iray nitsangana mba hitsapa Azy, ka nilaza hoe: "Mpampianatra o, inona no tsy maintsy hataoko mba handova ny fiainana mandrakizay?"
\v 26 Jesosy niteny taminy hoe: "Inona no voasoratra ao amin'ny lalàna? Ahoana no famakianao izany?"
\v 27 Nanome valinteny izy dia niteny hoe: "Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra, amin'ny fanahinao rehetra, amin'ny herinao rehetra, ary amin'ny fisainanao rehetra, ary ny namanao tahaka ny tenanao."
\v 28 Jesosy niteny taminy hoe: "Marina ny navalinao. Ataovy izany, dia ho velona ianao."
\s5
\v 29 Fa ilay mpampianatra, naniry hanamarina ny tenany, dia niteny tamin'i Jesosy hoe: "Iza no namako?"
\v 30 Namaly azy Jesosy ka niteny hoe: "Nisy lehilahy iray nidina avy any Jerosalema ho any Jeriko. Izy dia azon'ireo mpandroba, izay nanendaka ireo fananana rehetra teny aminy, sy nikapoka azy, ary namela azy efa ho faty.
\s5
\v 31 Ary sendra nisy mpisorona nandalo tamin'izany lalana izany, ary nony nahita azy izy, dia nandeha teny am-pita.
\v 32 Toy izany koa ny Levita anankiray, rehefa nandalo tamin'ilay toerana ka nahita azy, dia nandeha teny am-pita.
\s5
\v 33 Fa nisy Samaritana anankiray, rehefa nandeha tamin'ny nalehany izy, dia tonga teo amin'ny nisy azy. Rehefa nahita azy izy, dia nitsetra azy.
\v 34 Dia nanatona azy izy ka namehy ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tamin'izany. Nampitaingenany ny bibiny izy, ka nentiny tany amin'ny tranom-bahiny, ary nokarakarainy.
\v 35 Ny ampitso dia naka denaria roa izy, ary nanolotra izany tamin'ny mpampiantrano, ary nanao hoe: 'Karakarao izy, ary na ohatrinona na ohatrinona laninao mihoatra, rehefa miverina aho, dia ho efaiko.'
\s5
\v 36 Iza amin'izy telo ireo, araka ny eritreritrao, no naman'ilay azon'ny mpandroba?"
\v 37 Namaly ilay mpampianatra hoe: "Ilay iray izay naneho fiantrana azy." Jesosy niteny taminy hoe: "Mandehana ary manaova toy izany koa."
\s5
\v 38 Ary raha niara-nandeha izy ireo, dia niditra tao amin'ny tanàna iray Izy, ary nisy vehivavy iray antsoina hoe Marta nampandroso Azy tao an-tranony.
\v 39 Nanana rahavavy atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ary nandre ny teniny.
\s5
\v 40 Fa Marta sahirana be tamin'ny fikarakarana ny sakafo ho aroso. Nankeo amin'i Jesosy izy, dia nanao hoe: "Tompo, tsy mampaninona Anao ve ny namelan'ny rahavaviko ahy hanompo irery? Koa teneno izy mba hanampy ahy."
\v 41 Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe: "Marta, Marta, manahy amin'ny zavatra maro be ianao,
\v 42 kanefa zavatra iray ihany no tena ilaina. Maria dia efa nifidy izay tsara indrindra, izay tsy ho esorina aminy."
\s5
\c 11
\p
\v 1 Dia izao no nitranga rehefa nivavaka tao amin' ny toerana iray Jesosy, nisy iray tamin'ireo mpianany niteny taminy hoe: "Tompo, mba hampianaro mivavaka izahay toy ny nampianaran'i Jaona ireo mpianany."
\s5
\v 2 Hoy Jesosy tamin'izy ireo hoe: "Rehefa mivavaka ianareo dia teneno hoe: 'Ray o, ho hamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
\s5
\v 3 Omeo anay ny haninay isan'andro.
\v 4 Avelao ny fahotanay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Aza mitondra anay ho any amin' ny fakam-panahy."'
\s5
\v 5 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Iza aminareo no hanana namana, ary handeha ho any aminy amin'ny misasakalina, ary hanao aminy hoe: 'Ry namana, mba ampidramo mofo telo aho,
\v 6 fa misy namako iray vao tonga avy lavitra, ary tsy manana na inona na inona haroso azy aho.'
\v 7 Ary mety hamaly azy ny iray tao an-trano ka hanao hoe: 'Aza manelingelina ahy.' Efa mihidy ny varavarana, ary ny zanako, efa eo ampandrina, miaraka amiko. Tsy afaka mitsangana aho hanome mofo anao.'
\v 8 Milaza aminareo Aho, fa na dia tsy mitsangana sy manome mofo anareo aza izy satria namany ianareo, dia nohon'ny fikirizanareo tsy misy henatra, dia hitsangana izy ary hanome anareo ny mofo rehetra izay ilainareo.
\s5
\v 9 Mbola milaza aminareo koa aho, Mangataha, dia homena anareo izany; mitadiava, dia hahita ianareo; dondomy, dia ho vohana ianareo.
\v 10 Fa ny olona rehtetra izay mangataka dia mahazo, ary izay mitady dia mahita; ary izay olona mandodona, dia ho vohana.
\s5
\v 11 Iza aminareo raim-pianakavina ireo no, raha mangataka trondro ny zanakareo, dia hanome azy bibilava fa tsy trondro?
\f + \ft Fanamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra misy vaki-teny fohy kokoa, izay arahintsika eto. Ny fandikana taloha sasany dia misy vakin-teny lavalava kokoa, izay hita ao amin'ny Matio 7:9 ihany koa: "Raim-pianakaviana iza aminareo, raha mangataka mofo ny zanakareo, no hanome azy vato? Na trondro, dia hanome azy bibilava?" \f*
\v 12 Na raha mangataka atody izy, dia homenareo maingoka ve izy?
\v 13 Noho izany, raha ianareo ratsy fanahy aza mahay manome fanomezana tsara ho an'ny zanakareo, dia ohatrin'ny ahoana ny halehiben'ny Fanahy Masina homen'ny rainareo izay any an-danitra ho an'ireo izay mangataka aminy?"
\s5
\v 14 Ary Jesosy nandroaka demonia moana. Rehefa nivoka ilay demonia, dia lasa nahay niteny ilay lehilahy izay moana, ary dia gaga ny vahoaka.
\v 15 Fa ny olona sasany nilaza fa: "Amin'ny alalan'i Belzeboba, izay mpitarika ny demonia, no androahany demonia."
\s5
\v 16 Ny sasany nitsapa Azy ary nitady famantarana avy any an-danitra taminy.
\v 17 Nefa fantatr'i Jesosy izay tao an-tsain'izy ireo ka niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "ireo fanjakana rehetra izay mizarazara dia ho rava, ary ny trano izay mizarazara dia hirodana."
\s5
\v 18 Koa raha miady an-trano ary Satana, ahoana no hampaharitra ny fanjakany? Fa hoy ianareo hoe mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba Aho.
\v 19 Fa raha mandroaka demonia amin'ny alalan'i Belzeboba ary Aho, amin'ny alalan'iza kosa no androahan'ny mpanara-dia anareo azy? Noho izany, dia izy ireo no hitsara anareo.
\v 20 Fa raha mandroaka ny demonia amin'ny alalan'ny ratsan-tananan' Andriamanitra Aho, dia tonga aminareo ny fanjakan' Andriamanitra.
\s5
\v 21 Rehefa ampy fitaovana tsara ny lehilahy mahery iray miandry ny tranony, dia voaaro ny hareny,
\v 22 nefa kosa raha mahery noho izy ny lehilahy iray ka mandresy azy, dia alain'ilay lehilahy mahery kokoa amin'ilay lehilahy ny fiadiana, ary ho robainy ny fananan'ilay lehilahy.
\v 23 Izay tsy miaraka amiko dia manohitra Ahy, ary izay tsy miangona miaraka amiko dia misaraka.
\s5
\v 24 Rehefa miala amin'ny olona iray ny fanahy ratsy, dia lasa izy mamakivaky toerana tsy misy rano ary mitady fitsaharana. Ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy hoe: 'Andeha hiverina any amin'ny trano niaviako aho.'
\v 25 Rehefa tafaverina, izy dia mahita izany trano izany voadio sy voalamina.
\v 26 Avy eo dia lasa izy ary maka fanahy hafa ratsy mihoatra ny tenany miisa fito miaraka aminy izy ary dia miditra mba hitoetra ao izy rehetra. Ka ratsy kokoa noho ilay voalohany ny fiafaran'ny izany olona izany."
\s5
\v 27 Ary raha niteny ireo zavatra ireo Izy, dia nisy vehivavy iray nanandratra ny feony tao anaty vahoaka ary nanao taminy hoe: "Sambatra ny kibo izay niteraka Anao sy ny nono izay ninonoanao."
\v 28 Fa hoy kosa Izy hoe: "Sambatra, kokoa aza, ireo izay mihaino ny tenin'Andriamanitra sy mihazona izany."
\s5
\v 29 Ary raha mbola mitombo ny vahoaka, dia nanomboka niteny Jesosy hoe: "Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy, nefa tsy hisy famantarana aseho azy afa-tsy ny famantaran'i Jona.
\v 30 Fa tahaka ny nahatonga an'i Jona ho famantarana tamin'ireo Ninivita, toy izany koa dia ho famantarana ny Zanak'Olona amin'ity taranaka ity.
\s5
\v 31 Ny Mpanjaka vavin'ny Atsimo dia hitsangana amin'ny fitsarana miaraka amin'ireo lehilahy amin'ity taranaka ity ka hanameloka azy ireo, fa tonga avy any amin'ny faran'ny tany izy mba hiaino ny fahendren'i Solomona, ary indro, eto ny olona lehibe noho Solomona.
\s5
\v 32 Ny lehilahin'i Ninive dia hiara hitsangana amin'ity taranaka ity amin'ny fitsarana ary hanameloka azy, satria nibebaka tamin'ny nitorian'i Jona izy ireo, ary indro, misy olona lehibe noho Jona eto.
\s5
\v 33 Tsy misy olona iray, raha avy nandrehitra Jiro, dia mametraka izany amin'ny toerana takona na ao ambanin'ny harona, fa atao eo amin'ny fitoeran-jiro, mba ho hitan'izay miditra ny hazavana.
\v 34 Ny masonao no jiron'ny vatana. Rehefa tsara ny masonao, dia rakotra hazavana ny tena rehetra. Fa raha ratsy kosa ny masonao, dia feno haizina ny tenanao.
\v 35 Noho izany, mitandrema ianareo mba tsy ho maizina ny hazavana ao aminareo.
\v 36 Ary, raha feno hazavana ary ny tenanao rehetra, ka tsy misy ampahan'izany ao anaty haizina, dia ho tahaka ny jiro izay mampamiratra ny hazavany eo aminao ny tenanao manontolo.
\s5
\v 37 Rehefa vita ny resany, dia nisy Fariseo nanasa azy hiara-hisakafo aminy any an tranony, dia niditra Jesosy ka nipetraka.
\v 38 Gaga ilay fariseo fa tsy nisasa aloha Jesosy alohan'ny hihinana.
\s5
\v 39 Fa hoy ny Tompo taminy hoe: "Ankehitriny, Ianareo Fariseo, dia manadio ny ivelan'ny kaopy sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo dia feno rombaka sy faharatsiana."
\v 40 Ianareo ry kely saina! Tsy nanao izay ao anatiny ihany koa ve izay nanao ny ivelany?
\v 41 Omeo ny mahantra izay ao anatiny, dia ho madio ho anareo avokoa ny zavatra rehetra.
\s5
\v 42 Fa loza ho anareo ry Fariseo, satria mandoa ny ampahafolon'ny solila sy ny rota ary ny hazo hafa eny an-tsaha ianareo, nefa tsy norarahinareo ny fahamarinana sy ny fitiavan'Andriamanitra. Ilaina ny manao ny marina sy mitia an'Andriamanitra, no sady tsy manadino ny manao ireo zavatra hafa ihany koa.
\s5
\v 43 Loza ho anareo ry Fariseo, fa tianareo ny toerana voalohany eny amin'ny synagoga sy ny fiarahabana feno fanajana anareo eny an tsena.
\v 44 Loza ho anareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy misy famantarana izay hitsahin'ny olona fa tsy fantany izany.
\s5
\v 45 Ny iray tamin'ireo mpampianatra lalàna niteny taminy hoe: "Mpampianatra o, izany lazainao izany dia maniratsira anay koa."
\v 46 Jesosy niteny hoe: "Loza ho anareo, ry mpampiana-dalàna! Fa mampitondra enta-mavesatra tsy zakan'ny olona ianareo, nefa tsy mikasika izany enta-mavesatra izany akory na dia ny ratsan-tananareo iray aza.
\s5
\v 47 Loza ho anareo, satria manorina fasana ho an'ireo mpaminany ianareo, nefa ny razambenareo no namono azy ireo.
\v 48 Koa vavolombelona ary manaiky ny asan'ny razanareo ianareo, fa namono azy ireo tokoa izy ireo ary ianareo no manorina ny fasany.
\s5
\v 49 Noho izany ihany koa, no nanambaran'ny fahendren'Andriamanitra hoe: 'Handefa mpaminany sy apostoly amin'izy ireo Aho, ary izy ireo hamono sy hanenjika ny sasany amin'izy ireo."
\v 50 Ity taranaka ity, izany, no ho tompon'andraikitra amin'ny ràn'ireo mpaminany rehetra nilatsaka hatramin'ny naharian'izao tontolo izao,
\v 51 nanomboka teo amin'ny ràn'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan'ny alitara sy ny fitoerana masina. Eny, lazaiko marina aminareo, fa ity taranaka ity no ho tompon'antoka.
\s5
\v 52 Loza ho anareo ry mpampianatra ny lalàn'ny Jiosy, satria nalainareo ny fanalahidin'ny fahalalana; tsy miditra ao ny tenanareo, ary sakananareo ireo izay miditra."
\s5
\v 53 Taorian'ny nialan'i Jesosy teo, dia nanohitra Azy ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary niady hevitra taminy mahakasika ny zavatra maro,
\v 54 sady niezaka ny hamandrika Azy tamin'ny teniny ihany.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Tamin'izany, rehefa niara-niangona ny vahoaka an'arivony maro, maro loatra hany ka nifanitsa-kitro izy ireo, voalohany indrindra dia nanomboka niteny tamin'ireo mpianany Izy hoe: "Tandremo ny masirasiran'ireo Fariseo, izay fiatsarambelatsihy.
\s5
\v 2 Fa tsy misy takona izay tsy haseho, ary tsy misy miafina izay tsy ho fantatra.
\v 3 Ka na inona na inona nolazainareo tao amin'ny haizina dia ho re ao amin'ny fahazavana, ary izay nolazainareo teo an-tsofina tao anaty efitrano dia hambara eny an-tampon-trano.
\s5
\v 4 Milaza aminareo Aho ry namako, aza matahotra ireo izay mamono ny tena, ary aorian'izany dia tsy misy na inona na inona azony atao intsony.
\v 5 Fa hampitandrina anareo Aho ny amin'izay hatahorana. Matahora ilay Iray izay, izay rehefa avy mamono, dia manana ny fahefana ny hanary anareo any amin'ny helo. Eny, miteny aminareo aho, matahora Azy.
\s5
\v 6 Tsy amidy farantsa kely roa ve ny tsintsina dimy? Kanefa tsy misy iray amin'ireny izay adino eo imason'Andriamanitra.
\v 7 Fa na ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra. Fa manan-danja mihoatra nohon'ny tsintsina maro ianareo.
\s5
\v 8 Hoy Aho aminareo, izay rehetra manaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, ny Zanak'Olona ihany koa dia hanaiky azy eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra,
\v 9 fa izay mandà Ahy eo anatrehan'ny olona dia ho lavina eo anatrehan'ireo anjelin'Andriamanitra.
\v 10 Izay rehetra miteny manohitra ny Zanak'Olona, dia ho avela aminy izany, fa izay rehetra miteny ratsy manohitra ny Fanahy Masina kosa, dia tsy ho voavela izany.
\s5
\v 11 Rehefa mitondra anareo eo anatrehen'ny synagoga, ireo mpanapaka, sy ireo manam-pahefana izy ireo, dia aza manahy ny amin'izay ho fomba fiteninareo ho fiarovan-tenanareo, na izay ho lazainareo,
\v 12 satria ny Fanahy Masina no hampianatra anareo izay tokony ho lazainareo amin'izany ora izany."
\s5
\v 13 Avy eo nisy olona iray avy tao amin'ireo vahoaka niteny taminy hoe: "Ry mpampianatra, teneno ny rahalahiko mba hizara ny lova amiko."
\v 14 Jesosy niteny taminy hoe: "Ralehilahy, iza no nanao Ahy ho mpitsara na mpanelanelana anareo?"
\v 15 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Miambena mba hihazonanareo ny tenanareo lavitra ireo fanirian-dratsy rehetra, satria ny fiainan'olona iray dia tsy miankina amin'ny fitobaky ny fananany."
\s5
\v 16 Avy eo Jesosy nanao fanoharana iray tamin'izy ireo, nanao hoe: "Namokatra be ny sahan'ny lehilahy mpanankarena iray,
\v 17 ary nanontany tena izy, niteny hoe: 'Inona no ho ataoko, fa tsy manana toerana hitahirizana ireo vokatro aho?'
\v 18 Hoy izy hoe: 'Izao no ho ataoko. Hazerako ireo trano fitoeram-bokatro dia hanangana lehibe kokoa aho, ary ao amin'ireo no hanangonako ny voako sy ireo vokatra hafa.
\v 19 Dia hiteny amin'ny fanahiko aho hoe: "Ry fanahy, ianao dia manana vokatra betsaka voatahiry ho amin'ny taona maro. Mitsahara tsara, mihinàna, misotroa, mifalia.'"
\s5
\v 20 Fa Andriamanitra niteny taminy hoe: 'Ralehilahy adala, androany alina ny fanahinao no halaina aminao, ka ireo zavatra izay nomaninao, ho an'iza ireo?'
\v 21 Izany ny olona izay manangona harena ho an'ny tenany ary tsy manan-karena manoloana an'Andriamanitra."
\s5
\v 22 Jesosy niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Noho izany dia lazaiko aminareo, aza manahy ny amin'ny ainareo- izay ho haninareo, na ny momban'ny tenanareo- izay ho tafinareo.
\v 23 Fa ny aina dia mihoatra noho ny sakafo, ary ny tena dia mihoatra noho ireo fitafiana.
\s5
\v 24 Hevero ny goaika, tsy mamafy ireny na mijinja. Tsy manana fitoeram-bokatra ireny na trano fitahirizana, kanefa omen'Andriamanitra hanina ireny. Tahaka ny ahoana ny fihoaranareo lanja mihoatra noho ireo vorona!
\v 25 Iza aminareo no afaka manampy hakiho iray ny andro iainany amin'ny fanahiana?
\v 26 Koa raha izany zavatra kely indrindra izany aza tsy ainareo atao, nahoana ianareo no miahiahy ny amin'ny sisa?
\s5
\v 27 Hevero ireo lilia_ manao ahoana ny faniriny. Tsy miasa izy ireny, na mamoly. Kanefa lazaiko aminareo, na Solomona tamin'ny voninahiny manontolo aza tsy nitafy tahaka ny iray tamin'ireny.
\v 28 Raha tafian'Andriamanitra tahaka izany ireo ahitra eny an-tsaha, izay eo androany, ary ny ampitso dia ariana anaty fatana, toy ny ahoana ny hanafiany anareo mihoatra lavitra noho izany, ianareo ry kely finoana o!
\s5
\v 29 Aza mitady izay ho haninareo sy izay ho sotroinareo, ary aza miahiahy.
\v 30 Fa ireo firenena rehetra eto amin'izao tontolo izao ireo dia mitady ireny zavatra ireny, ary fantatry ny Rainareo fa mila ireny ianareo.
\s5
\v 31 Fa katsaho ny fanjakany, dia homena ho fanampiny ho anareo ireny zavatra ireny.
\v 32 Aza matahotra, ry andian'ondry vitsy, satria ny Rainareo dia tena faly ny hanome anareo ny fanjakana.
\s5
\v 33 Amidio ireo fanananareo ary omeo ny mahantra. Manaova fitoeram-bola ho an'ny tenanareo izay tsy mety ho tonta_ harena any an-danitra izay tsy mety lany, izay tsy misy mpangalatra manakaiky, ary tsy misy kalalao manimba.
\v 34 Fa any amin'izay hitoeran'ny harenareo, dia ho any ihany koa ny fonareo.
\s5
\v 35 Aoka ny akanjo lavanareo ho hasikinareo ny valahanareo, ary aoka ny jironareo hirehitra hatrany,
\v 36 ary manaova tahaka ireo olona izay miandry ireo tompony hiverina avy any amin'ny lanonam-pampakaram-bady, mba rehefa tonga izy ka mandondona, dia ho afaka hanokatra ny varavarana ho azy avy hatrany izy ireo.
\s5
\v 37 Sambatra ireo mpanompo, izay hitan'ny tompony fa niambina rehefa tonga izy. Lazaiko marina aminareo, fa hisikina ny lamba lavany amin'ny valahany izy, ary hampipetraka azy ireo eo an-databatra, ka ho avy izy ary hanompo azy ireo.
\v 38 Raha ho avy amin'ny ora faharoa amin'ny alina ny tompo, na amin'ny ora fahatelo aza, ka mahita azy ireo vonona, dia ho sambatra ireo mpanompo ireo.
\s5
\v 39 Ho fanampin'izany dia fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hatongavan'ny mpangalatra, dia tsy namela ny tranony ho vakiana izy.
\v 40 Mivonòna ihany koa, fa tsy fantatrareo ny ora hiavian'ny Zanak'Olona."
\s5
\v 41 Petera niteny hoe: "Tompo ô, aminay ihany ve no itenenanao izany fanoharana izany, sa amin'ny olon-drehetra ihany koa?"
\v 42 Ny Tompo niteny hoe: "Iza ary no mpitantana mahatoky sy hendry izay ho tendren'ny tompony ho ambonin'ireo mpanompony hafa mba hanome azy ireo ny anjara hanin'izy ireo amin'ny fotoana mety?
\v 43 Sambatra izany mpanompo izany, izay hitan'ny tompony manao izany rehefa tonga izy.
\v 44 Lazaiko marina aminareo fa ho tendreny hanapaka ny fananany rehetra izy.
\s5
\v 45 Fa raha miteny ao am-pony izany mpanompo izany hoe: 'Nahemotry ny tompoko ny fiverenany,' ka manomboka mamono ireo mpanompo lahy sy vavy, ary mihinana sy misotro, ka lasa mamo,
\v 46 ny tompon'izany mpanompo izany dia ho avy amin'ny andro tsy ampoiziny, ary amin'ny ora tsy fantany, ary hanapatapaka azy ka hanomana toerana ho azy miaraka amin'ireo tsy mahatoky.
\s5
\v 47 Izany mpanompo izany, nahafantatra ny sitrapon'ny tompony, kanefa tsy niomana na nanao araka ny sitrapony, dia ho kapohina amin'ny fikapohana maro.
\v 48 Fa izay tsy nahafantatra ary nanao izay mendrika ahazoana kapoka kosa, dia ho kapohina amin'ny fikapohana kely. Fa ireo rehetra izay nomena be, dia ho be kokoa no ho takiana aminy, ary ireo izay nanankinana be, dia ho be lavitra aza no hangatahina aminy.
\s5
\v 49 Tonga Aho hanipy afo eny ambonin'ny tany, ary toy ny ahoana ny faniriako mba hirehetan'izany sahady.
\v 50 Fa manana fanaovam-batisa mba hanaovana batisa aho, ary toy ny ahoana ny fahoriako mandra-pahatanterak'izany!
\s5
\v 51 Mihevitra ve ianareo fa tonga Aho mba hitondra fiadanana eto an-tany? Tsia, milaza aminareo aho, fa fisarahana aza.
\v 52 Manomboka izao dia hisy dimy ao amin'ny trano iray izay hisaratsaraka_ olona telo manohitra ny roa, ary olona roa manohitra ny telo.
\v 53 Hisaratsaraka izy ireo, ny ray hanohitra ny zanaka lahy, ary ny zanaka lahy hanohitra ny ray; ny reny hanohitra ny zanaka vavy ary ny zanaka vavy hanohitra ny reny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinanto vavy, ary ny vinanto vavy hanohitra ny rafozam-bavy."
\s5
\v 54 Niteny tamin'ireo vahoaka koa Jesosy hoe: "Rehefa mahita rahona miforona eny andrefana ianareo, dia hoy avy hatrany ianareo hoe: 'Hisy ranon'orana ho avy,' ary dia mitranga izany.
\v 55 Rehefa misy rivotra mitsoka avy any atsimo, dia hoy ianareo hoe: 'Hisy hafanana be ho avy,' ary mitranga izany.
\v 56 Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo ny mandika ny toetoetry ny tany sy ny lanitra, fa ahoana no tsy ahaizanareo mamantatra izao andro ankehitriny izao?
\s5
\v 57 Nahoana ianareo no tsy mitsara izay marina ho an'ny tenanareo?
\v 58 Fa rehefa mandeha miaraka amin'ny mpifanandrina aminareo eo anatrehan'ny mpitsara ambony ianareo, eny an-dàlana dia miezaha handamina ny olana miaraka aminy mba tsy handehanany handrirotra anareo eo amin'ny mpitsara, ary mba tsy hanoloran'ny mpitsara anareo any amin'ny mpamatotra, ary mba tsy handefasan'ny mpamatotra anareo any am-ponja.
\v 59 Hoy aho aminareo, tsy ho tafavoaka ao mihitsy ianareo mandra-pandoanareo ny vola farany izay madinika indrindra."
\s5
\c 13
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany, nisy olona sasany teo nilaza taminy ny momba ireo Galiliana izay ny ràn'izy ireo no nafangaron'i Pilato tamin'ny sorony manokana.
\v 2 Namaly Jesosy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Ianareo ve mieritreritra fa ireo Galiliana ireo dia mpanota mihoatra noho ireo Galiliana hafa rehetra satria nijaly tahaka izany?
\v 3 Tsia, Izaho miteny anareo. Fa raha tsy mibebaka ianareo, ianareo rehetra dia ho faty tahaka izany.
\s5
\v 4 Na ireny olona valo ambin'ny folo tao Siloama izay nianjeran'ny tilikambo ka nahafaty azy ireo, mieritreritra ve ianareo fa tena mpanota ratsy mihoatra noho ireo lehilahy hafa tao Jerosalema ireny?
\v 5 Tsia, hoy Aho. Fa ianareo raha tsy mibebaka, ianareo rehetra ihany koa dia ho faty."
\s5
\v 6 Jesosy nanao izao fanoharana izao hoe: "Nisy olona nanana hazon'aviavy iray novolena teo amin'ny tanim-boalobony ary tonga izy ary nizaha voankazo teo aminy nefa tsy nahita na inona na inona.
\v 7 Ilay lehilahy dia niteny tamin'ny mpanao zaridaina hoe: 'Indro, tonga teto aho nandritra ny telo taona ary niezaka nitady voa tamin'ity hazo aviavy ity kanefa tsy nahita mihitsy. Kapao io. Nahoana io no avela manimba ny tany?'
\s5
\v 8 Namaly ilay mpanao zaridaina ka niteny hoe: 'Avelao ho eo io aloha amin'ity taona ity mandra-pihadiko manodidina azy sy hanasiako zezika eo aminy.
\v 9 Raha mamoa izy amin'ny taona manaraka, tsara; fa raha tsy izany, dia kapao izy!'"
\s5
\v 10 Ary Jesosy nampianatra tao amin'ny iray tamin'ny Synagoga nandritry ny Sabata.
\v 11 Indro, nisy vehivavy iray izay nanana ny fanahy ratsin'ny fahalemena nandritry ny valo ambin'ny folo taona teo, ary izy dia nivokoka ary tsy nahavita nijoro tsara.
\s5
\v 12 Nony nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka niteny hoe: "Ry vehivavy, afaka amin'ny fahalemenao ianao."
\v 13 Napetrany teo aminy ny tanany, ary niaraka tamin'izay dia nitraka ilay vehivavy ary nihoby an'Andriamanitra.
\v 14 Saingy ny mpanapaky ny Synagoga dia tezitra noho ny fanasitranana nataon'i Jesosy tamin'ny Sabata. Noho izany dia namaly ilay mpanapaka ary niteny tamin'ny vahoaka hoe: "Misy enin'andro izay tokony iasana. Tongava ka sitràna, fa kosa tsy amin'ny andro Sabata."
\s5
\v 15 Ny Tompo namaly azy ka niteny hoe: "Ry mpiatsaravelatsihy! Moa ve tsy samy mamaha ny boriky na ny ombiny ao amin'ny valany ianareo ka mitondra izany hisotro rano amin'ny Sabata?
\v 16 Ary toy izany koa ity zanakavavin'i Abrahama, izay voafatotr'i Satana nandritry ny valo ambin'ny folo taona ity, tsy tokony mba ho vahana ve ny fatorany amin'ny andro Sabata?"
\s5
\v 17 Ary raha nilaza izany zavatra rehetra izany Izy, dia menatra ireo rehetra izay nanohitra Azy, fa ny vahoaka iray manontolo dia faly noho ireo zavatra rehetra malaza nataony.
\s5
\v 18 Ary Jesosy niteny hoe: "Toy ny ahoana ny fanjakan'Andriamanitra, ary toy ny inona no afaka anoharako izany?"
\v 19 Izany dia toy ny voatsinampy izay nalaina sy nafafin'ny lehilahy iray teo an-jaridainany, ka lasa hazo lehibe iray, ary ny voron'ny lanitra dia nanamboatra ny tranony teo amin'ireo rantsany."
\s5
\v 20 Mbola niteny ihany Izy hoe: "Inona no afaka hampitahako ny fanjakan'Andriamanitra?
\v 21 Izany dia toy ny masirasira izay nalain'ny vehivavy iray ka nafangarony tamin'ny koba in-telon'ny famarana mandra-piparitahany ao anatin'ny koba rehetra."
\s5
\v 22 Jesosy dia nandeha nitety ny tanàna sy ny vohitra tsirairay teny an-dàlana mankany Jerosalema ary nampianatra azy ireo.
\v 23 Nisy anankiray niteny taminy hoe: "Tompo, moa ve vitsy ny olona no ho vonjena?" Ary hoy izy tamin'izy ireo hoe:
\v 24 "Miadia ny hiditra ny varavarana tery ianareo, satria, Izaho miteny aminareo, maro no te-hitsofoka, fa tsy ho afaka ny hiditra.
\s5
\v 25 Rehefa injay mitsangana ilay tompon-trano ary manidy ny varavarana, dia hijoro ao ivelany eo ianareo ka handondona ny varavarana ary hiteny hoe: 'Tompo, Tompo, ampidiro izahay.' Izy hamaly ka hiteny aminareo hoe: 'Tsy fantatro ianareo na ny fiavianareo.'
\v 26 Ary hiteny ianareo hoe: 'Nihinana sy nisotro teo anoloanao izahay, ary Ianao efa nampianatra teny an-dalambenay.'
\v 27 Fa Izy dia hamaly hoe: 'Milaza aminareo aho, tsy fantatro izay fiavianareo. Mialà eto amiko, ianareo mpanao ratsy!'
\s5
\v 28 Hisy fitomaniana sy fikitroha-nify rehefa indro ianareo mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba, sy ny mpaminany rehetra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra, saingy voaroaka any ivelany ianareo.
\v 29 Izy ireo dia ho avy avy any atsinanana, andrefana, avaratra, ary atsimo ka hipetraka eo amin'ny latabatry ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 30 Fantaro izao, ireo izay tsy dia manan-danja no ho voalohany, ary ireo izay tena manan-danja no ho farany."
\s5
\v 31 Taoriana kelin'izany, nisy Fariseo sasany tonga ary nilaza taminy hoe: "Mandehana ilaozy ny eto satria Heroda dia te-hamono Anao."
\v 32 Jesosy niteny hoe: "Mandehana ary lazao izany amboahaolo izany hoe: 'Indro, izaho mandroaka demonia sy manao fanasitranana anio sy rahampitso, ary amin'ny andro fahatelo dia ho tratrako ny tanjoko.'
\v 33 Na inona na inona mitranga, zava-dehibe amiko ny manohy anio, rahampitso, sy ny andro manaraka, satria tsy azo ekena ny famonoana ny mpaminany lavitra an'i jerosalema.
\s5
\v 34 "Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato ireo izay nirahina tany aminareo. Impiry aho no naniry ny hanangona ny zanakareo tahaka ny akoho vavy manangona ny zanany ambany elany, kanefa tsy naniry izany ianareo.
\v 35 Indro, nilaozana ny tranonareo. Izaho dia miteny aminareo, tsy ho hitanareo Aho ambara-pitenenanareo hoe: "Sambatra izay avy amin'ny anaran'ny Tompo."'
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ary indray Sabata, rehefa nankao amin'ny tranon'ny iray tamin'ireo mpitarika ny fariseo hihinana mofo Izy dia nanara-maso Azy akaiky izy ireo.
\v 2 Indro, teo anoloany nisy lehilahy iray izay nampijalian'ny edema.
\v 3 Jesosy nanontany ireo manam-pahaizana amin'ny lalàn'ny Jiosy sy ireo Fariseo hoe: "Azo atao ve ny manasitrana amin'ny andro Sabata, sa tsia?"
\s5
\v 4 Fa izy ireo dia nangina. Noho izany dia noraisin'i Jesosy izy, ary nositraniny, dia nalefany handeha.
\v 5 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Iza aminareo izay manan-janaka lahy na omby tafalatsaka anaty fatsakana amin'ny andro Sabata no tsy hisintona azy avy hatrany?"
\v 6 Izy ireo dia tsy nisy nahavita nanome valiny an'ireo zavatra ireo.
\s5
\v 7 Rehefa tsikaritr'i Jesosy ny fomba fisafidianan'ireo izay nasaina ny toeram-boninahitra, nanao fanoharana izy, niteny tamin'izy ireo hoe:
\v 8 "Rehefa asaina amin'ny lanonam-panambadiana ianareo, aza mipetraka eo amin'ny toeram-boninahitra, satria mety nisy olona nasaina mbola manam-boninahitra noho ianareo.
\v 9 Rehefa tonga ilay olona izay nanasa anareo, dia hiteny anareo izy hoe: 'Omeo an'ity olon-kafa ity ny toeranao,' ary am-pahamenarana no andehananareo hamonjy ny toerana ambany indrindra.
\s5
\v 10 Fa rehefa asaina ianareo, mandehana dia mipetraha amin'ny toerana ambany indrindra, amin'izay rehefa mandalo eo ilay nanasa anao, dia mety hiteny anao izy hoe: 'Ry namana, miakara amin'ny ambonimbony.' Ary avy eo dia homem-boninahitra ianareo eo anatrehan'ireo izay rehetra miray latabatra aminareo.
\v 11 Fa ireo izay manandra-tena dia hahetry, ary izy izay manetri-tena dia hasandratra."
\s5
\v 12 Jesosy ihany koa dia niteny tamin'ilay lehilahy nanasa Azy hoe: "Rehefa manome sakafo na fanasana ianao, dia aza manasa ireo namanao na ireo rahalahinao na ireo akaiky anao na ireo mpanakarena manodidina anao, amin'ny mety hanasany anao koa ho takalon'izany, ary dia ho voavaly ianao.
\s5
\v 13 Fa rehefa manao fanasana ianao, asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ary ny jamba,
\v 14 dia ho sambatra ianao, satria tsy afaka hamaly anao izy ireo. Fa ianao dia ho voavaly amin'ny fitsanganan'ny marina."
\s5
\v 15 Rehefa naheno ireo zavatra ireo ny iray tamin'ireo niray latabatra tamin'i Jesosy, dia niteny taminy izy hoe: "Sambatra izay hihinana ny mofo ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!"
\v 16 Fa Jesosy niteny taminy hoe: "Nisy lehilahy iray nikarakara sakafo lehibe ary nanasa olona maro.
\v 17 Rehefa voakarakara ny sakafo, dia naniraka ny mpanompony izy hiteny an'ireo izay nasaina hoe: 'Mandrosoa, fa ny zava-drehetra dia efa vonona.'
\s5
\v 18 Izy rehetra dia nitovy saina ary nanomboka nanao fialan-tsiny. Ilay voalohany niteny taminy hoe: 'Nividy saha aho, ka tokony hivoaka aho ary ijery izany. Miala tsiny aho.'
\v 19 Iray hafa niteny hoe: 'Nividy omby folo aho, ary andeha hamantatra azy ireo. Miala tsiny aho.'
\v 20 Avy eo nisy lehilahy iray hafa niteny hoe: "Vao avy nampiaka-bady aho, ary noho izany dia tsy afaka ny ho avy aho.'
\s5
\v 21 Dia tonga ilay mpanompo ary niteny tamin'ny tompony ireo zavatra ireo. Avy eo ilay tompon-trano tezitra ka niteny tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandehana faingana eny amin'ireo lalambe sy sakeli-dalana eto an-tanàna dia ento aty ny mahantra, ny mandringa, ny jamba, ary ny kilemaina.'
\v 22 Niteny ilay mpanompo hoe: "Tompo, efa vita izay nobaikonao, fa mbola misy toerana ihany.'
\s5
\v 23 Hoy ity tompony tamin'ilay mpanompony hoe: "Mandehana eny amin'ireo lalambe sy sisim-boly ary tereo izy ireo ho avy, amin'izay ho feno ny tranoko.
\v 24 Fa lazaiko aminareo, tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo lehilahy izay nasaina.'"
\s5
\v 25 Ary vahoaka maro no nandeha niaraka taminy, ary nitodika Izy ary niteny azy ireo hoe:
\v 26 "Raha misy aminareo manatona Ahy ary tsy mankahala ny rainy, ny reniny, ny vadiny, ny zanany, ireo rahalahiny sy ireo rahavaviny, ary na ny fiainany aza, dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.
\v 27 Na iza na iza tsy milanja ny hazofijaliany ary manaraka Ahy dia tsy afaka ny ho mpianatro.
\s5
\v 28 Fa iza aminareo, izay maniry ny hanangana tilikambo, no tsy mipetraka aloha ary mikajy ny fandaniana raha manana izay ilaina hamitana azy izy?
\v 29 Raha tsy izany, rehefa nametraka ny fototra izy nefa tsy hahavita izany akory, dia hanomboka handatsa azy ireo rehetra izay mahita izany,
\v 30 manao hoe: 'Io lehilahy io no nanomboka nanangana kanefa tsy nahavita akory.'
\s5
\v 31 Na koa mpanjaka inona, raha handeha hifanehitra amin'ny mpanjaka hafa amin'ny ady, no tsy hipetraka aloha ary haka hevitra raha miaraka amin'ny lehilahy iray alina dia afaka hiady amin'ny mpanjaka hafa izay tonga manohitra azy miaraka amin'ny lehilahy roa alina?
\v 32 Raha tsy izany, raha mbola lavitra ny tafika hafa, dia mandefa antoko izy ary mangataka fepetra ho amin'ny fihavanana.
\v 33 Ka noho izany, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra hananany dia tsy afaka ny ho mpianatro izy.
\s5
\v 34 Tsara ny sira, fa raha very ny tsiron'ilay sira, ahoana no hiverenany hasira indray?
\v 35 Tsy misy ilan'ny tany azy na dia ny zezi-tany aza. Ariana fotsiny izany. Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hiaino."
\s5
\c 15
\p
\v 1 Ary ireo mpamory hetra rehetra sy ny mpanota sasany dia tonga teo amin'i Jesosy mba hihaino Azy.
\v 2 Nifampimonomonona ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna, niteny hoe: "Io lehilahy io dia mandray mpanota, ary miara-mihinana amin'izy ireo mihintsy aza."
\s5
\v 3 Jesosy nanao izao fanoharana izao tamin'izy ireo, niteny hoe:
\v 4 "Iza aminareo, raha manana ondry zato izy ary avy eo very ny iray amin'izy ireny, no tsy handao ny sivy amby sivy folo any an-tany efitra, ary handeha hitady ilay iray very mandra-pahitany azy?
\v 5 Ary rehefa hitany izany, dia apetrany eo an-tsorony ary mifaly izy.
\s5
\v 6 Rehefa tonga ao an-trano izy, dia antsoiny avokoa ireo namany sy ireo mpiara-monina aminy, miteny azy ireo hoe: 'Mifalia miaraka amiko, fa hitako ilay ondriko very.'
\v 7 Toy izany koa, miteny aminareo Aho, fa hisy fifaliana any an-danitra nohon'ny mpanota iray izay mibebaka, mihoatra noho ireo olo-marina sivy amby sivy folo izay tsy mila mibebaka.
\s5
\v 8 Na iza no vehivavy izay manana farantsa kely folo, raha very ny farantsa iray, no tsy andrehitra ny jiro, hamafa ny trano, ary hitady amim-pahazotoana mandra-pahitany izany?
\v 9 Rehefa hitany izany, dia antsoiny avokoa ireo namany sy ireo mpiara-monina aminy, ka hiteny hoe: 'Mifalia miaraka amiko, fa itako ilay farantsa kely iray izay very.'
\v 10 Toy izany koa, Izaho milaza aminareo, misy fifaliana eo anatrehan'ny Anjelin'Andriamanitra amin'ny mpanota iray izay mibebaka."
\s5
\v 11 Avy eo Jesosy niteny hoe: "Nisy lehilahy iray nanan-janaka roa lahy,
\v 12 ary ny faralahy tamin'izy ireo niteny tamin'ny rainy hoe: 'Ray ô, omeo ahy ny anjara harena izay tokony ho ahy.' Koa dia nozarainy tamin'izy ireo ny fananany.
\s5
\v 13 Tsy ela taorian'izay, ilay faralahy nanangona ny anjarany rehetra ka nandeha tamin'ny firenena iray lavitra teo, ary tany izy no nandany fahatany ireo harenany rehetra tamin'ny fiainana maditra.
\v 14 Ary rehefa laniny avokoa ny rehetra, dia nisy mosary lehibe niely tamin'io firenena io, ka nanomboka tao anatin'ny tsy fahampiana izy.
\s5
\v 15 Nandeha izy ary nikarama tamin'iray tamin'ireo mponina tao amin'io firenena io, izay nandefa azy tany amin'ny sahany mba hamahana kisoa.
\v 16 Te hihinana mafy ireo sakafo fihinan'ny kisoa izy, satria tsy nisy olona nanome azy na inona na inona.
\s5
\v 17 Fa rehefa tonga saina ilay faralahy, dia niteny izy hoe: 'Firy amin'ireo manompon'ny raiko no manana hanina mihoatra ny sahaza, ary ity izaho, matin'ny hanohanana!
\v 18 Hilaozako eto ka ho any amin'ny raiko aho, ary izaho hiteny aminy hoe: "Ray ô, efa nanota tamin'ny lanitra aho, sy teo imasonao.
\v 19 Tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao intsony aho; ataovy toy ny iray amin'ireo mpanomponao aho."
\s5
\v 20 Noho izany nandeha ilay faralahy ka nankany amin'ny rainy. Raha mbola lavitra izy, dia hitan'ilay rainy, ary tohina nangoraka, ka nihazakazaka, ary namihina sy nanoroka azy.
\v 21 Ilay zanany lahy niteny hoe: 'Ray ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo imasonao aho. Tsy mendrika ny antsoina hoe zanakao aho.'
\s5
\v 22 Ilay ray niteny tamin'ny mpanompony hoe: 'Ento faingana ireo akanjo tsara indrindra, ka ampiakanjoy azy, ary asio peratra ny tanany, sy kapa ny tongony.
\v 23 Avy eo ento ilay zanak'omby matavy ka vonoy izany. Andao isika hankalaza amin'ny lanonana!
\v 24 Satria ny zanako lahy dia maty, ary ankehitriny velona indray. Very Izy, ary ankehitriny dia hita indray.' Avy eo dia nanomboka nikorana izy ireo.
\s5
\v 25 Ary ilay lahimatoany dia tany an-tsaha. Nony tamy ary nanatona ilay trano izy, dia naheno mozika sy dihy.
\v 26 Niantso ny iray tamin'ireo mpanompo izy ary nanontany azy hoe mety ho inona izany zavatra izany.
\v 27 Ilay mpanompo niteny taminy hoe: 'Nody ato an-trano ny rahalahinao ka novonoin'ny rainareo ilay zanak'omby matavy, satria tonga soa aman-tsara izy.'
\s5
\v 28 Tezitra ilay lahimatoa, ary tsy nety niditra, dia nivoaka ny rainy, ary niangavy azy.
\v 29 Saingy namaly ilay lahimatoa ary niteny tamin'ny rainy hoe: 'Jereo, efa an-taonany maro no nanompoko anao, ary mbola tsy nandika ny lalànao aho, ary ianao tsy mbola nanome na dia zanak'osy nafahako nikorana niaraka tamin'ireo namako aza,
\v 30 kanefa rehefa tonga ny zanakao lahy, izay nandriatra ny fanananao tamin'ny mpivaro-tena, dia novonoinao ho azy ilay zanak'omby nafahy.'
\s5
\v 31 Hoy ilay ray taminy hoe: 'Anaka, ianao dia miaraka amiko foana, ary izay rehetra ahy dia anao.
\v 32 Kanefa rariny ho antsika ny mikorana sy mifaly, satria ity rahalahinao dia maty, ary ankehitriny dia velona indray; very izy, ary ankehitriny dia hita indray.'"
\s5
\c 16
\p
\v 1 Dia hoy koa Jesosy tamin'ireo mpianany hoe: "Nisy lehilahy mpanan-karena iray nanana mpitantana, ary notanterina tany aminy fa io mpitantana io no nandany ny fananany rehetra.
\v 2 Koa nampiantso azy ilay lehilahy mpanan-karena ary niteny taminy hoe: 'Inona izany henoko momba anao izany? Manomeza tatitra momban'ny asa fitantananao, fa ianao tsy ho afaka ny ho mpitandri-pananana intsony.'
\s5
\v 3 Ary ilay mpitandrim-pananana niteny tany an-tsainy hoe: "Inona re no tokony ataoko, fa manala ahy amin'ny asa tantaniko ny tompoko? Tsy manan-kery hiasana tany aho, ary menatra ny hangataka aho.
\v 4 Fantatro ny ho ataoko, mba rehefa esorina amin'ny asa fitantanako aho, dia hampandroso ahy ao an-tranon'izy ireo ny olona.'
\s5
\v 5 Avy eo ilay mpitan-draharaha niantso ny tsirairay tamin'ireo mpitrosan'ny tompony, ary dia nanontany ilay voalohany izy hoe: 'Ohatrinona no ananan'ny tompoko any aminao?'
\v 6 Niteny izy hoe: 'Menaka oliva zato litatra.' Niteny taminy izy hoe: 'Raiso ny taratasinao, mipetraha faingana, ary dimampolo soratana.'
\v 7 Ary avy eo ilay mpitantana niteny tamin'ny anankiray hoe: 'Ohatrinona ny trosanao?' Niteny izy hoe: 'vary zato famarana.' Niteny taminy izy hoe: 'Raiso ny taratasinao, ary soraty hoe valopolo.'
\s5
\v 8 Avy eo ilay tompo dia nidera ilay mpitantana tsy marina satria niasa tamin-kafetsena izy. Fa fetsy kokoa ny zanak'izao tontolo izao ny amin'ny fifanarahana amin'izy samy olona noho ny zanaky ny fahazavana.
\v 9 Miteny aminareo Aho, mitadiava namana amin'ny alalan'ny vola tsy marina, amin'izay rehefa lany izany, dia mety ho raisin'izy ireo ao amin'ny fonenana mandrakizay ianareo.
\s5
\v 10 Izay mahatoky amin'ny kely indrindra dia mahatoky amin'ny be koa, ary izay tsy marina amin'ny kely indrindra dia tsy marina amin'ny be koa.
\v 11 Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasana vola tsy marina ianareo, iza no hatoky anareo amin'ny harena marina?
\v 12 Raha tsy mahatoky amin'ny fampiasana ny volan'ny olona hafa ianareo, iza no hanome vola ho anareo manokana?
\s5
\v 13 Tsy misy mpanompo afaka manompo tompo roa, fa na izy hankahala ny anankiray dia ho tia ny iray, na koa izy hanolo-tena ho an'ny iray dia hanao tsinontsinona ilay hafa. Tsy afaka manompo an'Andriamanitra sy ny harena ianareo."
\s5
\v 14 Ary ny Fariseo, izay tia vola, rehefa nandre izany zavatra rehetra izany, dia nanamavo Azy izy ireo.
\v 15 Niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Ianareo dia manamarina ny tenanareo eo imason'ny olona, fa Andriamanitra mahalala ny fonareo. Fa izay hasandratra eo amin'ny olona dia hankahalaina eo imason'Andriamanitra.
\s5
\v 16 Ny lalàna sy ireo mpaminany dia nisy mandra-piavin'i Jaona. Efa hatramin'izany fotoana izany, no efa nitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Andriamanitra, ary ny tsirairay dia niezaka nanitsy ny lalany ho amin'izany.
\v 17 Fa moramora kokoa ny hahafoana ny lanitra sy ny tany noho ny soratra kely indrindra ao amin'ny lalàna ho tonga tsy manan-kery.
\s5
\v 18 Izay misaraka amin'ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa dia mijangajanga, ary izay mampakatra vehivavy izay efa nisara-bady dia mijangajanga.
\s5
\v 19 Ary nisy mpanan-karena iray izay niankanjo voloparasy sy rongony manify ary nankamamy isan'andro ny harem-beny.
\v 20 Nisy mpangataka iray antsoina hoe Lazarosy nipetraka teo amin'ny vavahadiny, rakotra fery,
\v 21 ary naniry mba hihinana izay latsaka avy eo ambony latabatr'ilay lehilahy mpanan-karena. Fa na ny alika aza tonga sy nilelaka ny feriny.
\s5
\v 22 Ary indro maty ilay mpangataka ka nentin'ireo anjely ho eo anilan'i Abrahama. Maty ihany koa ilay mpanan-karena ka nalevina,
\v 23 ary tao amin'ny fahaverezana, raha nampijaliana, dia nanandratra ny masony izy ary nahita an'i Abrahama teny alavitra sy Lazarosy teo anilany.
\s5
\v 24 Koa nihikiaka mafy izy sy niteny hoe: 'Abrahama Ray, mamindrà fo amiko ary alefaso Lazarosy, mba handrobohany ny tendron'ny rantsan-tanany ao anaty rano ary hampangatsiatsiaka ny lelako, fa ato anatin'ny fangirifiriana mafy anatin'ity afo ity aho.'
\s5
\v 25 Fa Abrahama niteny hoe: 'Anaka, tsarovy fa tamin'ny androm-piainanao dia nahazo zavatra tsara ianao, ary ny an'i Lazarosy kosa zavatra ratsy. Fa ankehitriny izy aty dia voatambitamby, ary ianao ao amin'ny fangirifiriana.
\v 26 Ankoatra izany rehetra izany, dia nisy hantsana lehibe napetraka, mba tsy ho afaka hiampita izay te-hiampita avy ety mankeny aminareo, ary tsy misy afaka hiampita avy eny hankety aminay.'
\s5
\v 27 Ilay lehilahy mpanan-karena niteny hoe: 'Miangavy anao aho, ry Abrahama Ray, mba hanirahanao azy ho any an-tranon-draiko _
\v 28 fa manana rahalahy dimy aho _ mba afahany mampitandrina azy ireo, nohon'ny tahotra ny hatongavan'izy ireo aty amin'ity toeran'ny fijaliana ity ihany koa."
\s5
\v 29 Fa Abrahama niteny hoe: 'Manana an'i Mosesy sy ny mpaminany izy ireo; aoka izy ireo hihaino azy ireo.'
\v 30 Ary namaly ilay lehilahy mpanan-karena hoe: 'Tsia, ry Abrahama Ray, fa raha misy avy amin'ny maty mankany amin'izy ireo, dia hibebaka izy ireo.'
\v 31 Fa Abrahama kosa niteny taminy hoe: 'Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ireo mpaminany izy ireo, dia tsy ho resy lahatra mihitsy na misy olona mitsangana amin'ny maty aza.'"
\s5
\c 17
\p
\v 1 Jesosy niteny tamin'ireo mpianany hoe: "Azo antoka fa hisy zavatra afaka hanosika antsika hanota, fa loza ho an'ny olona izay hiavian'izany!
\v 2 Tsara ho azy kokoa raha asiana vato be eo amin'ny vozony ka atsipy any an-dranomasina, toy izay hahatafintohina ny iray amin'ireo madinika ireo.
\s5
\v 3 Mitandrema ianareo. Raha manota ny rahalahinareo, teneno mafy izy, ary raha mibebaka izy, mamelà azy.
\v 4 Raha manota aminao impito ao anatin'ny iray andro izy, ka impito miverina aminao izy, miteny hoe: 'Mibebaka aho,' dia tsy maintsy mamela azy ianao!"
\s5
\v 5 Ireo apostoly niteny tamin'ny Tompo hoe: "Ampitomboy ny finoanay."
\v 6 Ny Tompo niteny hoe: "Raha manana finoana ohatran'ny voatsinampy ianareo, dia afaka miteny amin'io voroihazo io hoe: 'Miongota, ary maniria any an-dranomasina,' dia hanaiky anareo izy.
\s5
\v 7 Fa iza aminareo, no manana mpanompo miasa tany na miandry ondry, ka hiteny aminy rehefa tonga avy any an-tsaha izy hoe: 'Avia haingana ka mipetraha mba hihinana'?
\v 8 Fa tsy hiteny aminy ve izy hoe: 'Hikarakarao zavatra hohaniko aho, ka asio fehikibo manodidina ny ankanjonao dia manompoa ahy mandrapahalanin'ny haniko sy fisotroako. Dia avy eo ianao mihinana sy misotro'?
\s5
\v 9 Tsy misaotra ilay mpanompo izy satria nanao ireo izay nibaikoana azy izy, sa misaotra ve izy?
\v 10 Na dia ianareo koa aza, rehefa nahavita ireo zavatra rehetra izay nandidiana anareo ianareo, dia tokony hiteny hoe: 'Izahay dia mpanompo tsy mendrika. Izay tokony nataonay ihany no nataonay."'
\s5
\v 11 Ary raha nandeha ho any Jerosalema Izy, dia nandeha teo amin'ny sisin-tany teo anelanelan'i Samaria sy Galilia.
\v 12 Rehefa niditra tao amin'ny tanàna iray izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy tao. Nitsangana lavitra Azy izy ireo
\v 13 ary nanandratra avo ny feon'izy ireo, niteny hoe: "Jesosy, Tompo o, mamindrà fo aminay."
\s5
\v 14 Rehefa nahita azy ireo Izy, dia niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana dia ampisehoy amin'ireo mpisorona ny tenanareo." Raha iny lasa iny izy ireo dia nadio.
\v 15 Rehefa nahita ny iray tamin'izy ireo fa sitrana izy, dia niverina, niaraka tamin'ny feo avo nankalaza an'Andriamanitra.
\v 16 Niankohoka teo an-tongotr'i Jesosy izy, nanolotra fisaorana ho Azy. Izy dia Samaritana.
\s5
\v 17 Ary Jesosy niteny hoe: "Tsy efa voadio ve izy folo? Fa aiza ny sivy?
\v 18 Tsy nisy hafa niverina hanome voninahitra an'Andriamanitra ve, afa-tsy ity vahiny ity?"
\v 19 Ary hoy Izy taminy: "Mitsangàna, ka mandehana. Ny finoanao no nahasitrana anao."
\s5
\v 20 Raha nanontanian'ireo Fariseo hoe rahoviana ny fanjakan'Andriamanitra no ho tonga, dia namaly azy ireo Jesosy ka niteny hoe: "Tsy taza-maso ny fiavian'ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 21 Tsy hiteny koa izy ireo hoe: 'Jereo, Inty ilay izy!' na hoe: 'Iry ilay izy!' Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo."
\s5
\v 22 Hoy izy tamin'ireo mpianatra: "Avy ny andro hanirianareo ny hahita ny iray amin'ny andron'ny Zanak'Olona, fa tsy hahita izany ianareo.
\v 23 Ary izy ireo dia hiteny aminareo hoe: 'Jereo, ery! Jereo, ety!' Fa aza mivoaka na manenjika azy ireo,
\v 24 fa tahaka ny tselatra mamiratra mazava rehefa mitaratra avy any amin'ny ilany ny lanitra ka hatrany any amin'ny ilany iray, dia toy izany ny Zanak'Olona amin'ny androny.
\s5
\v 25 Fa vaolohany dia tsy maintsy hijaly amin'ny zavatra maro Izy ary ho lavin'ity taranaka ity.
\v 26 Tahaka izay nitranga tamin'ny andron'i Noa, no hiseho koa amin'ny andron'ny Zanak'Olona.
\v 27 Nihinana izy ireo, nisotro, nanambady, natolotra ho ampakarina, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambofiara _ ary tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
\s5
\v 28 Tahaka izay nitranga tamin'ny andron'i Lota _ nihinana sady nisotro izy ireo, nividy sy nivarotra, namboly sy nanao trano.
\v 29 Fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia afo sy solifara no nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
\s5
\v 30 Dia ohatran'izany koa ny amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'Olona.
\v 31 Amin'izany andro izany, aza avela hidina haka ireo entany ho eny ivelan'ny trano izay eny amin'ny tampon-trano; ary aza avela hiverina izay any an-tsaha.
\s5
\v 32 Tadidio ny vadin'i Lota.
\v 33 Na iza na iza mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy, fa na iza na iza hahavery ny ainy dia hamonjy azy.
\s5
\v 34 Milaza aminareo Aho, fa amin'izany alina izany dia hisy olona roa eo ambonin'ny fandriana iray. Ny iray dia horaisina, ary ny iray ho avela.
\v 35 Ary hisy roa vavy miara-mitoto vary. Ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela."
\v 36 \f + \ft Fanamarihana: ireo fandikana taloha tsara indrindra dia manala ny andininy faha 36 hoe: "Hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray ho raisina, ary ny anankiray ho avela." \f*
\v 37 Nanontany Azy izy ireo hoe: "Aiza, Tompo?" ary Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Izay hitoeran'ny faty, dia any koa no hisy votoro hiara-miangona."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Avy eo Izy nilaza fanoharana tamin'izy ireo ny momba ny tokony hivavahan'izy ireo mandrakariva, ary tsy ho kivy,
\v 2 niteny hoe: "Tao amin'ny tanàna iray dia nisy mpitsara izay tsy natahotra an'Andriamanitra ary tsy nanaja olona.
\s5
\v 3 Ary nisy mpitondra-tena iray tao amin'io tanàna io, ary izy nankany aminy matetika, niteny hoe: 'Ampio aho mba hahazoako rariny manoloana ny fahavaloko.'
\v 4 Fa efa hatry ny ela izy no tsy vonona ny hanampy azy, fa taoriana kelin'izany dia niteny tamin'ny tenany izy hoe: 'Na dia tsy matahotra an'Andriamanitra aza aho na tsy manaja olona,
\v 5 fa koa satria manahirana ahy ity mpitondra-tena ity, dia hanampy azy aho mba hahazoany rariny, mba tsy handreraka ahy nohon'ny fivezivezeny lava aty intsony izy.'"
\s5
\v 6 Avy eo niteny ny Tompo hoe: "Henoy izay ambaran'ilay mpitsara tsy marina.
\v 7 Ary tsy hitondra rariny ho an'izay voafidiny izay miantso mafy Azy andro aman'alina koa ve Andriamanitra? Hangatak'andro lava amin'izy ireo ve izy?
\v 8 Lazaiko aminareo fa hitondra rariny faingana amin'izy ireo izy. Toy izany koa, rehefa tonga ny Zanak'Olona, hahita finoana ety an-tany tokoa ve Izy?"
\s5
\v 9 Avy eo koa Izy nilaza izao fanoharana izao tamin'ny sasany izay nahatoky ny tenan'izy ireo fa hoe marina sy izay manevateva ireo olona hafa:
\v 10 "Nisy roa lahy niakatra tao an-tempoly mba hivavaka _ ny iray dia Fariseo ary ny iray hafa dia mpamory hetra."
\s5
\v 11 Ilay fariseo nitsangana ary nivavaka ireto zavatra momban'ny tenany ireto hoe: 'Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mitovy amin'ny olona hafa _ mpangalatra, olona tsy marina, mpijangajanga _ na tahaka ity mpamory hetra ity aza.
\v 12 Mifady hanina indroa isan-kerinandro aho. Manome ny ampahafolon'izay azoko rehetra aho.'
\s5
\v 13 Fa ilay mpamory hetra, nijoro teny alavitra, tsy nety nanandratra ny masony teny amin'ny lanitra akory, fa niteha-tratra, niteny hoe: 'Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko, mpanota.'
\v 14 Milaza aminareo Aho, io lehilahy io dia niverina nidina tany an-tranony voamarina noho ilay iray, satria izay rehetra manandra-tena dia hahetry, fa izay rehetra manetri-tena no hasandratra."
\s5
\v 15 Ny olona koa dia nitondra ny zanany kely teo Aminy, mba hikasihany azy ireo, fa rehefa nahita izany ireo mpianatra, dia niteny mafy azy ireo.
\v 16 Fa Jesosy niantso azy ireo hanatona Azy, niteny hoe: "Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna izy ireo. Fa an'ny toa azy ireo ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 17 Lazaiko marina aminareo, na iza na iza tsy handray ny fanjakan'Andriamanitra toy ny zaza dia tsy hiditra ao amin'izany mihintsy."
\s5
\v 18 Ary nisy mpanapaka iray nanontany Azy, nanao hoe: "Mpampianatra tsara ô, inona no tsy maintsy hataoko mba handovako ny fiainana mandrakizay?"
\v 19 Jesosy niteny taminy hoe: "Nahoana Aho no antsoinao hoe tsara? Tsy misy olona tsara, afa-tsy Andriamanitra irery ihany.
\v 20 Fantatrao ireo didy _ Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mijoro vavolombelona mandainga, manajà ny rainao sy ny reninao."
\v 21 Niteny ilay mpanapaka hoe: "Izany rehetra izany dia efa nankatoaviko hatry ny fony izaho tanora."
\s5
\v 22 Rehefa naheno izany Jesosy, dia niteny taminy hoe: "zavatra iray no tsy ampy aminao. Tsy maintsy mivarotra izay rehetra anananao ianao ary mizara izany amin'ny mahantra, ary hanana harena any an-danitra ianao _ ary avia, manaraha Ahy."
\v 23 Fa rehefa naheno ireo zavatra ireo ilay mpanapaka, dia nanjary nalahelo loatra, fa nanan-karena be izy.
\s5
\v 24 Ary Jesosy, nahita azy, nanjary nalahelo mafy \f + \ft Fanamarihana: Ireo manam-pahaizana dia misara-kevitra raha tokony ho ampidirina eto ny teny hoe: [Izy] dia nanjary nalahelo mafy. Ampitahao ny And 23 \f*
ary niteny hoe: "Manao ahoana ny fahasarotan'ny fidirana ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra ho an'ireo izay mpanan-karena!
\v 25 Fa moramora kokoa ho an'ny rameva ny hiditra amin'ny vodim-panjaitra, nohon'ny hidiran'ny olona mpanan-karena iray ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\v 26 Ireo izay naheno izany dia niteny hoe: "Iza ary no afaka ho vonjena?"
\v 27 Jesosy namaly hoe: "ireo zavatra izay tsy hain'olombelona dia hain'Andriamanitra."
\s5
\v 28 Petera niteny hoe: "Indro, nandao ny zavatra rehetra izay anay izahay ary nanaraka Anao."
\v 29 Ary Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Lazaiko marina aminareo, fa tsy misy olona izay nahafohy trano, na vady, na rahalahy, na ray aman-dreny, na zanaka, nohon'ny fanjakan'Andriamanitra,
\v 30 izay tsy hahazo bebe kokoa amin'ity izao tontolo izao ity, ary amin'ny andro ho avy, dia fiainana mandrakizay."
\s5
\v 31 Rehefa avy nanangona ny roa ambin'ny folo lahy teo Aminy Izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, ka ireo zavatra rehetra izay voasoratr'ireo mpaminany momban'ny Zanak'Olona dia ho tanteraka.
\v 32 Fa hatolotra eo amin'ireo Jentilisa Izy, ka hihomehezana, sy halana baraka, ary ho roràna.
\v 33 Aorian'ny hikapohana Azy, dia ho vonoin'izy ireo Izy ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana indray Izy."
\s5
\v 34 Tsy nahatakatra na inona na inona tamin'ireo zavatra ireo izy ireo, ary nafenina tamin'izy ireo izany teny izany, ary tsy azon'izy ireo ny zavatra izay voalaza.
\s5
\v 35 Ary raha nanakaiky an'i Jeriko i Jesosy, dia nisy lehilahy jamba iray nipetraka teo an-tsisin-dalana nangataka,
\v 36 ary raha nandre ny vahoaka nandalo, dia nanontany izay zavatra nitranga izy.
\v 37 Nilaza taminy izy ireo hoe nandalo teo Jesosy avy any Nazareta.
\s5
\v 38 Koa niantso mafy ilay lehilahy jamba, nanao hoe: "Jesosy, Zanak'i Davida, mamindrà fo amiko."
\v 39 Fa ireo izay nandeha nialoha dia niteny mafy an'ilay lehilahy jamba, ka niteny taminy mba hangina. Fa izy vao maika niantsoantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida, mamindrà fo amiko."
\s5
\v 40 Jesosy nijanona ary nandidy ny mba hitondrana ilay lehilahy ho eo aminy. Ary rehefa teo akaiky ilay lehilahy jamba, dia nanontany azy Jesosy hoe:
\v 41 "Inona no tianao hataoko ho anao?" Niteny izy hoe: "Tompo, te-hahiratra aho."
\s5
\v 42 Jesosy niteny taminy hoe: "Mahiràta. Ny finoanao no nahasitrana anao."
\v 43 Teo noho eo dia nahiratra izy ary nanaraka Azy, nanome voninahitra an' Andriamanitra. Ny olona rehetra, rehefa nahita izany, dia nanolotra fiderana ho an'Andriamanitra.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Niditra Jesosy ary nandalo an'i Jeriko.
\v 2 Indro, nisy lehilahy izay nantsoina hoe Zakaiosy teo. Izy dia lehiben'ny mpamory hetra sady nanan-karena.
\s5
\v 3 Niezaka ny hahita izy hoe iza Jesosy, kanefa tsy afaka nahita tao anaty vahoaka, satria fohy izy.
\v 4 Koa nihazakazaka nialoha ireo olona izy ary nihanika hazon'aviavy anankiray mba hahita Azy, satria handalo amin'izany lalana izany Jesosy.
\s5
\v 5 Nony tonga teo amin'ilay toerana Jesosy, dia niandrandra Izy ka niteny taminy hoe: "Ry Zakaiosy, midina faingana, fa anio dia tsy maintsy hijanona ao an-tranonao Aho."
\v 6 Dia nidina faingana izy ary nandray Azy tamim-pifaliana.
\v 7 Rehefa nahita izany ny rehetra, dia nitaraina avokoa, niteny hoe: "Niditra hamangy lehilahy izay mpanota Izy"
\s5
\v 8 Nitsangana Zakaiosy ka niteny tamin'ny Tompo hoe: "Jereo, ry Tompo, ny atsasaky ny fananako dia omeko ho an'ny mahantra, ary raha toa ka nisy zavatra nanambakako olona, dia honerako avo efatra heny."
\v 9 Jesosy niteny taminy hoe: "Androany ny famonjena no tonga ato amin'ity tokantrano ity, satria izy koa dia zanak'i Abrahama.
\v 10 Fa ny Zanak'Olona dia tonga mba hitady sy hamonjy ireo olona izay very."
\s5
\v 11 Raha nandre izany zavatra izany izy ireo, dia nanohy niteny Izy ary nanao fanoharana anankiray, satria teo akaikin'i Jerosalema Izy, ary izy ireo nieritreritra fa hiseho teo noho eo ny fanjakan'Andriamanitra.
\v 12 Noho izany Izy dia niteny hoe: "Nisy tandapa iray nandeha tany an-tany lavitra mba hahazo fanjakana ho an'ny tenany ary hiverina avy eo.
\s5
\v 13 Niantso folo lahy tamin'ireo mpanompony izy, ary nanome farantsa folo azy ireo, ary niteny tamin'izy ireo hoe: 'Manaova raharaham-barotra mandra-piveriko."
\v 14 Kanefa ireo vahoakany nankahala azy ary nandefa solontena nanaraka azy, niteny hoe: 'Tsy ilainay ny hanjakan'io lehilahy io eto aminay.'
\v 15 Ary rehefa niverina indray izy, avy nandray ny fanjakana, dia nandidy ireo mpanompony izay nomeny vola mba ho eo aminy izy, mba hahafatarany izay tombony azon'izy ireo tamin'ny fanaovana raharaham-barotra.
\s5
\v 16 Tonga teo anoloany ny voalohany, niteny hoe: 'Tompo, ny farantsanao dia nahazo tombony farantsa folo mihoatra.'
\v 17 Niteny azy ilay tandapa hoe: 'Tsara izany, ry mpanompo tsara. Noho ianao nahatoky tamin'ny kely dia kely, dia hanam-pahefana amin'ny tanàna folo ianao.'
\s5
\v 18 Tonga ilay faharoa, niteny hoe: 'Ny farantsanao, tompo, dia nahavita farantsa dimy.'
\v 19 Ary niteny taminy ilay tandapa hoe: 'Hiandraikitra tanàna dimy ianao.'
\s5
\v 20 Tonga ny iray hafa, niteny hoe: 'Tompo, indro ny farantsanao, izay notehiriziko tsara tao anaty lamba,
\v 21 fa natahotra anao aho, satria lehilahy masiaka ianao. Ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.'
\s5
\v 22 Niteny taminy ilay tandapa hoe: 'Amin'ny teninao manokana no hitsarako anao, ianao ry mpanompo ratsy fanahy. Fantatrao fa izaho dia lehilahy masiaka, maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko.
\v 23 Koa nahoana no tsy napetrakao tany amin'ny mpitahiry vola ny volako, ka rehefa niverina aho dia ho nandray izany niaraka tamin'ny zanany?'
\s5
\v 24 Ilay tandapa niteny tamin'ireo izay nijoro teo akaiky teo hoe: 'Esory aminy ny farantsa, ary omeo an'ilay manana ny farantsa folo.'
\v 25 Ary hoy izy ireo taminy hoe: "Tompo, manana farantsa folo izy.'
\s5
\v 26 'Izaho miteny aminareo, fa izay rehetra manana dia homena mihoatra, fa izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia ho alaina.
\v 27 Fa ireo fahavaloko, ireo izay tsy naniry ahy hanjaka eo amin' izy ireo, ento aty izy ireo ary vonoy eto anoloako.'"
\s5
\v 28 Rehefa avy nilaza an'ireo zavatra ireo izy, dia nandeha nialoha, niakatra ho any Jerosalema.
\s5
\v 29 Ary nony tonga teo akaikin'i Betifaga sy Betania Izy, teo amin'ny tendrombohitra antsoina hoe Oliva, dia naniraka ny roa tamin'ireo mpianany Izy,
\v 30 niteny hoe: "Mandehana any amin'ny tanàna manaraka. Rehefa miditra ianareo, dia hahita zana-boriky iray mbola tsy notaingenan'olona mihitsy. Vahao izany dia ento aty amiko.
\v 31 Raha misy manontany anareo hoe: 'Nahoana no vahanareo io?' dia lazao hoe: 'Misy ilàn'ny Tompo azy.'
\s5
\v 32 Ireo izay nirahina dia nandeha ary nahita ilay zana-boriky araka ny nolazain'i Jesosy tamin'izy ireo.
\v 33 Raha teo am-pamahana ny zana-boriky izy ireo, dia hoy ireo tompony tamin'izy ireo hoe: "Nahoana no vahanareo ny zana-boriky?"
\v 34 Niteny izy ireo hoe: "Misy ilàn'ny Tompo azy."
\v 35 Noentin'izy ireo tany amin'i Jesosy izany, ary napetrak'izy ireo teo ambonin'ny zana-boriky ny lambany ary nametraka an'i Jesosy teo amboniny.
\v 36 Raha nandeha iny Izy, dia novelarin'izy ireo teo amin'ny lalana ny lamban'izy ireo.
\s5
\v 37 Ary rehefa nanakaiky an'ilay toerana fidinana amin'ny Tendrombohitr'Oliva Izy, dia nanomboka nifaly ireo mpianany maro be ary nidera an'Andriamanitra tamin'ny feo mafy nohon'ny asa lehibe rehetra izay hitan'izy ireo,
\v 38 niteny hoe: "Deraina anie ny mpanjaka izay avy amin'ny anaran'ny Tompo! Fiadanana any an-danitra ary voninahitra any amin'ny avo indrindra!"
\s5
\v 39 Ny Fariseo sasany teo amin'ny vahoaka dia nilaza taminy hoe: "Mpampianatra ô, teneno mafy ireo mpianatrao."
\v 40 Namaly Jesosy ary niteny hoe: "Lazaiko aminareo, fa raha mangina ireo, dia hikiaka ny vato."
\s5
\v 41 Rehefa nanatona ny tanàna Jesosy, dia nitomany azy,
\v 42 niteny hoe: "Raha mba fantatrao mantsy amin'izao andro izao, eny ianao, ireo zavatra izay mitondra fiadanana ho anao! Nefa ankehitriny ireny dia miafina amin'ny masonao.
\s5
\v 43 Fa ho avy aminao ireo andro, izay hananganan'ny fahavalonao manda manodidina anao, ary hanodidina anao, ary hanery anao amin'ny lafiny rehetra.
\v 44 Izy ireo dia hampianjera anao amin'ny tany miaraka amin'ny zanakao. Tsy hamela na dia vato iray mifanaingina aza izy ireo, satria ianao tsy nahafantra izany fony Andriamanitra niezaka ny hamonjy anao."
\s5
\v 45 Niditra tao an-tempoly Jesosy ary nanomboka nandroaka ireo izay nivarotra,
\v 46 niteny tamin'izy ireo hoe: "Efa voasoratra hoe: 'Ny tranoko dia natao trano fivavahana,' fa ianareo kosa nanao izany ho zohy fieren'ireo jiolahy."
\s5
\v 47 Koa dia nampianatra isan'andro tao an-tempoly Jesosy. Ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ary ireo mpitarika ny vahoaka dia nitady hamono azy,
\v 48 fa tsy nahita fomba hanaovana izany izy ireo, satria nazoto nihaino Azy avokoa ny vahoaka rehetra.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary indray andro, raha nampianatra ny vahoaka tao amin'ny tempoly Jesosy ary nitory ny filazantsara, dia nanatona Azy ireo lohan'ny mpisorona sy mpanora-dalàna niaraka tamin'ireo loholona.
\v 2 Niteny izy ireo, nanao taminy hoe: "Lazao anay hoe amin'ny fahefana inona no hanaovanao ireo zavatra ireo? Na koa iza no nanome anao izao fahefana izao?"
\s5
\v 3 Namaly Izy ary niteny azy ireo hoe: "Izaho koa dia hametraka fanontaniana aminareo. Teneno Ahy ny mahakasika
\v 4 ny batisan'i Jaona. Moa ve izany avy any an-danitra sa avy amin'ny olombelona?"
\s5
\v 5 Niady hevitra izy ireo, niteny hoe: "Raha hamaly isika hoe: 'Avy any an-danitra' dia hiteny Izy hoe: 'Koa nahaona ianareo no tsy nino Azy?'
\v 6 Fa raha miteny isika hoe: 'Avy amin'ny olombelona,' dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria izy ireo dia resy lahatra fa Jaona dia mpaminany."
\s5
\v 7 Noho izany dia namaly izy ireo fa tsy fantatr'izy ireo izay niaviny.
\v 8 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Izaho koa tsy hilaza aminareo izay fahefana hanaovako izao zavatra rehetra izao."
\s5
\v 9 Noteneniny tamin'ny vahoaka izao fanoharana izao: "Nisy lehilahy iray nanao tanim-boaloboka, nampanofa izany tamin'ny mpamboly voaloboka, ary nandeha tany amin'ny firenena hafa nandritra ny fotoana maharitra.
\v 10 Tamin'ny ora voatondro dia nandefa mpanompo izy ho any amin'ireo mpamboly voaloboka, fa tokony hanome azy ny voankazon'ilay tanim-boaloboka izy ireo. Nokapohin'ireo mpamboly anefa izy, ary nalefany niverina tanam-polo.
\s5
\v 11 Avy eo dia nandefa mpanompo hafa indray izy ary dia nokapohin'izy ireo ihany koa, nalainy baraka, ary nalefan'izy ireo tanam-polo.
\v 12 Mbola nandefa fanintelony izy ary noratrain'izy ireo koa izy, ary noroahiny.
\s5
\v 13 Noho izany dia niteny ny tompon'ilay tanim-boaloboka hoe: 'Inona no ho ataoko? Halefako any ny zanaka lahy malalako. Mety mba ho hajain'izy ireo izy."
\v 14 Fa rehefa tazan'ireo mpamboly voaloboka izy, dia nifampiresaka izy ireo, niteny hoe: 'Io ilay mpandova. Ndeha ho vonointsika izy, mba ho lasantsika ny lova.'
\s5
\v 15 Noroahin'izy ireo niala ny tanim-boaloboka izy ary novonoin'izy ireo. Inona ary no ho ataon'ny tompon'ilay tanim-boaloboka amin'izy ireo?
\v 16 Ho avy izy ary hamotika ireo mpamboly voaloboka, ary hanome ilay tanim-boaloboka ho an'ny hafa." Rehefa naheno izany izy ireo, dia niteny hoe: "Sanatria amin'Andriamanitra!"
\s5
\v 17 Fa nijery azy ireo Jesosy, niteny hoe: "Inona no hevitr'ilay voasoratra hoe: 'Ny vato izay nolavin'ireo mpanorin-trano no tonga vato fehizoro'?
\v 18 Ny tsirairay izay mianjera eo amin'io vato io dia ho torotoro. Fa na iza na iza hianjerany, dia ho potika."
\s5
\v 19 Koa nitady hisambotra Azy tamin'io ora io ireo mpanora-dalàna sy ireo mpisorona, fa fantatr'izy ireo fa nolazainy io fanoharana io hanohitra azy ireo. Kanefa natahotra ny vahoaka izy ireo.
\v 20 Teo am-pandinihina Azy tsara, dia nandefa mpitsikilo mody ho marina izy ireo, mba afahan'izy ireo mahita tsiny amin'ny teneniny, ka hanolotra Azy eo amin'ny fanapahana sy ny fahefan'ny governora.
\s5
\v 21 Nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: "Mpampianatra ô, fantatray Ianao fa miteny sy mampianatra am-pahamarinana, ary tsy voasariky ny hevitr'iza na iza, fa ianao dia mampianatra ny fahamarinana momban'ny lalan'Andriamanitra.
\v 22 Ara-dalàna ho anay ve ny mandoa hetra amin'i Kaisara, sa tsia?"
\s5
\v 23 Fa Jesosy dia nahatakatra ny hafetsen'izy ireo, ary niteny tamin'izy ireo hoe:
\v 24 "Mampisehoa denaria iray Amiko. An'iza io sary sy anarana eo aminy io?" Niteny izy ireo hoe: "An'i Kaisara."
\s5
\v 25 Hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Noho izany omeo an'i Kaisara ny zavatra izay an'i Kaisara, ary an'Andriamanitra, ireo zavatra izay an'Andriamanitra."
\v 26 Tsy nahita tsiny tamin'izay nolazainy teo anatrehan'ny vahoaka izy ireo, fa dia nitolagaga tamin'ny valin-teniny ka nangina.
\s5
\v 27 Rehefa tonga teo aminy ny sasany tamin'ireo Sadoseo, ireo izay niteny fa tsy misy ny fitsanganana amin'ny maty,
\v 28 nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: "Mpampianatra ô, Mosesy dia nanoratra ho antsika fa raha maty ny rahalahin'ny lehilahy iray, manam-bady, ary tsy manan-janaka, dia tokony haka vady an'ilay vadin-drahalahiny ilay lehilahy, ary hanome zanaka ho an'ny rahalahiny.
\s5
\v 29 Nisy mpirahalahy fito ary ny voalohany nanam-bady, ary maty tsy nanan-janaka,
\v 30 ary ny faharoa koa torak'izay.
\v 31 Nampakatra azy ny fahatelo, ary toy izany avokoa izy fito samy tsy nanan-janaka, ary maty.
\v 32 Taorian'izay dia maty koa ilay vehivavy.
\v 33 Amin'ny fitsanganana amin'ny maty, ho vadin'iza ary izy? Fa samy efa nanambady azy izy fito."
\s5
\v 34 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ireo zanak'izao tontolo izao dia mampaka-bady sy ampakarina.
\v 35 Fa ireo izay hita amin'izao andro izao fa mendrika ny handray ny fitsanganana amin'ny maty dia tsy hampaka-bady na hampakarina.
\v 36 Tsy ho faty intsony izy ireo, satria mitovy amin'ireo anjely sy ireo zanak'Andriamanitra, izay zanaky ny fitsanganana amin'ny maty.
\s5
\v 37 Fa ny maty dia natsangana, na Mosesy aza dia nampiseho, teo amin'ilay toerana izay nisy ny voaroy, izay niantsoany ny Tompo ho Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba.
\v 38 Ary Izy dia tsy Andriamanitry ny maty, fa ny velona, satria ny rehetra dia velona ao aminy."
\s5
\v 39 Ny sasany tamin'ireo mpanora-dalàna namaly hoe: "Mpampianatra ô, namaly tsara Ianao."
\v 40 Satria tsy sahy nametraka fanontaniana hafa taminy intsony izy ireo.
\s5
\v 41 Jesosy niteny azy ireo hoe: "Ahoana no ilazan'izy ireo fa Kristy dia zanaka lahin'i Davida?
\v 42 Fa Davida tenany no niteny tao amin'ny bokin'i Salamo hoe: Ny Tompo niteny tamin'ny Tompoko hoe: 'Mipetraha eo an-tanana ankavanako,
\v 43 mandra-panaovako ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.'
\v 44 Noho izany Davida dia niantso an'i Kristy hoe: 'Tompo', koa ahoana no maha zanak'i Davida Azy?"
\s5
\v 45 Teo anatrehan'ny olona rehetra dia niteny tamin'ireo mpianany Izy hoe:
\v 46 "Mitandrema amin'ny mpanora-dalàna, izay maniry handeha miaraka amin'ny akanjo lava, sy tia fiarahabana manokana eny an-tsena, sy seza voalohany ao anaty synagoga, ary toerana voalohany any amin'ny fanasana.
\v 47 Izy ireo koa dia mandany ny tranon'ireo mpitondra-tena, ary manao vavaka lavareny ho fisehosehoana. Ny lehilahy tahaka izany dia hahazo fanamelohana lehibe kokoa."
\s5
\c 21
\p
\v 1 Jesosy nanopy maso ka nahita ireo lehilahy manan-karena izay nandrotsaka ny fanatitr'izy ireo tao amin'ny fandatsahan-drakitra.
\v 2 Nahita mpitondra-tena mahantra iray nandrotsaka farantsa roa tao Izy.
\v 3 Ka hoy Izy hoe: "Lazaiko marina aminareo, ity mpitondra-tena mahantra ity dia nandrotsaka betsaka noho izy rehetra.
\v 4 Ireo rehetra ireo dia nanome fanatitra araky ny haben'ny hareny. Fa ity mpitondra-tena ity, tamin'ny fahantrany, dia nandrotsaka ny fivelomany rehetra."
\s5
\v 5 Raha nisy maro niresaka momba ny tempoly, fa voaravaka vato tsara tarehy sy fanatitra izany, dia hoy Izy hoe:
\v 6 "Fa ny amin'ireo zavatra hitanareo ireo, mbola ho avy ny andro izay tsy hisy na vato iray aza hijanona amin'ny hafa ka tsy ho ravaina."
\s5
\v 7 Koa nanontany Azy izy ireo, nanao hoe: "Ry mpampianatra, rahoviana ireo zavatra ireo no hitranga? Inona no famantarana rehefa hitranga ireo zavatra ireo?"
\v 8 Jesosy namaly hoe: "Mitandrema mba tsy ho voafitaka ianareo. Fa maro no ho avy amin'ny anarako, hanao hoe: 'Izaho no izy,' ary, 'Efa akaiky ny fotoana.' Aza manaraka azy ireo.
\v 9 Rehefa mandre ady sy fikomiana ianareo, dia aza mihorohoro, fa ireo zavatra ireo dia tsy maintsy hitranga aloha, fa ny farany dia tsy hitranga eo noho eo."
\s5
\v 10 Ary hoy Izy tamin'izy ireo hoe: "Ny firenena dia hitsangana hanohitra firenena, ary fanjakana hanohitra fanjakana.
\v 11 Hisy horohoron-tany lehibe, ary mosary sy areti-mandringana any amin'ny toerana samihafa. Hisy tranga mampatahotra ary famantarana lehibe avy any an-danitra.
\s5
\v 12 Fa mialohan'ireo zavatra rehetra ireo, dia hisambotra anareo izy ireo ary hanenjika anareo, hanolotra anareo ao amin'ny synagoga sy ny figadrana, hitondra anareo eo anoloan'ireo mpanjaka sy ireo mpanapaka nohon'ny anarako.
\v 13 Izany dia hanome fahafahana ho amin'ny fijoroanareo vavolombelona.
\s5
\v 14 Noho izany dia manapaha hevitra ao am-ponareo mba tsy hanomana ny fiarovanareo mialohan'ny fotoana,
\v 15 fa Izaho hanome teny sy fahendrena anareo, izay tsy afaka toherina sy lavin'ireo mpanohitra anareo.
\s5
\v 16 Fa ianareo koa dia ho atolotry ny ray aman-dreny, ireo rahalahy, ireo havana sy ireo namana, ary izy ireo dia hamono ho faty ny sasany aminareo.
\v 17 Ho halan'ny tsirairay noho ny anarako Ianareo.
\v 18 Fa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray eo amin'ny lohanareo aza.
\v 19 Amin'ny faharetanareo no hamonjenareo ny fanahinareo.
\s5
\v 20 Rehefa hitanareo voadidina miaramila Jerosalema, dia fantaro fa efa akaiky ny faharavany.
\v 21 Dia aoka ireo izay any Jodia handositra any an-tendrombohitra, ary aoka ireo izay any afovoan'ny tanàna hiala, ary aza avela hiditra ao ireo izay any ambanivohitra.
\v 22 Fa ireo no andron'ny valifaty, mba ho tanteraka ireo zavatra rehetra efa voasoratra.
\s5
\v 23 Loza ho an'ireo izay mitondra vohoka sy ho an'ireo mampinono amin'izany andro izany! Fa hisy fahoriana lehibe eo amin'ny tany, ary hatezerana amin'io vahoaka io.
\v 24 Ho lavon'ny sabatra izy ireo ary ho entina ho babo any amin'ny firenena rehetra, ary Jerosalema dia ho voahosihosin'ireo Jentilisa, mandrapa-tanteraky ny andron'ny Jentilisa.
\s5
\v 25 Hisy famantarana eny amin'ny masoandro, eny amin'ny volana, sy eny amin'ny kintana, ary eto an-tany. Ho tra-pahoriana ireo firenena, hitaintaina nohon'ny eron-dranomasina sy ireo onja.
\v 26 Hisy lehilahy ho toran'ny tahotra sy ny fiandrasana ireo zavatra izay ho avy eto an-tany. Fa ho voahozongozona ny herin'ny lanitra.
\s5
\v 27 Avy eo dia ho hitan'izy ireo ny Zanak'Olona tonga eny amin'ny rahona miaraka amin'ny hery sy voninahitra lehibe.
\v 28 Fa rehefa manomboka mitranga ireo zavatra ireo, dia mitsangàna ary hasandrato ny lohanareo, satria efa akaiky ny fanafahana anareo."
\s5
\v 29 Nanao fanoharana tamin'izy ireo Jesosy hoe: "Jereo ny hazon'aviavy, sy ireo hazo rehetra.
\v 30 Rehefa manaroka ireo, dia ho hitanareo manokana fa efa akaiky ny lohataona.
\v 31 Toy izany ihany koa, rehefa hitanareo mitranga ireo zavatra ireo, dia fantatrareo fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra.
\s5
\v 32 Lazaiko aminareo, marina tokoa, ity taranaka ity dia tsy ho faty mandra-pisehon'ireo zavatra ireo.
\v 33 Ny lanitra sy ny tany dia ho levona, fa ireo teniko dia tsy ho levona mandrakizay.
\s5
\v 34 Fa mitandrema amin'ny tenanareo, mba tsy ho vesaran'ny vokatry ny fisotroana sy ny fahamamoana ny fonareo, sy ireo ahiahin'ny fiainana, ka avy eo dia hikatona tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.
\v 35 Fa izany dia ho tonga amin'ny tsirairay izay miaina maneran-tany.
\s5
\v 36 Fa mba mailo amin'ny fotoana rehetra, mivavaha mba ho ampy hery ianareo handosirana ireo zavatra rehetra izay hiseho, ary hitsanganana eo anoloan'ny Zanak'Olona."
\s5
\v 37 Koa nandritry andro dia nampianatra tao amin'ny tempoly Izy, ary ny alina dia nandeha nivoaka Izy ary nijanona teo an-tendrombohitr'Oliva.
\v 38 Ireo vahoaka rehetra dia tonga vao mangiran-dratsy mba hihaino Azy tao amin'ny tempoly.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Ary efa antomotra ny Firavoravoana amin'ny Mofo tsy misy masirasira, izay antsoina hoe Paska.
\v 2 Niady hevitra ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna ny amin'ny fomba afahan'izy ireo mamono an'i Jesosy, satria natahotra ny olona izy ireo.
\s5
\v 3 Avy eo Satana niditra tamin'i Jodasy Iskariota, izay iray tamin'ireo roa ambin'ny folo.
\v 4 Jodasy nandeha nankany amin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo kapiteny ary niady hevitra tamin'izy ireo ny amin'ny fomba hamadihany an'i Jesosy eo amin'izy ireo.
\s5
\v 5 Faly izy ireo, ary nanaiky ny hanome vola azy.
\v 6 Nanaiky izy, ary nitady kendry tohana mba hanolorany Azy eo amin'izy ireo lavitry ny vahoaka.
\s5
\v 7 Tonga ny andron'ny mofo tsy misy masirasira, izay tsy maintsy hanaovana sorona ny zanak'ondrin'ny Paska.
\v 8 Jesosy naniraka an'i Petera sy Jaona, nanao hoe: "Mandehana ary homano ho antsika ny sakafon'ny Paska, mba afahantsika mihinana izany."
\v 9 Izy ireo nanontany Azy hoe: "Aiza no tianao hanaovanay ny fanomanana?"
\s5
\v 10 Namaly azy ireo Izy hoe: "Henoy, rehefa miditra ny tanàna ianareo, dia hisy lehilahy iray mitondra sinin-drano hifanena aminareo. Manaraha azy any amin'izay trano idirany.
\v 11 Dia teneno ny tompon-trano hoe: 'Ny Mpampianatra milaza aminao hoe: "Aiza ny efi-trano fandraisam-bahiny, izay hihinanako ny sakafon'ny Paska miaraka amin'ireo mpianatro?"'
\s5
\v 12 Izy hampiseho anareo efitrano ambony rihana lehibe misy fanaka. Ataovy ao ny fanomanana."
\v 13 Koa dia nandeha izy ireo, ary nahita ny zavatra rehetra araka izay nolazainy tamin'izy ireo. Ary nanomana ny sakafon'ny Paska izy ireo.
\s5
\v 14 Rehefa tonga ny fotoana, dia nipetraka niaraka tamin'ireo apostoly Izy.
\v 15 Dia niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Naniry mafy ny hihinana ity Paska ity miaraka aminareo Aho mialohan'ny hijaliako.
\v 16 Fa lazaiko aminareo, tsy hihinana ity intsony Aho, mandra-pahatanterak'izany any amin'ny fanjakan' Andriamanitra."
\s5
\v 17 Dia nandray kapoaka Jesosy, ary rehefa nisaotra Izy, dia nanao hoe: "Raiso ity, ary zarao aminareo.
\v 18 Fa lazaiko aminareo, tsy hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho, mandra-pahatongan'ny fanjakan'Andriamanitra."
\s5
\v 19 Dia nandray ny mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia notapahiny izany, ary nomeny azy ireo, dia niteny hoe: "Ity ny vatako izay omena ho anareo. Ataovy izao ho fahatsiarovana Ahy."
\v 20 Noraisiny tahaka izany koa ny kapoaka rehefa vita ny sakafo, dia hoy izy hoe: "Ity kapoaka ity dia ilay fanekena vaovao amin'ny ràko, izay narotsaka ho anareo.
\s5
\v 21 Fa mitandrema. Ilay iray izay hamadika Ahy dia miaraka Amiko eto an-databatra.
\v 22 Fa ny Zanak'Olona dia mandeha tokoa araka izay voatendry. Fa loza ho an'izany lehilahy izay hamadika Azy izany!"
\v 23 Nanomboka nifapanontany izy ireo ny amin'ny iray amin'izy ireo izay mety hanao izany.
\s5
\v 24 Dia nisy fifandirana nitranga koa teo amin'izy ireo momba izay heverina ho lehibe indrindra amin'izy ireo.
\v 25 Niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Ireo mpanjakan'ny Jentilisa dia tompon'izy ireo, ary ireo izay manana fahefana amin'izy ireo dia atao ho toy ireo izay manao tsara ho an'ny vahoakany.
\s5
\v 26 Fa tsy toy izany mihintsy ny aminareo. Mifanohitra amin'izany, aoka izay lehibe indrindra aminareo ho lasa toy ny kely indrindra, ary aoka izay manan-danja indrindra ho tonga tahaka izay manompo.
\v 27 Fa iza no lehibe kokoa, izay mipetraka amin'ny latabatra, sa izay manompo? Tsy izay mipetraka eo amin'ny latabatra ve? Kanefa Izaho eto aminareo toy ny iray izay manompo.
\s5
\v 28 Fa ianareo no olona izay nanohy niaraka tamiko tao amin'ny fakam-panahy nianjady tamiko.
\v 29 Omeko fanjakana ianareo, tahaka ny Raiko koa izay nanome fanjakana ho Ahy,
\v 30 mba ho afaka hihinana sy hisotro eo an-databatro any amin'ny fanjakako ianareo, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana hitsara ny fokon'ny Israely roa ambin'ny folo ianareo.
\s5
\v 31 Simona, Simona, mitandrema, mitady ny hahazo anareo Satana, mba afahany manivana anareo toy ny vary.
\v 32 Fa nivavaka ho anao Aho, mba tsy ho faty ny finoanao. Aorian'ny hiverenanao indray, dia ampaherezo ireo rahalahinao."
\s5
\v 33 Petera niteny taminy hoe: "Tompo, vonona hiaraka Aminao aho na any am-ponja na ho any amin'ny fahafatesana."
\v 34 Jesosy namaly hoe: "Lazaiko aminao, ry Petera, tsy haneno ny akoho amin'izay andro izay, mialohan'ny handavanao Ahy intelo hoe mahafantatra Ahy ianao."
\s5
\v 35 Dia niteny tamin'izy ireo Jesosy hoe: "Rehefa nandefa anareo tsy niaraka tamin'ny fitoeram-bola, kitapom-batsy, na kiraro Aho, nisy zavatra tsy ampy anareo ve?" Namaly izy ireo hoe: "Tsy nisy."
\v 36 Dia niteny tamin'izy ireo Izy hoe: "Fa izao, izay manana fitoeram-bola, aoka izy haka izany, na kitapom-batsy ihany koa. Izay tsy manana sabatra dia tokony hivarotra ny lambany ary hividy iray.
\s5
\v 37 Fa Izaho miteny aminareo, izay voasoratra momba Ahy dia tsy maintsy tanteraka: 'Izy dia noraisina toy ny iray amin'ireo tsy manara-dalàna.' Fa izay nolazaina mialoha momba Ahy dia efa ho tanteraka"
\v 38 Dia niteny izy ireo hoe: "Tompo, jereo! Ireto misy sabatra roa." Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ampy izay."
\s5
\v 39 Taorian'ny sakafo, dia nandeha Jesosy, toy ny fanaony matetika, tany an-tendrombohitr'Oliva, ary nanaraka Azy ireo mpianatra.
\v 40 Rehefa tonga izy ireo, dia hoy Izy tamin'izy ireo: "Mivavaha mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy."
\s5
\v 41 Niala teo amin'izy ireo teo ho eo amin'ny indray mitora-bato Izy, dia nandohalika Izy ary nivavaka,
\v 42 nanao hoe: "Ray o, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity. Na izany aza tsy ny sitrako, fa ny Anao no hatao".
\s5
\v 43 Dia nisy anjely avy any an-danitra niseho taminy, nampahery Azy.
\v 44 Tao anatin'ny fangirifiriana, nivavaka tamin-kafanam-po mafy kokoa Izy, ary ny hatsembohany dia lasa toy ny rà nitete tamin'ny tany.
\s5
\v 45 Ary rehefa nitsangana avy nivavaka Izy, dia nankany amin'ny mpianatra, ary nahita azy ireo natory nohon'ny alahelon'izy ireo,
\v 46 ka nanontany azy ireo hoe: "Nahoana no matory ianareo? Mitsangàna ary mivavaha, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy."
\s5
\v 47 Raha mbola niteny Izy, indro, nisy vahoaka niseho, niaraka tamin'i Jodasy, iray amin'ireo roa ambin'ny folo, nitarika azy ireo. Nanakaiky an'i Jesosy izy mba hanoroka Azy,
\v 48 fa Jesosy niteny taminy hoe: "Jodasy, mamadika ny Zanak'Olona amin'ny oroka ve ianao?"
\s5
\v 49 Rehefa nahita ny zava-nitranga ireo izay nanodidina an'i Jesosy, dia niteny izy ireo hoe: "Tompo, tokony hamely amin'ny sabatra ve izahay?
\v 50 Avy eo ny iray tamin'izy ireo namely ny mpanompon'ny mpisoronabe, ary nanapaka ny sofiny havanana.
\v 51 Jesosy niteny hoe: "Ampy izay!" Nokasihiny ny sofiny, ary nositraniny izy.
\s5
\v 52 Jesosy niteny tamin'ny lohan'ny mpisorona, tamin'ireo kapitenin'ny tempoly, ary tamin'ireo loholona izay tonga hanohitra Azy hoe: "Tonga toy ny hisambotra mpangalatra ve ianareo, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy?
\v 53 Tamin'Izaho niaraka taminareo isan'andro tao an-tempoly, tsy nisambotra Ahy ianareo. Fa izao no oranareo, sy ny fahefan'ny haizina."
\s5
\v 54 Teo am-pisamborana Azy, dia notarihan'izy ireo Izy, ary nentin'izy ireo tany an-tranon'ny mpisoronabe. Fa Petera nanaraka avy teny lavidavitra.
\v 55 Rehefa avy nampirehitra afo teo afovoan'ny tokontany ary niara-nipetraka izy ireo, dia nipetraka teo afovoan'izy ireo Petera.
\s5
\v 56 Nisy mpanompo vavy iray nahita azy raha nipetraka teo amin'ny fahazavan'ny afo izy, ary nijery mahitsy azy sy niteny hoe: "Ity lehilahy ity koa niaraka taminy."
\v 57 Fa Petera nandà izany, niteny hoe: "Ry vehivavy, tsy fantatro Izy."
\v 58 Afaka kelikely dia nisy olona hafa nahita azy, ary niteny hoe: "Ianao koa iray amin'izy ireo." Fa Petera niteny hoe: "Ry lehilahy, tsy izy aho."
\s5
\v 59 Nony afaka adiny iray teo ho eo dia nisy lehilahy hafa nanizingizina sy niteny hoe: "Marina fa niaraka taminy koa ity lehilahy ity, fa izy dia Galiliana."
\v 60 Fa Petera niteny hoe: "Ry lehilahy, tsy fantatro izay teneninao." Teo no ho eo, raha mbola niteny izy, dia nisy akoho naneno.
\s5
\v 61 Niherika, ny Tompo nijery an'i Petera, ary Petera nahatsiaro ny tenin'ny Tompo, tamin'ny niteny taminy Izy hoe: "Alohan'ny hanenoin'ny akoho anio dia handà Ahy intelo ianao."
\v 62 Nivoaka tany ivelany Petera ary nitomany mafy.
\s5
\v 63 Ary ireo lehilahy niambina an'i Jesosy dia nananihany ary nikapoka Azy.
\v 64 Nasian'izy ireo sarona Izy ary nanontany Azy izy ireo, niteny hoe: "Maminania! Iza ilay olona izay mikapoka Anao?"
\v 65 Niteny zavatra hafa maro hanohitra an'i Jesosy izy ireo, niteny ratsy Azy.
\s5
\v 66 Raha vao nazava ny andro, dia niara-niangona ireo loholona, ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna. Nentin'izy ireo tany amin'ny Synedriona Izy
\v 67 ary niteny hoe: "Raha Ianao no Kristy, dia teneno aminay." Fa Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Raha ho teneniko aminareo, dia tsy hino ianareo",
\v 68 ary raha hanontany anareo Aho, dia tsy hamaly ianareo.
\s5
\v 69 Fa manomboka izao, ny Zanak'Olona dia hipetraka eo an-tanana akavanan'ny herin'Andriamanitra."
\v 70 Izy rehetra niteny hoe: "Dia Zanak'Andriamanitra izany Ianao?" Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Voalazanareo fa Izaho no Izy."
\v 71 Izy ireo niteny hoe: "Nahoana no mbola mila vavolombelona isika? Fa isika mihitsy no naheno avy tamin'ny vavany."
\s5
\c 23
\p
\v 1 Nitsangana ny olona rehetra tamin'izy ireo, ary nitondra an'i Jesosy teo anoloan'i Pilato.
\v 2 Nanomboka niampanga Azy izy ireo, niteny hoe: "Hitanay ity lehilahy ity nametaveta ny firenenay, nandrara ny hanomezana ny hetra ho an'i Kaisara, ary nilaza fa Izy tenany mihitsy no Kristy, mpanjaka."
\s5
\v 3 Pilato nanontany Azy, niteny hoe: "Ianao ve no mpanjakan'ny Jiosy?" Jesosy namaly azy ary niteny hoe: "Voalazanao."
\v 4 Pilato niteny tamin'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo vahoaka hoe: "Tsy mahita fahadisoana amin'ity lehilahy ity aho."
\v 5 Fa mbola nanizingizina izy ireo, niteny hoe: "Manakorontana ny vahoaka io, mampianatra eran'ny Jodia manontolo, manomboka avy any Galilia na hatrety amin'ity toerana ity aza."
\s5
\v 6 Koa rehefa ren'i Pilato izany, dia nanontany izy raha toa ka Galiliana ilay lehilahy.
\v 7 Rehefa hitany fa tao ambany fahefan'i Heroda Izy, dia nalefany Jesosy nankany amin'i Heroda, izay tany Jerosalema ihany koa tamin'izany andro izany.
\s5
\v 8 Rehefa hitan'i Heroda Jesosy, dia tena ravoravo izy, satria efa te-hahita Azy hatry ny ela. Nahare ny momba Azy izy ary nanantena ny hahita fahagagana maro nataony.
\v 9 Heroda nametra-panotaniana an'i Jesosy tamin'ny teny maro, saingy Jesosy tsy namaly na inona na inona azy.
\v 10 Ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanora-dalàna nitsangana, niampanga mafy Azy.
\s5
\v 11 Heroda sy ireo miaramilany nanevateva an'i Jesosy sady nanesoeso Azy. Avy eo dia nampiakanjo Azy lamba tsara tarehy izy ireo ary nalefan'izy ireo niverina tany amin'i Pilato Izy.
\v 12 Fa i Heroda sy Pilato dia lasa mpinamana tamin'ny androtr'io (talohan'izany dia mpifahavalo izy ireo).
\s5
\v 13 Avy eo Pilato niantso ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanapaka ary ireo vahoaka maro niaraka,
\v 14 ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Nentinareo teto amiko ity lehilahy ity tahaka ny lehilahy izay mitarika ny olona hanao ratsy, ary jereo, izaho, raha nametra-panotaniana taminy teo anoloanareo, dia tsy mahita fahadisoana amin'ity lehilahy ity mahakasika ireo zavatra izay hiampanganareo Azy.
\s5
\v 15 Tsia, na dia Heroda aza, satria nalefany niverina taty amintsika Izy, ary jereo, tsy misy na inona na inona izay mendrika fahafatesana vitany.
\v 16 Noho izany dia ho faiziko Izy, ary ho havotsotro Izy."
\v 17 \f + \ft Fanamarihana: Ireo fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny And 17 hoe: Ary Pilato dia voatery namotsotra gadra iray ho an'ireo Jiosy tamin'ny andro firavoravoana. \f*
\s5
\v 18 Fa niara-nihiaka mafy izy ireo, nanao hoe: "Ento any io lehilahy io, ary avotsory ho anay Barabasy!"
\v 19 Barabasy dia lehilahy iray izay naiditra am-ponja nohon'ny fikomiana maro tao an-tanàna sy famonoana olona.
\s5
\v 20 Ary niteny tamin'izy ireo indray Pilato, naniry ny hamotsotra an'i Jesosy.
\v 21 Saingy nitabataba mafy izy ireo, niteny hoe: "Homboy Izy, homboy Izy."
\v 22 Niteny tamin'izy ireo fanintelony izy hoe: "Nahoana, fa inona no ratsy vitan'ity lehilahy ity? Tsy nahita na inona na inona izay mendrika sazy famonoana tao aminy aho. Noho izany rehefa avy manafay Azy, dia hamotsotra Azy aho."
\s5
\v 23 Fa izy ireo nanizingizina tamin'ny feo avo, nangataka Azy mba homboana. Ny feon'izy ireo dia nandresy lahatra an'i Pilato.
\v 24 Ka dia nanapa-kevitra ny hanaiky ny fangatahan'izy ireo Pilato.
\v 25 Navotsony ilay iray nangatahin'izy ireo izay nalefa tany am-ponja nohon'ny fikomiana sy famonoana olona. Fa natolony ho amin'ny sitrapon'izy ireo Jesosy.
\s5
\v 26 Ary teo am-pitondrana Azy izy ireo, dia nitàna an'i Simona avy any Syrenia, izay avy any ambanivohitra, ary napetrak'izy ireo teo aminy ny hazofijaliana mba ho entiny, nanaraka an'i Jesosy.
\s5
\v 27 Maro tamin'ireo vahoaka, sy ireo vehivavy izay nalahelo mafy sy nisaona Azy, no nanaraka Azy.
\v 28 Fa rehefa nitodika tany amin'izy ireo, dia niteny Jesosy hoe: "Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ho an'ny tenanareo sy ho an'ireo zanakareo.
\s5
\v 29 Fa indro, ho avy ny andro izay hitenenan'izy ireo hoe: 'Sambatra ireo momba sy ireo kibo izay tsy niteraka, ary ny nono izay tsy nampinono zaza.'
\v 30 Ary dia hanomboka hiteny amin'ireo tendrombohitra izy ireo hoe: 'Mianjerà aminay,' ary amin'ny havoana hoe: "Manaròna anay."
\v 31 Fa raha manao izany zavatra izany izy ireo raha mbola maitso ny hazo, inona no hitranga rehefa maina izany?"
\s5
\v 32 Nisy lehilahy hafa, olon-dratsy anankiroa, nentina niaraka taminy mba ho vonoina.
\s5
\v 33 Rehefa tonga teo amin'ny toerana iray izay antsoina hoe "IKarandoha" izy ireo, dia teo no nanomboan'izy ireo Azy, sy ireo olon-dratsy - ny iray teo amin'ny ankavanany ary ny iray teo amin'ny ankaviany.
\v 34 Jesosy niteny hoe: "Ray o, mamelà azy ireo, fa tsy fantatr'izy ireo izay ataony." Avy eo dia niloka izy ireo, nizarazara ireo fitafiany.
\s5
\v 35 Dia nijoro nijery teo ireo olona raha mbola nananihany Azy koa ireo mpanapaka, niteny hoe: "Namonjy ireo hafa Izy. Avelao Izy hamonjy ny tenany, raha Izy no Kristin'Andriamanitra, ilay iray voafidy."
\s5
\v 36 Ireo miaramila ihany koa dia nanala baraka Azy, nanatona Azy, nanome Azy vinaingitra,
\v 37 ary niteny hoe: "Raha Ianao no mpanjakan'ny Jiosy, vonjeo ny tenanao."
\v 38 Nisy famantarana ihany koa teo amboniny hoe: "Ity no mpanjakan'i Jiosy."
\s5
\v 39 Ny iray tamin'ireo olon-dratsy izay nihantona teo no namingavinga Azy tamin'ny nitenenany hoe: "Tsy ianao ve no Kristy? Vonjeo ny tenanao sy izahay."
\v 40 Fa ny anankiray niteny mafy azy, nanao hoe: "Tsy mba matahotra an'Andriamanitra ve ianao, raha samy ambanin'ny fanamelohana mitovy ihany?
\v 41 Isika dia eto ara-drariny tokoa, satria mandray izay mendrika ny asantsika isika. Fa ity lehilahy ity tsy nanao zavatra ratsy."
\s5
\v 42 Avy eo izy niteny hoe: "Jesosy ô, tsarovy aho rehefa tonga any amin'ny fanjakanao Ianao."
\v 43 Jesosy niteny taminy hoe: "Lazaiko marina aminao, fa anio ianao dia hiaraka amiko any paradisa."
\s5
\v 44 Ary ora faha-enina teo ho eo tamin'izany, ary ny aizina avy nandrakotra ny tany manontolo hatramin'ny ora fahasivy
\v 45 raha niha maizina ny hazavan'ny masoandro. Avy eo ny lamban'ny tempoly dia nizara avy teo afovoany.
\s5
\v 46 Nihiaka tamin'ny feo mafy, Jesosy niteny hoe: "Ray ô, eo an-tananao no ametrahako ny fanahiko." Rehefa avy niteny izany, dia maty Izy.
\v 47 Rehefa hitan'ilay kapiteny ny zavatra nitranga, dia nanome voninahitra an'Andriamanitra izy, niteny hoe: "Azo antoka tokoa fa olo-marina ity lehilahy ity."
\s5
\v 48 Rehefa hitan'ireo vahoaka rehetra izay niara-tonga ho vavolombelona nanatri-maso ireo zavatra nitranga ireo, dia niverina niteha-tratra izy ireo.
\v 49 Fa ireo rehetra izay nahafantatra Azy, sy ireo vehivavy izay nanaraka Azy avy any Galilia, dia nitsangana teny alavidavitra, nijery izany zavatra izany.
\s5
\v 50 Ary indro, nisy lehilahy iray antsoina hoe Josefa, izay mpikambana tao amin'ny Synedriona. Olona tsara sady marina izy.
\v 51 Io lehilahy io dia tsy nanaiky ny fanapahan-kevitry ny Synedriona sy ny asan'izy ireo. Avy any amin'ny tanànan'ny Jodiana tany Armatia izy; ary izy dia nikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra.
\s5
\v 52 Io lehilahy io, raha nanatona an'i Pilato, dia nangataka ny vatan'i Jesosy.
\v 53 Nalainy nidina izany, norakofany hariry madinika, ary napetrany tao anaty fasana iray izay novakiana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nisy olona nalevina mihintsy.
\s5
\v 54 Andron'ny Fiomanana tamin'izany, ary mbola nazava ratsy ny Sabata.
\v 55 Ireo vehivavy, izay niaraka tamin'i Jesosy niala tao Galilia, dia nanaraka avy ao aoriana ary nahita ny fasana sy ny fomba nametrahana ny fatiny.
\v 56 Niverina izy ireo, ary nanomana zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin'ny sabata dia nitsahatra izy ireo araka ny didy.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Vao maraina tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy ireo, nitondra ireo zava-manitra izay nokarakarain'izy ireo.
\v 2 Hitan'izy ireo nikodia lavitry ny fasana ilay vato.
\v 3 Niditra tao izy ireo, kanefa tsy nahita ny vatan'ny Tompo Jesosy.
\s5
\v 4 Ary, raha mbola sahiran-tsaina momba izany izy ireo, tampoka teo, dia nisy lehilahy roa nanao fitafiana mamirapiratra nitsangana teo anilan'ireo.
\v 5 Ary rehefa feno tahotra ireo vehivavy dia niankohoka tamin'ny tany, niteny tamin'ireo vehivavy izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitady ny velona aty amin'ny maty?
\s5
\v 6 Tsy ato izy, fa efa natsangana! Tadidio ny nilazàny anareo fony Izy mbola tany Galilia,
\v 7 nanambara fa ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hatolotra ho eo an-tanan'ny olona mpanota ka hofantsihana eo amin'ny hazo fijaliana, ary amin'ny andro fahatelo dia hitsangana indray."
\s5
\v 8 Ireo vehivavy dia nahatsiaro ireo teniny,
\v 9 ka niverina avy tany amin'ny fasana ary nilaza izany zavatra rehetra izany tamin'ireo iraika ambin'ny folo sy ny ambiny rehetra.
\v 10 Ary Mary Magdalena, Johana, Mary renin'i Jakoba, ary ireo vehivavy hafa niaraka taminy dia nitatitra izany zavatra izany tamin'ireo apostoly.
\s5
\v 11 Fa izany hafatra izany dia toy ny tsy nisy dikany tamin'ireo apostoly, ka tsy nino ireo vehivavy izy ireo.
\v 12 Kanefa nitsangana Petrea, dia nihazakazaka nankeny amin'ny fasana, ary niondrika sy nijery tao, dia nahita ireo lambam-paty nitokana. Ary Petera nody tany an-tranony, nanontany tena ny amin'izay zava-nitranga.
\s5
\v 13 Indreo, ny roa tamin'izy ireo nandeha tamin'io andro io ho any amin'ny tanàna atao hoe Emaosy, izay enimpolo stadio miala an'ny Jerosalema.
\v 14 Izy ireo dia nifampiresaka momba ireo zavatra rehetra izay nitranga.
\s5
\v 15 Ary, raha niara-niresaka sy niara-nametra-panontaniana izy ireo, dia nanatona sy nandeha niaraka tamin'izy ireo Jesosy.
\v 16 Fa ny mason'izy ireo dia nosakanana mba tsy hahafantatra Azy.
\s5
\v 17 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Inona no resahanareo roa ety am-pandehanana?" Dia nijanona izy ireo sady nalahelo endrika.
\v 18 Ny iray tamin'izy ireo, nantsoina hoe Kleopasy, namaly Azy hoe: "Ianao irery ve no olana tao Jerosalema tsy nahafantatra ireo zava- nitranga tany tamin'izany andro izany?
\s5
\v 19 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Zavatra inona?" Izy ireo namaly Azy hoe: "Ireo zavatra mikasika an'i Jesosy ilay Nazarena, izay mpaminany, nahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona rehetra,
\v 20 ary ny fomba nanoloran'ireo lohan'ny mpisorona sy ireo mpanapakay Azy mba ho melohana ho faty sy ny nanomboana Azy teo amin'ny hazofijaliana.
\s5
\v 21 Kanefa izahay nanantena fa Izy no ilay hanafaka an'Israely. Eny, ary ankoatra izany rehetra izany, telo andro androany izao no nitrangan'izany zavatra rehetra izany.
\s5
\v 22 Nefa koa, ny vehivavy sasany tamin'ny namanay dia nahavariana anay, izay tany amin'ny fasana vao maraina.
\v 23 Rehefa tsy nahita ny vatany izy ireo, dia tamy, niteny fa izy ireo koa dia nahita fahitana anjely izay nilaza fa velona Izy.
\v 24 Ny lehilahy sasany izay niaraka taminay dia nandeha tany amin'ny fasana, ary nahita izany araka izay voalazan'ireo vehivavy. Saingy tsy nahita Azy izy ireo."
\s5
\v 25 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Ry lehilahy adala sy votsa saina vao mino ireo rehetra voalazan'ny mpaminany!
\v 26 Moa ve tsy nilaina ho an'i Kristy ny nijaly tamin'ireny zavatra ireny, ka hiditra any amin'ny voninahiny?"
\v 27 Ary nanomboka tamin'i Mosesy ka hatramin'ireo mpaminany rehetra, dia nadikan'i Jesosy tamin'izy ireo ao amin'ny Soratra Masina ny momba ny Tenany.
\s5
\v 28 Nony nanakaiky ilay tanàna izay nalehany izy ireo, dia naneho fihetsika toy ny hoe handeha lavidavitra Jesosy.
\v 29 Fa nanery Azy izy ireo, niteny hoe: "Mijanona eto aminay, fa efa ho hariva izao ary efa hifarana ny andro." Ka niditra mba hijanona niaraka tamin'izy ireo Jesosy.
\s5
\v 30 Ary, rehefa nipetraka mba hiaraka hihinana tamin'izy ireo Izy, dia naka ny mofo, nisaotra izany, sy namaky izany, ary nanome izany azy ireo.
\v 31 Avy eo nisokatra ny mason'izy ireo, ka nahafantatra Azy, ary nanjavona teo imason'izy ireo Izy.
\v 32 Izy ireo nifampiteny hoe: "Moa ve ny fontsika tsy niredareda tao anatintsika, raha niteny tamintsika teny an-dalana Izy, raha nanokatra ny Soratra Masina tamintsika Izy?"
\s5
\v 33 Nitsangana izy ireo tamin'io ora io, ka niverina tany Jerosalema. Nahita ireo iraika ambin'ny folo niara-nivory izy ireo, sy ireo izay niaraka tamin'izy ireo,
\v 34 niteny hoe: "Ny Tompo dia nitsangana tokoa, ary niseho tamin'i Simona."
\v 35 Koa nolazain'izy ireo izay zavatra nitranga teny an-dalana, sy ny fomba nisehoan'i Jesosy tamin'izy ireo tamin'ny fanapahana ilay mofo.
\s5
\v 36 Raha niteny izany zavatra izany izy ireo, dia nijoro teo afovoan'izy ireo Jesosy tenany, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Fiadanana anie ho anareo."
\v 37 Saingy taitra sy raiki-tahotra izy ireo, ary nihevitra fa nahita fanahy.
\s5
\v 38 Jesosy niteny tamin'izy ireo hoe: "Nahoana ianareo no matahotra? Nahoana no misy fanontaniana ao am-ponareo?
\v 39 Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho tenako ity. Kasiho Aho ka jereo. Fa ny fanahy tsy manana nofo sy taolana, araka ny ahitanareo Ahy hoe manana."
\v 40 Rehefa niteny izany Izy, dia nasehony tamin'izy ireo ny tanany sy ny tongony.
\s5
\v 41 Mbola tsy nino izany izy ireo nohon'ny hafaliana, ary gaga izy ireo. Jesosy niteny azy ireo hoe: "Manana zavatra hohanina ve ianareo?"
\v 42 Nomen'izy ireo trondro voatono izy,
\v 43 ka nalainy izany ary nohaniny teo anoloan'izy ireo.
\s5
\v 44 Izy niteny tamin'izy ireo hoe: "Tamin'Izaho niaraka taminareo, dia nilaza taminareo fa izay rehetra voasoratra tao amin'ny lalàn'i Mosesy sy ireo mpaminany ary ireo Salamo dia tsy maintsy ho tanteraka."
\s5
\v 45 Ary nosokafany ny sain'izy ireo, mba hazoan'izy ireo ny Soratra Masina.
\v 46 Niteny azy ireo Izy hoe: "Izao no voasoratra, fa ilay Kristy dia hijaly, ary hitsangana amin'ny maty indray amin'ny andro fahatelo.
\v 47 Fibebahana sy famelan-keloka no tokony ho toriana amin'ny anarany any amin'ny firenena rehetra, manomboka ao Jerosalema.
\s5
\v 48 Ianareo no vavolombelon'ireny zavatra ireny.
\v 49 Indro, halefako aminareo izay nampanantenain'ny Raiko. Kanefa mitoera ao an-tanàna mandra-pitafianareo ny hery avy any ambony."
\s5
\v 50 Ary Jesosy nitarika azy ireo mandra-pahatongan'izy ireo tany Betania. Nasandrany ny tanany, ary notahiany izy ireo.
\v 51 Ary, rehefa nitso-drano azy ireo Izy, dia nandao azy ireo Izy ary lasa nakarina tany an-danitra.
\s5
\v 52 Dia nidera Azy izy ireo, ary niverina tany Jerosalema tamin'ny fifaliana lehibe.
\v 53 Nitohy nankao amin'ny tempoly izy ireo, nankalaza an' Andriamanitra.