plt_ulb/37-HAG.usfm

82 lines
7.0 KiB
Plaintext

\id HAG
\ide UTF-8
\h Hagay
\toc1 Hagay
\toc2 Hagay
\toc3 hag
\mt Hagay
\s5
\c 1
\p
\v 1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa mpanjaka, tamin'ny fahenin'ny volana, tamin'ny andro voalohan'ny volana, dia tonga tamin'ny alalan'ny tanan'i Hagay mpaminany teo amin'i Zerobabela governoran'i Joda, zanaka lahin'i Sealtiela, ary teo amin'i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 2 "Yaveh Tompon'ny maro milaza izao: Izao no nolazain'ireo vahoaka ireo: 'Tsy fotoana ahatongavantsika na hanorenantsika trano ho an'i Yaveh izao."'
\s5
\v 3 Avy eo dia tonga tamin'ny alalan'ny tanan'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 4 "Fotoana honenanareo ao amin'ny trano vitanareo ve izao, raha toa ka mbola rava izany trano izany?
\v 5 Koa ankehitriny Yaveh Tompon'ny maro milaza izao: Diniho ireo fombanareo!
\v 6 Namafy voa marobe ianareo, fa nijinja vokatra kely; nihinana ianareo nefa tsy afa-po; nisotro ianareo fa tsy mamo. Nitafy akanjo ianareo fa tsy afaka nanafana ny tenanareo, ary ny mpikarama dia handray vola ho atao ao anaty kitapo feno loaka fotsiny ihany!
\s5
\v 7 Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: "Diniho ireo fombanareo!
\v 8 Miakara any an-tendrombohitra, mitondrà hazo, ary hahoreno ny tranoko; dia hifaly ao amin'izany Aho, ary homem-boninahitra Aho! —hoy i Yaveh."
\v 9 "Mitady ny betsaka ianareo, kanefa indro! trano kely no nentinareo, satria notsofiko izany! Nahoana?" nanambara i Yaveh Tompon'ny maro. "Satria ny tranoko dia rava, raha toa ka miasa ho an'ny tranony avy ny tsirairay aminareo.
\s5
\v 10 Noho izany ny lanitra dia hihazona ny ando tsy ho anareo, ary ny tany dia hihazona ireo vokany.
\v 11 Niantso hain-tany teo amin'ny tany sy teo amin'ireo tendrombohitra, teo amin'ny vary sy teo amin'ny divay vaovao, teo amin'ny diloilo sy teo amin'ny vokatry ny tany, teo amin'ny olona sy teo amin'ireo biby, ary teo amin'ireo asan'ny tananareo rehetra Aho!"
\s5
\v 12 Ary Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, sy i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka, miaraka amin'ireo olona sisa tavela, dia nankatoa ny feon'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo sy ireo tenin'i Hagay mpaminany, satria Yaveh Andriamanitr'izy ireo no nandefa azy ary ireo vahoaka dia natahotra ny tavan'i Yaveh.
\v 13 Ary i Hagay, ilay mpitondra ny hafatr'i Yaveh, dia niteny ny hafatr'i Yaveh tamin'ny vahoaka nanao hoe: "Miaraka aminareo Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh!"
\s5
\v 14 Koa nanetsika ny fanahin'i Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela, governoran'i Joda, sy ny fanahin'i Josoa mpisoronabe zanaka lahin'i Jozadaka, ary ny fanahin'ireo vahoaka sisa tavela rehetra i Yaveh, mba handeha izy ireo ka hiasa amin'ny tranon'i Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'izy ireo
\v 15 tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahenina, tamin'ny faharoa taona nanjakan'i Dariosa mpanjaka.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Tamin'ny volana fahafito tamin'ny andro fahiraika amby roapolon'ny volana, dia tonga tamin'ny alalan'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 2 "Mitenena amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela zanak'i Sealtiela, sy amin'ny mpisorona be dia i Josoa zanak'i Jehozadaka, ary amin'ny sisan'ny vahoaka. Lazao hoe:
\s5
\v 3 "Iza no tavela aminareo izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha? Ahoana ny fahitanareo izany ankehitriny? Moa ve tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo izany?
\v 4 Ankehitriny, matanjaha, ry Zerobabela! —izany no fanambaran'i Yaveh—ary matanjaha, ry mpisorona be dia i Josoa zanak'i Jehozadaka; ary matanjaha, ianareo vahoaka rehetra amin'ny tany! —izany no fanambaran'i Yaveh—ary miasà, fa momba anareo Aho! —izany ny fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro.
\v 5 Izany ny fanekena izay naoriko taminareo raha nivoaka tany Egypta ianareo, ary mitoetra ao aminareo ny Fanahiko. Aza matahotra!
\s5
\v 6 Fa izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ao anatin'ny fotoana fohy dia hanozongozona ny lanitra sy ny tany, ny ranomasina sy ny tany maina indray Aho!
\v 7 Hahozongozoko ny firenena rehetra, ary hitondra ireo zava-tsarobidiny eto Amiko ny firenen-drehetra, ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Yaveh Tompon'ny maro.
\s5
\v 8 Ahy ny volafotsy sy ny volamena! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro.
\v 9 Ny voninahitr'ity trano ity dia ho lehibe amin'ny hoavy noho ny tany am-boalohany, hoy Yaveh Tompon'ny maro, ary eto amin'ity toerana ity no hanomezako fiadanana! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro."
\s5
\v 10 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, dia tonga tamin'i Hagay mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 11 "Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Manontania ireo mpisorona mahakasika ny lalàna, ka lazao hoe:
\v 12 'Raha misy olona mitondra hena izay voatokana ho an'i Yaveh ao amin'ny valonan'akanjony, ary mikasika mofo na hanina, divay na diloilo ilay valonany, na izay karazan-tsakafo, dia tsy lasa masina ve izany?'" Namaly ireo mpisorona ka nanao hoe: "Tsia."
\s5
\v 13 Dia hoy Hagay: "Raha misy olona izay maloto amin'ny faty mikasika ireo zavatra ireo, tsy tonga maloto ve ireo?" Namaly ireo mpisorona ka nanao hoe: "Eny, lasa maloto ireo."
\v 14 Dia namaly Hagay ka nanao hoe: "Dia toy izany koa ity vahoaka ity sy ity firenena ity eo anatrehako! —izany ny fanambaran'i Yaveh—ary toy izany koa ny zava-drehetra vitan'ny tanan'izy ireo: izay atolotr'izy ireo ho Ahy dia maloto.
\s5
\v 15 Koa ankehitriny, hevero ao an-tsainareo ny lasa ka hatramin'izao andro izao mihitsy. Nialohan'ny nametrahana ny vato ambonin'ny vato tao an-tempolin'i Yaveh,
\v 16 dia nanao ahoana ary izany? Raha tonga teo amin'ny antontam-bary roapolo fatra ianareo, dia folo ihany no nisy, ary raha tonga teo amin'ny vatan-divay mba handraoka dimampolo fatra ianareo, dia roapolo ihany no nisy.
\v 17 Namely anareo sy ny asan'ny tananareo rehetra tamin'ny vary sy ny maty fotsy Aho, nefa mbola tsy niverina tamiko ihany ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 18 Hevero manomboka izao andro izao, hatramin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana fahasivy, hatramin'ny andro izay nametrahana ny fototry ny tempolin'i Yaveh. Hevero izany!
\v 19 Mbola misy voa ve ao amin'ny trano fitehirizana? Tsy namokatra ny divay, ny hazon'aviavy, ny ampongaben-danitra, ary ny hazon'oliva! Fa manomboka ankehitriny dia hitahy anareo Aho!"
\s5
\v 20 Dia tonga fanindroany tamin'i Hagay tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny volana ny tenin'i Yaveh ka nanao hoe: "
\v 21 Mitenena amin'ny governoran'i Joda, dia i Zerobabela, ka lazao hoe: "Hanozongozona ny lanitra sy ny tany Aho.
\v 22 Satria horavako ny seza fiandrianan'ireo fanjakana ary hopotehiko ny herin'ireo fanjakan'ny firenena! Horavako ireo kalesy sy ireo mpitaingina izany; ho lavo ireo soavaly sy ny mpitaingina izany, ny tsirairay lavo nohon'ny sabatry ny rahalahiny.
\s5
\v 23 Amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—dia halaiko ianao, ry Zerobabela zanak'i Sealtiela, ho mpanompoko—izany ny fanambaran'i Yaveh. Hataoko toy ny peratra fanombohan-kase ianao, fa efa nifidy anao Aho! —izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro!'"