plt_ulb/31-OBA.usfm

52 lines
3.9 KiB
Plaintext

\id OBA
\ide UTF-8
\h Obadia
\toc1 Obadia
\toc2 Obadia
\toc3 oba
\mt Obadia
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'ny Tompo Yaveh mahakasika an'i Edoma: Efa nandre tatitra avy tamin'i Yaveh sy ny masoivoho izay nalefa ho eo amin'ireo firenena izahay, nanao hoe: "Mitsangàna! Aoka isika hitsangana mba hiady hanohitra azy!"
\v 2 Indro, hataoko kely eo amin'ireo firenena ianao, ho atao tsinontsinona tanteraka ianao.
\s5
\v 3 Namitaka anao ny fireharehan'ny fonao, ianao izay mipetraka eny an-tsefatsefaky ny vato, amin'ny tranonao avo; izay manao anakam-po hoe: "Iza no hampidina ahy ho any amin'ny tany?"
\v 4 Na dia manidina avo tahaka ny voromahery sy naorina teo amin'ireo kintana aza ny akaninao, dia hampidina anao avy eny Aho, hoy Yaveh.
\s5
\v 5 Raha tonga ao aminao ny mpangalatra, raha avy alina ny jiolahy (ahoana no faharavanao!), moa ve tsy izay sahaza azy ihany no angalariny? Raha tonga tao aminao ny mpioty voaloboka, moa ve tsy avelany eo ireo niraraka?
\v 6 Endrey ny fitadiavana an'i Esao, sy ny fitadiavana ireo harena miafiny!
\s5
\v 7 Ireo lehilahy rehetra nifanaraka taminao dia handefa anao amin'ny lalanao mankany amin'ny sisin-tany. Ireo lehilahy nihavana taminao dia efa namitaka anao, ary nandresy anao. Ireo izay mihinana ny mofonao dia efa nametraka fandrika teo ambaninao. Tsy misy fahazavan-tsaina ao aminy.
\v 8 "Moa ve tsy amin'izany andro izany aho" hoy i Yaveh, "no hamotika ireo lehilahy hendry avy any Edoma sy mazava saina ao an-tendrombohitr'i Esao?
\v 9 Ho raiki-tahotra ireo lehilahy maherinao, ry Temana, ka ho ringana amin'ny alalan'ny famonoana avy any an-tendrombohitr'i Esao ny lehilahy rehetra.
\s5
\v 10 Nohon'ny herisetra natao tamin'i Jakoba rahalahinao, dia ho rakotra henatra ianao, ary ho ringana mandrakizay.
\v 11 Tamin'ny andro namitsahanao, tamin'ny andro nitondran'ireo vahiny ny fananany, sy ny nidiran'ireo hafa firenena ny vavahadiny, ary ny nanaovana loka an'i Jerosalema, dia tahaka ny iray tamin'izy ireo ianao.
\s5
\v 12 Fa aza mifaly amin'ny andron'ny rahalahinao, amin'ny andron'ny fahavoazany, ary aza mifaly eo amin'ireo vahoakan'i Joda amin'ny andro handringanana azy; aza mirehareha amin'ny andro maha-ory azy ireo.
\v 13 Aza miditra ny vavahadin'ny vahoakako amin'ny androm-pahavoazan'izy ireo, aza mifaly amin'ny fahoriany amin'ny andro hahitany loza, aza mandroba ny fananan'izy ireo amin'ny andro maharava azy.
\v 14 Aza mitsangana eo an-tsampanan-dalana, mba handringana ireo mpandositra ary aza manome ny sisa tsy matiny amin'ny andro maha-ory.
\s5
\v 15 Fa efa akaikin'ny firenena rehetra ny andron'i Yaveh. Toy ny nataonao, no mbola hatao aminao; hitsingerina ao an-dohanao ny zava-bitanao.
\v 16 Fa tahaka ny efa nisotroanao tao an-tendrombohitro masina, no hisotroan'ireo firenen-drehetra tsy an-kiato. Hisotro sy hitelina izy ireo, ary ho toy ny tsy àry izy ireo.
\s5
\v 17 Fa any an-tendrombohitra Ziona no hisy ireo izay tafatsoaka ary ho masina izany; ary ny taranak'i Jakoba hahazo ny fananany manokana.
\v 18 Ny taranak'i Jakoba dia ho afo, ary ny taranak'i Josefa dia ho lelan'afo, ary ny taranak'i Esao ho mololo, ary handoro azy izy ireo izany, ka handevona azy ireo. Tsy hisy ho velona ny taranak'i Esao, satria izany no tenin'i Yaveh."
\s5
\v 19 Ireo izay avy amin'i Negeva dia hanana ny tendrombohitr'i Esao ary ireo izay avy any Sefela hanana ny tanin'ireo Filistina. Hanana ny tanin'i Efraima sy ny tanin'i Semaria izy ireo; ary benjamina hanana an'i Gileada.
\s5
\v 20 Ireo sesitanin'ny zanak'Israely maro dia hanana ny tany Kanana ka hatrany Zarefata. Ireo sesitanin'i Jerosalema, izay any Sefarada dia hanana ny tanànan'i Negeva.
\v 21 Ireo mpamonjy dia hiakatra any an-tendrombohitra Ziona ary hanapaka manerana ny tany havoan'i Esao, ary ny fanjakana dia an'i Yaveh.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "mpamonjy", ny ankamaroan'ny fandikana amin'izao fotoana dia manaraka ireo mpandika teny taloha sasany amin'ny famakiana hoe "Ireo izay ho voavonjy". \f*