plt_ulb/29-JOL.usfm

159 lines
12 KiB
Plaintext

\id JOL
\ide UTF-8
\h Joela
\toc1 Joela
\toc2 Joela
\toc3 jol
\mt Joela
\s5
\c 1
\p
\v 1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Joela zanaka lahin'i Petoela.
\v 2 Ianareo loholona, henoy izao, ary mandrenesa ianareo mponina rehetra eo amin'ny tany. Efa nitranga ve izao tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razambenareo?
\v 3 Lazao ny momba izany ny zanakareo, ary aoka ny zanakareo hiteny ny zanak'izy ireo, ary ny zanak'izy ireo amin'ny taranak'izy ireo manaraka.
\s5
\v 4 Izay sisan'ny kijeja dia nohanin'ny andiam-balala; izay sisan'ny andiam-balala dia efa nohanin'ny valalavao; ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga.
\s5
\v 5 Mifohaza, ianareo ry mpimamo, ary mitomania! Midradradradrà, ianareo rehetra mpisotro divay, satria ny divay mamy dia nesorina teo aminareo.
\v 6 Fa nisy firenena iray niakatra teo amin'ny taniko, mahery sy tsy hita isa. Ny nifiny dia nifin'ny liona, ary manana ny nifin'ny liona vavy izy.
\v 7 Nataony toerana mampihorohoro ny tanim-boaloboko ary notapahiny ny hazon'aviaviko. Nongotany ny hodi-kazony ary nariany izany; ireo rantsany dia tonga fotsy.
\s5
\v 8 Aoka hisaona toy ny virijiny manao akanjo fisaonana amin'ny fahafatesan'ny vadiny tanora ianareo.
\v 9 Ny fanatitra voa sy fanatitra sotroina dia nesorina tao amin'ny tranon'i Yaveh. Misaona ireo mpisorona, mpanompon'i Yaveh.
\v 10 Rava ireo saha, misaona ny tany satria efa simba ny vary. Maina ny divay vaovao, mandamoka ny diloilo.
\s5
\v 11 Mba menatra, ianareo tantsaha, ary midradradradrà, ianareo ry mpamboly voaloboka, nohon'ny vary tritika sy ny vary hordea. Fa ny vokatry ny saha dia efa levona.
\v 12 Nalazo ny voaloboka ary maina ireo hazon'aviavy, ireo ampongabendanitra, ireo hazo palma ihany koa, ary ireo hazon'ny poma—nalazo avokoa ny hazo rehetra tany an-tsaha. Fa nalazo ny fifalian'ny taranak'olombelona.
\s5
\v 13 Manaova akanjo fisaonana ary aoka hisaona, ianareo mpisorona! Midradradradrà, ianareo mpanompon'ny alitara. Manatona, ento matory mandritry ny alina manontolo ny akanjo fisaonana, ianareo mpanompon'ny Andriamanitro. Fa ny fanatitra voa sy ny fanatitra sotroina dia efa notazomina ao an-tranon'ny Andriamanitrareo.
\v 14 Mangataha fifadian-kanina masina, ary mangataha fiangonana masina. Hangony ireo loholona sy ireo mponina ao amin'ny tanin'i Yaveh Andriamanitrareo, ary mitomania amin'i Yaveh.
\s5
\v 15 Indrisy ry andro! Fa ny andron'i Yaveh dia efa akaiky. Ho avy miaraka amin'izany ny famotehana avy amin'ilay Tsitoha.
\v 16 Tsy efa nesorina teo imasontsika ve ny sakafo, ary ny fifaliana sy ny firavoravoana tao amin'ny tranon'ny Andriamanitsika?
\v 17 ireo voa dia lo any ambanin'ny baingan-tanin'ireo, foana ireo mpamatsy, ary potika ireo sompitra, satria nalazo ireo vary.
\s5
\v 18 Izato fieron'ireo biby! Mijaly ny biby fiompy satria tsy manana tany fihinanam-bilona izy ireo. Mijaly ihany koa ireo andian'ondry aman'osy.
\v 19 Ry Yaveh, mitalaho Aminao aho. Fa nolevonin'ny afo ireo fihinanam-bilona any an'efitra, ary lelan'afo no nandoro ny hazo rehetra tany an-tsaha.
\v 20 Na ireo biby any an-tsaha aza dia midradradradra Aminao, satria ritra ny lohasaha, ary main'ny afo ireo fihinanam-bilona any an'efitra.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Tsofy ny anjomara ao Ziona, ary ampanenoy ny fanairana any an-tendrombohitro masina! Aoka ny mponin'ny tany rehetra hangovitra amin'ny tahotra, fa ho tonga ny andron'i Yaveh; akaiky tokoa izany.
\v 2 Andron'ny fahamaizinana sy aizim-pito izany, andron'ny rahona sy aizim-pito. Tahaka ny mangiran-dratsy izay miely eny amin'ireo tendrombohitra, manatona ny tafika lehibe sy matanjaka. Tsy mbola nisy tafika tahaka ity hatrizay, ary tsy hisy tahaka azy intsony, na aorian'ny taranaka fara mandimby maro aza.
\s5
\v 3 Ny afo dia mandevona ny zavatra rehetra manoloana azy, ary ao ambadik'izany ny lelan'afo dia mirehitra. Ny tany dia tahaka ny saha Edena eo anoloan'izany, nefa ao ambadik'izany dia misy efitra foana. Tsy hisy na inona na inona handositra amin'izany tokoa.
\s5
\v 4 Niendrika toy ny soavaly ireo tafika, ary mihazakazaka toy ny mpitaingin-tsoavaly izy ireo.
\v 5 Mitsambikina miaraka amin'ny feo toy ny an'ireo sarety eny an-tampon'ny tendrombohitra izy ireo, tahaka ny feon'ny lelan'afo mirehitra izay mandevona ny mololo, tahaka ny tafika matanjaka vonona ho amin'ny ady izy ireo.
\s5
\v 6 Ao anaty fangirifiriana ny olona ary lasa fotsy hatsatra ny tavan'izy ireo rehetra rehefa eo anatrehan'izy ireo.
\v 7 Mihazakazaka tahaka ny mpiady matanjaka izy ireo; mihanika ireo manda toy ireo miaramila mpiady izy ireo; manao diabe amin'ny laharany avy izy ireo ary tsy vaky ny laharany.
\s5
\v 8 Tsy mifanosika izy ireo; samy mandeha amin'ny lalany avy izy ireo; mamakivaky ny fiarovana izy ireo ary tsy rava ny laharana.
\v 9 Mirohitra eny amin'ny tanàna izy ireo, ary mihazakazaka eny amin'ny manda, mihanika amin'ireo trano izy ireo, ary miditra eo am-baravarankely toy ny mpangalatra izy ireo.
\s5
\v 10 Mihorohoro manoloana azy ireo ny tany, ary miozongozona ny lanitra, ny masoandro sy ny volana dia maizina, ary ny kintana dia mijanona mamiratra.
\v 11 Manandratra ny feony manoloana ny tafiny i Yaveh, satria ireo mpiadiny dia maro an'isa tokoa; satria mahery izy ireo, ireo izay hanatanteraka ny didiny. Fa lehibe sy mahatsiravina tokoa ny andron'i Yaveh. Iza no ho velona amin'izany?
\s5
\v 12 "Koa na dia ankehitriny aza" hoy i Yaveh hoe: "Miverena Amiko amin'ny fonareo manontolo. Mifadia hanina, mitomania, ary manaova fisaonana."
\v 13 Viravirao ihany koa ny fonareo fa tsy ny fitafinareo ihany, ary miverena amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa mamindra fo sy miantra Izy, tsy mora tezitra ary be famindram-po, ary hiala amin'ny fampitondrana famaizana Izy.
\s5
\v 14 Iza no mahalala? Mety hiverina ve izy ary hanana fangoraham-po, ary hamela fitahiana aoriany, dia ny fanatitra voa sy fanatitra sotroina ho an'i Yaveh Andriamanitrareo?
\s5
\v 15 Tsofy ny anjomara ao Ziona, miantsoa fifadian-kanina masina, ary miantsoa fivoriana masina.
\v 16 Angony ny vahoaka, antsoy amin'ny fivoriana masina. Vorio ireo loholona, angony ny ankizy mbamin'ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra hiala ao an'efitranony, ary ny ampakarina hiala an-trano fandriany.
\s5
\v 17 Aoka ireo mpisorona, mpanompon'i Yaveh hitomany eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara. Aoka izy ireo hilaza hoe: "Iantrao ny olonao, ry Yaveh, ary aza avela ho amin'ny fahafaham-baraka ny lovanao, ka hesoin'ireo firenena. Nahoana izy ireo no tokony hiteny amin'ireo firenena hoe: Aiza ny Andriamanin'izy ireo?'"
\s5
\v 18 Koa dia saro-piaro ny amin'ny taniny i Yaveh ary niantra ny olony.
\v 19 Namaly ny olony i Yaveh manao hoe: "Indro, handefa vary ho anareo, divay vaovao, ary menaka Aho. Ho afa-po amin'izany ianareo, ary tsy havelako ho afa-baràka eo amin'ireo firenena intsony ianareo.
\s5
\v 20 Esoriko lavitra anareo ny mpanafika avy any avaratra, ary hitondra azy ireo ho eo amin'ny tany karakaina sy maina Aho. Ny loha-laharan'ny tafik'izy ireo dia handeha any amin'ny ranomasina atsinanana, ary vodi-laharany ho any amin'ny ranomasina andrefana. Hiakatra ny fofony, ary ny fofon-dratsiny hiakatra." Efa nanao zavatra lehibe tokoa izy.
\s5
\v 21 Aza matahotra, ry tany, mifalia sy miravoa, fa Yaveh hanao zavatra lehibe.
\v 22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa hitsimoka ny ahitra any an'efitra, hamoa ireo hazo, ary ny hazo aviavy sy ny voaloboka hamokatra feno.
\v 23 Miravoa, ry vahoakan'i Ziona, ary mifalia ao amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Fa hanome fararanon'orana ary handatsaka orana ho anareo Izy, fararanon'orana sy ny fararanon-dohataona toy ny teo aloha.
\s5
\v 24 Ny famoloana dia ho feno vary, ary ireo vata ho feno divay vaovao sy diloilo.
\v 25 "Hamerina amin'ny laoniny ireo taonan'ny vokatra izay efa nohanin'ny andiam-balala Aho—ny valala lehibe, ny valala mpandrava, ary ny valala mpanimba ho anao Aho— ny tafiko mahery izay nalefako eo aminareo.
\s5
\v 26 Hihinana be dia be ianareo ary ho voky, ary miderà ny anaran'i Yaveh Andriamanitrareo, izay efa nanao fahagagana teo aminareo, ary tsy hitondra fahamenarana eo amin'ny oloko intsony Aho.
\v 27 Hahafantatra ianareo fa eo amin'Israely Aho, ary Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, ary tsy misy ankoatra Ahy, ary tsy hitondra fahamenarana eo amin'ny oloko intsony Aho.
\s5
\v 28 Ao aorian'izany dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho, ary ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy dia haminany. Ny anti-dahinareo dia hanonofy, ny zatovonareo dia hahita fahitana.
\v 29 Amin'ireo andro ireo, dia handrotsaka ny Fanahiko eo amin'ireo mpanompolahy sy mpanompovavy ihany koa Aho.
\s5
\v 30 Hampiseho fahagagana eny amin'ny lanitra sy eo amin'ny tany Aho, dia rà, sy afo, ary setroka miredareda.
\v 31 Ny masoandro hivadika haizina ary ny volana ho rà, alohan'ny ahatongavan'ny andron'i Yaveh izay lehibe sy mampihorohoro.
\s5
\v 32 Izay rehetra miantso ny anaran'i Yaveh dia ho voavonjy. Fa eny amin'ny tendrombohitr'i Ziona sy any Jerosalema no hisy ireo izay tafandositra, araka izay voalazan'i Yaveh, ary eo amin'ireo sisa velona, ireo izay nantsoin'i Yaveh.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Indro, amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, rehefa hampody ny sesitanin'i Joda sy Jerosalema Aho,
\v 2 dia hanangona ny firenena rehetra Aho, ary hitondra azy ireo hidina eo amin'ny Lohasan'i Josafata. Hitsara azy ireo eny Aho, noho ny amin'ny Israely oloko sy lovako, izay niparitahan'izy ireo teo amin'ireo firenena, ary noho ny nizaran'izy ireo ny taniko.
\v 3 Nanao filokana ho an'ny oloko izy ireo, ary nivarotra ny zazalahy ho an'ny mpivaro-tena, ary nivarotra ny zazavavy ho an'ny divay mba ho sotroin'izy ireo.
\s5
\v 4 Ankehitriny, nahoana no tezitra Amiko ianareo, ry Tyro, Sidona ary ny faritr'i Filistia rehetra? Hamaly faty Ahy ve ianareo? Na dia hamaly faty Ahy aza ianareo, dia ho averiko eo amin'ny lohanareo avy hatrany ny sazinareo.
\v 5 Fa naka ny volafotsiko sy ny volamenako ianareo, ary hitondra ny harena sarobidy ao amin'ny tempolinareo Aho.
\v 6 Nivarotra ny olon'i Joda sy Jerosalema amin'ireo Grika ianareo, mba hanesorana azy ireo lavitry ny faritaniny.
\s5
\v 7 Indro, hampiala azy ireo amin'ny toerana izay nivarotanareo azy ireo Aho, ary hanonitra eo amin'ny lohanareo.
\v 8 Hivarotra ny zanakareo lahy sy zanakareo vavy, eo an-tanan'ny olon'i Joda Aho. Hivarotra azy ireo ho amin'i Sabeana izy ireo, any amin'ny firenena lavitra. Fa Yaveh no efa niteny.
\s5
\v 9 Ambarao eo amin'ireo firenena izao hoe: 'Omano amin'ny ady ny tenanareo, fohazo ireo lehilahy mahery, aoka hanatona izy ireo, aoka ny lehilahin'ady rehetra hiakatra.
\v 10 Tefeo ho sabatra ny fangadinareo ary ho lefona ny antsy fandrasanareo. Aoka ny osa hiteny hoe: "Mahery aho."
\s5
\v 11 Faingana ary tongava, ianareo firenena rehetra eny manodidina eny, vorio miaraka eny ny tenanareo. Ry Yaveh, ampidino ireo lehilahy mpiady maherinao.'
\s5
\v 12 Aoka hifoha ireo firenena ary hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata. Fa ao no hitoerako hitsara ny firenena rehetra manodidina.
\v 13 Apetraho ny antsy fijinjana, fa ny vokatra dia matoy. Miavia, potsipotsero ny voaloboka, fa feno ny famiazana. Mihoatra ny vata fitatazana, fa ny faharatsian'izy ireo dia goavana."
\s5
\v 14 Misy tabataba, dia tabataba ao amin'ny Lohasahan'ny Fitsarana. Fa antomotra ny andron'i Yaveh ao amin'ny Lohasahan'ny Fitsarana.
\v 15 Ny masoandro sy volana ho lasa maizina, ary ireo kintana hihazona ny famirapiratany.
\s5
\v 16 Hierona avy any Ziona Yaveh, ary hanandratra ny feony ao Jerosalema. Hiozongozona ny tany sy ny lanitra, nefa Yaveh dia ho fialofan'ny olony, ary fiarovana mafy ho an'ny olon'Israely.
\v 17 "Dia ho fantatrareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina. Koa dia ho masina Jerosalema, ary tsy misy tafika hanao diabe eo aminy indray.
\s5
\v 18 Ho tonga izany amin'ny andro izay hipoiran'ny divay mamy amin'ny tendrombohitra, ny havoana dia hikoriana ronono, ny lohasahan-driakan'i Joda rehetra dia hikoriana rano, ary loharano dia ho tonga avy amin'ny tranon'i Yaveh ary ny rano avy amin'ny Lohasahan'i Sitima.
\v 19 Ho tonga faharavana nilaozana i Egypta ary Edoma ho lasa efitra foana, noho ny herisetra natao tamin'ny olon'i Joda, satria nandatsaka ràn'olona tsy manan-tsiny tao amin'ny taniny izy ireo.
\s5
\v 20 Fa i Joda dia honenana mandrakizay, ary Jerosalema honenan'ny taranaka fara-mandimby.
\v 21 Hamaly faty ny ràn'izay tsy mbola novaliako ho faty Aho," Fa Yaveh monina ao Ziona.