plt_ulb/28-HOS.usfm

439 lines
34 KiB
Plaintext

\id HOS
\ide UTF-8
\h Hosea
\toc1 Hosea
\toc2 Hosea
\toc3 hos
\mt Hosea
\s5
\c 1
\p
\v 1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Hosea zanaka lahin'i Bery tamin'ny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza sy Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ary tamin'ny andron'i Jeroboama zanaka lahin'i Joasy, mpanjakan'Israely.
\v 2 Ary Yaveh raha niteny tamin'ny alalan'i Hosea voalohany, dia hoy Izy taminy hoe: "Mandehana, makà vady izay mpijangajanga ho anao. Hanan-janaka izay vokatry ny fijangajangany izy. Fa manao fijangajangana lehibe amin'ny fahafoizana an'i Yaveh ny tany."
\s5
\v 3 Koa dia lasa i Hosea ka nanambady an'i Gomera zanaka vavin'i Diblaima, ary nitoe-jaza izy ka niteraka zazalahy taminy.
\v 4 Hoy Yaveh tamin'i Hosea hoe: "Ataovy hoe Jezirela ny anarany. Fa ao anatin'ny fotoana fohy dia hanasazy ny ankohonan'i Jeho Aho nohon'ny fandatsahan-drà tany Jezirela, ary hamarana ny fanjakan'ny ankohonan'Israely Aho.
\v 5 Amin'izany andro izany dia ho tapahiko ao amin'ny Lohasahan'i Jezirela ny tsipìkan'Israely."
\s5
\v 6 Nitoe-jaza indray i Gomera ary niteraka zazavavy. Ary hoy Yaveh tamin'i Hosea hoe: "Ataovy hoe Lò-rohama ny anarany, fa tsy hanana indra-fo amin'ny ankohonan'Israely intsony Aho, ka tsy avelako mihitsy ny helok'izy ireo.
\v 7 Fa kosa hanana famindram-po amin'ny ankohonan'i Joda Aho, ary hanavotra azy ireo ny tenako, Yaveh Andriamanitr'izy ireo. Tsy hamonjy azy ireo amin'ny tsipìka, sabatra, ady, soavaly, na mpitaingin-tsoavaly Aho."
\s5
\v 8 Ary rehefa avy nampisara-nono an'i Lò-rohama i Gomera, dia nitoe-jaza ary niteraka zazalahy hafa indray izy.
\v 9 Dia hoy Yaveh hoe: "Ataovy hoe Lò-amy ny anarany, fa ianareo dia tsy vahoakako, ary Izaho tsy Andriamanitrareo.
\s5
\v 10 Fa ny isan'ny ankohonan'Israely kosa dia ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, izay tsy hay afatra na isaina. Ary amin'ny toerana izay nitenenana tamin'izy ireo hoe: 'Tsy oloko ianareo,' no hilazana amin'izy ireo hoe: 'Olon'ilay Andriamanitra velona ianareo.'
\v 11 Hiangona ny mponin'i Joda sy ny mponin'Israely. Hanendry mpitarika iray ho azy izy ireo, ary hiakatra avy amin'ny tany izy ireo, fa ho lehibe ny andron'i Jezirela.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Lazao amin'ireo rahalahinao hoe: 'Ry vahoakako!' ary amin'ireo anabavinao hoe: 'Efa nanehoana fangorahana ianareo.'"
\s5
\v 2 Manaova fitoriana hanohitra ny reninao, Manaova fitoriana, satria tsy vadiko izy, ary Izaho tsy vadiny. Aoka izy hanala ny fivarotan-tenany tsy ho eo anoloany, sy ireo fihetsika fijangajangany tsy ho eo anelanelan'ny nonony.
\v 3 Raha tsy izany, haboridako izy ka hasehoko ny fitanjahany tahaka ny tamin'ny andro nahaterahany. Hataoko tahaka ny efitra izy, tahaka ny tany karakaina, ary hataoko matin'ny hetaheta izy.
\s5
\v 4 Tsy hanana indra-fo amin'ireo zanany Aho, satria zanaky ny fivarotan-tena izy ireo.
\v 5 Satria ny renin'izy ireo dia efa mpivaro-tena, ary izy izay nitondra vohoka azy ireo dia efa nanao fihetsika mahamenatra. Hoy izy hoe: "Hanaraka ireo olon-tiako aho, satria izy ireo no nanome mofo sy rano ho ahy, ny volon'ondry sy rongoniko, ny diloiloko sy rano."
\s5
\v 6 Noho izany dia hanangana fefy misy tsilo hanakana ny lalany Aho. Hanangana manda hanohitra azy Aho ka tsy hahita ny lalany izy.
\v 7 Hanenjika ireo olon-tiany izy, kanefa tsy hahatratra azy ireo. Hitady azy ireo izy, kanefa tsy hahita azy ireo. Ary hilaza izy avy eo hoe: "Hiverina amin'ny vadiko voalohany aho, satria izany no mety amiko kokoa noho izao."
\s5
\v 8 Satria tsy fantany fa Izaho ilay nanome azy vary, divay vaovao sy diloilo, ary nanafotafo volafotsy sy volamena azy, izay nampiasain'izy ireo ho an'i Bala avy eo.
\v 9 Koa halaiko indray ny variny amin'ny fotoam-pijinjana, ary ny divaiko vaovao amin'ny fotoanany. Halaiko indray ny volon'ondriko sy ny rongoniko izay nampiasaina mba hanafenana ny fitanjahany.
\s5
\v 10 Ary havelako hitanjaka eo imason'ireo olon-tiany izy, ary tsy hisy na iza na iza hahavonjy azy eo an-tanako.
\v 11 Hampitsahatra ny fankalazany rehetra ihany koa Aho— ireo fanasany, ireo fankalazany ny volana vaovao, ireo Sabatany, ary ireo andro firavoravoany voatondro rehetra.
\s5
\v 12 "Hamotika ireo voalobony sy ireo hazon'aviaviny Aho, izay efa nilazany hoe: 'Ireto no tamby izay nomen'ireo olon-tiako ahy.' Hataoko ho ala ireo, ary ireo bibin'ny saha hihinana izany.
\v 13 Hanasazy azy nohon'ny andro firavoravoan'ireo Bala Aho, rehefa nandoro ditin-kazo manitra ho azy ireo izy, rehefa nanaingo ny tenany tamin'ny perany sy ny firavany izy, ary nanaraka ireo olon-tiany izy ka nanadino Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 14 Koa efa mby amin'ny famerenana azy Aho. Hitondra azy ho any an-tany efitra Aho ka hiteny amim-pitiavana aminy.
\v 15 Hamerina ireo tanim-boalobony Aho, ary ny Lohasahan'ny Akora ho vavahadin'ny fanantenana. Hamaly Ahy ao izy tahaka ny nataony tamin'ireo androm-pahatanorany, tahaka ny tamin'ireo andro izay nivoahany ny tany Egypta.
\s5
\v 16 "Koa ho amin'izany andro izany— izany no fanambaran'i Yaveh—dia hiantso Ahy ianao hoe: 'Vadiko,' ary tsy hiantso Ahy intsony ianao hoe: 'Balako'.
\v 17 Fa ho esoriko eo am-bavany ireo anaran'ireo Bala; tsy ho tsaroana intsony ny anaran'izy ireo."
\s5
\v 18 "Amin'izany andro izany dia hanao fanekena amin'izy ireo miaraka amin'ireo biby any an-tsaha, miaraka amin'ireo vorona eny amin'ny habakabaka, ary miaraka amin'ireo zava-mandady amin'ny tany rehetra Aho. Ho esoriko tsy ho amin'ny tany intsony ny tsipìka, ny sabatra, sy ny ady, ary hataoko mandry fahizay ianao.
\s5
\v 19 Hampanantena ny ho vadinao mandrakizay Aho. Hampanantena ny ho vadinao amin'ny fahamarinana, ny rariny, ny tsy fivadiham-panekena, ary famindram-po Aho.
\v 20 Mianiana amin'ny tenako amim-pahatokiana ho anao Aho, ka ho fantatrao i Yaveh.
\s5
\v 21 Amin'izany andro izany, dia hamaly Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—hamaly ny lanitra Aho, ary ireo hamaly ny tany.
\v 22 Ny tany hamaly ny vary, ny voaloboka vaovao sy ny diloilo, ary izy ireo hamaly an'i Jezirela.
\s5
\v 23 Hamboleko ho Ahy eo amin'ny tany izy, ary hanana famindram-po ao amin'ny Lò-rohama Aho. Hiteny amin'i Lò-amy Aho hoe: 'Ianao no oloko,' ary izy ireo hanao Amiko hoe: 'Ianao no Andriamanitro.'"
\s5
\c 3
\p
\v 1 Yaveh niteny tamiko hoe: "Mandehana indray, mitiava vehivavy iray, izay notiavin'ny vadiny, kanefa mpijangajanga. Tiavo tahaka ny itiavako, Yaveh, ny vahoakan'Israely izy, na dia mihodina ho amin'ny andriamani-kafa sy mankafy mofo vita amin'ny voaloboka aza izy ireo."
\v 2 Koa novidiako sekely volafotsy dimy ambin'ny folo ho Ahy sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
\v 3 Hoy Aho taminy hoe: "Tsy maintsy miara-mipetraka Amiko mandritra ny andro maro ianao. Tsy ho mpijangajana ianao na ho an'ny lehilahy hafa. Tahaka izany ihany, no hiarahako aminao."
\s5
\v 4 Fa ireo olon'Israely dia hiaina andro maro tsy misy mpanjaka, andrian-dahy, sorona, andry vato, efoda na sampin-trano.
\v 5 Ary avy eo ny olon'Israely dia hiverina ary hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo sy Davida mpanjakan'izy ireo, ary amin'ireo andro farany, dia ho avy amin-kovitra eo anatrehan'i Yaveh sy ny hatsarany izy ireo.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Henoy ny Tenin'i Yaveh, ianareo ry vahoakan' Israely. Manao fitoriana amin'ny mponin'ny tany i Yaveh, satria tsy misy fahamarinana na fanekena mahatoky ao, tsy misy fahalalana an'Andriamanitra ao amin'ny tany.
\v 2 Misy ozona, lainga, famonoana, halatra sy fijangajangana ao. Nopotehan'ny vahoaka ny fatotra rehetra, ary ny miampy manaraka ny fandatsahan-drà.
\s5
\v 3 Ka mihamaina ny tany, ary ketraka izay rehetra monina amin'izany; ireo bibi-dia any an-tsaha sy ny vorona eny amin'ny lanitra, na ny trondro any anaty ranomasina aza, dia esorina.
\s5
\v 4 Fa aza mamela na iza na iza hanao fitoriana; aza mamela na iza na iza hiampanga ny hafa. Fa ianareo izany, ry mpisorona, izay ampangaiko.
\v 5 Ho tafintohina ianareo mpisorona mandritra ny andro; ho tafintohina miaraka aminareo ihany koa ireo mpaminany amin'ny alina, ary ho potehiko ny reninareo.
\s5
\v 6 Ringana ny oloko nohon'ny tsy fahampian'ny fahalalana. Satria efa nandà ny fahalalana ianareo mpisorona, Izaho ihany koa dia handà anareo amin'ny maha mpisorona ho Ahy. Satria nohadinoinareo ny lalàko, na dia Andriamanitrareo aza Aho, dia hanadino ireo zanakareo ihany koa Aho.
\v 7 Arakaraka ny hitomboan'ny mpisorona, no hanotan'izy ireo Amiko. Natakalon'izy ireo henatra ny voninahitr'izy ireo.
\s5
\v 8 Mihinana ny fahotan'ny vahoakako izy ireo; mangetahetan'ny faharatsiany bebe kokoa izy ireo.
\v 9 Hitovy ihany ho an'ny vahoaka sy ho an'ireo mpisorona: hanafay azy rehetra nohon'ny fanaony Aho; hamaly azy ireo noho ny asany Aho.
\s5
\v 10 Hihinana izy ireo fa tsy ho voky; hanatanteraka fijangajangana izy ireo fa tsy hitombo, satria nanalavitra an'i Yaveh izy ireo.
\s5
\v 11 Tia fijangajangana mamoa-fady, divay, ary divay vaovao izy ireo, izay nanala ny fahazavan-tsain'izy ireo.
\v 12 Manontany ireo sampiny hazo ny oloko, ary ny tapa-kazon'izy ireo nanome faminaniana ho azy ireo. Fa namitaka azy ireo ny fanahin'ny fijangajangana, ary nitondra tena toy ny mpijangajanga izy ireo raha tokony nahatoky ny Andriamanitr'izy ireo
\s5
\v 13 Manao sorona eny an-tampon-tendrombohitra izy ireo ary mandoro ditin-kazo manitra eny amin'ireo havoana, ambanin'ny hazo oka, popola sy terebinta, satria tsara ny alokaloka. Ka fahavetavaetana ara-nofo ireo zanakareo vavinareo, ary ireo vinanto vavinareo mijangajanga.
\v 14 Tsy hanafay ireo zanakareo vavy Aho rehefa misafidy ny hanao fahavetavetana ara-nofo izy ireo, na ny vinanto vavinareo rehefa mijangajanga izy ireo. Fa ireo lehilahy ihany koa dia manolotra ny tenany ho an'ireo mpijangajanga, ary manolotra sorona izy ireo ka afaka manao asa maloto miaraka amin'ireo mpivaro-tena masina. Koa ho atsipy any ity vahoaka izay tsy mahalala ity.
\s5
\v 15 Fa ianao, ry Israely, na dia nanao fijangajangana aza, dia enga anie Joda tsy ho tonga meloka. Aza mandeha any Gilgala, ianao ry vahoaka; aza mandeha miakatra any Betavena, ary aza mianiana, manao hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh."
\v 16 Fa Israely dia nitondra tena tamin'ny fahamafisan-doha, tahaka ny ombivavy mafy loha. Ahoana no hitondran'i Yaveh azy ireo eny amin'ny fihinanam-bilona tahaka ny zanak'ondry any amin'ny tanin'ahitra?
\s5
\v 17 Nampiray ny tenany tamin'ireo sampy i Efraima; avelao ho irery izy.
\v 18 Na dia lany aza ny zava-pisotro maherin'izy ireo, dia manohy ny fijangajangana izy ireo; mankafy fatratra ny henatr'izy ireo ny mpanapany.
\v 19 Handrakotra azy ireo amin'ny elany ny rivotra; ary ho menatra izy ireo noho ny amin'ny soron'izy ireo.
\s5
\c 5
\p
\v 1 "Henoy izao, ry mpisorona! Manongilàna sofina, ry ankohonan'Israely! Mihainoa, ry ankohonan'ny mpanjaka! Fa ny fitsarana dia avy hanohitra anareo rehetra. Fa efa fandrika tany Mizpa ianao ary harato nivelatra teo amin'ny Tabara.
\v 2 Ireo mpikomy mikiry fatratra amin'ny famonoana, fa Izaho no hanasazy azy rehetra ireo.
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny sasany taty aoriana dia manao hoe: "Ireo mpikomy dia nihady lavaka lalina," "nihady lavaka lalina tao Sitima ireo mpikomy," na, mitohy amin'ny andininy teo aloha hoe: "lavaka voahady lalina ao Sitima." \f*
\s5
\v 3 Fantatro Efraima, ary Israely tsy miafina amiko. Ry Efraima, ankehitriny ianao dia tonga toy ny mpivaro-tena; voaloto Israely.
\v 4 Tsy hamela azy ireo hiverina amin'Andriamanitra ireo asany, satria ny fanahin'ny fijangajangana no ao amin'izy ireo, ary tsy fantatr'izy ireo Yaveh.
\s5
\v 5 Ny fireharehan'Israely dia vavolombelona manohitra azy; koa ho tafintohina amin'ny fahamelohan'izy ireo Israely sy Efraima; ary Joda ihany koa dia ho tafintohina miaraka amin'izy ireo.
\v 6 Handeha hiaraka amin'ny ondry aman'osiny sy ombiny izy ireo mba hitady an'i Yaveh, fa tsy hahita Azy izy ireo, satria nanala ny tenany tamin'izy ireo Izy.
\v 7 Tsy nahatoky an'i Yaveh izy ireo, fa niteraka zaza tsy araka ny lalàna izy ireo. Ankehitriny ny firavoravoan'ny voaloham-bolana no handevona azy ireo mbamin'ireo sahany.
\s5
\v 8 Tsofy ao Gibea ny anjomara, ary ao Rama ny trompetra. Manaova hiakiakan'ady ao Betavena hoe: 'Hanaraka anao izahay ry Benjamina!'
\v 9 Ho lao Efraima amin'ny andron'ny fanasaziana. Teo amin'ireo fokon'Israely no nanambarako izay tsy maintsy hitranga.
\s5
\v 10 Ireo mpitarik'i Joda dia toy ireo izay mamindra fefy vato. Hararako toy ny rano amin'izy ireo ny fahavinirako.
\v 11 Torotoro Efraima; torotoron'ny fitsarana izy, satria nandeha tamin'ny tsitra-pony hanaraka sampy.
\s5
\v 12 Ary ho toy ny kalalao amin'i Efraima Aho, ary tahaka ny bobongolo amin'ny ankohonan'i Joda.
\v 13 Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary hitan'i Joda ny ratrany, dia nandeha tany Asyria i Efraima, ary Joda nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ilay mpanjaka lehibe. Fa tsy afaka nitsabo anareo izy ry olona na nanasitrana ny ratranareo.
\s5
\v 14 Koa ho toy ny liona amin'i Efraima Aho, ary ho toy ny liona tanora amin'ny ankohonan'i Joda. Izaho, eny Izaho, no hamiravira ary handeha; ho entiko izy ireo, ary tsy hisy hanavotra azy ireo.
\v 15 Handeha Aho ary hiverina any amin'ny toerako, mandra-piaiken'izy ireo ny helony ka hitady ny tavako, mandra-pitadin'izy ireo Ahy fatratra amin'ny fahorian'izy ireo."
\s5
\c 6
\p
\v 1 "Avia, andeha isika hiverina amin'i Yaveh. Fa efa nanorotoro antsika Izy, nefa hanasitrana antsika; nandratra antsika Izy, fa hamehy ny ferintsika.
\v 2 Afaka roa andro dia hamelona antsika indray Izy; hanangana antsika Izy amin'ny andro fahatelo, ary ho velona eo anoloany isika.
\v 3 Aoka hahafantatra an'i Yaveh isika; aoka ho dodona ny hahalala an'i Yaveh isika. Ny fiposahany dia azo antoka tahaka ny mangiran-dratsy; ho avy amintsika tahaka ny ranon'orana Izy, toy ny loharanon'orana izay manondraka ny tany."
\s5
\v 4 Ry Efraima, inona no hataoko miaraka aminao? Ry Joda, inona no hataoko miaraka aminao? Ny fahatokianao dia toy ny rahon'ny maraina, tahaka ny ando izay vetivety dia lasa.
\v 5 Koa nokapakapaiko tamin'ny alalan'ireo mpaminany izy ireo, novonoiko tamin'ny alalan'ny tenin'ny vavako izy ireo. Ireo lalànao dia toy ny hazavana izay mamirapiratra.
\s5
\v 6 Fa fahatokiana no iriako fa tsy sorona, ary ny fahafantarana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
\v 7 Toa an'i Adama dia namadika ny fanekena izy ireo; tsy nahatoky Ahy izy ireo.
\s5
\v 8 Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy miaraka amin'ny dian-tongotra mihoson-drà.
\v 9 Toy ny fiandrasan'ny andian-jiolahy olona, no hikambanan'ireo andiana mpisorona hamono olona any amin'ny lalana mankany Sekema; nanao heloka mahamenatra izy ireo.
\s5
\v 10 Tao amin'ny ankohonan'Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ny fivarotan-tenan'i Efraima no ao, ary Israely dia nanjary naloto.
\v 11 Fa ho anao ihany koa, ry Joda, dia efa voatondro ny fotoam-pijinjana, rehefa hamerina ny haren'ny oloko Aho.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Isaky ny te-hanasitrana an'Israely Aho, dia miseho ny fahotan'i Efraima, sy ny asa ratsin'i Samaria, satria mamitaka izy ireo; tonga ny mpangalatra, ary ny andiana mpandroba manafika eny an-dalambe.
\v 2 Tsy tsapan'izy ireo tao am-pony fa tsaroako ny asa ratsiny rehetra. Ankehitriny mihodidina eo amin'izy ireo ny asany; manoloana ny tavako ireo.
\s5
\v 3 Faly tamin'ny faharatsian'izy ireo ny mpanjaka, ary tamin'ny laingany ny manam-pahefana.
\v 4 Izy rehetra dia mpijangajanga, tahaka ny lafaoro nafanain'ny mpanao mofo, izay mitsahatra misoron'afo hatramin'ny famolavolana ny foto-koba ka mandra-pitombon'izany.
\v 5 Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika ireo manam-pahefana dia nankarary ny tenany tamin'ny hafanan'ny divay. Naninjitra ny tanany tamin'ireo izay naneso izy.
\s5
\v 6 Fa amin'ny fo toy ny lafaoro, no hieverany ireo tetika famitahan'izy ireo. Mirehitra mandritra ny alina tontolo ny fahatezeran'izy ireo; ny amin'ny maraina dia mirehitra toy ny afo midedadeda izany.
\v 7 Izy rehetra dia mafana tahaka ny lafaoro, ary mandrapaka ireo izay manapaka eo amin'izy ireo. Efa lavo ireo mpanjakany rehetra; tsy nisy niantso Ahy izy ireo.
\s5
\v 8 Nifangaro tamin'ireo olona i Efraima. Mofomamy fisaka izay tsy mbola navadika i Efraima.
\v 9 Efa nandevona ny heriny ireo firenena hafa, nefa tsy fantany izany. Volo fotsy no mifafy eo aminy, nefa tsy fantany izany.
\s5
\v 10 Ny avonavon'Israely dia vavolombelona miampanga azy; na izany aza, dia tsy niverina tamin'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, na nitady Azy, na dia teo aza izany rehetra izany.
\v 11 Efraima dia toy ny voromailala, minomino foana sady tsy misy saina, miantso mafy any Egypta, avy eo manidina ho any Asyria.
\s5
\v 12 Rehefa mandeha izy ireo, dia ho velariko eo amin'izy ireo ny haratoko, hampidiniko toy ny voron'ny lanitra izy ireo. Hanasazy azy ireo ao amin'ny firohotany Aho.
\v 13 Lozan'izy ireo! Fa efa nandositra Ahy izy ireo. Tonga eo amin'izy ireo ny fandringanana! Nikomy tamiko izy ireo! Tokony hanavotra azy ireo Aho, kanefa nilaza lainga tamiko izy ireo.
\s5
\v 14 Tsy nihiaka tamiko tamin'ny fony rehetra izy ireo, fa midradradradra eo am-pandriany. Miara-miangona ho an'ny vary sy ny divay vaovao izy ireo, ary mivily miala Amiko.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Miara-miangona izy ireo", izay misy amin'ny teny Hebreo, ny dikan-teny sasany taloha sy ny dikan-teny vaovao maro manao hoe: "Nanety ny tenany izy ireo", fanondrona ny fomba fanompoan-tsampiny mandratra ny tenany tao amin'ny fahatezeram-bavaka. \f*
\v 15 Na dia nampianatra azy ireo sy nanamafy ny sandriny aza Aho, dia miteti-dratsy hanohitra Ahy izy ireo ankehitriny.
\s5
\v 16 Miverina izy ireo, nefa tsy miverina Amiko, ilay Avo Indrindra. Toy ny tsipìka miraviravy izy ireo. Ho lavo amin'ny sabatra nohon'ny fitenenam-poan'ny lelany ny manam-pahefan'izy ireo. Izany no ho zary fanesoan'izy ireo ao amin'ny tany Egypta.
\s5
\c 8
\p
\v 1 "Ametraho anjomara eo amin'ny molotrao! Misy voromahery tonga eo amin'ny tranon'i Yaveh satria nandika ny fanekeko sy nikomy nanohitra ny lalàko ny olona.
\v 2 Mitaraina Amiko izy ireo hoe: 'Ry Andriamanitro, izahay aty Israely dia mahafantatra Anao.'
\v 3 Nefa Israely dia efa nanary izay tsara, ary ny fahavalo hanenjika azy.
\s5
\v 4 Efa nametraka ireo mpanjaka izy ireo, nefa tsy avy tamiko. Efa nametraka andrian-dahy izy ireo, nefa tsy tamin'ny fahalalako. Tamin'ny volafotsiny sy ny volamenany no efa nanamboarany ny sampy ho an'ny tenany, nefa izany dia mba hamongorona azy ireo ihany."
\v 5 "Nolavina ny zanak'ombinao, ry Samaria. Mirehitra amin'ireo olona ireo ny fahatezerako. Fa mandra-pahoviana no hijanona ho meloka izy ireo?
\s5
\v 6 Fa izany sampy izany dia avy tao Israely; ny mpiasa no nanao izany; tsy Andriamanitra izany! Ho tetitetehina ny zanak'ombin'i Samaria.
\v 7 Fa ny olona mamafy rivotra dia mijinja tadio. Tsy misy salohiny ny vary maniry eny an-tsaha; tsy misy ventiny ny vokatr'izany. Raha tonga matoy izany, dia handrapaka izany ny vahiny.
\s5
\v 8 Dia voatelina Israely; ankehitriny mandainga eo amin'ireo firenena tahaka ny zavatra tsy misy ilàna azy izy ireo.
\v 9 Fa niakatra tany Asyria tahaka ny ampondra-dia mandeha irery izy ireo. Efa nanakarama mpitia ny tenany i Efraima.
\v 10 Na dia efa nanakarama olon-tiana eo amin'ireo firenena aza izy ireo, ankehitriny dia hanangona azy ireo miaraka Aho. Hanomboka hihaosa izy ireo nohon'ny fampahorian'ny mpanjakan'ireo andrian-dahy.
\s5
\v 11 Fa efa nampitombo ireo alitara ho an'ny fanatitra noho ny ota i Efraima, nefa efa lasa alitara ho amin'ny fanotana izany.
\v 12 Afaka nanoratra ny lalàko indray alina ho azy ireo Aho, nefa izy ireo handray izany tahaka ny zavatra hafahafa aminy.
\s5
\v 13 Raha ny amin'ireo soron'ny fanatitro, dia manao sorona hena izy ireo ary mihinana izany, kanefa Izaho, Yaveh, dia tsy manaiky ireo. Ankehitriny hieritreritra ny momba ny helony Aho ary hanasazy ny amin'ny otany. Hiverina any Egypta izy ireo.
\v 14 Israely dia efa nanadino Ahy, Mpanao azy, ary efa nanorina lapa. Efa nanamafy tanàna maro i Joda, nefa handefa afo eo amin'ireo tanànany Aho; handringana ireo fiarovany mafy izany.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Aza mifaly, amin'ny hafaliana toy ireo olona hafa, ry Israely. Fa tsy nahatoky ianao, nahafoy ny Andriamanitrao. Tianao ny mandoa ny karama angatahin'ny mpivaro-tena amin'ny famoloana rehetra.
\v 2 Fa ny famoloana sy ny famiazana dia tsy hamahana azy ireo; handiso fanantenana azy ireo ny divay vaovao.
\s5
\v 3 Tsy hitoetra ao amin'ny tanin'i Yaveh intsony izy ireo; fa kosa, hiverina any Egypta i Efraima, ary indray andro izy ireo dia hihinana sakafo maloto any Asyria.
\v 4 Tsy handraraka fanatitra divay ho an'i Yaveh izy ireo, na hankasitrahany. Ho toy ny sakafon'ny mpisaona aminy ny soron'izy ireo: izay rehetra mihinana izany dia ho voaloto. Fa ny sakafon'izy ireo dia ho azy ireo irery ihany; tsy hiditra ny tranon'i Yaveh izany.
\s5
\v 5 Inona no ho ataonareo amin'ny andron'ny firavoravoana voatondro, amin'ny andron'ny firavoravoana ho an'i Yaveh?
\v 6 Fa, indro, raha afa-mandositra amin'ny fandringanana izy ireo, dia hanangona azy ireo Egypta, ary handevina azy ireo i Memfisa. Raha ny amin'ireo harena volafotsin'izy ireo—ho lasan'ny tsilo maranitra ireo, ary hameno ny lain'izy ireo ny tsilo.
\s5
\v 7 Ho tonga ny andro famaizana; tonga ny andro famaliana. Aoka ho fantatry ny Israely rehetra ireo zavatra ireo. Adala ny mpaminany, ary very saina ny olona azon-tsindrimandry, nohon'ny helokareo lehibe sy fandrafianareo lehibe.
\s5
\v 8 Ny mpaminany no mpiambina an'i Efraima ho an'ny Andriamanitro. Fa misy fandri-borona amin'ny lalany rehetra, ary ny fankahalana azy dia ao an-tranon'ny Andriamaniny.
\v 9 Efa nanimba toetra fatratra toy ny tamin'ny andron'i Gibea izy ireo. Ho tsaroan'Andriamanitra ny helok'izy ireo, ary ho faiziny ny fahotan'izy ireo.
\s5
\v 10 Hoy Yaveh hoe: "Rehefa nahita an'Israely Aho, dia toy ny hoe nahita voaloboka tany an'efitra. Toy ny voaloham-boan'ny fotoanan'ny aviavy, dia nahita ny razambenareo Aho. Fa nankany Bala-peora izy ireo, ary nanoka-tena tamin'izany sampy mahamenatra izany. Lasa maharikoriko toy ilay sampy notiaviny izy ireo.
\s5
\v 11 Raha ny amin'i Efraima, dia hanidina toy ny vorona ny voninahitr'izy ireo. Tsy hisy fahaterahana, tsy hisy fananan'anaka, ary tsy hisy torotoronina.
\v 12 Na dia nitaiza zaza aza izy ireo, dia ho alaiko izy ireo ka tsy hisy ho tavela. Loza ho azy ireo rehefa mivadika amin'izy ireo Aho!
\s5
\v 13 Efa nahita an'i Efraima Aho, tahaka an'i Tyro, nambolena teo amin'ny tanin'ahitra, fa Efraima dia hitondra ireo zanany ho any amin'ny olon-kafa izay hamono azy ireo."
\v 14 Omeo izy ireo, ry Yaveh—inona no homenao azy ireo? Omeo kibo tsy mahazo zaza sy nono izay tsy manome ronono izy ireo.
\s5
\v 15 "Noho ny faharatsian'izy ireo rehetra tany Gilgala, izay nankahalako azy ireo voalohany. Noho ny asan'izy ireo feno fahotana, dia ho roahiko hivoaka ny tranoko izy ireo. Tsy ho tia azy ireo intsony Aho; mpikomy avokoa ireo manam-pahefan'izy ireo.
\s5
\v 16 Misy aretina Efraima, ary maina ny fakan'izy ireo; tsy mamoa ireo. Na dia manan-janaka aza izy ireo, dia ho vonoiko ny zanaka malalan'izy ireo."
\v 17 Ho arian'ny Andriamanitro izy ireo satria tsy nankatoa Azy. Ho lasa mpirenireny eo amin'ireo firenena izy ireo.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Israely dia voaloboka mandrobona izay mamokatra ny voany. Araka ny nitomboan'ny voany, no habetsaky ny alitara nataony. Araka ny namokaran'ny taniny maro, no nanatsarany ireo andrim-batony.
\v 2 Mamitaka ny fon'izy ireo; ankehitriny dia tsy maintsy hibaby ny helony izy ireo. Ho arodan'i Yaveh ny alitaran'izy ireo; ho ravainy ireo andrim-batony.
\s5
\v 3 Fa hilaza izy ireo hoe: "Tsy manana mpanjaka isika, satria isika tsy natahotra an'i Yaveh, ary ny mpanjaka—inona no mety ho ataony amintsika?"
\v 4 Niteniteny foana izy ireo ary nanao fanekena tamin'ny fianianan-tsy to. Koa nitsimoka tahaka ny ahi-dratsy misy poizina eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
\s5
\v 5 Ny mponin'i Samaria dia hatahotra noho ireo ombivavin'i Betavena. Nisaona teo amin'izy ireo ny vahoakany, tahaka ny nataon'ireo mpisorona mpanompo sampy izay efa niravoravo teo amin'izy ireo sy ny famirapiratan'izy ireo, saingy tsy any intsony izy ireo.
\v 6 Ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'ny mpanjaka lehibe izy ireo. Ho afa-baraka Efraima, ary ho menatra amin'ireo sampiny Israely.
\s5
\v 7 Ho rava tahaka ny tapa-kazo eo ambony rano ny mpanjakan'i Samaria.
\v 8 Ho rava ny toerana avon'ny faharatsiana rehetra. Izany no fahotan'Israely! Ny tsilo sy ny ahitra dia hitombo eo amin'ny alitaran'izy ireo. Hilaza amin'ny tendrombohitra ny vahoaka hoe: "Sarony izahay!" ary amin'ny havoana hoe: "Mianjerà aminay!"
\s5
\v 9 "Ry Israely, efa hatramin'ny andron'i Gibea ianao no nanota; tany ianao no nitoetra. Tsy hahatratra ireo zanaky ny ratsy ao Gibea ve ny ady?
\s5
\v 10 Raha sitrako izany, dia hanafay azy ireo Aho. Hiaraka hivondrona hanohitra azy ireo ny firenena ary hametraka azy ireo amin'ny fatotra noho ny helok'izy ireo misosona.
\v 11 Efraima dia omby vavy kely voafolaka izay tia mively vary, koa hanisy zioga eo amin'ny vozony tsara tarehy Aho. Hanisy zioga eo amin'i Efraima Aho; hiasa tany i Joda; Jakoba ihany no hisintona ny fandravonana.
\s5
\v 12 Mamafaza fahamarinana ho an'ny tenanareo, ary jinjao ny Mamafaza fahamarinana ho an'ny tenanareo, ary jinjao ny voakatry ny tsy fivadiham-panekena. Vakio ny tany mbola tsy nohasainareo, fa fotoana hitadiavana an'i Yaveh izao, mandram-piaviny sy handatsahany fahamarinana eo aminareo.
\v 13 Efa namboly faharatsiana ianareo; dia nijinja ny tsy rariny. Efa nihinana ny voan'ny fitaka ianareo satria nahatoky ireo paikadinareo sy ireo miaramilanareo maro.
\s5
\v 14 Koa hisy tabataban'ady eo amin'ireo vahoakanao, ary ho rava ireo tanànanao voaaro mafy rehetra. Ho tahaka an'i Bet-arbela noravan'i Salamana tamin'ny andron'ny ady izany, rehefa torotoro niaraka tamin'ireo zanany ireo reny.
\v 15 Ka hiseho aminao izany, ry Betela, noho ny halehiben'ny faharatsianao. Vao maraina no hanesorana tanteraka ny mpanjakan'Israely."
\s5
\c 11
\p
\v 1 "Fony mbola tovolahy Israely dia notiaviko, ary niantso ny zanako lahy hivoaka an'i Egypta Aho.
\v 2 Arakaraka ny niantsoana azy ireo, no nanalaviran'izy ireo Ahy. Ary nanao sorona ho an'i Bala sy nandoro ny ditin-kazo manitra ho an'ny sampy izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny sasany taloha sy ny ankamaroan'ireo dikan-teny vaovao dia manao hoe: "Niala tamiko izy ireo." Ny lahatsoratra Hebreo manao hoe: "Niala taminy izy ireo." \f*
\s5
\v 3 Kanefa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Izaho no nitrotro azy ireo teo amin'ny sandriny, saingy tsy fantatr'izy ireo fa nikarakara azy ireo Aho.
\v 4 Tamin'ny kofehin'ny maha-olombelona no nitarihiko azy ireo, tamin'ny fatoran'ny fitiavana. Tahaka ny olona izay nanamaivana ny zioga teo amin'ny valanoranon'izy ireo Aho, ary niondrika teo amin'izy ireo Aho ka namahana azy ireo.
\s5
\v 5 Tsy hiverina any amin'ny tanin'i Egypta ve izy ireo? Tsy hanapaka eo amin'izy ireo ve Asyria satria mandà ny hiverina amiko izy ireo?
\v 6 Hilatsaka amin'ny tanànan'izy ireo ny sabatra ary hamotika ny hidin'ny vavahadiny; handrava azy ireo izany noho ny tetik'izy ireo ihany.
\v 7 Nanapa-kevitra ny hiala amiko ny oloko. Na dia miantso Ilay Avo Indrindra aza izy ireo, dia tsy hisy na iray aza hanampy azy ireo.
\s5
\v 8 Ahoana no handaozako anao, ry Efraima? Ahoana no hanolorako anao, ry Israely? Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Adma? Ahoana no hanaovako anao tahaka an'i Zeboima? Niova ny tao anatin'ny foko; efa niakatra ny fangoraham-poko rehetra.
\v 9 Tsy hanatanteraka ny fahavinirako Aho; tsy handringana an'i Efraima intsony. Fa Andriamanitra Aho fa tsy olona; Izaho Ilay Masina eo aminareo, ary tsy ho avy amin'ny fahatezerana Aho.
\s5
\v 10 Hanaraka an'i Yaveh izy ireo; ary hierona tahaka ny liona Izy. Rehefa mierona Izy, dia ho avy am-pangovitana avy any andrefana ireo zanany.
\v 11 Ho avy am-pangovitana tahaka ny vorona avy any Egypta izy ireo, tahaka ny voromailala avy any amin'ny tanin'i Asyria. Hampitoeriko ao an-tranony izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 12 Hodidinin'i Efraima amin'ny lainga aho, ary ny taranak'Israely amin'ny fitaka. Kanefa Joda dia mbola miaraka amiko, Andriamanitra, ary mahatoky Ahy, ilay Iray Masina."
\s5
\c 12
\p
\v 1 Efraima mihinan-drivotra ary manaraka ny rivotra avy any atsinanana. Mampitombo isa ireo lainga sy herisetra mandrakariva izy. Manao fanekena miaraka amin'i Asyria ary mitondra menaka oliva ho any Egypta izy ireo.
\v 2 Manana ady amin'i Joda ihany koa i Yaveh ary hanafay an'i Jakoba noho ireo izay nataony; hamaly azy Izy noho ireo asany.
\s5
\v 3 Tao an-kibo no nihazonan'i Jakoba ny rahalahiny tamin'ny vodi-tongony, ary tamin'ny fahalebiazany no niadivany tamin'Andriamanitra.
\v 4 Niady tamin'ilay anjely izy ka naharesy. Nitomany sy nitaraina ho an'ny sitrany izy. Nahita an'Andriamanitra tao Betela izy; tany no niresahan'Andriamanitra taminy.
\s5
\v 5 Izao no Yaveh, ilay Andriamanitra tompon'ny maro; "Yaveh" no anarany hiantsoana Azy.
\v 6 Koa miverena amin'ny Andriamanitrareo. Tandremo ny fanekena mahatoky sy ny rariny, ary mahandrasa mandrakariva an'Andriamanitrareo.
\s5
\v 7 Ny mpivarotra dia manana mizana diso eo an-tanan'izy ireo; tia fanambakana izy ireo.
\v 8 Hoy Efraima hoe: "Tonga nanan-karena be tokoa aho; nahita harena ho an'ny tenako aho. Tsy hahita heloka amiko amin'ny asako rehetra izy ireo, izay rehetra mety ho fahotana."
\s5
\v 9 "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo avy any amin'ny tany Egypta. Hamponeniko anaty lay indray ianareo, tahaka ny tamin'ny firavoravoana voatondro.
\v 10 Niteny tamin'ireo mpaminany Aho, ary nanome fahitana maro ho azy ireo ho anao. Tamin'ny tanan'ireo mpaminany no nanomezako fanoharana."
\s5
\v 11 Raha misy faharatsiana ao Gileada, dia zava-poana tokoa ny olona. Ataon'izy ireo sorona ao Gilgala ireo ombilahy; ho tahaka ny antontam-bato ao anatin'ireo saham-bavasa ny alitaran'izy ireo.
\v 12 Nitsoaka ho any amin'ny tanin'i Syria i Jakoba; niasa mba hahazo vady i Israely; ary niandry ondry aman'osy izy mba hahazo vady.
\s5
\v 13 Nitondra ny Israely hivoaka ny tany Egypta tamin'ny alalan'ny mpaminany i Yaveh, ary tamin'ny alalan'ny mpaminany no nikarakarany azy ireo.
\v 14 Nahatezitra mafy an'i Yaveh i Efraima. Noho izany dia hamela ny ràny eo aminy ny Tompony ary hamerina aminy ny fahafaham-barakany.
\s5
\c 13
\p
\v 1 "Rehefa niteny i Efraima, dia nisy hovitrovitra. Nanandratra ny tenany tany Israely izy, nefa lasa meloka noho ny fanompoana an'i Bala izy, ka maty.
\v 2 Miha-manota hatrany izy ireo ankehitriny. Manao sary sokitra vy amin'ny volafotsiny izy ireo, sampy natao tsara araka izay azo natao, ireo rehetra ireo dia asan'ny mpanao asa tanana. Nilaza ny amin'izy ireo ny olona hoe: 'Ireo olona izay manao sorona ireo dia manoroka zanak'omby.'
\s5
\v 3 Ka ho toy ny rahon'ny maraina izy ireo, toy ny ando izay mora maina, toy ny akofa izay tsofin'ny rivotra avy eo amin'ny famoloana, ary toy ny setroka mivoaka amin'ny fivoahan-tsetroka.
\s5
\v 4 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo avy amin'ny tany Egypta. Aoka ianareo tsy hanaiky Andriamanitra afa-tsy Izaho ihany; aoka ianareo hanaiky fa ankoatra Ahy, dia tsy misy mpamonjy hafa.
\v 5 Fantatro ianareo tany an-tany efitra, tany amin'ny tany fahamainana lehibe.
\v 6 Rehefa nanana ahitra ianareo, dia voky; ary rehefa voky ianareo, dia nisandratra ny fonareo. Noho izany antony izany dia nanadino Ahy ianareo.
\s5
\v 7 Ho lasa toy ny liona ho azy ireo Aho; toy ny leoparda no hiambenako manaraka ny lalana.
\v 8 Hamely azy ireo tahaka ny bera very anaka Aho. Handriatra ny tratran'izy ireo Aho, ary handrapaka azy ireo eo tahaka ny liona, tahaka ny hamiraviran'ny bibidia azy ireo Aho.
\s5
\v 9 Handringana anareo Aho, ry Israely; iza no afaka hanampy anareo?
\v 10 Aiza ny mpanjakanareo izao, mba hanavotra anareo any amin'ny tanànanareo rehetra? Aiza ireo mpanapakareo, izay efa nolazainareo tamiko hoe: 'Omeo mpanjaka sy andrian-dahy aho'?
\v 11 Nanome anareo mpanjaka tamin'ny fahatezerako Aho, ary nanala azy tamin'ny fahavinirako.
\s5
\v 12 Efa notehirizina ny helok'i Efraima; notehirizina ny helony.
\v 13 Ny fangirifirian'ny fiterahana dia ho tonga eo aminy, fa zanaka lahy tsy manam-pahendrena izy, satria rehefa tonga ny fotoana ahaterahana, dia tsy mivoaka avy ao am-bohoka izy.
\s5
\v 14 Hamonjy azy ireo amin'ny tanan'ny fiainan-tsy hita ve Aho? Hamonjy azy ireo amin'ny fahafatesana ve Aho? Aiza, ry fahafatesana, ny areti-mandringanao? Aiza, ry fiainan-tsy hita, ny fandringananao? Miafina amin'ny masoko ny fangorahana."
\s5
\v 15 Na dia nanan-karena teo amin'ireo rahalahiny aza i Efraima, dia hisy rivotra avy any atsinanana ho avy; hitsoka avy any an-tany efitra ny rivotr'i Yaveh. Ny loharanon'i Efraima dia ho ritra, ary ny fantsakany dia tsy hisy rano. Handroba ny trano fitehirizany ny zava-tsarobidy rehetra ny fahavalony.
\s5
\v 16 Ho meloka i Samaria, satria nikomy nanohitra ny Andriamaniny izy. Ho lavon'ny sabatra izy ireo; ho torotoro ireo zanany mbola tanora, ary ho triarina ireo renin'izy ireo mitondra vohoka.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ry Israely, miverena amin'i Yaveh Andriamanitrao, fa lavo tamin'ny helokao ianao.
\v 2 Mitondrà teny ary miverena amin'i Yaveh. Lazao Azy hoe: "Alao ny helokay rehetra ary ekeo izay tsara, mba ho afaka hanolotra ny vokatry ny molotray ho Anao izahay.
\f + \ft Fanamarihana: Ny fehezanteny hoe: "mba ho afaka hanolotra ny vokatry ny molotray ho Anao izahay" dia maneho ny dikan-teny sasany taloha. Ny lahatsoratra Hebreo dia manao hoe: "mba ho afaka hanolotra ombilahy, ny molotray". Ny dikan-teny vaovao sasany dia mandika izany hoe: "mba ho afaka hanolotra ombilahy, izay nampanantenainay ho Anao izahay." \f*
\s5
\v 3 Asyria dia tsy hanavotra antsika; tsy hitaingin-tsoavaly ho any amin'ny ady isika. Na hiteny amin'ny asan'ny tanantsika intsony hoe: 'andriamanitray ianao,' fa ao Aminao ny kamboty no mahazo fangoraham-po."
\s5
\v 4 Hanasitrana ny fivadihan'izy ireo Aho; hitia malalaka azy ireo Aho, fa hiala aminy ny hatezerako.
\v 5 Ho tahaka ny ando Aho amin'Israely; hamony tahaka ny lilia sy hamaka tahaka ny sedera ao Libanona izy.
\v 6 Hisandrahaka ireo sampany; ho tahaka ireo hazon'oliva ny hatsaràny, ary ny hanitra mameroverony dia tahaka ireo sedera ao Libanona.
\s5
\v 7 Ny olona izay monina ao amin'ny alony dia hiverina; ho velombelona tahaka ny voa indray izy ireo ary hitsimoka tahaka ny voaloboka. Ho tahaka ny divain'i Libanona ny lazany.
\v 8 Ry Efraima, inona ihany koa no mbola azoko ataoko amin'ny sampy? Hamaly azy Aho ary hikarakara azy. Tahaka ny kypreso izay maitso ravina mandrakariva Aho; avy Amiko no hitsirian'ny voanao."
\s5
\v 9 Iza no hendry ka hahatakatra ireo zavatra ireo? Iza no mahatakatra ireo zavatra ireo ka hahalala azy ireo izy? Fa mahitsy ireo lalan'i Yaveh, ary ny marina dia handeha amin'ireo, fa ny mpikomy ho tafintohina amin'ireo.