plt_ulb/25-LAM.usfm

306 lines
21 KiB
Plaintext

\id LAM
\ide UTF-8
\h Fitomaniana
\toc1 Fitomaniana
\toc2 Fitomaniana
\toc3 lam
\mt Fitomaniana
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ilay tanàna izay feno olona tamin'izany dia mitoetra irery ankehitriny. Lasa tahaka ny mpitondratena izy, na dia firenena nahery aza. Izy no andriambavy teo amin'ireo firenena, saingy noterena ho amin'ny fanandevozana ankehitriny.
\v 2 Mitomany sy midradradradra izy amin'ny alina, ary mandrakotra ny takolany ireo ranomasony. Tsy nisy tamin'ireo tia azy mba nampionona azy. Namadika azy ny namany rehetra. Lasa fahavalony izy ireo.
\s5
\v 3 Taorian'ny fahantrana sy fahoriana, dia nalefa ho sesitany i Joda. Miaina eo amin'ireo firenena izy ary tsy mahita fitsaharana. Ireo mpanenjika azy rehetra dia nanahatratra azy tao amin'ny fahakiviany.
\s5
\v 4 Misaona ireo lalan'i Ziona satria tsy misy na iray aza tonga amin'ireo fanasana voatondro. Lao ny vavahadiny rehetra. Misento ireo mpisorony. Malahelo mafy ireo virijininy ary izy tenany dia ao anatin'ny fahoriana tanteraka.
\v 5 Lasa tompony ireo fahavalony; niroborobo ireo fahavalony. Nampahorian'i Yaveh izy noho ireo fahotany maro. Ireo zanany kely dia lasan-ko babo any amin'ny fahavalony.
\s5
\v 6 Niala tamin'ny zanakavavin'i Ziona ny hatsaran-tarehy. Lasa tahaka ny serfa izay tsy mahita ahitra ireo zanak'andriany, ary mandeha tsy misy hery eo anoloan'ny mpanenjika azy izy ireo.
\s5
\v 7 Amin'ireo androm-pahoriany sy tsy hananany fialofana, dia hahatsiaro ireo harena sarobidy rehetra izay nananany tamin'ny androny fahiny i Jerosalema. Rehefa lavo teo an-tanan'ireo fahavalony ny olony, dia tsy nisy nanampy azy. Nahita azy ireo fahavalony ary niomehy tamin'ny faharavany.
\s5
\v 8 Nanota be Jerosalema, noho izany, dia nalaim-baraka tahaka ny zavatra maloto izy. Ireo rehetra nanome voninahitra azy dia manao tsinontsinona azy ankehitriny hatramin'ny nahitan'izy ireo ny fitanjahany. Misento izy ary miezaka mihodina.
\v 9 Tonga naloto tao ambany zipony izy. Tsy nihevitra ny ho aviny izy. Nahatsiravina ny fianjerany. Tsy nisy na iza na iza nankahery azy. Nitaraina izy hoe: "Jereo ny fahoriako, ry Yaveh, fa nanjary tena lehibe ny fahavalo.
\s5
\v 10 Nametraka ny tanany teo amin'ireo harena sarobidy rehetra ny fahavalo. Efa nahita ireo firenena niditra tao amin'ny fitoerana masiny izy, na dia efa nobaikonao tsy hiditra ao amin'ny toeran'ny fiangonanao aza izy ireo.
\s5
\v 11 Misento avokoa ireo olony rehetra raha nitady mofo izy ireo. Natakalo mofo ireo harena sarobidy mba hampiverina ny ain'izy ireo. Jereo, ry Yaveh, ka diniho aho, satria tonga zava-poana aho.
\v 12 Tsy misy dikany aminareo ve, ianareo rehetra izay mandalo? Jereo ka aoka ho hitanao raha misy alahelon'olona tahaka ny alahelo izay mianjady amiko, hatrizay nampijalian'i Yaveh ahy tamin'ny andron'ny hasiakan'ny fahatezerany.
\s5
\v 13 Avy any amin'ny avo no nandefasany ny afo tamin'ireo taolako, ary nahazo azy izany. Namelatra harato ho an'ny tongotro Izy ary nampiverina ahy. Nataony lao sy reraka foana aho.
\v 14 Ny ziogan'ireo fandikan-dalàko dia niara-nafatony tamin'ny alalan'ny tanany. Nampifandraisina ireo ary napetraka teo an-tsoroko. Nandavo ny heriko izy. Nomen'ny Tompo ho eo an-tanan'izy ireo aho, ka tsy tafatsangana.
\s5
\v 15 Nampisamboaravoara ireo lehilahy maheriko izay niaro ahy ny Tompo. Efa niantso ny fiangonana hanohitra ahy izy mba hamotika ireo lehilahiko matanjaka. Nanitsakitsaka ny zanakavavy virijinin'i Joda tao amin'ny famiazam-boaloboka ny Tompo.
\s5
\v 16 Mitomany aho noho ireo zavatra ireo. Ny masoko, mikoriana amin'ny masoko ny rano satria lavitra ahy ireo mpankahery izay tokony hampitraka ny fiainako. Lao ireo zanako satria nandresy ny fahavalo.
\v 17 Namelatra ny tanany i Ziona; tsy nisy na iza na iza nankahery azy. Nibaiko i Yaveh fa ireo izay manodidina an'i Jakoba dia tokony ho fahavalony. Zava-maloto amin'izy ireo i Jerosalema.
\s5
\v 18 Marina i Yaveh, fa izaho no nikomy hanohitra ny didiny. Mihainoa, ianareo ry olona rehetra, ary jereo ny alaheloko. Lasan-ko babo ireo virijiniko sy ireo olo-maheriko.
\v 19 Miantso ireo namako aho, nefa namitaka ahy izy ireo. Maty tao an-tanàna ireo mpisoroko sy ireo loholoko, raha nitady sakafo hampody ny ainy izy ireo.
\s5
\v 20 Indro, ry Yaveh, fa ao anaty fahoriana aho, ary mangotika ny vavoniko, torotoro ao anatiko ny foko, satria tena nikomy tokoa aho. Eny ivelany, dia mampahory ny reny ny sabatra, tsy misy afa-tsy fahafatesana ao an-trano.
\s5
\v 21 Nandre ny fitarainako izy ireo, nefa tsy nisy nankahery ahy. Nandre ny fahoriako ireo fahavaloko rehetra ary faly izy ireo fa vitanao izany. Efa nitondra ny andro nampanantenainao Ianao; ary aoka izy ireo ho lasa tahaka ahy ankehitriny.
\v 22 Aoka ny faharatsian'izy ireo rehetra ho tonga eo anoloanao. Ataovy tahaka ny nanaovanao ahy noho ireo fahotako rehetra izy ireo. Maro ny fitarainako ka reraka ny foko.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Nanarona ny zanakavavin'i Ziona tao ambanin'ny rahon'ny fahatezerany ny Tompo. Nariany avy eny an-danitra tamin'ny tany ny famirapiratan'Israely. Tsy nahatsiaro ny fitoeran-tongony Izy tamin'ny andron'ny fahatezerany.
\v 2 Efa nitelina sy tsy nanana antra tamin'ny tanàn'i Jakoba rehetra ny Tompo. Tamin'ny andron'ny fahatezerany no nandravany ireo tanàna mimandan'ny zanakavavin'i Joda; tamin'ny fahafaham-baraka no nanjerany ny fanjakana sy ireo mpanapany tamin'ny tany.
\s5
\v 3 Tamin'ny fahatezerana mafy no nanapahany ny tandrok'Israely rehetra. Nalàny teo anoloan'ny fahavalony ny tanany ankavanana. Nodorany tahaka ny afo midedadeda izay mandrapaka ny zava-drehetra manodidina azy i Jakoba.
\v 4 Tahaka ny fahavalo no nanenjanany ny tsipìkany tamintsika, vonona ny hitifitra ny ankavanany. Novonoiny ireo rehetra izay tena nankasitraka Azy tao amin'ny lain'ny zanakavavin'i Ziona; narotsany tahaka ny afo ny hatezerany.
\s5
\v 5 Nanjary toy ny fahavalo ny Tompo. Nateliny i Israely. Nateliny avokoa ny lapany rehetra. Efa noravany ireo fiarovany mafy. Nampitomboiny ny fisaonana sy ny fitomaniana teo amin'ny zanaka vavin'i Joda.
\v 6 Namely ny tabernakeliny tahaka ny trano bongo an-jaridaina Izy. Noravany ny fitoeran'ny fiangonana manetriketrika. Efa nampanadino ny fiangonana manetriketrika sy ny Sabata tao Ziona i Yaveh, fa efa nataony tsinontsinona tamin'ny tsy fahamendrehan'ny fahatezerany ny mpanjaka sy ny mpisorona.
\s5
\v 7 Nanary ny alitarany ny Tompo ary nandà ny fitoerany masina. Nomeny teo an-tanan'ny fahavalo ny mandan'ireo lapany. Nanandratra hiaka tao an-tranon'i Yaveh, toy ny amin'ny androm-panasana voatondro izy ireo.
\s5
\v 8 Nanapan-kevitra ny hanimba ny mandan'ny tanànan'ny zanakavavin'i Ziona i Yaveh. Nenjaniny ny tady fandrefesana ary tsy nihazona ny tanany tsy handrava ny manda Izy. Nampitomany ny tovon-tany sy ny manda Izy; niara-nirodana ireo.
\v 9 Nianjera tamin'ny tany ireo vavahadiny; narodany sy novakiany ny hidin'ireo vavahadiny. Ny mpanjakany sy ireo andriany dia teo amin'ireo firenena, tsy nisy intsony ny lalàna tsy nahita fahitana avy tamin'i Yaveh ireo mpaminaniny.
\s5
\v 10 Nipetraka tamim-pahanginana tamin'ny tany ireo loholon'ny zanakavavin'i Ziona. Nanipy vovoka teo an-dohany izy ireo ary nanao lamba fisaonana. Nanondrika ny lohany tamin'ny tany ireo virijinin'i Jerosalema.
\s5
\v 11 Pahin'ny ranomaso avy aminy ireo ny masoko; mangotika ny vavoniko; niraraka tamin'ny tany ny tao anatiko nohon'ny faharinganan'ny zanaka vavin'ny oloko, ny faharerahan'ireo ankizy sy ny zaza eny amin'ireo lalan'ny tanàna.
\v 12 Hoy izy ireo amin'ny reniny: "Aiza ny vary sy ny divay?" raha reraka tahaka ny olona maratra eny amin'ny lalan'ny tanàna izy ireo, niraraka teny an-tratran'ireo reniny ny ain'izy ireo.
\s5
\v 13 Inona no azoko lazaina aminao, ry zanakavavin'i Jerosalema? Amin'ny inona ianao no ampitahaiko, mba ahafahako mampionona anao, ry zanaka vavy virijinin'i Ziona? Ny ratranao dia lehibe tahaka ny ranomasina. Iza no afaka hanasitrana anao?
\v 14 Efa nahita fahitana diso sy tsy mendrika ho anao ireo mpaminaninao. Tsy nampiharihary ny helokao mba hamerenana ny harenao izy ireo, fa nanome teny diso sy mamitaka ho anao izy ireo.
\s5
\v 15 Ireo rehetra izay mandalo eny an-dalana dia miteha-tanana anao. Misitrisitra sy mihifikifi-doha amin'ny zanakavavin'i Jerosalema izy ireo sady miteny hoe: "Fa tsy ity ve ilay tanàna izay nantsoin'izy ireo hoe 'Ilay fahatsarana tonga lafatra,' 'Ilay Fifaliana ho an'ny tany rehetra'?"
\v 16 Manoka-bava sy maneso anao ny fahavalonao rehetra. Manao fihomehy maneso sy mihidy vazana izy ireo sady miteny hoe: "Efa natelinay izy! Ity ilay fotoana efa nandrasanay! Niaina mba hijery izany izahay!"
\s5
\v 17 Nataon'i Yaveh izay nokasainy atao. Nanatanteraka ny teniny Izy. Noravainy tsy nisy hantra ianao, fa nanome alalana ny fahavalo mba hifaly eo aminao Izy; nasandrany ny tandrok'ireo fahavalonao.
\s5
\v 18 Nitaraina tamin'ny Tompo ny fon'izy ireo, dia ireo mandan'ny zanakavavin'i Ziona! Arotsaho tahaka ny renirano andro aman'alina ny ranomasonao. Aza manome fitsaharana ho an'ny tenanao, fitsaharana ho an'ny masonao.
\v 19 Mifohaza, mitalahoa amin'ny alina, dia amin'ny fiandohan'ny fiambenana alina! Araraho tahaka ny rano eo anatrehan'ny tavan'ny Tompo ny fonao. Asandrato ho Azy ny tananao ho an'ny ain'ireo zanakao izay reraky ny hanoanana eo an-joron-dalana rehetra."
\s5
\v 20 Jereo, ry Yaveh, ka hevero ireo izay nanao izany fomba izany. Moa ve tokony hihinana ny naloaky ny kibony ireo vehivavy, dia ireo zanaka izay nokarakarainy? Moa ve tokony ho vonoina ao amin'ny fitoerana masin'ny Tompo ny mpisorona sy ny mpaminany?
\s5
\v 21 Samy mandry eo amin'ny vovok'ireo lalana ny tanora sy ny antitra. Lavon'ny sabatra ireo tovovaviko sy ireo tovolahiko; novonoinao tsy misy hantra izy ireo.
\v 22 Nantsoinao, tahaka ny niantsoanao ny olona ho amin'ny andro firavoravoana, nanodidina ahy rehetra ny horohoroko, tamin'ny andron'ny fahatezeran'i Yaveh dia tsy nisy afa-nandositra na tafavoaka velona; ireo izay efa nokarakaraiko sy nobeaziko, dia noringanin'ny fahavaloko.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Izaho dia olona izay nahita fahoriana teo ambanin'ny tsorakazon'ny fahatezeran'i Yaveh.
\v 2 Notarihany sy nampandehanany tamin'ny maizina aho fa tsy tamin'ny mazava.
\v 3 Azo antoka fa namadika ny tanany hanohitra ahy foana Izy, nandritry ny tontolo andro.
\v 4 Nataony malazo ny nofoko sy ny hoditro; notapahany ireo taolako.
\s5
\v 5 Nanangana fahirano hanohitra ahy Izy, ary nohodidininy zava-mangidy sy zava-tsarotra aho.
\v 6 Nametraka ahy tao amin'ireo toerana maizina, toy ireo izay efa maty efa ela Izy.
\v 7 Nanangana manda nanodidina ahy Izy ka tsy afaka nitsoaka Aho. Nataony mavesatra ireo rojoko
\v 8 ary na dia miantso mafy sy miantso vonjy aza aho, dia ampangininy ny fivavako.
\s5
\v 9 Nobahanany tamin'ny manda vita tamin'ny vato voapaika ny lalako; nataony ho meloka ny lalako.
\v 10 Tahaka ny bera miandry hanafika ahy tampoka Izy, liona ao amin'ny fiafenany;
\v 11 naviliny ny lalako, nataony nitoka-monina aho.
\s5
\v 12 Nanenjana ny tsipìkany Izy ary nametraka ahy toy ny kendrin'ny zana-tsipìkany.
\v 13 Nandefona ny voako tamin'ireo zana-tsipìkany tao amin'ny fitoeran'izany Izy.
\v 14 Lasa tahirim-pihomehezana ho an'ny oloko rehetra aho, zavatry ny fanesoan'izy ireo tontolo andro.
\v 15 Nofenoiny fahangidiana aho ary notereny hisotro zava-mahafaty.
\s5
\v 16 Notorotoroiny tamin'ny sila-bato ny nifiko; natosiny tao anaty vovoka aho.
\v 17 Nesorina tamin'ny fiadanana ny fanahiko; adinoko ny atao hoe hafaliana.
\v 18 Ka dia hoy aho hoe: "Levona ny faharetako ary toy izany koa ny fanantenako amin'i Yaveh."
\s5
\v 19 Tsarovy ny fahoriako sy ny firenireniko, ilay zava-mahafaty sy zava-mangidy.
\v 20 Tsaroko foana izany ary mitanondrika ao anatiko aho.
\v 21 Fa tsaroako izany ka dia manana fanantenana aho.
\s5
\v 22 Ny fitiavana tsy miovan'i Yaveh dia tsy misy fitsaharana ary tsy misy fiafarany ny fangoraham-pony,
\v 23 vaovao isa-maraina ireo; lehibe ny fahatokianao.
\v 24 "Yaveh no lovako," hoy aho, noho izany dia hanantena Azy aho.
\s5
\v 25 Yaveh dia tsara ho an'ireo izay miandry Azy, ho an'ireo izay mitady Azy.
\v 26 Tsara ny miandry amim-pahanginana ny famonjen'i Yaveh.
\v 27 Tsara ho an'ny olona ny hitondrany ny zioga tamin'ny fahatanoràny.
\v 28 Aoka izy hipetraka irery amim-pahanginana, rehefa apetraka eo aminy izany.
\v 29 Aoka izy hametraka ny vavany eny amin'ny vovoka—angamba hisy ny fanantenana.
\s5
\v 30 Aoka izy hanome ny takolany an'izay mamely azy, ary aoka ho feno fahafaham-baraka izy.
\v 31 Fa tsy handà antsika mandrakizay ny Tompo,
\v 32 fa na dia mahatonga alahelo aza Izy, dia hanana fangoraham-po araka ny habetsaky ny fitiavany tsy mivadika.
\v 33 Satria tsy mampahory ny ao am-pony na mampijaly ireo zanak'olombelona Izy.
\s5
\v 34 Ny manitsakitsaka ireo voafonja rehetra eto an-tany,
\v 35 ny mandà ny rariny ho an'ny olona eo anatrehan'ilay Avo Indrindra,
\v 36 ny mandà ny rariny ho an'ny olona iray— dia tsy eken'ny Tompo ny zavatra tahaka izany!
\s5
\v 37 Iza no niteny ka nitranga izany, raha tsy hoe nanaiky izany Yaveh?
\v 38 Moa tsy avy amin'ny vavan'ilay Avo Indrindra ve no hiavian'ireo loza sy ny tsara?
\v 39 Ahoana no hitarainan'ny olona velona rehetra? Ahoana no hahafahan'ny olona mitaraina momban'ny sazin'ireo fahotany?
\s5
\v 40 Andeha isika handinika ireo lalantsika ary hitsapa azy ireo, ary andeha isika hiverina any amin'i Yaveh.
\v 41 Andeha isika hanandratra ny fontsika sy ny tanantsika amin'Andriamanitra any an-danitra hoe:
\v 42 "Nandika sy nikomy izahay, ary tsy namela heloka Ianao.
\v 43 Nandrakotra ny tenanao tamin'ny hatezerana Ianao ary nanenjika anay, namono Ianao ary tsy namindra fo.
\s5
\v 44 Nandrakotra ny tenanao tamin'ny rahona Ianao mba tsy hisy vavaka afaka ho tafiditra.
\v 45 Nataonao toy ny lo maloto sy nolavina teo amin'ireo firenena izahay.
\v 46 Manozona anay ireo fahavalonay rehetra,
\v 47 tonga taminay ny tahotra sy ny fandrika, ny faharavana sy fahapotehana.
\s5
\v 48 Mikoriana rian-dranomaso ireo masoko satria rava ny oloko.
\v 49 Handrotsa-dranomaso tsy misy fitsaharana, tsy misy fihatoana ireo masoko,
\v 50 mandra-pijeriny ambany ka hahita avy eny an-danitra Yaveh.
\s5
\v 51 Miteraka alahelo ho ahy ny masoko noho ireo zanakavavin'ny tanànako rehetra.
\v 52 Nohazain'ireo fahavaloko toy ny vorona aho; nohazain'izy ireo tamin'ny tsy misy antony aho.
\v 53 Natsipin'izy ireo tao anaty lavaka aho ary notorahan'izy ireo vato,
\v 54 ary norarahana rano ny lohako. Hoy aho hoe: "ho faty aho!"
\s5
\v 55 Niantso ny anaranao, avy ao amin'ny halalin'ny lavaka aho, ry Yaveh.
\v 56 Renao ny feoko rehefa niteny aho hoe: "Aza manampina ny sofinao amin'ny antso vonjiko."
\v 57 Nanakaiky Ianao tamin'ny andro niantsoko Anao; hoy Ianao hoe: "Aza matahotra."
\s5
\v 58 Tompo o, niaro ny adiko Ianao, nanavotra ny aiko Ianao!
\v 59 Ry Yaveh, hitanao ny ratsy nataon'izy ireo tamiko; tsarao ny adiko.
\v 60 Hitanao ny faniratsiran'izy ireo, ny teti-dratsy rehetra nataon'izy ireo tamiko—
\v 61 renao ny latsan'izy ireo, ry Yaveh, sy ny tetik'izy ireo rehetra tamiko.
\s5
\v 62 Ny molotr'ireo izay mitsangana manohitra ahy, sy ny fiampangan'izy ireo, dia tonga mandritry ny tontolo andro.
\v 63 Jereo ny fomba fipetrak'izy ireo sy fitsanganany avy eo; maneso ahy amin'ny hirany izy ireo.
\s5
\v 64 Valio arak'izay nataony izy ireo, ry Yaveh.
\v 65 Ho ataonao tsy menatra ny fon'izy ireo! Ho eo amin'izy ireo anie ny fanamelohanao!
\v 66 Manenjika azy ireo amin-katezerana Ianao ary mamotika azy ireo avy ao ambanin'ny lanitra, ry Yaveh!
\s5
\c 4
\p
\v 1 Efa lasa maloto ny volamena; endrey ny fiovan'ny volamena madio indrindra! Ireo vato masina dia niparitaka teny an-joron-dalana rehetra.
\v 2 Ireo zanaka sarobidin'i Ziona dia mendrika ny lanjan'izy ireo amin'ny volamena madio, fa ankehitriny izy ireo dia tsy mendrika noho ireo siny tanimanga, asa-tanan'ireo mpanefy tanimanga izy ireo!
\s5
\v 3 Na ny amboahaolo aza manolotra ny tratrany mba hampinonoana ireo zanany, nefa ny zanakavavin'ny oloko dia efa lasa lozabe, toy ny ostritsa any amin'ny tany efitra
\s5
\v 4 Ny lelan'ny zaza minono dia miraikitra amin'ny lanilaniny noho ny hetaheta; mangataka sakafo ny ankizy, saingy tsy misy ho azy ireo.
\v 5 Ireo izay nihinana sakafo lafo vidy ankehitriny dia mosarena eny an-dalana; ireo izay nobeazina nitafy akanjo volomparasy, dia mandry eny amin'ny fako misavoana ankehitriny.
\s5
\v 6 Ny famaizana ny zanakavavin'ny oloko dia lehibe noho ny an'i Sodoma, fa noravana tao anatin'ny fotoana fohy izany ary tsy nisy nanandra-tanana mba hanampy azy.
\s5
\v 7 Ireo mpitarika azy dia nadio kokoa noho ny oram-panala, fotsy kokoa noho ny ronono; ny vatan'izy ireo dia mena midorehitra noho ny haran-dranomasina, ny tenan'izy ireo dia toy ny safira.
\v 8 Ny endrik'izy ireo ankehitriny dia maizina noho ny molaly; tsy fantatra eny an-dalana izy ireo. Ny hoditr'izy ireo dia niraikitra tamin'ny taolan'izy ireo; lasa maina toy ny hazo izany.
\s5
\v 9 Ireo izay novonoina tamin'ny sabatra dia sambatra kokoa noho ireo izay matin'ny hanoanana, izay osa, nolefonina tamin'ny tsy fahampian'ny vokatra avy any an-tsaha.
\v 10 Ny tanan'ireo vehivavy malemy fanahy dia efa nahandro ireo zanany ihany; lasa sakafon'izy ireo nandritry ny fotoana nandravana ny zanakavavin'ny oloko izy ireo.
\s5
\v 11 Naneho ny hatezerany rehetra i Yaveh; nandrotsaka ny fahatezerany masiaka Izy. Nandrehitra afo tao Ziona mba handevonana ny fiorenany Izy.
\s5
\v 12 Tsy nino ireo mpanjakan'ny tany, ary tsy nino ny mponin'izao tontolo izao, fa afaka niditra tamin'ireo vavahadin'i Jerosalema ireo fahavalo na mpanohitra.
\v 13 Nitranga izany noho ny fahotan'ireo mpaminaniny sy ny helok'ireo mpisorony izay efa nandatsaka ny ràn'ny marina tao afovoany.
\s5
\v 14 Nirenireny, jamba, teny amin'ireo lalana izy ireo. Tena voaloto indrindra tamin'izany rà izany izy ireo ka tsy nisy navela mba hikasika ny akanjon'izy ireo.
\v 15 "Mialà! ry Maloto!" hoy ny hiakiakan'ny olona tamin'izy ireo. "Mialà! Mialà! Aza mikasika!" Ka nirenireny izy ireo; hoy ny vahoaka teo amin'ireo firenena hoe: "Tsy mahazo mijanona eto intsony izy ireo."
\s5
\v 16 Yaveh mihitsy no nanaparitaka azy ireo; tsy nijery azy ireo intsony Izy. Tsy manome voninahitra ireo mpisorona izy ireo, ary tsy naneho sitraka tamin'ireo loholona.
\s5
\v 17 Pahina ny masonay, miandry vasoka izay hanampy anay; avy amin'ireo tilikambo fiambenanay no nijerenay ny firenena izay tsy afaka namonjy anay.
\v 18 Nanaraka ireo dianay izy ireo, tsy afaka nandeha tamin'ireo lalanay izahay. Akaiky ny fiafaranay ary voaisa ireo andronay, efa ho tonga ny fiafaranay.
\s5
\v 19 Ny mpanenjika anay dia haingam-pandeha noho ireo voromahery eny an-danitra. Nanenjika anay teny an-tendrombohitra izy ireo ary nanao otrika ho anay tany an-tany efitra.
\v 20 Ny fofonaina eo amin'ny vavoronay dia—ilay voahosotr'i Yaveh—Izy ilay voasambotra tao an-davak'izy ireo; ilay nolazaina hoe: "Ao ambanin'ny alony no hahavelona anay amin'ny firenena rehetra."
\s5
\v 21 Mifalia sy miravoravoa, ry zanakavavin'i Edoma, ianao izay monina any amin'ny tanin'i Oza. Fa ho anao ihany koa no handrosoana ny kapoaka; ho mamo ianao ary hampitanjaka ny tenanao.
\v 22 Ry zanakavavin'i Ziona, efa hifarana ny famaizana anao, tsy hanitatra ny sesitaninao Izy. Kanefa ry zanakavavin'i Edoma, hanafay Izy; tsy hanarona ireo fahotanao izy.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Tadidio, ry Yaveh, izay nanjo anay, jereo sy diniho ny fahafam-barakanay.
\v 2 Nafindra ho an'ireo vahiny ny lovanay; ny tranonay ho an'ireo hafa firenena.
\v 3 Lasa kamboty izahay, kamboty ray, ary ny reninay dia toy ny mpitondratena.
\v 4 Tsy maintsy mandoa volafotsy ho an'ny rano sotroinay izahay, ary tsy maintsy mandoa volafotsy vao mahazo ny kitainay.
\s5
\v 5 Ireo izay manenjika anay dia akaiky aorianay; reraka izahay ary tsy mahita fitsaharana.
\v 6 Efa nanolo-tena ho an'i Egypta sy Asyriana izahay mba hahazoana sakafo sahaza.
\v 7 Nanota ireo razambenay, ary tsy eo intsony izy ireo, ary izahay no mizaka ny helok'izy ireo.
\s5
\v 8 Ireo andevo no manjaka eo aminay, ary tsy misy hanafaka anay eo an-tanan'izy ireo.
\v 9 Manao sorona ny ainay izahay vao mahazo ny mofonay, nohon'ny sabatra any an'efitra.
\v 10 Niha-nahamay toy ny fatana ny hoditray nohon'ny hatezerena miredareda.
\s5
\v 11 Voaolana ireo vehivavy tao Ziona, sy ireo virijiny tao amin'ireo tanànan'i Joda.
\v 12 Nahantona tamin'ny tanany ihany ireo andriandahy, ary tsy nomen-boninahitra ireo loholona.
\s5
\v 13 Noterena hikosoka vary tamin'ny fikosoham-bary ireo tovolahy, ary ireo ankizy lahy dia mivembena milanja hazo.
\v 14 Niala teo amin'ny vavahadin'ny tanàna ireo loholona, ary namela ny zava-manenon'izy ireo ny tovolahy.
\s5
\v 15 Nitsahatra ny hafaliam-ponay ary niova ho fisaonana ny dihinay.
\v 16 Nilatsaka avy eny an-dohanay ny satro-boninahitra; loza ho anay, satria nanota izahay!
\s5
\v 17 Noho izany dia lasa narary ny fonay, ary lasa pahina ny masonay, noho ireo zavatra ireo dia lasa pahina ny masonay,
\v 18 satria ny tendrombohitr'i Ziona nitoka-monina, izay misy amboahaolo mikarenjy eo aminy.
\s5
\v 19 Fa Ianao, ry Yaveh, dia manjaka mandrakizay, ary Ianao dia hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao hatramin'ny taranaka fara-mandimby.
\v 20 Nahoana izahay no adinonao mandrakizay? Nahoana Ianao no mahafoy anay mandritra ny andro maro?
\v 21 Avereno Aminao izahay, ry Yaveh, dia hiverina. Avaozy toy ny taloha ny andronay—
\v 22 raha tsy hoe efa nolavinao tanteraka izahay ary tena tezitra loatra aminay Ianao.