plt_ulb/24-JER.usfm

2622 lines
260 KiB
Plaintext

\id JER
\ide UTF-8
\h Jeremia
\toc1 Jeremia
\toc2 Jeremia
\toc3 jer
\mt Jeremia
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ireto no tenin'i Jeremia zanak'i Hilkia, iray amin'ireo mpisorona tao Anatota tao amin'ny tanin'i Benjamina.
\v 2 Tonga taminy ny tenin'i Yaveh tamin'andron'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakany.
\v 3 Tonga ihany koa izany tamin'ny andron'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, hatramin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda, rehefa nalaina ho gadra ny vahoakan'i Jerosalema.
\s5
\v 4 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 5 "Talohan'ny nanaovako anao tao am-bohoka, dia efa nifidy anao Aho; talohan'ny nivoahanao tao am-bohoka dia efa natokako ianao; dia efa nanao anao ho mpaminany amin'ireo firenena Aho."
\v 6 "Oh, ry Yaveh Tompo!" Hoy aho hoe: "Tsy mahay miresaka aho, fa mbola tanora loatra."
\s5
\v 7 Fa i Yaveh nilaza tamiko hoe: "Aza manao hoe 'tanora loatra aho.' Fa tsy maintsy mandeha ianao na aiza na aiza hanirahako anao, ary tsy maintsy milaza izay rehetra handidiako anao ianao!
\v 8 Aza matahotra azy ireo, fa momba anao mba hamonjy anao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 9 Koa dia naninjitra ny tanany i Yaveh, nikasika ny vavako, ary nilaza tamiko hoe: "Ankehitriny, efa napetrako eo am-bavanao ny teniko.
\v 10 Anio Aho dia manendry anao eo amin'ireo firenena sy eo amin'ireo fanjakana, mba hanongotra sy handrodana, mba handringana sy handrava, mba hanorina ary hamboly.
\s5
\v 11 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Mahita rantsan-kazo amygdala aho."
\v 12 Hoy i Yaveh tamiko: "Efa nahita tsara ianao, fa mitandrina ny teniko Aho mba hanatanteraka izany."
\s5
\v 13 Tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, manao hoe: "Inona no hitanao?" Ary hoy aho: "Vilany mahamay no hitako, izay mangotraka ny tampony, mitongilana mianavaratra."
\v 14 Hoy i Yaveh tamiko hoe: "Hisokatra avy any avaratra amin'izay rehetra monina ao amin'io tany io ny loza.
\s5
\v 15 Ambaran'i Yaveh, fa hiantso ny foko rehetra avy any avaratran'ny fanjakana Aho. Ho tonga izy ireo, ary ny rehetra dia hametraka ny seza fiandrianany eo amin'ny vavahady fidirana ao Jerosalema, hanohitra ireo manda rehetra manodidina izany, ary hanohitra ireo tanàn'i Joda rehetra.
\v 16 Izaho dia hanonona didim-pitsarana hanohitra azy ireo noho ny faharatsian'izy ireo rehetra tamin'ny fahafoizana Ahy, amin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamani-kafa, ary amin'ny fanompoana ireo izay namboarin'ny tanan'izy ireo ihany.
\s5
\v 17 Aoka ho vonona ny tenanao! Mitsangàna ary lazao azy ireo izay rehetra nandidiako anao. Aza torotoro manoloana azy ireo, sao hanorotoro anao manoloana azy ireo Aho!
\v 18 Indro! Anio Aho dia efa nanao tanàna voaaro mafy, sy andry vy, ary manda varahina hanohitra ny tany manontolo ho anao— hanohitra ny mpanjakan'i Joda, ireo manam-pahefany, ireo mpisorony, ary ireo olona amin'ny tany.
\v 19 Hiady hanohitra anao izy ireo, fa tsy haharesy anao, fa homba anao Aho mba hamonjy anao—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 2 "Mandehana ary manambarà amin'i Jerosalema. Milazà hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Nahatsiaro ny anaranao Aho tamin'ny tsy fivadiham-pahatokianao tamin'ny fahatanoranao, ny fitiavanao tamin'ny fotoana nivadiantsika, rehefa nanaraka Ahy tany an'efitra ianao, dia ilay tany izay tsy namafazana.
\v 3 Israely dia natokana ho an'i Yaveh, ireo voaloham-bokatry ny vokany! Izay rehetra mihinana amin'ireo voaloham-bokatra dia nomelohina; tonga tamin'izy ireo ny loza—izany no fanambaran'i Yaveh."'
\s5
\v 4 Henoy ny tenin'i Yaveh, ry fianakavian'i Jakoba sy ry fianakavian'Israely rehetra.
\v 5 Izao no lazain'i Yaveh: "Inona no olan'ny razambenareo Amiko, no niala lavitra tamin'ny fanarahana Ahy izy ireo? ka lasa nanaraka sampy tsy misy dikany sy lasa tsy misy dikany izy ireo?
\v 6 Izy ireo dia tsy niteny hoe: 'Aiza i Yaveh, izay nitondra anay niakatra avy tao amin'ny tany Egypta? Aiza i Yaveh, izay nitarika anay tany an'efitra, tao amin'ny tanin'i Arabaha sy ny lavaka, tao amin'ny tany hay sy ny aizim-pito, tany iray izay tsy misy na iza na iza mandalo ary tsy misy mitoetra?'
\s5
\v 7 Fa nitondra anareo tany amin'ny tany Karmela Aho, mba hihinana ny voany sy ireo zavatra tsara hafa! Fa rehefa tonga ianareo, dia nolotoinareo ny taniko, nataonareo fahavetavetana ny lovako!
\v 8 Ny mpisorona dia tsy nilaza hoe: 'Aiza i Yaveh?' ary ireo manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna dia tsy miraraha ny momba Ahy! Ireo mpiandry ondry nanota tamiko. Ireo mpaminany naminany ho an'i Bala ary nanaraka ireo zavatra tsy mahasoa.
\s5
\v 9 Koa mbola hiampanga anareo hatrany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hiampanga ireo zanaky ny zanakareo Aho.
\v 10 Fa miampità eny amin'ny sisin'i Kitima ka jereo. Mandefasa mpitondra hafatra ho any Kedara ka tadiavo ary jereo raha mbola nisy zavatra tahaka ity taloha.
\v 11 Nifanakalo andriamanitra ve ny firenena, na dia tsy andriamanitra akory aza ireo? Kanefa ny oloko dia nanakalo ny voninahitr'izy ireo tamin'ny zavatra izay tsy afaka manampy azy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "ny voninahitr'izy ireo", ny dikan-teny sasany taloha kosa dia hoe: "ny voninahitro" \f*
\s5
\v 12 Mihovitrovitra ny lanitra noho izany! Aoka ho tohina sy hihorohoro—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 13 Fa efa nanao ratsy roa tamiko ny vahoaka: Izy ireo dia nahafoy ny loharanon'ny ranovelona, nihady famorian-drano ho an'ny tenan'izy ireo, ary namaky famorian-drano izay tsy mahatazona rano akory.
\s5
\v 14 Moa andevo ve Israely? Teraka tao amin'ny tranon'ny tompony ve izy? Koa nahoana izy no lasa mpandroba?
\v 15 Nierona taminy ny liona tanora. Nitabataba fatratra izy ireo ka nanao ny taniny ho mahatsiravina. Rava ireo tanànany ka tsy nisy mponina.
\v 16 Ny vahoaka tao Memfisa sy Tapanesa ihany koa dia hanaratra ny karan-dohanao.
\v 17 Moa tsy nanao izany tamin'ny tenanao ve ianao rehefa nahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao, raha mbola nitarika anao tamin'ny lalana Izy?
\s5
\v 18 Koa ankehitriny, nahoana no mandeha amin'ny lalana ho any Egypta sy misotro ny ranon'i Sihora? Nahoana no mandeha amin'ny lalan'i Asyria ary misotro ny ranon'ny Onin'i Eofrata?
\v 19 Mandatsa anao ny haratsianao, manasazy anao ny fivadihanao. Koa diniho izany ary takaro fa rehefa mahafoy an'i Yaveh Andriamanitrao ianao dia ratsy sy mangidy izany, ary aza matahotra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo tompon'ny maro.
\s5
\v 20 Fa efa nanapaka ny zioganao izay nanananao tamin'ny andro taloha Aho; efa namaha ireo gadranao Aho. Fa mbola milaza hatrany ianao hoe: 'Tsy hanompo aho!' satria mbola miankohoka amin'ny havoana avo rehetra sy eny ambany hazo mandravina rehetra ianao, ry mpijangajanga.
\v 21 Tahaka ny voaloboka nosafidiana no namboleko anao, avy amin'ny voa tsara tokoa. Tamin'ny fomba ahoana no nanovànao ny tenanao ho ratsy, ho voaloboka ratsy?
\v 22 Fa na manadio ny tenanao amin'ny ony na manasa ny tenanao amin'ny savony mahery aza ianao, dia loto eo anatrehako ny helokao—izany no fanambaran'i Yaveh Tompo.
\s5
\v 23 Ahoana no ahafahanao milaza hoe: 'Tsy maloto aho! Tsy nandeha nanaraka an'i Bala aho'? Jereo izay nataonao tao amin'ireo lohasaha! Diniho izay vitanao—rameva vavy haingam-pandeha mihazakazaka etsy sy eroa ianao,
\v 24 ampondradia zatra tany efitra, izay manimbolo hifoka rivotra! Iza no afaka hanakana ny faniriany? Amin'ny fotoana fahatairana dia tsy misy lahy mila manaraka azy; fa hahita azy ho azy izy ireo.
\v 25 Tsy maintsy fehezinao ny tongotrao rehefa tsy manao kapa ary ny tendanao rehefa mangetaheta! Fa niteny ianao hoe: 'Tsy misy fanantenana izany! Tsia, tiako ireo vahiny ary mandeha manaraka azy ireny aho!'
\s5
\v 26 Tahaka ny fahafaham-barakan'ny mpangalatra rehefa hita izy, no hahafa-baraka ny ankohonan'Israely—izy ireo, ny mpanjakan'izy ireo, ireo andrian-dahiny, ireo mpisorony ary ireo mpaminaniny!
\v 27 Ireo no miteny amin'ny hazo hoe: 'Ianao no raiko', ary amin'ny vato hoe: 'Ianao no niteraka ahy.' Fa ny lamosin'izy ireo no manatrika ahy fa tsy ny tavan'izy ireo. Na dia izany aza, dia miteny izy ireo amin'ny fotoan'ny olana hoe: 'Mitsangana ary vonjeo izahay!'
\v 28 Aiza ireo andriamanitra nataonareo ho an'ny tenanareo? Aoka izy ireo hiarina raha maniry ny hamonjy anareo amin'ny fotoan'ny olanareo, fa ny isan'ny tanànanareo dia mitovy amin'ny isan'ny sampinareo, ry Joda!
\s5
\v 29 Koa nahoana ianareo no miampanga Ahy amin'ny fanaovana ny tsy mety? Efa nanota tamiko avokoa ianareo rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 30 Zava-poana ny namaizako ny vahoakanao. Tsy hanaiky ny fepetra izy ireo. Ny sabatrareo dia nandrapaka ireo mpaminaninareo tahaka ny liona mpandrava!
\v 31 Ianareo izay an'ity taranaka ity! Tandremo tsara ny teniko, dia ny tenin'i Yaveh! Efa tany efitra tamin'Israely ve aho? Na tanin'ny haizimpito lalina? Nahoana ny vahoakako no milaza hoe: 'Ndeha isika hirenireny, tsy handeha eo aminao intsony izahay'?
\s5
\v 32 Hanadino ny firavany ve ny virijiny, ary ny ampakarina ny voaliny? Efa andro tsy hita isaina izay no nanadinoin'izy ireo Ahy!
\v 33 Akory ny hatsaran'ny lalanao hitady fitia. Efa nampianatra ny lalanao tamin'ny vehivavy ratsy fanahy aza ianao.
\v 34 Efa hita teny amin'ny akanjonao ny ràn'ny ain'izay tsy manan-tsiny, ny an'ny olona mahantra. Tsy hita nanao asa fandrobana ireo olona ireo.
\s5
\v 35 Fa hoy kosa ianao hoe: 'Tsy manan-tsiny aho, efa niala tamiko tokoa ny hatezerany.' Kanefa indro! Izaho dia hitsara anao nohon'ny fitenenanao hoe: 'Tsy nanota aho.'
\v 36 Nahoana no hamaivaninao ity fiovana tamin'ny fombanao ity? Ho diso fanantenana amin'ny Egypta ihany koa ianao, toy ny tamin'i Asyria.
\v 37 Ho kivy ihany koa ianao hiala avy ao, miaraka amin'ny tananao eo an-dohanao, satria i Yaveh efa nandà ireo izay nitokianao, ka tsy ho ampian'izy ireo ianao."
\s5
\c 3
\p
\v 1 "Raha misy lehilahy iray misaraka amin'ny vadiny ka miala aminy izy ary lasa vadin'olon-kafa, dia mbola hiverina aminy indray ve izy? Tsy haloto be ve izany tany izany? Efa niaina tahaka ny mpijangajanga izay manana sakaiza maro ianao; dia mbola hiverina amiko? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 2 Ampiakaro any amin'ireo momba ny masonao ary jereo! Misy toerana mbola tsy niraisanao ara-nofo antsokosoko ve? Teo amoron-dalana ianao no nipetraka niandry ireo sakaizanao, toy ny Araba any an'efitra. Efa nolotoinao tamin'ny fijangajanganao sy ny faharatsianao ny tany.
\s5
\v 3 Ka notohanana ny loharano ary tsy tonga ny fara-orana. Fa ny tavanao miavonavona, toy ny tarehim-behivavy mahatsiravina. Nolavinao ny hatsapa henatra.
\v 4 Mba efa niantso ahy ve ianao izao hoe: "Ry raiko! Ny namako akaiky avy amin'ny fahatanorako!
\v 5 Dia ho tezitra amiko foana ve izy? Dia ho tazominy hatramin'ny farany ve ny hatezerany?' Indro! Izany no efa nolazainao, nefa ataonao ny ratsy rehetra afaka ataonao!"
\s5
\v 6 Ary hoy Yaveh tamiko tamin'ny andron'i Josia mpanjaka: "Efa itanao ve izay fivadihana nataon'ny Israely? Dia niakatra nanerana ny havoana avo rehetra izy teo ambany ala mikitroka, ary tany no nanaovany toy ny fijangajangana.
\v 7 Hoy aho: 'Aorian'ny anaovany izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amiko izy,' saingy tsy niverina izy. Avy eo ny anabavin'ny Joda mpivadika nahita ireo zavatra ireo.
\s5
\v 8 Koa dia hitako fa, tamin'ny fomba mitovy no efa nijangajangan'Israely mpivadika ary efa nandroaka azy aho ary efa nomeko hanohitra azy ny vavan'ny fisaraham-panambadiana, ny anabavin'ny Joda mpivadika tsy mba natahotra; nivoaka ihany koa izy ary nanao tahaka ny fijangajangana;
\v 9 tsy nisy dikany taminy ny fijangajangany; nitety ny tany izy; ary nanao fanitsakitsaham-bady tamin'ireo vato sy hazo izy.
\v 10 Ary taorian'izany rehetra izany, ny anabavin'ny Joda mpivadika dia niverina taminy, tsy tamin'ny fony rehetra, fa tamin'ny lainga—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 11 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Marina kokoa noho ny joda mpivadika ny Israely mpivadika!
\v 12 Mandehana ary ambarao any avaratra ireo teny ireo. Lazao hoe: "Miverena, ry Israely mpivadika! —izany no fanambaran'i Yaveh—tsy ho tezitra aminareo foana Aho. Hatramin'izay maha mpatoky Ahy—Izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hijanona ho tezitra mandrakizay aho.
\s5
\v 13 Aoka ianao hiaiky ny helokao, satria efa nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrao ianao; efa nizara ny fombanao tamin'ireo vahiny ambany ny hazo midoroboka rehetra! Satria ianao tsy nihaino ny feoko! — Izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 14 Miverena, ry vahoaka manam-pinoana! —izao no fanambaran'i Yaveh—Izaho no vadinareo! Halaiko ianareo, ny iray avy amin'ny tanàna ary ny roa avy amin'ny fianakaviana, ary ho entiko any amin'ny Ziona ianareo!
\v 15 Homeko mpiandry ondry araka ny foko ianareo, ary hiambina anareo amin'ny fahaizana sy halalinan-tsaina izy ireo.
\s5
\v 16 Ary izao no hitranga, hitombo ianao ary hitondra voankazo any amin'ny tany amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary dia hiteny foana izy ireo hoe: "Ny fiaran'ny faneken'i Yaveh!" Izany zavatra izany dia ho avy ao am-pon'izy ireo foana na ho tsaroana; tsy ho banga izany, ary ny iray hafa tsy ho vita.'
\s5
\v 17 Amin'io fotoana io dia hanambara mahakasika an'ny Jerosalema izy ireo hoe: 'Ity ny seza fiandrianan'i Yaveh,' ary ireo firenen-kafa rehetra dia hiangona any Jerosalema amin'ny anaran'i Yaveh. Dia handeha amin'ny hamafisan-dohan'ny faharatsian'ny fony foana izy ireo.
\v 18 Amin'izany andro izany ny ankohonan'ny Joda dia handeha ao amin'ny ankohonan'ny Israely. Dia hiara tonga avy any amin'ny tany avaratra izy ireo mankany amin'ny tany izay nomeko ny razambenareo ho lova.
\s5
\v 19 Fa amiko, hoy aho hoe: "Endrey ny faniriko hanome voninahitra anao tahaka ny zanako lahy ary hanome anao tany tsara, lova tsara indrindra noho izay an'ny firenen-kafa! Tsy maintsy hiteny aho hoe: "Hiantso ahy ianao hoe: "Raiko". Dia niteny aho hoe tsy tokony nivadika tamin'ny fanarahana ahy ianareo.
\v 20 Saingy tahaka ny vehivahy mahatoky ny vadiny, efa namadika Ahy ianao, ry ankohonan'Israely—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 21 Re teny amin'ireo tany lemaka ny feo, ny tomany sy ny fiangavian'ny vahokan'Israely! Fa nanova ireo fombany izy ireo, efa hadinon'izy ireo Yaveh Andriamanitr'izy ireo.
\v 22 "Miverena, ry vahoaka tsy manam-pinoana! Ho sitraniko amin'ny fitaka ianareo." Indro! Hoavy any Aminao izahay, fa Ianao no Yaveh Andrimanitray!
\s5
\v 23 Ho avy eny amin'ireo havoana tokoa ireo lainga, ny feo mampisafotofoto avy amin'ireo tendrombohitra; Yaveh Andriamanitra tokoa no famonjen'Israely.
\v 24 Fa efa nanimba ny asan'ny razambe antsika Ireo sampy mahamenatra— ireo ondry aman'osy sy ny biby fiompin'izy ireo, ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo!
\v 25 Avelao izahay handry eo amin'ny fahamenarana. Andrakotra anay anie ny henatray, fa efa nanota tamin'i Yaveh Andriamanitray izahay! Izahay tenanay sy ny razambe anay, tamin'ny fotoan'ny fahatanoranay ka hatramin'izao andro izao, dia mbola tsy naheno ny feon'i Yaveh Andriamanitray!"
\s5
\c 4
\p
\v 1 "Raha miverina ianao, ry Israely— izao no fanambaran'i Yaveh—dia Amiko no tokony hiverenanao. Raha hesorinao tsy ho eo anoloako ireo zavatra maharikorikonao ary tsy hiala eo amiko indray ianao,
\v 2 dia aoka ianao ho feno fahamarinana, hahitsy, ary ho marina rehefa mianiana hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh.' Dia ho sambatra ao aminy ireo firenena, ary ao aminy no hanomezan'izy ireo voninahitra."
\v 3 Fa izao no lazain'i Yaveh amin'ny olona tsirairay tao Joda sy Jerosalema: 'Ny taninao ihany no hasao, ary aza mamafy eny amin'ny tsilo.
\s5
\v 4 Forao ho an'i Yaveh ny tenanareo ary esory ny hoditra manarona ny fonareo, ry lehilahin'i Joda sy mponin'i Jerosalema, raha tsy izany dia hivoaka toy ny afo ny fahatezerako, ka hirehitra tsy misy hamono azy, nohon'ny faharatsian'ny asanareo.
\v 5 Tantero any Joda ary aoka izany ho re ao Jerosalema. Lazao hoe: "Tsofy eo amin'ny tany ny trompetra." Torio hoe: "Miangòna. Andeha isika hankany amin'ireo tanàna voaaro."
\v 6 Asandrato ny saina famantarana ary ataovy manondro an'i Ziona izany, ary mitsoaha hitady fiarovana! Aza mijanona, satria hitondra loza avy any avaratra Aho ary fandrodanana lehibe.
\s5
\v 7 Misy liona hivoaka avy ao an-kirihiny ary efa miainga ny olona izay handringana ny firenena. Mandao ny toerany izy mba hitondra horohoro eo amin'ny taninao, hamadika ireo tanànanareo ho faharavana, izay tsy hisy honina.
\v 8 Noho izany, rakofy lamba fisaonana ny tenanao, mitomania ary midradradradrà. Fa tsy niala tamintsika ny herin'ny fahatezeran'i Yaveh.
\s5
\v 9 Ary hitranga izany amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh—dia ho ketraka ny fon'ny mpanjaka sy ireo mpifehiny. Hihoron-koditra ireo mpisorona, ary hivarahontsana ireo mpaminany."'
\v 10 Koa hoy aho hoe: "Oh! Ry Tompo Yaveh. Namitaka ity vahoaka ity sy Jerosalema tokoa Ianao tamin'ny filazana hoe: 'Hisy fiadanana ho anareo.' Kanefa ny sabatra dia mamely ny ain'izy ireo."
\s5
\v 11 Amin'izany fotoana izany dia ho lazaina amin'ity vahoaka ity hoe: "Hisy rivotra mandoro avy any amin'ny lemak'ireo efitra hanao ny lalany ho any amin'ny zanaka vavin'ny oloko. Tsy hikororoka na hanadio azy ireo izany.
\v 12 Hisy rivotra mahery lavitra noho izany ho avy amin'ny fibaikoako, ary hanome sazy azy ireo Aho.
\s5
\v 13 Indro, mamely tahaka ny rahona izy, ary tahaka ny tafiotra ny kalesiny. Haingan-pandeha noho ny voromahery ny soavaliny. Loza ho antsika, fa ho rava isika!
\v 14 Diovy hiala amin'ny faharatsiana ny fonao ry Jerosalema mba ho avotra ianao. Ho Mandra-pahoviana ny fihevitrao lalina indrindra no ho amin'ny fahotana?
\v 15 Fa nisy feo nitondra vaovao avy any Dana, ary ny loza ho avy dia re avy any an-tendrombohitr'i Efraima.
\s5
\v 16 Ataovy sainin'ny firenena izao: Indro, ambarao amin'i Jerosalema fa misy mpanao fahirano ho avy avy any an-tany lavitra mba hihiaka ady amin'ny tanànan'i Joda.
\v 17 Ho tahaka ireo mpiambina manodidina ny saha fambolena izy ireo hanohitra azy, satria efa nikomy nanohitra Ahy izy—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 18 ary ny fitondran-tenanareo sy ny asanareo dia nahatonga ireo zavatra ireo taminareo. Izany no ho famaizana anareo. Hatsiravina tokoa izany! Handona ny fonareo mihitsy izany.
\s5
\v 19 Ry foko! Ry foko! Mitaintaina ny ao am-poko. Mangorohoro ato anatiko ny foko. Tsy afa-mangina aho satria reko ny feon'anjomara, fanairana ho amin'ny ady.
\v 20 Ny loza omban'ny loza; fa mitoetra amin'y faharavana ny tany manontolo. Tampoka teo dia rava ny laiko, sy ny lambako tao anatin'ny fotoana fohy.
\s5
\v 21 Ho mandra-pahoviana no ahitako ny zavatra mitovy amin'izany? No hahenoko ny feon'anjomara?
\v 22 Fa ny fahadalan'ny oloko—tsy mahalala Ahy izy ireo. Vahoaka adaladala izy ireo ary tsy manana fahazavan-tsaina. Kinga amin'ny ratsy izy ireo, saingy tsy mahay manao ny tsara.
\s5
\v 23 Hitako ilay tany. Indro! Tsy nisy endriny sady foana izany. Fa tsy nisy fahazavana ho an'ny lanitra teo.
\v 24 Nitazana ny tendrombohitra Aho. Indro, nangovingovitra ireo, ary ny havoana dia nihovitrovitr.
\v 25 Nijery aho. Indro, tsy nisy na iza na iza, ary ny voron'ny lanitra rehetra dia nandositra avokoa.
\v 26 Nijery aho. Indro, tany efitra ny tanim-boly ary ny tanàna dia voasintona nidina teo anatrehan'i Yaveh, teo anatrehan'ny fisafoaky ny fahatezerany."
\s5
\v 27 Izao no lazain'i Yaveh: "Ho tonga faharavana avokoa ny tany manontolo, saingy tsy ho potehiko tanteraka izany.
\v 28 Noho izany antony izany, dia hisaona ny tany, ary ny lanitra any ambony dia hihamaizina. Fa efa nambarako ny fikasako; tsy hihemotra Aho; tsy hivadika amin'ny fanatanterahana azy ireo Aho.
\v 29 Handositra amin'ny kotaban'i mpitaingin-tsoavaly sy ny mpandefa tsipìka miaraka amin'ny zana-tsipika ny tanàna rehetra; hihazakazaka ho any an'ala izy ireo. Ny tanàna rehetra dia hianika eny amin'ny toerana feno vatovato; ho foana ireo tanàna, satria tsy hisy olona honina ao amin'ireny.
\s5
\v 30 Ary ankehitriny rehefa rava ianao, inona no ho ataonao? Fa na dia miakanjo jaky aza ianao, mihaingo firavaka volamena, ary manabe kokoa ny masonao amin'ny loko, ireo lehilahy izay nitsiriritra anao dia efa nandà anao izao. Fa kosa, mitady hifofo ny ainao izy ireo.
\v 31 Koa reko ny feon'ny fangirifiriana, fahoriana tahaka ny amin'ny fahaterahan'ny zaza voalohan-teraka, dia ny feon'ny zanaka vavin'i Ziona. Misefosefo izy. Mamelatra ny tanany izy hoe: 'Loza ho ahy! Ketrak'ireo mpamono olona ireo aho."'
\s5
\c 5
\p
\v 1 "Mihazakazaha maneran'ireo lalan'i Jerosalema; mitadiava ihany koa eny an-kianjan'ny tanànany. Ary diniho sy eritrereto ny momba izao: raha mahita olona na iza na iza manao ny marina ary miezaka mandeha am-pahatokiana, dia hamela an'i Jerosalema aho.
\v 2 Na dia miteny aza izy ireo hoe: 'Raha mbola velona Yaveh,' dia manao fianianana diso izy ireo."
\v 3 Ry Yaveh, moa ny masonao tsy mijery fahamarinana? Mamely ny olona Ianao, nefa tsy mahatsiaro fanaintainana izy ireo. Nandresy tanteraka azy ireo Ianao, nefa tsy mbola mety mandray fitsipika izy ireo. Manao ny tavany ho mafy noho ny vato izy ireo, satria mandà tsy hibebaka.
\s5
\v 4 Ka hoy aho hoe: "Azo antoka fa olona mahantra ihany ireo. Adala izy ireo, satria tsy mahalala ny lalan'i Yaveh, na ireo lalàn'ny Andriamanitr'izy ireo.
\v 5 Handeha ho any amin'ny olona ambony aho ary hanambara ny hafatr'Andriamanitra amin'izy ireo, fa farafaharatsiny izy ireo mahalala ny lalan'i Yaveh, ireo lalàn'ny Andriamaniny." Kanefa niara-nandrava ny ziogany izy rehetra; nanapaka ny rojo vy izay namatotra azy ireo tamin'Andriamanitra izy rehetra.
\v 6 Noho izany dia hisy liona avy ao anaty kirihitrala hanafika azy ireo. Hisy amboadia avy any Arabaha handrava azy ireo. Hisy leoparda miafina ho avy hanohitra ny tanànan'izy ireo. Izay mandeha any ivelan'ny tanànany dia ho ravàna. Fa mitombo ny fandikan-dalàn'izy ireo. Tsy misy fetra ny asa fivadihan'izy ireo.
\s5
\v 7 Nahoana aho no tokony hamela ireny olona ireny? Nandao ahy ireo zanakao ary nanao fianianana tamin'ireo izay tsy andriamanitra. Namahana feno azy ireo Aho, fa nijangajanga izy ireo ary nandeha maro an'isa tany amin'ireo tranon'ny mpivarotena.
\v 8 Soavaly ao anaty fahatairana izy ireo. Nivezivezy te hiray izy ireo. Ny lahy tsirairay dia samy nihika tamin'ny vadin'ny mpiara-monina azy avy.
\v 9 Koa tsy tokony hanasazy azy ireo ve Aho— izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy tokony hanao valifaty amin'ny firenena tahaka izany ve Aho?
\s5
\v 10 Miakàra eny amin'ny tanim-boalobony mimanda ary poteho. Fa aza mamotika tanteraka azy ireo. Esory ny voalobok'izy ireo satria tsy avy amin'i Yaveh ireo voaloboka ireo.
\v 11 Fa namitaka Ahy tanteraka ny taranak'Israely sy Joda— izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 12 Niresaka diso momban'i Yaveh izy ireo ary hoy izy ireo hoe: "Tsy hanao na inona na inona Izy; tsy hisy ratsy ho avy amintsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika.
\v 13 Ho tonga rivotra ireo mpaminany, tsy ao amin'izy ireo ny teny, koa aoka ho atao amin'izy ireo izay lazain'izy ireo."
\s5
\v 14 Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitry ny maro dia milaza izao: "Satria nilaza izany ianao, dia indro, hapetrako ao am-bavanaro ny teniko. Ho tahaka ny afo izany, ary ity vahoaka ity ho tahaka ny hazo! Satria handevona azy ireo izany.
\v 15 Indro! hitondra firenena avy lavitra hanohitra anareo Aho, ry taranak'Israely—izany no fanambaran'i Yaveh— firenena maharitra izany, firenena taloha! Izany dia firenena izay tsy fantatrareo ny fiteniny, na ho azonareo izay lazainy.
\s5
\v 16 Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra. Miaramila avokoa izy rehetra.
\v 17 Noho izany dia ho levona ny vokatrareo, ny zanakareo lahy sy vavy ihany koa, ary ny sakafonareo. Hihinana ireo ondry aman'osy sy biby fiompinareo izy ireo; hihinana ny vokatra avy amin'ny voaloboka sy hazon'aviavinareo izy ireo. Handrava amin'ny sabatra ny tanàna mimandanareo izay itokianareo izy ireo.
\s5
\v 18 Fa na dia tamin'ireo andro ireo aza— izao no fanambaran'i Yaveh— dia tsy manan-kevitry ny hamotika tanteraka anareo Aho.
\v 19 Rehefa miteny ianareo, ry Israely sy Joda hoe: 'Nahoana Yaveh Andriamanintsika no nanao ireny zavatra rehetra ireny tamintsika?' ary avy eo ianao, ry Jeremia, hiteny amin'izy ireo hoe: 'Tahaka ny nafoizanareo an'i Yaveh sy nanompoanareo andriamanitra vahiny teo amin'ny taninareo, dia tsy maintsy hanompo vahiny eo amin'ny tany izay tsy anareo ihany koa ianareo.'
\s5
\v 20 Tatero any amin'ny taranak'i Jakoba ity ary aoka izany ho ren'i Joda. Lazao hoe:
\v 21 'Henoy ity, ianareo ry vahoaka adala izay tsy manana fahazavan-tsaina; izay manana maso fa tsy afa-mahita, ary manana sofina ianareo fa tsy afa-mandre.
\v 22 Tsy matahotra Ahy ve ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—na mangovitra manoloana ny tavako? Nametraka tora-pasika nanohitra ny ranomasina Aho, lalàna efa mihatra izay tsy afaka dikaina izany— na dia manonjanonja aza ny ranomasina, dia tsy mbola mahadika azy izany. Na dia manonja mierona aza izany, dia tsy hihoatra an'izany.
\s5
\v 23 Fa manana fo mafy ity vahoaka ity. Mivily any amin'ny fikomiana izany ary dia nandao.
\v 24 Satria izy ireo dia tsy niteny tao am-pon'izy ireo hoe: "Aoka isika hatahotra an'i Yaveh Andriamanintsika, ilay mitondra ny orana —ilay loha-orana sy fara-orana— amin'ny fotoanan'izany, mihazona ireo herinandro voatondron'ny vokatra ho antsika."
\v 25 Nihazona ireo zavatra ireo tsy hitranga ny helokareo. Nanakana ny tsara ho avy aminareo ny fahotanareo.
\s5
\v 26 Satria hitako teo amin'ny oloko ny ratsy fanahy. Mijery toy ny olona mamitsaka hisambotra vorona izy ireo; nametraka fandrika izy ireo ary nisambotra olona.
\v 27 Tahaka ny akany feno vorona, dia feno fitaka ny tranon'izy ireo. Koa miha mitombo izy ireo ary lasa manan-karena.
\v 28 Niha natavy izy ireo; namirapiratra amin'ny fahamandinana. Niampita ny faharatsiana rehetra izy ireo. Tsy mitaraina amin'ny raharahan'ny olona izy ireo, na ny raharahan'ny kamboty. Ambinina izy ireo na dia tsy nanome rariny ny olona mila fanampiana aza.
\v 29 Tsy tokony hanasazy azy ireo noho ireo zavatra ireo ve Aho— izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy hamaly faty ny firenena tahaka ity ve Aho?
\s5
\v 30 Habibiana sy horohoro no nitranga teo amin'ilay tany.
\v 31 Maminany amim-pitaka ireo mpaminany, ary manapaka amin'ny fahefany manokana ireo mpisorona. Tian'ny oloko izany, fa inona no hitranga amin'ny farany?"'
\s5
\c 6
\p
\v 1 Mahità filaminana, ry vahoakan'i Benjamina amin'ny fandaozana an'i Jerosalema. Tsofy ao Tekoa ny trompetra. Mampiakàra famantarana manerana an'i Beti-hakerema, satria misy faharatsiana miseho avy any avaratra; misy fanorotoroana lehibe ho avy.
\v 2 Ny zanaka vavin'i Ziona, ilay vehivavy tsara sy malefaka, dia ho potika.
\v 3 Ireo mpiandry ondry sy ny ondry aman'osin'izy ireo dia handeha ho any amin'izy ireo; hametraka lay ny manodidina azy rehetra izy ireo; ny lehilahy tsirairay avy dia hiambina amin'ny tanany manokana.
\s5
\v 4 Manolora tena amin'ireo andriamanitra ho amin'ny ady. Mitsangàna, handeha isika hanafika amin'ny mitatao vovonana. Ratsy loatra raha toa ka tolaka ny andro, raha toa ka milatsaka ny aloky ny hariva.
\v 5 Fa aoka isika hanafika amin'ny alina ary handrava ireo fiarovany mafy."
\s5
\v 6 Fa Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: Tapaho ireo hazony, ary manamboara tovon-tany hanoherana an'i Jerosalema. Io no tanàna tsara tafihana, satria feno fampahoriana ao.
\v 7 Toy ny loharano mampiboiboika rano, dia manohy mamokatra faharatsiana io tanàna io. Herisetra sy korontana no re ao aminy; aretina sy ratra mandrakariva no eo anatrehan'ny tavako.
\v 8 Hekeo ny fitsipika, ry Jerosalema, raha tsy izany dia hivadika aminareo Aho ary handrava anareo, ho tany tsy misy mponina.'"
\s5
\v 9 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: "Azo antoka fa hitsipona ireo izay tavela ao Israely toy ny tanim-boaloboka izy ireo. Ahinjiro indray ny tananao mba hioty ireo voaloboka eny amin'ny hazom-boaloboka.
\v 10 Amin'iza no tokony hanambarako sy hampitandremako vao hihaino izy ireo? Indro! tsy voafora ny sofin'izy ireo; tsy afaka ny hifantoka izy ireo! Indro! Efa tonga tamin'izy ireo ny tenin'i Yaveh mba hanitsiana azy ireo, saingy tsy ilain'izy ireo izany."
\s5
\v 11 Fa izaho dia feno ny hatezeran'i Yaveh. Reraky ny mihazona izany aho. Hoy Izy tamiko hoe: "Arotsaho amin'ireo ankizy eny an-dalana sy ireo antokon-jatovo izany. Fa ny lehilahy rehetra dia ho esorina amin'ny vadiny; ary ny zokiolona rehetra efa nahazo taona.
\v 12 Ny tranon'izy ireo dia ho tolorana an'ireo hafa, miaraka amin'ireo tany sy ny vadin'izy ireo. Fa ho tafiako amin'ny tanako ny mponina ao amin'ilay tany—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 13 Nanambara Yaveh fa manonboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindr, izy rehetra dia fatra-pila harena amin'ny tsy rariny. Manomboka amin'ny mpaminany hatramin'ny mpisorona, izy rehetra ireo dia samy mpamitaka.
\v 14 Nanasitrana ny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny izy ireo, niteny hoe: "Fiadanana! Fiadanana!' tamin'ny tsy nisy fiadanana tao.
\v 15 Afa-baraka ve izy ireo rehefa nanao fametavetana? Tsy afa-baraka izy ireo; tsy mahay mivara-mena izy ireo! Koa hianjera miaraka amin'ireo lavo izy ireo; ho entina midina izy ireo rehefa nosaziana, hoy Yaveh.
\s5
\v 16 Izao no lazain'i Yaveh: "Mijoroa eo amin'ny sampanan-dalana ary jereo; anontanio ny lalana taloha. 'Aiza izany lalana tsara izany?' Avy eo dia mandehana amin'izany ary mitadiava toerana fialan-tsasatra ho anareo. Fa hoy ny vahoaka hoe: 'Tsy handeha izahay.'
\v 17 Nanendry mpiambina ho anareo Aho mba hihaino ny trompetra. Fa hoy izy ireo hoe: 'Tsy hihaino izahay.'
\v 18 Noho izany, ry firenena, henoy! Indro, hijoro vavolombelona amin'izay hitranga amin'izy ireo ianareo.
\v 19 Henoy, ry tany! Indro, hitondra loza eo amin'ity vahoaka ity Aho—ny vokatry ny eritreritr'izy ireo. Tsy niraharaha ny teniko na ny didiko izy ireo, fa nandà izany kosa."
\s5
\v 20 Midika inona ho Ahy ny fiakaran'ny ditin-kazo manitra avy any Seba? Na ireo fofona malefaka avy any amin'ny tany lavitra? Tsy azoko ekena ny fanatitra doranareo, na ireo soronareo.
\v 21 Ka nilaza izao Yaveh hoe: 'Indro, hametraka sakana amin'ity vahoaka ity Aho. Ho tafintohina eo amin'izany izy ireo—miaraka ao ireo ray sy ireo zanaka lahy. Ho ringana ihany koa ireo mponina sy ireo mpiara-belona.'
\v 22 Izao no lazain'i Yaveh hoe: 'Indro, hisy vahoaka ho tonga avy any amin'ny tany avaratra. Fa misy firenena lehibe efa namporisihina ho tonga avy any amin'ny tany lavitra.
\s5
\v 23 Hitondra tsipika sy lefona izy ireo. Feno habibiana izy ireo ary tsy manana famindram-po. Toy ny fieron'ny ranomasina ny feon'izy ireo, ary mitaingina soavaly mitan-dahatra toy ny lehilahy mpiady izy ireo, ry zanaka vavin'i Ziona.""
\v 24 Efa nandre ny vaovao momba azy ireo izahay. Ny tananay dia lasa malemin'ny fahoriana. Voasambotry ny fanaitainana toy ny vehivavy mitondra vohoka izahay.
\s5
\v 25 Aza mivoaka eny amin'ireo saha, ary aza mandeha eny amin'ny ireo lalana, satria ny sabatr'ireo fahavalo sy ny horohoro dia eny rehetra eny.
\v 26 Ry zanaka vavin'ny oloko, misikina lamba fisaonana ary mihosena eo amin'ny vovoky ny fandevenana ho an'ny zaza tokana. Ataovy mangidy ho an'ny tenanareo ny fandevenana, satria ho avy tampoka eo amintsika ny mpandrava.
\s5
\v 27 "Ry Jeremia, efa nanao anao ho mpizaha ny vahoakako toy ny mpitsapa vy Aho, noho izany dia hanadihady ary hizaha ny fomban'izy ireo ianao.
\v 28 Izy rehetra ireo no tena mafy loha indrindra amin'ny vahoaka, izay miroso amin'ny fanendrikendrehana an'ireo hafa. Izy rehetra ireo dia varahina sy vy, mpandrabiraby.
\v 29 Ireo fitsofana dia main'ny afo izay mandoro azy ireo; ny firaka dia levona anaty afo. Nitohy ny fanefena teo amin'izy ireo, fa tsy misy dikany izany, satria tsy mbola niala ny ratsy.
\v 30 Ho antsoina hoe volafotsy tsy lany ireo, satria efa nolavin'i Yaveh."
\s5
\c 7
\p
\v 1 Izao ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh:
\v 2 "Mijoroa eo am-bavahadin'ny tranon'i Yaveh ary ambarao ity teny ity! Lazao hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo ry Joda rehetra, ianareo izay miditra ao amin'ireo vavahady ireo mba hanompo an'i Yaveh.
\s5
\v 3 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: amboary ny lalanareo ary manaova ny tsara, dia hanohy ny hiaina ao amin'ity toerana ity Aho.
\v 4 Aza mitoky amin'ireo teny mamitaka manao hoe: "Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh! Tempolin'i Yaveh!"
\s5
\v 5 Fa raha manamboatra ny lalanareo tokoa ianareo sady manao ny tsara; raha tena manatanteraka feno ny rariny eo amin'ny olona sy ny mpiara-belona aminy tokoa ianareo—
\v 6 raha tsy manararaotra ilay mijanona eo amin'ilay tany, ireo kamboty, na ireo mpitondratena ianareo ary aza mandatsa-dràn'olona tsy manan-tsiny eo amin'izany toerana izany, ary aza manaraka ireo andriamanin-kafa ampahory ny tenanareo ihany—
\v 7 dia hamela anareo hitoetra eo amin'ity toerana ity Aho, any amin'ny tany izay nomeko an'ireo razanareo tamin'ny andro fahiny ary ho mandrakizay.
\s5
\v 8 Indro! Ianareo dia matoky ireo teny fitaka izay tsy manampy anareo.
\v 9 Moa ve ianareo mangalatra, mamono, sy mijanganjanga? Mianiana amin'ny fitaka ve ianareo ary manolotra ditin-kazo manitra ho an'i Bala ary manaraka ireo andriamanin-kafa izay tsy mbola fantatrareo?
\v 10 Dia tonga hijoro eo anatrehako ato amin'ity trano ity izay nantsoina amin'ny anarako ve ianareo ary hiteny hoe: "Avotra izahay," mba ahafahanareo manao ireo fahavetavetana rehetra ireo?
\v 11 Moa ve ity trano ity, izay mitondra ny anarako, zohin-jiolahy eo imasonareo? Kanefa indro, efa hitako izany— izany no fanambaran'i Yaveh.'
\s5
\v 12 Koa mandehana any amin'ny fitoerako izay any Silo, izay namelako ny anarako hitoetra tany am-piandohana, ary jereo ny nanaovako azy nohon'ny faharatsian'ny vahoakan'Israely.
\v 13 Koa ankehitriny, nohon'ny fanaovanareo ireo fanaonareo rehetra ireo— izao no fanambaran'i Yaveh—nilaza taminareo ombieny ombieny Aho, nefa tsy nihaino ianareo. Nampiantso anareo Aho, nefa tsy namaly ianareo.
\v 14 Noho izany, izay nataoko tamin'i Silo, dia ho ataoko amin'ity trano izay nantsoina amin'ny anarako ity, ilay trano izay nitokianareo, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.
\v 15 Fa handroaka anareo tsy ho eto anatrehako Aho tahaka ny efa nandroahako ireo rahalahinareo rehetra, ireo taranak'i Efraima rehetra.'
\s5
\v 16 Raha ny aminao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity, ary aza manandratra ny fidradradradrana fitomaniana na manonona vavaka amin'ny anaran'izy ireo, aza mangataka amiko, fa tsy hihaino anao Aho.
\v 17 Moa ve tsy hitanao ny ataon'izy ireo ao amin'ireo tanànan'i Joda sy eny amin'ireo lalan'i Jerosalema?
\v 18 Manangona hazo ireo ankizy ary ireo ray mandrehatra afo! Ireo vehivavy mitoto koba hanaovana mofo mamy ho an'ny mpanjaka vavin'ny lanitra sy mandraraka fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba hiantsian'izy ireo Ahy.
\s5
\v 19 Tena mihantsy Ahy tokoa ve izy ireo? —izao ny fanambaran'i Yaveh—moa ve tsy ny tenan'izy ireo ihany no hihantsian'izy ireo, koa ao amin'izy ireo ihany izany fahamenarana izany?
\v 20 Noho izany dia izao no lazain'ny Tompo Yaveh: 'Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako dia ho avy amin'ity toerana ity, amin'ny olona sy ny bibidia, amin'ny hazo eny amin'ireo saha sy ny voa eo amin'ny tany. Hirehitra izany ary tsy ho faty mihitsy.'
\s5
\v 21 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: 'Hatovano amin'ireo soronareo sy ny hena avy aminy ireo fanatitra doranareo.
\v 22 Fa rehefa nitondra ny razanareo hiala avy tao amin'ny tany Egypta Aho, dia tsy nitaky na inona na inona tamin'izy ireo. Tsy nanome didy azy ireo momba ny raharahan'ny fanatitra dorana sy ny sorona Aho.
\v 23 Izao didy izao ihany no nomeko azy ireo: "Henoy ny feoko, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho oloko. Koa mandehana amin'ny lalana rehetra izay nandidiako anareo, mba hahitanareo soa."
\s5
\v 24 Kanefa tsy nihaino izy ireo ary tsy nitandrina. Niaina tamin'ny fikasan-dratsin'ny fon'izy ireo ihany izy ireo, ka nihemotra, fa tsy nandroso.
\v 25 Hatramin'ilay andro nivoahan'ny razanareo avy tao amin'ny tany Egytpa ka hatramin'izao andro izao, dia efa nandefa ny tsirairay tamin'ireo mpanompoko, ireo mpaminaniko, tany aminareo Aho. Nikiry tamin'ny fandefasana azy ireo Aho.
\v 26 Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo. Tsy niraharaha izy ireo. Fa kosa, nanamafy hatoka izy ireo. Ratsy fanahy mihoatra noho ny razambeny izy ireo.'
\s5
\v 27 Koa ambarao amin'izy ireo ireo teny rehetra ire, fa tsy hihiaino anao izy ireo. Ambarao amin'izy ireo izany zavatra rehetra izany, fa tsy hamaly anao izy ireo.
\v 28 Lazao izy ireo fa ity no firenena tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamaniny ary tsy mandray fananarana. Rava ny fahamarinana ary niala tamin'ny vavan'izy ireo.
\s5
\v 29 Tapaho ny volonao dia arato ny tenanao, ary ario ny volonao. Mihirà hira fisaonana eny ankalamanjana. Fa Yaveh dia efa nandà sy nahafoy ity taranaka ity tamin'ny fahatezerany.
\v 30 Fa nanao ratsy teo imasoko ny zanak'i Joda—izany no fanamabaran'i Yaveh—nandefa ny zava-maharikorikon'izy ireo tao amin'ny trano izay antsoina amin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany.
\s5
\v 31 Avy eo dia nanorina ny toerana avon'ny Tofeta izay any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinema izy ireo. Nanao izany izy ireo handorana ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo amin'ny afo—zavatra izay tsy nandidiko, na niditra tao amin'ny saiko akory.
\v 32 Koa indro, ho avy ireo andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina ho Tofeta na lohasahan'i Ben-Hinema intsony izany. Ho lohasahan'ny famonoana izany; handevina ny faty ao Tofeta izy ireo mandra-paha tsy misy toerana intsony.
\s5
\v 33 Ny fatin'ity vahoaka ity dia ho sakafon'ny voron'ny lanitra sy ho an'ireo bibin'ny tany, ary tsy misy na iza na iza hampatahotra azy ireo intsony.
\v 34 Ho faranako ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema, ny feon'ny fifaliana sy ny feo ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, fa ho lao ny tany."
\s5
\c 8
\p
\v 1 "Amin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'Yaveh—ho entin'izy ireo hivoaka ireo fasana ny taolan'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo manam-pahefany, ireo taolan'ireo mpisorona sy ireo mpaminany, ary ireo taolan'ireo mponin'i Jerosalema.
\v 2 Ary ho aparitak'izy ireo eo amin'ny fahazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana rehetra eny amin'ny lanitra ireo; ireo zavatra eny amin'ny lanitra izay narahin'izy ireo sy notompoiny, izay notompoiny sy nofotopotorin'izy ireo, ary niankohofan'izy ireo. Tsy hangonina ireo taolana ary tsy halevina intsony. Ho tahaka ny zezika eny amin'ny velaran-tany izy ireo.
\v 3 Eny amin'ny toerana rehetra sisa tavela izay nitondrako azy ireo, dia hifidy ny fahafatesana izy ireo fa tsy ny miaina, ny rehetra mbola velona amin'ity firenena ratsy ity—izany no fanambaran'Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\v 4 Koa lazao izy ireo hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Nisy nianjera ve ka tsy niarina? Nisy olona very ve ka tsy nanandrana ny hiverina?
\v 5 Fa nahoana ity vahoaka ity, ry Jerosalema, no nivily maharitra tamin'ny tsy fananam-pinoana? Mifikitra amin'ny fitaka izy ireo ary mandà ny hibebaka.
\s5
\v 6 Nitandrina tsara Aho ary nihaino, fa tsy niteny marina izy ireo; tsy nisy niala tsiny tamin'ny haratsiany, tsy nisy na iray aza milaza hoe: "Inona no nataoko?" Nandeha tany amin'izay niriany avy Izy rehetra, tahaka ny soavaly lahy mihazakazaka amin'ny ady.
\v 7 Na ny vano eny amin'ny lanitra aza mahalala ny fotoana mety; sy ireo domoina, sidintsidina, ary ny vanobe. Mandeha amin'ny fifindra-moniny izy ireo amin'ny fotoana mety, fa ny oloko dia tsy mahalala ny didin'i Yaveh.
\s5
\v 8 Ahoana no hilazanareo hoe: "Hendry isika, fa ny lalàn'Yaveh dia momba antsika"? Eny tokoa, indro! Ny penina mpamitakin'ny mpanora-dalàna dia efa namorona fitaka.
\v 9 Ny lehilahy hendry dia ho afa-baraka. Raiki-tahotra izy ireo ary voafandrika. Indro! Nandà ny tenin'i Yaveh izy ireo, koa atao inona ny fahendren'izy ireo?
\v 10 Ka hanome ny vadin'izy ireo ho an'ny hafa Aho, ary ireo tanimbolin'izy ireo ho an'izay manana ireo ho fananana, satria manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, izy rehetra dia tia vola azo avy amin'ny tsy rariny. Hatramin'ny mpaminany ka hatramin'ny mpisorona, izy rehetra dia manao fitaka.
\s5
\v 11 Nanasitrana ny ratran'ireo vahoakako mora fotsiny izy ireo, niteny hoe: "Fiadanana, fiadanana," tamin'ny tsy nisy fiadanana tao. Menatra ve izy ireo rehefa nanao ireo fahavetavetana?
\v 12 Tsy menatra izy ireo; tsy fantatr'izy ireo izay hoe mivoara-mena! Ka hianjera eo amin'ireo lavo izy ireo; ho entina midina izy ireo rehefa voasazy, hoy Yaveh.
\v 13 Hanala azy ireo tanteraka Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hisy voaloboka amin'ny hazom-boaloboka, na amin'ny hazon'aviavy aza dia tsy hisy aviavy. Ary halazo ny ravina, ary izay nomeko azy ireo dia ho levona.
\s5
\v 14 Nahoana isika no mipetraka eto? Andeha hiaraka; handeha isika ho any amin'ireo tanàna voaaro mafy, ary hanjary hangina amin'ny fahafatesana any isika. Fa hampangina antsika i Yaveh Andriamanitsika. Hampisotro rano misy poizina antsika Izy, satria efa nanota Taminy isika.
\v 15 Manantena fiadanana isika, nefa tsy hisy zavatra tsara. Manantena fotoam-panasitranana isika, nefa indro, hisy horohoro.
\s5
\v 16 Re avy any Dana ny feonfiefon'ireo soavaly lahiny. Mihozongozona ny tany manontolo noho ny feon'ny fieron'ireo soavaly matanjaka. Fa ho avy izy ireo ary hamotika ny tany sy ny hareny, ny tanàna sy ireo izay mipetraka ao.
\v 17 Fa indro, handefa bibilava aminareo Aho, dia vipera izay tsy ho azonareo tambatambazana. Hanaikitra anareo ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.'"
\s5
\v 18 Tsy manam-pahataperana ny alaheloko, ary marary ny foko.
\v 19 Indro! Ny feo mihiakan'ny zanakavavin'ny vahoakako avy any an-tany lavitra! Tsy ao Ziona ve Yaveh? Na tsy ao ve ny mpanjakany? Nahoana izany izy ireo no manafintohina ahy amin'ireo endrik'asa voasokiny sy ireo sampy vahiny tsy misy dikany?
\s5
\v 20 Efa nandalo ny fotoam-pijinjana, tapitra ny fahavaratra. Nefa tsy voavonjy isika.
\v 21 Naratra aho nohon'ny ratran'ny zanaka vavin'ny vahoakako. Malahelo ny amin'ireo zavatra mahatsiravina izay nahazo azy aho; raiki-tahotra aho.
\v 22 Tsy misy fanafody ve ao Gileada? Tsy misy mpanasitrana ve ao? Nahoana no tsy hitranga ny fanasitranana ny vahoakako?
\s5
\c 9
\p
\v 1 Raha mba afaka mamokatra rano mantsy ny lohako, ary ny masoko ho loharanon-dranomaso! Fa maniry ny hitomany andro aman'alina aho ho an'ireo zanaka vavin'ny oloko izay novonoina.
\v 2 Raha mba misy olona afaka manome ny toerana ho an'ireo mpivahiny ho ahy honenana any an'efitra mantsy, izay ahafahako mandao ny oloko. Raha mba afaka mandao azy ireo mantsy ah, satria izy rehetra dia mpijangajanga sy andiana mpamadika!
\v 3 Yaveh dia nanambara hoe: "Manenjana ny tsipìkan-daingany amin'ny lelany izy ireo, nefa tsy nohon'ny fahatokian'izy ireo no mampatanjaka azy amin'ny tany. Niala tamin'ny asa ratsy iray izy ireo dia miditra amin'ny iray hafa. Tsy mahafantatra Ahy izy ireo."
\s5
\v 4 Ianareo tsirairay avy, mitandrema amin'ny namanareo ary aza mahatoky ireo rahalahy. Fa ny rahalahy rehetra dia mpamitaka tokoa, ary ny namana rehetra dia mandeha amin'ny fanedrikendrehana.
\v 5 Ny olona tsirairay dia maniratsira ny namany ary tsy milaza ny marina. Ny lelan'izy ireo dia mampianatra zavatra fitaka. Reraka amin'ny fanaovan-dratsy izy ireo.
\v 6 Ny fonenanareo dia eo afovoan'ny fitaka; tao anatin'ny famitahan'izy ireo dia mandà ny hanaiky Ahy izy ireo—izany no fanambaran'Yaveh."
\s5
\v 7 Yaveh Tompon'ny maro milaza hoe: "Indro, Izaho efa hizaha toetra sy hitsapa azy ireo, fa inona ihany koa no afaka ataoko, nohon'ny amin'izay nataon'ny oloko?
\v 8 Ny lelan'izy ireo dia zana-tsipika maranitra; miresaka zavatra tsy mahatoky izy ireo. Amin'ny vavany no hanambarany fiadanana amin'ireo namany, fa amin'ny fony no hanaovany otrika ho azy ireo.
\v 9 Tsy tokony hanasazy azy ireo ve Aho noho ny amin'ireo zavatra ireo—fanambaran'i Yaveh izany— ary tsy tokony hamaly faty amin'ny firenena tahaka izao ve ny tenako?
\s5
\v 10 Hihira hira fisaonana sy fidradradradrana ho an'ireo tendrombohitra Aho, ary ny hiram-pandevenana dia hiraina eo amin'ireo tanin'ahitra. Fa nodorana izy ireo ka tsy misy afaka mandalo amin'izany. Tsy handre feon'ny biby fiompy intsony izy ireo. Ireo voron'ny lanitra sy ireo biby dia nandositra avokoa.
\v 11 Koa dia hataoko ho antonta-paharavana i Jerosalema, sy fieren'ireo ambodia. Ireo tanàn'i Joda dia hataoko toerana rava tsy misy mponina."
\v 12 Iza no olon-kendry mahatakatra an'izany? Ho an'iza no niresahan'ny vavan'i Yaveh, ka hanambara izany izy? Fa inona no nahasimba ilay tany sy nandravana azy tahaka ny efitra izay tsy ahafahan'iza n'iza mandalo?
\s5
\v 13 Hoy Yaveh hoe: "Satria izy ireo nahafoy ny lalàko izay napetrako teo anoloany, satria tsy nihaino ny feoko na nandeha tamin'izany izy ireo.
\v 14 Satria izy ireo dia nandeha tamin'ny ditran'ny fony sy nanaraka ireo Bala toy izay nampianarin'ireo razambeny azy ireo hatao.
\s5
\v 15 Noho izany Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitrin'ny Israely, milaza hoe: 'Indro, hampihinaniko hazo mangidy sy hampisotroiko rano misy poizina ity vahoaka ity.
\v 16 Ary haeliko manerana ireo firenena izay tsy mbola fantatr'izy ireo, na izy ireo na ny razamben'izy ireo. Handefa sabatra hamely azy ireo Aho mandra-paharava azy ireo tanteraka."'
\s5
\v 17 Yaveh Tompon'ny maro nilaza hoe: "Hevero izao: Miantsò mpihiram-pandevenana; aoka izy ireo ho avy. Mampiantsoa vehivavy manam-pahaizana amin'ny fitomaniana; aoka izy ireo ho avy.
\v 18 Aoka izy ireo ho avy faingana ka hihira hira fisaonana eto amintsika, ka ho feno ranomaso anie ny masontsika ary ho tobakin'ny rano ny hodi-masontsika.
\s5
\v 19 Fa ny feon'ny fidradradradrana dia heno any Ziona, 'Endrey ny faharavantsika. Menatra tanteraka isika, satria nandao ny tany isika hatramin'ny nandravany ny tranontsika.'
\v 20 Koa ianareo ry vehivavy, henoy ny tenin'i Yaveh; tandremo ireo hafany izay avy amin'ny vavany. Koa ampianaro hira fisaonana ny zanakareo vavy, ary hira fandevenana ny vehivavy namanareo tsirairay avy.
\s5
\v 21 Fa ny fahafatesana dia tonga avy eo amin'ny varavarankelintsika; niditra ao amin'ireo lapantsika izany. Mandringana ireo ankizy avy any ivelany izany, sy ireo tovolahy eny an-kianjan'ny tanàna.
\v 22 Ambarao izao, "Izany no fanambaran' i Yaveh—ny fatin'ireo lehilahy dia hiraraka toy ny zezika eny an-tsaha, ary ho toy ny amboaram-bary ao aorian'ireo mpinjinja, ary tsy hisy olona hanangona an'izany."'
\s5
\v 23 Izao no lazain'Yaveh: "Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, na ny lehilahy mpiady amin'ny heriny. Aoka ny mpanankarena tsy hirehareha amin'ny harenany.
\v 24 Fa raha misy olona mirehareha amin-javatra, dia avelao amin'izao izany, fa manfatatra Ahy sy ny ao anatiko izy. Fa Izaho no Yaveh, izay miasa amin'ny fanekena tsy mivadika, ny rariny sy ny hitsiny eo an-tany. Fa amin'izany no ahazoako fafinaretana —izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 25 "Indro, tonga ireo andro—izany fanambaran'i no Yaveh—rehefa hanasazy ireo rehetra voafora amin'ny nofony ihany Aho.
\v 26 Hanafay an' i Egypta sy Joda, Edoma, ny vahoakan'ny Amona, Moaba, ary ny olona rehetra izay manapaka ny volon-dohany ho tena fohy Aho. Fa ireo firenena rehetra ireo dia tsy voafora, ary ny ankohonan'Israely rehetra dia manana fo tsy voafora."
\s5
\c 10
\p
\v 1 "Henoy ny teny izay ambaran'i Yaveh anareo, ry ankohonan'Israely.
\v 2 Izao no lazain'i Yaveh: "Aza mianatra ny lalan'ireo firenena ireo, ary aza raiki-tahotra ny amin'ireo famantarana eny amin'ny lanitra, fa ireo firenena dia raiki-tahotra noho ireo.
\s5
\v 3 Fa ny fomba fanao ara-pivavahan'ireo olona ireo dia tsy misy dikany. Nanapaka hazo tany an'ala izy ireo, ary ny mpanao asa-tanana misokitra ny hazo.
\v 4 Avy eo dia haigon'izy ireo amin'ny volafotsy sy volamena izany. Hamafisiny amin'ny tantanana sy fantsika mba tsy hianjera izany.
\v 5 Ny amboarin'ny tanan'izy ireo dia zavatra tahaka ireo kaly mampatahotra eny an-tsahan-kaonkaombira, satria ireo koa, dia tsy afaka miteny na inona na inona, ary tsy maintsy lanjain'izy ireo satria tsy afaka mandeha. Aza matahotra ireo, fa tsy afaka mitondra ratsy, na koa zavatra tsara ireo.'"
\s5
\v 6 Tsy misy olona tahaka Anao, ry Yaveh. Lehibe Ianao, ary lehibe amin'ny hery ny anaranao.
\v 7 Iza no tsy matahotra Anao, ry Mpanjakan'ireo firenena? Fa izany no mendrika Anao, satria tsy misy tahaka Anao eo amin'ireo lehilahy hendry rehetran'ireo firenena na ireo fanjakan'ny mpanjaka rehetra.
\s5
\v 8 Mitovy avokoa izy ireo, ketrina sy adala izy ireo, mpianatr'ireo sampy izay tsinontsinona fa hazo.
\v 9 Izy ireo dia mitondra tantanana volafotsy avy any Tarsisy, sy volamena avy any Ofaza nataon'ireo mpanao asa-tanana, dia ny tananan'ireo mpandrendrika. Ny ankanjon'izy ireo dia lamba manga sy voloparasy. Ireo lehilahy mahain'izy ireo no nanao ireo zavatra rehetra ireo.
\v 10 Kanefa Yaveh no Andriamanitra marina. Andriamanitra velona sy mpanjaka mandrakizay Izy. Mihorohoro amin'ny fahatezarany ny tany, ary tsy afaka miaritra ny fahatezerany ireo firenena.
\s5
\v 11 Hiresaka amin'izy ireo tahaka izao ianao: "Ireo andriamanitra izay tsy nanao ny lanitra sy ny tany dia ho faty amin'ny tany sy ny amban'io lanitra io."
\v 12 Fa Izy no nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriny, sy nametraka izao tontolo izao tamin'ny fahendreny, ary tamin'ny alalan'ny fahazavan-tsainy no namelarany ny lanitra.
\v 13 Ny feony no mampiraondraona ny rano eny amin'ny lanitra, ary Izy no mampiakatra ireo zavona avy any amin'ny faran'ny tany. Manao ny tselatra ho an'ny orana Izy ary mandefa ny rivotra avy amin'ny trano fitehirizana.
\s5
\v 14 Lasa tsy ampy fahalalana ny olona rehetra, tsy misy fahalalana. Nalain'ireo sampiny baraka ireo mpiasa vy rehetra. Fa fitaka ireo sarin-javatra voasokiny; tsy misy fiainana ao amin'ireo.
\v 15 Tsy misy ilàna azy ireo, asan'ireo mpaneso; ho foana ireo amin'ny fotoanan'ny famaizany.
\v 16 Nefa Andriamanitra, ilay ampahan'i Jakoba, dia tsy tahaka ireny, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely dia fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany.
\s5
\v 17 Angony ny fanananareo ary mialà amin'ny tany, ianareo olona mitoetra ambanin'ny fahirano.
\v 18 Fa izao no lazain'Yaveh: "Indro, efa handroaka ireo mponin'ilay tany Aho amin'izao fotoana izao. Hahatonga fahoriana amin'izy ireo Aho, ary ho itan'izy ireo tokoa izany."
\s5
\v 19 Loza ho ahy! Noho ireo taolako tapaka, dia manonitra ny feriko. Ka hoy aho: "Fahoriana tokoa izao, nefa tsy maintsy zakaiko."
\v 20 Rava ny laiko, ary ireo tadin'ny laiko rehetra dia nizara roa. Efa nanala ireo zanako tamiko izy ireo, ka tsy nisy intsony izy ireo. Tsy misy olona hamelatra ny laiko na hanangana ny lamban-daiko intsony.
\s5
\v 21 Fa adala ireo mpiandry ondry ary tsy mitady an'i Yaveh izy ireo; koa tsy nambinina izy ireo, ary ny ondrin'izy ireo rehetra dia niparitaka.
\v 22 Efa tonga ny tatitry ny vaovao: "Indro, tonga, tonga avy any avaratra ny horohoron-tany lehibe. Mba hamotika ireo tanànan'i Joda, fiafenana ho an'ny ambodia."
\s5
\v 23 Fantatro, ry Yaveh, fa ny lalan'ny olona iray dia tsy avy aminy. Tsy misy olona mandeha mahitsy amin'ny famindrany.
\v 24 Ampianaro, amin'ny fahamarinanao aho, ry Yaveh, fa tsy amin'ny fahatezeranao ka hamotika ahy Ianao.
\v 25 Arotsaho eo amin'ireo firenena izay tsy mahalala Anao sy ireo fianakaviana izay tsy miantso ny Anaranao ny fahatezeranao. Fa efa nandrapaka an'i Jakoba sy nitelina azy mba handrava azy tanteraka sy handrodana ny fonenany izy ireo.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Izao no teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh, manao hoe:
\v 2 "Henoy ireo tenin'ity fifanekena ity, ary ambarao amin'ny olona tsirairay ao Joda sy ireo mponin'i Jerosalema izany.
\s5
\v 3 Mitenena amin'izy ireo hoe: 'Yaveh, Andriamanitr'Israely no miteny izao: voaozona izay tsy mihaino ireo tenin'ity fanekena ity.
\v 4 Ity no fanekena izay nandidiko hotandreman'ireo razambenareo tamin'ny andro nitondrako azy ireo hivoaka ny tany Egypta, amin'ny lafaoro lehibe fandrendrehana vy. Dia niteny aho hoe: "Henoy ny feoko ary tanteraho ireo zavatra rehetra arak'izay nandidiako anareo, fa ho oloko ianareo ary Izaho ho Andriamanitrareo."
\v 5 Mankatoava Ahy mba ahafahako manamafy ny fianianana izay nianianako tamin'ireo razambenareo, ny fianianana fa hanome azy ireo tany tondra-dronono sy tantely Aho, izay honenanareo ankehitriny." Ary izaho, Jeremia, namaly ka niteny hoe: "Eny, ry Yaveh!"
\s5
\v 6 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Ambarao any amin'ireo tanin'i Joda sy eny amin'ny lalan'i Jerosalema ireo zavatra rehetra ireo. Lazao hoe: 'Henoy ireo tenin'izao fanekena izao ary tanteraho ireo.
\v 7 Fa efa nanome didy manetriketrika ho an'ireo razambenareo aho nanomboka tamin'ny andro nitondrako azy amin'ny tany Egypta ka mandraka-ankehitriny, nampitandrina azy ireo amim-pikirizana ka nanao hoe: "Henoy ny feoko."'
\v 8 Fa tsy nihaino na nihevitra ahy akory izy ireo. Samy nandeha araka ny hamafisan'ny fo ratsiny ny olona tsirairay. Ka nitondra ireo voaozona tao amin'ny fanekena izay nandidiako aho mba ho avy hanohitra azy ireo. Fa mbola tsy nankatò ihany ny vahoaka."
\s5
\v 9 Dia niteny tamiko Yaveh hoe: "Nahitana teti-dratsy teo amin'ireo olon'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema.
\v 10 Niverina tamin'ireo helok'ireo razany teo aloha izy ireo, izay nandà hihaino ny teniko, fa naleon'izy ireo kosa manaraka ireo andriamanin-kafa mba hanompo azy ireo. Nivadika tamin'ny fifanekena izay napetrako niaraka tamin'ny razan'izy ireo ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Jerosalema.
\s5
\v 11 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: "Indro, hitondra loza ho amin'izy ireo Aho, loza izay tsy ahafahan'izy ireo mandositra.
\v 12 Dia hiantso Ahy izy ireo, fa tsy hihaino azy ireo Aho. Handeha sy hiantso ireo andriamanitra izay notoloran'izy ireo fanatitra ny tanànan'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, nefa azo antoka fa tsy hahavonjy azy ireo amin'ny andron'ny loza izy ireo.
\v 13 Ho anao ry Joda, dia nitombo ho tahaka ny isan'ireo tanànanao ny isan'ireo andriamanitrao. Ianao no nanao ny isan'ireo alitara mahamenatra tao Jerosalema, alitaran'ny ditin-kazo manitra ho an'i Bala, hitovy isa amin'ireo lalany.
\s5
\v 14 Ka ianao, ry Jeremia, aza mivavaka ho an'ity vahoaka ity. Aza midradradradra na mivavaka amin'ny anaran'izy ireo. Ary tsy hihaino azy ireo aho rehefa miantso ahy anatin'ny lozany izy ireo.
\v 15 Nahoana ny malalako, ilay iray izay nanana fikasana ratsy maro be, no ao an-tranoko? Tsy afaka manampy anao ny henan'ireo fanatitrao. Mifaly ianao noho ireo asa ratsinao.
\v 16 Hazo oliva miravina no niantsoan'i Yaveh anao taloha, tsara tarehy miaraka amin'ny voany maha-te hizaha. Fa handrehitra afo eo amin'izany izy izay ahoraka tahaka ny fiheron'ny kotroka; ho tapaka ireo rantsany.
\s5
\v 17 Fa Yaveh Tompon'ny maro, izay namboly anao, nandidy loza taminao noho ireo asa ratsy izay nataon'ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda—Nahatezitra ahy izy ireo tamin'ny nanomezana ireo fanatitra ho an'i Bala."'
\s5
\v 18 Nampahafantarin'i Yaveh ahy izany zavatra izany, ka fantatro ireo. Ianao, ry Yaveh, nampahita ahy ireo asan'izy ireo. Dia tahaka ny zanak'ondry malemy fanahy
\v 19 izay nentina eny amin'ny mpivaro-kena aho. Tsy nahafantatra aho fa namorona fikasana ratsy hanohitra ahy izy ireo hoe: "Andeha haringantsika ny hazo sy ny voany! Andeha ho tapahitsika hiala amin'ny tany amin'ny fitoerany izy ka tsy ho tsaroina intsony ny anarany."
\v 20 Fa Yaveh Tompon'ny maro no mpitsara marina izay mandinika ny fo sy saina. Ho vavolombelon'ny famalianao hanohitra azy ireo aho, fa nampiseho ny momba ahy taminao aho.
\s5
\v 21 Noho izany Yaveh dia niteny izao mahakasika ny vahoakan'i Anatota izay mifofo ny ainao: "Hoy izy ireo: 'Aza maminany amin'ny anaran'i Yaveh ianao, fandrao ho faty amin'ny alalan'ny tananay.
\v 22 'Dia hoy Yaveh Tompon'ny maro: 'Indro, efa hanafay azy ireo aho. Ireo tovolahy maherin'izy ireo dia ho fatin'ny sabatra. Ireo zanaka lahy sy zanaka vavin'izy ireo dia ho fatin'ny mosary.
\v 23 Tsy hisy na iray aza ho tavela amin'izy ireo, satria hitondra loza hanohitra ny vahoakan'i Anatota aho, taona iray ho an'ny famaizana azy ireo.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Marina ianao, ry Yaveh, isaky ny mifanditra Aminao aho. Tokony hilaza Aminao tokoa ny antony hitarainako aho: Nahoana ny lalan'ny ratsy fanahy no mahomby? Ny olona tsy manam-pinoana rehetra dia mahomby.
\v 2 Nambolenao izy ireo ary naniry faka. Tsy mitsahatra mamoa izy ireo. Akaikin'ny vavan'izy ireo Ianao, nefa lavitra ny fon'izy ireo.
\s5
\v 3 Fa Ianao, ry Yaveh, mahalala ahy. Mahita ahy ianao ary mizaha toetra ny foko aminao. Ento toy ny ondry ho vonoina izy ireo, ary hatokany ho amin'ny andro famonoana!
\v 4 Mandra-pahoviana ny tany no hihamaina hatrany, ary ny zava-maniry eny amin'ny saha rehetra halazo noho ny amin'ny faharatsian'ireo mponina ao aminy? Ireo biby sy vorona dia efa noesorina. Fa kosa, hoy ny vahoaka hoe: "Tsy fantatr'Andriamanitra izay hanjo antsika."
\s5
\v 5 Hoy Yaveh: "Eny tokoa, raha ianao, ry Jeremia, efa niara-nihazakazaka tamin'ireo miaramila mpandeha tongotra ary norerahin'izy ireo ianao, ahoana no hifaninananao amin'ny soavaly? Raha mianjera amin'ny tanàna azo antoka ianao, ahoana no ataonao any amin'ny kirihitr'ala eny amoron'i Jordana?
\v 6 Fa na dia ireo rahalahinao sy ireo fianakavian'ny rainao aza dia efa namadika anao ary efa niampanga mafy anao. Aza matoky azy ireo, na dia milaza zavatra mahafinaritra aminao aza izy ireo.
\s5
\v 7 Efa nandao ny tranoko aho; efa nahafoy ny lovako. Nanome ireo vahoaka malalako teo an-tanan'ireo fahavalony Aho.
\v 8 Efa lasa toy ny liona any anaty kirihitr'ala ho ahy ny lovako; mametraka ny tenany hanohitra ahy tamin'ny feony izy, ka halako izy.
\v 9 Tsy toy ny vorona mpihaza ve ny loka fananako, no hanohitra azy ireo vorona mpihaza hafa rehetra manodidina? Mandehana ary vorio ny biby rehetra ary ento handrapaka azy izy ireo.
\s5
\v 10 Mpiandry ondry maro no efa nanimba ny tanim-boaloboko. Efa nohitsakitsahiny ny anjara taniko rehetra; nataony tany efitra sy lao ny anjara taniko mahafinaritra.
\v 11 Nataon'izy ireo lao izy. Malahelo azy aho; lao izy. Ny tany rehetra dia lasa lao avokoa, satria tsy nisy na iray aza nandray izany am-po.
\s5
\v 12 Ireo mpandrava dia tonga hanohitra ireo toerana foana rehetra tany an'efitra, fa ny sabatr'i Yaveh dia mandevona avy any amin'ny faran'ny tany hatrany amin'ny iray hafa. Tsy misy fiadanana ao amin'ny tanin'ny zava-manan'aina rehetra.
\v 13 Namafy vary izy ireo nefa tsilo no vokatra. Reraka amin'ny asa izy ireo nefa tsy nahazo na inona na inona. Koa meteza ho menatra ny amin'ny vokatrareo nohon'ny fahatezeran'i Yaveh."
\s5
\v 14 Izao no lazain'i Yaveh tamin'ny mpiara-belona amiko rehetra, ny ratsy fanahy izay nandroba ny fananana izay nataoko ho lovain'ny Israely vahoakako, "Indro, Izaho ilay tokana izay hanongotra azy ireo eo amin'ny taniny, ary hongotako tsy ho eo amin'izy ireo ny tranon'i Joda.
\v 15 Aorian'izay dia ho fongorako ireo firenena ireo, ary hamindra fo amin'izy ireo aho ary hitondra azy ireo hiverina; hamerina azy ireo aho—ny olona tsirairay samy amin'ny lovany sy amin'ny taniny.
\s5
\v 16 Raha mianatra tsara ny fomban'ny oloko ireo firenena ireo, ka mianiana amin'ny anarako 'Raha velona koa Yaveh' tahaka ny efa nampianaran'izy ireo ny oloko mba hianiana amin'i Bala, dia haorina eo afovoan'ny oloko izy ireo.
\v 17 Fa raha misy tsy mihaino dia ho fongorako izany firenena izany. Izany dia ho fongorana tokoa ary horavana—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\c 13
\p
\v 1 Nilaza izao tamiko Yaveh hoe: "Mandehana ary mividiana atin'akanjo rongony fotsy ka afatory eo amin'ny andilanao izany, saingy aza atao anaty eo rano aloha izany."
\v 2 Koa dia nividy atin'akanjo araka izay nitarihan'i Yaveh ahy aho, ary nafatotro teo amin'ny andilako izany.
\v 3 Dia tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 4 "Raiso ilay atin'akanjo izay avy novidianao izay eo amin'ny andilanao, mitsangana ka mandehana any amin'ireo Eofrata. Afeno ao anaty haram-bato izany."
\s5
\v 5 Koa nandeha aho ary nanafina izany tany amin'ireo Eofrata araka izay nandidian'i Yaveh ahy.
\v 6 Afaka andro maromaro, dia niteny tamiko i Yaveh hoe: "Mitsangana ka mandehana miverina any amin'ireo Eofrata. Alaivo any ilay atin'akanjo izay nolazaiko hafeninao."
\v 7 Koa niverina tany amin'ireo Eofrata aho ary nangady tao ilay nanafenako ilay atin'akanjo. Kanefa indro! Simba ilay atin'akanjo; tsy mba tsara intsony ilay izy.
\s5
\v 8 Avy eo dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 9 "Hoy Yaveh hoe: Mitovy amin'izany ny fomba hamotehako ny fiavonavonana lehiben'ny Joda sy Jerosalema.
\v 10 Io vahoaka ratsy izay mandà ny hihaino ny teniko io, izay mandeha amin'ny fahamafisan'ny fon'izy ireo, izay manaraka andriamanin-kafa mba hanompo ireny sy hiankohoka amin'ireny—ho tahaka izany atin'akanjo izany izy ireo izay tsara fa tsy misy dikany.
\v 11 Fa tahaka ny atin'akanjo iray mifikitra amin'ny taolan-tehezan'olona, dia toy izany koa no efa nanaovako ny taranak'Israely sy ny taranak'i Joda hifikitra Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh—mba ho vahoakako, mba hitondra laza, dera, ary voninahitra ho Ahy. Saingy tsy nihaino ahy izy ireo.
\s5
\v 12 Koa tokony hiteny izao teny izao ho azy ireo ianao hoe: 'Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely dia milaza izao: Ny tavoara rehetra dia ho feno divay.' Hiteny aminao izy ireo hoe: 'Moa tsy fantatray tokoa ve fa ho feno divay ny tavoara rehetra?'
\v 13 Ka dia lazao izy ireo hoe: 'Hoy Yaveh hoe: Indro, ho fenoiko fahamamoana ny mponina rehetra an'ity tany ity, ireo mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, ireo mpisorona, mpaminany, ary ireo mponin'i Jerosalema rehetra.
\v 14 Ary dia ho ampifamotehiko izy ireo, ireo ray sy ireo zanaka miaraka—izany no fanambaran'i Yaveh—Tsy hamindra fo amin'izy ireo Aho na hanana fangoraham-po, ary tsy hanavotra azy ireo amin'ny fahapotehina Aho.
\s5
\v 15 Mihainoa ka mandrenesa. Aza miavonavona, fa Yaveh no efa niteny.
\v 16 Manomeza voninahitra ho an'i Yaveh Andriamanitrareo mialohan'ny hitondrany aizina, ary mialohan'ny hanafintohinany ny tongotrareo ao an-tendrombohitra amin'ny maizimaizina. Fa manantena hazavana ianao, saingy hamadika ny toerana ho aizina lalina Izy, ho rahona mainty.
\v 17 Noho izany raha tsy hihaino ianao, dia hitomany irery aho noho ny fiavonavonanao. Hanganohano sy hikoriana ranomaso tokoa ny masoko, satria nobaboina ireo ondrin'i Yaveh.
\s5
\v 18 Lazao ny mpanjaka sy ny mpanjakavavy reniny hoe: 'Manetre tena ianareo ka mipetraha, fa ireo satro-boninahitra eo amin'ny lohanareo, ny fireharehana sy voninahitrareo, dia efa nianjera.'
\v 19 Hikatona avokoa ireo tanànan'i Negeva, tsy misy iray hamoha ireo. Ho baboina i Joda, ho atao sesitany ny aminy rehetra.
\s5
\v 20 Asandrato ny masonao ka jereo ireo tonga avy any avaratra. Aiza ny andian'ondry izay nomeny anao, ny andian'ondry izay tena tsara tarehy taminao?
\v 21 Inona no ho lazainao rehefa apetrak'Andriamanitra eo aminao ireo izay efa nampianarinao mba ho sakaizanao? Tsy ireo ve ny fiantombohan'ireo fanaintainana izay hahazo anao tahaka ny vehivavy miteraka?
\s5
\v 22 Dia mety hiteny anakampo ianao hoe: "Nahoana no miseho amiko ireo zavatra ireo?" Dia ho amin'ny fahamaroan'ireo fahotanao no nampiainga ireo ziponao ary nanolanana anao.
\v 23 Moa afaka ny hanova ny volon-kodiny ve ny Kosy, na ny leoparda hanova ny pentiny? Raha izany, dia ianao tenanao, na dia zatra ny faharatsiana aza, dia afaka manao ny tsara.
\v 24 Noho izany dia hampiely azy ireny tahaka ny akofa izay levon'ny rivotry ny efitra Aho.
\s5
\v 25 Izany no nomeko anao, ny anjara izay efa nodidiko ho anao—izany no fanambaran'i Yaveh—satria efa nanadino Ahy ianao ary nitoky tamim-pitaka.
\v 26 Noho izany ihany koa dia Izaho mihitsy no hanala ny ziponao aminao, ary hiseho ireo faritra saro-padinao.
\v 27 Efa nahita ny fanitsakitsaham-bady sy ny fihikanao Aho, ny faharatsian'ny fivarotan-tenanao teny amin'ireo havoana sy teny amin'ireo saha, ary efa nahita ireny zavatra maharikoriko ireny Aho! Loza ho anao, ry Jerosalema! Hafiriana izany vao ho madio indray ianao?"
\s5
\c 14
\p
\v 1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia momba ny hain-tany,
\v 2 "Aoka hisaona i Joda, aoka hitanondrika ny vavahadiny. Midradradradra ny amin'ny tany izy ireo; miakatra ny fitarainan'izy ireo ho an'i Jerosalema.
\v 3 Ireo lehibeny maniraka ireo mpanompony hitady rano. Rehefa mandeha any amin'ny famorian-drano izy ireo, dia tsy mahita rano. Miveri-maina avokoa izy ireo; manarona ny lohan'izy ireo ny henatra sy fahafaham-baraka.
\s5
\v 4 Noho izany dia nitresaka ny tany, satria tsy misy orana teo amin'ilay tany. Ireo mpiasa tany dia menatra ary manarona ny lohan'izy ireo.
\v 5 Fa na dia ny diera vavy aza mamela ny zanany any an-tsaha ary mandao azy ireo, satria tsy misy vilona.
\v 6 Ny boriky dia mijanona any amin'ny tani-hay ary misefosefo amin'ny rivotra tahaka ny amboadia. Jambena ny mason'izy ireo, satria tsy misy zava-maniry."
\s5
\v 7 Ry Yaveh, na dia niampanga anay aza ny helokay, dia miasà noho ny amin'ny anaranao. Fa ny asanay tsy am-pinoana dia mitombo; efa nanota taminao izahay.
\v 8 Ry fanantenan'ny Israely, ilay tokana izay namonjy azy tamin'ny fotoam-pahoriana, nahoana Ianao no ho tahaka ny vahiny amin'ny tany, tahaka ny vahiny mpirenireny izay mitsotra ka mandry indray alina monja?
\v 9 Nahoana no tahaka ny olona very hevitra Ianao, ho tahaka ny mpiady izay tsy afaka mamonjy na iza na iza? Fa Ianao dia eo anivonay, ry Yaveh! Efa nambara teo aminay ny anaranao. Aza mandao anay.
\s5
\v 10 Izao no nambaran'i Yaveh amin'ity vahoaka ity: "Satria tia mirenireny izy ireo, dia tsy nihazona ny tongony tamin'ny fanaovana izany izy ireo." Tsy faly amin'izy ireo Yaveh. Ankehitriny mahatsiaro ny helok'izy ireo Izy, ary nanafay ny fahotany.
\v 11 Hoy Yaveh tamiko: "Aza mangataka izay ahasoa ity vahoaka ity.
\v 12 Fa raha mifady hanina izy ireo, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho, ary raha manao fanatitra dorana sy fanatitra ho hanina izy ireo, dia tsy hankasitraka ireo Aho. Fa handringana azy ireo amin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana Aho."
\s5
\v 13 Dia hoy aho hoe: "Indrisy, ry Yaveh Tompo! Indro! Ireo mpaminany manao amin'ny olona hoe: 'Tsy hahita sabatra ianareo; tsy hisy mosary ho anareo, satria hanome fandriam-pahalemana marina ho anareo amin'ity toerana ity aho.'"
\v 14 Dia hoy Yaveh tamiko: "Ireo mpaminany dia maminany amim-pitaka amin'ny anarako. Tsy naniraka azy ireo, na nanome baiko azy ireo na niresaka tamin'izy ireo Aho. Fa fahitana lainga sy zava-poana, faminaniana tsy marina avy amin'ny saim-pantatr'izy ireo no haminaniany aminareo."
\s5
\v 15 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: "Mahakasika ny mpaminany maminany amin'ny anarako nefa tsy nirahiko—ireo izay miteny fa tsy hisy sabatra na mosary amin'ity tany ity: Ireo mpaminany ireo dia haringana amin'ny sabatra sy mosary.
\v 16 Ary ireo olona izay naminaniany dia hatsipy eny amin'ireo lalan'i Jerosalema nohon'ny mosary sy sabatra, fa tsy hisy na iray aza handevina azy ireo—izy ireo, ireo vadiny, ireo zanany lahy, na ireo zanany vavy—fa handraraka ny faharatsian'izy ireo eo amin'izy ireo Aho.
\s5
\v 17 Lazao amin'izy ireo izao teny izao: 'Aoka ny ranomasoko handifotra ny masoko andro aman'alina. Aza avela hijanona izy ireo, fa hisy faharinganana lehibe ho an'ny zanaka vavy virjinin'ny oloko— ratra lehibe ary tsy azo sitranina.
\v 18 Raha mivoaka ho any an-tsaha Aho, dia indreo ireo izay matin'ny sabatra! Raha tonga ao amina tanàna Aho, dia indreo ny aretina izay vokatry ny mosary. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia hirenireny eo amin'ny tany avokoa, ary tsy hahalala izy ireo.'"
\s5
\v 19 Efa nandà tanteraka an'i Joda ve Ianao? Halanao ve i Ziona? Nahoana Ianao no hampahory anay rehefa tsy misy fanasitranana ho anay, nanantena fiadanana izahay, fa tsy nisy zava-banona—ary ho an'ny fotoana fanasitranana, nefa indro, horohoro ihany no misy.
\v 20 Manaiky izahay, ry Yaveh, ireo fandikànay lalàna, ny helok'ireo razambenay, satria efa nanota taminao izahay.
\s5
\v 21 Aza lavina izahay! Fa noho ny amin'ny anaranao, dia aza manala baraka ny seza fiandriananao be voninahitra. Tsarovy ary aza manafoana ny fanekenao taminay.
\v 22 Moa ve misy amin'ireo sampin'ny firenena no mahavita mampandatsaka ranon'orana ny lanitra? Ry Yaveh Andriamanitray, moa ve tsy Ianao ilay tokana, no manao izao? Manantena anao izahay, satria Ianao no efa nanao izao rehetra izao.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Dia hoy Yaveh tamiko hoe: "Na dia Mosesy na Samoela aza no nijoro teo anoloako, dia tsy mbola hankasitraka ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eo anoloako izy ireo, mba handehanan'izy ireo.
\v 2 Ary dia hilaza aminao izy ireo hoe: 'Aiza no tokony ho alehanay?' Dia tsy maintsy hiteny amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: Ireo voalahatra ho faty dia ho faty; ireo voalahatra ho an'ny sabatra dia ho faty amin-tsabatra. Ireo voalahatra ho an'ny mosary dia ho fatin'ny mosary; ary ireo voalahatra ho amin'ny fahababoana dia ho babo.'
\s5
\v 3 Fa ho tendreko ho antoko efatra izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ny sabatra dia hamono ny sasany, ireo amboa hitaritarika ny sasany, ireo voron'ny lanitra sy ireo bibidian'ny tany handevona ary hamotika ny sasany.
\v 4 Ho ataoko zavatra mampivarahontsana an'ireo fanjakan'ny tany rehetra izy ireo, noho izay zavatra nataon'i Manase zanak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, tany Jerosalema.
\s5
\v 5 Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no alahelo anao? Iza no hiverina hanontany momba ny toe-tena anao?
\v 6 Nahafoy Ahy ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—efa niala tamiko ianao. Koa hamely anao amin'ny tanako Aho ary hamotika anao. Reraky ny mamindra fo aminao Aho.
\v 7 Ka dia ho kororohiko amin'ny fikororohana eo amin'ireo vavahadin'ny tany izy ireo. Hampahory azy ireo Aho. Hamotika ny vahoakako Aho satria tsy hiala amin'ny lalany izy ireo.
\s5
\v 8 Ho ataoko maro noho ny fasika eny amoron-dranomasina ny mpitondratenan'izy ireo. Handefa ny mpandrava amin'ny atoandro amin'ireo renin-jatovolahy Aho. Handatsaka horohoro sy tahotra tampoka amin'izy ireo Aho.
\v 9 Ny reny izay niteraka zaza fito dia hihaosa. Hiala aina izy. Ny masoandrony dia hilentika raha mbola andro iny. Ho afa-baraka sy menatra izy, fa homeko eo anatrehan'ireo fahavalony ireo izay sisa velona tamin'ny sabatra—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 10 Loza ho ahy, ry reniko! Fa niteraka ahy ianao, izaho izay lehilahin'ny adihevitra sy fandresen-dahatra manerana ny tany rehetra. Tsy manana ho ampindramina aho, ary tsy nisy olona nampindrana ahy, nefa manozona ahy izy rehetra.
\v 11 Hoy Yaveh: "Tsy hamonjy anao amin'ny tsara ve Aho? Ho ataoko mitalaho vonjy amin'ny fotoan'ny loza sy fahoriana tokoa ireo fahavalonao.
\v 12 Mahapotika vy ve ny olona? Indrindra fa ny vy avy any avaratra izay miharo varahina?
\s5
\v 13 Homeko ireo fahavalonao ho babo maimaim-poana ny harena sy zava-tsarobidinao. Ho ataoko izany nohon'ny fahotana rehetra nataonao tao anatin'ny faritaninao rehetra.
\v 14 Dia ho ataoko manompo ireo fahavalonao any amin'ny tany izay tsy fantatrao ianao, fa hirehitra ny afo, handrehitra ny fahatezerako aminao."
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Dia ho ataoko manompo ireo fahavalonao ianao", ireo dikan-teny sasanny taloha manao hoe: "Dia ho ataoko maka anao ireo fahavalonao." \f*
\s5
\v 15 Ry Yaveh, Ianao mahalala! Tsarovy aho ka vonjeo. Manaova valifaty ho ahy amin'ireo izay manenjika ahy. Mahari-pery Ianao, nefa aza avela haka ahy izy ireo; fantaro fa mijaly amin'ny fanalam-baraka noho Ianao aho.
\v 16 Efa hita ireo teninao, ary notsakotsakoko ireo. Ireo teninao dia tonga hafaliana ho ahy ary fahafinaretan'ny foko, fa mitondra ny anaranao aho, ry Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro.
\s5
\v 17 Tsy nipetraka teo amin'ny faribolan'ireo izay nankalaza na nifaly aho. Nipetraka irery aho nohon'ny tananao mahery, satria nofenoinao fahatezerana aho.
\v 18 Nahoana no mitohy ny fanaintainako ary tsy misy fanafany ny ratrako, mandà ny ho sitranina? Ho tahaka ny rano mamitaka amiko ve Ianao, rano izay ritra?
\s5
\v 19 Koa izao no lazain'i Yaveh: "Raha mibebaka ianao, ry Jeremia, dia ho averiko indray, ary hijoro eo anoloako ianao ka hanompo Ahy. Fa raha manasaraka ny zavatra adaladala amin'ireo zavatra sarobidy ianao, dia ho tahaka ny vavako ianao. Hiverina aminao ny vahoaka, nefa ianao dia tsy hiverina amin'izy ireo.
\v 20 Ho ataoko toy ny manda varahina tsy azo idirana ho an'ity vahoaka ity ianao, ary hanangana ady aminao izy ireo. Nefa tsy handresy anao izy ireo, satria momba anao Aho mba hamonjy sy hanavotra anao—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 21 fa hamonjy anao amin'ny tanan'ny ratsy fanahy Aho ary hanavotra anao amin'ny tanan'ny mpanao jadona."
\s5
\c 16
\p
\v 1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 2 "Aza maka vady ho an'ny tenanao, ary aza miteraka lahy na vavy amin'ny tenanao amin'ity toerana ity.
\v 3 Fa i Yaveh niteny izany tamin'ireo zanaka lahy sy zanaka vavy izay teraka teto amin'ity toerana ity, tamin'ireo reny izay nitondra azy ireo, sy tamin'ireo ray izay nahatonga azy ireo ho teraka eto ambonin'ity tany ity,
\v 4 'Ho faty amin'ny aretim-pahafatesana izy ireo. Tsy hitomaniana izy ireo na ho alevina. Ho lasa toy ny zezika amin'ny tany izy ireo. Fa amin'ny alalan'ny sabatra sy ny mosary no hiafaran'izy ireo, ary ny fatin'izy ireo dia ho lasa sakafo ho an'ireo voron'ny lanitra sy ireo bibin'ny tany.'
\s5
\v 5 Fa tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Aza miditra amin'ny trano izay misy fitomaniana. Aza mandeha mba hitomany na ampiseho fangorahana ho azy ireo, fa efa nesoriko teo amin'izany vahoaka izany ny fiadanako, ny fitiavako tsy miova sy ny famindram-poko—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 6 Ny lehibe sy ny kely dia samy ho faty eto amin'ity tany ity. Tsy ho alevina izy ireo, ary tsy hisy na iray aza hitomany azy ireo na hanapaka ny tenan'izy ireo na hanaratra ny lohany ho azy ireo.
\s5
\v 7 Aoka tsy hisy na iza na iza hizara sakafo amin'ny fisaonana mba hampiononana azy ireo noho ireo fahafatesana, ary aoka tsy hisy hanome kapoaka fampiononana ho an'ny rainy na ho an'ny reniny mba hampiononana azy ireo.
\v 8 Aoka ianao tsy ho any amin'ny trano fanasana mba hipetraka hiaraka amin'izy ireo mba hihinana na hisotro.'
\v 9 Fa Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, nanao hoe: 'Indro, eto anatrehan'ny masonareo, andronareo ary amin'ity toerana ity, hampitsahatra ny feon'ny fifaliana sy ny feon'ny firavoravoana aho, ny feon'ny mpampiakatra sy ny feon'ny ampakarina.'
\s5
\v 10 Ary ianao hitatitra ireo teny rehetra ireo amin'ireto vahoaka ireto amin'izany andro izany, ary hilaza aminao izy ireo hoe: 'Nahoana Yaveh no nandidy ity loza lehibe rehetra hanoherana antsika ity? Inona no helokay sy fahotanay izay nanotanay tamin'i Yaveh Andriamanitsika?
\v 11 Koa lazao izy ireo hoe: 'Satria nandao ahy ireo razambenareo—izany no fanambaran'i Yaveh—ary nankany amin'ny andriamani-kafa izy ireo ary nanompo sy niankohoka tamin'izy ireo. Dia nandao Ahy izy ireo ary tsy nitàna ny didiko.
\s5
\v 12 Saingy ny tenanareo dia efa nitondra faharatsiana maro noho ireo razambenareo, ka indro, samy nandeha tamin'ny hamafisan-dohany ny olona tsirairay araka ny fo ratsiny; tsy misy na iray aza mihaino Ahy.
\v 13 Koa ho esoriko eto amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay tsy mbola fantatrareo na ireo razambenareo, ary hanompo ireo andriamani-kafa andro aman'alina any ianareo, fa tsy hanome fankasitrahana ho anareo Aho.'
\s5
\v 14 Ka noho izany, indro, tonga ary ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho lazaina intsony hoe:
\v 15 "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nitondra ny vahoakan'Israely avy any amin'ny tanin'i Egypta.' Fa hoe: 'Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nitondra ireo vahoakan'Israely avy any amin'ny tany avaratra sy avy any amin'ireo tany izay efa nampielezana azy ireo.' Fa ho averiko any amin'ny tany izay nomeko ny razambeny izy ireo.
\s5
\v 16 Indro! Handefa mpanarato maro aho—izao no fanambaran'i Yaveh—ka hanarato ireo olona izy ireo. Aorian'izany dia handefa mpihaza maro aho mba hihaza ho azy ireo eny amin'ny tendrombohitra sy havoana rehetra, ary eny an-tsefatsefaky ny haram-bato izy ireo.
\v 17 Fa ny masoko dia ho eny amin'ny lalan'izy ireo rehetra; tsy afaka ny hiafina eo anoloako izy ireo. Tsy afaka ny hiafina eo anoloan'ny masoko ny helok'izy ireo.
\v 18 Hanonotra avo roa heny ny heloka sy ny otan'izy ireo ho an'ny fandotoan'izy ireo ny taniko tamin'ny sampy vetavetan'izy ireo aloha Aho, sy ny famenoan'izy ireo sampy maharikoriko ny lovako."
\s5
\v 19 Yaveh o, Ianao no fiarovako mafy sy fialofako, toerana azoko antoka amin'ny androm-pahoriana. Ho any Aminao ireo firenena avy any amin'ny faran'ny tany ary hilaza hoe: 'nandova fitaka tokoa ny razambenay. Foana izy ireo; ary tsy ahitana tombontsoa ao amin'izy ireo.
\v 20 Manao andriamanitra ho an'ny tenan'izy ireo ve ny olona? Kanefa tsy andriamanitra izy ireo.'
\v 21 Noho izany indro! Ho ampahafantariko azy ireo amin'izany fotoana izany, ho ataoko fantatr'izy ireo ny tanako sy ny heriko, ka ho fantatr'izy ireo fa Yaveh no anarako.
\s5
\c 17
\p
\v 1 "Voasoratra tamin'ny penina vy manana tendro diamondra ny fahotan'i Joda. Voasokitra eo amin'ny takelaky ny fon'izy ireo sy eo amin'ny tandrok'ireo alitaranao izany.
\v 2 Na dia ny zanak'izy ireo aza dia mahatsiaro ireo alitarany sy ireo baon'Aserahany izay teo akaikin'ny hazo misandrahaka sy tambonin'ny havoana avo.
\s5
\v 3 Teo an-tendrombohitro tao amin'ny tanàna malalaka ny baon'Aseraha. Ny harenanareo sy ireo zava-tsarobidinareo rehetra dia homeko toy ny babo, miaraka amin'ny fitoerana avonareo, noho ireo fahotana nataonareo teo amin'ny faritaninareo rehetra.
\v 4 Ho very ny lova izay nomeko anareo. Ho ataoko andevon'ireo fahavalonareo ao amin'ny tany izay tsy fantatrareo ianareo, fa ianareo dia efa nandrehitra afo amin'ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay."
\s5
\v 5 Hoy i Yaveh: "Voaozona ny olona izay mahatoky olombelona; manao ny nofony ho heriny izy nefa mampivily ny fony amin'i Yaveh.
\v 6 Fa ho tahaka ny kirihitra kely ao Araba izy ary tsy hahita zava-tsoa ho avy. Hijanona any amin'ny toeram-batolampy any an-efitra izy, tany karakaina tsy misy mponina.
\s5
\v 7 Nefa voatahy ny olona izay mahatoky an'i Yaveh, fa Yaveh no anton'ny fahatokiany.
\v 8 Fa ho tahaka ny hazo nambolena teny amoron-drano izy, hisandrahaka manamorona ny riaka ireo fakany. Tsy hatahotra ny hafanana izy raha tonga izany, fa ireo raviny dia maitso mandrakariva. Tsy manahy amin'ny taonan'ny hain-tany izy, ary tsy hitsahatra hamoa izy.
\s5
\v 9 Mamitaka mihoatra ny zavatra rehetra ny fo. Marary izany; iza no afaka ahatakatra izany?
\v 10 Izaho no Yaveh, ilay mizaha ny ao an-tsaina, ilay mitsapa ireo fo. Manome araky ny fomban'ny olona tsirairay Aho, araky ny vokatr'ireo asany.
\v 11 Mikotrika ny atody izay tsy nalatsany ny tsipohy. Mety ho tonga mpanankarena tsy ara-drariny ny olona, nefa rehefa misasaka ny andro iainany, dia handao azy ireo mpanakarena ireo, ary any am-parany dia ho lasa adala izy."
\s5
\v 12 "Ny sezan'ny tempolinay dia seza fiandrianana be voninahitra, nankarina hatrany am-piandohana.
\v 13 Yaveh no fanantenan'Israely. Ho menatra ireo rehetra izay mandao Anao. Ireo ao amin'ny tany izay niala taminao dia ho soratana amin'ny vovoka. Satria mandao an'i Yaveh Izy ireo, ilay loharanon'ny rano velona.
\v 14 Sitrano aho, ry Yaveh, dia ho sitrana aho! Vonjeo aho, dia ho voavonjy aho. Fa Ianao no hira fiderako.
\s5
\v 15 Indro, hoy izy ireo tamiko: "Aiza ny tenin'Yaveh? Avelao izany ho avy!'
\v 16 Raha ny amiko, tsy niala tamin'ny maha mpiandry ondry manaraka Anao aho, tsy naniry ny andron'ny loza aho. Fantatrao ireo fanambarana avy amin'ny molotro. Natao teo amin'ny fanatrehahanao ireny.
\s5
\v 17 Aza mampihorohoro ahy. Ianao no fialofako amin'ny andron'ny loza. Aoka ho menatra anie ireo mpanenjika ahy, nefa aza avela ho menatra aho.
\v 18 Aoka izy ireo hatahotra, fa aza avela hatahotra aho. Alefaso amin'izy ireo ny andron'ny loza ary torotoroy amin'ny anjara loza avo roa heny izy ireo."
\s5
\v 19 Izao no nolazain'i Yaveh tamiko: "Mandehana ary mijoroa eo amin'ny vavahadin'ny vahoaka izay hidiran'ireo mpanjakan'i Joda sy ivoahan'izy ireo, ary avy eo amin'ny vavahady hafa an'i Jerosalema rehetra.
\v 20 Lazao izy ireo hoe: 'Henoy ny tenin'i Yaveh, ry mpanjakan'i Joda sy ianareo vahoakan'i Joda rehetra, ary ny mponin'i Jerosalema izay mandalo amin'ireo vavahady ireo.
\s5
\v 21 Izao no lazain'i Yaveh: "Tandremo ny ainareo aza milanja enta-mavesatra amin'ny Andro Sabata ka hitondra izany mankeo amin'ireo vavahadin'i Jerosalema. Aza mitondra entana mivoaka ny tranonareo amin'ny Andro Sabata.
\v 22 Aza manao asa na inona na inona, fa atokano ny Andro Sabata, izay tahaka ny nandidiako ireo razanao hatao.'"
\v 23 Tsy nihaino na nitandrina izy ireo, fa nanamafy ny hatony mba tsy handrenesany ahy na hanaiky famaizana.
\s5
\v 24 Hiseho izao raha mihaino ahy tokoa ianareo—izao no fanambaran'i Yaveh—ary aza mitondra entana mankeo amin'ireo vavahadin'ny tanàna amin'ny Andro Sabata fa kosa atokano ho an'i Yaveh ny Andro Sabata ary aza manao asa na inona na inona amin'izany,
\v 25 ary ireo mpanjaka, andriana, sy ireo izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida dia hankeo amin'ireo vavahadin'ity tanàna ity amin'ny kalesy miaraka amin'ny soavaly, izy ireo sy ireo mpitarika azy ireo, ny lehilahin'i Joda sy ny mponin'i Jerosalema, ary ity tanàna ity dia honenana mandrakizay.
\s5
\v 26 Izy ireo dia ho avy any amin'ny tanànan'i Joda sy avy amin'ny manodidina an'i Jerosalema, avy amin'ny tanin'i Benjamina sy ireo faritra iva, avy any amin'ireo tendrombohitra, ary avy any Negeva, hitondra ireo fanatitra dorana sy ireo sorona, fanatitra voa sy ditin-kazo manitra, fanati-pisaorana ao an-tranon'i Yaveh.
\v 27 Nefa raha tsy mihaino Ahy ianareo—ny amin'ny fanokanana ny Andro Sabata sy ny tsy fitondrana enta-mavesatra ary ny tsy fidirana amin'ireo vavahadin'i Jerosalema amin'ny Andro Sabata—dia handrehetako afo eo amin'ireo vavahadiny, ka handevona ny mandan'i Jerosalema izany, ary tsy ho vonoina izany."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh, manao hoe:
\v 2 "Mitsangana ary mivoaha tao an-tranon'ny mpanefy tanimanga, fa any no hampandrenesiko anao ny Teniko."
\v 3 Ka nankany an-tranon'ny mpanefy tanimanga aho, ary indro! Ny mpanefy tanimanga dia niasa teo amin'ny kodiarany.
\v 4 Fa simba teny an-tanany ny vilany tanimanga izay novolavolainy, ka niova hevitra izy ary nanao zavatra hafa izay toa tsara teo imasony.
\s5
\v 5 Dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 6 "Tsy afaka manao tahaka ny ataon'io mpanefy io aminareo ve Aho, ry ankohonan'Israely? —izao no fanambaran'i Yaveh. Indro! Tahaka ny tanimanga eo an-tanan'ny mpanefy—dia toy izany ianareo eo an-tanako, ry ankohonan'Israely.
\v 7 Amin'ny fotoana iray, dia mety hanonona zavatra ho an'ny firenena na fanjakana iray Aho, mba hamoahako, handrodanako, na hamotehako izany.
\v 8 Fa raha miala amin'ny haratsiany ny firenena izay nanaovako izany fanambarana izany, dia hihazona ny loza izay nomaniko ho entiko eo amin'izany Aho.
\s5
\v 9 Amin'ny fotoana hafa, dia mety hanambara zavatra momba ny firenena na fanjakana iray Aho, fa hanangana na hamboly izany Aho.
\v 10 Fa raha manao ratsy eo imasoko izy amin'ny tsy fihainoana ny feoko, dia hajanoko ny soa izay nolaizaiko fa ho ataoko amin'izy ireo.
\s5
\v 11 Ary ankehitriny, mitenena amin'ny olon'i Joda sy amin'ny mponin'i Jerosalema ka lazao hoe:' Izao no lazain'i Yaveh: Indro, hamolavola loza ho anareo Aho. Efa mamorona tetika hanoherana anareo Aho. Mibebaha, amin'ny fomba ratsiny ny olona tsirairay avy, dia hitondra soa ho anareo ireo fombanareo sy ireo fanaonareo.'
\v 12 Fa hiteny izy ireo hoe: 'Tsy misy ilàna azy izany. Hanao araka izay fikasanay manokana izahay. Ny tsirairay avy aminay dia hanao izay fanirian-dratsin'ny fony.'
\s5
\v 13 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh:' Anontanio ireo firenena, iza no efa nandre karazan-javatra tahak'izao? Efa nanao asa mahatsiravina Israely virijiny.
\v 14 Moa ve ny oram-panala any Libanona efa nandao ny havoanam-bato eo anilany? Moa ve ny rian-tendrombohitra avy lavitra efa rava, ireo riana mamanala?
\s5
\v 15 Efa nanadino ahy ny vahoakako. Nanao fanatitra ho an'ny sampy tsy misy dikany izy ireo ary natao ho tafintohina teny amin'ireo lalany izy ireo; nandao ireo lalany fahiny izy ireo ho amin'ireo lalana vitsivitsy kokoa.
\v 16 Ho tonga horohoro ny tanin'izy ireo, ho anton'ny siotsioka mandrakizay. Izay rehetra mandalo eo aminy dia hangovitra sy hanifikifi-doha. Hanaparitaka azy ireo eo anoloan'ny fahavalony tahaka ny rivotra atsinana Aho.
\v 17 Hampiseho ny lamosiko azy ireo Aho, fa tsy ny tavako, amin'ny andron'ny lozan'izy ireo.'"
\s5
\v 18 Ka hoy ny vahoaka tamin'i Jeremia: "Manatona, aoka isika hanao tetika hanoherana an'i Jeremia, fa tsy ho levona ny lalàna avy amin'ireo mpisorona, na ny toro-hevitra avy amin'ireo olon-kendry, na ireo teny avy amin'ireo mpaminany. Manatona, aoka isika hanafika azy amin'ireo tenintsika ary tsy hitandrina izay ambarany intsony."
\v 19 Mihainoa ahy, ry Yaveh, ary henoy ny feon'ireo fahavaloko.
\v 20 Moa ve ny loza avy amin'izy ireo tokoa no valisoako tamin'ny hatsaram-panahiko tamin'izy ireo? Fa nihady lavaka ho ahy izy ireo. Tsarovy ny nitsanganako teo anoloanao mba hiresaka ny fifanampian'izy ireo, mba hampiala ny fahatezeranao amin'izy ireo.
\s5
\v 21 Noho izany dia ataovy tonga amin'ireo zanany ny mosary, ary atolory eo an-tanan'ireo izay mampiasa sabatra izy ireo. Koa avelao ny vehivavin'izy ireo hidonam-pahoriana sy ho mpitondratena, ary ny lehilahiny ho voavono, ary ireo tovolahiny ho fatin'ny sabatra sabatra any an'ady.
\v 22 Aoka ho re avy ao amin'ny tranon'izy ireo ny hiakiam-pahoriana, tahaka ny hitondranao mpanafika hanohitra azy ireo tampoka. Fa efa nihady lavaka hisamborana ahy izy ireo ary nanafina fandrika ho an'ny tongotro.
\v 23 Fa Ianao, ry Yaveh, Ianao mahalala ny drafitra rehetran'izy ireo amiko mba hamonoany ahy. Aza mamela ireo heloka sy fahotan'izy ireo. Aza mamafa ny fahotan'izy ireo hiala Aminao. Fa kosa, aoka izy ireo ho rava eo anatrehanao. Mihetseha hanohitra azy ireo amin'ny fotoanan'ny fahatezeranao.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Izao no nolazain'i Yaveh: "Mandehana ary mividiana tavoara tanimangan'ny mpanefy tanimanga raha miaraka amin'ny ireo loholon'ireo vahoaka sy ireo mpisorona ianao.
\v 2 Dia mivoaha any amin'ny lohasahan'i Ben-Hinoma any amin'ny fidiran'ny Vavahadin'ny Vilany Vaky, ary ambarao ao ny teny izay ho lazaiko aminao.
\v 3 Lazao hoe: 'Henoy ny tenin'i Yaveh, ry mpanjakan'i Joda sy mponin'i Jerosalema! Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitrin'ny Israely, milaza izao: "Indro, ary izaho dia hitondra loza amin'ity toerana ity, ary ny sofin'ireo rehetra izay maheno izao dia hangotsokotsoka.
\s5
\v 4 Hanao izany aho satria nafoin'izy ireo Aho ary nozimbazimbainy ity toerana ity. Eto amin'ity toerana ity no anoloran'izy ireo sorona ho an'ireo andriamanin-kafa izay tsy fantany. Izy ireo, ireo razambeny, ary ny mpanjakan'ny Joda ihany koa dia efa nameno ràn'ny tsy manan-tsiny teo amin'ity toerana ity.
\v 5 Nanorina ireo toerana avon'i Bala izy ireo handorana amin'ny afo ny zanakalahin'izy ireo ho fanatitra dorana ho azy izy—zavatra izay tsy nodidiako na notononiko, na koa niditra tao an-tsaiko.
\s5
\v 6 Koa, indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy ho antsoina intsony hoe Tofeta ity toerana ity, ilay Lohasahan'i Ben-Hinoma, fa ho lasa Lohasahan'ny Famonoana izany.
\v 7 Eto amin'ity toerana ity no hanaovako ireo fikasan'i Joda sy Jerosalema ho tsy misy ilàna azy. Ho ataoko ho lavon'ny sabatra eo anoloan'ireo fahavalony izy ireo ary ny tanan'ireo izay mifofo ny ainy izy ireo. Dia homeko ho sakafon'ny vorona eny amin'ny lanitra sy ny biby eny amin'ny tany ny fatin'izy ireo.
\v 8 Dia hataoko ho faharavana sy zavatra fihisitrisitr'ity tanàna ity, ka izay rehetra mandalo eo amin'izany dia hangovitra sy hisioka momban'ny areti-mandringana rehetra.
\v 9 Hampihinanako ny nofon'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy izy ireo; ny olona tsirairay dia hihinana ny nofon'ny mpiara-belona aminy eo amin'ny fahirano ary amin'ny fangirifiriana no hitondrana azy ireo amin'ny fahavalony sy ireo mitady ny ainy.'"
\s5
\v 10 Dia ho vakianao eo imason'ireo lehilahy izay niaraka taminao ny tavoara tanimanga.
\v 11 Hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: "Hanao zavatra mitovy toy izany amin'ity vahoaka ity sy ity tanàna ity Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—toy ny nanorotoron'i Jeremia ny tavoara tanimanga no tsy nahafahana nanamboarana izany indray. Handevina ny maty any Tofeta ny olona mandra-paha tsy misy toerana hafa handevenana ireo maty intsony.
\s5
\v 12 Toy izany no hanaovako ity toerana ity sy ireo mponiny raha hanao ity toerana ity tahaka an'i Tofeta Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 13 ka ny tranon'i Jerosalema sy ireo mpanjakan'i Joda dia ho tonga tahaka an'i Tofeta—ireo trano rehetra izay misy tampon-trano hideran'ny olona maloto ny kintana rehetra eny amin'ny lanitra ary andrarahany fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa."'
\s5
\v 14 Dia tonga avy any Tofeta i Jeremia, izay nanirahan'i Yaveh azy mba haminany. Nitsangana teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Yaveh izy ary niteny tamin'ny olona rehetra hoe:
\v 15 "Izao no lazain'ny Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely hoe: 'indro, hitondra amin'ity tanàna ity sy ny renivohiny rehetra ny loza rehetra izay efa nambarako tamin'izany Aho, satria nanamafy ny hatony izy ireo ary nandà tsy hihaino ny teniko."
\s5
\c 20
\p
\v 1 Pasora zanak'i Imera mpisorona—manamboninahitra mpitarika izy—dia nandre an'i Jeremia naminany ireo teny ireo teo anoloan'ny tranon'i Yaveh.
\v 2 Koa novelesin'i Pasora i Jeremia mpaminany ary avy eo napetrany tao amin'ireo hazo fanagadrana izay teo amin'ny Vavahady Ambonin'i Benjamina tao amin'ny tranon'i Yaveh.
\s5
\v 3 Ary navoakan'i Pasora tao amin'ny hazo fanagadrana i Jeremia ny andro manaraka. Dia hoy Jeremia taminy: "Tsy niantso ny anaranao hoe Pasora i Yaveh, fa Magora-misabiba ianao.
\v 4 Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, ho ataoko zavatra mampatahotra ianao, dia ianao sy ireo olon-tianao rehetra, fa ho lavon'ny sabatr'ireo fahavalony izy ireo ary hahita izany ny masonao. Ho atolotro eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ny Joda rehetra. Ho ataony babo any Babylona izy ireo na ho tafihany amin'ny tsabatra.
\s5
\v 5 Homeko azy ny haren'ity tanàna ity rehetra sy ny fananany rehetra, ny zava-tsarobidin'izany rehetra sy ny haren'ny mpanjakan'ny Joda rehetra. Ho apetrako eny an-tanan'ireo fahavalonao ireo zavatra ireo, ka ho lasan'izy ireo izany. Haka ireny izy ireo ka hitondra ireo any Babylona.
\v 6 Nefa ianao, ry Pasora, sy ireo mipetraka ao an-tranonao rehetra dia ho lasan-ko babo. Handeha any Babylona ianao ka ho faty any. Ianao sy ireo olon-tianao rehetra izay naminanianao zavatra fitaka dia ho alevina any.'"
\s5
\v 7 "Namitaka ahy Ianao, ry Yaveh, ary voafitaka aho. Matanjaka noho izaho Ianao, ary mandresy ahy Ianao. Lasa fihomehezana mandritry ny tontolo andro aho, maneso ahy ny olon-drehetra.
\v 8 Fa isaky ny niteny aho, dia niantso mafy aho ary nanambara hoe: 'Herisetra sy fandravana'. Ary lasa latsa sy fanesoana ho ahy isan'andro ny tenin'i Yaveh.
\v 9 Raha miteny aho hoe: "Tsy hieritreritra momba an'i Yaveh intsony aho. Tsy hiteny amin'ny anarany intsony aho.' Ary tahaka ny afo ao am-poko izany, voatazona ao anatin'ny taolako. Koa mitolona mba hitana izany aho saingy tsy nahavita.
\s5
\v 10 Nandre ny tsahon'ireo mpampihorohoro avy amin'ny olona rehetra manodidina aho.'Tatero! Tsy maintsy taterintsika izany!' Ireo izay akaiky ahy dia mitazana mba hijery raha mianjera aho.' Mety ho azo fitahana izy. Raha izany, dia afaka mandresy azy isika ary hanao ny valifatintsika aminy.'
\v 11 Fa momba ahy tahaka ny mpiady mahery Yaveh, ka hivembena ireo olona izay manenjika ahy. Tsy handresy ahy izy ireo. Ho afa-baraka tanteraka tokoa izy ireo, satria tsy hahomby. Ho menatra tsy hanam-piafarana izy ireo, tsy ho adino mandrakizay izany.
\s5
\v 12 Nefa ianao, ry Yaveh Tompon'ny maro, Ianao izay mandinika ny fahamarinana sy izay mahita ny saina sy ny fo. Avelao aho hahita ny valifatinao amin'izy ireo satria efa naneho ny trangako taminao aho.
\v 13 Mihirà ho an'i Yaveh! Miderà an'i Yaveh! Fa efa namonjy ny ain'ireo izay nampahoriana teny an-tanan'ireo mpanao ratsy Izy.
\s5
\v 14 Aoka ho ozonina ny andro nahaterahako. Aoka tsy ho tahiana ny andro izay nitondran'ny reniko ahy.
\v 15 Aoka ho ozonina ilay lehilahy izay nampahafantatra ny raiko, ilay niteny hoe: 'Misy zazalahy nateraka ho anao', hiteraka fifaliana lehibe.
\s5
\v 16 Aoka izany lehilahy izany ho tahaka ireo tanàna izay noravain'i Yaveh ka tsy nananany antra. Aoka izy handre ny antso vonjy amin'ny mangiran-dratsy, sy ny tomanin'ny ady amin'ny atoandro,
\v 17 satria tsy namono ahy tao am-bohoka izy, nanao ny reniko ho fasako, dia kibo izay nitoe-jaza mandrakizay.
\v 18 Nahoana izany no nivoaka tao am-bohoka aho mba hijery fahoriana sy alahelo, mba ho feno henatra ireo androko?"
\s5
\c 21
\p
\v 1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh rehefa nandefa an'i Pasora zanaka lahin'i Malkia sy i Zefania zanaka lahin'i Mahasela mpisorona tany aminy i Zedekia mpanjaka. Dia hoy izy ireo taminy:
\v 2 "Mangataha hevitra amin'i Yaveh ho anay, fa manangana ady aminay i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hanao ireo fahagagana ho anay angamba Yaveh, toy ny tamin'ny andro taloha, ka hampiala azy eo aminay."
\s5
\v 3 Ka hoy Jeremia tamin'izy ireo: "Izao no tsy maintsy lazainareo an'i Zedekia,
\v 4 'Yaveh, Andriamanitr'Israely, miteny izao: "Indro, hampiverina ireo fitaovam-piadiana izay eo an-tananareo aho, niaraka amin'izay niadinareo hanohitra ny mpanjakan'ny Babylona sy ireo Kaldeana izay nanatona anareo avy tany ivelan'ireo manda! Fa hanangona azy ireo ho eo ampovoan'ity tanàna ity.
\v 5 Dia Izaho tenako no hiady aminao miaraka amin'ny tanana mitsotra sy sandry mafy, sy miaraka amin'ny fahasosorana, fahavinirana, ary fahatezerana lehibe.
\s5
\v 6 Dia hanafika ireo mponin'ity tanàna ity Aho, na ny olona na ny biby. Ho faty amin'ny areti-mandringana mafy izy ireo.
\v 7 Aorian'izany—izao no fanambaran'i Yaveh—Zedekia mpanjakan'i Joda, ireo mpanompony, ny vahoaka, sy ireo izay mijanona eto amin'ity tanàna ity aorian'ny areti-mandringana, ny sabatra, ary ny mosary, dia homeko ho eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona izy rehetra, sy eo an-tanan'ireo fahavalony, ary eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ain'izy ireo. Dia hamono azy ireo amin'ny lelan-tsabatra izy. Tsy hiantra azy ireo izy, tsy hamindra fo azy ireo, na hanana fangoraham-po.'
\s5
\v 8 Ary aoka ho lazainao amin'io vahoaka io hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh: "Indro, ho apetrako manoloana anareo ny lalan'ny fiainana sy ny lalan'ny fahafatesana.
\v 9 Izay mijanona amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary ary ny areti-mandringana; fa izay mivoaka ka mianjera eo amin'ny lohaliny eo anoloan'ireo Kaldeana izay nanao fahirano anao dia ho velona. Handositra hiaraka amin'ny ainy izy.
\v 10 Fa efa nanandrina ny tavako hanohitra ity tanàna ity aho mba hitondra loza fa tsy hitondra soa—izany no fanambaran'i Yaveh. Efa natolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ary ho dorany izany.'
\s5
\v 11 Henoy ny tenin'i Yaveh mahakasika ny taranakin'ny mpanjakan'ny Joda.
\v 12 Ry taranak'i Davida, hoy i Yaveh: "tanteraho ny rariny amin'ny maraina. Vonjeo eny an-tanan'ny mpampahory ilay voaroba, fandrao hivoaka toy ny afo ny hatezerako ka handoro, ary tsy hisy na iray aza ka afaka hamono izany, noho ireo asa ratsinao.
\s5
\v 13 Indro, ry mponin'ny loasaha! Manohitra anao Aho, ry vaton'ny lemaka—izao no fanambaran'i Yaveh— Izaho dia manohitra ireo izay rehetra manao hoe: "Iza no hidina hanafika anay?" na hoe: "Iza no hiditra ao an-tranonay?"
\v 14 Nanendry ny vokatrin'ireo asanao ho avy hanohitra anao Aho—Izany no fanambaran'i Yaveh—ary andrehitra afo any amin'ireo kirihitr'ala aho, ary handevona ireo rehetra izay manodidina azy izany."
\s5
\c 22
\p
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh: "Midìna any an-tranon'ny mpanjakan'i Joda ary ambarao any izao teny izao.
\v 2 Lazao hoe: 'Ry mpanjakan'i Joda, henoy ny tenin'i Yaveh—ianao izay mitoetra eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida—ianao, sy ireo mpanomponao, ary ireo vahoakanao izay mandalo eo amin'ireo vavahady ireo.
\v 3 Izao no lazain'i Yaveh: "Manaova ny rariny sy fahamarinana, ary izay voaroba—vonjeo eny an-tanan'ny mpampahory izy. Aza manao fomba ratsy amin'ireo vahiny, na kamboty, na mpitondratena eo amin'ny taninao. Aza manao herisetra na mandatsaka ny ràn'ny tsy manan-tsiny amin'ity toerana ity.
\s5
\v 4 Fa raha manao ireo zavatra ireo tokoa ianao, dia hiditra eo amin'ireo vavahadin'ity trano ity hitaingina kalesy sy soavaly ireo mpanjaka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida, izy, ireo mpanompony, ary ny vahoakany!
\v 5 Fa raha tsy mihaino ireo teny avy amiko izay efa nambarako ireo ianao—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho tonga faharavana ity tranon'ny mpanjaka ity.'"
\s5
\v 6 Fa izao no lazain'Yaveh mahakasika ny tranon'ny mpanjakan'i Joda: 'Ianao dia tahaka an'i Gileada, na tahaka ny tendron'i Libanona amiko. Na izany aza ho avadiko tany efitra ianao, ho tanàna tsy misy mponina.
\v 7 Fa efa nanendry ireo mpandrava ho avy hanohitra anao Aho! Hanapaka ireo sederanao tsara indrindra ireo lehilahy miaraka amin'ny fitaovam-piadiany ary hamela azy ireo hianjera anaty afo.
\s5
\v 8 Ary firenena maro no handalo amin'ity tanàna ity. Hifampilaza amin'ny eo akaikiny ny tsirairay hoe: 'Nahoana no nanao izao tamin'ity tanàna lehibe ity Yaveh?"
\v 9 Ary hamaly ny hafa hoe: "Satria nahafoy ny faneken'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, ary niankohoka tamin'ireo andriamanitra hafa sy nanompo azy ireo."
\s5
\v 10 Aza mitomany izay maty, na misaona ho azy; fa mitomania ho azy izay handeha alavitra, satria tsy hiverina intsony izy ary tsy hahita ny tanindrazany intsony.'
\s5
\v 11 Fa izao no lazain'i Yaveh momba an'i Jehoaza zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, izay nanompo tahaka ny mpanjaka raha tokony ho Josia rainy: 'Niala teto amin'ity toerana ity izy ary tsy hiverina.
\v 12 Ho faty any amin'ilay toerana izay nanaovan'izy ireo sesitany azy izy, ary tsy hahita ity tany ity intsony.'
\s5
\v 13 Loza ho an'izay manorina ny tranony amin'ny tsy fahamarinana, ny efitranony ambony amin'ny tsy rariny, izay mampiasa maina ny mpiara-belona aminy, ary tsy manome ny karamany;
\v 14 hoy izy hoe: 'Hanorina trano lehibe sy efitrano ambony malalaka ho ahy aho.' Koa manapàha varavarankely lehibe ho izany, ary nasiany valin-drihana sedera izany, ary nolokoiny mena.'
\s5
\v 15 Mahatonga anao ho mpanjaka tsara ve ny fanirianaono hanana takelaka sedera? Moa ve tsy nihinana sy nisotro ihany koa ny rainao, fa kosa nanao ny rariny sy fahamarinana? Ary nandeha tsara ny zava-drehetra ho azy.
\v 16 Nanome rariny ny ory sy fadiranovana izy. Ary dia tsara izany. Moa ve izany tsy midika ny fahafantarana Ahy? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 17 Fa tsy misy na inona na inona ankoatran'ny tahotra eo amin'ny masonao sy ny fonao noho ny amin'ny tombony tsy ara-drariny sy ny amin'ny fandatsahan-dràn'ny tsy manan-tsiny, ny fampahoriana sy fanorotorona ny hafa.
\v 18 Noho izany dia hoy i Yaveh mahakasika an'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda: Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry rahalahiko!' na 'loza, ry rahavaviko!' Tsy hitomany ho azy izy ireo ka hanao hoe: 'loza, ry tompo!' na 'loza, ry be voninahitra!'
\v 19 Ho alevina toy ny fandevenam-boriky izy, ho taritarihina sy hatsipy any ivelan'ny vavahadin'i Jerosalema izy.
\s5
\v 20 Miakara any an-tendrombohitr'i Libanona ka miantsoa mafy. Asandrato ao Basana ny feonao. Miantsoa mafy avy eny amin'ireo tendrombohitr'i Abarima, fa ho ringana ireo namanao rehetra.
\v 21 Niresaka taminao Aho fony nandry ampilaminana ianao, nefa hoy ianao hoe: 'Tsy hihaino aho.' Izany no fombanao hatramin'ny fahatanoranao satria tsy nihaino ny feoko ianao.
\s5
\v 22 Hiandry ireo mpiandry ondrinao rehetra ny rivotra, ary ireo namanao dia ho lasan-ko babo. Ary dia ho menatra sy hangahiahy tokoa ianao nohon'ny asa ratsinao rehetra.
\v 23 Ianao izay monina any 'Libanona,' izay manorina akany amin' ny sedera, endrey ny hamindrana fo aminao rehefa tonga aminao ny fanaintainan'ny asa, fanaintainana izay tahaka ny an'ny vehivavy miteraka!"
\s5
\v 24 "Raha velona koa Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—na dia peratra tombokasen'ny tanako ankavanana aza ianao ry Jekonia, zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, dia ho viraviraiko ianao.
\v 25 Fa efa nomeko ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainao ianao ary ho eo an-tanan'ireo izay atahoranao, na ho eny an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo Kaldeana koa aza.
\v 26 Hanary anao sy ny reninanao niteraka anao any amin'ny tany hafa Aho, tanàna izay tsy nahaterahanao, ary ao ianao no ho faty.
\s5
\v 27 Raha ny momba ity tany izay hirian'izy ireo hiveranana ity, dia tsy hiverina aty izy ireo.
\v 28 Moa ve tsy fanaka notsinontsinoavina sy notorotoroina izany? Moa ve tsy vilany izay tsy nahafaly an'iza na iza izany lehilahy Jekonia izany? Nahoana izy sy ny taranany no narian'izy ireo, ka natsipiny tany amin'ny tany izay tsy fantatr'izy ireo?
\s5
\v 29 Ry tany, ry tany, ry tany! Henoy ny tenin'i Yaveh!
\v 30 Izao no lazain'i Yaveh: 'Manorata mahakasika ity lehilahy Jekonia ity: tsy hanan-taranaka izy. Tsy ho ambinina mandritra ny androm-piainany izy, ary tsy hisy na iray amin'ireo taranany ahita fahombiazana na hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida indray ka hanapaka an'i Joda.'"
\s5
\c 23
\p
\v 1 "Loza ho an'ireo mpiandry ondry izay mamotika sy manaparitaka ny ondrin'ny ahitra maitsoko—izany no fanambaran'i Yaveh."
\v 2 Noho izany Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia milaza izao mahakasika an'ireo mpiandry ondry izay miandry ny olony: "Naparitakareo ireo ondriko ary noroahinareo. Tsy niraharaha azy ireo ianareo. Koa hanasazy anareo Aho nohon'ny ratsy izay nataonareo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 3 Izaho tenako no hanangona ny sisa amin'ireo ondriko avy any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo, ary hamerina azy ireo amin'ny toerana misy ahitra, izay hamokaran'izy ireo sy hitomboan'izy ireo Aho.
\v 4 Avy eo Aho hanangana mpiandry ondry eo amin'izy ireo izay hiandry azy ireo mba tsy hatahotra na torotoro intsony izy ireo. Tsy hisy ho very izy ireo— izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 5 Indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hanangana rantsana marina ho an'i Davida Aho. Hanjaka toy ny mpanjaka izy; hiasa am-pahendrena izy ary hampisy rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany.
\v 6 Amin'ireo androny dia ho voavonjy i Joda, ary Israely dia hiaina am-pilaminana. Dia izao no anarana hiantsoany azy: Yaveh no fahamarinantsika.
\s5
\v 7 Noho izany indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa tsy hiteny intsony izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra ny vahoakan'Israely hivoka ny tany Egypta.'
\v 8 Fa hilaza kosa izy ireo hoe: 'Raha mbola velona koa Yaveh, ilay nitondra sy nitarika ny taranak'Israely avy tany amin'ny tany avaratra sy ny tany rehetra izay nandroahana azy ireo.' Avy eo dia hiaina any amin'ny tanin'izy ireo ihany izy ireo.
\s5
\v 9 Raha ny momban'ireo mpaminany, dia maratra ny foko, ary mangovitra ny taolako rehetra. Lasa toy ny olona mamo aho, toy ny olona izay resin'ny divainy, noho Yaveh sy ireo teniny masina.
\v 10 Fa ilay tany dia feno mpijangajanga. Noho ireo dia maina ny tany. Maina ireo tanin'ahitra any an'efitra. Ratsy ireo lalan'ny mpaminany ireo; tsy miasa amin'ny tokony ho izy ny fahefan'izy ireo.
\s5
\v 11 "Fa ireo mpaminany sy ireo mpisorona dia samy maloto. Efa nahita ny faharatsian'izy ireo tao an-tranoko mihitsy Aho! — izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 12 noho izany dia ho toy ny toerana malama ao anaty aizina ny lalan'izy ireo. Ho atosika hidina izy ireo. Hianjera eo amin'izany izy ireo. Fa handefa loza eo amin'zy ireo amin'ny taonan'ny fanasazina azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 13 Fa efa hitako nanao izay maharikoriko ireo mpaminany tany Samaria: naminany tamin'i Bala izy ireo ary nitarika ny vahoakako Israely amin'ny lalan-diso.
\v 14 Nahita zavatra mahatsiravina teo amin'ireo mpaminany tany Jerosalema Aho: Nijangajanga izy ireo ary nandeha tamin'ny fitaka. Nanamafy ny tanan'ireo mpanao ratsy izy ireo; tsy nisy niala tamin'ny ratsy fanaony. Lasa toa an'i Sodoma avokoa izy rehetra amiko ary ny mponiny dia toa an'i Gomora!"
\v 15 Noho izany Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao mahakasika ireo mpaminany: "Indro, hampihinana zava-mahafaty sy hampisotro rano misy poizina azy ireo Aho, satria ny fahalotoana dia nivoaka tamin'ireo mpaminanin'i Jerosalema nankany amin'ny tany rehetra."
\s5
\v 16 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao: "Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay maminany aminareo. Efa namitaka anareo izy ireo! Izy ireo dia manambara fahitana avy ao an-tsain'izy ireo manokana ihany, fa tsy avy amin'ny vavan'i Yaveh.
\v 17 Milaza foana amin'ireo izay manala baraka Ahy izy ireo hoe: 'Yaveh dia manambara fa hisy fiadanana ho anareo.' Fa ny olona rehetra izay mandeha amin'ny ditran'ny fony dia manao hoe: 'Tsy ho avy aminareo ny loza.'
\v 18 Nefa iza no nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionan'i Yaveh? Iza no mahita sy mandre ny teniny? Iza no nanongila-tsofina tamin'ny teniny ary nihaino?
\s5
\v 19 Indro, misy rivo-doza ho avy avy any amin'i Yaveh! Mivoaka ny hatezerany, ary misy tafio-drivotra hitsoaka. Mitsoka manodidina ny lohan'ireo ratsy fanahy izany.
\v 20 Tsy hiverina ny hatezeran' Andriamanitra mandra-pahatanterahany sy mandra-pitondrany ny fikasan'ny fony. Amin'ny andro farany, dia ho azonareo izany.
\s5
\v 21 Tsy nandefa ireo mpaminany ireo Aho. Nipoitra fotsiny izy ireo. Tsy nanambara na inona na inona tamin'izy ireo Aho, nefa mbola naminany ihany izy ireo.
\v 22 Fa raha nitsangana teo amin'ny fivorian'ny synedrionako izy ireo, dia ahatonga ny oloko handre ny teniko izy ireo; nampivily azy ireo tamin'ireo teny ratsiny sy fanaovan'izy ireo kolikoly.
\s5
\v 23 Moa Andriamanitra eo akaiky eo fotsiny ihany ve Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—fa tsy Andriamanitra alavitra ihany koa?
\v 24 Misy olona afaka miafina any amin'ny toerana miafina ve ka tsy hitako? —izany no fanambaran'i Yaveh—ary moa tsy mameno ny lanitra sy ny tany Aho? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 25 Efa reko ny voalazan'ireo mpaminany, ireo izay naminany fitaka tamin'ny anarako. Hoy izy ireo hoe: 'Nanofy aho! Nanofy aho!'
\v 26 Hafiriana no hitohizan'izany, ry mpaminany izay maminany lainga avy ao an-tsain'izy ireo, sy maminany avy amin'ny fitaka ao am-pon'izy ireo?
\v 27 Izy ireo dia mitetika ny hanadinoan'ny oloko ny anarako amin'ireo nofy izay taterin'izy ireo tsirairay avy amin'ny mpiara-monina aminy, tahaka ny nanadinoan'ny razamben'izy ireo ny anarako nohon'ny anaran'i Bala.
\s5
\v 28 Ny mpaminany izay manana nofy, aoka izy hitatitra ilay nofy. Fa izay nanambarako zavatra, aoka izy hanambara ny teniko am-pahamarinana. Fa inona no idiran'ny mololo amin'ny vary? —izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 29 Moa tsy toy ny afo ve ny teniko? —izany no fanambaran'i Yaveh—ary toy ny tatanana izay manorotoro vato ho potipotika?
\v 30 Koa indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay rehetra mangalatra teny amin'ny olona hafa ary milaza fa avy amiko ireny.
\s5
\v 31 Indro, manohitra an'ireo mpaminany Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mampiasa ny lelan'izy ireo mba haminaniana fanambarana.
\v 32 Indro, manohitra an'ireo mpaminany izay manofy amim-pitaka Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary avy eo manambara ireo ary amin'izany fomba izany dia mamitaka ny oloko amin'ny alalan'ny fitaka sy fiheboheboan'izy ireo. Manohitra azy ireo Aho, satria tsy naniraka na nanome baiko azy ireo Aho. Noho izany dia azo antoka fa tsy hanampy an'ity vahoaka ity izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 33 Rehefa manontany anao ireo olona ireo, na ny mpaminany, na ny mpisorona hoe: 'Inona no entan-mavesatr'i Yaveh?' dia hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Ianareo no entan-mavesatra, ary handroaka anareo Aho'—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 34 Raha ny amin'ireo mpaminany, mpisorona, sy olona izay miteny hoe: 'Ity ny vesatr'i Yaveh' dia hanasazy izany olona izany sy ny ankohonany Aho.
\s5
\v 35 Tsy mitsahatra milaza ianareo, ny olona tsirairay amin'ny mpiara-belona aminy ary ny olona tsirairay amin'ny rahalahiny hoe: 'Inona no navalin'i Yaveh?' sy hoe: 'Inona no nambaran'i Yaveh?'
\v 36 Kanefa tsy tokony hiresaka momban'ny 'vesatr'i Yaveh' intsony ianareo, satria ilay vesatra dia ny tenin'ny olona tsirairay manokana, ary ianareo dia nametaveta ny tenin'ilay Andriamanitra velona, ilay Yaveh tompon'ny maro, Andriamanintsika.
\s5
\v 37 Izao no ho lazainareo amin'ilay mpaminany hoe: 'Inona no valin-teny nomen'i Yaveh anareo? na hoe: 'Inona no nolazain'i Yaveh'
\v 38 Fa raha miteny ianareo hoe: 'Ilay vesatr'i Yaveh,' dia izao no ambaran'i Yaveh: 'Satria niteny ireo teny ireo ianareo hoe: 'Vesatr'i Yaveh,' rehefa naniraka anareo Aho, niteny hoe: 'Aza miteny hoe: "Vesatr'i Yaveh,"'
\v 39 noho izany, dia indro, haka anareo Aho ary hanipy anareo lavitra Ahy, miaraka amin'ilay tanàna izay nomeko anareo sy ireo razambenareo.
\v 40 Avy eo dia hametraka henatra sy faniratsiràna aminareo mandrakizay izay tsy ho adinoina Aho.'"
\s5
\c 24
\p
\v 1 Nampiseho zavatra tamiko i Yaveh. Indro, aviavy roa harona no napetraka teo anatrehan'ny tempolin'i Yaveh. (Io fahitana io dia niseho taorian'ny nanaovan'i Nebokadzenara, mpanjakan'i Babylona sesitany an'i Joakina zanaka lahin'i Joakima, mpanjakan'i Joda, ireo manam-pahefan'i Joda, ireo mpanao asa tanana ary ireo mpanefy vy avy ao Jerosalema ary nitondrany azy ireo tany Babylona.)
\v 2 Ilay harona iray dia nisy aviavy tsara tokoa, tahaka ny voalohan'aviavy masaka, fa ilay harona iray kosa dia nisy aviavy tena ratsy ka tsy afaka hohanina ireo.
\v 3 Hoy i Yaveh tamiko: "Inona no hitanao, ry Jeremia?" Hoy aho hoe: "Aviavy. Aviavy izay tena tsara tokoa ary aviavy izay ratsy tokoa ka tsy azo hohanina."
\s5
\v 4 Ary tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 5 "Yaveh, Andriamanitr'Israely, nilaza izao: Hitsinjo ny sesitanin'i Joda ho an'ny tombontsoan'izy ireo Aho, tahaka ireo aviavy tsara ireo, ireo natao sesitany izay teto amin'ity toerana ity ho any amin'ny tanin'ny Kaldeana.
\v 6 Ho tsofiko rano izy ireo ary ho averiko eo amin'io tany io indray. Ho antsangako indray izy ireo, fa tsy ho simbaiko. Ho amboleko izy ireo, ary tsy ho fongorako.
\v 7 Ary homeko fo mba ahafantatra Ahy, fa Izaho no Yaveh. Ho oloko izy ireo ary Izaho ho Andriamaniny, ka hitodika Amiko amin'ny fony manontolo izy ireo.
\s5
\v 8 Fa tahaka ireo aviavy izay ratsy tokoa raha hohanina—dia izao no lazain'i Yaveh—tahaka izany fomba izany no hanaovako an'i Zedekia, mpanjakan'i Joda, miaraka amin'ireo manam-pahefany, ary ny Jerosalema sisa izay tavela amin'ity tany ity na mandeha mba hipetraka any amin'ny tany Egypta.
\v 9 Ho avadiko ho zavatra mampitahotra izy ireo, ho loza, eo imason'ny fanjakan'ny tany rehetra, fahafaham-baraka sy ambentin-tenin'ohabolana, fitenenan-dratsy, ary ozona amin'ny toerana rehetra izay hitondrako azy ireo.
\v 10 Handefa sabatra, mosary, ary areti-mandringana amin'izy ireo Aho, mandra-paharava azy ireo amin'ity tany izay nomeko azy ireo sy ny razambeny ity."
\s5
\c 25
\p
\v 1 Izao no teny tonga tamin'ny Jeremia mahakasika ny olon'i Joda rehetra. Tonga izany tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanak'i Josia, mpanjakan'i Joda. Taona voalohany nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona izany.
\v 2 Jeremia mpaminany nanambara izao tamin'ny olona rehetra tao Joda sy ny mponin'i Jerosalema rehetra.
\s5
\v 3 Hoy izy hoe: "Nandritra ny telo amby roapolo taona, tamin'ny fahatelo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josia zanak'i Amona, mpanjakan'i Joda mandrak'ankehitriny, dia tonga tamiko ny tenin'i Yaveh ary efa nolazaiko anareo hatrany hatrany, fa tsy nihaino ianareo.
\v 4 Nandefa ireo mpaminany mpanompony rehetra ho eo aminareo hatrany hatrany i Yaveh, fa tsy nihaino azy ianareo na niraharaha.
\s5
\v 5 Ireo mpaminany niteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny sy ny kolikoly fanaony ary hiverena any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh ny razambenareo tamin'ny andro fahiny sy ho anareo, ho fanomezana maharitra.
\v 6 Ka aza manaraka amin'ireo andriamanitra hafa mba hanompo na hiankohoka amin'izy ireo, ary aza miantsy Azy amin'ireo asan'ny tananareo mba tsy hanisiany ratsy anareo.'
\s5
\v 7 Kanefa tsy nohenoinareo Aho—izao no fanambaran'i Yaveh—koa efa niantsy Ahy ianareo amin'ny asan'ny tananareo mba hanisy ratsy anareo.
\v 8 Koa Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: 'Satria tsy nihaino ireo teniko ianareo,
\v 9 indro, handefa didy hanangonana ny olona rehetra avy any avaratra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—miaraka amin'i Nebokadnezara mpanompoko, mpanjakan'i Babylona, ary hitondra azy ireo hanohitra izao tany izao sy ireo mponiny Aho, ary hanohitra ireo firenena rehetra manodidina anareo. Fa ho atokako izy ireo amin'ny fandringanana. Ho avadiko ho horohoro, sy zavatra mampisiotsioka, ary faharavana tsy misy fahataperana izy ireo.
\s5
\v 10 Hatsahatro ny feon'ny fifaliana ary ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra ary ny feon'ny ampakarina, ny feon'ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan'ny jiro.
\v 11 Dia ho tonga faharavana sy horohoro ity tany rehetra ity, ary ireo firenena ireo hanompo ny mpanjakan'i Babylona mandritra ny fitopolo taona.
\s5
\v 12 Ary rehefa feno ny fitopolo taona, dia ho faiziko ny mpanjakan'i Babylona sy izany firenena izany, dia ny tanin'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—noho ny helok'izy ireo ary ho ataoko ho faharavana tsy misy fahataperana izany.
\v 13 Koa ho tanterahiko amin'izany tany izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko, ary ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ity boky izay naminanian'i Jeremia hanoherana ireo firenena rehetra ity.
\v 14 Fa hamoaka ireo andevo ao amin'ireo firenena ireo koa ny firenena maro hafa sy ireo mpanjaka lehibe maro hafa. Ho valiako araka ny ataony sy araka ny asan'ny tanany avy izy ireo.
\s5
\v 15 Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, nilaza izany tamiko manao hoe: "Raiso ety an-tanako ity kapoakan-divain'ny fahatezerana ity ary aoka ireo firenena rehetra izay anirahako anao hisotro izany.
\v 16 Fa hisotro izy ireo sy ho tafintohina noho izany ary hivembena toy ny adala anoloan'ny sabatra izay alefako eo amin'izy ireo."
\s5
\v 17 Koa dia noraisiko avy teo an-tanan'i Yaveh ny kapaoka, ary nampisotroiko izany ny firenena rehetra izay nalefan'i Yaveh ahy:
\v 18 dia i Jerosalema, ireo tanàn-dehiben'i Joda sy ny mpanjakany ary ireo manam-pahefana—mba hamadika azy ireo ho faharavana sy zavatra mampatahotra, sy zavatra mampisiotsioka sy fanozonana, tahaka azy ireo amin'izao andro izao.
\s5
\v 19 Tsy maintsy nisotro izany koa Ireo firenena hafa: Farao mpanjakan'i Egypta sy ireo mpanompony; ireo manam-pahefany sy ny vahokany;
\v 20 ny olona rehetra samy hafa fiaviana sy ireo mpanjaka rehetra avy amin'ny tanin'i Oza; ireo mpanjaka avy amin'ny tanin'ny Filistia rehetra—Askelona, Gaza, Ekron, ary ny sisa any Asdoda;
\v 21 Edoma sy Moaba ary ny vahoakan'i Amona.
\s5
\v 22 Ireo mpanjakan'i Tyro sy Sidona, ireo mpanjakan'ny moron-tsiraka eny ampitan'ny ranomasina,
\v 23 Dedana, Tema, ary Boza miaraka amin'ireo olona rehetra izay nanapaka ny sisin'ny volondohan'izy ireo, tsy maintsy nisotro izany ihany koa izy ireo.
\s5
\v 24 Ireto olona ireto dia tsy maintsy nisotro izany ihany koa: ny mpanjakan'i Arabia rehetra ary ny mpanjakan'ny vahoaka samy hafa fiaviana rehetra izay monina any an'efitra;
\v 25 ny mpanjakan'i Zimry rehetra, ny mpanjakan'i Elama rehetra, ary ny mpanjakan'i Media rehetra;
\v 26 ny mpanjakan'ny avaratra rehetra, na ny akaiky ary na ny lavitra—ny olona tsirairay miaraka amin'ny rahalahiny ary ny fanjakana rehetra eo amin'izao tontolo izao izay eo ambonin'ny tany. Tao aorian'izy rehetra ireo dia ny mpanjakan'i Babylona no hisotro farany.
\s5
\v 27 Nilaza tamiko Yaveh hoe: "Ankehitriny tsy maintsy hilaza amin'izy ireo ianao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, nilaza izao: misotroa ary mimamoa, ary mandoava, mianjerà, ary aza mitsangana manoloana ny sabatra izay nalefako eo aminareo.'
\v 28 Ary raha mandà tsy handray ilay kapoaka ho sotroina eny an-tananao izy ireo, dia lazao izy ireo hoe: 'nilaza izao Yaveh tompon'ny maro hoe: tsy maintsy misotro izany tokoa ianareo.
\v 29 Fa indro, hitondra loza eo amin'ilay tanàna izay nantsoina tamin'ny anarako Aho, dia tokony ho afaka amin'ny famaizana ve ianareo? Tsy ho afaka ianareo, satria hiantso ny sabatra hanohitra ny mponina rehetra amin'ilay tany Aho! —izany no fanambaran' i Yaveh Tompon'ny maro.'
\s5
\v 30 Tsy maintsy maminany ireo teny rehetra amin'izy ireo ianao, ary lazao azy ireo hoe: 'Hierona avy any amin'ny avo i Yaveh ary hanandratra ny feony avy eny amin'ny fitoerany masina, ary hierona mafy amin'ny fiforetany Izy; ary hihiaka Izy, tahaka ireo izay manitsakitsaka ny voaloboka manohitra ireo rehetra izay miaina eto tany.
\v 31 Ny feon'ady hanakoako hatrany amparan'ny tany, fa Yaveh mitondra fiampangana amin'ireo firenena, ary mitondra fitsarana eo amin'ny nofo rehetra Izy. Hanolotra ireo ratsy fanahy eo amin'ny sabatra Izy—izany no fanambaran'i Yaveh.'
\s5
\v 32 Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao hoe: 'Indro, hivoaka hitety firenena ny loza, ary miala avy any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany ny tafio-drivotra mahery.
\v 33 Ary ireo izay novonoin'i Yaveh amin'izany andro izany dia hihitatra hatrany amin'ny fiafaran'ny tany iray ka hatramin'ny ilany hafa; tsy hisaonana izy ireo, na hoangonina, na ho alevina. Ho tahaka ny zezika eo ambonin'ny tany izy ireo.
\s5
\v 34 Midradradradrà, ry mpiandry ondry, ary miantsoa vonjy! Mihodikodina eo amin'ny vovoka, ianareo ry mpitarika ny ondry, fa efa tonga ny andro famonoana anareo; hiparitaka toy ny vilany manify ianareo rehefa mianjera.
\v 35 Tsy misy fialofana ho an'ireo mpiandry ondry, tsy ho afa-mandositra ireo mpitarika ny ondry.
\v 36 Henoy ny tomanin'ireo mpiandry ondry sy ny fidradradradran'ireo mpitarik'ondry, fa simbain'i Yaveh ny ahitr'izy ireo.
\s5
\v 37 Koa ho ravarava ireo ahitra noho fasiahan'ny fahatezeran'i Yaveh.
\v 38 Tahaka ny liona tanora, nandao ny zohiny izy, satria ny tanin'izy ireo dia ho tonga horohoro noho ny fahatezeran'ny mpampahory, noho ny firehetan'ny fahatezerany."
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Fahatezeran'ny mpampahory", ny dikan-teny taloha sy taty aoriana manao hoe: "Sabatrin'ny mpampahory." \f*
\s5
\c 26
\p
\v 1 Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, dia tonga avy amin'i Yaveh izao teny izao, nanao hoe:
\v 2 "Yaveh niteny hoe: "Mitsangàna eo amin'ny kianjan'ny tranoko ary lazao amin'ny tanànan'i Joda rehetra izay tonga hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranoko. Ambarao ny teny rehetra izay nandidiko anao ho lazainao amin'izy ireo. Aza misy teny hanalana!
\v 3 Angamba mba hihaino izy ireo, ka hiala amin'ireo lalan-dratsiny ny olona tsirairay, ka hihazona ny loza izay efa nokasaiko ho entina eo amin'izy ireo nohon'ny faharatsian'ny fomba fanaon'izy ireo Aho.
\s5
\v 4 Koa tsy maintsy milaza amin'izy ireo ianao hoe:'Izao no nambaran'i Yaveh: Raha tsy mihaino ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anatrehanareo—
\v 5 raha tsy mihaino ny tenin'ireo mpaminany mpanompoko ianareo izay nikirizako nalefa taminareo ianareo— fa tsy nihaino ianareo! —
\v 6 dia ho ataoko tahaka an'i Silo ity trano ity; ho ataoko ozona eo imason'ireo firenena rehetra eran'ny tany ity tanàna ity.'"
\s5
\v 7 Ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra dia naheno an'i Jeremiah nanambara izany teny izany tao an-tranon'i Yaveh.
\v 8 Ary raha vao nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra izay nandidin'i Yaveh azy ho lazainy tamin'ny olona rehetra, dia nisambotra azy ireo mpisorona, ireo mpaminany, sy ny olona rehetra ka nanao hoe: "tena ho faty ianao!
\v 9 Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Yaveh ary nilaza fa ity trano ity dia ho tonga tahaka an'i Silo ary ity tanàna ity dia ho lao, ary tsy hisy mponina? Fa ny vahoaka rehetra nitangorona nanohitra an'i Jeremia tao an-tranon'i Yaveh.
\s5
\v 10 Ary naheno izany teny izany ireo manam-pahefan'i Joda ary niakatra avy any an-tranon'ny mpanjaka ho any an-tranon'i Yaveh. Nipetraka teo am-bavahady teo amin'ny Vavahady Vaovaon'ny tranon'i Yaveh izy ireo.
\v 11 Ireo mpisorona sy ireo mpaminany niresaka tamin'ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra. Hoy izy ireo: "Rariny ho an'ity lehilahy ity ny ho faty, fa naminany nanohitra ity tanàna ity izy, araka izay renareo tamin'ny sofinareo!"
\v 12 Koa niresaka tamin'ireo manam-pahefana rehetra sy ny vahoaka rehetra i Jeremia ka nilaza hoe: "Yaveh no nandefa ahy haminany hanohitra ity trano sy tanàna ity, mba hilaza ny teny rehetra izay efa renareo.
\s5
\v 13 Koa ankehitriny, hatsarao ny lalanareo sy ny fanaonareo, ary mihainoa ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo mba hanenenany ny mahakasika ny loza izay nambarany hanoherana anareo.
\v 14 Izaho mihintsy no eo an-tananareo_jereo aho! Ataovy amiko izay tsara sy marina eo imasonareo.
\v 15 Fa tokony ho fantatrareo tokoa fa raha mamono ahy ianareo, dia hitondra rà marina ho an'ny tenanareo sy ho an'ity tanàna ity sy ny mponina ao aminy, fa Yaveh tokoa no nandefa ahy teo aminareo hanambara ireo teny rehetra ireo ho ren'ny sofinareo.
\s5
\v 16 Ary ireo manam-pahefana sy ny olona rehetra niteny tamin'ireo mpisorona sy ireo mpaminany hoe: "Tsy mendrika ny ho faty ity lehilahy ity satria nanambara zavatra tamintsika tamin'ny anaran'i Yaveh Andriamanitsika izy."
\v 17 Koa dia nitsangana ireo loholon'ny tany ka niteny tamin'ny fiangonan'ny olona manontolo.
\s5
\v 18 Hoy izy ireo hoe: "Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia mpanjakan'ny Joda. Niresaka tamin'ny vahoakan'i Joda rehetra izy ka nanao hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro nilaza izao: ho hasaina tahaka ny saha i Ziona, ho tonga korontam-bato iJerosalema, ary ny tendrombohitrin'ny tempoly dia ho tonga havoana rakotra kirihitrala.'
\v 19 Namono azy ve i Hezekia mpanjakan'ny Joda sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Yaveh ve izy ka nampitony ny tavan'i Yaveh mba hanajanonan'i Yaveh ny loza izay efa nambarany azy ireo? Koa hanao zava-dratsy lehibe amin'ny aintsika ihany ve isika?"
\s5
\v 20 Teo anilan'izany ihany koa dia nisy lehilahy hafa izay naminany tamin'ny anaran'i Yaveh—Oria zanaka lahin'i Semaia avy amin'i Kiriata Jearima—izy koa dia naminany hanohitra ity tanàna sy tany ity, nifanaraka tamin'ny tenin'i Jeremia rehetra.
\v 21 Fa rehefa ren'i Joiakima mpanjaka sy ny miaramilany rehetra sy ny manam-pahefany ny teniny, dia niezaka ny hamono azy ny mpanjaka, saingy nandre izany i Oria ka natahotra, dia nandositra ary lasa nankany Egypta.
\s5
\v 22 Ary nandefa lehilahy ho any Egypta ny mpanjaka Joiakima—Elnatana zanaka lahin'i Akbora sy lehilahy handeha ho any Egypta hanaraka an'i Oria.
\v 23 Nalain'izy ireo hivoaka avy tao Egypta i Oria ary nentina teo amin'i Joiakima mpanjaka izy. Ary dia novonoin'i Joiakima tamin'ny sabatra izy ary nalefany tany amin'ireo fasan'ny olon-tsotra ny fatiny.
\v 24 Fa ny tanan'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia niaraka tamin'i Jeremia, ka tsy natolotra teo ampelan-tanan'ny vahoaka mba ho vonoina izy.
\s5
\c 27
\p
\v 1 Tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zekedia zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, dia tonga tamin'i Jeremia ity teny avy amin'i Yaveh ity.
\f + \ft Na dia manao hoe "Joiakima" aza ny ankamaroan'ireo dika-teny Hebreo, ny ankamaroan'ireo dikan-teny amin'izao fotoana dia manao hoe "Zedekia", satria ireo tranga ao amin'ity toko ity dia niseho nandritry ny fanjakany \f*
\v 2 Izao no nolazain'i Yaveh tamiko hoe: "Manamboara famatorana sy zioga ho an'ny tenanao. Apetraho eo amin'ny hatokao ireo.
\v 3 Avy eo dia alefaso any amin'ny mpanjakan'i Edoma, mpanjakan'i Moaba, mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, mpanjakan'i Tyro, ary amin'ny mpanjakan'i Sidona ireo. Alefaso amin'ny alalan'ny tanan'ireo masoivohon'ny mpanjaka izay tonga tao Jerosalema ho any amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ireo.
\v 4 Omeo baiko izy ireo ho an'ireo tompon'izy ireo ary lazao hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nanambara izao: Izao no tsy maintsy ho lazainareo amin'ireo tomponareo:
\s5
\v 5 "Izaho tenako dia nanao ny tany tamin'ny alalan'ny heriko lehibe sy ny sandriko nitsangana. Izaho ihany koa no nanao ny olona sy ireo biby eo ambonin'ny tany, ary nomeko an'izay marina teo imasoko izany.
\v 6 Koa ankehitriny, Izaho tenako dia hanome ireo tany rehetra ireo ho eo am-pelan-tanan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mpanompoko. Omeko azy ihany koa ireo zava-manan'aina eny an-tsaha mba hanompo azy.
\v 7 Fa ny firenena rehetra dia hanompo azy, ireo zanany lahy, ary ireo zafikeliny mandra-pihavin'ny fotoanan'ny taniny. Ary hisy firenena maro sy mpanjaka lehibe handresy azy.
\s5
\v 8 Noho izany ny firenena sy ny fanjakana izay tsy manompo an'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ary tsy mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona—dia ho saziako amin'ny sabatra, mosary, ary aretin-mandringana izany firenena izany—izany no fanambaran'i Yaveh—mandra-paharavako azy ireo amin'ny alalan'ny tanany.
\s5
\v 9 Koa aza mihaino an'ireo mpilaza ny ho avy, ireo mpisikidinareo, ireo mpahitanareo, ireo mpijery ny ho avy, ary ireo mpamosavy, izay niresaka taminareo ary nilaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylon.'
\v 10 Fa izy ireo dia maminany lainga aminareo mba handefasana anareo lavitra ny taninareo, fa ho roahiko ianareo, ary ho faty ianareo.
\v 11 Fa ireo firenena izay mametraka ny hatony ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ka manompo azy, dia ho avelako hijanona eo amin'ny taniny izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamboly eo amin'izany izy ireo ary hanorina ny tranon'izy ireo eo amin'izany.""
\s5
\v 12 Koa niresaka tamin'i Zedekia mpanjakan'i joda Aho ary nanome azy izao hafatra izao: "Apetraho ao ambanin'ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona ny hatokareo ary manompoa azy sy ny vahoakany, ary ho velona ianareo.
\v 13 Nahoana ianareo no ho faty—ianao sy ny vahoakanao—amin'ny alalan'ny sabatra, mosary, sy ny aretin-mandringana, tahaka ny efa nambarako momban'ny firenena izay mandà ny hanompo ny mpanjakan'i Babylona?
\s5
\v 14 Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminany izay miresaka aminareo ary milaza hoe: 'Aza manompo ny mpanjakan'i Babylona,' satria maminany lainga aminareo izy ireo.
\v 15 'Fa tsy nandefa azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa izy ireo dia maminany fitaka amin'ny anarako mba handroahako anareo ka ho faty ianareo, ianareo sy ireo mpaminany izay naminany taminareo.'"
\s5
\v 16 Nambarako tamin'ireo mpisorona sy ny olona rehetra izany ary nanao hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: Aza mihaino ny tenin'ireo mpaminaninareo izay maminany aminareo ary manao hoe: 'Indro! Ireo zavatra tao an'ny tranon'i Yaveh dia naverina tany Babylona ankehitriny!' Maminany lainga aminareo izy ireo.
\v 17 Aza mihaino azy ireo. Tokony hanompo ny mpanjakan'i Babylona ianareo ary ho velona. Nahoana no tokony ho rava ity tanàna ity?
\v 18 Raha mpaminany izy ireo, ary raha tonga tamin'izy ireo marina ny tenin'i Yaveh, dia aoka izy ireo hitalao amin'i Yaveh tompon'ny maro mba tsy handefa amin'i Babylona ireo zavatra izay tavela ao an-tranony, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema.
\s5
\v 19 Yaveh tompon'ny maro dia milaza izao momban'ireo andry, ny tavin-drano lehibe, sy ny fitoeran'ny tavin-drano, ary ny ambin'ireo zavatra izay tavela ao amin'io tanàna io—
\v 20 ireo zavatra izay tsy noraisin'i Nebokadnezara rehefa nilanja an'i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ho babo avy any Jerosalema ho any Babylona niaraka tamin'ireo manan-kajan'i Joda sy Jerosalema.
\s5
\v 21 Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao momban'ireo zavatra izay tavela ao amin'ny tranon'i Yaveh, ilay tranon'ny mpanjakan'i Joda, sy Jerosalema hoe:
\v 22 'Ho entina any Babylona ireo, ary hipetraka any mandra-pahatongan'ny andro hiaviako ho azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—avy eo Aho hitondra ireo hiakatra ary hamerina ireo any amin'io toerana io.'"
\s5
\c 28
\p
\v 1 Tamin'izany taona izany, tamin'ny fiantombohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tamin'ny fahefa-taona sy fahadimin'ny volana, Hanania zanaka lahin'i Azora mpaminany, izay avy any Gibeona, dia niteny tamiko tao an-tranon'i Yaveh teo anatrehan'ireo mpaminany sy ny vahoaka rehetra. Hoy izy hoe:
\v 2 "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Efa novakiako ny zioga izay napetraky ny mpanjakan'i Babylona.
\s5
\v 3 Ao anatin'ny roa taona dia haveriko eto amin'ity toerana ity ireo zavatra rehetra tao an-tranon'i Yaveh izay nalain'i Nebokadnezara mpanjaka an'i Babylona teto amin'ity toerana ity ka notaominy nankany Babylona.
\v 4 Ary dia ho entiko miverina amin'ity toerana ity i Jekonia zanaka lahin'i Joiakima, mpanjakan'i Joda, ary ireo babo rehetra izay nirahina nankany Babylona—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamotika ny ziogan'ny mpanjakan'i Babylona aho."
\s5
\v 5 Koa niteny tamin'i Hanania mpaminany teo anatrehan'ireo mpisorona sy ny vahoaka rehetra izay nijoro tao an-tranon'Yaveh i Jeremia mpaminany.
\v 6 Hoy Jeremia mpaminany hoe: "Hanao izany anie Yaveh! Yaveh anie hanamafy ireo teny izay naminanianao ka hamerina ireo zavatrin'ny tranon'i Yaveh eto amin'ity toerana ity, sy ireo babo rehetra avy any Babylona.
\v 7 Na izany aza, mihainoa izao teny izay ambarako eo an-tsofinao sy eo an-tsofin'ny vahoaka rehetra.
\s5
\v 8 Ireo mpaminany izay nisy teo alohako sy teo alohanao taloha ela be ihany koa dia naminany mahakasika ireo firenena maro sy hanohitra ireo fanjakana lehibe, momban'ny ady, mosary, ary ny areti-mandringana.
\v 9 Fa ny mpaminany izay maminany fa hisy fiadanana—raha tanteraka ny teniny, dia ho fantatra fa mpaminany nirahan'i Yaveh tokoa izy."
\s5
\v 10 Fa noraisin'i Hanania mpaminany ilay zioga teny an-tendan'i Jeremia mpaminany ary novakiany izany.
\v 11 Avy eo dia niteny teo anatrehan'ny vahoaka rehetra i Hanania ka nanao hoe: "izao no tenin'Yaveh: Tahaka izany koa, ao anatin'ny roa taona dia ho vakiako avokoa ireo zioga izay napetrak'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona teo an-tendan'ny firenena rehetra." Dia nizotra tamin'ny lalany i Jeremia mpaminany.
\s5
\v 12 Taorian'ny namotehan'i Hanania mpaminany ny zioga teo amin'ny tendan'i Jeremia mpaminany, dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 13 "Mandehana ary miresaha amin'i Hanania ary lazao hoe: 'izao no lazain'i Yaveh: namaky zioga hazo Ianao, fa Izaho kosa hanao zioga vy.'
\v 14 Fa izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Efa nametraka zioga vy tamin'ny tendan'ireo firenena rehetra izay manompo an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo Aho, ka hanompo azy izy ireo. Efa nanome azy bibidia ihany koa Aho mba hanapaka eo aminy."
\s5
\v 15 Taorian'izany i Jeremia mpaminany dia niteny tamin'i Hanania mpaminany hoe: "Mihainoa ry Hanania! Tsy naniraka anao i Yaveh, fa ianao tenanao no nahatonga ireo vahoaka hino lainga.
\v 16 Koa izao no lazain'i Yaveh: Indro, hanala anao eto an-tany Aho. Ho faty amin'ity taona ity ianao, satria nanambara fikomiana an'i Yaveh ianao."
\v 17 Tamin'ny fahafiton'ny volan'izany taona izany ihany, dia maty i Hanania mpaminany.
\s5
\c 29
\p
\v 1 Ireto ny teny tao amin'ilay horonan-taratasy izay nalefan'i Jeremia mpaminany avy any Jerosalema ho an'ireo loholona sisa tavela tamin'ireo babo sy tamin'ireo mpisorona, ireo mpaminany, ary ireo vahoaka izay nataon'i Nebokadnezara sesitany avy any Jerosalema nankany Babylona.
\v 2 Izany dia taorian'ny nandefasana an'i Jekonia mpanjaka, sy ny reny mpanjaka vavy, sy ireo manam-pahefana ambony, ny mpitarika an'i Joda sy Jerosalema, ary ireo mpanao asa-tanana tany Jerosalema.
\v 3 Nampitondrainy an'i Elasa zanak'i Safana ary Gemaria zanak'i Hilkia izay nirahin'i Zedekia mpanjakan'i Joda, tany amin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay horonan-taratasy.
\s5
\v 4 Izao no lazain'ilay horonan-taratasy: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao amin'ireo babo rehetra izay nataoko sesitany avy tany Jerosalema ho any Babylona:
\v 5 'Manamboara trano ary mitoera ao amin'ireo. Mambole zaridaina ary hano ny voan'ireo.
\s5
\v 6 Makà vady ary miteraha zanaka lahy sy zanaka vavy. Dia hakao vady ireo zanakareo lahy, ary tolory vady ireo zanakareo vavy. Aoka izy ireo hiteraka zanaka lahy sy zanaka vavy ary ampitomboy ireo mba tsy hanjary ho vitsy loatra ianareo.
\v 7 Katsaho ny fiadanan'ny tanàna izay nanaovako anareo ho sesitany, ary mivavaha amiko ho an'izany satria hisy fiadanana ho anao ao raha ao ny fiadanana.'
\s5
\v 8 Fa Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza izao: 'Aza mamela an'ireo mpaminany izay eo anivonareo sy ireo mpisikidy hamitaka anareo, ary aza mihaino ireo nofy izay nofisinareo.
\v 9 Fa izy ireo dia maminany am-pitaka aminareo amin'ny anarako. Tsy nandefa azy ireo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.'
\s5
\v 10 Fa izao no nolazain'Yaveh: 'Rehefa nanapaka anareo nandritry ny fitopolo taona i Babylona, dia hanampy anareo Aho ary hanatanteraka ny teny soako ho anareo mba hamerenana anareo amin'ity toerana ity.
\v 11 Fa Izaho tenako no mahafantatra ny fikasako ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fikasana fiadanana fa tsy loza, mba hanome ho avy sy ny fanantenana ho anareo.
\s5
\v 12 Dia hiantso Ahy ianareo, ary andeha ka hivavaka amiko, dia hihaino anareo Aho.
\v 13 Fa hitady Ahy ianareo ka hahita Ahy, satria hitady Ahy amin'ny fonareo manontolo.
\v 14 Ary ho hitanareo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—dia ho averiko ny harenareo; ho angoniko avy any amin'ny firenena sy toerana rehetra nampielezako anareo ianareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamerina anareo any amin'ilay toerana izay nanaovako sesitany anareo Aho.'
\s5
\v 15 Satria ianareo nilaza fa Yaveh dia nanandratra mpaminany ho anay any Babylona,
\v 16 dia izao no lazain'i Yaveh amin'ny mpanjaka izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy amin'ireo olona rehetra izay mipetraka ao amin'izany tanàna izany, ireo rahalahinareo izay mbola tsy nivoaka ho babo niaraka taminareo—
\v 17 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Indro, handefa sabatra, mosary, sy aretina eo amin'izy ireo Aho. Fa ho ataoko toy ny aviavy lo izay tena ratsy raha hohanina izy ireo.
\s5
\v 18 Dia hanenjika azy ireo amin'ny sabatra, mosary, sy areti-mandringana Aho ary hanao azy ireo ho mahatsiravina imason'ny fanjakan'ny tany rehetra—horohoro, fitaovana fanozonana sy mampisiotsioka, ary zavatra mahamenatra eo amin'ny firenena rehetra izay nampielezako azy.
\v 19 Izany dia satria tsy nihaino ny teniko izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—izay nalefako azy ireo tamin'ny alalan'ireo mpaminany mpanompoko. Nandefa azy ireo ombieny ombieny Aho, nefa tsy nihaino ianareo— izany no fanambaran'i Yaveh.'
\s5
\v 20 Koa henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo sesitany rehetra izay nalefany avy any Jerosalema ho any Babylona:
\v 21 'Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia nilaza izao momba an'i Ahaba zanak'i Kolaia sy Zedekia zanak'i Mahaseia, izay maminany lainga aminareo amin'ny anarako: Indro, hametraka azy ireo eo an-pelatanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona Aho. Hamono azy ireo eo imsonareo Izy.
\s5
\v 22 Dia hisy ozona ho lazain'ireo babon'i Joda rehetra any Babylona momba ireo olona ireo. Ilay ozona dia hilaza hoe: Ho ataon'i Yaveh tahaka an'i Zedekia sy Ahaba anie ianareo, izay natonon'ny mpanjakan'ny Babylona tamin'ny afo.
\v 23 Hiseho izany noho ireo zava-mahamenatra izay nataon'izy ireo tany Israely rehefa nijangajanga tamin'ny vadin'ny namany sy nilaza teny lainga tamin'ny anarako, zavatra izay tsy mbola nandidiko azy ireo ho lazaina mihitsy. Fa Izaho ilay mahalala; Izaho no vavolombelona—izany no fanambaran'i Yaveh.'"
\s5
\v 24 "Raha ny amin'i Semaia Nehelamita, dia izao lazaina:
\v 25 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: Satria ianao nandefa taratasy tamin'ny anaranao ihany tamin'ny olona rehetra tany Jerosalema, tamin'i Zefania zanak'i Masaia mpisorona, ary tamin'ny mpisorona rehetra, ary niteny hoe:
\v 26 "Yaveh nanao anareo ho mpisorona fa tsy Joiada mpisorona, mba hiandraiketanareo ny tranon'i Yaveh. Ianao no mifehy ny olona rehetra izay very saina sy manao ny tenan'izy ireo ho mpaminany. Tokony ho gadraina sy fatorana amin'ny rojo vy izy ireo.
\s5
\v 27 Koa ankehitriny, Nahoana ianareo no tsy niteny mafy an'i Jeremia ny amin'i Anatota, izay manao ny tenany ho mpaminany manohitra anareo?
\v 28 Fa efa naniraka ho anay tany Babylona izy ary niteny hoe: 'ho fotoana ela izany. Manorena trano ary mitoera ao amin'ireo, mambole zaridaina ary hano ny voan'ireo.'"'
\v 29 Namaky ity taratasy ity i Zefania mpaminany teo an-tsofin'i Jeremia mpaminany.
\s5
\v 30 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 31 "Mandefasa teny amin'ireo sesitany rehetra ary lazao hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh momba an'i Semaia Nehelamita: Satria efa naminany taminareo i Semaia rehefa tsy nandefa azy Izaho tenako, ary nitarika anareo hino ireo lainga,
\v 32 noho izany dia izao no lazain'i Yaveh: Indro, efa hanafay an'i Semaia Nahalemita sy ireo taranany Aho. Tsy hisy olona hijanonany eo amin'ny oloko—izany no fanambaran'i Yaveh—fa efa nitory fikomiana hanohitra an'i Yaveh izy.'"
\s5
\c 30
\p
\v 1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh dia manao hoe:
\v 2 "Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Soraty anaty horonan-taratasy ho anao ny teny rehetra izay nambarako taminao tao amin'ny horonan-taratasy.
\v 3 Fa indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamerenako ny haren'ny oloko, dia Israely sy Joda. Izaho, Yaveh, no nilaza izany. Fa ho entiko miverina any amin'ny tany izay nomeko ny razany izy ireo, ary ho fananan'izy ireo izany."'
\s5
\v 4 Izao no teny izay nambaran'i Yaveh mahakasika an'Israely sy Joda:
\v 5 "Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Nandre feo nangovitry ny horohoro izahay fa tsy fiadanana.
\s5
\v 6 Manontania ary jereo raha misy lehilahy mitondra vohoka. Nahoana Aho no mahita ny tovolahy rehetra mametraka ny tanany eo am-balahany tahaka ny vehivavy mitondra vohoka? Nahoana no mihafotsy hatsatra avokoa ny tarehin'izy ireo?
\v 7 Loza! Fa ho lehibe izany andro izany, ary tsy misy toy izany. Ho fotoan'ny tebiteby ho an'i Jakoba izany, saingy ho avotra amin'izany izy.
\s5
\v 8 Fa amin'izany andro izany—izao no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro—no hanapahako ny zioga hiala amin'ny vozonareo, ary hanorotoroko ny rojo vy anareo, ka tsy hanandevo anareo intsony ny vahiny.
\v 9 Fa hivavaka amin'i Yaveh Andriamaniny izy ireo ary hanompo an'i Davida mpanjakany, izay hataoko mpanjaka eo amin'izy ireo.
\s5
\v 10 Koa ianao, ry Jakoba mpanompoko, aza matahotra—izany no fanambaran'i Yaveh—ary aza raiki-tahotra, ry Israely. Fa indro, efa hitondra anao hiverina avy any lavitra Aho, ary ny taranakao any amin'ny tanin'ny fahababoana. Hiverina i Jakoba ary hiadana; hilamina izy, ary tsy hisy horohoro intsony.
\v 11 Fa miaraka aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—mba hamonjy anao. Dia ho taperiko tanteraka ny amin'ireo firenena rehetra izay nampielezako anao. Fa tsy hanapitra anao tokoa Aho, na dia manafay anao amin'ny rariny aza Aho ka tsy hamela anao ho afa-maina.'
\s5
\v 12 Fa izao no lazain'i Yaveh: 'Tsy azo sitranina ny ratranao; voaloto ny ferinao.
\v 13 Tsy misy hisolo vava anao; tsy misy fanafody ho an'ny ratranao mba hanasitrana anao.
\s5
\v 14 Nanadino anao ireo olon-tianao rehetra. Tsy hitady anao izy ireo, fa efa nandratra anao tamin'ny ferin'ny fahavalo sy tamin'ny famaizan'ny tompo lozabe Aho nohon'ny amin'ireo helokao sy ireo fahotanao tsy tambo isaina.
\v 15 Nahoana ianao no miantso vonjy nohon'ny ratranao? Tsy mety sitrana ny fanaintainanao. Nohon'ny amin'ireo helokao, ireo fahotanao tsy tambo isaina, dia nataoko taminao ireny zavatra ireny.
\s5
\v 16 Koa izay rehetra mamotika anao dia ho potehina, ary izay mpifanandrina aminao rehetra dia ho lasan-ko babo. Fa ireo izay manbabo anao dia ho baboina, ary horobaiko izay mandroba anao.
\v 17 Fa hitondra fanasitranana aminao Aho; hanasitrana anao amin'ny ratranao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ho ataoko izany satria izy ireo dia niantso anao hoe: Ry voaroaka. Tsy mba misy miraharaha an'ity Ziona ity."'
\s5
\v 18 Izao no lazain'i Yaveh: "Indro, hamerina ny harenan'ny lain'i Jakoba Aho ary hangoraka ireo tranony. Dia hisy tanàna hiorina eo amin'ny faharavana misavovona, ary hiverina eo amin'ny toerany nisy azy indray ny fiarovana mafy.
\v 19 Dia hisy hira fiderana sy feo fifaliana hivoaka avy amin'izy ireo, fa hampitombo azy ireo Aho fa tsy hampihena; homeko voninahitra izy ireo mba tsy hietry.
\s5
\v 20 Dia ho toy ny teo aloha ny olon'izy ireo, ary ny fiangonan'izy ireo dia hiorina eo anatrehako rehefa manafay ireo rehetra izay mampahory azy ireo amin'izao Aho.
\v 21 Hivoaka avy ao amin'izy ireo ny mpitarik'izy ireo. Avy eo afovoanin'izy ireo no hipoirany rehefa ampanakaikeziko ary rehefa manatona Ahy izy. Raha tsy manao izany Aho, dia iza no sahy hanakaiky Ahy? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 22 Dia ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
\s5
\v 23 Indro, ny tafiotran'Yaveh, ny fahatezerany, fa nivoaka. Tafiotra mitohy izany. Hihodikodina eo an-dohan'ny olona ratsy fanahy izany.
\v 24 Tsy hiverina ny fahatezeran'i Yaveh ambara-pahavitany sy hanatanterahany ny fikasan'ny fo. Amin'ny andro farany, dia ho takatrao izany."
\s5
\c 31
\p
\v 1 "Tamin'izany fotoana izany—izao no fanambaran'i Yaveh—ho Andriamanitrin'ny fianakavian'ny Israely rehetra Aho, ary ho vahoakako izy ireo."
\v 2 Izao no lazain'i Yaveh: "Ny olona izay tsy matin'ny sabatra dia nahita sitraka tany an'efitra; hivoaka Aho mba hanome fitsaharana ho an'ny Israely."
\v 3 Niseho tamiko Yaveh tany aloha ary niteny hoe: "Nitia anao Aho, ry Israely, tamin'ny fitiavana maharitra mandrakizay. Koa nisarika anao hanatona Ahy tamin'ny fanekena mahatoky Aho.
\s5
\v 4 Hanangana anao indray Aho ka hitsangana ianao, ry Israely virijiny. Handray ny ampongatapakareo ianareo ary hivoaka amin'ny dihim-pifaliana.
\v 5 Hamboly tanim-boaloboka indray eo amin'ireo tendrombohitr'i Samaria ianareo; ireo mpamboly dia hamboly ary hametraka ny vokatra amin'ny tokony ampiasana azy.
\v 6 Fa ho avy ny andro hanambaran'ireo mpiambina eo amin'ireo tendrombohitr'i Efraima hoe: 'Mitsangàna, andeha isika hiakatra any Ziona any amin'i Yaveh Andriamanitsika.'
\s5
\v 7 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Mihikà am-pifaliana ho an'i Jakoba! Mihikà am-piravoravoana ho an'ireo lehiben'ny vahoakan'ireo firenena! Aoka ho re ny fiderana. Lazao hoe: 'Efa namonjy ny vahoakany Yaveh, ny ireo sisa tavela tamin'ny Israely.'
\s5
\v 8 Indro, efa hitondra azy ireo avy ao amin'ireo tany avaratra Aho. Hanangona azy ireo avy amin'ireo faritra lavitry indrindra ny tany Aho. Ho anisan'izy ireo ny jamba sy ny malemy; hiaraka amin'izy ireo ny vehivavy bevohoka sy ireo izay efa ho teraka. Hisy fiangonana lehibe hiverina eto.
\v 9 Ho tonga am-pitomaniana izy ireo; hitarika azy ireo araka izay fangatahany Aho. Hampandehaniko any amin'ny rian-drano any amin'ny lalana mahitsy izy ireo. Tsy ho tafintohina eo amin'izany izy ireo, fa ho rain'ny Israely Aho, ary ho lahimatoako i Efraima."
\s5
\v 10 "Henoy ny tenin'i Yaveh, ry firenena. Tatero manerana ny faritany lavitra any. Ianareo firenena dia tsy maintsy hilaza hoe: 'Ilay nanamparitaka an'Israely dia nanangona azy ary miandry azy tahaka ny mpiandry ondry mitandrina ny ondriny.'
\v 11 Fa efa nandoa ny vidim-panavotanan'i Jakoba Yaveh ary nanavotra azy teny amin'ny tanana izay mafy loatra ho azy.
\s5
\v 12 Ary ho avy izy ireo ka hifaly eo an-tampon'i Ziona. Hamiratra noho ny fahatsaran'i Yaveh ny tavan'izy ireo, amin'ny tandroka sy divay vaovao, amin'ny menaka sy ny zanakin'ny ondry aman'osy ary ireo omby. Fa ho tonga tahaka ny zaridaina voatondraka ny fianan'izy ireo, ary tsy hahatsapa alahelo intsony izy ireo.
\s5
\v 13 Dia hifaly amin'ny dihy ireo virijiny, ary hiaraka ny zatovo sy ny lahy antitra. Fa ho avadiko ho fankalazana ny fisaonan'izy ireo. Hangoraka azy ireo Aho ka hampifaly azy ireo fa tsy ampalahelo.
\v 14 Dia hanototra be tokoa ny fiainan'ireo mpisorona Aho. Hameno ny tenan'izy ireo amin'ny fahatsarako ny vahoakako—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 15 Izao no lazain'i Yaveh: "Nisy feo re tany Rama, fidradradradrana sy fitomaniana mafy. Rahely mitomany ireo zanany izany. Nandà tsy ampiononina ny amin'izy ireo izy, satria efa tsy miaina intsony izy ireo."
\s5
\v 16 Izao no lazain'i Yaveh: "Atsaharo amin'ny fitomaniana ny feonao ary amin'ny ranomaso ny masonao; satria misy valiny ny fijalianao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireo zanakao.
\v 17 Misy fanantenana ny amin'ny ho avinao—izany no fanambaran'i Yaveh—hiverina ao amin'ny faritanin'izy ireo ny taranakao."
\s5
\v 18 Efa reko nalahelo tokoa i Efraima hoe: 'Nanasazy ahy Ianao, ary efa nosaziana tahaka ny zanak'omby tsy nozarina aho. Ento miverina aho dia ho tafaverina, fa Ianao no Yaveh Andriamanitro.
\v 19 Fa tao aorian'ny niverenako taminao, dia nanenina aho; tao aorian'ny nanazarana ahy, dia namelaka ny feko aho. Afa-baraka sy menatra aho, fa efa niteraka ny heloky ny fahatanorako.'
\v 20 Moa tsy menakin'ny aiko ve i Efraima? Moa ve tsy malalako izy, zanaka tiako? Fa na oviana na oviana hiresahako azy, dia mbola hahatsiaro am-pitiavana azy tokoa Aho. Izany no alahelovan'ny foko azy. Hangoraka azy tokoa Aho—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 21 Mametraha famantaran-dalana ho anareo. Mametraha takela-by tari-dalana ho an'ny tenanareo. Saino ny lala-marina, dia ny lalana izay tokony alehanao. Miverena, ry Israely virijiny! Miverena any amin'ireo tanànanao ireo.
\v 22 Mandra-pahoviana no hihozongozona ianao, ry zanakavavy tsy manam-pinoana? Fa efa namorona zava-baovao ho an'ny tany Yaveh—dia vehivavy manodidina lehilahy matanjaka.
\s5
\v 23 Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'i Israely, dia milaza hoe: "Rehefa mitondra ny vahoaka miverina amin'ny tanin'izy ireo Aho, dia hilaza izany any amin'ny tanin'ny Joda sy ireo tanàn-dehibeny izy ireo hoe: 'Hitahy anao anie Yaveh, ianao ry toerana marina izay itoerany, ianao ry tendrombohitra masina.'
\v 24 Fa hiara-hipetraka any i Joda sy ireo tanànany rehetra, tahaka ireo mpamboly sy ireo mpiandry ondry miaraka amin'ireo ondry aman'osy.
\v 25 Fa hanome rano ho sotroin'ireo olona reraka Aho, ary hampisotro ireo izay matin'ny hetaheta Aho."
\v 26 Tao aorian'izany dia nifoha Aho, ary nahatsapa fa nahavelombelona ny torimasoko.
\s5
\v 27 "Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hamafazako ireo ankohonan'Israely sy Joda mbamin'ireo taranak'olombelona sy bibidia.
\v 28 Tany aloha, dia narahako maso izy ireo mba hanongotana azy ireo sy hanimbana azy ireo, mba handravana, hamotehana, ary hanasiana ratsy azy ireo. Fa amin'ny andro ho avy, dia hiambina azy ireo Aho, mba hanangana azy ireo sy hamboly azy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 29 Amin'ireo andro ireo dia tsy hisy na iza na iza hiteny intsony hoe: "Nihinana voaloboka marikivy ireo ray aman-dreny, kanefa ny nifin'ireo zaza no nadilo.'
\v 30 Fa ny olona tsirairay dia ho fatin'ny helony ihany; ny olon-drehetra izay mihinana voaloboka marikivy, dia hadilo ny nifiny.
\s5
\v 31 Indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanorenako fanekena vaovao amin'ny ankohonan'i Israely sy ny ankohonan'i Joda.
\v 32 Tsy ho tahaka ny fanekena izay naoriko tamin'ireo rain'izy ireo tamin'ny andro izay nitantanako azy ireo mba hamoahana azy ireo tao amin'ny tany Egypta. Ireo no andro izay nandravan'izy ireo ny fanekeko, na dia vady tamin'izy ireo aza Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 33 Fa izao no fanekena izay haoriko miaraka amin'ny ankohonan'ny Israely aorian'ireo andro ireo—izany no fanambaran'i Yaveh: Hametraka ny lalàko ao anatin'izy ireo Aho ary hanoratra izany ao am-pon'izy ireo, fa ho Andriamaniny Aho, ary ho vahoakako izy ireo.
\v 34 Dia tsy hampianatra ny mpiara-monina aminy intsony ny lehilahy tsirairay, na hampianatra ny rahalahiny ny lehilahy iray ka hiteny hoe: 'Fantaro Yaveh!' Fa izy rehetra, manomboka amin'ny kely indrindra amin'izy ireo ka hatramin'ny lehibe indrindra, dia hahafantatra Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hamela ny helok'izy ireo Aho ary tsy hahatsiaro ny fahotan'izy ireo intsony."
\s5
\v 35 Izao no lazain'i Yaveh—Yaveh, no Ilay mampibaliaka ny masoandro amin'ny andro ary mandamina ny volana sy ireo kintana hamiratra ny alina. Izy Ilay mampihetsika ny ranomasina mba hierona ny onjan'izany. Yaveh Tompon'ny maro no anarany. Izao no lazainy:
\v 36 "Raha mba manjavona eto imasoko ireo zavatra maharitra ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—dia hitsahatra mandrakizay tsy ho firenena eo anatrehako ny taranak'Israely."
\s5
\v 37 Izao no lazain'i Yaveh: "Raha mba azo refesina ny lanitra avo indrindra, ary raha mba hita ny fanambanin'ny tany, dia hanary ireo taranak'Israely rehetra noho izay rehetra nataony Aho—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 38 "Indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanamboarana indray ny tanàna ho Ahy, manomboka ao amin'ny Tilikambon'i Hananela ka hatrany amin'ny Vavahady An-jorony.
\v 39 Dia hivoaka hatrany lavitra indray ny tsipika fandrefesana, hatrany amin'ny havoan'i Gareba sy manodidina an'i Goa.
\v 40 Ny lohasahan'ireo faty sy lavenona manontolo, ary ny faritry ny saha rehetra mivoaka mankany amin'ny Lohasahan'i Kidrona ka hatrany lavitra any amin'ireo zoron'ny Vavahadin-tsoavaly any atsinanana, dia ho atokana ho an'i Yaveh. Tsy hongotana ny tanàna na ho ravàna indray, mandrakizay."
\s5
\c 32
\p
\v 1 Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy amin'i Yaveh tamin'ny taona fahafolo nanjakan'i Zedekiah mpanjakan'i Joda, ny faha valo ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara.
\v 2 Tamin'izany fotoana izany, dia nanao fahirano an'i Jerosalema ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary i Jeremia mpaminany dia nogadraina tao amin'ny kianjan'ny fiambenana tao an-tranon'ny mpanjakan'i Joda.
\s5
\v 3 Nogadrain'i Zedekia mpanjakan'i Joda izy ka niteny hoe: "Nahoana ianao no maminany sy miteny hoe: "Yaveh niteny hoe: Indro, andeha homeko ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona ity tanàna ity, ary ho baboiny.
\v 4 Tsy handositra ny tanan'ireo Kaldeana i Zedekia mpanjakan'i Joda, ary azo antoka fa homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona izy. Ny vavany dia hiteny amin'ny vavan'ny mpanjaka, ireo masony hahita ny mason'ny mpanjaka.
\v 5 Haka an'i Zedekia ho any Babylona izy, ary hijanona any izy ambara-piraharahako aminy—Izany no fanambaran'i Yaveh. Na hiady hanohitra ireo Kaldeana aza ianareo, dia tsy hahomby ianareo."
\s5
\v 6 Hoy Jeremia: "Tonga tamiko ny tenin'i Yaveh, miteny hoe:
\v 7 'Indro, Hanamela zanaka lahin'i Saloma rahalahin-drainao manatona anao ary miteny hoe: "Vidio ho an'ny tenanao ny sahako any Anatota, fa manan-jo hividy an'izany ianao.""'
\s5
\v 8 Ary, araka ny nambaran'i Yaveh, Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nanatona ahy tao amin'ny kianjan'ny fiambenana, araka ny nolazainy tamiko hoe: "Vidio ny sahako izay any Anatota ao amin'ny tanin'i Benjamina, fa anao ny zo handova izany, ary ny zo hividy dia anao. Vidio ho an'ny tenanao izany. 'Ary fantatro fa tenin'i Yaveh izany.
\v 9 Ka novidiko ny saha tao Anatota avy amin'i Hanamela, zanaka lahin'ny dadatoako, nolanjaiko ho azy ny volafotsy, fito ambin'ny folo sekely no lanjany.
\s5
\v 10 Dia nanoratra horonan-taratasy ary nanisy tombo-kase izany aho, ary nanana vavolombelona nijoro vavolombelona ny amin'izany aho. Ary nandanja ny volafotsy amin'ny fandanjana aho.
\v 11 Dia naka ny raharaham-barotra voatombo-kase aho, manaraka ny didy sy ireo lalàna, mbamin'ny raharaha tsy voatombo-kase.
\v 12 Nanome ny horonan-taratasy voatombo-kase an'i Baroka zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia teo anoloan'i Hanamela aho, zanaka lahin'ny dadatoako, sy ireo vavolombelona izay nanoratra ny horonan-taratasy voatombokase, ary teo anoloan'ireo Jiosy izay nipetraka tao an-kianjan'ny fiambenana.
\s5
\v 13 Ka nandidy an'i Baroka teo anatrehan'izy ireo aho. Hoy aho:
\v 14 "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely no miteny izao: "Alaivo ireo horonan-taratasy ireo, ny rosian'ny varotra izay voatombokase sy ny dika mitovy tsy voatombokase amin'ny raharaham-barotra, ary apetraho anaty siny tanimanga izany mba aharitra fotoana ela.
\v 15 Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, miteny hoe: Ireo trano, ireo saha, ireo tanim-boaloboka dia mbola hovidina indray eto amin'ity tany ity."
\s5
\v 16 Taorian'ny nanomezako an'i Baroka zanaka lahin'i Neria ny rosian'ny varotra, ^dia nivavaka tamin'i Yaveh aho ka niteny hoe:
\v 17 "Loza, ry Tompo Yaveh! Indro! Ianao irery no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny alalan'ny herinao lehibe sy ny sandrinao nisandratra. Tsy misy zavatra izay teneninao ka sarotra taminao koa ny nanao azy.
\v 18 Nampiseho fanekena mahatoky tamin'ny arivony Ianao ary mamaly ny fahadison'ireo olona tamin'ireo zanany taorian'izy ireo. Ianao no Andriamanitra lehibe sy mahery; Yaveh Tompon'ny maro no anaranao.
\s5
\v 19 Lehibe amin'ny fahendrena Ianao ary mahery amin'ireo asa. Fa misokatra amin'ny lalanan'ny vahoaka rehetra ny masonao, mba hanome ny olona tsirairay izay mendrikan'ny fitondran-tenany sy ny asany.
\v 20 Nanao famantarana sy fahagagana maro tao amin'ny tanin'ny Egypta Ianao. Amin'izao fotoana izao ao Israely ary eo amin'ny olombelona rehetra, dia nampalaza ny anaranao Ianao.
\v 21 Fa nitondra ny Israely vahoakanao hivoaka ny tany Egypta Ianao miaraka amin'ireo famantarana sy fahagagana, miaraka amin'ny tana-mahery, sy miaraka sandry mitsangana, ary miaraka amin'ny fampitahorana lehibe.
\s5
\v 22 Dia nomenao azy ireo ity tany ity—Izay nianianao tamin'ireo razambeny fa homena azy ireo—dia tany tondran-dronono sy tantely.
\v 23 Ka niditra izy ireo ary naka izany ho fananana. Fa tsy nihaino ny feonao izy ireo na niaina tao anatin'ny fankatoavana ny lalànao. Tsy nanao na inona na inona amin'izay nandidinao azy ireo ho atao izy ireo, noho izany dia nitondra loza teo amin'izy ireo Ianao.
\s5
\v 24 Indro! Ireo tovon-tany dia tafiakatra teny amin'ny tanàna hisambotra izany. Fa nohon'ny sabatra, mosary, ary ny areti-mandringana, dia natolotra ho eo an-tanan'ny Kaldeana izay miady aminy ny tanàna. Fa izay noteneninao hitranga dia mitranga, ary indro, mijery ianao.
\v 25 Ary dia hoy ianao tamiko: "Mividiana saha ho an'ny tenanao amin'ny volafotsy ary manàna vavolombelona hijoro vavolombelona ny amin'izany, na dia handeha homena ho eo an-tanan'ireo Kaldeana aza ity tanàna ity.
\s5
\v 26 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 27 "Indro, Izaho no Yaveh, Andriamanitrin'ny olombelona rehetra. Misy zava-tsarotra tsy aiko atao ve?
\v 28 Koa izao no lazain'i Yaveh hoe: "Indro, handeha hanome an'ity tanàna ity ho eo am-pelatanan'ireo Kaldeana sy Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona Aho. Hambabo izany izy.
\s5
\v 29 Ireo Kaldeana izay miady amin'ity tanàna ity dia ho avy ary handrehitra afo amin'ity tanàna ity sy handoro izany. Mbamin'ireo trano eo amin'ny tafo izay hivavahan'ireo vahoaka tamin'i Bala ary nandrarahany fanatitra sotroina ho an'ireo andriamanin-kafa mba iantsiana Ahy.
\v 30 Fa ny vahoakan'Israely sy ny Joda dia vahoaka izay nanao ratsy teo imasoko tokoa hatramin'ny fahatanorany. Fa efa nanafintohina Ahy tamin'ny alalan'ny fanaon'ireo tanany tokoa ny vahoakan'Israely—Izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 31 Nambaran'i Yaveh fa ity tanàna ity hatramin'ny andro nanorenan'izy ireo azy dia fihantsiana ny fahatezerany sy ny fahavinirany. Dia izany ihany izy mandrak'ankehitriny. Noho izany dia hoesoriko tsy ho eo anoloan'ny tavako izany
\v 32 noho ireo haratsian'ny vahoakan'Israely sy Joda, ireo zavatra nataon'izy ireo hiantsiana Ahy—izy ireo, ireo mpanjakany, andriany, mpisorony, mpaminaniny, sy ireo olona rehetra ao Joda ary ny mponin'i Jerosalema.
\s5
\v 33 Manome lamosina Ahy izy ireo fa tsy mba ny tavany, na dia nampianatra azy ireo tamim-tsitram-po aza Aho. Niezaka nampianatra azy ireo Aho, fa tsy nisy na iray amin'izy ireo aza ka nihaino mba handray fanintsiana.
\v 34 Nametraka ireo sampy mahatsiravina tao an-tranoko izay nantsoina tamin'ny anarako izy ireo, mba handoto izany.
\v 35 Nanorina toerana avo ho an'i Bala tao amin'ny loasahan'i Bena Hinoma izy ireo mba handorana ireo zanany lahy sy zanany vavy ho an'i Molesa. Tsy nandidy azy ireo Aho. Tsy tao an-tsaiko mihintsy hoe hanao izany zavatra maharikoriko izany izy ireo ary dia nampanota an'i Joda.
\s5
\v 36 Koa ankehitriny, Izaho, Yaveh, Andriamanitr'Israely, no milaza izao mahakasika ity tanàna ity, tanàna izay lazainareo hoe: 'Nomena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'i Babylona izany tanàna izany amin'ny alalan'ny sabatra, mosary ary areti-mandringana.
\v 37 Indro, hanangona azy ireo any amin'ny tany rehetra izay nandroahako azy ireo tanatin'ny hatezerako, fahavinirako, ary fahatezerana lehibe Aho. Handeha hampiverina azy ireo amin'izany toerana izany Aho ary ahafahan'izy ireo miaina am-pilaminana.
\s5
\v 38 Dia ho oloko izy ireo, ary Izaho ho Andriamaniny
\v 39 Hanome fo iray sy lalana iray mba hanomezam-boninahitra Ahy isan'andro ho azy ireo Aho ka ho tsara ho azy ireo sy ny taranany any aoriany izany.
\v 40 Dia hanao fanekena mandrakizay miaraka amin'izy ireo Aho, izay tsy hanatsaharako ny fanaovako soa azy ireo. Hametraka ny voninahitra izay Ahy ao am-pon'izy ireo Aho, mba tsy hivadika Amiko mandrakizay izy ireo.
\s5
\v 41 Dia hifaly amin'ny fanasoavako azy ireo Aho. Hampitoetra azy ireo ao amin'ity tany ity am-pahatokiana Aho amin'ny foko manontolo sy ny aiko rehetra.
\v 42 Fa Yaveh miteny izao: "Tahaka ny nitondrako izao loza rehetra izao eo amin'ireto vahoaka ireto, dia toy izany koa no hitondrako ny zava-tsoa rehetra amin'izy ireo izay nolazaiko fa ho ataoko amin'izy ireo.
\s5
\v 43 Ary hisy saha hovidiana amin'ity tany ity, izay lazainareo hoe: "Tany simba ity, izay tsy misy na olona na biby. Efa nomena teo an-tanan'ireo Kaldeana ity."
\v 44 Hividy saha amin'ny volafotsy izy ireo ary hanoratra amin'ny horonan-taratasy voatombo-kase. Hamory vavolombelona ao amin'ny tanin'i Benjamina izy ireo, ny manodidina an'i Jerosalema rehetra sy ireo tanànan'i Joda, any amin'ireo tanàna any amin'ny tany havoana sy ireo tany lemaka amorony, ary ao an-tanan'i Negeva. Fa hamerina ireo harenany Aho—Izany no fanambaran'i Yaveh."'
\s5
\c 33
\p
\v 1 Dia tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, raha mbola voahidy teo amin'ny kianjan'ny mpiambina izy, manao hoe:
\v 2 "Yaveh ilay Mpahary, milaza izao—Yaveh, izay mandamina mba hampitoetra—Yaveh no Anarany,
\v 3 'Antsoy Aho, dia ho valiako Ianao. Hampiseho zava-dehibe aminao Aho, zava-miafina izay tsy takatrao.'
\s5
\v 4 Fa Yaveh, Andriamanitry ny Israely, milaza izao mahakasika ny trano eto amin'ity tanàna ity sy ny tranon'ny mpanjakan'ny Joda izay noravana nohon'ny fiakaran'ny fahirano sy ny sabatra,
\v 5 'Avy ireo Kaldeana hiady ary hameno ireo trano amin'ireo fatin'olona izay hovonoiko amin'ny fahatezerana sy ny fahavinirako, rehefa manafina ny tavako amin'ity tanàna ity Aho noho ny faharatsian'izy ireo rehetra.
\s5
\v 6 Nefa indro, hitondra fanasitranana sy fanafany Aho, fa hanasitrana azy ireo Aho ary hitondra be, fiadanana, ary fanekena mahatoky.
\v 7 Fa hamerina ny haren'i Joda sy Israely Aho; hanorina azy ireo toy ny tany am-piandohana Aho.
\v 8 Dia hanadio azy amin'ny heloka rehetra izay nataon'izy ireo tamiko Aho. Hamela ny helony rehetra izay nataony tamiko Aho, ary ny lalana rehetra izay nikomiany hanohitra ahy.
\v 9 Fa ity tanàna ity dia ho tonga zavatra mahafaly ahy, hira fiderana sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra eto amin'ny tany izay haheno ny zavatra tsara rehetra izay ho ataoko ho an'izany. Dia hatahotra sy hangovitra izy ireo noho ny zavatra tsara rehetra sy fiadanana izay homeko izany.'
\s5
\v 10 Izao no lazain'i Yaveh, 'Eto amin'ity toerana ity izay lazainao ankehitriny hoe: "Lao izany, toerana izay tsy misy na olona na biby," eny amin'ireo tanànan'i Joda, ary eo amin'ireo lalan'i Jerosalema izay lao tsy misy olona na biby, dia ho re indray
\v 11 ny feon'ny fifaliana sy ny feon'ny firavoravoana, ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina, ny feon'ireo izay milaza, rehefa mitondra fanatitra fisaorana ao an-tranon'i Yaveh," Misaora an'i Yaveh Tompon'ny maro, fa tsara i Yaveh, ary ny fitiavany tsy mety levona haharitra mandrakizay!" Fa Izaho hamerina ny harenan'ilay tany toy ny teo aloha,' hoy Yaveh
\s5
\v 12 Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Eto amin'ity toerana lao ity, izay tsy misy na olona na biby ankehitriny—dia hisy ahitra izay afaka hampitsaharan'ireo mpiandry ondry ny ondry aman'osiny indray eo amin'ny tanànany rehetra.
\v 13 Eo amin'ireo tanàn-dehibe eo amin'ny tany havoana, ireo tany lemaka, ary ny Negeva, eo amin'ny tanin'i Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema rehetra, ary any amin'ireo tanànan'i Joda, ireo ondry aman'osy dia handalo indray eo ambanin'ny tanan'ireo izay hanisa azy ireo,' hoy Yaveh.
\s5
\v 14 'Indro! Avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—izay hanaovako izay nampanatenaiko tamin'ny ankohonan'ny Israely sy ny ankohonan'i Joda.
\v 15 Amin'izany andro sy fotoana izany dia hampaniry rantsana marina ho an'i Davida Aho, ary hanatanteraka ny rariny sy fahamarinana eo amin'ilay tany izy.
\v 16 Amin'izany andro izany dia ho vonjena i Joda, ary i Jerosalema hiaina am-pilaminana, fa izany no hiantsoana azy, "Yaveh no fahamarinantsika."
\s5
\v 17 Fa izao no nolazain'i Yaveh: 'Ny olona avy amin'ny taranak'i Davida dia tsy ho ory zanaka lahy na ovina na ovina hipetraka eo amin'y seza fiadrianan'ny ankohonan'ny Israely,
\v 18 na olona avy amin'ny Levita mpisorona dia tsy ho tsy ampy eo anatrehako mba hanangana fanatitra dorana, handoro fanatitra hohanina, ary hanatanteraka fanatitra vary amin'ny fotoana rehetra."'
\s5
\v 19 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 20 "Izao no nolazain'i Yaveh: 'Raha mahavita manimba ny fanekena mahatokiko andro aman'alina ianao ka tsy hisy intsony andro na alina amin'ny fotoana iombonan'izy ireo,
\v 21 dia hahavita mandrava ny fanekena mahatokiko tamin'i Davida mpanompoko ianao, ka dia tsy hanana zanaka lahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany intsony izy, ary ny fanekeko mahatoky tamin'ireo Levita mpisorona, mpanompoko.
\v 22 Toy ireo miaramilan'ny lanitra tsy tambo isaina, sy fasika any amoron-dranomasina tsy azo refesina, no hampitomboakao ny taranak'i Davida mpanompoko ary ireo Levita izay nanompo teo anoloako.
\s5
\v 23 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 24 "Tsy nosaininao ve izay nambaran'io vahoaka io rehefa niteny izy ireo hoe: 'Ireo fianakaviana roa izay nofidian'i Yaveh ireo ankehitriny dia nolaviny izy ireny?' Amin'izany no anaovan'izy ireo tsinotsinona ny oloko, lazain'izy ireo fa tsy firenena eo imasony intsony izy ireo.
\s5
\v 25 Izaho, Yaveh, no milaza izao, 'Raha tsy nanorina ny fanekena mahatoky amin'ny andro sy amin'ny alina Aho, ary raha tsy nametraka lalàna ho an'ny lanitra sy ny tany,
\v 26 dia nandà ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko Aho, ary tsy nitondra ho azy ireo olona hanapaka manerana ny taranak'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba. Fa hamerina ireo hareny ary haneho famindram-po amin'izy ireo Aho.'"
\s5
\c 34
\p
\v 1 Ilay teny izay tonga tamin'i Jeremia avy amin'i Yaveh, rehefa nanangan'ady tamin'i Jerosalema sy ny tanànany rehetra i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ny tafiny rehetra, niaraka tamin'ireo fanjakan'ny tany rehetra, ireo firenena ambany fahefany, sy ny vahoakan'izy ireo rehetra, nanao hoe:
\v 2 'Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: Mandehana ary miresaha amin'i Zedekia mpanjakan'i Joda ary lazao aminy hoe: "Yaveh dia milaza izao: Indro, hanome ity tanàna ity ho eo ampelan-tanan'ny mpanjakan'i Babylona Aho. Ho dorany izany.
\v 3 Tsy ho afaka eo an-tanany ianao, satria ho voasambotra tokoa ianao ary hatolotra eo an-tanany. Hijery ny mason'ny mpanjakan'i Babylona ny masonao; hiresaka mivantana aminao izy raha mankany Babylona ianao.'
\s5
\v 4 Henoy ny tenin'i Yaveh, ry Zedekia mpanjakan'i Joda! Yaveh dia milaza izao mahakasika anao: 'Tsy ho faty amin'ny sabatra ianao.
\v 5 Ho faty am-piadanana ianao. Toy ny fandoroana tamin'ny fandevenana an'ireo razambenao, ireo mpanjaka talohanao, dia ho doran'izy ireo ny vatanao. Hiteny izy ireo hoe: "Loza, ry tompoko!" Hisaona anao izy ireo. Ankehitriny efa niteny Aho—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 6 Koa nambaran'i Jeremia mpaminany tamin'i Zedekia mpanjakan'i Joda tany Jerosalema ireo teny rehetra ireo.
\v 7 Niady tamin'i Jerosalema sy ireo tanàna sisan'i Joda ny tafiky ny mpanjakan'i Babylona: Lakisy sy Azeka. Ireo tanànan'i Joda ireo dia nitoetra ho tanàna mimanda.
\s5
\v 8 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Yaveh taorian'ny nanaovan'i Zedekia mpanjaka fanekena tamin'ny olona rehetra tao Jerosalema, mba hanambara fahafahana amin'izy ireo
\v 9 fa ny olona tsirairay dia tsy maintsy manafaka ireo andevony Hebreo, na lahy na vavy, mba tsy hisy hanandevo ny Jiosy, izay rahalahiny.
\s5
\v 10 Noho izany ireo mpitarika rehetra sy ny olona dia niditra tamin'ilay fanekana fa ny olona tsirairay avy dia hanafaka ny andevony lahy sy ny andevony vavy mba tsy ho handevozina intsony izy ireo. Nankatoa izy ireo ary nanafaka azy ireo.
\v 11 Fa taorian'ity dia niova ny eritreritr'izy ireo. Naverin'izy ireo ny andevo izay nafahan'izy ireo. Noteren'izy ireo ho lasa andevo indray izy ireo
\s5
\v 12 Koa dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 13 "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Izaho dia nanao fanekena tamin'ireo razambenareo tamin'ny andro izay nitondrako azy ireo hivoaka ny tany Egypta, hivoaka ny tranon'ny fanandevozana. Izany dia tamin'Izaho niteny hoe:
\v 14 "Isakin'ny faran'ny fito taona ny olona tsirairay, dia tsy maintsy mandefa ny rahalahiny, ny Hebreo namany izay nivarotra ny tenany taminao sy nanompo anao nandritry ny enin-taona. Avelao andeha an-kalalahana izy." Fa ireo razambenareo dia tsy nihaino Ahy na nanongilan-tsofina tamiko.
\s5
\v 15 Ankehitriny ianareo nibebaka ary nanomboka nanao izay marina teo imasoko. Nanambara fahafahana ianareo, ny olona tsirairay avy tamin'ny mpiara-belona taminy, ary nanao fanekena teo anoloako tao amin'ny trano izay antsoina amin'ny anarako ianareo.
\v 16 Fa avy eo ianareo nivadika ary nandoto ny anarako; nataoanareo izay hamerenan'ny olona tsirairay ny andevony lahy sy vavy, ireo izay nalefanareo handeha any amin'izay nirian'izy ireo. Noterenareo ho lasa andevonareo indray izy ireo.'
\s5
\v 17 Noho izany Yaveh dia milaza izao: 'Ianareo tenanareo dia tsy nihaino Ahy. Tokony nanambara fahafahana tamin'ireo rahalahinareo sy ireo Israelita namanareo ianareo, ny tsirairay avy aminareo. Koa indro! Hanambara fahafahana aminareo Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fahafahana amin'ny sabatra, ny areti-mandringana, sy ny mosary, satria hahatonga anareo ho zavatra mahatsiravina eo imason'ny fanjakana rehetra eto an-tany Aho.
\v 18 Avy eo dia hifampiraharaha amin'ny olona izay nandrava ny fanekeko Aho, izay tsy nitandrina ireo tenin'ny fanekena izay napetraka teo anoloako rehefa nizara ombilahy ho roa izy ireo ary nandeha teo anelanelan'izany,
\v 19 ary avy eo ireo mpitarikan'i Joda sy Jerosalema, ireo tandapa sy mpisorona, ary ny olona rehetra tao amin'ilay tany dia nandeha teo anelanelan'ilay ombilahy efa voatetika.
\s5
\v 20 Ho atolotro eo an-tanan'ireo fahavalony izy ireo sy ho eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ain'izy ireo. Ho sakafo ho an'ny voron'ny habakabaka sy ireo bibidian'ny tany ny vatan'izy ireo.
\v 21 Noho izany dia ho atolotro eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo en-tanan'ireo izay nikatsaka ny ain'izy ireo, sy eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona izay nitsangana hanohitra anareo i Zedekia mpanjakan'i Joda sy ireo mpitariny.
\v 22 Indro, handefa baiko Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamerina azy ireo amin'ity tanàna ity mba hanangana ady hanohitra izany sy haka izany, ary mba handoro izany. Fa Izaho dia hamadika ireo tanànan'i Joda ho toerana rava izay tsy hisy mponina.'"
\s5
\c 35
\p
\v 1 Tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tamin'ny andron'i Joiakima zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, nanao hoe:
\v 2 "Mandehana any amin'ny fianakavian'ireo Rekabita ary miresaha amin'izy ireo. Avy eo ento ho aty amin'ny tranoko izy ireo, ao amin'ny iray amin'ireo efitra ao, ary omeo divay ho sotroina izy ireo."
\s5
\v 3 Koa nalaiko Jazania zanaka lahin'i Jeremia zanaka lahin'i Habazinia sy ireo rahalahiny, ny zanany lahy rehetra, ary ny fianakavian'ireo Rekabita.
\v 4 Nentiko tao amin'ny tranon'i Yaveh izy ireo, tao amin'ny efitr'ireo zanaka lahin'i Hanana zanaka lahin'i Jigdalia, ilay lehilahin'Andriamanitra. Ireo efitra ireo dia teo anilan'ny efitr'ireo mpitarika, izay ambonin'ny efitr'i Mahaseia zanaka lahin'i Saloma, ilay mpiandry vavahady.
\s5
\v 5 Ary napetrako teo anoloan'ireo Rekabita ireo siny sy kapoaka ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Misotroa divay."
\v 6 Saingy hoy izy ireo hoe: "Tsy hisotro divay izahay, satria ny razambenay, i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, no nandidy anay hoe: "Aza misotro divay mandrakizay, na ianareo na ny taranakareo.
\v 7 Aza manangana trano, mamafy voa, na mamboly tanim-boaloboka ihany koa; tsy ho anareo izany. Fa ianareo dia tsy maintsy hipetraka anaty lay mandritry ny andronareo rehetra, mba hipetrahanareo ela eo amin'ilay tany izay itoeranareo toy ny vahiny.'
\s5
\v 8 Efa nankatoa ny tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba, razambenay izahay, tamin'izay rehetra nandidiany anay, mba tsy hisotro divay mandritra ny androm-piainanay manontolo, izahay, ireo vadinay, ireo zanakay lahy, ary ireo zanakay vavy.
\v 9 Tsy hanangana trano hipetrahana mihintsy izahay, ary tsy hisy tanim-boaloboka, saha, na voa ho fanananay.
\v 10 Efa niaina tanaty lay izahay ary efa nankatoa sy nahavita izay rehetra nandidian'i Jonabada razambenay.
\v 11 Saingy rehefa nanafika ilay tany i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay hoe: 'Avia, tsy maintsy ho any Jerosalema isika mba handositra ireo tafiky ny Kaldeana sy Syriana.' Koa nipetraka tao Jerosalema izahay."
\s5
\v 12 Avy eo dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 13 "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Mandehana ary lazao ireo lehilahin'i Joda sy ireo mponin'i Jerosalema hoe: "Tsy handray fanitsiana sy hihaino ireo teniko ve ianareo? —izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 14 Ireo tenin'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba izay nomeny ny zanany lahy ho didy, tsy hisotro divay, dia hita hatramin'izao andro izao. Nankatoa ny didin'ny razambeny izy ireo. Fa raha ny amiko, izaho tenako dia efa nanao fanambarana mandrakariva taminareo, saingy tsy mihaino ahy ianareo.
\s5
\v 15 Naniraka ireo mpanompoko rehetra, ireo mpaminany taminareo Aho. Entitra Aho tamin'ny fandefasana azy ireo hiteny hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hiala amin'ny fomba ratsiny ka hanao ny asa tsara; aoka tsy hisy hanaraka andriamanitra hafa ary hanompo azy ireo intsony. Fa miverena kosa any amin'ilay tany izay nomeko anareo sy ny razambenareo.' Na izany aza mbola tsy hihaino ahy na hifantoka amiko ianareo.
\v 16 Nefa ireo taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba dia efa nintandrina ireo didin'ireo razamben'izy ireo izay nomeny azy ireo, saingy mandà ny hihaino Ahy ireo vahoaka ireo.'"
\s5
\v 17 Koa niteny izao Yaveh, Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely hoe: 'Indro, entiko eo amin'i Joda sy ny olona rehetra miaina ao Jerosalema ireo loza rehetra notononiko satria niresaka tamin'izy ireo Aho, saingy tsy nihaino izy ireo; niantso azy ireo Aho, saingy tsy namaly izy ireo.'"
\s5
\v 18 Hoy Jeremia tamin'ny taranak'ireo Rekabita hoe: "Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia mialaza izao: Nihaino ireo didin'i Jonadaba razambenareo ianareo ary nitandrina azy rehetra—nankatoa izay rehetra nandidiany ho ataonareo ianareo—
\v 19 ka Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: 'Tsy maintsy hisy olona avy amin'ny taranak'i Jonadaba zanaka lahin'i Rekaba hanompo Ahy mandrakariva.'"
\s5
\c 36
\p
\v 1 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia mpanjakan'i Joda, no nahatongavan'izao teny avy tamin'i Yaveh izao tamin'i Jeremia, ary hoy Izy:
\v 2 "Mangalà horonan-taratasy iray ho anao ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay efa nolazaiko anao mahakasika an'Israely sy Joda, ary ny firenena rehetra. Ataovy izany ho an'ny zava-drehetra efa nolazaiko nanomboka tamin'ny andron'i Josia ka hatramin'ity andro ity.
\v 3 Angamba hihaino ny loza rehetra izay kasaiko entina eo amin'izy ireo ny mponin'i Joda. Angamba hivily amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona rehetra, ka dia afaka hamela ny helony sy ny fahotan'izy ireo Aho."
\s5
\v 4 Ary niantso an'i Baroka zanakalahin'i Neria I Jeremia, ary nosoratan'i Baroka tao anaty horonan-taratsy ny teny rehetra izay nolazain"i Yaveh tamin'i Jeremia.
\v 5 Avy eo dia nanome baiko an'i Baroka i Jeremia. Hoy izy: "Ato an-tranomaizina aho ary tsy afaka mankany an-tranon'Andriamanitra.
\v 6 Koa tsy maintsy mandeha ianao ary hamaky ny teny izay notononiko ary nosoratanao tao anaty horonan-taratasy. Amin'ny andron'ny fifadian-kanina, dia tsy maintsy vakianao eo an-tsofin'ny vahoaka ao an-tranony ny tenin'i Yaveh, ary eo an-tsofin'ny Joda rehetra izay avy amin'ny tanànany ihany koa. Ambarao azy ireo ireo teny ireo.
\s5
\v 7 Angamba ho tonga eo anatrehan'i Yaveh ihany ny fitalahoan'izy ireo famindram-po. Angamba hiala amin'ny lalan-dratsiny ihany ny olona tsirairay, satria mafy ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay efa nambaran'i Yaveh tamin'ireo vahoakany ireo."
\v 8 Koa dia nataon'i Baroka zanaka lahin'i Neria izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany hatao. Novakiany mafy tao an-tranon'i Yaveh ireo tenin'i Yaveh.
\s5
\v 9 Ary tamin'ny volana fahasivin'ny taona fahadimy nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda, no nanambaran'ny vahoaka rehetra tao Jerosalema sy ireo olona izay tonga tao Jerosalema avy any amin'ireo tanànan'i Joda ny fifadian-kanina ho voninahitr'i Yaveh.
\v 10 Novakian'i Baroka mafy tao an-tranon'i Yaveh ny tenin'i Jeremia, avy eo amin'ny efitranon'i Gemaria zanaka lahin'i Safana mpanora-dalàna, tao ambonin'ny kianja, akaikin'ny vavahady fidirana ny tranon'i Yaveh. Nataony teo an-tsofin'ny vahoaka rehetra izany.
\s5
\v 11 Ary ren'i Mikaia zanaka lahin'i Gemaria zanaka lahin'i Safana ny tenin'i Yaveh rehetra tao amin'ny horonan-taratasy.
\v 12 Nidina tany an-tranon'ny mpanjaka izy, tao amin'ny efitrin'ny mpitan-tsoratra. Indreo, fa nipetraka teo avokoa ny manam-pahefana rehetra: Elisama mpitan-tsoratra, Delaia zanaka lahin'i Semaia, Elnatana zanaka lahin'i Akbora, Gemaria zanaka lahin'i Safana, sy Zedekia zanaka lahin'i Hanania, ary ny manam-pahefana rehetra.
\s5
\v 13 Ary notaterin'i Mikaia tamin'izy ireo ny teny rehetra izay reny izay novakian'i Baroka mafy teo an-tsofin'ny vahoaka.
\v 14 Ary nalefan'ireo manam-pahefana rehetra ho any amin'ny Baroka i Jehody zanaka lahin'i Netanaia zanaka lahin'i Selemia zanaka lahin'i Kosa. Hoy i Jehody tamin'i Baroka hoe: "Raiso eo an-tananao ny horonan-taratasy, dia ilay horonan-taratasy izay novakiana teo an-tsofin'ny vahoaka, ary avia." Ary Baroka zanaka lahin'i Neria nandray ny horonan-taratasy teny an-tananany ary nandeha tany amin'ireo manam-pahefana.
\v 15 Ary hoy izy ireo taminy: "Mipetraha ary vakio eto an-tsofinay ity." Ka dia novakian'i Baroka ny horonan-taratasy.
\s5
\v 16 Ary rehefa nandre ireo teny rehetra ireo izy ireo, dia nifampijery matahotra tamin'izay teo akaikiny ny olona tsirairay ka nanao tamin'i Baroka hoe: "Tsy maintsy tanterintsika amin'ny mpanjaka tokoa ireo teny rehetra ireo."
\v 17 Avy eo dia nanontanian'izy ireo Baroka hoe: "Lazao anay, tamin'ny fomba ahoana no nanoratanao ireo teny izay notononin'i Jeremia rehetra ireo?"
\v 18 Baroka nanao tamin'izy ireo hoe: "Notononiny tamiko ireo teny rehetra ireo, ary nosoratako tamin'ny ranomainty teo amin'ny horonan-taratasy."
\v 19 Ary hoy ireo manam-pahefana tamin'i Baroka: "Mandehana, miafena ianao, ary i Jeremia koa. Aoka tsy hisy olona ahafantatra ny misy anareo."
\s5
\v 20 Koa dia napetrak'izy ireo tao amin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra ny horonan-taratasy, ary nandeha tany amin'ny mpanjaka teo an-kianja izy ireo, ka notanterin'izy ireo teo an-tsofin'ny mpanjaka ny zavatra rehetra.
\v 21 Ary nirahin'ny mpanjaka haka ny horonan-taratasy i Jehody. Nalain'i Jehody tao amin'ny efitr'i Eliasama mpitan-tsoratra izany. Avy eo dia novakiany teo an-tsofin'ny mpanjaka sy ireo manam-pahefana rehetra izay nitsangana teo anilany izany.
\v 22 Nipetraka tao amin'ny tranon-dririnina ny mpanjaka tamin'ny volana faha sivy, ary nisy fatana nirehitra teo anoloany.
\s5
\v 23 Ary rehefa namaky tsanganana telo na efatra i Jehody, dia notapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsy izany ka natsipiny tao anaty afo tao am-patana mandra-pahalevon'ny horonan-taratasy rehetra.
\v 24 Nefa tsy nampitahotra na ny mpanjaka na ireo mpanompony izay nandre ireo teny rehetra ireo, na nandrovitra ny ankanjony izy ireo.
\s5
\v 25 Nandrara ny mpanjaka mba tsy handoro ny horonan-taratasy i Elnatana, Delaia, ary Gemaria, fa tsy nihaino azy ireo izy.
\v 26 Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremela havany, Seraia zanaka lahin'i Azriela, ary Selemia zanaka lahin'i Abdela mba hisambotra an'i Baroka mpanora-dalàna, sy i Jeremia mpaminany, nefa nafenin'i Yaveh izy ireo.
\s5
\v 27 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh taorian'ny nandoran'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ireo teny izay nosoratan'i Baroka tamin'ny fanononan'i Jeremia, manao hoe:
\v 28 "Miverena, mangalà horonan-taratasy iray hafa ho anao, ary soraty ao amin'izany ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy voalohany, dia ilay efa nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda.
\v 29 Ary tsy maintsy lazainao amin'i Joiakima mpanjakan'i Joda izao: "Nodoranao ity taratasy ity, izay milaza hoe: 'Nahoana ianao no nanoratra teo amin'izany, 'Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity, fa haringany na ny olona na ny biby ao amin'izany'?'""
\s5
\v 30 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh ny mahakasika anao, ry Joiakima mpanjakan'i Joda: "Tsy hisy intsony amin'ireo taranakao hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida. Raha ny aminao, ny fatinao dia hariana eny amin'ny hain'andro sy eny amin'ny fanalan'ny alina.
\v 31 Fa ho faiziko ianao, ny taranakao, ary ireo mpanomponao nohon'ny helokareo rehetra. Ho entiko eo aminao, eo amin'ny mponin'i Jerosalema rehetra, ary eo amin'ny olon'i Joda rehetra ny loza rehetra izay efa nandrahonako anareo, nefa tsy notandremanareo akory."
\s5
\v 32 Ka naka horonan-taratasy hafa i Jeremia ary nomeny an'i Baroka zanaka lahin'i Neria mpanora-dalàna izany. Nosoratan'i Baroka tamin'izany ny teny rehetra izay tao amin'ny horonan-taratasy nodoran'i Joiakima mpanjakan'i Joda tamin'ny fanononan'i Jeremia. Ary mbola nampiana teny maro hafa mitovitovy tamin'ity horonan-taratasy ity.
\s5
\c 37
\p
\v 1 Ary i Zedekia zanaka lahin'i Josia dia nanjaka tamin'ny toeran'i Jekonia zanak'i Joiakima. Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona no nanao an'i Zedekia ho mpanjaka teo amin'ny tanin'i Joda.
\v 2 Fa i Zedekia, ireo mpanompony, sy ny vahoakan'ny tany dia tsy nihaino ireo tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny tanan'i Jeremia mpaminany.
\s5
\v 3 Ary Zedekia mpanjaka, Jehokala zanak'i Selemia, ary Zefania zanak'i Mahaseia mpisorona dia nandefa hafatra ho an'i Jeremia mpaminany. Hoy izy ireo: "Mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitsika ho antsika."
\v 4 Ary tonga i Jeremia ary nankeo amin'ny vahoaka, satria mbola tsy natao an-tranomaizina izy.
\v 5 Tonga avy tany Egypta ny tafik'i Farao, ary ny Kaldeana izay nanao fahirano an'i Jerosalema dia nahare ny vaovao momba azy ireo ka niala tao Jerosalema.
\s5
\v 6 Dia tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny Tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 7 "Yaveh, Andriamanitr'Israely, milaza izao: Izao no ho lazainareo amin'ny mpanjakan'i Joda, satria nandefa anareo haka hevitra Amiko Izy, 'Indro, fa efa an-dalana hiverina ho any Egypt, izay taniny ny tafik'i Farao, izay tonga hanampy anao.
\v 8 Ary hiverina ny Kaldeana. Hiady hanohitra ity tanàna ity izy ireo, hisambotra, sy handoro izany.
\s5
\v 9 Hoy Yaveh hoe: "Aza mamitaka ny tenanareo amin'ny filazana hoe:' Efa nandao anay tokoa ireo Kaldeana,' fa tsy handao izy ireo.
\v 10 Na dia efa naharesy ireo tafiky ny Kaldeana manontolo izay niady taminareo aza ianareo mba ho ireo lehilahiny maratra ihany no havela ao amin'ireo lainy, fa hiarina izy ireo ary handoro ity tanàna ity."
\s5
\v 11 Ka tamin'ny nandaozan'ny tafikin'ny Kaldeana an'i Jerosalema no nahatongavan'ny tafik'i Farao,
\v 12 dia nivoaka tao Jerosalema i Jeremia mba ho any amin'ny tanin'i Benjamina. Fa nikasa ny haka ny ampahany amin'ilay tany teo amin'ny vahoakany tao izy.
\v 13 Raha teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina izy, dia teo ny lehiben'ny mpiambina. Jiria zanak'i Selemia zanak'i Hanania no anarany. Nihazona an'i Jeremia mpaminany izy ka nanao hoe: "Mandositra ireo Kaldeana ianao."
\s5
\v 14 Nefa hoy Jeremia: "Tsy marina izany. Tsy mandositra ireo Kaldeana aho." Fa tsy nihaino azy i Jiria. Nalainy i Jeremia ary nentiny teo amin'ireo manam-pahefana.
\v 15 Tezitra tamin'i Jeremia ireo manam-pahefana. Novelesin'izy ireo izy ary nampidiriny tao an-tranomaizina, izay tranon'i Jonatana mpanora-dalàna, satria navadik'izy ireo ho tranomaizina izany.
\s5
\v 16 Ka natao tao amin'efitra ambanin'ny tany i Jeremia, izay nijanonany andro maromaro.
\v 17 Ary nandefa olona hitondra azy ao an-dapa i Zedekia mpanjaka. Nanontany azy mangingina ny mpanjaka tao an-tranony hoe: "Misy teny avy amin'i Yaveh ve?" Namaly i Jeremia hoe: "Misy teny: ho atolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Babilona ianao."
\s5
\v 18 Dia hoy i Jeremia tamin'i Zedekia Mpanjaka: "Ahoana no nanotako taminao, ireo mpanomponao, na ity vahoaka ity ka dia nametrahanao ahy tany an-tranomaizina?
\v 19 Aiza ireo mpaminaninareo, ireo izay naminany ho anao sy nilaza fa tsy ho avy hanohitra anao na ity tany ity ny mpanjakan'i Babilona?
\v 20 Fa ankehitriny mihainoa, ry mpanjaka tompoko! Aoka ho tonga eo anatrehanao ny fitalahoako. Aza averina any an-tranon'i Jonatana mpanora-dalàna aho, fa ho faty any aho."
\s5
\v 21 Ka nanome baiko i Zedekia Mpanjaka. Notanan'ireo mpanompony teo amin'ny kianjan'ny mpiambina i Jeremia. Nomena mofo isan'andro avy eo amin'ny lalan'ireo mpanao mofo izy, mandra-pahalanin'ny mofo rehetra teo an-tanàna. Ka dia nitoetra teo an-kianjan'ny mpiambina i Jeremia.
\s5
\c 38
\p
\v 1 Nandre ny teny izay nambaran'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra i Safatia zanak'i Matana, sy Gedalia zanak'i Pasora, sy Jokala zanak'i Semelia, ary i Pasora zanak'i Malkia. Izy dia nilaza hoe:
\v 2 "Yaveh nilaza izao: Izay rehetra mitoetra amin'ity tanàna ity dia ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana. Fa izay rehetra mandeha mankany amin'ireo Kaldeana dia ho velona. Hanavotra ny ainy izy, ary ho velona.
\v 3 Izao no lazain'Yaveh: Ity tanàna ity dia ho atolotra eo an-tanan'ny tafikin'ny mpanjakan'i Babylona, ary hisambotra izany izy."
\s5
\v 4 Koa hoy ireo manam-pahefana tamin'ny mpanjaka: "Aoka ho faty ity lehilahy ity, fa tamin'izany fomba izany no nanalefahany ny tanan'ireo lehilahy mpiady tavela ato amin'ity tanàna ity, ary ny tanan'ny vahoaka rehetra. Manambara ireto teny ireto izy, fa tsy niasa hiaro ny vahoakany ity lehilahy ity, fa ho an'ny loza."
\v 5 Ka hoy i Zedekia Mpanjaka: "Indro, eo an-tananao izy satria tsy misy mpanjaka afaka manohitra anao."
\s5
\v 6 Ary nalain'izy ireo i Jeremia ka natsipiny tao amin'ny famorian-dranon'i Malkia, zanaky lahin'ny mpanjaka. Tao ankianjan'ny mpiambina ilay famorian-drano. Nampidinin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Tsy nisy rano tao amin'ny famorian-drano, fa namotaka izany, ka niletika tao amin'ny fotaka izy.
\s5
\v 7 Ary Ebeda-Meleka Kosita dia iray tamin'ireo tandapa tao amin'ny tranon'ny mpanjaka. Henony fa nataon'izy ireo tao anaty famorian-drano i Jeremia. Ary nipetraka teo amin'ny Vavahadin'i Benjamina ny mpanjaka.
\v 8 Koa nandeha avy tao amin'ny tranon'ny mpanjaka i Ebeda-Meleka ary niresaka taminy. Hoy izy:
\v 9 "Ry mpanjaka tompoko, ireto lehilahy ireto dia efa nanao ratsy tamin'ny fomba nitondrany an'i Jeremia mpaminany. Natsipin'izy ireo tao anaty famorian-drano izy mba ho fatin'ny hanoanana ao, satria tsy misy sakafo intsony ao amin'ny tanàna."
\s5
\v 10 Dia nanome baiko an'i Ebeda-Meleka Etiopiana ny mpanjaka. Hoy izy: "Mitondrà lehilahy telopolo avy eto ary avohay avy tao amin'ny famorian-drano i Jeremia alohan'ny hahafatesany."
\v 11 Koa nitondra ireo lehilahy ireo izy ary nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka, tany amin'ny trano fitehirizana akanjo tao ambanin'ny trano. Tao izy no naka lamba rovitra sy vorodamba ary nampidina azy ireo tamin'ny tady nankao amin'i Jeremia tao amin'ny famorian-drano.
\s5
\v 12 Hoy i Ebeda-Meleka Kosita tamin'i Jeremia: "Ataovy eo ambanin'ny sandrinao sy eo amin'ny lohan'ny tady ny lamba rovitra sy ny vordamba." Ka nataon'i Jeremia izany.
\v 13 Dia nosintomin'izy ireo tamin'ny tady i Jeremia. Izany no fomba namoahan'izy ireo azy tao amin'ny famorian-drano. Ka nijanona teo teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia.
\s5
\v 14 Nandefa teny i Zedekia Mpanjaka ary nitondra an'i Jeremia mpaminany nankany aminy, ho any amin'ny fidirana fahatelo ao amin'ny tranon'i Yaveh. Hoy ny mpanjaka tamin'i Jeremia: "Te hanontany zavatra anao aho. Aza afenina ahy ny valiny."
\v 15 Hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Raha mamaly anao aho, dia tsy hamono ahy tokoa ve ianao? Kanefa raha manome torohevitra anao aho, dia tsy hihaino ahy ianao."
\v 16 Saingy nianiana manokana tamin'i Jeremia ny mpanjaka ary niteny hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay nahary antsika, dia tsy hamono anao aho na hanolotra anao eo an-tanan'ireo lehilahy izay mifofo ny ainao ireo."
\s5
\v 17 Ka hoy i Jeremia tamin'i Zedekia: "Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely nilaza izao: "Raha miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao dia ho velona, ary tsy ho may ity tanàna ity. Ho velona ianao sy ny ankohonanao.
\v 18 Fa raha tsy miala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, dia ho atolotra eo an-tanan'ireo Kaldeana ity tanàna ity. Ho doran'izy ireo izany, ary tsy ho afa-mandositra eo an-tanan'izy ireo ianao."
\s5
\v 19 Hoy i Zedekia Mpanjaka tamin'i Jeremia: "Kanefa matahotra ny vahoakan'i Joda izay nitsoaka nankany amin'ireo Kaldeana aho, satria mety ho atolotra eo an-tanan'izy ireo aho mba ho viravirain'izy ireo."
\s5
\v 20 Hoy i Jeremia: "Izy ireo dia tsy hanolotra anao eo amin'izy ireo. Ankatoavy ny hafatr'i Yaveh izay lazaiko anao, mba handeha tsara ny zava-drehetra ho anao, ary mba ho velona ianao.
\v 21 Fa raha mandà ny hiala ianao, dia izao no efa nasehon'i Yaveh tamiko.
\s5
\v 22 Indro! Ny vehivavy rehetra izay tavela ao an-tranonao, ry mpanjakan'i Joda, dia ho entina hiala amin'ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona. Hiteny aminao ireo vehivavy ireo hoe: 'Voafitak'ireo namanao ianao; efa nanimba anao izy ireo. Ankehitriny dia milentika anaty fotaka ny tongotrao, ary ireo namanao dia hitsoak.'
\v 23 Fa ho entina hiala eo amin'ireo Kaldeana ny vady aman-janakao rehetra, ary ny tenanao dia tsy ho afaka hitsoaka eny an-tanan'izy ireo. Ho voasambotry ny tanan'ny mpanjakan'i Babylona ianao, ary ity tanàna ity dia ho may."
\s5
\v 24 Dia hoy i Zedekia tamin'i Jeremia: "Aza ampahafantarina an'iza na iza ny mahakasika ireo teny ireo, mba tsy ho faty ianao."
\v 25 Raha henon'ny manam-pahefana fa niresaka taminao aho, ary raha tonga izy ireo ka milaza aminao hoe: 'Lazao aminay izay nolazainao tamin'ny mpanjaka, ary aza afenina anay izany, raha tsy izany dia ho vonoinay ianao',
\v 26 dia tsy maintsy hiteny azy ireo ianao hoe: 'Nanao fangatahana teo anatrehan'ny mpanjaka aho mba tsy hamerenany ahy any an-tranon'i Jonatana ka ho faty any."'
\s5
\v 27 Dia tonga teo amin'i Jeremia ireo manam-pahefana rehetra ary nanontany azy, ka namaly azy ireo araka izay natoron'ny mpanjaka azy izy. Ka nijanona niresaka taminy izy ireo, satria tsy nahare ny resak'i Jeremia sy ny mpanjaka.
\v 28 Noho izany dia nijanona teo ankianjan'ny mpiambina i Jeremia nandra-pahatongan'ny andro nisamborana an'i Jerosalema.
\s5
\c 39
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahasivy sy volana fahafolo nanjakan'i Zedekia mpanjakan'i Joda, dia tonga niaraka tamin'ny tafiny rehetra i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona hanohitra an'i Jerosalema ka hanao fahirano izany.
\v 2 Tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo sy volana fahefatra nanjakan'i Zedekia, tamin'ny andro fahasivin'ny volana, dia voatafika ny tanàna.
\v 3 Dia tonga ka nipetraka teo afovoan'ny vavahady ny manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona rehetra: Nergala-Sarezera, Samgarnebo, ary Sarsekima, manam-pahefana lehibe iray. I Nergala-Sarezera dia manam-pahefana ambony ary ireo ambiny rehetra dia manam-pahefan'ny mpanjakan'i Babylona.
\s5
\v 4 Ary rehefa nahita azy ireo Zedekia, mpanjakan'i Joda, sy ireo lehilahy mpiadiny rehetra, dia nandositra. Nivoaka ny tanàna avy teo amin'ny lalan-kelin'ny zaridaina izy ireo ny alina, teo amin'ny vavahady anelanelan'ireo manda roa. Nivoaka nizotra nankany Araba ny mpanjaka.
\v 5 Saingy nanenjika azy ireo ny tafika Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia teo amin'ny lemaky ny lohasahan'ny Reniranon'i Jordana teo akaikin'i Jeriko. Dia nosamborin'izy ireo izy ka nentiny niakatra tany amin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, tao Ribla tany amin'ny tanin'i Hamata, izay nanomezan'i Nebokadnezara sazy azy.
\s5
\v 6 Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla teo imasony mihitsy ireo zanaka lahin'i Zedekia. Novonoiny ihany koa ireo olona ambonin'i Joda rehetra.
\v 7 Dia noloarany ny mason'i Zedekia ary nofatorany gadra varahina mba hitondrany azy any Babylona.
\s5
\v 8 Dia nodoran'ireo Kaldeana ny tranon'ny mpanjaka sy ny tranon'ny vahoaka. Nazeran'izy ireo ihany koa ny mandan'i Jerosalema.
\v 9 Nebozaradana, mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka, nanao an-tsesintany ny vahoaka sisa izay tavela tao an-tanàna. Tao anatin'izany ireo olona izay vaky nankany amin'ireo Kaldeana sy ny vahoaka sisa izay tavela tao an-tanàna.
\v 10 Fa navelan'i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka hijanona ao amin'ny tanin'i Joda kosa ireo olona mahantra indrindra tsy nanana na inona na inona ho azy ireo. Nomeny tanim-boaloboka sy saha tamin'io andro io ihany izy ireo.
\s5
\v 11 Nanome baiko momba an'i Jeremia tamin'i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Hoy izy hoe:
\v 12 "Ento izy ary karakarao. Aza manisy ratsy azy. Ataovy aminy izay rehetra lazainy aminao."
\v 13 Koa nandefa olona i Nebozaradana mpifehin'ireo mpiambina manokan'ny mpanjaka, Nebosazbana ionoka ambony, Negarala-Sarezera manam-pahefana ambony, ary ireo manam-pahefan'ny mpanjakan'ny Babylona ambony indrindra.
\v 14 Nentin'ireo lehilahiny niala avy teo amin'ny tokotanin'ny mpiambina i Jeremia ary nankinin'izy ireo tamin'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Safana, mba hitondra azy hody, koa dia nitoetra teo amin'ny vahoaka i Jeremia.
\s5
\v 15 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh teo am-pisamborana azy teo an-tokotanin'ny mpiambina, nanao hoe:
\v 16 "Miresaha amin'i Ebeda-Meleka Kosita ary ataovy hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely: Indro, efa hanatanteraka ny teniko nanohitra ity tanàna ity ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Fa ho tanteraka eo anoloanareo avokoa ireo amin'izany andro izany.
\s5
\v 17 Fa hamonjy anao Aho amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh—ary tsy ho atolotra eo an-tanan'ny olona izay atahoranao ianao.
\v 18 Fa hanavotra anao tokoa Aho. Tsy ho lavon-tsabatra ianao. Hanavotra ny ainao ianao, satria matoky Ahy—izany no fanambaran'i Yaveh."'
\s5
\c 40
\p
\v 1 Tonga tamin'i Jeremia ny teny avy tamin'i Yaveh taorian'ny nanafahan'i Nebozaradana ilay mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka azy tany Rama. Nahita an'i Jeremia nifatotra rojo teo amin'ireo babon'i Jerosalema rehetra sy Joda izay nentina natao sesitany tany Babylona.
\v 2 Ny lehiben'ny mpiambina naka an'i Jeremia ary nanao taminy hoe: "Nandidy izao loza izao ho an'ity toerana ity i Yaveh Andriamanitrao.
\s5
\v 3 Koa nanatanteraka izany i Yaveh. Nanao araka izay nambarany Izy, satria ianareo ry vahoaka dia nanota taminy ary tsy nankatò ny feony. Izany no antom-pisian'izao zavatra izao aminareo ry vahoaka.
\v 4 Fa indro ankehitriny, manafaka anao amin'ny rojo izay eny an-tananao aho anio. Raha sitrakao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia andao, ary hikarakara anao aho. Fa raha tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia aza atao izany. Jereo ny tany rehetra manoloana anao. Ka mandehana amin'izay tsara izay mety eo imasona."
\s5
\v 5 Rehefa tsy namaly Jeremia, dia hoy Nebozaradana hoe: "Mandehana any amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana, izay nampiandraiketin'ny mpanjakan'i Babylona ny tanànan'i Joda. Miaraha mipetraka aminy eo amin'ireo vahoaka na mandehana any amin'izay sitrakao andehanana." Nanome sakafo sy fanomezana ho azy ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, ary avy eo dia nandefa azy.
\v 6 Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, tany Mizpa i Jeremia. Niara-nipetraka taminy teo amin'ireo vahoaka izay sisa velona tamin'ilay tany izy.
\s5
\v 7 Ary raha mbola tany ambanivohitra ny mpifehin'ireo miaramila Jodeana—izy ireo sy ireo olony—dia nahare fa efa nanao an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama, ho governoran'ny tany ny mpanjakan'i Babylona. Ren'izy ireo ihany koa fa efa nampiandraiketiny azy ireo lehilahy, ireo vehivavy, ary ireo zaza izay olona mahantra indrindra teo amin'ilay tany, ireo izay tsy natao sesitany tany Babylona.
\v 8 Koa dia nandeha tany amin'i Gedalia tany Mizpa izy ireo. Ireo lehilahy ireo dia Ismaela zanaka lahin'i Netania; Johanana sy Jonatana, zanaka lahin'i Karea; Seraia zanaka lahin'i Tanometa; ireo zanaka lahin'i Efay Neofatita; ary Jazania zanaka lahin'ilay Makatita_izy ireo sy ny olony.
\s5
\v 9 Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana dia nanao fianianana tamin'izy ireo sy ny olony ary nanao tamin'izy ireo hoe: "Aza matahotra ny hanompo ny manam-pahefan'ny Kaldeana. Mitoera eo amin'ilay tany ka tompoy ny mpanjakan'i Babylona, ary hahita soa ianareo.
\v 10 Indro, honina any Mizpa aho mba hihaona amin'ireo Kaldeana izay tonga teto amintsika. Koa mamokara divay, voka-pahavaratra, sy diloilo ary tehirizo ao amin'ny fitehirizanareo ireo. Mitoera amin'ny tanàna izay efa nisy anareo."
\s5
\v 11 Ary ny Jiodeana rehetra tany Moaba, teo amin'ireo vahoakan'i Amona, sy ny tao Edoma, ary izay tao amin'ny tany rehetra dia nandre fa namela ny Joda sisa tavela hijanona ny mpanjakan'i Babylona, izay nanendreny an'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana teo amin'izy ireo.
\v 12 Koa dia niverina avy tany amin'ny toerana izay nanaparitahany avy ny Jodeana rehetra, ho any Gedalia tany Mizpa. Namokatra divay sy voka-pahavaratra maro dia maro izy ireo.
\s5
\v 13 Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo mpifehy tafika rehetra tany an-tsaha tonga tao amin'i Gedalia tany Mizpa.
\v 14 Hoy izy ireo taminy hoe: "Moa fantatrao ve fa i Balisa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona no nandefa an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania mba hamono anao?" Kanefa i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama tsy nino azy ireo.
\s5
\v 15 Koa dia niteny mangina tamin'i Gedalia i Johanana zanaka lahin'i Karea ary nanao taminy hoe: "Mamelà ahy handeha hamono an'i Ismaela zanaka lahin'i Netania. Tsy hisy hiahiahy ahy. Nahoana izy no hamono anao? Nahoana no navela hiparitaka ny Joda rehetra izay efa niangona teo aminao ary ireo sisa tavela tao Joda rehetra ho rava?"
\v 16 Fa Gedalia zanaka lahin'i Ahikama niteny tamin'i Johanana zanaka lahin'i Karea hoe: "Aza manao izany zavatra izany, fa miampanga lainga momba an'i Ismaela ianao."
\s5
\c 41
\p
\v 1 Ary tamin'ny volana fahafito dia tonga tany amin'i Gedalia zanak'i Ahikama, tany Mizpa i Isimaela zanak'i Netania zanak'i Elisama, avy amin'ny fianakavian'ny mpanjaka, sy ny sasany tamin'ny manam-boninahitry ny mpanjaka—olona folo no niaraka taminy. Niara nihinana sakafo tany Mizpa izy ireo.
\v 2 Fa Isimaela zanak'i Netania, ary ireo olona folo izay niaraka taminy dia nitsangana ary nanafika an'i Gedalia zanak'i Ahikama zanak'i Safana, tamin'ny sabatra. Novonoin'i Isimaela i Gedalia, izay napetraky ny mpanjakan'i Babylona hiandraikitra ny tany.
\v 3 Ary novonoin'ny Isimaela ireo Jiosy rehetra izay niaraka tamin'i Gedalia tany Mizpa sy ireo Kaldeana mpiady hita tao.
\s5
\v 4 Ary tonga ny andro faharoa taorian'ny namonoana an'i Gedalia, saingy tsy nisy nahalala.
\v 5 Ny sasany tamin'ireo olona dia tonga avy any Sekema, avy any Silo, ary avy any Samaria—olona valopolo izay nanarata ny volombavany, nandriatra ny ankajony, ary nandidy ny tenany—niaraka tamin'ny fanatitra hoanina sy emboka manitra teny an-tanan'izy ireo mba handehanana ao amin'ny tranon'i Yaveh.
\s5
\v 6 Koa niala tao Mizpa i Isimaela zanak'i Natania mba hitsena azy ireo teny am-pandehanana, sady nitomany. Ary raha nihaona tamin'izy ireo iny izy, dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mandehana any amin'i Gedalia zanak'i Ahikama!"
\v 7 Ary rehefa tonga tany amin'ny tanàna izy ireo, dia novonoin'i Isimaela zanak'i Netania sady nariany tao an-davaka izy ireo, izy sy ireo olona niaraka taminy.
\s5
\v 8 Kanefa nisy olona folo tamin'izy ireo nilaza tamin'i Isimaela hoe: "Aza mamono anay, fa misy vatsinay any an-tsaha: vary hordea, menaka sy tantely." Koa tsy novonoiny niaraka tamin'ireo namany hafa izy ireo.
\v 9 Ny famorian-drano izay nandatsahan'i Isimaela ny maty rehetra izay novonoiny, dia famorian-drano lehibe izay nohadian'i Asa Mpanjaka ho fiarovana hanoherana an'i Basa mpanjakan'ny Israely. Nofenoin'i Isimaela zanak'i Natania an'ireo faty izany.
\s5
\v 10 Avy eo dia nosamborin'i Isimaela ireo olona rehetra izay tany Mizpa, ireo zanaka vavin'ny mpanjaka sy ireo olona rehetra izay sisa tavela tany Mizpa izay efa notendren'i Nebozaradana lehiben'ny mpiambina ho an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Koa nisambotra azy ireo i Isimaela zanak'i Natania ary nandeha nanavatsava teo amin'ny olon'i Amona.
\s5
\v 11 Fa i Johanana zanak'i Karea sy ireo mpifehin'ny tafika niaraka taminy dia nandre ny loza rehetra izay nataon'i Isimaela zanak'i Natania.
\v 12 Koa nalain'izy ireo ny olony rehetra ary nentiny hiady hanohitra an'i Isimaela zanak'i Natania. Hitan'izy ireo tany amin'ny dobo lehiben'i Gibeona izy.
\s5
\v 13 Ary rehefa hitan'ny olona rehetra izay niaraka tamin'i Isimaela i Johanana zanak'i Karea sy ireo mpifehin'ny tafika rehetra niaraka taminy, dia tena faly izy ireo.
\v 14 Koa nitodika ireo olona rehetra izay nosamborin'Isimaela tao Mizpa ka nandeha tany amin'i Johanana zanak'i Karea.
\s5
\v 15 Fa nandositra niaraka tamin'ny lehilahy valo avy tany Johanana i Isimaela zanak'i Netania. Nankany amin'ny vahoakan'i Amona izy.
\v 16 Nalain'i Johanana zanak'i Karea avy any Mizpa ireo olona rehetra izay navotana tamin'i Isimaela zanak'i Netania. Izany dia taorian'ny namonoan'Isimaela an'i Gedalia zanak'i Ahikama. Naka ireo lehilahy mahery, ireo lehilahy mpiady, ireo zaza amam-behivavy, ary ireo tandapa izay avotra tao Gibeona i Johanana sy ireo namany.
\s5
\v 17 Dia nandeha izy ireo ka nitoetra fotoana fohy tany Gerota Kimama, izay teo akaikin'i Betlehema. Nandeha tany Egypta izy ireo noho ireo Kaldeana.
\v 18 Izy ireo dia natahotra azy ireo satria novonoin'i Isimaela zanak'i Netania i Gedalia zanak'i Ahikama, izay nampiandraiketan'ny mpanjaka ilay tany.
\s5
\c 42
\p
\v 1 Dia nanatona an'i Jeremia mpaminany ny mpifehy tafika rehetra sy i Johanana zanaka lahin'i Karea, Jazania zanaka lahin'i Hosaia, sy ny vahoaka rehetra nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.
\v 2 Hoy izy ireo taminy hoe: "Aoka ho tonga eo anatrehanao ny talahonay. Mivavaha ho anay amin'i Yaveh Andriamanitrao noho ireo vahoaka sisa ireo satria vitsy anisa loatra izahay, araka izao hitanao izao.
\v 3 Lazao i Yaveh Andriamanitrao mba hiteny aminay ny lalana tokony halehanay sy izay tokony hataonay."
\s5
\v 4 Koa dia hoy Jeremia mpaminany tamin'izy ireo hoe: "Efa reko ianareo. Indro, hivavaka amin'i Yaveh Andriamanitrareo araka izay efa nangatahinareo aho. Na inona na inona havalin'i Yaveh, dia ho teneniko aminareo. Tsy hihazona na inona na inona aminareo aho."
\v 5 Hoy izy ireo tamin'i Jeremia hoe: "Yaveh anie ho vavolombelona marina sy tsy mivadika ho antsika raha tsy manao izay rehetra lazain'i Yaveh Andriamanitrao ho ataonay izahay."
\v 6 Na ho tsara na ho ratsy izany, dia hankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay, izay hanirahanay anao, mba hahasoa anay rehefa mankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitray izahay."
\s5
\v 7 Tamin'ny fiafaran'ny andro fahafolo, dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh.
\v 8 Koa dia niantso an'i Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo mpifehy tafika miaraka aminy rehetra i Jeremia, ary ny vahoaka rehetra nanomboka tamin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra.
\v 9 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely—izay nanirahanareo ahy mba ahafahako mametraka ny talahonareo eo anatrehany—manao hoe:
\v 10 "Raha miverina sy mitoetra eto amin'ity tany ity ianareo, dia hanarina anareo Aho fa tsy hamotika anareo; hamboly anareo Aho fa tsy hanongotra anareo, fa hanala ny loza izay efa nentiko teo aminareo Aho.
\s5
\v 11 Aza matahotra ny mpanjakan'i Babylona, izay atahoranareo. Aza matahotra azy—izany no fanambaran'i Yaveh—satria Izaho momba anareo mba hamonjy sy hanavotra anareo eny an-tanany. Fa Izaho hanome anareo famindram-po.
\v 12 Hanana fangoraham-po aminareo Aho, ary Izaho hitondra anareo hiverina amin'ny taninareo.
\s5
\v 13 Nefa raha hoy ianareo hoe: "Tsy hitoetra eto amin'ity tany ity izahay"—raha tsy mihaino ny feoko, izay feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo.
\v 14 Raha hoy ianareo hoe: "Tsia! Handeha ho any amin'ny tany Egypta izahay, izay tsy hahitanay ady, izay tsy handrenesanay ny feon'ny trompetra, ary tsy ho noana hanina izahay. Hitoetra any izahay."
\s5
\v 15 Ankehitriny mihainoa izao tenin'i Yaveh izao, ianareo izay sisan'i Joda. Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza hoe: "Raha hiainga handeha ho any Egypta tokoa ianareo, handeha sy hitoetra any,
\v 16 dia hanenjika anareo any amin'ny tany Egypta ny sabatra izay atahoranareo. Hanaraka anareo any ny mosary izay ahianareo, ka ho faty any ianareo.
\v 17 Ary ny lehilahy rehetra izay niainga ho any Egypta mba hitoetra any dia ho fatin'ny sabatra, mosary, na areti-mandringana. Tsy hisy sisa velona izy ireo, tsy hisy ho afa-mandositra ny fahavoazana izay entiko izy ireo.
\s5
\v 18 Fa milaza izao Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, hoe: "Toy ny firotsaky ny fahatezerako sy ny fahavinirako teo amin'ny mponin'i Jerosalema, dia tahaka izany koa ny fomba hirotsahan'ny fahatezerako aminareo raha mandeha any Egypta ianareo. Ho tonga zava-panozonana sy horohoro ianareo, zavatra hitenenana ozona, ary zavatra tsy mendrika, ka tsy ho hitanareo intsony izao toerana izao.'"
\v 19 Dia hoy i Jeremia hoe: "Yaveh dia efa niteny mahakasika anareo—ianareo izay sisan'i Joda. Aza mandeha any Egypta! Fantatrareo tokoa fa efa vavolombelonareo Aho androany.
\s5
\v 20 Fa namitaka mafy ny tenanareo ianareo rehefa nandefa ahy ho any amin'i Yaveh Andriamanitrareo ka niteny hoe: 'Mivavaha amin'i Yaveh Andriamanitsika ho anay. Izay rehetra lazain'Andriamanitra, dia ambarao anay, ary dia ho tanterahinay izany.'
\v 21 Fa efa notateriko taminareo androany, nefa ianareo tsy mba nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo na tamin'ny zavatra momba izay nanirahany ahy ho aminareo.
\v 22 Koa ankehitriny, tokony ho fantatrareo tokoa fa ho fatin'ny sabatra, mosary, ary areti-mandringana ianareo any amin'ny tany izay irianareo hitoerana."
\s5
\c 43
\p
\v 1 Ary nifarana ny fanambaran'i Jeremia ny teny rehetra an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo izay nolazainy taminy mba ho teneniny amin'ny vahoaka rehetra.
\v 2 Azaria zanaka lahin'i Hosaia, Johanana zanaka lahin'i Karea, ary ny olona miavonavona rehetra dia niteny tamin'i Jeremia hoe: "Milaza lainga ianao. Yaveh Andriamanitray dia tsy naniraka anao hilaza hoe: 'Aza mandeha mitoetra any Egypta.'
\v 3 Fa i Baroka zanaka lahin'i Neria dia niantsy anao hanohitra anay mba hanafaka anay eo an-tanan'ireo Kaldeana, satria ianao no mahatonga ny fahafatesanay ary manao anay ho babo any Babylona."
\s5
\v 4 Koa nandà ny hihaino ny feon'i Yaveh mba hitoetra any amin'ny tanin'i Joda i Johanana zanaka lahin'i Karea, ireo andrian'ny tafika rehetra, ary ireo vahoaka rehetra.
\v 5 Johanana zanaka lahin'i Karea sy ireo lehiben'ny tafika rehetra dia nitondra izay tavela rehetra tamin'i Joda izay niverina avy any amin'ny firenena rehetra tany amin'izay nanaparitahana azy ireo mba hitoetra any amin'ny tanin'ny Joda.
\v 6 Nalain'izy ireo ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy sy ireo zanaka vavin'ny mpanjaka, ary ny olona rehetra izay navelan'i Nebozaradana, mpifehy ireo mpiambin'ny mpanjaka tamin'i Gedalia zanaka lahin'i Ahikama zanaka lahin'i Safana. Nalain'izy ireo ihany koa i Jeremia mpaminany sy i Baroka zanaka lahin'i Neria.
\v 7 Nankany amin'ny tany Egypta izy ireo, any Tapanesa, satria izy ireo dia tsy nihaino ny feon'i Yaveh.
\s5
\v 8 Ka tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Yaveh tany Tapanesa, nanao hoe:
\v 9 'Mandraisa vato lehibe maromaro amin'ny tananao, ary, afeno eo imason'ny vahoakan'i Joda ao amin'ny fetan'ny rarivato eo amin'ny fidirana mankany amin'ny tranon'i Farao any Tapanesa ireo."
\v 10 Ary lazao izy ireo hoe: 'Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, milaza izao: 'Indro, handefa iraka haka an'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona toy ny mpanompoko Aho. Ho apetrako eo amin'ireo vato ireo ny seza fiandrianany izay nalevinao, ry Jeremia. Hametraka ny lainy eo amin'izy ireo i Nebokadnezara.
\s5
\v 11 Fa ho avy izy ary hanafika ny tanin'i Egypta. Izay voatendry ho faty dia ho atolotra ho vonoina. Izay voatendry ho babo dia hotratra babo. Izay voatendry ho amin'ny sabatra dia homena ny sabatra.
\v 12 Dia handrehitra afo eo amin'ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta aho. Nebokadnezara dia handoro azy ireo na hisambotra azy ireo. Hanadio ny tanin'i Egypta tahaka ireo mpiandry ondry manadio ny bibikely amin'ny akanjon'izy ireo izy. Dia hivoaka amin'izany toerana izany amin'ny fandresena izy.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Handrehitra ny afo aho", ny dikan-teny sasany taloha sy vaovao kosa dia misy hoe: "Handrehitra afo izy." \f*
\v 13 Hamotika ny tsangam-bato any Neopolisa any amin'ny tanin'i Egypta izy. Handoro ny tempolin'ireo andriamanitr'i Egypta izy.'"
\s5
\c 44
\p
\v 1 Ny teny izay tonga tamin'i Jeremia mahakasika ny Jiosy rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta, dia ireo olona nitoetra tao Migdola, Tapanesa, Memfisa, ary tao amin'ny tany Patrosa.
\v 2 "Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao izao: Ianareo mihitsy no efa nahita ireo loza rehetra izay nentiko tamin'i Jerosalema sy ny tanànan'ny Joda rehetra. Indro, rava izy ireo ankehitriny. Tsy misy olona mipetraka ao amin'izy ireo.
\v 3 Izany dia nohon'ireo zavatra ratsy nataon'izy ireo mba hanafintohinana Ahy tamin'ny nandehanany nandoro ditin-kazo manitra sy nanompoany ireo andriamanin-kafa. Ireo dia andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo, na ianareo, na ireo razambenareo.
\s5
\v 4 Ka nirahiko matetika ho any amin'izy ireo mpanompoko mpaminany rehetr. Nirahiko izy ireo mba hiteny hoe: 'Atsaharo ny fanaovana izao zava-betaveta izay halako izao.'
\v 5 Nefa tsy nihaino izy ireo. Nandà tsy hihaino izy ireo na niala tamin'ny faharatsiany tamin'ny fandorana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa.
\v 6 Koa niraraka ny fahavinirako sy ny fahatezerako ary nandrehitra afo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Koa nanjary faharavana sy fahapotehana, tahaka ny amin'izao andro anio izao ireo."
\s5
\v 7 "Koa ankehitriny, dia milaza izao Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro sy Andriamanitr'Israely: "Nahoana no manao faharatsiana lehibe amin'ny tenanareo ianareo? Nahoana ianareo no manao izay hahafongotra anareo amin'ireo Joda—dia ireo vehivavy sy lehilahy, ireo ankizy sy zaza? Tsy hisy ho tavela aminareo.
\v 8 Tamin'ny faharatsianareo no nanafintohinanareo Ahy noho ireo asan'nny tananareo, tamin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa tany amin'ny tany Egypta, izay nandehananareo hitoerana. Nandeha tany ianareo mba ho potehina, mba hanozonana sy hanalana baraka anareo eo amin'ireo firenen'ny tany rehetra.
\s5
\v 9 Moa ve adinonareo ny faharatsiana nataon'ireo razambenareo sy ny faharatsiana nataon'ireo mpanjakan'i Joda sy ireo vadiny? Moa ve adinonareo ny ratsy nataonareo sy ny vadinareo tany amin'ny tanin'ny Joda sy ireo lalamben'i Jerosalema?
\v 10 Mandrak'androany, dia tsy mbola nanetry tena izy ireo. Tsy manaja ny lalàko na ireo didiko izay napetrako teo anoloan'izy ireo sy ny razambeny izy ireo, na mandeha amin'ireny."
\s5
\v 11 Noho izany Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza izao: "Indro, efa hanapa-kevitra ny hanandrina ny tavako aminao Ah.
\v 12 Fa halaiko ny tavela amin'ny Joda izay navoaka handeha ho any amin'ny tany Egypta mba hitoetra any. Hataoko izany mba hahafatesan'izy rehetra any amin'ny tany Egypta. Ho lavon'ny sabatra sy mosary izy ireo. Manomboka amin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra dia ho fatin-tsabatra sy mosary. Ho faty izy ireo ary ho tonga zavatra fianianana, fanozonana, fandatsana, ary zavatra mampihorohoro.
\s5
\v 13 Fa hanafay ny olona monina ao amin'ny tany Egypta tahaka ny nanafaizako an'i Jerosalema tamin'ny tsabatra, mosary, ary aretin-mandringana Aho.
\v 14 Tsy hisy ho tafatsoaka na ho velona ireo sisan'ny Joda izay andeha mba hitoetra any ao amin'ny tany Egypta no ho tafaverina ao amin'ny tanin'i Joda, na dia te hiverina sy hitoetra any aza izy ireo. Tsy misy ho tafaverina izy ireo, afa-tsy izay vitsy handositra hiala eto."
\s5
\v 15 Ary ny lehilahy rehetra izay nahalala fa nandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanin-kafa ny vadin'izy ireo, sy ny vehivavy rehetra izay tao amin'ny fiangonana lehibe, ary ny olona rehetra izay nipetraka tany amin'ny tany Egypta tany Patrosa dia namaly an'i Jeremia.
\v 16 Hoy izy ireo: "Momba ny teny izay nambaranao taminay tamin'ny anaran'i Yaveh—dia tsy hihaino anao izahay.
\v 17 Fa ho ataonay avokoa ny zavatra rehetra izay nolazainay fa ho ataonay—dia handoro ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary handraraka fanatitra sotroina ho azy tahaka ny nataonay, ireo razambenay, ireo mpanjakanay, ary ireo mpitarikay tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema. Dia ho voky sakafo izahay ka ho ambinina, no sady tsy hiharan-doza.
\s5
\v 18 Raha nitsahatra tsy manao ireo zavatra ireo izahay, tsy nanolotra ditin-kazo manitra ho an'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra ary tsy nandraraka fanatitra sotroina ho azy, dia nijaly tamin'ny fahantrana izahay ary ho fatin-tsabatra sy mosary."
\v 19 Hoy ireo vehivavy: "Rehefa manao fanatitra ditin-kazo manitra eo anoloan'ny Mpanjakavavin'ny Lanitra izahay ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy, moa ve hanohitra ny vadinay no nanaovanay ireo zavatra ireo, manao mofomamy amin'ny endriny ary mandraraka fanatitra sotroina ho azy?"
\s5
\v 20 Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra—tamin'ny lehilahy sy ny vehivavy, ary tamin'ny vahoaka rehetra izay namaly azy—nanambara izy ka nanao hoe:
\v 21 "Moa ve tsy tsaroan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra izay nodoranareo tao amin'ireo tanànan'i Joda sy ireo lalan'i Jerosalema—ianareo sy ireo razambenareo, ireo mpanjakanareo sy ireo mpitarika, ary ny mponin'ny tany rehetra? Fa efa nahatsiaro izany Yaveh; tonga tao an'eritreriny izany.
\s5
\v 22 Koa tsy zakany intsony izany nohon'ny fanaovan-dratsinareo, nohon'ny fahavetavetana izay nataonareo. Dia hanjary ho lao, ho horohoro, ary ho ozona ny taninareo mba tsy hisian'ny mponina tahaka izao andro anio izao intsony.
\v 23 Satria nandoro ditin-kazo manitra ary nanota tamin'i Yaveh ianareo, ary satria tsy nihaino ny feony, ny lalàny, ny fitsipiny, na ireo lalàn'ny fanekeny ianareo, dia nitranga taminareo izao loza izao tahaka izao andro anio izao."
\s5
\v 24 Dia hoy Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra sy ny vehivavy rehetra: "Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay ao amin'ny tany Egypta.
\v 25 Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, manao hoe: 'Ianareo sy ny vadinareo dia efa samy nilaza tamin'ny vavanareo ary nanatanteraka tamin'ny tananareo izay nolazainareo hoe: "Hotanterahinay tokoa ireo voady izay nataonay hanompoana ny Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba handraraka fanatitra sotroina ho azy." Ankehitriny efao ny voadinareo; tanteraho ireo.'
\s5
\v 26 Koa dia, mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ry Joda rehetra izay mitoetra ao amin'ny tany Egypta, 'Indro, efa nianiana tamin'ny anarako lehibe Aho—hoy Yaveh. Tsy ho antsoina amin'ny vavan'ireo olon'i Joda ao amin'ny tany Egypta rehetra intsony ny anarako, dia ianareo izay miteny ankehitriny hoe: "Raha velona koa ny Tompo Yaveh."
\v 27 Indro, miambina azy ireo ho amin'ny loza fa tsy ho amin'ny soa Aho. Ny olon'i Joda rehetra ao amin'ny tany Egypta dia ho fatin-tsabatra sy mosary mandra-pahatapitra azy rehetra.
\v 28 Ary ireo tsy matin-tsabatra dia hiverina avy ao amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tanin'ny Joda, ny vitsy an'isa amin'izy ireo ihany. Koa ny tavela tamin'ny Joda rehetra izay nandeha tany amin'ny tany Egypta mba honina any dia hahafantatra hoe ny tenin'iza no ho tanteraka: ny ahy sa ny azy ireo.
\s5
\v 29 Izao no ho famantarana ho anareo—izany no fanambaran'i Yaveh—fa hanohitra anareo ao amin'izany toerana izany Aho, mba ahafantaranareo fa hamely anareo amin'ny loza tokoa ny teniko.'
\v 30 Izao no lazain'i Yaveh: 'Indro, efa hanolotra an'i Farao-Hofra mpanjakan'i Egypta eo an-tanan'ireo fahavalony sy eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy Aho. Izany dia ho tahaka izay nanolorako an'i Zedekia mpanjakan'ny Joda teo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona, ilay fahavalony izay nifofo ny ainy."
\s5
\c 45
\p
\v 1 Ity no teny izay nolazain'i Jeremia mpaminany tamin'i Baroka zanaka lahin'i Neria. Rehefa nanoratra ireto teny notononin'i Jeremia ireto izy—tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'i Joda izany, ary hoy izy hoe:
\v 2 "Yaveh, Andriamanir'Israely; dia milaza izao aminao, ry Baroka:
\v 3 Nilaza ianao hoe: 'Idiran-doza aho, satria nampian'i Yaveh fahoriana ny fanaintainako. Nandreraka ahy ny sentoko; tsy nahita fitsaharana aho.'
\s5
\v 4 Izao no tsy maintsy lazainao aminy: 'Yaveh dia milaza izao: Indro ho simbaiko izay nahoriko. Hongotako izay namboleko—ho ataoko manerana ny tany rehetra izany.
\v 5 Fa moa ve ianao manantena zavatra lehibe ho an'ny tenanao? Aza manantena an'izany. Fa indro, loza no ho avy amin'ny olombelona rehetra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa homeko anao ho toy ireo halatrao eny amin'izay rehetra ho alehanao eny ny fiainanao.'"
\s5
\c 46
\p
\v 1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany mahakasika ireo firenena.
\v 2 Ho an'i Egypta: "Momban'ny tafik'i Farao-neko, mpanjakan'i Egypta izay any Karkemisy amoron'ny onin'i Eofrata izao. Ity ilay tafika izay resin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona tamin'ny fahefa-taona nanjakan'i Joakima zanaka lahin'i Josia, mpanjakan'ny Joda:
\v 3 Ataovy vonona ireo ampinga kely sy ireo ampinga lehibe, ary mandehana mandroso hiady.
\v 4 Apetraho eo ambonin'ny soavaly ireo fiadiana; miakara eo ambonin'ny soavaly ary raiso ny tsangananao miaraka amin'ny aro-loha eo amboniny; ranito ny lefonao ary apetraho eo amin'ny akanjo fiarovanao.
\s5
\v 5 Fa inona izao hitako izao? Feno tahotra izy ireo ary mitsoaka, satria resy ny miaramilan'izy ireo. Mitsoaka hitady fiarovana izy ireo ka tsy mijery izay ao aoriana. Eny amin'ny manodidina rehetra eny ny horohoro—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 6 tsy afa-mitsoaka ireo haingam-pandeha, ary tsy afa-mitsoaka ireo miaramila. Tafintohina tany avaratra izy ireo ary lavo teo akaikin'ny Onin'i Eofrata.
\s5
\v 7 Iza ity miakatra tahaka an'i Neily ity, izay misamboaravoara miakatra sy midina tahaka ny renirano ny onjany?
\v 8 Miakatra tahaka an'i Neily i Egypta, tahaka ny onja izay miakatra sy midina. Hoy i Egypta hoe: 'Hiakatra aho ary hanarona ny tany. Hanimba ireo tanàna sy ireo mponiny aho.
\v 9 Miakàra, ry soavaly. Aoka ho tezitra, ianareo ry kalesy. Aoka hivoaka ireo miaramila, Kosy sy Pota, ireo lehilahy manam-pahaizana manokana amin'ny fampiasana ampinga, ary Loda, lehilahy manam-pahaizana amin'ny fanenjanana ny tsipìkan'izy ireo.'
\s5
\v 10 Tamin'io andro io no andron'ny valifatIn'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro, ary hamaly faty ireo fahavalony ho an'ny tenany izy. Handrapaka ny sabatra ka ho afa-po. Hisotro ny rà miboboka an'izy ireo izany. Fa hisy sorona ho an'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro any amin'ny tany avaratra amoron'ny Onin'i Eofrata
\s5
\v 11 Miakàra any Gileada ary mangalà fanafody, ry zanaka vavy virijinin'i Egypta. Tsy misy dikany ny nametahanao fanafody maro tamin'ny tenanao. Tsy misy fanafana ho anao.
\v 12 Nandre ny fahafaham-barakanao ireo firenena. Feno ny fitomanianao ny tany, fa nifandona tamin'ny miaramila iray ny miaramila iray; niara-lavo izy roa ireo."
\s5
\v 13 Izao no tenin'i Yaveh nolazaina tamin'i Jeremia mpaminany rehefa tonga sy nanafika ny tany Egypta i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona:
\v 14 "Ambarao ao Egypta, ary ambarao ao Migdola, Memfisa, ary Tapanesa izany. 'Raiso ny toeranao ary homano ny tenanao, fa handrapaka ireo manodidina anao ny sabatra.'
\s5
\v 15 Nahoana ireo maherinao no lavo amin'ny tany? Tsy hitsangana izy ireo, satria Izaho, Yaveh, no nanosika azy ireo ho amin'ny tany.
\v 16 Mampitombo ny isan'ireo tafintohina Izy. Ny miaramila tsirairay dia mifandimby lavon'ny hafa. Hoy izy ireo hoe: 'Mitsangàna. Andeha isika hody. Andeha isika hiverina any amin'ireo olontsika, any amin'ny tany nahaterahantsika. Andeha isika hamela ity sabatra izay mamely antsika ity.'
\v 17 Nanambara tany izy ireo hoe: 'Farao mpanjakan'ny Joda dia tabataba fotsiny ihany, ilay iray izay namela ny irikany ho lasa fotsiny.'
\s5
\v 18 Raha mbola velona koa Aho—nanambara ny Mpanjaka, izay ny anarany dia i Yaveh tompon'ny maro—dia hisy olona iray izay ho tonga tahaka ny Tendrombohitra Tabara sy Tendrombohitra Karmela amoron'ny ranomasina.
\v 19 Omano ny entana ho entinareo any an-tsesitany, ianareo izay mipetraka any Egypta. Fa ho foana i Memfisa, handry amin'ny faharavana izy ary tsy hisy na iza na iza hipetraka any.
\s5
\v 20 Egypta dia ombivavy tanora tsara tarehy tokoa, kanefa hisy bibikely manindrona ho tonga avy any avaratra. Ho avy izany.
\v 21 Ireo miaramila nokaramaina eo anelanelany dia tahaka ny ombilahy matavy, fa izy ireo ihany koa anefa dia hihodina ary hitsoaka. Tsy hiara-hitsangana izy ireo, satria tonga ny andron'ny loza hamely azy ireo, ny fotoan'ny sazin'izy ireo.
\v 22 Misioka tahaka ny bibilava i Egypta, ary mandady, fa ireo fahavalony kosa dia mizotra hanohitra azy ireo. Mankeny amin'izy ireo tahaka ny mpanapaka hazo miaraka amin'ny famaky izy ireo.
\s5
\v 23 Hanapaka ny ala izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—na dia mikitroka tokoa aza izany. Fa ho maro noho ireo valala ireo fahavalo, tsy tambo isaina.
\v 24 Ho afa-baraka ny zanaka vavin'i Egypta. Ho atolotra eo an-tanan'ny vahoaka avy any avaratra izy."
\s5
\v 25 Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, dia milaza hoe: "Indro, eo andalam-pamaizana an'i Amona avy any Teba, Farao, Egypta sy ireo andriamaniny, ireo Farao mpanjakany, ary ireo izay matoky azy ireo Aho.
\v 26 Ho atolotra eo an-tanan'ireo izay mifofo ny ainy izy ireo, ary eo an-tanan'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo mpanompony. Aorian'izany dia tsy ho azo hipetrahana tahaka ny tamin'ny andro taloha i Egypta—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 27 Fa ianao, ry Jakoba mpanompoko, dia aza matahotra. Aza raiki-tahotra, ry Israely, fa indro, hamerina anao avy lavitra Aho, ary ny zanakao avy any amin'ny tany naha-babo azy ireo. Dia hiverina i Jakoba avy eo, hahita fiadanana, ary ho voaaro, ka tsy hisy na iza na iza hampihorohoro azy.
\v 28 Ianao, ry Jakoba mpanompoko, aza matahotra—izany no fanambaran'i Yaveh—fa miaraka aminao Aho, ka hitondra faharavana tanteraka amin'ireo firenena rehetra izay hampielezako anao Aho. Fa tsy hanimba anao tanteraka Aho. Hibedy anao araka ny rariny Aho ary tsy hamela anao ho afa-tsazy."
\s5
\c 47
\p
\v 1 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany mahakasika an'ireo Filistina. Izao teny izao dia tonga taminy talohan'ny nanafihan'i Farao an'i Gaza.
\v 2 Yaveh dia milaza izao: "Indro, miakatra ny tondra-drano any avaratra. Ho toy ny renirano manafotra izany! Ary hanafotra ilay tany sy ny zavatra rehetra ao amin'izany izy ireo, ireo tanànany sy ireo mponiny izany! Noho izany ny olona rehetra dia hihiaka fanampiana, ary hitomany ireo mponina rehetra ao amin'ilay tany.
\s5
\v 3 Tamin'ny feon'ny fikatrokatrokin'ny kitron'ny soavaly matanjak'izy ireo, tamin'ny fieron'ireo kalesin'izy ireo sy ny tabataban'iny kodian'izy ireo, ireo razambe dia tsy hanampy ireo zanany noho ny fahalemen'izy ireo manokana.
\v 4 Fa avy ny andro izay handravana an'ireo Filistina rehetra, mba handringanana ao Tyro sy Sidona ny sisa velona rehetra izay te-hanampy an'izy ireo. Fa Yaveh dia mandrava an'ireo Filistina, ireo izay sisa avy amin'ny nosy Kaftora.
\s5
\v 5 Ho avy amin'i Gaza ny fahasolana. Raha ny amin'i Askelona, dia ho hampanginina ny olona izay tavela ao amin'ny lohasahany. Mandra-pahoviana no handidinareo ny tenanareo amin'ny fisaonana?
\v 6 Indrisy, ry sabatr'i Yaveh! Mandra-pahoviana no hisian'izany mandra-panginanareo? Miverena ao amin'ny fitoeranao! Mitsahara ary aza miteny.
\v 7 Ahoana no ahafahanao mangina, fa Yaveh no efa nandidy anao. Niantso anao hanafika an'i Askelona sy hanohitra ireo sisin-tany manaraka ny ranomasina Izy."
\s5
\c 48
\p
\v 1 Ho an'i Moaba, Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely dia milaza izao: "Loza ho an'i Nebo, fa efa rava izany. Nosamborina i Kiriataima ary nalaim-baraka. Potika sy afa-baraka ny fiarovany mafy.
\v 2 Tsy misy intsony ny voninahitr'i Moaba. Nitetika hanao loza ho azy ireo fahavalon'izy ireo tao Hesbona. Hoy izy ireo: 'Avia aoka isika hamotika azy tahaka ny firenena. Ho faty ihany koa i Madmena—hanenjika anareo avy ao aoriana ny sabatra.'
\s5
\v 3 Henoy! Tonga avy any Horonaima ny feon'ny hikiaka, izay misy faharavana sy fahasimbana lehibe any.
\v 4 Rava i Moaba. Hampandre ny fitarainany ireo zanany.
\v 5 Hiakatra ny havoanan'i Lohita am-pitomaniana izy ireo, fa eny amin'ny lalam-pidinan'i Horonaima, dia ho re ireo antsoantso noho ny fahasimbana.
\s5
\v 6 Mandosira! Vonjeo ny ainareo ary tongava ho toy ny kirihitr'anjavidy any an-tany efitra.
\v 7 Fa noho ny fahatokianao ireo fombanao sy ny harenao, no hisamborana anao koa. Ary i Kemosy dia handeha ho amin'ny fahababoana, miaraka amin'ireo mpisorony sy ireo mpitariny.
\s5
\v 8 Fa ho avy eny amin'ny tanàna rehetra ny mpandrava; tsy misy tanàna ho afa-mandositra. Ka ho levona ny lohasaha ary ho rava ny lemaka, araka ny nolazain'i Yaveh.
\v 9 Omeo elatra i Moaba, fa tsy maintsy hanidina tokoa izy. Ho lasa ngazana ireo tanànany, izay tsy misy na iza na iza monina ao amin'ireo.
\v 10 Aoka ho voaozona izay kamo amin'ny fanaovana ny asan'i Yaveh! Aoka ho voaozona izay mitàna ny sabany amin'ny fandatsahan-drà!
\s5
\v 11 Nahatsiaro ho voaaro i Moaba hatramin'ny naha-tanora azy. Tahaka ny divainy izay tsy mbola nararaka isaky ny vilany izy. Tsy mbola nandeha tamin'ny fahababoana izy. Noho izany dia tsara tsiro lalandava izy; mijanona tsy miova ny tsirony.
\v 12 Koa indro, ho avy ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—rehefa handefa aminy ireo izay hanilika azy sy handraraka ireo vilaniny rehetra ary hamaky ireo sininy Aho.
\s5
\v 13 Dia ho menatra an'i Kemosy i Moaba tahaka ny nahamenaran'ny ankohonan' Israely an'i Betela, ny anton'ny fahatokian'izy ireo.
\v 14 Ahoana no hilazanareo hoe: 'Izahay dia miaramila, lehilahy mpiady mahery'?
\s5
\v 15 Ho rava i Moaba ary hotafihana ireo tanànany. Fa ireo tovolahiny tsara indrindra dia efa nampidinina any amin'ny toeran'ny famonoana. Izany ny fanambaran'ny mpanjaka! Yaveh Tompon'ny maro no anarany.
\v 16 Hitranga tsy ho ela ny faharavan'i Moaba; ho avy faingana tsy ho ela ny loza.
\v 17 Ianareo rehetra manodidina an'i Moaba, mitomania; ary ianareo rehetra izay mahalala ny lazany, hiakiaho hoe: 'Loza, fa simba, ny tehana mahery, sy ny tsorakazo manam-boninahitra.'
\s5
\v 18 Midìna eny amin'ny toeranao be voninahitra ary mipetraha eo amin'ny tany maina, ianao zanaka vavy monina ao Dibona. Fa ilay handrava an'i Moaba no efa manafika anao, ilay handrava ireo fiarovanao mafy.
\v 19 Mijoroa eo amin'ny lalana ka tazano, ianareo vahoaka monina ao Aroera. Anontanio izay efa nandositra sy nitsoaka. Lazao hoe: 'Nisy inona?'
\v 20 Tonga menatra i Moaba, fa notorotoroina izy. Midradradradrà ary mitomania; mihiakiaha famonjena. Ambarao amin'ny vahoaka eo amin'ny Renirano Arnona izany fa rava i Moaba.
\s5
\v 21 Ankehitriny dia tonga ao amin'ny tany havoana ny fanasaziana, ho an'i Holona, Jahaza, ary Mefata,
\v 22 ho an'i Dibona, Nebo, sy Beti-diblataima,
\v 23 ho an'i Kiriataima, Beti-gamola, ary Beti-meona,
\v 24 ho an'i Keriota sy Bozra, ary ho an'ny tanàna rehetra amin'ny tanin'i Moaba_ireo tanàna lavitra indrindra sy ny akaiky indrindra.
\v 25 Notapahina ny tandrok'i Moaba; notapahina ny sandriny—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 26 Ataovy mamo izy, satria niasa am-pireharehana hanohitra an'i Yaveh izy. Aoka hiosinkosina amin'ny loany i Moaba, ary aoka ho antom-panesoana izy.
\v 27 Fa tsy Israely ve no lasa antom-piomehezana ho anao? Tsy hita teo amin'ireo mpangalatra ve izy, ka nanozongozonanao ny lohanao taminy tahaka ny nitenenanao ny momba azy matetika?
\s5
\v 28 Ilaozy ny tanàna ary mitobia eny amin'ireo hantsana, ry mponin'i Moaba. Tongava tahaka ny domohina izay manao ny ankaniny eny amin'ny vavan'ny lavaka eny amin'ireo vatolampy.
\v 29 Rentsika ny fireharehan'i Moaba—ny fiavonavonany, ny fiaingitrainginy, ny avonavony, ny fisehosehoany ary ny fieboeboan'ny fony.
\s5
\v 30 Izao no fanambaran'i Yaveh—Izaho ihany no mahalala ny teniny manohitra, izay tsy misy sandany, tahaka ireo asany.
\v 31 Ka hidradradradra fitomaniana ho an'i Moaba aho, ary hihiaka amin'ny alahelo ho an'i Moaba manontolo aho. Hitomany ho an'i vahoakan'i Kira-haresa Aho.
\v 32 Hitomany ho anao mihoatra noho izay nataoko ho an'i Jazera Aho, ry voalobok'i Sibma! Manavatsava ny Ranomasina Masira ny rantsanao ary mahatratra hatrany Jazera. Nanafika ny voan'ny fahavaratrao sy ny divainao ireo mpandrava.
\s5
\v 33 Ka dia nesorina lavitry ny hazo fihinam-boa sy ny tanin'i Moaba ny fankalazana sy ny hafaliana. Nanatsahatra ny famoloan-divain'izy ireo Aho. Tsy hanitsaka ny hiakiam-pifaliana izy ireo. Ny hiakiaka rehetra dia tsy ho hiakiam-pifaliana.
\s5
\v 34 Avy any Hesbona ka hatrany Elale ireo hiakiaka, re any Jahaza ny feon'izy ireo, hatrany Zoara ka hatrany Horonaima sy Elgata-selisia, fa na hatramin'ny ranon'i Nimrima aza dia maina.
\v 35 Fa hamarana ireo izay manao sorona eo amin'ny toerana avo sy mandoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamaniny ao Moaba Aho_izany ny fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 36 Ka mitomany an'i Moaba tahaka ny sodina ny foko. Mitomany tahaka ny sodina ho an'ny olona ao Kira-haresa ny foko. Lasa ireo harena izay azon'izy ireo.
\v 37 Fa sola ny loha rehetra ary niharatra ny volom-bava rehetra. Amin'ny tanana rehetra ireo ratra, ary manodidina ireo valahan'izy ireo ny lamba fisaonana.
\s5
\v 38 Misy fisaonana na aiza na aiza, dia eny amin'ny tapela-tafotrano sy eny amin'ireo toerana malalak'i Moaba. Fa nopotehako tahaka ny vilany izay tsy misy mpitia i Moaba—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 39 Endrey ny nanorotoroana izany! Endrey midradradradra amin'ny tomaniny izy ireo! Mampiodina ny lamosiny ho amin'ny henatra i Moaba! Ka ho tonga antom-pihomehezana sy fampihorohoroana ho an'ireo rehetra izay manodidina azy i Moaba."
\s5
\v 40 Fa hoy Yaveh hoe: "Indro, ho avy hanidina toy ny voromahery ireo fahavalo, mamelatra ireo elany eo ambonin'i Moaba.
\v 41 Voasamboatra i Keriota, ary babo ireo fiarovany mafy. Fa amin'izany fotoana izany dia ho tonga tahaka ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza ny fon'ireo miaramilan'i Moaba.
\s5
\v 42 Ka ho rava i Moaba ary tsy hisy vahoaka intsony, satria nanao ny tenany ho lehibe noho i Yaveh izy.
\v 43 Horohoro sy lavaka, ary fandrika no tonga eo aminareo, ry mponin'i Moaba—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 44 Izay mandositra noho ny fampihorohoroana dia hilatsaka ao anaty lavaka, ary ireo izay mihanika ny lavaka dia ho tratran'ny fandrika, fa hitondra izany eo amin'izy ireo Aho amin'ny taonan'ny valifatiko amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 45 Izay mandositra dia hijoro tsy manan-kery eo amin'ny alok'i Hesbona, fa hivoaka avy ao Hesbona ny afo, ny lelan'afo avy eo afovoan'i Sihona. Handevona ny handrin'i Moaba sy ny tampon-dohan'ny olona mpirehareha izany.
\s5
\v 46 Loza ho anao, ry Moaba! Rava ny olon'i Kemosy. Fa alain-ko babo ireo zanakao lahy ary ireo zanakao vavy ho amin'ny fahababoana.
\v 47 Fa haveriko ireo haren'i Moaba amin'ny andro farany—izany no fanambaran'i Yaveh." Tapitra eo ny fitsarana an'i Moaba.
\s5
\c 49
\p
\v 1 Raha ny momban'ny vahoakan'i Amona, izao no ambaran'i Yaveh: "tsy manan-janaka ve ny Israely? Moa tsy misy olona iray handova na inona na inona any Israely ve? Nahoana Malkana no hibodo an'i Gada, ary ny vahoakany honina any amin'ny tanànany?
\f + \ft Fanamarihana: raha toa ka "Malkana", ny dikan-teny vaovao sasany manao hoe "ny mpanjakany" \f*
\v 2 Koa indro, ho avy ny andro—izao no fanambaran'i Yaveh—rehefa hampaneno ny feo famantarana ho an'ny ady hanohitra an'i Raba eo amin'ny vahoakan'i Amona Aho, koa ho tonga atontan-paharavana izany ary ny zana-bohitrany dia ho dorana amin'ny afo. Fa Israely hanana ireo izay tsy nananany," Hoy Yaveh.
\s5
\v 3 "Midradradradrà amin'ny fitarainana, ry Hesbona, fa ho rava i Ay! Mihikià, ry zanaka vavin'i Raba! Manaova lamba fisaonana. Manaova fitarainana ary mihazakazaha fahatany, fa i Malkana dia ho lasan-ko babo, miaraka amin'ireo mpisorony sy mpitarikany rehetra.
\v 4 Nahoana ianao no mirehareha amin'ireo lohasahanao, ireo lohasahanao izay tena mahavokatra be, ry zanaka vavy tsy manam-pinoana? Ianao izay mitoky amin'ny harenao ka manao hoe, 'Iza no ho avy hanohitra ahy?'
\s5
\v 5 Indro, hitondra fampihorohorona aminao Aho—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—izany fampihorohorona izany dia ho tonga amin'ireo izay manodidina anao rehetra. Ny tsirairay aminareo dia hiparitaka manoloana izany. Tsy hisy na iray aza hanangona ireo izay mitsoaka.
\v 6 Nefa aorin'izany dia hamerina ireo harenan'ny vahoakan'i Amona Aho—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 7 Ny amin'i Edoma, izao no ambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: "tsy misy fahendrena intsony ve hita ao Temana? Nisy toro-hevitra tsara ve avy amin'ireo izay nanana fahazavan-tsaina? Niha-simba ve ny fahendren'izy ireo?
\v 8 Mandosira! miverena! mitoera any an-davaky ny tany, ry mponin'i Dedana. Fa mitondra ny lozan'i Esao eo aminy Aho amin'ny fotoana izay hamaizako azy.
\s5
\v 9 Raha tonga aminao ny mpioty voaloboka, moa tsy hanajanona kely amin'izany ve izy ireo? Raha tonga amin'ny alina ny mpangalatra, tsy hangalatra mihoatra noho izay ilainy ve izy ireo?
\v 10 Fa efa nampitanjaka an'i Esao Aho. Nampiseho ireo toerany miafina Aho. Ary tsy ho afaka hanafina ny tenany izy. Ny zanany, ireo rahalahiny, ary ireo mpiara-monina aminy dia noravana, dia lasa izy.
\v 11 Ilaozy aoriana ireo kambotinao. Hiahy ny fiainan'izy ireo Aho, ary ny mpitondratenanao dia afaka mitoky amiko."
\s5
\v 12 Fa izao no fanambaran'i Yaveh: "Indro, ireo izay tsy mendrika izany dia tokony hisotro amin'ny kapoaka tokoa. Mieritreritra ve ny tenanao fa handeha tsy ho saziana ianao? tsia, satria hisotro tokoa ianao.
\v 13 Fa efa nianiana tamin'ny tenako Aho—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Bozra dia ho lasa horohoro, ho fahafaham-baraka, hampalahelo be, ary ho zavatra fanozonana. Ny tanàna rehetra ho tonga faharavana mandrakizay.
\s5
\v 14 Nandre vaovao tamin'i Yaveh Aho, ary nisy iraka nalefa tany amin'ireo firenena, 'Mivondrona ary tafio izy. Mivonòna amin'ny ady.'
\v 15 "Fa indro, nataoko kely ianao raha ampitahaina amin'ireo firenena hafa, ary tsinotsiniavin'ny amin'ny olona.
\s5
\v 16 Raha ny fahatahorana anao, dia namitaka anao ny avonavon'ny fonao, ry mponina eny amin'ny toeran'ny hantsana, ianao izay nibahana ny havoana ambony indrindra mba hanaovanao ny akaninao ho ambony toy ny an'ny voromahery. Ho ampidiniko avy eny ianao—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 17 Ho horohoro ho an'izay mandalo eny amin'izany i Edoma. Ny olona rehetra toy izany dia hangovitra ary hisiotsioka noho ny amin'ireo loza rehetra ireo.
\v 18 Toy ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora ary ireo mpiara-belona aminy, "hoy Yaveh, "tsy hisy olona honina any; tsy misy vahoaka hijanona any.
\s5
\v 19 Indro, hiakatra toy ny liona avy any amin'ny alan'i Jordana izy ho any amin'ireo tanin'ahi-maitso. Fa ho ampandosiriko haingana amin'izany i Edoma, ary hametraka olona izay handray an-tanana izany aho. Fa iza no toa ahy, ary iza no hiantso ahy? Mpiandry ondry iza no afaka hanohitra ahy?"
\s5
\v 20 "Koa henoy ny hevitra izay notapahin'i Yaveh hanoherana an'i Edoma, ny fikasana izay efa nataony hanoherana ireo mponin'i Temana. Ho taritarisiny eny rehetra eny tokoa izy ireo, na dia ny kely indrindra amin'ny ondry aza. Ireo tanin'ahiny ho tonga toerana noravaina.
\s5
\v 21 Nihozongozona ny tany tamin'ny feon'ny fianjeran'izy ireo. Ny feon'ny fitarainana dia re hatrany amin'ny Ranomasina Mena.
\v 22 Indro, misy olona hanafika toy ny voromahery, ka hidina ary hamelatra ny elany eo amin'i Bozra. Ary amin'izany andro izany, ny fon'ireo miaramilan'i Edoma dia ho tonga toy ny fon'ny vehivavy mihetsi-jaza."
\s5
\v 23 Ny amin'i Damaskosy: "Ho menatra i Hamata sy Arpada, fa nahare ny vaovao momba ny loza izy ireo. Ketraka izy ireo! hangovitra noho ny ranomasina izy ireo, izay tsy mety tony.
\v 24 Mihaosa tokoa Damaskosy. Mivily handositra izany; azon'ny horohoro izany. Azon'ny fahoriana sy fanaintainana izany, toy ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka.
\v 25 Nahoana no tsy nafoy ny tanàna fiderana, ny tanàn-dehiben'ny fifaliako?
\s5
\v 26 Noho izany dia ho lavo eo amin'ny toerany ireo tovolahy, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia ho faty amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro."
\v 27 "Fa handrehitra afo eo amin'ny rindrin'i Damaskosy Aho, ary handevona ireo fiarovana mafy ho an'i Beni-hadada izany."
\s5
\v 28 Ny amin'ny Kedara sy ny fanjakan'i Hazora, izao no nambaran'i Yaveh tamin'i Nebokadnezara(ary Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia hanafika ireo toerana ireo): "Mitsangana ka tafio Kedara ary aringano ireo vahoakan'ny atsinanana.
\v 29 Ho alaina ireo lainy sy ireo ondry aman'osiny, miaraka amin'ireo lainy lamba ary ireo fitaovany rehetra; ho alaina amin'izy ireo ireo ramevany, ary hanao hiaka fifaliana amin'izy ireo ny olona, "Horohoro no eo amin'ny manodidina rehetra!"
\s5
\v 30 Mandosira! mandehana alavitra! Mijanona eo amin'ny ireo lavakin'ny tany, ry mponin'i Hazora—izany no fanambaran'i Yaveh—fa i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona dia efa nanao tetika hanoherana anao. Mandosira! miverena!
\v 31 Mitsangana! tafio ny firenena ao am-pitoniana, izay miaina amin'ny fiarovana," Hoy Yaveh. "Tsy manana vavahady na fanidiana any aminy izy ireo, ary ireo olony dia miaina amin'izy ireo.
\s5
\v 32 Ho robaina ireo ramevany, ary horobaina amin'ny ady ireo fananany maro be. Ary haeliko eny amin'ny rivotra rehetra eny ireo izay nanety ny sisim-bolony, ary hitondra loza amin'zy ireo eo amin'ny lafiny rehetra Aho—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 33 Ho tonga fonenan'ny ambodia i Hazora, ho tany ngazana maharitra. Tsy misy honina any, tsy misy olona hijanona any."
\s5
\v 34 Izao no tenin'i Yaveh izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'i Elama. Izao no nitranga tamin'ny fiandohan'ny fanjakan'i Zedekia mpanjakan'ny Joda, ary hoy izy:
\v 35 "Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro: Indro, hanapaka ireo mpandefa tsipìka an'i Elama Aho, ain-dehibe ny herin'izy ireo.
\v 36 Fa hitondra ireo rivotra efatra avy any amin'ny zoron'ny lanitra efatra Aho, ary hampiely ny vahoakan'i Elama amin'izany rivotra rehetra izany aho. Tsy misy firenena izay tsy ho alehan'ireo izay nahely tao Elama ireo.
\s5
\v 37 Ary hanorotoro an'i Elama eo anoloan'ireo fahavalony Aho ary eo anoloan'ireo izay mitady ny ainy. Fa hitondra loza hanoherana azy ireo Aho, ny fahatezerana amin'ny fahavinirako—izany no fanambaran'i Yaveh— ary handefa ny sabatra amin'izy ireo aho mandra-pahalany tamingana azy ireo.
\v 38 Dia hametraka ny seza fiandrianako eo amin'i Elama Aho ary handringana ny mpanjakany sy ireo mpitarika avy ao—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 39 ary hitsangana izany amin'ny andro farany izay hitondrako hiverina ireo harenan'i Elama—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\c 50
\p
\v 1 Izao ny teny nambaran'i Yaveh ny mahakasika an'i Babylona, ilay tanin'ireo Kaldeana, tamin'ny alalan'i Jeremia mpaminany:
\v 2 "Tantero any amin'ireo firenena ary asaivo mihaino izy ireo. Asandrato ny famantarana ary asaivo mihaino izy ireo. Aza afenina izany. Lazao hoe: 'Babo i Babylona. Nalaina baraka i Bela. Nivadi-po i Merodaka. Nalaim-baraka ireo sampiny; nivadi-po ireo sarin-javany.'
\s5
\v 3 Hitsangana hamely azy ny firenena avy any avaratra, mba hahatonga ny taniny ho faharavana. Tsy misy, na olona na biby, hiaina ao amin'izany. Handositra izy ireo.
\v 4 Amin'izany andro izany ary amin'izany fotoana izany—izany no fanambaran'i Yaveh_ny vahoakan'Israely sy ny vahoakan'i Joda dia hiara-tonga mba handeha amim-pitomaniana ary hitady an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo.
\v 5 Hanontany ny lalana mankany Ziona izy ireo ary hamakivaky izany, manao hoe: Handeha izahay ary hanatona an'i Yaveh amin'ny fanekena mandrakizay izay tsy ho adinoina."
\s5
\v 6 Ondry very ny oloko. Nitarika azy ireo any amin'ny lalan-diso any an-tendrombohitra ireo mpiandry ondrin'izy ireo; navilin'izy ireo erakin'ny havoana izy ireo. Nandeha izy ireo, ka nanadino ny toerana izay nonenany.
\v 7 Ny olona rehetra izay nivoaka teo amin'izy ireo dia namiravira azy ireo. Hoy ireo fahavalony hoe: "Tsy meloka izahay, satria izy ireo dia nanota tamin'i Yaveh, fonenany marina izy ireo—dia i Yaveh, ilay fanantenan'ireo razamben'izy ireo.'
\s5
\v 8 Mialà ao afovoan'i Babylona; mivoaha avy ao amin'ny tanin'ny Kaldeana, aoka ianareo ho tahaka ireo osy lahy izay miala alohan'ny andehanan'ny ondry sisa.
\v 9 Fa indro, efa an-dalam-pametrahana ny hetsika sy hanangana ny vondron'ireo firenena lehibe avy any avaratra hamely an'i Babylona Aho. Hifandamina hanohitra azy izy ireo. Ho samborina avy any i Babylona. Ho tahaka ny mpiady mahay izay tsy miverina tanam-polo ny zana-tsipìkan'izy ireo.
\v 10 Ho lasa babo i Kaldea. Ho afa-po ireo rehetra izay mambabo azy—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 11 Mifaly, mankalaza ny fahababoan'ny lovako ianareo; mitsambikimbikina tahaka ny zanak'ondry eny amin'ny fihinanam-bilony ianareo; maneno tahaka ny soavaly mahery ianareo.
\v 12 Ka ho afa-baraka tokoa ny reninareo; izay niteraka anareo dia ho menatra. Indro, ho kely indrindra amin'ireo firenena izy, ho tany efitra, tany maina, ary tany hay.
\v 13 Nohon'ny fahatezeran'i Yaveh, dia tsy honenana intsony, fa ho faharavana tanteraka i Babylona. Ny olona rehetra izay mandalo dia hangovitra noho i Babylona ary hisiotsioka nohon'ny feriny rehetra.
\s5
\v 14 Mifandamìna hamely an'i Babylona sy ny manodidina azy rehetra ianareo. Tsy maintsy hitifitra azy ny olona rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Aza misy ajanona ny zana-tsìpikanareo, fa efa nanota tamin'i Yaveh izy.
\v 15 Asandrato manodidina azy rehetra ny hiakiaka! Efa voadidina izy; efa nianjera ireo tilikambony; voarodana ireo mandany, fa izany no valifatin'i Yaveh. Manaova valifaty eo aminy! Dia ataovy tahaka izay efa nataony!
\s5
\v 16 Aringano ny mpamboly izay mamafy ny voa sy izay mampiasa ny antsy fijinjana amin'ny fotoam-pijinjana ao Babylona. Aoka hiverina avy any amin'ny sabatry ny mpampahory ho any amin'ny vahoakany ny olona tsirairay; aoka izy ireo hiverina any amin'ny taniny.
\s5
\v 17 Israely dia ondry naparitaka sy noroahan'ny liona. Ny mpanjakan'i Asyria no namiravira azy ireo voalohany; ary taorian'izay, dia notapahin'i Nabokadnezara mpanjakan'i Babylona ireo taolany.
\v 18 Noho izany izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely: "Indro, efa manafay ny mpanjakan'i Babylona sy ny taniny Aho, tahaka ny namaizako ny mpanjakan'i Asyria.
\s5
\v 19 Hamerina an'Israely any amin'ny tanindrazany Aho, hihinana Karmela sy Basana izy. Ary ho afa-po ao amin'ny tany havoan'i Efraima sy Gileada izy.
\v 20 Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany, hoy i Yaveh, ho tadiavina ao Israely ny heloka, nefa tsy hahita. Hanontany ny momban'ny fahotan'i Joda Aho, nefa tsy hahita, fa hamela heloka ny sisa tavela izay namindrako fo Aho."
\s5
\v 21 "Mitsangàna hamely ny tanin'i Merataima, hamely izany sy ireo izay mponina Pekoda. Apetraho eo amin'ny sabatra izy ireo ary atokany ho an'ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—ataovy izay rehetra andidiako anareo.
\v 22 Ao amin'ny tany ny feon'ny ady sy ny faharavana lehibe.
\s5
\v 23 Endrey ny nanapahana sy namotehana ny tantanan'ny tany rehetra. Indrisy fa tonga horohoro eo amin'ireo firenena i Babylona.
\v 24 Nametrahako fandrika ianao ka tratra, ry Babylona, ary tsy nahafantatra izany ianao! Tratra sy voasambotra ianao, satria nanohitra an'i Yaveh.
\s5
\v 25 Efa nanokatra ny fitoeran'ny fitaovam-piadiany i Yaveh ary nentiny mivoaka ireo fitaovam-piadiana ho fanehoany ny fahatezerany. Misy asa ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tanin'ny Kaldeana.
\v 26 Tafio avy lavitra izy. Sokafy ny fitoeram-bokany ary akorotano tahaka ny antontam-bary izy. Atokano ho an'ny faharavana izy. Aza avela hisy tavela ny aminy.
\s5
\v 27 Vonoy ny ombilahiny rehetra. Ampidino any amin'ny toerana famonoana ireo. Loza ho azy ireo, fa efa tonga ny androny—dia ny fotoana famaizana azy ireo.
\v 28 Injany ny feon'ny fandosiran'izy ireo, dia ireo sisa tsy maty, avy tany amin'ny tany Babylona. Izy ireo no hitatitra ny valifatin'i Yaveh Andriamanitsika ho an'i Ziona, sy valifaty ho an'ny tempoliny."
\s5
\v 29 "Antsoy ireo mpandefa zana-tsipìka hamely an'i Babylona—ireo rehetra izay manenjana ny tsipìkany. Mitobia hamely azy, ary aza avela hisy afa-mandositra. Valio amin'izay efa nataony izy. Ataovy aminy araka ny izay efa fataony. Fa efa niantsy an'i Yaveh izy, dia ilay Masin'Israely.
\v 30 Ka dia ho lavo eny amin'ny zoron-tanàna ireo tovolahiny, ary ho ringana ireo lehilahy mpiadiny rehetra amin'izany andro izany—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 31 "Indro, mamely anao Aho, ry mpirehareha—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro—fa efa tonga ny andronao, ry mpirehareha, dia ny fotoana izay hamaizako anao.
\v 32 Ka ho tafintohina sy ho lavo ireo mpirehareha. Tsy hisy hanangana azy ireo. Handrehitra afo eo amin'ireo tanànan'izy ireo Aho; handevona ny zava-drehetra manodidina azy izany.
\s5
\v 33 Izao no lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Nampahoriana ireo vahoakan'Israely, miaraka amin'ireo vahoakan'i Joda. Mbola notanan'ireo rehetra nisambotra azy izy ireo; nandà ny hamela azy ireo andeha izy ireo.
\v 34 Mahery Ilay mpamonjy azy ireo. Yaveh Tompon'ny maro no Anarany. Handahatra ny amin'izy ireo marina Izy, mba hitondra fitsaharana ao amin'ny tany, ary mba hitondra fifandirana ho an'ireo mponin'i Babylona.
\s5
\v 35 Ny sabatra dia hamely an'ireo Kaldeana—izany no fanambaran'i Yaveh—ary hamely ny mponin'i Babylona, ireo mpitariny, ary ireo lehilahy hendriny.
\v 36 Tonga hamely ireo izay manao tenin-tsikidy ny sabatra, mba hitonon-tena ho toy ny adala izy ireo. Tonga hamely ireo miaramilany ny sabatra, ka dia ho feno tahotra izy ireo.
\v 37 Tonga hamely ireo soavaliny, ireo kalesiny ary ireo olona rehetra izay ao afovoan'i Babylona ny sabatra ka dia ho tonga tahaka ny vehivavy izy ireo. Tonga hamely ireo trano fitehirizany ny sabatra, ka ho voaroba izy ireo.
\s5
\v 38 Ho tonga eo amin'ireo ranony ny hain-tany, ka dia ho maina ireo. Fa tanin'ireo sampy tsy misy ilàna azy izy, ary miasa tahaka ny olona noverezin-tsain'ireo sampiny mahatsiravina izy ireo.
\v 39 Ka ireo bibin'ny tany efitra miaraka amin'ireo ambodia no honina any, ary ny aostrisy tanora no hitoetra ao aminy. Fa amin'ny fotoana rehetra, dia tsy honenana intsony izy. Hatramin'ny taranaka fara mandimby, dia tsy honenana ao aminy.
\v 40 Dia tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora ary ireo manodidina azy—izany no fanambaran'i Yaveh—tsy hisy honina ao; tsy hisy olona hijanona ao aminy."
\s5
\v 41 "Indro, tonga ny vahoaka avy any avaratra, ho an'ny firenena lehibe sy ireo mpanjaka maro efa nisandratra avy any an-tany lavitra.
\v 42 Haka tsipìka sy lefona izy ireo. Lozabe Izy ireo ary tsy manana fangoraham-po. Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina ny feon'izy ireo, ary mitaingin-tsoavaly mitan-dahatra tahaka ny lehilahy mpiady, hamely anareo izy ireo, ry zanaka vavin'i Babylona.
\v 43 Nandre ny tatitr'izy ireo ny mpanjakan'i Babylona, ary nalemy nohon'ny horohoro ny tanany. Namely azy tahaka ny vehivavy miteraka ny fahoriana.
\s5
\v 44 Indro! Miakatra tahaka ny liona avy any ambonin'ny Jordana ho any amin'ny fitoeram-bilona maharitra izy. Fa ho ataoko mandositra faingana ao amin'izany izy ireo, ary hametraka olona voafidy hiandraikitra izany Aho. Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hiantso Ahy? Mpiandry ondry tahaka ny ahoana no ahatohitra Ahy?
\s5
\v 45 Koa henoy ary ireo fikasana izay nataon'i Yaveh hamelezana an'i Babylona, ireo fikasana izay efa nalaminy hamelezana ny tanin'ireo Kaldeana. Ho viraviraina tokoa izy ireo, eny fa na dia ny ondry kely indrindra aza. Ho lasa toerana rava ny tany fihinanam-bilon'izy ireo.
\v 46 Amin'ny feon'ny faharesen'i Babylona dia mihorohoro ny tany, ary re amin'ireo firenena ny hiakam-pahorian'izy ireo."
\s5
\c 51
\p
\v 1 Izao no ambaran'i Yaveh: "Indro, handeha hampitsoaka ny rivotra mpandringana amin'i Babylona sy ireo izay monina ao Leba-Kamay Aho.
\v 2 Handefa ireo vahiny ao Babylona Aho. Hanaparitaka azy izy ireo ary handravarava ny taniny, fa ho avy hanohitra azy avy amin'ny manodidina rehetra izy ireo amin'ny andron'ny loza.
\s5
\v 3 Aza avela handefa ireo zana-tsipíkany ireo mpandefa tsipíka, aza avela hanao ny akanjo fiarovany izy ireo. Aza mamindra fo amin'ireo tovolahiny; hatokany amin'ny fandravana ny tafiny rehetra.
\v 4 Fa ny olona maratra dia hianjera ao amin'ny tanin'ireo Kaldeana, ireo izay voavono dia hianjera eny amin'ireo lalany.
\s5
\v 5 Fa Israely sy Joda dia tsy nafoin'ny Andriamaniny, Yaveh Tompon'ny maro, na dia feno ireo fandikan-dalàna manohitra ny Masin'Israely aza ny taniny.
\v 6 Mandosira amin'ny afovoan'i Babylona. Aoka ny olona tsirairay samy hanavotra ny tenany. Aoka tsy ho ringana ao anatin'ny helony. Fa izao no fotoana hanaovan'Yaveh valifaty. Honerany ho azy ny rehetra amin'izany.
\s5
\v 7 Kapoaka volamena eo an-tanan'i Yaveh i Babylona izay nahamamo izao tontolo izao; nisotro ny divainy ireo firenena ka lasa very saina.
\v 8 Hianjera tampoka Babylona ary ho ravaina. Midradradradrà ho azy! Omeo fanafody amin'ny fanaitainany izy; dia ho sitrana izy angamba.
\s5
\v 9 'Naniry ny hahasitrana an'i Babylona izahay, fa tsy sitrana izy. Aoka isika rehetra handao azy sy handeha lavitr, ho any amin'ny tanintsika. Fa mahatakatra lanitra ny helony; misavovona hatreny amin'ireo rahona izany.
\v 10 Efa nanambara ny tsy fananantsika tsiny Yaveh. Avia, andeha isika hilaza amin'i Ziona ireo asan'i Yaveh Andriamanitsika.
\s5
\v 11 Ranito ireo zana-tsipíka ary alaivo ireo ampinga. Yaveh dia misarika ny mpanjakan'i Medesa amin'ny fikasana hamotika an'i Babylona. Izany dia ho an'ny valifatin'Yaveh, famaliana faty tamin'ny nandravana ny tempoliny.
\v 12 Manandrata faneva eo ambonin'ireo mandan'i Babylona. Hamafiso ny fiambenana; mametraha mpiambina; ataovy vonona ireo otrika; fa hotanterahin'ny TOMPO ireo izay nolazainy mahakasika ny mponin'i Babylona.
\s5
\v 13 Ianareo mponina izay mipetraka eny amin'ireo moron-drano; Ianareo mponina izay manan-karena zava-tsarobidy, tonga ny fiafaranareo. Ny tadin'ny fiainanareo dia nafohezina ankehitriny.
\v 14 Nianina tamin'ny ainy manontolo i Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Ho fenoiko fahavalonao ianareo, tahaka ny fandringanan'ny valala; hanangana adim-pihorahana aminao izy ireo.'
\s5
\v 15 Nanao ny tany tamin'ny alalan'ny fahefany Izy; nametraka ny tany tamin'ny toerany izy avy tamin'ny fahendreny; namelatra ireo lanitra tamin'ny fahazavan-tsainy Izy.
\v 16 Rehefa mitrerona Izy, dia misy rano mierona any an-danitra, Fa mitondra ny zavona avy any am-paran'ny tany izy. Manao tselatra ho an'ny orana Izy ary mamoaka ireo tafio-drivotra ao amin'ireo trano fitehirizany.
\s5
\v 17 Lasa bado ny olona rehetra, tsy manam-pahalalana. Ireo mpanefy vy rehetra dia ho menatra noho ireo sampiny. Fa fitaka ireo sarin-javatra an-idinany, ary tsy misy fiainana ao amin'izy ireny.
\v 18 Tsy ilaina izy ireny, ireo asan'ny mpaniratsira; ho faty izy ireo amin'ny fotoanan'ny famaizana azy.
\v 19 Fa Andriamanitra, ilay anjaran'i Jakoba, dia tsy mba tahaka izany, fa Izy no mpamolavola ny zavatra rehetra. Israely no fokon'ny lovany; Yaveh Tompon'ny maro no Anarany.
\s5
\v 20 Fa Ianao no fitaovam-piadiko, langilangy amin'ny adiko. Ianao no hanorotoroko ireo firenena sy hamotehiko ireo fanjakana.
\v 21 Ianao no hanorotoroko ireo soavaly sy ireo mpitaingina azy; miaraka Aminao no hanorotoroko ireo kalesy sy ireo mpitondra azy.
\s5
\v 22 Ianao no hanorotoroko ny lehilahy sy ny vehivavy tsirairay avy; Ianao no hanorotoroko ny antitra sy ny tanora. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo zatovo lahy sy ireo virjiny vavy.
\v 23 Miaraka aminao no hanorotoroko ireo mpiandry ondry sy ireo ondry aman'osiny. Miaraka aminao no hanorotoroko ny mpiasa tany sy ireo tariny. Miaraka aminao no hanorotoroko ireo governora sy ireo manam-pahefana.
\s5
\v 24 Fa eo imasonao no hamaliko an'i Babylona sy ireo mponin'i Kaldea nohon'ny amin'ireo haratsiana rehetra izay nataon'izy ireo tao Ziona—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 25 Indro, manohitra anao Aho, ry tendrombohitry ny faharavana—izany no fanambaran'i Yaveh—izay mandrava ny tany manontolo. Haninjitra ny tanako hanohitra anao Aho ary hampikodiadia anao any amin'ireo hantsana, ary hanao anao ho tendrombohitra mirehitra Aho.
\v 26 Ka tsy haka vato hanorenana zoron-trano sy fototra avy aminao izy ireo; fa ho lasa faharavana mandrakizay ianao_izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 27 Manangàna faneva manerana ny tany. Tsofy manerana ireo firenena ny anjomara. Antsoy ireo firenena hamely azy: Ararata, Miny ary Askenaza. Manendre mpibaiko hamely azy; mitondrà soavaly tahaka ireo valala voloina.
\v 28 Vonony ireo firenena hamely azy: ny mpanjakan'i Mediana sy ireo governorany, ny manam-pahefany rehetra ary ireo tany rehetra izay eo ambanin'ny fahefany.
\s5
\v 29 Fa hihorohoro sy ho ao anaty hirifiry ny tany, satria nitohy ny fikasan'i Yaveh hanohitra an'i Babylona, mba hahatonga ny tanin'i Babylona ho tany ngazana izay tsy misy mponina.
\s5
\v 30 Efa nijanona nitolona ireo miaramilan'i Babylona; nijanona tao amin'ireo fiarovany mafy izy ireo. Lefy ny herin'izy ireo; lasa vehivavy izy ireo—mirehitra ny tranon'izy ireo, tapaka ireo hidim-bavahadiny.
\v 31 Ny mpitondra hafatra mihazakazaka mba hanambara hafatra any amin'ny mpitondra hafatra iray hafa, ary ny mpihazakazaka iray miteny amin'ny mpihazakazaka iray hafa mba hitatitra any amin'ny mpanjakan'i Babylona fa ity tanàna ity dia efa voasambotra hatrany farany.
\v 32 Ka azo ireo fiampitana eny ambonin'ny rano, mandoro ireo volotara amin'ny afo miheniheny ireo fahavalo, ary very hevitra ireo lehilahy mpiadin'i Babylona.
\s5
\v 33 Fa Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, no miteny izao: tahaka ny famoloana ny zanaka vavin'ny Babylona. Fotoana hanosena azy izao. Ho avy aminy anaty fotoana fohy ny fotoam-pijinjana.
\s5
\v 34 Nolevonin'i Nebokadnezara mpanjakan'ny Babylona aho; nitondra ahy amin'ny fahaverezan-kevitra izy. Ary nataony ho vilany foana aho, nanatelina ahy tahaka ny biby goavam-be izy; nameno ny kibony tamin'ny hanim-piako izy; nandroaka ahy izy.
\v 35 Izay monina ao Ziona hiteny hoe: "Aoka ny herisetra natao ahy sy tamin'ny nofoko ho amin'i Babylona." Ary hoy Jerosalema hoe: "Aoka ny rako ho amin'ireo mponin'i Kaldea."
\s5
\v 36 Koa izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hisolo vava anao Aho ary hitondra valifaty ho anao. Fa ho ritiko ny ranon'i Babylona ary hanamaina ny loharanony Aho.
\v 37 Fa ho lasa korontam-bato i Babylona, lavaka fieren'ny ambodia, horohoro, zavatra mampisiotsioka, izay tsy misy mponina.
\s5
\v 38 Hierona miaraka tahaka ireo liona tanora ireo Babyloniana. Hierona toy ny zana-diona izy. Raha lasa anaty fitiavam-bola tafahoatra izy ireo, hanao
\v 39 fihinanambe ho azy ireo Aho, hamamoiko izy ireo ka ho faly ary dia hatory anaty torimaso tsy mety tapitra ka tsy hifoha intsony—izany no fanambaran'i Yaveh—
\v 40 Ho alefako hidina any amin'ny famonoana tahaka ireo zanak'ondry, tahaka ny omby aman'ondry miaraka amin'ireo osy izy ireo.
\s5
\v 41 Endrey ny nahazoana an'i Babylona! Ka azo ny fideran'ny tany manontolo. Endrey fa tonga toerana ngazana eo amin'ireo firenena i Babylona.
\v 42 Miakatra manerana an'i Babylona ny ranomasina! Voarakotrin'ireo onjany mierona izy.
\s5
\v 43 Tonga faharavana ireo tananany, tany maina sy efitra, tany izay tsy misy monina, ary tsy handalovana na olona iray aza.
\v 44 Ka ho faiziko ao Babylona i Bela; ho entiko hivoaka ny vavany izay nateliny ary ireo firenena dia tsy hikoriana aminy miaraka amin'ireo fanatitr'izy ireo. Hirodana ny mandan'i Babylona.
\s5
\v 45 Mivoaha eo amin'ny afovoany, ry oloko. Aoka ny tsirairay samy hanavotra ny tenany amin'ny fahaviniran'ny fahatezerako.
\v 46 Aza avela ho menatra ny fonareo na hatahotra ny vaovao izay heno ao amin'ilay tany, fa ho avy amin'ny taona iray ireo vaovao. Aorian'izany amin'ny taona manaraka ihany koa dia hisy vaovao, ary ny herisetra dia ho ao amin'ny tany. Mpanapaka hanohitra mpanapaka.
\s5
\v 47 Koa, indro, tonga ny andro izay hanafaizako ireo sampy voasokitr'i Babylona. Ho menatra ireo taniny rehetra, ary ireo fatiny rehetra dia hianjera eo afovoany.
\v 48 Ary ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra ao amin'izy ireo dia hifaly amin'ny Babylona. Fa ho avy aminy avy any avaratra ny mpandringana—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 49 "Tahaka ny nampianjeran'i Babylona ny Israely voavono, no hianjeran'ireo voavono tao amin'ny taniny rehetra ao Babylona."
\s5
\v 50 Ry sisa velona amin'ny sabatra, mandeana! Aza mijanona. Tsarovy avy eny alavitra i Yaveh; aoka hotsaroina i Jerosalema.
\v 51 Menatra izahay, fa naheno ireo teny maloto; nandrakotra ny tavanay ny fanamelohana, fa niditra tao amin'ireo fitoerana Masin'ny tranon'i Yaveh ireo vahiny.
\s5
\v 52 Koa, indro, tonga ny andro—izany no fanambaran'i Yaveh—izay hanafaizako ireo sampy voasikony, dia hisento amin'ny taniny rehetra ny vahoaka maratra.
\v 53 Fa na dia miakatra eny amin'ny lanitra aza i Babylona na manamafy ireo fiarovany mafy avo indrindra aza izy, dia ho avy aminy ireo mpandringana avy amiko—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 54 Ny hiakan'ny fahoriana dia avy any Babylona, firodanana lehibe avy any amin'ny tanin'ireo Kaldeana.
\v 55 Fa Yaveh dia mandrava an'i Babylona. Izy no mampitsahatra ireo fihorakorahana mafy. Mierona tahaka ireo onjan-drano ireo fahavalony; mihamafy ireo tabatabany.
\v 56 Fa tonga hanohitra azy ny mpandringana—manohitra an'i Babylona! —ary ireo lehilahy mpiadiny dia efa voasambotra. Tapaka ireo tsipíkany, fa Yaveh no Andriamanitrin'ny famaliana; fa hitondra izany famaliana izany tokoa Izy.
\s5
\v 57 Fa hataoko mamo ireo andriandahiny, ireo olo-kendriny, ireo manam-pahefany, ary ireo miaramilany, dia hatory anaty torimaso tsy misy fiafarany izy ireo ary tsy hifoha intsony—izao no fanambaran'ny mpanjaka: Yaveh Tompon'ny maro no anarany.
\v 58 Yaveh Tompon'ny maro miteny izao: "Ho rava tanteraka ny manda matevin'i Babylona ary hodorana ireo vavahadiny avo. Dia ireo vahoaka izay tonga hanampy azy dia ho sasa-poana; ny zava-drehetra izay ezahin'ireo firenena atao ho azy dia hodorana."
\s5
\v 59 Izao no teny izay nandidian'i Jeremia mpaminany an'i Seraia zanaka lahin'i Neria zanaka lahin'i Mahaseia rehefa nandeha ho any Babylona izy niaraka tamin'i Zedekia mpanjakan'ny Joda tamin'ny taona fahaefatra nanjakany. Fa tonga ho lehiben'ny manam-pahefana i Seraia.
\v 60 Fa efa nanoratra ireo loza rehetra izay ho avy amin'i Babylona tao anaty horonan-taratasy i Jeremia—ireo teny rehetra izay voasoratra mahakasika an'i Babylona.
\s5
\v 61 Niteny tamin'i Seraia i Jeremia hoe: "Rehefa mankany Babylona ianao, dia hahita sy hamaky mafy ireo teny ireo.
\v 62 Dia hiteny ianao hoe: "Yaveh, Ianao mihintsy no nanambara fa ho ravainao ity toerana ity, ary tsy hisy olona na biby hiaina ao aminy, ary ho rava mandrakizay izy.
\s5
\v 63 Dia rehefa vitanao ny famakiana io horonan-taratasy io, dia afatory amin'ny vato izany ary atsipazo eny afovoan'ireo Eofrata.
\v 64 Lazao hoe: "Ho rendrika tahaka izany i Babylona. Tsy ho tafatsangana izy noho ireo loza izay alefako hanohitra azy, dia hianjera izy." Tapitra eto ny tenin'i Jeremia.
\s5
\c 52
\p
\v 1 Iraika amby roapolo taona i Zedekia raha nanomboka nanjaka; nanjaka iraika ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy. Hamotala no anaran-dreniny; izy dia zanaka vavin'i Jeremia avy any Libna.
\v 2 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy; nanao izay rehetra efa nataon'i Joiakima izy.
\v 3 Tamin'ny fahatezeran'i Yaveh, no nitrangan'ireo zavatra rehetra ireo tany Jerosalema sy Joda, ambara-pandroahany azy ireo tsy ho eo anoloany. Ary nikomy tamin'ny mpanjakan'i Babylona i Zedekia.
\s5
\v 4 Ary tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia mpanjaka, tamin'ny volana fahafolo, ary tamin'ny andro fahafolon'ny volana, dia tonga niaraka tamin'ireo tafiny i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, mba hanohitra an'i Jerosalema. Nitoby tandrifin'izany izy ireo, ary nanorina tilikambo nanodidina izany.
\v 5 Koa dia natao fahirano ny tanàna hatramin'ny fahiraika ambin'ny folon'ny taona nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
\s5
\v 6 Tamin'ny volana fahefatra, tamin'ny andro fahasivy tamin'izany taona izany, dia nirongatra tao an-tanàna ny mosary fa tsy nisy sakafo ho an'ny mponin'ny tany.
\v 7 Ary dia rava ny tanàna, ary ireo lehilahy mpiady rehetra dia nirifatra nandositra sy nivoaka ny tanàna ny alina teo amin'ny vavahady izay teo anelanelan'ny rindrina anankiroa, teo akaikin'ny zaridain'ny mpanjaka, na dia nanodidina ny tanàna aza ny Kaldeana. Dia nizotra nankany Araba izy ireo.
\v 8 Kanefa nanenjika ny mpanjaka ireo tafiky ny Kaldeana ary nahatratra an'i Zedekia teo amin'ny tany hain'ny lohasahan'ny Ony Jordana izay akaikin'i Jeriko. Naparitaka niala teo aminy ireo tafiny rehetra.
\s5
\v 9 Nosamborin'izy ireo ny mpanjaka ary nentiny niakatra tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla tao amin'ny tany Hamata, izay nitsarany azy.
\v 10 Namono ireo zanaka lahin'i Zedekia teo imasony ny mpanjakan'i Babylona, ary tany Ribla dia namono ireo mpitarika ny Joda rehetra ihany koa izy.
\v 11 Ary nesoriny ny mason'i Zedekia, ka nofatorana tamin'ny rojo varahina izy, ary nentina tany Babylona. Nalefan'ny mpanjakan'i Babylona tany am-ponja izy ambara-pahafatiny.
\s5
\v 12 Ary tamin'ny volana fahadimy, tamin'ny andro fahafolon'ny volana, izay fahasivy ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara mpanjaka, mpanjakan'i Babylona, dia tonga tany Jerosalema i Nebozaradana. Izy no mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka ary mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona.
\v 13 Nandoro ny tranon'i Yaveh, ny lapan'ny mpanjaka, ary ireo tranon'i Jerosalema rehetra izy; ary nodorany ihany koa ny trano lehibe manan-danja rehetra.
\v 14 Raha ny amin'ireo manda manodidina an'i Jerosalema, dia efa namotika azy ireo ny tafiky ny Babyloniana rehetra izay niaraka tamin'ny mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka.
\s5
\v 15 Raha ny amin'ireo olona mahantra indrindra, ireo olona sisa tavela tao an-tanàna, ireo izay efa nandositra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona, ary ireo sisa tamin'ireo mpanao asa tanana_dia nataon'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka ho babo ny sasany tamin'izy ireo.
\v 16 Fa i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, namela ny sasany tamin'ireo mahantra indrindra an'ilay tany mba hiasa ireo tanim-boaloboka sy ireo saha.
\s5
\v 17 Raha ny amin'ireo andry varahina izay an'ny tranon'i Yaveh, sy ireo fitoeran-tavin-drano ary ireo tavin-drano varahina izay an'ny tranon'i Yaveh, dia nopotehin'ireo Kaldeana ary nentiny niverina tany Babylona avokoa ireo varahina rehetra.
\v 18 Ireo vilany, angady, fanaovan-jiro, lovia, ary ireo kojakoja vita amin'ny varahina izay nanompoan'ireo mpisorona tao an-tempoly—dia nentin'ireo Kaldeana avokoa.
\v 19 Ny tavy fanaovana lavenon-jiro sy ireo fandorana ditin-kazo manitra, ireo lovia, ireo vilany, ireo fitoeran-jiro, ireo lasitra, ireo tavin-drano izay vita tamin'ny volamena, sy ireo vita tamin'ny volafotsy—dia nentin'ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka ihany koa.
\s5
\v 20 Ireo andry roa, ny tavin-drano, ary ireo omby varahina izay teo ambanin'ireo fitoeran-tavin-drano, zavatra izay namboarin'i Solomona ho an'ny tranon'i Yaveh, dia feno varahina maromaro izay nisinisy lanjany ihany.
\v 21 Ireo andry dia samy valo ambin'ny folo hakiho avokoa ny haavony, ary ny tsipika manodidina azy ireo dia nirefy roa ambin'ny folo hakiho. Samy fanondro efatra ny hateviny ary samy poakat.
\s5
\v 22 Kapitaly varahina no teo an-tendron'izany. Dimy hakiho no haavon'ilay kapitaly, miaraka amin'ny harato sy ampongabendanitra manodidina azy. Vita tamin'ny varahina daholo izany. Ilay andry iray hafa sy ny ampongabendaniny dia mitovy amin'ilay iray voalohany ihany.
\v 23 Koa dia ampongabendanitra enina amby sivi-folo noho izany no teo ankilan'ilay kapitaly, ary ampongabendanitra zato no teo ambonin'ilay harato manodidina.
\s5
\v 24 Ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka dia nisambotra an'i Seraia, ilay mpisoronabe, niaraka tamin'i Zefania, ilay mpisorona faharoa, ary ireo mpiandry vavahady telo.
\v 25 Tao an-tanàna no nisamborany manam-pahefana iray izay nisahana ireo miaramila, sy lehilahy fito tamin'ireo izay nanolo-tsaina ny mpanjaka, izay mbola tao an-tanàna. Nisambotra ny manamboninahitry ny tafiky ny mpanjaka izay mpandrafitra ny tafika, miaraka tamin'ireo olona manan-kaja enimpolo avy amin'ny tany izay tao an-tanàna ihany koa izy.
\s5
\v 26 Ary dia nalain'i Nebozaradana, ilay mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka izy ireo ary nentiny tany amin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla.
\v 27 Novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tany Ribla tany amin'ny tanin'i Hamata izy ireo. Tamin'izany fomba izany, no nitondrana ny Joda ho babo niala tao amin'ny taniny.
\s5
\v 28 Ireto no olona nobaboin'i Nebokadnezara: tamin'ny taona fahafito, Jiosy 3. 023.
\v 29 Tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Nebokadnezara dia naka olona 832 avy tany Jerosalema izy.
\v 30 Tamin'ny fahatelo amby roapolo taona nanjakan'i Nebokadnezara, dia nambabo vahoaka Jiosy 745 i Nebozaradana, ilay mpifehy ireo mpiambina ny mpanjaka. Miisa 4600 ny fitambaran'ireo babo rehetra.
\s5
\v 31 Ary tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana, tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo, tamin'ny faraparan'ny taona fahafito amby telopolo naha-babo an'i Jekonia, dia nanafaka an'i Joiakina mpanjakan'ny Joda tany am-ponja i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona. Tamin'ny fotoana nanombohan'i Evila-Merodaka nanjaka no nisehoan'izany.
\s5
\v 32 Niresaka am-pahatsorana taminy izy ary nanome azy toerana ambony kokoa noho ireo mpanjaka hafa izay niaraka taminy tany Babylona.
\v 33 Nanala ny fitafiana maha-voafonja an'i Joiakina i Evila-merodaka, ary nihinana tsy tapaka teo an-databatry ny mpanjaka tamin'ny andro sisa niainany i Joiakina,
\v 34 ary nomena hanina ara-dalàna isan'andro izy tamin'ny andro sisa niainany ambara-pahafatiny.