plt_ulb/21-ECC.usfm

495 lines
38 KiB
Plaintext

\id ECC
\ide UTF-8
\h Mpitoriteny
\toc1 Mpitoriteny
\toc2 Mpitoriteny
\toc3 ecc
\mt Mpitoriteny
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ireto ny tenin'ilay Mpitoriteny, ilay taranak'i Davida sy mpanjakan'i Jerosalema.
\v 2 Ny Mpitoriteny milaza izao. "Toy ny enton'ny zavona, toy ny tsio-drivotra, ny fanjavonan'ny zavatra rehetra, mamela fanontaniana maro.
\v 3 Inona no tombon-tsoa azon'ny olombelona avy amin'ny asa rehetra izay nisasarany teo ambany masoandro?
\s5
\v 4 Ny taranaka iray lasa, ary ny taranaka iray hafa tonga, kanefa ny tany mitoetra mandrakizay.
\v 5 Miposaka ny masoandro, ary milentika izany ary maika hiverina any amin'ny toerana izay hiposahany indray.
\v 6 Mitsoka mianatsimo ny rivotra ary manao faribolana mihodina mankany avaratra, mandeha mihodina amin'ny lalany hatrany ary miverina indray.
\s5
\v 7 Ireo ony rehetra mikoriana any an-dranomasina, fa ny ranomasina tsy mba mety feno. Any amin'izay toerana handehanan'ireo ony, no handehanan'izany indray.
\v 8 Lasa mandreraka ny zavatra rehetra, ary tsy misy afaka manazava izany. Ny maso tsy afa-po amin'izay hitany, na ny sofina tanteraka amin'izay reny.
\s5
\v 9 Izay rehetra efa teo dia mbola ho eo, ary izay rehetra efa vita no mbola ho atao. Tsy misy zavatra vaovao ety ambany masoandro.
\v 10 Moa ve misy zavatra izay mety ho lazaina hoe: 'Indro, zava-baovao ity'? Izay rehetra misy dia efa nisy hatramin'ny fotoana ela, nandritr'ireo taona izay tonga ela talohantsika.
\v 11 Toa tsy misy hita ho mahatadidy ireo zavatra izay nitranga tamin'ny fotoana fahiny, sy ireo zavatra izay nitranga vao haingana ary ireo izay mbola hitranga amin'ny ho avy dia tsy ho tadidy koa."
\s5
\v 12 Izaho ilay Mpitoriteny, ary efa mpanjaka teo amin'Israely tany Jerosalema.
\v 13 Nampiasa ny saiko aho mba hianatra sy hitady am-pahendrena ny zavatra rehetra izay natao teo ambanin'ny lanitra. Izany fitadiavana izany dia asa mavesatra izay nomen'Andriamanitra an'ireo zanak'olombelona mba hisasarana.
\v 14 Efa hitako avokoa ny asa rehetra izay natao teo ambany masoandro, ary indro, izy rehetra ireo dia entona mihavosa sy fikasàna ny hanohitra ny rivotra.
\v 15 Ny meloka dia tsy mety hahitsy! Ny tsy tonga tsy azo isaina!
\s5
\v 16 Niteny tamin'ny foko aho nanao hoe: "Indro, izaho dia nahazo fahendrena lehibe noho ireo rehetra izay talohako tany Jerosalema. Ny saiko dia nahita fahendrena sy fahalalana lehibe."
\v 17 Koa nampiasa ny foko aho mba hahalala fahendrena sy fahaverezan-tsaina ary hadalana ihany koa. Tonga aho mba hahatakatra fa fikasàna ny hanohitra ny rivotra ihany koa izany.
\v 18 Fa amin'ny fitobahan'ny fahendrena no mampisy fahoriana be, ary izay mampitombo fahalalana dia mampitombo alahelo.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Hoy aho anakampo hoe: "Manatòna izao, hitsapa anao amin'ny hafaliana aho. Ka tiava fahafinaretana."
\v 2 Fa indro, tsio-drivotra mandalo ihany izany. Hoy aho tamin'ny fihomehezana hoe: "Fahadalana izany," ary tamin'ny fahafinaretana hoe: "Inona no ilàna izany?"
\s5
\v 3 Nizaha ny tao am-poko aho hoe ahoana no hahitako fahafinaretana amin'ny divay. Avelako tarihin'ny saiko amin'ny fahendrena aho na dia mbola voatazona tamin'ny hadalana ihany aza aho. Te hahita izay tsara ho an'ny olona mba hatao ety ambanin'ny lanitra aho mandritr'ireo andro hiainany.
\s5
\v 4 Nanatanteraka zavatra lehibe aho. Nanangana trano ho ahy aho ary namboly teo amin'ireo tanim-boaloboka.
\v 5 Nanangana zaridaina sy saha ho an'ny tenako aho; namboly ireo karazan-kazo rehetra fihinam-boa teo amin'izany aho.
\v 6 Namorona farihin-drano mba hamatsiana rano ireo ala izay nitomboan'ireo hazo aho.
\s5
\v 7 Novidiko ireo andevo lahy sy ireo andevo vavy; nanana andevo teraka tao an-dapako aho. Nanana omby maro sy ondry aman'osy ho biby fiompy ihany koa aho, betsaka mihoatra noho ny an'ireo mpanjaka izay nanapaka teo alohako tao Jerosalema.
\v 8 Nanangona volafotsy sy volamena, ny haren'ireo mpanjaka sy ireo faritany ho an'ny tenako ihany koa aho. Nanana mpihira lahy sy vavy ho an'ny tenako manokana aho— ireo fahafinaretan'ny zanak'olombelona—ary vaditsindrano maro.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny taty aoriana nandika ny tapany farany amin'ity andininy ity tamin'ny fomba samihafa: "ireo zavatra rehetra izay tian'ny olona." "ireo vaditsindrano sy ireo izay rehetra nahafinaritra ireo lehilahy". sns \f*
\s5
\v 9 Dia lasa lehibe sy mpanakarena mihoatra noho ireo rehetra izay teo alohako tao Jerosalema aho, ary ny fahendreko nitoetra tamiko.
\v 10 Na inona na inona nirian'ny masoko, dia tsy nohazoniko tamin'izy ireo. Tsy nihazona ny foko tamin'ny fahafinaretana rehetra ny aho, satria ny foko dia nifaly tamin'ny asako rehetra ary ny fahafinaretana no valisoako tamin'ny asako rehetra.
\s5
\v 11 Dia nijery ireo asa rehetra vitan'ny tanako aho, sy ireo fisasarana izay nataoko, fa ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra indray. Tsy nisy tombon-tsoa tamin'izany tety ambanin'ny masoandro.
\v 12 Avy eo dia nitodika aho mba hihevitra ny fahendrena, ary koa ny fahaverezan-tsaina sy ny fahadalana. Fa inona no azon'ny mpanjaka ho avy handimby ny mpanjaka atao, izay tsy mbola tanteraka?
\s5
\v 13 Dia nanomboka nihanazava ny saiko fa ny fahendrena dia ahazoana tombony kokoa noho ny fahadalana, tahaka ny fahazavana tsara kokoa noho ny aizina.
\v 14 Ny olon-kendry dia mampiasa ny masony eo amin'ny lohany mba hijerena ny lalan-kalehany, fa ny adala dia mandeha amin'ny maizina, na dia fantatro aza fa lahatra mitovy ihany no ho an'ny olon-drehetra.
\s5
\v 15 Dia hoy aho tao am-poko hoe: "Izay manjo ny adala, dia hanjo ahy ihany koa. Koa inona no maha-samihafa izany raha ho tena hendry aho?" Dia nofeheziko tao am-poko hoe: "Ity koa dia entona fotsiny ihany."
\v 16 Fa ny olon-kendry, tahaka ny adala, dia tsy ho tsaroina ela akory. Ho avy ny andro izay hanadinoina ny zava-drehetra. Ny olon-kendry dia maty tahaka ny mahafaty ny adala.
\s5
\v 17 Ka dia nankahala ny fiainana aho satria ireo asa rehetra izay vita teo ambany masoandro dia ratsy tamiko. Izany dia satria ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.
\v 18 Halako avokoa ireo fisasarako rehetra izay niasako teny ambany masoandro satria dia tsy maintsy mamela ireny any aoriana ho an'izay lehilahy ho avy manaraka ahy aho.
\s5
\v 19 Fa iza no mahalala na ho olo-kendry izy na ho adala? Nefa izy dia ho tompo eran'ny zava-drehetra ambany masoandro izay natsangan'ny fisasarako sy ny fahendreko. Entona ihany koa izany.
\v 20 Noho izany dia nanomboka namoy fo tamin'ireo asa rehetra izay nataoko teo ambany masoandro aho.
\s5
\v 21 Fa mety misy ny olona izay misasatra amin'ny fahendrena, amin'ny fahalalana, ary amin'ny fahaiza-manao, fa havelany ho an'ny lehilahy izay tsy nanao na iray tamin'ireo aza ny zava-drehetra hananany. Izany koa dia entona sy loza lehibe.
\v 22 Fa inona no tombon-tsoa azon'ny olona izay miasa mafy sy miezaka manao amin'ny fony ireo asany eo ambany masoandro?
\v 23 Isan'andro dia maharary sady mampiady saina ny asany, ka dia tsy mahita fitsaharana ny fanahiny amin'ny alina. Izany koa dia entona.
\s5
\v 24 Tsy misy zavatra tsara amin'ny olona mihoatran'ny hoe mihinana sy misotro fotsiny ary afa-po amin'izay tsara amin'ny asany. Dia nahita aho fa avy amin'ny tanan'Andriamanitra izany marina izany.
\v 25 Fa iza no afaka hihinana na iza no afaka hanana fahafinaretana isan-karazany ankoatry ny avy amin'Andriamanitra?
\s5
\v 26 Fa izay mahafaly Azy, dia homen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana ary fifaliana. Kanefa, ny mpanota dia omeny ny asa fanangonana sy fitehirizana mba hahafahany manome izany ho an'ny olona izay mahafaly an'Andriamanitra. Izany koa dia anisan'ny entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Fa ny zava-drehetra dia efa voatondro amin'ny fotoany, ary ny vanim-potoana ho amin'ny tanjona tsirairay ambany lanitra.
\v 2 Misy fotoana ahaterahana ary fotoana ahafatesana, fotoana hambolena ary fotoana hamokarana,
\v 3 fotoana hamonoana ary fotoana hanasitranana, fotoana handravana ary fotoana hananganana.
\s5
\v 4 Misy fotoana hitomaniana ary fotoana hihomehezana, fotoana hisaonana ary fotoana handihizana,
\v 5 fotoana hanariam-bato ary fotoana hanangonam-bato, fotoana hamihinana olon-kafa, ary fotoana handrarana ny famihinana.
\s5
\v 6 Misy fotoana hitadiavan-javatra ary fotoana hitsaharana mitady, fotoana hifikirana amin-javatra ary fotoana hanariana izany,
\v 7 fotoana handrovitana ary fotoana hanjairana, fotoana hanginana ary fotoana hitenenana.
\s5
\v 8 Misy fotoana hitiavana ary fotoana hankahalana, fotoana hiadiana ary fotoana hihavanana.
\v 9 Inona no tombony azon'ny mpiasa amin'ny asany?
\v 10 Efa hitako ny asa izay nomen'Andriamanitra ho tanterahan'ny olombelona.
\s5
\v 11 Efa nanao ny zava-drehetra hifanaraka amin'ny fotoany Andriamanitra. Efa nampitoetra ny mandrakizay tao am-pon'ireo ihany koa Izy. Nefa tsy afaka hahatakatra ny asa lehibe izay nataon'Andriamanitra ny olombelona, hatramin'ny fiatombohany ka hatramin'ny fiafarany.
\s5
\v 12 Fantatro fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly sy manao zava-tsoa hatrany raha mbola velona koa izy—
\v 13 ary ny olon-drehetra dia tokony hihinana sy hisotro, ary tokony hahay hifaly amin'ny tsara izay avy amin'ny asany rehetra. Fanomezana avy amin'Andriamanitra izany.
\s5
\v 14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay. Tsy afaka ampiana izany na analana, satria Andriamanitra no efa nanao izany mba anatonan'ny olona Azy amin'ny voninahitra.
\v 15 Izay rehetra misy dia efa nisy, izay rehetra hisy dia efa nisy. Andriamanitra dia nanao ny olombelona hitady ireo zava-miafina.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Andriamanitra dia nanao ny olombelona hitady ireo zava-miafina", ireo dikan-teny vaovao hafa mandika io an-dalana io amin'ny fomba maro samihafa. \f*
\s5
\v 16 Efa nahita ny faharatsiana izay ety ambany masoandro aho, izay tokony hisy ny rariny, ary eo amin'ny toeran'ny fahamarinana, dia ny faharatsiana no tao.
\v 17 Hoy aho anakampo hoe: "Ho tsarain'Andriamanitra amin'ny fotoany ny olo-marina sy ny ratsy fanahy ny amin'ny raharaha sy ny asany rehetra."
\s5
\v 18 Hoy aho anakampo hoe: "Mizaha toetra ny olombelona Andriamanitra mba hanehoana azy ireo fa tahaka ny biby izy ireo."
\s5
\v 19 Fa amin'izy ireo dia sahala ny manjo ny zanak'olombelona sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny iray dia tahaka ny fahafatesan'ny iray hafa. Mitovy ny fofon'ain'izy rehetra. Tsy misy tombony ho an'ny olombelona eo amin'ny biby. Fa moa ve tsy fofon'aina fotsiny ihany ny zava-drehetra?
\v 20 Ny zava-drehetra dia samy mizotra amin'ny toerana iray. Ny zava-drehetra dia avy amin'ny vovoka, ary ny zava-drehetra dia hody vovoka.
\s5
\v 21 Iza no mahalala na miakatra any ambony ny fanahin'ny olombelona ary midina any amin'ny tany ny fanahin'ny biby?
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany vaovao manao hoe: "Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, izay miakatra any ambony, ary ny fanahin'ny biby, izay midina any amin'ny tany?" \f*
\v 22 Ka dia tsapako indray fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly amin'ny asany, fa izany no asa nanendrena azy. Iza no afaka hitondra azy miverina mba hijery izay mitranga aoriany?
\s5
\c 4
\p
\v 1 Nandinika indray mandeha momban'ny fahoriana rehetra izay vita teo ambany masoandro aho. Ary indro, ny ranomason'ny olona nampahoriana, ary izy ireo dia tsy nanana na iza na iza mba hampionona azy! Teo an-tanan'ny mpampahory azy ireo ny hery, ary tsy nisy na iray aza hampionona azy ireo!
\s5
\v 2 Noho izany dia miarahaba ny olona maty aho, ireo izay efa maty, fa tsy ny miaina, ireo izay mbola velona.
\v 3 Kanefa, sambatra noho izy roa tonta ny olona izay tsy mbola nohariana, izay tsy mbola nahita ny asa ratsy rehetra izay vita teo ambany masoandro.
\s5
\v 4 Ary itako fa ny asa tsirairay sy ny fahaiza-manao tsirairay dia lasa fitsiriritan'ny mpiara-monina hafa. Izany ihany koa dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.
\s5
\v 5 Ny adala mamoritra ny tanany ary tsy miasa, ka dia ny nofony ihany no sakafony.
\v 6 Fa tsara kokoa ny tombony iray tanana amin'ny asa mangina noho ny roa tanana amin'ny asa izay miezaka ny manohitra rivotra.
\s5
\v 7 Avy eo dia nandinika momban'ny zava-poana maro indray aho, fifanjavoana zavona maro teo ambany masoandro.
\v 8 Misy ny karazan-dehilahy izay mitoetra irery. Tsy manana na iza na iza izy, na zanaka lahy na rahalahy. Tsy misy fiafarana ny asany, ary ny masony tsy mba afa-po amin'ny harena azo. Nanontany tena izy hoe: "Ho amin'iza no hiasako mafy ary handàvan'ny tenako ny fifaliana?" Zava-poana ihany koa izany, toe-javatra ratsy.
\s5
\v 9 Tsara kokoa ny olona roa miasa noho ny iray; raha miaraka izy ireo dia afaka mahazo karama tsara ho an'ny asany.
\v 10 Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina ny namany ilay iray hafa. Kanefa, ny alahelo dia manaraka ilay iray izay irery rehefa lavo izy ka tsy misy na iray aza manarina azy.
\v 11 Raha roa no miara-mandry, dia mety hafana izy ireo, saingy ahoana no hampafana irery ny iray?
\s5
\v 12 Ny lehilahy irery no mety resy, fa ny roa mety afaka manohitra fanafihana, ary ny kofehy telo tsy ho mora tapahina.
\s5
\v 13 Tsara kokoa ny mahantra fa tanora hendry toy izay mpanjaka antitra adala izay tsy mahafantatra intsony ny fomba ihainoana fampitandremana.
\v 14 Marina izany na dia lasa mpanjaka aza ny tovolahy iray avy any am-ponja, na dia mbola nateraka hahantra ao amin'ny fanjakany aza izy.
\s5
\v 15 Kanefa, izaho dia nahita ny olona rehetra izay velona sy mandeha ambanin'ny masoandro mandefa ny tenan'izy ireo mankany amin'ny tovolahy hafa izay nitsangana tahaka ny mpanjaka.
\v 16 Tsy misy fiafarana ho an'ny olona rehetra izay maniry ny hankatò ny mpanjaka vaovao, fa aoriana kely dia maro amin'izy ireo no tsy hidera azy intsony. Entona tokoa izany toe-javatra izany ary fikasana hanohitra ny rivotra.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Tandremo ny fitondran-tenanao rehefa mankany an-tranon'Andriamanitra ianao. Mandehana any mba hihaino. Ny mihaino dia tsara noho ny adala manolotra sorona nefa tsy mahalala fa ratsy ny ataon'izy ireo eo amin'ny fiainana.
\s5
\v 2 Aza malaky loatra miteny amin'ny vavanao, ary aoka ny fonao tsy halaky loatra hampiakatra izay raharaha rehetra eo anoloan'Andriamanitra. Any an-danitra Andriamanitra, fa ianao ety an-tany, koa aoka ho vitsy ireo teninao.
\v 3 Raha be loatra ny zavatra ataonao sy mampiahiahy anao, dia hanofy ratsy tokoa ianao. Ny habetsak'ireo teny lazainao, no habetsaky ny fahadalana mety ho lazainao.
\s5
\v 4 Rehefa mivoady amin'Andriamanitra ianao, dia aza mitaredretra amin'ny fanaovana izany, fa tsy sitrak'Andriamanitra ireo adala. Ataovy izay nanaovanao voady fa ho ataonao.
\v 5 Aleo tsy mivoady toy izay manao voady izay tsy tanterakao akory.
\s5
\v 6 Aza avela hampanota ny nofonao ny vavanao. Aza miteny amin'ny iraky ny mpisorona hoe: "Fahadisoana iny voady iny." Nahoana no mampatezitra an'Andriamanitra amin'ny fanaovana voady tsy izy, mihantsy an'Andriamanitra hanimba ny asan'ny tananao?
\v 7 Fa ao amin'ny nofy maro, tahaka ny ao amin'ny teny maro, dia misy entona tsy misy dikany. Koa matahora an'Andriamanitra.
\s5
\v 8 Raha hitanao ampahoriana sy robaina amin'ny fitondrana marina sy mahitsy ao amin'ny faritaninao ny mahantra, dia aza gaga raha tsy misy olona mahalala, satria misy olona mahery izay miambina ireo eo ambany fahefan'izy ireo, ary misy olona ambony kokoa aza manapaka azy ireo.
\v 9 Fanampin'izany, an'ny olon-drehetra ny vokatry ny tany, ary ny mpanjaka mihitsy no maka ny vokatra amin'ireo saha.
\s5
\v 10 Ny olona rehetra izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin'ny volafotsy, ary ny olona rehetra izay tia harena dia mitady mihoatra lalandava. Izany, ihany koa, dia entona.
\v 11 Tahaka ny hitomboan'ny fanambinana, dia tahaka izany ihany koa ny olona izay mihinana izany. Inona no tombon-tsoa an'ny tompony amin'ny harena afa-tsy ny mijery izany amin'ny masony?
\s5
\v 12 Mamy ny torimason'ny olona miasa, na mihinana kely na betsaka izy, fa ny haren'ny olona mpanan-karena dia tsy mamela azy hatory tsara.
\s5
\v 13 Misy ratsy mahory izay efa hitako tety ambany masoandro: dia harena angonin'ny tompony, fa miafara amin'ny fahoriany ihany.
\v 14 Raha very amin'ny vintan-dratsy ny haren'ny olona mpanan-karena, ny zanany lahy, ilay naterany, dia tavela tsy manana na inona na inona eo an-tanany.
\s5
\v 15 Tahaka ny olona teraka nitanjaka avy ao an-kibon-dreniny, dia mitanjaka toy izany ihany koa no hialany amin'ity fiainana ity. Tsy afaka hitondra na inona na inona eny an-tanany avy amin'ny asany izy.
\v 16 Ny ratsy mahory hafa dia tahaka ny olona tonga tokoa, koa toy izany koa no tsy maintsy handehanany. Koa inona ny tombony azon'ny olona amin'ny fiasana ho an'ny rivotra?
\v 17 Mandritry ny androny dia mihinana amin'ny aizina izy ary ory fatratra amin'ny aretina sy hatezerana.
\s5
\v 18 Indro, izay efa hitako ho tsara sy mety dia ny mihinana sy misotro ary mankafy ny tombony avy amin'ny asantsika rehetra, raha miasa ambanin'ny masoandro mandritry ity androm-piainana izay efa nomen'Andriamanitra antsika ity. Fa izany no anjaran'ny olona.
\s5
\v 19 Ny olona izay nomen'Andriamanitra fananana sy harena ary fahaizana mba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asany—fanomezana avy amin'Andriamanitra izany.
\v 20 Fa tsy mahatsiaro matetika ireo androm-piainany izy, satria ataon'Andriamanitra sasatra amin'ireo zavatra izay tiany atao.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Misy ratsy izay efa hitako teo ambany masoandro, ary mafy ho an'ny olona izany.
\v 2 Mety hanome fananana, harena, ary voninahitra amin'ny olona iray Andriamanitra mba tsy ho ory na inona na inona amin'izay iriany ho an'ny tenany izy, saingy Andriamanitra tsy hanome fahefana azy mba hankafizana izany. Fa kosa, misy olon-kafa mampiasa ireo zavany. Zava-poana izany, fampahoriana ratsy.
\s5
\v 3 Raha misy lehilahy manana zanaka an-jatony sy miaina taona maro, mba ho maro ny andron'ireo taonany, fa raha tsy afa-po amin'ny tsara ny fony ary tsy alevina am-boninahitra izy, dia hoy aho hoe ny zaza maty teo am-pahaterahana dia tsara kokoa noho izy.
\v 4 Na dia teraka amin'ny zava-poana aza ny zaza tahaka izany ary maty ao amin'ny haizina, ary mitoetra ho fanafina ny anarany.
\s5
\v 5 Na dia tsy mahita ny masoandro aza io zaza io na tsy mahafantatra na inona na inona, dia manana fitsaharana mihoatra noho izany lehilahy izany izy.
\v 6 Na dia tokony hiaina roa arivo taona aza ny olona nefa tsy mianatra mankafy ireo zavatra tsara, dia mandeha any amin'ny toerana mitovy toy ny olona hafa rehetra izy.
\s5
\v 7 Ny asan'ny olona rehetra dia amin'ny vavany, nefa tsy mbola afa-po amin'ny homany.
\v 8 Eny tokoa, inona no tombon-tsoa ananan'ny olon-kendry amin'ny adala? Inona no tombon-tsoa ananan'ny mahantra na dia mahafantatra ny fomba fihetsika manoloana ny olona hafa aza izy?
\s5
\v 9 Tsara kokoa ny afa-po amin'izay hitan'ny maso noho ny maniry izay tadiavin'ny homana mandehandeha, izay entona sy andrana hanoherana rivotra ihany koa.
\v 10 Izay rehetra nisy dia efa nomena ny anarany, ary efa fantatra hoe toy ny inona ny olombelona. Noho izany dia lasa tsy misy dikany ny mifamaly amin'izay mpitsara maherin'ny rehetra.
\v 11 Arakaraky ny habetsaky ny teny voalaza, no hitomboan'ny zava-poana, koa inona no tombon-tsoan'izany amin'ny olona?
\v 12 Fa iza no mahafantatra izay tsara ho an'ny olona eo amin'ny fiainany mandalo, andro voaisa izay hiainany toy ny aloka? Iza no afaka milaza amin'ny olona ny amin'izay ho avy eny ambany masoandro rehefa avy mandalo izy?
\s5
\c 7
\p
\v 1 Ny laza tsara dia tsara kokoa noho ny ranomanitra lafo vidy, ary ny andro hahafatesana dia tsara kokoa noho ny andro hahaterahana.
\v 2 Tsara kokoa ny mandeha any amin'ny trano fisaonana noho ny any amin'ny trano firavoravoana, satria ny fisaonana dia tonga amin'ny olona rehetra amin'ny faran'ny fiainana, ka tokony raisin'ny olona velona am-po izany.
\s5
\v 3 Ny alahelo dia tsara kokoa noho ny tsiky, fa aorian'ny endrika malahelo no hiavian'ny hafalian'ny fo.
\v 4 Ny fon'ny hendry dia ao an-trano fisaonana, fa ny fon'ny adala kosa ao an-trano firavoravoana.
\s5
\v 5 Tsara kokoa ny mihaino ny teny mafin'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ireo adala.
\v 6 Fa tahaka ny fikarepok'ireo tandroka mirehitra ambany vilany, dia toy izany koa ny fihomehin'ireo adala. Izany, ihany koa, dia zava-poana.
\s5
\v 7 Ny fangalana an-keriny dia azo antoka fa mahalasa adala ny hendry, ary ny kolikoly manimba ny fo.
\s5
\v 8 Tsara kokoa ny fiafaran'ny raharaha iray noho ny fiandohany; ary ny olona maharitra am-panahy dia tsara kokoa noho ny mirehareha am-panahy.
\v 9 Aza mora tezitra ny fanahinao, satria ny hatezerena dia mitoetra ao am-pon'ireo adala.
\s5
\v 10 Aza miteny hoe: "Nahoana ireo andro fahiny no tsara kokoa noho ireto?" Fa izany dia tsy noho ny fahendrena raha manontany io fanontaniana io ianao.
\s5
\v 11 Ny fahendrena dia tsara noho ireo zavatra manan-danja izay nolovaintsika avy tamin'ireo razambetsika. Izany dia mitondra tombon-tsoa ho an'ireo izay mahita ny masoandro.
\v 12 Fa ny fahendrena dia mitondra fiarovana toy ny vola izay afaka mitondra fiarovana, saingy ny tombon-tsoan'ny fahalalana dia ny hoe manome fiainana ho an'izay manana azy ny fahendrena.
\s5
\v 13 Saino ireo asan'Andriamanitra: Iza no afaka hanitsy ny zavatra rehetra nomelohany?
\s5
\v 14 Rehefa tsara ny andro, dia miainà amim-pifaliana amin'izany hatsarana izany, fa rehefa ratsy ny andro, dia saino ny momba ity: Andriamanitra dia efa namela azy roa hiaraka. Noho izany antony izany, dia tsy misy mahita ny zavatra rehetra izay mitranga aoriany.
\s5
\v 15 Efa nahita zavatra maro aho nandritr'ireo andro keliko. Misy ireo olo-marina izay levona na dia eo aza ny fahamarinan'izy ireo, ary misy ireo olona ratsy fanahy izay ela velona na dia eo aza ny haratsian'izy ireo.
\v 16 Aza manamarin-tena, hendry eo imasonao. Nahoana no tokony hanimba ny tenanao ianao?
\s5
\v 17 Aza dia ratsy fanahy na miadaladala loatra. Nahoana ianao no tokony ho faty mialohan'ny fotoanao?
\v 18 Tsara raha mihazona io fahendrena io ianao, ary tsy tokony hamela ny fahamarinana handeha. Fa ny olona izay matahotra an'Andriamanitra dia hahita ireo adidiny rehetra.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "hahita ireo adidiny rehetra", misy amin'ireo dika-teny taty aoriana sasany manana fandikana hafa an'ity andalan-tsoratra sarotra ity. \f*
\s5
\v 19 Mahery ny fahendrena ao amin'ny olo-kendry, mihoatra noho ny mpanapaka folo ao amin'ny tanàna iray.
\v 20 Tsy misy olo-marina manao soa sy tsy mbola nanota izany mihitsy eto an-tany.
\s5
\v 21 Aza mihaino ny teny rehetra izay voalaza, satria mety handre ny mpanomponao hanozona anao ianao.
\v 22 Toy izany koa, ianao dia mahafantatra fa efa nanozona matetika ny hafa tao am-ponao manokana ianao.
\s5
\v 23 Ireo rehetra ireo dia efa voaporofoko tamin'ny fahendrena. Hoy aho hoe: "Ho hendry aho," saingy nihoatra ny tokony ho izy izany.
\v 24 Ny fahendrena dia lavitra sy lalina. Iza no afaka hahita izany?
\v 25 Nanova ny foko mba hianatra sy handinika ary hitady ny fahendrena sy ireo fanazavana ny zava-misy aho, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny hadalana dia fahaverezan-tsaina.
\s5
\v 26 Hitako fa mangidy kokoa noho ny fahafatesana ny vehivavy izay feno fandrika sy harato ny fony, ary misy rojo vy ny tanany. Na iza na iza mankasitraka an'Andriamanitra dia ho afaka aminy, fa ireo mpanota kosa ho lasany.
\s5
\v 27 "Saino izay efa hitako," hoy ny Mpitoriteny. "Nanampy vokam-pikarohana iray tamin'ny hafa aho mba hahita fanazavana ny zava-misy.
\v 28 Izany no mbola karohiko, saingy tsy hitako izany. Tsy nahita olo-marina iray teo amin'ny arivo aho, ary tsy nahita vehivavy iray teo amin'ireo rehetra ireo aho.
\s5
\v 29 Ity ihany no efa hitako: fa Andriamanitra dia namorona ny olombelona ho mahitsy, saingy nandeha nitady fahasahiranana maro izy ireo."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Iza no olon-kendry? Iza no mahalala ny dikan'ireo zava-miseho eo amin'ny fiainana? Ny fahendrena eo amin'ny olona dia mahatonga ny tavany ho miramirana, ary miova ny hamafin'ny tavany.
\s5
\v 2 Manoro hevitra anao aho mba hankatò ny didin'ny mpanjaka nohon'ny fianianan'Andriamanitra hiaro azy.
\v 3 Aza malaina amin'ny fanatrehana azy, ary aza mifikitra amin'ny fanaovan-dratsy, satria ny mpanjaka manao izay rehetra iriany.
\v 4 Manjaka ny tenin'ny mpanjaka, ka iza no hiteny aminy hoe: "Inona ity ataonao?"
\s5
\v 5 Na iza na iza mitandrina ireo didin'ny mpanjaka dia misoroka hatezerana. Ny fon'olon-kendry dia manaiky ny lalana iombonana sy ny fotoanan'ny fihetsehana.
\v 6 Misy valiny marina sy fotoana hamaliana ny zavatra rehetra, satria lehibe ireo olan'ny olona.
\v 7 Tsy misy mahalala izay ho avy manaraka. Iza no afaka hilaza aminy izay ho avy?
\s5
\v 8 Tsy misy mpanapaka amin'ny fofon'ainy ka hampijanona ny fofon'aina,
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany manao hoe: Tsy misy mpanapaka amin'ny rivotra ka hampijanona rivotra. \f*
ary tsy misy manan-kery amin'ny andron'ny fahafatesany. Tsy misy afaka amin'ny tafika mandritry ny ady, ary ny faharatsiana dia tsy hamonjy ireo izay andevon'izany.
\v 9 Nahafantatra izany rehetra izany aho; nampihatra ny foko tamin'ny asa tsara rehetra izay natao tety ambany masoandro aho. Misy ny fotoana izay ampahorian'ny olona ny hafa amin'ny ratran'izany olona izany.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taty aoriana manao hoe: "Ho an'ny ratrany ihany". Ny andalan-teny Hebreo dia azo adika amin'ireo roa ireo. \f*
\s5
\v 10 Ka hitako ny ratsy fanahy nalevina am-pahibemaso. Nalaina tamin'ny faritra masina izy ireo ka nalevina ary noderain'ireo mponina tao amin'ny tanàna izay nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Izany koa dia tsy misy dikany.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taty aoriana dia manana fandikana hafa koa amin'io andininy sarotra io: "Nahita ny olona ratsy fanahy tonga sy lasa ho eo amin'ny fitoerana masina aho. Niteny tamim-pireharehana teo amin'ny tanàna momba ireo zavatra efa nataony izy ireo, izany ihany koa dia tsy misy dikany." Ireo dikan-teny hafa manao hoe: "Nahita ireo olona ratsy fanahy tonga sy lasa ho eo amin'ny toerana masina aho. Noderaina teo an-tanàna izy ireo tamin'ireo zavatra vitany. Izany ihany koa dia tsy misy dikany. \f*
\v 11 Raha tsy tanteraka faingana ny didim-pitsarana hanohitra ny heloka bevava ratsy, dia mitaona ireo fon'olombelona hanao ratsy izany.
\s5
\v 12 Na dia manao ratsy in-jato aza ny mpanota ary mbola velona mandritry ny fotoana maharitra, dia fantatro fa tsara ho an'ireo izay manaja an'Andriamanitra, izay manome voninahitra ny fanatrehany miaraka amin'izy ireo izany.
\v 13 Fa tsy ho tsara ho an'ny olona ratsy fanahy izany; tsy haharitra ny fiainany. Ireo androny dia toy ny aloka mihelina satria tsy manome voninahitra an'Andriamanitra izy.
\s5
\v 14 Mbola misy zava-poana hafa—zavatra hafa vita tety ambonin'ny tany. Ireo zavatra mitranga amin'ny olo-marina dia tahaka ny fitrangan'ireo amin'ny olona ratsy fanahy, ary tahaka ny itrangan'ireo zavatra amin'ny ratsy fanahy no itrangan'izany amin'ny olo-marina. Hoy aho hoe zava-poana ihany koa izany.
\v 15 Koa mitaky ny hafaliana aho, satria tsy misy zavatra tsara azon'ny olona eny ambany masoandro noho ny mihinana sy misotro ary mifaly. Dia ny hafaliana no hanaraka azy any amin'ny asany amin'ny androm-piainany rehetra izay nomen'Andriamanitra azy ambany masoandro.
\s5
\v 16 Raha nanefy ny foko hahalala ny fahendrena aho sy hahafantatra ny asa izay atao eto ambonin'ny tany, dia vita tsy amin-torimaso amin'ny alina na amin'ny atoandro matetika ny asa,
\v 17 dia nandinika ireo asan'Andriamanitra rehetra aho, ary ny olona dia tsy afaka ny hahatakatra ny asa izay vita teto ambanin'ny masoandro. Na ahoana na ahoana ny hamaroan'ny asan'ny olona mba hahita ireo valiny, dia tsy hahita izany izy ireo. Na izany aza ny olon-kendry dia mety hino fa mahalala izy, nefa tsy dia tena mahalala akory.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Fa nieritreritra ny momba izany rehetra izany tato an-tsaiko aho mba hahatakarako momban'ny olo-marina sy ny olon-kendry ary ireo asan'izy ireo. Eo am-pelatanan'Andriamanitra avokoa izy rehetra. Tsy misy na iza na iza mahalala na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ny olona iray.
\s5
\v 2 Mitovy ny lahatry ny tsirairay. Mitovy ny lahatra miandry ny olo-marina sy ny olona ratsy fanahy, ny tsara,
\f + \ft Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany amin'izao fotoana izao dia mandika ny dikan-teny taloha izay manao hoe "ny tsara sy ny ratsy." Feno tanteraka ny fehezanteny, amin'izany. Ireo mpandika teny dia mety hanapa-kevitra ny haka tahaka ireo. \f*
ny madio sy ny maloto, ary izay manao sorona sy izay tsy manao sorona. Ho faty ny olo-marina, dia ho tahaka izany ihany koa ny mpanota. Ho faty izay mianiana, dia ho tahaka izany ihany koa ny olona izay matahotra manao fianianana.
\s5
\v 3 Misy lahatra ratsy ho an'ny zavatra rehetra izay atao eto ambany masoandro, lahatra iray ho an'ny tsirairay. Feno ratsy ny fon'olombelona, ary ao am-pon'izy ireo ny fahadalana raha mbola velona koa izy ireo. Koa aorian'izany dia mankany amin'ny maty izy ireo.
\s5
\v 4 Fa na iza na iza miombona amin'ny velona rehetra, dia misy fanantenana, tahaka ny mahatsara kokoa ny amboa velona noho ny liona maty.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taty aoriana dia manao hoe: "Fa inona no tsara? Ho an'ny velona rehetra, dia izao no azo antoka: ny amboa velona dia tsara kokoa noho ny liona maty". \f*
\v 5 Fa ny olombelona dia mahafantatra fa ho faty izy ireo, fa ny maty tsy mahafantatra na inona na inona. Tsy manana valisoa intsony izy ireo, satria efa adino ny fahatsiarovana azy ireo.
\s5
\v 6 Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fanirian'izy ireo dia efa nanjavona hatry ny ela. Tsy hanana toerana amin'ny zavatra rehetra izay atao ety ambany masoandro intsony izy ireo.
\v 7 Mandehana amin'ny lalanao, hano am-pifaliana ny mofonao, ary sotroy amin'ny fo faly ny divainao, satria Andriamanitra dia manaiky ny fankalazana ireo asa tsara.
\v 8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny akanjonao ary aoka ho voahosotra amin'ny diloilo ny lohanao.
\s5
\v 9 Miainà am-pifaliana miaraka amin'ny vady tianao amin'ny androm-piainanao rehetra mandalo foana, dia ireo andro izay nomen'Andriamanitra anao teny ambany masoandro mandritr'ireo andronao mandalo foana. Izany no valisoanao amin'ny fiainana noho ireo asanao teny ambany masoandro.
\v 10 Na inona na inona hitan'ny tananao atao, dia hiasao amin'ny herinao izany satria tsy misy asa na fanazavana na fahalalana na fahendrena any amin'ny Fiainan-tsy hita, izay handehananao.
\s5
\v 11 Efa nahita zavatra sasantsasany mahaliana teo ambany masoandro aho: Ny hazakazaka dia tsy an'ny olona haingam-pandeha. Ny ady dia tsy an'ny olona matanjaka. Ny mofo dia tsy an'ny olon-kendry. Ny harena dia tsy an'ny olon'ny fahazavan-tsaina. Ny sitraka dia tsy an'ny olon'ny fahalalana. Fa kosa, ny fotoana sy ny vintana dia miantraika amin'izy rehetra.
\v 12 Fa tsy misy na iza na iza mahafantatra ny fotoana hahafatesany, tahaka ny hazan-drano izay tratra ao amin'ny haraton'ny fahafatesana, na tahaka ny vorona izay azon'ny fandrika. Tahaka ireo biby, ny olombelona dia gadra ao amin'ny fotoan-dratsy izay tonga tampoka amin'izy ireo.
\s5
\v 13 Efa nahita fahendrena teo ambany masoandro ihany koa aho toy ny hoe lehibe tamiko izany.
\v 14 Nisy tanàna kely iray izay vitsy olona tao aminy, ary nisy mpanjaka lehibe tonga nanao fahirano izany ary nanorina toerana fiakarana lehibe teo anilan'izany.
\v 15 Ary nisy mahantra iray, lehilahy hendry hita tao amin'ilay tanàna, izay nanavotra ilay tanàna tamin'ny fahendreny. Nefa taty aoriana kely, dia tsy nisy nahatadidy io lehilahy mahantra io intsony.
\s5
\v 16 Ka feheziko amin'ny hoe: "Tsara kokoa ny fahendrena noho ny tanjaka, kanefa natao tsinontsinona ny fahendren'ilay olo-mahantra, ary tsy re ireo teniny."
\s5
\v 17 Ny teny malefaky ny hendry dia re tsara kokoa noho ny fitreron'izay mpanapaka eo amin'ny adala.
\v 18 Ny fahendrena dia tsara kokoa noho ireo fitaovam-piadiana amin'ny ady, kanefa ny mpanota iray dia mety handrava tsara maro.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Toy ireo fatin-dalitra izay mahamaimbo ny zava-manitra, dia toy izany koa no ahafahan'ny fahadalana kely mandresy ny fahendrena sy ny fankatoavana.
\v 2 Ny fon'ny olon-kendry dia mirona miankavanana, fa ny fon'ny adala mirona miankavia.
\v 3 Rehefa mandeha midina eny an-dalana ny adala, dia tsy ampy saina izy, manamarina amin'ny olona rehetra fa adala izy.
\s5
\v 4 Raha miakatra manohitra anao ny fihetseham-pon'ny mpanapaka, aza mandao ny asanao. Ny fitoniana dia afaka mampangina fahatezerana lehibe.
\s5
\v 5 Fa misy ny ratsy izay hitako teo ambany masoandro, karazana hadisoana avy amin'ny mpanapaka:
\v 6 Ireo adala dia nomena toeram-pitarihana, raha ireo olona mahomby nomena toerana ambany.
\v 7 Nahita andevo nitaingin-tsovaly aho, ary ireo olona mahomby nandeha an-tongotra teny amin'ny tany tahaka ny andevo.
\s5
\v 8 Izay rehetra mihady lavaka dia mety hianjera ao amin'izany, ary na oviana na oviana misy olona mandrodana manda dia mety ho kaikerin'ny bibilava izy.
\v 9 Izay rehetra manapaka vato dia mety ho voaratran'izany, ary ny olona izay manapaka hazo dia tandindonin'izany izy.
\s5
\v 10 Raha dombo ny lelan'ny vy, ary ny olona tsy mandranitra izany, dia tsy maintsy mampiasa ny heriny bebe kokoa izy, fa ny fahendrena dia manome tombony ho amin'ny fahombiazana.
\v 11 Raha manaikitra mialohan'ny nanasina ody ny bibilava, dia tsy misy tombony ho an'ny mpanao ody.
\s5
\v 12 Ireo tenin'ny vavan'ny olon-kendry dia hatsaram-panahy, fa ny molotry ny adala dia mitelina azy ihany.
\s5
\v 13 Tahaka ny teny manomboka mikoriana avy eo am-bavan'ny adala, no hivoahan'ny fahadalana, ary amin'ny farany ny vavany dia hikoriana fahaverezan-tsaina ratsy.
\v 14 Ny adala mampitombo teny, fa tsy misy mahafantatra izay ho avy. Iza no mahalala izay tamy avy ao aoriany?
\s5
\v 15 Ny fisasaran'ny adala dia manavesatra azy ireo, ka tsy fantany akory na dia ny lalana makany an-tanan-dehibe aza.
\s5
\v 16 Loza ho anao, ry tany, raha tovolahy no mpanjakanao, ary raha manomboka manao firavoravoana amin'ny maraina ireo mpitarika anao!
\v 17 Fa sambatra ianao, ry tany, raha ny zanaka lahin'ireo mendri-kaja no mpanjakanao, ary mihinana amin'ny fotoany ireo mpitarika anao, ho tanjaka, fa tsy ho amin'ny hamamoana!
\s5
\v 18 Fa nohon'ny hakamoana no mampilatsaka ny tafo, ary nohon'ny fahalainan'ny tanana no mampitete ny trano.
\v 19 Manomana sakafo ho amin'ny fihomehezana ny olona, ny divay mitondra fankafizana fiainana, ary ny vola mameno ny filan-javatra rehetra.
\s5
\v 20 Aza manozona ny mpanjaka, na dia ao an-tsainao aza, ary aza manozona ny olona manan-karena ao amin'ny efitra fandrianao. Fa ny voron'ny lanitra mety hitondra ireo teninao; izay rehetra manan'elatra dia afaka manaparitaka ny raharaha.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Alefaso eny ambonin'ny rano ny mofonao, fa ho hitanao indray izany afaka andro maromaro.
\v 2 Zarao amin'ny olona fito izany, na dia olona valo aza, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'ireo loza amin'ny tany.
\v 3 Raha feno ranon'orana ireo rahona, dia manafoana izany eny amin'ny tany ireny, ary raha mianjera mankany atsimo ny hazo iray na mankany avaratra, na aiza na aiza hianjeran'izany, dia eo no hitoeran'izany.
\s5
\v 4 Mety tsy hamboly ny olona izay mijery ny rivotra, ary mety tsy hijinja ny olona izay mijery ireo rahona.
\v 5 Toa anao izay tsy mahalala akory ny lalan'ny rivotra, na ny nitomboan'ny taolan'ny zaza tao an-kibon'ny bevohoka,
\f + \ft Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany taty aoriana manao hoe: "Toa anao tsy mahalala akory ny lalan'ny fanahy mankany amin'ny taolan'ny zaza ao an-kibon'ny bevohoka" \f*
toy izany koa ianao tsy afaka mahatakatra ny asan'Andriamanitra, izay namorona ny zava-drehetra.
\s5
\v 6 Amboleo amin'ny maraina ireo voanao; hatramin'ny hariva, miasà amin'ireo tananao araka izay ilaina, fa tsy fantatrao izay mety hanambina, na maraina na hariva, na ity na iry, na samy ho tsara avokoa ny roa tonta.
\v 7 Mamy tokoa ny mazava, ary zavatra mahafinaritra ny maso ny mahita ny masoandro.
\v 8 Raha misy olona miaina an-taonany maro, aoka izy ho faly amin'ireny rehetra ireny, nefa aoka izy hisaina ny momban'ireo andron'ny aizina ho avy, fa ho maro ireny. Ny zava-drehetra hitranga dia entona manjavona.
\s5
\v 9 Mifalia, ry zatovo, amin'ny fahatanoranao, ary aoka ny fonao ho faly amin'ny andron'ny fahatanoranao. Manaraha ny faniriana tsaran'ny fonao, sy izay rehetra eo amin'ny hitan'ny masonao. Kanefa, fantaro fa Andriamanitra hitondra anao eo amin'ny fitsarana ny amin'ireo zavatra rehetra ireo.
\v 10 Alaviro amin'ny fonao ny hatezerana, ary aza miraharaha akory ny fanaintainana eo amin'ny vatanao, satria ny hatanorana sy ny heriny dia zava-poana.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Tsarovy ihany koa ny Mpahary anao amin'ny andron'ny fahatanoranao, mialohan'ny hiavian'ny andro sarotra, ary mialohan'ny hiavian'ny taona izay hitenenanao hoe: "tsy manana fankasitrahana ho azy ireo aho,"
\v 2 ataovy izany dieny mbola tsy hody aizina ny hazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana, ary dieny mbola tsy miverina ny raho-mainty aorian'ny orana.
\s5
\v 3 Amin'izany fotoana izany dia mangovitra ny mpiambina ny lapa, sy manjoko ny lehilahy mahery, ary mitsahatra ny vehivavy izay mitoto satria vitsy izy ireo, ary ireo izay mitazana eo am-baravaran-kely dia tsy mahita tsara intsony.
\s5
\v 4 Amin'izany fotoana izany dia mirindrina ny varavaram-be eny amin'ny lalana, ary mijanona ny feon'ny fikosoham-bary, ho taitran'ny feom-borona ny lehilahy, ary malazo ny fihiran'ny feon'ny tovovavy.
\s5
\v 5 Amin'izany fotoana izany dia manomboka matahotra ny hahavo sy ireo loza eny an-dalana ny lehilahy, ary mamelana ny hazo amygdala, sy miaraka mifampitarika ireo valala, ary tsy mandaitra ireo faniriana voajanahary. Mandeha any amin'ny tranony mandrakizay ny lehilahy ary midina an-dalambe ireo mpisaona.
\s5
\v 6 Tsarovy ny Mpahary anao mialohan'ny hahatapahan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny lovia volamena, na hahatorotoro ny siny amin'ny lohataona, na hahatapaka ny kodian-drano eo amin'ny lava-drano,
\v 7 dieny mbola tsy miverina amin'ny tany izay nihaviany ny vovoka, ary ny fanahy miverina amin'Andiamanitra izay nanome izany.
\s5
\v 8 "Ny enton-javona," hoy ny Mpitoriteny: "zava-poana dia zava-poana ny zavatra rehetra."
\v 9 Ny Mpitoriteny dia hendry ary nampianatra fahalalana ny olona izy. Nianatra sy nandinika ary nandrindra ohabolana maro izy.
\s5
\v 10 Ny Mpitoriteny dia nitady ny hanoratra fampiasana mazava tsara, teny mahitsin'ny fahamarinana.
\v 11 Ireo tenin'ny olon-kendry dia tahaka ny tsindrona. Tahaka ireo fantsika tsara lentika ireo tenin'ireo tompo ao amin'ny fanangonan' ohabolan'izy ireo, izay nampianarin'ny mpiandry ondry iray.
\s5
\v 12 Anaka, mahafantara zavatra bebe kokoa: ny fanamboarana boky maro, izay tsy misy fiafarany ary ny fianarana be dia mitondra faharerahana ho an'ny vatana.
\s5
\v 13 Efa re ny fiafaran'ny raharaha aorian'ny zava-drehetra, dia tsy maintsy matahotra an'Andriamanitra ianao ary mitandrina ireo didiny, fa izany no andraikitra manontolon'ny olombelona.
\v 14 Fa Andriamanitra hitondra ny asa rehetra ho amin'ny fitsarana, hatramin'ny zava-miafina rehetra, na tsara izany na ratsy.