plt_ulb/19-PSA.usfm

5040 lines
274 KiB
Plaintext
Raw Permalink Blame History

This file contains ambiguous Unicode characters

This file contains Unicode characters that might be confused with other characters. If you think that this is intentional, you can safely ignore this warning. Use the Escape button to reveal them.

\id PSA
\ide UTF-8
\h Salamo
\toc1 Salamo
\toc2 Salamo
\toc3 psa
\mt Salamo
\s5
\c 1
\p
\v 1 Sambatra ny olona izay tsy manaraka ny torohevitr'ireo ratsy fanahy, na mitsangana amin'ny lalana miaraka amin'ireo mpanota, na mipetraka eo amin'ireo mpaneso.
\v 2 Fa ao amin'ny Yaveh no sitrany, ary amin'ny lalàny izy no misaintsaina andro sy alina.
\s5
\v 3 Ho tahaka ny hazo nambolena tamin'ny riakan'ny rano izay mamokatra ireo voany amin'ny vanim-potoany, izay tsy malazo ravina izy, izay rehetra hataony dia ho ambinina.
\s5
\v 4 Ireo ratsy fanahy dia tsy izany, fa kosa tahaka ny akofa izay entin'ny rivotra.
\v 5 Ka tsy hitsangana ho ao amin'ny fitsarana ireo ratsy fanahy, na ireo mpanota ho ao amin'ny vondron'ireo marina.
\s5
\v 6 Fa i Yaveh dia manaiky ny lalan'ireo marina, fa ny lalan'ireo ratsy fanahy kosa dia ho levona.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Nahoana ny firenena no ao anaty korontana, ary nahoana ny olona no manao teti-dratsy izay tsy hahomby?
\v 2 Miara-mitsangana ireo mpanjakan'ny tany ary miara-mioko manohitra an'i Yaveh sy ny Mesiany ireo mpanapaka, manao hoe:
\v 3 "Aoka isika hamiravira ireo rojo vy izay apetrany eto amintsika ary hanipy ireo rojon'izy ireo."
\s5
\v 4 Izy izay mipetraka any an-danitra hihomehy azy ireo; haneso azy ireo ny Tompo.
\v 5 Avy eo dia hiteny amin'izy ireo amin'ny fahatezerany izy ary hampihorohoro azy ireo amin'ny fahavinirany, manao hoe:
\s5
\v 6 Izaho tenako no manendry ny mpanjakako ao Ziona, tendrombohitro masina."
\v 7 Hanambara lalàn'i Yaveh iray aho. Hoy Izy tamiko: "Zanako ianao! Amin'ity andro ity dia tonga rainao Aho."
\s5
\v 8 Hangataho Aho, dia homeko anao ho lovanao ireo firenena ary ho fanananao ireo faritra lavitra indrindran'ny tany.
\v 9 Hovakinao amin'nytehim-by, tahaka ny siny ireo, hamotipotika ireo ianao."
\s5
\v 10 Koa ankehitriny, ry mpanjaka, mitandrema; mahitsy; ry mpanapaky ny tany.
\v 11 Miderà an'i Yaveh amin-tahotra ary mifalia amin'ny fangovitana.
\s5
\v 12 Orohy ny zanaka sao ho tezitra aminao izy, ka ho faty amin'ny lalan'ny firehetan'ny hatezerany mandritra ny fotoana fohy ianao. Sambatra ireo rehetra izay mitady fialofana ao Aminy.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida, rehefa nitsoaka an'i Absaloma zanany izy. Ry Yaveh, firy ireo fahavaloko! Maro no nitsangana nanohitra ahy.
\v 2 Maro no milaza momba ahy hoe: "Tsy misy fanampiana ho azy avy any amin'Andriamanitra. Sela
\s5
\v 3 Fa Ianao, ry Yaveh, dia fiarovana manodidina ahy, voninahitro, ary ilay iray izay manandratra ny lohako.
\v 4 Manandratra ny feoko amin'i Yaveh aho, ary mamaly ahy avy any amin'ny havoany masina Izy. Sela
\s5
\v 5 Nandry aho ary natory; nifoha aho, satria i Yaveh miaro ahy.
\v 6 Tsy hatahotra olona maro izay mampanohitra ny tenan'izy ireo amiko amin'ny zohy rehetra aho.
\s5
\v 7 Mitsangàna, ry Yaveh! Vonjeo aho, ry Andriamanitro! Fa hamely ireo fahavalo rehetra amin'ny takolaka Ianao; hamaky ny nifin'ireo ratsy fanahy Ianao.
\v 8 Avy amin'i Yaveh ny famonjena. Ho amin'ny olonao anie ireo fitahianao. Sela
\s5
\c 4
\p Ho an'ilay mpiventy hira; amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Valio aho rehefa miantso, ry Andriamanitrin'ny fahamarinako; omeo trano aho rehefa latsaka an-katerena. Mamindrà fo amiko ary henoy ny fivavako.
\s5
\v 2 Ry olona, mandra-pahoviana ianareo no hanova ny voninahitro ho fahafaham-baraka? Mandra-pahoviana ianareo no hitia izay ratsy sy hanaraka ny lainga? Sela.
\v 3 Saingy fantaro fa i Yaveh dia manokana izay araka an'Andriamanitra ho Azy. Handre i Yaveh rehefa miantso Azy aho.
\s5
\v 4 Mangovita amin-tahotra, fa aza manota! Saino ao am-ponareo eo am-pandrianareo ary aoka hangina. Sela
\v 5 Atolory ireo soron'ny fahamarinana ary apetraho amin'i Yaveh ny fahatokianao.
\s5
\v 6 Maro no miteny hoe: "iza no hampiseho zavatra tsara amintsika?" Ry Yaveh, asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao.
\v 7 Nomenao hafaliana bebe kokoa mihoatra ny an'ny hafa ny foko rehefa betsaka ny vary sy ny divay vaovao.
\v 8 Am-piadanana no handriako sy hatoriko, satria Ianao irery, ry Yaveh, no mahatonga ahy hitoetra tsy manana ahiahy.
\s5
\c 5
\p Ho an'ilay mpiventy hira; miaraka amin'ireo zava-maneno tsofina. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Henoy ny antsoko Aminao, ry Yaveh; hevero ireo fitarainako.
\v 2 Henoy ny feon'ny antsoko, ry Mpanjakako sy Andriamanitro, fa Aminao aho no mivavaka.
\v 3 Ry Yaveh, mandre ny tarainako Ianao amin'ny maraina; mitondra ny fiangaviako Aminao aho amin'ny maraina ary miandry manantena.
\s5
\v 4 Andriamanitra tsy mankatoa ny ratsy tokoa Ianao; tsy ho vahininao ireo olon-dratsy.
\v 5 Ny mpiavonavona dia tsy hitsangana eo amin'ny fanatrehanao; halanao ireo izay manana fitondran-tena ratsy.
\v 6 Hamotika ireo mpandainga Ianao; Yaveh dia manao tsinontsinona ny herisetra sy ireo olona mpamitaka.
\s5
\v 7 Fa raha ny amiko, noho ny halebiazan'ny fanekenao mahatoky, dia ho avy ao an-tranonao Aho; amim-panajana no hiankohofako manoloana ny tempolinao masina.
\v 8 Ry Tompoko, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ireo fahavaloko; ataovy mahitsy manoloana ahy ny lalanao.
\s5
\v 9 Fa tsy misy fahamarinana eo amin'ny vavan'izy ireo; ratsy ny ao anatin'izy ireo, fasana misokatra ny tendan'izy ireo; malefaka izy ireo amin'ny fiteniny.
\v 10 Ambarao ho meloka izy ireo, ry Andriamanitra; aoka ho faharavan'izy ireo ny tetiny! Avohay amin'ireo fandikan-dalàny maro izy ireo, satria nikomy nanohitra Anao.
\s5
\v 11 Fa aoka hifaly ireo rehetra izay mialoka Aminao; aoka izy ireo hihiaka am-pifaliana satria miaro azy ireo Ianao; aoka hifaly ao Aminao izy ireo, dia ireo izay tia ny anaranao.
\v 12 Fa hitahy ny marina Ianao, ry Yaveh; hiodidina azy ireo amin'ny sitraka toy ny amin'ny fiarovana Ianao.
\s5
\c 6
\p Ho an'ny mpiventy hira; amin'ny lokanga, natao tamin'ny fomban'ny Al-shasheminith. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Ry Yaveh, aza mibedy ahy amin'ny fahatezeranao na manafay ahy amin'ny fahaviniranao.
\v 2 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh, fa osa aho; sitrano aho, ry Yaveh, fa mangovitra ireo taolako.
\s5
\v 3 Tena ory ihany koa ny fanahiko. Saingy Ianao, ry Yaveh—mandra-pahoviana no hitohizan'izany?
\v 4 Miverena, ry Yaveh! vonjeo aho. Vonjeo nohon'ny famonjenao mahatoky aho!
\v 5 Fa tsy misy fahatsairovana Anao any amin'ny fahafatesana. Iza no hisaotra Anao any amin'ny fiainan-tsy hita?
\s5
\v 6 Reraky ny sentoko aho. Kotsan-dranomaso ny fandriako isak'alina; manasa ny fandriako amin'ny ranomasoko aho.
\v 7 Lanin'alahelo ny masoko; tonga tsy manan-kery izy ireo noho ireo fahavaloko rehetra.
\s5
\v 8 Mialà amiko, ianareo mpanao ratsy rehetra; fa Yaveh efa nandre ny feon'ny fitomaniko.
\v 9 Efa nandre ny antsoko ho an'ny famindrampo i Yaveh; Efa nandray ny vavako i Yaveh.
\v 10 Ho menatra sy hikorontana tanteraka ny fahavaloko rehetra. Hitodika izy ireo ka ho ambanina tampoka.
\s5
\c 7
\p Mozika noforon'i Davida, izay nirainy ho an'i Yaveh mahakasika ireo tenin'i Kosa ilay Benjamita.
\v 1 Ry Yaveh Andriamanitro, mialoka ao Aminao aho! Afaho amin'ireo izay manenjika ahy aho, ary vonjeo.
\v 2 Raha tsy izany, hoviravirain'ireo toy ny liona aho, rovidrovitiny tsy misy olona afaka hitondra fiarovana ho ahy.
\s5
\v 3 Ry Yaveh Andriamanitro, tsy mbola nanao izay nolazain'ireo fahavaloko ho nataoko mihintsy aho; tsy misy tsy fahamarinana eo amin'ny tanako.
\v 4 Tsy mbola nanao ratsy tamin'iza na iza tsara fihavanana tamiko aho, na nanisy ratsy izay nanohitra ahy amin'ny tsy misy antony.
\s5
\v 5 Raha tsy milaza ny marina aho dia aoka ny fahavaloko hanenjika ny aiko ary hisambotra izany; aoka izy hanitsaka ny vatako mbola velona amin'ny tany ary hapandry ny voninahitro amin'ny vovoka. Sela
\s5
\v 6 Mitsangàna, ry Yaveh, amin'ny fahatezeranao; mitsangàna manoloana ny fahatezeran'ireo fahavaloko; mifohaza hanampy ahy sy hanatanteraka ny didy marina izay efa nandidianao ho azy ireo.
\v 7 Miangona manodidina anao ireo firenena; alaivo indray ny toeranao marina eo amin'izy ireo.
\s5
\v 8 Ry Yaveh, tsarao ireo firenena; hamarino aho, ry Yaveh, satria marina sy tsy manan-tsiny aho, ry Avo indrindra.
\v 9 Aoka hifarana ny asa ratsin'ny ratsy fanahy. fa apetraho ireo olo-marina, ry Andriamanitra marina, izay mandinika ny fo sy ny eritreritra.
\s5
\v 10 Avy amin'Andriamanitra ny ampingako, ilay tokana izay mamonjy ny mahitsy am-po.
\v 11 Mpitsara marina Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra tezitra isan'andro.
\s5
\v 12 Raha tsy mibebaka ny olona iray, handranitra ny sabany Andriamanitra ary hanomana ny tsipikany ho amin'ny ady.
\v 13 Manomana ny fampiasana ireo fitaovam-piadina hanoherana azy Izy; ataony miredareda ireo zana-tsipikany voalambolambo.
\s5
\v 14 Saino ny momban'izay bevohokan'ny faharatsiana, izay manao tetika handravana, izay miteraka lainga hampidi-doza.
\v 15 Mandavaka fatsakana izy ary manalalaka izany ary latsaka ao amin'ny lavaka izay nataony izy.
\v 16 Miverina ao an-dohany ihany ireo fikasany hanimba, satria ny herisetrany dia mikorina ao an-dohany ihany.
\s5
\v 17 Hisaotra an'i Yaveh noho ny fahamarinany aho; hihira fiderana ho an'i Yaveh Avo Indrindra aho.
\s5
\c 8
\p Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'i Al-hagitith. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Ry Yaveh Andriamanitray, endrey ny hatsaran'ny anaranao eo amin'ny tany rehetra, Ianao izay maneho ny voninahitrao eny amin'ny lanitra ambony.
\v 2 Avy amin'ny vavan'ny zazakely sy ny ankizy no efa namoronanao fiderana noho ny amin'ireo fahavalonao, mba hampanginana ny fahavalo sy ny mpamaly faty
\s5
\v 3 Raha miandrandra ny lanitrao aho, izay nataon'ny ratsan-tananao, ny volana sy ireo kintana, izay napetrakao tamin'ny toerany,
\v 4 inona moa ny olona no ahatsiarovana azy, na ny olombelona no hirarahianao azy ireo?
\v 5 kanefa nataonao ambany kely noho zava-manan'aina eny any an-danitra izy ireo ary nampisatrohinao voninahitra sy haja.
\s5
\v 6 Ataonao mpanapaka eo amin'ireo asa-tananao izy; nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra:
\v 7 ny ondry aman'osy sy ny omby, ary izay biby rehetra ao amin'ny saha,
\v 8 ireo vorona eny amin'ny habakabaka, sy ireo trondro any an-dranomasina, ny zavatra rehetra izay mandalo eo amin'ny lalan-dranomasina.
\s5
\v 9 Ry Yaveh Tomponay, endrey ny hatsaran'ny anaranao eo amin'ny tany rehetra!
\s5
\c 9
\p Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'ny Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Hanome fisaorana an'i Yaveh amin'ny foko manontolo aho; hanambara ny asa mahagaga nataonao aho.
\v 2 Hifaly sy hiravo ao aminao aho; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho, ry Avo Indrindra!
\s5
\v 3 Rehefa miverina ny fahavaloko, dia ho tafintohina sy ho faty manoloana Anao izy ireo.
\v 4 Fa efa niaro ny rariny Ianao; mipetraka eo amin'ny seza fiandriananao Ianao, ry mpitsara marina!
\s5
\v 5 Efa niteny mafy ireo firenena Ianao; efa nandrava ireo ratsy fanahy Ianao. Efa nofafanao mandrakizay doria ny anaran'izy ireo.
\v 6 Nirodana toy ny faharavana ireo fahavalo raha nandrava ny tanànan'izy ireo Ianao. Very ny fahatsiarovana azy ireo rehetra.
\s5
\v 7 Fa mitoetra mandrakizay Yaveh, nametraka ny seza fiandrianany ho amin'ny fahitsina Izy.
\v 8 Hitsara ny tany amin'ny fahamarinana Izy, ary hampihatra fitsarana ho an'ny firenena amin'ny rariny Izy.
\s5
\v 9 Ho fiarovana mafy ho an'ireo nampahoriana ihany koa Izy, ho fiarovana mafy amin'ny fotoanan-tsarotra.
\v 10 Ireo izay mahalala ny anaranao dia mahatoky Anao, fa Ianao, ry Yaveh, tsy mandao ireo izay mitady Anao.
\s5
\v 11 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, izay manapaka ao Ziona; ambarao amin'ireo firenena izay nataony.
\v 12 Fa Andriamanitra izay mamaly ny fandatsahan-drà dia mahatsiaro; tsy manadino ny fitarainan'ireo ory Izy.
\s5
\v 13 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh; jereo ny fampahorian'ireo izay mankahala ahy, Ianao izay afaka nisintona ahy eo ambavahadin'ny fahafatesana.
\v 14 Endrey, te hanambara ny fiderana Anao rehetra aho. Eo ambavahadin'ny zanaka vavin'i Ziona no hifaliko amin'ny famonjenao!
\s5
\v 15 Nilentika tao amin'ny lavaka izay nataon'izy ireo ireo firenena; tratra tao amin'ny harato izay nafenin'izy ireo ny tongony.
\v 16 Nampahafantatra ny tenany i Yaveh; nampiatra fitsarana Izy; voafandrika tamin'ny nataony ihany ireo ratsy fanahy. Sela
\s5
\v 17 Nomen-damosina ny ratsy fanahy ary nalefa tany amin'ny fiainan-tsy hita, ny anjaran'ny firenena rehetra izay manadino an'Andriamanitra.
\v 18 Fa ireo mahantra dia tsy ho adinoina mihitsy, ny fanantenan'ny ory koa dia tsy ho very mandrakizay.
\s5
\v 19 Mitsangàna, ry Yaveh, aza avela handresy Anao ny olona; aoka ireo firenena ho tsaraina eo imasonao.
\v 20 Ampitahory izy ireo, ry Yaveh; aoka ho fantatry ny firenena rehetra fa olona ihany izy ireo. Sela
\s5
\c 10
\p
\v 1 Nahoana, ry Yaveh, no mijanona eny lavitra eny Ianao? Nahoana no manafina ny tenanano amin'ny fotoan-tsarotra Ianao?
\v 2 Nohon'ny avonavon'izy ireo, ny ory dia henjehan'ny ratsy fanahy; nefa aoka re ny ratsy fanahy ho voafandriky ny eritreritr'izy ireo izay noheverin'izy ireo ihany.
\v 3 Fa ireo olona ratsy fanahy dia mirehereha ny amin'ireo faniriany lalina; mitahy ireo tia vola izy ary maniratsira an'i Yaveh.
\s5
\v 4 Nanandratra ny tavany ny ratsy fanahy; tsy nitady an'Andriamnaitra izy. Tsy mieritreritra ny momba an'Andriamanitra mihitsy izy satria tsy miraharaha ny momba azy akory.
\v 5 Voaaro amin'ny fotoana rehetra izy, saingy ny didinao marina dia avo loatra ho azy; mierona amin'ireo fahavalony rehetra izy.
\s5
\v 6 Miteny ao am-pony izy hoe: "Tsy ho lavo mandrakizay aho; hatramin'ny taranako dia rehetra tsy hahita fahoriana."
\v 7 Feno ozona sy fitaka, teny mampidi-doza ny vavany; mandratra sy mamotika ny lelany.
\s5
\v 8 Miandry am-piafenana teo akaikin'ireo tanàna izy. Any amin'ireo toerana miafina no hamonoany ny tsy manan-tsiny; mitady ireo niharam-boina tsy afa-manoatra ny masony.
\v 9 Miafina ao amin'ny mangina toy ny liona ao anaty kirihitrala izy; mahavoasambotra ny ory izy rehefa misintona ny haratony.
\v 10 Ireo izay tratrany dia notorotoroina ary nokapohiny; nilatsaka tao anatin'ny haratony lehibe izy ireo.
\s5
\v 11 Miteny ao am-pony izy hoe: "Efa nanadino Andriamanitra; nandrakotra ny tavany Izy, tsy hisahirana hijery akory Izy."
\v 12 Mitsangàn, ry Yaveh! Asandrato ny tananao, Andriamanitra o! Aza manadino ny ory.
\s5
\v 13 Nahoana no mandà an'Andriamanitra ny olona ratsy fanahy ary miteny ao am-pony hoe: "Tsy hihazona ahy ho tompon'andraikitra ve ianao"?
\v 14 Efa naharay filazana ianao, fa hitanao foana ireo izay iharan'ny fahoriana sy alahelo. Miankina aminao ireo tsy afa-manoatra; mpamonjy ny kamboty Ianao.
\s5
\v 15 Tapaho ny sandrin'ireo ratsy fanahy sy olon-dratsy. Ataovy tompon'andraikitra amin'ireo ratsy nataony izy, izay noheveriny fa tsy ho hitanao.
\v 16 Mpanjaka mandrakizay doria i Yaveh; noroasina teo amin'ny taniny ireo firenena.
\s5
\v 17 Ry Yaveh, efa nandre ny fitarainan'ireo ory Ianao, mampahery ny fon'izy ireo Ianao, mihaino ny vavak'izy ireo Ianano;
\v 18 miaro ny kamboty sy ny ory Ianao ka tsy hisy olona ambonin'ny tany hampihorohoro indray.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. 1Yaveh no ialofako; ahoana no hilazanao amiko hoe: "Mandosira any an-tendrombohitra Tahaka ny vorona?"
\v 2 Fa indro! Manamboatra ny zana-tsipìkany ny ratsy fanahy. Manenjana ny tsipìkany izy ireo mba hitifirana ny mahitsy fo ao anaty aizina.
\s5
\v 3 Fa raha rava ireo fanorenana, inona no azon'ny marina atao?
\v 4 Yaveh dia ao amin'ny tempoliny masina; mijery ny masony, mandinika ny zanak'olombelona ny masony.
\s5
\v 5 Samy dinihin'i Yaveh na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, fa Izy dia mankahala ireo tia herisetra.
\v 6 Handatsaka vain'afo mahamay sy solifara amin'ireo ratsy fanahy Izy; rivo-mandoro no ho anjara kapoakany!
\v 7 Fa marina Yaveh, ary tia fahamarinana Izy; ny mahitsy no hahita ny tavany.
\s5
\c 12
\p Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny Al-hasheminith. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Vonjeo, ry Yaveh, fa tsy misy intsony ny tsara fanahy; nanjavona ireo mahatoky.
\s5
\v 2 Samy miteniteny foana amin'ny mpiara-monina amin'ny molotra mandoka sy fo miroaroa ny olona rehetra.
\v 3 Ry Yaveh, aringano ireo molotra mpiatsaravelatsihy, ny lela rehetra samy hanambara ireo zava-marina.
\v 4 Ireo dia izay niteny hoe: "Ny lelanay no hampandresy anay. Raha miteny ny molotray, iza no afaka handidy eo aminay?"
\s5
\v 5 Nohon'ny herisetra atao amin'ny ory, nohon'ny senton'ny mahantra, dia hitsangana Aho," hoy i Yaveh. Hanome filaminana izay irin'izy ireo fatratra aho."
\s5
\v 6 Ireo tenin'i Yaveh dia teny madio, tahaka ny volafotsy voarendrika im-pito.
\v 7 Ianao no Yaveh! Nitandrina azy ireo ianao. Miaro ny olona tsara fanahy amin'izao taranaka ratsy fanahy izao mandrakizay Ianao.
\v 8 Mandeha na aiza na aiza ny ratsy rehefa misandratra amin'ny zanak'olombelona ny ratsy.
\s5
\c 13
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Mandra-pahoviana, ry Yaveh, no hanadinoanao ny momba ahy? Mandra-pahoviana no hanafenanao amiko ny tavanao?
\v 2 Mandra-pahoviana no tsy maintsy hatahorako sy hananako alahelo am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no handresen'ny fahavaloko ahy?
\s5
\v 3 Jereo aho ary valio, ry Yaveh Andriamanitro! Omeo fahazavana ny masoko, fandrao renoky ny torimasom-pahafatesana aho.
\v 4 Ny fahavaloko aza avela hiteny hoe: "Efa nandresy azy aho," mba tsy hitenenan'ny fahavaloko hoe: "Efa nandresy teo amin'ny rafiko aho;" raha tsy izany, dia hifaly ireo fahavaloko rehefa lavo aho.
\s5
\v 5 Fa efa akaiky ny tsy fivadiham-panekenao aho; mifaly amin'ny famonjenao ny foko.
\v 6 Hihira ho an'i Yaveh aho satria tena nalala-tanana tamiko izy.
\s5
\c 14
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Ny adala niteny anakam-po hoe: "Tsy misy Andriamanitra." Simba toetra izy ireo ary efa nanao heloka fahavetavetana; tsy misy na dia iray aza manao ny tsara.
\s5
\v 2 Miondrika mijery ny zanak'olombelona avy eny amin'ny lanitra i Yaveh mba hizaha raha misy mahalala, sy mitady Azy.
\v 3 Samy efan nivily avokoa izy rehetra. Samy simba toetra avokoa. Tsy misy manao ny tsara, tsia, na iray aza.
\s5
\v 4 Tsy mahafantatra na inona na inona ve izy ireo, ireo izay manota, ireo izay mihinana ny oloko tahaka ny fihinanany mofo, kanefa tsy miantso an'i Yaveh?
\s5
\v 5 Tora-kovitry ny tahotra izy ireo, satria Andriamanitra dia momba ny fiangonana marina!
\v 6 Maniry ny hanala baraka ny olona mahantra ianao na dia i Yaveh aza no fialofany.
\s5
\v 7 Endrey, izany famonjena ny Israely izany dia ho avy any Ziona! Raha mitondra ny vahoakany avy any amin'ny fahababoana i Yaveh, dia ho ravo i Jakoba ary ho faly ny Israely rehetra!
\s5
\c 15
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Ry Yaveh, iza moa no afaka hijanona ao amin'ny tabernakelinao? Iza no afaka honina eo an-tendrombohitrao masina?
\v 2 Dia ireo rehetra mandeha tsy misy tsiny, manao izay marina, ary miteny ny marina amin'ny fony.
\s5
\v 3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany izy, tsy manisy ratsy ny hafa izy, ary tsy maniratsira ny namany izy.
\s5
\v 4 Ny olon-tsy mendrika dia ho tsinontsinoavina eo imasony, fa hanome voninahitra ireo izay matahotra an'i Yaveh izy. Miniana amin'ireo fahavoazany ary tsy hamerina ireo fampanantenany izy.
\v 5 Tsy maka tombony izy rehefa mampisambo-bola. Tsy mandray kolikoly mba hijoroana vavolombelona hanoherana ny tsy manan-tsiny izy. Izy izay manao ireo zavatra ireo dia tsy ho voahozongozona mandrakizay.
\s5
\c 16
\p Salamo nosoratan'i Davida.
\v 1 Arovy aho, ry Yaveh, fa mialoka ao aminao aho.
\v 2 Hoy aho tamin'i Yaveh hoe: "Ianao no Tompoko; tsy misy soa ananako ankoatra Anao.
\v 3 Raha ny amin'ireo olo-masina eto an-tany, dia mendri-kaja izy ireo, ny fankasitrahako rehetra dia ho amin'izy ireo.
\s5
\v 4 Ho ampitomboina ny fahorian'ireo izay mitady andriamani-kafa. Tsy mba handraraka fanati-drà amin'ireo andriamanitr'izy ireo aho na hanandratra ny anaran'izy ireo amin'ny molotro.
\s5
\v 5 Ry Yave, Ianao no anjara voafidiko sy kapoakako. Ianao no mihazona ny anjarako.
\v 6 Eo amin'ireo tany mahafinaritra no misy ny voafaritra ho ahy; ahy tokoa ny lova tsara.
\s5
\v 7 Hisaotra an'i Yaveh, izay manoro hevitra ahy aho; eny na dia amin'ny alina aza dia mampianatra ahy ny saiko.
\v 8 Hataoko eo anoloako mandrakariva i Yaveh, mba tsy ho voahozongozona eo an-tanan-kavanany aho!
\s5
\v 9 Noho izany dia faly ny foko; ravoravo ny fanahiko. Hiaina am-pilaminana tokoa aho.
\v 10 Satria tsy hamela ny fanahiko ho any amin'ny Fiainan-tsy hita Ianao. Tsy hamela ilay mahatokinao hahita ny lavaka Ianao.
\s5
\v 11 Nampianarinao ahy ny lalan'ny fiainana; hafaliam-be ny eo anatrehanao; fahafinaretana ny mitoetra eo an-tanan-kavananao mandrakizay!"
\s5
\c 17
\p Vavaka nataon'i Davida. Mihainoa ny fangatahako ny rariny, ry Yaveh;
\v 1 henoy ny antso vonjiko! Atongilano amin'ny fivavahako avy amin'ny molotra tsy misy fitaka ny sofinao.
\v 2 Aoka ho avy eo anatrehanao ny fitsarana ahy; aoka ny masonao hijery ny rariny!
\s5
\v 3 Raha mizaha toetra ny foko Ianao, raha tonga amiko amin'ny alina Ianao, dia hanadino ahy Ianao ary tsy hahita fikasan-dratsy; tsy hanota ny vavako.
\s5
\v 4 Ny amin'ny asan'ny olona, dia tamin'ny tenin'ny molotrao no nitandremako ny tenako tamin'ny lalan'ny mpandika lalàna.
\v 5 Ny diako dia mafy orina teo amin'ny lalanao, ary tsy solafaka ny tongotro.
\s5
\v 6 Miantso Anao aho, fa mamaly ahy Ianao, ry Andriamanitra; atongilano amiko ny sofinao ary mihainoa rehefa miteny aho.
\v 7 Asehoy amin'ny fomba mahatalanjona ny tsy fivadiham-panekenao, Ianao izay mamonjy ireo izay mialoka aminao amin'ny alalan'ny tanan-kavananao amin'ny fahavalon'izy ireo!
\s5
\v 8 Arovy tahaka ny anaka andriamasonao aho; afeno ao ambany aloky ny elatrao
\v 9 amin'ny fanatrehan'ireo ratsy fanahy izay mamely ahy aho, dia ireo fahavaloko izay manodidina ahy.
\v 10 Tsy manana famindram-po na amin'iza na amin'iza izy ireo; ny vavan'izy ireo dia miteny an'avona.
\s5
\v 11 Manodidina ny lalako izy ireo. Mibanjina ny mason'izy ireo mba handavo ahy amin'ny tany.
\v 12 Izy ireo dia tahaka ny liona te hamiravira fatratra, tahaka ny liona tanora mamitsaka amin'ireo toerana fierena.
\s5
\v 13 Mitsangàna, ry Yaveh! Tafiho izy ireo! Akapohy amin'ny tany ny tavan'izy ireo! Avoty tsy ho azon'ny ratsy fanahy amin'ny alalan'ny sabatrao ny aiko!
\v 14 Avoty amin'ny olona amin'ny alalan'ny tananao aho, ry Yaveh, amin'ny olon'izao tontolo izao izay amin'ity fiainana ity ihany no anjarany! Hameno harena ny kibon'ireo sarobidinao Ianao; hanana taranaka maro izy ireo ary hamela ny hareny ho an'ny taranany.
\s5
\v 15 Fa izaho kosa, dia hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; ho afa-po, amin'ny fijerena anao aho, rehefa mifoha.
\s5
\c 18
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida, ilay mpanompon'i Yaveh, rehefa nihira ho an'i Yaveh ny tonon'ity hira ity tamin'ny andro namonjen'i Yaveh azy teny an-tanan'ireo fahavalony rehetra sy teny an-tanan'i Saoly izy. Nihira izy hoe: 1"Tiako Ianao, ry Yaveh, heriko.
\s5
\v 2 Yaveh no harambatoko, fiarovana mafiko, izay mitondra fiarovana ho ahy; Izy no Andriamanitro; haramabatoko, mialoka ao Aminy aho. Izy no ampingako, tandrokin'ny famonjeko, sy fiarovana mafy ho ahy.
\v 3 Hiantso an'i Yaveh izay mendrika ho deraina aho, ary ho voavonjy amin'ireo fahavaloko aho.
\s5
\v 4 Namatotra ahy ireo tadin'ny fahafatesana, ary ireo onjan'ny faharatsiana no nandrendrika ahy.
\v 5 Namatotra ahy ireo tadin'i fiainan-tsy hita; namandrika ahy ny fandriky ny fahafatesana.
\s5
\v 6 Niantso an'i Yaveh aho tao anatin'ny fahoriako; niantso vonjy tamin'ny Andriamanitro ah. Henony ny feoko avy tao amin'ny tempoliny; ny vonjiko dia tonga teo anatrehany; tonga tao an-tsofiny izany.
\s5
\v 7 Ary nihovitra sy nihorohoro ny tany; nihorohoro sy nihovitrovitra ihany koa ny fototr'ireo tendrombohitra satria tezitra Andriamanitra.
\v 8 Niakatra ny sekotra avy tao amin'ny lavakoriny, ary afo midedadeda no nivoaka ny vavany. Nirehitra tamin'izany ny vain'afo.
\s5
\v 9 Nosokafany ny lanitra ary nidina izy, ary teo ambanin'ny tongony ny haizina matevina.
\v 10 Nitaingina kerobima Izy ary nanidina; nisosa teny amin'ny elatry ny rivotra Izy.
\s5
\v 11 Nataony trano lay nanodidina azy ny haizina, ireo raho-mainty teny an-danitra.
\v 12 Nilatsaka avy teny amin'ny tselatra teo anoloany ny havandra sy vain'afo.
\s5
\v 13 Nikotroka teny an-danitra Yaveh! Nihiaka ny feon'ny Avo Indrindra.
\f + \ft Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany amin'izao fotoana dia manampy hoe: "havandra sy vain'afo" aorian'ny nihika. Io fomba fiteny io dia mety fiverenana tsy nahy tao amin'ny andininy teo aloha. \f*
\v 14 Nandefa ny zana-tsipikany izy ary nampiparitaka ireo fahavalony; tselatra maro no nanaparitaka azy ireo.
\s5
\v 15 Avy eo dia nipoitra ireo fantson-drano; ireo fanambanin'izao tontolo izao dia nipotra tamin'ny hikam-piadianao, ry Yaveh-tamin'ny fipoaky ny fofon'ain'ny lavakoronao.
\s5
\v 16 Naninjitra ny tanany avy any ambony Izy; nandray ahy Izy! Nisintona ahy avy tao amin'ny rano manonja Izy.
\v 17 Nanavotra ahy tamin'ny fahavaloko matanjaka Izy, tamin'ireo izay nankahala ahy, satria mafy loatra ho ahy izy ireo.
\s5
\v 18 Tonga nanohitra ahy izy ireo tamin'ny androm-pahoriako fa Yaveh no nanohana ahy!
\v 19 Nanafaka ahy teny amin'ny toerana malalaka Izy; namonjy ahy Izy satria nahafinaritra Azy aho.
\s5
\v 20 Nanome valisoa ahy Yaveh nohon'ny fahamarinako; manarina ahy Izy satria nadio ny tanako.
\v 21 Fa izaho efa nitandrina ireo didin'i Yaveh ary tay nivadika ratsy fanahy tamin'ny Andriamanitro.
\s5
\v 22 Fa efa teo anoloako ireo lalàny marina rehetra; raha ny amin'ireo didiny, dia mbola tsy nivadika tamin'ireo aho.
\v 23 Izaho ihany koa dia tsy nanan-tsiny teo anatrehany, ary nitandrina ny tenako tamin'ny fahotana aho.
\v 24 Noho izany dia namelona ahy indray Yaveh nohon'ny fahamarinako, satria nadio teo imasony ny tanako.
\s5
\v 25 Izay mahatoky. dia ampisehoanao fahatokisana; ny olona izay tsy misy tsiny, dia ampisehoanao tsy fananan-tsiny.
\v 26 Ny olona izay madio, dia ampisehoanao fahadiovana; fa Ianao dia mahira-tsaina amin'izay ratsy fanahy.
\s5
\v 27 Fa Ianao manavotra ireo olona ory, ary manambany ireo izay mirehareha!
\v 28 Fa Ianao mandrehitra ny jiroko; manazava ny haiziko Yaveh Andriamanitro.
\v 29 Fa amin'ny alalanao no ahafahako mihazakazaka ambonin'ny sakana; amin'ny alalan'ny Andriamanitro no ahafahako mandingana rindrina.
\s5
\v 30 Raha ny amin'Andriamanitra: tonga lafatra ny lalany. Ny tenin'i Yaveh dia madio! Ampingan'izay rehetra mialoka ao aminy Izy.
\v 31 Fa iza no Andriamanitra ankoatr'i Yaveh? Fa iza no harambato ankoatr'i Yaveh?
\v 32 Andriamanitra no mametraka hery amiko toy ny fehin-kibo, izay mametraka ny olona tsy misy tsiny eo amin'ny lalany.
\s5
\v 33 Ataony haingam-pandeha toy ny diera ny tongotro ary mametraka ahy eny amin'ireo toerana avo!
\v 34 Manazatra ny tanako ho amin'ny ady izy ary ny sandriko hamoritra ny tsipìka varahina.
\s5
\v 35 Efa nomenao ahy ny ampingan'ny famonjenao. Efa nanohana ahy ny tananao ankavanana, ary ny fankasitrahanao dia naha-lehibe ahy.
\v 36 Efa nanao toerana malalaka eo ambaniko ho an'ny tongotro Ianao mba tsy hampibolisatra ny tongotro.
\s5
\v 37 Nanenjika ireo fahavaloko aho ary nahatratra azy ireo; tsy niverina aho nandra-paharava azy ireo.
\v 38 Nopotehiko izy ireo mba tsy ahafahany miharina; efa lavo tao ambanin'ny tongotro izy ireo.
\v 39 Fa ianao nametraka hery tamiko toy ny fehin-kibo ho amin'ny ady; nataonao ambaniko ireo izay nitsangana hanohitra ahy.
\s5
\v 40 Nampiamboho ny vozon'ireo fahavaloko ho ahy Ianao; noringaniko ireo izay nankahala ahy.
\v 41 Niantso vonjy izy ireo, saingy tsy nisy nanavotra azy ireo; niantso an'i Yaveh izy ireo. saingy tsy novaliany.
\v 42 Notorotoroko madinika toy ny vovoka anoloan'ny rivotra izy ireo; nariako toy ny fotaka any an-dalana izy ireo.
\s5
\v 43 Nanavotra ahy tamin'ny fifamalian'ny olona Ianao. Nataonao lohan'ireo firenena aho. Manompo ahy ireo olona tsy fantatro.
\v 44 Raha vao nandre ahy izy ireo, dia nankatoa ahy; voatery niondrika teo anatrehako ireo mpivahiny.
\v 45 Tonga am-pihorohoroana avy ao amin'ny fiarovana mafin'izy ireo ny mpivahiny.
\s5
\v 46 Velona Yaveh; ho deraina anie ny orimbatoko. Ho asandratra anie ny Andriamanitry ny famonjena.
\v 47 Izy ilay Andriamanitra izay namaly faty ho ahy, izay nanolotra ireo firenena ho ambaniko.
\s5
\v 48 Afaka tamin'ireo fahavaloko aho! Eny tokoa, nampiakarinao ambonin'ireo izay nijoro hanohitra ahy ahy! Navotanao tamin'ireo lehilahy mahery fihetsika aho.
\v 49 Noho izany dia hanome fisaorana ho anao, amin'ireo firenena aho, ry Yaveh; hihira fiderana ho an'ny anaranao aho!
\s5
\v 50 Andriamanitra dia nanome fandresena lehibe ho an'ny mpanjakany, ary nampiseho ny fifanekem-pitokiana tamin'ilay voahosony, tamin'i Davida sy ireo taranany rahatrizay.
\s5
\c 19
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Ny lanitra manambara ny voninahitr'Andriamanitra, ary ny habakabaka mampahafantatra ny asan'ny tanany!
\v 2 Isan'andro isan'andro dia mipololotra ny teny; isan'alina dia manambara fahalalana izany.
\v 3 Tsy misy lahateny na teny voalaza; tsy re ny feon'izy ireo.
\s5
\v 4 Efa nivoaka nanerana ny tany rehetra ny tenin'izy ireo, ary any am-paran'ny tany ny lahatenin'izy ireo. Efa nanangana lay ho an'ny masoandro teo amin'ireo Izy.
\v 5 Ny masoandro dia tahaka ny mpampakatra mivoaka avy ao amin'ny efitranony ary tahak ny lehilahy mahery izay mifaly rehefa manao ny fihazakazahany.
\v 6 Miposaka avy any amin'ny fara-vodilanitra iray ny masoandro ary mitety ny habakabaka ho any amin'ny iray hafa; tsy misy zavatra afaka mandositra ny hafanany.
\s5
\v 7 Tonga lafatra ny lalàn'i Yaveh, manarina ny fanahy; azo; antoka ny teny vavolombelon'i Yaveh, maha-hendry ny tsotra.
\v 8 Mahitsy ny fampianaran'i Yaveh; mampiravoravo ny fo; madio ny didin'i Yaveh, mitondra fahazavana ho an'ny maso.
\s5
\v 9 Madio ny tahotra an'i Yaveh, maharitra mandrakizay; marina sady mahitsy avokoa ireo didy marin'i Yaveh!
\v 10 Sarobidy mihoatra noho ny volamena izany, eny mihoatra ny volamena tena tsara aza; mamy noho ny tantely sy ny tantely mitete avy amin'ny tohon-tantely izany.
\s5
\v 11 Eny, amin'ny alalan'izany no hampitandremana ny mpanomponao; fa hisy valisoa lehibe amin'ny fankatoavana izany.
\v 12 Iza no afaka mamantatra ireo fahadisoany rehetra? Diovy amin'reo heloka miafina aho.
\s5
\v 13 Tandremo ny mpanomponareo tsy ho azon'ny ota sahisahy; aza avela hanapaka ahy ireo. Dia ho tonga lafatra aho, ary tsy hanan-tsiny amin'ny fandikan-dalàna maro.
\v 14 Ho ekena eo imasonao anie ireo tenin'ny vavako sy ireo fihevitry ny foko, ry Yaveh, vatolampiko sy mpanavotro.
\s5
\c 20
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Hanampy anao amin'ny androm-pahorianao anie Yaveh; ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba anie hiaro anao
\v 2 ary handefa fanampiana avy amin'ny toerana masina mba hanohanana anao avy ao Ziona.
\s5
\v 3 Ho tsaroany anie ireo fanatitrao rehetra ary ho ekeny anie ny soronao dorana. Sela
\v 4 Hanome anao izay irian'ny fonao anie Izy ary hanatanteraka ireo fikasanao rehetra.
\s5
\v 5 Dia hifaly amin'ny fandresenao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray, no hanangananay faneva. Hanome izay fangatahanao rehetra anie Yaveh.
\v 6 Fantatro ankehitriny fa hanavotra ny olom-boahosony Yaveh; hamaly azy avy any an-daniny masina amin'ny herin'ny tanany havanana izay afaka manavotra azy Izy.
\s5
\v 7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy ary ny hafa amin'ny soavaly, fa izahay dia niantso an'i Yaveh Andriamanitray.
\v 8 Ho entina midina izy ireo ka ho lavo, fa isika dia hiarina ary hijoro mahitsy!
\s5
\v 9 Ry Yaveh, vonjeo ny mpanjaka; ampio izahay raha miantso.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Mifaly amin'ny herinao ny mpanjaka, ry Yaveh! Akory ny halehiben'ny fifaliany amin'ny famonjena nomenao!
\v 2 Nomenao azy ny fanirian'ny fony ary tsy nolavinao ny fangatahan'ny molony. Sela
\s5
\v 3 Fa mitondra fitahiana be ho azy Ianao; nametraka satro-boninahitra volamena madio indrindra teo an-dohany Ianao.
\v 4 Nangataka aina taminao izy; dia nomenao azy izany; nomenao andro maro mandrakizay doria izy.
\s5
\v 5 Lehibe nohon'ny fandresenao ny voninahiny; efa nanome famirapiratana sy ny voninahitra ho azy Ianao.
\v 6 Fa manome antoka fitahiana maharitra ho azy Ianao; mampiravoravo azy amin'ny fifalian'ny fanatrehanao Ianao.
\s5
\v 7 Fa matoky an'i Yaveh ny mpanjaka; amin'ny alalan'ny fanekena mahatokin'ny Avo Indrindra no tsy hanalana azy.
\v 8 Hisambotra ireo fahavalonao rehetra ny tananao; hisambotra ireo izay mankahala anao ny tananao havanana.
\s5
\v 9 Amin'ny fotoan'ny fahatezeranao, dia handoro azy ireo ao amin'ny lafaoro mirehitra Ianao.
\v 10 Handevona azy ireo ao amin'ny fahatezerany i Yaveh, ary handevona azy ireo ny afo. Hamotika ny zanak'izy ireo amin'ny tany sy ny taranak'izy ireo eo anivon'ny olombelona Ianao.
\s5
\v 11 Fa nikasa hanisy ratsy anao izy ireo; namolavola teti-dratsy izay tsy hahombiazany izy ieo!
\v 12 Fa hampiamboho azy ireo Ianao; hamoaka ny tsipikanao eo anoloan'izy ireo ianao.
\s5
\v 13 Misandrata, ry Yaveh, amin'ny herinao; hihira sy hidera ny herinao izahay.
\s5
\c 22
\p Ho an'ny mpiventy hira; natao tamin'ny "Gadon'ny Diera." Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no nandao ahy Ianao? Nahoana no lavitra loatra amin'ny famonjena ahy Ianao ary lavitra amin'ireo tenin'ny fangirifiriako?
\v 2 Andriamanitro o, nitaraina taminao aho ny atoandro, nefa tsy novalinao, ary ny alina dia tsy nangina aho!
\s5
\v 3 Kanefa masina Ianao; mipetraka tahaka ny mpanjaka amin'ny fideran'ny Israely Ianao.
\v 4 Natoky Anao ireo razambenay; natoky Anao izy ireo, ka novonjenao.
\v 5 Nitaraina taminao izy ireo ka novonjena. Natoky Anao izy ireo ka tsy diso fanantenana.
\s5
\v 6 Nefa kankana aho fa tsy mba olona, fahafaham-baraka ho an'ny olombelona ary nataon'ny olona tsinontsinona.
\v 7 Ireo rehetra izay mahita ahy dia miteny ratsy ahy; esoin'izy ireo aho; ary manifikifi-doha amiko izy ireo.
\v 8 Hoy izy ireo: "Matoky an'i Yaveh izy; aoka hanavotra azy Yaveh. Aoka Izy hanavotra azy, fa ankasitrahiny izy."
\s5
\v 9 Fa ianao no nitondra ahy avy tao am-bohoka; nataonao matoky Anao aho fony teo an-tratran-dreniko.
\v 10 Natsipy taminao hatrany am-bohoka aho; Ianao no Andriamanitro hatramin'izaho tao an-kibon-dreniko!
\s5
\v 11 Aza manalavitra ahy, fa akaiky ny fahoriana; tsy misy olona hanampy ahy.
\v 12 Manodidina ahy ny ombilahy maro, manodidina ahy ny ombilahy masiakan'ny Basana.
\v 13 Hampitanatana ny vavany amiko tahaka ny liona mierona mandrapaka ny hazany ireo.
\s5
\v 14 Nararaka tahaka ny rano aho, ary nipitsoka ny taolako rehetra. Tahaka ny savoka ny foko; miempo ao anatiko izany.
\v 15 Maina tahaka ny vilany tany ny heriko; miraikitra amin'ny lanilaniko ny lelako. Nampandry ahy teo amin'ny vovoky ny fahafatesana Ianao.
\s5
\v 16 Fa nanodidina ahy ny alika; efa mihodidina ahy ny vondron'ny mpanao ratsy; noloahan'izy ireo ny tanako sy ny tongotro.
\v 17 Voaisako ny taolako rehetra. Mijery sy nandinika ahy izy ireo.
\s5
\v 18 Nozarain'izy ireo teo aminy ireo fitafiako; nilokan'izy ireo ny akanjoko.
\v 19 Aza manalavitra ahy, ry Yaveh; faingàna re hanavotra ahy, ry heriko!
\s5
\v 20 Avoty amin'ny sabatra ny fanahiko, ny hany fiainako amin'ny andian'ambodia.
\v 21 Vonjeo amin'ny vavan'ny lipna aho; avoty amin'ny tandroky ny ombidia aho
\s5
\v 22 Hanambara ny anaranao amin'ireo rahalahiko aho; eo afovoan'ny fiangonana no hiderako Anao.
\v 23 Ianareo izay matahotra an'i Yaveh, miderà Azy! Ianareo taranak'i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy! Mijoroa am-pitalanjonana Aminy, ianareo taranak'Israely rehetra.
\s5
\v 24 Fa tsy nanao tsinontsinona na nankahala ny fijalian'ny olona ory Izy; tsy nanafina ny tavany taminy Yaveh; raha nitaraina taminy ilay olona ory, dia nandre Izy.
\v 25 Ny fiderako dia ho noho Ianao ao am-piangonana lehibe; hanatanteraka ireo voadiko anoloan'ireo izay matahotra Azy aho.
\s5
\v 26 Ny ory dia hihinana ha ho afa-po; ireo izay mitady an'i Yaveh hidera Azy. Ho velona mandrakizay anie ny fonareo.
\v 27 Hahatsiaro ary hiverina amin'i Yaveh ireo vahoaka rehetra amin'ny tany; hiankohoka eo anatrehanao ireo fianakaviam-pirenena rehetra.
\s5
\v 28 Fa an'i Yaveh ny fanjakana; Izy no mpanapaka ireo firenena.
\v 29 Ny olona mpanan-karena rehetra dia hiravoravo sy hidera; hiankohoka eo anatrehanao ireo rehetra izay hody vovoka, ireo izay tsy afaka miaro ny ain'izy ireo.
\s5
\v 30 Ny taranaka ho avy dia hanompo Azy, hilaza amin'ny taranaka manaraka ny amin'ny Tompo izy ireo.
\v 31 Ho tonga izy ireo ary hilaza ny fahamarinany; hilaza amin'ny olona mbola tsy teraka izay efa nataony izy ireo!
\s5
\c 23
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida. 1Yaveh no mpiandry ahy; tsy hanan-java mahory aho.
\v 2 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitarika ahy amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.
\s5
\v 3 Mamerina ny aiko Izy; mitarika ahy any amin'ny lala-marina noho amin'ny anarany Izy.
\s5
\v 4 Na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra loza aho fa momba ahy Ianao; ny tsora-kazonao sy ny tehinao no mahafa-tahotra ahy.
\s5
\v 5 Manomana latabatra eo anoloako eo anatrehan'ireo fahavaloko Ianao; efa nanosotra diloilo ny lohako Ianao; ny kapoakako dia feno mihoatra.
\s5
\v 6 Fahatsarana sy fanekena mahatoky tokoa no hanaraka ahy amin'ny androm-piainako rehetra; ary hitoetra ao an-tranon'Yaveh mandritra ny fotoana ela aho!
\s5
\c 24
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 An'i Yaveh ny tany, sy izay mameno azy, izao tontolo izao, sy izay rehetra monina ao.
\v 2 Fa efa hitany teo ambonin'ireo ranomasina izany ary naoriny teo amin'ireo renirano.
\s5
\v 3 Iza no hiakatra amin'ny tendrombohitr'i Yaveh? Iza no hijoro ao amin'ny toerany masina?
\v 4 Izy izay manana tanana madio sy fo madio; izay tsy nanandratra lainga, ary tsy nianiana fianianana mba hamitahana.
\s5
\v 5 Handray fitahiana avy amin'i Yaveh izy ary fahamarinana avy amin'Andrimanitry ny famonjena azy.
\v 6 Tahaka izany no taranak'ireo izay mitady Azy, ireo izay mitady ny endrik'Andriamanitr'i Jakoba. Sela
\s5
\v 7 Asandrato ny lohanareo, ianareo ry vavahady; misandratra, ry varavarana mandrakizay, mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra!
\v 8 Iza no Mpanjakan'ny voninahitra? Yaveh, matanjaka sy mahery; Yaveh, mahery amin'ny ady.
\s5
\v 9 Asandrato ny lohanareo, ianareo ry vavahady misandrata, ry varavarana mandrakizay, mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra!
\v 10 Iza no Mpanjakan'ny voninahitra? Yaveh Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra. Sela
\s5
\c 25
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Ho Anao, ry Yaveh, no anandratako ny aiko!
\v 2 Andriamanitro o, matoky Anao aho. Aza avela ho menatra aho; aza avela hifaly amim-pandresena amiko ireo fahavaloko.
\v 3 Tsy hisy ho afa-baraka anie ny olona izay manantena Anao, ireo ho menatra ireo izay mamitaka tsy amin'ny antony!
\s5
\v 4 Ampahafantaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh; ampianaro ahy ireo lalanao.
\v 5 Tariho ho ao amin'ny fahamarinanao aho ary ampianaro, fa Ianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; manantena Anao mandritra ny andro aho.
\s5
\v 6 Tsarovy, ry Yaveh, ireo asa fangorahanao sy fanekenao mahatoky; fa efa nisy mandrakariva ireo.
\v 7 Aza mihevitra ireo fahotan'ny fahatanorako na ny fikomiako; Tsarovy amin'ny fanekena mahatoky noho ny fahatsaranao aho, ry Yaveh!
\s5
\v 8 Tsara sy mahitsy i Yaveh; ka mampianatra ireo mpanota ny lalana Izy.
\v 9 Mitarika ny manetry tena amin'izay marina Izy ary mampianatra azy ireo ny lalany.
\s5
\v 10 Ireo lalan'i Yaveh rehetra dia fitiavana maharitra sy fahatokiana ho an'ireo izay mitandrina ny fanekeny sy ireo didiny mafy.
\v 11 Fa noho ny anaranao, ry Yaveh, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
\s5
\v 12 Iza no olona matahotra an'i Yaveh? Ny Tompo no hanoro azy ny lalana izay tokony hosafidiany.
\v 13 Ny fiainany dia ho ao amin'ny fahatsarana; ary ireo taranany handova ny tany.
\s5
\v 14 Ny finamanana amin'i Yaveh dia ho an'ireo izay manome voninahitra Azy, ary mampahafantatra ny fanekeny amin'izy ireo Izy.
\v 15 Amin'i Yaveh mandrakariva ny masoko, ka hanafaka ny tongotro amin'ny harato Izy.
\v 16 Mitodiha amiko ary mamindra fo amiko; fa irery sy ory aho.
\s5
\v 17 Mihitatra ireo fahorian'ny foko; esory ao amin'ny fahoriako aho!
\v 18 Jereo ny fahoriako sy ireo fisasarako; mamelà ny fahotako rehetra.
\v 19 Jereo ireo fahavaloko, fa maro izy ireo; mankahala ahy amim-pankahalana lozabe izy ireo.
\s5
\v 20 Arovy ny aiko ka avoty aho; aza avela ho menatra aho, fa mialoka Aminao!
\v 21 Hiaro ahy anie ny tsy fivadihana sy ny fahitsiana, fa manantena Anao aho.
\s5
\v 22 Avoty amin'ny fahoriany rehetra ny Israely, Andriamanitra o!
\s5
\c 26
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Tsarao aho, ry Yaveh, fa nandeha tamim-pahitsiana aho; nahatoky an'i Yaveh tsy tamim-pisalasalana aho.
\v 2 Diniho aho, ry Yaveh, ary izahao toetra aho; izahao toetra ny fahadiovan'ny ato anatiko sy ny foko!
\v 3 Fa ny fanekenao mahatoky no manoloana ny masoko, ary mandeha eo amin'ny fahatokianao aho.
\s5
\v 4 Tsy mikambana amin'ireo olona mpamitaka aho, na miharoharo amin'ireo olona tsy marina.
\v 5 Halako ny fiangonan'ireo mpanao ratsy, ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho.
\s5
\v 6 Manasa ny tanako amin'ny tsy fananan-tsiny aho, ary mandeha manodidina ny alitaranao, ry Yaveh,
\v 7 mba hihira fiderana mafy sy hilaza ny asanao mahagaga rehetra.
\v 8 Ry Yaveh, tiako ny trano izay hitoeranao, ny toerana izay itoeran'ny voninahitrao!
\s5
\v 9 Aza mandripaka ahy miaraka amin'ireo mpanota, na ny aiko miaraka amin'ireo olona lian-drà,
\v 10 eo an-tanan'ireo izay misy teti-dratsy, ary eo amin'izay feno kolikoly ny tanany ankavanana.
\s5
\v 11 Fa izaho kosa, handeha amin'ny fahitsiana aho; avoty aho ary mamindrà fo amiko.
\v 12 Mitsangana eo amin'ny tany marina ireo tongotro; eo amin'ireo fiangonana no hiderako an'i Yaveh!
\s5
\c 27
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Yaveh no fahazavako sy famonjeko; iza no hatahorako? Yaveh no fialofan'ny aiko; iza no tokony hatahorako?
\s5
\v 2 Raha manatona handrotika ny nofoko ireo mpanao ratsy, ireo mpandrafy ahy sy ireo fahavaloko dia tafitohina ka lavo.
\v 3 Na dia misy tafika mitoby hanohitra ahy aza, dia tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady hanohitra ahy, na amin'izany aza dia mbola hijanona mahatoky aho.
\s5
\v 4 Zavatra iray no nangatahiko tamin'i Yaveh, ary hitady iznay aho: mba hahafahako mitoetra ao an-tranon'i Yaveh mandritra ny andro rehetra iainako, mba hahita ny fahatsaran'i Yaveh sy ny hisaintsaina ao an-tempoliny.
\s5
\v 5 Fa amin'ny andron'ny fahoriako dia hanafina ahy eo amin'ny fialofany Izy; eo amin'ny rakotry ny lainy no hanafenany ahy. Hampiakatra ahy ho eny amin'ny vatolampy Izy!
\v 6 Ary ny lohako dia hisandratra eo ambonin'ireo fahavaloko manodidina ahy rehatra, hanolotra ireo fanati-pisorom-pifaliana ao an-dainy aho! Hihira sy hanao hira ho an'i Yaveh aho!
\s5
\v 7 Mihainoa ny feoko, ry Yaveh, rehefa miantso mafy aho! Manindrà fo amiko, ary valio aho!
\v 8 Miteny momba anao ny foko hoe: "Tadiavo ny tavany!" Mitady ny tavanao aho, ry Yaveh!
\s5
\v 9 Aza manafina ny tavanao amiko; aza mamily ny mpanomponao am-pahatezerana! Ianao no efa nanampy ahy; aza mahafoy na mandao ahy, ry Andriamanitry ny famonjeko!
\v 10 Fa na mahafoy ahy aza ny raiko sy ny reniko, Yaveh no handray ahy.
\s5
\v 11 Ampianaro ahy ny lalanao, ry Yaveh! Tariho amin'ny lalana marina aho noho ireo fahavaloko.
\v 12 Aza manary ahy ho amin'ny fanirian'ireo fahavaloko, fa ireo vavolombelona sandoka mitsangana hanohitra ahy, ary miaina herisetra izy ireo!
\s5
\v 13 Inona no nanjo ahy raha tsy nino aho fa izaho dia hahita ny fahatsaran'i Yaveh eo amin'ny tany honenana?
\v 14 Miandrasa an'i Yaveh; ary matanjaha, aoka ny fonao hahery! Miandrasa an'i Yaveh!
\s5
\c 28
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida. Hihiaka mafy ho aminao aho, ry Yaveh; vatolampiko, aza atao tsinontsinona aho. Raha tsy mamaly ahy ianao, dia hiaraka amin'ireo izay midina any am-pasana aho.
\v 2 Henoy ny feon'ny fitarainako raha mitady fanampiana avy aminao aho, raha manandratra ny tanako manatrika ny fitoeranao masina indrindra aho!
\s5
\v 3 Aza misintona ahy hiala miaraka amin'ny ratsy fanahy, izay manao heloka, izay manonona fiadanana amin'ny naman'izy ireo nefa manana faharatsiana ao am-pon'izy ireo.
\v 4 Omeo azy ireo ny sahaza ny asan'izy ireo ary valio izay takian'ny faharatsiam-panahiny, valio izy ireo ny amin'ny asan'ny tanan'izy ireo, valio izay sahaza azy ireo.
\v 5 Satria tsy takany ireo asan'i Yaveh na ny asan'ny tanany, hanimba azy ireo izy ary tsy hanangana azy ireo intsony.
\s5
\v 6 Deraina anie Yaveh satria efa naheno ny feon'ny fitarainako Izy!
\v 7 Yaveh no heriko sy ampingako; ny foko matoky Azy, dia ampiana aho. Noho izany dai ravoravo fatratra ny foko, ary izaho hidera Azy amin'ny fihirana.
\v 8 Yaveh no herin'ny olony, ary Izy no fialofana famonjen'ilay voahosony iray.
\s5
\v 9 Vonjeo ireo vahoakanao ary tahio ny lovanao. Meteza ho mpiandry ondriny ary ento mandrakizay izy ireo.
\s5
\c 29
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida. Manomeza fiderana ho an'i Yaveh, ianareo ry zanak'Andriamanitra! Manomeza fiderana ho an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny.
\v 2 Omeo an'i Yaveh ny voninahitra izay mendrika ny anarany. Miankohofa amin'i Yaveh eo amin'ny famirapiratan'ny fahamasinany.
\s5
\v 3 Ny feon'i Yaveh dia re eny ambonin'ny rano; ilay Andriamanitry ny voninahitry ny kotroka, ary Yaveh mikotroka eo amin'ireo rano maro.
\v 4 Ny feon'i Yaveh dia mahery; ny feon'i Yaveh dai be voninahitra.
\v 5 Ny feon'i Yaveh dia mamaky ireo sedera; ary torotoroin'i Yaveh ireo sedera any Libanona.
\s5
\v 6 Mampitsambikimbikina an'i Libanona tahaka ny zanak'omby ary Siriona toy ny vatotr'omby Izy.
\v 7 Ny feon'i Yaveh dia mamoaka lelafo.
\v 8 Ny feon'i Yaveh dia mampihozongozona ny tany efitra; Yaveh mampihozongozona ny efitr'i Kadesy.
\s5
\v 9 Ny feon'i Yaveh dia mahatonga ny hazo terebinta hihetsika ary mamofy ny hoditr'ireo ala. Ny olona rehetra any an-tempoliny miteny hoe: "Voninahitra!"
\v 10 Yaveh dia mipetraka toy ny mpanjaka eo amin'ny tondra-drano; Yaveh mipetraka toy ny mpanjaka mandrakizay.
\s5
\v 11 Yaveh dia manome hery ny olony; Yaveh dia mitahy ny olony amim-piadanana.
\s5
\c 30
\p Salamo; hira amin'ny fanoloran-tena ho an'ny tempoly. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Hanandratra Anao aho, ry Yaveh, fa nanangana ahy Ianao ary tsy namela ireo fahavaloko hiravoravo eo amiko.
\v 2 Ry Yaveh Andrimanitro, niantso ny famonjenao aho, ary nanasitrana ahy Ianao.
\v 3 Ry Yaveh, nitondra ny fanahiko niakatra avy tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianao; ary nitahiry ahy ho velona tsy hidina any am-pasana.
\s5
\v 4 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh, ianareo ry vahoakany mahatoky! Manomeza fiasaorana raha mahatsiaro ny fahamasinany ianareo.
\v 5 Fa ny fahatezerany dia vetivety monja; fa ny fankasitrahany dia mandritra ny androm-piainana. Tonga ny fitomaniana amin'ny alina, fa ny fifaliana tonga ny maraina.
\s5
\v 6 Am-pahatokiana ni ilazako hoe: "Tsy mba hangozohozo mandrakizay aho."
\v 7 Ry Yaveh, nohon'ny fankasitrahana dia nanao ahy ho toy ny tendrombohitra matanjaka Ianao; dia ory aho.
\v 8 Niantso Anao aho, ry Yaveh, ary nitady sitraka avy amin'ny Tompoko!
\s5
\v 9 Inona no tombony amin'ny fahafatesako, raha handeha hidina hidina any am-pasana aho? Hidera Anao ve ny vovoka? Hanambara ny fahamendreham-pitokisanao ve izany?
\v 10 Mihainoa, ry Yaveh, ary mamindrà fo amiko! Ry Yaveh, meteza ho mpanampy ahy.
\s5
\v 11 Namadika ny fisaonako ho fandihizana Ianao; nanala ny akanjo fisaonako Ianao ary nampitafy ahy tamin'ny fifaliana.
\v 12 Koa ankehitriny ny voninahitro dia hihira fiderana ho Anao ary tsy hangina; ry Yaveh Andriamanitro, hanome fisaorana Anao mandrakizay aho!
\s5
\c 31
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Aminao, ry Yaveh, no hialofako; aza avela ho afa-baraka aho. Avoty amin'ny fahamarinanao aho.
\v 2 Mihainoa ahy; faingàna hanavotra ahy; meteza ho vatolampy fialofako, fiarovana mafy hamonjy ahy.
\s5
\v 3 Fa vatolampiko sy fiarovana mafy ho ahy Ianao; koa nohon'ny amin'ny anaranao, tariho sy tantano aho.
\v 4 Sintony hiala amin'ny harato izay nafenin'izy ireo ho ahy aho, fa Ianao no fialofako.
\s5
\v 5 Eo an-tananao no anankinako ny fanahiko; hanavotra ahy Ianao, ry Yaveh, ry Andriamanitry ny fahamendreham-pitokisana.
\v 6 Halako ireo izay manompo sampy zava-poana, fa izaho hatoky an'i Yaveh.
\v 7 Hifaly sy hiravoravo amin'ny fanekenao mahatoky aho, fa Ianao nahita ny fahoriako; fantatrao ny fahorian'ny fanahiko.
\s5
\v 8 Tsy nomenao ho eo an-tanan'ireo fahavaloko aho. Nametraka ny tongotro ho eo amin'ny tany malalaka Ianao.
\v 9 Mamindrà fo amiko, ry Yaveh, fa ao anatin'ny fahoriana aho; miha-reraky ny alahelo ny masoko miaraka amin'ny fanahiko sy ny vatako.
\s5
\v 10 Fa ny aiko dia reraky ny alahelo ary ny taonako nohon'ny fisentoana. Lefy ny heriko nohon'ny fahotako, ary ireo taolako dia mihalany.
\v 11 Noho ireo fahavaloko rehetra, ny olona manao tsinontsinona ahy; ireo mpiray monina amiko rikoriko amin'ny manjo ahy; ary ireo izay mahafantatra ahy dia mivarahontsana. Ireo izay mahita ahy eny an-dalana mitsoaka ahy.
\s5
\v 12 Adino toy ny olona maty izay tsy misy mpieritreritra aho. Toy ny vilany vaky aho.
\v 13 Fa reko ny bitsibitsiky ny maro, ireo vaovao mampahatahotra avy eny rehetra eny satria izy ireo miray tetika hanohitra ahy. Mitetika ny haka ny aiko izy ireo.
\s5
\v 14 Fa matoky Anao aho, ry Yaveh; hoy aho hoe: "Andriamanitro Ianao."
\v 15 Ny anjarako dia eo an-tananao. Avoty amin'ny tanan'ireo fahavaloko sy ireo izay manenjika ahy aho.
\v 16 Hampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao; avoty amin'ny fanekenao mahatoky aho.
\s5
\v 17 Aza avela ho menatra aho, ry Yaveh; fa izaho miantso Anao! Ho menatra anie izay ratsy fanahy! Hangina any amin'ny fiainan-tsy hita anie izy ireo.
\v 18 Aoka ireo molotra mandainga hangina izay miresaka hanohitra ny fahamarinana amim-pihantsiana miaraka amin'ny fiavonavonana sy ny fanamavoana.
\s5
\v 19 Endrey ny fahatsaranao izay notehirizinao ho an'izay nanaja anao, izay tanterahinao amin'izay mialoka aminao manoloana ireo zanak'olombelona rehetra!
\v 20 Eo amin'ny fialofan'ny teti-dratsin'ireo olona. Manafina azy ireo amin'ny fialofana amin'ny herisetran'ny lela Ianao.
\s5
\v 21 Ho deraina anie Yaveh, fa naneho ny fanekeny mahatoky mahagaga Izy raha tao anatin'ny tanàna voafahirano aho.
\v 22 Na dia nilaza tamin'ny fahatairako aza aho hoe: "Nesorina tsy ho eo imasonao aho," eny mbola mandre ny fitarainako famonjena Ianao raha niantso Anao aho.
\s5
\v 23 Tiava an'i Yaveh, ianareo ry mpanara-dia mahatoky. Yaveh miharo ny mahatoky, fa mamaly tanteraka ny mpiavonavona.
\v 24 Mahereza sy matanjaha, ianareo rehetra izay matoky an'i Yaveh amin'ny famonjena.
\s5
\c 32
\p Salamo nataon'i Davida. Maskila.
\v 1 Sambatra ny olona izay voavela heloka, sy ireo izay voasarona ny fahotany.
\v 2 Sambatra ny olona izay tsy meloka teo amin'i Yaveh sy ireo izay tsy misy fitaka ny fanahiny.
\s5
\v 3 Rehefa nangina aho, dia nihaosa ny taolako, raha nitaraina nadritran'ny tonntolo andro aho.
\v 4 Navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao. Nalazo tahaka ny amin'ny lohataona maina ny tanjako. Sela
\s5
\v 5 Dia nampahafantariko Anao ny fahotako, ary tsy nafeniko intsony ny heloko. Hoy aho: "Hanambara ireo hadisoako amin'i Yaveh aho," dia navelanao ny helokin'ny fahotako. Fiatoana sy fiderana.
\v 6 Noho izany, izay rehetra arak'Andriamanitra dia tokony hivavaka Aminao amin'ny fotoanan'ny fahoriam-be. Ary rehefa manonja mafy ny rano, dia tsy hahazo ireo olona ireo izany.
\s5
\v 7 Ianao no toerana fiafenako; hiambina ahy amin'ny fahoriana Ianao. Hodidininao amin'ireo hiram-pandresena aho. Fiatoana sy fiderana.
\v 8 Hanoro lalana anao sy hampianatra anao amin'izay lalana tokony halehanao Aho. Hanoro lalana anao Aho ary hitsinjo anao ny masoko.
\s5
\v 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra, izay tsy manana fahazavan-tsaina; fa amin'ny lamboridy sy kapoka ihany no hifehezana azy ireny handeha any amin'izay tianao hitondrana azy ireo.
\v 10 Manana olana maro ny ratsy fanahy, fa ny fanekena mahatokin'i Yaveh kosa no hanodidina izay olona mahatoky Azy.
\s5
\v 11 Mifalia amin'i Yaveh, ary miravoa, ianareo ry marina; manaova feo fifaliana, ianareo rehetra izay mahitsy am-po.
\s5
\c 33
\p
\v 1 Mifalia amin'i Yaveh, ianareo ry marina, ny fiderana dia mety ho an'ny mahitsy.
\v 2 Manomeza fisaorana an'i Yaveh amin'ny harpa; mihirà fiderana ho Azy amin'ny harpa tory folo.
\v 3 Mihirà fihiram-baovao ho Azy; mitendre tsara ary mihirà an-kafaliana.
\s5
\v 4 Fa mahitsy ny tenin'Yaveh, ary ny zava-drehetra ataony dia ara-drariny.
\v 5 Tia rariny sy fahamarinana Izy. Heniky ny fanekena mahatokin'Yaveh ny tany.
\v 6 Tamin'ny tenin'i Yaveh no namoronana ny lanitra, ary ny kintana rehetra dia natao tamin'ny fofon'ain'ny vavany.
\s5
\v 7 Manangona ny ranon'ny ranomasina rehetra tahaka ny atontan-javatra Izy; ataony ao amin'ny fitehirizan-drano ny ranomasim-be.
\v 8 Aoka hatahotra an'i Yaveh ny tany manontolo; aoka ho talanjona Aminy ny mponin'ny tany rehetra.
\v 9 Fa niteny Izy, dia tanteraka izany; nandidy Izy, dia nisy teo amin'ny toerany izany.
\s5
\v 10 Mandrava ireo fifanarahan'ireo firenena i Yaveh, manapaka eo amin'ny fikasan'ireo vahoaka Izy. Maharitra mandrakizay ny fikasan'i Yaveh.
\v 11 Ny fikasan'ny fony dia ho an'ny taranaka rehetra.
\v 12 Sambatra ny firenena izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny, dia ny olony izay nofidiany ho mpandovany.
\s5
\v 13 Mijery avy eny amin'ny lanitra i Yaveh; mahita ny olona rehetra Izy.
\v 14 Avy eny amin'ny toerana izay hitoerany no hitazanany izay rehetra miaina ambonin'ny tany.
\v 15 Izy ilay namolavola ny fon'izy ireo rehetra no mandinika ireo nataon'izy ireo rehetra.
\s5
\v 16 Tsy misy mpanjaka voavonjin'ny tafika maro, ary ny lehilhy mpiady dia tsy voavonjin'ny halehiben'ny heriny.
\v 17 Ny soavaly dia fiarovana mamitaka ho an'ny fandresena; Na dia eo aza ny tanjany lehibe, dia tsy afaka mamonjy izy.
\s5
\v 18 Indro, ny mason'i Yaveh dia eo amin'ireo izay matahotra Azy; amin'ireo izay manantena ny famindram-pony mahatoky
\v 19 mba hanafaka ny ain'izy ireo amin'ny fahafatesana, ary mba hamelona azy ireo amin'ny fotoanan'ny mosary.
\s5
\v 20 Miandr an'i Yaveh isika, izy no famonjena sy fialofantsika.
\v 21 Mifaly ao Aminy ny fontsika, satria mahatoky ny anarany masina isika.
\s5
\v 22 Aoka ny famindram-ponao mahatoky, ry Yaveh, homba anay araka ny fametrahanay ny fanantenanay Aminao.
\s5
\c 34
\p Salamo nataon'i Davida; rehefa mody adala teo anoloan'i Abimeleka izy, izay nandroaka azy.
\v 1 Hidera an'i Yaveh amin'ny fotoana rehetra aho, ho eo am-bavako mandrakizay ny fiderana Azy.
\s5
\v 2 Hidera an'i Yaveh aho! Aoka ny ory handre ka hifaly.
\v 3 Miaraha midera an'i Yaveh amiko. Aoka hiaraka hanandratra ny anarany isika.
\s5
\v 4 Nitady an'i Yaveh aho dia namaly ahy Izy, ary nanome fandresena ahy tamin'ny tahotro rehetra Izy.
\v 5 Ireo izay mijery Azy dia mamirapiratra, ary tsy misy henatra ny endrik'izy ireo.
\v 6 Ity olona ory ity dia nitomany ary dia nandre azy i Yaveh ka nanavotra azy tamin'ny fahoriany rehetra.
\s5
\v 7 Mitoby eo amin'ireo izay matahotra Azy ary mamonjy azy ireo Ny anjelin'i Yaveh.
\v 8 Andramo ary zahao fa tsara i Yaveh. Sambatra ny olona izay mialoka Aminy.
\v 9 Matahora an'i Yaveh, ianareo olony masina. Tsy hanan-java-mahory ireo izay matahotra Azy.
\s5
\v 10 Indraindray dia tsy ampy sakafo ny liona tanora ka mijaly hanoana, fa ireo izay mitady an'i Yaveh kosa dia tsy ho ory zava-tsoa. Avia, anaka, mihainoa ahy.
\v 11 Hampianatra anareo ny fahatahorana an'Yaveh aho.
\s5
\v 12 Olona iza no maniry fiainana ka tia andro maro, ka hahita ny soa izy?
\v 13 Koa ambeno amin'ny ratsy ny lelanao ary ambeno ny amin'ny filazana lainga ny molotrao.
\v 14 Halaviro ny ratsy ary manaova ny tsara. Mitadiava fiadanana ka araho izany.
\s5
\v 15 Ny mason'i Yaveh dia eo amin'ny marina ary ny sofiny mihaino ny tomanin'izy ireo.
\v 16 Ny tavan'i Yaveh dia manohitra ireo izay manao ratsy, mba hanesorana ny fahatsiarovana azy ireo eto an-tany.
\v 17 Mitaraina ny marina ary mandre i Yaveh ka mamonjy azy ireo amin'ny fahoriany rehetra.
\s5
\v 18 Akaikin'ny fo torotoro i Yaveh, ary mamonjy ireo izay torotoro fanahy Izy.
\v 19 Maro ireo olan'ny marina, nefa manafaka azy ireo amin'izany rehetra izany Yaveh.
\v 20 Mihazona ny taolany rehetra Izy, tsy hisy ho tapaka na dia ny iray amin'ireo aza.
\s5
\v 21 Hamono ny ratsy fanahy ny loza. Ho voaheloka ireo izay mankahala ny marina.
\v 22 Mamonjy ny ain'ireo mpanompony i Yaveh. Tsy hisy ho voaheloka ireo izay mialoka ao aminy.
\s5
\c 35
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida. Yaveh, miasà amin'ireo izay miasa hanohitra ahy; miadia amin'ireo izay miady amiko.
\v 2 Raiso ny ampinga kely sy ampinga lehibenao; mitsangàna ka ampio aho.
\v 3 Ampiasao amin'ireo izay mihaza ahy ny lefona sy ny famaky fiadianao; lazao amin'ny fanahiko hoe: "Izaho no famonjenao."
\s5
\v 4 Aoka ho menatra sy ho afa-baraka ireo izay mitady ny aiko. Aoka hihemotra sy ho very hevitra ireo izay mitetika hanisy ratsy ahy.
\v 5 Aoka ho tahakan'ny akofa eo anatin'ny rivotra izy ireo, raha mitondra azy ireo ny anjelin'i Yaveh.
\v 6 Aoka ho maizina sy malama ny lalan'izy ireo, rehefa manenjika azy ireo ny anjelin'i Yaveh.
\s5
\v 7 Mametraka harato ho ahy tsy amin'ny antony izy ireo, miady lavaka ho an'ny aiko tsy amin'ny antony izy ireo.
\v 8 Aoka hamely tampoka azy ireo ny fandringanana. Aoka ny harato izay napetrak'izy ireo mba hisambotra azy ireo ihany. Aoka izy ireo hianjera ao amin'izany, dia ao amin'ny faharavany.
\s5
\v 9 Nefa hifaly amin'i Yaveh aho, ary hiravo amin'ny famonjeny.
\v 10 Ny taolako rehetra hilaza hoe: "Ry Yaveh, iza no tahaka Anao, izay mamonjy ny ory amin'ireo izay matanjaka loatra ho azy ireo sy ny malahelo ary ny mahantra amin'ireo izay mitady handroba azy ireo?"
\s5
\v 11 Mitsangàna ny vavolombelona tsy marina; miampanga lainga ahy izy ireo.
\v 12 Mamaly ratsy ahy amin'ny soa ataoko izy ireo. Malahelo aho.
\s5
\v 13 Saingy, rehefa narary izy ireo, dia nanao ankanjo fisaonana aho; nifady hanina ho azy ireo tamin'ny fanondrehana ny lohako teo amin'ny tratrako aho.
\v 14 Ny alaheloko azy ireo dia tahaka ny alaheloko ny rahalahiko, nitanondrika tahaka ny misaona reny aho.
\s5
\v 15 Nefa raha tafintohina aho, dia nifaly izy ireo ka nivory; niara-niangona hanohitra ahy izy ireo, ary taitra noho izy ireo. Tsy nitsahatra namely ahy izy ireo.
\v 16 Tsy misy fifanajana intsony no nanesoany ahy; nihidy vazana tamiko izy ireo.
\s5
\v 17 Tompo o, mandra-pahoviana no hitazananao ahy? Vonjeo amin'ny fandrinaganan'izy ireo ny fanahiko, ary ny aiko amin'ny liona.
\v 18 Ka hisaotra Anao eo amin'ny fiangonan-dehibe aho; hidera anao eo amin'ny olona maro aho.
\s5
\v 19 Aoka tsy hifaly amiko ireo fahavaloko mpamitaka; aoka izy ireo tsy hahatanteraka ireo teti-dratsiny.
\v 20 Fa tsy miresaka fiadanana izy ireo, nefa mitetika hilaza fitaka hanohitra ireo izay miaina am-piadanana ao amin'ny taninay.
\s5
\v 21 Manoka-bava hivazavaza ahy izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Aha, Aha, ny masonay no efa nahita izany."
\v 22 Efa nahita izany Ianao, ry Yaveh, koa aza mangina; ry Tompo, aza manalavitra ahy.
\v 23 Misandrata ary mifohaza hiaro ahy; Ry Andriamanitro sy Tompoko, tohano ny adiko.
\s5
\v 24 Arovy aho, ry Yaveh Andriamanitro, noho ny fahamarinanao; aoka tsy hifaly amiko izy ireo.
\v 25 Aoka izy ireo tsy hanao ao anakam-po hoe: "Aha, azonay izay nirianay." Aoka izy ireo tsy hanao hoe: "Efa nolevoninay izy."
\v 26 Aoka ho menatra sy ho very hevitra ireo izay te hanisy ratsy ahy. Aoka hitafy henatra sy fahafaham-baraka ireo izay maneso ahy.
\s5
\v 27 Aoka hihiaka am-pifaliana sy ho ravo ireo izay nirary ny fahamarinako; aoka izy ireo hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Yaveh, Izy ilay mankasitraka ny fiadanan'ny mpanompony."
\v 28 Dia hilaza ny fahamarinanao sy hidera Anao amin'ny andro rehetra aho.
\s5
\c 36
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida mpanompon'i Yaveh.
\v 1 Avy ao am-pony lalina no hilazan'ny olon-dratsy ny helony, tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra eo amin'ny masony.
\v 2 Fa mampionon-tena izy, mihevitra fa tsy ho voasarona sy ho hankahalaina ny fahotany.
\s5
\v 3 Ny teniny dia fahotana sy fitaka; tsy te ho hendry sy hanao soa izy.
\v 4 Mitady fomba hanotana izy, raha mandry eo am-pandriana; manomboka manao zava-dratsy izy; tsy manary ny ratsy izy.
\s5
\v 5 Ny fanekenao mahatoky, ry Yaveh, dia mipàka amin'ny lanitra; ary ny tsy fivadihanao dia mipàka amin'ny rahona.
\v 6 Ny fahamarinanao dia tahaka ny tendrombohitr'Andriamanitra; ny fitsaranao dia tahaka ny lalim-be. Ry Yaveh, Ianao no mamonjy ny olombelona sy ireo biby.
\s5
\v 7 Endrey ny hasarobidin'ny fanekenao mahatoky, ry Andriamanitra! Mialoka eo ambany haloky ny helatrao ny olombelona.
\v 8 Ho afa-po amin'ny habetsaky ny hanina ao an-tranonao izy ireo; hamela azy ireo hisotro amin'ny reniranon'ny fitahianao sarobidy Ianao.
\v 9 Fa ao Aminao no misy ny loharanon'aina; ao amin'ny fahazavanao no hahitanay fahazavana.
\s5
\v 10 Hitaro tanteraka amin'ireo izay mahafantatranao ny fanekenao mahatoky, ny fiarovanao amin'izay mahitsy fo.
\v 11 Aza avela hanatona ahy ny tongotrin'ny mpiavonavona. Aza avela handroaka ahy ny tanan'ny ratsy fanahy.
\v 12 Teny no efa nianjeran'ireo mpanao ratsy; nolavoan'ix=zy ireo ary tsy afaka niharina.
\s5
\c 37
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida. Aza tezitra noho ireo mpanao ratsy; aza maniry ireo izay manao ny tsy marina.
\v 2 Fa ho maina tsy ho ela tahaka ny bozaka izy ireo ary halazo tahaka ireo zava-maniry.
\s5
\v 3 Matokia an'i Yaveh ary manaova ny tsara; mitoera en amin'ny tany ary hampitomboy ny fahatokiana.
\v 4 Avy eo mankasitraha an'i Yaveh, dia homeny anao izay irian'ny fonao.
\s5
\v 5 Atolory an'i Yaveh ny lalanao; matokia Azy, dia hiasa ho anao Izy.
\v 6 Hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy ary ny tsy fahamelohanao tahaka ny andro amin'ny mitatao vononana.
\s5
\v 7 Milamina manoloana an'i Yaveh ary miandrasa Azy am-paharetana. Aza tezitra raha misy olona mahomby amin'ny zavatra ataony, na rehefa manao teti-dratsy izy.
\s5
\v 8 Aza tezitra sy kivy. Aza matahotra. Matahonga korontana fotsiny izany.
\v 9 Ho tapahana ireo mpanao ratsy, fa ireo izay miandry an'i Yaveh kosa dia handova ny tany.
\v 10 Afaka fotoana fohy dia hanjavona ny olon-dratsy; hijery eo amin'ny toerany ianao, fa izy kosa ho lasa.
\s5
\v 11 Fa ny malemy fanahy dia handova ny tany ary hisitraka amin'ny fanambinana lehibe.
\v 12 Ny lehilahy ratsy fanahy dia manao teti-dratsy manohitra ny marina ary manidy ny nifiny aminy.
\v 13 Mihomehy azy ny Tompo, satria hitany fa tonga ny androny.
\s5
\v 14 Namoaka ny sabany ny ratsy fanahy ary nanenjana ny tsipikan'izy ireo tamin'ny ory sy mahantra, mba hamono ireo izay mahitsy.
\v 15 Handefona ny fon'izy ireo manokana ny sabatr'izy ireo, ary ho simba ny tsipikan'izy ireo.
\s5
\v 16 Tsara kokoa ny kely ananan'ireo marina noho ny habetsaky ny an'ireo olon-dratsy.
\v 17 Fa ho tapahana ny tanan'ny olona ratsy fanahy, satria Yaveh manohana ny olo-marina.
\s5
\v 18 Yaveh dia mijery isan'andro isan'andro an'ireo tsy manan-tsiny, ary ny lovan'izy ireo dia ho mandrakizay.
\v 19 Tsy ho menatra izy ireo rehefa ratsy ireo andro. Rehefa tonga ny mosary, dia hanana ny ampy ho hanina izy ireo.
\s5
\v 20 Tsy ho faty ny olona ratsy fanahy. Ho tahaka ny voninahitr'ireo saha ireo fahavalon'i Yaveh; ho levona izy ireo ary ho levon-ko setroka.
\v 21 Ny olona ratsy fanahy dia mindrana fa tsy mamerina, fa ny olona-marina kosa malala-tanana sy manome.
\s5
\v 22 Ireo izay notahian'Andriamanitra dia handova ilay tany; ireo izay hozonony dia ho tapahana.
\v 23 Amin'ny alalan'i Yaveh no hametrahana ny dian'ny olona, ny olona izay azo baikoina eo imason'Andriamanitra ny lalany.
\v 24 Na dia tafintohina aza izy, dia tsy mba hianjera, satria mihazona azy amin'ny tanany Yaveh.
\s5
\v 25 Efa tanora aho fa antitra ankehitriny; tsy mbola nahita olo-marina nilavo lefona aho na nangataka mofo ny zanany.
\v 26 Mamindra fo sy mampindrana mandrakariva izy, ary lasa fitahiana ny zanany.
\v 27 Mialà amin'ny ratsy ary manaova izay marina; dia hilamina mandrakizay ianao.
\s5
\v 28 Fa tia fitsaràna Yaveh ary tsy mandao ireo mpanara-diany mahatoky. Voaaro mandrakizay izy ireo, fa ireo taranaky ny ratsy fanahy kosa ho tapahana.
\v 29 Handova ny tany ary hiala ao mandrakizay ny marina.
\v 30 Ny vavan'ny olo-marina dia miteny fanhendrena ary mampitombo fitsaràna.
\s5
\v 31 Ny lalàn'ny Andriamaniny dia ao am-pony; tsy ho solafaka ny tongony.
\v 32 Ny olona ratsy fanahy dia mijery ny olo-marina ary mitady ny hamono azy.
\v 33 Tsy hanary azy eo an-tanan'ny olon-dratsy Yaveh na hanameloka azy rehefa notsaraina izy.
\s5
\v 34 Miandrasa an'i Yaveh ary tandrovy ny lalany, ary hanangana anao Izy mba ho fanananao ny tany. Ho hitanao rehefa tapahana ny ratsy fanahy.
\s5
\v 35 Efa nahita olona ratsy fanahy sy nampihorohoro olona niely tahaka ny hazo maitso amin'ny taniny aho.
\v 36 Fa rehefa nandalo teo indray aho, dia tsy teo izy. Nitady azy aho, fa tsy hita izy.
\s5
\v 37 Araho maso ny olona tsy mivadika, ary farito ny olo-marina; hisy ho avy tsara ho an'ny olon'ny fiadanana.
\v 38 Ho ringana tanteraka ireo mpanota; tapaka ny ho avin'ny olona ratsy fanahy.
\s5
\v 39 Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin'i Yaveh; miaro azy ireo Izy amin'ny fotoan'ny korontana.
\v 40 Manampy azy ireo Yaveh ka manavotra azy ireo. Manavotra azy ireo amin'ny olon-dratsy Izy ary mamonjy azy ireo satria efa nialoka tao Aminy izy ireo.
\s5
\c 38
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida, mba hitondrana fahatsiarovana. Ry Yaveh, aza miteny mafy ahy amin'ny hatezeranao; aza manazasy ahy amin'ny fahaviniranao.
\v 2 Fa mandefona ahy ny tsipikanao, ary manindry ahy ny tananao.
\s5
\v 3 Marary nohon'ny hatezeranao avokoa ny vatako manontolo; tsy misy fahasalamana ao amin'ny taolako nohon'ny fahotako.
\v 4 Fa manenika ahy ny heloko; enta-mavesatra ho ahy ireo.
\s5
\v 5 Manaintaina ireo ratrako ary mamofona noho ireo adalako.
\v 6 Mitanondrika aho ary afa-baraka isan'andro; misaona andro lava aho.
\s5
\v 7 Fa ao anatiko, dia feno firehetana, tsy misy fahasalamana ao amin'ny nofoko.
\v 8 Torovana aho ary torotoro tokoa; misento nohon'ny fangirifirian'ny foko aho.
\s5
\v 9 Tompo o, fantatrao ny faniriana lalina indrindra ao am-poko, ary tsy miafina aminaony sentoko.
\v 10 Midobodoboka ny foko, miha-malazo ny heriko, pahina ny fahitan'ny masoko.
\s5
\v 11 Ireo sakaizako sy ireo mpiara-mitory amiko dia manalavitra ahy noho ny toe-javatra misy amiko; mijoro mihataka ahy ireo namako.
\v 12 Mamelatra fandrika ho ahy ireo izay mikendry ny aiko. Ireo izay mikendry ny handratra ahy dia miresaka fahapotehana ka milaza teny fitaka ny tontolon'ny androny.
\s5
\v 13 Fa izaho, tahaka ny olona marenina aho ary tsy mahare na inona na inona; tahaka ny olona moana tsy milaza na inona na inona.
\v 14 Tahaka ny lehilahy izay tsy mandre sy tsy manana valin-teny aho.
\s5
\v 15 Miandry Anao tokoa aho, ry Yaveh; hamaly Ianao, ry Tompo Andriamanitro.
\v 16 Milaza izany aho mba tsy ho faly amiko ireo fahavaloko. Raha solafaka ny tongotro, dia hanao zava-doza amiko izy ireo.
\s5
\v 17 Fa mby tafintohina aho, ary manaintaina foana.
\v 18 Miaiky ny heloko aho; manahy ny amin'ny fahotako aho.
\s5
\v 19 Kanefa maro be ireo fahavaloko; maro ireo izay mankahala ahy tsy ahoan-tsy ahoana.
\v 20 Mamaly ratsy ahy izy ireo noho ny tsara; mitoraka fiampangana ahy izy ireo na dia nanaraka izay tsara aza aho.
\s5
\v 21 Aza mamela ahy, ry Yaveh; Andriamanitro, aza manalavitra ahy.
\v 22 Tongava faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, mpamonjiko.
\s5
\c 39
\p Ho an'ny mpiventy hira, ho an'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Nanapa-kevitra aho hoe: "Hitandrina izay lazaiko aho mba hanotako amin'ny lelako. Hofeheziko ny vavako rehefa eo amin'ny fanatrehan'ny olon-dratsy aho."
\s5
\v 2 Nihazona fahanginana aho; tsy niteny aho na dia tamin'ny fitenenana ny tsara aza, ary nitombo ny fanaintainako.
\v 3 Niha-nafana ny foko; rehefa nihevitra ny momban'ireo zavatra ireo aho, niredareda toy ny afo izany. Dia niteny ihany aho nony farany.
\s5
\v 4 Yaveh o, Ampahafantaro ahy izay fetran'ny aiko sy ny faran'ny androko. Asehoy ahy ny hafohezan'ny fiainako.
\v 5 Indro, nataonao toy ny sakan'ny tanako fotsiny ihany ny androko, ary ny androm-piainako dia toy ny tsy inon-tsy inona eo anatrehanao. Indray mandeha monja ihany ny fofon'ain'ny olona rehetra. Sela
\s5
\v 6 Mandehandeha toy ny aloka tokoa ny olona rehetra, Maika hanangona harena tokoa ny olon-drehetra na dia tsy fantatr'izy ireo akory aza izay handray ireo.
\v 7 Ankehitriny, Tompo o, inona no andrasako? Ianao irery no hany fanantenako.
\s5
\v 8 Avoty amin'ny fahotako aho; aza manao ahy ho fanakoran'ny adala.
\v 9 Mangina aho ary tsy afa-manokatra ny vavako, satria Ianao no efa nanao izany.
\s5
\v 10 Aoka izay ny fandratrana ahy; manafotra ahy ny fitsokan'ny tananao.
\v 11 Rehefa mananatra olona noho ny fahotana Ianao, dia mandevona ireo zavatra izay iriany tahaka ny kalalao; azo antoka tokoa fa tsy inon-tsy inona ny olona fa zava-poana. Sela
\s5
\v 12 Henoy ny fivavako, ry Yaveh, ary mihainoa ahy; mihainoa ny tomaniko! Aza manampin-tsofina amiko, fa tahaka ny vahiny aho aminao, mpitsoa-ponenana toy ireo razambeko rehetra.
\v 13 Esory amiko ny sazinao mba hahafahako mitsiky indray mialohan'ny hahafatesako.
\s5
\c 40
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Niandry tamim-paharetana an'i Yaveh aho; nihaino ahy Izy ary nandre ny tarainako.
\v 2 Nitondra ahy hiakatra avy tao an-davaka mahatsiravina Izy, avy tao amin'ny fotaka mandrevo, ka nampijoro ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ary niaro ny diako.
\s5
\v 3 Nasiany hira vaovao teo imolotro, fiderana ho an'Andriamanitsika. Maro no hahita izany ka hanome voninahitra Azy sy hitoky amin'i Yaveh.
\v 4 Sambatra ny olona izay manao an'i Yaveh ho tokiny sy tsy manome voninahitra ny mpirehareha na ireo izay mpivadika aminy ho amin'ny lainga.
\s5
\v 5 Maro, ry Yaveh Andriamanitro, ireo asa mahagaga izay efa vitanao, ary tsy tambo isaina ny hevitrao momba anay; raha manambara sy milaza ireny aho, dia ho mihoatran'izay azo isaina ireny.
\v 6 Tsy mankasitraka sorona na fanatitra Ianao, fa nanokatra ny sofiko; tsy mba nangataka fanatitra dorana na fanatitra noho ny ota Ianao.
\s5
\v 7 Dia hoy aho hoe: "Indro, tonga aho; voasoratra ao amin'ny horonam-boky ny momba ahy.
\v 8 Sitrako ny hanao ny sitra-ponao, Andriamanitro o; ato am-poko ny lalànao."
\v 9 Efa nanambara vaovao mahafalin'ny fahamarinanao tamin'ny fiangonan-dehibe aho; Yaveh o, fantatrao fa tsy nangina tamin'ny fanaovana izany ny molotro.
\s5
\v 10 Tsy nokoboniko tao am-poko ny fahamarinanao; efa namabarako ny fahatokianao sy ny famonjenao; tsy nokoboniko tamin'ny fiangonan-dehibe ny fanekem-pahatokianao sy ny fahamendreham-pitokianao.
\v 11 Aza manakana ny asam-pamindram-ponao tsy ho amiko, ry Yaveh; aoka ny fanekenao mahatoky sy ny fahamendreham-pitokianao hiaro ahy mandrakariva.
\s5
\v 12 Manodidina ahy ny korontana izay tsy tambo isaina; nahatratra ahy ireo heloko ka tsy afaka mahita na inona na inona intsony aho; betsaka noho ireo volo eo an-dohako ireo, ary reraka ny foko.
\v 13 Mifalia, ry Yaveh, amin'ny fanavotana ahy; faingàna hanampy ahy, ry Yaveh.
\s5
\v 14 Aoka ho menatra sy ho diso fanantenana tanteraka izy ireo izay mikendry ny aiko mba haka izany.
\v 15 Aoka ho tohina noho ny fahafaham-barakany, ireo manao amiko hoe: "Ahah, ahah!"
\s5
\v 16 Fa aoka hiravoravo sy hifaly aminao ireo rehetra mitady Anao; aoka ny rehetra tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Yaveh."
\v 17 Mahantra sy ory aho; nefa mihevitra ny momba ahy ny Tompo. Ianao no famonjena ho ahy ary tonga amin'ny fanavotana ahy Ianao; aza mitaredretra, Andriamanitro o.
\s5
\c 41
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny osa; amin'ny androm-pahoriana, no hanavotan'i Yaveh azy.
\v 2 Hiaro sy hitandrina azy tsy ho faty Yaveh, ary dia ho sambatra eto an-tany izy; tsy hamadika azy amin'ny sitrapon'ireo fahavalony Yaveh.
\v 3 Hanohana azy eo amin'ny fandrian'ny fijaliana Yaveh; hanao ny fandrian'ny aretina ho fandrian'ny fanasitranana Ianao.
\s5
\v 4 Hoy aho ghoe: "Yaveh o, mamindrà gfo amiko! Sitrano aho, fa efa nanota taminao aho."
\v 5 Miteny ratsy ahy ireo fahavaloko, manao hoe: 'Rahoviana izy no ho faty ary ny anarany ho levona?'
\v 6 Raha tonga mba hizaha ahy ny fahavaloko, dia miteny zavatra zava-poana izy; manangona ireo lozako ho an'izany ihany ny fony; rehefa mandao ahy izy, dia milaza ny momban'izany amin'ny hafa.
\s5
\v 7 Ireo rehetra mankahala ahy mira-mitakoritsika mamely ahy; manantena ny handratra ahy izy ireo.
\v 8 Hoy izy ireo hoe: "Misy aretina mafy mifikitra aminy; izao izy mandry, ka tsy hitsangana intsony."
\v 9 Eny fa na dia ny namako akaiky aza, izay natokisako, izay nihinana ny mofoko, dia efa nanangana ny ombalahin-tongony hanohitra ahy.
\s5
\v 10 Fa ianao, ry Yaveh, manàna famindram-po amiko ary atsangano aho hahafahako mamaly azy ireo.
\v 11 Amin'izany no hahalalako fa faly amiko ianao, satria tsy maharesy ahy ny fahavaloko.
\v 12 Raha ny amiko, dia manohana ahy amin'ny tsy fivadihanao Ianao ary hihazona ahy eo anatrehan'ny tavanao mandrakizay.
\s5
\v 13 Ho deraina rahatrizay ka ho mandrakizay anie Yaveh, Andriamanitr'Israely. Amena dia Amena. Boky faharoa
\s5
\c 42
\p Ho an'ny mpiventy hira. Maskilan'ireo zanaka lahin'i Kora.
\v 1 Tahaka ny diera maniry rano mikoriana mafy, no hetahetako ho Anao, ry Andriamanitra.
\v 2 Mangetaheta an'Andriamanitra aho, ho an'ilay Andriamanitra velona. Rahoviana aho no ho tonga sy hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?
\s5
\v 3 Ny ranomasoko no hany sakafoko andro aman'alina, raha miteny amiko mandrakariva ireo fahavaloko hoe: "Aiza ny Andriamanitrao?"
\v 4 Ireto zavatra ireto no tonga ao an-tsaiko raha mandraraka ny fanahiko aho: endrey ny nandehanako niaraka tamin'ny vahoaka sy nitarihako azy ireo tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny hiakam-pifaliana sy fiderana, fankalazana maro be ny firavoravoana.
\s5
\v 5 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana ianao no tohina ao anatiko? Manantenà an'Andriamanitra, fa hiderako Azy izay famonjeko indray aho.
\v 6 Ry Andriamanitro, ny fanahiko dia mitanondrika ao anatiko, noho izany mahatsiaro Anao aho avy amin'ny tanin'ny Jordana, amin'ny tendro telon'ny Tendrombohitr'i Hermona, ary avy amin'ny havoan'i Mizara.
\s5
\v 7 Ny lalina miantso ny lalina ao amin'ny tabataban'ireo riandranonao; ireo onjanao sy ireo alon-dranonao rehetra dia efa nanafotra ahy.
\v 8 Nefa Yaveh handidy ny fanekeny mahatoky amin'ny atoandro; ny amin'ny alina dia hiaraka amiko ny hirany, vavaka iray ho an'Andriamanitry ny aiko.
\s5
\v 9 Izaho hiteny amin'Andriamanitra, vatolampiko hoe: "Nahoana no dia nanadino ahy Ianao? Nahoana no dia mandeha misaona noho ny fampahorian'ny fahavalo aho?"
\v 10 Toy ny fisian'ny sabatra eo amin'ny taolako, no itenenan'ireo mpifanandrina amiko ahy mafy, raha milaza amiko mandrakariva izy ireo hoe: "Aiza ny Andriamanitrareo?"
\s5
\v 11 Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no tohina ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy izay famonjena ho ahy sy Andriamanitro indray aho.
\s5
\c 43
\p
\v 1 Omeo rariny aho, ry Andriamanitra, ary iadio ny adiko hanohitra ireo firenena tsy arak'Andriamanitra.
\v 2 Fa Ianao no Andriamanitry ny heriko. Nahoana no nanary ahy Ianao? Nahoana aho no handeha hisaona noho ny fampahorian'ny fahavalo ahy?
\s5
\v 3 Alefaso ny hazavanao sy ny marinao, aoka ireny hitarika ahy. Aoka ireny hitondra ahy hankany amin'ny havoanao masina sy any amin'ny fonenanao.
\v 4 Dia handeha eo amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, any amin'Andriamanitra izay fifaliako indrindra. Hidera Anao amin'ny harpa aho, Andriamanitra o, Andriamanitro.
\s5
\v 5 Nahoana no amitanondrika ianao, ry fanahiko? Nahoana no tohina ato anatiko ianao? Manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy izay famonjena ho ahy sy Andriamanitro indray aho.
\s5
\c 44
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Maskila. Renay tamin'ny sofinay, Andriamanitra o, nolazain'ireo razanay taminay ny asa nataonao tamin'ny andron'izy ireo, tamin'ny andro taloha.
\v 2 Noroahanao tamin'ny tananao ireo firenena, fa nampitoerinao ny vahoakanay; Nampahory ireo olona Ianao, fa naelinao tany amin'ny tany ny vahoakanay.
\s5
\v 3 Fa tsy azon'izy ireo mba ho fananany tamin'ny alalan'ny saban'izy ireo ihany ny tany, na ny sandrin'izy ireo manokana ary tsy nahavonjy azy ireo; nefa ny tanan-kavananao, ny sandrinao, ary ny fahazavan'ny tavanao, satria tsara tamin'izy ireo Ianao.
\v 4 Ry Andriamanitra, Ianao no mpanjakako; didio ny fandresena ho an'i Jakoba.
\s5
\v 5 Amin'ny alalanao no hanindrianay ireo mpifanandrina aminay; amin'ny alalan'ny anaranao izahay no hanosihosy azy ireo, ireo izay mimitsangana hanohitra anay.
\v 6 Fa tsy hitoky amin'ny tsipikako aho, na ny sabatro hanavotra ahy.
\s5
\v 7 Fa efa nanavotra anay tamin'ireo mpiafanandrina aminay Ianao, ary nampahamenatra ireo nankahala anay.
\v 8 Ao amin'Andriamanitra no nanaovanay ny fireharehanay amin'ny andro lava rehetra, ary hanolotra fisaorana ho an'ny Anaranao mandrakizay izahay. Sela
\s5
\v 9 Fa ankehitriny efa nanary anay Ianao ka nitondra anay tamin'ny fahafam-baraka, ary tsy nivoaka niaraka tamin'ny tafikay Ianao.
\v 10 Nampihemotra anay tamin'ireo mpifanandrina Ianao; ary ireo izay mankahala anay nandray ny harena ho azy ireo.
\v 11 Nataonao tahaka ny ondry voalahatra ho fisakafo izahay ary naelinao teo amin'ireo firenena.
\s5
\v 12 Mamarotra ny vahoakanao amin'ny tsy antony Ianao; tsy nampitombo ny harenao Ianao tamin'ny fanaovana izany.
\v 13 Manao anay ho fiteny mafy ho an'ireo namanay Ianao, naneso sy nananihany anay tamin'ireo manodidina anay.
\v 14 Manao anay ho faniratsirana eo amin'ireo firenena Ianao, ho loham-pangovitana eo amin'ireo olona.
\s5
\v 15 Manoloana ahy andro lava rehetra ny fahafam-baraka, ary henatry ny tavako no mandrakotra ahy
\v 16 noho ny feony izay miteny mafy sy maniratsira ahy, noho ny fahavalo sy ny mpamaly faty.
\v 17 Tonga aminay avokoa izany rehetra izany; nefa Ianao tsy adinonay na tsy nankatò ny fanekem-pihavananao.
\s5
\v 18 Tsy niverin-dalana ny fonay; tsy niala tamin'ny lalanao ny dianay.
\v 19 Nefa nanapaka mafy anay teo amin'ny toeran'ny amboadia Ianao ary nandrakotra anay tamin'ny aloky ny fahafatesana.
\v 20 Raha nanadino ny Anaran'Andriamanitra izahay na namelatra ny tananay tamin'andriamani-kafa,
\v 21 moa tsy hitady izany ve Andriamanitra? Fa mahalala ny tsiambaratelon'ny fo Izy.
\v 22 Eny tokoa, noho ny Aminao no hamonoana anay amin'ny andro lava rehetra; heverina ho toy ny ondry ho amin'ny famonoana izahay
\s5
\v 23 Mifohaza, nahoana no mandrimandry ianao, Tompo o? Mitsangàna, aza manary maharitra anay.
\v 24 Nahoana no dia manafina ny tavanao Ianao ary manadino ny fahorianay sy ny fampahoriana anay?
\s5
\v 25 Fa miempo anaty vovoka izahay; ireto vatanay mifikitra amin'ny tany.
\v 26 Mitsangàna ho famonjena ary manavota anay noho ny amin'ny fanrekenao mahatoky.
\s5
\c 45
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Shoshannim. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Maskila. hiram-pitiavana.
\v 1 Mamoaka foto-kevitra tsara ny foko; hovakiako mafy ireo teny izay narafitro momba ny mpanjaka, ny lelako no penin'ny mpanoratra mahay.
\v 2 Ianao mbola tsara mihoatra ny zanak'olombelona; fahasoavana no voararaka eo imolotrao; noho izany dia fantatray fa Andriamanitra no efa nitahy anao mandrakizay.
\s5
\v 3 Apetraho eo anilanao ny sabatrao, ry ilay mahery, amin'ny voninahitrao sy ny fahalehibiazanao.
\v 4 Amin'ny fahalehibiazanao dia mandehana amim-pandresena noho ny fahamendreham-pitokisanao, fahalemem-panahy, sy ny fahamarinana; hanoro anao zavatra mampahatahotra ny tananao ankavanana.
\s5
\v 5 Maranitra ireo zana-tsipìkanao; lavo ao ambaninao ny vahoaka; ao amin'ny fon'ireo fahavalon'ny mpanjaka ireo zana-tsipìkanao.
\v 6 Ny seza fiandriananao, Andriamanitra o, dia mandrakizay doria; tehin'ny rariny ny tehin'ny fanjakanao.
\v 7 Tia fahamarinana Ianao ary mankahala ny faharatsiana; noho izany Andriamanitra, Andriamanitrao, dia efa nanositra anao tamin'ny diloilon'ny fifaliana mihoatra noho ireo namanao.
\s5
\v 8 Ny akanjonao rehetra mamofona miora, vahonba, ary kasia; efa nampifaly anao ireo valihaany ivelan'ny lapa ivoara.
\v 9 Ireo zanaka vavin'ny mpanjaka dia isan'ireo vehivavy manan-kaja; eo an-tanana ankavananao no mijoro ny mpanjakavavy mitafy volamenan'i Ofira.
\s5
\v 10 Mihainoa, ry zanaka vavy, mandiniha ary atongilano ny sofinao; adinoy ny vahoakanao sy ny tranon-drainao.
\v 11 Amin'ny alalan'izany dia haniry ny hatsaranao ny mpanjaka, izy no tomponao, hajao izy.
\s5
\v 12 Ny zanaka vavin'i Tiro dia ho any miaraka amin'ny fanomezana; ny manan-karena eo amin'ny olona dia hitalaho ny fankasitrahanao.
\v 13 Ireo zanaka vavin'ny mpanjaka ao an-dapa dia be voninahitra avokoa; ny fitafiny dia natao tamin'ny volamena.
\s5
\v 14 Ho entina eo amin'ny mpanjaka izy amin'ny tohitena misy peta-kofehy; ireo virijiny, namay izay manaraka azy, dia ho entina o aminao.
\v 15 ho tarihina amim-pifaliana sy faharavoana izy ireo; hiditra ao an-dapan'ny mpanjaka izy ireo.
\s5
\v 16 Ao an-dapan'ireo razanao no hisy ireo zanakao, izay hataonao andriana eran'ny tany rehetra.
\v 17 Hampahatsiaro ny anaranao amin'ny taranakao rehetra aho; noho izany ny vahoaka hanolotra fisaorana anao mandrakiza doria.
\s5
\c 46
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora; atao Alamota. Tonon-kira.
\v 1 Andriamanitra no fialofanay sy herinay, famonjena mahatoky amin'ny fahoriana.
\v 2 Noho izany dia tsy hatahotra izahay, na dia tokony hiova aza ny tany, na dia tokony hihovitrovitra aza ireo tendrombohitra,
\v 3 na dia mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny ranony, ary na dia mangovitra miaraka amin'ny fisafoakany aza ireo tendrombohitra. Sela
\s5
\v 4 Misy ony ao, ny fikorian'izany dia mampifaly ny tanànan'Andriamanitra, dia ny fitoerana masin'ireo tabernakelin'ilay Avo Indrindra.
\v 5 Andriamanitra no eo anivony; tsy ho tafahetsika izany; Andriamanitra no hanavotra azy, ary hanao izany amin'ny vao mangiran-dratsy Izy.
\s5
\v 6 Tezitra ireo firenena ary voahozongozona ireo fanjakana; nanandratra ny feony Izy, ka niempo ny tany.
\v 7 Momba antsika Yaveh tompon'ny maro; ny Andriamanitr'i Jakoba no fialofanay. Sela
\s5
\v 8 Avia, indro ireo asan'i Yaveh, ny fandravana izay efa nataony teny amin'ny tany.
\v 9 Ampitsahariny hatrany amin'ireo vazan-tany ny ady; mamotipotika ny tsipìka Izy ary manapatapaka ny lefona; mandoro ny ampinga Izy.
\s5
\v 10 Mangina ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra; Ho asandratra eo amin'ireo firenena Aho; ho asandratra eny amin'ny tany Aho.
\v 11 Momba antsika Yaveh Tompon'ny maro; ny Andriamanitr'i Jakoba no fialofantsika. Sela
\s5
\c 47
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Mitehàfa tanana ry vahoaka rehetra; mihobia an'Andriamanitra amin'ny feon'ny fandresena.
\v 2 Fa Yaveh no Avo Indrindra ka hatahorana; Izy no Mpanjaka lehibemanerana ny tany rehetra.
\s5
\v 3 Mandresy ireo olona eo ambanitsika Izy ary ireo firenena ho eo ambany tongotsika.
\v 4 Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. Sela
\v 5 Andriamanitra no efa niakatra tamim-pihobiana Andriamanitra, Yaveh tamin'ny feon'ny trompetra.
\s5
\v 6 Mihirà fiderana ho an'Andriamanitra, mihirà fiderana; mihirà ho an'ilay Mpanjakantsika, mihirà fiderana.
\v 7 Fa Andriamanitra no Mpanjaka manerana ny tany rehetra; mihirà fiderana amin'ny fahazavan-tsaina.
\s5
\v 8 Manjaka manerana ireo firenena Andriamanitra; mipetraka ambonin'ny seza fiandrianany masina Andriamanitra.
\v 9 Ireo andrianan'ireo olona miangona ho an'ny vahoakan'Andriamanitr'i Abrahama; fa ireo ampingan'ny tany dia an'Andriamanitra; Izy no hasandratra indrindra.
\s5
\c 48
\p Tonon-kira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'ny Kora.
\v 1 Lehibe Yaveh ary tokony hoderaina indrindra, ao an-tanànan'Andriamanitsika eo an-tendrombohiny masina.
\v 2 Avo mahafinaritra, ny fifalian'ny tany rehetra, dia ny tendrombohitr'i Ziona, eo amin'ny ilany avaratra, ny tanànan'ny Mpanjaka lehibe.
\v 3 Andriamanitra dia efa nampahafantatra ny tenany tao amin'ireo lapany ho fialofana.
\s5
\v 4 Fa, indro, ireo mpanjaka niangona; niara-nandalo izy ireo.
\v 5 Nahita izany izy ireo, ka dia talanjona; raiki-tahotra, sy nandositra faingana.
\v 6 Nahazo azy ireo tany ny fangovitana, dia tahaka ny hirifirin'ny vehivavy eo am-piterahana.
\s5
\v 7 Amin'ny alalan'ny rivotra tatsinanana no hamakianao ireo sambon'i Tarsisy.
\v 8 Araka izay efa renay, no hitanay tao an-tanànan'i Yaveh tompon'ny maro, tao an-tanànan'Andriamanitray; hampitoetra izany mandrakizay anie Andriamanitra. Sela
\s5
\v 9 Efa nihevitra ny momban'ny fanekena mahatokinao izahay, Andriamanitra o, teo afovoan'ny tempolinao.
\v 10 Araka ny Anaranao, Andriamanitra o, dia izany koa no fiderana Anao hatrany amin'ireo vazan-tany; feno fahamarinana ny tananao ankavanana.
\s5
\v 11 Aoka hifaly ny tendrombohitr'i Ziona, aoka hifaly ireo zanaka vavin'i Joda noho ny didinao marina.
\s5
\v 12 Mandehana mihodidina ny tendrombohitra Ziona, mihodidìna aminy; isao ny tilikambony,
\v 13 hamarino tsara ny mandany, ary zahao ireo lapany mba hahafahanao mitantara izany amin'ny taranakao ho avy.
\s5
\v 14 Fa io Andriamanitra io no Andriamanitsika mandrakizay doria; Izy no ho tari-dalana ho antsika hatrany amin'ny fahafatesana.
\s5
\c 49
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora. Mihainoa izao, ianareo olon-drehetra; manongilàna sofina, ianareo mponin'ny tany rehetra,
\v 2 na ambany na ambony, na manan-karena na mahantra miaraka.
\s5
\v 3 Ny vavako hilaza fahendrena ary ny fisaintsainan'ny foko hilaza fahazavan-tsaina.
\v 4 Hanongilan-tsofina amin'ny fanoharana aho; hanomboka ny fanoharako amin'ny harpa aho.
\v 5 Nahoana aho no tokony hatahotra ireo andro ratsy, raha manodidina ahy eo amin'ny ombelahin-tongotro ny heloka?
\s5
\v 6 Nahoana aho no tokony hatahotra ireo izay mitoky amin'ny hareny sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany?
\v 7 Azo antoka tokoa fa tsy hisy afaka hahavonjy ny rahalahiny na hanome tamby ho an'Andriamanitra ho azy,
\v 8 fa ny avotr'aina dia lafo, ary tsy misy afaka hanefa izay tokony honerantsika.
\s5
\v 9 Tsy misy afa-miaina mandrakizay izany ka tsy ho simba ny nofony.
\v 10 Fa hahita fahasimbana izy. Ireo olon-kendry ho faty; ny adala sy ny masiaka samy ho levona sy hamela ny hareny ho an'ny hafa.
\s5
\v 11 Mihevitra izy ireo fa ny fianakaviany, sy ireo toeram-ponenany dia hitohy mandrakizay, ho an'ireo taranany; antsoiny araka ny anarany ihany ny tanin'izy ireo.
\s5
\v 12 Fa ny olona, manana harena, dia tsy hitoetra ho velona; tahaka ireo biby izay ho levona.
\v 13 Ity, lalan'izy ireo ity, no adalan'izy ireo; kanefa aorian'izy ireo, dia ankasitrahan'ny olona ny fomba fiteniny. Sela
\s5
\v 14 Tahaka ny ondry no nanendrena azy ireo ho amin'ny Fiainan-tsy hita, ary fahafatesana no ho mpiandry azy ireo. Ny olo-marina hanapaka eo amin'izy ireo nony maraina, ary ho levona any amin'ny Fiainan-tsy hita ny nofony, ka tsy hisy toerana honenan'izy ireo.
\v 15 Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny Fiainan-tsy hita; handray ahy Izy. Sela
\s5
\v 16 Aza matahotra raha misy olona tonga mpanan-karena, ary mitombo ny voninahitry ny ankohonany.
\v 17 Fa rehefa maty izy dia tsy hitondra na inona na inona; tsy hidina hanaraka azy ny voninahiny.
\s5
\v 18 Raha mbola niaina izy dia nitahy ny fanahiny— ary midera anao ny olona rehefa miaina ho an'ny tenanao ianao—
\v 19 handeha any amin'ny taranak'ireo razany izy ary tsy hahita ny hazavana mihitsy.
\v 20 Izay manana harena nefa tsy manana fahazavan-tsaina dia tahaka ny biby, izay ho levona.
\s5
\c 50
\p Salamo nataon'i Asafa.
\v 1 Ilay Tsitoha, Andriamanitra, Yaveh, dia efa niteny sy niantso ny tany manomboka amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany.
\v 2 Avy ao Ziona, ilay lafatra amin'ny hatsaran-tarehy, no nasehon'Andriamanitra.
\s5
\v 3 Ho avy ny Andriamanitsika ka tsy mba mangina; hisy afo mandevona eo anoloany, ary tafio-drivotra be no eo amin'ny manodidina Azy.
\v 4 Miantso ny lanitra ambony sy ny tany Izy mba hahafahany mitsara ny vahoakany:
\v 5 "Angony miaraka ho ety amiko ireo mahatoky Ahy, dia ireo izay efa nanao fanekena tamiko tamin'ny sorona."
\s5
\v 6 Ny lanitra hanambara ny fahamarinany, fa Andriamanitra tenany mihitsy no mpitsara. Sela
\s5
\v 7 Mihainoa, ry oloko, dia hiteny Aho, Izaho no Andriamanitra, ilay Andriamanitrareo.
\v 8 Tsy hananatra anao noho ireo soronao aho; manoloana ahy hatrany ireo fanatitrao ho dorana.
\s5
\v 9 Tsy haka ombilahy avy ao an-tranonao aho, na osilahy avy ao am-balanao.
\v 10 Fa Ahy ny biby rehetra any an'ala, sy ny biby fiompy rehetra eny amin'ny havoana an'arivony.
\v 11 Fantatro avokoa ny voro-manidin'ny tendrombohitra rehetra, ary Ahy ireo bibidia any an-tsaha.
\s5
\v 12 Raha noana Aho, tsy mba hiteny aminao izany; fa Ahy ny tany, sy izay rehetra ao aminy.
\v 13 Moa hihinana ny nofon'ny ombilahy ve Aho na hisotro ny ràn'ny osy?
\s5
\v 14 Atolory an'Andriamanitra ny sorom-pisaorana, ary efao amin'ny Avo Indrindra ireo voadinao.
\v 15 Antsoy Aho amin'ny androm-pahoriana; dia hamonjy anao Aho, ary hanome voninahitra Ahy ianao.
\s5
\v 16 Fa hoy kosa Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy hoe: "Inona ho ataonao amin'ny fanambarana ireo lalàko, fa efa noraisinao ho eo am-bavanao ny
\v 17 fanekeko, satria mankahala ny fananarana ianao ary manary ireo teniko?
\s5
\v 18 Rehefa mahita mpangalatra ianao, dia miray lopha aminy ianao; mandray anjara amin'nyireo izay mijangajanga ianao.
\v 19 Atolotrao ho an'ny ratsy ny vavanao, ary ny lelanao maneho fitaka.
\v 20 Mipetraka ianao ary miteny manohitra ny rahalahinao; endrinkendrehinao ny zanaka lahin-dreninao.
\s5
\v 21 Efa nanao ireo zavatra rehetra ireo ianao, nefa nihazona ny fahanginana aho, sao dia nihevitra mantsy ianao fa olona mitovy amin'ny tenanao ihany Aho. Nefa hananatra anao aho ary hampiakatra, ho eo amin'ny tandrifin'ny masonao, ny zava-drehetra vitanao.
\v 22 Asio fiheverana tsara izany, ianao izay nanadino an'Andriamanitra, raha tsy izany dia hopotipotehiko ianao, ary tsy hisy ho avy hanampy anao!
\s5
\v 23 Izay manolotra sorom-pihavanana no mankalaza Ahy, ary ho an'izay mikasa ny lalany ho amin'ny lala-marina no hanehoako ny famonjen'Andriamanitra."
\s5
\c 51
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davifda; rehefa nanatona an'i Natana mpaminany taorian'ny nandriany niaraka tamin'i Barseba.
\v 1 Mamindra fo amiko, Andriamanitra o, noho ny fanekenao mahatoky; noho ny amin'ny hamaroan'ny asam-pamindram-ponao, vonoy ny fahadalàna nataoko.
\v 2 Sasao an-tsakany sy an-davany aho mba ho afa-keloka ary diovy amin'ny fahotako.
\s5
\v 3 Fa fantatro ny heloko, ary eo anoloako mandrakariva ny fahotako.
\v 4 Taminao, ary taminao irery, no efa nanotako sy nahavitako zava-dratsy teo imasonao; fa mahitsy Ianao raha miteny; ary marina raha mitsara
\s5
\v 5 Indro, teraka tamin'ny heloka aho; raha mbola notorotoronin-dreniko, dia efa tamin'ny fahotana aho.
\v 6 Indro, maniry fahamendreham-pitokisana ato am-poko Ianao; ato am-poko no hampahafantaranao ahy fahendrena.
\s5
\v 7 Diovy amin'ny hysopa aho, dia ho madio; sasao aho, dia ho fotsy mihoatra ny oram-panala.
\v 8 Ampandreneso haravoana sy fifaliana aho mba hahafahan'ny taolako notapahinao hifaly.
\v 9 Afeno amin'ny tavanao ireo otako ka afaho ny heloko rehetra.
\s5
\v 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra o, ary havaozy ho fanahy marina ny ato anatiko.
\v 11 Aza alavirina amin'ny fanatrehanao aho, ary aza esorina amiko ny Fanahinao masina.
\s5
\v 12 Avereno amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao, ary tohano amin'ny fanahy vonona aho.
\v 13 Dia hampianatra ireo mpandika lalàna ny lalanao aho, ka dia hiova fo ireo mpanota.
\s5
\v 14 Mamelà ahy noho ny fandatsahan-drà, ry Andriamanitry ny famonjena ahy, dia hihiaka ny fifalian'ny fahamarinanao aho.
\v 15 Tompo o, sokafy ny molotro, dia haneho dera ho Anao aho.
\v 16 Fa tsy mankasitraka sorona Ianao, na izaho manolotra izany; tsy manana fahafinaretana amin'ny fanatitra dorana Ianao.
\s5
\v 17 Ireo fanatitr'Andriamanitra dia fanahy torotoro. Ianao, Andriamanitra o, dia tsy hanao tsinontsinona ny fo torotoro sy manenina.
\v 18 Manaova soa amin'ny fankasitrahanao an'i Ziona; Areno indray ny mandan'i Jerosalema.
\v 19 Dia hankasitraka ireo sorom-pahamarinana, amin'ny fanatitra dorana ary ireo fanatitra dorana rehetra Ianao; ka dia hanolotra ombilahy eo amin'ny alitara ny vahoakanay.
\s5
\c 52
\p Ho an'ny mpiventy hira. Maskilan'i Davida; rehefa tonga hiteny an'i Saoly i Doega Edomita, ary niteny taminy hoe: "Tonga ao an-tranon'i Ameleka i Davida."
\v 1 Nahoana ianao no mirehareha amin'ny fanaovan-dratsy, ianao ry lehilahy mahery? Tonga isan'andro ny famindram-pon'Andriamanitra.
\v 2 Mikasa famotehana ny lelanao tahaka ny hareza maranitra, miasa amim-pitaka.
\s5
\v 3 Tia ratsy mihoatra ny tsara ianao ary mandainga toy izay milaza ny fahamarinana. Sela
\s5
\v 4 Mankafy ny teny rehetra izay mandevona ny hafa ianao, ianao ry lela mpamitaka.
\v 5 Hamotika anao toy izany mandrakizay koa Andriamanitra; haka anao Izy ka hamongotra anao ao amin'ny lainao tsy ho eo amin'ny tanin'ny velona. Sela
\s5
\v 6 Hahita izany ihany koa ny matrina dia hatahotra; hihomehy azy izy ireo ka hiteny hoe:
\v 7 "Indro, ity ilay lehilahy tsy nanao an'Andriamanitra ho fialofany, fa nitoky tamin'ny fahamaroan'ny hareny, ary nahery izy foiny izy namotika ny hafa."
\s5
\v 8 Fa raha izaho aloha, dia tahaka ny hazon'oliva maitso ao an-tranon'Andriamanitra aho; hatoky ny fanekena mahatokin'Andriamanitra mandrakizay doria aho.
\v 9 Hanome sitraka Anao mandrakariva aho amin'izay vitanao. Hiandry ny Anaranao eo amin'ny fanatrehan'ny vahoakanao masina aho, satria tsara izany.
\s5
\c 53
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira; atao Mahalata. Maskilan'i Davida. Ny adala manao anakampo hoe: "Tsy misy Andriamanitra." Mpanao ratsy avokoa izy ireo ary nahavita heloka fahavetavetana; tsy misy manao ny tsara.
\v 2 Miondrika mijery ireo zanak'olombelona avy any an-danitra Andriamanitra mba hizaha raha misy mahatakatra, izay mitady Azy. Fa nivily avokoa izy rehetra.
\v 3 Niara-nihova ho mpanao ratsy izy ireo. Tsy misy izay manao ny tsara, na dia iray monja aza.
\s5
\v 4 Moa ireo izay manao ratsy tsy manana fahazavan-tsaina dia ireo— izay mandevona ny oloko tahaka azy ireo mihinana mofo ary tsy miantso an'Andriamanitra izy ireo?
\v 5 Tao anaty tahotra lehibe izy ireo, na dia tsy nisy antony tokony hampatahotra; fa Andriamanitra hanapatapaka ireo taolan'izay hitoby hanohitra anao; ny olona toy izany dia ho halaim-baraka satria efa nolavin'Andriamanitra izy ireny.
\s5
\v 6 Enga anie ka ho tonga any Ziona ny famonjena ny Israely! Rehefa entin'Andriamanitra miverina avy tamin'ny fahababoana ny olony, dia ho ravoravo i Jakoba ary ho faly i Israely!
\s5
\c 54
\p Ho an'ny mpiventy hira; hampiarahina amin'ny lokanga. Maskilan'i Davida; rehefa tonga ireo Zifita ary niteny tamin'i Saoly hoe: "Moa tsy nanafina ny tenany niaraka tamintsika ve i Davida?"
\v 1 Vonjeo amin'ny Anaranao aho, ry Andriamanitra, ary tsarao amin'ny herinao.
\v 2 Henoy ny fivavako, ry Andriamanitra; anongilano sofina ireo tenin'ny vavako.
\v 3 Fa olona hafa firenena no mijoro hanohitra ahy, ary lehilahy tsy misy indrafo no nanenjika ny aiko; tsy nametraka an'Andriamanitra teo anoloany izy ireo. Sela
\s5
\v 4 Indro, Andriamanitra no mpamonjiko; ny Tompo irery ihany no manohana ahy.
\v 5 Hamaly ny ratsy nataon'ireo fahavaloko Izy; aringano izy ireny, amin'ny fahatokianao!
\s5
\v 6 Amin'ny fanati-tsitrapo no hanaovako sorona ho Anao; fisaorana no atolotro ho Anao, ry Yaveh, fa tsara izany.
\v 7 Satria namonjy ahy tamin'ny loza rehetra Izy; efa nahita fandresena tamin'ireo fahavaloko ny masoko
\s5
\c 55
\p Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Maskilan'i Davida.
\v 1 Manongilàna sofina amin'ny fivavaka, Andriamanitra o; ary aza manafin-tena amin'ny fitarainako.
\v 2 Henoy aho ka valio; tsy manm-pitsaharana aho amin'ireo olako
\v 3 noho ny feon'ireo fahavaloko, noho ny fampahorian'ny ratsy fanahy; mampitondra fahoriana ahy izy ireo ary manenjika ahy amim-pahatezerana.
\s5
\v 4 Mangovitra ato anatiko ny foko, ary nilatsaka tamiko ny horohorom-pahafatesana.
\v 5 Efa tonga amiko ny fahatahorana sy ny fangovitana, ary nandifotra ahy ny horohoro.
\s5
\v 6 Hoy aho hoe: "Indrisy, raha mba nanan'elatra tahaka ny voromailala mantsy aho! Dia nanidina aho ary ho amin'ny fitsaharana.
\v 7 Indro, nirenireny lavitra tokoa aho; nijanona any an'efitra. Sela
\s5
\v 8 Namonjy fialofana aingana amin'ny tafio-drivotra sy ranon'oram-baratra aho."
\v 9 Levony izy ireny, ry Tompo, ampifangaroy ny fiteniny! Fa efa nahita herisetra sy fifandirana tao an-tanàna aho.
\s5
\v 10 Mandehandeha andro aman'alina eo ambonin'ny mandan'izany ireny.
\v 11 Heloka sy sompatra no afovoan'izany. Faharatsiana no eo anivon'izany; ary tsy miala amin'ny tsenany ny fampahoriana sy fitaka.
\s5
\v 12 Fa tsy fahavalo no nitenymafy ahy, raha tsy izany dia afaka niharitra ihany aho; ary tsy ilay nankahala ahy no nitsangana hanohitra ahy, raha tsy izany dia afaka nanafina ny tenako taminy ihany aho.
\v 13 Fa ianao indrindra, lehilahy mitovy saranga amiko. namako sy sakaizako akaiky.
\v 14 Nanana fiombonana mamy isika; nandeha tao an-tranon'Andriamanitra niaraka tamin'ny olona isika.
\s5
\v 15 Aoka ho tonga amin'izy ireo amin'ny tsy ampoizina ny fahafatesana; aoka hidina velona any amin'ny Fiainan-tsy hita izy ireo, satria faharatsiana no itoeran'izy ireo, na aiza na aiza misy azy ireo.
\s5
\v 16 Raha izaho aloha, dia hiantso an'Andriamanitra aho, ary Yaveh hanavotra ahy.
\v 17 Mitaraina sy mitoloko aho amin'ny hariva, ny maraina sy ny mitatao vovonana; dia handre ny feoko Izy.
\v 18 Hamonjy ny fiainako soa amantsara izy amin'ny ady izay nanohitra ahy, fa maro dia maro ireo izay niady tamiko.
\s5
\v 19 Andriamanitra, ilay manjaka mandrakizay, anie hihaino ka hampietry azy ireo. Sela Tsy miova mihitsy izy ireo, ary tsy matahotra an'Andriamanitra.
\s5
\v 20 Nanandra-tanana hamely ireo izay nihavana taminy ny sakaizako; tsy nanaja ny fanekena izay nananany izy.
\v 21 Nalama tahaka ny dibera ny vavany, kinajo nankahala ny fony; nalefaka tahaka ny diloilo ny teniny, nefa hay sabatra natsatotsatoka ireny.
\s5
\v 22 Apetraho amin'i Yaveh ireo enta-mavesatrao, ary dia hanohana anao Izy; tsy hamela ny olo-marina hangozohozo mihitsy Izy.
\v 23 Fa Ianao, Andriamanitra o, no hampidina ny ratsy fanahy any an-davaky ny fahapotehana; ireo mangetaheta rà sy ireo olona mpamitaka dia tsy hiaina akory na dia ny antsasaky ny an'ny hafa aza, fa izaho kosa hatoky Anao.
\s5
\c 56
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Jonatelema-rehokima. Salamo nataon'i Davida. Miktama; tamin'ny nisamboran'ireo Filistinaazy tany Gata.
\v 1 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra o, fa manafika ahy ireo lehilahy! Ireo miady amiko manery mafy ny fanafihany amin'ny andro lava rehetra.
\v 2 Manitsaka ahy andro lava rehetra ireo fahavaloko; fa maro ireo miady amiko amim-pireharehana.
\s5
\v 3 Raha matahotra aho, dia hapetrako aminao ny tokiko.
\v 4 Amin'Andriamanitra, no iderako ny teniny— amin'Andriamanitra no efa nametrahako ny tokiko; tsy hatahotra aho; inona no azon'izay nofo fotsiny atao amiko?
\s5
\v 5 Mandika vilana ny teniko andro lava izy ireo; manohitra ahy amin'ny fisainan-dratsy rehetra izy ireo.
\v 6 Mikambana izy ireo, miery izy ireo, ka mitsongo dia ahy, satria mikendry ny aiko.
\s5
\v 7 Aza avela handositra amin'ny fanaovan-dratsy izy ireny. Reseo amin'ny hatezeranao ireo olona, Andriamanitra o.
\v 8 Manisa ny firenireniko Ianao ary mamnao ny ranomasoko ao an-tavoahanginao; moa tsy voasoratra ao amin'ny bokinao ve ireny?
\s5
\v 9 Ary dia hiverina ireo fahavaloko amin'ny andro izay iantsoako Anao; fantatro izany, fa hiady ho ahy Andriamanitra.
\v 10 Amin'Andriamanitra—no iderako ny teniny, amin'i Yaveh— no iderako ny teniny,
\v 11 amin'Andriamanitra no itokiko, dia tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko?
\s5
\v 12 Ato amiko ny adidy hanatanterahana ireo voadiko aminao, Andriamanitra o; hanolotra fanati-pisaorana ho anao aho.
\v 13 Fa efa namonjy ny fiainako tamin'ny fahafatesana Ianao; nihazona ny tongotro tamin'ny fianjerana Ianao, mba hahafahako mandeha eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona.
\s5
\c 57
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i davida. Miktama; raha nandositra an'i Saoly izy, tao anaty zohy.
\v 1 Mamindrà fo amiko, Andriamanitra o, mamindrà fo amiko, fa hialoka aminao ambara-pahatapitr'izao fahoriana izao. Mitoetra eo ambany elatrao ho aro aho mandra-pitsahatr'izao faharavana izao.
\s5
\v 2 Hihiaka mafy an'Andriamanitra Avo Indrindra aho, ho an'Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra ho ahy.
\v 3 Handefa fanampiana avy any an-danitra Izy ary hamonjy ahy, tezitra amin'ireo izay mamely ahy Izy. Sela. Andriamanitra handefa ny hatsaram-panahiny sy ny fahatokisany amiko.
\s5
\v 4 Eo amin'ireo liona ny aiko; eo amin'ireo izay vonona handrapaka ahy aho. Eo amin'ireo olona izay manana nify toy lefona sy tsipìka aho, ary izay manana lelan-tsabatra maranitra aho.
\v 5 Misandràta, ry Andriamanitra, ambonin'ny lanitra; aoka ho eo ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.
\s5
\v 6 Namelatra harato ho an'ny tongotro izy ireo; ory aho. Nihady lavaka teo anoloako izy ireo. Ary ny tenan'izy ireo ihany no nianjera tao afovoan'izany! Fiatoana sy fiderana.
\s5
\v 7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra o, tafatoetra ny foko; hihira aho, eny, hihira fiderana aho.
\v 8 Mifohaza, ry foko nomem-boninahitra; mifohaza, ry valiha sy lokanga; hofohaziko ny mangiran-dratsy.
\s5
\v 9 Hanolotra fisaorana ho Anao aho, ry Tompo, eo amin'ireo vahoaka; hihira fiderana ho Anao aho eo amin'ireo firenena.
\v 10 Fa lehibe ny fitiavanao tsy mety levona, manaka-danitra; ary ny fahatokianao manakatra ny rahona.
\v 11 Misandrata, Andriamanitra o, ambonin'ny lanitra; ny fahasoavanao anie ho asandratra manerana ny tany manontolo
\s5
\c 58
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i davida. Miktama.
\v 1 Milaza ny fahamarinana ve ianareo ry mpanapaka? Mitsara amim-pahamarinana ve ianareo, ry olona?
\v 2 Tsia, manao ny faharatsiana ao am-ponareo ianareo; mizara herisetra manerana ny tany amin'ny tananareo ianareo.
\s5
\v 3 Mania ny ratsy fanahy na dia fony mbola tao am-bohoka aza; mania izy ireo hatramin'ny vao teraka, amin'ny filazana lainga.
\v 4 Tahaka ny poizin'ny bibilava ny poizin'izy ireo; toy ny vipera marenina izay manakana ny sofiny tsy handre,
\v 5 izay tsy mitandrina ny feon'ny mpilalao ody, na mahay tahaka ny ahoana aza izy ireo.
\s5
\v 6 Vakio any am-bavany ny nifin'izy ireo, Andriamanitra o; poteho ny vangin'ireo zanaka liona, Yaveh o.
\v 7 Avelao izy ireo hiempo tahaka ny rano raraka; rehefa mandefa ny zanatsipìkany izy ireo, dia aoka ho tahaka ny tsy misy tendrony.
\v 8 Aoka ho tahaka ny lelosy mitsonika izy ireo ary maty, tahaka ny zaza tsy tongavolan'ny vehivavy iray izay tsy mahita mihitsy ny tara-masoandro.
\s5
\v 9 Mialohan'ny hatsapan'ny vilaninao ny hafanana mandoron'ny tsilo, dia ho entiny amin'ny tafio-drivotra ireo, na ny tsilo maitso na ny tsilo mirehitra.
\v 10 Ny olo-marina hifaly rehefa mahita ny famalian'Andriamanitra izy; hanasa ny tongony amin'ny ràn'ny ratsy fanahy izy,
\v 11 mba hilazan'ny olona hoe: "Marina tokoa, fa misy valisoa ho an'ny olo-marina; marina tokoa fa misy Andriamanitra izay mitsara ny tany."
\s5
\c 59
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i Davida. Miktama; rehefa naniraka i Saoly, ka niambina ny trano mba hamonoana azy.
\v 1 Afaho amin'ireo fahavaloko aho, Andriamanitro o, apetraho amin'ny avo lavitra ireo mitsangana hanohitra ahy aho.
\v 2 Arovy amin'ireo mpanao heloka aho, ary avoty amin'ireo olona lian-drà.
\s5
\v 3 Fa, indro, mikotrika hikendrena ny aiko izy ireo. Ireo mpanao ratsy mahery dia mivondrona hanohitra ahy, saingy tsy noho ny heloko na ny fahotako, ry Yaveh.
\v 4 Miomana ny hamono ahy izy ireo na dia tsy manam-pahadisoana aza aho; mifohaza ary vonjeo aho ka jereo.
\s5
\v 5 Ianao, ry Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro, ilay Andriamanitry ny Israely, mitsangàana ary faizo ireo firenen-drehetra; aza mamindra fo amin'izay mpanao meloka. Sela
\s5
\v 6 Miverina izy ireo ny hariva, mivovo tahaka ny alika izy ireo ary mandehandeha eran'ny tanàna.
\v 7 Indro, mandrezatra amin'ny vavany izy ireo; sabatra no eo imolony, fa hoy izy ireo hoe: "Iza no mandre anay?"
\s5
\v 8 Fa Ianao, ry Yaveh, dia mihomehy azy ireo; ataonao fihomehezana ny firenen-drehetra.
\v 9 Andriamanitra, heriko o, hihaino Anao aho; tilikamboko avo Ianao.
\s5
\v 10 Hihaona amiko ny Andriamanitromiaraka amin'ny fanekeny mahatoky; Andriamanitra no hamela ahy hahita ny faniriako amin'ireo fahavaloko.
\v 11 Aza vonoina izy ireo, ndrao hanadino ny oloko. aelezo amin'ny fahefanao izy ireo ary ataovy lavo izy ireo, ry Tompo ampinganay.
\s5
\v 12 Noho ny fahotan'ny vavan'izy ireo sy ny tenin'ny molotr'izy ireo, dia aoka ho samborina izy ireo amin'ny fireharehany, ary amin'ny ozona sy lainga no anehoany.
\v 13 Levony amin'ny fahatezeranao izy ireo, levony izy ireo mba tsy hisy intsony; avelao izy ireo hahafantatra fa Andriamanitra no manjaka amin'i Jakoba sy hatramin'ireo vazan-tany. Sela
\s5
\v 14 Miverina izy ireo ny hariva, mivovo toy ny alika mandehandeha eran'ny tanàna.
\v 15 Mirenireny mitady hanina izy ireo ary mierona tahaka ny alika raha tsy voky.
\s5
\v 16 Fa hihira momba ny herinao aho, ary hihira momba ny fitiavanao tsy miova aho nony maraina! Fa fiarovana avo ho ahy Ianao ary fialofana amin'ny androm-pahoriako.
\v 17 Ho Anao, ry heriko, no hihirako fiderana; fa Andriamanitra no fiarovana avo ho ahy, ilay Andriamanitry ny famindram-po.
\s5
\c 60
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Shushan-Eduth. Miktama nataon'i Davida; ho fampianarana. Fony niady tamin'i Syria Naharaima sy tamin'i Syria Zobah, ary Joaba niverina ka namono Edomita roa arivo sy roa alina tany an-dohasahan-tsira.
\v 1 Andriamanitra o, efa nanary anay Ianao; efa namakivaky ny fiarovanay Ianao; tezitra Ianao; ampodio indray izahay.
\s5
\v 2 Efa nampihovitrovitra ny tany Ianao; efa norotehanao izany; sitrano ny triatrany, fa mihozongozona izany.
\v 3 Nampahita zava-tsarotra ireo vahoakanao Ianao; nampisotro anay ny divay mampivembena Ianao.
\s5
\v 4 Ho an'ireo manome voninahitra Anao, dia efa nanangananao faneva aharihary hanoherana ireo izay mitondra tsipìka. Sela
\v 5 Mba hahatonga ireo tianao ho voavonjy, vonjeo amin'ny tananao ankavanana izahay ary valio aho.
\s5
\v 6 Niteny tamim-pahamasinana Andriamanitra hoe: "Hiravoravo Aho; hizara an'i Sekema Aho ary hamaritra ny lohasahan'i Sokota.
\v 7 Ahy Gileada, ary Ahy Manase; fiarovan-dohako ihany koa i Efraima; Joda no tehim-piandrianako.
\s5
\v 8 Tavin-drano fanasako i Moaba; manerana an'i Edoma no hanipazako ny kapako; hihiaka am-pandresena Aho noho i Filistia."
\v 9 Iza no hitondra ahy ao amin'ilay tanana mahery? Iza no hitarika ahy hankany Edoma?
\s5
\v 10 Fa Ianao, Andriamanitra o, moa tsy efa nandà anay ve? Ianao tsy nandeha niady niaraka tamin'ny tafikay.
\v 11 Ampio izahay hanohitra ny fahavalonay, fa zava-poana ny fanampian'olombelona.
\v 12 Handresy izahay miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra; hanitsakitsaka ireo fahavalonay izy.
\s5
\c 61
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida.
\v 2 Henoy ny tarainako, Andriamanitra o; atreho ny fivavako.
\v 3 Hatrany amin'ny faran'ny tany no hiantsoako Anao rehefa henika ny foko; tariho any amin'ny vatolampy izay avo kokoa noho izaho aho. Fa Ianao no efa fialofana ho ahy, fiarovana mafy amin'ny fahavalo.
\s5
\v 4 Avelao aho hitoetra ao amin'ny tabernakelinao mandrakizay! Avelao aho hialoka ambany alok'ireo elatrao. Sela
\v 5 Fa Ianao, Andriamanitra o, no efa nandre ireo voadiko, efa nanome ahy ny lovan'ireo izay manome voninahitra ny Anaranao Ianao.
\s5
\v 6 Hampateza ny fiainan'ny mpanjaka Ianao; ho tahaka ny taranaka mifandimby ny taonany.
\v 7 Hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy.
\s5
\v 8 Hihira fiderana ho an'ny Anaranao mandrakizay aho mba hahafahako manatanteraka ireo voadiko isanandro.
\s5
\c 62
\p Ho an'ny mpiventy hira, araka ny fomban'i Jedotona. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Miandry an'Andriamanitra irery am-pahanginana aho; avy Aminy ny ny famonjeko.
\v 2 Izy irery no vatolampiko sy famonjeko; Izy no fiarovana avo ho ahy; tsy hangozohozo tokoa aho.
\s5
\v 3 Mandra-pahoviana, ianareo rehetra, no hanafika olona, mba hahafahanareo mampihozohozo azy tahaka ny manda mirona na fefy mihozongozona?
\v 4 Nihaona taminy irery izy ireo mba hampietry azy amin'ny fitoerany be voninahitra; tia miteny lainga izy ireo; mitsodrano azy amin'ny vavany izy ireo, nefa manozona azy any am-pony. Sela
\s5
\v 5 Miandry am-pahanginana an'Andriamanitra irery ihany aho; fa mitoetra any Aminy ny fanantenako.
\v 6 Izy irery ihany no vatolampiko sy famonjena ho ahy; Izy no fiarovako avo; dia tsy hangozohozo aho.
\s5
\v 7 Ao amin'Andriamanitra ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampin'ny heriko sy fialofako dia ao amin'Andriamanitra.
\v 8 Matokia Azy amin'ny fotoana rehetra, ianareo vahoaka; haidino eo anoloany ny fonareo; ary ho fialofantsika Andriamanitra. Fiatoana sy fiderana.
\s5
\v 9 Tsy misy dikany tokoa ireo olona ambany, ary ireo olona ambony dia lainga; ho maivana eo amin'ireo mizana izy ireo; raha lanjaina miaraka, dia maivana noho ny tsy misy izy ireo.
\v 10 Aza matoky ny fampahoriana na fandrobana; ary manantena harena tsy misy dikany, satria hilanja ny vokany izy ireo; aza manankina ny fonao amin'izy ireo.
\s5
\v 11 Efa niteny indray mandeha Andriamanitra, indroa no nandrenesako izao hoe: an'Andriamanitra ny hery.
\v 12 Anao ihany koa, ry Tompo, no fanekena mahatoky, fa Ianao no mamaly ny olona tsirairay avy amin'izay efa vitany.
\s5
\c 63
\p Salamo nataon'i Davida, fony izy tany an'efitr'i Joda.
\v 1 Ry Andriamanitra, Ianao no Andriamanitro! Mitady Anao fatratra aho, mangetaheta Anao ny fanahiko, ary maniry Anao ny nofoko, eo amin'ny tany maina sy karakaina izay tsy misy rano.
\v 2 Dia efa nijery Anao tao amin'ny olona masina aho mba hahita ny herinao sy ny voninahitrao.
\s5
\v 3 Satria tsara noho ny fiainana ny famindram-ponao, dia hidera Anao ny molotro.
\v 4 Ka dia hisaotra Anao aho raha mbola velona koa; hanandratra ny tanako amin'ny Anaranao aho.
\s5
\v 5 Izany dia tahaka ny hoeizaho nihinana hanina nisy tsoka sy sabora; amin'ny molotra ravoravo no hiderako Anao,
\v 6 rehefa mieritreritra ny momba Anao eo am-pandriana aho ka misaintsaina Anao nony alina.
\s5
\v 7 Fa efa famonjena ahy Ianao, ary amin'ny aloky ny elatrao no iravoravoako.
\v 8 Mifikitra aminao aho; manohana ahy ny tananao ankavanana.
\s5
\v 9 Fa ireo izay mitady hanimba ny fiainako dia hidina any amin'ny tapany ambany indrindran'ny tany;
\v 10 hatolotra eo amin'ireo izay mampiasa ny sabatra eny an-tanany izy ireo, ary ho lasa sakafo ho an'ireo amboahaolo izy ireo.
\s5
\v 11 Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ny olona rehetra izay mianiana Aminy dia hirehereha Aminy, fa ny vavan'ireo izay milaza lainga dia hikombona.
\s5
\c 64
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Henoy ny feoko, ry Andriamanitra, henoy ny fitarainako; arovy amin'ny tahotr'ireo fahavaloko ny aiko.
\v 2 Afeno amin'ny tetika miafin'ireo mpanao ratsy aho, amin'ny tabataban'ireo mpanota.
\s5
\v 3 Efa nandranitra ny lelany tahaka ny sabatra izy ireo; efa nanenjana ny zana-tsipìkany izy ireo, ny teny mangidy,
\v 4 mba ahafan'izy ireo mitifitra ny olona izay tsy manan-tsiny avy eny amin'ny toerana miafina; ary tampoka izy ireo no mitifitra azy sady tsy matahotra na inona na inona.
\s5
\v 5 Dia nankahery ny tenany tamin'ny teti-dratsy izy ireo; niara-nidinika mangina mba hametraka ireo fandrika izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Iza no hahita antsika?"
\v 6 Namorina teti-dratsy izy ireo; "Efa vitanay,": hoy izy ireo, "ilay tetika matipaika." Ny anatin'ny eritreritra ny ny fon'ny olona dia lalina.
\s5
\v 7 Nefa hikendry azy ireo Andriamanitra; haratran'ny zana-tsipìkany izy ireo.
\v 8 Ho tafintohina izy ireo, satria ny lelan'izy ireo ihany no nanohitra azy ireo; izay rehetra mahita azy ireo dia hanifikifika ny lohany.
\v 9 Ny olona rehetra dia hatahotra ary hanambara ny asa lehiben'Andriamanitra. Hieritreritra am-pahendrena izay efa nataony izy ireo.
\s5
\v 10 Ny marina dia ho faly ny amin'i Yaveh ary hialoka ao aminy; ny mahitsy am-po rehetra dia hireharehana Aminy.
\s5
\c 65
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo.
\v 1 Hiran'i Davida. Ho anao, Andriamanitra any Ziona, no andrasan'ny vavakay; hanatanteraka ny voadinay Aminao izahay.
\v 2 Ianao izay mihaino vavaka, ho tonga eo Aminao ny nofo rehetra.
\v 3 Ireo heloka handresy antsika; raha ireo fandikan-dalànantsika, dia hamela ireny Ianao.
\s5
\v 4 Sambatra ny olona izay nisafidy hanakaiky Anao mba hahafahany mivelona ao an-kianjanao. Dia ho afa-po ny amin'ny hatsaran'ny tranonao, ny tempolinao masina izahay.
\s5
\v 5 Amin'ny fahamarinana no hamalianao anay amin'ny fanaovana ireo zava-mahagaga, ry Andriamanitrin'ny famonjenay; Ianao izay tokin'ny fiafaran'ny tany rehetra sy ny an'ireo izay lavitra ny ranomasina.
\s5
\v 6 Fa Ianao no nanamafy orina ireo tendrombohitra, Ianao ilay manao fehin-kibo amin'ny hery.
\v 7 Ianao izay no mampangiana ny fieron'ireo ranomasina, ny fieron'ireo onjany, ary ny tabataban'ireo vahoaka.
\s5
\v 8 Ireo izay monina any amin'ny faran'ny tany dia matahotra ny amin'ny porofon'ireo asanao; Ianoa no mampifaly ny atsinanana sy ny andrefana.
\v 9 Tonga hanavotra ny tany Ianao; tondrahanao izany; ary ampitomboinao fatratra; feno rano ny onin'Andriamanitra; mamatsy voa ho an'olombelona Ianao rehefa avy nanomana ny tany.
\s5
\v 10 Nanondraka ranon'ireo tany voaasa ao amin'izany Ianao; nametraka ireo sisin'ny tany voaasa Ianao; nanalefaka izany tamin'ny ranon'orana Ianao; mitahy ireo tsimoka eo amin'izy ireo Ianao.
\v 11 Manarona ny taona amin'ny fahatsaranao Ianao; ireo lalana aorian'ny kalesinao dia mitete fahatavizana amin'ny tany.
\v 12 Ireo ahitra ao an'efitra dia mitete ando, ary ireo havoana dia nitafy fifaliana.
\s5
\v 13 Rakotra ondry aman'osy ny tany fihinanam-bilona; voarakotra voa ihany koa ireo lohasaha; mihiaka fifaliana ireny, ary mihira.
\s5
\c 66
\p Ho an'ny mpiventy hira. Hira, salamo.
\v 1 Manaova hiakam-pifaliana ho an'Andriamanitra, ry tany rehetra;
\v 2 mihirà mafy ny voninahitriny Anarany; omeo voninahitra ny fiderany.
\s5
\v 3 Lazao Andriamanitra hoe: "Endrey mahatahotra ireo asanao! Amin'ny fahalehibiazan'ny herinao no haneken'ireo fahavalonao Anao.
\v 4 Ny tany rehetra hanompo Anao ary hihira ho Anao; hihira ho an'ny Anaranao izy ireo." Sela
\s5
\v 5 Avia ka zahao ireo asan'Andriamanitra; mahatahotra Izy noho ireo asany lehibe amin'ireo zanak'olombelona.
\v 6 Namadika ny ranomasina ho tany maina Izy; namakivaky ny ony an-tongotra izy ireo; tany izahay no niravoravo taminy.
\v 7 Manapaka amin'ny heriny mandrakizay Izy; mandinika ireo firenena ny masony; aoka ireo mpikomy tsy hanandra-tena. Sela
\s5
\v 8 Manolora fisaorana ho an'Andriamanitra, ianareo ry olona, aokaho re ny feon'ny fiderana Azy.
\v 9 Izy no miahy antsika amin'ny velona, ary tsy mamela ny tongotsika hisolifatra Izy.
\s5
\v 10 Fa Ianao, ry Andriamanitra, efa nitsapa anay tahaka ny fitsapana volafotsy Ianao.
\v 11 Nitondra anay tao anaty harato Ianao; nametraka enta-mavesatra teo am-balahanay Ianao.
\v 12 Efa nanao ny olona hanitsaka ny lohanay Ianao; namakivaky afo sy rano izahay, nefa namoaka anay ho any amin'ny toerana midadasika Ianao.
\s5
\v 13 Hiditra ao an-tranonao amin'ny fanatitra dorana aho; hefaiko Aminao ireo voadiko
\v 14 izay nampanantenain'ny molotro sy ny nolazain'ny vavako fony aho mbola tanaty fahoriana.
\v 15 Hanolotra ho Anao fanatitra dorana biby mifahy miaraka amin'ny hanitra ankasitrahana avy amin'ny ondrilahy aho; hanolotra omilahy sy osilahy aho. Sela
\s5
\v 16 Manatona ary mihainoa, ianareo rehetra izay matahotra an'Andriamanitra, ary holazaiko izay efa nataony ho an'ny fanahiko.
\v 17 Niantso Azy tamin'ny vavako aho, ary noderaina tamin'ny lelako Izy.
\v 18 Raha nahita ny fahotana tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ahy ny Tompo.
\s5
\v 19 Fa mandre marina Andriamanitra; efa nitandrina ny feon'ny fivavako Izy.
\v 20 Isaorana anie Andriamanitra, izay tsy nandà ny fivavako na ny fanekeny mahatoky tamiko.
\s5
\c 67
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira; ampiarahina amin'ny valiha. Salamo, tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo amintsika ka hitahy antsika ary hampamirapiratra ny tavany amintsika Sela
\v 2 mba hahafantarana ny lalanao ety ambonin'ny tany, ny famonjenao eo amin'ny firenen-drehetra.
\s5
\v 3 Aoka ny olona hidera Anao, Andriamanitra o; aoka ny olon-drehetra hidera Anao.
\v 4 Endrey ireo firenena ho faly sy hihira fifaliana, fa hitsara ny olon-drehetra amin'ny fahitsiana Ianao ary hanapaka ireo firenena ety ambonin'ny tany. Sela
\s5
\v 5 Aokan ny olona hidera Anao, Andriamanitra o; aoka ny olon-drehetra hideran Anao.
\v 6 Ny tany efa namoa ny vokany ary Andriamanitra, Andriamanitray no nitahy anay.
\s5
\v 7 Andriamanitra efa nitahy anay, ary ny vazan-tany rehetra manome voninahitra Azy.
\s5
\c 68
\p Ho an'ny mpiventy hira; salamo nataon'i Davida, tonon-kira.
\v 1 Aoka hitsangana Andriamanitra; aoka ireo fahavalony ho hiely; aoka ihany koa ireo mankahala Azy handositra tsy ho eo anatrehany.
\v 2 Tahaka ny setroka miely, no hampielezana azy ireo; toy ny savoka miempo anaty afo, no aoka hahlevona ny ratsy fanahy eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra.
\v 3 Fa aoka kosa ny olo-marina ho faly; aoka izy ireo hilafy eo anoloan'Andriamanitra; hiravoravo anie izy ireny ka dia ho faly.
\s5
\v 4 Mihirà ho an'Andriamanitra! mihirà fiderana ho an'ny anarany! Derao Ilay mandeha mamakivaky ireo tany lemaky ny lohasahan-driaka Jordana! Yaveh no anarany! Mifalia eo anatrehany!
\v 5 Rain'ny kamboty, mpitsara ireo mananontena, ilay Andriamanitra any amin'ny fitoerana masina.
\v 6 Andriamanitra mametraka ny irery ho amin'ny fianakaviana, entiny mivoaka amim-kalokalo ny gadra; fa ny mpikomy monina any amin'ny tany karakaina.
\s5
\v 7 Andriamanitra o, raha nivoaka teo anatrehan'ny vahoakanao Ianao, rehefa nandeha namakivaky ny tany efitra Ianao, Sela
\v 8 Dia nihovitra ny tany; ny lanitra ihany koa nitete orana tamin'ny fanatrehan'Andriamanbitra, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra rehefa tonga tany Sinay Izy, tamin'ny fanatrehan'Andriamanitra, ilay Andriamanitr'Israely.
\s5
\v 9 Ianao, Andriamanitra o, no nandefa oram-be; Ianao no nampatanjaka ny lovanao raha reraka izany.
\v 10 Monina ao ny vahoakanao; Ianao, Andriamanitra, nanome ny mahantra tamin'ny fahatsaranao.
\s5
\v 11 Ny Tompo no nanome ireo baiko, ary tafika lehibe ireo izay nanambara izany.
\v 12-13 Mandositra ireo mpanjakan'ny tafika, nandositra izy ireo, ary nizara ny fandrobana ireo vehivavy niandry tao an-trano: voromailala voarakotra volafotsy sy elatra volamena mavo. Rehefa nipetraka tamin'ireo valan'ondry ny sasany taminareo ry vahoaka, dia nahoana no manao izany ianareo?
\s5
\v 14 Nampiely mpanjaka tany ilay Tsitoha, izany dia tamin'ny nisian'ny oram-panala tany amin'ny tendrombohitra Zalmona.
\v 15 Tendrombohitra mahery no tany havoan'i Basana; tendrombohitra avo no tany havoan'i Basana.
\v 16 Nahoana ianao no mijery am-pitsiriritana, ianao ry tany havoana, ao an-tendrombohitra izay nirian'Andriamanitra ho toeram-ponenany? Honina mandrakizay ao tokoa Yaveh.
\s5
\v 17 Roa alina ireo kalesin'Anadriamanitra, an'alina ambonin'ny arivo; eo amin'izy ireo amin'ny fitoerana masina, toy ny tany Sinay ny Tompo.
\v 18 Nihoatra ny avo Ianao; nentinao ireo babo; nandray fanomezana avy tamin'ireo olona Ianao, en fa na avy amin'ireo izay niady taminao aza, mba hitoetra any, Ianao, ry Yaveh Andriamanitra.
\s5
\v 19 Isaorana anie ny Tompo, izay mitondra ny entantsika isan'andro isan'andro, ilay Andriamanitra izay famonjena ho antsika. Sela
\v 20 Ny Andriamanitsika dia Andriamanitra manavotra; ny Tompo Yaveh no ilay mahay manavotra antsika amin'ny fahafatesana.
\v 21 Fa Andriamanitra dia hamely amin'ny lohan'ireo fahavalony, amin'ny volon-dohan'ireo izay mandeha amin'ny fandikan-dalàna manohitra Azy.
\s5
\v 22 Hoy ny Tompo hoe: "Ho entiko miverina avy any Basana ireo fahavaloko; ho entiko miverina avy any amin'ny lalin'ny ranomasina izy ireo
\v 23 mba hahafahanao mamotika ny fahavalonao, mandroboka ny tongotrao amin'ny rà, sy mba hahafahan'ny lelan'ireo amboanao hanan-jara amin'ireo fahavalonao."
\s5
\v 24 Efa nahita ny filaharanao aho, Andriamanitra o, dia ny filaharan'Andriamanitro, mpanjakako, ao amin'ny fitoerana masina.
\v 25 Ireo mpikalo no nandeha mialoha, nanaraka tao aoriana ireo mpitendry valiha, ary tany afovoany no ireo zatovovavy tsy nanambady mpively amponga tapaka.
\s5
\v 26 Isaory Andriamanitra ao amin'ny fiangonana, miderà an'i Yaveh, ianareo ry taranak'Israely marina.
\v 27 Misy ny voalohany dia i Benjamina, ilay foko kely indrindra, manaraka ireo mpitarik'i Joda sy ireo mpanaraka azy ireo, ireo mpitarik'i Zebolona sy ireo mpitarik'i Naftaly.
\s5
\v 28 Ny Andriamanitrareo, ry Israely, dia efa nandidy ny tanjakao; asehoy anay ny herinao, Andriamanitra o, tahaka ny nampisehoanao izany tamin'ny fotoana efa lasa.
\v 29 Asehoy anay avy ao an-tempoly ao Jerosalema, izay anateran'ireo mpanjaka fanomezana ho Anao, ny herinao.
\s5
\v 30 Mihikà amin'ny ady hanohitra ireo bibidia any anaty volotara, hanohitra ireo olona, izany habetsahan'ny ombilahy sy zanak'omby izany. Ahetreo izy ireo ary ampitondrao fanomezana; aparitaho ireo olona izay tia manangana ady.
\v 31 Andriana no ho tonga avy any Egypta; i Etiopia haninjitra maika ny tanany ho any amin'Andriamanitra.
\s5
\v 32 Mihirà ho an'Andriamanitra, ianareo fanjakan'ny tany; Sela Mihirà ho an'i Yaveh.
\v 33 Ho Azy izay miakatra amin'ny lanitry ny lanitra, izay nisy hatramin'ny fotoana taloha; indro, Izy manandra-peo amin-kery.
\s5
\v 34 Ekeo ho an'Andriamanitra ny hery; an'Israely ny fiandrianany, ary eny an-danitra ny ny heriny.
\v 35 Andriamanitra o, mahatahotra Ianao any amin'ny fitoeranao masina; ilay Andriamanitr'Israely—manome hery sy tanjaka ho an'ny vahoakany Izy. Isaorana anie Andriamanitra.
\s5
\c 69
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Shoshannim. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Vonjeo aho, Andriamanitra o; fa nataon'ny rano tandindonin-doza ny fiainako.
\v 2 Milentika anaty fotaka mandrevo aho, izay tsy misy toerana ijoroana; anaty rano lalina aho, izay ikorianan'ny ranobe.
\s5
\v 3 Ketraka amin'ny fitarainako aho; maina ny tendako; ts, maharitra eo am-piandrasana an'Andriamanitro ny masoko.
\v 4 Betsaka kokoa noho ny volo eo an-dohako ireo mankahala ahy amin'ny tsy antony; ireo mananapaka ahy, manao ahy ho fahavalo amin'ny tsy rariny, dia mahery; izay tsy nangalariko akory, dia tsy maintsy averiko.
\s5
\v 5 Andriamanitra o, fantatrao ny fahadalako, ary tsy miafina aminao ny heloko.
\v 6 Aoka ireo izay miandry Anao tsy ho menatra noho izaho, ry Tompo YAveh tompon'ny maro; aoka ireo izay mitady Anao tsy ho tonga amin'ny fahafam-baraka noho izaho, ry Andriamanitr'Israely.
\s5
\v 7 Noho ny aminao no nitondrako latsa; henatra no manarona ny tavako.
\v 8 Niova ho hafa firenena aho amin'ireo rahalahiko, vahiny ho an'ireo zanaky ny reniko.
\v 9 Fa ny fahazotoan'ny tranonao no nandrapaka ahy, ary ireo latsan'ireo izay niteny mafy ahy no efa nalatsakao tamiko.
\s5
\v 10 Rehefa nitomany aho ka tsy nahinankanina, dia naniratsira ahy izy ireo.
\v 11 Rehefa nataoko lamba fisaonana ny fitafiako, dia lasa ambentin-teny tamin'izy ireo aho.
\v 12 Miresaka ny momba ahy ireo izay mipetraka eo amin'ny vavahadin'ny tanàna; ambentin-kiran'ireo mamolava aho.
\s5
\v 13 Fa raha izaho aloha, dia ho Anao ny fivavako, ry Yaveh, amin'ny fotoana izay hanekenao; valio amin'ny fahamendreham-pitokian'ny famonjenao.
\v 14 Sintony avy ao amin'ny fotako, ary aza avelanao ho difotra aho; aoka aho ho voaala lavitra ireo izay mankahala ahy ka ho voavonjy avy ao amin'ny rano lalina.
\v 15 Aza avela handifotra ahy ireo tondra-drano, na ny lalina hitelina ahy. Aza avela hanidy ny vavany eto amiko ny lavaka.
\s5
\v 16 Valio aho, Yaveh o, fa tsara ny fanekenao mahatoky; satria maro ireo fiantranao tamiko, mitodiha aty amiko.
\v 17 Aza manafin-tava amin'ny mpanomponao, fa anaty fahoriana aho; valio faingana aho.
\s5
\v 18 Midìna amiko ka vonjeo aho. Noho ireo fahavaloko, avoty aho.
\v 19 Fantatrao ny fandatsàna ahy, ny henatro, ary ny fahafam-barakako; manoloana Anao avokoa ireo fahavaloko rehetra.
\s5
\v 20 Nandratra ny foko ireo latsa; feno fahvesarana aho; mitady olona hiantra aho, saingy mba nisy; nitady mpampahery aho, saingy tsy nahita.
\v 21 Nanome ahy poizina izy ireo ho sakafoko; tamin'ny hetahetako dia vinaingitra no nomen'izy ireo.
\s5
\v 22 Aoka ho tonga fandrika ny latabany eo anoloan'izy ireo; rehefa mieritreritra izy ireo fa mitoetra tsy manana ahiahy, aoka izany ho tonga fandrika.
\v 23 Aoka ny mason'izy ireo ho maizina ka tsy hahita; ary ataovy mihozongozona foana ny lamosin'izy ireo.
\s5
\v 24 Araraho amin'izy ireo ny fahatezeranao, ary aoka ny firehetan'ny hatezeranao hahatratra azy ireo.
\v 25 Aoka ho foana ny toeran'izy ireo; aza avela hisy onina ao amin'ny lainy.
\s5
\v 26 Fa manenjika mafy izay nasianao izy ireo. Mamerimberina ny fanaintainan'ireo izay voaratranao izy ireo.
\v 27 Miampangà azy ireo ho nahavita heloka miampy heloka; aza avela ho tonga amin'ny fandresenao marina izy ireo.
\s5
\v 28 Aoka izy ireo ho voafafa ao amin'ny Bokin'ny fiainana ary tsy ho voasoratra miaraka amin'ny olo-marina.
\v 29 Kanefa mahantra sy malahelo aho; ka aoka ny famonjenao, Andriamanitra o, hametraka ahy amin'ny avo.
\s5
\v 30 Hidera ny anaran'Andriamanitra amin'ny hira aho ary hanandratra Azy amin'ny fisaorana.
\v 31 Ankasitrahan'i Yaveh tsara kokoa mihoatra ny omby sy ombilahy izy manan-tandroka sy kitro izany.
\s5
\v 32 Efa nahita izany ny malemy fanahy ka dia faly; ianao izay mitady an'Andriamanitra, aoka ny fonao ho velona.
\v 33 Fa Yaveh mandre ny ory ary tsy manao tsinontsinona ny gadrany.
\s5
\v 34 Aoka ny lanitra sy ny tany hidera Azy, ny ranomasina sy izay rehetra mihetsiketsika ao aminy.
\v 35 Fa Andriamanitra hanavotra an'i Ziona ary hanangana indray ireo tanàna'i Joda; honina ao ny olona ka hanao izany ho fananana.
\v 36 Ireo taranaky ny mpanompony handova izany; ary ireo izay tia ny Anarany dia honina ao.
\s5
\c 70
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida; mba hitondra ho amin'ny fahatsiarovana.
\v 2 Vonjeo aho, Andriamanitra o! Yaveh o, tongava malaky ka avoty aho. Aoka ireo izay mitady hikendry ny aiko ho menatra sy afa-baraka; aoka izy ireny hajanona sy ho tonga amin'ny fahafam-baraka, ireo izay mifaly amin'ny fanaintainako.
\v 3 Aoka izy ireny hajanona noho ny henatr'izy ireny, ireo manao hoe: "Aha, aha."
\s5
\v 4 Aoka izay rehetra mitady Anao hifaly sy ho ravoravo ao aminao; aoka ireo izay tia ny famonjenao hiteny mandrakariva hoe: "Hoderaina anie Andriamanitra."
\v 5 Kanefa mahantra sy ory aho; faingàna amiko, Andriamanitra o; Ianao no vonjy ho ahy ary manavotra ahy. Yaveh o, aza ela.
\s5
\c 71
\p
\v 1 Ao aminao, ry Yaveh, no hialofako; aza avelanao ho menatra mihitsy aho.
\v 2 Vonjeo aho ary aoka hitoetra tsy manan'ahiahy amin'ny fahamarinanao; atongilano amiko ny sofinao ka avoty aho.
\v 3 Meteza ho vatolampy fialofana ho ahy mba hahafahako mandeha; efa nanome baiko ny hanavotana ahy Ianao, fa Ianao no vatolampy sy batery fiarovana ho ahy.
\s5
\v 4 Vonjeo aho, Andriamanitro o, amin'ny tanan'ny ratsy fanahy, amin'ny tanan'ny tsy marina sy lozabe.
\v 5 Fa Ianao no fanantenako, ry Tompo Yaveh. Efa nitoky taminao foana aho hatramin'ny fony aho mbola zaza.
\s5
\v 6 Ianao no nanankinana ahy hatrany am-bohoka; Ianao no izy izay naka ahy avy tao an-kibon-dreniko; ho aminao hatrany ny derako.
\v 7 Fitaratra ho an'olona maro aho; Ianao no fialofako mafy.
\s5
\v 8 Ho feno fiderana Anao ny vavako, ny andro tontolo amin'ny voninahitrao.
\v 9 Aza manary ahyamin'ny fotoan'ny fahanterana; aza mahafoy ahy rehefa ketraka ny heriko.
\s5
\v 10 Fa miresaka ny momba ahy ireo fahavaloko; ireo izay misoko ny aiko miara-miteti-dratsy.
\v 11 Hoy izy ireo hoe: "Nahafoy azy Andriamanitra; enjeho izy ary alao, fa tsy misy olona hanavotra azy."
\s5
\v 12 Andriamanitra o, aza manalavitra ahy; ry Andriamanitro, faingàna havanotra ahy.
\v 13 Aoka izy ireo ho menatra sy rava, ireo izay feno fankahalana amin'ny fiainako; aoka izy ireny ho rakotra latsa sy fahafam-baraka, ireo izay mitady ny faharatrako.
\s5
\v 14 Fa izaho kosa dia hanantena mandrakariva Anao ary hidera Anao hatrany hatrany.
\v 15 Hilaza momban'ny fahamarinanao sy ny famonjenao tontolo andro ny vavako, na dia tsy takatro aza izany.
\v 16 Ho avy aho amin'ireo asa maherin'ny Tompo Yaveh; hanonona ny fahamarinanao aho, ny Anao irery.
\s5
\v 17 Andriamanitra o, efa nampianatra ahy Ianao hatramin'ny fahatanorako; hatramin'izao aza dia manambara ireo asanao mahatalanjona aho.
\v 18 Eny tokoa fa na dia antitra sy fotsy volo aza aho, Andriamanitra o, dia aza mahafoy ahy, satria efa nampahafantatra ny herinao tamin'ny taranaka mandimby aho, ny fahefanao tamin'izay rehetra ho avy.
\s5
\v 19 Ny fahamarinanao ihany koa, Andriamanitra o, dia tena avo; Ianao izay nanao zava-dehibe, Andriamanitra o, iza no tahaka Anao?
\v 20 Ianao izay nampiseho anay fahoriana mahery vaika maro no hamelona anay sy hampiakatra any avy amin'ny lalin'ny tany indray.
\s5
\v 21 Hampitombo ny voninahitrao anie Ianao; mitodiha indray ka herezo aho.
\v 22 Hanolotra fisaorana ho Anao koa aho amin'ny lokanga noho ny fahamendreham-pitokianao, ry Andriamanitro; ho Anao no hihirako fiderana amin'ny lokanga, ry Ilay Masin'Israely.
\s5
\v 23 Hihoby ny molotro rehefa mihira fiderana ho Anao aho—na dia ny fanahiko aza, izay efa novonjenao.
\v 24 Hilaza momban'ny fahamarinanao andro lava ny lelako; fa efa nomenarina izy ireo ary very hevitra, ireo izay nitady ny faharatrako
\s5
\c 72
\p Salamo nataon'i Solomona.
\v 1 Omeo ny mpanjaka ireo lalànao marina, Andriamanitra o, ny fahamarinanao ho an'ny zanaka lahin'ny mpanjaka.
\v 2 Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana anie izy ary ny mahantranao amin'ny rariny.
\v 3 Hamoa fiadanana ho an'ny olona anie ireo tendrombohitra; hamoa fahamarinana anie ireo havoana.
\s5
\v 4 Hitsara ny mahantra amin'ny vahoaka anie izy; hanavotra ireo zanaky ny ory anie izy ka hamotipotika ny mpampahory.
\v 5 Hanome voninahitra Anao anie izy ireo raha mbola eo koa ny masoandro, ary raha mbola maharitra koa ny volana manerana ny taranaka hifandimby rehetra.
\s5
\v 6 Hirotsaka tahaka ny orana eny amin'ny ahitra voatapaka anie izy, tahaka ny rotsak'orana izay manondraka ny tany.
\v 7 Hamony amin'ny androny anie ny olo-marina, ary hisy fiadanam-be anie ambara-pahafoanan'ny volana.
\s5
\v 8 Hanana fanapahana amin'ny ranomasina mankany amin'ny ranomasina anie izy.
\v 9 Hiankohoka eo anatrehany anie ireo monina any an'efitra; hisolelaka vovoka anie ireo fahavalony.
\v 10 Ireo mpanjakan'i Tarsisy sy ny an'ireo nosy anie handoa hetra; ireo mpanjakan'i Sheba sy Seba anie hanolotra fanomezana.
\s5
\v 11 Ho lavo eo anatrehany tokoa anie ireo mpanjaka rehetra; hanompo azy anie ireo firenen-drehetra.
\v 12 Fa manavotra ny olona ory izay mitaraina sy ny olo-mahantra izay tsy manana mpanavotra hafa izy.
\s5
\v 13 Mamindra fo amin'ny mahantra sy ory izy, ary manavotra ny ain'ny olona ory.
\v 14 Mamonjy ny ain'izy ireo amin'ny fampahoriana sy herisetra izy, ary sarobidy eo imasony ny ràn'izy ireo.
\s5
\v 15 Ho velona anie izy! Homena Azy anie ny volamenan'i Sheba. Hivavaka ho azy foana anie ny olona; hitahy azy andro lava anie Andriamanitra.
\v 16 Hisy fahabetsaham-bary anie eny amin'ny tany; eny amin'ny antampon-tendrombohitra anie no hisy volin'izy ireo. Ho tahaka an'i Libanona anie ny vokatr'izany; hamony tahaka ny ahitry ny saha anie ny olona ao an-tanàna.
\s5
\v 17 Haharitra mandrakizay anie ny anarany; haharaitra tahaka ny masoandro anie ny anarany; ho voatahy ao aminy anie ny olona; hiantso Azy hoe sambatra anie ny firenen-drehetra.
\s5
\v 18 Isaorana anie Yaveh Andriamanitra, ilay Andriamanitr'Israely, izay Izy irery no manao zava-mahagaga.
\v 19 Isaorana mandrakizay anie ny anarany be voninahitra, ary ho feno ny voninahiny anie ny tany manontolo. Amen dia Amen.
\v 20 Tapitra ny fivavahan'i Davida zanaka lahin'i Jese. Boky fahatelo
\s5
\c 73
\p
\v 1 Salamo nataon'i Asafa. Azo antoka tokoa fa Andriamanitra dia tsara ho an'Israely, ho an'ireo madio fo.
\v 2 Fa raha izaho aloha, dia saika nibolisatra ny tongotro; saika solafaka ny diako
\v 3 satria nitsiriritra ny mpirehareha aho raha nahita ny fahombiazan'ny ratsy fanahy.
\s5
\v 4 Fa tsy mba mijaly izy ireo mandra-pahafatiny, fa dia mahery sy voafahana tsara.
\v 5 Afaka amin'ny enta-mavesatry ny lehilahy hafa izy ireo; tsy mba ory tahaka ny olona hafa.
\s5
\v 6 Mandravaka azy ireo tahaka ny rojo eo amin'ny vozony ny fireharehana; ny herisetra no tafiany toy ny akanjo.
\v 7 Avy amin'ny fahajambana toy izany no hivoahan'ny ota; mamakivaky ny fon'izy ireo ny eritreri-dratsy.
\s5
\v 8 Maneso sy miteny ratsy izy ireo; amin'ny fiavonavonana no andrahonan'izy ireo fampahoriana.
\v 9 Ampanoherin'izy ireo ny lanitra ny vavany, ary mamakivaky ny tany ny lelan'izy ireo.
\s5
\v 10 Noho izany dia mitodika amin'izy ireo ny olony ka rano be no voagoka.
\v 11 Hoy izy ireo hoe: "Ahoana no hahalalan'Andriamanitra? Moa misy fahalalana ao amin'ny Avo Indrindra?"
\v 12 Hevero tsara: ireny olona ireny dia ratsy fanahy; tsy mivaky loha mandrakariva izy ireny, tonga mpanan-karena dia manan-karena.
\s5
\v 13 Zava-poana dia zava-poana ny niambenako ny foko sy ny nanasako tanana tamin'ny tsy fananan-tsiny.
\v 14 Fa nampahoriana andro lava aho ary nofaizina isa-maraina.
\v 15 Raha nilaza aho hoe: "Holazaiko ireo zavatra ireo," dia efa namadika ity taranaka mandimbin'ny zanakao ity aho.
\s5
\v 16 Na izany aza dia niezaka nanakatra ireo zavatra ireo aho, tena sarotra tamiko anefa izany.
\v 17 Koa nandeha tao am-pitoerana masin'Andriamanitra aho ka tonga nahatakatra ny nanjo azy ireo.
\s5
\v 18 Napetrakao tamin'ny teorana malama tokoa izy ireo; naetrinao tamin'ny faharavana izy ireo.
\v 19 Indrisy fa tonga efitra izy ireo tanatin'ny fotona fohy! Tonga amin'ny fahataperana izy ireo ka miafara amin'ny horohoro mahatsiravina.
\v 20 Tahaka ny nofy aorian'ny fifohazana izy ireo; Tompo o, rehefa miarina Ianao, dia tsy hihevitra na inona na inona amin'ireny nofy reny.
\s5
\v 21 Fa nalahelo ny foko, ary naratra mafy aho.
\v 22 Tsy nahalala aho ary tsy mba lalin-tsaina; tahaka ny biby tsy misy antony aho manoloana Anao.
\s5
\v 23 Nefa aho miaraka aminao hatrany; mihazona ny tanako ankavanana Ianao.
\v 24 Hitarika ahy amin'ny torohevitrao Ianao ary aorian'izany dia handray ahy amim-boninahitra.
\s5
\v 25 Manana an'iza afa-tsy Ianao moa aho any an-danitra? Tsy misy iriako afa-tsy Ianao ety ambonin'ny tany.
\v 26 Miha-ketraka ny nofoko sy ny foko, fa herin'ny foko mandrakizay Andriamanitra.
\s5
\v 27 Ho levona ireo izay lavitra Anao; ho ringaninao izay rehetra tsy mahatoky Anao.
\v 28 Fa raha izaho aloha, ny hany tokony ataoko dia ny manatona an'Andriamanitra. Efa nanao ny Tompo Yaveh ho fialofako aho. Hanambara ireo asanao rehetra aho.
\s5
\c 74
\p Maskila nataon'i Asafa.
\v 1 Andriamanitra o, nahoana no dia nandà anay mandrakizay Ianao? Nahoana no dia mirehitra amin'ny ondrin'ny fihinanam-bilonao ny hatezeranao?
\v 2 Tsarovy ny olonao, izay nenjehinao tamin'ny fotoana taloha, ny foko izay efa navotanao mba ho lovanao manokana, sy ny tendrombohitra Ziona, izay onenanao.
\s5
\v 3 Tongava hijery ny faharavana tanteraka, ny fahasimbana rehetra izay nataon'ny fahavalo tamin'ny fitoerana masina.
\v 4 Mierona eo afovoan'ny toerana voatondronao ireo fahavalonao; mametraka ny sainan'ny adiny.
\v 5 Nanapatapaka amin'ny famaky tahaka ny any amin'ny ala mikitroka izy ireo.
\v 6 Namotipotika sy nandrodana ireo sokitra rehetra; novakian'izy ireo tamin'ny famaky sy tantanana.
\s5
\v 7 Mandoro ny fitoeranao masina izy ireo; manimbazimba ny fonenanao, manazera izany amin'ny tany.
\v 8 Hoy izy ireo anakampo hoe: "Hopotehinay avokoa izy rehetra ireo." Nodoran'izy ireo avokoa ny toeranao fihaonana rehetra teny amin'ny tany.
\s5
\v 9 Tsy mahita famantarana intsony izahay; tsy misy mpaminany intsony, ary tsy misy aminay mahalala izay haharetan'izany.
\v 10 Mandra-pahoviana, Andriamanitra o, no handefasan'ireo fahavalo ompa any aminao? Moa hiteny ratsy ny Anaranao mandrakizay ve izy ireo?
\v 11 Nahoana Ianao no mihazona ny tananao, ny tananao ankavanana? Esory ao anaty akanjonao ny tananao ankavanana ka aringano izy ireo.
\s5
\v 12 Kanefa Andriamanitra dia mpanjakako efa hatramin'ny taloha, mitondra famonjena amin'ny tany.
\v 13 Ianao no nampisaraka ny ranomasina tamin'ny herinao; Ianao no namotipotika ny lohan'ireo dragon'ny ranomasina tao anaty rano.
\s5
\v 14 Ianao no nanorotoro ny lohan'ireo leviatana; Ianao no namahana azy ho amin'ireo velona tany an'efitra.
\v 15 Ianao no nampivoaka loharano sy riana; Ianao no nandritra ny ony mikoriana.
\s5
\v 16 Anao ny andro, ary Anao koa ny alina; Ianao no nametra ny masoandro amam-bolana amin'ny toerany.
\v 17 Ianao efa nametraka ireo vazan-tany rehetra; Ianao efa nanao ny fahavratra sy ny ririnina.
\s5
\v 18 Tsarovy ny fomba naniratsiran'ny fahavalo Anao, ry Yaveh, ary ireo olona adala izay efa niteny ratsy ny anaranao.
\v 19 Aza apetraka eo amin'ny bibidia ny ain'ny voromailalanao. Aza manadino ny ain'ireo olonao nampahoriana mandrakizay.
\s5
\v 20 Tsarovy ny fanekenao, fa ny toerana maizina amin'ny tany dia feno toeran'ny herisetra.
\v 21 Aza avela hiverina amin'ny henatra ireo nampahoriana; avelao hihoby ny anaranao ny mahantra sy nampahoriana.
\s5
\v 22 Mitsangàna, Andriamanitra o; arovy ny voninahitrao manokana; tsarovy ny fomba naniratsiran'ny adala Anao andro lava.
\v 23 Aza manadino ny feon'ireo mpifanandrina aminao na ny tabataban'ireo izay mihantsy Anao tsy anki-janona.
\s5
\c 75
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao Al-Tashheth. Salamo nataon'i Asafa, tonon-kira.
\v 1 Saotra no atolotray Anao, Andriamanitra o; saotra no atolotray, satria manambara ny fanatrehanao Ianao; ny olona milaza ireo asanao mahagaga.
\v 2 Hitsara ara-drariny Aho amin'ny fotoana voatendry.
\v 3 Na dia hihovitrovitra amin-tahotra aza ny tany sy ny mponina rehetra, dia hamafisiko ireo andrin'ny tany. Sela
\s5
\v 4 Hoy aho amin'ny mpiavonavona hoe: "Aza miavonavona," ary amin'ny ratsy fanahy hoe: "Aza manandratra ny tandroka.
\v 5 Aza manandratra ny tandrokao amin'ny avo; aza miteny amin'ny hatoka mpanambany."
\v 6 Tsy avy any atsinanana izany na koa avy any andrefana, ary tsy avy any an'efitra akory no nahatongavan'izany fanandratana izany.
\s5
\v 7 Fa Andriamanitra no mpitsara; Izy no manetry ary Izy no manandratra.
\v 8 Fa Yaveh mihazona amin'ny tanany ny kapoakan'ny diavay mandroatra, izay voaharo hanitra, sy mandraraka izany. Hisotro izany hatramin'ny fara-faikany tokoa ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany.
\s5
\v 9 Fa izaho kosa hilaza hatrany izay efa nataonao; hihira fiderana ho an'Andriamanitr'i Jakoba aho.
\v 10 Hoy Izy hoe: "Hanapaka ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra Aho, fa ny tandroky ny olo-marina ho asandratra ambony."
\s5
\c 76
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira, amin'ny lokanga. Salamo nataon'i Asafa, tonon-kira.
\v 2 Nampahafantatra ny tenany tao Joda Andriamanitra; lehibe ao Israely ny Anarany. Ao Salema ny lainy; ao Ziona ny toerana fonenany.
\v 3 Tany Izy no nanapaka ireo zana-tsipìkan'ny tsipìka, ny ampinga, ny sabatra, ary ireo fitaovam-piadiana hafa. Sela
\s5
\v 4 Mamirapiratra ny fahazavanao ary manambara ny voninahitrao Iano, raha midina avy any amin'ireo tendrombohitra, tany amin'izay namonoanao ireo niharam-boinao.
\v 5 Voababo ny mahery fo; ka renoka izy ireo. Tsy afa-nanoatra ny mpiady rehetra.
\s5
\v 6 Tamin'ny fitenenanao mafy, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia samy renoky ny torimaso na mpitaingina na ny soavaly.
\v 7 Ianao, eny Ianao, no hatahorana; iza no afaka hitsangana eo imasonao rehefa tezitra Ianao?
\s5
\v 8 Avy any an-danitra no nampandrenensanao ny fitsarànao; natahotra sy nangina ny tany
\v 9 raha iny Ianao, ry Andriamanitra, nitsangana hanatanteraka ny fitsaràna sy hanavotra izay nampahoriana rehetran'ny tany. Sela
\s5
\v 10 Hitondra fiderana ho Anao tokoa ny fitsaranao tezitra amin'ny olombelona; tazominao ho an'ny tenanao ny sisa amin'ny fahatezeranao.
\s5
\v 11 Manaova voady amin'i Yaveh Andriamanitrao ary tàno ireny. Hitondra fanomezana ho Azy izay hatahorana anie ireo rehetra izay manodidina Azy.
\v 12 Manapaka ny fanahin'ireo andriana Izy; ary hatahoran'ireo mpanjakan'ny tany.
\s5
\c 77
\p
\v 1 Ho an'ny mpiventy hira; araka ny fomban'i Jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Hiantso mafy an'Andriamanitra amin'ny feoko aho; Hiantso an'Andriamanitra amin'ny feoko aho, ary handre ahy ny Andriamanitro.
\s5
\v 2 Nitady ny Tompo aho tamin'ny androm-pahoriako; naninjitra ny tanako aho nony alina, ary tsy nety reraka ireo. Tsy nety nampiononina ny fanahiko.
\v 3 Nieritreritra an'Andriamanitra teo am-pisentoana aho; rehefa niha antitra aho dia nieritreritra ny momba Azy. Sela
\s5
\v 4 Nihazona ny masoko hisokatra ianao; ory tanteraka aho raha hiteny.
\v 5 Nieritreritra ireo andro fahiny aho, ireo fotoana maro lasa.
\s5
\v 6 Nandritra ny alina dia nahatsiaro ilay hira niraiko indray mandeha aho. Nandinika tsara aho ary niezaka nanakatra izay nitranga.
\v 7 Handà ahy mandrakizay ve ny Tompo? Tsy hankasitraka ahy intsony ve Izy?
\s5
\v 8 Moa ve tsy efa lasa mandrakizay ny fitiavany mahatoky? Moa ve tsy efa foana mandrakizay ny fampanantenany?
\v 9 Moa ve Andriamanitra efa nanadino ny maha mpamindra fo? Moa ve ny fahatezerany efa nanidy ny fangoraham-pony? Sela
\s5
\v 10 Hoy aho hoe: "Izao no alaheloko: dia ny fiovan'ny tanana ankavanan'ilay Avo Indrindra mankany amintsika."
\s5
\v 11 Fa hotsaroako ireo asanao, ry Yaveh; hisaina ny amin'ireo asanao mahagaga fahiny aho.
\v 12 Hisaintsaina ireo asanao rehetra aho ka handinika azy ireo.
\s5
\v 13 Ny lalanao, Andriamanitra o, no masina; andriamanitra inona moa no ampitahaina amin'Andriamanitray lehibe?
\v 14 Ianao ilay Andriamanitra izay manao fahagagana; efa naneho ny herinao teo amin'ireo olonao ianao.
\v 15 Nanome fandresena ny vahoakanao tamin'ny alalan'ny herinao lehibe Ianao—dia ireo taranak'i Jakoba sy Josefa.
\s5
\v 16 Ny rano nahita anao, Andriamanitra o; nahita anao ny rano, ary dia raiki-tahotra; nihorohoro ny lalina.
\v 17 Nandraraka ranon'orana ny rahona. Ny habakabaka feno rahona namoaka feo; Nifanaretsaka ny tsipìkanao.
\s5
\v 18 Ny feonao mikotroka dia re amin'ny rivotra; ny tselatra nanazava ny tany; nihorohoro sy nangozohozo ny tany.
\v 19 Nandalo tamin'ny ranomasina ny lalanao ary ny dianao tamin'ny rano manonja, saingy tsy tazana ny dian-tongotrao.
\v 20 Nitondra ny vahoakanao tahaka ny biby fiompy tamin'ny alalan'ny tanan'i Mosesy sy Arona Ianao.
\s5
\c 78
\p
\v 1 Maskila nataon'i Asafa. Mihainoa ny fampianarako, ry vahoakako, henoy ireo teny aloaky ny vavako.
\v 2 Hanokatra ny vavako amin'ny fanoharana aho; hihira mahakasika ireo zava-miafina momba'ny lasa aho.
\s5
\v 3 Ireo dia zavatra efa henonay sy efa nianaranay, zavatra izay efa nolazain'ireo razambenay anay.
\v 4 Tsy hanafina ireny amin'ny taranany izahay. Hilaza amin'ireo taranaka mandimby ireo asa mendri-piderana nataon'i Yaveh, ny heriny, ary ireo zava-mahagaga efa vitany izahay.
\s5
\v 5 Fa nametraka didim-panekena tamin'i Jakoba Izy, ary nanendry lalàna tany Israely. Nandidy ireo razambenay Izy mba hampianatra ireo amin'ireo zanany.
\v 6 Nandidy izany Izy mba hahalalan'ireo taranaka handimby ireo didiny, dia ireo zanaka mbola tsy teraka akory, izay tokony hitory izany amin'ny zanak'izy ireo ihany.
\s5
\v 7 Ary hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra izy ireo ka tsy hanadino ireo asany, fa hitandrina ny didiny.
\v 8 Ka dia tsy ho tahaka ireo razambeny, izay mafy hatoka sy taranaka mpikomy, taranaka izay tsy mba mahitsy fo, ary izay tsy nanolotra ny fanahiny sy nitoky tamin'Andriamanitra izy ireo.
\s5
\v 9 Ireo Efraimita dia nirongo tsipìka, kanefa nihemotra izy ireo tamin'ny andron'ny ady.
\v 10 Tsy nitandrina ny fanekena tamin'Andriamanitra izy ireo, ary nandà ny hankatò ny lalàny.
\v 11 Nanadino ireo asany, ireo zava-mahagaga izay efa nasehony azy izy ireo.
\s5
\v 12 Nanadino ireo zava-mahagaga izay nataony teo imason'ireo razambeny, tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny tanin'i Zoana izy ireo.
\v 13 Nanasaraka ny ranomasina Izy ary nitondra azy ireo namakivaky izany; nataony nitsangana tahaka ny manda ny rano.
\v 14 Rahona no nitarihany azy ireo nony andro, ary tamin'ny afo mazava nony alina.
\s5
\v 15 Namaky ireo vatolampy tany an'efitra Izy, ary nanome rano be dia be azy ireo, ampy hamenoana ny halalin'ny ranomasina.
\v 16 Nampikoriana rano avy amin'ny vatolampy Izy ary nataony nikoriana tahaka ny renirano izany.
\s5
\v 17 Kinanjo mbola nanohy nanota taminy ihany izy ireo, fikomiana tamin'ilay Avo indrindra tany an'efitra.
\v 18 Nihantsy an'Andriamanitra tamin'ny fony izy ireo, tamin'ny alalan'ny fangatahana sakafo mba hahavoky azy ireo.
\s5
\v 19 Niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ireo; hoy izy ireo hoe: "Afaka mamelatra latabatra ho anay any an'efitra tokoa ve Andriamanitra?
\v 20 Indro, raha namaky ny vatolampy Izy, dia niraraka ny rano ary nikoriana nandifotra. Nefa afaka manome mofo ihany koa ve Izy? Hamatsy hena ho an'ireo vahoakany ve Izy?"
\s5
\v 21 Rehefa ren'i Yaveh izany, dia tezitra Izy; ka dia nandoro an'i Jakoba ny afony, ary namely ny Israely ny hatezerany,
\v 22 satria izy ireo dia tsy nino an'Andriamanitra ary tsy natoky ny famonjeny.
\s5
\v 23 Kinanjo nandidy ny habakabaka ambony Izy ary nanokatra ny varavaran'ny lanitra.
\v 24 Nandraraka mana toy ny ranon'orana mba hohanin'izy ireo Izy, ary nanome vary azy ireo avy any an-danitra.
\v 25 Nihinana ny mofon'ireo anjely ny vahoaka. Nandefa sakafo be dia be ho azy ireo Izy.
\s5
\v 26 Nampitsoka ny rivotra avy any atsinana teny amin'ny habakabaka izy, ary tamin'ny alalan'ny heriny no nibaikony ny rivotra avy any atsimo.
\v 27 Nandatsaka hena teo amin'izy ireo tahaka ny vovoka Izy, vorona maro tahaka ny fasi-dranomasina.
\v 28 Ireo dia nilatsaka teo afovoan'ny tobin'izy ireo, nanodidina ireo lainy rehetra.
\s5
\v 29 Ary dia nihinana izy ireo ka voky. Nomeny azy ireo izay niriany mafy.
\v 30 Saingy mbola tsy afa-po ihany izy ireo; ny haniny nefa mbola teny am-bavany.
\s5
\v 31 Ka dia namely azy ireo ny hatezeran'Andriamanitra ary namono ny matanjaka indrindra tamin'izy ireo. Nandavo ireo zatovolahin'Israely Izy.
\v 32 Na dia teo aza izany, dia mbola nanota ihany izy ireo, ary tsy nino ireo asany mahatalanjona.
\s5
\v 33 Noho izany Andriamanitra nanafohy ny andronízy ireo; ary feno horohoro ny taonany.
\v 34 Na oviana na oviana nampahorianÁndriamanitra izy ireo, dia nanomboka nikatsaka Azy, ary niverina nitady Azy fatratra.
\s5
\v 35 Ho tsaroan'izy ireo fa Andriamanitra no vatolampin'izy ireo ary ilay Andriamanitra Avo Indrindra no mpamonjy azy.
\v 36 Kanefa hanao teny malefaka Aminy izy ireo ary handainga Aminy amin'ny tenin'izy ireo.
\v 37 Satria ny fon'izy ireo dia tsy mbola nifikitra tanteraka taminy, ary izy ireo dia tsy nahatoky ny fanekeny.
\s5
\v 38 Fa Izy kosa, amin'ny maha mpamindra fo, dia namela ny helok'izy ireo ary tsy namotika azy ireo. Eny, matetika Izy no mihazona ny hatezerany, ary tsy nanetsika ny fahavinirany rehetra.
\s5
\v 39 Tsaroany fa izy ireo dia vita tamin'ny nofo, rivotra mandalo ary tsy miverina intsony.
\v 40 Impiry moa izy ireo no nikomy hanohitra Azy tany an'efitra ary nampalahelo Azy tany amin'ny tany ngazana!
\v 41 Nihantsy an'i Yaveh hatrany hantrany ka nanafitohina ilay Masin'Israely.
\s5
\v 42 Izy ireo tsy mba nisaina ny amin'ny heriny, izay nanavotany azy ireo tamin'ny fahavalony
\v 43 raha nanatanteraka ireo famantarany mampihorohoro tany Egypta sy ireo fahagagany tany amin'ny faritanin'i Zoana Izy.
\s5
\v 44 Navadiny ho rà ny onin'i Egypta mba tsy hahafahan'izy ireo misotro eo amin'ny reniranony.
\v 45 Nandefa andian-dalitra izay nandevona azy ireo Izy ary sahona izay niely tamin'ny tanin'izy ireo.
\v 46 Nomeny ny sompanga ny fambolen'izy ireo ary ny asany nomeny ny valala.
\s5
\v 47 Nopotehiny tamin'ny havandra ny voalobok'izy ireo ary ny amontany tamin'ny havandra maro.
\v 48 Nandraraka havandra tamin'ny biby fiompin'izy ireo sy varatra tamin'ny ondry aman'osiny Izy.
\v 49 Nikapoka azy ireo ny firehetan'ny fahatezerany. Nandefa fahavinirana, hatezerana, ary fahoriana tahaka ny singa mitondra loza Izy.
\s5
\v 50 Nanamarina ny lalana ho an'ny fahatezerany Izy; tsy niaro azy ireo tamin'ny fahafatesana Izy; fa kosa nanolotra azy ireo teo amin'ny areti-mandringana.
\v 51 Namono ny lahimatoa rehetra tao Egypta Izy, ny voalohan-teraky ny herin'izy ireo tao an-dain'i Hama.
\s5
\v 52 Nitondra ny olony nivoaka tahaka ny ondry Izy ary nitarika azy ireo tany an'efitra tahaka ny andian'ondry.
\v 53 Nentiny am-pilaminana izy ireo ka tsy natahotra, fa ny ranomasina nandifotra ireo fahavalony.
\s5
\v 54 Ary nitondra azy ireo tany amoron'ny tany masina Izy, tamin'izany tendrombohitra izay azon'ny tanany ankavanana izany.
\v 55 Nandroaka ireo firenena teo anoloan'izy ireo Izy ary nanendry ireny ho lovany. Nametraka ireo fokon'Israely tao an-dain'izy ireo Izy.
\s5
\v 56 Nefa niantsy sy nandà ilay Andriamanitra Avo Indrindra izy ireo ary tsy nitandrina ireo didy masiny.
\v 57 Tsy nahatoky izy ireo ary nivadika tahaka ireo razany; nania tahaka ny tsipìka manjiona izy ireo.
\s5
\v 58 Satria izy ireo nampatezitra Azy tamin'ny fitoerana avon'izy ireo ary nihantsy ny hasarotam-piarony tamin'ireo sampy.
\v 59 Rehefa nahare izany Andriamanitra, dia tezitra sy nandà tanteraka an'Israely.
\s5
\v 60 Nandao ny fitoerana masina tao Silo Izy, ilay lay izay nitoerany teo amin'ireo vahoaka.
\v 61 Namela ny tanjany ho babo Izy, ary nanome ny voninahiny ho eo an-tanan'ny fahavalo.
\s5
\v 62 Nanolotra ny olony ho amin'ny sabatra Izy, ary tezitra tamin'ny lovany.
\v 63 Ny afo nandevona ireo zatovolahiny, ary ireo zatovovaviny tsy mba nanana hira fampakarana.
\s5
\v 64 Lavon'ny sabatra ireo mpisorony, ary tsy naha-tomany ireo mpitondratenan'izy ireo.
\v 65 Avy eo dia nifoha tahaka ny avy natory ny Tompo, tahaka ny mpiady miantsoantso nohon'ny divay.
\v 66 Dia nandroaka ireo fahavalony Izy; ary nametraka azy ireo ho amin'ny henatra mandrakizay.
\s5
\v 67 Nolaviny ny lain'i Josefa, ary tsy nisafidy ny fokon'i Efraima Izy.
\v 68 Ny fokon'i Joda sy ny tendrombohitra Ziona tiany no nosafidiany.
\v 69 Nanorina ny fitoerany masina tahaka ny lanitra izy, ary tahaka ny tany izay efa naoriny mandrakizay.
\s5
\v 70 Nisafidy an'i Davida, mpanompony Izy, ary naka azy avy tany am-balan'ondry.
\v 71 Naka azy avy tamin'ny fanarahana ireo ondry vavy mbamin'ny zanany Izy, ary nitondra azy ho mpiandry an'i Jakoba, vahoakany, sy an'Israely, lovany.
\v 72 Niandry azy ireo tamin'ny fahitsian'ny fony i Davida, ary nitondra azy ireo tamin'ny fahaizan'ny tanany.
\s5
\c 79
\p Salamo nataon'i Asafa.
\v 1 Andriamanitra o, firenen-kafa no efa tonga eo amin'ny lovanao; efa voaloton'izy ireo ny tempolinao masina; efa nanao an' i Jerosalema ho antontam-pandravana izy ireo.
\v 2 Efa nanome ireo fatin'ny mpanomponao ho sakafon'ny voron'ny habakabaka izy ireo, ny vatan'ireo olonao matoky ho an'ny bibin'ny tany.
\v 3 Efa nalatsak'izy ireo toy ny rano manodidina an'i Jerosalema ny ràn'izy ireo, ary tsy nisy olona mba handevina azy ireo.
\s5
\v 4 Tonga fahafaham-baraka ho an'ireo namanay izahay, eso sy fihomehezana ho an'ireo izay manodidina anay.
\v 5 Mandra-pahoviana, ry Yaveh? Hijanona ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao? Mandra-paha rahoviana ny hatezeranao saro-piaro no handoro tahaka ny afo?
\s5
\v 6 Arotsahy amin'ireo firenena izay tsy mahalala anao sy amin'ireo fanjakana tsy manao ny fiantsoana amin'ny anaranao ny fahatezeranao.
\v 7 Fa efa nandevona an'i Jakoba sy nandrava ny tanànany izy ireo.
\s5
\v 8 Aza mihazona ny fahotan'ireo razambenay hanohitra anay; aoka ny asan'ny famindram-ponao no ho tonga aminay, fa tena osa izahay.
\v 9 Ampio izahay, ry Andriamanitry ny famonjenay, noho ny amin'ny voninahitry ny anaranao; vonjeo izahay ary mamelà ny helokay noho ny amin'ny anaranao.
\s5
\v 10 Nahoana ireo firenena no tokony hiteny hoe: "Aiza ny Andriamanitr'izy ireo?" Aoka ny ràn'ny mpanomponao izay nalatsaka no hamaly faty ireo firenena eo anatrehan'ny masonao.
\v 11 Aoka ny fisenton'ireo gadra no ho tonga eo anoloanao; amin'ny fahalehibeazan'ny fahefanao no hihazonana ireo zanaky ny fahafatesana ho velona.
\s5
\v 12 Valio impito heny eo am-pofoan'ireo firenena akaiky anay mihoatra ny faniratsirana izay efa naniratsirany Anao, ry Tompo.
\v 13 Fa izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hanatitra fisaorana Anao mandrakizay. Hanambara fiderana Anao izahay amin'ireo taranaka rehetra.
\s5
\c 80
\p Ho an'ny mpiventy hira, natao tamin'ny fomban'i Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa.
\v 1 Mihainoa, ry mpiandry ny Israely, Ianao izay mitarika an'i Josefa ho toy ny andian'ondry; Ianao izay mipetraka eo ambonin'ny Kerobima, mamirapirata eo aminay!
\v 2 Eo imason'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ampiharo ny fahefanao; tongava ka vonjeo izahay.
\v 3 Andriamanitra o, ampodio izahay; ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
\s5
\v 4 Ry Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro, mandra-pahoviana Ianao no ho tezitra amin'ny olonao raha mivavaka izy ireo?
\v 5 Ianao efa namahana azy ireo tamin'ny mofon-dranomaso ary nanome azy ireo ranomaso be dia be hosotroiny.
\v 6 Manao anay ho zavatra hifandirana ho an'ny namanay aminay Ianao, ary ny fahavalonay mihomehy ny momba anay eo amin'izy ireo.
\s5
\v 7 Ry Andriamanitra tompon'ny maro o, ampodio izahay; ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
\v 8 Ianao nitondra voaloboka avy any Egypta; ka nandroaka ireo firenena sy namboly izany.
\s5
\v 9 Nanadio ny tany ho amin'izany Ianao; nitombo faka izany ka nameno ny tany.
\v 10 Ireo tendrombohitra dia voarakotry ny alokalony, ireo Sederan'Andriamanitra alofan'ny sampany.
\v 11 Naparitany hatrany amin'ny ranomasina ireo sampany ary ny sakeliny tamin'ny Ony Efroata.
\s5
\v 12 Nahoana no noravanao ny mandany mba hiotazan'ireo mandalo rehetra ny voany.
\v 13 Ireo lambo avy any an'ala manimba izany, ary ny bibin'ny saha mihinana izany.
\s5
\v 14 Miverena, ry Andriamanitry tompon'ny maro; tsinjovy avy eny an-danitra ka hevero sy karakarao ity voaloboka ity.
\v 15 Ity no faka izay novolen'ny tananao ankavanana, ny sampany izay nampanirinao.
\v 16 Nodorana izany ary voakapa; maty nohon'ny fibedesanao izy ireo.
\s5
\v 17 Ny tananao anie ho eo amin'ny olon'ny tananao ankavanana, ho eo amin'ny zanaky ny olona izay nampaherezinao ho Anao.
\v 18 Dia tsy hiala Aminao izahay; velomy indray izahay, dia hiantso ny anaranao.
\s5
\v 19 Ry Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro, ampodio izahay, ampamirapirato aminay ny tavanao, dia ho voavonjy izahay.
\s5
\c 81
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Gitita. Salamo nataon'i Asafa.
\v 1 Mihirà mafy ho an'Andriamanitra herintsika; miantsoa mafy amin'ny hafaliana ho an'ilay Anandriamanitr'i Jakoba.
\v 2 Venteso ny hira ary velezo ny ampongatapaka, ny lokanga mahafinaritra mbamin'ny valiha.
\v 3 Tsofy ny tandrok'anjomara amin'ny andron'ny volana vaovao, amin'ny andron'ny volana fenomanana, rehefa miantomboka ny andro firavoravoantsika.
\s5
\v 4 Fa lalàna ho an'Israely izany, didy nomen'Andriamanitr'i Jakoba.
\v 5 Navoakany ho fitsipika ao amin'i Josefa izany rehefa nandeha nanohitra ny tany Egypta izy, rehefa nandrenesako feo izay tsy fatatro:
\s5
\v 6 Nesoriko ny enta-mavesatra teo an-tsorony, afaka tamin'ny fihazonana sobika ny tanany.
\v 7 Niantso mafy tao anatin'ny alahelonao ianao, dia namonjy anao Aho; namaly anao tamin'ny kotro-drahona maizina Aho. Nitsapa anao tao amin'ny ranon'i Meriba Aho. Sela
\s5
\v 8 Mihainoa, ry vahoakako, fa hampitandrina anareo aho, ry Israely, raha mba nihaino Ahy mantsy ianareo!
\v 9 Tsy tokony hisy andriamani-kafa eo aminareo; tsy mahazo manompo andriamani-kafa ianareo.
\v 10 Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo niala avy tany amin'ny tany Egypta. Sokafy midanadana ny vavanareo, dia hameno izany Aho.
\s5
\v 11 Saingy tsy nihaino ny teniko ny oloko, tsy nankatò Ahy ny Israely.
\v 12 Koa dia natolotro teo amin'ny hamafisan-dohan'izy ireo ihany izy ireo mba hahafahany manao izay hitany fa mety aminy.
\s5
\v 13 Indrisy, raha mba mihaino ahy ny oloko; indrisy, raha mba andeha tamin'ny lalako ny oloko.
\v 14 Dia haringako faingana ny fahavalon'izy ireo ary ahinjitro hanohitra ny mpampahory azy ireo ny tanako.
\s5
\v 15 Enga anie ireo izay manakahala an'i Yaveh hiankohoka amin-tahotra eo anatrehany!
\v 16 Ho menatra mandrakizay anie izy ireo. Ho fahanako vary tsara indrindra ny Israely; homeko fahafaham-po amin'ny tantely avy amin'ny vatolampy ianareo."
\s5
\c 82
\p Salamo nataon'i Asafa.
\v 1 Andriamanitra dia ao amin'ny fiangonana masina; eo afovoan'ireo andriamanitra izay omeny fitsarana.
\v 2 Mandra-pahoviana no hitsaranareo tsy ara-drariny sy haneho fiangarana amin'ny ratsy fanahy? Sela
\s5
\v 3 Arovy ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
\v 4 Vonjeo ny mahantra sy ny ory; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy ireny.
\s5
\v 5 Tsy nahalala na nahatakatra akory izy ireo; nirenireny tao anaty aizina izy ireo; nirodana avokoa ireo fiorenan'ny tany rehetra."
\s5
\v 6 Hoy aho hoe: "Ianareo no andrimanitra, ary ianareo rehetra dia zanaky ny Avo Indrindra.
\v 7 Na izany aza dia ho faty tahaka ny olona sy ho lavo tahaka ny iray amin'ireo andriana ihany ianareo."
\s5
\v 8 'Mitsangàna, Andriamanitra o, tsarao ny tany, fa manana lova amin'ny firenena rehetra Ianao.
\s5
\c 83
\p Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa.
\v 1 Andriamanitra o, aza mangina! Aza manao tsinontsinona anay ary mitoera fa aza mamitsaka, Andriamanitra o.
\v 2 Indro, manao fikomiana ireo fahavalonao, ary ireo izay mankahala anao dia efa nampitraka ny lohany.
\s5
\v 3 Mitetika hanohitra ny olonao izy ireo ary niara-nikasa ny hanohitra ireo voaaronao.
\v 4 Efa niteny izy ireo hoe: "Avia, ary andeha isika hamotika azy ireo toy ny firenena iray. Ary dia tsy ho tsaroana intsony ny anaran'Israely."
\v 5 Dia niara nitetika paik'ady iray izy ireo; ka nikambana hanohitra Anao.
\s5
\v 6 Isan'izany ireo lain'i Edoma sy ny Ismaelita, ary ny vahoakan'i Moaba sy ireo Hagrita, izay niara-niteti-dratsy tamin'i
\v 7 Gebala, Amona, Amaleka; ary isan'izany koa Filistia sy ireo mponin'ny Tyro.
\s5
\v 8 Nikambana tamin'izy ireo ihany koa Asyria; manampy ny taranak'i Lota izy ireo. Sela
\s5
\v 9 Ataovy amin'izy ireo tahaka ny nataonao tamin'i Mediana, ary tahaka ny nantaonao tamin'i Sisera sy tamin'i Jabina tao amin'ny ony Kisona.
\v 10 Maty tany En-doro izy ireo ary lasa tahaka ny zezika ho an'ny tany.
\s5
\v 11 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapak'izy ireo, ary tahaka an'i Zeba sy Zalmona ny andrian'izy ireo rehetra.
\v 12 Hoy izy ireo hoe: "Andeha alaintsika ho antsika ny tany fihinanam-bilon'Andriamanitra."
\s5
\v 13 Andriamanitro o, ataovy tahaka ny tadio, tahaka ny akofa eo anoloan'ny rivotra,
\v 14 tahaka ny afo izay mandoro ny ala, ary tahaka ny lelan'afo izay mampirehitra ireo tendrombohitra izy ireo.
\v 15 Hazao amin'ny rivo-maherinao izy ireo, ary ampihorohoroy amin'ny tafio-drivotrao.
\s5
\v 16 Fenoy henatra ny tavan'izy ireo mba hitadiavany ny anaranao, ry Yaveh.
\v 17 Ho menatra sy hangorohoro mandrakizay anie izy ireo; ary ho faty anaty fahafaham-baraka.
\s5
\v 18 Ary dia ho fantatr'izy ireo fa Ianao irery ihany, ry Yaveh, no ilay Avo Indrindra manerana ny tany rehetra.
\s5
\c 84
\p Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Gitita. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora.
\v 1 Endrey ny hakanton'ny toerana izay hitoeranao, ry Yaveh tompon'ny maro!
\v 2 Maniry fatratra ny kianjan'i Yaveh aho, efa nahareraka ahy ny faniriko izany. Ny foko sy ny momba ahy rehetra miantso mafy an'Andriamanitra velona.
\s5
\v 3 Na ny fody aza efa nahita fonenana ho azy ary ny tsikirity nahita akany ho an'ny tenany mba hametrahany ny zanany eo akaikin'ireo alitaranao, ry Yaveh tompon'ny maro, mpanjakako, sy Andrimanitro.
\v 4 Ho tahiana ireo izay mitoetra ao an-tranonao; ary hidera Anao hatrany izy ireo. Sela
\s5
\v 5 Hotahiana anie ny olona izay mahery ao aminao, izay manana ny lalanam-be miakatra mankany Ziona ao am-pony.
\v 6 Hahita loharano ho sotroina izy ireo, eny am-pamakivakiana ny Lohasahan-dRanomaso. Ny loha-orana handrako-pitahiana izany.
\f + \ft Fanamarihana: ny dika-teny sasany misy hoe: "misy dobon-drano". \f*
\s5
\v 7 Avy miha-mahery am-pandehanana izy ireo; ny tsirairay amin'izy rehetra dia miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona.
\v 8 Yaveh Andriamanitra tompon'ny maro o, mandrenesa ny fivavako; ry Andriamanitr'i Jakoba o, henoy izay lazaiko! Sela
\v 9 Andriamanitra o, ambeno ny ampinganay; manehoa fiahiana ho an'ny voahosotrao.
\v 10 Fa ny andro iray ao an-kianajanao dia lehibe mihoatra ny arivo any an-kafa. Aleoko miandry ny varavaran'ny tranon'Andriamanitro, toy izay mitoetra ao an-dain'ny faharatsiana.
\s5
\v 11 Fa Yaveh Andriamanitra no masoandro sy ampinga ho anay; hanome fahasoavana sy voninahitra Yaveh; tsy hihazona zavatra tsara avy amin'ireo izay mandeha amin'ny mahitsy izy.
\v 12 Ry Yaveh tompon'ny maro o, sambatra ny olona izay mahatoky anao.
\s5
\c 85
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora.
\v 1 Yaveh o, efa naneho sitraka tamin'ny taninao Ianao; efa naverinao tamin'ny laoniny ny fifalian'i Jakoba.
\v 2 Efa navelanao ny heloky ny olonao; efa nosaronanao ny otan'izy ireo rehetra. Sela
\s5
\v 3 Efa nanala ny fahaviniranao Ianao; efa niala tamin'ny hatezerana mahamay ianao.
\v 4 Ampodio izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay, ary aoka hiala aminay ny tsy fahafalianao. Ho tezitra aminay mandrakizay ve Ianao?
\v 5 Hitoetra ho tezitra manerana ireo taranaka mandimby ho avy ve Ianao?
\s5
\v 6 Tsy hamelona anay indray ve Ianao? Dia hifaly ao aminao ny vahoakanao.
\v 7 Asehoy anay ny famindram-ponao, ry Yaveh, tanteraho aminay ny famonjenao.
\s5
\v 8 Hihaino izay lazain'i Yaveh Andriamanitra aho, fa Izy hihavana amin'ny olony, sy ireo mpanara-dià mahatokiny. Ary tsy hiverina amin'ny lalan'ny fahadalàna indray izy ireo.
\v 9 Ny famonjeny dia azo antoka fa eo akaikin'ireo izay matahotra Azy; ary hitoetra amin'ny taninay ny voninahitra.
\s5
\v 10 Nihaona ny fifanekena mahatoky sy faha mendreham-pitokisana; efa nifanoroka ny fahamarinana sy fiadanana.
\v 11 Miboiboika avy amin'ny tany ny fahamendreham-pitokisana, ary fahamarinana mitazana avy eny amin'ny lanitra.
\s5
\v 12 Eny, Yaveh hanome ireo fitahiany tsara, ary hamokatra ny taninay.
\v 13 Ny fahamarinana handeha eo anoloany, sady hanao lalana ho an'ny diany.
\s5
\c 86
\p Vavaka nataon'i Davida.
\v 1 Mihainoa, ry Yaveh, ary mamalia ahy, fa mahantra sy mijaly aho.
\v 2 Arovy aho, fa tsy mpivadika; ry Andriamanitro, vonjeo ny mpanomponao izay mitoky aminao.
\s5
\v 3 Mamindrà fo amiko, ry Tompo, fa mitomany mafy aminao amin'ny andro lava rehetra aho.
\v 4 Ampifalio ny mpanomponao, fa aminao no hivavahako, ry Tompo.
\s5
\v 5 Tsara, Ianao, ry Tompo, ary vonona hamela heloka, ary mampiseho famindram-po lehibe ho an'ireo izay mitaraina aminao Ianao.
\v 6 Ry Yaveh, mihainoa ny fivavako; Mandrenesa ny feon'ny fangatahako.
\v 7 Miantso Anao aho tamin'ny androm-pahoriako, dia hamaly ahy ianao.
\s5
\v 8 Tsy misy na iray aza azo ampitahaina Aminao amin'ireo andriamanitra, ry Tompo. Tsy misy asa tahaka ireo asanao.
\v 9 Ny firenena rehetra izay efa namboarinao dia ho tonga hiankohoka eo anatrehanao, ry Tompo. Dia hanome voninahitra ny anaranao izy ireo.
\s5
\v 10 Fa lehibe Ianao ary manao zavatra mahatalanjona; Ianao irery no Andriamanitra.
\v 11 Ampianaro ahy ireo lalanao, ry Yaveh. Dia handeha amin'ny fahamarinanao aho. Ampiraiso ny foko mba hanehoako fanajana aminao.
\v 12 Ry Tompo Andriamanitro o, hidera anao amin'ny foko manontolo aho; hanome voninahitra ny anaranao mandrakizay aho.
\s5
\v 13 Fa lehibe ny famindram-ponao amiko; efa namonjy ny aiko tamin'ny halalin'ny Fiainan-tsy hita Ianao.
\v 14 Andriamanitra o, efa nitsangana hanohitra ahy ny mpiavonavona. Ny andian'olona mahery setra mifofo ny aiko. Tsy mba mihevitra Anao izy ireo.
\s5
\v 15 Fa Ianao, ry Tompo, Andriamanitra mpamindra fo sy be fahasoavana, mahari-po sady be famindram-po sy mendrim-pitokisana.
\v 16 Itodiho aho ary manàna indra-fo amiko; omeo ny herinao ny mpanomponao; vonjeo ny zanaka lahin'ny ny mpanompovavinao.
\v 17 Anehoy famantarana ny sitrakao aho. Ireo izay mankahala ahy dia hahita izany ary ho menatra satria Ianao, ry Yaveh, efa nanampy ahy sy nampionona ahy.
\s5
\c 87
\p Salamo nataon'ireo zanaka lahin'i kora; tonon-kira.
\v 1 Eny an-tendrombohitra masina no mitsangana ny tanàna izay naoriny;
\v 2 Tian'i Yaveh ny vavahadin'i Ziona mihoatra ny lain'i Jakoba rehetra.
\v 3 Ambara aminao ny zava-mahagaga, ry tanànan'Andriamanitra. Sela
\s5
\v 4 Tononiko amin'ireo mpanara-dia ahy Rahaba sy Babylona. Indro, indreto Filistia, sy Tyro, mbamin'i Etiopia— ka hanao hoe: 'Teraka tany ilay ity."'
\s5
\v 5 Ny amin'i Ziona dia ho lazaina hoe: "Ny tsirairay tamin'izy ireo dia naterany; ary ny Avo indrindra mihitsy no hanorina azy."
\v 6 Soratan'i Yaveh ao amin'ny bokin'ny fanisan'ny firenena hoe: "Teraka tany ilay ity." Sela
\s5
\v 7 Koa ireo mpihira sy mpandihy hiara-hilaza hoe: "Ao aminao ny loharanoko rehetra."
\s5
\c 88
\p Tonon-kira, salamo nataon'ireo zanaka lahin'i Kora; Ho an'ny mpiventy hira; atao amin'ny fomba Mahalata Leanota. Maskila nataon'i Hemana Ezraita.
\v 1 Ry Yaveh, Andriamanitry ny famonjena ahy, hitomany mafy eo anatrehanao andro aman'alina aho.
\v 2 Mihainoa ny fivavako; henoy ny fitarainako.
\s5
\v 3 Fa feno fahorianana aho, fa nahatratra ny Fiainan-tsy hita ny aiko.
\v 4 Ny olona mihevitra ahy toy ireo izay midina any an-davaka; lehilahy tsy mba manan-kery aho.
\s5
\v 5 Navela niaraka tamin'ireo maty aho; izaho dia toy ny maty ao am-pasana, momban'izay tsy nirarahianao intsony satria nesorina niala tamin'ny herinao izy ireo.
\v 6 Napetrakao tany amin'ny farany ambanin'ny lavaka, ao amin'ny aizina sy toerana lalina aho.
\s5
\v 7 Mavesatra amiko ny fahatezeranao, ary mianjera eto amiko ny onjanao rehetra. Sela
\s5
\v 8 Noho Ianao, dia mandositra ahy ireo akaiky ahy. Efa nataonao fijery manafitohina azy ireo aho. Voafandrika aho ary tsy afaka hitsoaka.
\s5
\v 9 Mihareraky ny fahoriana ny masoko; hiantso Anao amin'ny andro lava rehetra aho, ry Yaveh, velariko ho anao ny tanako.
\v 10 Hanao zava-mahagaga ho an'ny maty ve Ianao? Ireo izay efa maty ve hitsangana ary hidera Anao? Sela
\s5
\v 11 Hambara ao am-pasana ve ny famindram-ponao, ary ny tsy fivadihanao any amin'ny toeran'ny maty?
\v 12 Ho fantatra any amin'ny aizina ve ireo asa mahagaganao, na ny fahamarinanao any amin'ny toeran'ny fanadinoana?
\s5
\v 13 Fa mitomany aminao aho, ry Yaveh; ho tonga eo anatrehanao ny fivavako nony maraina.
\v 14 Ry Yaveh, nahoana aho no lavinao? Nahoana no afeninao amiko ny tavanao?
\s5
\v 15 Efa nampahoriana foana aho ary saika tamin'ny fahafatesana ny fahatanorako. Nampijalian'ny horohoronao aho; dia mamoy fo.
\v 16 Efa nandalo teo amiko ny fihetsika nentin-katezerana. Ary efa nandringana ahy ireo asa mampihorohoronao.
\s5
\v 17 Nandifotra ahy toy ny rano amin'ny andro lava rehetra izy ireo; efa nanodidina ahy avokoa izy ireo.
\v 18 Efa nalavirinao tamiko ny sakaiza sy ny akaiky ahy rehetra. Ary ny fahamaizinana ihany no hany akaiky ahy.
\s5
\c 89
\p Maskilan'i Etana Ezraita.
\v 1 Hihira ho an'ny asan'ny fanekena mahatokin'i Yaveh mandrakizay aho. Hanambara ny fahamarinanao amin'ireo taranaka ho avy aho.
\v 2 Fa izaho efa nilaza hoe: "Efa napetraka mandrakizay ny fanekena mahatoky; efa napetrakao any an-danitra ny fahamarinanao."
\s5
\v 3 Efa nanao fifanekena tamin'ilay voafidiko Aho, efa nanao fianianana tamin'i Davida mpanompoko Aho.
\v 4 Hampitoetra mandrakizay ny taranakao Aho, ary hampitoetra ny seza fiandriananao manerana ny taranaka rehetra." Sela
\s5
\v 5 Midera ireo fahagaganao ny lanitra, ry Yaveh; deraina ao amin'ny fiangonan'ilay masina ny fahamarinanao.
\v 6 Fa iza eny an-danitra no azo ampitahaina amin'i Yaveh? Iza tamin'ireo zanaka lahin'ireo andriamanitra no mitovy amin'i Yaveh?
\s5
\v 7 Izy dia Andriamanitra izay nomena voninahitra lehibe tao amin'ny filan-kevitr'ilay masina ary nahatalanjona ny rehetra nanodidina Azy.
\v 8 Ry Yaveh Andriamanitra Tompon'ny maro, iza no mahery toa anao, ry Yaveh? Mandrakotra anao ny fahamarinanao.
\s5
\v 9 Mifehy ny ranomasina mahery Ianao; rehefa manonja ireo, dia mampitony Ianao.
\v 10 Notorotoroinao toy ny olona novonoina i Rahaba. Nahelinao tamin'ny sandrinao mahery ireo fahavalonao.
\s5
\v 11 Anao ny lanitra, ary ny tany ihany koa. Nahary izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy Ianao.
\v 12 Namorona ny atsimo sy avaratra Ianao. Mifaly amin'ny anaranao i Tabara sy Hermona.
\s5
\v 13 Manana sandry mahery sy tanana mafy Ianao, ary avo ny tananao ankavanana.
\v 14 Ny fahamarinana sy fitsaràna no fanambanin'ny seza fiandriananao. Tonga eo anatrehanao ny fanekena mahatoky sy fahamendreham-pitokiana.
\s5
\v 15 Samabatra ny olona izay manompo Anao! Yaveh o, mandeha amin'ny fahazavan'ny tavanao izy ireo.
\v 16 Mifaly amin'ny anaranao mandrakariva izy ireo, ary amin'ny fahamarinanao no hanandratany Anao.
\s5
\v 17 Ianao no voninahitry ny herin'izy ireo, ary mpandresy amin'ny fankasitrahanao izahay.
\v 18 Fa an'i Yaveh ny apiganay; ny mpanjakanay dia an'Ilay Masin'Israely.
\s5
\v 19 Tany aloha dia niteny tamin'ilay mahatokinao tanaty fahitana Ianao; hoy Ianao hoe: "Efa nametraka satro-boninahitra teo amin'ilay mahery Aho; efa nanandratra voasafidy iray tamin'ireo vahoaka aho.
\v 20 Nisafidy an'i Davida mpanompoko Aho; tamin'ny diloiloko masina no nanosorako azy.
\v 21 Hanohana azy ny tanako; hampahery azy ny sandriko.
\v 22 Tsy misy fahavalo hamitaka azy; tsy misy zanaka lahin'ny ratsy fanahy hampahory azy.
\v 23 Ho torotoroiko eo anoloany ireo fahavalony; ho vonoiko ireo izay mankahala azy.
\s5
\v 24 Ny fahamarinako sy ny fanekeko mahatoky no homba azy; ho mpandresy amin'ny anarako izy.
\v 25 Hapetrako eo ambonin'ny ranomasina ny tanany ary ny tanany ankavanana eo ambonin'ireo ony.
\v 26 Hiantso Ahy izy hoe: 'Ianao no Raiko, ry Andriamanitro, ary vatolampin'ny famonjena ahy.'
\s5
\v 27 Izaho ihany koa hametraka azy ho toy ny zanako lahimatoa, ilay ambony indrindra amin'ireo mpanjakan'ny tany.
\v 28 Hanitatra ny fanekena mahatokiko aminy mandrakizay Aho; ary ny fifanekeko aminy dia ho voaaro.
\v 29 Hampaharitra ireo taranany mandrakizay Aho ary ny seza fiandrianany haharitra tahaka ny habakabaka eny ambony.
\s5
\v 30 Raha mahafoy sy tsy mankatò ireo lalàko ny zanany,
\v 31 raha mandika ny fitsipiko ary tsy mitandrina ireo filalako izy ireo,
\v 32 dia hanafay ny fikomian'izy ireo amin'ny tsorakazo Aho ary ny helony amin'ny tsoka.
\s5
\v 33 Fa tsy hanaisotra aminy ny fitiavako tsy miova na hivadika amin'ny fampanantenako Aho.
\v 34 Tsy handika ny fanekeko na hanova ireo tenin'ny molotro Aho.
\s5
\v 35 Efa nianiana tamin'ny fahamasinako indray mandeha Aho— tsy handainga amin'i Davida Aho:
\v 36 Ireo taranany dia hitohy mandrakizay ary ny seza fiandrianany dia haharitra toy ny masoandro eo anoloako.
\v 37 Izany dia hipetraka mandrakizay toy ny volana, ilay vavolombelona mahatoky eny an-danitra." Sela.
\s5
\v 38 Saingy Ianao tsy nanaiky sy nandà; tezitra tamin'ilay mpanjakanao voahosotra.
\v 39 Efa niala tamin'ny faneken'ny mpanomponao Ianao. Efa nanimbazimba ny satro-boninahiny tamin'ny tany Ianao.
\v 40 Efa narodanao ireo rindriny rehetra. Efa noravainao ny fiarovana mafiny.
\s5
\v 41 Izay rehetra nandalo dia efa nandroba azy.
\v 42 Efa lasa fitaovana maharikoriko amin'ireo namany izy. Nanandratra ny tanana ankavanan'ireo fahavalony Ianao; nampifalianao ireo fahavalony rehetra.
\v 43 Navadikao ny lelan-tsabany ka tsy nampijoro azy raha hiady.
\s5
\v 44 Nofarananao ny famirapiratany; nampidininao tamin'ny tany ny seza fiandrianany.
\v 45 Nafohezinao ny andron'ny fahatanorany. Norakofanao henatra izy. Sela
\s5
\v 46 Hafiriana, ry Yaveh? Hanafina ny tenanao mandrakizay ve Ianao? Mandra-pahoviana no hirehitra toy ny afo ny hatezerenao?
\v 47 Oh, saino ny momban'ny androko fohy, sy ny namoronanao ny zanak'olombelona rehetra ho fatifaty foana!
\v 48 Iza no afaka hiaina ka tsy ho faty, na hanavotra ny ainy manokana eny an-tanan'ny Fiainan-tsy hita? Sela
\s5
\v 49 Ry Tompo, aiza ireo asan'ny fanekena mahatokinao taloha izay nianianan'i Davida tamin'ny fahamarinanao?
\v 50 Tsarovy, ry Tompo, ny fanesoana natao tamin'ireo mpanomponao ary ny fomba nizakan'ny foko ireo teny ratsy maro avy amin'ireo firenena.
\v 51 Nihiaka teny ratsy ireo fahavalonao, ry Yaveh; nohesoin'izy ireo ny dian-tongotr'ilay voahosotrao.
\s5
\v 52 Ho deraina mandrakizay anie Yaveh. Amena, Amena. Boky faha efatra.
\s5
\c 90
\p Vavak'i Mosesy lehilahin' Andriamanitra.
\v 1 Tompo o, efa fialofanay manerana ireo taranaka rehetra Ianao.
\v 2 Talohan'ny nisian'ny tendrombohitra, ary nahary ny tany sy izao tontolo izao Ianao, rahatrizay ka ho mandrakizay, Ianao no Andriamanitra.
\s5
\v 3 Nampody ho vovoka ny olona Ianao, ka hoy Ianao hoe: "Miverena, ianao ry taranak'olombelona."
\v 4 Fa ny arivo taona eo imasonao dia toy ny omaly rehefa lasa, ary fotoana toy ny fiambenana amin'ny alina.
\s5
\v 5 Fafanao tahaka ny amin'ny riaka izy ireo dia natory; amin'ny maraina dia toy ny ahitra mitsiry izy ireo.
\v 6 Amin'ny maraina dia mamony izany ary maniry; amin'ny hariva dia malazo izany ary maina.
\s5
\v 7 Marina tokoa, fa levona amin'ny hatezeranao izahay, ary amin'ny fahaviniranao no maha-raiki-tahotra anay.
\v 8 Efa nametraka ny helokay teo anoloanao Ianao, ireo fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny fanatrehanao.
\s5
\v 9 Ny fiainanay dia dify ao ambany fahatezeranao; ny fiainanay dia mandalo faingana toy ny sento.
\v 10 Fitopolo, na valopolo taona izahay raha salama; kanefa ny taonanay tsara indrindra aza dia voamariky ny fahoriana sy alahelo. Eny, mandalo faingana izany, dia manidina izahay.
\s5
\v 11 Iza no mahalala ny hamafin'ny hatezeranao, sy ny fahaviniranaao izay mitovy amin'ny fahatahorana Anao?
\v 12 Koa ampianaro izahay mba handinika ny fiainanay mba hahafahanay miaina am-pahendrena.
\v 13 Miverena, ry Yaveh! Mandra-pahoviana izao? mamindrà fo amin'ireo mpanomponao.
\s5
\v 14 Omeo fahafaham-po amin'ny famindram-ponao izahay amin'ny maraina mba hiravoravoanay ka ho faly amin'ireo andronay rehetra.
\v 15 Ampifalio izahay arakarak'ireo andro nampahorianao anay sy ireo taona izay niainanay fahoriana.
\v 16 Aoka ireo mpanomponao hahita ny asanao, ary aoka ireo zanakao hahita ny voninahitrao.
\s5
\v 17 Ny sitraky ny Tompo Andriamanitray anie ho aminay; ambino ny asan'ny tananay; ambino tokoa re ny asan'ny tananay.
\s5
\c 91
\p
\v 1 Ilay mitoetra eo ambany fialofan'ilay Avo Indrindra dia hitoetra ao amin'ny alok'ilay Tsitoha.
\v 2 Hilaza ny amin'i Yaveh aho hoe: "Izy no fialofako sy fiarovako mafy, Andriamanitro, Izay hitokiako."
\s5
\v 3 Fa Izy no hamonjy anao amin'ny fandriky ny mpihaza sy amin'ny areti-mandoza mahafaty.
\v 4 Handrakotra anao amin'ireo elany Izy, ary ao ambany elany no hahitanao fialofana. Ny fahamendreham-pahatokiany dia ampinga sy fiarovana.
\s5
\v 5 Tsy hatahotra ny horohoron'ny alina ianao, na ny tsipìka izay manidina amin'ny andro,
\v 6 na ny loza izay mirenireny amin'ny maizina, na ny aretina izay tonga amin'ny mitataovovonana.
\v 7 Arivo no mety ho lavo eo anilanao ary iray alina eo amin'ny tananao ankavanana, kanefa tsy hahatratra anao izany.
\s5
\v 8 Fa handinika sy hizaha ny sazin'ny ratsy fanahy fotsiny Ianao.
\v 9 Fa Yaveh no fialofako! Ataovy fialofanao ihany koa ilay Avo Indrindra.
\s5
\v 10 Tsy hisy ratsy hahazo anao; tsy hisy fahoriana hanakaiky ny fonenanao.
\v 11 Fa hitarika ireo anjeliny Izy mba hiaro anao, hiambina anao amin'izay lalanao rehetra.
\s5
\v 12 Hanandratra anao amin'ny tanany izy ireo mba tsy ho voan'ny vato ny tongotra.
\v 13 Hanorotoro ireo liona ianao sy ireo menarana ambany tongotrao; hanitsaka ireo liona tanora sy bibilava ianao.
\s5
\v 14 Satria efa nanolo-tena ho Ahy izy, dia hamonjy azy Aho. Hiaro azy Aho satria tsy mivadika amiko izy.
\v 15 Rehefa miantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho. Homba azy Aho amin'ny fahoriana; hanome fandresena azy Aho ary hanome voninahitra azy.
\v 16 Hanome fahafaham-po azy amin'ny fiainana lava Aho ary hampiseho azy ny famonjeko.
\s5
\c 92
\p Salamo, tonon-kira ho an'ny andro Sabata.
\v 1 Zavatra tsara ny manome fisaorana an'i Yaveh sy ny mihira fiderana ho an'ny anaranao, ry Avo Indrindra,
\v 2 hanambarana ny fanekenao mahatoky nony maraina sy ny fahamarinanao isak'alina,
\v 3 amin'ny valiha tory folo sy ny feon-kiran-dokanga.
\s5
\v 4 Fa Ianao, ry Yaveh, nampifaly ahy tamin'ny alalan'ireo asanao. Hihira fifaliana ho Anao aho noho ireo asan'ny tananao.
\v 5 Endrey ny halehiben'ireo asanao, ry Yaveh! Lalina tokoa ny fisainanao.
\s5
\v 6 Tsy mahalala ny olon-kentrina, na ny adala hahatakatra izao:
\v 7 Rehefa mitsiry toy ny ahitra ny ratsy fanahy, ary na dia miroborobo aza ny mpanao ratsy, dia mbola ho rava any amin'ny fahapotehana mandrakizay.
\s5
\v 8 Fa Ianao, ry Yaveh, dia hanjaka mandrakizay.
\v 9 Eny tokoa, jereo ireo fahavalonao, ry Yaveh! Eny tokoa, jereo ireo fahavolanao. Ho faty izy ireo! Ary ireo izay manao ratsy rehetra hiparitaka.
\s5
\v 10 Nanandratra ny tandroko toy ny tandrok'omby Ianao; voahosotra tamin'ny menaka vaovao aho.
\v 11 Efa nahita ny fahalavoan'ireo fahavaloko ny masoko; efa nandre ny fara-andron'ireo fahavaloko ratsy ny sofiko.
\s5
\v 12 Ny marina dia haniry toy ny hazon-drofia; haniry toy ny sedara any Libanona izany.
\v 13 Novolena tao an-tranon'i Yaveh ireo; ary maniry ao amin'ireo kianjan'Andriamanintsika.
\s5
\v 14 Hamoa voa izy ireo na dia rehefa antitra aza; ary hijanona ho vao sy maitso,
\v 15 mba hanambarana fa mahitsy Yaveh. Izy no vatolampiko, ary tsy misy tsy fahamarinana ao Aminy.
\s5
\c 93
\p
\v 1 Manjaka i Yaveh; mitafy voninahitra Izy; Yaveh dia nampitafy sy nampisikina ny tenany tamin'ny hery. Mafy orina izao tontolo izao; tsy afaka afindra izany.
\v 2 Mitoetra hatramin'ny taloha ny seza fiandriananao; ianao dia tsy manam-pahataperana.
\s5
\v 3 Niakatra ny ranomasina, ry Yaveh; nanandratra ny feony izy ireo; mikapokapoka sy mierona ny onjan-dranomasina.
\v 4 Ambonin'ny fianjeran'ny onja maro, ilay mpanapaka maherin'ny ranomasina, Yaveh any ambony no mahery.
\s5
\v 5 Ireo didinao masina dia tena mendri-pitokisana; mandravaka ny tranonao mandrakizay ny fahamasinana, ry Yaveh.
\s5
\c 94
\p
\v 1 Ry Yaveh, Andriamanitra mamaly faty, Andriamanitra mamaly faty, mamirapiràta eo aminay.
\v 2 Mitsangàna, ry mpitsaran'ny tany, omeo ny mpirehareha izay mendrika azy ireo.
\s5
\v 3 Mandra-pahoviana ny ratsy fanahy, ry Yaveh, mandra-pahoviana ny ratsy fanahy no
\v 4 hiravoravo? Mandraraka ny teny fiavonavonany izy ireo; izay rehetra manao ratsy mieboebo avokoa.
\s5
\v 5 Notorotoroin'izy ireo ny olonao, ry Yaveh; mampahory ny firenena izay Anao izy ireo.
\v 6 Mamono ny mpitondratena sy vahiny izay miaina any amin'ny fireneny izy ireo, ary mamono ireo kamboty ray.
\v 7 Hoy izy ireo hoe: "Tsy hahita Yaveh, ary ilay Andriamanitr'i Jakoba dia tsy hatsikaritra izany."
\s5
\v 8 Mahatakàra, ianareo ry olona tsy misaina! Ianareo adala, rahoviana ianareo no mba hianatra?
\v 9 Izy izay nanao ny sofina, moa ve tsy maheno Izy? Izy izay nanao ny maso, moe ve tsy mahita Izy?
\s5
\v 10 Izy izay mifehy ireo firenena, moa ve tsy manitsy izy? Izy ilay manome fahalalana ny olona.
\v 11 Yaveh mahalala ny sain'ny olona, fa zava-poana izy ireo.
\s5
\v 12 Sambatra izay ampianarinao, ry Yaveh, ilay ampianarinao avy amin'ny lalànao.
\v 13 Nomenao fitsaharana izy tamin'ny fotoan'ny olana mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy.
\s5
\v 14 Fa Yaveh tsy hahafoy ny olony na handao ny lovany.
\v 15 Fa ny fitsaràna dia ho marina indray; ary ireo rehetra izay mahitsy fo dia hanaraka izany.
\v 16 Iza no hitsangana hiaro ahy amin'ireo mpanao ratsy? Iza no hijoro ho ahy hanohitra ny ratsy fanahy?
\s5
\v 17 Raha tsy Yaveh no nanampy ahy, dia efa saika nitsilany tany amin'ny toeran'ny fahanginana aho toy izay.
\v 18 Rehefa niteny aho hoe: "Mangozohozo ny tongotro," dia nanohana ahy, ny famindram-ponao, ry Yaveh.
\v 19 Rehefa maro ny ahiahiako, dia mampifaly ahy ireo fampiononanao.
\s5
\v 20 Afaka miaraka aminao ve ny seza fiandrianan'ny faharavana, ilay mamorona ny tsy rariny amin'ny alalan'ny lalàna?
\v 21 Niara-nitetika izy ireo mba hifofoana ny ain'ny marina ary manameloka ho faty ireo tsy manan-tsiny.
\s5
\v 22 Fa Yaveh no efa tilikamboko avo, ary vatolampy fialofako ny Andriamanitro.
\v 23 Hitondra ny helok'izy ireo eo aminy Izy ary handringana azy ireo amin'ny faharatsiany manokana. Hamono azy ireo Yaveh Andriamanintsika.
\s5
\c 95
\p
\v 1 Avia, aoka isika hihira ho an'i Yaveh; aoka isika hihira am-pifaliana ho an'ilay vatolampin'ny famonjena antsika.
\v 2 Aoka isika hiditra amin'ny fanatrehany amin'ny fisaorana; aoka isika hihira ho Azy amin'ny salamo fiderana.
\v 3 Fa Yaveh no Andriamanitra lehibe sy Mpanjaka lehibe ambonin'andriamanitra rehetra.
\s5
\v 4 Eo an-tanany ireo fitoerana lalin'ny tany; Azy ireo fitoerana avon'ny tendrombohitra rehetra.
\v 5 Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao izany, ary ny tanany no nahary ny tany maina.
\s5
\v 6 Avia, aoka isika hanompo sy hiankohoka; aoka isika handohalika eo anatrehan'i Yaveh, mpahary antsika:
\v 7 Fa Izy no Andriamanitsika, ary vahoakan'ny fihinanam-bilony sy ondrin'ny tanany isika. Anio—enga anie ka ho henoinao ny feony!
\s5
\v 8 Aza manamafy ny fonao, toy ny tao Meriba, na toy ny tamin'ny andron'i Masa tany an'efitra,
\v 9 izay nitsapana sy nanandraman'ireo razambenareo Ahy, na dia hitan'izy ireo aza ireo asako.
\s5
\v 10 Fa efapolo taona no tezitra tamin'izany taranaka izany Aho ka niteny hoe: 'Ity dia vahoaka manana fo mania; tsy nankatò Ahy izy ireo.'
\v 11 Noho izany dia nivoady tamin-katezerana Aho mba tsy hiditra ao amin'ny toeram-pitsaharako mihitsy izy ireny
\s5
\c 96
\p
\v 1 Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, mihirà ho an'i Yaveh, ry tany rehetra.
\v 2 Mihirà ho an'i Yaveh, misaora ny Anarany; ambarao isan'andro isan'andro ny famonjeny.
\s5
\v 3 Ambarao amin'ireo firenena ny voninahiny, ny asany mahagaga amin'ireo fierenena rehetra.
\v 4 Fa lehibe Yaveh ka tokony ho deraina indrindra. Tokony atahorana ambonin'ny andriamani-kafa rehetra Izy.
\s5
\v 5 Fa sampy avokoa ireo andriamanitry ny firenena rehetra, fa Yaveh no nanao ny lanitra.
\v 6 Famirapiratana sy voninahitra no eo amin'ny fanatrehany. Hery sy hatsarana no ao amin'ny fitoerany masina.
\s5
\v 7 Miderà an'i Yaveh, ianareo ry vahoaka, miderà an'i Yaveh nohon'ny voninahiny sy ny heriny.
\v 8 Omeo ny voninahitra mendrika ny anarany Yaveh. Mitondrà fanatitra ka tongava ao an-kianjany.
\s5
\v 9 Miankohofa eo amin'i Yaveh amin'ny fiakanjo manome voninahitra ny fahamasinany. Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra.
\v 10 Mitenena amin'ireo firenena hoe: "Manjaka Yaveh." Voaorina ihany koa izao tontolo izao; tsy ho voahozongozona izany. Mitsara ara-drariny ireo olona Izy.
\s5
\v 11 Aoka ho faly ny any an-danitra, ary aoka hiravoravo ny tany; Aoka hierona ny ranomasina ary hihiaka am-pifaliana izay mameno izany.
\v 12 Aoka hifaly ireo saha sy izay rehetra ao aminy. Dia aoka hihiaka amin'ny hafaliana
\v 13 eo anatrehan'i Yaveh ireo hazo rehetra any an'al, fa tonga Izy. Tonga mba hitsara ny tany Izy. Hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy ary ireo olona amin'ny fahatokiany.
\s5
\c 97
\p
\v 1 Manjaka Yaveh; aoka ny tany hifaly; aoka ny moron-tsiraka marobe ho ravo.
\v 2 Rahona sy aizina no manodidina Azy. Fahamarinana sy rariny no fiorenan'ny seza fiandrianany.
\s5
\v 3 Afo no mandalo eo anoloany ka mandevona ireo mpifanandrina aminy amin'ny lafiny rehetra.
\v 4 Manazava izao tontolo izao ny tselany; mahita izany ny tany ka mihorohoro.
\v 5 Miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Yaveh, ilay Tompon'ny tany manontolo, ireo tendrombohitra.
\s5
\v 6 Manambara ny fahamarinany ireo habakabaka, ary mahita ny voninahiny ny firenena rehetr.
\v 7 Ho menatra ireo rehetra izay manompo sarin-javatra voasokitra, ireo izay mirehareha amin'ny sampy tsy misy dikany—miankohofa eo aminy, ianareo ry andriamanitra rehetra!
\v 8 Naheno ny Ziona ka dia faly. Ary nifaly ny tanànan'i Joda noho ireo didinao marina, ry Yaveh.
\s5
\v 9 Fa ianao, ry Yaveh, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra. Asandratra avo indrindra ambonin'ireo andriamanitra rehetra Ianao.
\v 10 Ianao izay tia an'i Yaveh, mankahalà ratsy! Miaro ny ain'ireo olony masina Izy, ka maka azy ireo tsy ho eo an-tanan'ny ratsy fanahy.
\v 11 Nafafy tamin'ny marina ny fahazavana ary ny fifaliana ho an'ireo mahitsy fo.
\s5
\v 12 Meteza hifaly ao amin'i Yaveh, ianareo olo-marina; ary manolora fisaorana rehefa mahatsiaro ny fahamasinany ianareo.
\s5
\c 98
\p Salamo.
\v 1 Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh, fa nanao zava-mahagaga Izy; nanome fandresena Azy ny tanany ankavanana sy ny sandriny masina.
\v 2 Nampahafantatra ny famonjeny Yaveh; nampiseho ampahibemaso ny fahamarinany tamin'ireo firenena rehetra Izy.
\s5
\v 3 Mahatsiaro ny tsy fivadiham-panekeny sy ny fanekena mahatokiny ho an'ny taranak'Israely Izy; hahita ny fandresen'Andriamanitsika ny vazan-tany rehetra.
\v 4 Mihobia ho an'i Yaveh, ry tany rehetra; Velomy ny hira; mihirà amim-pifaliana, ka mihirà fiderana.
\s5
\v 5 Mihirà fiderana ho an'i Yaveh amin'ny harpa, amin'ny valiha sy hira mahafinaritra.
\v 6 Amin'ny trompetra sy ny feon'ny anjomara, manaova hiakam-pifaliana eo anatrehan'ilay Mpanjaka, dia i Yaveh.
\s5
\v 7 Aoka hihiaka ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; izao tontolo izao sy izay rehetra monina ao aminy!
\v 8 Aoka ireo renirano hiteha-tanana, ary aoka ireo tendrombohitra hihiaka fifaliana.
\v 9 Tonga hitsara ny tany Yaveh; hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana Izy ary ireo firenena amin'ny hitsiny.
\s5
\c 99
\p
\v 1 Manjaka Yaveh; aoka hangovitra ireo firenena. Mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana eo ambonin'ny Kerobima Izy; mihorohoro ny tany.
\v 2 Lehibe ao Ziona i Yaveh; asandratra ambonin'ireo firenena rehetra Izy.
\v 3 Aoka izy ireny hidera ny anaranao lehibe sy mampahatahotra; Masina Izy.
\s5
\v 4 Mahery ny mpanjaka, ary tia rariny Izy. Efa nampitoetra rariny Ianao; efa nanao fahamarinana sy fahitsiana tamin'i Jakoba Ianao.
\v 5 Derao Yaveh Andriamanitsika ary tompoy eo amin'ny fitoeran-tongony Izy. Masina Izy.
\s5
\v 6 Isan'ireo mpisorony i Mosesy sy Arona, ary Samoela isan'ireo izay niovavaka taminy. Nivavaka tamin'i Yaveh izy ireo, ka dia namaly azy ireo Izy.
\v 7 Niteny tamin'izy ireo tamin'ny alalan'ny andry rahona Izy. Nihazona ny didiny masina izy ireo ary ny lalàna izay efa nomeny ho azy ireo.
\s5
\v 8 Namaly azy ireo Ianao, ry Yaveh Andriamanitray. Andriamanitra mpamela heloka Ianao tamin'izy ireo, nefa Ilay nanasazy tamin'ny fahotany.
\v 9 Miderà an'i Yaveh Andriamanitsika, ary manompoa Azy ao amin'ny tendrombohiny masina, fa Yaveh Andriamanitsika dia Masina.
\s5
\c 100
\p Salamo fanomezam-pisaorana.
\v 1 Mihobia am-pifaliana an'i Yaveh, ry tany rehetra.
\v 2 Manompoa an'i Yaveh amim-piravoravoana; mandehana eo anatrehany amin'ny fihirana fihobiana.
\s5
\v 3 Fantaro fa i Yaveh no Andriamanitra; nanao antsika Izy, ary Azy isika. Vahoakany sady ondrin'ny fihinanam-bilony.
\s5
\v 4 Midira amin'ireo vavahadiny amin'ny fanomezam-pisaorana ary ao an-kianjany amin'ny dera. Manolora fisaorana Azy ary derao ny anarany.
\v 5 Fa tsara Yaveh; maharitra mandrakizay ny famindram-pony ary manerana ireo taranaka rehetra ny fahamarinany.
\s5
\c 101
\p
\v 1 Salamo nataon'i Davida. Hihira ny fanekena mahatoky sy fahamarinana aho; ho Anao, ry Yaveh, hihira fiderana aho.
\s5
\v 2 Handeha amin'ny lala-marina aho. endrey, rahoviana no ho tonga eto amiko Ianao? Andeha amin'ny fahitsiana ao an-tranoko aho.
\v 3 Tsy hanisy fahadisoana anoloan'ny masoko aho; mankahala ny ratsy tsy mendrika aho; ary tsy hifikitra amiko izany.
\s5
\v 4 Handao ahy ny mpamadika; tsy hankasitraka ny ratsy aho.
\v 5 Ho potehiko izay rehetra manendrikendrika mangingina ny namany. Tsy handefitra ny olona izay manana fihetsika mieboebo sy toe-tsaina miavonavona aho.
\v 6 Hijery ny olo-mahatoky eo amin'ny tany aho mba hipetraka eo anilako. Izay mandeha amin'ny lala-marina no mahazo manompo ahy.
\s5
\v 7 Tsy hitoetra ao an-tranoko ny olona mpamitaka; tsy ho tongasoa eo anoloan'ny masoko ny mpandainga.
\v 8 Isa-maraina isa-maraina no hamotehako ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany; hesoriko avy ao amin'ny tanànan'i Yaveh ny mpanao ratsy rehetra.
\s5
\c 102
\p Ny fivavaky ny ory rehefa reraka izy ary mandraraka ny fitarainany manoloana an'i Yaveh.
\v 1 Henoy ny fivavako, ry Yaveh; henoy ny tarainako Aminao.
\v 2 Aza afenina amiko amin'ny androm-pahoriako ny tavanao. Henoy aho. Raha miantso Anao aho, dia valio faingana re.
\s5
\v 3 Mandalo tahaka ny setroka ny androko, ary mandoro tahaka ny afo ny taolako.
\v 4 Torotoro ny foko, ary tahaka ny ahitra malazo aho. Adinoko ny mihinan-kanina
\s5
\v 5 Noho ny fisentoko mandrakariva, dia niova ho nahia fatratra aho.
\v 6 Tahaka ny sama any an'efitra aho; niova ho tahaka ny vorondolo any an-tanàna haolo.
\s5
\v 7 Tsy mahita tory tahaka ny vorona mandeha irery aho; irery ao an-tampon-trano.
\v 8 Miteny ratsy ahy ireo fahavaloko isan'andro lava izao; ireo mpaneso ahy mampiasa ny anarako ho fanozonana.
\s5
\v 9 Mihinana lavenona tahaka ny mofo aho ary mampifangaro ny zava-pisotroko amin'ny ranomaso.
\v 10 Noho ny haviniran'ny fahatezeranao, no nanandratanao ahy mba handavoana ahy.
\s5
\v 11 Tahaka ny aloka malazo ny androko; ary nalazo tahaka ny ahitra aho.
\v 12 Nefa, Ianao, ry Yaveh, dia velona mandrakizay, ary ho an'ireo taranaka rehetra ny lazanao.
\s5
\v 13 Hitsangana Ianao ka hamindra fo amin'i Ziona. Izao no fotoana hamindrana fo aminy; tonga ny fotoana voatondro.
\v 14 Fa ireo mpanomponao dia mitàna ireo vato malalany ary mangoraka ny vovoky ny faharinganany.
\v 15 Hanaja ny anaranao ireo firenena, ry Yaveh, ary hanandratra ny voninahitrao ny mpanjakan'ny tany rehetra.
\v 16 Hanamboatra an'i Ziona indray Yaveh ka hiseho ao amin'ny voninahiny.
\s5
\v 17 Amin'izany fotoana izany, dia hamaly ny fivavaky ny mahantra izy; tsy handà ny vavak'izy ireo Izy.
\v 18 Hosoratana ho an'ireo taranaka ho avy izany, ary ny olona tsy mbola teraka dia hidera an'i Yaveh.
\s5
\v 19 Fa efa niondrika nijery avy any amin'ny avony masina Izy; avy any an-danitra Yaveh no mitazana ny tany,
\v 20 mba handre ny fisenton'ireo gadra, mba hamotsotra ireo izay voaheloka ho faty.
\s5
\v 21 Dia hanambara ny anaran'i Yaveh any Ziona sy any Jerosalema ny olona
\v 22 rehefa miara-miangona mba hanompo an'i Yaveh ireo vahoaka sy ireo fanjakana.
\s5
\v 23 Efa nesoriny tamiko teo an'ivon'ny fiainako ny heriko. Nafoheziny ny androko.
\v 24 Hoy aho hoe: "Andriamanitro o, aza esorina eo an'ivon'ny fiainako aho; fa eo manerana ny taranaka rehetra Ianao.
\s5
\v 25 Nametraka ny tany tamin'ny fitoerany Ianao fahiny; asan'ny tananao ny lanitra.
\v 26 Ho levona ireo, fa Ianao hitoetra; hiha-antitra tahaka ny fitafiana avokoa ireo; tahaka ny akanjo, ho esorinao ireo, ka hanjavona.
\v 27 Nefa Ianao tsy miova, ary tsy hanam-piafarana ny taonanao.
\s5
\v 28 Ny zanak'ireo mpanomponao ho velona, ary ho velona eo amin'ny fanatrehanao ny taranak'izy ireo."
\s5
\c 103
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Hidera an'i Yaveh aho amin'ny fiainako rehetra, sy izay rehetra ato anatiko, hidera ny anarany masina aho.
\v 2 Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho, ary hahatsiaro ireo asany soa rehetra.
\s5
\v 3 Mamela ny helokao rehetra Izy; manasitrana ny aretinao rehetra Izy.
\v 4 Manavotra ny ainao amin'ny faharavana Izy; manarona fanekena mahatoky anao Izy ary mamindra fo tokoa.
\v 5 Manao izay mahafa-po ny fiainanao amin'ny zava-tsoa Izy mba ho vao tahaka ny voromahery indray ny fahatanoranao.
\s5
\v 6 Manao izay rariny Yaveh ary manao ny asan'ny fahamarinana ho an'ny ory rehetra.
\v 7 Nampahafantariny an'i Mosesy ny lalany, ary tamin'ny taranak'Israely ireo asany.
\v 8 Mamindra fo sy miantra Yaveh; mahari-po; sady be famindra-po.
\s5
\v 9 Tsy hanafay mandrakariva Izy; ary tsy tezitra mandrakariva.
\v 10 Tsy manao antsika araka izay mendrika ny fahotatsika Izy na mamaly antsika araka izay takian'ny otantsika.
\s5
\v 11 Tahaka ny haavon'ny lanitra ambonin'ny tany, no haben'ny famindra-pony amin'ireo izay manome voninahitra Azy.
\v 12 Tahaka ny halaran'ny atsinanana amin'ny andrefana, dia izany no halaviran'ny hanesorany ny heloky ny fahotantsika amintsika.
\v 13 Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, no angorahan'i Yaveh ireo izay manome voninahitra Azy
\s5
\v 14 Fa fantany ny nanaovany antsika; fantany fa vovoka isika.
\v 15 Raha ny amin'ny olona, dia tahaka ny ahitra ny androny; maniry tahaka ny voninkazo any an-tsaha izy.
\v 16 Tsofin'ny rivotra izany, ka manjavona, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza hoe taiza no nanirian'izany taloha.
\s5
\v 17 Nefa ny famindram-pon'i Yaveh dia avy amin'ny maharitra mandrakizay hatramin'ny maharitra mandrakizay ho an'ireo izay manome voninahitra Azy. Mihitatra any amin'ny taranak'izy ireo ny fahamarinany.
\v 18 Mitandrina ny fanekeny sy mahatsiaro ny fankatoavana ireo fampianarany izy ireo.
\v 19 Efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra Yaveh, ary manjaka amin'ny olona rehetra ny fanjakany.
\s5
\v 20 Miderà an'i Yaveh, ianareo anjeliny, ianareo maheriny izay matanjaka sy manao ny teniny, ary mankatò ny feon'ny teniny.
\v 21 Miderà an'i Yaveh, ry miaramilany rehetra, ianareo mpanompony izay manatanteraka ny sitra-pony.
\v 22 Miderà an'i Yaveh, ry zava-boahariny rehetra, any amin'ny toerana rehetra izay anjakany. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho.
\s5
\c 104
\p
\v 1 Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho, ry Yaveh Andriamanitro o, mahafinaritra loatra Ianao; mitafy famirapiratana sy voninahitra Ianao.
\v 2 Mirakotra fahazavana ho fitafiana Ianao; velarinao tahaka ny lamban-day ny lanitra.
\v 3 Napetrakao teo amin'ny rahona ireo andrin'ny efi-tranonao; nataonao ho kalesinao ny rahona; mandeha eo amin'ny elatry ny rivotra Ianao.
\s5
\v 4 Nataony ho irany ny rivotra, ho mpanompony ny lelafo.
\v 5 Nampitoetra ny fanambanin'ny tany Izy, ka tsy hihozongozona mihitsy izany.
\s5
\v 6 Nanarona ny tany tamin'ny rano tahaka ny fitafiana Ianao; nanarona ny tendrombohitra ny rano.
\v 7 Ny fiteninao mafy no nampihemotra ny rano; tamin'ny fanenon'ny fikotrokotroky ny feonao no nampandositra ireny.
\s5
\v 8 Nitsangana ireo tendrombohitra, ary ireo lohasaha niely tany amin'ireo toerana izay efa notendrenao ho an'ireo.
\v 9 Namaritra sisintany ho an'ireny Ianao mba tsy hihoarany; ka dia tsy hanarona ny tany intsony ireny.
\s5
\v 10 Nampikoriana loharano teny amin'ireo lohasaha Izy; mikoriana anelanelan'ireo tendrombohitra ny rian-drano.
\v 11 Mamatsy rano ho an'ny biby rehetra any an-tsaha ireny; dia afaka hetaheta ireo apondradia.
\v 12 Manamboatra ny akaniny eo amoron'ny renirano ireo vorona. Mihira eny amin'ny rantsan-kazo izy ireo.
\s5
\v 13 Manondraka ireo tendrombohitra avy amin'ny fitoeran-dranony any an-danitra Izy. Feno vokatry ny asany ny tany.
\v 14 Mampaniry ahitra ho an'ireo biby fiompy sy voly ho an'ny olona ho volena Izy mba hahafahan'ny olona mamokatra sakafo amin'ny tany.
\v 15 Manao divay hampifaliana ny olona Izy, diloilo mba hampamiratra ny tavany, ary hanina mba hanohanana ny ainy.
\s5
\v 16 Ireo hazon'i Yaveh dia voatondraka orana be; dia ireo sederan'i Libanona izay namboleny.
\v 17 Eo no anorenan'ireo vorona ny akaniny. Ny voronkely manao ny hazo kypreso ho fonenany.
\v 18 Ny osidia monina any amin'ireo tendrombohitra avo; ary ny haavon'ny tendrombohitra no fialofan'ireo hyraka.
\s5
\v 19 Nanendry ny volana ho mariky ny fotoana Izy; fantatry ny masoandro ny fotoana hilentehany.
\v 20 Nataonao ny aizin'ny alina rehefa mivoaka ny biby rehetra any an'ala.
\s5
\v 21 Mierona ho an'ny hazany ireo liona tanora ary mitady ny haniny avy amin'Andriamanitra.
\v 22 Rehefa miposaka ny masoandro, dia misintaka ireny ka matory any an-davany.
\s5
\v 23 Mandritra izany fotoana izany, ny vahoaka mivoaka ho amin'ny asany sy misasatra mandra-pahariva.
\v 24 Yaveh o, endrey ny hamaroana sy karazan'ireo asanao! Nataonao tamim-pahendrena izy rehetra; henika ireo asanao ny tany.
\s5
\v 25 Indro ny ranomasina, lalina sady midadasika, mihetsiketsika miaraka amin'ireo zava-boahary tsy voatanisa, na kely na lehibe.
\v 26 Mandeha eo ireo sambo, ary ao ihany koa ny Leviatana, izay nataona hilalao an-dranomasina.
\s5
\v 27 Ireo rehetra ireo dia mijery Anao mba hanome ny sakafony ara-potoana.
\v 28 Rehefa manome ireo Ianao, dia miangona izy ireo; rehefa manokatra ny tananao Ianao, dia afa-po izy ireo.
\s5
\v 29 Rehefa manafina ny tavanao Ianao, dia matahotra ireo; rehefa manala ny fofonain'ireo Ianao; dia maty ireo ka hody vovoka.
\v 30 Rehefa mandefa ny Fanahinao Ianao, dia ary ireo, ka hanavao ny tany indray Ianao.
\s5
\v 31 Haharitra mandrakizay anie ny voninahitr'i Yaveh, hisitraka ny voahariny anie Yaveh.
\v 32 Miondrika mijery ny tany Izy, dia mihorohoro izany; mikasika ireo tendrombohitra Izy; dia manetroka izany.
\s5
\v 33 Hihira ho an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho; hihira fiderana an'Andriamanitro aho raha mbola velonan'aina koa.
\v 34 Ho mamy aminy anie ny fisainako; hifaly amin'i Yaveh aho.
\s5
\v 35 Hanjavona eto an-tany anie ireo mpanota, ary aoka ho foana ny ratsy fanahy. Hidera an'i Yaveh amin'ny fiainako rehetra aho. Miderà an'i Yaveh.
\s5
\c 105
\p
\v 1 Misaora an'i Yaveh, antsoy ny anarany; ampahafantaro amin'ireo firenena ireo asany.
\v 2 Mihirà ho Azy, mihiràfiderana ho Azy; ambarao avokoa ireo asany rehetra mahatalanjona.
\v 3 Mireharehava amin'ny anarany masina; aoka ny fon'ireo izay mitady an'i Yaveh hifaly.
\s5
\v 4 Mitadiava an'i Yaveh sy ny heriny; tadiavo hatrany hatrany ny fanatrehany.
\v 5 Tadidio ireo zava-mahagaga efa nataony, ireo fahagagany sy ireo lalàny avy ao am-bavany,
\v 6 ianareo taranak'i Abrahama mpanompony, ianareo vahoakan'i Jakoba, olom-boafidiny.
\s5
\v 7 Izy no Yaveh, Andriamanintsika. Eo amin'ny tany rehetra ireo didiny.
\v 8 Ataony an-tsaina mandrakizay ny fanekeny, dia ny teny izay nodidiany ho an'ireo taranaka an'arivony.
\s5
\v 9 Mahatsiaro ny fanekena izay nataony tamin'i Abrahama sy ny fianianany tamin'i Isaka Izy.
\v 10 Izany no namafisiny tamin'i Jakoba ho lalàna sy tamin'ny Israely ho fanekena maharitra mandrakizay.
\v 11 Hoy Izy: "Homeko anjara lovanareo ny tany Kanana."
\s5
\v 12 Nilaza izany Izy fony mbola vitsy an'isa izy ireo, tena vitsy, sady mpivahiny tao amin'ny tany.
\v 13 Nivezivezy tamin'ireo firenena sy avy any amin'ny fanjakana ho any amin'iray hafa izy ireo.
\s5
\v 14 Tsy namela na iza na iza hampahory azy ireo Izy; nandatsa mpanjaka maro Izy noho ny amin'izy ireo.
\v 15 Hoy Izy hoe: "Aza mikasika ireo olom-boahosotro, ary manisy ratsy ireo mpaminaniko."
\s5
\v 16 Niantso mosary ho amin'ny tanyIzy; nanapaka ny famatsiana mofo manontolo Izy.
\v 17 Naniraka olona hialoha lalana azy ireo Izy; namidy ho mpanompo i Josefa.
\s5
\v 18 Nafatony tamin'ny tady vy ny tongony; teo amin'ny tendany nasiany rojo vy,
\v 19 ambara-pahatanteraka ny teniny, ary nitsapa azy ny tenin'i Yaveh.
\s5
\v 20 Naniraka ireo mpanompo hamotsotra azy Yaveh; nanafaka azy ny mpanapaka ny vahoaka.
\v 21 Nataony nisahana ny tranony ho mpanapaka ireo fananany rehetra izy
\v 22 mba hampianatra ireo andriany araka izay iriany sy hampianatra fahendrena ireo loholony.
\v 23 Dia nankany Egypta ny Israely, ary Jakoba nivahiny tao amin'ny tany Hama.
\s5
\v 24 Nampamokatra ny vahoakany Yaveh, ary nampatanjaka azy ireo mihoatra ireo fahavalony.
\v 25 Nataony nankahala ny vahoakany ny fahavalon'izy ireo, mba hampijaly ireo mpanompony.
\v 26 Naniraka an'i Mosesy, mpanompony, sy Arona, izay efa nofidiany Izy.
\v 27 Nanatanteraka ireo famantarany teo amin'ireo Egyptiana izy ireo, ireo fahagagany tao amin'ny tany Hama.
\s5
\v 28 Nandefa aizina sy nampamaizina ny tany Izy, nefa tsy nankato ireo didiny ny vahoaka tao.
\v 29 Namadika ny ranon'izy ireo ho rà Izy ary namono ny hazan-dranony.
\v 30 Rakotra sahona ny tanin'izy ireo, na dia ny tao an'efitranon'ireo mpanapaka aza.
\s5
\v 31 Niteny Izy, ka dia tonga nanerana ny tanànan'izy ireo ny renin-dalitra sy moka.
\v 32 Navadiny ho havandra ny oran'izy ireo, niaraka tamin'ny afo nidedadeda teo amin'ny taniny.
\v 33 Nopotehiny ny voaloboka sy ny hazon'aviavin'izy ireo; nosimbainy ireo hazo tao an-tanànan'izy ireo.
\s5
\v 34 Niteny Izy, dia tonga ny valala, valala maro be.
\v 35 Lanin'ireo valala ny zava-maniry rehetra tao amin'ny tanin'izy ireo; lanin'ireny ny vokatry ny tany rehetra.
\v 36 Novonoiny ny lahimatoa rehetra tao amin'ny tany, ny voaloham-bokatry ny herin'izy ireo rehetra.
\s5
\v 37 Nentiny nivoaka niaraka tamin'ny volamena sy volafotsy ireo Israelita; tsy nisy tamin'ireo fokony tafitohina teny an-dalana.
\v 38 Ravoravo Egypta raha lasa izy ireo, satria natahotra azy ireo ny Egyptiana.
\v 39 Nampiely ny rahona ho fandrakofana Izy ary nanao afo hampazava ny alina.
\s5
\v 40 Nangataka sakafo ny Israelita, ka dia nitondrany papelika ary natony hafa-po tamin'ny mofo avy any an-danitra.
\v 41 Namaky ny vatolampy Izy, ka nigororoana teo ny rano; nikoriana tany an'efitra tahaka ny renirano ireny.
\v 42 Fa nahatsiaro ny fampanantenany masina izay nataony tamin'i Abrahama mpanompony Izy.
\s5
\v 43 Notarihiny nivoaka tamim-pifaliana ny vahoaka; tamin'ny hiakam-pandresena ny olom-boafidiny.
\v 44 Nomeny azy ireo ny tanin'ireo firenena; naka fananana tamin'ireo haren'ny vahoaka izy ireo
\v 45 mba hitandremany ny didny sy hankatoavany ny lalàny. Miderà an'i Yaveh.
\s5
\c 106
\p
\v 1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\v 2 Iza no afaka hanisa ireo asa lehibe izay nataon'i Yaveh na hanonona feno ireo asa mendri-piderany?
\s5
\v 3 Hotahiana anie ireo izay manao ny marina, sy ireo izay manao asa marina mandrakariva.
\v 4 Tsarovy aho, ry Yaveh, rehefa mampiseho sitraka amin'ny olonao Ianao; ampio aho rehefa mamonjy azy ireo Ianao.
\v 5 Ary dia hahita ny fanambinan'ireo voafidinao aho, hiravoravo amin'ny fifalian'ny firenenao sy hanome voninahitra amin'ny lovanao.
\s5
\v 6 Nanota tahaka ireo razambenay izahay, nanao ny tsy nety izahay, ary nahavita ratsy.
\v 7 Tsy nankatoavin'ireo razanay ireo asa tsaranao tany Egypta; tsy niraharaha ny habetsaky ny famindram-ponao izy ireo; ka nikomy teny amin'ny ranomasina, teny amin'ny Ranomasina Mena.
\s5
\v 8 Na dia izany aza, novonjeny izy ireo nohon'ny anarany mba hahafahany mampiseho ny heriny.
\v 9 Noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, dia ritra izany. Dia nitarika azy ireo nita ireo lalina Izy, tahaka ny nita efitra.
\s5
\v 10 Namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo izay nankahala azy ireo Izy, ary nanavotra azy ireo tamin'ny tanan'ny fahavalo.
\v 11 Fa nosaronan'ny rano ireo fahavalon'izy ireo; tsy nisy na dia iray amin'izy ireo aza ka avotra.
\v 12 Ary nino ny teniny izy ireo, ka nihira fiderana Azy.
\s5
\v 13 Nefa nalaky nanadino izay nataony izy ireo; tsy niandry ireo torolalany.
\v 14 Fatra-pila tany an'efitra ka nitady hihoatra an'Andriamanitra tany an'efitra.
\v 15 Dia nomeny ny fangatahany, saingy nandefa aretina handany ny vatan'izy ireo Izy.
\s5
\v 16 Tany an-toby dia nialona an'i Mosesy sy Arona, mpisorona masin'i Yaveh, izy ireo.
\v 17 Nisokatra ny tany ka nitelina an'i Datana ary nanarona ireo mpanaraka an'i Abirama. Nirehitra teo amin'izy ireo ny afo;
\v 18 ka nandevona ny ratsy fanahy ny afo.
\s5
\v 19 Dia nanao zanak'ombilahy tao Horeba izy ireo ka nanompo ny sarin-javatra vy.
\v 20 Natakalon'izy ireo sarin'ombilahy voasokitra izay mihinana ahimaitso ny voninahitr'Andriamanitra.
\v 21 Nanadino an'Andriamanitra Mpamonjy azy izy ireo, izay nanao asa lehibe tany Egypta.
\s5
\v 22 Nanao zava-tsoa mahafinaritra tao an-tanin'i Hama sy zava-mahery tao amin'ny ranomasina Mena Izy.
\v 23 Ary nandidy ny fandringanana azy ireo Izy, raha tsy i Mosesy, izay voafidiny, no niditra an-tsehatra teo amin'ny fanapahana mba hampiova ny fahatezerany amin'ny fandringanana azy ireo.
\s5
\v 24 Dia nataon'izy ireo tsinotsinona ny tany mahavokatra; tsy nino ny fampanantenany izy ireo;
\v 25 fa nimonomonona tao an-dainy izy ireo, ary tsy nankatò an'i Yaveh.
\s5
\v 26 Noho izany dia nanangana ny tanany izy ary nianiana tamin'izy ireo fa hamela azy ireo ho faty any an'efitra,
\v 27 hampiely ny taranak'izy ireo erak'ireo firenena ary hampiely azy ireo any amin'ny tany hafa.
\s5
\v 28 Nanompo an'i Bala Peora izy ireo ary nihinana ireo sorona natolotra ho an'ny maty.
\v 29 Nihantsy Azy ho tezitra tamin'ny fihetsiny izy ireo, ka dia namely azy ireo ny areti-mandringana.
\s5
\v 30 Dia nitsangana i Fineasa ka nrotsaka an-tsehatra, ary nitsahatra ny areti-mandringana.
\v 31 Anisan'ny asa marina ho azy mandrakizay izany hatrany amin'ny taranaka fara mandimby.
\s5
\v 32 Nampatezitra an'i Yaveh ihany koa izy ireo teny amin'ny ranon'i Meriba, ka nijaly i Mosesy noho izy ireo.
\v 33 Nampahory an'i Mosesy izy ireo, ka dia niteny mafy izy.
\v 34 Tsy nandringana ireo firenena araka ny nandidian'i Yaveh izy ireo,
\v 35 nefa izy ireo niharo tamin'ireo firenena sy nianatra ny fanaony
\v 36 ka nanompo ireo sampiny, izay tonga fandrika ho azy.
\s5
\v 37 Nanao sorona ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy ho an'ireo demonia izy ireo.
\v 38 Nandatsaka ny rà tsy manan-tsiny izy ireo, ny ràn'ireo zanany lahy sy ny an'ireo zanany vavy izay nataon'izy ireo sorona ho an'ireo sampin'i Kanana; ka nanimbazimba ny tany tamin'ny rà.
\v 39 Voaloto tamin'ireo asany; tahaka ireo mpijangajanga izy ireo noho ny nataony.
\s5
\v 40 Ka dia tezitra tamin'ny olony i Yaveh, ary nataony tsinontsinona ny vahoakany.
\v 41 Nomeny ho eny an-tanan'ireo firenena izy ireo, ary ireo nankahala azy ireo no nanapaka teo aminy.
\s5
\v 42 Nampahory azy ireo ny fahavalony, ary nentina hanaiky ny fahefany izy ireo.
\v 43 Matetika tonga nanampy azy ireo Izy, fa izy ireo kosa nikomy hatrany ary naletiky ny fahotany ihany.
\s5
\v 44 Na izany aza dia nijery ny fahorian'izy ireo Izy rehefa nandre azy ireo nitomany hovonjena.
\v 45 Nampatsiaro ny fanekeny tamin'izy ireo Izy ka nanenina nohon'ny fitiavany tsy miova.
\v 46 Dia nataony niantra azy ireo ny mpambabo rehetra.
\s5
\v 47 Vonjeo izahay, ry Yaveh, Andriamanitray. Ary angony avy amin'ireo firenena, mba hisaoranay ny Anaranao Masina sy hanomezanay voninahitra amin'ny fiderana Anao.
\v 48 Ho deraina anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, rahatrizay ka ho mandrakizay. Ary niteny ny olona rehetra hoe: "Amena". miderà an'i Yaveh. Boky fahadimy
\s5
\c 107
\p
\v 1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, ary mandrakizay ny famindram-pony.
\v 2 Aoka ireo navotan'i Yaveh hilaza izany, dia izay navotany teo an-tanan'ny fahavalo.
\v 3 Nangoniny avy amin'ny tany hafa maro izy ireo, dia izay avy any atsinanana sy avy any andrefana, avy any avaratra sy avy any atsimo.
\s5
\v 4 Nirenireny tany an'efitra teny amin'ny lalana hay izy ireo ary tsy nahita tanàna honenana.
\v 5 Satria noana sady nangetaheta izy ireo, dia heniky ny faharerahana izy ireo.
\v 6 Dia niantso mafy an'i Yaveh tamin'ny andro fahoriany, ka namonjy azy ireo tamin'ny fahoriany Izy.
\v 7 Nitondra azy ireo tamin'ny lalana mahitsy Izy mba ahafahan'izy ireo mandeha any amin'ny tanàna izay honenany.
\s5
\v 8 Hidera an'i Yaveh anie ireo olona nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-tsoa rehetra nataony tamin'ny olombelona!
\v 9 Fa manome fahafa-po ny fanirian'ireo izay mangetaheta Izy, ary ny fanirian'ireo noana dia vokisany zava-tsoa.
\v 10 Ny sasany mitoetra anaty aizina sy aloky ny fahafatesana, voagadram-pahoriana sy ireo rojo vy.
\s5
\v 11 Nisy izany satria nikomy nanohitra ny tenin'Andriamanitra izy ireo ary nanary ny torolalan'ny Avo Indrindra.
\v 12 Nampietry ny fon'izy ireo tamin'ny zava-tsarotra Izy. Tafintohina izy ireo ary tsy nisy olona hanampy azy ireo hitraka.
\v 13 Dia niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo, ka nentin'i Yaveh hiala avy tao amin'ny fahoriany.
\s5
\v 14 Nitondra azy ireo hivoaka ny maizina sy ny haizim-pito Izy ary novakiany ny fatoran'izy ireo.
\v 15 Hidera an'i Yaveh anie ireo olona ireo nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-mahagaga nataony ho an'ny olombelona!
\v 16 Fa namotika ny vavahady varahina Izy ary nanapaka ireo hidy vy.
\s5
\v 17 Adala izy ireo tamin'ny fikomiana nataony ary ory noho ireo helony.
\v 18 Very ny faniriany hihinana ny hanina rehetra, ary niha-nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy ireo.
\v 19 Dia niantso mafy an'i Yaveh izy ireo tamin'ny fahoriany, dia nitondra azy ireo hivoaka amin'ny fahoriany Izy.
\s5
\v 20 Nandefa ny teniny Izy ka nanasitrana azy ireo, dia novonjeny tamin'ny fahapotehiny izy ireo.
\v 21 Ny olona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy ireo zava-mahagaga nataony tamin'olombelona!
\v 22 Aoka izy ireo hanolotra ireo fanati-pisaorana ka hanambara ny asany lehibe amin'ny fihirana.
\s5
\v 23 Izay miantsambo eny an-dranomasina sy manao raharaham-barotra any ampitan-dranomasina.
\v 24 Ireo dia nahita ny asan'i Yaveh sy ny fahagaganany teny an-dranomasina.
\s5
\v 25 Fa Izy no mibaiko sy maniraka ny tafio-drivotra izay mampisondrotra ny ranomasina.
\v 26 Nanakatra ny lanitra ireny; ary nidina tany amin'ny lalina. Ketraky ny fahoriana ny fiainan'izy ireo.
\v 27 Nisangodina sady nivembena tahaka ireo mpimamo izy ireo dia lasa tany amin'ny fahaverezan-tsaina.
\s5
\v 28 Ary niantso an'i Yaveh tamin'ny fahoriany izy ireo, ka nentiny nivoaka tamin'ny fahoriany izy ireo.
\v 29 Nampitsahatra ny tafio-drivotra Izy, ary nampitony ny onjan-dranomasina.
\v 30 Ary dia niravoravo izy ireo satria nitony ny ranomasina, ary nitondra azy ireo ho eny amin'ny morony nirian'izy ireo Izy.
\s5
\v 31 Ny olona anie hidera an'i Yaveh nohon'ny famindram-pony sy amin'ireo zava-mahatalanjona nataony tamin'olombelona!
\v 32 Aoka izy ireo hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona ary hidera Azy eo amin'ny filan-kevitr'ireo loholona.
\s5
\v 33 Mamadika ireo ony ho efitra Izy, loharano ho tany maina,
\v 34 ary tany mahavokatra ho tany hay noho ny faharatsian'ny olony.
\v 35 Mamadika ny efitra ho farihin-drano Izy ary tany maina ho loharano maro.
\s5
\v 36 Apetrany any izay noana, ary hanorina tanàna honenana izy ireo.
\v 37 hanorina tanàna hisy saha izy ireo, ho atao tanim-boaloboka, ary hamokatra be.
\v 38 Hitahy ireo Izy ka ho maro an'isa izany. Tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
\s5
\v 39 Fa nihena sy nietry izy ireo nohon'ny fahoriana maharary sy hirifiry.
\v 40 Mandraraka fanamavoana amin'ireo mpitarika Izy ary mampirenireny azy ireo any an'efitra, izay tsy misy lalana.
\s5
\v 41 Fa miaro ireo mahantra nohon'ny fahoriana kosa Izy ary miahy ireo fianakaviany tahaka ny andian'ondry.
\v 42 Hahita izany ny olo-mahitsy ka ho faly, ary ireo ratsy fanahy rehetra manakombom-bava.
\v 43 Izay hendry dia aoka handray an-tsoratra izany zavatra izany ary hihevitra ireo asa famindram-pon'i Yaveh.
\s5
\c 108
\p Tonon-kira, salamo nataon'i Davida.
\v 1 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra o; hihira aho, eny, hihira fiderana amin'ny foko ravoravo ihany koa aho.
\v 2 Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha vao mangiran-dratsy aho.
\s5
\v 3 Hisaotra Anao aho, ry Yaveh, eny amin'ny olon-drehetra; hihira fiderana ho Anao aho eny amin'ny firenen-drehetra.
\v 4 Fa ny famindram-ponao dia lehibe ambonin'ny lanitra ary mipaka eny amin'ireo habakabaka ny fahamendreham-pitokianao.
\s5
\v 5 Misandràta, Andriamanitra o, any ambonin'ny lanitra, ary aoka ny voninahitrao hisandratra manerana ny tany rehetra.
\v 6 Mba ho voavonjy ireo malalanao, vonjeo amin'ny tanana ankavananao aho ka valio.
\s5
\v 7 Niteny tamin'ny fahamasinany Andriamanitra ka nanao hoe: "Hifaly aho ary hizara an'i Sekema; ary hizara ny Lohasahan'i Sokota.
\v 8 Ahy i Gileada, ary ahy i Manase, arolohako ihany koa i Efraima; tehim-panjakako i Joda.
\s5
\v 9 Tavindrano fanasako i Moaba eo amin'i Edoma no hanipazako ny kapako; hihiaka fandresena Aho noho i Filistia.
\v 10 Iza no hitondra Ahy any amin'ny tanàna matanjaka? Iza no hitarika Ahy ho any Edoma?"
\s5
\v 11 Andriamanitra o, tsy efa nanary anay ve Ianao? Tsy hivoaka amin'ny ady miaraka amin'ny tafikay Ianao.
\v 12 Omeo fanampiana izahay hanohitra ny fahavalo, fa zava-poana ny fanampian'ny olona.
\v 13 Miaraka amin'ny fanampian'Andriamanitra no haharesentsika; hanitsahany ireo fahavalontsika.
\s5
\c 109
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Andriamanitra izay deraiko o, aza mangina,
\v 2 Fa mamely ahy ny ratsy fanahy sy mpamitaka; milaza lainga manohitra ahy izy ireo.
\v 3 Manodidina ahy izy ireo ka miteny zavatra fankahalana, ary mamely ahy tsy amin'ny antony izy ireo
\s5
\v 4 Endrikendrika no nataon'izy ireo ho setrin'ny fitiavako, fa izaho kosa mivavaka ho azy ireo.
\v 5 Novalian'izy ireo ratsy ny soa nataoko, ary halany ny fitiavako.
\s5
\v 6 Manendre lehilahy ratsy fanahy mba ho fahavalo tahaka ireny olona ireny; manendre mpiampanga hitsangana eo an-tananany ankavana.
\v 7 Rehefa ho tsaraina izy dia aoka ho meloka, ary aoka ny fivavahany heverina ho fahotana.
\s5
\v 8 Aoka ho fohy ny androny; ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany.
\v 9 Aoka ny zanany ho kamboty ray, ary aoka ny vadiny ho mpitondratena.
\v 10 Aoka ny zanany hirenireny sy hitalaho, hangataka sakafo raha mandao ny fonenany simba izy ireo.
\s5
\v 11 Aoka ho alain'ny tompon-trosa izay azy rehetra; ary aoka ny vahiny handroba izay azony.
\v 12 Aoka tsy hisy na iray aza hampiseho hatsaram-panahy aminy; aoka tsy hisy hiantra ny zanany kamboty.
\v 13 Aoka ho ringana ny zanany; ary aoka ny anarany ho vonoina tsy ho amin'ny taranaka fara mandimby.
\s5
\v 14 Aoka ho lazaina amin'i Yaveh ny helok'ireo razany; ary aoka tsy hoadinoina ny heloky ny reniny.
\v 15 Aoka ho eo anatrehan'i Yaveh mandrakariva ny hadisoan'izy ireo; aoka hofoanan'i Yaveh amin'ny tany rehetra ny fahatsiarovana azy ireo.
\v 16 Aoka ataon'i Yaveh izany satria io lehilahy io dia tsy mba nampiseho famindram-po, fa kosa nampijaly ny ory, ny mahantra, ary ny kivy fo amin'ny fahafatesana.
\s5
\v 17 Nitia ozona izy; hanody azy anie izany. Mankahala fitahiana izy; aoka tsy hisy fitahiana ho tonga aminy.
\v 18 Mampitafy tena amin'ny ozona tahaka ny akanjony izy, ary fanozonana no mipàka any anatiny tahaka ny rano, tahaka ny diloilo ao anaty taolany.
\s5
\v 19 Aoka ny ozony ho tahaka ny fitafiana izay handrakofany ny tenany, tahaka ny fehikibo izay anaovany mandrakariva.
\v 20 Aoka izany ho valisoa ho an'ireo mpiampanga avy amin'i Yaveh, ho an'izay miteny ratsy ny amiko.
\s5
\v 21 Yaveh Tompoko o, manaova amin-katsaram-panahy amiko noho ny amin'ny anaranao. Satria tsara ny famindram-ponao, vonjeo aho.
\v 22 Fa ory sy mahantra aho, ary ny foko dia voaratra ao anatiko.
\v 23 Mihena tahaka ny aloky ny hariva aho; ary nahintsana tahaka ny valala.
\s5
\v 24 Reraky ny fifadian-kanina ny lohaliko; mihova ho taolana mifono hoditra aho.
\v 25 Ataon'ireo mpiampanga ahy ho tsinontsinona aho; rehefa mahita ahy izy ireo dia mihifikifi-doha.
\s5
\v 26 Ampio aho, ry Yaveh Andriamanitro; vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.
\v 27 Ary aoka ho fantatr'izy ireo fa izany no asanao, izay Ianao, Yaveh, no nanao izany.
\s5
\v 28 Na dia manozona ahy aza izy ireo, dia mba tahio re aho; raha mamely izy ireo; aoka hitsanga-menatra, fa aoka ny mpanomponao hifaly.
\v 29 Aoka hitafy henatra ireo fahavaloko; aoka hiakanjo ny fahamenarany ho tahaka ny tohitena izy ireo.
\s5
\v 30 Amin'ny vavako no hanolorako fisaorana lehibe ho an'i Yaveh; hidera Azy eo afovoan'ny olona aho.
\v 31 Fa mitsangana eo an-tanana ankavanan'ny malahelo Izy, mba hamonjy azy amin'ireo izay mitsara azy.
\s5
\c 110
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Hoy Yaveh amin'ny tompoko: "Mipetraha eto an-tananako ankavanana ambara-panaoko ireo fahavalonao ho fitoera-tongotrao."
\s5
\v 2 Yaveh dia hamoaka ny tehim-panjakan'ny herinao avy any Ziona; ka mandidia eo amin'ireo fahavalonao.
\v 3 Hanara-dia anao an-kalalahana ny vahoakanao anatin'ireo akanjo masina amin'ny andron'ny fahefanao; ateraka amin'ny mangiran-dratsy tahaka ny ando ho anao ny zatovonao.
\s5
\v 4 Yaveh efa nianiana, ary tsy hiova hoe: "mpisorona ho Ahy mandrakizay ianao, araka ny fanaon'i Melkizedeka."
\s5
\v 5 Eo an-tananao ankavanana ny Tompo. Hamono ireo mpanjaka Izy amin'ny androm-pahatezerany.
\v 6 Hitsara ireo firenena Izy; hofenoiny faty ny tany fiadiana; ary hovonoiny ireo mpitondra any amin'ireo firenena maro.
\s5
\v 7 Hisotro amin'ny lohasahan-driaka any an-dalana Izy, ary dia hampitraka avo ny lohany aorian'ny fandresena Izy.
\s5
\c 111
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh. Hanolotra fisaorana ho an'i Yaveh amin'ny foko manontolo aho ao amin'ny fiangonan'ny olo-marina, ao amin'ny fivondronan'izy ireo.
\v 2 Lehibe ireo asan'Andriamanitra, nandrasan'izay rehetra naniry azy ireo tamim-paharisihana.
\v 3 Malaza sy be voninahitra ny asany, ary ny fahamarinany maharitra mandrakizay.
\s5
\v 4 Manao zava-mahafinaritra izay hotsaroana Izy; mpamindra fo sy miantra Yaveh.
\v 5 Manome sakafo ho an'ireo mpanaraka mahatoky Azy Izy. Hampahatsiaro ny fanekeny mandrakariva Izy.
\v 6 Nasehony tamin'ny olony ireo asa maheriny tamin'ny fanomezany azy ireo ny lovan'ireo firenena.
\s5
\v 7 Mendri-pitokisana sy mahitsy ireo asan'ny tanany; azo antoka avokoa ireo fampianarany rehetra.
\v 8 Mitoetra mandrakizay izany, mba mba hitandremana amim-patokiana sy amin'ny tokony ho izy.
\v 9 Nanome fandresena ho an'ny olony Izy; nampisy ny fanekeny mandrakizay; masina sy mahatalanjona ny anarany.
\s5
\v 10 Ny fanomezan-boninahitra an'i Yaveh no fiandoham-pahendrena; ireo izay manatanteraka ny fitsipiny no manana ny fahazavan-tsaina tsara. Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
\s5
\c 112
\p
\v 1 Sambatra izay olona mankatò an'i Yaveh, izay mankasitraka fatratra ireo didiny.
\v 2 Ireo taranany hahery eny amin'ny tany; ireo taranaky ny lehilahy ho voatahy.
\s5
\v 3 Harena be no ao an-tranony; ny fahamarinany haharitra mandrakizay.
\v 4 Manazava ao amin'ny maizina ho an'ny olona masina ny hazavana; miantra Izy, mpamindra fo, sy mahitsy.
\v 5 Sambatra ny olona izay maneho amim-piantrana sy mampisambo-bola, izay mitondra ny raharahany amin'ny fahatsoram-po.
\s5
\v 6 Fa tsy hangozohozo mihitsy izy; ny olo-marina dia ho tsaroana mandrakizay.
\v 7 Tsy hatahotra ny vaovao ratsy izy; satria matoky, mitoky amin'i Yaveh.
\s5
\v 8 Milamina ny fony, tsy misy tahotra, mandra-pijeriny amim-pandresena ireo fahavalony.
\v 9 Manome amim-pahalalan-tanana ireo mahantra izy; ny fahamarinany haharitra mandrakizay; hasandratra amim-boninahitra izy.
\s5
\v 10 Ireo olona ratsy fanahy hahita izany ary ho tezitra; hihidy vazana izy ary ho levona; ho faty ny fanirian'ny olona ratsy fanahy.
\s5
\c 113
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh. Miderà Azy, ianareo mpanompon'i Yaveh; derao ny anaran'i Yaveh.
\v 2 Isaorana anie ny anaran'i Yaveh, ankehitriny ka ho mandrakizay mandrakizay.
\s5
\v 3 Hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny fodiany, tokony hoderaina ny Anaran'i Yaveh.
\v 4 Asandratra ambonin'ny firenena rehetra Yaveh, ary ny voninahiny mipàka mihoatra ny lanitra.
\s5
\v 5 Iza no tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika, izay mipetraka eny amin'ny avo,
\v 6 izay mijery midina eny amin'ny lanitra sy ety an-tany?
\s5
\v 7 Manandratra ny mahantra hiala amin'ny loto Izy ary manangana ireo fadiranovana amin'ny antontan-davenona,
\v 8 mba hahafahany mametraka azy miaraka amin'ireo andriana, miaraka amin'ireo andrian'ny vahoakany.
\s5
\v 9 Hanome trano fonenana ho an'ny vehivavy momba Izy, manao azy ho renin-jaza falifaly Izy. Miderà an'i Yaveh!
\s5
\c 114
\p
\v 1 Rehefa nandao an'i Egypta ny Israely, ny taranak'i Jakoba avy any amin'izany vahoaka vahiny izany,
\v 2 dia tonga fitoerany masina i Joda, ary fanjakany i Israely.
\s5
\v 3 Nijery ny ranomasina ka nandositra; niverina ny Jordana.
\v 4 Nifalihavanja toy ny ondrilahy ireo tendrombohitra, ireo havoana nifalihavanja tahaka ireo zanak'ondry.
\s5
\v 5 Nahoana no nandositra ianao, ry ranomasina? Ry Jordana, nahoana ianao no niverina?
\v 6 Ry tendrombohitra, nahoana ianareo no nifalihavanja tahaka ny ondrilahy? Ianareo havoana kely, nahoana ianareo no nifalihavanja tahaka ny zanak'ondry?
\v 7 Mangovita, ry tany, manoloana ny Tompo, amin'ny fanatrehan'Andriamanitr'i Jakoba.
\s5
\v 8 Mamadika ny vatolampy ho dobon-drano Izy, ny vatolampy mafy ho loharano.
\s5
\c 115
\p
\v 1 Tsy ho anay, ry Yaveh, tsy ho anay, fa ho an'ny anaranao no hanateram-boninahitra, fa ho an'ny fanekenao mahatoky sy ho an'ny fahamendreham-pitokianao.
\v 2 Nahoana ireo firenena no miteny hoe: "Aiza ny Andriamanitr'izy ireo?"
\s5
\v 3 Ny Andriamanitray any an-danitra any, manao izay rehetra tiany atao.
\v 4 Volafotsy sy volamena ireo sampin'ny firenena, asan-tanan'olona.
\s5
\v 5 Manam-bava ireo sampy ireo, fa tsy miteny; mana-maso izy ireo, fa tsy mahita;
\v 6 manan-tsofina izy ireo, fa tsy mandre; manan'orona izy ireo, fa tsy manimbolo.
\s5
\v 7 Ireo sampy ireo manan-tanana, fa tsy mahatsapa; manan-tongotra izy ireo, fa tsy afaka mandeha; na dia ny miteny amin'ny vavany aza.
\v 8 Ireo izay nanao azy ireo dia mitovy aminy, tahaka izay rehetra mitoky aminy.
\s5
\v 9 Ry Israely, matokia an'i Yaveh; Izy no famonjenao sy ampinganao.
\v 10 Ry taranak'i Arona, matokia an'i Yaveh; Izy no famonjenao sy ampinganao.
\v 11 Ianao izay manome voninahitra an'i Yaveh, matokia Azy; Izy no famonjenao sy ampinganao.
\s5
\v 12 Yaveh mahatsiaro ka hitahy antsika; hitahy ny fianakavian'Israely Izy; ary hitahy ny fianakavian'i Arona.
\v 13 Hitahy izay manome voninahitra Azy Izy; na tanora na antitra.
\v 14 Aoka Yaveh hampitombo isa anareo hatrany hatrany, ny anao sy ny an'ireo taranakao.
\s5
\v 15 Yaveh ilay nanao ny lanitra sy ny tany anie hitahy anao.
\v 16 An'i Yaveh ny lanitra; fa ny tany nomeny ho an'ny olombelona.
\s5
\v 17 Ny maty tsy mba midera an'i Yaveh, na izay midina any amin'ny mangingina tsy manao izany;
\v 18 Fa hisaotra an'i Yaveh izahay anio ka ho mandrakizay. Miderà an'i Yaveh.
\s5
\c 116
\p
\v 1 Tiako Yaveh satria mandre ny feoko sy ireo talahoko ho amin'ny famindram-po Izy.
\v 2 Satria nihaino ahy Izy, hiantso Azy aho raha mbola velona koa.
\s5
\v 3 Namatotra ahy ireo tadin'ny fahafatesana, ary ny fandriky ny Fiainan-tsy hita dia nanatrika ahy, nahatsiaro fangirifiriana sy alahelo aho.
\v 4 Dia niantso ny anaran'i Yaveh aho nanao hoe: "Miangavy ry Yaveh, avoty ny aiko."
\s5
\v 5 Yaveh dia be famindram-po ary tsy mitanila; ny Andriamanitsika dia be fangoraham-po.
\v 6 Yaveh dia miaro ny bado; nambaniana aho, ary namonjy ahy Izy.
\s5
\v 7 Afaka miverina any amin'ny toerana fitsaharana ny fanahiko, satria Yaveh efa nanao soa tamiko.
\v 8 Fa Ianao nanavotra ny aiko tamin'ny fahafatesana, ny masoko tamin'ny ranomaso, ary ny tongotro tsy ho tafintohina.
\s5
\v 9 Hanompo an'i Yaveh any amin'ny tanin'ny velona aho.
\v 10 Nino Azy aho, na rehefa niteny aza aho hoe: "Tena ory aho."
\v 11 Niteny tsy amin-piheverana aho hoe: "Mpandainga ny olona rehetra."
\s5
\v 12 Ahoana no ahafahako manefa an'i Yaveh ny hatsaram-panahiny rehetra tamiko?
\v 13 Hatsangako ny kapoaky ny famonjena, ary antsoiko ny anaran'i Yaveh.
\v 14 Ho tanterahiko ireo voadiko nataoko tamin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakany rehetra.
\v 15 Sarobidy teo imason'i Yaveh ny fahafatesan'ireo olo-masiny.
\s5
\v 16 Eny tokoa, ry Yaveh, mpanomponao aho; mpanomponao aho; zanaka lahin'ny mpanompo vavinao; nesorinao ireo fatotro.
\v 17 Hanolotra ny sorom-pisaorana ho Anao aho ary hiantso ny anaran'i Yaveh.
\s5
\v 18 Ho tanterahiko ireo voadiko tamin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakany rehetra,
\v 19 teo an-tokontanin'ny tranon'i Yaveh, teo aminao, ry Jerosalema. Derao Yaveh.
\s5
\c 117
\p
\v 1 Miderà ani Yaveh, ianareo ry firenena rehetra; asandrato Izy, ianareo vahoaka rehetra.
\v 2 Satria ny famindram-pony dia lehibe eo anatrehantsika, ary maharitra mandrakizay ny fahamendreham-pitokian'i Yaveh. Derao i Yaveh.
\s5
\c 118
\p
\v 1 Misaora an'i Yaveh, fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\v 2 Aoka Israely hiteny hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony."
\s5
\v 3 Aoka ny ankohonan'i Arona hilaza hoe: "Ny fanekeny mahatoky dia maharitra mandrakizay,"
\v 4 Aoka ireo izay manompo an'i Yaveh hilaza hoe: "Maharitra mandrakizay ny famindram-pony."
\s5
\v 5 Niantso an'i Yaveh tao anaty fahoriako aho; namaly ahy Yaveh ary nanafaka ahy.
\v 6 Momba ahy Yaveh: tsy hatahotra aho; hanao inona amiko ny olombelona?
\v 7 Mpamonjy eo anilako Yaveh; hahita fandresena amin'ireo izay mankahala ahy aho.
\s5
\v 8 Tsara kokoa ny mialoka eo amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'olombelona.
\v 9 Tsara kokoa ny mitoetra ao amin'i Yaveh toy izay mametraka fitokiana amin'ny andrian-dahy.
\s5
\v 10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo.
\v 11 Nanodidina ahy izy ireo; eny, nanodidina ahy izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo.
\v 12 Nanodidina ahy toy ny tantely izy ireo; nanjavona haingana toy ny afo teo amin'ny tsilo izy ireo; ho tapahiko amin'ny anaran'i Yaveh izy ireo.
\s5
\v 13 Nanafika ahy izy ireo mba handavo ahy, saingy nanampy ahy i Yaveh.
\v 14 Yaveh no heriko sy fifaliako, ary Izy ilay tokana mpanavotra ahy.
\s5
\v 15 Heno ao amin'ny lain'ny fahamarinana ny hiakam-pifalian'ny fandresena; nandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh.
\v 16 Asandratra ny tanan-kavanan'i Yaveh; mandresy ny tanan-kavanan'i Yaveh.
\s5
\v 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona ary hanambara ireo asan'i Yaveh.
\v 18 Efa nosazian'i Yaveh mafy aho; saingy tsy nanolotra ahy ho faty Izy.
\s5
\v 19 Sokafy ho ahy ireo vavahadin'ny fahamarinana; hiditra ao amin'izany aho ary hisaotra an'i Yaveh.
\v 20 Izany no vavahadin'i Yaveh; ny olo-marina no miditra ao.
\v 21 Hisaotra Anao aho, satria namaly ahy Ianao, ary tonga famonjena ho ahy Ianao.
\s5
\v 22 Ilay vato izay nolavin'ny mpanao trano dia tonga vato fehizoro.
\v 23 Izany no nataon'i Yaveh; mahagaga eo imasontsika izany.
\s5
\v 24 Ity ilay andro izay nataon'i Yaveh; hifaly sy ho ravoravo amin'izany isika.
\v 25 Miangavy ry Yaveh, omeo fandresena izahay! Miangavy ry Yaveh, omeo fahombiazana izahay!
\s5
\v 26 Ho tahiana izy izay ho avy amin'ny anaran'i Yaveh; ho tahianay amin'ny tranon'i Yaveh ianao.
\v 27 Yaveh no Andriamanitra, ary efa nanome fahazavana ho anay Izy; namatotra ilay sorona tamin'ireo tady teo amin'ireo tandroky ny alitara.
\v 28 Ianao no Andriamanitro, ary hisaotra Anao aho; Ianao no Andriamanitro; hanandratra Anao aho.
\s5
\v 29 Oh, misaora an'i Yaveh; fa tsara Izy; fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\c 119
\p
\v 1 ALEFA. Sambatra ireo izay tsy misy tsiny ny lalany, izay mandeha amin'ny lalàn'i Yaveh.
\v 2 Sambatra ireo izay mitandrina ny didy masiny, izay mitady Azy amin'ny fony ireo manontolo.
\s5
\v 3 Tsy mba manao ratsy izy ireo; fa mandeha amin'ny lalany.
\v 4 Nandidy anay hihazona ny fampianaranao Ianao mba hitandremanay tsara izany.
\s5
\v 5 Endrey, te ho tafatoetra mafy amin'ny fitandremana ny didinao aho!
\v 6 Dia tsy ho menatra aho raha misaina ny amin'ireo didinao rehetra.
\s5
\v 7 Hanolotra fisaorana ho Anao amin'ny fo mahitsy aho rehefa mianatra ny lalà-marinao.
\v 8 Hitandrina ny didinao aho; aza mamela ahy ho irery. BETA.
\s5
\v 9 Ahoana no hitandreman'ny tanora ny lalany mba hadio? Amin'ny fankatoavana ny teninao.
\v 10 Amin'ny foko manontolo no hitadiavako Anao; aza mamela ahy hania hiala amin'ny didinao.
\s5
\v 11 Noraketiko ato am-poko ny teninao mba tsy hanotako aminao.
\v 12 Deraina Ianao, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho.
\s5
\v 13 Tamin'ny vavako no nitoriako ny lalà-marina rehetra izay nasehonao.
\v 14 Miravoravo amin'ny lalan'ny didim-panekenao mihoatra noho ny amin'ny harena rehetra aho.
\s5
\v 15 Hisaintsaina ny fampianaranao aho ka hitandrina ny ireo lalanao.
\v 16 Mankamamy ny didinao aho; tsy hanadino ny teninao. GIMELA.
\s5
\v 17 Manehoa halemem-panahy amin'ny mpanomponao mba hahavelomako sy hitandremako ny teninao.
\v 18 Sokafy ny masoko mba hahitako ireo zava-mahatalanjona amin'ny lalànao.
\s5
\v 19 Vahiny an-tany aho; aza mampiery ny didinao hiala amiko.
\v 20 Torotoron'ny fitadiavana fatratra ny hahalala ny lalà-marinao mandrakariva ny faniriako.
\s5
\v 21 Mananatra ny mpirehareha, izay voaozona, ka maniasia miala amin'ny didinao Ianao.
\v 22 Alao amin'ny fahafam-baraka sy ny henatra aho, fa nanoa ny didim-panekenao aho.
\s5
\v 23 Na dia manao teti-dratsy ka manendrikendrika ahy aza ireo mpanapaka, dia misaintsaina ny lalànao ny mpanomponao.
\v 24 Ny didim-panekenao no mamiko indrindra, ary ireo no mpanolo-tsaina ahy. DALETA.
\s5
\v 25 Miraikitra amin'ny vovoka ny aiko! Omeo fiainana amin'ny teninao aho.
\v 26 Nambarako taminao ny lalako, dia namaly ahy Ianao; ampianaro ny didinao aho.
\s5
\v 27 Ataovy mahatakatra ny lalan'ny fampianaranao aho, mba hahafahako mandinika ny fampianara-mahagaganao.
\v 28 Difotry ny alahelo aho! Atanjaho amin'ny teninao aho.
\s5
\v 29 Esory hiala amiko ny lalan'ny fitaka; ampianaro ahy am-pahasoavana ny lalànao.
\v 30 Nofidiako ny lalan'ny fahatokiana; efa nitandrina ny lalà-marinao teo anatrehako lalandava aho.
\s5
\v 31 Ireo didim-panekenao no ifikirako; Yaveh o, aza avela hangahiahy aho.
\v 32 Hihazakazaka eo amin'ny lalan'ny didinao aho, fa ianao no manitatra ny foko hanao izay. HE.
\s5
\v 33 Ampianaro ny lalan'ny didinao aho, ry Yaveh, dia ho tandremako hatramin'ny farany izany.
\v 34 Omeo fahazavan-tsaina aho, dia hitandrina ny lalànao; izany no ho saintsainiko amin'ny foko manontolo.
\s5
\v 35 Tariho amin'ny lalan'ny didinao aho, fa mamiko ny mandeha amin'izany.
\v 36 Tariho any amin'ny didim-panekenao ny foko ary lavitry ny harena tsy marina.
\s5
\v 37 Ahodino ny masoko tsy hijery zava-poana; velombelomy amin'ny lalanao indray aho.
\v 38 Tanteraho ho an'ny mpanomponao ny fampanantenanao izay nataonao tamin'ireo izay manaja Anao.
\s5
\v 39 Esory lavitra ny faniratsirana atahorako mafy, fa tsara ny fitsarana marinao.
\v 40 Indro, naniry fatratra ny fampianaranao aho; velombelomy amin'ny fahamarinanao aho. VAO.
\s5
\v 41 Yaveh ô, omeo ahy ny fitiavanao tsy mety levona— ny famonjenao, araka ny fampanantenanao;
\v 42 dia ho voavaliko ilay iray izay manamavo ahy, fa ny teninao no hitokiako.
\s5
\v 43 Aza esorina amin'ny vavako ny teny fahamarinana, fa efa niandry ny lalà-marinao aho.
\v 44 Hitandrina ny lalànao hatrany aho, mandrakizay doria.
\s5
\v 45 Andeha am-pilaminana aho, fa mitady ny fampianaranao.
\v 46 Hilaza momba ny didy masinao eo anatrehan'ireo mpanjaka aho ka tsy mba ho menatra.
\s5
\v 47 Mamiko ny didinao, izay lalaiko fatratra.
\v 48 Hanandratra ny tanako ho amin'ny didinao aho, izay tiako; hisaintsaina ny lalànao aho. ZAINA.
\s5
\v 49 Tsarovy ny fampanantenanao tamin'ny mpanomponao satria nomenao fanantenana aho.
\v 50 Izao no fiononana ho ahy amin'ny fahoriako: ny fampanantenanao no mbola nahavelona ahy.
\s5
\v 51 Nanesoeso ahy ny mpirehareha, kanefa tsy mba niala tamin'ny lalànao aho.
\v 52 Nieritreritra momba ny lalà-marinao fahizay aho, ry Yaveh, ka mampahery ny tenako.
\s5
\v 53 Nihazona ahy ny fahatezerana mahamay nohon'ny ratsy fanahy izay mandà ny lalànao.
\v 54 Ireo didinao no hirako tao amin'ny trano izay honenako vetivety foana.
\s5
\v 55 Misaintsaina ny anaranao mandritra ny alina aho, ry Yaveh, ka mitandrina ny lalànao.
\v 56 Izany no fataoko satria nitandrina ireo fampianaranao aho. HETA.
\s5
\v 57 Yaveh no anjarako; efa ninia ny hitandrina ny teninao aho.
\v 58 Mitady fatratra ny sitrakao amin'ny foko manontolo aho; miantrà ahy, araka ny nampanantenain'ny teninao.
\s5
\v 59 Nandinika ny lalako aho ary nampivily ny tongotro ho eo amin'ny didim-panekenao.
\v 60 Maika aho sady tsy mitaredretra amin'ny fitandremana ny didinao.
\s5
\v 61 Naningotra ahy ny tadin'ny ratsy fanahy; fa tsy nanadino ny lalànao aho.
\v 62 Amin'ny misasak'alina no hitsanganako hanome fisaorana Anao nohon'ny lalànao marina.
\s5
\v 63 Naman'ireo rehetra izay manaja Anao aho, dia ireo rehetra izay mitandrina ny fampianaranao.
\v 64 Heniky ny fanekena mahatokinao ny tany, ry Yaveh; ampianaro ny didinao aho. TETA.
\s5
\v 65 Nanao soa tamin'ny mpanomponao Ianao, ry Yaveh, tamin'ny alalan'ny teninao.
\v 66 Ampianaro ahy ny fahaiza-manavaka tsara sy ny fahazavan-tsaina, fa efa nino ny didinao aho.
\s5
\v 67 Talohan'ny nampahoriana ahy dia nania aho, fa ankehitriny dia mitandrina ny teninao aho.
\v 68 Tsara Ianao, ary Ianao ilay iray izay manao ny tsara; ampianaro ny didinao aho.
\s5
\v 69 Naningotra ahy tamin'ny lainga ny mpiavonavona, saingy mitandrina ny fampianaranao amin'ny foko manontolo aho.
\v 70 Mihamafy ny fon'izy ireo, fa mamiko ny lalànao.
\s5
\v 71 Soa ho ahy ny nijaliako mba hianarako ny didinao.
\v 72 Ny fampianarana avy amin'ny vavanao dia sarobidy lavitra noho ny volamena sy volafotsy madinika an'arivony ho ahy. JODA.
\s5
\v 73 Ny tananao no nanao sy namolavola ahy; omeo fahazavan-tsaina aho mba hianarako ny didinao.
\v 74 Ireo izay manaja Anao dia ho faly raha mahita ahy satria amin'ny teninao no ahitako fanantenana.
\s5
\v 75 Fantatro, ry Yaveh, fa marina ny lalànao, ary tamin'ny fahatokiana no nampahorianao ahy.
\v 76 Aoka ny fanekena mahatokinao no hampahery ahy, araka ny nampanantenanao tamin'ny mpanomponao.
\s5
\v 77 Menehoa fangorahana amiko mba ho velona aho, fa ny lalànao no mamiko.
\v 78 Aoka ho menatra ny mpirehareha, fa nanendrikendrika ahy izy ireo; fa izaho kosa dia hisaintsaina ny fampianaranao.
\s5
\v 79 Hitodika amiko anie ireo izay manaja anao; dia ireo izay mahafantatra ny didim-panekenao.
\v 80 Tsy hisy tsiny anie ny foko nohon'ny lalàna mba tsy ho menatra aho. KAFA.
\s5
\v 81 Ketraky ny fiandrasana fatratra ny hamonjenao ahy aho! Ao amin'ny teninao no hananako fanantenana.
\v 82 Maniry fatratra ny hahita ny fampanantenanao ny masoko; rahoviana Ianao no hampionona ahy?
\s5
\v 83 Fa nanjary tahaka ny sinin-divay hoditra anaty setroka aho; fa tsy mba manadino ny lalànao aho.
\v 84 Ho mandra-pahoviana no hiaretan'ny mpanomponao an'izao; rahoviana Ianao vao hitsara ireo izay manenjika ahy?
\s5
\v 85 Nihady lavaka ho ahy ny mpirehareha, sady nanohitra ny lalànao.
\v 86 Azo ianteherana ny didinao rehetra; manenjika ahy amin'ny tsy antony ireo olona ireo; ampio aho.
\s5
\v 87 Efa saiky nanapitra ny aiko tety an-tany ireo, saingy tsy mahafoy ny fampianaranao aho.
\v 88 Amin'ny fitiavanao tsy mivadika, velomy aho, mba hankatoavako ny didinao. LAMEDA.
\s5
\v 89 Yaveh o, mitoetra mandrakizay ny teninao; miorina mafy any an-danitra ny teninao.
\v 90 Maharitra ho an'ny taranaka rehetra ny fahatokianao; Ianao no nanorina ny tany, ary mitoetra izany.
\s5
\v 91 Mitohy mandrak'ankehitriny ny zavatra rehetra, araka izay voalazanao ao amin'ny lalà-marinao, fa mpanomponao ny zavatra rehetra.
\v 92 Raha tsy sitrako ny didinao, dia efa matin'ny fahoriako aho tahaka izay.
\s5
\v 93 Tsy ho adinoiko mandrakizay ny fampianaranao, fa tamin'ireo no namelomanao ahy.
\v 94 Anao aho; vonjeo aho, fa mikatsaka ny fampianaranao.
\s5
\v 95 Mivonona hamotika ahy ny ratsy fanahy, fa hikatsaka ny hahalala ny didim-panekenao aho.
\v 96 Hitako fa misy fetrany avokoa ny zava-drehetra, fa midadasika, tsy misy fetra ny didinao. MEMA.
\s5
\v 97 Endrey ny fitiavako ny lalànao! Izany no saintsainiko tontolo andro.
\v 98 Mahendry ahy mihoatra ireo fahavaloko ny didinao, fa miaraka amiko mandrakariva ny didinao.
\s5
\v 99 Manana fahazavan-tsaina mihoatra ireo mpampianatro rehetra aho, fa misaintsaina ny didim-panekenao.
\v 100 Mahatakatra mihoatra ireo izay be taona no izaho aho; izany dia satria nitandrina ireo fampianaranao aho.
\s5
\v 101 Niaro ny tongotro hiala amin'ny lalan-dratsy rehetra aho mba hitandremako ny teninao.
\v 102 Tsy nivily lalana niala tamin'ny lalà-marinao aho, fa Ianao no nampianatra ahy.
\s5
\v 103 Endrey ny hamamin'ny teninao raha andramako, eny, mamy mihoatra ny tantely amin'ny vavako!
\v 104 Amin'ny fampianaranao no ahazoako fahaiza-manavaka; noho izany dia halako ny lalan-diso rehetra. NONA.
\s5
\v 105 Fanilo ho an'ny tongotro ary jiro ho an'ny lalako ny teninao.
\v 106 Efa nianiana aho ary nohamafisiko izany, fa hitandrina ny lalà-marinao aho.
\s5
\v 107 Tena ory tokoa aho; velomy aho, ry Yaveh, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao.
\v 108 Yaveh o, mba ekeo re ny fanati-tsitrapo avy amin'ny vavako, ary ampianaro ny lalà-marinao aho.
\s5
\v 109 Eo an-tanako lalandava ny aiko, kanefa tsy mba manadino ny lalànao aho.
\v 110 Nanao vela-pandrika ho ahy ny ratsy fanahy, fa tsy naniasia hiala amin'ny fampianaranao aho.
\s5
\v 111 Ambarako ho lovako mandrakizay ny didim-panekenao.
\v 112 Tafatoetra amin'ny fanoavana ny didinao mandrakizay hatramin'ny farany indrindra ny foko. SAMEKA.
\s5
\v 113 Halako ireo miroroa-saina, fa tiako ny lalànao.
\v 114 Ianao no toerana fiafenako sy ampingako; miandry ny teninao aho.
\s5
\v 115 Mialà amiko, ianareo ry mpanao ratsy, mba hitandremako ny didin'Andriamanitro.
\v 116 Tohano amin'ny alalan'ny teninao aho mba ho velona ka tsy ho menatra amin'ny fanantenako.
\s5
\v 117 Tohano aho, dia hiadana; hisaintsaina ny lalànao mandrakariva aho.
\v 118 Lavinao ireo rehetra maniasia miala amin'ny didinao, fa mpamitaka sady tsy azo itokiana ireny olona ireny.
\s5
\v 119 Esorinao tahaka ny tain-drendrika ny ratsy fanahin'ny tany rehetra; noho izany dia tiako ny didy masinao.
\v 120 Mangovingovitry ny tahotra Anao ny vatako, ary matahotra ny lalà-masinao aho. AINA.
\s5
\v 121 Manao izay rariny sy marina aho; aza mahafoy ahy ho any amin'ny mpampahory ahy.
\v 122 Omeo antoka ny fanambinan'ny mpanomponao; aza avela hampahory ahy ny mpirehereha.
\s5
\v 123 Miha-reraka ny masoko eo am-piandrasana ny famonjenao sy ny teny marinao.
\v 124 Asehoy ny mpanomponao ny fanekena mahatokinao, ary ampianaro ny didinao aho.
\s5
\v 125 Mpanomponao aho; omeo fahazavan-tsaina aho mba hahalalako ny didim-panekenao.
\v 126 Fotoana hiasan'i Yaveh izao, fa nandika ny lalànao ny olona.
\s5
\v 127 Tiako mihoatra noho ny volamena ny didinao, mihoatra noho ny volamena tsara indrindra.
\v 128 Noho izany dia manaraka tsara ny fampianaranao rehetra aho, ary halako ny lalam-pitaka rehetra. PE.
\s5
\v 129 Mahagaga ny fitsipikao, izany no antony hankatoavako ireo.
\v 130 Ny fampiharihariana ny teninao no manome fahazavana; manome fahazavan-tsaina ho an'izay tsy nampianarina izany.
\s5
\v 131 Sokafako ny vavako ka misanasana, fa maniry mafy ny didinao aho.
\v 132 Mitodiha amiko ary mamindrà fo amiko, araka ny ataonao mandrakariva amin'ireo izay tia ny anaranao.
\s5
\v 133 Ampizory amin'ny teninao ny tongotro; aza avela hisy fahotana hanapaka ahy.
\v 134 Avoty amin'ny fampahorian'ny olombelona aho mba hitandremako ny fampianaranao.
\s5
\v 135 Aoka hamirapiratra amin'ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny didinao.
\v 136 Ranomaso mandriaka no miraradraraka amin'ny masoko satria tsy mitandrina ny lalànao ny olona. TSADE.
\s5
\v 137 Marina Ianao, ry Yaveh, ary rariny ny didinao.
\v 138 Nomenao am-pahamarinana sy am-pahatokiana ny didim-panekenao.
\s5
\v 139 Nandravarava ahy ny hatezerana satria manadino ny teninao ny mpifanandrina amiko.
\v 140 Efa voazaha-toetra tsara ny teninao, ary tian'ny mpanomponao izany.
\s5
\v 141 Tsy dia misy dikany aho sady namavoina, kanefa tsy mba manadino ny fampianaranao aho.
\v 142 Marina mandrakizay ny fitsaranao, ary mendri-pitokiana ny lalànao.
\s5
\v 143 Na nahazo ahy aza ny fahoriana sy ny fangirifiriana, dia mbola mamiko hatrany ny didinao.
\v 144 Marina mandrakizay ny didim-panekenao; omeo fahazavan-tsaina aho mba ho velona. KOFA.
\s5
\v 145 Nihiakiaka tamin'ny foko manontolo aho hoe: "Valio aho, ry Yaveh, dia hitana ny lalànao.
\v 146 Miantso Anao aho; vonjeo aho, dia hitandrina ny didim-panekenao."
\s5
\v 147 Mifoha mialohan'ny mangiran-dratsy aho ary mihiaka famonjena. Ao amin'ny teninao ny fanantenako.
\v 148 Mihiratra mialohan'ny hiovan'ny fiambenan'ny alina ny masoko mba hisaintsainako ny teninao.
\s5
\v 149 Mandrenesa ny feoko amin'ny fanekana mahatokinao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tao amin'ny lalà-marinao.
\v 150 Miha-manakaiky ahy ireo izay manenjika ahy, saingy lavitry ny lalànao ireo.
\s5
\v 151 Akaiky Ianao, ry Yaveh, ary azo itokiana ny didinao rehetra.
\v 152 Nianatra avy tamin'ny didim-panekenao izay napetrakao tamin'ny toerany mandrakizay hatry ny elabe aho. RESY.
\s5
\v 153 Jereo ny fahoriako ka ampio aho, fa tsy mba manadino ny lalànao aho.
\v 154 Misoloa vava ahy ka avoty aho; tano aho, araka izay nampanantenainao tamin'ny teninao.
\s5
\v 155 Lavitra an'ireo ratsy fanahy ny famonjena, fa tsy tia ny didinao ireo.
\v 156 Lehibe ny famindram-ponao, ry Yaveh o; velomy aho, araka ny ataonao mandrakariva.
\s5
\v 157 Maro ny mpanenjika ahy sy ny fahavaloko, kanefa tsy niala tamin'ny didim-panekenao aho.
\v 158 Feno rikoriko ny fijeriko an'ireo mpamadika satria tsy mitandrina ny teninao izy ireo.
\s5
\v 159 Endrey ny fitiavako ny fampianaranao; velomy aho, ry Yaveh, araka ny nampanantenainao tamin'ny fanekena mahatokinao.
\v 160 Fahamarinana no loharanon'ny teninao; maharitra mandrakizay ny lalà-marinao tsirairay. SINA.
\s5
\v 161 Manenjika tsy ahoan-tsy ahoana ireo andriana; dia mangorohoro ny foko, matahotra ny tsy hanoa ny teninao.
\v 162 Miravoravo amin'ny teninao tahaka ny olona iray izay mahazo babo lehibe aho.
\s5
\v 163 Halako sady hamavoiko ny fitaka, fa tiako ny lalànao.
\v 164 Impito isan'andro no hiderako Anao nohon'ny lalà-marinao.
\s5
\v 165 Fiadanana lehibe no hananan'ireo izay tia ny lalànao; tsy misy mahatafintohina azy ireo.
\v 166 Miandry ny famonjenao aho, ry Yaveh, ary manoa ny didinao.
\s5
\v 167 Mitandrina ny didy masinao aho, ary tiako fatratra ireo.
\v 168 Mihazona ny fampianaranao sy ny didy masinao aho, fa fantatrao izay rehetra ataoko. TAV.
\s5
\v 169 Mihainoa ny antso vonjiko, ry Yaveh; omeo fahazavan-tsaina ao amin'ny teninao aho.
\v 170 Ho tonga eo aminao anie ny fangatahako; ampio aho, araka ny efa nampanantenainao tamin'ny teninao.
\s5
\v 171 Hiboiboika fiderana anie ny molotro, fa ampianarinao ahy ny didinao.
\v 172 Aoka ny lelako hihira ny amin'ny teninao, fa marina avokoa ny didinao rehetra.
\s5
\v 173 Hanampy ahy anie ny tananao, fa nifidy ny fampianaranao aho.
\v 174 Maniry fatratra ny fanavotanao aho, ry Yaveh, ary ny lalànao no mamiko.
\s5
\v 175 Ho velona anie aho ka hidera anao, ary hanampy ahy anie ny lalà-marinao.
\v 176 Efa nirenireny tahaka ny ondry very aho; tadiavo ny mpanomponao, fa tsy mba nanadino ny didinao aho.
\s5
\c 120
\p Hira fiakarana.
\v 1 Niantso an'i Yaveh aho tao anatin'ny fahoriako, ka namaly ahy Izy.
\v 2 Avoty ny aiko, ry Yaveh, amin'ireo mandainga amin'ny molotra ary mandiso fanantenana amin'ny lelany.
\s5
\v 3 Ahoana ny fomba hanasaziany anareo, ary inona no mbola ho ataony anareo, ianareo izay manana lela mpandainga?
\v 4 Ho saziany amin'ny zana-tsipìkan'ny mpiady izay norangitina tamin'ny vainafon'anjavidy ianareo.
\s5
\v 5 Lozako fa nipetraka vonjimaika tao Maseka aho; teo aloha aho nipetraka tamin'ireo lain'ny Kedarita.
\v 6 Efa niaina maharitra niaraka tamin'ireo izay mankahala filaminana aho.
\v 7 Izaho dia tia filaminana, saingy rehefa miteny aho, dia ho amin'ny ady izy ireo.
\s5
\c 121
\p
\v 1 Hira fiakarana. Hanopy ny masoko any an-tendrombohitra aho. Avy aiza moa ny famonjena ahy?
\v 2 Ny famonjena ahy dia avy amin'i Yaveh, izay nahary ny lanitra sy ny tany.
\s5
\v 3 Izy dia tsy hamela ny tongotrao hibolisatra; Izy izay miaro anao dia tsy ho remana.
\v 4 Indro, ny mpiandrin'Israely tsy mba rendremana na matory mihitsy.
\s5
\v 5 Yaveh no mpiandry anao; Yaveh no aloka eo ankavananao.
\v 6 Tsy hanimba anao ny masoandro nony andro, na ny volana nony alina.
\s5
\v 7 Yaveh hiaro anao amin'ny loza rehetra, ary hiaro ny ainao Izy.
\v 8 Yaveh hiaro anao amin'ny zavatra rehetra ataonao anio ka ho mandrakizay.
\s5
\c 122
\p Hira fiakarana, nataon'i Davida.
\v 1 Faly aho rehefa nilaza tamiko izy ireo hoe: "Andeha isika ho ao an-tranon'i Yaveh."
\v 2 Ry Jerosalema, ny tongotray dia migadona ato amin'ny vavahadinao!
\v 3 Ry Jerosalema, izay namboarina toy tanàna voalamina tsara!
\s5
\v 4 Ireo fokon'i Yaveh niakatra tany Jerosalema—ireo fokon'i Yaveh—mba ho fijoroana vavolombelona ho an'Israely, hanomezana fisaorana ny anaran'Yaveh.
\v 5 Napetraka tany ireo seza fiandrianan'ny fitsarana, seza fiandrianan'ny tranon'i Yaveh.
\s5
\v 6 Mivavaha ho amin'ny fiadanan'ny Jerosalema! "Aoka izay tianao hanana fiadanana.
\v 7 Aoka hisy fiadanana ao amin'ireo manda izay miaro anao, ary aoka izy ireo hanana fiadanana ao amin'ny fiarovana mafinao."
\s5
\v 8 ho an'ireo rahalahiko sy ireo namako dia hiteny aho hoe: "Ho eo aminareo anie ny fiadanana."
\v 9 Ho an'ny tranon'i Yaveh Andriamanintsika, dia hitady ny mahasoa anareo aho.
\s5
\c 123
\p Fihirana fiakarana.
\v 1 Aminao no hanandratako ny masoko, Ianao izay mipetraka eo amin'ny seza fiandrianana any an-danitra.
\v 2 Indro, raha mijery ny tanan'ny tompony ny mason'ireo mpanompo lahy, raha mijery ny tanan'ny tompovaviny ny mason'ireo mpanompo vavy, dia mijery an'i Yaveh Andriamanitsika ny masontsika mandra-pamindràny fo amintsika.
\s5
\v 3 Manàna famindram-po aminay, Yaveh o, manàna famindram-po aminay, fa feno fanalam-baraka izahay.
\v 4 Mihoatra lavitra noho ny feno ny faneson'ny mpanivaiva sy ny fanamavoan'ny mpirehareha izahay.
\s5
\c 124
\p Fihirana fiakarana; nataon'i Davida.
\v 1 "Raha tsy teo anilantsika Yaveh," dia aoka Israely hiteny hoe:
\v 2 "raha tsy Yaveh no teo anilantsika rehefa nitsangana nanohitra antsika ny olona,
\v 3 dia nihinana antsika velona izy ireo rehefa nirehitra tamintsika ny hatezeran'izy ireo.
\s5
\v 4 Mety efa voafafan'ny rano isika; ary nanafotra antsika ny riaka.
\v 5 Avy eo ny rano misamboaravoara nahafaty antsika."
\s5
\v 6 Isaorana anie Yaveh, ilay namela antsika ho rembin'ny nifin'izy ireo.
\v 7 Efa tafatsoaka toy ny vorona teo amin'ny fandrik'ireo mpihaza isika; simba ilay fandrika, ary afa-nandositra isika.
\s5
\v 8 Ao amin'i Yaveh, izay nahary ny lanitra sy ny tany no famonjena antsika.
\s5
\c 125
\p Fihirana fiakarana.
\v 1 Ireo izay mahatoky an'i Yaveh dia tahaka ny Tendrombohitra Ziona, tsy azo hozongozonina, maharitra mandrakizay.
\v 2 Tahaka ireo tendrombohitra manodidina an'i Jerosalema, no hiodidinan'i Yaveh ny vahoakany ankehitriny sy mandrakizay.
\v 3 Tsy tokony hanapaka ao amin'ny tanin'ny marina ny tehin'ny mpanao ratsy. Raha tsy izany dia mety hanao ratsy ny marina.
\s5
\v 4 Manaova ny tsara, amin'ireo izay tsara sy ireo izay mahitsy ao am-pon'izy ireo.
\v 5 Fa raha ny amin'ireo izay miala amin'ny lalan-dratsin'izy ireo, dia hitarika azy ireo lavitra an'ireo mpanao ratsy Yaveh. Ho amin'Israely anie ny fiadanana.
\s5
\c 126
\p
\v 1 Fihirana fiakarana. Rehefa namerina ny haren'i Ziona i Yaveh, dia toy ireo manonofy isika.
\s5
\v 2 Avy eo feno fihomehezana ny vavantsika ary hira ny lelantsika. Dia hoy izy ireo tamin'ireo firenena hoe: "Nanao zavatra lehibe ho azy ireo Yaveh."
\v 3 Nanao zavatra lehibe ho antsika Yaveh; endrey izany hafaliantsika!
\s5
\v 4 Yaveh o, avereno ny harenay, tahaka ny riaka ao Negeva.
\v 5 Ireo izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja amin'ny hiakam-pifaliana.
\v 6 Izay mandeha mitomany, mitondra voa hafafy, dia hiverina amin'ny hikam-pifaliana indray, mitondra ny amboarany miaraka aminy.
\s5
\c 127
\p
\v 1 Fihirana sy fiakarana, nataon'i Solomona. Raha tsy Yaveh no manorina ny trano, dia miasa foana izy ireo, izay manorina izany. Raha tsy Yaveh no miandry ny tanàna, dia mijoro miambina foana ny mpiambina.
\v 2 Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina, sy hody tara any an-trano, na hihinana ny mofon'ny asa mafy, satria Yaveh no manome ho an'ny malalany raha matory izy ireo.
\s5
\v 3 Indro, lova avy amin'i Yaveh ny zanaka, ary tambiny avy Aminy ny vokatry ny kibo.
\v 4 Tahaka ny tsipìka eny an-tanan'ny mpiady, dia toy izany koa ireo zanaky ny fahatanorana.
\v 5 Akory ny hasambaran'ny olona izay manana ny tranon-jana-tsipìkany feno an'ireny. Tsy ho menatra izy rehefa miatrika ireo fahavalony eo am-bavahady.
\s5
\c 128
\p Fihirana fiakarana.
\v 1 Sambatra ny rehetra izay manome voninahitra an'i Yaveh, izay mandeha amin'ny lalany.
\v 2 Izay omen'ny tananao, dia hankafizinao; ho sambatra sy hambinina ianao.
\s5
\v 3 Ho tahaka ny voaloboka mamokatra ao an-tranonao ny vadinao; ho tahaka ny zanak'oliva ireo zanakao raha mipetraka manodidina ny latabatrao izy ireo.
\v 4 Eny, ho sambatra tokoa ny olona izay manome voninahitra an'i Yaveh.
\v 5 Hitahy anao avy any Ziona anie Yaveh; hahita ny fanambinan'i Jerosalema mandritry ny androm-piainanao rehetra anie ianao.
\v 6 Ho velona anie ianao mba hahita ireo zafikelinao. Ho amin'Israely anie ny fiadanana.
\s5
\c 129
\p Fihirana fiakarana.
\v 1 Aoka Israely hiteny hoe: "Matetika hatramin'ny fahatanorako dia nanafika ahy izy ireo."
\v 2 "Matetika hatramin'ny fahatanorako dia nanafika ahy izy ireo, nefa tsy nandresy ahy izy ireo.
\v 3 Nangady ny lamosiko ireo mpangady; nataon'izy ireo lava ny vavasany.
\s5
\v 4 Marina Yaveh; nanapaka ny tadin'ilay ratsy Izy."
\v 5 Aoka ho alaina baraka avokoa izy rehetra ary hiverina, dia ireo izay mankahala an'i Ziona.
\s5
\v 6 Ho tahaka ny ahitra eny an-tampon-trano izay malazo mialohan'ny hitomboan'izany anie izy ireo,
\v 7 izay tsy afaka mameno ny tanan'ny mpijinja na ny tratran'izay mifehy amboara.
\v 8 Aoka ireo izay mandalo tsy hiteny hoe: "Aoka ho aminao ny tso-dranon'i Yaveh; mitso-drano anao amin'ny anaran'i Yaveh izahay."
\s5
\c 130
\p
\v 1 Fihirana fiakarana. Niantso Anao tao amin'ny lalina aho, ry Yaveh.
\v 2 Tompo o, henoy ny feoko; aoka hihaino tsara ny fangatahako famindram-po ny sofinao.
\s5
\v 3 Raha mandinika heloka Ianao, ry Yaveh, dia iza no hahatsangana, ry Tompo?
\v 4 Fa misy famelàna miaraka Aminao, mba ho voahaja Ianao.
\s5
\v 5 Miandry an'i Yaveh aho, miandry ny fanahiko, ary manantena ao amin'ny teniny aho.
\v 6 Miandry ny Tompo mihoatra noho ny mpiambina miandry ny maraina ny fanahiko.
\s5
\v 7 Ry Israely, manantenà an'i Yaveh. Mpamindra fo Yaveh, ary tena vonona hamela Izy.
\v 8 Izy no hanavotra ny Israely amin'ireo fahotana rehetra.
\s5
\c 131
\p Fihirana fiakarana; nataon'i Davida.
\v 1 Ry Yaveh, tsy mirehareha ny foko na miavonavona ny masoko. Tsy manana fanantenana lehibe ho an'ny tenako aho na miahiahy ny tenako amin'ireo zavatra izay mihoatra ahy.
\s5
\v 2 Fa nampionona sy nampangina ny fanahiko tokoa aho; toy ny zaza nisara-nono tamin'ny reniny, ny fanahiko ao anatiko dia toy ny zaza nisara-nono.
\v 3 Ry Israely, manantenà an'i Yaveh ankehitriny ary mandrakizay.
\s5
\c 132
\p Fihirana fiakarana.
\v 1 Ry Yaveh, nohon'ny amin'i Davida dia tsarovy ireo fahoriany rehetra.
\v 2 Tsarovy ny fomba nianianany tamin'i Yaveh, ny fomba nanaovany voady tamin'Ilay Maherin'i Jakoba.
\s5
\v 3 Hoy izy hoe: "Tsy hiditra ny tranoko aho na hankao am-pandriako,
\v 4 tsy hanome torimaso ny masoko aho na fialan-tsasatra ho an'ny hodi-masoko
\v 5 mandra-pahitako toerana ho an'i Yaveh, ilay tabernakely ho an'Ilay Maherin'i Jakoba."
\s5
\v 6 Indro, nandre momba izany tany Efrata izahay; nahita izany tany amin'ny sahan'i Jara isika.
\v 7 Handeha ho any amin'ny tabernakelin'Andriamanitra isika; hidera any amin'ny fitoeran-tongony isika.
\v 8 Mitsangàna, ry Yaveh, amin'ny toeram-pialan-tsasatrao, Ianao sy ny fiaran'ny herinao!
\s5
\v 9 Ho ampiakanjoana tsy fivadihana anie ireo mpisoronao; hihiaka fifaliana anie ireo mahatokinao.
\v 10 Nohon'ny amin'i Davida mpanomponao, dia aza miala amin'ny mpanjakanao voahosotra.
\s5
\v 11 Nianiana voady azo antoka tamin'i Davida i Yaveh, fianianana azo antoka izay tsy ho foanany hoe: "Hametraka iray amin'ireo taranakao ho eo amin'ny seza fiandriananao Aho.
\v 12 Raha mihazona ny fanekeko sy ireo lalàna izay hampianariko azy ireo zanakao lahy, dia hipetraka eo amin'ny seza fiandriananao mandrakizay ihany koa ny zanak'izy ireo.
\s5
\v 13 Azo antoka fa nifidy an'i Ziona i Yaveh, naniry azy ho an'ny toerany Izy.
\v 14 "Ity ny toeram-pitsaharako mandrakizay. Honina eto Aho, fa maniry azy Aho.
\s5
\v 15 Ho tahiako amin'ny famatsiana maro izy. Homeko fahafaham-po amin'ny mofo ny mahantrany.
\v 16 Hampiankanjoko famonjena ireo mpisorony, hihiaka fifaliana ireo mahatokiny.
\s5
\v 17 Any no hanaovako tandroka hitsimoka ho an'i Davida sy hametrahako jiro ho an'ny voahosotro.
\v 18 Hampiankanjoko henatra ireo fahavalony, fa eo aminy kosa no hamirapiratra ny satro-boninahiny."
\s5
\c 133
\p Fihirana fiakarana, nataon'i Davida.
\v 1 Indro, endrey ny hatsara sy hafinaritry ny mpirahalahy miara-monina!
\s5
\v 2 Tahaka ny diloilo tsara amin'ny loha araraka eo amin'ny volombava izany— volombavan'i Arona, ary avy eo araraka amin'ny moro-tongotry ny akanjo lavany izany.
\v 3 Tahaka ny andon'i Hermona izay miraraka amin'ny tendrombohitra Ziona izany. Fa teo no nandidin'i Yaveh ny fitahiana— fiainana mandrakizay.
\s5
\c 134
\p Fihirana fiakarana.
\v 1 Avia, misaora an'i Yaveh, ianareo mpanompon'i Yaveh rehetra, ianareo izay manompo mandritry ny alina ao an-tranon'i Yaveh.
\v 2 Asandrato any amin'ilay fitoerana masina ny tananareo ary misaora an'i Yaveh.
\s5
\v 3 Hitahy anareo avy any Ziona anie Yaveh, Izy izay nahary ny lanitra sy ny tany.
\s5
\c 135
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh. Miderà ny anaran'i Yaveh. Miderà Azy, ianareo ry mpanompon'i Yaveh,
\v 2 ianareo izay mijoro ao an-tranon'i Yaveh, ao an-kianjan'ny tranon'ny Andriamanintsika.
\s5
\v 3 Miderà an'i Yaveh, fa tsara Izy; mihirà fiderana ho an'ny anarany, fa mahafinaritra ny manao izany.
\v 4 Fa nisafidy an'i Jakoba ho an'ny tenany Yaveh, ary Israely ho fananany.
\s5
\v 5 Fantatrao fa lehibe Yaveh, ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
\v 6 Na inona na inona irian'i Yaveh, dia ataony any an-danitra, eto an-tany, eny amin'ireo ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
\s5
\v 7 Mitondra ny zavona avy lavitra Izy, manao tselatra miaraka amin'ny ranon'orana ary mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany.
\s5
\v 8 Namono ny voalohan-teraky ny Egypta Izy, na an'ny olona na biby.
\v 9 Nandefa famantarana sy fahagagana teo afovoanareo, Egypta Izy, nanohitra an'i Farao sy ireo mpanompony rehetra.
\s5
\v 10 Nanafika firenena maro sy namono mpanjaka mahery Izy,
\v 11 dia Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana ary ireo fanjakana rehetra ao Kanàna.
\s5
\v 12 Nomeny antsika ho lova ny tanin'izy ireo, lova ho an'Israely vahoakany.
\v 13 Ny anaranao, ry Yaveh, dia maharitra mandrakizay; ny lazanao, ry Yaveh, dia maharitra manerana ny taranaka rehetra.
\s5
\v 14 Fa miaro ny vahoakany Yaveh ary manana fangoraham-po amin'ireo mpanompony.
\v 15 Ny sampin'ireo firenena dia volafotsy sy volamena, asan'ny tanan'ireo olona.
\v 16 Manam-bava ireo sampy, fa tsy miteny; mana-maso izy ireo, fa tsy mahita;
\v 17 manan-tsofina izy ireo, fa tsy mandre, ary tsy misy fofon'aina ao ambavan'izy ireo.
\v 18 Ireo izay manao azy ireo dia tahaka azy ireo, tahaka ny olona rehetra izay mahatoky azy ireo.
\s5
\v 19 Ry taranak'Israely, misaora an'i Yaveh; ry taranak'i Arona, misaora an'i Yaveh.
\v 20 Ry taranak'i Levy, misaora an'i Yaveh; ianareo izay manome voninahitra an'i Yaveh, misaora an'i Yaveh.
\v 21 Isaorana anie Yaveh any Ziona, Izy izay monina any Jerosalema. Miderà an'i Yaveh
\s5
\c 136
\p
\v 1 Manolora fisaorana ho an'i Yaveh; fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay famindram-pony.
\v 2 Manolora fisaorana ho an'Andriamanitr'ireo andriamanitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\v 3 Manolora fisaorana ho an'ny Tompon'ny tompo, fa maharitra mandrakizay ny famindram_pony.
\s5
\v 4 Manolora fisaorana ho Azy fa Izy irery ihany no manao zava-mahagaga lehibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 5 fa tamin'ny fahendrena no nanaovany ny lanitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 6 Manolora fisaorana ho Azy ilay namelatra ny tany ambonin'ny rano, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 7 ho Azy ilay nanao fahazavana lehibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 8 Manolora fisaorana ho Azy ilay nanome ny masoandro mba hanapaka amin'ny andro, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 9 ny volana sy ireo kintana mba hanapaka amin'ny alina, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 10 Manolora fisaorana ho Azy ilay namono ny lahimatoan'i Egypta, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 11 ary nitondra an'Israely nivoaka avy teo amin'izy ireo, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 12 tamin'ny tanana mahery sy sandry nisandratra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 13 Manolora fisaorana ho Azy ilay nanasaraka ny Ranomasina Mena, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 14 sy nampiapita an'Israely teo anelanelan'izany, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 15 fa kosa nandrendrika an'i Farao sy ny tafiny tao amin'ny Ranomasina Mena, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 16 Manomeza fisaorana ho Azy ilay nitarika ny olony tany an'efitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 17 sy ho an'ilay namono ireo mpanjaka lehibe, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 18 Manolora fisaorana ho Azy ilay namono ireo mpanajaka malaza, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 19 dia i Sihona mpanjakan'ny Amorita_fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 20 sy i Oga mpanjakan'i Basana, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 21 Manolora fisaorana ho Azy ilay nanome ny tanin'izy ireo ho lova, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 22 dia lova ho an'Israely mpanompony, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 23 ho Azy ilay nahatsiaro antsika sy namonjy antsika tamin'ny fahafahambarakantsika, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\v 24 Manolora fisaorana ho Azy ilay efa nanome fandresena antsika teo amin'ireo fahavalontsika, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony—
\v 25 dia ilay nanome hanina ho an'ny zava-manan'aina rehetra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\v 26 Oh, manomeza fisaorana ho an'Andriamanitry ny lanitra, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony.
\s5
\c 137
\p
\v 1 Teny amoron'ny reniranon'i Babylona izahay no nipetraka sy nitomany raha nahatsiaro ny amin'i Ziona.
\v 2 Teo amin'ny hazomalahelo no nanantonanay ireo harpa anay tany.
\s5
\v 3 Tany no nangatahan'ireo mpambabo anay hihira, ary ireo izay naneso anay dia nangataka anay mba hifaly, nanao hoe: "Manaova hira iray amin'ireo hiran'i Ziona ho anay."
\v 4 Ahoana no hahafahanay manao ny hira momban'i Yaveh aty amin'ny tany hafa?
\s5
\v 5 Raha manadino ny fahatsiarovana anao aho, ry Jerosalema, dia aoka tsy hahay hitendry intsony ny tanako ankavanana.
\v 6 Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko raha toa tsy miheritreritra anao intsony aho, raha tsy tia an'i Jerosalema mihoatra ireo sitrako indrindra aho.
\s5
\v 7 Tsarovy, ry Yaveh, izay nataon'ireo Edomita tamin'ny andro naharava an'i Jerosalema. Hoy izy ireo: "Potipoteho izany, ravao hatrany amin'ny fotony."
\s5
\v 8 Ry zanaka vavin'i Babylona, tsy ho ela dia ho rava— aoka hotahiana ny olona, izay olona mamaly ny amin'izay efa nataonao anay.
\v 9 Hotahiana anie ny olona, izay maka ary manorotoro ny zanakareo amin'ny vatolampy.
\s5
\c 138
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Hanome fisaorana Anao amin'ny foko manontolo aho; eo anatrehan'ireo andriamanitra no hihirako fiderana ho Anao.
\v 2 Hiankohoka eo amin'ny tempolinao masina aho ary hanome fisaorana ny anaranao ny amin'ny fanekenao mahatoky sy ny amin'ny famendreham-pitokianao. Nanao ny teninao sy ny anaranao ho zava-dehibe mihoatra ny zavatra hafa rehetra Ianao.
\s5
\v 3 Tamin'ny andro niantsoako Anao, dia namaly ahy Ianao; nampahery sy nampatanjaka ny fanahiko Ianao.
\v 4 Hanome fisaorana Anao ny mpanjakan'ny tany rehetra, ry Yaveh, fa handre ireo teny avy amin'ny vavanao izy ireo.
\s5
\v 5 Eny tokoa, hihira ireo asan'i Yaveh izy ireo, fa lehibe ny voninahitr'i Yaveh.
\v 6 Fa na dia avo aza i Yaveh, dia mbola miahy ireo manetry tena, fa ny mpirehareha kosa dia fantany avy eny lavitra.
\s5
\v 7 Na dia mandeha eny afovoan'ny loza aza aho, dia hiaro ny aiko Ianao; haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ireo fahavaloko Ianao, ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana.
\v 8 Momba ahy hatramin'ny farany Yaveh; ny famindram-ponao, ry Yaveh, dia maharitra mandrakizay. Aza mahafoy ireo izay nataon'ny tananao.
\s5
\c 139
\p
\v 1 Ho an'ny mpivety hira. Salamo nataon'i Davida. Ry Yaveh, efa nandinika ahy Ianao, ary fantatrao aho.
\v 2 Fantatrao aho rehefa mipetraka sy rehefa mitsangana; takatrao avy eny lavitra ny fisainako
\s5
\v 3 Mandinika ny lalako sy ny fatoriko Ianao; mahafantatra tsara ireo lalako rehetra Ianao.
\v 4 Fa talohan'ny nisian'ny teny teo amin'ny lelako, dia fantatrao tanteraka izany, ry Yaveh.
\v 5 Mihodidina eo anoloako sy ao aoriako Ianao ary mametraka ny tananao amiko.
\v 6 Ny fahalalana toy izany dia sarotra loatra amiko, sady ambony loatra, ka tsy ho takatro izany.
\s5
\v 7 Aiza no hialako amin'ny fanahinao? Aiza no handosirako amin'ny fanatrehanao?
\v 8 Raha miakatra any an-danitra aho, dia any Ianao; raha manao ny fandriako any amin'ny Fiainan-tsy hita aho, dia indro, fa any Ianao.
\s5
\v 9 Raha manidina amin'ny elatry ny maraina aho ary mandeha mba hitoetra any amin'ny faran'ny ranomasina,
\v 10 ary na any aza mbola hitarika ahy ny tananao, ary ny tananao ankavanana hiazona ahy.
\s5
\v 11 Raha niteny aho hoe: "Handrakotra ahy tokoa ny haizina, ary ny hazavana ho tonga alina manodidina ahy,"
\v 12 na ny aizina aza dia tsy ho maizaina aminao. Ary ny alina hibaliaka tahaka ny andro, fa aminao dia mitovy ny aizina sy hazavana.
\s5
\v 13 Ianao no namorona ny tao anatiko; noforoninao tao an-kibon-dreniko aho.
\v 14 Hidera Anao aho, fa mahatalanjona ny nanaovana ahy. Fantatry ny fanahiko tsara tokoa izany.
\s5
\v 15 Tsy niafina taminao ny taolako fony natao tao amin'ny miafina aho, fony aho novolavolaina fatratra tany amin'ny lalin'ny tany.
\v 16 Nahita ahy tao am-bohoka Ianao; ny andro rehetra voatondro ho ahy dia efa voarakitra ao amin'ny bokinao na dia mbola tsy nitranga aza ny voalohany.
\s5
\v 17 Endrey ny hasarobidin'ny fiheveranao ahy, ry Andriamanitra! Akory ny hamaroan'ny fitambaran'izy ireo!
\v 18 Raha andramako isaina ireo, dia maro an'isa nohon'ny fasika. Rehefa mifoha aho, dia mbola miaraka Aminao.
\s5
\v 19 Raha mba hamono ny ratsy fanahy Ianao, ry Andriamanitra; dia mialà amiko, ianareo olona mahery setra.
\v 20 Mikomy aminao izy ireo ary maneho amim-pitaka; milaza lainga ireo fahavalonao.
\s5
\v 21 Moa ve tsy mankahala, ireo izay mankahala Anao aho, ry Yaveh? Moa ve tsy manao tsinontsinona ireo izay mitsangana hanohitra Anao aho?
\v 22 Mankahala azy ireny tanteraka aho; efa lasa fahavaloko izy ireny.
\s5
\v 23 Diniho aho, Andriamanitra o, ary fantaro ny foko; zahao toetra aho ka fantaro ny fisainako.
\v 24 Jereo raha misy fahazaran-dratsy ato anatiko, ary tario amin'ny lalana madrakizay aho.
\s5
\c 140
\p Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Yaveh o, vonjeo amin'ny ratsy fanahy aho; arovy amin'ny olona mahery setra aho.
\v 2 Mikasa ratsy ao am-pony izy ireo; manangana ady isan'andro izy ireo.
\v 3 Mandratra toy ny bibilava ny lelan'izy ireo; ny pozin'ny menarana no eo amin'ny molony. Sela
\s5
\v 4 Arovy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy aho. ry Yaveh; arovy amin'ny olona mahery setra izay mikasa ny hamandrika ahy aho.
\v 5 Efa nametraka fandrika ho ahy ny mpirehareha; efa nampiely ny harato izy ireo; efa nametraka fandrika ho ahy izy ireo. Sela
\s5
\v 6 Hoy aho tamin'i Yaveh: "Andriamanitro Ianao; mihainoa ny tomanim-piantrana."
\v 7 Ry Yaveh, Tompoko o, tena afaka mamonjy ahy Ianao; miaro ny lohako amin'ny andron'ny ady Ianao.
\v 8 Ry Yaveh, aza mamaly ny fanirian'ny ratsy fanahy; aoka tsy hahomby ny teti-dratsin'izy ireo. Sela
\s5
\v 9 Ireo izay manodidina ahy dia manatraka ny lohany; aoka ny sompatr'izy ireo ihany no hanarona ny molotr'izy ireo.
\v 10 Aoka hisy vain'afo hilatsaka eo amin'izy ireo; atsipazo ao anaty afo izy ireo, dia ao amin'ny lavaka tsy hita noanoa, ka tsy hiarina intsony.
\v 11 Aoka ny olona mahay vava tsy hanamboatra fitoerana amin'ny tany; aoka ny loza hanosihosy ny ratsy fanahy mba hamonoana azy ho faty.
\s5
\v 12 Fantatro fa hitsara ny ory amin'ny indrafo i Yaveh, ary hanome rariny ireo mahantra.
\v 13 Azo antoka fa ny olo-marina dia hisaotra ny anaranao; hiaina eo amin'ny fanatrehanao ireo olona mahitsy.
\s5
\c 141
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Ry Yaveh, mitaraina Aminao aho; faingàna hankaty amiko. Henoy aho raha miantso Anao.
\v 2 Aoka ny fivavako ho toy ny ditin-kazo manitra eo anatrehanao; aoka ho toy ny sorona hariva ny fanandratako ny tanako.
\s5
\v 3 Ry Yaveh, asio mpiambina eo amin'ny vavako; ambeno ny varavaran'ny molotro.
\v 4 Aza avela hitsiriritra zava-dratsy ny foko na handray anjara amin'ny fahotana miaraka amin'ny olona izay mitondra tena ho ratsy. Aza avela hihinana ireo hanim-pin'izy ireo aho.
\s5
\v 5 Avelao ny olo-marina hamely ahy; fa ho fahalemem-panahy amiko izany. Aoka hanitsy ahy izy; ho toy ny diloilo eo amin'ny lohako izany; aoka ny lohako tsy handà fa hanaiky izany.
\v 6 Fa ny fivavako dia manohitra ny asa ratsin'izy ireo mandrakariva. Hatsipy avy eny amin'ny tampon'ny hantsana ireo mpitarika azy ireo; ho ren'izy ireo fa ny teniko dia mahafinaritra.
\v 7 Dia hilaza izy ireo hoe: "Tahaka ny olona miasa sy miady ny saha, dia efa voaparitaka tany am-bavan'ny fiainan-tsi hita ny taolanay."
\s5
\v 8 Aminao tokoa ny masoko, ry Yaveh, Tompo; ao Aminao no hialofako; aza mamela ny fanahiko tsy hisy mpiaro.
\v 9 Arovy amin'ireo fandrika izay efa novelarin'izy ireo ho ahy aho, amin'ny ireo fandrik'ireo mpanao ratsy.
\v 10 Aoka ny ratsy fanahy ho lavo amin'ny aratony raha mandositra aho.
\s5
\c 142
\p Maskilan'i Davida, raha tao anaty zohy izy; Fivavahana.
\v 1 Amin'ny feoko no itarainako famonjena amin'i Yaveh; amin'ny feoko no iangaviako ny fankasitrahan'i Yaveh.
\v 2 Harotsako eo anoloany fitarainako; lazaiko aminy ireo fahoriako.
\s5
\v 3 Rehefa anaty ny fanahiko, dia Ianao mahalala ny lalako. Amin'ny lalana izay hizorako no nanafenan'izy ireo fandrika ho ahy.
\v 4 Mijery ny ankavanako aho ary mahita fa tsy misy olona miraharaha ahy, tsy misy irika ho ahy; tsy misy olona miraharaha ny fiainako.
\v 5 Niantso mafy Anao aho, ry Yaveh; ka nanao hoe: "Ianao no fialofako, anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.
\s5
\v 6 Henoy ny antsoko, fa ory loatra aho; vonjeo amin'ny mpanenjika ahy aho, fa mahery noho izaho izy ireo.
\v 7 Avoahy ao amin'ny tranomaizina ny fanahiko mba hahafahako manolotra fisaorana ny anaranao. Hiangona manodidina ahy ny olo-marina satria Ianao no efa tsara tamiko."
\s5
\c 143
\p Salamo nataon'i Davida.
\v 1 Henoy ny fivavako, ry Yaveh; mihainoa ireo fangatahako. Nohon'ny fahatokianao sy ny fahamarinanao, dia mamalia ahy!
\v 2 Aza tsaraina ny mpanomponao, satria eo imasonao dia tsy misy olo-marina.
\s5
\v 3 Nanenjika ny fanahiko ny fahavaloko; nanenjika ahy hatrany ambanin'ny tany izy; nampitoetra ahy tao amin'ny fahamaizinana toy ireo izay maty efa ela izy.
\v 4 Ketraka anaty ny fanahiko; mamoy fo aho.
\s5
\v 5 Mahatsiaro ireo andro fahiny aho; misaintsaina ireo asanao rehetra aho; misaintsaina ireo zava-bitanao.
\v 6 Mamelatra ny tanako ho Anao amin'ny vavaka aho; mangetaheta Anao ny fanahiko any amin'ny tany karakaina. Sela
\s5
\v 7 Faingàna hamaly ahy, Yaveh o, fa reraka ny fanahiko. Aza manafina ny tavanao amiko, raha tsy izany dia ho lasa ho toy ireo izay midina any an-davaka aho.
\v 8 Aoka ho reko ny famindram-ponao amin'ny maraina, satria matoky anao aho. Atoroy ahy ny lalana izay tokony halehako, fa manandratra ny fanahiko aminao aho.
\s5
\v 9 Avoty amin'ireo fahavaloko aho, ry Yaveh; mandositra ho eny aminao aho mba hiery.
\v 10 Ampianaro aho hanao ny sitraponao, fa Andriamanitro Ianao. Ny Fanahinao tsara anie hitarika ahy any amin'ny tanin'ny fahitsiana.
\s5
\v 11 Ry Yaveh, noho ny amin'ny anaranao, hazomy ny fahavelomako; amin'ny fahitsianao ento miala amin'ny fahoriana ny fanahiko.
\v 12 Amin'ny famindram-ponao esory ireo fahavaloko ary aringano ireo fahavalon'ny aiko rehetra, fa mpanomponao aho.
\s5
\c 144
\p
\v 1 Ho deraina anie Yaveh, vatolampiko, izay nanofana ny tanako ho amin'ny ady ary ny ratsan-tanako ho amin'ny ady.
\v 2 Ianao no fanekeko mahatoky sy fiarovana mafy ho ahy, fiarovana avo ho ahy sy ilay mamonjy ahy, ampingako sy fialofako, ilay mapietry ireo firenena eo ambaniko.
\s5
\v 3 Yaveh o, inona izay olona no ho tsinjonao na ny zanak'olona no hiheveranao azy?
\v 4 Toy ny fofon'aina ny olona; tahaka ny aloka mandalo ireo androny.
\s5
\v 5 Sokafy ny lanitra ka midìna, ry Yaveh; kasiho ireo tendrombohitra ka ampanetrohy.
\v 6 Andefaso tsela-pahazavana ka aparitaho ireo fahavaloko; mitifira amin'ny zana-tsipìkanao ka ento miverina amin'ny fifanjevona izy ireo.
\s5
\v 7 Ahinjiro avy any ambony ny tananao; avoty aho hiala amin'ireo rano maro, amin'ny tanan'ireo olona hafa firenena.
\v 8 Ny vavan'izy ireo miteny lainga, ary ny tanany havanana dia fitaka.
\s5
\v 9 Hihira fihiram-baovao ho Anao aho, Andriamanitra o; amin'ny valiha tory folo no hihirako fiderana ho Anao,
\v 10 izay manome famonjena ho an'ireo mpanjaka, izay namonjy an'i Davida mpanomponao tamin'ny sabatry ny ratsy.
\v 11 Avoty ary afaho amin'ny tanan'ireo olona hafa firenena aho. Ny vavan'izy ireo miteny lainga, ary ny tanany havanana dia fitaka.
\s5
\v 12 Ho toy ireo hazo maroroka anie ireo zanakay lahy amin'ny fahatanorany ary ireo zanakay vavy ho toy ny vato fehizoro voasokitra, miendrika toy ireo izay ao an-dapa.
\v 13 Ny trano fitehirizanay anie ho feno ny karazam-bokatra rehetra, ary ny ondrinay anie hamokatra an'arivony sy an'aliny ao amin'ireo sahanay.
\s5
\v 14 Dia hanan'anaka maro ireo ombinay. Tsy hisy olona hamaky ireo mandanay; tsy hisy sesi-tany ary tsy hisy fitomaniana eo amin'ny lalanay.
\v 15 Voatahy ny olona izay manana an'izany fitahiana izany; sambatra ny olona izay manana an'i Yaveh ho Andriamaniny.
\s5
\c 145
\p Salamo fiderana. Nataon'i Davida.
\v 1 Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro, mpanjaka o; hankalaza ny anaranao aho mandrakizay doria.
\v 2 Hankalazanao Anao isan'andro aho; hidera ny anaranao aho mandrakizay doria.
\v 3 Lehibe Yaveh ary mendrika hoderaina indrindra; tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.
\s5
\v 4 Ny taranaka rehetra hidera ireo asanao amin'izay mandimby azy sy hanambara ireo asanao mahery.
\v 5 Hisaintsaina ny lazan'ny voninahitrao sy ireo asanao mahagaga aho.
\s5
\v 6 Hiteny momban'ny herin'ny fahatsaran'ireo asanao izy ireo, ary hanambara ny fahalehibiazanao aho.
\v 7 Hanambara ny fitobahan'ny fahatsaranao izy ireo, ary hihira momban'ny fahamarinanao.
\s5
\v 8 Miantra sy mpamindra-po Yaveh, tsy mora tezitra ary be famindram-po.
\v 9 Tsara amin'ny rehetra Yaveh; manerana ny asany rehetra ny fiantràny.
\s5
\v 10 Izay rehetra namboarinao dia hanolotra fisaorana ho Anao, ry Yaveh; ireo mahatokinao hisaotra Anao.
\v 11 Ireo mahatokinao hanambara ny voninahitry ny fanjakanao, ary hilaza ny herinao izy ireo.
\v 12 Hampahafantarin'izy ireo ny zanak'olombena ireo herin'ny asan'Andriamanitra sy ny hatsaran'ny famirapiratan'ny fanjakany.
\s5
\v 13 Ny fanjakanao dia fanjakana maharitra mandrakizay, ary ny fanapahanao dia haharitra hatramin'ny taranaka rehetra.
\s5
\v 14 Yaveh manohana izay rehetra lavo ary manangana izay rehetra mitanondrika.
\v 15 Ny mason'ny rehetra miandry Anao; homenao azy ireo amin'ny fotoana mety ny haniny.
\v 16 Mamelatra ny tananao Ianao ary mahafapo ny fanirian'ny zava-manan'aina rehetra.
\s5
\v 17 Marina Yaveh amin'ny lalany rehetra ary mpamindrafo amin'izay ataony rehetra.
\v 18 Akaikin'izay rehetra miantso Azy Yaveh, amin'izay rehetra miantso Azy amin'ny fahamendreham-pitokiana.
\v 19 Manatanteraka ny fanirian'izay manaja Azy Izy; mandre ny fitarainan'izy ireo Izy ary mamonjy azy ireo.
\s5
\v 20 Miambina izay rehetra tia azy i Yaveh, fa horavainy ireo rehetra ratsy fanahy.
\v 21 Hanambara fiderana an'i Yaveh ny vavako; aoka ny olombelona rehetra hidera ny anarany masina mandrakizay doria.
\s5
\c 146
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ry fanahiko.
\v 2 Hanome fiderana ho an'i Yaveh aho amin'ny fiainako rehetra; hihira fiderana ho an'Andriamanitro aho raha mbola miaina koa.
\s5
\v 3 Aza mametraka ny fitokianao amin'ireo andriana na ny olombelona, amin'izay tsy misy famonjena.
\v 4 Rehefa mitsahatra ny fofon'ain'ny olona, dia hody amin'ny tany izy; amin'izany andro izany no tapitra ny fikasany.
\s5
\v 5 Sambatra izay manana an'Andriamanitr'i Jakoba hanampy azy, izay manana fanantenana ao amin'i Yaveh Andriamaniny.
\v 6 Nanao ny lanitra sy ny tany Yaveh, ny ranomasina, sy izay rehetra ao aminy; mitandrina fahamendreham-pitokiana mandrakizay Izy.
\s5
\v 7 Manatanteraka fahamarinana ho an'ny nampahoriana Izy ary manome hanina ny noana. Manafaka ny gadra Yaveh;
\v 8 Manokatra ny mason'ny jamba Yaveh; Manangana izay miankohoka i Yaveh; Yaveh tia ny olon-marina.
\s5
\v 9 Yaveh miaro ny vahiny amin'ny tany; manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena izy, fa manohitra ny ratsy fanahy kosa.
\v 10 Hanjaka mandrakizay Yaveh, Andriamanitrao, ry Ziona, amin'ny taranaka rehetra. Miderà an'i Yaveh.
\s5
\c 147
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh, fa tsara ny mihira fiderana an'Andriamanitsika, mahafinaritra izany, ary mety ny midera.
\s5
\v 2 Manangana an'i Jerosalema indray Yaveh, mampikambana ny vahoakan'Israely niely Izy.
\v 3 Manasitrana ny torotoro fo izy ary mamehy ny ferin'izy ireo.
\s5
\v 4 Manisa ireo kintana izy, ary manome anarana azy rehetra.
\v 5 Lehibe ny Andriamanitsika ary mahagaga ny heriny, ny fahazavan-tsainy tsy azo refesina.
\s5
\v 6 Manandratra ny ory Yaveh, ary mampietry ny ratsy fanahy amin'ny tany.
\v 7 Mihirà ho an'i Yaveh amin'ny fisaorana, mihirà fiderana amin'ny lokanga ho an'Andriamanitsika.
\s5
\v 8 Manarona ny lanitra amin'ireo rahona Izy ary manomana ranon'orana ho an'ny tany, mampaniry ny ahitra amin'ireo tendrombohitra.
\v 9 Manome hanina ho an'ireo biby Izy ary an'ireo goaika tanora rehefa mitaraina ireny.
\s5
\v 10 Tsy mahita sitraka eo amin'ny herin'ny soavaly izy, tsy mahazo fafinaretana amin'ny tanjaky ny tongotry ny olona Izy.
\v 11 Yaveh dia mankasitraka ireo izay manaja azy, izay manantena ny famindram-pony.
\s5
\v 12 Miderà an'i Yaveh, ry Jerosalema, miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona.
\v 13 Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, mitahy ireo zanakao eo aminao Izy.
\v 14 Mitondra fanambinana ao anatin'ireo fari-taninao Izy, mahafapo anao amin'ny vary tritrika tsara Izy.
\s5
\v 15 Mandefa ny didiny eo amin'ny tany Izy, ny didiny mihazakazaka mafy.
\v 16 Manao ny oram-panala ho toy ny volon'ondry Izy, mampiely ny fanala toy ny lavenona izy.
\s5
\v 17 Mizara ny havandra toy ny poti-javatra Izy, iza no hahazaka ny hatsiaka halefany?
\v 18 Mandefa ireo didiny Izy ary mampiempo izany, mampitsoka ny rivotra ary mampikoriana ny rano izy.
\s5
\v 19 Nambarany amin'i Jakoba ny teniny, ny didiny sy ireo lalà-mariny amin'Israely.
\v 20 Tsy mba nanao toy izany tamin'ny firenen-kafa izy, ary ny amin'ireo didiny, dia tsy fantatr'izy ireo izany. Miderà an'i Yaveh.
\s5
\c 148
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh, ianareo any an-danitra; miderà Azy, ianareo any amin'ny avo.
\v 2 Miderà azy, ry anjeliny rehetra; miderà Azy, ry miaramilany rehetra.
\s5
\v 3 Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana; miderà Azy, ry kintana mamiratra rehetra.
\v 4 Miderà Azy, ry avo indrindra amin'ny lanitra ary ianareo rano izay eny ambanin'ny habakabaka.
\s5
\v 5 Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa Izy no nanome ny didy, ary dia nohariana ireo.
\v 6 Nampitoetra azy ireo mandrakizay doria Izy; Nomeny lalàna ireo ka tsy hiova mihintsy.
\s5
\v 7 Miderà Azy ety an-tany, ianareo dragona sy lalin'ny ranomasimbe rehetra,
\v 8 ny afo sy havandra, ny oram-panala sy ny zavona, ny rivo-mahery manatanteraka ny teniny.
\s5
\v 9 Miderà Azy, ry tendrombohitra sy havoana rehetra, ry hazo mamoa sy sedera rehetra,
\v 10 ry bibidia sy ny voafolaka, ireo zava-manan'aina izay mandady ary ireo voro-manidina.
\s5
\v 11 Miderà an'i Yaveh, ry mpanjakan'ny tany sy ny firenena rehetra, ry andriana sy izay manapaka eo amin'ny tany,
\v 12 ry tovolahy sy tovovavy, ny antitra sy ny tanora.
\s5
\v 13 Aoka hidera ny anaran'i Yaveh ireo, fa ny anarany irery ihany no asandratra ary ny voninahiny hihitatra amin'ny tany sy ny lanitra.
\v 14 Efa nanandratra ny tandroky ny olony ho fiderana ho an'ny olony mahatoky Izy, dia ny Israelita, ilay vahoaka akaiky Azy. Miderà an'i Yaveh.
\s5
\c 149
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Yaveh; mihirà fihirana ho Azy ao amin'ny fiangonan'ireo olona mahatoky.
\s5
\v 2 Aoka ny Israely hifaly amin'ilay nanao azy ireo; aoka ny olon'i Ziona hifaly amin'ny mpanjakan'izy ireo.
\v 3 Aoka izy ireo hidera ny anarany amin'ny dihy; aoka izy ireo hihira fiderana ho azy amin'ny ampongatapaka sy harpa.
\s5
\v 4 Fa Yaveh dia mankasitraka ny olony; mankalaza ny mpanetry tena amin'ny famonjena Izy.
\v 5 Aoka ny olona masina hifaly amin'ny fandresena; aoka hihira fifaliana ao am-pandriany izy ireo.
\s5
\v 6 Ho amin'ny vavan'izy ireo anie ny fiderana an'Andriamanitra ary ny sabatra roa lelana ho eo an-tanany
\v 7 mba hanatanterahana valifaty amin'ireo firenena maro sy fihetsika manafay ny olona.
\s5
\v 8 Hamatotra ny mpanjakany amin'ny rojo izy ireo ary ny manan-kaja amin'ny rojovy.
\v 9 Hampihatra ny fitsarana izay voasoratra izy ireo. Izany dia ho voninahitra ho an'ny olony mahatoky rehetra. Miderà an'i Yaveh.
\s5
\c 150
\p
\v 1 Miderà an'i Yaveh. Miderà an'Andriamanitra ao amin'ny fioterany masina; miderà Azy eny amin'ny habakabaka mahery.
\v 2 Miderà azy amin'ny asany mahery, miderà azy amin'ny fahalehibiazany mihoapapana.
\s5
\v 3 Miderà Azy amin'ny fitsofana anjomara; miderà Azy amin'ny lokanga sy ny harpa.
\v 4 Miderà Azy amin'ny ampongatapaka sy ny dihy; miderà Azy amin'ny valiha sy ny sodina.
\v 5 Miderà Azy amin'ny kipantsona maneno; miderà Azy amin'ny feo mafin'ny kipantsona maneno.
\s5
\v 6 Aoka izay rehetra manam-pofon'aina hidera an'i Yaveh. Miderà an'i Yaveh.