plt_ulb/18-JOB.usfm

2036 lines
123 KiB
Plaintext

\id JOB
\ide UTF-8
\h Joba
\toc1 Joba
\toc2 Joba
\toc3 job
\mt Joba
\s5
\c 1
\p
\v 1 Nisy lehilahy iray tao amin'ny tanin'i Oza izay Joba no anarany; ary i Joba dia tsy misy tsiny sady mahitsy, izay natahotra an'Andriamanitra ary nifady ny ratsy.
\v 2 Izy dia nanan-janaka lahy fito sy vavy telo.
\v 3 Izy dia nanana ondry fito arivo, rameva telo arivo, omby lahy sy vavy dimanjato, sy boriky dimanjato ary mpanompo maro be. Izy no lehilahy lehibe indrindra tamin'ireo olona Tatsinana rehetra.
\s5
\v 4 Isaky ny andro voatendry ho an'ny zanany lahy, dia nanao firavoravoana tao an-tranony izy. Izy ireo dia naniraka ka niantso ireo anabaviny telo mba hiaraka hihinana sy hisotro amin'izy ireo.
\v 5 Rehefa nifarana ny firavoravoana, dia nampiantso ary nanamasina azy ireo i Joba. Nifoha maraina be izy ary nanao fanatitra dorana ho an'ireo zanany tsirairay avy, fa hoy izy hoe: "Mety efa nanota na nanozona an'Andriamanitra tany am-pony ireo zanako." Nanao izany foana i Joba.
\s5
\v 6 Ary tamin'izany andro izany dia tonga niseho teo anatrehan'i Yaveh ireo zanak'Andriamanitra. Dia tonga niaraka tamin'izy ireo koa i Satana.
\v 7 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Avy aiza no niavinao?" Ary Satana namaly an'i Yaveh ka nanao hoe: "Avy nirenireny teto an-tany, nivezivezy teo aminy."
\v 8 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Efa nandinika an'i Joba mpanompoko ve ianao? Satria tsy misy toa azy eto ambonin'ny tany, lehilahy tsy misy tsiny sady mahitsy, izay matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy."
\s5
\v 9 Avy eo Satana namaly an'i Yaveh ka niteny hoe: "Matahotra an'Andriamanitra amin'ny tsy misy antony ve i Joba?
\v 10 Tsy nasianao fefy ve manodidina azy, manodidina ny tranony, ary manodidina izay azy rehetra? Efa notahianao ireo asan'ny tanany, ary nitombo ireo biby fiompiny eto amin'ny tany.
\v 11 Fa ankehitriny ahinjiro ny tananao ary kasiho izay rehetra hananany, ary jereo raha tsy manozona Anao eo amin'ny tavanao izy.
\v 12 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Indro, eo am-pelatananao izay rehetra hananany. Fa izy tenany ihany no aza haninjiranao ny tananao." Dia niala teo anatrehan'i Yaveh i Satana.
\s5
\v 13 Ary indray andro, nihinana sy nisotro divay tany an-tranon'ny lahimatoany ireo zanany lahy sy vavy.
\v 14 Nisy mpitondra hafatra iray nanatona an'i Joba ary niteny hoe: "Niasa tany ireo omby ary ireo boriky dia nihinana teo anilan'ireo.
\v 15 Nanafika azy ireo ireo Sabeana ary nisambotra azy ireo. Raha ny amin'ireo mpanompo, dia novelesin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao."
\s5
\v 16 Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Nilatsaka avy tany an-danitra ny afon'Andriamanitra ary nandoro ireo ondry sy ireo mpanompo. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao."
\v 17 Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Nizara vondrona telo ireo Kaldeana ka nanafika ireo rameva, ary nisambotra ireo. Raha ny amin'ireo mpanompo, dia novelesin'izy ireo tamin'ny lelan-tsabatra. Izaho irery no tafatsoaka mba ampandre anao."
\s5
\v 18 Raha mbola niteny iny izy, dia nisy iray hafa koa tonga ary niteny hoe: "Ireo zanakao lahy sy vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny lahimatoan'izy ireo.
\v 19 Nisy rivotra mahery tonga avy tany an'efitra nikapoka ny zorony efatr'ilay trano. Nilatsaka tamin'ireo zatovo izany, ary dia maty izy ireo. Izaho irery no tafatsoaka mba hampandre anao."
\s5
\v 20 Dia nitsangana i Joba, nandrovitra ny akanjony, nanaratra ny lohany, niankohoka teo amin'ny tany, ary nidera an'Andriamanitra.
\v 21 Hoy izy hoe: "Nitanjaka aho raha nivoaka tao an-kibon'ny reniko, ary hitanjaka aho rehefa hiverina ao. Yaveh no nanome, ary Yaveh no naka. Isaorana anie ny anaran'i Yaveh."
\v 22 Tamin'ireo zava-nitranga rehetra ireo, dia tsy nanota i Joba, na koa niampanga an'Andriamanitra ho nanao ny tsy mety.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ary tamin'izany andro izany, tonga niseho teo anatrehan'i Yaveh ireo zanak'Andriamanitra. Tonga niaraka tamin'izy ireo hiseho teo anatrehan'i Yaveh ihany koa i Satana.
\v 2 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Tonga avy aiza ianao?" Dia namaly an'i Yaveh i Satana ka nanao hoe: "Avy nirenireny teny an-tany, nivezivezy teny."
\s5
\v 3 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Moa ve efa nandinika an'i Joba mpanompoko Ianao? Satria tsy misy na iray aza eto an-tany ka mitovy aminy, lehilahy tsy misy tsiny sady marina, matahotra an'Andriamanitra ary mifady ny ratsy. Mbola mihazona ny fahitsiany hatrany izy, na dia efa namily lalana Ahy hanohitra azy aza ianao, mba hamotika azy tsy amin'ny antony."
\s5
\v 4 Satana namaly an'i Yaveh ka nanao hoe: "Hoditra takalon'ny hoditra; eny tokoa; ny olona dia hanome izay rehetra hananany ho takalon'ny ainy.
\v 5 Fa ahinjiro ny tananao izao ary kasiho ny taolany sy ny nofony, dia jereo raha tsy hanozona anao eo amin'ny tavanao izy."
\v 6 Hoy Yaveh tamin'i Satana hoe: "Indro, eo am-pelatananao izy; ny ainy ihany no aoka harovanao."
\s5
\v 7 Dia lasa Satana niala teo amin'ny fanatrehan'i Yaveh. Namely vay ratsy an'i Joba hatreny am-paladia ka hatreny an-tampon-doha izy.
\v 8 Naka vakim-bilany vita tamin'ny tanimanga i Joba hihaokaorany ny vatany, ary nipetraka teo afovoan'ny lavenona izy.
\s5
\v 9 Dia hoy ny vadiny taminy hoe: "Mbola mihazona ny fahitsinao ihany ve ianao? Ozony Andriamanitra ary matesa."
\v 10 Fa hoy izy taminy hoe: "Miresaka toy ny firesaky ny vehivavy adala ianao. Ny tsara ihany ve no tokony ho raisintsika avy amin'Andriamanitra ka tsy ho raisina ny ratsy?" Noho izany rehetra izany, dia tsy nanota tamin'ny molony i Joba.
\s5
\v 11 Ary rehefa nandre ny ratsy rehetra nanjo azy ireo naman'i Joba telo, dia samy tonga avy any amin'ny toerany avy izy ireo: Elifaza ilay Temanita, Bildada ilay Sohita, ary Zofara ilay Namatita. Nanokana fotoana izy ireo mba hiarahana ory aminy sy hampaherezana azy.
\s5
\v 12 Rehefa nitazana avy eny lavitra izy ireo, dia tsy nahafantatra azy. Nanandratra ny feony izy ireo ary nitomany; samy nandrovitra ny akanjony ary namafy vovoka teny amin'ny rivotra sy teo amin'ny lohany ihany ny tsirairay.
\v 13 Avy eo dia nipetraka tamin'ny tany niaraka taminy izy ireo nandritry ny fito andro sy fito alina. Tsy nisy niresaka taminy izy ireo, satria hitan'izy ireo fa tena lehibe tokoa ny alahelony.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Taorian'izany, nanokatra ny vavany i Joba ary nanozona ny andro nahaterahany.
\v 2 Hoy izy hoe:
\v 3 "Ho foana anie ny andro ny nahaterahako, ny alina izay nanao hoe: "Misy zazalahy vao torontoronina.'
\s5
\v 4 Ho maizina anie izany andro izany; tsy ho tsaroan'Andriamanitra avy any ambony anie izany, na hamirapiratra amin'izany ny masoandro.
\v 5 Ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana anie hilaza izany ho azy ireo manokana. Honina eo amin'izany anie ny rahona; ny zavatra rehetra izay mahatonga ny andro ho mainty anie hampihorohoro izany tokoa.
\s5
\v 6 Ny amin'izany alina izany, hisambotra izany anie ny aizim-pito. Tsy hifaly eo amin'ny andron'ny taona anie izany; tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana anie izany.
\v 7 Indro, ho momba anie izany alina izany; tsy hisy feom-pifaliana anie ho tonga ao amin'izany.
\s5
\v 8 Hanozona izany andro izany anie izy ireo, izy ireo izay mahalala ny fomba hamohazana ny Leviatana.
\v 9 Ho maizina anie ireo kintan'ny andro vao mangiran-dratsin'izany. Hitady fahazavana anie izany andro izany, saingy tsy hahita; na hahita ireo hodi-mason'ny vao mangiran-dratsy,
\v 10 satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ny reniko izany, ary satria tsy nanafina ireo fahoriana tsy ho eo imasoko izany.
\s5
\v 11 Nahoana re aho no tsy maty rehefa nivoka avy tao an-kibo? Nahoana aho no tsy nandao ny fanahiko raha niteraka ahy ny reniko?
\v 12 Nahoana no nitsena ahy ireo lohaliny? Nahoana no nandray ahy ireo nonony mba hahafahako mitsetsitra?
\s5
\v 13 Fa tahaka izay aho efa nandry am-pilaminana. Natory aho ary nitsahatra
\v 14 niaraka tamin'ireo mpanjaka sy ireo mpanolo-tsain'ny tany, izay nanorina ireo fasana ho an'ny tenan'izy ireo izay efa rava ankehitriny.
\s5
\v 15 Na efa nodimandry niaraka tamin'ireo andriandahy izay nanana volamena fahizay aho, izay nameno ireo tranony tamin'ny volafotsy.
\v 16 Na mety ho teraka tsy tonga volana aho, toy ireo zaza izay tsy mbola nahita ny hazavana mihitsy.
\s5
\v 17 Any no mitsahatra amin'ny fahoriana ny ratsy fanahy; any no mitsahatra ny reraka.
\v 18 Any ireo voafonja dia hiaraka hitony; tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy ireo.
\v 19 Samy any ny olona kely sy lehibe; ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony any.
\s5
\v 20 Nahoana ny fahazavana no omena azy izay ao anatin'ny fahoriana? Nahoana ny fiainana no omena an'izay mangidy fanahy,
\v 21 ho an'ny iray izay miandry fatratra ny fahafatesana izay tsy ho avy; ho an'ny iray izay mihady fahafatesana mihoatra noho ny harena miafina?
\v 22 Nahoana ny fahazavana no omena ho an'ny iray izay feno hafaliana ary ravoravo rehefa hitany ny fasana?
\s5
\v 23 Nahoana ny fahazavana no omena ho an'ny olona iray izay miafina ny lalany, olona iray izay voafehin'Andriamanitra tao?
\v 24 Fa ny fisentoko dia miseho raha tokony hihinana; miraraka toy ny rano ny fitarainako.
\s5
\v 25 Fa ny zavatra izay natahorako dia tonga teo amiko; izay nampatahotra ahy dia tonga tamiko.
\v 26 Tsy milamina aho, tsy mangina aho, ary tsy manana fitsaharana aho; ny fahoriana indray no tonga."
\s5
\c 4
\p
\v 1 Dia namaly i Elifaza ilay Temanita ka nanao hoe:
\v 2 "Raha misy olona manandrana miresaka aminao, dia tsy haharitra ve ianao? Nefa iza no afaka handrara ny tenany tsy hiteny?
\v 3 Indro, maro ireo efa nampianarinao; efa nampatanjaka ny tanana malemy ianao.
\s5
\v 4 Nihazona izay nianjera ireo teninao; efa nohamafisinao ny malemy lohalika.
\v 5 Kanefa izao tonga aminao ny fahoriana, ary ketraka ianao; mikasika anao izany, ary ory ianao.
\v 6 Moa tsy ny fahatahoranao no tokinao, ary ny fahitsian'ny lalanao no fanantenanao?
\s5
\v 7 Mba saino re izao: iza no efa ringana tsy nanan-tsiny? Na oviana ireo olo-marina no nopotehina?
\v 8 Araka izay efa hitako, ireo izay mamboly heloka sy mamafy olana no mijinja izany.
\v 9 Amin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra no haharingana azy ireo; amin'ny fipoahan'ny hatezerany no hahalevona azy ireo.
\s5
\v 10 Ny fieron'ny liona, ny feon'ny liona masiaka, ireo nifin'ny liona tanora—potika ireo.
\v 11 Ringana ny liona antitra nohon'ny tsy fahampian'ireo haza, ireo zanaky ny liona vavy dia miparitaka eny rehetra eny.
\s5
\v 12 Nisy raharaha nentina mangingina teto amiko, ary nahare bitsika momba izany ny sofiko.
\v 13 Dia nisy eritreritra tonga avy tamin'ny fahitanna amin'ny alina, rehefa tafalatsaka tamin'ny olona ny torimaso lalina.
\s5
\v 14 Tanaty alina no nahatongavan'ny tahotra sy horohoro tamiko, ary nangovitra ny taolako rehetra.
\v 15 Ary nisy fanahy nandalo teo anoloan'ny tavako, ary nitsangana ny volo tamin'ny vatako.
\s5
\v 16 Nijanona ilay fanahy, saingy tsy nety voafaritro ny endriny. Endrika iray no teo anoloan'ny masoko; nisy fahanginana, ary nahare feo aho nanao hoe:
\v 17 "Afaka ny ho marina kokoa noho Andriamanitra ve ny olona mety maty? Afaka ny ho madio noho ny Mpamorona azy ve ny olona iray?
\s5
\v 18 Indro, raha tsy mametraka fitokisana amin'ireo mpanompony Andriamanitra; raha miampanga ireo anjeliny nohon'ny fahadalana Izy,
\v 19 hatraiza ny fahamarinan'ireo izay monina anaty trano vita amin'ny tanimanga, izay ao amin'ny vovoka ny fototra iorenany, izay potika mialohan'ny kalalao?
\s5
\v 20 Potehina eo anelanelan'ny maraina sy hariva izy ireo; ringana mandrakizay tsy misy mahatsikaritra akory izy ireo.
\v 21 Tsy voaongotra tamin'izy ireo ve ny tadin-dain'izy ireo? Maty izy ireo; maty tsy misy fahendrena izy ireo.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Miantsoa mafy ankehitriny; hisy olona hamaly anao ve? Iza amin'ireo masina no hitodihanao?
\v 2 Satria ny hatezerana no mamono ny olona adala; ny fialonana mamono ny ketrina.
\v 3 Efa nahita olona adala nahazo faka aho, fa tampoka teo dia nozoniko ny tokantranony.
\s5
\v 4 Ny zanany dia lavitry ny filaminana; voatorotoro ao amin'ny vavahadin'ny tanàna izy ireo. Tsy misy olona hamonjy azy ireo.
\v 5 Ny noana no mihinana ny vokatr'izy ireo; alain'izy ireo amin'ireo avy eny amin'ny tsilo mihitsy aza izany. Ny mangetaheta misanasana vava amin'ny haren'izy ireo.
\s5
\v 6 Satria ireo ady sarotra dia tsy mivoaka avy ao amin'ny tany; na ny fahoriana mitsimoka avy amin'ny tany.
\v 7 Fa kosa, ny olombelona dia teraka ho an'ny fahoriana, tahaka ny pitik'afo manidina miakatra.
\s5
\v 8 Fa raha ny amiko, dia hitodika amin'Andriamanitra aho; Aminy aho no hametraka ny adiko—
\v 9 Izy izay manao zavatra lehibe sy tsy takatry ny saina, zavatra mahatalanjona tsy hita isa.
\v 10 Manome orana ny tany Izy, ary mandefa rano amin'ireo saha.
\s5
\v 11 Manao izany Izy mba hametrahana amin'ny avo ireo izay iva; mba hanandratana ny malahelo ho amin'ny filaminana.
\v 12 Nandrava ny fikasan'ireo olona fetsy Izy, mba tsy hahomby ny tanan'izy ireo.
\v 13 Mamandrika ny olona hendry amin'ny asa an-kafetsen'izy ireo Izy; ny tetiky ny olona ratsy fanahy dia miafara faingana.
\s5
\v 14 Mihaona amin'ny aizina izy ireo amin'ny atoandro, ary mitsapatsapa amin'ny mitatao vovonana toy ny amin'ny alina.
\v 15 Kanefa manavotra ny olona mahantra tsy ho amin'ny sabatry ny vavan'izy ireo ary ireo olona ory tsy amin'ny tanan'ny olona mahery izy.
\v 16 Koa manam-panantenana ireo mahantra, ary ny tsy fahamarinana nampangina ny vavany ihany.
\s5
\v 17 Indro, voatahy ny olona izay hahitsin'Andriamanitra; noho izany, aza atao tsinontsinona ny famaizan'ilay Tsitoha.
\v 18 Fa mandratra Izy ary avy eo mamehy ny ratra; mandratra Izy ary avy eo ny tanany no manasitrana.
\v 19 Hanavotra anao amin'ireo fahoriana enina Izy; eny tokoa, amin'ireo fahoriana fito, tsy hisy ratsy hikasika anao.
\s5
\v 20 Amin'ny mosary dia hanavotra anao amin'ny fahafatesana Izy, ary amin'ny tanan'ny sabatra amin'ny ady.
\v 21 Ho afenina amin'ny lozan'ny teny ianao; ary tsy hatahotra ny faharavana ianao rehefa tonga izany.
\v 22 Hihomehy ny faharavana sy ny mosary ianao, ary tsy hatahotra ireo bibidian'ny tany.
\s5
\v 23 Satria hanana fanekena amin'ireo vato ao an-tsahanao ianao, ary ireo bibin'ny saha dia hihavana aminao.
\v 24 Ho fantatrao fa voaaro ny lainao, hitsidika ny valan'ondrinao ianao ary tsy ho ory na inona na inona.
\v 25 Ho fantatrao ihany koa fa ho lehibe ny voanao, fa ho tahaka ny ahitra eny amin'ny tany ny zanakao.
\s5
\v 26 Ho any am-pasana ianao rehefa voky taona, tahaka ny isan'amboaram-bary izay miakatra amin'izany fotoana izany.
\v 27 Indro, efa nodinihanay izany raharaha izany; tahaka izao izany; henoy izany, ary fantaro ho an'ny tenanao."
\s5
\c 6
\p
\v 1 Dia namaly Joba ka niteny hoe:
\v 2 "Eh, raha mba voalanja mantsy ny fangirifiriko; raha mba natao teo amin'ny mizana avokoa mantsy ny loza nanjo ahy rehetra!
\v 3 Fa ankehitriny dia mavesatra kokoa noho ny fasi-dranomasina izany. Ka izany no mahatonga ireo teniko tsy am-piheverana.
\s5
\v 4 Fa ny zana-tsipìkan'ny Tsitoha dia ato amiko, misotro poizina ny fanahiko; ireo fampihorohoroan'Andriamanitra dia milahatra hanohitra ahy.
\v 5 Maneno fatratra ve ny ampondra-dia raha manana ahitra? Na ny omby hitrena nohon'ny hanoanana raha manam-bilona?
\v 6 Ary izay tsy misy tsiro ve azo hohanina raha tsy misy sira? Na misy tsirony ve ny tapotsin'atody?
\s5
\v 7 Mandà ny hikasika ireo aho; tahaka ny sakafo maharikoriko ahy ireo.
\v 8 Eh, enga anie ka ho azoko ny fangatahako; eh, enga anie ka homen'Andriamanitra ahy ny zavatra izay iriko mafy:
\v 9 mba ho sitrak'Andriamanitra ny hanorotoro ahy indray mandeha, ka haninjtra ny tanany ary hanala ahy amin'ity fiainana ity Izy!
\s5
\v 10 Aoka ho mbola fiononako izao— na dia mifaly ao amin'ny fanaintainana izay tsy mihena aza aho: fa tsy nandà ny tenin'ilay Iray Masina aho.
\v 11 Inona moa no heriko, no mbola tokony hiezaka hiandry ihany aho? Inona no hiafarako, no tokony ho halavaiko ny androko?
\s5
\v 12 Herim-bato ve ny heriko? Na vita amin'ny varahina ve ny nofoko?
\v 13 Tsy marina ve fa tsy misy fanampiana intsony ao amin'ny tenako, ary izany fahendrena izany efa nesorina tamiko?
\s5
\v 14 Ho an'ny olona izay efa ho ketraka, ny fahatokiana no tokony hasehon'ny namany; na dia amin'izay nahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha aza.
\v 15 Fa ireo rahalahiko dia nahatoky tamiko tahaka ny ranotrambo any an'efitra, tahaka ny lakan-drano izay mandalo fotsiny ihany,
\v 16 izay maizina nohon'ny ranomandry ao amin'izy ireo, ary tahaka ny oram-panala izay manafina ny tenany ao amin'izy ireo.
\v 17 Ary rehefa levona izy ireo, dia manjavona; rehefa mafana, dia mitsonika am-pitoerana.
\s5
\v 18 Ny rodobe izay mandeha amin'ny lalany dia nivily hitady rano; mirenireny eny an-tany tsy mamokatra izy ireny ka dia ringana.
\v 19 Ny rodobe avy any Tema dia nitazana teny, raha nanantena azy ireo ny antokon'i Sheba.
\v 20 Diso fanantenana izy ireo nohon'ny fahatokiany fa hahita rano. Nandeha tany izy ireo, kanefa voafitaka.
\s5
\v 21 Fa ankehitriny ianareo namako dia tsinontsinona amiko; mahita ny zavatra mahatsiravina nanjo ahy ianareo ka matahotra.
\v 22 Niteny taminareo ve aho hoe: 'omeo zavatra aho?' Na hoe: 'Hanolory fanomezana avy amin'ny harenareo aho?'
\v 23 Na hoe: 'Avoty amin'ny tanan'ireo fahavaloko aho?' Na hoe: 'Afaho amin'ny tanan'ireo mpampahory ahy aho?'
\s5
\v 24 Ampianaro aho, dia ho tazoniko ny fahanginako; ataovy izay hahatakarako hoe taiza no nahadiso ahy.
\v 25 Endrey ny hararin'ny teny marina! Kanefa ny fandresen-dahatrareo, ahoana ny tena hananaran'ireo ahy?
\s5
\v 26 Mikasa ny hanao tsinontsinona ny teniko ve ianareo, manao ny tenin'ny olona mamoy fo ho toy ny rivotra?
\v 27 Eny tokoa, miloka ny zaza kamboty ray ianareo, ary miady varotra amin'ny namanareo toy ny entam-barotra.
\s5
\v 28 Koa ankehitriny, mba jereo re aho, fa tena tsy mba handainga eo anatrehan'ny tavanareo aho.
\v 29 Mitsahara, mitalaho aminareo aho; aoka tsy hisy tsy fahamarinana eo aminareo; eny tokoa, mitsahara, fa marina ny adiko.
\v 30 Misy faharatsiana ve eo amin'ny lelako? Tsy afaka mamantatra ny zava-dratsy ve ny vavako?
\s5
\c 7
\p
\v 1 Moa ve ny olona tsy manana asa mafy eto an-tany? Moa ve ny androny tsy mitovy amin'ny andron'ny lehilahy iray nokaramaina?
\v 2 Toy ny andevo iray maniry fatratra ny aloky ny hariva, toy ny lehilahy iray mitady ny karamany—
\v 3 koa dia natao mba hiaritra ny volan'ny fahoriana aho; efa nomena alina feno fikorontanana aho.
\s5
\v 4 Rehefa mandry aho, dia milaza amin'ny tenako hoe: 'Rahoviana aho no hifoha ary rahoviana ny alina no ho lasa?' Nivadibadika ambony ambany aho mandra-parainan'ny andro.
\v 5 Nitafy kankana sy baingan-tany ny nofoko; maina ny fery tamin'ny hoditro ary avy eo dia afaka ary miverina indray.
\s5
\v 6 Haingam-pandeha noho ny famahanan-tenona ny androko; mandalo tsy misy fanantenana ireo.
\v 7 Ry Andriamanitra, tsarovy fa ny fiainako dia fofonaina iray ihany; tsy hahita soa intsony ny masoko.
\s5
\v 8 Ny mason'Andriamanitra, izay mahita ahy, dia tsy hahita ahy intsony; ny mason'Andriamanitra dia ho eo amiko, saingy tsy hisy aho.
\v 9 Tahaka ny rahona levona sy mihelina, dia toy izany koa no tsy hiakaran'izay midina any amin'ny Fiainan-tsy hita intsony.
\v 10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy; na ny fonenany aza tsy hahalala azy intsony.
\s5
\v 11 Noho izany tsy hanakombona ny vavako aho; fa hiteny amin'ny fangirifirian'ny fanahiko; hitaraina amin'ny fangidian'ny fanahiko aho.
\v 12 Moa ve ranomasina aho na biby masiaka an-dranomasina no asinao fiambenana eo amiko?
\s5
\v 13 Rehefa milaza aho hoe: 'Hampionona ahy ny farafarako, ary ny fandriako hampitony ny fitarainako,'
\v 14 dia mampatahotra ahy amin'ny nofy sy mampihorohoro ahy amin'ny alalan'ny fahitana Ianao,
\v 15 mba hisafidianako ny fanakendana sy ny fahafatesana toy izay miaro ireto taolako ireto.
\s5
\v 16 Halako ny fiainako; tsy maniry ny ho velona lalandava aho; avelao irery aho fa tsy misy dikany ny androko.
\v 17 Inona moa ny olona no tokony hiahianao, no tokony ho rarahianao,
\v 18 no tokony ho dinihanao isa-maraina sy tsapainao amin'ny fotoana rehetra?
\s5
\v 19 Mandra-pahoviana izany mialohan'ny hialanao amiko, mialohan'ny hamelanao ahy irery ampy hitelomako ny iviko?
\v 20 Na dia nanota aza aho, dia ho inonao moa izany, Ianao izay mandinika ny olona? Nahoana Ianao no nikendry ahy, mba ho enta-mavesatra ho anao?
\s5
\v 21 Nahoana Ianao no tsy mamela ny hadisoako sy manala ny heloko? Fa ankehitriny aho dia handry amin'ny vovoka; hitady ahy fatratra Ianao, fa tsy hisy aho."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Dia namaly Bildada ilay Sohita ka niteny hoe:
\v 2 "Mandra-pahoviana no hiteny ireo zavatra ireo ianao? Mandra-pahoviana ny teny aloaky ny molotrao no ho lasa rivotra mahery?
\v 3 Mamadika ny rariny ve Andriamanitra? Mamadika ny fahamarinana ve ny Tsitoha?
\s5
\v 4 Efa nanota taminy ny zanakao; fantatsika izany, fa nomeny teo an-tanan'ny fahotany izy ireo.
\v 5 Hevero fa nitady an'Andriamanitra mafy ianao ary nampiseho ny fangatahanao tamin'ilay Tsitoha.
\s5
\v 6 Raha madio sy mahitsy ianao, dia azo antoka fa hiambina anao Izy ary hamerina anao eo amin'ny toeran'ny fahamarinanao.
\v 7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
\s5
\v 8 Anontanio re ireo taranaka teo aloha, ary fantaro izay nianaran'ny razambenao.
\v 9 (Fa isika dia vao teraka omaly ary tsy mahalala na inona na inona satria aloka ny androntsika ety an-tany).
\v 10 Tsy hampianatra anao ve izy ireo ka hilaza aminao? Tsy hiteny ireo teny avy ao am-pony ve izy ireo?
\s5
\v 11 Afaka mitombo ve ny zozoro raha tsy misy ketsaketsa? Afaka mitombo ve ny volotara raha tsy misy rano?
\v 12 Raha mbola maitso sy tsy voakapa izy ireo, dia malazo alohan'ny zava-maniry hafa.
\s5
\v 13 Toy izany koa ny lalan'ireo rehetra izay manadino an'Andriamanitra, ho levona ny fanantenan'ny mpaniratsira.
\v 14 Hiala ny tokiny, ary ny fahatokiany dia marefo toy ny tranon-kala.
\v 15 Hitehina amin'ny tranony izy, fa tsy hanohana azy izany; hihazona izany izy, nefa tsy hahazaka izany.
\s5
\v 16 Eo ambanin'ny masoandro dia maitso izy, ary ny sampany mivoaka eo amin'ny zaridainany manontolo.
\v 17 Ny fakany dia voafono korotam-bato; mitady toerana tsara eo amin'ny vato izy ireo.
\v 18 Fa raha nopotehina hiala amin'ny toerany izany olona izany, dia handà azy izany toerana izany ka hiteny hoe: 'Tsy mbola nahita anao mihitsy aho.'
\s5
\v 19 Indro, izany ny "fifalian'ny" fitondran-tenan'ny olona toy izany; ary hisy zava-maniry hafa hitsimoka eo amin'ny nofon-tany mitovy eo amin'ny toerany.
\v 20 Indro, Andriamanitra tsy hanary lehilahy iray tsy manan-tsiny; na hitantana ny tanan'ny mpanao ratsy
\s5
\v 21 Mbola ho fenoiny fiomehezana ihany ny vavanao, sy fihobiana ny molotrao.
\v 22 Ireo izay mankahala anao dia hitafy henatra; ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy."
\s5
\c 9
\p
\v 1 Ary dia namaly Joba ka niteny hoe:
\v 2 "Fantatro marina fa izany tokoa no izy. Fa ahoana no ahafahan'ny olona iray ho marina amin'Andriamanitra?
\v 3 Raha te-hiady hevitra amin'Andriamanitra izy, tsy afaka hamaly Azy indray mandeha amin'ny arivo izy.
\s5
\v 4 Andriamanitra dia hendry am-po ary matanjaka amin'ny heriny; iza no efa nanamafy ny tenany hanohitra Azy ka nahomby? —
\v 5 Izy izay mamindra ny tendrombohitra ka tsy mampitandrina na iza na iza rehefa mamadika ireo amin'ny fahatezerany Izy—
\v 6 Izy izay manozongozona ny tany hiala eo amin'ny toerany ary mampihovitrovitra ny andriny.
\s5
\v 7 Izany Andriamanitra izany ihany no miteny ny masoandro tsy hiposaka, ary tsy miposaka izany, ary ilay manarona ireo kintana,
\v 8 izay Izy tenany no mamelatra ny lanitra ary manosiosy ny onjan-dranomasina,
\v 9 izay manao ny Bera, Telonohorefy, Ikotokelimiadilaona, ary ireo kintana any Atsimo.
\s5
\v 10 Izany Andriamanitra izany ihany no manao zavatra lehibe, zavatra tsy takatry ny saina—zava-mahagaga tsy hita isa.
\v 11 Indro, mandeha eto anilako Izy, nefa tsy hitako; mandalo ihany koa Izy, nefa tsy fantatro.
\v 12 Raha manaisotra zavatra Izy, iza no hahasakana Azy? Iza no afaka hiteny aminy hoe: 'Inona ity ataonao?'
\s5
\v 13 Andriamanitra tsy hanala ny fahatezarany; ireo mpanampy an-dRahaba aza miondrika eo ambaniny.
\v 14 Koa mainka fa ahoana no hahafahako mamaly azy, hahafahako misafidy teny halahatra aminy?
\v 15 Na dia marina aza aho, dia tsy afaka ny hamaly azy; mitalaho famindram-po amin'ny mpitsarako ihany no azoko atao.
\s5
\v 16 Na dia niantso aza aho ary namaly ahy Izy, tsy nino aho hoe nihaino ny feoko Izy.
\v 17 Satria mandrava ahy amin'ny tafio-drivotra ary manamaro ny feriko amin'ny tsy misy antony Izy.
\v 18 Tsy mamela ahy hiaina akory Izy; fa kosa, fenoiny zava-mangidy aho.
\s5
\v 19 Raha resaka tanjaka, indro!, mahery Izy! Raha resaka fitsaràna iza no afaka hampiantso Azy?
\v 20 Na dia amin'ny marina aza aho, ny vavako ihany no hiampanga ahy; ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, ireo teniko hanaporofo ahy fa meloka aho.
\s5
\v 21 Tsy manan-tsiny aho, kanefa tsy rarahiako intsony ny momba tenako; ataoko tsinontsinona ny fiainako.
\v 22 Tsy manova zavatra izany, ka izany no itenenako hoe haringany miaraka ny olona tsy misy tsiny sy ny olona ratsy fanahy.
\v 23 Raha hamono tampoka ny areti-mandringana, dia hihomehy ny amin'ny fahorian'ny olona tsy manan-tsiny Izy.
\v 24 Nomena teo an-tanan'ny olona ratsy fanahy ny tany; Andriamanitra manarona ireo tavan'ny mpitsara izany. Fa raha tsy Izy no manao izany, dia iza ary?
\s5
\v 25 Ny androko dia haingam-pandeha noho ny mpitondra hafatra mihazakazaka; ny androko dia mihelina; ka tsy misy tsara hitan'ireo na aiza na aiza.
\v 26 Haingam-pandeha tahaka ny lakan-jozoro ireny, ary haingam-pandeha tahaka ny voromahery mipaoka ny hazany.
\s5
\v 27 Raha niteny aho hoe hanadino ireo fitarainako aho, hanala ny endrika malaheloko aho ka ho faly,
\v 28 dia hatahotra ny alaheloko rehetra aho satria fantatro fa tsy hihevitra ahy ho tsy manan-tsiny Ianao.
\v 29 Ho melohina aho; ka nahoana ary aho no tokony hiezaka tsy amin'ny antony?
\s5
\v 30 Raha nanasa ny tenako tamin'ny ranon'oram-panala aho ary nanao ny tanako madio tsy nisy toy izany,
\v 31 dia handroboka ahy any an-kady Andriamanitra, ary ny ankanjoko dia ho rikoriko ny amiko.
\s5
\v 32 Fa tsy olona tahaka ahy Andriamanitra, ka afaka hamaly Azy aho, ka hiaraka tonga eo amin'ny fitsaràna izahay.
\v 33 Tsy misy mpitsara eo anelanelanay mba hametraka ny tanany aminay roa.
\s5
\v 34 Tsy misy mpitsara hafa afaka manala ny tsorakazon'Andriamanitra amiko, izay afaka mitazona ny horohorony tsy hampatahotra ahy.
\v 35 Dia hiteny mafy aho ary tsy hatahotra Azy. Kanefa amin'izao zava-misy izao, dia tsy afaka hanao izany aho.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Sasatra ny miaina aho; haneho malalaka ny fitarainako aho; hiresaka amin'ny fangidian'ny fanahiko aho.
\v 2 Hilaza amin'Andriamanitra aho hoe: 'Aza manameloka ahy fotsiny ihany; asehoy ahy ny antony hiampanganao ahy.
\v 3 Mety aminao ve ny mampahory ahy, ny manao tsinontsinona ny asan'ny tananao eo am-pitsikiana amin'ireo tetiky ny ratsy fanahy?
\s5
\v 4 Manana maso-nofo ve Ianao? Mahita toy ny fahitan'ny olona ve Ianao?
\v 5 Moa ireo andronao ve toy ny andron'ny olombelona na ny taonanao toy ireo taonan'ny olona,
\v 6 no karohinao ny heloko ary henjehinao ny fahotako,
\v 7 na dia fantatrao aza fa tsy meloka aho ary tsy misy olona afaka hanavotra ahy eo am-pelatananao?
\s5
\v 8 Ny tananao no namolavola sy nanamboatra ahy manontolo, nefa potehinao ihany aho.
\v 9 Tsarovy, mitalaho aminao aho, fa namolavola ahy toy ny tanimanga Ianao; dia ho averinao ho vovoka indray ve aho?
\s5
\v 10 Moa tsy efa nandraraka ahy toy ny ronono sy nampandry ahy toy fromazy ve ianao?
\v 11 Notafianao tamin'ny hoditra sy nofo aho ary nampiraisinao tamin'ny taolana sy ozatra.
\s5
\v 12 Nomenao fiainana sy fanekena mahatoky aho; niambina ny fanahiko ny fiahianao.
\v 13 Nefa ireo zavatra izay nafeninao tao am-ponao—dia fantatro fa izao no noeritreretinao:
\v 14 raha manota aho, dia ho tsikaritrao izany; tsy hanafaka ahy amin'ny heloko Ianao.
\s5
\v 15 Raha ratsy fanahy aho, dia loza ho ahy; na dia marina aza aho, dia tsy afaka hanandratra ny lohako, satria feno fahamenarana aho ary mijery ny fijaliako manokana.
\v 16 Raha miandrandra ny lohako, dia hihaza ahy tahaka ny liona ianao; mampiseho ny tenanao ho mahery amiko indray Ianao.
\s5
\v 17 Mitondra vavolombelona vaovao manohitra ahy Ianao ary mampitombo ny hatezeranao amiko; manafika ahy amin'ny tafika vaovao Ianao.
\s5
\v 18 Nahoana ary, no navoakanao avy tao am-bohoka aho? Naleoko nanolotra ny fanahiko ka tsy mba nisy maso nahita ahy.
\v 19 Ho toy ny tsy nisy na oviana na oviana aho; ho nentina avy tao am-bohoka nankany am-pasana aho.
\s5
\v 20 Tsy vitsy ihany ve ny androko? Koa aoka izay ary, avelao ho irery aho, mba hialako sasatra kely
\v 21 mialohan'ny hialako eo amin'ilay tsy hiverenako, mankany amin'ilay tanin'ny aizina sy aloky ny fahafatesana,
\v 22 ilay tany izay maizina toy ny misasak'alina, ilay tanin'ny aloky ny fahafatesana, tsy misy filaminana, izay toy ny misasak'alina ny hazavana.'"
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary Zofara ilay Namatita namaly ary niteny hoe:
\v 2 "Tsy tokony ho valiana ve ny teny betsaka tahaka izany? Tokony hinoana ve, ity lehilahy, be resaka ity?
\v 3 Tokony hampangina ireo hafa ve ny fireharehanao? Raha manevateva ny fampianaranay ianao, tsy hisy olona hampahamenatra anao ve?
\s5
\v 4 Satria ianao niteny tamin'Andriamanitra hoe: 'Madio ny finoako, tsy manan-tsiny eo imasonao aho.'
\v 5 Nefa, eh, hiteny Andriamanitra ary hanokatra ny molony hanohitra anao;
\v 6 mba hanehoany anao ireo tsiambaratelon'ny fahendrena! Fa lehibe amin'ny fahazavan-tsaina Izy. Fantaro ary fa kely noho izay mendrika ny helokao no angatahin'Andriamanitra aminao.
\s5
\v 7 Mahatakatra an'Andriamanitra amin'ny fitadiavana Azy ve ianao? Takatrao tanteraka ve ny Tsitoha?
\v 8 Izany zavatra izany dia avo toy ny lanitra; inona no afaka ataonao? Lalina noho ny Fiainan-tsy hita izany; ka inona no fantatrao?
\v 9 Ny refin'izany dia lava noho ny tany, ary lehibe noho ny ranomasina.
\s5
\v 10 Raha mandalo Izy ka mampangina olona, raha miantso olona ho tsaraina Izy, dia iza no afaka hanakana Azy?
\v 11 Fa Izy mahalala ny olona diso; rehefa mahita heloka Izy, tsy ho tsikariny ve izany?
\v 12 Nefa ny olona adala tsy manana fahatakarana; ho azon'izy ireo izany rehefa miteraka olona ny apondra-dia.
\s5
\v 13 Nefa hevero fa efa nametraka tsara ny fonao ianao ary efa nanatsotra ny tananao ho amin'Andriamanitra;
\v 14 hevero hoe eo an-tananao ny heloka, nefa avy eo dia nohalavirinao lavitra anao izany, ary tsy namela ny tsy fahamarinana hitoetra ao an-dainao ianao.
\s5
\v 15 Dia hanandratra ny tavanao tsy misy famantarana henatra tokoa ianao; eny tokoa, tsy hiovaova ianao ary tsy hatahotra.
\v 16 Hanadino ny fahorianao ianao; ho tsaroanao toy ny rano izay nikoriana fotsiny izany.
\v 17 Hamiratra noho ny amin'ny mitataovovonana ny fiainanao; na dia nisy aizina aza, dia ho tonga toy ny maraina izany.
\s5
\v 18 Ho voaaro ianao satria misy fanantenana; eny tokoa, hahita fiarovana momba anao ianao ary hanana fitsaharana am-pilaminana.
\v 19 Handry am-pitsaharana koa ianao, ary tsy misy olona hampitahotra anao; eny tokoa, maro no hila sitraka aminao.
\s5
\v 20 Fa ho pahina ny mason'ny olona ratsy fanahy; tsy hahita lalana handosirana izy ireo; ny hany fanantenan'izy ireo dia ny fialan'aina farany."
\s5
\c 12
\p
\v 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
\v 2 "Tsy hisalasalana fa ianareo no olona; ary ho faty miaraka aminareo ny fahendrena.
\v 3 Fa manana fahazavan-tsaina tahaka anareo koa aho; ary tsy ambaninareo aho. Eny tokoa, iza no tsy mahalala ny zavatra toy izany?
\s5
\v 4 Zavatra fiomehezan'ny mpiray vodi-rindrina amiko aho— Izaho, izay niantso an'Andriamanitra ary izay novaliany! Izaho, lehilahy marina sy tsy misy tsiny—lasa zavatra fihomehezana aho ankehitriny.
\v 5 Amin'ny eritreritry ny olona izay miadana, dia misy fanamavoana lozabe; mieritreritra ny amin'ny fomba izay mitondra loza maro kokoa ho an'ireo izay solafaka iz.
\v 6 Ambinina ny lain'ireo jiolahy, ary mahatsiaro milamina ireo izay mampahatezitra an'Andriamanitra; ny tanan'izy ireo ihany no andriamanitr'izy ireo.
\s5
\v 7 Fa ankehitriny anontanio ireo bibidia, dia hampianatra anao izy ireo; anontanio ireo voron'ny lanitra, dia hilaza aminao izy ireo.
\v 8 Na miresaha amin'ny tany, dia hampianatra anao izany; hanambara aminao ireo trondron-dranomasina.
\s5
\v 9 Biby inona amin'ireo rehetra ireo no tsy mahalala fa ny tanan'i Yaveh no nanao izao?
\v 10 Eo an-tanany ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofon'ain'ny olombelona rehetra.
\s5
\v 11 Tsy ny sofina ve no mamantatra ny teny toy ny lanilany manandrana ny tsiron'ny sakafo?
\v 12 Ao amin'ny anti-dahy no misy ny fahendrena; ao amin'ny fahalavan'ny andro ny fahazavan-tsaina.
\s5
\v 13 Manana fahendrena sy hery Andriamanitra; manana torohevitra sy fahazavan-tsaina Izy.
\v 14 Indro, mandrava Izy, ary tsy afaka hamboarina indray izany; raha managradra olona iray Izy, dia tsy hisy fanafahana.
\v 15 Indro, raha mihazona ireo rano Izy, ho ritra ireo; ary raha mandefa izany any ivelany izy, dia manafotra ny tany ireo.
\s5
\v 16 Ao aminy ny hery sy fahendrena; ny vahoaka izay voafitaka sy ny mpamitaka dia samy eo amin'ny fahefany.
\v 17 Manala voninahitra ny mpanolon-tsaina amin'ny alahelo Izy; ary mampody ireo mpitsara ho adala Izy.
\v 18 Esoriny amin'ireo mpanjaka ny rojom-pahefana; nampisikina lamba ny valahany izy ireo.
\s5
\v 19 Manala ny voninahitry ny mpisorona amin'alahelo Izy ary mandrava ny olona mahery.
\v 20 Manaisotra ny lahatenin'ireo izay nitokiana Izy ary alàny amin'ireo loholona ny fahazavan-tsaina.
\v 21 Mandatsaka fanamavoana amin'ny andrian-dahy Izy ary mamaha ny fehin-kibon'ny olo-matanjaka.
\s5
\v 22 Maneho zavatra lalina avy ao amin'ny aizina Izy ary mitondra ny aloka izay misy ireo olona maty hivoaka ho amin'ny fahazavana.
\v 23 Mampatanjaka ireo firenena Izy, ary mamotika azy ireo ihany koa; manitatra ireo firenena Izy, ary mitarika ireo toy ny voafonja ihany koa Izy.
\s5
\v 24 Manala ny fahazavan-tsaina amin'ireo mpitariky ny olon'ny tany Izy; mahatonga azy ireo hirenireniny any an'efitra izay tsy misy lalana Izy.
\v 25 Mitsapatsapa ao amin'ny aizina tsy misy hazavana izy ireo; ary mampivembena azy ireo tahaka ny olona mamo Izy.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Indro, ny masoko efa nahita izany rehetra izany; ny sofiko efa nandre ka nahatakatra izany.
\v 2 Izay fantatrareo, dia fantatro ihany koa; tsy ambaninareo aho.
\s5
\v 3 Kanefa, aleoko miresaka amin'ilay Tsitoha; maniry ny hifandahatra amin'Andriamanitra aho.
\v 4 Fa fotsianareo amin'ny lainga ny marina; mpitsabo tsy misy lanjany avokoa ianareo.
\v 5 Eh, tazony ho anareo ny fahanginanareo! Ho fahendrenareo izany.
\s5
\v 6 Ankehitriny henoy ny fandaharako; henoy ny fiangavian'ny molotro.
\v 7 Hiteny amin'ny tsy fahamarinana ho an'Andriamanitra ve ianareo, ary moa hiteny amim-pitaka ho Azy?
\v 8 Tena haneho hatsaram-panahy aminy ve ianareo? Hiady any am-pitsaràna tokoa ve ianareo mba ho vavolombelon'Andriamanitra?
\s5
\v 9 Mety aminareo tokoa ve raha mitady anareo Izy? Afaka ny hamitaka Azy tahaka ny mety ho famitahanareo olona ve ianareo?
\v 10 Hananatra anareo tokoa Izy raha nampiseho fiangarana miafina ianareo.
\s5
\v 11 Tsy hampitahotra anareo ve ny voninahiny? Tsy hianjera aminareo ve ny fahatahorana Azy?
\v 12 Ny teny fahatsiarovanareo dia ohabolana vita amin'ny lavenona; ary ny teny fiarovanareo dia fiarovana vita amin'ny tanimanga.
\s5
\v 13 Tazony any ny fahanginanareo, avelao irery aho, mba hahafahako miteny, aoka ho avy amiko izay ho avy.
\v 14 Ny nifiko ihany no hanongotako ny nofoko; ary raisiko ho eo an-tanako ny aiko.
\v 15 Indro, raha mamono ahy Izy, dia ho foana ny fanantenako; fa na izany aza, dia hiaro ny lalako eo anatrehany aho.
\s5
\v 16 Izao no ho anton'ny fialan-tsiniko, mba tsy handehanako eo anatrehany tahaka ny olona mpaniratsira.
\v 17 Andriamanitra ô, henoy tsara ny teny alahatro; aoka ny fanambarako ho tonga eo an-tsofinao.
\s5
\v 18 Indro ankehitriny, efa nalahatro tsara ny fiarovan-tenako; fantatro fa tsy manan-tsiny aho.
\v 19 Iza ilay iray izay hiady amiko eo amin'ny fitsaràna? Raha tonga hanao izany Ianao, ka raha voaporofo fa diso aho, dia hangina aho ka hahafoy ny aiko.
\s5
\v 20 Andriamanitra ô, zavatra roa ihany no ataovy amiko, dia tsy hanafina ny tenako amin'ny tavanao aho:
\v 21 esory amiko ny tana-mampahorinao, ary aza avela hampatahotra ahy ny fampihorohoroanao.
\v 22 Antsoy aho, dia hamaly aho; na mamelà ahy hiteny aminao, dia hamaly ahy Ianao.
\s5
\v 23 Firy ny hadisoako sy ny fahotako? Ampahafantaro ahy ny heloko sy ny fahotako.
\v 24 Nahoana Ianao no manafina ny tavanao amiko ka mitondra ahy tahaka ny fahavalonao?
\v 25 Hanenjika ravin-kazo lasan'ny rivotra ve Ianao? Hanenjika mololo maina ve Ianao?
\s5
\v 26 Fa manoratra zava-mangidy hanohitra ahy Ianao; hampandovànao ahy ny heloky ny fahatanorako.
\v 27 Ataonao ao anaty gadra vy ihany koa ny tongotro; jerenao akaiky ny lalako rehetra; dinihanao ihany koa ny tany izay nohitsahan'ny faladian-tongotro
\v 28 na dia tahaka ny zavatra lo izay mihalevona aza aho, tahaka ny akanjo lanin'ny kalalao.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ny olona, izay natera-behivavy, dia miaina andro vitsy monja ary feno fahoriana.
\v 2 Mitsimoka amin'ny tany toy ny voninkazo izy ary voakapa; mandositra toy ny aloka izy ary tsy maharitra.
\v 3 Mba mijery an'ireny ve Ianao? Moa entinao ho tsaraina miaraka aminao aho?
\s5
\v 4 Iza no afaka mitondra zavatra madio avy amin'ny zavatra maloto? Tsy misy.
\v 5 Voafaritra ny andron'ny olona. Ianao no manapaka ny isan'ny volana iainany; ianao no nanondro ny fetrany izay tsy azony hihoarana.
\v 6 Mihodìna aminy mba hitsaharany, ka mba hankafizany ny androny toy ny mpikarama raha afaka manao izany izy.
\s5
\v 7 Mety hisy fanantenana ny hazo; raha voakapa izany, dia mety hitsimoka indray, mba tsy hanjavona ny tahony tanora.
\v 8 Na dia miha-antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny tany ny fotony,
\v 9 nefa na dia mamofona rano fotsiny aza izany, dia hitsiry sy hisandrahaka tahaka ny zava-maniry izany.
\s5
\v 10 Fa maty ny olona; dia lasa malemy izy; eny tokoa, mitsahatra tsy miaina ny olona, ary aiza izy avy eo?
\v 11 Toy ny fanjavonan'ny rano amin'ny farihy, sy toy ny faharitan'ny renirano ka maina,
\v 12 dia toy izany koa no handrian'ny olona ary tsy mifoha intsony. Mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra intsony, dia tsy hifoha na hitsangana amin'ny torimasony izy ireo.
\s5
\v 13 Iriako ny mba hanafenanao ahy any amin'ny Fiainan-tsy hita lavitry ny fahoriana, ary mba hihazonanao ahy ao amin'ny miafina mandra-pitsahatry ny hatezeranao, sy hanendrenao fotoana voatondro ho ahy hijanonako any ary mba hahatsiarovanao ahy avy eo!
\v 14 Raha maty ny olona iray, moa mbola hiaina indray izy? Raha izany, dia maniry ny hiandry ny fotoam-paharerahako rehetra any aho mandra-pahatongan'ny fanafahana ahy.
\s5
\v 15 Hiantso Ianao, dia hamaly Anao aho. Hanam-paniriana amin'ny asan'ny tananao Ianao.
\v 16 Hanisa sy hiahy ny diako Ianao; tsy hitazona ny fahotako Ianao.
\v 17 Ho voahisy tombo-kase ao anaty kitapo ny fandikan-dalàko; ary hanarona ny heloko Ianao.
\s5
\v 18 Fa na ny tendrombohitra aza mianjera ary lasa tsinontsinona;
\v 19 na ny vatolampy aza voahozongozona amin'ny toerany; lanin'ny rano ny vato; lasan'ny riakany ny vovoky ny tany. Tahaka izany, no hamotehanao ny fanantenan'ny olona.
\s5
\v 20 Mandresy azy mandrakariva Ianao, ary lasana izy; ovainao ny tavany ary halefanao mba ho faty izy.
\v 21 Raha omem-boninahitra ireo zanany lahy, dia tsy fantany izany; ary raha haetry izy ireo, dia tsy hitany izany.
\v 22 Ny fanaintainan'ny vatany manokana ihany no tsapany, ary misaona ho an'ny tenany ihany izy.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Dia namaly Elifaza ilay Temanita ka nanao hoe:
\v 2 "Tokony hamaly amin'ny fahalalana tsy misy dikany ve ny olon-kendry iray ka hameno ny tenany amin'ny rivotra avy any atsinanana?
\v 3 Tokony handahatra amin'ny teny tsy mahasoa ve izy na amin'ny lahateny izay tsy hanasoavany akory?
\s5
\v 4 Eny tokoa, mampietry voninahitr'Andriamanitra ianao; manaisotra ny fanoloran-tena ho Azy ianao,
\v 5 fa ny helokao no mampianatra ny vavanao; mifidy ny hanana ny lelan'ny olom-petsy ianao.
\v 6 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy ny ahy; ny molotrao ihany no miampanga anao.
\s5
\v 7 Moa ianao no olona teraka voalohany? Moa natao nisy talohan'ireo havoana angaha ianao?
\v 8 Moa ve efa nandre ny fahalalana miafin'Andriamanitra ianao? Moa feranao ho amin'ny tenanao ihany ny fahendrena?
\v 9 Inona no fantatrao izay tsy fantatray? Inona no takatrao izay tsy aminay ihany koa?
\s5
\v 10 Samy miaraka aminay ireo fotsy volo sy ireo lehilahy voky taona izay antitra mihoatra noho ny rainao.
\v 11 Moa kely loatra ho anao ny fampiononan'Andriamanitra, dia ireo teny malefaka aminao?
\s5
\v 12 Nahoana no mitondra anao hivily ny fonao? Nahoana ianao no mipipi-maso,
\v 13 hany ka mihodina amin'Andriamanitra ny fanahinao ka mamoaka teny toy izany avy amin'ny vavanao?
\v 14 Inona moa ny olona no tokony hadio? Inona moa izay natera-behivavy no tokony ho marina?
\s5
\v 15 Indro, Andriamanitra dia tsy mametraka fitokisana na dia amin'ireo masiny aza; eny tokoa, tsy madio eo imasony ny lanitra;
\v 16 mainka fa ny hakelin'ny fahadiovanao izay maharikoriko sy ratsy toetra, lehilahy misotro heloka tahaka ny rano!
\s5
\v 17 Hasehoko anao; mihainoa ahy; hanambara aminao ireo zavatra izay hitako aho,
\v 18 ireo zavatra izay nampitain'ny olon-kendry avy tamin'ireo rainy, ireo zavatra izay tsy mba nafenin'ny razambeny.
\s5
\v 19 Ireo no razan'izy ireo, izay hany nomena ny tany, ary izay tsy mba nandalovan'ny vahiny mihintsy.
\v 20 Ny olona ratsy fanahy dia mijaly am-panaintainana amin'ny androny rehetra, izay isan'ny taona napetraka hijalian'ny mpampahory.
\v 21 Misy feon'horohoro eo an-tsofiny; raha hambinina izy, dia ho avy aminy ny mpandringana.
\s5
\v 22 Tsy mihevitra izy fa hiverina avy ao amin'ny aizina; miandry azy ny sabatra.
\v 23 Mandeha any amin'ny toerana isan-karazany izy mba hitady mofo, manao hoe: 'Aiza izany?' Fantany fa antomotra ny andron'ny fahamaizinana.
\v 24 Mampatahotra azy ny fahoriana sy ny fangirifiriana; fa mandresy azy izy ireo, tahaka ny mpanjaka vonon-kiady.
\s5
\v 25 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy ary nieboebo nanohitra ilay Tsitoha,
\v 26 dia mihazakazaka mankany amin'Andriamanitra amin'ny fahamafisan-katoka izany lehilahy ratsy fanahy izany, miaraka amin'ny apinga matevina.
\s5
\v 27 Marina izany, na dia nanafina ny tavany tamin'ny taviny sy namory tavy ho an'ny valahany aza izy,
\v 28 ary nonina tao amin'ny tanàna lao; tany amin'ny trano izay tsy misy mipetraka ankehitriny ary izay efa vonona ny ho natao korotam-bato.
\s5
\v 29 Tsy hanan-karena izy; tsy haharitra ny hareny; na ny alokany aza dia tsy haharitra eto an-tany.
\v 30 Tsy hivoaka avy ao amin'ny aizina izy;
\f + \ft Fanamarihana: Dikan-teny vaovao maro no tsy manisy hoe: "Tsy hivoaka avy ao amin'ny aizina izy," satria hinoan'izy ireo fa io teny io dia voadika tsy nahy avy tao amin'ny 15:22 \f*
hisy afo handevona ny mololony; ary amin'ny fofonaina avy amin'ny vavan'Andriamanitra no halasàny.
\f + \ft Fanamarihana: Ny lahatsoratra Hebreo dia misy hoe: "Hiala amin'ny fofonaina avy amin'ny vavany izy," izay adikan'ny dikan-teny sasany ankehitriny, isan'izany ny ULB sy ny UDB, ho fofonaina avy amin'ny vavan'Andriamanitra. Na izany aza, misy dikan-teny vaovao hafa manaraka ny dikan-teny Grika iray hoe: "hihintsana miaraka amin'ny rivotra ny voniny." \f*
\s5
\v 31 Aoka izy tsy hatoky zava-poana, ka hamitaka ny tenany; fa ny zava-poana no ho valisoany.
\v 32 Hitranga mialohan'ny tokony hahatongavan'ny fotoana hahafatesany izany; ary tsy ho maitso ny sampany.
\v 33 Hanintsana ny voa tsy matoiny tahaka ny voaloboka izy; ary hampiraraka ny voniny tahaka ny hazon'oliva.
\s5
\v 34 Fa ny antokon'ny mpaniratsira dia ho momba; handevona ny lain'ny kolikoliny ny afo.
\v 35 Sompatra no torotoroniny ary heloka no haterany; fitaka no torotoronin'ny kibon'izy ireo."
\s5
\c 16
\p
\v 1 Ary namaly i Joba ka niteny hoe:
\v 2 "Efa nahare zavatra tahaka izany maro aho; mpampionona mahonena avokoa ianareo.
\v 3 Mba hisy fiafarany ve ireo teny tsy misy fotony? Inona no olanao no dia mamaly tahaka izao ianao?
\s5
\v 4 Afaka miteny tahaka anareo ihany koa aho, raha ianareo no teo amin'ny toerako; afaka manangona sy manambatra teny aho entina hanoherana anareo ary hanifikifika ny lohako aminareo amin'ny eso.
\v 5 Eh, te-hankahery anareo amin'ny vavako aho! Endrey ny ho fanamaivanan'ny fampiononan'ny molotro ny alahelonareo!
\s5
\v 6 Raha miteny aho, dia tsy mihena ny alaheloko; raha mangina kosa aho, ahoana no hanampiana ahy?
\v 7 Fa ankehitriny, ry Andriamanitra, dia novizaninao aho; noravanao ny fianakaviako manontolo.
\v 8 Nohamaininao aho, izay vavolombelona manohitra ahy ihany; nitsangana hiampanga ahy ny fahiazan'ny vatako, ary vavolombelona manohitra ny tavako izany.
\s5
\v 9 Tao anaty hatezerana no namotehan'Andriamanitra sy nanenjehany ahy; nihidy vazana tamiko Izy; dia nanondro maso ahy ny fahavaloko raha mbola nandrava ahy Izy.
\v 10 Nisanasana vava tamiko ny olona; nofelahan'izy ireo tamin'ny fanomezan-tsiny ny takolako; niara-nivondrona hanohitra ahy izy ireo.
\s5
\v 11 Atolotr'Andriamanitra eo amin'ny olona mpaniratsira aho, ary atsipiny eny an-tanan'ny olona ratsy fanahy.
\v 12 Nilamina aho, dia nopotehiny. Eny tokoa, noraisiny tamin'ny tenda aho ary nakapony ho potipotika; nataony marika ho kendreny ihany koa aho.
\s5
\v 13 Manodidina ahy ireo mpanipy zana-tsipìkany; tsindronin'Andriamanitra tsy hananany hantra ny voako; ararany amin'ny tany ny aferoko.
\v 14 Velesiny hatrany hatrany ny rindriko; mihazakazaka manatona ahy toy ny mpiady Izy.
\s5
\v 15 Nozairiko teo an-koditro ny akanjo fisaonana; efa nalentiko tao amin'ny tany ny tandroko.
\v 16 Menan'ny tomany ny tarehiko; eo amin'ny hodimasoko ny aloky ny fahafatesana
\v 17 na dia tsy misy herisetra aza ny tanako, ary madio ny fivavako.
\s5
\v 18 Ry tany o, aza rakofana ny ràko; aoka tsy hanana toerana hitsaharana ny fitomaniako.
\v 19 Na ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny vavolombeloko; any amin'ny avo ilay mpiantoka ahy.
\s5
\v 20 Manesoeso ahy ireo namako, kanefa mandrotsa-dranomaso ho an'Andriamanitra ny masoko.
\v 21 Mangataka izany vavolombelona tany an-danitra izany aho mba hiady ho an'ity lehilahy ity eo amin'Andriamanitra toy ny ataon'ny olona amin'ny mpiara-belona aminy aho!
\v 22 Fa afaka taona vitsivitsy, dia ho any amin'ny toerana iray izay tsy hiverenako intsony aho.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Levona ny fanahiko, ary tapitra ny androko; efa vonona ho ahy ny fasana.
\v 2 Azo antoka fa misy mpandrabiraby eto amiko; tsy maintsy hijery ny fihantsian'izy ireo lalandava ny masoko.
\v 3 Manomeza antoka izao, aoka ho antoka ho ahy ianao miaraka amin'ny tenanao; iza koa no eto hanampy ahy?
\s5
\v 4 Fa Ianao, ry Andriamanitra, nitana ny fon'izy ireo tsy ho amin'ny fahazavan-tsaina; noho izany, tsy hanandratra azy ireo ho amboniko Ianao.
\v 5 Izy izay miampanga ireo namany tamin'ny valisoa; dia ho pahina ireo mason'ny zanany.
\s5
\v 6 Nefa nataony ho ambetitenin'ny vahoaka aho; nororain'izy ireo ny tavako.
\v 7 Pahina nohon'ny alahelo koa ny masoko; ny rantsam-batako rehetra dia mahia toy ny aloka.
\v 8 Ireo olona mahitsy dia ho ankona amin'izany; ny olona tsy manan-tsiny handrisika ny tenany hanohitra ireo olona mpaniratsira.
\s5
\v 9 Ny lehilahy marina dia hifikitra amin'ny lalany; izay manana tanana madio dia hitombo hery hatrany hatrany.
\v 10 Nefa ho anareo rehetra, miavia eto izao; tsy hahita olona hendry eo aminareo aho.
\s5
\v 11 Efa lasa ny androko; rava ireo fikasako, ary toy izany koa ireo fanirian'ny foko.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany vaovao dia manao hoe: "Lasa ireo androko, ary koa ireo drafitro. Ireo fanirian'ny foko dia tapitra" na "... ireo tadin'ny foko dia efa potika" Ny hafa manao hoe: "Lasa ireo androko; tapitra ireo drafitro, ary koa ireo fanirian'ny foko" \f*
\v 12 Ireo olona ireo, ireo mpaniratsira ireo, dia mamadika ny alina ho andro; akaikin'ny aizina ny mazava.
\s5
\v 13 Satria mijery ny Fiainan-tsy hita toy ny tranoko aho; satria nampiely ny fandriako tao amin'ny aizina aho;
\v 14 satria niteny tamin'ny lavaka aho hoe: 'Raiko ianao' ary tamin'ny kankana hoe: 'Reniko na anabaviko ianao',
\v 15 dia aiza ary izany ny fanantenako? Raha ny fanantenako, iza no hahita izany?
\v 16 Hidina miaraka amiko any amin'ireo vavahadin'ny Fiainan-tsy hita ve ny fanantenana rehefa midina any amin'ny vovoka isika?"
\s5
\c 18
\p
\v 1 Avy eo i Bilidada ilay Sohita namaly ary niteny hoe:
\v 2 "Rahoviana no hatsahatrao ny teninao? Diniho, ary aorian'izany dia hiteny izahay.
\s5
\v 3 Nahoana izahay no heverina toy ny biby; nahoana izahay no nanjary adala eo imasonao?
\v 4 Ianao izay mamiravira ny tenanao amin'ny fahatezaranao, tokony hahafoy ho anao ve ny tany sa tokony ho esorina eo amin'ny toerany ireo vatolampy?
\s5
\v 5 Eny tokoa, ho vonoina ny fahazavan'ny olona ratsy fanahy; tsy hamirapiratra ny pitik'afony.
\v 6 Ho maizina ny fahazavana ao an-dainy; ary ny jiro eo amboniny dia ho vonoina.
\s5
\v 7 Hafohezina ny dingan'ny heriny; ny fikasany ihany no handrava azy.
\v 8 Fa hifatratra anaty harato amin'ny alalan 'ny tongony ihany izy; ary hilatsaka anaty vela-pandrika iray izy.
\s5
\v 9 Hisy fandrika hahazo azy amin'ny kitro; ary hihazona azy ny fandrika.
\v 10 Misy fandrika iray miafina ho azy eo amin'ny tany; ary fandrika iray ho azy eo amin'ny lalana.
\v 11 Hampatahotra azy ny fampihorohoroana amin'ny sisiny rehetra; hanenjika azy amin'ny kitrony izy ireo.
\s5
\v 12 Hivadika hanoanana ny hareny, ary ho vonona eo anilany ny loza.
\v 13 Ny ratsam-batany dia ho voarapaka; eny tokoa, ny voalohan-teraky ny fahafatesana dia handrapaka ny rantsany.
\s5
\v 14 Voaviravira tsy ho amin'ny fiarovan'ny lainy izy ary hivoaka mankany amin'ilay mpanjakan'ny horohoro.
\v 15 Ny olona izay tsy azy dia honina ao an-dainy aorian'ny hahitan'izy ireo fa niparitaka tao an-tranony ny solifara.
\s5
\v 16 Ho maina avy any ambany ny fakany; ary eo ambony no hanapahana ireo sampany.
\v 17 Ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy; tsy hanana anarana eny an-dalana izy.
\s5
\v 18 Ho entina avy amin'ny mazava ho any amin'ny aizina izy ary ho voaroaka eto amin'izao tontolo izao.
\v 19 Tsy hanana zanaka na zafy eo amin'ny olony izy, na hanana sisa tavela amin'ireo fara-mandimby izay nijanonany.
\v 20 Ireo izay monina any andrefana dia hiorin-koditra amin'izay hanjo azy indray andro any; ary ireo izay monina any atsinanana dia ho raiki-tahotra amin'izany.
\s5
\v 21 Azo antoka fa tahaka izany ny tranon'ny olona tsy marina, dia ny toeran'ireo izay tsy mahalala an'Andriamanitra."
\s5
\c 19
\p
\v 1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
\v 2 "Hafiriana no hampijalianareo ahy sy hamotipotehinareo ahy amin'ny teny?
\s5
\v 3 Tamin'izay nandatsanareo ahy impolo izay; tsy mba menatra nampahory ahy ianareo.
\v 4 Raha tena marina tokoa fa efa nania aho, dia hijanona ho ahy irery ny fahadisoako.
\s5
\v 5 Raha hanandratra ny tenanareo ho amboniko tokoa ianareo ary hampiasa ny fahafam-barakako hanohitra ahy,
\v 6 dia tokony ho fantatrareo fa Andriamanitra efa nanao ny tsy nety tamiko ary nahatratra ahy tamin'ny haratony.
\s5
\v 7 Indro, mitaraina aho hoe: "Herisetra!" nefa tsy mahazo valiny aho. Niantso vonjy mafy aho, saingy tsy nahazo rariny.
\v 8 Nasiany rindrina ny lalako mba tsy hahafahako mandeha, ary nametraka ny aizina teo amin'ny lalako Izy.
\v 9 Nesoriny tamiko ny voninahitro, ary efa nanaisotra ny satro-boninahitra tamin'ny lohako Izy.
\s5
\v 10 Efa namotika ahy tamin'ny zorony rehetra Izy, dia lasa aho, nongotany tahaka ny hazo ny fanantenako.
\v 11 Nampirehetiny tamiko ihany koa ny fahatezerany; raisiny tahaka ny iray amin'ireo fahavalony aho.
\v 12 Miara-tonga ireo tafiny; manangana dongon-tany hanafihana ahy izy ireo ka mitoby manodidina ny laiko.
\s5
\v 13 Nanaisotra ireo rahalahiko lavitra ahy Izy; nihafahafa tamiko tanteraka ireo olom-pantatro.
\v 14 Nahafoy ahy ireo havako; efa nanadino ahy ireo namako akaiky.
\s5
\v 15 Ireo izay nijanona mba ho vahiny tao an-tranoko fahizay sy ireo mpanompo vaviko dia mandray ahy toy ny tsy olom-patatra; vahiny aho eo imason'izy ireo.
\v 16 Miantso ny mpanompoko aho, nefa tsy namaly ahy izy na dia miangavy azy amin'ny vavako aza aho.
\s5
\v 17 Manafintohina ny vadiko ny fofonaiko; maharikoriko ireo izay nateraky ny kibon'ny reniko mihintsy aza aho.
\v 18 Na ireo ankizy aza manao tsinontsinona ahy; raha mitsangana hiteny aho, dia miteny manohitra ahy izy ireo.
\v 19 Ireo namako nahazatra rehetra dia mankahala ahy; nivadika tamiko ireo izay tiako.
\s5
\v 20 Miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko ny taolako; ny hany ivelomako dia amin'ny hoditry ny nifiko.
\v 21 Manàna famindram-po amiko, manàna famindram-po amiko, ry namako, satria ny tanan'Andriamanitra dia efa nikasika ahy.
\v 22 Nahoana ianareo no manenjika ahy tahaka ny hoe ianareo no Andriamanitra? Nahoana no tsy afa-po amin'ny fandevonana ny nofoko ianareo?
\s5
\v 23 Eh, enga anie ka ho voasoratra ny teniko ankehitriny! Eh, enga anie ka ho voarakitra ao anaty boky ireny!
\v 24 Eh, enga anie ka ho voasokitra amin'ny penina vy sy firaka eo amin'ny vatolampy mandrakizay ireny!
\s5
\v 25 Nefa raha ny amiko, fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ary any am-parany dia hitsangana eo amin'ny tany Izy;
\v 26 aorian'izany ny hoditro, izany hoe, ity vatana ity, dia potika, ary dia ao amin'ny nofoko no hahitako an'Andriamanitra.
\v 27 Hahita Azy amin'ny masoko mihintsy aho—Izaho, fa tsy olon-kafa. Efa sasa-miandry izany ny foko ato anatiko ato.
\s5
\v 28 Raha hoy ianareo hoe: 'Ahoana no hanenjehantsika azy! Ny fototr'ireo fahoriany dia ao aminy,'
\v 29 ary matahora ny sabatra, satria ny fahatezerana dia hahatonga famaizana amin'ny sabatra, mba hahafantaranareo fa misy ny fitsaràna."
\s5
\c 20
\p
\v 1 Dia namaly i Zofara ilay Namatita ary niteny hoe:
\v 2 "Ireo eritreritro no mahatonga ahy hamaly haingana nohon'ny fitaintainana izay ao anatiko.
\v 3 Mandre teny mafy izay manala baraka ahy aho, saingy misy fanahy avy amin'ny fahazavan-tsaiko mamaly ahy.
\s5
\v 4 Tsy fantatrao ve izao zava-misy izao hatramin'ny andro fahiny, raha nametraka ny olombelona teto an-tany Andriamanitra:
\v 5 ny fandresen'ny olona ratsy fanahy dia fohy, ary ny hafalian'ny mpaniratsira dia maharitra fotoana fohy ihany?
\s5
\v 6 Na dia mahatakatra ny lanitra aza ny haavony, ary mananika ny rahona ny lohany,
\v 7 dia mbola ho levona toy ny malotony ny olona toy izany; ireo izay nahita azy dia hiteny hoe: 'Aiza izy?'
\s5
\v 8 Hanidina toy ny nofy izy ary tsy ho hita; eny tokoa, ho enjehina toy ny fahitana amin'ny alina izy.
\v 9 Ny maso izay nahita azy dia tsy hahita azy intsony; ny toerany dia tsy hahita azy intsony.
\s5
\v 10 Hiala tsiny amin'ny olona mahantra ireo zanany; tsy maintsy hamerina ny harena azony ny tanany.
\v 11 Ireo taolany dia feno ny tanjaky ny fahatanorana, saingy handry miaraka aminy anaty vovoka izany.
\s5
\v 12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny faharatsiana, na dia manafina izany ao ambanin'ny lelany aza izy,
\v 13 na dia mihazona izany ao sady tsy mamela izany handeha fa mbola mihazona izany tsara ao am-bavany ihany aza izy—
\v 14 dia mivadika mangidy ny sakafo ao anaty tsinainy; zary poizina avy amin'ny bibilava ao anatiny izany.
\s5
\v 15 Mitelina harena izy, saingy handoa izany indray; havoakan'Andriamanitra avy ao amin'ny kibony izany.
\v 16 Hitsetsitra ny poizin'ny bibilava izy; hamono azy ny lelan'ny menarana.
\s5
\v 17 Tsy hankafy ireo renirano, ireo riakan'ny tantely sy ero-dronono izy.
\v 18 Hamerina ny vokatra izay nisasarany izy ary tsy afaka ny hinana izany; tsy afaka ny hankafy ny harena azony tamin'ny varony izy.
\v 19 Satria izy nampahory sy nanao tsinontsinona ny olona mahantra; naka an-keriny ireo trano izay tsy naoriny izy.
\s5
\v 20 Satria izy tsy nahalala fahafaham-po tamin'ny tenany, dia tsy afaka ny hahavonjy ny zava-drehetra izay nakany fahafinaretana izy.
\v 21 Tsy misy izay tavela ka tsy nolevoniny; noho izany dia manam-petra ihany ny fahombiazany.
\v 22 Hilatsaka anaty fahoriana amin'ny fahabetsahan'ny hareny izy; ny tanan'ny tsirairay izay ao anaty fahantrana dia ho avy hanohitra azy.
\s5
\v 23 Rehefa hameno ny kibony izy, dia hatorak'Andriamanitra aminy ny firehetan'ny fahatezerany; handrotsaka izany eo aminy Andriamanitra rehefa eo am-pihinanana izy.
\v 24 Na dia hitsoaka ny fitaovam-piadiana vy aza izany lehilahy izany, dia hahavoa azy ny tsipìka varahina.
\v 25 Hanindrona avy ao an-damosiny ny lefona ary ho tafavoaka; ary hivoaka avy ao amin'ny atiny tokoa ny tendrony manjelanjelatra; ho tonga eo aminy ny horohoro.
\s5
\v 26 Aizin-kitroka tanteraka no miandry ny hareny; ary afo tsy notsofina no handoro azy; handevona izay sisa tavela ao anatin'ny lainy izany.
\v 27 Hanambara ny helony ny lanitra, ary hijoro vavolombelona hanohitra azy ny tany.
\s5
\v 28 Hielina ny harena ao an-tranony; hikoriana hiala aminy amin'ny andron'ny fahatezeran' Andriamanitra ireo fananany.
\v 29 Izany no anjaran'ny olona ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, ny lova voatokana ho azy avy amin'Andriamanitra."
\s5
\c 21
\p
\v 1 Ary namaly i Joba ka niteny hoe:
\v 2 "Henoy tsara ireo teniko, ary avelao ho fankaherezana omenareo ahy izany.
\v 3 Mahareta amiko, fa hiteny ihany koa aho; aorian'ny hitenenako, dia manesoa hatrany.
\s5
\v 4 Raha ny amiko, amin'ny olona iray ve ny fitarainako? Nahoana aho no tsy tokony tsy hanam-paharetana?
\v 5 Jereo aho ary aoka ho talanjona, ary apetraho eo amin'ny vavanareo ny tananareo.
\v 6 Rehefa misaintsaina ireo fijaliko aho, dia mihorohoro, ary tora-kovitra ny vatako.
\s5
\v 7 Nahoana ny olona ratsy fanahy no mbola miaina, tratra antitra, ary mitombo hery amin'ny fahefana?
\v 8 Miorina miaraka aminy eo imason'izy ireo ny taranany, ary ireo zanany dia miorina eo imason'izy ireo.
\v 9 Ny tranon'izy ireo dia lavitry ny tahotra; ary tsy eo amin'izy ireo ny kapok'Andriamanitra.
\s5
\v 10 Mampanaraka ny ombilahiny izy ireo; ary dia mahavanona; ny omby vavin'izy ireo dia miteraka ary tsy mamotsotra ny zanany tsy tonga volana.
\v 11 Mamoaka ireo kilongany toy ny ondry aman'osy izy ireo, ary mandihy ireo zanany.
\v 12 Mihira amin'ny ampongatapaka sy lokanga izy ireo ary mifaly miaraka amin'ny feon-tsodina.
\s5
\v 13 Miaina ny androny amin'ny fanambinana izy ireo, ary midina mangina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita.
\v 14 Hoy izy ireo amin'Andriamanitra hoe: 'Mialà aminay fa tsy maniry ny hahalala ny lalanao izahay.
\v 15 Inona moa ilay Tsitoha, no tokony hanompo Azy izahay? Inona no tombontsoa azonay raha mivavaka aminy izahay?'
\s5
\v 16 Indro, moa ve tsy eo an-tanan'izy ireo ihany ny fanambinan'izy ireo? Tsy misy hirarahiako ny toro-hevitry ny olona ratsy fanahy.
\v 17 Impiry no maty ny jiron'ny olona ratsy fanahy, na tonga eo aminy ny lozan'izy ireo? Impiry no mizara alahelo amin'izy ireo amin'ny fahatezerany Andriamanitra?
\v 18 Impiry izy ireo no tonga tahaka ny mololo tsofin'ny rivotra na tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra?
\s5
\v 19 Hoy ianareo hoe: 'Andriamanitra mitahiry ny helony mba hohefain'ireo zanany.' Avelao ny tenany ihany no hanefa izany, mba hahafantarany ny helony.
\v 20 Avelao ny masony hahita ny faharavany, ary avelao izy hisotro ny fahatezeran'ilay Tsitoha.
\v 21 Satria inona no hiraharahiany ny momba ireo taranany mandimby azy rehefa tapaka ny isan'ireo volany?
\s5
\v 22 Moa ve misy olona afaka mampianatra fahalalana an'Andriamanitra satria na dia ireo izay ambony aza dia Izy no mitsara?
\v 23 Ny olona iray dia maty ao anatin'ny heriny feno, tony tanteraka ary miadana.
\v 24 Feno ronono ny vatany, ary ny tsokan'ny taolany dia mando sy salama tsara.
\s5
\v 25 Misy olona iray hafa maty ao anatin'ny fangidian'ny fanahy, olona izay tsy mbola niaina zavatra tsara.
\v 26 Samy mandry anaty vovoka izy ireo; ary mandrakotra ny vatan'izy roa ireo kankana.
\s5
\v 27 Indro, fantatro ny eritreritrareo, sy ireo fomba izay irianareo mba handisoana ahy.
\v 28 Fa hoy ianareo hoe: 'Aiza izao ny tranon'ny andriandahy? Aiza ny lay izay nonenan'ny ratsy fanahy taloha?'
\s5
\v 29 Tsy mbola nanontany ny olona mpandeha lavitra mihintsy ve ianareo? Tsy fantatrareo ve ny porofo azon'izy ireo lazaina,
\v 30 fa voaaro amin'ny andron'ny loza ireo ratsy fanahy, ary havily lavitry ny andron'ny fahatezerana izy?
\s5
\v 31 Iza no hanameloka ny fomban'ny ratsy fanahy eo anatrehany? Iza no hanefa azy amin'ny zavatra vitany?
\v 32 Nefa mbola ho lanjaina ho any am-pasana izy; ireo olona dia hiambina ny fasany.
\v 33 Ho mamy aminy ny baingan-dohasaha; hanaraka azy avy ao aorina ny olona rehetra, tahaka ny nandehanan'ireo olona maro tsy voatanisa teo alohany.
\s5
\v 34 Nahoana ary ianareo no mampionona ahy amin'ny zavatra tsy misy dikany, satria ao amin'ireo valinteninareo dia tsy misy afa-tsy lainga fotsiny?"
\s5
\c 22
\p
\v 1 Dia namaly Elifaza ilay Temanita ka niteny hoe:
\v 2 "Mety ilain'Andriamanitra ve ny olona? Mety ilainy ve ny lehilahy hendry?
\v 3 Moa ve fahafinaretana ho an'ilay Tsitoha raha marina ianao? Moa ve tombony ho Azy raha manao ny lalanao ho tsy misy tsiny ianao?
\s5
\v 4 Moa ve ny fanehoanao fanajana Azy no hamaizany anao sy hitondrany anao amin'ny fitsaràna?
\v 5 Moa ve tsy lehibe ny faharatsianao? Tsy misy fiafarana ve ireo helokao?
\s5
\v 6 Fa efa nangataka antoka tamin'ny findramam-bolan'ny rahalahinao tamin'ny tsy misy antony ianao, ary efa nanendaka fitafiana tamin'izay nitanjaka ianao.
\v 7 Tsy nanome rano ho sotroin'ny olona reraka ianao; namihina mofo tsy ho an'ny olona noana ianao,
\v 8 na dia olona mahery aza ianao, izay nanana ny tany, na dia olona manam-boninahitra aza ianao, izay nonina tao amin'izany.
\s5
\v 9 Nalefanao maina ny mpitondratena; ary ny tanan'ireo kamboty dia notapahina.
\v 10 Noho izany, misy fandrika ny manodidina anao rehetra, ary ny fahatahorana tampoka no mampahory anao.
\v 11 Misy ny aizina, mba tsy hahitanao; ary ny rano be mandrakotra anao.
\s5
\v 12 Moa ve Andriamanitra tsy any amin'ny haavo'ny lanitra? Jereo ny haavon'ireo kintana, endrey ny hahavon'izy ireo!
\v 13 Ary hoy ianao hoe: 'Inona no fantatr'Andriamanitra? Mety hitsara amin'ny alalan'ny aizim-pito ve Izy?
\v 14 Ny rahona matevina no firakofany, mba tsy hahitany antsika; mandeha eny amin'ny andohalambon'ny lanitra Izy.'
\s5
\v 15 Hitandrina ny lalana taloha izay nalehan'ny olona ratsy fanahy ve ianao—
\v 16 ireo izay nesorina talohan'ny fotoany, ireo izay voafaoka toy ny renirano ny fototr'izy ireo,
\v 17 ireo izay niteny tamin'Andriamanitra hoe: 'Mialà aminay'; ireo izay niteny hoe: 'Inona no azon'ny Tsitoha atao aminay?'
\s5
\v 18 Kanefa mbola nameno ny tranon'izy ireo tamin'ny zava-tsoa Izy; ny tetik'ireo ratsy fanahy dia lavitra ahy.
\v 19 Ny olo-marina mahita ny anjarany ka faly; ny olona tsy mana-tsiny miomehy azy ireo mba handatsa azy.
\v 20 Hoy izy ireo hoe: 'Azo antoka fa notapahina ireo izay nitsangana nanohitra antsika; nandevona ny fananany ny afo.'
\s5
\v 21 Koa ankehitriny, maneke an'Andriamanitra ary mihavàna aminy; amin'izany fomba izany, no hiavian'ny soa aminao.
\v 22 Mitalaho aminao aho, mandraisa fampianarana avy amin'ny molony; tehirizo ao am-ponao ny teniny.
\s5
\v 23 Raha miverina amin'ny Tsitoha ianao, dia hiorina, raha mametraka ny tsy fahamarinanao lavitry ny lainao ianao.
\v 24 Ampandrio eo amin'ny vovoka ny harenao, ny volamenan'i Ofira eo amin'ny vaton'ny lohasahan-driaka,
\v 25 ary ny Tsitoha no ho harenao, volafotsy sarobidy ho anao.
\s5
\v 26 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ilay Tsitoha ianao; hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra ianao.
\v 27 Hivavaka aminy ianao, dia hihaino anao Izy; hanefa ireo voadinao aminy ianao.
\v 28 Handidy ny zavatra rehetra koa ianao, ary dia ho hamafisina ho anao izany; hamiratra amin'ny lalanao ny fahazavana.
\s5
\v 29 Andriamanitra dia mampietry ny olona mirehareha, ary mamonjy ny olona mampidina ny masony.
\v 30 Hanafaka Izy na dia ny olona manan-tsiny aza; izay ho vonjena eo amin'ny fahadiovan'ny tananao."
\s5
\c 23
\p
\v 1 Avy eo Joba namaly ka nanao hoe:
\v 2 "Na dia androany aza dia mangidy ny fitarainako; ny tanako
\f + \ft Fanamarihana: Ireo fandikana sasany dia misy hoe: "... ny tanany..." \f*
dia mavesatra nohon'ny fitarainako.
\s5
\v 3 Indrisy, raha mba fantatro izay mety hahitako Azy! Eh, mba hahatongavako eo amin'ny toerany!
\v 4 Handahatra ny adiko eo anoloany aho ary hameno ny vavako amin'ny fandresen-dahatra.
\v 5 Hianatra ireo teny izay hamaliany ahy aho ary hahazo izay ho lazainy amiko.
\s5
\v 6 Hiady hevitra hanohitra ahy amin'ny halehiben'ny fahefany ve Izy? Tsia, hihaino ahy Izy.
\v 7 Any no hiady hevitra Aminy ny olona mahitsy. Amin'izany fomba izany no hanafahan'ny mpitsarako ahy madiodio mandrakizay.
\s5
\v 8 Indro, mandeha miatsinanana aho, fa tsy any Izy, ary miakandrefana, nefa tsy mety mahita Azy aho.
\v 9 Ny any avaratra, izay iasany, nefa tsy afaka mahita Azy aho, ary ny any atsimo, izay anafenany ny tenany mba tsy hahafahako mahita Azy.
\s5
\v 10 Nefa mahalala ny lalana izay alehako Izy; rehefa nisedra ahy Izy, dia hivoaka tahaka ny volamena aho.
\v 11 Nifikitra tamin'ny diany ny tongotro; nifikitra tamin'ny lalany aho ary tsy nivily.
\v 12 Tsy niala tamin'ireo didin'ny molony aho; ny tenin'ny vavany dia noraketiko tao am-poko mihoatra noho ny anjara haniko.
\s5
\v 13 Fa tsy manam-paharoa Izy, iza no afaka hamily Azy indray? Izay iriany dia ataony.
\v 14 Fa tanterahany hanohitra ahy ireo lalàny; misy betsaka tahaka ireo.
\s5
\v 15 Noho izany, mihorohoro aho eo amin'ny fanatrehany; rehefa mieritreritra ny momba Azy aho, dia mataotra Azy.
\v 16 Satria efa nataon'Andriamanitra malemy ny foko; nampihorohoro ahy ilay Tsitoha.
\v 17 Tsy notaperina tamin'ny aizina aho, nohon'ny aizin-kitroka izay manarona ny aizim-piton'ny tavako.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Nahoana ny fotoana fitsaràna ireo ratsy fanahy no tsy nataon'ilay Tsitoha? Nahoana ireo izay mahatoky an'Andriamanitra no tsy mahita ny fahatongavan'ny andron'ny fitsaràny?
\s5
\v 2 Misy olona ratsy fanahy izay manala ny mariky ny sisin-tany; misy olona ratsy fanahy izay maka an-kery ny andian'ondry aman'osy ka mametraka ireo ao amin'ny valan'izy ireo manokana.
\v 3 Mandroaka ny borikin'ireo izay kamboty ray izy ireo; maka ny ombin'ny mpitondratena ho fiarovana izy ireo.
\v 4 Manery ireo olona ory hiala amin'ny lalany izy ireo; ireo olona mahantran'ny tany dia miafina azy ireo avokoa.
\s5
\v 5 Indro, ireo olona mahantra ireo dia mivoaka miasa tahaka ny borikidia any amin'ny tany hay, mitady sakafo fatratra; sao mba hanome azy ireo sakafo ho an'ny zanak'izy ireo ihany i Araba.
\v 6 Ny olona mahantra dia mijinja any amin'ny sahan'ny olona hafa amin'ny alina; mitsimpona ny voaloboka avy amin'ny vokatr'ireo olona ratsy fanahy izy ireo.
\v 7 Mandry mitanjaka tsy misy fitafiana izy ireo ny alina tontolo; tsy manana firakofana izy ireo amin'ny hatsiaka.
\s5
\v 8 Kotsan'ny eriky ny tendrombohitra izy ireo; ary mandry akaikin'ireo vato lehibe satria tsy manan-kialofana.
\v 9 Misy ireo ratsy fanahy manaisotra ireo kamboty eo an-tratran-dreniny, ary olona ratsy fanahy izay maka ireo zaza ho fiarovana amin'ny olona mahantra.
\v 10 Fa ireo olona mahantra dia mandehandeha mitanjaka tsy mitafy; na dia mandeha noana aza izy ireo, dia milanja ny amboaram-barin'ireo hafa.
\s5
\v 11 Ireo olona mahantra dia manao diloilo ao anatin'ny rindrin'ireo ratsy fanahy ireo; manitsakitsaka ao amin'ny famiazan-divain'ireo ratsy fanahy izy ireo, fa ny tenan'izy ireo dia mijalin'ny hetaheta.
\v 12 Misento ny olona ao amin'ny tanàna, mihiaka mafy ny olona naratra, satria tsy miraharaha ny vavak'izy ireo Andriamanitra.
\s5
\v 13 Ny sasany tamin'ireo olona ratsy fanahy ireo dia mikomy manohitra ny hazavana; sady tsy fantatr'izy ireo ny lalany, no mijanona amin'ny lalany izy ireo.
\v 14 Mialohan'ny andro mazava no mitsangana ilay mpamono olona ka mamono ny mahantra sy ny olona ory; toy ny mpangalatra izy amin'ny alina.
\s5
\v 15 Miandry ny takariva ihany koa ny mason'ireo mpijangajanga; hoy izy hoe: 'Tsy hisy maso hahita ahy.' Manarona ny tavany izy.
\v 16 Ao amin'ny aizina no hisavan'ny olona ratsy fanahy ny trano; fa izy ireo dia mampangina ny tenan'izy ireo amin'ny andro; tsy miraharaha ny hazavana izy ireo.
\v 17 Amin'izy rehetra, ny aizim-pito dia tahaka ny maraina; satria izy ireo dia sakaizan'ny fampihorohoroan'ny aizim-pito.
\s5
\v 18 Na izany aza anefa dia ho levona faingana izy ireo, tahaka ny roatra mitsingevana eny ambony rano; ny anjaran-tanin'izy ireo dia voaozona; tsy misy olona andeha hiasa eny amin'ny tanim-boalobok'izy ireo.
\v 19 Tahaka ny nampitsonihan'ny hain-tany sy ny hafanana ny oram-panala ho rano, no hakan'ny Fiainan-tsy hita ireo izay nanota.
\s5
\v 20 Ny kibo izay nitondra azy dia hanadino azy; ny kankana no hihinana azy an-kamamiana; tsy ho tsaroana intsony izy; amin'izany fomba izany, no hahapotika ny faharatsiana tahaka ny hazo.
\v 21 Ny ratsy fanahy dia handrapaka ny vehivavy momba izay tsy nitera-jaza; tsy manisy soa amin'ny mpitondratena izy.
\s5
\v 22 Kanefa Andriamanitra mbola mitarika ny olona mahery amin'ny alalan'ny heriny ihany; mitsangana Izy ary tsy mampatanjaka azy ireo amin'ny fiainana.
\v 23 Andriamanitra dia mamela azy ireo hihevitra fa mandry fahalemana izy ireo, ary faly ny amin'izany izy ireo, saingy ny masony dia eny amin'ny lalany.
\s5
\v 24 Asandratra ireo olona ireo; kanefa, ao anatin'ny fotoana fohy ihany, dia ho lasa izy ireo; eny tokoa, hahetry izy ireo; hangonina tahaka ny hafa rehetra izy ireo; ho tapahana tahaka ny salohim-bary izy ireo.
\v 25 Raha tsy izany, iza no afaka hanamarina ahy ho mpandainga; iza no afaka hanao tsinontsinona ny teniko?
\s5
\c 25
\p
\v 1 Ary Bildada ilay Sohita namaly ka niteny hoe:
\v 2 "Ao aminy ny fanapahana sy ny tahotra; mandamina any amin'ny toerany avo any an-danitra Izy.
\v 3 Misy fetrany ve ny isan'ireo tafiny? Amin'iza no tsy hamirapiratan'ny fahazavany?
\s5
\v 4 Ahoana ary no hahamarina ny olona eo amin'Andriamanitra? Ahoana no hampadio izay natera-behivavy, ho azo ekena eo aminy?
\v 5 Indro, fa na dia ny volana aza tsy mamiratra aminy; tsy madio eo imasony ny kintana.
\v 6 Mainka fa ny olona, izay kankana—izay zanak'olombelona, izay kankana!"
\s5
\c 26
\p
\v 1 Ary namaly Joba ka nanao hoe:
\v 2 "Endrey ny fanampianao ilay iray izay tsy manan-kery! Endrey ny namonjenao ny sandry izay tsy nanana tanjaka!
\v 3 Endrey ny nanoroanao hevitra ny olona izay tsy manam-pahendrena sy ny nanambaranao fahalalana tsara taminy!
\v 4 Tamin'ny fanampian'iza no nitenenanao ireny teny ireny? Fanahin'iza no nivoaka avy taminao?
\s5
\v 5 Zary mangovitra ny maty, dia ireo izay any ambany rano sy ireo rehetra izay mitoetra ao amin'izany.
\v 6 Mitanjaka eo anatrehan'Andriamanitra ny Fiainan-tsy hita; ny faharavana mihintsy no tsy misy fanaronana aminy.
\s5
\v 7 Mamelatra ny lanitra avaratra eny amin'ny toerana babangoana Izy, ary mampihantona ny tany eo amin'ny tsy misy.
\v 8 Mampitambatra ny rano ao amin'ny rahony matevina Izy, saingy tsy mitriatra ao ambanin'izany ny rahona.
\s5
\v 9 Manarona ny volana izy ary mampiely ny rahony eo amin'izany.
\v 10 Nisokitra faritra boribory teo ambony rano ho fetra eo amin'ny mazava sy ny aizina Izy.
\s5
\v 11 Mihovitrovitra ny andrin'ny lanitra ary taitra tamin'ny fitenenany mafy.
\v 12 Nampitony ny ranomasina tamin'ny heriny Izy; tamin'ny fahazavan-tsainy no nampianjerany an-dRahaba.
\s5
\v 13 Tamin'ny fofonainy no nampisavany ny lanitra; ny tanany no nanindrona ny menarana teo am-pandosirana.
\v 14 Indro, sombiny amin'ny lalany fotsiny ihany izany; endrey ny halefaky ny bitsika rentsika avy aminy! Iza no afa-mahatakatra ny kotroky ny heriny?"
\s5
\c 27
\p
\v 1 Dia nanohy niresaka indray Joba ka nanao hoe:
\v 2 "Raha mbola velona tokoa Andrianamanitra, izay nanaisotra ny rariny ho ahy, ilay Tsitoha, izay nampangidy ny fiainako,
\v 3 raha mbola ato amiko ny aiko, ary eo am-bavoroko ny fofon'aina avy amin'Andriamanitra, dia izao no ho ataoko.
\s5
\v 4 Tsy hiteny faharatsiana ny molotro, na hiteny fitaka ny lelako;
\v 5 tsy hanaiky mihitsy aho hoe marina ianareo telo; mandra-pahafatiko dia tsy handà ny fahitsiako mihitsy aho.
\s5
\v 6 Hazoniko mafy ny fahamarinako ary tsy havelako handeha; tsy handatsa ahy mihintsy ny eritreritro raha mbola velona aho.
\v 7 Aoka ny fahavaloko ho toy ny olona ratsy fanahy; aoka izay mitsangana hanohitra ahy ho toy ny olona tsy marin.
\s5
\v 8 Fa inona no fanantenan'ny mpaniratsira rehefa haringan'Andriamanitra izy, rehefa esorin'Andriamanitra ny ainy?
\v 9 Moa ho henon'Andriamanitra ny fitarainany rehefa tonga aminy ny fahoriana?
\v 10 Moa hampiravoravo ny tenany amin'ilay Tsitoha izy ary hiantso an'Andriamanitra amin'ny fotoana rehetra?
\s5
\v 11 Hampianatra anareo mahakasika ny tanan'Andriamanitra aho; ary tsy hanafina ny eritreritr'ilay Tsitoha aho.
\v 12 Indro, ianareo rehetra mihitsy no nahita ity; koa nahoana ary ianareo no niteny izao zavatra tsy misy dikany rehetra izao?
\s5
\v 13 Izao no anjaran'ny olona ratsy fanahy amin'Andriamanitra, ny lovan'ny mpampahory izay raisiny avy amin'ilay Tsitoha:
\v 14 Raha mihamaro ny zanany, dia ho an'ny sabatra izany; tsy ho ampy sakafo mihintsy ny taranany.
\s5
\v 15 Ireo izay sisa velona amin'izany dia halevin'ny areti-mandringana, ary ny vady navelan'izy ireo tsy mba mitomany azy ire.
\v 16 Na dia manangona volafotsy toy ny vovoka aza ny olona ratsy fanahy, ary manangona fitafiana toy ny tanimanga,
\v 17 dia mety hanangona fitafiana ihany izy, fa ny olona marina no hitafy izany, ary ny olona tsy manan-tsiny hizara ny volafotsy eo amin'izy ireo.
\s5
\v 18 Manangana ny tranony toy ny hala izy, toy ny trano bongo izay ataon'ny mpiambina.
\v 19 Mandry ao am-pandriana amin'ny fananan-karena izy, saingy tsy hijanona amin'izany izy; manokatra ny masony izy, ary lasa ny zavatra rehetra.
\s5
\v 20 Mandrendrika azy toy ny rano ny horohoro; maka azy amin'ny alina ny tafio-drivotra.
\v 21 Entin'ny rivotra avy any atsinanana izy, ary lasa; mamafa azy tsy ho eo amin'ny toerany izany.
\s5
\v 22 Mampifatratra ny tenany any aminy izany ary tsy mijanona; miezaka ny mitsoaka miala ny tanany izy.
\v 23 Miteha-tanana azy amin'ny fanesoana izany; misiotsioka azy hiala amin'ny toerany izany.
\s5
\c 28
\p
\v 1 Azo antoka fa misy toeram-pitrandrahana volafotsy, toerana izay fanadiovan'izy ireo volamena.
\v 2 Ny vy dia nalaina avy amin'ny tany; ny varahina dia mitsonika miala avy amin'ny vato.
\s5
\v 3 Mampisava ny aizina olona ka mikaroka, hatrany amin'ny fetra lavitra indrindra, ny vato any anaty aizina sy aizin-kitroka.
\v 4 Mihady lavaka miala ny toerana honenan'ny olona izy, toerana izay efa nadinoin'ny olona. Mihantona lavitra ny olona izy; mitsingevaheva etsy sy eroa izy.
\s5
\v 5 Raha ny amin'ny tany, izay ivoahan'ny mofo, dia mivadika ao ambany toy ny tamin'ny alalan'ny afo izany.
\v 6 Ny vaton'izany no toerana ahitana ireo safira, ary ny vovony dia misy volamena.
\s5
\v 7 Tsy misy vorona mpihaza mahafantatra ny lalana mankao, na ny mason'ny voromahery ka mahita izany.
\v 8 Tsy nisy bibidia matanjaka ka nandia ny lalana tahaka izany, na liona masiaka ka nandalo teo.
\s5
\v 9 Ny olona dia mametraka ny tanany eo ambony vato karangana; avadiny hatrany amin'ny fakany ny tendrombohitra.
\v 10 Manapaka fantsona eo amin'ireo vatolampy izy; mahita ny zava-tsarobidy rehetra ao ny masony.
\v 11 Manentsina ny riaka mba tsy hikoriana izy; izay miafina ao amin'izany dia havoakany ho amin'ny mazava.
\s5
\v 12 Aiza no hahitana ny fahendrena? Aiza ny toeran'ny fahazavan-tsaina?
\v 13 Ny olona dia tsy mahafantatra ny vidiny; ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izany.
\v 14 Ny rano lalina ambanin'ny tany manao hoe: 'Tsy ato amiko izany'; ny ranomasina manao hoe: 'Tsy aty amiko izany.'
\s5
\v 15 Tsy azom-bolamena izany; na ny volafotsy aza tsy azo lanjaina ho vidiny.
\v 16 Tsy mahatombana azy ny volamenan'i Ofira, mbamin'ny beryla sarobidy na safira.
\v 17 Ny volamena sy ny vato krystaly dia tsy azo ampitahaina amin'ny lanjany; ary tsy afaka atakalo amin'ny firavaky ny volamena voadio izany.
\s5
\v 18 Tsy ho lazaina akory ny lanjan'ny haran-dranomasina na ny jaspy; eny tokoa, ny vidin'ny fahendrena dia mihoatra noho ny ruby.
\v 19 Ny topazan'i Etiopia dia tsy mifampitaha aminy; na ny tena volamena aza tsy afaka sandaina amin'izany.
\s5
\v 20 Koa avy aiza ary, no hiavian'ny fahendrena?
\v 21 Aiza no toeran'ny fahazavan-tsaina? Ny fahendrena dia miafina amin'ny mason'ny zava-manan'aina rehetra ary afenina an'ireo voron'ny habakabaka.
\v 22 Ny Faharavana sy Fahafatesana dia miteny hoe: 'Tsaho ihany no ren'ny sofinay ny amin'izany.'
\s5
\v 23 Andriamanitra mahalala ny lalana mankany; fantany ny toeran'izany.
\v 24 Satria Izy mijery hatrany amin'ny fara-vazan-tany ary mahita ny ambanin'ny lanitra rehetra.
\v 25 Nanao ny herin'ny rivotra Izy ary namaritra ny rano araka ny refiny.
\s5
\v 26 Nanao didy ho an'ny orana Izy ary lalana ho an'ny tselatry ny kotrok'orana.
\v 27 Dia nahita ny fahendrena Izy ka nanambara izany; nametraka izany Izy, eny tokoa, nandinika izany Izy.
\v 28 Hoy Izy tamin'ny olona hoe: 'Indro, ny fahatahorana ny Tompo—izany no fahendrena; ny fialana amin'ny ratsy no fahazavan-tsaina.'"
\s5
\c 29
\p
\v 1 Nanohy niteny Joba ary nanao hoe:
\v 2 "Eh, raha mba toy ny tamin'ireny volana lasa fony nikarakaran'Andriamanitra ahy ireny mantsy aho,
\v 3 fony namirapiratra teo an-dohako ny jirony, ary fony namakivaky ny aizina tamin'ny fahazavany aho.
\s5
\v 4 Eh, raha mba toy ny tamin'ny andron'ny fatoizako fony ny fisakaizan'Andriamanitra tao an-tranoko ireny mantsy aho;
\v 5 fony mbola niaraka tamiko ny Tsitoha, ary mbola nanodidina ahy ireo zanako,
\v 6 fony voarakotra ronono ny lalako, ary ny vatolampy nandrotsaka rian-diloilo ho ahy!
\s5
\v 7 Raha nivoaka ny vavahadin'ny tanàna aho, raha nipetraka tamin'ny toerako teo an-kianjan'ny tanàna aho,
\v 8 dia nahita ahy ary nijanona lavitra ahy tamim-panajana ireo tovolahy, ary ny olona antitra nitsangana ka nijoro ho ahy.
\s5
\v 9 Nijanona tsy niteny ny andriandahy rehefa tonga aho; nanampina ny vavany tamin'ny tanany izy ireo.
\v 10 Nangina ny feon'ireo olo-manan-kaja, ary niraikitra teo amin'ny lanilaniny ny lelan'izy ireo.
\s5
\v 11 Fa rehefa avy nandre ahy ny sofiny, dia nitso-drano ahy izy ireo; rehefa avy nahita ahy ny masony, dia nijoro vavolombelona ho ahy sy nanaiky ahy izy ireo
\v 12 satria nanavotra ny olona izay nahantra aho rehefa nitaraina izy, ary ny olona izay kamboty ray rehefa tsy nanana na iza na iza hanampy azy izy.
\v 13 Ny tso-dranon'izay efa ho faty dia tonga tamiko; nahatonga ny fon'ireo mpitondrantena hihira fifaliana aho.
\s5
\v 14 Mitafy fahamarinana aho, ary nampitafy ahy izany; ny fahamarinana dia toy ny akanjo lava sy satroka.
\v 15 Maso ho an'ireo olona jamba aho; tongotra ho an'ireo olona malemy aho.
\v 16 Ray ho an'ireo olona ory aho; nandinika ny ady aho na dia ny an'ny olona izay tsy fantatro aza.
\s5
\v 17 Namotika ny valanoranon'ny olona tsy marina aho; nanongotra ny niharam-boina avy teo amin'ny nifiny aho.
\v 18 Dia hoy aho hoe: 'Ho faty ao amin'ny akaniko aho; hampitombo ireo androko toy ny vovom-pasika aho.
\v 19 Misandrahaka eo amin'ny rano ireo fakako, ary ny ando nitoetra teo amin'ireo rantsako ny alina tontolo.
\s5
\v 20 Ny voninahitra ao amiko dia vaovao lalandava, ary ny tsipìkan'ny heriko dia vaovao lalandava eo an-tanako.'
\v 21 Nihaino ahy ireo olona; niandry ahy izy ireo; nangina mba hihaino ny toro-hevitro izy ireo.
\v 22 Rehefa vita ny teniko, dia tsy niteny intsony izy ireo; nitete toy ny rano teo amin'izy ireo ny teniko.
\s5
\v 23 Niandry ahy lalandava toy ny niandry orana izy ireo; nampisanasana ny vavany izy ireo mba hisotro ny teniko, tahaka izay hataon'izy ireo amin'ny fara-orana.
\v 24 Nitsiky tamin'izy ireo aho rehefa tsy nanampo izany izy ireo; tsy mba nandà ny fahazavan'ny tavako izy ireo.
\s5
\v 25 Nifidy ny lalan'izy ireo aho ary nipetraka ho lehibeny; niaina toy ny mpanjaka omban'ny tafiny aho, toy ny olona izay mampionona ireo mpisaona.
\s5
\c 30
\p
\v 1 Ankehitriny ireo izay tanora noho izaho dia tsy manana na inona na inona afa-tsy fanesoana ho ahy— dia ireo tovolahy izay tsy navelako hiasa eo akaikin'ny amboan'ny biby fiompiko ny rain'izy ireo.
\v 2 Eny tokoa, ny herin'ny tanan'ireo rainy, ahoana no nahafahan'izany nanampy ahy— ireo lehilahy izay foana ny herin'ny taonan'ny fahamatoran'izy ireo?
\v 3 Nahia nohon'ny fahantrana sy ny hanoanana izy ireo; nihinana tamin'ny tany maina anaty aizin'ny tany efitra sy rava izy ireo.
\s5
\v 4 Nioty tsimon-kazo mangidy sy ravin-boaroy izy ireo; ny fakan'ny anjavidy no sakafon'izy ireo.
\v 5 Noroahina tsy ho eo amin'ny olona izay nanakora azy ireo tahaka ny fanakoran'ny olona iray ny mpangalatra izy ireo.
\v 6 Koa tsy maintsy nonina tany an-dohasahan-driaka izy ireo, tao an-davaky ny tany sy ny vatolampy.
\s5
\v 7 Naneno toy ny ampondra teo amin'ireo voaroy izy ireo; ary tao ambanin'ireo voaroy no niarahan'izy ireo niangona.
\v 8 Zanak'adala izy ireo, eny tokoa, zanak'olona tsy manan-kaja izy ireo! Noroahina hiala tamin'ny tany tamin'ny karavasy izy ireo.
\s5
\v 9 Fa ankehitriny, lasa hira fanesoana ho an'ireo zanany aho; eny tokoa, lasa fihomehezana ho azy ireo aho ankehitriny.
\v 10 Mankahala ahy sy mijoro lavitra ahy izy ireo; ary tsy mitsahatra ny mandrora ny tavako.
\v 11 Fa Andriamanitra namaha ny tady tamin'ny tsipìkako sy nampahory ahy, ary ireo izay manaratsy ahy dia nanipy ny fanereny teo anatrehan'ny tavako.
\s5
\v 12 Eo amin'ny tanana an-kavanako no hitsanganan'ny androvolahy; mandroaka ahy izy ireo ary manao dongon-tany hanao fahirano ahy.
\v 13 Ravàn'izy ireo ny lalako; atosik'izy ireo ho eo amiko ny loza, dia ireo lehilahy izay tsy misy na iza na iza hitazona azy ireo.
\s5
\v 14 Tonga hanohitra ahy toy ny tafika avy amin'ny lavaka lehibe iray eo amin'ny mandan'ny tanàna izy ireo; eo afovoan'ny ny faharinganana no anakendain'izy ireo ahy.
\v 15 Mitodika amiko ny fampihorohoroana; notsofina toy ny entin'ny rivotra ny voninahitro; levona toy ny rahona ny fanambinako.
\s5
\v 16 Ankehitriny dia mivoaka avy ao anatiko ny aiko; androm-pijaliana maro no nihazona ahy.
\v 17 Voatrobaka ny taolako ato anatiko amin'ny alina; tsy mitsahatra ireo fanaintainana izay mihatra amiko.
\s5
\v 18 Naka ny fitafiako ny herin'Andriamanitra lehibe; manodidina ahy toy ny vozon'ny akanjoko izany.
\v 19 Nanipy ahy tao anaty fotaka izy; lasa toy ny vovoka sy lavenona aho.
\s5
\v 20 Mitaraina aminao aho, ry Andriamanitra, fa tsy mamaly ahy Ianao; mitsangana aho, fa mijery ahy fotsiny Ianao.
\v 21 Niova Ianao ary lasa lozabe tamiko; amin'ny herin'ny tananao no anenjehanao ahy.
\s5
\v 22 Manandratra ahy eo amin'ny rivotra Ianao ka mampitondra azy ahy; mampivezivezy ahy anaty tafio-drivotra Ianao.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany amin'izao dia manao hoe: "Manafoana ahy amin'ny tafio-drivotra Ianao." \f*
\v 23 Fa fantatro fa hitondra ahy ho amin'ny fahafatesana Ianao, ho amin'ny trano izay voalahatra ho an'ny zava-manan'aina rehetra.
\s5
\v 24 Na izany aza, moa ve tsy misy na iza na iza maninjitra ny tanany hitalaho famonjena rehefa lavo izy? Moa ve tsy misy olona manana olana ka miantso vonjy?
\v 25 Tsy nitomany ho an'izay tra-pahoriana ve aho? Ary tsy nalahelo ny olona ory ve aho?
\v 26 Rehefa nikatsaka ny tsara aho, dia ny ratsy no tonga; rehefa niandry ny hazavana aho, dia ny aizina indray no tonga.
\s5
\v 27 Ory ny foko ary tsy manam-pitsaharana; tonga tamiko ireo andron'ny fahoriana.
\v 28 Efa nandehandeha toy ny olona izay nonina tao anaty aizina aho, fa tsy nohon'ny masoandro; mijoro ao amin'ny fiangonana aho ary mihiaka famonjena.
\v 29 Rahalahin'ireo amboadia aho, naman'ireo ostritsa.
\s5
\v 30 Mainty ny hoditro sady miendaka amiko; doran'ny hafanana ny taolako.
\v 31 Noho izany dia mifanaraka amin'ny hira fisaonana ny lokangako, ary ny sodiko ho an'ny hiran'ireo izay mitomany.
\s5
\c 31
\p
\v 1 Efa nanao fanekena tamin'ny masoko aho; koa ataoko ahoana ny hijery ombam-pitsiriritana ny virijiny?
\v 2 Fa inona no anjara avy amin'Andriamanitra ambony, ilay lova avy amin'ilay Tsitoha any amin'ny avo indrindra?
\s5
\v 3 Nieritreritra foana aho fa ny loza dia ho an'ny olona tsy marina, ary ny fahoriana no ho an'ny mpanao ratsy.
\v 4 Moa tsy hitan'Andriamanitra ve ny lalako ary isainy ny diako rehetra?
\s5
\v 5 Raha nandeha tamin'ny lainga aho, raha nandeha faingana ho amin'ny fitaka ny tongotro,
\v 6 dia aoka aho ho lanjaina amin'ny mizana mba hahafantaran'Andriamanitra ny fahitsiako.
\s5
\v 7 Raha niala tamin'ny lala-marina ny diako, raha nandeha nanaraka ny masoko ny foko, raha nisy pentina nandoto ny tanako,
\v 8 dia aoka aho hamafy ary aoka hihinana ny hafa; eny tokoa, aoka ho fongorana amin'ny sahako ny vokatra.
\s5
\v 9 Raha voafitaky ny vehivavy ny foko, raha nandry tam-piandrasana teo am-baravaran'ny mpiara-belona tamiko ny vadiny aho,
\v 10 dia aoka ny vadiko hitoto vary ho an'ny lehilahy hafa, ary aoka ireo hafa hiankohoka eo aminy.
\s5
\v 11 Fa ho heloka bevava mahatsiravina izany; eny tokoa, ho heloka bevava ho sazian'ny mpitsara izany.
\v 12 Satria izany dia afo izay mandevona ny zavatra rehetra ho an'ny Fianinan-tsy hita sy handoro ny vokatro rehetra.
\s5
\v 13 Raha tsy niraharaha ny fangatahana rariny avy tamin'ny mpanompoko lahy na vavy aho rehefa niady hevitra tamiko izy ireo,
\v 14 dia inona ary no hataoko rehefa mitsangana hiampanga ahy Andriamanitra? Rehefa ho avy hitsara ahy Izy, dia ahoana no havaliko Azy?
\v 15 Moa ilay iray izay nanao ahy tao am-bohoka tsy nanao azy ireo koa? Moa tsy iray ihany no namolavola anay rehetra tao am-bohoka?
\s5
\v 16 Raha nanakana ny olona mahantra tamin'ny fanirian'izy ireo aho,
\v 17 na raha nanapahina ny mason'ny mpitondratena tamin'ny fitomaniana, na raha nihinana ny sombin-kaniko irery aho ary tsy namela ireo izay kamboty hihinana izany koa—
\v 18 satria nihalehibe niaraka tamiko toy ny niaraka tamin'ny ray hatramin'ny fahazazako ny zaza kamboty, ary nitarika ny reniny aho, izay mpitondratena, avy tao an-kibon-dreniko.
\s5
\v 19 Raha nahita olona efa ho faty nohon'ny tsy fananana akanjo aho, na raha nahita mahantra tsy nanana akanjo;
\v 20 raha tsy nisaotra ahy ny fony noho izy tsy nafana tamin'ny volon'ondriko,
\v 21 raha nanandratra ny tanako hanohitra ny olona kamboty aho satria nahita ny fanohanako teo am-bavahadin'ny tanàna, dia mitondrà fiampangana ahy!
\s5
\v 22 Raha nanao ireo zavatra ireo aho, dia aoka ny soroko hianjera hiala amin'ny taolan-tsoroko, ary aoka ny sandriko ho tapaka amin'ny tonon-taolany.
\v 23 Satria natahotra ny fahapotehana avy amin'Andriamanitra aho; nohon'ny voninahiny, dia tsy afaka nanao ireo zavatra ireo aho.
\s5
\v 24 Raha nanao ny volamena ho fanantenako aho, ary raha niteny tamin'ny volamena tsara aho hoe: 'Ianao no atokisako';
\v 25 raha nifaly nohon'ny halehiben'ny hareko aho, satria nahazo fananana maro ny tanako, dia mitondrà fiampangana ahy!
\s5
\v 26 Raha nahita ny masoandro aho rehefa namirapiratra izany, na ny volana mandehandeha amin'ny famirapiratany,
\v 27 ary raha voasarika mangingina ny foko, hany ka nanoroka ny tanako mba hiderana azy ireo ny molotro—
\v 28 dia ho heloka bevava hosazian'ireo mpitsara ihany koa izany, satria efa nandà ilay Andriamanitra izay ao ambony aho.
\s5
\v 29 Raha nifaly tamin'ny fahapotehan'izay nankahala ahy aho na niarahaba tena rehefa tratran'ny loza izy, dia mitondrà fiampangana ahy!
\v 30 Eny tokoa, tsy navelako hanota akory ny vavako tamin'ny fangatahana ny ainy tamin'ny ozona.
\s5
\v 31 Raha tsy mbola niteny mihintsy ireo olona ao amin'ny laiko hoe: 'Iza no afaka mahita ilay tsy vokin'ny sakafon'i Joba?'
\v 32 (na ny vahiny aza dia tsy voatery nijanona teo an-kianjan'ny tanàna, satria nanokatra ny varavarako ho an'ny mpandeha foana aho), ary raha tsy izany, dia mitondrà fiampangana ahy!
\s5
\v 33 Raha, nanafina ireo fahotako tamin'ny fanafenana ny heloko tao anatin'ny akanjo lavako, toy ny olombelona aho
\v 34 (satria natahotra ny maro an'isa aho, satria nampihorohoro ahy ny tsy firarahian'ny fianakaviana, hany ka nangina aho ary tsy nandeha tany ivelany), dia mitondrà fiampangana ahy!
\s5
\v 35 Indrisy, raha mba nisy olona nihaino ahy mantsy! Indro, inty ny soniako; aoka hamaly ahy ilay Tsitoha! Raha mba nanana ny fiampangana izay nosoratan'ny mpanohitra ahy mantsy aho!
\v 36 Hitondra izany eo an-tsoroko tokoa aho, hanaovako tahaka ny satro-boninahitra izany.
\v 37 Hanambara aminy ny isan'ny diako aho; tahaka ny andriandahy mahatoky no hiakarako any aminy.
\s5
\v 38 Raha mitaraina manohitra ahy ny taniko, ary miara-mitomany ny baingany,
\v 39 raha nihinana ny vokany nefa tsy nandoa izany aho na nahatonga ireo tompony hamoy ny ain'izy ireo,
\v 40 dia aoka ireo tsilo no haniry fa tsy vary ary tsimparifary fa tsy vary ordea." Tapitra ny tenin'i Joba.
\s5
\c 32
\p
\v 1 Dia nitsahatra tsy namaly an'i Joba intsony ireo telo lahy ireo satria marina teo imasony ihany izy.
\v 2 Ary dia nirehitra ny fahatezeran'i Eliho zanaka lahin'i Barakela ilay Bozita, avy amin'ny fokon'ny Rama; nirehitra tamin'i Joba izany satria nanamarina ny tenany izy raha tokony ho Andriamanitra.
\s5
\v 3 Nirehitra tamin'izy telo lahy namany ihany koa ny fahatezeran'i Eliho satria tsy nahita teny havaly an'i Joba izy ireo, ary mbola nomelohin'izy ireo ihany i Joba.
\v 4 Ary Eliho dia niandry ny hiresaka tamin'ny Joba satria ireo lehilahy hafa ireo dia lehibe noho izy.
\v 5 Kanefa, rehefa hitan'i Eliho fa tsy nisy teny havaly an'i Joba teo ambavan'izy telo lahy ireo, dia nirehitra ny fahatezerany.
\s5
\v 6 Ary Eliho zanaka lahin'i Barakela ilay Bozita niteny mafy ka nanao hoe: "Tanora aho, ary ianareo dia efa tena antitra. Ka izany antony nisalasalako ka tsy nasahiako nilaza taminareo ny hevitro manokana.
\v 7 Hoy aho hoe: "Ny halavan'ny andro no tokony hiteny; ny taona maro no tokony hampianatra fahendrena.
\s5
\v 8 Kanefa misy fanahy ao amin'ny olona; ny fofonain'ilay Tsitoha no manome azy fahazavan-tsaina.
\v 9 Tsy izay olona lehibe ihany no hendry, na ireo olona nahazo taona ihany no mahatakatra ny rariny.
\v 10 Noho izany dia hoy aho aminareo hoe: 'Henoy aho; hambarako aminareo ihany koa ny fahalalako.'
\s5
\v 11 Indro, niandry ny teninareo aho; nihaino ny fandresen-dahatrareo aho raha nieritreritra izay ho lazaina ianareo.
\v 12 Nihaino tsara anareo tokoa aho, kanefa, indro, tsy nisy na dia iray taminareo aza afaka nandresy lahatra an'i Joba na afaka namaly ireo teniny.
\s5
\v 13 Tandremo mba tsy hilaza hoe: 'Efa nahita fahendrena izahay!' Andriamanitra dia tsy maintsy handresy an'i Joba; raha olon-tsotra tsy afaka ny hanao izany.
\v 14 Satria i Joba tsy niteny mivantana tamiko, dia tsy hamaly azy amin'ny teninareo aho.
\s5
\v 15 Tsy nahaloa-bava ireo telo lahy ireo; tsy nahavaly an'i Joba intsony izy ireo; tsy manana teny ho lazaina intsony izy ireo.
\v 16 Tokony hiandry ve aho satria tsy miteny izy ireo, satria mitsangana eo izy ireo ka mangina ary tsy mamaly intsony?
\s5
\v 17 Tsia, hamaly amin'ny anjarako koa aho; ho lazaiko azy ireo ihany koa ny fahalalako.
\v 18 Satria manana teny maro ho lazaina aho; ny fanahy izay ato anatiko no manery ahy.
\v 19 Indro, tahaka ny divay milona izay tsy misy hivoahany ny tratrako; tahaka ny siny hoditra vaovao, izay efa hitriatra.
\s5
\v 20 Ary hiteny aho mba hahavelombelon'aina ahy; hanokatra ny molotro aho ka hamaly.
\v 21 Tsy haneho fiangarana aho; ary tsy hanome fiantsoana mihaja na amin'iza na amin'iza.
\v 22 Satria tsy haiko ny manome fiantsoana toy izany; raha nanao izany aho, dia haka ahy tsy ho ela ny Mpahary ahy.
\s5
\c 33
\p
\v 1 Koa ankehitriny, ry Joba, miangavy anao aho, mandrenesa ny lahateniko; henoy ny teniko rehetra.
\v 2 Indro ankehitriny, efa manokatra ny vavako aho; efa miteny tao am-bavako ny lelako.
\v 3 Avy amin'ny fahitsian'ny foko ny teniko; manambara fahalalana madio ny molotro.
\s5
\v 4 Ny Fanahin'Andriamanitra no nanao ahy; ny fofonain'ilay Tsitoha no nanome fahavelomana ahy.
\v 5 Raha azonao atao, valio aho; alaharo eto anatrehako ny teninao ka mitsangàna.
\s5
\v 6 Indro, tahaka anao ihany aho eo imason'Andriamanitra; namboarina avy tamin'ny tanimanga ihany koa aho.
\v 7 Indro, tsy hampatahotra anao ny horohoroko; na havesatra anao ny tsindriko.
\s5
\v 8 Niteny teo an-tsofiko tokoa ianao; reko ny feon'ny teninao nanao hoe:
\v 9 'Madio aho ary tsy misy heloka; tsy manan-tsiny aho, ary tsy misy ota ato amiko.
\s5
\v 10 Indro, mahita irika hamelezana ahy Andriamanitra; raisiny ho toy ny fahavalony aho.
\v 11 Hapetrany amin'ny boloky hazo ny tongotro; dinihiny avokoa ny lalako.'
\v 12 Indro, amin'izao no mahadiso anao—hamaly anao aho, satria lehibe noho ny olona Andriamanitra.
\s5
\v 13 Nahoana ianao no miady aminy? Tsy manisa na inona na inona amin'izay ataony Izy.
\v 14 Fa miteny indray mandeha Andriamanitra—eny, indroa, na dia tsy tsikaritry ny olona aza izany.
\v 15 Ao anaty nofy, ao anaty fahitana amin'ny alina, rehefa tonga amin'ny olona ny torimaso lalina, rehefa ao anaty faharendrehana eo am-pandriana—
\s5
\v 16 dia manokatra ny sofin'ny olona Andriamanitra, ary mampitahotra azy ireo amin'ny horohoro,
\v 17 mba hisintonana ny olona hiala amin'ny tanjony feno fahotana, sy hanalavirana ny fieboeboana aminy.
\v 18 Andriamanitra no miaro ny ain'ny olona amin'ny lavaka, ny ainy tsy hiampita ho any amin'ny fahafatesana.
\s5
\v 19 Faizina amin'ny fanaintainana eo am-pandriany ihany koa ny olona, miaraka amin'ny fangirifiriana tsy miato ao amin'ny taolany,
\v 20 mba hankahala hanina ny ainy, ary hankahala hanim-py ny fanahiny.
\s5
\v 21 Levona ny nofony mba tsy ho hita; ny taolany, izay tsy hita fahiny, dia mitrakitraky ankehitriny.
\v 22 Eny tokoa, manakaiky lavaka ny fanahiny, ary ny ainy akaikin'ireo izay maniry ny hamotika izany.
\s5
\v 23 Saingy raha misy anjely iray afaka ny ho mpanelanelana ho azy, dia mpanelanelana iray, avy amin'ireo anjely an'alinalina, mba hampiseho azy izay mety hatao,
\v 24 ary raha malemy fanahy aminy ilay anjely ka miteny amin'Andriamanitra hoe: 'Vonjeo mba tsy hidina any an-davaka ity olona ity; fa nahita vidim-panavotana ho azy aho,'
\s5
\v 25 ary dia hanjary ho vaovao noho ny an'ny zaza ny nofony; dia hiverina amin'ny andro tamin'ny herin'ny fahatanorany izy.
\v 26 Hivavaka amin'Andriamanitra izy, ary halemy fanahy aminy Andriamanitra, mba hahitany ny tavan'Andriamanitra amin'ny fifaliana. Homen'Andriamanitra an'ilay olona ny fandreseny.
\s5
\v 27 Dia hihira eo anoloan'ny olona hafa izany olona izany ka hanao hoe: 'Nanota aho ka namadika izay marina, saingy tsy nofaizina ny fahotako.
\v 28 Namonjy ny fanahiko tsy hidina any an-davaka Andriamanitra; hahita fahazavana hatrany ny fiainako.'
\s5
\v 29 Indro, manao ireo zavatra ireo amin'ny olona iray Andriamanitra, indroa, eny, intelo aza,
\v 30 mba hitondra ny fanahiny hiverina avy any an-davaka, mba ho hazavaina amin'ny fahazavan'aina izy.
\s5
\v 31 Mitandrema, ry Joba, ary mihainoa ahy; mangina dia hiteny aho.
\v 32 Raha misy hambara ianao, dia valio aho; mitenena, fa maniry ny hanaporofo aho fa marina ianao.
\v 33 Raha tsy izany, dia henoy aho; mangina, dia hampianariko fahendrena ianao."
\s5
\c 34
\p
\v 1 Fanampin'izay, dia mbola niteny i Eliho hoe:
\v 2 "Henoy ny teniko, ry lehilahy hendry; henoy aho, ianareo izay manana fahalalana.
\v 3 Fa ny sofina dia mandre ny teny toy ny hatsapan'ny lela ny tsiron-kanina.
\s5
\v 4 Aoka isika hisafidy izay rariny ho antsika: aoka isika samy hahita ny tsara eo amintsika.
\v 5 Fa i Joba nilaza hoe: 'Marina aho, fa nalan'Andriamanitra ny zoko.
\v 6 Na inona na inona zoko, dia raisina ho mpandainga aho. Tsy azo sitranina ny ratrako, na dia tsy nanota aza aho.'
\s5
\v 7 Fa lehilahy inona i Joba, izay misotro ny fanamavoana toy ny rano,
\v 8 izay mandeha etsy sy eroa miaraka amin'ireo mpanao ratsy, ary miray lalana amin'ny olona ratsy fanahy?
\v 9 Fa efa nilaza izy hoe: 'Tsy hahazoan'ny olona tombony ny miravoravo amin'ny fanaovana izay tian'Andriamanitra.'
\s5
\v 10 Ka henoy aho, ry lehilahy manana fahazavan-tsaina: sanatria amin'Andriamanitra anie ny hanao ratsy; sanatria amin'ilay Tsitoha anie ny hanota.
\v 11 Satria mamaly ny asan'ny olona izy; ataony tody amin'ny valisoan'ny lalana nosafidiany ny olona rehetra.
\v 12 Eny tokoa, tsy mba manao ratsy Andriamanitra, na hamadika ny rariny mandrakizay ny Tsitoha.
\s5
\v 13 Iza no nampiandraikitra azy ny tany? Iza no nametraka ny tany iray manontolo teo ambaniny?
\v 14 Raha izy ihany no hifantohan'ny tenany, ary raha mamerina manangona ny fanahiny sy ny fofonainy aminy ihany izy,
\v 15 dia hiaraka ho lo avokoa ny nofo rehetra; ary hiverina ho vovoka indray ny olombelona.
\s5
\v 16 Raha manana fahazavan-tsaina ianao ankehitriny, dia henoy izao; henoy ny feon'ny teniko.
\v 17 Afaka ny hitondra ve ny olona iray izay mankahala ny rariny? Ho helohinao ve Andriamanitra, izay marina sy mahery?
\s5
\v 18 Andriamanitra, izay milaza amin'ny mpanjaka hoe: 'Maharikoriko ianao,' na koa milaza amin'ireo manan-kaja hoe: 'ratsy fanahy ianareo'?
\v 19 Andriamanitra, izay tsy miangatra amin'ireo mpitondra ary tsy manome lanja ireo mpanan-karena mihoatra ireo mahantra, satria asan'ny tanany avokoa izy ireo.
\v 20 Ao anatin'ny fotoana fohy izy ireo dia ho faty; amin'ny sasak'alina dia ho voahozongozona ny olona ary ho faty; ho alaina ihany koa ny olona mahery, saingy tsy amin'ny tanan'olombelona.
\s5
\v 21 Fa ny mason'Andriamanitra dia eo amin'ny lalan'ny olona; hitany avokoa ireo dingana ataony.
\v 22 Tsy misy aizina, na aizim-pito hiafenan'ireo mpanao ny tsy rariny.
\v 23 Fa tsy mila mandinika ny olona intsony Andriamanitra; tsy misy antony handehanan'ny olona ho tsaraina eo anatrehany.
\s5
\v 24 Potipotehiny ireo lehilahy mahery nohon'ny lalan'izy ireo izay tsy hilàna fanadihadiana intsony; hapetrany amin'ny toerany avy ny hafa.
\v 25 Ary izany no hahafantarany ny asan'izy ireo; amin'ny alina no handravany ireo olona ireo; ringana izy ireo.
\s5
\v 26 Eo imason'ny hafa, vonoiny toy ny jiolahy izy ireo nohon'ny asa ratsy vitany
\v 27 satria nivadika tsy nanaraka Azy izy ireo ary tsy nety nanaiky na iray aza tamin'ny lalany.
\v 28 Tamin'izany, dia nataon'izy ireo tonga teo aminy ny tomanin'ireo mahantra; ary reny ny tomanin'ireo olona nampahoriana.
\s5
\v 29 Rehefa mangina Izy, iza no afaka hanameloka Azy? Raha hafeniny ny tavany, iza no hahita Azy? Mitovy ny fanapahany ny firenena sy ny tsirairay,
\v 30 mba tsy ho afaka hanapaka ny olona mpaniratsira, mba tsy hisy na iray aza hamandrika ny olona.
\s5
\v 31 Raha atao hoe misy olona iray milaza amin'Andriamanitra hoe: 'Meloka tokoa aho, fa tsy hanota intsony;
\v 32 ampianaro ahy ny zavatra tsy mety hitako; nanota aho, fa tsy hamerina izany intsony.'
\v 33 Dia mihevitra ve ianao fa ho sazian'Andriamanitra nohon'ny otan'izany olona izany, satria tsy tianao ny ataon'Andriamanitra? Aoka ianao no hisafidy, fa tsy izaho. Ka lazao izay fantatrao.
\s5
\v 34 Ny olona manana fahazavan-tsaina dia hilaza amiko hoe— eny tokoa, izay lehilahy hendry rehetra mandre ahy dia hiteny hoe:
\v 35 'Miteny tsy am-pahalalana i Joba; tsy misy fahendrena ny teniny.'
\s5
\v 36 Raha mba notsaraina tamin'ny antsipirihiny kely indrindra tamin'ny tranga nahazo azy mantsy i Joba nohon'ny firesany toy ny olona ratsy fanahy.
\v 37 Fa ampiany fikomiana ny fahotany; miteha-tanana am-panesoana eo afovoantsika izy; manangona teny anoherana an'Andriamanitra izy."
\s5
\c 35
\p
\v 1 Ho fanampin'izany i Eliho dia mbola nanohy, niteny hoe:
\v 2 "Mihevitra ve ianao fa marina izany rehefa milaza ianao hoe: 'Ny zoko eo anatrehan'Andriamanitra?'
\v 3 Satria ianao nanontany hoe: 'Inona no asan'izany amiko?' sy hoe: 'Ho tsara kokoa ve aho raha nanota?'
\s5
\v 4 Hamaly anao aho, ianao sy ireo sakaizanao.
\v 5 Jereo ny lanitra, dia jereo izany; jereo ny lanitra, izay avo noho ianao.
\s5
\v 6 Raha nanota ianao, dia inona no ratsy nataonao an'Andriamanitra? Raha miangona loatra ny fandikan-dalànao, dia inona no ataonao Aminy?
\v 7 Raha marina ianao, dia inona no afaka homenao Azy? Inona no ho raisiny avy amin'ny tananao?
\v 8 Ny faharatsianao dia mety handratra olona iray, amin'ny maha-olona anao, ary ny fahamarinanao dia mety hahasoa ny zanaky ny olona hafa.
\s5
\v 9 Nohon'ny asa fampahoriana maro, dia mitaraina ny olona; mila vonjy avy eo an-tsandrin'ireo olona mahery izy ireo.
\v 10 Fa tsy misy na iza na iza miteny hoe: 'Aiza Andriamanitra ilay Mpahary ahy, izay manome hira amin'ny alina,
\v 11 izay mampianatra bebe kokoa antsika noho ny hampianarany ireo bibidian'ny tany, ary izay manao antsika ho hendry noho ireo voron'ny lanitra?'
\s5
\v 12 Any izy ireo no mitaraina, fa Andriamanitra tsy manome valiny azy ireo nohon'ny fieboebon'ny olon-dratsy.
\v 13 Tsy handre ny fitomaniana adala tokoa Andriamanitra; tsy hiraharaha izany ilay Tsitoha.
\v 14 Akory ny hakelin'ny hamaliany anao raha milaza ianao fa tsy mahita Azy, fa ny adinao dia eo anatrehany, ary miandry Azy ianao!
\s5
\v 15 Akory ny hakelin'ny hamaliany anao raha milaza ianao fa tsy manafay na iza na iza amim-pahatezerana mihintsy Izy, ary tsy miraharaha loatra ny avonavon'ny olona Izy.
\v 16 Koa nanokatra ny vavany mba hiteny fahadalana fotsiny ihany i Joba; nanangona teny tsy am-pahalalana izy."
\s5
\c 36
\p
\v 1 Nanohy ihany Eliho ary niteny hoe:
\v 2 "Mamelà ahy hiteny lavalava kokoa, dia haneho zavatra anao aho satria mbola misy kely ho teneniko ho fiarovana an'Andriamanitra.
\v 3 Hahazo ny fahalalako avy lavitra aho; hiaiky aho fa ny fahamarinana dia an'ny Mpahary ahy.
\s5
\v 4 Fa eny tokoa, tsy ho diso ireo teniko; olona matotra ao amin'ny fahalalana no eto aminao.
\v 5 Indro, Andriamanitra dia mahery, ary tsy mamingavinga na iza na iza; mahery amin'ny herin'ny fahazavan-tsaina Izy.
\s5
\v 6 Tsy miaro ny ain'ny olona ratsy fanahy Izy fa kosa manao izay marina ho an'ireo izay mijaly.
\v 7 Tsy manala ny masony amin'ireo olona marina Izy fa kosa mametraka azy ireo mandrakizay eo amin'ireo seza fiandrianana toy ny mpanjaka, ka misandratra izy ireo.
\s5
\v 8 Raha voafatotra tamin'ny rojo ary voafandrika tamin'ny tadin'ny fampijaliana izy ireo,
\v 9 dia ambarany amin'izy ireo izay nataony, sy ny helok'izy ireo ary ny fieboeboan'izy ireo.
\s5
\v 10 Manokatra ny sofin'izy ireo ho amin'ny fampianarany ihany koa Izy, ary mandidy azy ireo mba hiala amin'ny heloka.
\v 11 Raha mihaino Azy sy manompo Azy izy ireo, dia handany ny andron'izy ireo amin'ny fanambinana, sy ny taonan'izy ireo amin'ny fifaliana.
\v 12 Na izany aza, raha tsy mihaino izy ireo, dia ho vonoina amin-tsabatra; ho faty izy ireo satria tsy manam-pahalalana.
\s5
\v 13 Mitahiry ny hatezerany ireo izay mpaniratsira am-po; tsy miantso vonjy izy ireo na dia mamatotra azy ireo aza Andriamanitra.
\v 14 Maty eo amin'ny fahatanorany izy ireo; tapitra eo amin'ireo mpijangajanga amin'ny fivavahana ny andron'izy ireo.
\s5
\v 15 Andriamanitra mamonjy ireo olona nampahoriana amin'ny alalan'ny fahorian'izy ireo; manokatra ny sofin'izy ireo amin'ny alalan'ny fampahoriana azy ireo Izy.
\v 16 Eny tokoa, te-hanala anao amin'ny fahoriana ho any amin'ny toerana malalaka izay tsy misy zava-tsarotra sy izay androsoana sakafo feno sabora amin'ny latabatrao Izy.
\s5
\v 17 Nefa ianao dia feno fitsaràna ny olona ratsy fanahy; nitana anao ny fitsaràna sy ny rariny.
\v 18 Aza avela hitaona anao ho amin'ny fanesoana ny hatezeranao, na hampivily anao ny halehiben'ny vidim-panavotana.
\s5
\v 19 Afaka manome tombony anao ve ny harenao, mba tsy ho ao anatin'ny fahoriana ianao, sa afaka manampy anao ve ny herin'ny fahatanjahanao rehetra?
\v 20 Aza maniry ny alina, mba hanotana hanoherana ireo hafa, rehefa esorina eo amin'ny toeran'izy ireo ny olona.
\v 21 Mitandrema mba tsy hiverina hanota ianao satria efa nosedraina tamin'ny fampijaliana ianao mba hanalaviranao ny fahotana.
\s5
\v 22 Indro, misandratra amin'ny heriny Andriamanitra; iza no mpampianatra toa Azy?
\v 23 Iza no efa nampianatra Azy ny amin'ny lalany? Iza no mba afaka hiteny Azy hoe: 'Efa nanao ny tsy marina Ianao?'
\v 24 Tsarovy ny midera ireo asany, izay nohirain'ny olona.
\s5
\v 25 Efa nijery ireo asa ireo ny olona rehetra, nefa avy eny lavitra ihany no ahitany ireo asa ireo.
\v 26 Indro, lehibe Andriamanitra, nefa tsy azontsika tsara Izy; tsy hay kajiana ny isan'ny taonany.
\s5
\v 27 Fa efa manala ireo rano nitete izay natsikany ho orana avy amin'ny entony Izy,
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany ankehitriny dia manao hoe: "izay mitsika ho orana avy amin'ny entony" \f*
\v 28 izay arotsaky ny rahona sy atondrany be amin'ny olombelona.
\v 29 Eny tokoa, misy olona mahatakatra ny halehiben'ny fielezan'ny rahona sy ny kotroka avy ao amin'ny tranony ve?
\s5
\v 30 Indro, manaparitaka ny tselany manodidina Azy Izy ary mandrakotra ireo fanambanin'ny ranomasina.
\v 31 Amin'izany fomba izany no hitsarany ireo olona sy hanomezany sakafo mitafotafo.
\s5
\v 32 Mameno tselatra ny tanany Izy mandra-pandidiany izany mba hamely ny marik'izany.
\v 33 Ny kotrok'izany dia mampitandrina ny amin'ny tafio-drivotra, ny biby fiompy ihany koa dia afaka mandre fa tamy izany.
\s5
\c 37
\p
\v 1 Eny tokoa, mihorohoro amin'izany ny foko; miala amin'ny toerany.
\v 2 Henoy, oh, henoy ny fikotaban'ny feony, ny feo izay mivoaka avy amin'ny vavany.
\v 3 Mandefa izany eny ambany lanitra manontolo Izy, ary mandefa ny tselam-pahazavany hatrany amin'ny sisin-tany.
\s5
\v 4 Misy feo mierona aorian'izany; mikotrokotroka amin'ny feon'ny voninahiny Izy; tsy manakana ny tsela-pahazavana hitselatra Izy rehefa re ny feony.
\v 5 Mahatalanjona ny fikotrokotroky ny feon'Andriamanitra; manao zavatra lehibe izay tsy takatsika Izy.
\v 6 Fa hoy Izy amin'ny oram-panala: "Milatsaha eny amin'ny tany"; toy izany koa ny ranon'orana: 'Tongava ho rotsak'orana mivatravatra be'.
\s5
\v 7 Mampitsahatra ny tanan'ny lehilahy tsirairay amin'ny asany Izy, mba hahafahan'ny olona rehetra izay namboariny hahita ireo asany.
\v 8 Dia miditra ao amin'ny fiafenany koa ireo bibidia ka mamitsaka any an-johiny.
\v 9 Ny tafio-drivotra tonga avy any amin'ny efiny avy any atsimo, ary ny hatsiaka avy amin'ny fiparitahan'ny rivotra avy any avaratra.
\s5
\v 10 Amin'ny alalan'ny fofonain'Andriamanitra no mampisy ny ranomandry. Mivaingana toy ny vy ny rano be midadasika.
\v 11 Manavesatra ny rahona matevina amin'ny hamandoana tokoa Izy; mampiely ny tsela-pahazavany amin'ny rahona Izy.
\s5
\v 12 Manodikodina ny rahona araka ny fitarihany Izy, mba hahafahan'izy ireo manao izay andidiany azy ireo eo ambonin'ny velaran'izao tontolo izao.
\v 13 Ataony miseho izany rehetra izany; indraindray dia mitranga izany ho fanitsiana, indraindray ho an'ny taniny, ary indraindray ho ny asan'ny fanekena mahatoky.
\s5
\v 14 Henoy izao, ry Joba; mijanòna ary saino ny momban'ireo asa mahagagan'Andriamanitra.
\v 15 Fantatrao ve ny faneren'Andriamanitra amin'ny sitrapony amin'ny rahona sy fanaovany ny tsela-pahazavana hitselatra ao amin'ireo?
\s5
\v 16 Takatrao ve ny fihevahevan'ny rahona, ireo asa mahagagan'Andriamanitra, izay tonga lafatra amin'ny fahalalana?
\v 17 Takatrao ve ny mahatonga ireo akanjonao hafana rehefa tony ny tany satria tonga avy any atsimo ny rivotra?
\s5
\v 18 Ianao ve afaka mamelatra ny habakabaka toy ny ataony— dia ny habakabaka, izay mafy toy ny fitaratra manganohano vita amin'ny vy voarendrika?
\v 19 Mba ampianaro anay ary izay tokony ho lazainay aminy, fa izahay tsy mahavita mandahatra ireo tohan-kevitray nohon'ny fahamaizinan'ny fisainanay.
\v 20 Tokony hilazana izay tiako lazaina aminy ve Izy? Misy olona maniry ny ho voatelina ve?
\s5
\v 21 Ankehitriny, tsy afaka mijery ny masoandro rehefa mamiratra eny amin'ny habakabaka ve ny olona aorian'ny fandalovan'ny rivotra ka nampisavany ny rahony.
\v 22 Avy any avaratra no hihavian'ny famirapiratana volamena— voninahitra mampatahotra no eo amin'Andriamanitra.
\s5
\v 23 Raha ny amin'ilay Tsitoha, tsy afaka mahita Azy isika! Izy dia lehibe amin'ny fahefana; tsy mampahory ny rariny Izy ary be fahamarinana.
\v 24 Noho izany, matahotra Azy ny olona. Tsy mijery ireo izay mihevi-tena ho hendry akory Izy."
\s5
\c 38
\p
\v 1 Avy eo dia niantso an'i Joba avy tao amin'ny tafio-drivotra mahery vaika Yaveh ka nanao hoe:
\v 2 "Iza ity mitondra aizina amin'ireo fikasana amin'ny alalan'ny teny tsy misy fahalalana ity?
\v 3 Ampisikino tahaka ny lehilahy ny valahanao fa hametra-panontaniana aminao Aho, ary tsy maintsy mamaly Ahy ianao.
\s5
\v 4 Taiza ianao fony nanorina ny fototry ny tany Aho? Lazao Ahy, raha tena manana fahazavan-tsaina be ianao.
\v 5 Iza no namaritra ireo refiny? Lazao Ahy, raha fantatrao. Iza no nanenjana ny tady fandrefesana teo aminy?
\s5
\v 6 Tamin'ny inona no nametrahana ny fotony? Iza no nametraka ireo vato fehizorony
\v 7 rehefa niara-nihira ny kintan'ny maraina ary nihiaka fifaliana ireo zanak'Andriamanitra rehetra?
\s5
\v 8 Iza no nanidy ny ranomasina tamin'ny varavarana rehefa vaky izany, raha nivoaka toy ny avy tao am-bohoka izany—
\v 9 rehefa nanao ireo rahona ho fitafiany Aho, ary aizim-pito ho fonony?
\s5
\v 10 Izany dia tamin'ny namaritako ny faritra amin'ny sisin-dranomasina, sy tamin'ny nametrahako ny hidy sy varavarany,
\v 11 ary tamin'ny nitenenako taminy hoe: 'Mety ho tonga hatreo ianao, saingy tsy hihoatra lavitra; eto no hametrahako ny fetra amin'ny fisafoaky ny onjanao.'
\s5
\v 12 Hatramin'izay nanombohan'ny andronao, efa nanome baiko ny maraina hiposaka ve ianao, ary nahatonga ny mangiran-dratsy hahalala ny toerany eo amin'ny filahatry ny zavatra rehetra,
\v 13 mba hitazonany ireo zoron'ny tany ka hiozongozona hiala eo aminy ny olona ratsy fanahy?
\s5
\v 14 Niova tahaka ny fiovan'ny tanimanga ambanin'ny tombo-kase ny endriky ny tany; ny zava-drehetra eo aminy dia miavaka mazava tsara tahaka ny fivalonan'ny lamba.
\v 15 Avy amin'ireo olona ratsy fanahy no nanesorana ny 'hazavan'izy ireo; ny sandry misandratr'izy ireo dia notapahana.
\s5
\v 16 Efa nandeha tany amin'ny loharanon-dranomasina ve ianao? Efa nandeha tany amin'ny lalina ambany indrindra ve ianao?
\v 17 Efa naseho taminao ve ireo vavahadin'ny fahafatesana? Efa nahita ireo vavahadin'ny aloky ny fahafatesana ve ianao?
\v 18 Efa nodinihanao ve ny fivelaran'ny tany? Lazao Ahy, raha fantatrao daholo izany.
\s5
\v 19 Aiza no lalana mankany amin'ny toerana fitsaharan'ny fahazavana— tahaka izany ny aizina, aiza ny toerany?
\v 20 Afaka mitarika ny hazavana sy ny aizina any amin'ireo toeram-piasan'izy ireo ve ianao? Hitanao ve ny lalana miverina mankany an-tranon'izy ireo?
\v 21 Fantatrao tsy am-pisalasalana izany, satria efa teraka tamin'izany ianao; lava dia lava tokoa ny isan'ny andronao!
\s5
\v 22 Efa niditra tao amin'ny trano fitehirizana ny ranomandry ve ianao, na efa nahita ny trano fitehirizana ny havandra ve ianao,
\v 23 ireo zavatra izay notehiriziko ho amin'ireo fotoam-pahoriana, ho amin'ireo andron'ny ady?
\v 24 Aiza ny lalana hitselaran'ny varatra na miparitaka mankaiza eto ambonin'ny tany ireo rivotra avy any atsinanana?
\s5
\v 25 Iza no nihady ireo lalan-drano ho an'ny tondrak'orana, na iza no nanoritra ny lalan'ny fipoahan'ny varatra,
\v 26 mba hampilatsaka ny orana eny amin'ireo tany izay tsy misy olona, sy eny amin'ny tany efitra, izay tsy misy na iza na iza,
\v 27 mba hahatanterahana ireo filàn'ireo tany karakaina sy efitra, ka hampitsimoka ny ahi-maitso?
\s5
\v 28 Manan-dray ve ny orana? Iza no niteraka ny ranon'ando?
\v 29 Kibon'iza no niavian'ny ranomandry? Iza no niteraka ny fanala avy any an-danitra?
\v 30 Miafina ny rano ary lasa sahala amin'ny vato; lasa mivaingana ny fanambonin'ny lalin.
\s5
\v 31 Afaka manery ireo rojo amin'ireo Ikotokelimiadilaona ve ianao, na mamaha ny tadin'ny Telonohorefy?
\v 32 Afaka mitarika ireo kintana mba hiseho amin'ny fotoana tokony ho izy ve ianao? Afaka mitarika ny Bera miaraka amin'ireo zanany ve ianao?
\v 33 Mahafantatra ny lalàn'ny lanitra ve ianao? Afaka mametraka ny lalàn'ny lanitra ambonin'ny tany ve ianao?
\s5
\v 34 Afaka mampiaka-peo hatrany amin'ny rahona ve ianao, mba handrakofan'ny ranon'oram-be anao?
\v 35 Afaka mandefa tselatra ve ianao mba hahafahan'izy ireo mivoaka, mba hitenenan'izy ireo hoe: 'Indreto izahay?'
\s5
\v 36 Iza no nametraka fahendrena teny amin'ny rahona na nanome fahazavan-tsaina tamin'ny zavona?
\v 37 Iza no afaka manisa ny rahona amin'ny fahaizany? Iza no afaka manondraka ny fitoeran-dranon'ny lanitra
\v 38 rehefa mitambatra ho fotaka lehibe ny vovoka ary miraikitra ireo bainga-tany?
\s5
\v 39 Afaka misambotra haza ho an'ny liona vavy ve ianao na manome fahafaham-po ny hanoanan'ireo liony tanora
\v 40 rehefa mamitsaka ao amin'ny fitoerany sy manotrika ao amin'ny kirihitra izy ireo?
\s5
\v 41 Iza no mamatsy haza ho an'ireo goaika rehefa mitaraina amin'Andriamanitra sy mivembena nohon'ny tsy fahampian-tsakafo ireo zanany?
\s5
\c 39
\p
\v 1 Fantatrao ve hoe amin'ny fotoana inona no iterahan'ny osi-dia ny zanany eny amin'ny vatolampy? Voadinikao ve rehefa miteraka ny zanany ny diera vavy?
\v 2 Voaisanao ve ireo volana hitondran'ireo vohoka? Fantatrao ve ny fotoana hiterahany ireo zanany?
\s5
\v 3 Miondrika izy ireo ka miteraka ny zanany, ary dia tapitra ny fanaintainan'ny fiterahany.
\v 4 Mihamatanjaka sy mitombo eny amin'ny saha lehibe ireo zanany; lasa izy ireo ka tsy miverina intsony.
\s5
\v 5 Iza no mamela malalaka ny boriki-dia andeha? Iza no namaha ny fatoran'ny ampondra-dia,
\v 6 izay efa nanamboarako fonenana any Araba, ny tranony any amin'ny tanin-tsira?
\s5
\v 7 Mihomehy am-panesoana ny tabataba ao an-tanàna izy; tsy mahare ny hiakiak'ireo mpandroaka izy.
\v 8 Mirenireny eny an-tendrombohitra fihinanam-bilony izy; any izy no mitady ny ahi-maitso rehetra hohanina.
\s5
\v 9 Ho faly hanompo anao ve ny ombi-dia? Hanaiky ny hijanona eo amin'ny fihinana namboarina ve izy?
\v 10 Mahafehy ny ombi-dia amin'ny tady mba hamadihany ny bainga ve ianao? Handravona ny lohasaha ho anao ve izy?
\s5
\v 11 Hatoky azy ve ianao satria lehibe ny heriny? Handao ny asanao mba ho ataony ve ianao?
\v 12 Hiantehitra aminy mba hitondra ny varinao any an-trano, sy hanangona ny vary ho eo amin'ny famoloanao ve ianao?
\s5
\v 13 Ny elatry ny ostritsa dia mikopakopaka am-pireharehana, nefa misy fitiavana ve ny elany sy ny volony?
\v 14 Satria mandao ireo atodiny eny amin'ny tany izy, ary avelany hafana ao amin'ny vovoka ireo;
\v 15 hadinony fa mety hisy tongotra hanorotoro na mety hisy bibi-dia hanitsakitsaka azy ireo.
\s5
\v 16 Mampijaly ireo zanany izy tahaka ny hoe tsy azy ireo; tsy matahotra izy na dia mety ho very maina aza ny asany,
\v 17 satria Andriamanitra nanala taminy ny fahendrena ary tsy nanome azy fahalalana.
\v 18 Rehefa mihazakazaka mafy izy, dia hiomehezany am-panesoana ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
\s5
\v 19 Moa ve nomenao ny heriny ny soavaly? Nampiakanjo ny vozony tamin'ny volony mihofahofa ve ianao?
\v 20 Efa nampitsambikina azy tahaka ny valala ve ianao? Mampahatahotra ny hamafin'ny fiefonefony.
\s5
\v 21 Mibitaka amin'ny heriny izy ary miravoravo amin'ny tanjany; mivoaka faingana hitsena ny fitaovam-piadiana izy.
\v 22 Maneso ny tahotra izy ary tsy raiki-tahotra; tsy mihemotra amin'ny sabatra izy.
\v 23 Mifioka eo anilany ny zana-tsipìka, miaraka amin'ny lefona manjelatra ary ny lefom-pohy.
\s5
\v 24 Mitelina tany amin'ny fahavinirana sy fahatezerana izy; amin'ny fanenon'ny anjomara, tsy tafajanona amin'ny toerana iray izy. Na oviana na oviana no hanenoan'ny anjomara, dia hoy izy hoe: 'Aha!'
\v 25 Manimbolo ny ady avy any lavitra izy—dia ny kotaba mafin'ny ny mpifehy ary ny horakoraka.
\s5
\v 26 Avy amin'ny fahendrenao ve no mampanidina ny hitsikitsika, ka hamelarany ny helany ho any atsimo?
\s5
\v 27 Amin'ny baikonao ve no hiakaran'ny ny voromahery sy hanamboarany ny tranony amin'ny toerana avo?
\v 28 Mivelona eo amin'ny harambato izy ary manamboatra ny akaniny eo amin'ny tendron'ny harambato, izay fiarovana mafy.
\s5
\v 29 Avy eny no hitadiavany ny hazany; mahita azy ireo avy eny lavitra eny ny masony.
\v 30 Misotro rà ihany koa ny zanany; izay toerana misy fatin'olona, dia eny izy."
\s5
\c 40
\p
\v 1 Ary Yaveh nanohy niresaka tamin'i Joba; hoy izy hoe:
\v 2 "Tokony hanandrana hanitsy ny Tsitoha ve ny olona manam-paniriana hitsikera? Izy izay mifandahatra amin'Andriamanitra, dia aoka izy hamaly."
\s5
\v 3 Dia namaly an'i Yaveh Joba ka nanao hoe:
\v 4 "Indro, tsy misy dikany aho; ahoana no hamaliako Anao? Apetrako amin'ny vavako ny tanako.
\v 5 Niteny indray mandeha aho, ary tsy hamaly intsony; eny, indroa, fa tsy hanohy mihoatra an'izay aho."
\s5
\v 6 Dia namaly an'i Joba tamin'ny tafio-drivotra masiaka Yaveh ka niteny hoe:
\v 7 "Ampisikino tahaka ny lehilahy ny valahanao, fa hametra-panontaniana aminao Aho, dia tsy maintsy mamaly Ahy ianao.
\s5
\v 8 Moa hilaza tokoa ve ianao fa tsy marina Aho? Hanameloka Ahy ve ianao mba hitenenanao hoe marina ianao?
\v 9 Mana-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra ve ianao? Mahay mampikotrokotro-peo tahaka Azy ve ianao?
\s5
\v 10 Tafio voninahitra sy fahamendrehana ny tenanao; mihaingoa haja sy fahalehibeazana.
\v 11 Ampielezo amin'ny manodidina ny fihoaran'ny fahatezeranao; jereo ireo rehetra mirehareha ary ahetreo izy.
\s5
\v 12 Jereo ireo rehetra izay mirehareha ary ahetreo izy; hitsaho ambany eo amin'izay itsanganan'izy ireo ny olona ratsy fanahy.
\v 13 Aleveno hiaraka eo amin'ny tany izy rehetra; gadrao any amin'ilay toerana miafina ny tavan'izy ireo.
\v 14 Dia hanaiky ny momba anao koa Aho fa ny tananao an-kavanana ihany dia afaka mamonjy anao.
\s5
\v 15 Jereo ary ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany; mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
\v 16 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny; eo amin'ireo hozatry ny kibony ny tanjany.
\s5
\v 17 Manao ny rambony tahaka ny sedera izy; ny ozatry ny feny rehetra dia mitambatra.
\v 18 Ny taolany dia tahaka ny fantsona varahina; ny tongony dia tahaka ny bara vy.
\s5
\v 19 Izy no lehibe amin'ny zava-boaarin'Andriamanitra. Andriamanitra irery ihany, izay nanao azy, no afaka mandresy azy.
\v 20 Fa ireo havoana manome sakafo azy; ireo bibi-dia eny an-tsaha dia milalao eo akaiky eo.
\v 21 Mipetraka ao ambanin'ny voahirana, ao anaty volotara izy, ao anaty lakan-drano izy.
\s5
\v 22 Ireo voahirana dia mandrakotra azy amin'ny alokalony; ireo hazomalahelon'ny lohasahan-driaka dia manodidina azy avokoa.
\v 23 Indro, raha tondraka ny moron'ny renirano, dia tsy hangovitra izy; mahatoky izy, na dia hisamboaravoara hatreny ambonin'ny orony aza Jordana.
\v 24 Moa misy mahasambotra azy amin'ny farango ve, na mmahatsindrona ny orony amin'ny fandrika?
\s5
\c 41
\p
\v 1 Afaka misintona Leviatana amin'ny fintana ve ianao? Na mamatotra ireo valanoranony amin'ny tady?
\v 2 Afaka manisy tady eo amin'ny orony ve ianao, na manindrona ny valanoranony amin'ny alalan'ny fitana?
\v 3 Hitalao fatratra aminao ve izy? Hanao teny malefaka aminao ve izy?
\s5
\v 4 Hanao fifanekena aminao ve izy, fa tokony ho alainao ho mpanompo mandrakizay izy?
\v 5 Hilalao hiaraka aminy toy ny hiarahanao amin'ny vorona ve ianao? Hamatotra azy ho an'ny mpanomponao vavy ve ianao?
\v 6 Hiady varotra ny aminy ve ireo vondron'ny mpanarato? Hifampizaran'izy ireo mba hamidy amin'ireo mpivarotra ve izy?
\s5
\v 7 Mahavita mandefona ny hodiny amin'ny fitaovam-pihazana ve ianao na ny lohany amin'ny lelam-pitana?
\v 8 Apetaho eo aminy indray mandeha ny tananao, ary ho tsaroanao ny ady ary tsy hanao izany intsony ianao.
\v 9 Indro, ny fanantenan'ny olona izay manao izany dia lainga; moa ve tsy hisy olona hianjera amin'ny tany nohon'ny fahitana azy fotsiny ihany?
\s5
\v 10 Tsy misy olona feno hatezerana ka sahy hihantsy Leviatana; koa, iza ary no afaka mitsangana eo anatrehako?
\v 11 Iza no nanome zavatra Ahy voalohany mba hanefako azy? Izay rehetra ambanin'ny lanitra manontolo dia Ahy.
\v 12 Tsy hangina aho mahakasika ny tongotry ny Leviatana, na ihany koa ny zavatra mahakasika ny heriny, na mahakasika ny hatsaran'ny bikany.
\s5
\v 13 Iza no afaka manala ireo fitafiny ivelany? Iza no afaka miditra ny fiarovany misosona?
\v 14 Iza no afaka manokatra ireo varavaran'ny tavany— voahodidina ireo nifiny, izay horohoro?
\v 15 Ny lamosiny dia vita amin'ireo ampinga misosona, mifanery toy ny fihidin'ny tombo-kase.
\s5
\v 16 Ny iray dia tena mifanakaiky amin'ny iray hafa hany ka tsy misy rivotra afaka miditra eo anelanelan'izy ireo.
\v 17 Mifandray izy ireo; mifampiraikitra, izany dia mba tsy hahafahan'izy ireo hisaraka.
\v 18 Ny hazavana mitaratra avy amin'ny fierony; ny masony dia tahaka ireo hodimason'ny vao mangiran-dratsy.
\s5
\v 19 Ary fanilo mirehitra no mivoaka ny vavany, miparitaka ny pitik'afo.
\v 20 Ny vavoriny dia mivoka setroka toy ny zavatra mangotraka ao anaty vilany eo ambony afo izay nokopahana ho tena mahamay.
\v 21 Ny fofon'ainy dia mampirehitra ny vain'afo ho tonga afo; afo no mivoaka avy ao amin'ny vavany.
\s5
\v 22 Ao amin'ny vozony ny hery; ary ny horohoro dia mandihy eo anoloany.
\v 23 Mikambana ny fivalonan'ireo nofony; mafy orina eo aminy ireo; tsy afaka ahetsika ireo.
\v 24 Ny fony dia mafy toy ny vato— eny tokoa, mafy toy ny fikosoham-bary.
\s5
\v 25 Rehefa manandratra ny tenany Izy, na ireo andriamanitra aza ho raiki-tahotra; nohon'ny tahotra, dia mihemotra izy ireo.
\v 26 Raha mamely azy ny sabatra iray, dia tsy misy dikany izany— na ny lefona, tsipìka, na fitaovam-piadiana maranitra hafa.
\v 27 Mieritreritra izy fa tahaka ny mololo ny vy, ary tahaka ny hazo lò ny varahina.
\s5
\v 28 Ny tsipìka dia tsy afaka mampandositra azy; tonga akofa aminy ireo vaton'ny antsamotady.
\v 29 Ataony tahaka ny mololo ireo langilangy; mihomehy amin'ny firaondraonana amin'ny fanidin'ilay lefona izy.
\v 30 Ny tapany ambany dia tahaka ireo vakim-bilany maranitra; mamela dian-kitsaka eo amin'ny fotaka izy tahaka ny kodiaram-by fikosoham-bary.
\s5
\v 31 Ataony tahaka ny rano mangotraka anaty vilany ny lalina; ataony toy ny vilanin'ny hosotra manitra ny ranomasina.
\v 32 Manazava izay nolalovany izy; misy mieritreritra fa fotsy volo ny lalina.
\s5
\v 33 Ety an-tany dia tsy misy mitovy aminy, izay noforonina mba hiaina tsy misy tahotra.
\v 34 Mahita ny zavatra rehetra izay mirehareha izy; izy no mpanjaka ambon'ireo zanaky ny fireharehana rehetra."
\s5
\c 42
\p
\v 1 Dia namaly an'i Yaveh i Joba ka niteny hoe:
\v 2 "Haiko fa hainao hatao ny zavatra rehetra, fa tsy hay sakanana ny tanjonao.
\v 3 'Iza izao manafina fikasana tsy amin'ny fahalalana izao?' Eny tokoa, nanambara zavatra izay tsy takatro aho, zavatra saro-takarina loatra ho ahy, izay tsy mba fantatro.
\s5
\v 4 Hoy Ianao tamiko hoe: 'Mihainoa, ankehitriny, ary hiteny Aho; hanontany zavatra aminao Aho, ary hilaza Amiko ianao.'
\v 5 Nandre ny momba Anao tamin'ny siosion-dresaka aho, fa ankehitriny dia mahita Anao ny masoko.
\v 6 Koa manamavo ny tenako aho; mibebaka amin'ny vovoka sy lavenona aho."
\s5
\v 7 Ary rehefa avy niteny ireo teny ireo tamin'i Joba Izy, dia hoy Yaveh tamin'i Elifaza ilay Temanita hoe: "Mirehitra aminao sy amin'ireo namanao roa ny fahavinirako, fa tsy nilaza ny marina momba Ahy ianareo, tahaka ny nataon'i Joba mpanompoko.
\v 8 Ankehitriny ary, makà omby lahy fito sy ondry lahy fito ho an'ny tenanareo, dia mandehana any amin'i Joba mpanompoko, ka manolora fanatitra dorana ho an'ny tenanareo. Hivavaka ho anareo i Joba mpanompoko, dia hanaiky ny fivavany Aho, mba tsy hamaliako anareo araka ny fahadalanareo. Tsy nilaza izay marina momba Ahy, tahaka ny nataon'i Joba mpanompoko ianareo."
\v 9 Koa dia nandeha ary nanao araka izay nandidian'i Yaveh azy ireo i Elifaza ilay Temanita, i Bildada ilay Sohita, ary i Zofara ilay Namatita, ary Yaveh nanaiky an'i Joba.
\s5
\v 10 Rehefa nivavaka ho an'ireo namany i Joba, dia naverin'Andriamanitra tamin'ny laoniny ny hareny. Nomen'i Yaveh avo roa heny mihoatra izay nananany teo aloha izy.
\v 11 Dia nandeha tany aminy ireo rahalahin'i Joba rehetra, ireo anabaviny rehetra, ary ireo olom-pantany teo aloha— ary nisakafo niaraka taminy tao an-tranony. Niara-ory taminy izy ireo ary nampionona azy ny amin'ireo loza rehetra izay nalefan'i Yaveh taminy. Samy nanome volafotsy madinika sy peratra volamena an'i Joba avokoa ny olon-drehetra.
\s5
\v 12 Nitahy ny andro farany niainan'i Joba mihoatra noho ny tamin'ny voalohany Yaveh; nanana ondry efatra arivo sy iray alina izy, rameva enina arivo, andian'omby arivo, ary boriky vavy arivo.
\v 13 Nanan-janaka lahy fito sy zanaka vavy telo ihany koa izy.
\v 14 Nantsoiny hoe Jemima ilay vavimatoa, Kezia ilay faharoa, ary ny fahatelo dia Kerena-hapoka.
\s5
\v 15 Tsy nisy vehivavy hita ho tsara mihoatra an'ireo zanaka vavin'i Joba teo amin'ny tany rehetra. Nanome lova ho azy ireo mbamin'ireo anadahiny ny rain'izy ireo.
\v 16 Taorian'izany, dia niaina 140 taona i Joba; nahita ireo zanany sy ireo zafiny izy, hatramin'ny taranaka efatra nifandimby.
\v 17 Avy eo dia maty i Joba, raha antitra sy voky andro.