plt_ulb/17-EST.usfm

345 lines
36 KiB
Plaintext

\id EST
\ide UTF-8
\h Estera
\toc1 Estera
\toc2 Estera
\toc3 est
\mt Estera
\s5
\c 1
\p
\v 1 Tamin'ny andron'i Ahasoerosy (Ahasoerosy no nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, nanenika ny faritany 127),
\v 2 tamin'izany andro izany dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany tao amin'ny fiarovana mafin'ny Sosana i Ahasoerosy mpanjaka.
\s5
\v 3 Tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ireo manam-pahefana sy ireo mpanompony rehetra izy. Ny tafik'i Persia sy Media, ireo lehilahy manan-kaja, sy ireo governoran'ireo faritany dia teo amin'ny fanatrehany.
\v 4 Nampiharihary ny haren'ny famirapiratan'ny fanjakany sy ny hajan'ny voninahitrin'ny fahalehibiazany nandritry ny andro maro, nandritry ny 180 andro izy.
\s5
\v 5 Ary rehefa tapitra ireo andro ireo, dia nanao firavoravoana nandritry ny fito andro ny mpanjaka. Natao ho an'ny olona rehetra teo amin'ny fiarovana mafin'i Sosana izany, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny madinika indrindra. Natao teo an-kianjan'ny zaridainan'ny lapan'ny mpanjaka izany.
\v 6 Ny kianjan'ny zaridaina dia voahaingo tamin'ny lamba vita amin'ny landihazo fotsy sy volomparasy, tamin'ny kofehin-drongony fotsy madinika ary volomparasy, nihantona tamin'ny mason-drojo volafotsy hatreny amin'ny andrin'ny marbra. Nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny filaharan'ny lampivato porfira, marbra, hara, sy rarivato miloko.
\s5
\v 7 Naroso tamin'ny kapoaka volamena ny zava-pisotro. Ny kapoaka tsirairay dia tsy manam-paharoa ary betsaka tokoa ny divaim-panjakana nohon'ny fahalalan-tanan'ny mpanjaka.
\v 8 Ny zava-pisotro dia nentina nivoaka ho fitandrovana ny didy hoe: "Tsy misy faneriterena." Nanome baiko ny mpiasa rehetra tao an-dapany ny mpanjaka mba hanao izay rehetra irin'ny vahiny tsirairay.
\s5
\v 9 Koa nanao fanasana ho an'ny vehivavy ihany koa i Vasty mpanjaka vavy tao amin'ny lapan'i Ahasoerosy mpanjaka.
\v 10 Tamin'ny andro fahafito, raha nahatsiaro faly ny fon'ny mpanjaka nohon'ny divay, dia niteny tamin'i Mehomana, Bizta, Harbona, Bigta, Abagta, Zetara, ary Karkasa (ireo manam-boninahitra fito nanompo teo anoloany) izy,
\v 11 mba hitondra ny mpanjaka vavy Vasty ho eo anoloany miaraka amin'ny satro-boninahiny. Tiany haseho amin'ny vahoaka sy ireo manam-boninahitra ny hatsarany, satria manaitra loatra ny endriny.
\s5
\v 12 Fa nandà ny handeha araky ny tenin'ny mpanjaka izay nentin'ireo manam-boninahitra teo aminy i Vasty mpanjaka vavy. Avy eo dia tezitra mafy ny mpanjaka; nirehitra tao anatiny ny fahatezerany.
\s5
\v 13 Noho izany ny mpanjaka dia nifandinika tamin'ireo lehilahy izay fantatra fa hendry, izay mahafantatra ny andro (fa izany no fanaon'ny mpanjaka manoloana an'ireo rehetra manam-pahaizana manokana amin'ny lalàna sy ny fitsaràna).
\v 14 Ary ny akaiky azy indrindra dia i Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, ary Memokana, ireo andriana fiton'i Persia sy Media. Afaka nifanerasera tamin'ny mpanjaka izy ireo, ary nitàna ny toerana ambony tao amin'ny fanjakana.
\v 15 "Araka ny fanarahan-dalàna, inona no tokony hatao amin'i Vasty mpanjaka vavy nohon'ny tsy fankatoavany ny baikon'i Ahasoerosy mpanjaka, izay nentin'ireo manam-boninahitra teo aminy?"
\s5
\v 16 Hoy Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ireo manam-boninahitra hoe: "Tsy tamin'ny mpanjaka ihany i Vasty mpanjaka vavy no nanao fahadisoana, fa tamin'ireo manam-boninahitra sy ireo vahoaka izay manerana ny faritanin'i Ahasoerosy mpanjaka ihany koa.
\v 17 Fa ny zavatra nataon'ny mpanjaka vavy dia ho fantatr'ireo vehivavy rehetra. Hahatonga azy ireo hamingavinga ny vadin'izy ireo izany. Hiteny izy ireo hoe: 'Nanome didy i Ahaseorosy mpanjaka mba ho entina eo anoloany i Vasty mpanjaka vavy, fa nandà izy.
\v 18 Mialohan'ny hiafaran'ity andro ity ihany ny andriambavin'i Persia sy Media izay naheno ny zavatra nataon'ny mpanjaka vavy dia hiteny toy izany amin'ireo manam-boninahitry ny mpanjaka koa. Dia hisy famingavingana sy fahatezerana be.
\s5
\v 19 Raha ankasitrahan'ny mpanjaka izany, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy any aminy, ary aoka ho voasoratra ao amin'ny lalànan'i Persianina sy Medianina, izay tsy azo foanana, fa Vasty dia tsy mahazo mankeo anoloany intsony. Aoka homen'ny mpanjaka ho an'ny vehivavy izay tsara noho izy ny toerana maha-mpanjaka azy.
\v 20 Rehefa voatory manerana ny fanjakana midadasika izany didin'ny mpanjaka izany, dia hanaja ny vadiny avokoa ny vehivavy rehetra, manomboka amin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny madinika indrindra."
\s5
\v 21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny andriany izany toro-hevitra izany, ary nanao araka izay nanoloran'i Memokana hevitra azy ny mpanjaka.
\v 22 Nandefa taratasy ho any amin'ny faritanim-panjakana rehetra izy, ho an'ireo faritany rehetra araka sorany avy, ary ho an'ny firenena tsirairay araka ny fiteniny avy. Nanao didy izy fa ny lehilahy rehetra dia ho masi-mandidy eo amin'ny tokatranony. Nomena araka ny fitenin'ireo vahoaka tsirairay tao amin'ny fanjakany izany didy izany.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo, rehefa nitony ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia neritreritra an'i Vasty sy izay efa nataony izy. Noeritreretiny koa ny didy izay nentiny nitsaràna azy.
\v 2 Dia hoy ireo zatovo lahin'ny mpanjaka izay nanompo azy hoe: "Aoka hisy fitadiavana tovovavy tsara tarehy virijiny ho an'ny mpanjaka.
\s5
\v 3 Aoka ny mpanjaka hanendry manam-pahefana amin'ny faritany rehetra amin'ny fanjakany, mba hanangona ireo tovovavy tsara tarehy virijiny rehetra ho any an-tranom-behivavy any amin'ny fiarovana mafy any Sosana. Aoka izy ireo hapetraka ao ambany fiahian'i Hegay, tsindranolahin'ny mpanjaka, izay miandraikitra ny vehivavy, ary aoka izy hanome azy ireo ireo fikoloana ny endrik'izy ireo.
\v 4 Aoka ny tovovavy izay mahafaly ny mpanjaka ho tonga mpanjaka vavy eo amin'ny toeran'i Vasty." Dia nahafaly ny mpanjaka izany toro-hevitra izany, ka dia notanterahiny arak'izany.
\s5
\v 5 Ary nisy Jiosy iray tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosana izay nantsoina hoe Mordekay zanaka lahin'i Jaira zanaka lahin'i Simey zanaka lahin'i Kisy, izay taranak'i Benjamina.
\v 6 Nentina avy tany Jerosalema niaraka tamin'ireo sesitany mbamin'ireo izay nalaina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'i Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babilona izy.
\s5
\v 7 Izy no nitaiza an'i Hadasa, izay atao hoe, Estera, zanaka vavin'ny dadatoany, satria tsy nanana na ray na reny izy. Tsara tarehy ilay tovovavy ary manam-bika maha-te-ho tia. Dia noraisin'i Mordekay toy ny zanany vavy izy.
\s5
\v 8 Rehefa nambara ny baiko sy didin'ny mpanjaka, dia tovovavy maro no nentina tany amin'ny fiarovana mafin'i Sosana. Napetraka teo ambany fiahian'i Hegay izy ireo. Dia nentina tao an-dapan'ny mpanjaka koa i Estera ary napetraka tao ambany fiahian'i Hegay, ilay mpiandraikitra ny vehivavy.
\v 9 Dia nahafaly azy ilay tovovavy, ka nahita sitraka taminy izy. Avy hatrany dia nomeny ireo fikoloana endrika sy ny anjara sakafony izy. Dia nanendry mpanompovavy fito avy tao an-dapan'ny mpanjaka ho azy izy, ka nafindrany tao amin'ny toerana tsara indrindra tao an-tranon'ireo vehivavy izy mbamin'ireo mpanompovavy.
\s5
\v 10 Tsy nolazain'i Estera tamin'iza na iza izay fireneny na ireo havany, satria efa nanarin'i Mordekay izy mba tsy hiteny.
\v 11 Isan'andro dia mivezivezy manoloana ny kianja eo ivelan'ny tranon'ireo vehivavy i Mordekay, mba hahafantarany ny momban'i Estera, sy momba izay hatao aminy.
\s5
\v 12 Rehefa tonga ny anjaran'ny tovovavy tsirairay mba ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka—arak'ireo didy amam-pitsipika ho an'ireo vehivavy, dia tsy maintsy mahafeno fikarakarana hatsaram-batana mandritry ny roa ambin'ny folo volana ny tovovavy tsirairay, enim-bolana miaraka amin'ny menaka miora, ary enim-bolana kosa miaraka amin'ireo zava-manitra sy ireo fikoloana endrika—
\v 13 rehefa nandeha nankany amin'ny mpanjaka ny tovovavy iray, dia nomena azy izay rehetra nilainy tao an-tranon'ireo vehivavy, mba ho azy ho entina ao an-dapa.
\s5
\v 14 Ny hariva dia hiditra ao anatiny izy, ary ny maraina kosa dia hiverina ao an-trano faharoan'ireo vehivavy izy, ary any an-trano fiarovan'i Sasegaza, tsindranolahin'ny mpanjaka, izay niandraikitra ireo vaditsindrano. Dia tsy hiverina any amin'ny mpanjaka intsony izy raha tsy efa nahazo fifaliam-be tamin-dravehivavy, ka niantso azy indray.
\s5
\v 15 Rehefa tonga ny fotoanan'i Estera (zanaka vavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay, izay efa nandray azy toy ny zanany vavy) hidirany tao amin'ny mpanjaka, dia tsy nangataka na inona na inona izy, ankoatr'izay natolotr'i Hegay tsindranolahin'ny mpanjaka, izay niandraikitra ireo vehivavy, ihany. Ary nahazo fankasitrahana tamin'izay rehetra nahita azy i Estera.
\v 16 Dia nentina tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka ho ao amin'ny toeram-ponenan'ny mpanjaka tamin'ny volana faha folo i Estera, izay volan'i Tebeta, tamin'ny fahafito taona nanjakany.
\s5
\v 17 Dia tian'ny mpanjaka mihoatra noho ireo vehivavy rehetra i Estera ary nahazo fanekena sy fankasitrahana teo anatrehany izy, mihoatra noho ireo virijiny rehetra. Noho izany dia nosatrohiny satro-boninahitra teo amin'ny lohany ary nataony mpanjakavavy ho solon'i Vasty izy.
\v 18 Dia nanome fanasana lehibe ho an'ireo manampahefany rehetra sy ireo mpanompony rehetra ny mpanjaka, "fanasan'i Estera," ary nomeny fahafahana tamin'ny fandoavan-ketra ireo faritany. Dia nanome fanomezana tamin'ny fahalalahan-tanan'ny mpanjaka koa izy.
\s5
\v 19 Ary rehefa tafangona fanindroany ireo virijiny, dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka i Mordekay.
\v 20 Mbola tsy nilaza tamin'iza na iza mahakasika ireo havany na ny fireneny i Estera, arak'izay nananaran'i Mordekay azy. Dia nanaraka hatrany ny toro-hevitr'i Mordekay izy, arak'izay efa nataony fony izy notezainy.
\v 21 Tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka i Mordekay, dia sorena sy nitady hanisy ratsy an'i Ahasoerosy mpanjaka, ny roa tamin'ireo tsindranolahy, dia Bigtana sy Taresy, izay niambina ny vavahady.
\s5
\v 22 Rehefa fantatr'i Mordekay ny zava-misy, dia notantarainy tamin'i Estera mpanjakavavy, ary Estera kosa niresaka tamin'ny mpanjaka tamin'ny anaran'i Mordekay.
\v 23 Voahadihady sady voamarina ny tatitra, ka nahantona tamin'ny hazo fanantonana izy mirahalahy. Nosoratana tao anatin'ny Bokin'Ny Tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany tantara izany.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Taorian'ireo zavatra ireo, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka i Hamana zanak'i Hamedota ao Agagita, ary napetrany ambonin'ireo manam-pahefana rehetra izay niaraka taminy ny toeram-pahefany.
\v 2 Ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay tao am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka tamin'i Hamana, arak'izay nibakoin'ny mpanjaka hataon'izy ireo. Saingy tsy nandohalika na niankohoka taminy i Mordekay.
\s5
\v 3 Dia hoy ireo mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay hoe: "Nahoana ianao no tsy mankatoa ny didin'ny mpanjaka?"
\v 4 Niresaka taminy isan'andro izy ireo, saingy nandà ny hanatanterahana ny fangatahan'izy ireo izy. Koa dia niresaka tamin'i Hamana izy ireo mba hizaha raha nijanona toy izany ilay zavatra momban'i Mordekay, fa izy dia efa nilaza tamin'izy ireo fa Jiosy izy.
\s5
\v 5 Rehefa hitan'i Hamana fa tsy nandohalika sy niankohoka taminy i Mordekay, dia feno fahatezerana izy.
\v 6 Nandà ny hevitra hamono an'i Mordekay irery ihany izy, fa ireo mpanompon'ny mpanjaka nilaza taminy hoe iza moa ny vahoakan'i Mordekay. Naniry ny handringana ny Jiosy rehetra i Hamana, ny vahoakan'i Mordekay, izay tao amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy manontolo.
\s5
\v 7 Tamin'ny volana voalohany (izay volan'i Nisana), tamin'ny faharoa ambin'ny folo taona nanjakan'i Ahasoerosy, dia ny Pora—izany no loka—natsipy teo anoloan'i Hamana, mba hifidianana andro sy volana. Dia natsipin'izy ireo ombieny ombieny ny loka mandra-pilatsahan'izany teo amin'ny volana faha roambin'ny folo (izay volan'ny Adara).
\s5
\v 8 Dia hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy Mpanjaka hoe: "Misy vahoaka sasany miely sy miparitaka manerana ny faritanin'ny fanjakanao rehetra. Ny lalàn'izy ireo dia hafa noho ny an'ny vahoaka sasany, ary izy ireo dia tsy mba mitandrina ny lalàn'ny mpanjaka, ka tsy mahasoa ny mpanjaka ny famelana azy ireo hijanona.
\v 9 Fa raha sitraky ny mpanjaka, dia manomeza baiko mba hamonoana azy ireo, ary handoa talenta volafotsy iray alina eo an-tanan'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka aho, mba ho entina ao amin'ny rakitry ny mpanjaka."
\s5
\v 10 Dia nandray peratra fitombokase tamin'ny tanany ny mpanjaka ary nomeny an'i Hamana zanaka lahin'i Hamedata Agatita, fahavalon'ireo Jiosy.
\v 11 Hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana hoe: "Hitako fa naverina taminareo sy ny vahoakareo ny vola. Ho ataonareo amin'izay rehetra hirinareo izany."
\s5
\v 12 Dia voaantso tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany ireo mpanora-dalàn'ny mpanjaka, ary ny lalàna rehetra izay nandidian'i Hamana dia nosoratana ho an'ireo governoram-paritanin'ny mpanjaka, ireo izay teo amin'ny faritany rehetra, ho an'ireo governoran'ny olona samihafa rehetra, ary ho an'ny manam-pahefan'ny vahoaka rehetra, isakin'ny faritany ny sora-tanan'izy ireo, ary ho an'ny vahoaka rehetra isakin'ny fiteniny avy. Dia nosoratana tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izany ary voatombokase tamin'ny peratrany.
\v 13 Natolo-tanana tamin'ny alalan'ireo iraka tany amin'ny faritanin'ny mpanjaka rehetra ireo antontan-taratasy, mba handringanana, hamonoana, ary hamotehana ny Jiosy rehetra, manomboka amin'ny tanora ka hatramin'ny antitra, ary ny ankizy sy ny vehivavy, anatin'ny andro iray—amin'ny andro faha-telo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (izay volan'i Adara) —ary mba handrobana ny haren'izy ireo.
\s5
\v 14 Natao lalàna isaky ny faritany ny dika amin'ilay taratasy. Dia nampahafantarina ny vahoaka rehetra isaky ny faritany rehetra fa tokony hiomanan'izy ireo ho amin'izany andro izany.
\v 15 Dia nivoaka ireo iraka ary nizara faingana ny didin'ny mpanjaka. Efa voazara tao amin'ny fiarovana mafin'ny Sosana ihany koa ny lalàna. Nipetraka mba hisotro i Hamana sy ny mpanjaka, saingy tao anaty korontana ny tanànan'ny Sosana.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Rehefa fantatr'i Mordekay izay efa vita rehetra, dia norovitiny ny akanjony ka nitafy lamba fisaonana sady nihoson-davenona izy. Nandeha nivoaka teo afovoan'ny tanàna izy, ary nihikiaka sy nidradradradra mafy.
\v 2 Tonga lavitra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka fotsiny izy, satria tsy nisy olona nahazo alalana andeha eo amin'izany miaraka amin'ny akanjo fisaonana.
\v 3 Ary tany amin'ny faritra rehetra, na taiza na taiza tongan'ny baiko sy lalàn'ny mpanjaka, dia nisy fisaonana lehibe teo amin'ireo Jiosy, niaraka tamin'ny fifadian-kanina, fitomaniana, ary fitarainana. Maro amin'izy ireo no nandry teo amin'ny lamba fisaonana aman-davenona.
\s5
\v 4 Rehefa tonga ny ankizivavin'i Estera sy ireo mpanompony ary niteny taminy, dia nalahelo mafy ilay mpanjaka vavy. Nandefa fitafy hampiankanjoana an'i Mordekay izy (mba afahany manala ny akanjo fisaonany), saingy tsy hanaiky ireo izy.
\v 5 Avy eo Estera niantso an'i Hatàka, iray amin'ireo tsindranolahin'ny mpanjaka izay notendrena hanompo azy. Nibaiko azy mba handeha any amin'i Mordekay izy mba hahafantarana izay nitranga sy izay anton'izany.
\s5
\v 6 Noho izany dia nankany amin'i Mordekay any amin'ny tanàna eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka i Hakàta.
\v 7 Nolazain'i Mordekay taminy izay rehetra nitranga taminy, sy ny fitambaran'ny volafotsy izay nampanantenain'i Hamana haloa sy hapetraka ao amin'ny trano fitehirizan'ny mpanjaka mba hamonoana ireo Jiosy.
\v 8 Nomeny azy koa ny dika mitovy tamin'ny lalàna izay navoaka tany Sosana ny amin'ny fanapotehana ny Jiosy. Nataony izany mba afahan'i Hatàka mampiseho izany amin'i Estera, sy mba hanomezany azy ny andraikitra amin'ny fandehanana any amin'ny mpanjaka mba hitalaho ny fankasitrahany, ary hitalaho aminy amin'ny anaran'ny vahoakany.
\s5
\v 9 Koa dia nandeha i Hatàka ary nilaza tamin'i Estera izay nolazain'i Mordekay.
\v 10 Avy eo Estera niresaka tamin'i Hatàka ary nilaza taminy mba hiverina any amin'i Mordekay.
\v 11 Hoy izy hoe: "Fantatr'ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny vahoakan'ireo mpanjaka any amin'ny faritra fa raha misy lehilahy na vehivavy mankany amin'ny mpanjaka ao anatin'ny kianja nefa tsy nampanantsoina, dia misy lalàna iray fotsiny: dia ny hamonoana azy ho faty—ankoatr'izay tondroin'ny mpanjaka amin'ilay tehim-bolamena mba afahany ho velona. Tsy nantsoina hankany amin'ny mpanjaka aho izay telopolo andro izay."
\v 12 Noho izany dia notaterin'i Hatàka tamin'i Mordekay ireo tenin'i Estera.
\s5
\v 13 Nandefa izao hafatra izao Mordekay hoe: "Tsy tokony hieritreritra ianao fa ao amin'ny lapan'ny mpanjaka, no afahanao mihoatra noho ireo Jiosy hafa rehetra.
\v 14 Raha mangina ianao amin'izao fotoana izao, dia hisy fanafahana sy famonjena hiseho amin'ireo Jiosy any amin'ny toerana hafa, fa ianao sy ny tranon'ny rainao kosa ho ringana. Iza no mahalala raha ho amin'ny fotoana tahaka izao no nahatongavanao ho amin'ny toerana maha-mpanjaka?"
\s5
\v 15 Avy eo Estera nandefa izao hafatra izao tamin'i Mordekay hoe:
\v 16 "Mandehana, angony hiaraka ny Jiosy rehetra izay monina any Sosana, ary mifadia hanina ho ahy. Aza misotro na mihinana mandritry ny telo andro, alina sy andro. Izaho sy ireo ankizivaviko ihany koa dia hifady tahaka izany. Avy eo aho handeha any amin'ny mpanjaka, na dia mandika ny lalàna aza izany, ary raha maty aho, dia maty."
\v 17 Lasa Mordekay ary nanao izay rehetra nolazain'i Estera azy mba hatao.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Afaka telo andro, nanaovan'i Estera ny akanjo fiandrianany ary nandeha nitsangana tao anatin'ny kianjan'ny lapan'ny mpanjaka, teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka izy. Ny mpanjaka nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany tao amin'ny tranon'ny mpanjaka, mifanatrika amin'ny fidiran'ny trano.
\v 2 Rehefa nahita an'i Estera mpanjaka nitsangana teo an-kianja ny mpanjaka, dia nahazo fankatoavana teo imasony izy. Notondroiny tamin'ny tehim-bolamena teny an-tanany izy. Ka dia nanatona i Estera ka nanendry ny tendron'ny tehim-panjakana.
\s5
\v 3 Avy eo niteny taminy ny mpanjaka hoe: "Inona no ilainao, ry Estera mpanjaka? Inona no fangatahanao? Na dia mihoatra ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homena anao izany."
\v 4 Hoy Estera hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka izany, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana ho avy amin'ny fanasana izay nomaniko ho azy androany."
\s5
\v 5 Dia niteny ny mpanjaka hoe: "Ento faingana Hamana, mba hanao izay nolazain'i Estera." Ka dia nankany amin'ny fanasana izay nomanin'i Estera ny mpanjaka sy Hamana.
\v 6 Rehefa naroso tao amin'ny fanasana ny divay, dia niteny tamin'i Estera ny mpanjaka hoe: "Inona no tadiavinao? Fa homena anao izany. Inona no fangatahanao? Fa na dia mihoatra ny antsasaky ny fanjakako aza, dia homena izany."
\s5
\v 7 Namaly Estera hoe: "Izao no tadiaviko sy angatahiko,
\v 8 raha mahita sitraka eo imason'ny mpanjaka aho ary raha sitraky ny mpanjaka ny hanome izay tadiaviko ary hanaja ny fangatahako, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana ho avy amin'ny fanasana izay homaniko ho anareo rahampitso ary dia hamaly ny fanontanian'ny mpanjaka aho.'"
\s5
\v 9 Nivoaka tamin'izany andro izany tamin'ny fo faly sy ravo i Hamana. Fa rehefa hitan'i Hamana teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka i Mordekay, ary tsy nitsangana na nangovitra tamin-tahotra teo anoloany i Mordekay, dia feno fahatezerana tamin'i Mordekay izy.
\v 10 Na izany aza, dia nifehy ny tenany i Hamana ka nandeha tany an-tranony. Nampaniraka ireo namany izy ary nampivory azy ireo, niaraka tamin'i Zaresa vadiny.
\v 11 Naverin'i Hamana notanisaina tamin'izy ireo ny famirapiratan'ireo hareny, ny isan'ireo zanany lahy maro, ny fampisondrotana rehetra izay nanomezan'ny mpanjaka voninahitra azy, ary ny fomba nandrosoany teo amin'ireo manamboninahitra sy ireo mpanompon'ny mpanjaka rehetra.
\s5
\v 12 Hoy Hamana hoe: "Estera mpanjaka dia tsy nanasa olona afa-tsy izaho ho tonga miaraka amin'ireo mpanjaka amin'ny fanasana nomaniny. Na dia rahampitso koa aza dia nasainy hiaraka amin'ireo mpanjaka indray aho.
\v 13 Nefa izany rehetra izany dia tsy mendrika na inona na inona ho ahy raha mbola mahita an'i Mordekay ilay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka aho."
\s5
\v 14 Dia niteny tamin'i Hamana sy ireo namany rehetra Zaresa vadiny hoe: "Aoka izy ireo hanao hazo fanantonana dimampolo hakiho ny haavony. Amin'ny maraina dia miresaha amin'ny mpanjaka mba hanantonan'izy ireo an'i Mordekay eo amin'izany. Ary dia mandehana am-pifaliana miaraka amin'ny mpanjaka any amin'ny fanasana." Sitrak'i Hamana izany ary nanamboatra an'ireo hazo fanantonana izy.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Tsy nahita tory ny mpanjaka tamin'iny alina iny. Nandidy ny mpanompo izy mba hitondra ny boky fitehirizana tantara tamin'ny fotoana nitondrany, ary novakiana mafy tamin'ny mpanjaka izany.
\v 2 Voarakitra tao fa niresaka ny momban'i Bigtana sy Taresy i Mordekay, roa tamin'ireo manamboninahitry ny mpanjaka izay niandry ny varavarana fidirana, izay nikasa ny hanao ratsy ny mpanjaka Ahasoerosy.
\v 3 Dia nanontany ny mpanjaka hoe: "Inona moa no efa mba natao mba nanomezana voninahitra na nankatoavana an'i Mordekay tamin'ny nanaovany izany?" Ary ireo zatovo lahin'ny mpanjaka izay nanompo azy niteny hoe: "Tsy nisy natao taminy."
\s5
\v 4 Hoy ny mpanjaka hoe: "Iza no ao an-kianja ao? Sendra tonga teo an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka i Hamana mba hiteny aminy ny amin'ny hanantonany an'i Mordekay eo amin'ny hazo fanantonana izay efa natsangany ho azy.
\v 5 Niteny taminy ireo mpanompon'ny mpanjaka hoe: "Hamana no mijoro eo an-kianja." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Avelao izy hiditra."
\v 6 Rehefa niditra Hamana dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Inona no tokony atao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra?" Dia hoy Hamana niteny anakampo hoe: "Iza moa no homen'ny mpanjaka voninahitra ankoatra ahy?"
\s5
\v 7 Hoy Hamana tamin'ny mpanjaka hoe: "Ho an'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka omem-boninahitra,
\v 8 aoka ho entina ny akanjo lava fiandrianana, akanjo izay efa fanaovan'ny mpanajaka, ary ny soavaly izay efa notaingenan'ny mpanjaka, ary eo amin'ny lohany ny satro-boninahitra.
\v 9 Ary aoka ny akanjo sy ny soavaly homena ny iray amin'ireo manamboninahitra mendri-kaja indrindra. Aoka izy ireo hampiakanjo ny lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra, ary aoka izy ireo hitarika azy hitety ny lalan'ny tanàna amin'ilay soavaly. Koa aoka izy ireo hanambara hoe: 'izao no natao tamin'ilay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra!'"
\s5
\v 10 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana hoe: "Faingàna, alaivo ny akanjo sy ny soavaly, araka izay efa nolazainao, ary ataovy ho an'i Mordekay ilay Jiosy izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka izany. Aza misy atao latsaka ireo izay nolazainao."
\v 11 Ary Hamana naka ilay akanjo sy ilay soavaly. Dia nampiakanjoany i Mordekay ary nentiny nitety ny lalan'ny tanàna rehetra tamin'ilay soavaly izy. Nanambara teo anoloany izy hoe: "Izao no natao tamin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra!"
\s5
\v 12 Niverina teo am-bavahadin'ny mpanjaka i Mordekay, fa Hamana kosa nanafaingana ny soavaliny ho any an-tranony, nalahelo, nisaron-doha.
\v 13 Notantarain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ireo sakaizany rehetra ny zava-drehetra nihatra taminy. Ary ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny niteny taminy hoe: "Raha Mordekay, izay niantomboka nandavo anao teo anatrehany, no Jiosy, dia tsy hahatratra azy mihitsy ianao, fa dia ho lavo eo anatrehany tokoa ianao."
\v 14 Raha mbola niresaka taminy izy ireo, dia tonga ireo manamboninahitry ny mpanjaka. Dia nitondra faingana an'i Hamana tany amin'ny fanasana izay efa nomanin'i Estera izy ireo.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Koa dia nandeha nanao firavoravoana niaraka tamin'i Estera Mpanjaka ny mpanjaka sy Hamana.
\v 2 Tamin'io andro faharoa io, raha iny izy ireo nandroso divay iny, dia hoy ny mpanjaka tamin'i Estera hoe: "Inona no fanirianao, ry Estera Mpanjaka? Ho tanterahina aminao izany. Inona no fangatahanao? Hatramin'ny antsasaky ny fanjakana, dia ho tanterahina izany."
\s5
\v 3 Dia namaly Estera Mpanjaka hoe: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry mpanjaka, ary raha ankasitrahanao, dia aoka homena ahy ny aiko—izany no faniriako, ary mangataka izany ho an'ny vahoakako ihany koa aho.
\v 4 Fa namidy izahay, izaho sy ny vahoakako, mba ho potehina, ho vonoina, ary ho ringanina. Raha namidy ho amin'ny fanandevozana fotsiny mantsy izahay, mba ho andevo lahy sy vavy, dia ho nangina aho, satria tsy ho nisy fahoriana tahaka izao afaka hanamarina ny fanelingelenana ny mpanjaka."
\v 5 Dia hoy i Ahasoerosy Mpanjaka tamin'i Estera mpanjakavavy hoe: "Iza izany? Aiza no hahitana ilay olona nanesitsesika ny fony hanao zavatra tahaka izany?"
\s5
\v 6 Hoy Estera hoe: "Ilay lehilahy rafy, izany fahavalo izany, dia ilay Hamana ratsy iny!" Dia nihorohoro teo anatrehan'ny mpanjaka lahy sy ny mpanjaka vavy i Hamana.
\v 7 Nitsangana tamin-katezerana avy teo amin'ny fisotroan-divay tao amin'ny fanasana ny mpanjaka ka nandeha tao amin'ny zaridainan'ny lapa, saingy nijanona mba hitalaho ny amin'ny ainy tamin'i Estera Mpanjaka i Hamana. Tsinjony fa efa nisy loza tapaky ny mpanjaka ho azy.
\s5
\v 8 Dia niverina avy tany an-jaridainan'ny lapa ny mpanjaka ka niditra tao amin'ny efitrano izay nandrosoana ny divay. Teo dia nianjera teo amin'ny seza lava nisy an'i Estera i Hamana. Hoy ny mpanjaka hoe: "Hamely ny mpanjaka vavy eo anatrehako ato amin'ny tranoko mihitsy ve izy?" Vantany vao nivoaka avy tao am-bavan'ny mpanjaka izany fehezanteny izany, dia nosaronan'ireo mpanompo ny tavan'i Hamana.
\s5
\v 9 Avy eo dia niteny Harbona, iray tamin'ireo tandapa nanompo ny mpanjaka hoe: "Misy hazo fanantonana dimampolo hakiho miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana. Naoriny ho an'i Mordekay io, ilay iray izay niteny mafy mba hiaro ny mpanjaka." Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ahantony eo amin'izany izy."
\v 10 Koa dia nahanton'izy ireo teo amin'ilay hazo fanantonana izay nomaniny ho an'i Mordekay i Hamana. Avy eo dia lefy ny fahatezeran'ny mpanjaka.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy Mpanjaka an'i Estera Mpanjaka vavy ny fananan'i Hamana, ilay fahavalon'ny Jiosy, ary Mordekay nanomboka nanompo teo anatrehan'ny mpanjaka, fa nolazain'i Estera tamin'ny mpanjaka ny fomba nifandraisan'i Mordekay taminy.
\v 2 Nesorin'ny mpanjaka ny peratra tombo-kaseny, izay nalainy indray tamin'i Hamana, ary natolony an'i Mordekay izany. Nanendry an'i Mordekay ho mpiandraikitra ny fananan'i Hamana i Estera.
\s5
\v 3 Dia niresaka tamin'ny mpanjaka indray i Estera. Niankohoka tamin'ny tany izy ka nitomany raha niangavy taminy ny mba hanafoanana ny hevi-dratsin'i Hamana ilay Agagita, amin'ny tetika izay noheveriny hanoherana ireo Jiosy.
\v 4 Dia nanondro an'i Estera tamin'ny tehina volamena ny mpanjaka, dia niarina izy ary nijoro nanoloana ny mpanjaka.
\s5
\v 5 Hoy izy hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka, ary raha nahita fitia teo imasonao aho, raha marina eo anatrehan'ny mpanjaka izany, ary mahita sitraka eo imasonao aho, dia aoka ho soratana ny didy mba hanafoanana ireo taratasy nosoratan'i Hamana zanak'i Hamedata Agagita, ireo taratasy izay nosoratany mba hamono ireo Jiosy izay any amin'ireo faritanin'ny mpanjaka rehetra.
\v 6 Fa hataoko ahoana no fijery ny loza miantraika amin'ny vahoakako? Hataoko ahoana ny haharitra hijery ny fandringanana ireo havako?"
\s5
\v 7 Niteny tamin'i Estera mpanjaka sy tamin'i Mordekay ilay Jiosy i Ahasoerosy mpanjaka hoe: "Indro, efa nomeko an'i Estera ny tranon'i Hamana, ary nahanton'izy ireo tamin'ny hazo fanantonana izy, satria nandeha nanafika ireo Jiosy.
\v 8 Manoràta didy hafa amin'ny anaran'ny mpanjaka ho an'ireo Jiosy ka tomboy amin'ny peratry ny mpanjaka izany. Fa ny didy izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka ary voatomboka tamin'ny peratry ny mpanjaka dia tsy afaka foanana."
\s5
\v 9 Dia voaantso ireo mpanora-dalànan'ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany, tamin'ny volana fahatelo, izay volan'ny Sivàna, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polon'ny volana. Ny didy voasoratra dia mirakitra izay rehetra nandidian'i Mordekay mahakasika ireo Jiosy. Izany dia nosoratana ho an'ireo governoram-paritra, ireo governora sy manam-boninahitry ny faritra izay hatreo India ka hatrany Etiopia, faritany 127, ho an'ny isam-paritany nosoratana araka ny fiteniny avy, ary ho an'ireo Jiosy amin'ny soratra sy fitenin'izy ireo.
\s5
\v 10 Nanoratra tamin'ny anaran'i Ahasoerosy Mpanjaka i Mordekay ary nanomboka izany tamin'ny peratra fitomboan-kasen'ny mpanjaka. Ny taratasy dia nalefany tamin'ny alalan'ny iraka mitaingin-tsoavaly haingam-pandeha izay nampiasaina ho amin'ny fanompoana ny mpanjaka, nalaina tao amin'ny tranon-tsoavalin'ny mpanjaka.
\v 11 Nanome fahefana ireo Jiosy isaky ny tanàna ny mpanjaka mba hiara-hivory sy hiady mba hiarovana ny ain'izy ireo: mba handringanana, mba hamonoana, ary mba hamotehana izay herim-piadiana avy amin'ireo vahoaka na faritany izay mety hanafika azy ireo, ao anatin'izany ireo zaza amam-behivavy, na handrobana ny fananan'izy ireo.
\v 12 Tokony niantraika tamin'ireo faritanin'i Ahasoerosy Mpanjaka rehetra izany, amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faha-roa ambin'ny folo, izay volan'i Adara.
\s5
\v 13 Ny dika mitovy tamin'ny didy dia tokony navoaka ho lalàna sy naseho am-pahibemaso ho an'ireo vahoaka rehetra. Ireo Jiosy dia tokony ho vonona hamaly faty ireo fahavalon'izy ireo.
\v 14 Dia nitaingina ny soavalin'ny mpanjaka izay nampiasaina ho amin'ny fanompoana ny mpanjaka ireo iraka. Nandeha tsy nisy hatak'andro izy ireo. Navoaka avy tao amin'ny lapa tany Sosana ihany koa ny didin'ny mpanjaka.
\s5
\v 15 Ary Mordekay niala teo anatrehan'ny mpanjaka nanao akanjo fiandrianana manga sy fotsy, sy satro-boninahitra volamena lehibe ary akanjo lava rongony fotsy madinika volom-parasy, ka dia nihiaka sy nifaly ny tanànan'i Sosana.
\v 16 Nisy hazavana sy haravoana, ary hafaliana sy voninahitra teo amin'ireo Jiosy.
\v 17 Tany amin'ny faritany tsirairay sy tany amin'ny tanàna tsirairay, na taiza na taiza nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka, dia nisy hafaliana sy haravoana tamin'ireo Jiosy, fanasàna sy andro fifaliana. Maro tamin'ireo karazan'olona tamin'ny tany no lasa Jiosy, satria nilatsaka teo amin'izy ireo ny tahotran'ireo Jiosy.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Ary tamin'ny faha-roa ambin'ny folon'ny volana, izay volan'i Adara, tamin'ny andro faha-telo ambin'ny folo, rehefa mby hanatanteraka ny làlana sy didin'ny mpanjaka, tamin'ny andro izay nanantenain'ireo fahavalon'ny Jiosy hahazoany fahefana amin'izy ireo, dia nitsimbadika izany. Ny Jiosy no nanam-pahefana tamin'ireo izay nankahala azy ireo.
\v 2 Dia niangona tao an-tanànany ireo Jiosy nanerana ireo faritany rehetran'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely ireo izay nikasa hampidi-doza azy ireo. Koa tsy nisy afaka nijoro hanohitra azy ireo, satria efa nilatsaka tamin'ireo vahoaka rehetra ny tahotra azy ireo.
\s5
\v 3 Ireo mpanapaka ny faritany rehetra, ireo governoram-paritany, ireo governora, ary ireo mpanao raharahan'ny mpanjaka, dia nanampy ny Jiosy satria efa nilatsaka teo amin'izy ireo ny tahotra an'i Mordekay.
\v 4 Fa lehibe i Mordekay tao an-tranon'ny mpanjaka, ary niely nanerana ny faritany rehetra ny lazany, fa efa tonga lehibe ilay lehilahy Mordekay.
\v 5 Dia namely ireo fahavalony tamin'ny sabatra ny Jiosy, namono sy nandringana azy ireo, ary nanao arak'izay sitrak'izy ireo tamin'ireo izay nankahala azy.
\s5
\v 6 Nahafaty sy naharingana olona dimanjato izy ireo tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosana.
\v 7 Novonoin'izy ireo i Parsandata, Dalfona, Aspata,
\v 8 Porata, Adalia,
\v 9 Parmasta, Arisay, Ariday, Vaizata
\v 10 ary ireo zanaka lahy folon'i Hamana zanak'i Hamedota, ilay fahavalon'ny Jiosy. Nefa tsy nandroba fananana izy ireo.
\s5
\v 11 Androtr'izay ihany dia notaterina tany amin'ny mpanjaka, ny isan'ireo izay maty tany amin'ny fiarovana mafin'i Sosana.
\v 12 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Estera mpanjaka vavy hoe: "Nahafaty olona dimanjato tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosana ny Jiosy, anisan'izany ireo zanaka lahin'i Hamana folo. Dia inona izany no nataon'izy ireo tamin'ireo faritanin'ny mpanjaka sisa? Koa ankehitriny inona no ilainao? Homena anao izany. Inona no fangatahanao? Homena anao izany."
\s5
\v 13 Dia hoy Estera hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay any Sosana hahazo alalana hanatanteraka ity didy androany ity koa rahampitso, ary aoka ireo fatin'ny zanak'i Hamana folo lahy hahantona amin'ny hazo fanantonana."
\v 14 Dia nandidy mba hanatanterahana izany ny mpanjaka. Ny didy dia nivoaka avy tao Sosana, ary nahanton'izy ireo ny zanak'i Hamana folo lahy.
\s5
\v 15 Dia nivondrona ireo Jiosy rehetra tao Sosana tamin'ny andro faha-efatra ambin'ny folon'ny volan'i Adara, ka nahafaty olona telonjato fanampiny tao Sosana, nefa tsy nandroba fananana.
\v 16 Ireo Jiosy sisa izay tany amin'ireo faritanin'ny mpanjaka kosa dia niaraka mba hiaro ny ain'izy ireo, ka afaka tamin'ireo fahavalony izy ireo ary nahafaty dimy arivo sy fito alina tamin'ireo izay nankahala azy. Nefa tsy mba nikasi-tanana ny harenan'ireo izay novonoiny kosa izy ireo.
\s5
\v 17 Tamin'ny fahatelo ambin'ny folon'ny volana Adara no nitrangan'izany. Tamin'ny andro fahaefatra ambin'ny folo kosa dia nitsahatra izy ireo ka nanao izany ho andro fanasana sy firavoravoana.
\v 18 Nefa ireo Jiosy izay tany Sosana niara-niangona tamin'ny andro faha telo ambin'ny folo sy ny faha-efatra ambin'ny folo. Tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo kosa dia nitsahatra izy ireo ka nataony andro fanasana sy firavoravoana izany.
\v 19 Izany no mahatonga ireo Jiosy ao amin'ireo zana-bohitra, izay nanorina ny tranon'izy ireo tany ambanivohitra, mitandrina ny andro faha-efatra ambin'ny folon'ny volana Adara ho andro firavoravoana sy fanasana, ary andro izay hifanoloran'izy ireo fanomezana ara-tsakafo.
\s5
\v 20 Dia noraketin'i Mordekay an-tsoratra izany rehetra izany ka nandefa taratasy ho an'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny faritany rehetran'i Ahasoerosy mpanjaka izy, na lavitra na akaiky,
\v 21 handidiana azy ireo hitandrina ny andro fahaefatra ambin'ny folo sy faha dimy ambin'ny folon'ny volana Adara isan-taona.
\v 22 Ireo no andro nafahan'ny Jiosy tamin'ireo fahavalony, sy volana izay nivadian'ny alahelon'izy ireo ho fifaliana, ary fisaonana ho andro firavoravoana. Nataon'izy ireo andro fanasana sy firavoravoana izany, ary fifanomezana ara-tsakafo, sy fanomezana ho an'ny mahantra.
\s5
\v 23 Dia notohizan'ny Jiosy ny fankalazana izay efa natombok'izy ireo, anaovana arak'izay nosoratan'i Mordekay.
\v 24 Tamin'izany fotoana izany i Hamana zanaka lahin'i Hamedoda ilay Agagita, ilay fahavalon'ny Jiosy rehetra, dia nanao teti-dratsy hanohitra ny Jiosy mba handringana azy ireo, dia nanipy ny pora izy (na hoe, nanao filokana izy), mba handravana sy handringanana azy ireo.
\v 25 Saingy rehefa tonga teo anatrehan'ny mpanjaka ny toe-draharaha, dia namoaka didy an-taratasy izy fa ny teti-dratsy izay novolavolain'i Hamana hanoherana ny Jiosy dia tokony hatsingerina ho eo an-dohany, ary tokony hahantona amin'ny hazo izy mbamin'ireo zanany lahy.
\s5
\v 26 Koa nantsoin'izy ireo hoe Porima ireo andro ireo, avy amin'ny anarana hoe Pora. Noho izay rehetra voasoratra tanatin'izany taratasy izany, sy izay rehetra hitan'izy ireo ary izay nanjo azy ireo,
\v 27 dia neken'ny Jiosy ny fomba amam-panao vaovao iray sy andraikitra. Izany fomba izany dia ho azy ireo, ho an'ireo taranany, sy izay rehetra miaraka amin'izy ireo. Izany dia mba hankalazan'izy ireo izany andro roa izany isan-taona. Hankalaza izany amin'ny fomba manokana amin'ny fotoana mitovy isan-taona izy ireo.
\v 28 Ireo andro ireo dia ho hankalazaina sy ho tandremana isaky ny taranaka mifandimby, isam-pianakaviana, isam-paritra, ary isan-tanàna. Ireo Jiosy ireo sy ny taranany dia tsy hitsahatra ny hitandrina am-pahatokiana ireo andron'ny Porima ireo, mba tsy hanadinoin'izy ireo izany mihitsy.
\s5
\v 29 Estera mpanjaka vavy zanaka vavin'i Abihaila sy i Mordekay ilay Jiosy dia nanoratra tamim-pahefana feno ka nanamafy ity taratasy faharoa momban'i Porima ity.
\s5
\v 30 Taratasy no nalefa tamin'ny Jiosy rehetra tany amin'ireo faritanin'ny fanjakan'i Ahasoerosy 127, nirariana fandriam-pahalemana sy fahamarinana ireo Jiosy.
\v 31 Ireo taratasy ireo dia nanamafy ireo andron'i Porima amin'ireo fotoana izay nanendrena izany, arak'izay nandidian'i Mordekay ilay Jiosy sy i Estera mpanjaka vavy an'ireo Jiosy. Dia neken'ireo Jiosy ho an'ny tenany izany adidy izany sy ho an'ireo taranak'izy ireo, tahak'izay efa naneken'izy ireo ny fotoanan'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana koa.
\v 32 Nanamafy ireo fitsipika momban'i Porima ireo ny didin'i Estera, ary voasoratra tao anatin'ny boky izany.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Avy eo Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra tamin'ny tany sy tamin'ny moron-tsiraky ny ranomasina.
\v 2 Ny zava-bitany rehetra nohon'ny heriny sy ny fahefany, niaraka tamin'ny fitantarana ny fahalehibiazan'i Mordekay izay nanandratan'ny mpanjaka azy, dia voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persia izany.
\s5
\v 3 Mordekay ilay Jiosy no mpanjaka laharana faharoa taorian'i Ahasoerosy mpanjaka. Lehibe teo amin'ireo Jiosy izy ary nalaza teo amin'ireo rahalahin'ny jiosy maro, satria nitady ny hanampiana ny vahoakany izy ary nanonona fiadanana tamin'ny vahoakany rehetra.