plt_ulb/16-NEH.usfm

774 lines
67 KiB
Plaintext

\id NEH
\ide UTF-8
\h Nehemia
\toc1 Nehemia
\toc2 Nehemia
\toc3 neh
\mt Nehemia
\s5
\c 1
\p
\v 1 Ny tenin'i Nehemia zanak'i Hakalia: Ary tamin'ny volana Kisleo, tamin'ny taona faharoapolo, raha mbola tao amin'ny fiarovana mafin'i Sosa aho,
\v 2 dia nisy iray tamin'ireo rahalahiko, i Hanany, no tonga niaraka tamina olona maromaro avy any Joda, ary nanontany azy ireo momba ireo Jiosy izay tafandositra, sy ireo Jiosy sisa tavela tany, ary momba an'i Jerosalema aho.
\s5
\v 3 Hoy izy ireo tamiko hoe: "Ireo izay tafavoaka velona tamin'ny fahababoana any amin'ny faritany dia anaty fangorohoroana sy fahafaham-baraka lehibe satria vaky nirodana ny mandan'i Jerosalema, ary voadoro tamin'ny afo ny vavahadiny."
\s5
\v 4 Vantany vao nandre ireo teny ireo aho, dia nipetraka ka nitomany, ary nalahelo sy nifady hanina ary nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lanitra hatrany aho nandritra ny andro maro.
\v 5 Dia hoy aho hoe: "Ianao no Yaveh, Andrimanitry ny lanitra, ilay Andriamanitra lehibe sady mahagaga, izay mitàna ny fanekena sy mihazona ny fitiavana ho an'ireo izay tia Azy ary mitandrina ireo didiny.
\s5
\v 6 Henoy ny fivavahako ka sokafy ny masonao, mba handrenesanao ny vavaky ny mpanomponao izay hivavahako eo anatrehanao andro aman'alina ho an'ny vahoakan'Israely mpanomponao ankehitriny. Miaiky ny fahotan'ny vahoakan'Israely, izay nanotanay taminao aho. Izaho sy ny ankohonan-draiko dia samy nanota.
\v 7 Nanao izay tena ratsy taminao izahay, ary tsy mba nitandrina ireo didy, ireo lalàna, ary ireo fitsipika izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao.
\s5
\v 8 Mba tsarovy re ny teny izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: "Raha tsy mahatoky ianareo, dia ho aparitako eny amin'ireo firenena,
\v 9 fa raha miverina amiko ianareo ary manaraka ny didiko ka manao izany, na dia niely tany ambanin'ny lanitra lavitra indrindra aza ny vahoakanao, dia hanangona azy ireo avy any Aho ka hitondra azy ireo any amin'ny toerana izay nofidiako hampitoerana ny anarako.'
\s5
\v 10 Ary mpanomponao sy olonao izy ireo, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery.
\v 11 Yaveh ô, mitalaho aminao aho, henoy re ny vavaky ny mpanomponao sy ny vavak'ireo mpanomponao izay manaja ny anaranao fatratra. Ary ambino ny mpanomponao anio, ary hiantrao eo imason'io lehilahy io izy." Fa nanompo ho mpitondra kapoaka teo amin'ny mpanjaka aho.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Tamin'ny volan'i Nisana, tamin'ny faharoapolo taona nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka, dia nisafidy divay izy, ary naka ilay divay ka nanome izany ho an'ny mpanjaka. Ary tsy mbola nalahelo teo amin'ny fanatrehany mihitsy aho.
\v 2 Fa hoy ny mpanjaka tamiko hoe: "Nahoana ny endrikao no malahelo be? Toa tsy hita marary nefa ianao. Mety alahelo ao am-po izany." Dia lasa natahotra mafy aho.
\s5
\v 3 Hoy aho tamin'ny mpanjaka hoe: "Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka! Nahoana ny endriko no tsy tokony halahelo? Ny tanàna, ny toeran'ny fasan-drazako, dia rava, ary ireo varavarany dia potiky ny afo."
\s5
\v 4 Dia hoy ny mpanjaka tamiko hoe: "Inona no tianao hataoko?" Koa nivavaka tamin'ny Andriamanitry ny lanitra aho.
\v 5 Namaly ny mpanjaka aho hoe: "Raha tsara amin'ny mpanjaka izany, ary raha nanao ny tsara teo imasonao ny mpanomponao, dia afaka hirahinao ho any Joda aho, any amin'ilay tanànan'ireo fasan-drazako, mba hahafahako mamerina manangana izany."
\v 6 Dia namaly ahy ny mpanjaka (ary nipetraka teo anilany ihany koa ny mpanjaka vavy) hoe: "Hafiriana no andehananao ary rahoviana ianao no hiverina?" Sitraky ny mpanjaka ny nandefa ahy rehefa nanome ireo datin'andro taminy aho.
\s5
\v 7 Avy eo dia hoy aho tamin'ny mpanjaka hoe: "Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy taratasy homena ahy ho an'ireo governora any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony mba hanomezan'izy ireo ahy alalana handeha amin'ny fari-tanin'izy ireo amin'ny lalako mankany Joda.
\v 8 Aoka ihany koa hisy taratasy ho an'i Asafa mpiandry ny alan'ny mpanjaka, mba hanomezany ahy hazo hanaovana andry ho an'ireo vavahadin'ny fiarovana mafy akaikin'ny tempoly, sy ho an'ny mandan'ny tanàna, ary ho an'ny trano izay honenako." Koa satria tato amiko ny tanana tsaran'i Yaveh, dia nataon'ny mpanjaka ireo fangatahako.
\s5
\v 9 Dia tonga tany amin'ireo governora any amin'ny Faritany Andafin'ny Ony aho ary nanome ireo taratasin'ny mpanjaka azy ireo. Ary ny mpanjaka nandefa manam-boninahitry ny tafika sy mpitaingin-tsoavaly niaraka tamiko.
\v 10 Rehefa ren'i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo izany, dia tezitra fatratra izy satria nisy olona tonga izay mitady hanampy ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 11 Noho izany dia tonga tany Jerosalema aho ary tany nandritra ny telo andro.
\v 12 Nifoha aho ny alina, izaho sy lehilahy vitsivitsy niaraka tamiko. Tsy nolazaiko tamin'iza na iza izay napetrak'Andriamanitra tao am-poko mba ho atao ho an'i Jerosalema. Tsy nisy biby niaraka tamiko, ankoatra ilay iray izay notaingenako.
\s5
\v 13 Nandeha nivoaka tamin'ny Vavahadin'ny Lohasaha aho ny alina, tandrifin'ny Loharanon'ny Amboahaolo sy ny Vavahadin-Jezika, ary nanara-maso an'ireo mandan'i Jerosalema, izay efa rava, ary ireo varavaran-kazo dia ravan'ny afo.
\v 14 Avy eo dia nankany amin'ny Vavahadin-Doharano sy ny Farihin'ny Mpanjaka aho. Tery loatra ho an'ilay biby izay notaingenako ny handeha amin'ilay toerana.
\s5
\v 15 Noho izany dia niakatra ny lohasahan-driaka aho ny alina ary nanara-maso ny manda, ary niverina sy niditra teo amin'ny Vavahadin'ny Lohasahan-driaka, ary niverina.
\v 16 Tsy fantatr'ireo mpanapaka izay nalehako na izay nataoko, ary tsy mbola nampilaza ireo Jiosy aho, na ireo mpisorona, na ireo manan-kaja, na ireo mpanapaka, na ireo sisa izay nanao ny asa.
\s5
\v 17 Hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Hitanareo ny loza izay mahazo antsika, ny hitoeran'i Jerosalema ao anaty faharavana sy ny vavahadiny izay ravan'ny afo. Andao, andeha isika hamerina hanangana ny mandan'i Jerosalema, mba tsy ho ao anatin'ny fahafaham-baraka intsony isika."
\v 18 Nolazaiko azy ireo fa teo amiko ny tanana tsaran'Andriamanitra sy ny momba ny tenin'ny mpanjaka izay nolazaina tamiko. Hoy izy ireo hoe: '"Aoka isika hisandratra ka hanorina." Dia nohatanjahan'izy ireo ho an'ny asa tsara ny tanan'izy ireo.
\s5
\v 19 Fa rehefa ren'i Sanbala Horonita, sy Tobia Amonita mpanompo, ary Gesema Arabo ny momba izany, dia naneso sy nanala baraka anay izy ireo, ary hoy izy ireo hoe: "Inona ity ataonareo? Mikomy hanohitra ny mpanjaka ve ianareo?"
\v 20 Dia namaly azy ireo aho hoe: "Hanome fahombiazana anay ilay Andriamanitry ny lanitra. Mpanompony izahay ary hitsangana sy hanorina izahay. Kanefa ianareo tsy manana anjara, na rariny, ary fifandraisana amin'ny tantara ao Jerosalema."
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary nitsangana niaraka tamin'ireo mpisorona rahalahiny i Eliasiba mpisoronabe, dia nanamboatra ny Vavahadin'Ondry izy ireo. Natokan'izy ireo izany ary napetrany tamin'ny toerany ny varavarany. Natokan'izy ireo hatrany amin'ny Tilikambon'ny Zato lahy ka hatrany amin'ny Tilikambon'i Hananela izany.
\v 2 Taoriany no niasa ny olon'i Jeriko, ary niasa taorian'izy ireo i Zakora zanaka lahin'i Imry.
\s5
\v 3 Namboarin'ireo zanaka lahin'i Hasena ny Vavahadin'ny Hazandrano. Nanao andry ho an'izany izy ireo, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany.
\v 4 Ary Meremota no nanamboatra ny faritra nanaraka izany. Izy dia zanaka lahin'i Oria zanaka lahin'i Hakoza. Taorian'izy ireo no nanamboatra i Mesolama. Izy dia zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'i Mesezabela. Taorian'izy ireo no nanamboatra i Zadoka. Izy dia zanaka lahin'i Bana.
\v 5 Taorian'izy ireo ny Tekoita no nanamboatra, fa tsy nanaiky hanao ny asa nampanaovin'ny mpanara-maso azy ny mpitarik'izy ireo.
\s5
\v 6 Joiada zanaka lahin'i Pasea sy Mesolama zanaka lahin'i Besodia no nanamboatra ny Vavahady Taloha. Nanao andry ho an'izany izy ireo, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany.
\v 7 Taorian'izy ireo i Melatia Gibeonita sy Jadona Meronotita, izay olon'i Gibeona sy Mizpa no nanao fanamboarana teo amin'ilay faritra nipetrahan'ny governoran'ny Faritany Tandrifin'ny Ony.
\s5
\v 8 Oziela zanaka lahin'i Haraia no teo akaikiny, iray amin'ireo mpanefy volamena, no nanamboatra, ary teo anilany i Hanania, izay mpanao ranomanitra. Naverin'izy ireo namboarina i Jerosalema hatrany amin'ny Rindrina Lehibe.
\v 9 Teo akaikin'izy ireo i Refaia zanaka lahin'i Hora no nanamboatra. Izy no mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Jerosalema.
\v 10 Taorian'izy ireo dia i Jedaia zanaka lahin'i Haromafa no nanamboatra ny teo akaikin'ny tranony. Taoriany dia Hatosy zanaka lahin'i Hasabnia no nanamboatra.
\s5
\v 11 Malkia zanaka lahin'i Harima sy Hasoba zanaka lahin'i Pahatamoaba dia nanamboatra faritra hafa manaraka ny Tilikambon'ny Fatana.
\v 12 Taorian'izy ireo dia i Saloma zanaka lahin'i Halohesy, izay mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Jerosalema, dia nanamboatra, niaraka tamin'ireo zanany vavy.
\s5
\v 13 Hanona sy ireo mponin'i Zanoa dia nanamboatra ny Vavahadin'ny Lohasaha. Naverin'izy ireo naorina izay ary napetrany ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Nanamboatra mira arivo hakiho hatrany amin'ny Vavahadin-Jezika izy ireo.
\s5
\v 14 Malkia zanaka lahin'i Rekaba, mpanapaka ny distrikan'i Beti-Hakerema, no nanamboatra ny Vavahadin-Jezika. Izy no nanamboatra izany, ary nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany.
\v 15 Saloma zanaka lahin'i Kola-Hoze, mpanapaka ny distrikan'i Mizpa, no namerina nanamboatra ny Vavahadin'ny Loharano. Izy no nanamboatra izany, ary nandrakotra izany sy nametraka ny varavarany, ny hidiny, sy ny barany. Izy ihany koa no namerina nanamboatra ny mandan'ny Farihin'i Siloa izay teo akaikin'ny zaridainan'ny mpanjaka, hatrany amin'ny tohatra midina mankany amin'ny tanànan'i Davida.
\s5
\v 16 Nehemia zanaka lahin'i Azboka, mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Beti-Zora, dia nanamboatra teo amin'ny toerana mandalo eo amin'ny fasan'i Davida, hatrany amin'ilay farihy nataon'olombelona, ka hatrany amin'ny tranon'ireo olona mahery.
\v 17 Taoriany dia ny Levita no nanamboatra, ao anatin'izany i Rehoma zanaka lahin'i Bany, ary nanaraka azy, Hasabia, ilay mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Keila, ho an'ny distrikany.
\s5
\v 18 Nanamboatra teo anilany ny mponin'izy ireo, tao anatin'izany i Bavay zanaka lahin'i Henadada, mpanapaka ny antsasaky ny distrikan'i Keila.
\v 19 Taoriany, dia Ezera zanaka lahin'i Jesoa, mpanapaka tao Mizpa, no nanamboatra faritra hafa nanoloana ny fiakarana mankany amin'ny trano fitehirizana fitaovam-piadiana teo an-joron'ny manda.
\s5
\v 20 Teo anilany dia nanolo-tena nanamboatra faritra hafa i Baroka zanaka lahin'i Zabay, avy eo amin'ny zoron-drindrina hatrany amin'ny varavaran-tranon'i Eliasiba mpisoronabe.
\v 21 Nanamboatra faritra hafa teo akaikiny i Meremota zanaka lahin'i Oria zanak'i Hakoza, avy eo amin'ny varavaran-tranon'i Eliasiba ka hatrany amin'ny faran'ny tranon'i Eliasiba.
\s5
\v 22 Taoriany dia ireo mpisorona, lehilahy avy amin'ny faritra manodidina an'i Jerosalema, no nanamboatra.
\v 23 Taorian'izy ireo dia Benjamina sy Hasoba no nanamboatra nanandrify ny tranon'izy ireo manokana.
\v 24 Taoriany i Binoy zanaka lahin'i Henadada dia nanamboatra faritra hafa, avy eo amin'ny tranon'i Azaria hatrany amin'ny zoron'ny manda.
\s5
\v 25 Palala zanaka lahin'i Ozay dia nanamboatra ny manoloana ny zoron'ny manda sy ny tilikambo izay mitohy miakatra avy eo amin'ny trano avon'ny mpanjaka eo amin'ny tokotanin'ny mpiambina. Pedaia zanaka lahin'i Parosy no nanamboatra teo anilany.
\v 26 Ary ireo mpanompon'ny tempoly nipetraka tao Ofela dia nanamboatra hatreo amin'ny tandrifin'ny Vavahadin-dRano atsimon'ny tilikambo lehibe.
\v 27 Nanaraka azy dia nanamboatra faritra hafa ny Tekoita izay tandrifin'ny tilikambo lehibe hatrany amin'ny mandan'i Ofela.
\s5
\v 28 Ireo mpisorona dia nanamboatra ny teo ambonin'ny Vavahadin-tsoavaly, izay tandrifin'ny tranon'ny tsirairay.
\v 29 Nanamboatra ny faritra hafa tandrifin'ny tranony teo anilan'izy ireo i Zadoka zanaka lahin'i Imera. Ary nanamboatra teo anilany i Semaia zanaka lahin'i Sekania, mpiandry ny vavahady atsinanana.
\v 30 Nnanamboatra faritra hafa teo anilany i Hanania zanaka lahin'i Selemia, sy Hanona ilay zanaka lahy fahenin'i Zalafa. Nanaraka azy i Mesolama zanaka lahin'i Berekia izay nanamboatra ny tandrifin'ny efitranony.
\s5
\v 31 Teo anilany i Malkia, iray amin'ireo mpanefy volamena, izay nanamboatra ny tranon'ny mpanompo an-tempoly sy ireo mpivarotra izay tandrifin'ny Vavahady Fanendrena sy ny efitrano ambony teo an-jorony.
\v 32 Ireo mpanefy volamena sy ireo mpivarotra dia nanamboatra ny teo anelanelan'ny efitrano ambony teo an-jorony sy ny Vavahadin'Ondry.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ary rehefa ren'i Sanbala fa nanangana ny manda izahay, dia nirehitra tao anatiny izany, ary nisafoaky ny hatezerana izy ka nanamavo ny Jiosy.
\v 2 Hoy izy teo anatrehan'ireo rahalahiny sy ny tafik'i Samaria: "Fa inona ity ataon'ireo Jiosy kanosa ireo? Hamerina ny tanàna ho azy ireo angaha izy ireo? Hanolotra sorona angaha izy ireo? Ho vitain'izy ireo ao anatin'ny iray andro angaha ny asa? Hamelona ireo vato avy amin'ireo korontam-bato efa nodorana indray angaha izy ireo?
\v 3 Tobia Amonita dia niaraka taminy, ary hoy izy hoe: "Raha mba nisy amboahaolo mantsy niakatra teo amin'izay atsangan'izy ireo, dia handrodana ny manda vaton'izy ireo izany!"
\s5
\v 4 Henoy, ry Andriamanitray, fa vaorabiraby izahay. Avereno amin'ny lohan'izy ireo ihany ny fitenenan-dratsin'izy ireo ary avelao izy ireo ho babo any amin'ny tany izay higadran'izy ireo.
\v 5 Aza manarona ny helok'izy ireo ary aza mamafa ny fahotany tsy ho eo anatrehanao, fa nihantsy ny fahatezeran'ny mpanorina ny manda izy ireo.
\v 6 Koa natsanganay ny manda ary nifandray teo amin'ny hatsasaky ny hahavony ny manda rehetra satria nanam-paniriana ny hiasa ireo olona.
\s5
\v 7 Fa nony ren'i Sanbala, Tobia, ireo Arabo, ireo Amonita, ary ireo Asdodita fa nandroso ny asa fanamboarana ny mandan'i Jerosalema, ary efa hikatona ireo toerana vaky teo amin'ny manda, dia nirehin-katezerana lehibe tao anatin'izy ireo.
\v 8 Niara-nikonokonona avokoa izy rehetra, ary tonga hiady tamin'i Jerosalema ka nahatonga savorovoro tao amin'izany.
\v 9 Fa nivavaka tamin'ny Andriamanitray izahay ary nametraka mpiambina hiaro amin'izy ireo andro aman'alina nohon'ny fampitahoran'izy ireo.
\s5
\v 10 Dia hoy ireo vahoakan'i Joda hoe: "Mihalefy ny herin'ireo izay milanja enta-mavesatra. Be loatra ireo korontam-bato, ary tsy afaka mamerina manangana ny manda izahay."
\v 11 Hoy ireo fahavalonay hoe: "Tsy hahafantatra na hahita izy ireo ambara-pahatonganay eo amin'izy ireo ka hamono azy ireo, ary hampitsahatra ny asa."
\s5
\v 12 Tamin'izany fotoana izany dia tonga avy tany amin'ny lalana rehetra ireo Jiosy izay nonina teo akaikin'izy ireo ary niteny impolo taminay, nampitandrina anay ny amin'ny tetika izay ataon'izy ireo aminay.
\v 13 Koa nametraka olona tany amin'ny faritra iva indrindra amin'ny manda teny amin'ny toerana miharihary aho. Nametraka ny fianakaviana tsirairay niaraka tamin'ny sabany, ny lefony, ary ny tsipìkany avy aho.
\v 14 Dia nitazana aho, ary nitsangana, ka hoy aho tamin'ireo olona ambony, sy tamin'ireo mpanapaka, ary tamin'ny vahoaka sisa hoe: "Aza matahotra azy ireo. Tsarovy ny Tompo, izay lehibe sady mahagaga. Miadia ho an'ny fianakavianareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny vadinareo, ary ny ankohonanareo."
\s5
\v 15 Ary rehefa ren'ireo fahavalonay fa hainay ny paik'adin'izy ireo, ary nasavorovoron'Andriamanitra ny paik'adiny, dia niverina teo amin'ny manda izahay rehetra, samy tamin'ny asany avy.
\v 16 Koa nanomboka tamin'izany fotoana izany dia niasa ho an'ny fananganana ny manda fotsiny ny antsasak'ireo mpanompoko, ary ny antsasany nitazona lefona, ampinga, tsipìka, ary nanao akanjo fiarovana, raha nitsangana avy ao aorian'ireo vahoakan'i Joda rehetra kosa ireo mpitarika.
\s5
\v 17 Niambina ny fitoeran'izy ireo ihany koa ireo mpiasa izay nanangana ny manda sy nilanja ny enta-mavesatra. Niasa tamin'ny tanana iray avy ny olona rehetra, ary tamin'ny tanana ilany no nitànan'izy ireo ny fiadiany.
\v 18 Ny mpanangana rehetra dia nanao ny sabany teo anilany ary toy izany no niasany. Ilay iray izay nampaneno ny trompetra dia nijanona teo akaikiko.
\s5
\v 19 Dia hoy aho tamin'ireo olona ambony sy ireo manam-boninahitra ary tamin'ireo vahoaka sisa hoe: "Goavana sady mihitatra ny asa, ary misaratsaraka isika eto ambonin'ny manda, mifanalavitra.
\v 20 Aoka hiazakazaka ho eo amin'ny toerana andrenesanareo ny feon-trompetra ianareo ary hiangona eo. Hiady ho antsika ny Andriamanintsika."
\s5
\v 21 Koa nataonay ny asa. Ny antsasak'izy ireo nitazona lefona nanomboka vao mangiran-dratsy ka hatramin'ny fipoiran'ny kintana.
\v 22 Hoy ihany koa aho tamin'ireo olona tamin'izany fotoana izany hoe: "Aoka ny olona rehetra sy ny mpanompony handany ny alina eo afovoan'i Jerosalema, mba ho mpiambina antsika mandritra ny alina izy ireo ary ho mpiasa amin'ny andro."
\v 23 Koa na izaho, na ireo rahalahiko, na ireo mpanompoko, na ireo lehilahin'ny mpiambina izay nanaraka ahy, dia tsy mba nisy nisolo akanjo izahay, ary nitana fiadiana ny tsirairay taminay, na dia handeha haka rano aza.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ary ireo lehilahy sy ny vadin'izy ireo dia nanao fitarainana lehibe hanohitra ireo Jiosy namany.
\v 2 Satria nisy sasany nanao hoe: "Maro izahay miaraka amin'ny zanaka lahinay sy zanaka vavinay. Koa aoka izahay hahazo vary mba hahafahanay mihinana sy mivelona."
\v 3 Nisy sasany hafa koa nanao hoe: "Manao antoka ny sahanay, ny tanim-boalobokay, sy ny tranonay izahay, mba hahazoanay vary mandritra ny mosary."
\s5
\v 4 Nisy sasany ihany koa nanao hoe: "Efa nindrana vola handoavana ny hetran'ny mpanjaka tamin'ny sahanay sy ny tanim-boalobokay izahay.
\v 5 Nefa ny nofonay sy ny rànay dia mitovy tahaka ny an'ny rahalahinay ihany, ary ny zanakay dia mitovy amin'ny zanak'izy ireo. Voatery nivarotra ny zanaka lahinay sy zanaka vavinay ho andevo izahay. Ary ny sasany amin'ireo zanakay vavy dia efa nandevozina rahateo. Nefa tsy ao amin'ny herinay ny hanao izany satria efa olona hafa no tompon'ny ny sahanay sy ny tanim-boalobokay ankehitriny."
\s5
\v 6 Dia tezitra mafy aho raha nahare ny fitarainan'izy ireo sy ireo teny ireo.
\v 7 Dia nieritreritra momba izany aho, ary nitondra fiampangana ho an'ireo manan-kaja sy ireo manam-boninahitra. Hoy aho tamin'izy ireo: "Samy sarotiny amin'ny rahalahiny tsirairay avy ianareo." Dia nanao fiangonam-be hanohitra azy ireo aho
\v 8 ary niteny azy ireo hoe: "Izahay, araka izay tratranay, dia efa nanonitra tamin'ny fanandevozana ireo Jiosy rahalahinay izay namidy tamin'ny firenena, nefa ianareo aza nivarotra ny rahalahinareo sy ny anabavinareo mba hivarotana azy ireo aminay!" Dia nangina sy tsy nahita teny ho lazaina izy ireo.
\s5
\v 9 Dia niteny koa aho hoe: "Tsy tsara izao ataonareo izao. Moa tsy tokony handeha amin'ny fahatahorana an'Andriamanitsika ve ianareo mba hisorohana ny fitenenan-dratsin'ireo firenena izay fahavalontsika?
\v 10 Izaho sy ny rahalahiko ary ny mpanompoko dia efa mampisambotra vola sy vary azy ireo. Nefa isika dia tokony hampitsahatra ny fanasiana zana-bola amin'ireny fampindram-bola ireny.
\v 11 Avereno amin'izy ireo amin'ity andro anio ity ireo sahan'izy ireo, ireo tanim-boalobony, ireo saha hanirian'ny olivany, sy ireo tranony, ary ny isan-jaton'ny vola, ny vary, ny divay vaovao ary ny menaka izay nampisamborinareo tamin'izy ireo."
\s5
\v 12 Dia hoy izy ireo: "Ho averinay izay nalainay tamin'izy ireo, ary tsy hitaky na inona na inona amin'izy ireo izahay. Hanao araka izay lazainao izahay." Dia niantso ireo mpisorona aho, ka nampianiana azy ireo mba hanao araka izay efa nampanantenain'izy ireo.
\v 13 Nanakopaka izay niforitra tamin'ny akanjoko aho ary niteny hoe: "Aoka anie hafahan'Andriamanitra amin'ny tranony sy ireo fananany ny olona rehetra izay tsy mitàna ny fampanantenany. Aoka anie hafahana sy foanana izy." Ary ny fiangonana rehetra niteny hoe: "Amena," sady nidera an'i Yaveh ary nanao araka izay efa nampanantenain'izy ireo ny vahoaka.
\s5
\v 14 Koa tamin'ny fotoana izay nanendrena ahy ho governoran'izy ireo tany amin'ny tanin'i Joda, nanomboka tamin'ny taona faharoapolo ka hatramin'ny taona faharoa amby telopolo nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka, roa ambin'ny folo taona izay, dia tsy mbola nihinana sakafo nomena ho an'ny governora na izaho na ireo rahalahiko.
\v 15 Nefa ireo governora fahiny izay teo alohako dia nametraka enta-mavesatra tamin'ny vahoaka, ary nampandoa azy ireo sekely volafotsy efapolo ho an'ny sakafo sy divain'izy ireo isan'andro. Na ireo mpanompon'izy ireo aza nampahory ny vahoaka. Fa tsy nanao izany aho nohon'ny fahatahorako an'Andriamanitra.
\s5
\v 16 Nanohy ny asa teo amin'ny manda ihany koa aho, sady tsy nividy tany izahay, ary ny mpanompoko rehetra dia niangona teo hiasa.
\v 17 Ary teo amin'ny latabatro no nisy ireo Jiosy sy ireo manam-pahefana, 150 lahy, ankoatra ireo izay nankany aminay avy tamin'ireo firenena izay manodidina anay.
\s5
\v 18 Ary izay nomanina isan'andro dia omby iray, sy ondry voafantina enina, ary vorona ihany koa, ary isaky ny folo andro dia divay maro isan-karazany mitafotafo, kanefa tamin'izany rehetra izany dia tsy mbola nangataka ny anjara sakafon'ny governora aho, satria izany fangatahana izany dia tena navesatra loatra teo amin'ny vahoaka.
\v 19 Tsarovy aho, ry Andriamanitro, amin'ny tsara, noho izay rehetra nataoko ho an'ity vahoaka ity.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary rehefa ren'i Sanbala, Tobia, ary Gasema Arabo sy ireo fahavalonay sisa fa efa nanamboatra ny manda indray aho ary tsy nisy faritra triatra nivoha intsony, na dia tsy mbola nanangana ireo varavarana teo am-bavahady aza aho,
\v 2 dia hoy i Sanbala sy Gasema tamiko, nanao hoe: "Andao, andeha isika hihaona any amin'ny lemak'i Ono any ho any." Nefa nikendry ny hanisy ratsy ahy izy ireo.
\s5
\v 3 Naniraka mpitondra hafatra tany amin'izy ireo aho, nanao hoe: "Manao asa lehibe aho, ka tsy afaka midina. Nahoana no tokony hitsahatra ny asa raha hilaozako izany ka midina any aminao aho?"
\v 4 Nandefa hafatra mitovy in'efatra tamiko izy ireo, ary novaliako mitovy isaky ny mandefa ireo.
\s5
\v 5 Naniraka ny mpanompony taty amiko tahaka izany fanindiminy i Sanbala, nitondra taratasy misokatra teny an-tanany.
\v 6 Voasoratra tao amin'izany hoe: "Voatatitra eo amin'ireo firenena izao, sady ambaran'i Gasema ihany koa, fa mitetika ny hikomy ianao sy ireo Jiosy, ka noho izany no anamboaranao ny manda indray. Araka ny lazain'ireto tatitra ireto, dia efa ho tonga mpanjakan'izy ireo ianao.
\s5
\v 7 Efa nanendry mpaminany ihany koa ianao mba hanao izao fanambarana momba anao izao any Jerosalema, manao hoe: 'Misy mpanjaka any Joda!' Mahazo matoky ianao fa ho ren'ny mpanjaka ireo tatitra ireo. Noho izany tongava, andeha isika hifampiresaka."
\s5
\v 8 Dia nandefa teny tany aminy aho manao hoe: "Tsy nisy zavatra tahaka izany nitranga araka ny lazainao, fa tao am-ponao ihany no namoronanao ireo."
\v 9 Fa te-hampitahotra anay izy reo, nieritreritra hoe: "Hampiraviravy ny tanan'izy ireo amin'ny fanaovana asa izy ireo, ka tsy ho vita izany." Nefa ankehitriny, ry Andriamanitra, mba atanjaho re ireto tanako."
\s5
\v 10 Nankany an-tranon'i Semaia zanaka lahin'i Delaia zanaka lahin'i Mehetabela, izay tsy afa-nihetsika tao an-tranony aho. Hoy izy: "Andeha hihaona any an-tranon'Andriamanitra isika, ao anatin'ny tempoly, ary andeha hidiantsiaka ny varavaran'ny tempoly, satria tonga hamono anao izy ireo. Ho avy hamono anao izy ireo amin'ny alina."
\v 11 Namaly aho hoe: "Lehilahy tahaka ahy ve no andeha handositra? Hiditra ao an-tempoly mba hahazoany manavotra ny ainy ve ny lehilahy tahaka ahy? Tsy hiditra aho!"
\s5
\v 12 Tonga saina aho fa tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa naminany nanohitra ahy izy.
\v 13 Nanakarama azy i Tobia sy Sanbala. Nanakarama azy izy ireo mba hampitahotra ahy, mba hanaovako izay lazainy ka hanota, mba hanomezan'izy ireo anarana ratsy ho ahy hanalan'izy ireo baraka ahy.
\v 14 Tsarovy Tobia sy Sanbala, ry Andriamanitro ô, ary izay rehetra nataon'izy ireo. Tsarovy ihany koa Noadia mpaminany vavy sy ireo mpaminany sisa izay nanandrana ny hampitahotra ahy.
\s5
\v 15 Koa vita tamin'ny andro fahadimy amby roapolon'ny volana Elola ny manda, taorian'ny roa amby dimapolo andro.
\v 16 Rehefa ren'ireo fahavalonay rehetra izany, ireo firenena rehetra manodidina anay, dia natahotra izy ireo ary lavo mafy teo imason'izy ireo ihany. Fa fantatr'izy ireo fa vita tamin'ny fanampian'ny Andriamanitray ny asa.
\s5
\v 17 Tamin'izany fotoana izany dia nandefa taratasy maro tany amin'i Tobia ireo manan-kaja tao Joda, ary tonga tany amin'izy ireo koa ny taratasin'i Tobia.
\v 18 Fa nisy maro tany Joda no voafatotry ny fianianana taminy, satria vinanto lahin'i Sekania zanaka lahin'i Ara izy. Ary Johanana zanany lahy efa nanambady ny zanaka vavin'i Mesolama zanaka lahin'i Berekia.
\v 19 Niteny tamiko momba ireo asa soany ary nitatitra ireo teniko tany aminy ihany koa izy ireo. Nandefasana taratasy avy tamin'i Tobia aho mba hampitahorana ahy.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Rehefa vita ny manda ary voapetrako tamin'ny toerany ireo varavarana, ary efa voatondro ireo mpiandry vavahady sy mpihira ary ireo Levita,
\v 2 dia nomeko an'i Hanany rahalahiko ny fitantanana an'i Jerosalema, miaraka amin'i Hanania izay nanara-maso ny fiarovana mafy, satria lehilahy mahatoky sy matahotra an'Andriamanitra mihoatra noho ny maro izy.
\s5
\v 3 Hoy aho tamin'izy ireo hoe: "Aza sokafana ny vavahadin'i Jerosalema mandra-piakatry ny masoandro. Raha mbola miambina ireo mpiandry vavahady, dia afaka manidy ny varavarana sy manisy bara ianareo. Manendre mpiambina avy amin'ireo izay mipetraka any Jerosalema, ny sasany any amin'ny toeram-piambenan'izy ireo, ary ny sasany manoloana ireo tranony avy."
\v 4 Ary ilay tanàna dia midadasika sy lehibe, kanefa vitsy ny olona ao amin'izany, ary tsy mbola nisy trano voatsangana.
\s5
\v 5 Andriamanitra dia nametraka tao am-poko ny hamoriana ireo manan-kaja, ireo manam-boninahitra, sy ireo vahoaka mba ho soratana anarana araka ny fianakavian'izy ireo. Hitako ilay bokin'ny tetiaran'ireo izay niverina voalohany ary hitako voasoratra tao ireto manaraka ireto.
\s5
\v 6 Ireto ny vahoakan'ny faritany izay nandeha niakatra avy tamin'ny fahababoan'ireo sesitany izay nobaboin'i Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona. Niverina tany Jerosalema sy Joda izy ireo, samy amin'ny tanànany avy.
\v 7 Niaraka tamin'i Zerobabela, Jesoa, Nehemia, Azaria, Ramia, Nahanany, Mordekay, Bilsana, Mispereta, Bigvay, Nehoma, ary Bana izy ireo. Ny isan'ireo lehilahin'ny vahoakan'Israely dia ahitana ireto manaraka ireto.
\s5
\v 8 2. 172 ny taranak'i Parosy.
\v 9 372 ireo taranak'i Sefatia.
\v 10 652 ireo taranak'i Ara.
\s5
\v 11 2. 818 ireo taranak'i Pahatamoaba, avy amin'ny taranak'i Jesoa sy Joaba.
\v 12 1. 254 ny taranak'i Elama.
\v 13 845 ny taranak'i Zato.
\v 14 760 ny taranak'i Zakay.
\s5
\v 15 648 ny taranak'i Binoy.
\v 16 628 ny taranak'i Bebay.
\v 17 2. 322 ny taranak'i Azgada.
\v 18 667 ny taranak'i Adonikama.
\s5
\v 19 2. 067 ny taranak'i Bigvay.
\v 20 655 ny taranak'i Adina.
\v 21 98 ny taranak'i Atera, avy tamin'i Hezekia.
\v 22 328 ny taranak'i Hasoma.
\s5
\v 23 324 ny taranak'i Bezay.
\v 24 112 ny taranak'i Harifa.
\v 25 95 ny taranak'i Gibeona.
\v 26 188 ny olona avy any Betlehema sy Netofa.
\s5
\v 27 128 ny olona avy any Anatota.
\v 28 42 ny olona avy any Bet-azmaveta.
\v 29 743 ny olona avy any Kiriata-jearima, Kefira, ary Berota.
\v 30 621 ny olon'i Rama sy Geba.
\s5
\v 31 122 ny olon'i Mikmasy.
\v 32 123 ny olon'i Betela sy Ay.
\v 33 52 ny olon'ilay Nebo hafa.
\v 34 1. 254 ny olon'i Elama hafa.
\s5
\v 35 320 ny olon'i Harima.
\v 36 345 ny olon'i Jeriko.
\v 37 721 ny olon'i Loda, Hadida, ary Ono.
\v 38 3. 930 ny olon'i Sena.
\s5
\v 39 973 ireo mpisorona: dia ny taranak'i Jedaia (avy amin'ny tranon'i Jesoa).
\v 40 1. 052 ny taranak'Imera.
\v 41 1. 247 ny taranak'i Pasora.
\v 42 1. 017 ny taranak'i Harima.
\s5
\v 43 74 ireo Levita: dia ny taranak'i Jesoa, Kadmiela, Binoy, ary Hodavia.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho "avy amin'ny taranak'i Binoy sy Hodavia," ny dikan-teny sasany amin'izao fotoana dia manao hoe: ny taranak'i Hodavia. \f*
\v 44 148 ireo mpihira: dia ny taranak'i Asafa.
\v 45 138 ireo mpiandry vavahadin'ny taranak'i Saloma, taranak'i Atera, taranak'i Talmona, taranak'i Akoba, ny taranak'i Hatita, ny taranak'i Sobay.
\s5
\v 46 Ireo mpanompon'ny tempoly: dia ny taranak'i Ziha, ny taranak'i Hasofa, ny taranak'i Tabaota,
\v 47 ny taranak'i Kerosa, ny taranak'i Sia, ny taranak'i Padona,
\v 48 ny taranak'i Lebana, ny taranak'i Hagaba, ny taranak'i Salmay,
\v 49 ny taranak'i Hanana, ny taranak'i Gidela, ny taranak'i Gahara.
\s5
\v 50 Ny taranak'i Reaia, ny taranak'i Rezina, ny taranak'i Nekoda, ny taranak'i Gazama,
\v 51 ny taranak'i Oza, ny taranak'i Pasea, ny taranak'i Besay,
\v 52 ny taranak'i Meonita, ny taranak'i Nefisita.
\s5
\v 53 Ny taranak'i Bakboka, ny taranak'i Hakafa, ny taranak'i Harora,
\v 54 ny taranak'i Bazlita, ny taranak'i Mehida, ny taranak'i Harsa,
\v 55 ny taranak'i Barkosa, ny taranak'i Sisera, ny taranak'i Tema,
\v 56 ny taranak'i Nezia, ny taranak'i Hatifa.
\s5
\v 57 Ireo taranaky ny mpanompon'i Solomona: dia ny taranak'i Sotahy, ny taranak'i Sofereta, ny taranak'i Perida,
\v 58 ny taranak'i Jala, ny taranak'i Darkona, ny taranak'i Gidela,
\v 59 ny taranak'i Sefatia, ny taranak'i Hatila, ny taranak'i Pokereta-hazebaima, ny taranak'i Amona.
\v 60 Ireo mpanompon'ny tempoly, sy ireo taranak'ireo mpanompon'i Solomona dia miisa 392.
\s5
\v 61 Ireto no olona nandeha niakatra avy any Tela-mela, Tela-harsa, Kerofa, Adona, ary Imera. Kanefa tsy afaka nanaporofo izy ireo fa izy ireo na ireo fianakavian'ny taranak'izy ireo dia taranaka avy amin'Israely:
\v 62 dia ireo taranak'i Delaia, ny taranak'i Tobia, ary ny taranak'i Nekoda, izay 642.
\v 63 Ireo izay avy amin'ireo mpisorona: dia ny taranak'i Hobaia, Hakoza, ary Barzilay (izay naka ny vadiny avy amin'ireo zanaka vavin'i Barzilay avy any Gileada ary nantsoina tamin'ny anaran'izy ireo).
\s5
\v 64 Ireo dia nitady ny firaketan'izy ireo an-tsoratra tamin'ireo nisoratra anarana tamin'ny tetiaran'izy ireo, saingy tsy hita ireo, ka dia voahilika tamin'ny fisoronana ho maloto izy ireo.
\v 65 Avy eo ny governora niteny tamin'izy ireo fa tsy tokony homena alalana hihinana ny fizaran-tsakafon'ireo mpisorona avy amin'ny sorona izy ireo mandra-pitsanganan'ny mpisorona iray miaraka amin'ny Orima sy Tomima.
\s5
\v 66 42. 360 ny fitambaran'ny vondrona rehetra,
\v 67 ankoatra ny lehilahy sy mpanompon'izy ireo ary ny mpanompo vavin'izy ireo, izay nisy 7. 337. Nanana mpihira lahy sy vavy 245 izy ireo.
\s5
\v 68 736 ny isan'ny soavalin'izy ireo, 245 ny ampondra,
\v 69 435 ny rameva, ary 6. 720 ireo boriky.
\s5
\v 70 Ny sasany tamin'ireo lohan'ny fianakavian'ireo razambe dia nanome fanomezana ho an'ny asa. Nomen'ny governora darika volamena arivo, koveta 50, ary akanjo fisoronana 530 ho an'ny rakitra.
\f + \ft Fanamarihana: Ny lahatsoratra Hebreo dia ahitana ny hoe: "akanjo fisoronana mpisorona telopolo," saingy sarotra takarina izany. Ny ankamaroan'ireo dikan-teny amin'izao fotoana dia ahitana ny hoe: "akanjo fisoronana 530." Na izany aza, ny sasany dia manome soso-kevitra ny hamaky hoe: "akanjo fisoronana telopolo sy mane volafotsy dimanjato." \f*
\v 71 Ny sasany amin'ny lohan'ireo fianakavian'ireo razambe dia nanome darika volamena roa alina sy mane volafotsy 2. 200 ho an'ny rakitra.
\v 72 Ny sisa tamin'ireo vahoaka dia nanome darika volamena roa arivo, sy mane volafotsy roa alina, ary akanjo fisoronana fito amby enimpolo.
\s5
\v 73 Noho izany ireo mpisorona, ireo Levita, ireo mpiandry vavahady, ireo mpihira, ny sasany amin'ny vahoaka, ireo mpanompon'ny tempoly, ary ny Israely rehetra dia nipetraka tany amin'ny tanànan'izy ireo. Tamin'ny volana fahafito no nametrahana ny vahoakan'Israely tao amin'ny tanànan'izy ireo."
\s5
\c 8
\p
\v 1 Niangona toy ny olona iray teny ankalamanjana teo anoloan'ny Vavahadin-Drano ny vahoaka rehetra. Izy ireo dia nangataka an'i Ezra mpisorona mba hitondra ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Yaveh an'Israely.
\v 2 Tamin'ny andro voalohan'ny volana fahafito, dia nitondra ny lalàna teo anoloan'ny fiangonana i Ezra mpisorona, na lahy na vavy, ary ireo rehetra izay afaka nihaino sy nahatakatra.
\v 3 Niatrika ny kianja malalaka anoloan'ny Vavahadin-drano izy, ary namaky izany vao maraim-be hatramin'ny mitataovovona, nanoloana ireo lehilahy sy vehivavy, sy izay afaka mahatakatra, ary dia nihaino tsara ilay bokin'ny lalàna ireo olona rehetra.
\s5
\v 4 Avy eo Ezra mpanora-dalàna nijoro teo ambonin'ny lampihazo izay namboarin'ny olona ho amin'izany. Nijoro teo ankavanany i Matitia, Sema, Anaia, Oria, Hilkia, ary Mahasela; ary i Pedaia, Misaela, Malkia, Hasoma, Hasbadana, Zakaria, ary Mesolama dia nijoro teo amin'ny ilany ankavia.
\v 5 Nosokafan'i Ezra teo imason'ny olona rehetra ny boky, satria nijoro ambony noho ireo olona izy, ary rehefa nosokafany izany dia nitsangana avokoa ny olona.
\s5
\v 6 Ezra dia nanome fisaorana an'i Yaveh, ilay Andriamanitra lehibe, ary ireo olona rehetra nanandratra ny tanany ary namaly hoe: "Amena! Amena!" Avy eo izy ireo nanondrika ny lohan'izy ireo ary nidera an'i Yaveh tamin'ny fametrahana ny tavan'izy ireo tamin'ny tany.
\v 7 Jesoa, Bani, Serebia, Jamina, Akoba, Sabetahy, Hodia, Mahaseia, Kelita, Azaria, Jozabada, Hanana, Pelaia—ireo Levita—dia nanampy ireo olona mba hahatakatra ilay lalàna ihany koa, raha mbola nitoetra teny amin'ny toerany ireo olona.
\f + \ft Ny ankamaroan'ny dikan-teny amin'izao fotoana izao, anisan'izany ny ULB sy UDB, dia mandika toy izany mba hahafantarana fa Levita avokoa ireo olona voatonona ao amin'ity andininy ity. Na izany aza, ny dikan-teny sasany dia mandika toy izany mba hametrahana "ireo Levita" ao amin'ny lisitra araka ny niantsoana ny tsirairay voalohany. \f*
\v 8 Novakian'izy ireo tao amin'ny boky, ny Lalàn'Andriamanitra, nanazava izany tamin'ny fandikana sy fanomezana ny dikan'izany mba hahatakaran'ireo olona ny vakin-teny.
\s5
\v 9 Nehemia governora, sy i Ezra mpisorona sy mpanora-dalàna, ary ireo Levita no nandika tamin'ny olona ary niteny tamin'ny olona rehetra hoe: "Masina ity andro ity amin'i Yaveh Andriamanitrareo. Aza misaona na mitomany." Satria nitomany avokoa ny olona rehetra rehefa nandre ireo tenin'ny lalàna.
\v 10 Avy eo Nehemia niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana amin'ny lalanareo, mihinàna matavy ary misotroa zava-pisotro mamy, ary alefaso amin'izay tsy nahaomana na inona na inona ny sasany amin'izany, fa ity andro ity dia masina amin'ny Tompontsika. Aza malahelo, fa ny fifalian'i Yaveh no herinao."
\s5
\v 11 Koa dia nampanginin'ireo Levita ireo olona, nanao hoe: "Mangina! satria masina ity andro ity. Aza malahelo."
\v 12 Ary nandeha tamin'ny lalany ny olona rehetra mba hihinana sy hisotro ary mba hizara sakafo sy hankalaza am-pifaliana lehibe satria takatr'izy ireo ny teny izay nampahafantarina azy ireo.
\s5
\v 13 Tamin'ny andro faharoa ireo mpitarika ny fianakavian'ireo razambe avy amin'ny olona rehetra, ireo mpisorona sy ireo Levita, dia tonga niaraka teo amin'i Ezra mpisorona mba handinika lalina ireo tenin'ireo lalàna.
\v 14 Hitan'izy ireo voasoratra tao amin'ny lalàna ny fomba nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy fa ny vahoakan'Israely dia tokony hipetraka anaty lay mandritra ny firavoravoana amin'ny volana fahafito.
\v 15 Izy ireo dia tokony hanao fanambarana eny amin'ny tanàna rehetra, sy ao Jerosalema, manao hoe: "Mandehana eny amin'ny tany havoana, ary mitondrà sampan'oliva sy hazon'olivadia, sy sampan-drotra, sampan-drofia sy sampan-kazo be, mba hanamboarana lay, araka ny voasoratra."
\s5
\v 16 Koa nivoaka ny olona ary nitondra ireo sampan-kazo niverina ary nanao lay ho azy ireo, isaky ny tafon'izy ireo avy, teny an-tokotanin'izy ireo, teny amin'ny tokotanin'ny tranon'Andriamanitra, teny amin'ny kianja malalaka anoloan'ny Vavahadin-drano, sy teny amin'ny kianja malalaka akaikin'ny Vavahadin'i Efraima.
\v 17 Ny fiangonan'ireo rehetra izay niverina avy amin'ny fahababoana dia nanamboatra lay ary nipetraka tao anatin'ireo. Fa nanomboka tamin'ny andron'i Josoa zanaka lahin'i Nona hatramin'io andro io, dia tsy nankalaza izany firavoravoana izany ny vahoakan'Israely, koa dia lehibe tokoa ny hafalian'izy ireo.
\s5
\v 18 Isan'andro isan'andro ihany koa, nanomboka tamin'ny andro voalohany ka hatramin'ny farany, dia namaky ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra i Ezra. Nitandrina ny firavoravoana nandritra ny fito andro izy ireo ary ny andro fahavalo no fivoriana manetriketrika, mba ho fankatoavana ny lalàna.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Ary tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folon'io volana io ihany dia nivory sy nifady hanina ny vahoakan'Israely, ary nitafy akanjo fisaonana izy ireo, ary nanosotra vovoka ny lohany.
\v 2 Nanasaraka ny tenany tamin'ireo vahiny rehetra ny taranak'i Israely. Nitsangana ary niaiky ny fahotan'izy ireo sy ireo ratsy nataon'ny razambeny izy ireo.
\s5
\v 3 Nitsangana teo amin'ny toerany izy ireo, ary tamin'ny ampahefatry ny andro dia namaky ny tao amin'ny bokin'ny lalàn'i Yaveh Andriamaniny izy ireo. Fa tamin'ny ampahefatry ny andro hafa dia niaiky ny helony sy niankohoka teo anatrehan'i Yaveh Andriamaniny izy ireo.
\v 4 Ireo Levita, Jesoa, Bany, Kadmiela, Sebania, Bony, Serebia, Bany, ary Kenany, dia nijoro teo amin'ny tohatra ary niantso tamin'ny feo avo an'i Yaveh Andriamanitr'izy ireo.
\s5
\v 5 Ary ireo Levita, Jesoa, sy Kadmiela, Bany, Hasbania, Serebia, Hodia, Sebania, ary Petahia, nanao hoe: "Mitsangàna ary miderà an'i Yaveh Andriamanitrareo mandrakizay doria." Hisaotra ny anaranao be voninahitra anie izy ireo, ary asandratra ambonin'ny fisaorana sy fiderana rehetra anie izany.
\v 6 Ianao no Yaveh. Ianao irery ihany. Ianao no nanao ny lanitra, ny lanitra avo indrindra, mbamin'ny miaramilany rehetra, sy ny tany sy izay rehetra eo aminy, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Nanome aina azy rehetra Ianao, ary ny miaramilan'ny lanitra manompo Anao.
\s5
\v 7 Ianao no Yaveh, ilay Andriamanitra izay nifidy an'i Abrama, sy nitondra azy nivoaka an'i Oran'ny Kaldeana, ary nanome azy ny anarana Abrahama.
\v 8 Ianao dia nahita fa nahatoky teo anatrehanao ny fony, ary Ianao nanao fanekena taminy mba hanome ny tanin'ireo Kananita, ireo Hetita, ireo Perizita, ireo Jebosita, ary ireo Girgasita ho an'ny taranany. Nitàna ny fampanantenanao Ianao satria Ianao dia marina.
\s5
\v 9 Nahita ny fahorian'ny razanay tany Egypta Ianao, ary nahare ny fitarainan'izy ireo teo amin'ny Ranomasina Mena.
\v 10 Nanome ireo famantarana sy fahagagana manohitra an'i Farao, sy ny mpanompony rehetra, ary ny olona rehetra tao amin'ny taniny Ianao, satria Ianao dia nahalala fa ireo Egyptiana dia nanao fihetsika an'avona tamin'izy ireo. Kanefa nanao anarana ho Anao Ianao izay mijoro mandrak'ankehitriny.
\s5
\v 11 Ary nanasaraka ny ranomasina teo anoloan'n'izy ireo Ianao, mba hahafahan'izy ireo mandeha afovoan'ny ranomasina amin'ny tany maina; ary nanipy ireo izay nanenjika azy ireo ho any amin'ny lalina, tahaka ny vato atsipy anaty rano lalina Ianao.
\s5
\v 12 Tamin'ny andrin-drahona no nitondranao azy ireo tamin'ny andro, ary andrin'afo kosa mandritra ny alina mba hitsilo ny lalana halehan'izy ireo.
\v 13 Nidina tao an-tendrombohitra Sinay Ianao ary niresaka tamin'izy ireo avy tao amin'ny lanitra ary nanome azy ireo fitsipika mahitsy sy lalàna marina, baiko sy didy tsara.
\s5
\v 14 Nampafahantarinao azy ireo ny andro Sabata masinao, ary nanome azy ireo didy, sy fitsipika, ary lalàna tamin'ny alalan'i Mosesy mpanamponao Ianao.
\v 15 Nanome mofo avy any an-danitra azy ireo Ianao nohon'ny hanohanany, ary rano avy tamin'ny vatolampy nohon'ny hetahetany, ary Ianao niteny azy ireo mba hiditra haka ny tany nianiananao mba homena azy ireo.
\s5
\v 16 Fa tsy nanaja anao izy ireo sy ny razanay, ary mafy loha, sady tsy nihaino ireo didinao izy ireo.
\v 17 Nandà tsy hihaino izy ireo, ary tsy nisaina momba ireo fahagagana izay efa nataonao tamin'izy ireo, fa lasa mafy loha, ary tamin'ny fikomian'izy ireo dia nanondro mpitarika hiverina amin'ny fanandevozana izy ireo. Fa Ianao dia Andriamanitra izay feno famelan-keloka, be fahasoavana sy fangorahana, tsy mora tezitra, ary feno fitiavana tsy miova. Tsy nandao azy ireo Ianao.
\s5
\v 18 Na dia efa nanana ilay ombilahy kely an'idina aza izy ireo ary nanao hoe: 'Ity no Andriamanitrareo izay nitondra anareo niakatra niala tany Egypta,' ary efa nanao faniratsirana lehibe, Ianao, tamin'ny fangoraham-ponao
\v 19 dia tsy nandao azy ireo tany an'efitra. Ny andrin-drahona mitarika azy ireo amin'ny lalana dia tsy mba nandao azy ireo nandritra ny andro, na ny andrin'afon'ny alina mba hanazava ny lalan-kalehan'izy ireo.
\s5
\v 20 Nomenao azy ireo ny Fanahinao tsara mba hampianatra azy ireo, ary tsy niaro ny mananao tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo Ianao, ary ny rano nomenao azy ireo nohon'ny hetahetany.
\v 21 Nandritra ny efapolo taona no namatsianao azy ireo tany an'efitra, ary tsy ory na inona na inona izy ireo. Ny akanjon'izy ireo dia tsy tonta ary ny faladian'izy ireo dia tsy nivonto.
\s5
\v 22 Nanome fanjakana sy vahoaka ho azy ireo Ianao, tamin'ny fanendrena azy ireo isaky ny vazan-tany. Ary naka ny tanin'i Siona mpanjakan'i Hesbona sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana ho fananana izy ireo.
\s5
\v 23 Nataonao maro isa tahaka ny kintan'ny lanitra ny zanak'izy ireo, ary nentinao tany amin'ny tany izay nolazainao ny razambeny mba handehanana sy alaina ho fananana izy ireo.
\v 24 Koa niditra ny vahoaka ary naka ny tany ho fananana ary Ianao nandresy ireo mponin'ny tany, dia ireo Kananita teo anatrehan'izy ireo. Nomenao ireo mba ho eo an-tanan'izy ireo, miaraka amin'ny mpanjakan'izy ireo sy ny vahoakan'ny tany, mba hahafahan'i Israely manao izay mahafinaritra azy eo amin'izy ire.
\s5
\v 25 Nambabo ireo tanàna mimanda sy ny tany mamokatra izy ireo, ary nambabo ireo trano feno zava-tsoa, famorian-drano efa voahady, ireo tanim-boaloboka sy tanin'oliva, ary hazo fihinam-boa maro. Ary nihinana sy afa-po sy niha-natavy ary nanao izay nahafaly azy izy ireo nohon'ny fahatsaranao lehibe.
\s5
\v 26 Ary lasa tsy mpankatò izy ireo ary nikomy hanohitra Anao. Natsipin'izy ireo tany an-damosiny ny lalànao. Namono ireo mpaminaninao izay nampitandrina azy mba hiverina aminao izy ireo, ary nanao faniratsirana lehibe izy ireo.
\v 27 Koa natolotrao teny am-pelatanan'ny fahavalony, izay nampijaly azy izy ireo. Tamin'ny fotoana nijaliany, dia nitaraina taminao izy ireo, ary Ianao nandre azy ireo avy any an-danitra, ary nohon'ny famindram-ponao lehibe dia nandefa mpamonjy mba hanavotra azy ireo eo an-tanan'ireo fahavalony Ianao.
\s5
\v 28 Fa rehefa avy nitsahatra izy ireo, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray, ary nandao azy ireo teo an-tanan'ny fahavalony Ianao, noho izany dia nifehy azy ireo ny fahavalony. Kanefa rehefa niverina sy nitaraina taminao izy ireo, dia nandre avy any an-danitra Ianao,
\v 29 ary matetika Ianao no namonjy azy ireo nohon'ny famindram-ponao. Nampitandrina azy ireo ny amin'ny mba hiverenan'izy ireo amin'ny lalànao Ianao. Kanefa niavonavona sy tsy nihaino ny didinao izy ireo. Nanota nanohitra ny fitsipikao izay nanome aina ho an'izay nankatò azy izy ireo. Nanamafy ny hatony sy nampihemotra ny sorony ary nandà tsy hihaino izy ireo.
\s5
\v 30 Fa taona maro no nandeferanao sy nampitandremanao azy ireo tamin'ny alalan'ireo mpaminaninao. Kanefa tsy nihaino izy ireo. Koa dia natolotrao ho eo an-tanan'ireo mponina manodidina izy ireo.
\v 31 Kanefa nohon'ny halehiben'ny famindram-ponao dia tsy nandringana azy tanteraka Ianao, na nahafoy azy ireo, satria Ianao dia Andriamanitra be fahasoavana sy be indrafo.
\s5
\v 32 Ary noho izany, ry Andriamanitray—Ianao lehibe, mahery, ary mahatahotra izay nitandrina ny fanekenao sy ny fitiavanao tsy miovaova—aoka tsy ho kely Aminao izao zava-tsarotra rehetra izay nihatra taminay, tamin'ireo mpanjakanay, tamin'ireo andrian-dahinay, sy tamin'ireo mpisoronay, sy tamin'ireo mpaminaninay, sy tamin'ireo razambenay, ary tamin'ny vahoakanao rehetra hatramin'ny andron'ny mpanjakan'i Asyria ka mandrak'androany izao.
\v 33 Ianao dia marina tamin'izay rehetra nanjo anay, satria Ianao dia nitondra am-pahatokiana, kanefa izahay no nanao fihetsika naneho faharatsiana.
\v 34 Ireo mpanjakanay, ireo andrian-dahinay, ireo mpisoronay, ary ireo razambenay dia tsy nitandrina ny lalànao, na nitandrina ireo didy sy ireo lalàm-panekena izay nampitandremanao azy ireo.
\s5
\v 35 Na dia tamin'ny fanjakan'izy ireo manokana aza, raha nankafy ny soa lehibe nataonao taminy izy ireo, tamin'ny tany malalaka sy mamokatra izay nataonao teo anatrehan'izy ireo, dia tsy mba nanompo Anao izy ireo na niala tamin'ireo fomba ratsiny.
\s5
\v 36 Ankehitriny izahay dia andevo amin'ny tany nomenao ny razambenay mba hankafy ny vokatra sy ny fanomezana tsaran'izany, ary indro, andevo ao amin'izany izahay!
\v 37 Ny mpanan-karena nahazo tombony tamin'ny taninay dia mankany amin'ny mpanjaka izay napetrakao mba hanjaka eo aminay nohon'ny fahotanay. Izy ireo dia manapaka eo amin'ny tenanay sy ny biby fiompinay araka izay tiany. Anaty fahoriana lehibe izahay.
\s5
\v 38 Noho izany rehetra izany, dia manao fanekena an-tsoratra entitra izahay. Ao amin'ny antontan-taratasy voatombo-kase ny anaran'ireo andrian-dahinay, ireo Levita, ary ireo mpisorona."
\s5
\c 10
\p
\v 1 Ao amin'ireo antontan-taratasy voatombo-kase i Nehemia, governora, zanaka lahin'i Hakalia Zedekia,
\v 2 Seraia, Azaria, Jeremia,
\v 3 Pasora, Amaria, Malkia,
\s5
\v 4 Hatosy, Sebania, Maloka,
\v 5 Harima, Meremota, Obadia,
\v 6 Daniela, Ginetona, Baroka,
\v 7 Mesolama, Abia, Miamina,
\v 8 Mazia, Bilgay, ary Semaia. Ireo no mpisorona.
\s5
\v 9 Ireo Levita dia: Jesoa zanaka lahin'i Azania, Binoy avy amin'ny fianakavian'i Henadada, Kadmiela,
\v 10 ary ireo Levita namany dia i Sebania, Hodia, Kelita, Pelaia, Hanana,
\v 11 Mika, Rehoba, Hasabia,
\v 12 Zakora, Serebia, Sebania,
\v 13 Hodia, Bany ary Benino.
\v 14 Ireo mpitarika ny olona dia: Parosy, Pahata-moaba, Elama, Zato, Bany,
\s5
\v 15 Bony, Azgada, Bebay,
\v 16 Adonia, Bigvay, Adina,
\v 17 Atera, Hezekia, Azora,
\v 18 Hodia, Hasoma, Bezay,
\v 19 Harifa, Anatota, Nebay,
\v 20 Magpiasy, Mesolama, Hezira,
\v 21 Mesezabela, Zadoka, Jadoa,
\s5
\v 22 Pelatia, Hanana, Anaia,
\v 23 Hosea, Hanania, Hasoba,
\v 24 Halohesy, Pila, Sobeka,
\v 25 Rehoma, Hasabna, Mahaseia,
\v 26 Ahia, Hanana, Anana,
\v 27 Maloka, Harima, ary Bana.
\s5
\v 28 Fa ny olona sisa, izay mpisorona, Levita, mpiandry vavahady, mpihira, mpanompon'ny tempoly, sy ny rehetra izay nanasaraka ny tenany tamin'ireo olona teo amin'ny tany manodidina sy nanokan-tena ho an'ny lalàn'Andriamanitra, anisan'izany ireo vadiny, ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy, ireo rehetra manam-pahalalana sy fahazavan-tsaina,
\v 29 niara-nitambatra tamin'ireo rahalahiny, ireo olona ambony izy ireo, ary namatotra ny tenany tamin'ny ozona sy ny fianianana ny handeha amin'ny lalàn'Andriamanitra, izay nomen'i Mosesy mpanompon'Andriamanitra, ary mba handinika sy hankato ny didin'i Yaveh Tompontsika sy ny fitsipiny ary ireo lalàny rehetra.
\s5
\v 30 Nianiana izahay fa tsy hanome ny zanakay vavy ho an'ny mponin'ny tany na haka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakay lahy.
\v 31 Nianiana ihany koa izahay fa raha mitondra entam-barotra na mety ho vary hamidy ireo mponin'ny tany amin'ny andro Sabata, dia tsy hividy amin'izy ireo amin'ny andro Sabata na amin'izay andro masina izahay. Isaky ny fito taona no hampakanay aina ny taninay, ary ho foananay ireo trosa rehetra izay nifanarahanay tamin'ireo Jiosy hafa.
\s5
\v 32 Ekenay ny fandidiana ny hanomezana ny ampahatelon-tsekely isan-taona ho an'ny fanompoana ny tranon'ny Andriamanitray,
\v 33 ho famatsiana ho an'ny mofon'ny fanatrehana, sy ho an'ny fanatitra hohanina tsy tapaka, ny fanatitra dorana amin'ny andro Sabata, ireo fetin'ny voaloham-bolana sy ireo andro firavoravoana voatondro, sy ho an'ireo fanatitra masina, sy ho an'ireo fanatitra nohon'ny fahotana ho fanavotana ho an'ny Israely, mbamin'izay rehetra asa ho an'ny tranon'ny Andriamanitray.
\s5
\v 34 Nanao filokana ho an'ny fanatitra kitay ireo mpisorona, ireo Levita, sy ny vahoaka. Ireo filokana no hifidy ny amin'izay fianakavianay hitondra ny kitay ho ao an-tranon'ny Andriamanitray amin'ny fotoana voatondro isan-taona, mba ho dorana eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitray, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna.
\v 35 Nianiana ny hitondra ireo voaloham-bokatra izay maniry avy amin'ny taninay, sy ireo voaloham-bokatry ny hazo rehetra isan-taona ao an-tranon'i Yaveh izahay.
\v 36 Araka izay voasoratra ao amin'ny lalàna, nianiana ny hitondra ny voalohan-terak'ireo zanakay lahy sy ireo omby sy ny ondry aman'osinay ao an-tranon'Andriamanitra sy ho eo amin'ireo mpisorona izay manompo ao izaha.
\s5
\v 37 Ho entinay ny voalohan-kobanay sy ny fanatitra hohanina, ary ny voan'ny hazo rehetra, sy ny divay vaovao ary ny diloilo izay entina eo amin'ireo mpisorona, ho any amin'ny efitra fitehirizan'ny tranon'ny Andriamanitray. Ho entinay eo amin'ireo Levita ireo ampahafolon'ny avy amin'ny taninay satria ireo Levita dia manangona ny ampahafolon-karena eo amin'ireo renivohitra rehetra izay hiasanay.
\v 38 Tsy maintsy misy mpisorona, taranak'i Arona miaraka amin'ireo Levita rehefa mandray ny ampahafolon-karena izy ireo. Ireo Levita dia tsy maintsy mitondra ny ampahafolo amin'ny ampahafolon-karena ho ao amin'ny tranon'ny Andriamanitray ho any amin'ny efitra fitehirizan'ny fandatsahan-drakitra.
\s5
\v 39 Ny olon'Israely sy ireo taranak'i Levy no mitondra ireo fandraisana anjara amin'ny vary, divay vaovao, ary diloilo any amin'ny efitra fitehirizana izay hitehirizana ny zavatra masina sy izay hanompoan'ny mpisorona, sy ireo mpiandry vavahady, ary hitoeran'ireo mpihira. Tsy ho ataonay antsirambina ny tranon'ny Andriamanitray.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Nitoetra tany Jerosalema ireo mpitarika ny vahoaka, ary ny vahoaka ambiny dia nanao filokana mba hitondrana ny iray amin'ireo folo hitoetra any Jerosalema, ilay tanàna masina, ary ireo sivy hafa nitoetra tany amin'ireo tanàna hafa.
\v 2 Avy eo ny vahoaka nitso-drano ireo rehetra izay nanolo-tena an-tsitrapo ny honina any Jerosalema.
\s5
\v 3 Ireo dia manam-boninahitry ny faritany izay nipetraka tany Jerosalema. Kanefa, dia nitoetra tany amin'ny taniny avy ny olona tany amin'ny tanàn'ny Joda, anisan'izany ny sasany amin'ireo Israelita, ireo mpisorona, ireo Levita, ireo mpanompon'ny tempoly, ary ireo taranaky ny mpanompon'i Solomona.
\v 4 Tany Jerosalema no nitoeran'ny sasany tamin'ireo taranak'i Joda sy ireo taranak'i Benjamina. Ireo vahoaka avy amin'ny taranak'i Joda dia ahitana an'i: Ataia zanaka lahin'i Ozia zanaka lahin'i Zakaria zanaka lahin'i Amaria zanaka lahin'i Sefatia zanaka lahin'i Mahalila, ilay taranak'i Fareza.
\s5
\v 5 Tao i Maseia zanaka lahin'i Baroka zanaka lahin'i Kola Azeha zanaka lahin'i Hazaia zanaka lahin'i Adaia zanaka lahin'i Joiariba zanaka lahin'i Zakaria, zanaka lahin'ny Silonita.
\v 6 Ireo zanaka lahin'i Fareza rehetra izay nitoetra tany Jerosalema dia 468. Izy ireo dia lehilahy miavaka.
\s5
\v 7 Ireto avy ireo taranak'i Benjamina: Salo zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Joeda zanaka lahin'i Pedaia zanaka lahin'i Kolaia zanaka lahin'i Maseia zanaka lahin'i Itiela zanaka lahin'i Jesaia,
\v 8 ary ireo manaraka azy, dia Gabay sy Salay, lehilahy 928.
\f + \ft Fanamarihana: raha tokony ho: "ireo izay manaraka azy", izay ao amin'ny dikan-teny Hebreo sy ny dikan-teny hafa taloha, ireo dikan-teny hafa taloha dia mivaky toy izao: "Ireo rahalahiny" \f*
\v 9 Joela zanaka lahin'i Zisria no mpiandraikitr'izy ireo, ary Joda zanaka lahin'i Hasenoa dia faharoa amin'ny fibaikona eo amin'ny tanàna.
\s5
\v 10 Avy amin'ireo mpisorona: Jedaia zanaka lahin'i Joariba, Jakina,
\v 11 Seraia zanaka lahin'i Hilkia, zanaka lahin'i Mesolama zanaka lahin'i Zadoka zanaka lahin'i Meraiota zanaka lahin'i Ahitoba, lehiben'ny manam-pahefan'ny tranon'Andriamanitra,
\v 12 ary ireo rahalahin'izy ireo izay nanao ny asa ao amin'ny trano, lehilahy 822, miaraka Adaia zanaka lahin'i Jeroama zanaka lahin'i Pelaia zanaka lahin'i Amzi zanaka lahin'i Zakaria zanaka lahin'i Pasora zanaka lahin'i Malkia.
\s5
\v 13 Ireo rahalahiny dia ireo lohan'ireo foko, lehilahy 242; Amasay zanaka lahin'i Azarela zanaka lahin'i Ahazay zanaka lahin'i Mesilemota zanaka lahin'i Imera,
\v 14 ary ireo rahalahiny, lehilahy mahery fo amin'ny ady 128; ireo mpiandraikiny dia i Zabdiela zanaka lahin'i Hagedolima.
\s5
\v 15 Avy amin'ireo Levita dia: i Semaia zanaka lahin'i Hasoba zanaka lahin'i Azrikama zanaka lahin'i Hasabia zanaka lahin'i Bony,
\v 16 ary Sabetay sy Jozabada, izay avy tamin'ny mpitarik'ireo Levita, izay misahana ny asa ivelan'ny tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 17 Ary Matania zanaka lahin'i Mika zanaka lahin'i Zabdy, ilay taranak'i Asafa, ilay lehibe izay nanomboka ny fanoloram-pisaorana tamin'ny vavaka, ary Bakbokia, faharoa amin'ireo rahalahiny, ary Abda zanaka lahin'i Samoa zanaka lahin'i Galala zanaka lahin'i Jedotona.
\v 18 Ny Levita rehetra tao amin'ny tanàna masina dia niisa 284.
\s5
\v 19 Ireo mpiambina vavahady dia: i Akoba, Talmona, ary ireo namany, izay nanara-maso ireo vavahady, lehilahy 172.
\v 20 Ny Israely ambiny sy ireo mpisorona ary ireo Levita izay tao amin'ireo tanànan'i Joda rehetra. Ny tsirairay nitoetra tao amin'ny lovan-taniny avy.
\v 21 Ireo mpiasan'ny tempoly nitoetra tany Ofela, ary Ziha sy Gispa nisahana azy ireo.
\s5
\v 22 Ny lehiben'ny manam-boninahitra teo amin'ireo Levita tany Jerosalema dia i Ozy zanaka lahin'i Bany zanaka lahin'i Hasabiaha zanaka lahin'i Mataniaha zanaka lahin'i Mika, tamin'ny taranak'i Asafa, mpihira tamin'ny asa tao amin'ny tranon'Andriamanitra.
\v 23 Teo ambanin'ny baiko avy amin'ny mpanjaka izy ireo, ary ireo baiko entitra no nomena ireo mpihira araka ny notakiana isan'andro.
\v 24 Avy eo Petaia zanaka lahin'i Mesezabela, taranak'i Zera zanaka lahin'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka tamin'ireo zavatra rehetra mahakasika ny vahoaka.
\s5
\v 25 Raha ireo tanàna sy ireo sahan'izy ireo, ny sasany tamin'ny vahoakan'i Joda dia nitoetra tany Kiriata-Arba sy ireo tanànany, ary tany Dibona sy ireo tanànany, ary tany Jekabzela sy ireo tanànany,
\v 26 ary tany Jesoa, Molada, Beti-Paleta,
\v 27 Hazarasoala, ary Biry-seba sy ireo tanànany.
\s5
\v 28 Ny sasany tamin'ireo vahoakan'i Joda dia nitoetra tany Ziklagy, Mekona sy ireo tanànany,
\v 29 Enrimona, Zora, Jarmota,
\v 30 Zanoa, Adolama, sy ny tanàn'ireo, ary tany Lakisa sahany ary Azeka sy ireo tanànany. Ka dia nitoertra avy tany Beri-sheba ka hatrany amin'ny lohasahan'i Hinoma izy ireo.
\v 31 Nitoetra teo alohan'i Geba ihany koa ireo vahoakan'i Benjamina, tany Mikmasy sy Aia, tany Betela sy ireo tanànany,
\v 32 tany Anatota, Noba, Anania,
\v 33 Hazora, Rama, Gitaima,
\v 34 Hadida, Jeboima, Nebala,
\v 35 Loda, ary Ono, ary ny lohasahan'ireo mpanao asa tanana.
\v 36 Ny sasany amin'ireo Levita izay nitoetra tany Joda dia notendrena tamin'ny vahoakan'i Benjamina.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ireto avy ireo mpisorona sy ireo Levita izay niakatra niaraka tamin'i Zerobabela zanaka lahin'i Sealtiela sy niaraka tamin'i Jesoa: Seraia, Jeremia, Ezra,
\v 2 Amaria, Maloka, Hatosy,
\v 3 Sekania, Rehoma, ary Meremota.
\s5
\v 4 Nisy an' i Ido, Ginetoy, Abia,
\v 5 Miamina, Madia, Bilga,
\v 6 Semaia, Joiariba, Jedaia,
\v 7 Salo, Amoka, Hilkia, Jedaia. Ireo no mpitarika ireo mpisorona sy ireo mpiara-miasa amin'izy ireo tamin'ny andron'i Jesoa.
\s5
\v 8 Ireo Levita dia Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda, ary Matania, izay nisahana ny hira fanomezam-pisaorana, miaraka amin'ireo mpiara-miasa aminy.
\v 9 Bakbokia sy Ono, ireo mpiara-miasa aminy, dia nijoro nanandrify azy ireo nandritra ny asa fanompoana.
\s5
\v 10 Jesoa no rain'i Joiakima, Joiakima niteraka an'i Eliasiba, Eliasiba niteraka an'i Joiada,
\v 11 Joiada niteraka an'i Jonatana, Jonatana niteraka an'i Jadoa.
\s5
\v 12 Tamin'ny andron'i Joiakima dia ireto avy no mpisorona, lohan'ireo fianakaviana: Meraia lohan'i Seraia, Hanania lohan'i Jeremia,
\v 13 Mesolama lohan'i Ezra, Johanana lohan'i Amaria,
\v 14 Jonatana lohan'i Meliko, ary Josefa lohan'i Sebania.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny vaovao maro, anisan'izany ny ULB sy UDB, dia misy hoe "Meliko" ao amin'ny lahatsoratra Hebreo. Ny tena endrik'io anarana io dia hita ao amin'ny Neh. 12:2. \f*
\s5
\v 15 Adna no lohan'i Harima, Helkay no lohan'i Meraiota,
\v 16 Zakaria no lohan'i Ido, Mesolama no lohan'i Ginetona, ary
\v 17 Zikry no lohan'i Abia... an'i Miniamina. Piltahy no lohan'i Moadia.
\f + \ft Fanamarihana: Ny teny hoe"... avy any Miniamina" dia tsy feno satria tsy nisy lohan'izany fianakaviana izany voatonona anarana tao amin'ny lahatsoratra Hebreo. \f*
\v 18 Samoa no lohan'i Bilga, Jonatana no lohan'i Semaia,
\v 19 Matenay no lohan'i Joariba, Ozy no lohan'i Jedaia,
\v 20 Kalay no lohan'i Salay, Ebera no lohan'i Amoka,
\v 21 Hasabia no lohan'i Hilkia, ary Netanela no lohan'i Jedaia.
\s5
\v 22 Tamin'ny andron'i Eliasiba, ireo Levita Eliasiba, Joiada, Johanana, ary Jadoa no noraketina an-tsoratra ho loham-pianakaviana, ary ireo mpisorona no noraketina an-tsoratra nandritra ny fanjakan'i Dariosy ilay Persiana.
\v 23 Ireo taranak'i Levy, ireo lohan'ny fianakaviany dia voarakitra an-tsoratra tao amin'ny bokin'ny tantara hatramin'ny andron'i Johanana zanaka lahin'i Eliasiba.
\s5
\v 24 Ireo lohan'ireo Levita dia Hasabia, Serebia, Jesoa zanaka lahin'i Kadmiela, niaraka tamin'ny mpiara-miasa amin'izy ireo, izay nijoro nanatrika azy ireo mba hanome fiderana sy hanome fisaorana, mifamaly ny isam-paritra, ho fankatoavana ny didin'i Davida, ilay lehilahin'Andriamanitra.
\v 25 Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona, ary Akoba no mpiandry vavahady niambina teo amin'ny trano fitehirizana teo am-bavahady.
\v 26 Nanompo tamin'ny andron'i Joiakima zanaka lahin'i Jesoa zanak'i Jozadaka, ary tamin'ny andron'i Nehemia ilay governora sy tamin'i Ezra mpisorona sy mpanora-dalàna izy ireo.
\s5
\v 27 Tamin'ny fanokanana ny mandan'i Jerosalema, dia nitady ireo Levita tamin'izay rehetra nipetrahan'izy ireo ny vahoaka, hitondra azy ireo any Jerosalema mba hankalaza ny fanokanana am-pifaliana, amin'ny fanoloram-pisaorana ary hihira amin'ny kipantsona, valiha, ary amin'ny lokanga.
\v 28 Ireo mpiara-mihira dia niara-nivory isan-tokony nanodidina an'i Jerosalema sy avy amin'ireo tanàna any Netofatita.
\s5
\v 29 Avy any Beti-gilgala ihany koa izy ireo ary avy any amin'ireo sahan'i Geba ary Azmaveta, fa ireo mpihira dia efa nanamboatra zana-bohitra nanodidina an'i Jerosalema ho azy ireo.
\v 30 Avy eo ireo mpisorona sy ireo Levita dia nanadio ny tenan'izy ireo, ary avy eo nanadio ny vahoaka, ireo vavahady, ary ny manda.
\s5
\v 31 Ary nampiakariko teny an-tampon'ny manda ireo lohan'i Joda, ary nanendry antokom-pihira lehibe roa izay nanome fisaorana aho. Ny iray dia nandeha tany ankavanan'ny manda nankeo amin'ny Vavahadin-Jezika.
\s5
\v 32 Hosaia sy ny antsasaky ny mpitarik'i Joda nanaraka azy ireo,
\v 33 ary nanaraka azy ireo i Azaria, Ezra, Mesolama,
\v 34 Joda, Benjamina, Semaia, Jeremia,
\v 35 sy ny sasany tamin'ireo zanaka lahin'ny mpisorona niaraka tamin'ny trompetra, ary Zakaria zanaka lahin'i Jonatana zanak'i Semaia zanak'i Matania zanak'i Mikaia zanak'i Zakora zanak'i Asafa.
\s5
\v 36 Nisy an'ireo havan'i Zakaria ihany koa, dia Semaia, Azarela, Milalay, Gilalay, May, Netanela, Joda, Hanany, niaraka tamin'ireo zava-manenon'i Davida ilay lehilahin'Andriamanitra. Ezra mpanora-dalàna dia teo anoloan'izy ireo.
\v 37 Teo akaikin'ny Vavahadin-Doharano no niakatra nahitsy tamin'ny tohatra tao amin'ny tanànan'i Davida, tamin'ny zana-tohatra mankany amin'ny manda ambonin'ny lapan'i Davida, tany amin'ny Vavahadin-Drano eo atsinanana izy ireo.
\s5
\v 38 Nandeha tamin'ny lalan-kafa ny antoko mpihiran'ireo izay nanome fisaorana. Nanaraka azy ireo teo amin'ny manda niaraka tamin'ny antsasaky ny vahoaka aho, ary teo ambonin'ny Tilikambon'ny Fatana, teo amin'ny Manda Lehibe,
\v 39 ary ambonin'ny Vavahadin'i Efraima, ary teo amin'ny Vavahady Taloha, ary teo amin'ny Vavahadin'ny Hazan-drano ary ny Tilikambon'i Hananela sy ny Tilikambon-Jato, teo amin'ny Vavahadin'ny Ondry, ary nijanona teo am-Bavahadin'ny Mpiambina izy ireo.
\s5
\v 40 Koa naka ny toeran'izy ireo tao an-tranon'Andriamanitra ireo antokom-pihira roan'ireo izay nanome fisaorana, ary naka ny toerako niaraka tamin'ny antsasaky ny manam-pahefana niaraka tamiko ihany koa aho.
\v 41 Avy eo dia naka ny toerany ireo mpisorona: Eliakima, Mahaseia, Miniamina, Mikaia, Elioenay, Zakaria, ary Hanania, mbamin'ireo trompetra,
\v 42 sy Mahaseia, Semaia, Eleazara, Ozy, Johanana, Malkia, Elama, sy Ezera ihany koa, ary ireo mpihira nanao izay handrenesana azy ireo ary Jizrahia no mpitarika azy ireo.
\s5
\v 43 Nanolotra sorona lehibe izy ireo tamin'izany andro izany, ary niravo, satria Andriamanitra nampiravo azy ireo tamim-pifaliana lehibe. Ireo vehivavy sy ankizy ihany koa dia nifaly. Koa re avy lavitra ny fifalian'i Jerosalema.
\s5
\v 44 Tamin'izany andro izany dia nisy ireo lehilahy notendrena hisahana ny trano fitehirizan-drakitra, ireo voaloham-bokatra, ary ny ampahafolon-karena, mba hanangona ny anjara takian'ny lalàna ho an'ireo mpisorona sy ho an'ireo Levita ao amin'ireo. Ny tsirairay dia notendrena mba hiasa ireo saha akaikin'ny renivohitra. Satria nifaly tamin'ireo mpisorona sy ireo Levita izay nijoro teo anoloan'izy ireo i Joda.
\v 45 Nanatanteraka ny asa ho an'ny Andriamanitr'izy ireo, sy ny asa fanadiovana izy ireo, nanao tahaka izany koa ireo mpihira sy ireo mpiandry vavahady, tamim-pitandremana ny didin'i Davida sy Solomona zanany lahy.
\s5
\v 46 Fa taloha ela be, tamin'ny andron'i Davida sy Asafa, dia nisy mpitarika ireo mpihira, ary nisy hira fiderana sy fanomezam-pisaorana ho an'Andriamanitra.
\v 47 Tamin'ny andron'i Zerobabela sy tamin'ny andron'i Nehemia, dia nanome ny anjara isan'andro ho an'ireo mpihira sy mpiandry vavahady ireo Israely rehetra. Natokan'izy ireo ny anjara izay ho an'ireo Levita, ary ireo Levita nanokana anjara ho an'ireo taranak'i Arona.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany dia novakian'izy ireo teo an-tsofin'ny vahoaka ny Bokin'i Mosesy. Hita voasoratra tao amin'izany fa tsy misy Amonita na Moabita tokony hiditra ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra, mandrakizay.
\v 2 Izany dia satria tsy tonga teo amin'ny zanak'Israely niaraka tamin'ny mofo sy rano izy ireo, fa nanakarama an'i Balama mba hanozona ny Israely izy ireo. Na dia izany aza, navadiky ny Andriamanitsika ho fitahiana ny ozona.
\v 3 Raha vao nandre ny lalàna izy ireo, dia nosarahan'izy ireo tamin'Israely ny olona hafa firenena rehetra.
\s5
\v 4 Ary talohan'izany io Eliasiba mpisorona io dia voatendry ho ao amin'ireo trano fitehirizan'ny tranon'ny Andriamanitsika. Izy dia nanana fifandraisana tamin'i Tobia.
\v 5 Nikarakara efitrano fitehirizana lehibe ho an'i Tobia i Eliasiba, izay nitehirizan'izy ireo ny fanatitra hohanina, ny ditin-kazo manitra, ireo kojakoja, sy ireo ampahafolom-bokatra, divay vaovao, ary ny diloilo, izay voatokana ho an'ireo Levita, ireo mpihira, ny mpiandry vavahady, ary ireo anjara ho an'ireo mpisorona tany aloha.
\s5
\v 6 Kanefa tamin'izany fotoana rehetra izany dia tsy tao Jerosalema aho. Fa nandeha tany amin'ny mpanjaka aho tamin'ny faharoa amby telopolo taona nanjakan'i Artaksersesy mpanjakan'i Babylona. Fotoana vitsy taorian'izay dia nangataka alalana handao ny mpanjaka aho,
\v 7 ka niverina tany Jerosalema. Fantatro mantsy ny ratsy izay efa nataon'i Eliasiba tamin'ny nanomezany an'i Tobia efitrano fitehirizana lehibe tao an-kianjan'ny tranon'Andriamanitra.
\s5
\v 8 Tezitra mafy aho ka navoakako teo ivelan'ny efitrano fitehirizana avokoa ireo entan'ny fianakavian'i Tobia rehetra.
\v 9 Nandidy ny hanadiovan'izy ireo ireo efitrano fitehirizana aho, ary naveriko tao amin'ireny ireo entan'ny tranon'Andriamanitra, ireo fanatitra hohanina, ary ny ditin-kazo manitra.
\s5
\v 10 Fantatro fa mbola tsy nomena azy ireo ny anjaran'ireo Levita, ka nitsoaka izy ireo, samy nankany amin'ny taniny avy, ireo Levita sy ireo mpihira izay nanao ny asa.
\v 11 Koa nifanatrika tamin'ireo manam-boninahitra aho ka nanao hoe: "Nahoana no notsinontsinoavina ny tranon'Andriamanitra?" Nangoniko niaraka ary napetrako tamin'ny toerany ireo.
\s5
\v 12 Avy eo dia nitondra ny ampahafolom-bokatra, ny divay vaovao, ary ny diloilo ho an'ny efitrano fitehirizana ny Joda rehetra.
\v 13 Nanendry an'i Selemia mpisorona sy Zadoka mpanora-dalàna, ary tamin'ireo Levita, Pedaia, ho mpitam-bolan'ny trano fitehirizan'Andriamanitra aho. Teo anilan'izy ireo i Hanana zanaka lahin'i Zakora zanaka lahin'i Matania, fa izy ireo no voalaza ho mendri-pitokisana. Ny adidin'izy ireo dia ny mizara ireo vatsy ho an'ireo mpiara-miasa amin'izy ireo.
\v 14 Tsarovy aho, ry Andriamanitro, mahakasika izany, ary aza fafàna ireo asa tsara izay efa nataoko ho an'ny tranon'Andriamanitra sy ireo fanompoana izany.
\s5
\v 15 Ary tamin'izany andro izany dia nahita ireo vahoaka tao Joda nanosihosy famiazam-boaloboka tamin'ny Sabata ary nitondra salohim-bary ka nampitondra ireny tamin'ny borikiny, ary koa divay, voaloboka, aviavy, ary ireo karazan-javatra mavesatra rehetra, izay nentin'izy ireo tao Jerosalema tamin'ny andro Sabata aho. Nanohitra mafy ny nivarotan'izy ireo hanina tamin'izany andro izany aho.
\s5
\v 16 Ireo lehilahy avy tany Tyro nipetraka tao Jerosalema dia nitondra hazandrano sy entam-barotra samihafa, ary novarotan'izy ireo tamin'ny andro Sabata tamin'ny vahoakan'i Joda sy tao amin'ny tanàna ireny!
\v 17 Ary nifanatrika tamin'ireo mpitarik'i Joda aho hoe: "Inona izao zava-dratsy ataonareo, mandoto ny andro Sabata izao?
\v 18 Moa nanao izao ve ireo razanareo? Moa tsy Andriamanitra ve no nitondra izao ratsy rehetra izao tamintsika sy tamin'ity tanàna ity? Ankehitriny ianareo dia mitondra fahatezerana bebe kokoa amin'Israely tamin'ny fandotoana ny Sabata."
\s5
\v 19 Raha vantany vao maizina teo amin'ny vavahadin'i Jerosalema talohan'ny Sabata, dia nandidy ny hikatonan'ireo varavarana sy ny tsy tokony hisokafan'ireny intsony hatramin'ny aorian'ny Sabata aho. Nametraka ny sasany tamin'ireo mpanompoko teo amin'ireo vavahady aho mba tsy hisian'ny entana ho afaka entina miditra amin'ny andro Sabata.
\v 20 Nitoby tany ivelan'i Jerosalema indray mandeha na indroa ireo mpandranto sy mpivarotra karazan'entana rehetra.
\s5
\v 21 Nefa izaho nampitandrina azy ireo hoe: "Nahoana ianareo no mitoby ivelan'ny manda? Raha mbola mamerina izany ianareo, dia hikasi-tanana anareo aho!" Nanomboka tamin'izany fotoana izany dia tsy tonga tamin'ny andro Sabata intsony izy ireo.
\v 22 Avy eo nandidy ireo Levita aho mba hanadio ny tenan'izy ireo, ary ho tonga hiambina ireo vavahady, mba hanamasina ny andro Sabata. Tsarovy ihany koa aho ny amin'izany, ry Andriamanitro, ary mamindrà fo amiko nohon'ny tsy fivadiham-panekena anananao amiko.
\s5
\v 23 Tamin'izany andro izany dia nahita ireo Jiosy izay nanambady ireo vehivavin'i Asdoda, Amona, ary Moaba ihany koa aho.
\v 24 Niteny tamin'ny fitenin'i Asdoda ny antsasaky ny taranak'izy ireo. Tsy nisy tamin'izy ireo nahay niteny ny fitenin'ny Joda, fa ny fitenin'ny iray amin'ireo olona hafa irery ihany.
\s5
\v 25 Nifanatrika tamin'izy ireo aho, ka nanozona azy ireo, ary namely ny sasany tamin'izy ireo sy nandrirotra ny volon'izy ireo. Nampianiana azy ireo tamin'Andriamanitra aho, nanao hoe: "Ianareo dia tsy tokony hanome ny zanaka vavinareo ho an'ireo zanaka lahin'izy ireny, na haka ny zanaka vavin'izy ireny ho an'ny zanaka lahinareo, na ho anareo.
\v 26 Moa tsy nanota tamin'ireo vehivavy ireo ve i Solomona mpanjakan'Israely? Tsy nisy mpanjaka toa azy tamin'ireo firenena maro, ka tian'ny Andriamaniny izy, ary Andriamanitra nanao azy ho mpanjaka nanerana ny Israely rehetra. Na dia izany aza, nampanotain'ireo vadiny hafa firenena izy.
\v 27 Moa ve tokony hihaino anao izahay ka hanao izany ratsy lehibe izany, ka mivadika amin'ny Andriamanitsika amin'ny fakàna vehivavy hafa firenena ho vady?"
\s5
\v 28 Iray amin'ireo zanaka lahin'i Joiada zanaka lahin'i Eliasiba mpisoronabe dia vinanto lahin'i Sanbala Horonita. Noho izany dia nampandosiriko tamin'ny fanatrehako izy.
\v 29 Tsarovy izy ireny, ry Andriamanitro, satria efa nandoto ny fisoronana, sy ny faneken'ny fisoronana ary ireo Levita.
\s5
\v 30 Toy izany no nandiovako azy ireny tamin'ny zava-drehetra hafa firenena, ka nametraka ireo adidin'ireo mpisorona sy ireo Levita, ny tsirairay ho samy amin'ny asany avy.
\v 31 Namatsy tamin'ny fotoana voatondro ny fanatitra kitay sy ireo voaloham-bokatra aho. Tsarovy amin'ny tsara aho, ry Andriamanitro.