plt_ulb/11-1KI.usfm

1589 lines
149 KiB
Plaintext

\id 1KI
\ide UTF-8
\h Mpanjaka 1
\toc1 Mpanjaka 1
\toc2 Mpanjaka 1
\toc3 1ki
\mt Mpanjaka 1
\s5
\c 1
\p
\v 1 Rehefa tena antitra i Davida Mpanjaka, dia norakofan'izy ireo tamin'ny bodofotsy izy, kanefa tsy nety nahazo hafanana.
\v 2 Ka hoy ireo mpanompony taminy: "Aoka isika hitady tovovavy virijiny ho an'ny mpanjaka tompontsika. Aoka izy hanompo ny mpanjaka sy hikarakara azy. Aoka izy handry eo an-tsandriny mba hanafana ny mpanjaka tompontsika."
\s5
\v 3 Dia nitady zazavavy tsara tarehy eran'ny fari-tanin'Israely izy ireo. Nahita an'i Abisaga Sonemita izy ireo ka nitondra azy tany amin'ny mpanjaka.
\v 4 Tena tsara tarehy tokoa ilay zazavavy. Nanompo ny mpanjaka sy nikarakara azy izy, nefa tsy niray ara-nofo taminy ny mpanjaka.
\s5
\v 5 Tamin'izany fotoana izany, i Adonia zanaka lahin'i Hagita dia nanandratra ny tenany, nanao hoe: "Izaho no ho mpanjaka." Ka nanomana kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niaraka tamin'ny dimampolo lahy mba handeha hialoha lalana azy izy.
\v 6 Ny rainy dia tsy mbola nanakorotan-tsaina azy, nanao hoe: "Nahoana ianao no nanao izao na izao?" I Adonia dia lehilahy tena tsara tarehy, teraka nanarakaraka an'i Absaloma.
\s5
\v 7 Nifampiresaka tamin'i Joaba zanak'i Zeroia sy tamin'i Abiatara mpisorona izy. Nanaraka an'i Adonia izy ireo ka nanampy azy.
\v 8 Fa Zadoka mpisorona, sy Benaia zanak'i Joiada, sy Natana mpaminany, Simey, Rey, ary ny lehilahy mahery izay an'i Davida kosa dia tsy mba nanaraka an'i Adonia.
\s5
\v 9 Ary Adonia nanao sorona ondry aman'osy, omby ary zanak'omby mifahy teo akaikin'ny vaton'i Zoheleta, izay eo anilan'i En-rogela. Nasainy avokoa ny rahalahiny rehetra, ireo zanaka lahin'ny mpanjaka, ary ny lehilahin'i Joda rehetra, sy ireo mpanompon'ny mpanjaka.
\v 10 Saingy tsy nanasa an'i Natana mpaminany, sy Benaia ary ireo lehilahy mahery, na i Solomona rahalahiny izy.
\s5
\v 11 Ary Natana niteny tamin'i Batseba renin'i Solomona, nanao hoe: "Mbola tsy renao ve fa lasa mpanjaka i Adonia zanaka lahin'i Hagita, ary tsy mahafantatra izany i Davida tompontsika?
\v 12 Noho izany dia avelao aho hanoro hevitra anao izao, mba hamonjenao ny ainao sy ny ain'i Solomona zanaka lahinao.
\s5
\v 13 Mandehana mankany amin'i Davida mpanjaka; lazao aminy hoe: 'Ry mpanjaka tompoko, moa ve ianao tsy nianiana tamin'ny mpanomponao, nanao hoe: "Azo antoka tokoa fa i Solomona zanakao lahy no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy?" Koa nahoana no Adonia no manjaka?'
\v 14 Raha mbola miresaka amin'ny mpanjaka eny ianao, dia ho avy ao aorianao aho ary hanamafy ireo teninao."
\s5
\v 15 Ka nankao amin'ny efitranon'ny mpanjaka i Batseba. Efa tena antitra ny mpanjaka, ary Abisaga Sonemita no nanompo ny mpanjaka.
\v 16 Nanondrika ny tenany sy nandohalika teo anatrehan'ny mpanjaka i Batseba. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Inona no irianao?"
\v 17 Dia hoy izy taminy: "Ry Tompoko, ianao nianiana tamin'ny mpanomponao tamin'ny alalan'i Yaveh Andriamanitrao, nilaza hoe: 'Azo antoka tokoa fa i Solomona zanaka lahinao no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eto amin'ny seza fiandrianako izy.'
\s5
\v 18 Ankehitriny, indro, Adonia no mpanjaka, ary ianao, ry mpanjaka tompoko, dia tsy mahafantatra izany.
\v 19 Nanao sorona omby, zanak'omby mifahy, sy ondry aman'osy maro dia maro izy, ary nanasa ireo zanaka lahin'ny mpanjaka rehetra, Abiatara mpisorona, ary Joaba kapitenin'ny tafika, kanefa tsy nanasa an'i Solomona mpanomponao izy.
\s5
\v 20 Fa raha ny aminao, ry mpanjaka tompoko, ny mason'ny Israely rehetra dia eo aminao, miandry anao mba hilaza amin'izy ireo hoe iza no hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana handimby anao, ry tompoko.
\v 21 Fa raha tsy izany, dia heverina ho tahaka ny mpanao meloka izaho sy Solomona zanako, rehefa hodimandry miaraka amin'ireo razany ny mpanjaka tompoko."
\s5
\v 22 Ary raha mbola niresaka tamin'ny mpanjaka izy, dia niditra i Natana mpaminany.
\v 23 Ireo mpanompo niteny tamin'ny mpanjaka hoe: "Io i Natana mpaminany." Rehefa nandroso teo anoloan'ny mpanjaka izy, dia nampiankohoka ny tenany teo anatrehan'ny mpanjaka no sady nihohoka tamin'ny tany ny tavany.
\s5
\v 24 Hoy i Natana: "Ry mpanjaka tompoko, nilaza ve ianao hoe: 'I Adonia no hanjaka handimby ahy, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy?'
\v 25 Satria nandeha nidina izy androany ary nanao sorona omby, sy zanak'omby mifahy, ary ondry aman'osy maro dia maro, sy nanasa ny zanaky ny mpanjaka rehetra, ireo kapitenin'ny tafika, ary Abiatara mpisorona. Mihinana sy misotro eo anoloany izy ireo, ka miteny hoe: "Ho ela velona anie i Adonia mpanjaka!"
\s5
\v 26 Fa izaho, mpanomponao, sy Zadoka mpisorona, Benaia zanaka lahin'i Joiada, ary Solomona mpanomponao, dia tsy nasainy izahay.
\v 27 Dia nanao izany ka tsy niteny taminay, mpanomponao, izay tokony hipetraka eo amin'ny seza fiandrianana handimby azy ve ny mpanjaka tompoko?"
\s5
\v 28 Dia namaly i Davida mpanjaka ka nanao hoe: "Antsoy hiverina eto amiko i Batseba." Dia niditra teo anatrehan'ny mpanjaka izy ary nitsangana teo anoloan'ny mpanjaka.
\v 29 Nanao voady ny mpanjaka ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, izay nanafaka ahy tamin'ny olana rehetra,
\v 30 tahaka ny nanaovako voady taminao tamin'ny alalan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, manao hoe: "Hanjaka handimby ahy i Solomona zanakao, ary hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako eo amin'ny toerako izy,' dia ho ataoko izany androany."
\v 31 Dia nanondrika ny tavany tamin'ny tany i Batseba, ary nampiankohoka ny tenany teo anoloan'ny mpanjaka nanao hoe: "Ho velona mandrakizay anie Davida mpanjaka tompoko!"
\s5
\v 32 Hoy i Davida mpanjaka hoe: "Antsoy hankaty amiko i Zadoka mpisorona, sy Natana mpaminany, ary Benaia zanak'i Joiada." Ka nankeo anatrehan'ny mpanjaka izy ireo.
\v 33 Dia hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: "Ento miaraka aminareo ny mpanompon'ny tomponareo, ary ampitaingeno ny apondrako i Solomona zanako lahy ka ento midina any Gihona izy.
\v 34 Aoka i Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany hanosotra azy ho mpanjaka eo amin'ny Israely ary hitsoka ny trompetra ka anao hoe: "Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!"
\s5
\v 35 Dia hiakatra hanaraka azy ianareo, ka hiditra sy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako izy; satria ho mpanjaka eo amin'ny toerako izy. Izaho efa nanendry azy ho mpitondra eo amin'ny Israely sy Joda."
\v 36 Dia namaly ny mpanjaka i Benaia zanak'i Joiada, ka nanao hoe: "Ho tanteraka anie izany! Ho hamafisin'Yaveh, Andriamanitry ny mpanjaka tompoko, anie izany.
\v 37 Tahaka ny nombàn'i Yaveh mpanjaka tompoko anie, no hanombàny an'i Solomona koa, ary hataony lehibe noho ny seza fiandrianan'i Davida mpanjaka tompoko ny seza fiandrianany."
\s5
\v 38 Koa lasa nidina niaraka tamin'i Solomona nitaingina ny apondran'i Davida mpanjaka i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, Benaia zanak'i Joiada, sy ireo Keretita, ary ireo Peletita, nentin'izy ireo nidina tany Gihona izy.
\v 39 Naka ny tandroka misy menaka avy tao amin'ny lay i Zadoka mpisorona ary nanosotra an'i Solomona. Dia notsofin'izy ireo ny trompetra, ary hoy ny olona rehetra hoe: "Ho ela velona anie Solomona mpanjaka!"
\v 40 Avy eo dia niakatra nanaraka azy ny vahoaka rehetra, ary nitsoka sodina ny vahoaka ary niravoravo tamin'ny fifaliana lehibe, ka nihozongozona nohon'ny feon'izy ireo ny tany.
\s5
\v 41 Ary i Adonia sy ireo vahiny rehetra izay niaraka taminy nandre izany rehefa avy nihinana izy ireo. Rehefa nandre ny feon'ny trompetra i Joaba, dia hoy izy hoe: "Maninona no misy tabataba eto amin'ny tanàna?"
\v 42 Raha mbola niteny izy, dia tonga i Jonatana zanak'i Abiatara mpisorona. Hoy i Adonia hoe: "Mandrosoa, fa lehilahy mendrika ianao ary mitondra vaovao mahafaly."
\s5
\v 43 Dia namaly i Jonatana ka niteny tamin'i Adonia hoe: "Davida mpanjaka tompontsika efa nanao an'i Solomona ho mpanjaka,
\v 44 ary ny mpanjaka efa naniraka an'i Zadoka mpisorona, Natana mpaminany, sy Benaia zanak'i Joiada, ary ireo Keretita sy ireo Peletita. Efa nampitaingenan'izy ireo ny ampondran'ny mpanjaka i Solomona.
\v 45 Zadoka mpisorona sy Natana mpaminany dia efa nanosotra azy ho mpanjaka tany Gihona, ary niakatra tamim-pifaliana avy tany, hany ka anaty tabataba ny tanàna. Izany no tabataba renao.
\s5
\v 46 Ary mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana ihany koa i Solomona.
\v 47 Fanampin'izany, dia tonga nitsodrano an'i Davida mpanjaka tompontsika ny mpanompon'ny mpanjaka, nanao hoe: "Hataon'Andriamanitrao tsara noho ny anaranao anie ny anaran'i Solomona, ary hataony lehibe noho ny seza fiandriananao anie ny seza fiandrianany.' Dia niankohoka teo am-pandriana ny mpanjaka.
\v 48 Dia hoy koa ny mpanjaka hoe: "Deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, izay nanome olona iray hipetraka eo amin'ny seza fiandrianako amin'izao andro izao, ka afaka mahita izany ny masoko."'
\s5
\v 49 Dia raiki-tahotra ireo vahinin'i Adonia rehetra. Dia nitsangana izy ireo ka samy nandeha tamin'ny lalany avy.
\v 50 Ary i Adonia dia natahotra an'i Solomona ka nitsangana, nandeha, ary nitazona ny tandroky ny alitara.
\v 51 Avy eo dia nambara tamin'i Solomona izany, nanao hoe: "Indro, matahotra an'i Solomona mpanjaka i Adonia, satria nihazona ireo tandroky ny alitara izy, nanao hoe, 'Aoka i Solomona mpanjaka hianiana amiko mialoha fa tsy hamono ny mpanompony amin'ny sabatra izy.'"
\s5
\v 52 Dia hoy i Solomona: "Raha haneho ny tenany ho lehilahy mendrika izy, na dia singam-bolony iray aza tsy ho latsaka amin'ny tany, fa raha faharatsiana kosa no hita ao aminy, dia ho faty izy."
\v 53 Ka dia naniraka olona i Solomona mpanjaka, izay nitondra an'i Adonia nidina avy teo amin'ny alitara. Dia avy izy ka nandohalika teo amin'i Solomona Mpanjaka, ary hoy i Solomona taminy: "Mandehana any an-tranonao."
\s5
\c 2
\p
\v 1 Rehefa akaiky ny andro nahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zanany izy, nanao hoe:
\v 2 "Handeha amin'ny lalan'ny tany rehetra aho. Matanjaha, noho izany, ary asehoy fa lehilahy ny tenanao.
\v 3 Tàno ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao izay mandeha amin'ny lalany, ankatoavy ireo lalàny, ireo fanapaha-keviny, ary ireo didim-panekeny, mitandrema amin'izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, mba hambinina amin'izay rehetra ataonao ianao, na aiza na aiza alehanao,
\v 4 mba hahafahan'i Yaveh manatanteraka ny teniny izay nolazainy mikasika ahy, manao hoe: 'Raha mijery tsara ny fitondran-tenany ireo zanakao lahy, ary handeha eo alohako am-pitokiana miaraka amin'ny fo sy fanahin'izy ireo manontolo, dia tsy hitsahatra ny hanana lehilahy eo amin'ny seza fiandrianan'Israely ianao.'
\s5
\v 5 Ianao ihany koa dia mahafantatra izay nataon'i Joaba zanak'i Zeroia tamiko, ary izay nataony tamin'ny mpifehy roa ny tafik'Israely, dia tamin'i Abnera zanaka lahin'i Nera, ary tamin'i Amasa zanaka lahin'i Jetera, izay novonoiny. Nozarainy tam-piadanana ny ràn'ady ary napetany teo amin'ny fehin-kibo nanodidina ny valahiny sy tamin'ny kapa teo an-tongony ny ràn'ady.
\v 6 Mifanaraha amin'i Joaba amin'ny alalan'ny fahendrena efa nianaranao, saingy aza avela hidina any amin'ny fasana am-piadanana ilay volo fotsiny.
\s5
\v 7 Na dia izany aza, manehoa hatsaram-panahy amin'ireo zanaka lahin'i Barzilay Giledita, ary avelao ho isan'ireo izay hihinana eo an-databatrao izy ireo, fa tonga taty amiko izy ireo rehefa nandositra avy tany amin'i Absaloma rahalahinao aho.
\s5
\v 8 Indro, efa miaraka aminao i Simey zanaka lahin'i Gera, ilay Benjamita avy any Bahorima, izay nanozona ahy tamin'ny ozona mahery vaika tamin'ny andro nandehanako tany Mahanaima. Dia nidina hihaona tamiko tany Jordana i Simey, ary nianiana taminy tamin'ny alalan'i Yaveh aho, nanao hoe: 'Tsy hamono anao amin'ny sabatra aho.'
\v 9 Koa ankehitriny aza avela ho afaka amin'ny sazy izy. Lehilahy hendry ianao, ary ho fantatrao izay tokony ho ataonao aminy. Ho entinao midina any amin'ny fasana miaraka amin'ny rà ny volo fotsiny."
\s5
\v 10 Avy eo i Davida dia nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny ary nalevina tao amin'ny tanànan'i Davida.
\v 11 Efapolo taona teo ireo fotoana nanjakan'i Davida teo amin'ireo Israely.
\v 12 Nanjaka nandritra ny fito taona tany Hebrona izy ary tany Jerosalema nandritra ny telopolo taon. Ary nipetraka teo an-tseza fiandrianan'i Davida rainy i Solomona, ary tafapetraka tsara ny fitondràny.
\s5
\v 13 Dia tonga tany amin'i Batseba renin'i Solomona i Adonia zanaka lahin'i Hagita. Hoy izy hoe: "Tonga mba hihavana ve ianao?" Namaly izy hoe: "Hihavana."
\v 14 Dia hoy izy hoe: "Misy zavatra ho lazaiko anao." Ka namaly izy hoe: "Lazao."
\v 15 Hoy Adonia hoe: "Fantatrao fa ahy ny fanjakana, ary ny Israely rehetra dia efa nanantena ahy ho mpanjaka. Saingy niova ny zavatra rehetra, ary natolotra ho an'ny rahalahiko ny fanjakana, fa efa azy avy amin'i Yaveh izany.
\s5
\v 16 Ankehitriny dia manana fangatahana iray aminao aho, ary aza lavina aho." Hoy Batseba taminy hoe: "Lazao"
\v 17 Dia hoy izy: "Resaho re Solomona mpanjaka, fa tsy handao anao izy, mba hahafahany manome ahy an'i Abisaga ilay Sonemita mba ho vadiko."
\v 18 Hoy i Batseba: "Eny ary, hiresaka amin'ny mpanjaka aho."
\s5
\v 19 Noho izany dia nandeha tany amin'i Solomona mpanjaka i Batseba mba hiresaka aminy ho an'i Adonia. Dia nitsangana ny mpanjaka hihaona taminy ary niondrika teo aminy. Avy eo dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany izy ary nanana seza fiandrianana nentina ho an'ny renin'ny mpanjaka. Dia nipetraka avy eo an-kavanany izy.
\v 20 Ary hoy izy hoe: "Mba te-hanao fangatahana kely aminao aho, satria tsy handà ahy ianao." Dia namaly azy ny mpanjaka hoe: "Angataho, ry reniko, fa tsy handà anao aho."
\v 21 Dia hoy izy: "Aleo i Abisaga ilay Sonemita mba ho atolotra an'i Adonia rahalahinao ho vadiny."
\s5
\v 22 Namaly i Solomona mpanjaka ary nilaza tamin'ny reniny hoe: "Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia? Nahoana ianao no tsy nangataka ny fanjakana ho azy ihany koa, satria izy no lahimatoa __ ho azy, ho an'i Abiatara mpisorona, ary ho an'i Joaba zanaka lahin'i Zeroia ve?"
\v 23 Avy eo dia nianiana tamin'i Yaveh i Solomona mpanjaka, nanao hoe: "Enga anie Andriamanitra hanao izany amiko, ary bebe kokoa, raha tsy nanohitra ny ainy tamin'izany teny izany i Adonia.
\s5
\v 24 Ka noho izany raha mbola velona koa i Yaveh, izay nametraka ahy sy nanao ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko, ary efa nanamboatra trano ho ahy araka ny nampanantenainy tamiko, dia azo antoka fa hovonoina i Adonia anio."
\v 25 Ka dia naniraka an'i Benaia zanak'i Joiada i Solomona mpanjaka, ary nahita an'i Adonia i Benaia ka namono azy.
\s5
\v 26 Avy eo dia hoy Abiatara mpisorona tamin'ny mpanjaka hoe: "Mandehana any Anatota, any amin'ireo sahanao. Fa mendrika ny ho faty ianao, saingy tsy hamela anao ho faty amin'izao fotoana izao aho, satria nitondra ny fiaran'i Yaveh Tompo teo anatrehan'i Davida raiko ianao ary nijaly tamin'ny fomba rehetra nijalian'ny raiko."
\f + \ft Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany dia misy hoe: "... fiaran'i Yaveh..." \f*
\v 27 Ka noroasin'i Solomona tsy ho mpisoron'i Yaveh i Abiatara, ka mety hanatanteraka ireo tenin'i Yaveh izy, araka izay efa noresahiny momba ny ankohonan'i Ely tao Silo.
\s5
\v 28 Tonga tany amin'i Joaba ireo vaovao, fa Joaba nanohana an'i Adonia, fa tsy nanohana an'i Absaloma. Ka nandositra tany amin'ny trano lain'i Yaveh i Joaba ary nihazona ny tandroky ny alitara.
\v 29 Nolazaina tamin'i Solomona Mpanjaka fa i Joaba dia nandositra tany amin'ny trano lain'i Yaveh ary eo anilan'ny alitara ankehitriny. Avy eo dia naniraka an'i Benaia zanak'i Jehodia i Solomona, nanao hoe: "Mandehana, vonoy izy."
\s5
\v 30 Ary tonga tany amin'ny trano lain'i Yaveh i Benaia ary nilaza taminy hoe: "Hoy ny mpanjaka hoe: 'Mivoaha."' Namaly i Joaba hoe: "Tsia, ho faty eto aho." Ka dia niverina tany amin'ny mpanjaka i Benaia, nanao hoe: "Nilaza i Joaba fa te-ho faty ao amin'ny alitara hono izy."
\v 31 Dia hoy ny mpanjaka taminy: "Ataovy araka izay nolazainy. Vonoy izy ary aleveno mba hafahanao miala amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà izay nalatsak'i Joaba tamin'ny tsy misy antony.
\s5
\v 32 Enga anie i Yaveh hamerina ny ràny ho eo an-dohany, satria nanafika lehilahy roa feno fahamarinana sy tsara noho ny tenany izy ary namono azy ireo tamin'ny sabatra, dia i Abnera zanaka lahin'i Nera, filohan'ny tafik'Israely, sy Amasa zanaka lahin'i Jetera, filohan'ny tafik'i Joda, ary tsy nahafantatra izany i Davida raiko.
\v 33 Koa enga anie ny ràn'izy ireo hiverina eny an-dohan'i Joaba sy eny an-dohan'ireo taranany mandrakizay. Fa amin'i Davida sy ireo taranany, amin'ny fianakaviany, ary amin'ny seza fiandrianany, dia enga anie hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Yaveh."
\s5
\v 34 Avy eo i Benaia zanak'i Jehodia niakatra ary nanafika an'i Joaba ka namono azy. Dia nalevina tany amin'ny tranony tany an'efitra ihany izy.
\v 35 Ny mpanjaka dia nametraka an'i Benaia zanak'i Joiada teo amin'ny tafika hisolo ny toerany, ary nametraka an'i Zadoka mpisorona tany amin'ny toeran'i Abiatara.
\s5
\v 36 Avy eo ny mpanjaka dia naniraka ary nampiantso an'i Simey, ary niteny taminy hoe: "Manorena trano iray any Jerosalema ianao ary mitoera any, ka aza mivoaka ao amin'izany mankany amin'ny toeran-kafa.
\v 37 Fa amin'ny andro izay hivoahanao, sy handalovanao eny amin'ny Lohasahan-driaka Kidrona, dia fantaro marina fa ho vonoina tokoa ianao. Ho eo amin'ny lohanao ny rànao."
\v 38 Ka hoy I Simey tamin'ny mpanjaka hoe: "Tsara izany lazainao izany. Araka izay nolazain'ny mpanjaka tompoko, dia hataonao mpanomponao." Dia nitoetra tany Jerosalema nandritra ny andro maromaro i Simey.
\s5
\v 39 Fa nony tapitra ny telo taona, dia nitsoaka tany amin'i Akisa zanak'i Maka mpanjakan'i Gata ireo mpanompo roa an'i Simey. Ka niresaka tamin'i Simey izy ireo, nanao hoe: "Indro, ireo mpanomponao dia any Gata."
\v 40 Dia nitsangana i Simey, ary nanisy lasely ny borikiny ka nandeha tany amin'i Akisa tany Gata mba hitady ireo mpanompony. Dia nandeha izy ary nentiny niverina avy tany Gata ireo mpanompony.
\s5
\v 41 Rehefa nilaza i Solomona fa i Simey dia nandeha avy tany Jerosalema ho any Gata ary efa niverina,
\v 42 dia naniraka sy nampiantso an'i Simey ny mpanjaka, ary nanao taminy hoe: "Tsy efa nampianiana anao tamin'i Yaveh ve aho ary nijoro vavolombelona taminao, nanao hoe: 'Fantaro tanteraka izay andro hivoahanao sy handehananao any amin'ny toeran-kafa, fa ho faty tokoa ianao'? Avy eo dia hoy ianao tamiko hoe: 'Tsara izany lazainao izany.'
\s5
\v 43 Nahoana ary ianao no tsy mitàna ny fianiananao tamin'i Yaveh sy ny baiko izay nomeko anao?"
\v 44 Hoy koa ny mpanjaka tamin'i Simey: "Fantatrao ao am-ponao ireo haratsiam-panahy rehetra izay nataonao tamin'i Davida raiko. Noho izany dia ho averin'i Yaveh eo ambony lohanao ny haratsiam-panahinao.
\s5
\v 45 Fa ho tahiana i Solomona mpanjaka ary ny seza fiandrianan'i Davida dia hapetraka eo anatrehan'i Yaveh mandrakizay."
\v 46 Avy eo ny mpanjaka nanome baiko tamin'i Benaia zanaka lahin'i Joiada. Dia nivoaka izy ary namono an'i Simey. Ka dia napetraka tsara teo an-tanan'i Solomona ny fitondràna.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Nanao dina tamin'i Farao mpanjakan'ny Egypta tamin'ny alalan'ny fanambadiana i Solomona. Naka ny zanaka vavin'i Farao izy ary nitondra azy tao amin'ny tanàn'i Davida mandraham-pahavitany nanorina ny tranony manokana, ny tranon'i Yaveh, ary ny manda manodidina an'i Jerosalema.
\v 2 Teny amin'ireo toerana avo no nanaovan'ireo olona sorona, satria mbola tsy nisy trano niorina ho an'ny anaran'i Yaveh.
\v 3 Naneho ny fitiavany an'i Yaveh i Solomona tamin'ny fandehanana araka ny lalàn'i Davida rainy, hafa tsy izay nanaovany sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ireo toerana avo izy.
\s5
\v 4 Nankany Gibeona ny mpanjaka mba hanao sorona teny, satria toerana avo lehibe izany. Nanolotra fanatitra dorana arivo teo ambonin'izany alitara izany i Solomona.
\v 5 Tao Gibeona dia niseho tamin'ny nofy tamin'i Solomona Yaveh nony alina; hoy Izy hoe: "Angataho! Inona no tokony homeko anao?"
\s5
\v 6 Koa hoy i Solomona hoe: "Ianao efa naneho tsy fivadiham-panekana lehibe tamin'ny mpanomponao, dia i Davida raiko, satria nandeha teo anatrehanao tamin'ny fahamendreham-pitokisana, tamin'ny fahamarinana, ary tamin'ny fahitsim-po izy. Nohazoninao ho azy ity tsy fivadiham-panekana lehibe ity ary nomenao zanaka lahy hipetraka eo amin'ny seza fiandrianany izy anio.
\s5
\v 7 Ankehitriny ry Yaveh Andriamanitro, efa nanao ny mpanomponao ho mpanjaka teo amin'ny toeran'i Davida raiko Ianao, na dia mbola zaza ihany aza aho. Ka tsy fantatro hoe ahoana no fomba hivoahana na hidirana.
\v 8 Ny mpanomponao dia eo afovoan'ireo olona izay nosafidianao, vahoaka lehibe, maro tsy tambo isaina na tsy voaisa.
\v 9 Koa omeo ny mpanomponao ny fahazavam-po hitsara ny olonao, mba hahafahako manavaka ny tsara sy ny ratsy. Fa iza moa no mahay mitsara izao vahoakanao marobe izao?"
\s5
\v 10 Nahafaly ny Tompo izany fangatahan'i Solomona izany.
\v 11 Dia hoy Andriamanitra taminy hoe: "Satria efa nangataka izany zavatra izany ianao ary tsy nangataka ho an'ny tenanao mba ho lava andro hiainana na harena na ny ain'ireo fahavalonao, fa nangataka fahazavan-tsaina ho an'ny tenanao mba hamantarana ny rariny.
\v 12 Indro, ankehitriny hataoko izay rehetra nangatahanao tamiko rehefa nomenao Ahy ny fangatahanao. Omeko fo hendry sy mahalala ianao, mba tsy hisy ho tahaka anao teo alohanao, ary tsy hisy tahaka anao hitsangana ao aorianao.
\s5
\v 13 Efa nomeko anao ihany koa izay tsy nangatahinao, dia ny harena sy ny voninahitra, mba tsy hisy ho tahaka anao eo amin'ireo mpanjaka amin'ny andronao rehetra.
\v 14 Raha handeha araka ny lalako ianao ka hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nandehanan'ny rainao, dia hanalava ny andronao Aho."
\s5
\v 15 Dia nifoha i Solomona, ary indro, nofy izany. Tonga tao Jerosalema izy ary nitsangana nanoloana ny fiaran'ny faneken'ny Tompo. Nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana izy, ary nanao fanasana ho an'ireo mpanompony rehetra.
\s5
\v 16 Dia nisy vehivavy roa izay mpivaro-tena tonga teo amin'ny mpanjaka ary nitsangana teo anatrehany.
\v 17 Hoy ilay vehivavy anankiray hoe: "O, ry tompoko, izaho sy ity vehivavy ity dia miray trano, ary niteraka zaza tao amin'ilay trano niarahako taminy aho.
\s5
\v 18 Ary tamin'ny andro fahatelo taorian'ny niterahako dia niteraka koa ity vehivavy ity. Niaraka izahay. Tsy nisy olona hafa niaraka taminay tao an-trano, fa izahay roa ihany.
\v 19 Avy eo maty ny zanaka lahin'ity vehivavy ity nony alina, satria voatsindriny izy.
\v 20 Ka nitsangana izy ny sasak'alina ary naka ny zanako lahy avy eo anilako, raha mbola natory ny mpanomponao, ary nametraka azy teo an-tratrany, sy nametraka ny zanany lahy teo an-tratrako.
\s5
\v 21 Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho ny maraina, dia efa maty izy. Fa rehefa nijery azy tsara aho ny maraina, dia tsy zanako, izay naterako izy."
\v 22 Fa ilay vehivavy anankiray nilaza hoe: "Tsia, ilay iray velona no zanako, ary ilay iray maty no zanakao." Ilay vehivavy voalohany nilaza hoe: "Tsia, ilay maty no zanakao, ary ny iray velona no zanako." Izany ny fomba noresahan'izy ireo teo anatrehan'ny mpanjaka."
\s5
\v 23 Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ny iray taminareo milaza hoe: 'Ity velona ity no zanako, ary ilay maty no zanakao,' ary ny iray milaza hoe: 'Tsia, ilay maty no zanakao, ary ilay iray velona no zanako."'
\v 24 Hoy ny mpanjaka hoe: "Itondrao sabatra aho." Ka nentin'izy ireo teo anatrehan'ny mpanjaka ny sabatra.
\v 25 Ary hoy ny mpanjaka hoe: "Zarao roa ny zaza velona, ary omeo ity vehivavy ity ny antsasany ary omeo ny anankiray ny antsasany."
\s5
\v 26 Ary ilay vehivavy izay velon-janaka niresaka tamin'ny mpanjaka, fa feno fangoraham-po ho an'ny zanany ny fony, ary hoy izy hoe: "O, ry tompoko, omeo azy ny zaza velona, ary tsy midika izany hoe mamono azy." Fa hoy ilay vehivavy iray: "tsy ho ahy na ho anao akory izy. Zarao izy."
\v 27 Avy eo namaly ny mpanjaka ka niteny hoe: "Omeo ilay vehivahy voalohany ny zaza velona, ary tsy midika izany hoe mamono azy. Fa izy no reniny."
\v 28 Rehefa ren'Israely rehetra ny fitsaràna izay nataon'ny mpanjaka, dia natahotra ny mpanjaka izy ireo, satria hitan'izy ireo fa tao aminy ny fahendren'Andriamanitra ho entiny mitsara.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Mpanjaka teo amin'Israely rehetra i Solomona Mpanjaka.
\v 2 Ireto ireo manam-pahefany: Azaria zanak'i Zadoka no mpisorona.
\v 3 Elihorefa sy Ahia zanak'i Sisa, no mpitan-tsoratra. Josafata zanak'i Ahiloda no mpitam-boky.
\v 4 Benaia zanak'i Joiada no nisahana ny tafika. Zadoka sy Abiatara no mpisorona.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dika sasany dia mandray an'ilay hoe 'Zadoka sy Abiatara no mpisorona' ho fanampiny amin'ny lahatsoratra taty aoriana. \f*
\s5
\v 5 Azaria zanak'i Natana no nifehy ireo manam-pahefana. Zaboda zanak'i Natana dia mpisorona sy naman'ny mpanjaka.
\v 6 Ahisara no nifehy ny tokan-trano. Adonirama zanak'i Abda dia teo amin'ireo olona izay no nifehy ireo mpanao asa an-terivozona.
\s5
\v 7 Nanana manam-pahefana roa ambin'ny folo i Solomona manerana an'Israely rehetra, izay niantoka ny sakafo ho an'ny mpanjaka sy ny ankohonany. Ny lehilahy tsirairay avy dia niantoka ny tahirin-tsakafo mandritra ny iray volana ao anatin'ny taona.
\v 8 Ireto avy ny anarany:
\v 9 Beni-hora, avy any an-tany havoan'Efraima; Beni-dakera tao Makaza, Salbima, Beti-semesy, sy Elon-beti-hanana;
\v 10 Beni-haseda, tao Arobota (Azy i Soko sy ny tany rehetra tao Hefera);
\s5
\v 11 Beni-Abinadaba, teo amin'ny distrikan'i Dora rehetra (Tafata zanaka vavin'i Solomona no vadiny);
\v 12 Bana zanak'i Ahiloda, tao Tanaka sy Megido, sy Beti-sana rehetra izay teo akaikin'i Zaretana ambanin'i Jezirela, avy eo Beti-sana ka hatrany Abela-mehola lavitry ny rivon'i Jokneama;
\v 13 Beni-gabera tao Ramota-gileada (Azy ny tananan'i Jaïra zanak'i Manase, izay tao Gileada, ary ny faritr'Argoba dia azy, izay tany Basana, tanàna lehibe enimpolo misy rindrina sy hidim-baravarana varahina);
\v 14 Ahinadaba zanak'i Ido, tao Mahanaima;
\s5
\v 15 Ahimaza, tao Naftaly (novadiany ihany koa i Basemata zanaka vavin'i Solomona);
\v 16 Bana zanak'i Hosay, tao Asera sy Bealota;
\v 17 Josafata zanak'i Paroa, tao Isakara;
\s5
\v 18 Simey zanak'i Ela, tao Benjamina;
\v 19 ary Gabera zanak'i Ory, any amin'ny tanin'i Gileada, tanànan'i Sihona mpanjakan'ny Amorita sy Oga mpanjakan'i Basana, ary izy irery no manam-pahefana izay tao amin'ny tany.
\s5
\v 20 Joda sy Israely dia maro toy ny fasika amoron-dranomasina. Nihinana sy nisotro izy ireo ary faly.
\v 21 I Solomona dia nandidy ny fanjakana rehetra hatreo amin'ny Ony ka hatrany an-tanin'ny Filistina sy ny sisin-tanin'i Egypta. Nitondra fanomezam-boninahitra sy nanompo an'i Solomona izy ireo nandritra ny androm-piainany rehetra.
\v 22 Ny tahirin-tsakafon'i Solomona anatin'ny iray andro dia koba tsara toto telopolo kora sy sakafo enimpolo kora,
\v 23 omby matavy folo, omby tsy nihinam-bilona roampolo, ary ondry zato, afa-tsy ny serfa, gazela, kapreola, ary vorona noatavezina.
\s5
\v 24 Satria nanam-pahefana tamin'ny faritra rehetra manila ny ony iny izy, avy eo Tifsa ka hatrany Gaza, mihoatra ireo mpanjaka rehetra izay nanila ny Ony, dia nanana fiadanana tamin'ny nanodidina azy rehetra izy.
\v 25 Niaina am-pitoniana i Joda sy Israely, ny olona rehetra dia teo ambanin'ny voalobony sy ny aviaviny, avy eo Dana hatrany Beri-sheba, tamin'ny andron'i Solomona rehetra.
\s5
\v 26 Nanana tranon-tsoavaly efapolo alina izy ho an'ny kalesiny, ary mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina.
\v 27 Ireo manam-boninahitra ireo dia niantoka sakafo ho an'i Solomona mpanjaka sy ho an'ireo rehetra izay avy teo amin'ny latabatr'i Solomona, ny olon-drehetra tamin'ny volany avy. Ka tsy navelan'izy ireo ho tsy ampy ny zavatra rehetra.
\v 28 Nitondra vary hordea sy mololo ho an'ireo soavaly mpitarika kalesy sy soavaly fitaingina izy ireo, samy mitondra izay zakany avy ny tsirairay.
\s5
\v 29 Nomen'Andriamanitra fahendrena sy fahazavan-tsaina be i Solomona, ary fivelaran-tsaina toy ny fasika eny amoron-dranomasina.
\v 30 Ny fahendren'i Solomona dia nihoatra ny fahendren'ireo olona rehetra tany antsinanana sy ny fahendren'i Egypta.
\v 31 Nanam-pahendrena noho ny olona rehetra izy_noho i Etana Ezrahita, Hemana, Kalkola sy Darda zanak'i Mahola_ary ny lazany dia tonga tany amin'ny firenena manodidina rehetra.
\s5
\v 32 Niteny ohabolana telo arivo izy ary dimy amby arivo ny hirany raha hisaina.
\v 33 Namaritra ny zava-maniry izy, avy amin'ny sedara tany Libanona ka hatramin'ny hysopa izay maniry manaraka ny rindrina. Nanazava momba ireo biby ihany koa izy, ireo vorona, ireo zavatra mandady, ary ny hazan-drano.
\v 34 Tonga avy tamin'ny firenena rehetra ny olona mba hihaino ny fahendren'i Solomona. Izy ireo dia avy amin'ireo mpanjaka rehetran'ny tany izay efa nandre ny fahendreny.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Hirama mpanjakan'i Tyro dia nandefa ireo mpanompony ho any amin'i Solomona satria reny fa voahosotr'izy ireo handimby an-drainy izy; satria Hirama dia efa tia an'i Davida foana hatrizay.
\v 2 Nampitondra teny ho any amin'i Hirama i Solomona, nilaza hoe:
\v 3 "Fantatrao fa i Davida raiko dia tsy afaka nanamboatra trano ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamaniny noho ireo ady izay nanodidina azy, fa nandritra ny androm-piainany i Yaveh dia nametraka ireo fahavalony teo ambany faladian-tongony.
\s5
\v 4 Fa ankehitriny, Yaveh Andriamanitro dia efa nanome ahy fitsaharana amin'ny lafiny rehetra. Tsy misy na mpifanandrina na loza.
\v 5 Koa dia mikasa ny hanorina Tempoly ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitro aho, araka izay noresahan'i Yaveh tamin'i Davida raiko, nanao hoe: "Ny zanakao lahy, izay hapetrako eo amin'ny seza fiandriananao eo amin'ny toeranao, no hanangana ny Tempoly ho an'ny anarako.'
\s5
\v 6 Ary ankehitriny mandidia mba hanapahan'izy ireo hazo Sedera avy any Libanona ho ahy. Hiaraka amin'ireo mpanomponao ireo mpanompoko, ary izaho no handoa ny karaman'ireo mpanomponao mba ho voakarama ara-drariny ianao ny amin'ny zavatra rehetra izay nekenao atao. Satria fantatrao fa tsy misy eo aminay mahay ny fomba anapahana hazo toy ireo Sidoniana."
\s5
\v 7 Raha nandre ny tenin'i Solomona i Hirama, dia niravoravo indrindra izy ka niteny hoe: "Hoderaina anie Yaveh anio, izay nanome an'i Davida zanaka lahy hendry ho eo amin'ity vahoaka lehibe ity."
\v 8 Nampitondra teny ho an'i Solomona i Hirama, nilaza hoe: "Efa henoko ny hafatra izay nalefanao ho ahy. Hamatsy ny hazo Sedera sy kypreso rehetra izay irianao aho.
\s5
\v 9 Ho entin'ireo mpanompoko midina avy any Libanona manakany amin'ny ranomasina ireo hazo, ary ho feheziko anaty vatan-kazo ireo ka hitsikafona amin'ny ranomasina mankany amin'ny toerana izay tondronao handefasako azy. Any no hampanapahako azy ireo, ary dia ho alainao ireo. Ho ataonao izay iriko amin'ny fanomezana sakafo ny ankohonako."
\s5
\v 10 Koa nomen'i Hirama an'i Solomona ny hazo sedera sy ny hazo kesika rehetra izay niriany.
\v 11 Nomen'i Solomona varimbazaha roa alina kora ho sakafo ho an'ny ankohonany i Hirama ary diloilo tsy mitapoka roapolo kora. Nomen'i Solomona ho an'i Hirama isan-taona izany.
\v 12 Nomen'i Yaveh fahendrena i Solomona, araka izay efa nampanantenainy azy. Nisy fihavanana teo amin'i Solomona sy Hirama, ka nanao fanekena izy roa tonta.
\s5
\v 13 Nampiantso mpanao asa an-terivozona tamin'ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka. Miisa telo alina ireo lehilahy mpanao asa an-terivozona.
\v 14 Nalefany tany Libanona izy ireo, iray alina no mifandimby isam-bolana. Iray volana izy ireo no tany Libanona ary roa volana tany an-trano. I Adonirama no nanapaka teo amin'ireo lehilahy izay nampanekena ho amin'ny asa an-terivozona.
\s5
\v 15 Ary i Solomona nanana mpitondra entana fito alina sy mpamaky vato valo alina izay tany an-tendrombohitra,
\v 16 ankoatra ireo 3. 300 lehiben'ny manam-pahefan'i Solomona izay nanapaka ny asa ary izay nanaramaso ireo mpiasa.
\s5
\v 17 Araka ny didin'ny mpanjaka dia nandrafitra vato lehibe tsara kalitao mba hapetraka amin'ny fanorenana ny Tempoly izy ireo.
\v 18 Ary ireo mpanorin-tranon'i Solomona sy ireo mpanorin-tranon'i Hirama ary ireo Gebalita no nanao ny fikapana sy ny fikarakarana ny hazo sy ireo vato hanamboarana ny tempoly.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary i Solomona nanomboka nanamboatra ny tempolin'i Yaveh. Izao no niseho tamin'ny taona faha 480 taorian'ny nialan'ny zanak'Israely tamin'ny tany Egypta, tamin'ny taona faha efatra no nanjaka teo amin'ny Israely i Solomona, tamin'ny volana Ziva, izay volana faharoa.
\v 2 Ny tempoly izay namboarin'i Solomona Mpanjaka ho an'i Yaveh dia enimpolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony.
\s5
\v 3 Ny lavarangana eo anoloan'ny efitrano lehiben'ny tempoly dia roapolo hakiho ny halavany, mitovy amin'ny sakan'ny tempoly, ary folo hakiho halaliny eo anoloan'ny tempoly.
\v 4 Ireo varavaran-kelin'ny trano dia nataony tery rafitra noho ny anatiny ny ivelany.
\s5
\v 5 Nanamboarany efitra ny manodidina ireo rindrin'ny efitrano lehibe, manodidina ny ivelany sy ny anatin'ny efitra. Nasiany efitra ny manodidina ireo sisiny rehetra.
\v 6 Ny ambany indrindra dia dimy hakiho ny sakany, ny afovoany dia enina hakiho ny sakany, ary ny farany dia fito hakiho ny sakany. Fa ny ivelany dia nahenany ny rindrina manodidina ny trano rehetra mba tsy hisaraka amin'ireo andry amin'ny rindrin'ny trano.
\s5
\v 7 Vato voapaika no nanamboarana ny trano. Tsy nisy tantantana, famaky, na vy maranitra heno tao an-trano tamin'ny nanamboarana azy.
\v 8 Ny avy any atsimon'ny tempoly dia nisy fidirana tao amin'ny rihana ambany, nisy tohatra iray fiakarana mankany amin'ny rihana voalohany, ary avy eo afovoany no miakatra mankany amin'ny rihana faharoa.
\s5
\v 9 Koa namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany; norakofany andry sy hazo sedera fisaka ilay trano.
\v 10 Namboariny teo ampitan'ny efitranon'ny tempoly ireo efitra an-daniny, dimy hakiho isaky ny an-daniny; ka hazo sedera no nampifandray ny trano sy ny hazo sedera.
\s5
\v 11 Tonga tamin'i Solomona ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 12 "Ny momba ity tempoly izay namboarinao ity, raha handeha araka ny lalàko sy hanao ny rariny ianao, hitandrina ny didiko rehetra ary hanaraka izany, dia hamafisiko aminao ny fampanantenana izay nataoko tamin'i Davida rainao.
\v 13 Hitoetra eo amin'ny vahoakan'Israely Aho ary tsy hahafoy azy ireo."
\s5
\v 14 Ka namboarin'i Solomona ny tempoly ary novitainy izany.
\v 15 Avy eo dia namboariny tamin'ireo hazo sedera ny rindrina tao anatin'ny trano. Hatramin'ny tany ka hatramin'ny valin-drihana, dia norakofany hazo ny tao anatin'ireo, ary hazo kypreso no nanaromany ny ambany.
\s5
\v 16 Nataony roapolo hakiho hatreo an-damosin'ny trano misy hazo sedera hatrany ambany ka hatrany amin'ny valin-drihana. Nataony ho efitra anatiny izany efitra izany, ilay toerana masina indrindra.
\v 17 Ny efi-trano lehibe, izay toerana masina eo anoloan'ny toerana masina indrindra, dia efapolo hakiho ny halavany.
\v 18 Nisy sedera tao anatin'ny trano, voasokitra niendrika voatango sy voninkazo mivelatra. Sedera daholo ny ao anatiny. Tsy nisy rafi-bato tazana tao anatiny.
\s5
\v 19 Nanomana ny efitrano anatiny tao anatin'ilay trano mba hametrahana ny fiara faneken'i Yaveh tao i Solomona.
\v 20 Ny efitrano anatiny dia roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary roapolo hakiho ny hahavony. Nofenoin'i Solomona volamena tsy misy fangarony ireo rindrina ary norakofany hazo sedera ny alitara.
\s5
\v 21 Nofenoin'i Solomona volamena tsy mifangaro ny anatin'ny tempoly ary nampiany rojom-bolamena teo anoloanan'ny efitrano anatiny ary nofenoina volamena ny anoloana.
\v 22 Ny anatiny manontolo dia norakofany volamena mandra-pahavitan'ny Tempoly rehetra. Nofenoiny volamena ihany koa manerana ny alitara izay ao amin'ny efitrano anatiny.
\s5
\v 23 Nanamboatra kerobima roa tamin'ny hazo oliva i Solomona, samy folo hakiho avy ny halavany, ho an'ny efitra anatiny.
\v 24 Ny elatry ny kerobima iray dia folo hakiho ny halavany, ary ny elany hafa dia dimy hakiho ihany koa. Ny halavirana eo amin'ny tendron'ny elatra iray hatrany amin'ny tendron'ny elatra hafa.
\v 25 Ny tendron'ny elatra anankiray ka hatramin'ny tendron'ny elatra anankiray dia manana elanelana folo hakiho. Ilay kerobima hafa dia manana elatra folo hakiho.
\v 26 Ny kerobima roa dia samy mitovy refy sy endrika. Ny hahavon'ny kerobima iray dia folo hakiho ary tahaka izany koa ilay kerobima hafa.
\s5
\v 27 Napetrak'i Solomona teo afovoan'ny trano ny kerobima. Navelatra ireo elatry ny kerobima mba hikasihan'ny elatra ny iray amin'ny rindrina iray ary elatr'ilay kerobima hafa hikasika ilay rindrina hafa. Nifampikasoka teo afovoan'ilay toerana masina indrindra ny elatr'izy ireo.
\v 28 Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny kerobima.
\s5
\v 29 Noravahany tamin'ireo sarin'ny kerobima ireo rindrina rehetra manodidina ny trano, hazon-drofia, ary voninkazo mamelana, ny ivelany sy ny anatin'ireo efitra.
\v 30 Norakofan'i Solomona tamin'ny volamena ny gorodona, ny efitra ivelany sy ny anatiny.
\s5
\v 31 Namboarin'i Solomona tamin'ny hazon'ny oliva ireo varavarana fidirana mankao amin'ny efitra anatiny. Ny tolàna sy ny lelam-baravarana dia ampahadimin'ireo faritra natao.
\v 32 Dia nanamboatra varavarana roa tamin'ny hazon'ny oliva izy, ary nampiany sary sokitry ny kerobima teo amin'izany, hazon-drofia, ary voninkazo mamelana. Norakofany tamin'ny volamena ireo ary naparitany volamena teo amin'ny kerobima ary hazon- drofia.
\s5
\v 33 Toy izany koa, namboarin'i Solomona tamin'ny hazo oliva ireo andrim-baravarana fidirana ao an-tempoly izay mizara efatra
\v 34 ary ny varavarana roa dia hazo kypreso. Ireo kopaka roan'ny varavarana dia mivalona ary ireo kopaka roan'ny varavarana hafa dia mivalona.
\v 35 Nasiany sary sokitra kerobima teo amin'izy ireo, hazon- drofia, ary voninkazo mivelatra, ary manisy volamena eo amin'ny asa-sokitra matetika izy.
\s5
\v 36 Namboariny tamin'ny vato voapaika andalana telo ny kianja tao anatiny ary andry sedera iray andalana.
\s5
\v 37 Ny fanorenana ny tranon'i Yaveh dia napetraka tamin'ny taona faha efatra, tamin'ny volan'ny Ziva.
\v 38 Tamin'ny taona faha-iraika ambin'ny folo, tamin'ny volan'i Bola, izay volana fahavalo, dia vita tanteraka tamin'ny lafiny rehetra sy ny famaritana rehetra ny trano. Nandany fito taona i Solomona nanamboatra ny tempoly.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany.
\v 2 Nanorina ny Lapa tamin'ny Alan'ny Libanona izy. Zato hakiho ny halavan'izany, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny hahavony. Namboarina tamin'ny andalan'andry sedera efatra ny lapa niaraka tamin'ny andry sedera teo amin'ireo tsangam-bato.
\s5
\v 3 Notafoana tamin'ny sedera ilay trano izay napetraka teo amin'ireo andry. Ireo andry ireo dia notohanana tamin'ny tsangam-bato.
\v 4 Nisy andry dimy amby efapolo teo, dimy ambin'ny folo amin'ny andalana iray. Nisy andry teo amin'ireo andalana telo, ary ny varavarankely tsirairay dia nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa.
\v 5 Ny varavarana sy ny varavarankely rehetra dia natao ho efa-joro niaraka tamin'ireo andry, ary ny varavarankely nifanandrify tamin'ny varavarankely telo hafa.
\s5
\v 6 Nisy andry maro nifanila izay dimampolo hakiho ny halavany ary telopolo hakiho ny sakany, miaraka amin'ny lavarangana eo anoloana sy andry ary tafo.
\s5
\v 7 Nanorina ny rindrin'ny seza fiandrianana izay hitsarana azy i Solomona, dia ny efitranon'ny fahamarinana. Norakofana tamin'ny sedera isaky ny rihana izany.
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "Norakofana tamin'ny sedera ny tany hatramin'ny vatan-kazo." \f*
\s5
\v 8 Ny tranon'i Solomona izay nonenany, tao amin'ny kianja hafa misy ny tanin-dapa, dia novolavolaina mitovy. Nanorina trano toy izany ho an'ny zanaka vavin'i Farao ihany koa izy, izay nalainy ho vady.
\s5
\v 9 Ireo trano ireo dia noravahana tamin'ny vato lafo vidy voapaika, voarefy tsara ary voatapaka tamin'ny tsofa ary natao nalama tamin'ny lafiny rehetra. Ireo vato ireo dia nampiasaina ho amin'ny fanorenana ireo vato eo an-tampony, sy tany ivelany ka hatramin'ny kianja lehibe ihany koa.
\v 10 Ny fototra naorina tamin'ny vato lehibe, sy lafo vidy izay valo sy folo hakiho ny halavany.
\s5
\v 11 Teo ambony dia nisy vato lafo vidy voapaika izay voafaritra tsara amin'ny habeny, ary andry sedara.
\v 12 Nisy andalana vato voatapaka telo sy tapaka andry sedara iray ny kianja lehibe izay nanodidina ny lapa toy ny kianja ao anatin'ny tempolin'i Yaveh ary ny tempolin'ny lavarangana.
\s5
\v 13 Nampaka an'i Hirama i Solomona mpanjaka ary nitondra azy avy any Tyro.
\v 14 Hirama dia zanaky ny mpitondra tena iray tao amin'ny fokon'i Naftaly; olon'i Tyro ny rainy, izay mpanao asa-tanana amin'ny varahina. Feno fahendrena sy fahazavan-tsaina ary fahaizana mba hanao asa lehibe amin'ny varahina i Hirama. Nandeha nankany amin'i Solomona Mpanjaka izy mba hiasa amin'ny varahina ho an'ny mpanjaka.
\s5
\v 15 Namboatra ireo andry roa tamin'ny varahina i Hirama, valo ambin'ny folo hakiho ny hahavony ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina ny tsirairay.
\v 16 Nanao kapitaly roa tamin'ny varahina voakosoka izy mba hapetraka eo an-tampon'ireo andry. Dimy hakiho ny hahavon'ny kapitaly tsirairay.
\v 17 Makarakara mitarehin-karato sy tanjomiolaka mitarehin-drojo ampiasaina ho an'ireo kapitaly no nandravaka ny tendron'ireo andry fito isaky ny kapitaly.
\s5
\v 18 Ka nanao andalana ampongamben-danitra roa nanodidina ny tendron'ny andry tsirairay i Hirama mba handravahana ireo kapitalin'izy ireo.
\v 19 Ireo kapitaly teo an-tendron'ireo andrin'ny lavarangana dia noravahana tamin'ny lilia, efatra hakiho ny hahavony.
\s5
\v 20 Tao amin'ireo kapitaly tamin'ireo andry roa ireo koa dia nahitana, ampongamben-danitra roanjato mitandahatra manodidina ny tampon'izy rehetra.
\v 21 Nanangana ireo andry tao an-davarangan'ny tempoly izy. Ilay andry teo ankavanana dia nantsoina hoe Jakina, ary ilay andry teo ankavia dia nantsoina hoe Boaza.
\v 22 Teo an-tendron'ireo andry dia nisy ireo haingo toy ny lilia. Izany no fomba nandrafetana ireo andry.
\s5
\v 23 Nanao ny koveta tamin'ny vy i Hirama, folo hakiho isaky ny sisiny. Dimy hakiho ny hahavony, ary telopolo hakiho ny manodidina ny koveta.
\v 24 Nisy tanatanamanga tao ambanin'ny sisiny nanodidina ny koveta, folo isaky ny hakiho, ary natambatra ho iray niaraka tamin'ny koveta raha ny koveta mihitsy no natao.
\s5
\v 25 Teo amin'ireo omby roa ambin'ny folo ilay koveta, telo nanatrika ny avaratra, telo nanatrika ny andrefana, telo nanatrika ny atsimo, ary telo nanatrika ny antsinanana. Napetraka teo amin'ny tampon'ireo ilay koveta, ary nifanila ny faritry ny vodin'izy rehetra.
\v 26 Natevina tahaka ny sakan'ny tanana ilay koveta, ary ny sisin'izany dia naorina toy ny sisin'ny kaopy, toy ny famoan'ny lilia. Omby rano roa arivo bata ilay koveta.
\s5
\v 27 Nanao tongotra varahina folo i Hirama. Efatra hakiho ny halavan'ny tongotra tsirairay ary efatra hakiho ny velarany, ary telo hakiho ny hahavony.
\v 28 Toy izany ny fanaovana ireo tongony.
\v 29 Nisy takelaka teo anelanelan'ireo zana-kazo ireo, ary nisy liona, omby sy kerobima teo amin'ireo takelaka sy teo amin'ireo zanan-kazo. Teo ambony sy tao ambanin'ireo liona sy ireo omby dia nisy fehiloha voatefy tsara.
\s5
\v 30 Nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia ny tsanganany rehetra, ary nisy tohana tao ambanin'ny sisiny efatr'ilay koveta. Nasiana fehiloha ny sisin'ny tsirairain'ireo fanohanana.
\v 31 Boribory toy ny faladia ny fisokafana, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary tao anatin'ny satro-boninahitra izay iray hakiho ny halavany. Voasoratra teo amin'ny fisokafany, ary ny takelak'ireo dia efa-joro, fa tsy boribory.
\s5
\v 32 Tao ambanin'ny takelaka ireo kodia efatra, ary ny tanan-kodia sy ireo fitoerany dia tao amin'ny tsanganana. Ny hahavon'ny kodia iray dia iray hakiho sy sasany.
\v 33 Ary natao toy ny kodian'ny kalesy ireo kodia. Ireo fitoerany, ireo sisiny, ireo tanamasoandrony, sy ireo ivony dia natao vy avokoa.
\s5
\v 34 Nisy sorony efatra tamin'ireo sisiny efatry ny tsanganan'ny tsirairay, natao tao amin'ny tsanganana ihany.
\v 35 Teo an-tampon'ireo tsanganana dia nisy fehim-barika iray izay antsasaka hakiho ny halaliny, ary eo an-tampon'ilay tsanganana no namatorana ireo tohana sy ireo takelaka.
\s5
\v 36 Voasoratr'i Hirama kerobima, liona, sy hazo rofia ny velaran'ireo fanohanana sy ireo takelaka izay nandrakotra ireo toerana malalaka, ary voadidina fehiloha ireo.
\v 37 Izany no fomba nanaovany an'ireo tsanganana folo. Natao tamin'ny lasitra mitovy avokoa izy rehetra, ary nanana habe, sy endrika mitovy.
\s5
\v 38 Nanao koveta varahina folo i Hirama. Ny koveta iray dia afaka mitahiry rano efapolo bata. Efatra hakiho ny sakan'ny koveta tsirairay avy ary nisy koveta iray isaky ny tsanganana folo.
\v 39 Nanao tsanganana dimy teo amin'ny lafiny atsimon'ny tempoly izy ary dimy teo amin'ny lafiny avaratry ny tempoly. Nataony teo amin'ny sisiny antsinanana ny koveta, manatrika any atsimon'ny tempoly.
\s5
\v 40 Nanao ny koveta sy ny lapelina ary ny lovia famafazana i Hirama. Ka dia vitany ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona Mpanjaka tao an-tempolin'i Yaveh:
\v 41 ireo andry roa, sy ireo lovia-toy ireo kapitaly izay teo an-tampon'ireo andry roa, ary ireo haingon'arato roa makarakara mba hanaronana ny lovia roa toy ireo kapitaly izay teo an-tampon'ny ireo andry.
\s5
\v 42 Nanao ireo ampongaben-danitra efatra izy ho an'ireo haingon'arato roa voavitrana: andalan'ampongaben-danitra roa ho an'ny harato tsirairay mba hanaronana ny lovia roa-toy ireo kapitaly izay teo amin'ireo andry,
\v 43 tsanganana folo, sy koveta folo teo amin'ireo tsanganana.
\s5
\v 44 Nataony tao ambanin'izany ny koveta sy ireo omby roa ambin'ny folo;
\v 45 ireo tavy, ireo lapelina, ireo koveta be, ary ireo fitaovana hafa rehetra ihany koa. Nataon'i Hirama tamin'ny varahina voakosoka ireo, ho an'i Solomona Mpanjaka, ary ho an'ny tempolin'i Yaveh.
\s5
\v 46 Napetraky ny mpanjaka teny amin'ny tany lemak'i Jordana ireo, tao amin'ny tanimanga anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
\v 47 Tsy nolanjain'i Solomona ireo fanaka rehetra satria betsaka loatra raha holanjaina, satria tsy afaka nolanjaina ny lanjan'ny varahina.
\s5
\v 48 Nanao ny fanaka rehetra izay tao an-tempolin'i Yaveh tamin'ny volamena i Solomona: dia ny alitara volamena sy latabatra izay nametrahana ny mofon'ny fanatrehana.
\v 49 Ireo fanaovan-jiro, dimy eo amin'ny ilany ankavanana ary dimy eo ankavia, teo alohan'ny efitra anatiny, dia vita tamin'ny volamena madio, ary ireo voninkazo, ireo jiro, ary ireo lelany dia vita tamin'ny volamena madio.
\s5
\v 50 Ireo kapoaka, ireo antsy, ireo koveta, ireo sotro, sy ireo fandorana ditin-kazo manitra dia natao tamin'ny volamena madio avokoa. Ireo savilin'ireo varavarana ao amin'ny efitra anatiny ihany koa, izay toerana masina indrindra, sy ireo varavaran'ny efitra lehiben'ilay tempoly, dia natao tamin'ny volamena madio izy rehetra.
\s5
\v 51 Tamin'izany fomba izany, no nahavitana ireo asa rehetra izay nataon'i Solomona Mpanjaka ho an'ny tranon'i Yaveh. Koa nentin'i Solomona tao anatiny ireo zavatra natokan'i Davida, rainy, sy ireo volafotsy, volamena, sy ireo fanaka, ary napetrany tao amin'ny efitra fitahirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh ireo.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Ary Solomona namory ireo loholon'Israely, ireo mpitariky ny foko rehetra, ary ireo lohan'ny fianakavian'ny vahoakan'Israely, teo anatrehany tao Jerosalema, mba hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh hiakatra avy any amin'ny tanànan'i Davida, izany hoe, i Ziona.
\v 2 Nivory teo anatrehan'i Solomona Mpanjaka tao amin'ny lanonana avokoa ny olon'Israely rehetra, tamin'ny volana Etanima, izay volana fahafito.
\s5
\v 3 Tonga avokoa ireo loholon'Israely rehetra, ary nampiakarin'ireo mpisorona ny fiara.
\v 4 Nentin'izy ireo niakatra ny fiaran'i Yaveh, ny trano lay fihaonana, ary ireo fanaka masina rehetra izay tao anaty lay. Nentin'ireo mpisorona sy ireo Levita niakatra avokoa ireo zavatra rehetra ireo.
\v 5 Niara-nankeo anoloan'ny fiara avokoa i Solomona Mpanjaka sy ny fivondronan'Israely rehetra, nanao sorona ondry sy omby tsy tambo isaina.
\s5
\v 6 Nampidirin'ireo mpisorona teo amin'ny fitoerany ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, tao amin'ny efitra anatin'ny trano, dia tao amin'ny toerana masina indrindra, ambany elatr'ireo Kerobima.
\v 7 Fa namelatra ny elany teo amin'ny fitoeran'ny fiara ireo kerobima, ary nanarona ny fiara sy ny bao izay nilanjana azy izany.
\v 8 Lava tokoa ireo bao hany ka hita avy eo amin'ny fitoerana masina teo anoloan'ny efitra anatiny ny tendrony, saingy tsy hita avy eny ivelany ireo. Ary mbola eo ireo mandrak'ankehitriny.
\s5
\v 9 Tsy nisy na inona na inona tao amin'ny fiara afa-tsy ireo vato fisaka roa izay napetrak'i Mosesy tany Horeba, fony Yaveh nanao fanekena tamin'ny olon'Israely rehefa nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ireo.
\v 10 Ary rehefa nivoaka avy tao amin'ny fitoerana masina ireo mpisorona, dia nameno ny tempolin'i Yaveh ny rahona.
\v 11 Tsy afa-nitsangana hanompo ireo mpisorona nohon'ny rahona, fa nameno ny tranony ny voninahitr'i Yaveh.
\s5
\v 12 Dia hoy Solomona hoe: "Nambaran'i Yaveh fa honina ao anaty aizim-pito Izy,
\v 13 kanefa nanorina trano tsara taraehy ho Anao aho, dia toerana honenanao mandrakizay."
\s5
\v 14 Dia nitodika ny mpanjaka ary nitso-drano ny fivondronan'Israely rehetra, raha teo am-pitsanganana ny fivondronan'Israely rehetra.
\v 15 Hoy izy hoe: "Ho deraina anie Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, izay niteny tamin'i Davida raiko, ary nahatanteraka izany tamin'ny tanany ihany, nanao hoe:
\v 16 "Hatramin'ny nitondrako ny vahoakako nivoaka avy tao Egypta, dia tsy nifidy tanàna teo amin'ny fokon'Israely rehetra hanorenana trano Aho, mba hitoeran'ny anarako ao. Kanefa, nifidy an'i Davida mba hanapaka eo amin'ny Israely oloko Aho.'
\s5
\v 17 Ary tao am-pon'i Davida raiko ny hanorina trano ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 18 Fa hoy i Yaveh tamin'i Davida raiko hoe: 'Fa nataonao tao am-ponao ny hanorina trano ho an'ny anarako, dia tsara ny nanaovanao izany tao am-ponao.
\v 19 Na izany aza dia tsy hanorina ilay trano ianao; fa kosa, ny zanakao lahy, izay teraka avy amin'ny voanao, no hanorina ny trano ho an'ny anarako.'
\s5
\v 20 Notanterahin'i Yaveh ny teny izay nolazainy, fa nitsangana handimby ny toeran'i Davida raiko aho, ka mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely, araka ny nampanantenain'i Yaveh. Naoriko ho an'ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ny trano.
\v 21 Efa nanamboatra fitoerana ho an'ny fiara any aho, izay misy ny faneken'i Yaveh, izay nataony tamin'ireo razantsika fony nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta Izy."
\s5
\v 22 Nijoro teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh i Solomona, teo anatrehan'ny fivondronan'Israely rehetra, ary namelatra ny tanany ho any amin'ny lanitra.
\v 23 Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'Israely o, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na any amin'ny lanitra ambony na ety an-tany ambany, izay mitàna ny tsy fivadiham-panekeny amin'ireo mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony manontolo;
\v 24 Ianao izay nitàna ny fampanantenanao tamin'i Davida raiko mpanomponao. Eny, niteny tamin'ny vavanao Ianao ary notanterahinao tamin'ny tananao izany, tahaka ny androany.
\s5
\v 25 Ankehitriny ary, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, tanteraho izay nampanantenainao tamin'i Davida raiko mpanomponao, rehefa niteny Ianao hoe: 'Tsy ho foana aminao ny hanana olona hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'Israely eo imasoko, raha mitandrina ny handeha eo anatrehako ny taranakao, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.'
\v 26 Ankehitriny ary, ry Andriamanitr'Israely, mivavaka aho mba ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin'i Davida raiko mpanomponao.
\s5
\v 27 Fa tena honina ety an-tany tokoa ve Andriamanitra? Indro, iza tontolo izao sy ny lanitra aza tsy omby Anao—mainka fa ity tempoly izay naoriko ity!
\v 28 Kanefa mba henoy re ity vavaky ny mpanomponao sy ny fangatahany ity, ry Yaveh Andriamanitro; mihainoa ny antso sy ny vavaka ataon'ny mpanomponao eto anatrehanao anio.
\s5
\v 29 Enga anie ka hisokatra amin'ity tempoly ity andro aman'alina ny masonao, eo amin'ny toerana izay nilazanao hoe: "Ho ao ny anarako sy ny fanatrehako.'—mba hihainoana ny vavaka hataon'ny mpanomponao izay manatrika ity toerana ity.
\v 30 Koa mihainoa ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mivavaka manatrika ity toerana ity izahay. Eny, mihainoa avy any amin'ny toerana honenanao, avy any an-danitra; ary rehefa mihaino Ianao, dia mba mamelà.
\s5
\v 31 Raha manota amin'ny namany ny olona iray ka tsy maintsy hampanaovina fianianana, ary raha tonga ka manao fianianana eo anatrehan'ny alitaranao ato amin'ity trano ity izy,
\v 32 dia mihainoa avy any an-danitra ka miasà; tsarao ireo mpanomponao, mba hanameloka ny meloka ary hampanody izay nataony ho eo amin'ny lohany ihany, ary hanambara ny marina mba ho tsy manan-tsiny, sy hamaly soa azy nohon'ny fahamarinany.
\s5
\v 33 Rehefa resin'ny fahavalo ny Israely olonao satria nanota taminao, ka raha miverina aminao izy ireo, manaiky ny anaranao, mivavaka, ary mangataka famelana avy aminao ato amin'ity tempoly ity—
\v 34 dia mihainoa any an-danitra re ary mamelà ny fahotan'ny Israely olonao; ento miverina any amin'ny tany izay nomenao ny razany izy ireo.
\s5
\v 35 Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana satria nanota taminao ny vahoaka—raha mivavaka manatrika ity toerana ity izy ireo, manaiky ny anaranao, ary miala amin'ny fahotany rehefa avy nampahorianao—
\v 36 dia mihainoa any an-danitra ary mamelà ny fahotan'ny mpanomponao sy ny Israely olonao, rehefa mampianatra azy ireo ny lalana tsara izay tokony halehany Ianao. Mandatsaha orana eo amin'ny taninao, izany nomenao ho lovan'ny olonao.
\s5
\v 37 Raha atao hoe misy mosary eo amin'ny tany, na atao hoe misy areti-mandringana, fahamainan'ny vary na maty fotsy, valala na sompanga; na atao hoe misy fahavalo manafika ny vavahadin'ny tanàna ao amin'ny tanin'izy ireo, na misy loza na aretina—
\v 38 ary raha atao indray hoe misy vavaka sy fangatahana nataon'ny olona iray na ny Israely vahoakanao manontolo— izay samy mahalala ny loza any am-pony avy raha mamelatra ny tanany ho amin'ity tempoly ity izy.
\s5
\v 39 Dia mihainoa any an-danitra, ilay toerana honenanao, mamelà ary miasà, ary valio soa ny olona rehetra noho izay ataony; Ianao mahalala ny fony, fa Ianao dia Ianao ihany no mahalala ny fon'ny olombelona rehetra.
\v 40 Ataovy izany mba hahatahoran'izy ireo Anao amin'ny andro rehetra hiainan'izy ireo eo amin'ny tany izay nomenao ny razanay.
\s5
\v 41 Fanampin'izany, mahakasika ireo vahiny izay tsy anisan'ny Israely vahoakanao: raha tonga avy any amin'ny firenen-davitra izy nohon'ny Anaranao—
\v 42 fa handre momba ny anaranao lehibe, ny tananao mahery, ary ny sandrinao misandratra izy ireo— rehefa tonga sy mivavaka manatrika ity tempoly ity izy ireo,
\v 43 dia mihainoa re any an-danitra, izay toerana honenanao, ary ataovy izay rehetra angatahin'ilay vahiny aminao. Ataovy izany mba hahafantaran'ny vondron'olona rehetra eto an-tany ny anaranao ka hahatahoran'izy ireo Anao, araka ny ataon'Israely olonao manokana. Ataovy izany mba hahafantaran'izy ireo fa ity trano izay naoriko ity dia antsoina amin'ny anaranao.
\s5
\v 44 Raha atao hoe mandeha mivoaka hiady amin'ny fahavalo ny olonao, na inona na inona fomba nandefasanao azy ireo, ary raha mivavaka aminao, Yaveh, manatrika ny tanàna izay voafidinao izy ireo, ary manatrika ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao.
\v 45 Dia mihainoa ny vavaka sy ny fangatahan'izy ireo any an-danitra, ary omeo rariny izy.
\s5
\v 46 Raha atao hoe manota aminao izy ireo, satria tsy misy olona tsy manota, ary raha atao hoe tezitra amin'izy ireo Ianao ka manolotra azy ireo ho eo amin'ny fahavalo, ka alain'ny fahavalo ho babo ho any amin'ny taniny izy ireo, na lavitra na akaiky.
\v 47 Ary raha atao hoe tsaroan'izy ireo fa any amin'ny tany izay nanaovana sesin-tany azy izy ireo, ary raha atao hoe mibebaka izy ireo ka mitady sitraka aminao any amin'ny tanin'ireo nambabo azy ireo. Raha miteny izy ireo hoe: 'Nanao zavatra tsy nety izahay ary nanota. Ratsy fitondran-tena izahay.'
\s5
\v 48 Ka miverina aminao amin'ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo any amin'ny tanin'ireo fahavalony izay nambabo azy izy ireo, ary raha atao hoe mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razan'izy ireo, ary manandrify ny tanàna izay nofidinao izy ireo, ary manandrify ny trano izay naoriko ho an'ny anaranao.
\s5
\v 49 Dia mihainoa ny vavak'izy ireo sy ny fangatahan'izy ireo famonjena, any an-danitra, izay toerana honenanao, ary hanamarina ny raharaha ho azy ireo Ianao.
\v 50 Mamelà ny olonao, izay nanota taminao, sy ny fahotany rehetra izay nandikany ny didinao. Mihantrà azy ireo manoloana ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, mba hiantran'ny fahavalon'izy ireo ny vahoakanao ihany koa.
\s5
\v 51 Vahoakanao izay nofidianao izy ireo, izay navotanao avy tany Egypta toy ny avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by.
\v 52 Mivavaka aho mba hisokatra amin'ny fangatahan'ny mpanomponao sy ny fangatahan'ny Israely olonao ny masonao, mba hihaino azy ireo na oviana na oviana hiantsoany Anao.
\v 53 Fa navahanao teo amin'ireo vahoakan'ny tany rehetra izy ireo mba ho Anao ary handray ireo fampanantenanao, araka ny nazavainao tamin'ny alalan'i Mosesy mpanomponao, fony nitondra ny razanay nivoaka an'i Egypta Ianao, ry Tompo Yaveh."
\s5
\v 54 Koa rehefa avy nanao izany vavaka sy fangatahana rehetra izany tamin'i Yaveh i Solomona, dia nitsangana avy teo anoloan'ny alitaran'i Yaveh izy, rehefa avy nandohalika sy namelatra ny tanany nanatrika ny lanitra.
\v 55 Nitsangana izy ary nitso-drano ny fivondronan'Israely rehetra tamin'ny feo mafy, nanao hoe:
\v 56 "Deraina anie Yaveh, ilay nanome fitsaharana ho an'Israely olony, tamin'ny fitanany ny fampanantenany rehetra. Tsy nisy teny latsaka avy tamin'ny fampanantenana soan'i Yaveh izay nataony tamin'i Mosesy mpanompony.
\s5
\v 57 Homba antsika anie Yaveh Andriamanintsika, tahaka ny nombàny an'ireo razantsika.
\v 58 Tsy handao antsika anie Izy na hahafoy antsika, mba hampitongilaniny ho Aminy ny fontsika, mba hiaina amin'ny lalany rehetra sy hitandrina ireo didy aman-dalàny ary ireo fitsipiny, izay nandidiany an'ireo razantsika.
\s5
\v 59 Aoka ireo teny izay nambarako, izay nangatahiko teo anatrehan'i Yaveh, ho akaikin'i Yaveh Andriamanitsika andro aman'alina, mba hanomezany rariny ny mpanompony sy ny Israely olony, araka izay ilaina isan'andro;
\v 60 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany fa i Yaveh, no Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa!
\v 61 Koa aoka ho marina amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fonareo, mba handeha eo amin'ny lalàny ary hitandrina ireo didiny, tahaka ny anio."
\s5
\v 62 Koa dia nanolotra sorona ho an'i Yaveh ny mpanjaka sy ireo Israely rehetra niaraka taminy.
\v 63 Nanolotra sorona fanati-pihavanana i Solomona, izay nataony ho an'i Yaveh: omby roa arivo sy roa alina ary ondry 120. 000. Koa dia notokanan'ny mpanjaka sy ireo vahoakan'Israely rehetra ny tranon'i Yaveh.
\s5
\v 64 Ny andron'io ihany dia natokan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja teo anoloan'ny tempolin'i Yaveh, fa teo no nanolorany ny fanatitra dorana, ny fanatitra vary, ary ny tavin'ny fanati-pihavanana, satria kely loatra raha handraisana ny fanatitra dorana, ny fanatitra hohanina, ary ny tavin'ireo fanati-pihavanana ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh.
\s5
\v 65 Koa nataon'i Solomona, mbamin'ireo Israely rehetra niaraka taminy, izay fivondronam-be, hatrany Lebo-hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Egypta, teo anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika nandritra ny fito andro ary nandritra ny fito andro hafa koa, izay mira efatra ambin'ny folo andro ny lanonana tamin'izany fotoana izany.
\v 66 Ary tamin'ny andro fahavalo dia nampody ireo vahoaka izy, ary nitso-drano ny mpanjaka izy ireo ka nody tany an-tranony tamin'ny fo ravoravo sy falifaly nohon'ny amin'ny fahatsarana rehetra nasehon'i Yaveh tamin'i Davida mpanompony, ary tamin'Israely olony.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Rehefa vitan'i Solomona ny fananganana ny tranon'i Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka, ary rehefa nahatanteraka izay rehetra niriany ho vita izy,
\v 2 dia niseho fanindroany tamin'i Solomona i Yaveh, tahaka ny nisehoany taminy tao Gibeona.
\s5
\v 3 Ary hoy Yaveh taminy hoe: "Efa reko ny vavakao sy ny fangatahanao izay nataonao teo anatrehako. Efa natokako ho Ahy, ity trano izay natsanganao ity, mba hametrahako ny anarako ho ao mandrakizay. Ny masoko sy ny foko dia ho eo foana amin'ny fotoana rehetra.
\s5
\v 4 Ary ianao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehan'i Davida rainao tamin'ny fahitsim-po sy tamin'ny fahamarinana, hankato izay nandidiako anao rehetra ary hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko,
\v 5 dia hametraka ny sezan'ny fiandrianan'ny fanjakanao eo amin'ny Israely mandrakizay aho, tahaka ny nampanantenaiko tamin'i Davida rainao, hoe: 'Ny taranakao dia tsy hiala eo amin'ny seza fiandrian'Israely mihitsy.'
\s5
\v 6 Fa raha mivily ianao, ianao na ireo zanakao, ka tsy mitandrina ireo didiko sy ireo lalàko izay napetrako eo anatrehanao, ary raha mandeha ka manompo andriamani-kafa ary miankohoka eo amin'izy ireo ianao,
\v 7 dia ho esoriko amin'ny tany izay nomeko azy ireo Israely; ary ity trano izay efa natokako ho an'ny anarako ity, dia ho esoriko tsy ho hitan'ny masoko, ary Israely dia ho tonga tahaka ny zavatra faneso sy hihomehezana eo amin'ireo vahoaka rehetra.
\s5
\v 8 Ho rava ho antontam-bato ity tempoly ity, ary izay rehetra mandalo eo amin'izany dia ho gaga ka hisiotsioka. Hanontany izy ireo hoe: 'Nahoana i Yaveh no nanao izao tamin'ity tany sy trano ity?'
\v 9 Ny hafa hamaly hoe: 'Satria nahafoy an'i Yaveh Andriamaniny izy ireo, izay nitondra ny razam-ben'izy ireo nivoaka ny tany Egypta, ary nifikitra tamin'ireo andriamani-kafa ka niankohoka ary nanompo azy ireo. Izany no antony nitondran'i Yaveh izany loza rehetra izany tamin'izy ireo.'"
\s5
\v 10 Rehefa tapitra ny roapolo taona izay nahavitan'i Solomona ny fananganana ireo trano lehibe roa, ny tempolin'Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka.
\v 11 Ary Hirama mpanjakan'i Tyra, dia namatsy hazo sedera sy kypreso, ary volamena an'i Solomona- izay rehetra nirian'i Solomona_ ka dia nomen'i Solomona Mpanjaka tanàna roapolo tao amin'ny tanin'i Galilia i Hirama.
\s5
\v 12 Nivoaka avy tao Tyro i Hirama mba hijery ireo tanàna izay nomen'i Solomona azy, kanefa tsy nahafaly azy izany.
\v 13 Ary hoy i Hirama: "Fa tanàna inona ireto omenao ahy ireto, ry rahalahiko?" Nantsoin'i Hirama hoe Tany Kobola ireo, izay mbola hiantsoana azy ireo hatrany mandraka androany.
\v 14 Nampanatitra talenta volamena 120 ho an'ny mpanjaka i Hirama.
\s5
\v 15 Izao manaraka izao no anton'ny fitakiana amin'ny asa izay napetrak'i Solomona Mpanjaka: mba hananganana ny tempolin'Yaveh sy ny lapany, mba hananganana an'i Milo sy ny rindrin'i Jerosalema, ary ny mba hananganana ny manda fiarovan'i Hazora, Megido, ary Gazera.
\v 16 Niakatra ary naka an'i Gazera i Farao mpanjakan'i Egypta. Nodorany izany ary novonoiny ireo Kananita tao an-tanàna. Ary dia nomen'i Farao an'ny zanany vavy, vadin'i Solomona, ho fanomezana ho an'ny fampiakaram-bady ny tanàna.
\s5
\v 17 Ka dia naverin'i Solomona natsangana i Gazera sy Beti-horona Ambany,
\v 18 Baleta sy Tadmora any an'efitra any amin'ny tany Joda,
\v 19 sy ireo tanàna fitehirizana rehetra izay nananany, sy ireo tanànan'ireo kalesiny ary ireo tanànan'ny mpitaingin-tsoavaliny, ary izay rehetra niriany ho atsangana ho fahafinaretany tao Jerosalema, tao Libanona, ary tamin'ny tany rehetra eo ambanin'ny fifehezany.
\s5
\v 20 Ary ireo vahoaka rehetra sisa tavela tamin'ireo Amorita, Hitita, Perizita, Hivita, ary Jebosita, izay tsy vahoakan'ny Israely,
\v 21 ireo taranak'izy ireo izay tavela niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tany, izay tsy vitan'ny olon'Israely ny nandrava azy tanteraka_ nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona izy ireo, mandraka androan.
\s5
\v 22 Na dia izany aza, dia tsy nataon'i Solomona mpiasa an-terivozona ireo vahoakan'ny Israely. Fa kosa, lasa miaramilany sy mpanompony, manam-pahefany, sy manam-boninahiny ary mpifehy ireo kalesiny ary mpitaingin-tsoavaliny izy ireo.
\s5
\v 23 Ireto ihany koa ireo lehiben'ny manam-pahefany misahana ireo mpanara-maso izay teo amin'ny asan'i Solomona, 550 tamin'izy ireo, izay nanara-maso ny vahoaka izay niasa.
\s5
\v 24 Nifindra avy tao amin'ny tananàn'i Davida mba ho any amin'ny trano izay natsangan'i Solomona ho azy ny zanaka vavin'i Farao. Taty aoriana, dia nanangana an'i Milo i Solomona.
\s5
\v 25 Manolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana in-telo isan-taona eo ambonin'ny alitara izay naoriny ho an'i Yaveh i Solomona, mandoro ditin-kazo manitra miaraka amin'ireo eo ambony alitara izay eo anatrehan'i Yaveh. Ka vitany ny tempoly ary ampiasainy izany ankehitriny.
\s5
\v 26 Nanamboatra andian-tsambo tao Ezion-gebera i Solomona Mpanjaka, izay akaikin' Elota, teo amoron'ny Ranomasina Mena, tao amin'ny tany Edoma.
\v 27 Nandefa mpanompo ho an'ny andian-tsambon'i Solomona i Hirama, tantsambo izay nahay ny ranomasina, niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona.
\v 28 Nandeha tany Ofira niaraka tamin'ireo mpanompon'i Solomona izy ireo. Avy any no nitondran'izy ireo talenta volamena 420 ho an'i Solomona Mpanjaka.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Rehefa nandre ny lazan'i Solomona momba ny anaran'i Yaveh ny mpanjakavin'i Sheba, dia tonga hitsapa azy amin'ny fanontaniana sarotra izy.
\v 2 Tonga tany Jerosalema niaraka tamina rodobe lava dia lava, nisy rameva nitondra zava-manitra, volamena be dia be, ary vato sarobidy maro izy. Nony tonga izy, dia nambarany tamin'i Solomona avokoa izay tao am-pony rehetra.
\s5
\v 3 Novalian'i Solomona ny fanontaniany rehetra. Tsy nisy tsy voavalin'ny mpanjaka ny fanontaniany.
\v 4 Rehefa nahita ny fahendren'i Solomona rehetra ny mpanjakavavin'i Sheba, ny lapa izay naoriny,
\v 5 ny sakafo teo an-databany, ny sezan'ny mpanompony, ny asan'ireo mpanompony sy ny fitafian'izy ireo, ary ny mpitondra ny kapoakany ihany koa, sy ny fomba nanolorany fanatitra dorana tao an-tranon'i Yaveh, dia talanjona tokoa izy.
\s5
\v 6 Hoy izy tamin'ny mpanjaka: "Marina tokoa, ilay tatitra izay reko tany amin'ny taniko momba ny teninao sy ny fahendrenao.
\v 7 Tsy nino aho raha tsy tonga tety, ary nahita maso izany aho ankehitriny. Tsy ampy antsasany amin'ny fahendrena sy harenanao no voatantara tamiko! Nihoatra izay reko ny lazanao.
\s5
\v 8 Sambatra ery ireo vadinao, ary sambatra ihany koa ireo mpanomponao izay mijanona manoloana anao foana, satria mandre ny fahendrenao izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany dia mivaky toy izao: "Sambatra ery ireo olonao." Kanefa, misy dika taloha manan-danja koa manana ny hoe: "Sambatra ery ireo vadinao." Maro ireo mihevitra fa ny teny hoe: "vehivavy" dia diso famaky ka lasa hoe: "lehilahy", satria ny teny Hebreo dia nitovitovy dika. \f*
\v 9 Hoderaina anie i Yaveh Andriamanitrao, izay mahita sitraka aminao, sy nametraka anao teo amin'ny seza fiandrianan'i Israely. Satria tian'i Yaveh mandrakizay Israely, nataony mpanjaka ianao, mba hanaovanao ny rariny sy ny fahamarinana!"
\s5
\v 10 Nomeny talenta volamena 120 ary zava-manitra maro sy vato sarobidy ny mpanjaka. Tsy nisy nanome zava-manitra betsaka toy ireo izay nomen'i mpanjakavavin'ny Sheba an'i Solomona Mpanjaka intsony.
\s5
\v 11 Ary ny andian-tsambon'i Hirama, izay nitondra volamena avy tany Ofira, nitondra hazo almoga sy vato sarobidy maro ihany koa.
\v 12 Nataon'ny mpanjaka tsangam-bato ho an'ny tranon'i Yaveh sy ny lapan'ny mpanjaka, ary lokanga sy valiha ho an'ireo mpihira ny hazo almoga. Tsy nisy hazo almoga betsaka toy izany tonga na hita intsony mandraka androany.
\s5
\v 13 Nomen'i Solomona Mpanjaka izay rehetra niriany ny mpanjakavavin'i Sheba, na inona na inona nangatahany, miampy an'izay fanomen'i Solomona azy amin'ny fanomen'i mpanjaka. Ka dia niverina tamin'ny taniny niaraka tamin'ireo mpanompony izy.
\s5
\v 14 Ary ny volamena tonga tao amin'i Solomona tao anatin'ny herintaona dia talenta volamena milanja 666,
\v 15 afa-tsy ny volamena nentin'ireo mpanakalo sy mpivarotra. Ireo mpanjaka rehetra tany Arabia sy ireo governora tao amin'ny firenena ihany koa dia nitondra volamena sy volafotsy tany amin'i Solomona.
\s5
\v 16 Nanao ampinga lehibe roanjato vita tamin'ny volamena voatefy i Solomona Mpanjaka. Sekely volamena eninjato no nanaovana ny iray tamin'izany.
\v 17 Nanao ampinga telonjato vita tamin'ny volamena voatefy ihany koa izy. Ka volamena telo mane no nanaovana ny iray tamin'ny ampinga; napetraky ny mpanjaka tao amin'ny lapan'ny Alan'i Libanona ireo.
\s5
\v 18 Ary nanao seza fiandrianana ivory lehibe ny mpanjaka ary nofonosiny tamin'ny volamena faran'izay manify izany.
\v 19 Nisy antanan-tohatra enina nankeo amin'ny seza fiandrianana, ary boribory ny fiankinany. Nisy fametrahan-tanana isaky ny sisin'ny seza, ary liona roa mitsangana eo akaikiny.
\v 20 Liona roa ambin'ny folo no nitsangana teo amin'ireo antanan-tohatra, iray isaky ny sisin'ny antanan-tohatra enina. Tsy nisy seza fiandrianana tahaka izany teo amin'ny firenena hafa rehetra.
\s5
\v 21 Ny kapoaka fisotroan'i Solomona Mpanjaka rehetra dia vita tamin'ny volamena avokoa, ary ny kaopy fisotroana tao amin'ny Lapan'ny Alan'i Libanona dia vita tamin'ny volamena tsy misy fangarony avokoa. Tsy nisy volafotsy ireo, satria tsy noraisina ho sarobidy izany tamin'ny andron'i Solomona.
\v 22 Nanana andian-tsambo mpitety ranomasina ny mpanjaka, niaraka tamin'ny andian-tsambon'i Hirama. Indray mandeha anatin'ny telo taona no nitondra volamena, volafotsy, ary ivory ireo andian-tsambo, ary rajako sy gidro ihany koa.
\s5
\v 23 Nihoatra tamin-karena sy tamin'ny fahendrena noho ny an'ireo mpanjaka rehetra teto an-tany ny an'i Solomona Mpanjaka.
\v 24 Nitady ny hifanatrika tamin'i Solomona ny tany iray manontolo mba handre ny fahendreny, izay napetrak'Andriamanitra tao am-pony.
\v 25 Nitondra fanomezana ireo izay namangy, fanaka volafotsy sy volamena, ary akanjo, akanjo fiarovana, ary zava-manitra, soavaly sy ampondra ihany koa, isan-taona isan-taona
\s5
\v 26 Nanangona kalesy sy mpitaingin-tsoavaly i Solomona. Nanana kalesy 1. 400 sy mpitaingin-tsoavaly roa arivo sy iray alina izy izay najanony tao amin'ny tanàna fitoeran'ny kalesy sy niaraka taminy tany Jerosalema.
\v 27 Nanana volafotsy tao Jerosalema ny mpanjaka, maro toy ny vato teo amin'ny tany izany. Nataony betsaka toy ny hazo aviavy teny amin'ny tany lemaka ny hazo sedera.
\s5
\v 28 Nanana soavaly izay novidiana tany Egypta sy Silisia i Solomona. Novidian'ny mpivarotry ny mpanjaka isan'andiany izy ireo, ary samy nanana ny vidiny avy ny andiany iray.
\v 29 Ny kalesy dia tany ivelan'i Egypta no novidiana ary sekely volafotsy eninjato ny iray, ary soavaly 150 sekely ny iray. Maro tamin'ireo no namidy tamin'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana rehetra.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary i Solomona Mpanjaka dia nitia vehivavy vahiny maro: ilay zanaka vavin'i Farao sy ireo vehivavin'i Moabita, Amonita, Edomita, Sidoniana, ary ireo Hetita-
\v 2 ireo firenena voakasik'izay nolazain'i Yaveh tamin'ireo vahoakan'i Israely hoe: "Tsy handeha eo amin'izy ireo ianao mba hanambady, na izy ireo ho eo aminao, satria izy ireo dia hampitodika ny fonao amin'ireo andriamanitr'izy ireo tokoa." Kanefa i Solomona tia an'ireo vehivavy ireo.
\s5
\v 3 Nanana vady andriambavy fitonjato sy vaditsindrano telonjato i Solomona. Nampitodika ny fony ireo vehivavy ireo.
\v 4 Fa rehefa niha-antitra i Solomona, dia nampitodika ny fony tamin'ireo andriamani-kafa ireo vadiny; fa tsy tena nanankim-po tanteraka tamin'i Yaveh Andriamaniny izy, tahaka ny fon'i Davida rainy.
\s5
\v 5 Fa i Solomona dia nanaraka an'i Astarta, ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana, ary nanaraka an'i Milkoma izy, ilay sampy vetavetan'ireo Amonita.
\v 6 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Solomona; tsy nanaraka tanteraka an'i Yaveh izy, tahaka nataon'i Davida rainy.
\s5
\v 7 Ary nanangana toerana avo ho an'i Kemosy i Solomona, ilay sampy vetavetan'i Moaba, teo amin'ny havoana antsinanan'i Jerosalema, ary ho an'i Moloka ihany koa, ilay sampy vetavetan'ny vahoakan'i Amona.
\v 8 Nanangana toerana avo ihany koa izy ho an'ireo vehivavy vahininy rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy nanao sorona ho an'ireo andriamanitr'izy ireo tamin'ireo.
\s5
\v 9 Tezitra tamin'i Solomona i Yaveh, nohon'ny nivilin'ny fony niala taminy, ilay Andriamanitr'i Israely, na dia niseho indroa taminy aza Izy
\v 10 ary nandidy azy momba io zavatra io mihitsy, fa tsy tokony hanaraka ireo andriamani-kafa izy. Fa i Solomona dia tsy nankato izay didin'i Yaveh.
\s5
\v 11 Noho izany dia hoy i Yaveh tamin'i Solomona: "Satria nanao izany ianao ary tsy nitàna ny fanekem-pihavanana sy ireo lalàko izay nandidiako anao, dia ho alako aminao tokoa ny fanjakana ary homeko ny mpanomponao.
\v 12 Kanefa, nohon'ny amin'i Davida rainao, dia tsy hanao izany amin'ny androm-piainanao rehetra aho, fa hanala izany amin'ny tanan'ny zanakao.
\v 13 Tsy mbola hanala ny fanjakana rehetra aminao aho; fa hanome foko iray ho an'ny zanakao nohon'ny amin'i Davida, sy nohon'ny amin'i Jerosalema, izay nofidiko."
\s5
\v 14 Dia nanangana fahavalo iray ho an'i Solomona i Yaveh, dia i Hadada ilay Edomita. Avy amin'ny fianakavian'andrian'i Edoma izy.
\v 15 Rehefa tao Edoma i Davida, dia niakatra mba handevina ny maty i Joaba ilay lehiben'ny tafika, ny olon-drehetra izay voavono tao Edoma.
\v 16 Nitoetra tao nandritra ny enim-bolana i Joaba sy Israely rehetra mandra-pahavoavono ny lehilahy rehetra tao Edoma.
\v 17 Fa i Hadada dia nalain'ireo mpanompon'ny rainy tao Egypta niaraka tamin'ireo Edomita hafa, satria i Hadada dia mbola zazalahy kely.
\s5
\v 18 Niala tao Midiana izy ireo ary tonga tao Parana, izay nakan'izy ireo olona miaraka aminy ho any Egypta, ho any amin'i Farao mpanjakan'i Egypta, izay nanome trano sy tany ary sakafo ho azy.
\v 19 Nahita sitraka lehibe teo imason'i Farao i Hadada, ka nomen'i Farao vady izy, dia ny rahavavim-badiny, ilay rahavavin'i Tapanesa mpanjakavavy.
\s5
\v 20 Niteraka zazalahy tamin'i Hadada ilay rahavavin'i Tapanesa. Nomen'izy ireo ny anarana hoe Genobata izy. Natsangan'i Tapanesa tao amin'ny lapan'i Farao izy. Ka nipetraka tao amin'ny lapan'i Farao teo amin'ireo zanak'i Farao i Genobata.
\v 21 Raha mbola tao Egypta izy, dia nandre i Hadada fa nodimandry any amin'ireo razany i Davida ary i Joaba ilay kapitenin'ny miaramila dia maty, hoy i Hadada tamin'i Farao: "Avelao aho handeha, mba ho afaka ho any amin'ny fireneko."
\v 22 Dia hoy i Farao taminy: "Fa inona no tsy ampy anao eto amiko, no mitady ho any amin'ny firenenao ianao ankehitriny?" Dia namaly i Hadada hoe: "Tsy misy. Mba avelao handeha re aho."
\s5
\v 23 Nanangam-pahavalo hafa ho an'i Solomona ihany koa Andriamanitra, dia i Rezona zanak'i Eliada, izay nandositra an'i Hadadezera mpanjakan'i Zoba tompony.
\v 24 Nanangona olona ho azy i Rezona ka lasa kapitenina tafika kely izy, rehefa nandresy ny olon'i Zoba i Davida. Ireo lehilahin'i Rezona dia nankany Damaskosy ary nipetraka tany, ka nofehezin'i Rezona i Damaskosy.
\v 25 Fahavalon'i Israely izy nandritra ny andron'i Solomona rehetra, niaraka tamin'ny korontana izay nataon'i Hadada. Nankahala an'i Israely i Rezona ary nanjaka teo amin'i Arama.
\s5
\v 26 Ary i Jeroboama zanak'i Nebata, Efraimita avy any Zareda, manam-pahefan'i Solomona, izay Zeroa no anaran-dreniny, mpitondratena iray, dia nanainga ny tanany tamin'ny mpanjaka ihany koa.
\v 27 Ny antony nananganany ny tanany tamin'ny mpanjaka dia satria nanorina toerana tao Milo sy nanampina ny lavaka tamin'ny rindrin'ny tanànan'i Davida rainy i Solomona.
\s5
\v 28 Jeroboama dia lehilahy iray mahery. Hitan'i Solomona fa zatovolahy miasa izy, ka nomeny alalana nibaiko ireo asa rehetra tao amin'ny tranon'i Josefa.
\v 29 Tamin'izany fotoana izany, rehefa nivoaka an'i Jerosalema i Jeroboama, dia nahita azy teny amin'ny lalana i Ahia Silonita mpaminany. Ary niakanjo vaovao i Ahia ary izy roalahy dia irery tao an-tsaha.
\v 30 Ary nanala ny akanjo vaovao izay teny aminy i Ahia ka nizarazara izany ho roa ambinifolo.
\s5
\v 31 Hoy izy tamin'i Jeroboama: "Makà tapatapany folo, fa i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, niteny hoe: "Indro, hanala ny fanjakana eo amin'ny tanan'i Solomona Aho ka hanome foko folo ho anao
\v 32 (fa i Solomona dia hanana foko iray, nohon'ny amin'i Davida sy nohon'ny amin'i Jerosalema- ilay tanàna izay nofidiko tamin'ireo fokon'i Israely rehetra),
\v 33 satria nahafoy Ahy izy ireo ary nanompo an'i Astarta ilay andriamani-bavin'ireo Sidoniana, Kemosy ilay andriamanitr'i Moaba, ary Moloka ilay andriamanitry ny vahoakan'i Amona. Tsy nandeha tamin'ny lalako izy ireo, mba hanao izay marina eo imasoko, sy hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nataon'i Davida rainy.
\s5
\v 34 Kanefa, tsy haka ny fanjakana iray manontolo amin'ny tanan'i Solomona Aho. Fa kosa, nanao azy ho mpanapaka amin'ny andro rehetra hiainany, nohon'ny amin'i Davida mpanompoko izay nofidiko, ilay iray izay nitandrina ireo didiko sy ireo lalàko.
\v 35 Fa haka ny fanjakana eo an-tanan'ny zanany Aho ka hanome izany anao, dia ireo foko folo.
\v 36 Hanome foko iray ho an'ny zanak'i Solomona Aho, mba hanana fanilo mandrakariva eo anatrehako ao Jerosalema i Davida mpanompoko, tanàna izay nofidiko mba hasiana ny Anarako.
\s5
\v 37 Haka anao Aho, ka hanapaka ianao mba hanatanteraka izay rehetra irinao, dia ho mpanjaka eo amin'i Israely ianao.
\v 38 Raha mihaino izay handidiko anao rehetra ianao, ary raha mandeha amin'ireo lalako sy manao izay marina eo imasoko, mba hitandrina ireo lalàko sy ireo didiko, tahaka ny nataon'i Davida mpanompoko, dia hiaraka aminao Aho ary hanangana trano azo antoka ho anao, tahaka ny nananganako ho an'i Davida, ary hanome anao an'i Israely Aho.
\v 39 Hanasazy ireo taranak'i Davida Aho, fa tsy ho mandrakizay."'
\s5
\v 40 Ka nikasa ny hamono an'i Jeroboama i Solomona. Fa i Jeroboama niakatra ary nandositra tany Egypta, tany amin'i Sisaka mpanjakan'i Egypta, dia nijanona tao Egypta izy mandra-pahafatin'i Solomona.
\s5
\v 41 Raha ny amin'ny raharaha hafa mikasika an'i Solomona, izay rehetra nataony sy ny fahendreny, moa ve tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ireo tantara momba an'i Solomona ireo?
\v 42 Nanjaka tao Jerosalema tamin'ireo Israely rehetra i Solomona nandritra ny efapolo taona.
\v 43 Nodimandry tany amin'ireo razambeny izy ary nalevina tao amin'ny tanàn'i Davida rainy. Dia lasa mpanjaka taoriany i Rehoboama zanany lahy.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Dia nankany Sekema i Rehoboama, satria ny Israely rehetra no tonga tao Sekema mba hanao azy ho mpanjaka.
\v 2 Nandre izany Jeroboama zanaka lahin'i Nebata (fa izy mbola tany Egypta, tany amin'izay nitsoahany ny fanatrehan'i Solomona Mpanjaka), satria Jeroboama nonina tao Egypta.
\f + \ft Fanamarihana: "Ny dikan-teny sasany manao hoe: "ary i Jeroboama niverina avy tany Egypta." \f*
\s5
\v 3 Ary nampaniraka sy niantso azy izy ireo, ary Jeroboama sy ireo fiangonan'ny Israely rehetra tonga ary niteny tamin'i Rehoboama hoe: "
\v 4 Nataon'ny rainao mavesatra ny zioganay. Koa hamaivano ny asa mafin'ny rainao, ary hamaivano ny zioga mavesatra izay nampitondrainy anay, dia hanompo anao izahay."
\v 5 Rehoboama niteny tamin'izy ireo hoe: "Mandehana mandritra ny telo andro ary miverena aty amiko." Koa lasa ny vahoaka.
\s5
\v 6 Naka hevitra tamin'ireo lehilahy zokiolona izay nanatrika an'i Solomona rainy fony izy mbola velona i Rehoboama Mpanjaka, ary hoy izy hoe: "Inona no torohevitrareo ho ahy mba hamaliako ireo vahoaka ireo?"
\v 7 Niteny taminy izy ireo ary nanao hoe: "Raha ho mpanompon'ireo vahoaka ireo ianao anio ka hanompo azy ireo, ary hamaly azy ireo amin'ny teny tsara, dia ho mpanomponao mandrakariva izy ireo."
\s5
\v 8 Fa i Rehoboama nandà ny torohevitra izay nomen'ny zokiolona azy ary nila hevitra tamin'ireo tovolahy izay niara-lehibe taminy sy nanatrika azy.
\v 9 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no torohevitra omenareo ahy izay mety havalintsika ireo vahoaka izay niresaka sy niteny tamiko hoe: "Hamaivano ny zioga izay napetraky ny rainao taminay'?"
\s5
\v 10 Ireo zatovolahy izay niara-lehibe tamin'i Rehoboama niteny taminy ary nanao hoe: "Miresaha amin'ireo vahoaka izay niteny taminao fa i Solomona rainao dia nanao ny ziogan'izy ireo ho mavesatra kanefa ianao tsy maintsy hanamaivana izany. Tokony hilaza amin' izy ireo ianao hoe: 'Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko.
\v 11 Koa ankehitriny, na dia nampitondra zioga mavesatra anareo aza ny raiko, dia mbola hanampy ny zioganareo aho. Ny raiko nanafay anareo tamin'ny karavasy fa izaho kosa hanafay anareo amin'ny maingoka.'"
\s5
\v 12 Ka tonga tany amin'i Rehoboama tamin'ny andro fahatelo i Jeroboama sy ny vahoaka rehetra, araka ny nandidian'ny mpanjaka rehefa niteny izy hoe: "Miverena eto amiko amin'ny andro fahatelo."
\v 13 Ny mpanjaka namaly ny vahoaka tamin'ny teny mafy ary nandà ny torohevitra izay nomen'ireo zokiolona azy.
\v 14 Niresaka tamin'izy ireo izy araka ny torohevitr'ireo zatovolahy; hoy izy hoe: "Nampitondra anareo zioga mavesatra ny raiko, kanefa mbola hanampy ny zioganareo aho. Nanafay anareo tamin'ny karavasy ny raiko, fa izaho kosa hanafay anareo amin'ny maingoka."
\s5
\v 15 Ary dia tsy nihaino ny vahoaka ny mpanjaka, fa avy amin'i Yaveh izany zavatra izany, mba hahafahany manatanteraka ny teniny izay nolazainy tamin'ny alalan'i Ahia ilay Silonita tamin'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata.
\s5
\v 16 Rehefa hitan'ny Israely rehetra fa tsy nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia namaly azy ny vahoaka ary nanao hoe: "Inona no mba anjaranay ao amin'i Davida? Tsy manana lova ao amin'ny zanaka lahin'i Jese izahay! Mankanesa any an-dainareo, ry Israely. Ankehitriny jereo ny ankohonanao, ry Davida." Dia niverina tany an-dainy ny Israely.
\v 17 Fa ireo vahoakan'i Israely izay nonina tao an-tanànan'i Joda, dia i Rehoboama no lasa mpanjakan'izy ireo.
\s5
\v 18 Ary i Rehoboama Mpanjaka naniraka an'i Adorama, izay nifehy mpiasa an-terivozona, fa ny Israely rehetra nitora-bato azy ka maty izy. Rehoboama mpanjaka nandositra faingana tany Jerosalema niaraka tamin'ny kalesiny.
\v 19 Noho izany Israely dia nikomy tamin'ny taranak'i Davida mandrak'androany.
\s5
\v 20 Rehefa rèn'ny Israely rehetra fa efa niverina i Jeroboama dia nampaniraka nampiantso azy ho ao amin'ny fivorian'izy ireo, ary nanao azy ho mpanjakan'ny Israely rehetra. Tsy nisy olona na iray aza nanaraka ny fianakavian'i Davida, afa-tsy ny fokon'i Joda irery ihany.
\s5
\v 21 Rehefa tonga tao Jerosalema Rehoboama, dia namory ireo taranak'i Joda sy ireo fokon'i Benjamina rehetra; nisy lehilahy voafidy 180. 000 izay miaramila, mba hiady amin'ny taranak'Israely, mba hamerina ny fanjakan'i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona.
\s5
\v 22 Fa ny tenin'Andriamanitra tonga tamin'i Semaia, ilay lehilahin'Andriamanitra; voalaza hoe:
\v 23 "Ilazao i Rehoboama zanaka lahin'i Solomona, mpanjakan'i Joda, ny taranak'i Joda sy i Benjamina rehetra, ary ireo olona ambiny rehetra; lazao hoe:
\v 24 'Izao no tenin'i Yaveh: Aza manafika na miady amin'ny rahalahinao vahoakan'i Israely ianao. Ny lehilahy tsirairay dia tsy maintsy miverina any amin'ny tranony, satria avy Amiko izao zavatra izao.'" Dia nihaino ny tenin'i Yaveh izy ireo, ary niverina sy nandray ny lalany, ary nankatò ny teniny izy ireo.
\s5
\v 25 Ary Jeroboama nanorina an'i Sekema teo amin'ny tany havoan'i Efraima, ary nonina teo. Nivoaka avy tao izy ary nanorina an'i Pehoela.
\v 26 Jeroboama nanao anakam-po hoe: "Hiverina ho an'ny taranak'i Davida ny fanjakana ankehitriny.
\v 27 Raha miakatra mba hanao sorona ao amin'ny tempolin'i Yaveh ao Jerosalema ireo vahoaka ireo, dia hiverina amin'ny tompon'izy ireo, dia amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda indray ny fon'ireo vahoaka ireo. Hamono ahy izy ireo ka hiverina amin'i Rehoboama mpanjakan'i Joda."
\s5
\v 28 Ary Rehoboama mpanjaka nitady hevitra ary nanamboatra zanak'omby volamena roa; dia hoy izy tamin'ny vahoaka: "Sarotra ho anareo ny hiakatra ho any Jerosalema. Indro, ireto ny andriamanitrareo, ry Israely, izay nitondra anareo niakatra niala ny tany Egypta."
\v 29 Napetrany tao Betela ny iray ary ilay hafa tany Dana.
\v 30 Ary dia lasa fahotana izany fihetsika izany. Ny vahoaka nandeha tamin'ny iray na ilay hafa, tamin'ny lalana rehetra mankany Dana.
\s5
\v 31 Jeroboama nanorina ireo trano tamin'ny toerana avo ary nanendry mpisorona avy tamin'ireo vahoaka rehetra, izay tsy avy teo amin'ireo zanaka lahin'i Levy ihany koa izy.
\v 32 Nanendry andro firavoravoana i Jeroboama tamin'ny volana fahavalo, tamin'ny andro faha dimy ambin'ny folon'ny volana, tahaka ilay firavoravoana izay any Joda, ary niakatra teny amin'ny alitara izy. Tany Betela no nanaovany izany, nanao sorona tamin'ny zanak'omby izay namboariny, ary napetrany tany Betela ireo mpisorona tao amin'ny toerana avo izay nataony.
\s5
\v 33 Niakatra tany amin'ny alitara izay namboariny tao Betela i Jeroboama tamin'ny andro faha dimy ambin'ny folo tamin'ny volana fahavalo, tamin'ny volana izay noheverin'ny sainy manokana; nanendry andro firavoravoana ho an'ny vahoakan'i Israely izy, ary niakatra tany amin'ny alitara mba handoro ditin-kazo manitra.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Nisy lehilahin'Andriamanitra avy any Joda tonga tao Betela nohon'ny tenin'i Yaveh. Nijoro teo akaikin'ilay alitara i Jeroboama mba handoro ditin-kazo manitra.
\v 2 Nihikiaka tamin'ny alitara nohon'ny tenin'i Yaveh izy hoe: "Alitara! Alitara! Izao no ambaran'i Yaveh hoe: 'Indro, hisy lehilahy antsoina hoe Josia hateraka amin'ny fianakavian'i Davida, ary eo aminao no hanaovany sorona mpisorona amin'ny toerana avo indrindra izay mandoro ditin-kazo manitra eo aminao izao. Handoro taolan'olombelona eo aminao izy ireo.'"
\v 3 Avy eo ilay lehilahin'Andriamanitra nanome famantarana ny androtr'iny ihany, nanao hoe: "Izao no famantarana nolazain'i Yaveh: 'Indro, hiparitaka ny alitara, ary hiraraka ny lavenona eo aminy.'"
\s5
\v 4 Rehefa ren'ny mpanjaka izay nolazain'ilay lehilahin'Andriamanitra, fa niantso mafy nanohitra ny alitara tao Betela izy, dia naninjitra ny tanany avy eo amin'ny alitara i Jeroboama, nanao hoe: "Sambory izy." Avy eo maty ilay tanana izay nahinjiny tamin'ilay lehilahy, ka tsy afaka nanemotra izany hiverina intsony izy.
\v 5 (Niparitaka ihany koa ilay alitara ary niraraka avy teo amin'ilay alitara ny lavenona, araka ny voafaritr'ilay famantarana izay nomen'ilay lehilahin'Andriamanitra nohon'ny tenin'i Yaveh.)
\s5
\v 6 Namaly Jeroboama Mpanjaka ary niteny tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Mangataha sitraka amin'i Yaveh Andriamanitrao, ary mivavaha ho ahy, mba haverina amiko indray ny tanako." Noho izany dia nivavaka tamin'i Yaveh ilay lehilahin'Andriamanitra, ary naverina taminy indray ny tanan'ny mpanjaka, ary lasa toy ny teo aloha izany.
\v 7 Hoy ny mpanjaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Andao hody miaraka amiko ka haka aina, ary homeko valisoa ianao."
\s5
\v 8 Hoy ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka hoe: "Na dia homenao ahy aza ny antsasaky ny fanananao, dia tsy handeha hiaraka aminao aho, na hihinan-kanina na hisotro rano amin'ity toerana ity,
\v 9 satria Yaveh nandidy ahy tamin'ny teniny hoe: 'Tsy hihinana mofo na hisotro rano ianao, na hiverina amin'ny lalana izay nihavianao.'"
\v 10 Noho izany dia nandeha tamin'ny lalana hafa ilay lehilahin' Andriamanitra ary tsy niverina tany an-tranony tamin'ny lalana izay nalehany ho any Betela.
\s5
\v 11 Ary nisy mpaminany antitra iray nipetraka tao Betela, ary tonga ny iray tamin'ireo zanany lahy ka niteny taminy ny zavatra rehetra izay vitan'ilay lehilahin'Andriamanitra tao Betela tamin'io andro io. Nolazain'ny zanany taminy koa ireo teny izay nolazain'ilay lehilahin'Andriamanitra tamin'ny mpanjaka.
\v 12 Hoy ny rain'izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Aiza no lalana nalehany?" Ary hitan'ilay zanany ny lalana nalehan'ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Joda.
\v 13 Noho izany dia hoy izy tamin'ireo zanany lahy hoe: "Asio lasely ho ahy ny boriky." Koa dia nasin'izy ireo lasely ilay boriky ary notaingenany izany.
\s5
\v 14 Nanaraka an'ilay lehilahin'Andriamanitra ilay mpaminany antitra ka nahita azy nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta; ary hoy izy taminy hoe: "Ianao ve ilay lehilahin'Andriamanitra avy any Joda?" Dia namaly izy hoe: "Izaho indrindra."
\v 15 Avy eo niteny taminy ilay mpaminany antitra hoe: "Andao hiaraka amiko any an-trano ary hihinan-kanina."
\v 16 Dia namaly ilay lehilahin'Andriamanitra hoe: "Tsy handeha hiverina hiaraka aminao aho na hiditra hiaraka aminao, na hihinan-kanina na hisotro rano miaraka aminao amin'izany toerana izany,
\v 17 satria nandidiana ahy tamin'ny tenin'i Yaveh izany hoe: 'Tsy mahazo mihinana sakafo na misotro rano any ianao, na miverina amin'ny lalana izay nandehananao.'"
\s5
\v 18 Dia hoy ilay mpaminany antitra taminy hoe: "Mpaminany tahaka anao koa aho, ary nisy anjely niresaka tamiko nohon'ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: 'Ento miverina any an-tranonao miaraka aminao izy, mba hahafahany mihinan-kanina sy misotro rano.'" Kanefa nandainga tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra izy.
\v 19 Noho izany dia nandeha niverina niaraka tamin'ilay mpaminany antitra ilay lehilahin'Andriamanitra ary nihinan-kanina tao an-tranony sy nisotro rano.
\s5
\v 20 Raha nipetraka teo an-databatra izy ireo, dia tonga tamin'ilay mpaminany izay nitondra azy niverina ny tenin'i Yaveh,
\v 21 ary nihikiaka tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra izay avy any Joda izy, nanao hoe: "Hoy Yaveh hoe: 'Satria tsy nankatoa ny tenin'i Yaveh ianao ary tsy nitandrina ny didy izay nomen'i Yaveh anao,
\v 22 fa niverina sy nihinan-kanina sy nisotro rano tao amin'ilay toerana izay nolazain'i Yaveh anao mba tsy hihinanana hanina na hisotroana rano, dia tsy halevina any amin'ny fasan'ireo razambenao ny vatanao.'"
\s5
\v 23 Rehefa avy nihinan-kanina sy rehefa avy nisotro izy, dia nasian'ilay mpaminany lasely ny borikin'ilay lehilahin'Andriamanitra, ilay lehilahy izay niverina niaraka taminy.
\v 24 Rehefa lasa ilay lehilahin' Andriamanitra, dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ary namono azy, ka navela teo an-dalana ny fatiny. Avy eo ilay boriky nijoro teo akaikin'izany, ary ny liona ihany koa dia nijoro teo anilan'ilay faty.
\v 25 Rehefa nandalo teo ny olona ka nahita ilay faty tavela teo an-dalana, ary ny liona nijoro teo akaikin'ilay faty, dia nandeha izy ireo ary niteny izany tany amin'ny tanàna izay nipetrahan'ilay mpaminany antitra.
\s5
\v 26 Rehefa ren'ilay mpaminany izay nitondra azy niverina tamin'ny lalana izany, dia hoy izy hoe: "Ilay lehilahin'Andriamanitra izay tsy nankatoa ny tenin'i Yaveh izany. Noho izany dia nomen'i Yaveh ny liona izy, izay namiravira azy sy namono azy, araka ny nampitandreman'ny tenin'i Yaveh azy."
\v 27 Koa niresaka tamin'ireo zanany lahy ilay mpaminany, nanao hoe: "Asio lasely ny borikiko,' dia nasian'izy ireo lasely izany.
\v 28 Nandeha izy ary nahita ilay faty tavela teny an-dalana, ary ilay boriky sy ilay liona nijoro teo akaikin'ilay faty. Tsy nohanin'ilay liona ilay faty, na novonoiny ilay ampondra.
\s5
\v 29 Nalain'ilay mpaminany ny fatin'ilay lehilahin' Andriamanitra, nampandriany teo amin'ilay boriky izany, ary nentiny niverina. Tonga tany amin'ny tanànany manokana izy mba hisaona sy handevina azy.
\v 30 Nampandriany tao amin'ny fasany manokana ilay faty, ary nisaona azy izy ireo, nanao hoe: "Indrisy, ry rahalahiko!"
\s5
\v 31 Rehefa avy nandevina azy izy ireo, dia niresaka tamin'ireo zanany lahy ilay mpaminany antitra, nanao hoe: "Rehefa maty aho, dia aleveno ao amin'ny fasana izay nandevenana an'ilay lehilahin'Andriamanitra. Ampandrio eo akaikin'ny taolany ny taolako.
\v 32 Satria ny hafatra izay nambarany nohon'ny tenin'i Yaveh, tamin'ny alitara tao Betela sy tamin'ireo trano rehetra any amin'ny toerana avo any amin'ireo tanànan'i Samaria, dia hitranga tokoa."
\s5
\v 33 Taorian'io dia tsy niala tamin'ny fomba ratsiny i Jeroboama, fa mbola nanohy nanondro mpisorona avy amin'ny karazan'olona ho amin'ny toerana ambony ihany. Izay te-hanompo dia natokany ho mpisorona.
\v 34 Lasa fahotana tamin'ny fianakavian'i Jeroboama sy nahatonga ny fianakaviany ho potika sy ringana teto ambonin'ny tany izany.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Tamin'izany fotoana izany dia narary mafy Abia zanaka lahin'i Jeroboama.
\v 2 Hoy i Jeroboama tamin'ny vadiny hoe: "Mitsangàna re ary manovà endrika, mba tsy ho fantatry ny olona fa vadiko ianao, ary mandehana any Silo, fa any no misy an'i Ahia mpaminany; izy ilay niresaka ny momba ahy, nilaza fa ho lasa mpanjakan'ireo olona ireo aho.
\v 3 Mitondrà mofo folo, mofomamy vitsivitsy, sy tantely iray tavoara, ary mandehana any amin'i Ahia. Hilaza aminao izay hitranga amin'io zaza io izy."
\s5
\v 4 Nataon'ny vadin'i Jeroboama izany; dia lasa izy ary nandeha nankany Silo, ary tonga tao an-tranon'i Ahia. Ary tsy nahita i Ahia; tsy nahita intsony izy nohon'ny fahanterany.
\v 5 Hoy i Yaveh tamin'i Ahia hoe: "Indro, ho avy eto aminao ny vadin'i Jeroboama mba hitady toro-hevitra mahakasika ny zanany lahy, satria marary izy. Izao sy izao lazaina azy, satria rehefa tonga izy, dia mody hanao toy ny vehivavy hafa izy."
\s5
\v 6 Rehefa ren'i Ahia ny feon'ny tongony raha izy niditra ny varavarana iny, dia hoy izy hoe: "Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama. Nahoana ianao no mody manao olon-kafa? Nirahina hilaza vaovao ratsy ho anao aho.
\v 7 Mandehana, lazao Jeroboama fa i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia niteny hoe: 'Nasandratro tamin'ireo olona ianao mba hahatonga anao ho mpitarika ny vahoakan'Israely.
\v 8 Nesoriko teo amin'ny fianakavian'i Davida ny fanjakana ary nomeko anao izany, nefa ianao dia tsy toa an'i Davida mpanompoko Davida, izay nitandrina ny didiko ary nanaraka Ahy tamin'ny fony manontolo, mba tsy hanao afa-tsy ny marina eo imasoko.
\s5
\v 9 Fa ianao kosa dia nanao ratsy, mihoatra noho ireo rehetra nanoloana anao. Ianao dia nanao andriamanitra hafa, nanao sarin-javatra an-idina mba hampatezitra Ahy, ary nanilika Ahy ho ao an-damosinao.
\v 10 Noho izany, indro, hitondra loza amin'ny fianakavianao Aho; handringana ny zazalahy rehetra ao Israely Aho, na ny andevo na ny afaka, ary hanafoana tanteraka ny fianakavianao, tahaka ny olona mandoro zezika mandra-pahalevon'izany.
\s5
\v 11 Na iza na iza an'ny fianakavianao izay maty ao amin'ny tanàna dia ho hanin'ireo amboa, ary na iza na iza maty any an-tsaha dia ho hanin'ireo voron'ny lanitra satria Izaho, Yaveh no efa nilaza izany.'
\v 12 Koa mitsangàna, ry vadin'i Jeroboama ary miverena any an-tranonao; rehefa miditra ao amin'ny tanàna ny tongotrao, dia ho faty i Abia.
\v 13 Hisaona sy handevona azy ny Israely rehetra. Izy ihany no tokana avy amin'ny fianakavian'i Jeroboama halevina ao anaty fasana, satria tao aminy irery ihany, avy ao amin'ny an-tranon'i Jeroboama, no nahitana zavatra tsara teo imason'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.
\s5
\v 14 Yaveh ihany koa dia hanandratra mpanjakan'Israely iray izay handringana ny fianakavian'i Jeroboama amin'io andro io. Androany izany andro izany, izao dieny izao.
\v 15 Fa Yaveh dia hanafika an'Israely toy ny volotara hozongozonin'ny rano, ary Izy dia hanongotra an'Israely hiala eo amin'io tany tsara izay nomeny ny razam-ben'izy ireo io. Hanaparitaka azy ireo any an-dafin'ny onin'i Efrata Izy, satria nanao baon'Aseraha izy ireo ary nampatezitra an'i Yaveh.
\v 16 Izy dia handao an'Israely noho ireo fahotan'i Jeroboama, ireo fahotana izay nataony, sy nitarihany an'Israely mba hanota."
\s5
\v 17 Dia nitsangana ny vadin'i Jeroboama ka nandeha, ary tonga tao Tirza. Raha tonga teo an-tokonam-baravaran'ny tranony izy, dia maty ilay zaza.
\v 18 Nandevina sy nisaona azy ny Israely rehetra, araka ny efa nolazaina tamin'izy ireo araka ny tenin'i Yaveh izay nambarany tamin'ny alalan'ny Ahia mpaminany mpanompony.
\s5
\v 19 Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Jeroboama, ny nanakaramany ady sy nanjakany, dia indro, nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo.
\v 20 Nanjaka roa amby roapolo taona Jeroboama ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny, ary Nadaba zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\v 21 Ary Rehoboama zanak'i Solomona no nanjaka tao Joda. Iraika amby efapolo taona Rehoboama no lasa mpanjaka, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona tao Jerosalema izy, ilay tanàna izay nofidian'i Yaveh tamin'ny fokon'Israely rehetra hametrahana ny anarany. Ny anaran'ny reniny dia Nama ilay Amonita.
\v 22 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Joda; nampiteraka fahasarotam-piaro ho Azy ny ota nataon'izy ireo, mihoatra noho ny zavatra rehetra izay efa nataon'ny razamben'izy ireo.
\s5
\v 23 Fa izy ireo ihany koa dia nanamboatra toerana avo ho an'ny tenan'izy ireo, tsangam-bato, ary baon'Aseraha manerana ny tendrombohitra sy teny ambany hazo maitso.
\v 24 Nisy koa ireo lehilahy nivaro-tena tao amin'ilay tany. Nanao ireo fahavetavetana fanaon'ireo firenena izay noroasin'i Yaveh teo anatrehan'ny vahoakan'Israely izy ireo.
\s5
\v 25 Ary tamin'ny fahadimy taona nanjakan'i Rehoboama mpanjaka no tonga nanafika an'i Jerosalema i Sisaka mpanjakan'i Egypta.
\v 26 Nalainy avokoa ireo harena tao an-tranon'i Yaveh, sy ireo harena tao an-tranon'ny mpanjaka. Nalainy avokoa ny zavatra rehetra; nalainy ihany koa ireo ampinga volamena rehetra izay namboarin'i Solomona.
\s5
\v 27 Nanao ampinga varahina teo amin'ny toeran'izy ireo ihany koa i Rehoboama Mpanjaka ary nanankina ireo teo an-tanan'ireo mpifehy ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka.
\v 28 Isaky ny niditra tao an-tranon'i Yaveh ny mpanjaka, dia nolanjain'ireo mpiambina ireo; ary nentin'izy ireo niverina tao amin'ny tranon'ny mpiambina.
\s5
\v 29 Ary ireo zavatra hafa mahakasika an'i Rehoboama, sy izay nataony rehetra, moa ve tsy efa voasoratra ao anatin'ny Bokin'ny tanataran'ny mpanjakan'i Joda ireo?
\v 30 Nisy ady mandrakariva teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama.
\v 31 Koa nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Rehoboama ary niaraka nalevina tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida. Ny anaran'ny reniny dia i Nama ilay Amonita. Abia zanany lahy no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Abia.
\v 2 Nanapaka telo taona tao Jerosalema izy. Imaka no anaran'ny reniny. Zanaka vavin'i Absaloma izy.
\v 3 Nandeha tamin'ny fahotana rehetra izay nataon-drainy talohan'ny fotoany izy; ny fony dia tsy mba voatokana ho an'i Yaveh Andriamaniny tahaka ny fon'i Davida, razambeny.
\s5
\v 4 Na izany aza, noho ny amin'i Davida, Yaveh Andriamaniny dia nanome fanilo azy tany Jerosalema tamin'ny alalan'ny fananganany ny zanany handimby azy mba hampantanjaka an'i Jerosalema.
\v 5 Nataon'Andriamanitra izany satria Davida dia nanao ny marina teo imasony; nandritra ny andro rehetra niainany, tsy mba nivily tamin'izay rehetra nandidiany azy izy, afa-tsy tamin'ny raharahan'Oria ilay Hetita ihany.
\v 6 Ary nisy ady teo amin'i Rehoboama sy Jeroboama nandritra ny androm-piainan'i Abia rehetra.
\s5
\v 7 Ny amin'ny ireo raharaha hafa mahakasika an'i Abia, dia izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Nisy ady teo amin'i Abia sy Jeroboama.
\v 8 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Abia, ary dia nalevin'izy ireo tany amin'ny tanànan'i Davida izy. Asa zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\v 9 Tamin'ny taona faha roapolo nanjakan'i Jeroboama mpanjakan'ny Israely, dia nanomboka nanjaka teo amin'i Joda i Asa.
\v 10 Nanapaka nandritra ny raika amby efapolo taona tao Jerosalema izy. Imaka no anaran'ny renibeny, ilay zanaka vavin'i Absaloma.
\v 11 Nanao ny marina teo imason'i Yaveh i Asa, toa an'izay nataon'i Davida razambeny.
\s5
\v 12 Noroahiny tsy ho amin'ny tany ireo lehilahy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy ary nesoriny avokoa ireo sampy izay namboarin'ireo razambeny.
\v 13 Nesoriny tamin'ny maha-mpanjaka vavy azy koa i Maka, renibeny, satria izy nanamboatra sampy maharikoriko avy tamin'ny baon'i Ashera. Nokapain'i Asa ilay sampy maharikoriko ka nodorany tany an-Dohasahan-driaka Kidrona.
\s5
\v 14 Fa ireo fitoerana avo tsy mba nesorina. Na izany aza, ny fon'i Asa dia voatokana ho an'i Yaveh tanteraka nandritra ny androny rehetra.
\v 15 Nentiny ho any an-tranon'i Yaveh ny zavatra izay voatokan'ny rainy, sy ireo zavany izay voatokana vita tamin'ny volafotsy sy volamena, ary ireo fanaka.
\s5
\v 16 Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely, tamin'ny andron'izy ireo rehetra.
\v 17 Nanao herisetra tamin'i Joda i Basa mpanjakan'ny Israely ka nanangana an'i Rama, mba tsy hamelany ny olona hiala na hiditra ao amin'ny tanin'i Asa mpanjakan'i Joda.
\s5
\v 18 Ary dia nalain'i Asa ny volafotsy sy volamena rehetra sisa tao amin'ireo efitra fitehirizana tao amin'ny tranon'i Yaveh, sy ireo efitra fitehirizan'ny lapan'ny mpanjaka. Nataony teo an-tanan'ireo mpanompony ary nampanateriny ho an'i Beni-hadada zanaka lahin'i Tabrimoma zanaka lahin'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nipetraka tany Damaskosy izany. Hoy izy:
\v 19 "Aoka hisy fifanekena amiko sy aminao, tahaka izay nisy teo amin'ny raiko sy ny rainao. Indro, efa nampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho. Ravao ny fanekenao sy Basa mpanjakan'Israely, mba hialany amiko."
\s5
\v 20 Nihaino an'i Asa mpanjaka i Beni-hadada ka nandefa ireo mpifehy ny tafiny, ary dia nanafika ny tanànan'Israely izy ireo. Nanafika an'i Iona, Dana, Abelabeti-maka, ary ny Kinerota rehetra, niaraka tamin'ny tanin'i Naftaly rehetra izy ireo.
\v 21 Ary rehefa ren'i Basa izany dia natsahany ny fananganany an'i Rama ary niverina tany Tirza izy.
\v 22 Ary dia nanao fanambarana teo amin'i Joda rehetra i Asa Mpanjaka. Tsy nisy na iray afa-niala. Nalain'izy ireo avokoa ireo vato sy ny hazon'ny Rama izay nanorenan'i Basa ny tanàna. Ary dia nampiasain'i Asa Mpanjaka izany fitaovana fanamboarana izany mba hananganana an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa.
\s5
\v 23 Ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Asa, ny heriny rehetra, izay nataony rehetra, ireo tanàna naoriny rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda ve ireo? Kanefa nandritra ny androm-pahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.
\v 24 Ary nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Asa ka dia nalevina niaraka tamin'izy ireo tao amin'ny tanànan'i Davida rainy. I Josafata zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby azy.
\s5
\v 25 Nadaba zanaka lahin'i Jeroboama nanomboka nanjaka tamin'ny Israely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda; nanjaka tamin'ny Israely nandritra ny roa taona izy.
\v 26 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nandeha tamin'ny lalan-drainy, sy tamin'ny fahotany, izay nitarihany ny Israely hanota.
\s5
\v 27 Basa zanaka lahin'i Ahia, avy amin'ny fianakavian'Isakara, nikomy nanohitra an'i Nadaba; novonoin'i Basa tao Gibetona, izay an'ireo Filistina izy, satria Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano tany Gibetona.
\v 28 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia namono an'i Nadaba i Basa ka tonga mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\v 29 Raha vao lasa mpanjaka izy, dia novonoin'i Basa ny fianakavian'i Jeroboama rehetra. Tsy nisy navelany ny ain'ny taranak'i Jeroboama; izany fomba izany no nandringanany ny fianakavin'ny mpanjaka, araka izay nambaran'i Yaveh tamin'i Ahia Silonita mpanompony,
\v 30 noho ireo fahotan'i Jeroboama izay nataony sy ny nitarihany ny Israely hanota, satria nihantsy ny fahatezeran'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny Israely izy.
\s5
\v 31 Ny amin'ny raharaha hafa mahakasika an'i Nadaba, sy izay nataony rehetra, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Israely ve ireo?
\v 32 Nisy ady teo amin'i Asa sy Basa mpanjakan'ny Israely tamin'ny andron'izy ireo rehetra.
\s5
\v 33 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'Israely rehetra tany Tirza i Basa zanaka lahin'i Ahia ary nanjaka nandritra ny efatra amby roapolo taona izy.
\v 34 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ny fomban'i Jeroboama sy ny fahotany izay nitarihany ny Israely hanota.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Tonga tamin'i Jeho zanak'i Hanany ny tenin'i Yaveh hanohitra an'i Basa, nanao hoe:
\v 2 "Na dia efa nanaisotra anao hiala amin'ny vovoka aza aho sy nanao anao ho mpitarika eo amin'Israely vahoakako, dia efa nanaraka ny fomban'i Jeroboama ianao ary nampanota an'ny Israely vahoakako, mba hampatezitra ahy amin'ny fahotan'izy ireo.
\s5
\v 3 Indro, haringako tanteraka i Basa sy ny ankohonany ary hanao ny ankohonanao ho toy ny ankohonan'i Jeroboama zanak'i Nebata aho.
\v 4 Hohanin'ireo amboa ny olon'i Basa izay maty ao an-tanàna, ary ireo voron'ny lanitra dia hihinana ny olona izay maty eny an-tsaha."
\s5
\v 5 Ny amin'ireo zavatra hafa mahakasika an'i Basa, izay nataony, sy ny heriny, moa ve ireny tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ireo?
\v 6 Nodimandry niaraka tamin'ireo razambeny i Basa ary nalevina tany Tirza, ary Elaha zanany no lasa mpanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\v 7 Dia tonga nanohitra an'i Basa sy ny fianakaviany ny tenin'i Yaveh tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany zanak'i Hanany, nohon'ny ratsy rehetra izay nataony teo imason'i Yaveh, mba hampatezitra azy amin'ny asan'ny tanany, toy ny fianakavian'i Jeroboama, ary satria efa namono ny fianakavian'i Jeroboama rehetra ihany koa izy.
\s5
\v 8 Tamin'ny fahenina amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely tany Tirza i Ela zanak'i Basa; nanjaka nandritra ny roa taona izy.
\v 9 Zimry mpanompony, kapitenin'ny antsasaky ny kalesiny, dia nitetika hanohitra azy. Ary tany Tizra i Ela, nampimamo ny tenany ao an-tranon'i Arza, izay teo amin'ny ankohonan'i Tirza.
\v 10 Dia niditra i Zimry, nanafika sy namono azy, tamin'ny faha fito amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, ka lasa mpanjaka nisolo ny toerany.
\s5
\v 11 Rehefa nanomboka nanjaka sy napetraka teo amin'ny seza fiandrianany i Zimry, dia namono ny fianakavian'i Basa rehetra izy. Tsy namela lehilahy iray tamin'ny havana sy naman'i Basa ho velona izy.
\v 12 Koa noringanin'i Zimry ny fianakavian'i Basa rehetra, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy hanohitra an'i Basa tamin'ny alalan'ny Jeho mpaminany,
\v 13 nohon'ny fahotan'i Basa rehetra sy ny fahotan'i Ela zanany izay nataon'izy ireo, sy ny nitarihan'izy ireo ny Israely hanota, mba ho nahafahan'izy ireo nihantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin'ny sampin'izy ireo.
\s5
\v 14 Ny amin' ireo zavatra mahakasika an'i Ela, izay rehetra nataony, moa ve ireny tsy efa voasoratra tao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Israely?
\s5
\v 15 Tamin'ny fahafito amby roapolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanjaka tany Tirza nandritra ny fito andro monja i Zimry. Ary nitoby tao Gibetona, izay an'ireo Filistina ny tafika.
\v 16 Ireo tafika nitoby tany dia nandre ilay teny hoe: "Nikonokonona i Zimry ary efa namono ny mpanjaka." Koa tamin'izany andro izany tany an-toby, ny Israely rehetra dia nanambara an'i Omry, ho mpifehy ny tafika, ho mpanjaka eo amin'i Israely.
\v 17 Nandeha niakatra avy tany Gibetona i Omry sy ireo Israely rehetra niaraka taminy, ary nanao fahirano an'i Tirza izy ireo.
\s5
\v 18 Rehefa hitan'i Zimry fa efa azo ny tanàna, dia niditra tao amin'ny fiarovana mafy izay nikambana tamin'ny lapan'ny mpanjaka izy ary nandoro ny trano teo aminy; tamin'izany fomba izany no nahafatesany tao anaty afo.
\v 19 Izany dia nohon'ny fahotana vitany tamin'ny fanaovana izay ratsy teo imason'i Yaveh, tamin'ny fanarahana ny fomban'i Jeroboama sy tamin'ny fahotana izay efa nataony, mba hitarika ny Israely hanota.
\v 20 Raha ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Zimry, sy ireo fivadihana izay nataony, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely?
\s5
\v 21 Avy eo dia nozaraina ho antoko roa ireo vahoakan'Israely. Nanaraka an'i Tibny zanak'i Ginata ny antsasaky ny vahoaka, mba hanao azy ho mpanjaka, ary ny antsasany nanaraka an'i Omry.
\v 22 Fa nahery noho ireo olona nanara-dia an'i Tibny zanak'i Ginata ireo olona nanaradia an'i Omri. Ka maty i Tibnia; ary lasa mpanjaka i Omri.
\s5
\v 23 Nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely tamin'ny faha iraika amby telopolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda i Omry, ary nanjaka nandritra ny roa ambin'ny folo taona. Nanjaka tany Tirza nandritra ny enin-taona izy.
\v 24 Novidiany tamin'i Samera tamin'ny talenta volafotsy roa ny havoan'i Samaria. Nanorina tanàna teo amin'ilay havoana izy ary nanao ny anaran'ny tanàna hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, ilay tompon'ny havoana teo aloha.
\s5
\v 25 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Omry ary ratsy fanahy mihoatra izay rehetra teo alohany.
\v 26 Fa nandeha tamin'ny lalana rehetra an'i Jeroboama zanak'i Nebata sy ny fahotany izay nitarihany ny Israely hanota, mba hiantsy an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mba ho tezitra amin'ny sampin'izy ireo izay tsy misy dikany izy.
\s5
\v 27 Raha ny amin'ny raharaha hafa mahakasika izay nataon'i Omry, sy ny hery izay nasehony, moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely ve ireo?
\v 28 Koa dia nodimandry niaraka tamin'ireo razany i Omry ary nalevina tany Samaria ary Ahaba zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\v 29 Tamin'ny fahavalo amby telopolo taona nanjakan'i Asa mpanjakan'i Joda, dia nanomboka nanjaka teo amin'ny Israely Ahaba zanak'i Omry. Nanjaka teo amin'ny Israely tao Samaria nandritra ny roa amby roapolo taona i Ahaba zanak'i Omry.
\v 30 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh i Ahaba zanak'i Omry, mihoatra noho ireo rehetra izay teo alohany.
\s5
\v 31 Zavatra tsy nisy dikany tamin'i Ahaba ny nandeha tamin'ny fahotan'i Jeroboama zanak'i Nebata, koa dia nalainy ho vadiny i Jezebela zanaka vavin'i Etibala, mpanjakan'ireo Sidoniana; nandeha ary nanompo an'i Bala izy ka niankohoka taminy.
\v 32 Nanorina alitara ho an'i Bala tao an-tranon'i Bala izy, izay naoriny tany Samaria.
\v 33 Dia nanamboatra baon'Aseraha i Ahaba. Mbola nanao mihoatra noho izany aza i Ahaba mba hampahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, mihoatra an'ireo mpanjakan'Israely rehetra teo alohany.
\s5
\v 34 Nandritra ny fitondran'i Ahaba, dia namerina nanorina an'i Jeriko i Hiela avy any Betela. Hiela dia nametraka ny fototry ny tanàna tamin'ny ain'i Abirama, zanany lahimatoany; ary Segoba, faralahiny; dia namoy ny ainy raha nanorenany ireo vavahadin'ny tanàna, araka ny tenin'i Yaveh izay nolazainy tamin'i Josoa zanak'i Nona.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Elia ilay Tisbita, avy any Tisba any Gileada, niteny tamin'i Ahaba hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, izay ijoroako eo anoloany, dia tsy hisy ando na orana amin'ity taona ity raha tsy milaza izany aho."
\s5
\v 2 Tonga tamin'i Elia ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 3 "Mialà eto ary mandehana miatsinanana; miafena ao amin'ny lohasahan-driaka Kerita, atsinanan'i Jordana.
\v 4 Ary hisotro ny rano avy ao amin'ny lohasahan-driaka ianao, ary efa nandidy ireo goaika aho hamahana anao any."
\s5
\v 5 Ka nandeha i Elia ary nanao araka izay nandidian'ny tenin'i Yaveh. Nandeha izy mba hipetraka eo amin'ny lohasahan-driaka Kerita, atsinanan'i Jordana.
\v 6 Nitondra mofo sy hena ho azy ireo goaika ny maraina ary mofo sy hena ny hariva, ary nisotro tamin'ilay lohasahan-driaka izy.
\v 7 Fa rehefa afaka kelikely dia ritra ilay lohasahan-driaka satria tsy nisy orana tamin'ny tany.
\s5
\v 8 Tonga taminy ireo tenin'i Yaveh, milaza hoe:
\v 9 "Mitsangàna, mandehàna any Zarefata, izay an'i Sidona, ary mitoera any. Indro, efa nandidy mpitondratena tany aho mba hampisakafo anao."
\v 10 Ka nitsangana izy ary nandeha tany Zarefata, ary rehefa tonga teo am-bavahadin'ny tanàna izy dia nisy mpitondratena iray nanangona tapa-kazo teo. Dia niantso azy izy ary ary nanao hoe: "Mba hitondrao rano kely anaty siny re aho mba hahafahako misotro."
\s5
\v 11 Raha nandeha haka rano izy dia niantso azy izy, ary hoy izy: "Mba hitondrao mofo iray eny an-tananao re aho."
\v 12 Dia namaly izy hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh Andriamanitrao, dia tsy manana mofo aho, fa sakafo eran'ny tanana anaty siny sy menaka kely anaty tavoara ihany. Indro, manangona tapa-kazo roa aho mba hahafahako miditraao dia mahandro izany ho ahy sy ho an'ny zanako, mba hihinananay izany, ary ho faty."
\v 13 Hoy Elia taminy: "Aza matahotra. Mandehàna ary ataovy araka izay efa nolazainao, nefa anaovy mofo kely aho aloha ary ento mivoaka eto amiko izany. Ary rehefa vita izany dia manaova ho anao sy ho an'ny zanakao.
\s5
\v 14 Fa Yaveh, ilay Andriamanitry ny Israely, miteny hoe: 'Tsy ho foana ny sinin-tsakafo, na hijanona hikoriana ny tavoaran'ny menaka, mandra-pahatonga ny andro handatsahan'i Yaveh ny orana eto an-tany."
\v 15 Dia nanao araka izay nolazain'i Elia taminy izy. Izy sy Elia, niaraka tamin'ny ankohonany, dia nihinana nandritry ny andro maro.
\v 16 Tsy foana ny sinin-tsakafo, na nijanona nikoriana ny tavoaran'ny menaka, araka izay efa nolazain'ny tenin'i Yaveh, araka izay voalazany tamin'i Elia.
\s5
\v 17 Taorian'ireo zavatra ireo, dia narary ny zanaky ravehivavy, izay tompon'ny trano. Tena nahery vaika tokoa ny aretiny ka tsy niaina intsony izy.
\v 18 Ka hoy ny reniny tamin'i Elia: "Inona no olanao amiko, ry lehilahin'Andriamanitra? Tonga eto amiko mba hampatsiahy ahy ny fahotako ary hamono ny zanako ve ianao?"
\s5
\v 19 Dia namaly azy Elia hoe: "Omeo ahy ny zanakao lahy." Nalainy tamin'ny sandriny ilay zazalahy ary nentiny niakatra tao amin'ny efitra izay nijanonany, ary nampandriany teo amin'ny fandriany ilay zaza.
\v 20 Nihiaka tamin'i Yaveh izy ary niteny hoe: "Yaveh Andriamanitro o, moa ve nitondra loza teo amin'ilay mpitondratena izay hijanonako ihany koa Ianao, tamin'ny famonoana ny zanany?"
\v 21 Avy eo dia naninjitra ny tenany intelo teo amin'ilay zaza i Elia; nihiaka mafy tamin'i Yaveh izy ary niteny hoe: "Yaveh Andriamanitro o, mitalaho Aminao aho, avelao re hiverina ao aminy ny ain'ity zaza ity."
\s5
\v 22 Nihaino ny feon'i Elia Yaveh; ka niverina taminy ny ain'ilay zaza, ary velona indray izy.
\v 23 Nalain'i Elia ilay zaza ary nentiny nivoaka tao amin'ny efitranony hidina ho ao an-trano; dia natolony an-dreniny ilay zaza ary hoy izy: "Indro, velona ny zanakao."
\v 24 Hoy ravehivavy tamin'i Elia: "Ankehitriny fantatro fa lehilahin'Andriamanitra ianao, ary ny tenin'i Yaveh ao am-bavanao dia marina."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Ary rehefa afaka andro maromaro dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Yaveh, tamin'ny taona fahatelon'ny hain-tany, nanao hoe: "Mandehana, misehoa amin'i Ahaba dia handefa orana amin'ny tany Aho."
\v 2 Nandeha niseho tamin'i Ahaba Elia; ary mafy ny mosary tany Samaria.
\s5
\v 3 Ahaba niantso an'i Obadia, izay nisahana ny lapa. Ary Obadia dia nanome voninahitra an'i Yaveh tokoa,
\v 4 ka rehefa namono ireo mpaminanin'i Yaveh Jezebela, dia naka ireo mpaminany zato ary nanafina azy ireo isan-dimampolo tao an-davabato ary namahana azy ireo tamin'ny mofo sy rano i Obadia.
\s5
\v 5 Ary hoy Ahaba tamin'i Obadia: "Mandehana mitety ny tany hatrany amin'ny loharano sy ireo lohasahan-driaka rehetra. Fa mety hahita ahi-maitso hamelomana ny soavaly sy ny ampondra isika, mba tsy hisy ho very ny biby fiompy rehetra."
\v 6 Koa nifampizaran'izy ireo ny tany mba andehanany amin'izany ary itadiavany rano. Ahaba nandeha tamin'ny lalana iray ary Obadia nandeha tamin'ny lalana hafa.
\s5
\v 7 Raha mbola teny an-dalana Obadia, dia nifanena tampoka tamin'i Elia izy. Obadia nahalala azy ka nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany. Hoy izy hoe: "Ianao ve ity, ry Elia tompoko?"
\v 8 Elia namaly azy hoe: "Izaho ity. Mandehana teneno ny tomponao hoe: 'Indro, ato Elia.'"
\s5
\v 9 Dia namaly Obadia hoe: "Inona no fahotako, no atolotrao eo an-tanan'i Ahaba ny mpanomponao, mba hamonoany ahy?
\v 10 Raha mbola velona koa Yaveh Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nandefasan'ny tompoko olona hitady anao. Na oviana na oviana no misy firenena na fanjakana miteny hoe: 'Tsy ato Elia, dia ampanaovin'i Ahaba fianianana hianiana fa tsy nahita anao izy ireo.
\v 11 Nefa ankehitriny hoy ianao: 'Mandehana, teneno ny tomponao fa atsy Elia.'
\s5
\v 12 Vantany vao miala aminao aho, ny fanahin'i Yaveh hitondra anao any amin'ny toerana tsy fantatro. Ka raha handeha aho ary hiteny amin'i Ahaba, ary raha tsy hahita anao izy, dia hovonoiny aho. Kanefa izaho, mpanomponao, dia nanompo an'i Yaveh hatramin'ny fahatanorako.
\v 13 Moa tsy nolazaina taminao ve, ry tompoko, izay nataoko rehefa novonoin'i Jezebela ny mpaminanin'i Yaveh, ny fomba nanafenako ny mpaminanin'Yaveh zato ka dimampolo avy no tao anaty lava-bato sy ny namahanako mofo sy rano azy ireo?
\s5
\v 14 Ankehitriny hoy ianao amiko: "Mandehana ary teneno ny tomponao fa eto Elia, ka dia hovonoiny aho."
\v 15 Dia namaly Elia hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh tompon'ny maro, izay hitsanganako eo anatrehany, dia hiseho amin'i Ahaba tokoa aho androany."
\s5
\v 16 Ka lasa Obadia nandeha mba hijery an'i Ahaba, ary niteny taminy izay nolazain'i Elia. Dia nandeha nihaona tamin'i Elia ny mpanjaka.
\v 17 Rehefa nahita an'i Elia i Ahaba, dia hoy izy taminy: "Ianao ve io? Ianao ilay iray izay mitondra korontana ho an'Israely!"
\s5
\v 18 Dia namaly Elia hoe: "Tsy nitondra korontana ho an'Israely aho, fa ianao sy ny fianakavian'ny rainao no olona nampisy korontana tamin'ny alalan'ny fialanareo tamin'ny didin'i Yaveh sy ny fanarahanareo an'i Bala.
\v 19 Koa ankehitriny, mandefasa teny ary hangony eto amiko ny Israely rehetra ao an-tendrombohitr'i Karmela, miaraka amin'ireo mpaminanin'i Bala 450 sy ireo mpaminanin'i Aseraha efajato izay nihinana teo an-databatr'i Jezebela."
\s5
\v 20 Dia nandefa teny tany amin'ny vahoakan'ny Israely rehetra sy nanangona niaraka ireo mpaminany tao an-tendrombohit'i Karmela i Ahaba.
\v 21 Ary Elia nanatona ny vahoaka rehetra ka niteny hoe: "Mandra-pahoviana ianao no hiova hevitra hatrany? Raha i Yaveh no Andriamanitra, dia manaraha Azy. Fa raha i Bala no Andriamanitra, dia manaraha azy." Fa ny olona tsy namaly teny azy.
\s5
\v 22 Dia hoy i Elia tamin'ny vahoaka hoe: "Izaho, dia izaho irery ihany, no sisa mpaminanin'i Yaveh, nefa ny mpaminanin'i Bala dia olona 450.
\v 23 Koa aoka ireo no hanome omby roa ho antsika. Aoka izy ireo hisafidy omby iray ho an'izy ireo sy handrasarasa izany, ary hampandry izany eo amin'ny kitay, nefa tsy handrehitra afo eo ambanin'izany. Dia hikarakara ilay omby iray hafa aho ka hametraka izany eo amin'ny kitay, ary tsy hanisy afo eo ambanin'izany
\v 24 Dia hiantso ny anaran'ny andriamanitrareo ianareo, ary izaho hiantso ny anaran'i Yaveh, ary ny Andriamanitra izay hamaly amin'ny afo, dia Aoka izy no ho Andriamanitra." Koa namaly ny olona rehetra ary niteny hoe: "Mety izany."
\s5
\v 25 Ary hoy i Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: "Mifidiana omby iray ho anareo, ary homano mialoha izany, fa olona betsaka ianareo. Dia antsoy ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asina afo eo ambanin'ny omby."
\v 26 Dia naka ny omby izay nomena azy izy ireo ary nikarakara izany, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina mandra-pitatao-vovonana izy ireo, nanao hoe: "Ry Bala o, mihainoa anay." Nefa tsy nisy feo, na nisy namaly akory. Nandihy nanodidina ny alitara namboariny izy ireo.
\s5
\v 27 Nony mitatao-vovonana dia naneso azy ireo i Elia nanao hoe: "Miantsoa mafy ihany! fa andriamanitra izy! angamba mbola mieritreritra izy, na manamaivana ny tenany, na nisy dia nalehany, na angamba matory izy ka tokony nofohazina."
\v 28 Fa mbola niantso mafy ihany izy ireo, ary nandrasa ny tenan'izy ireo, araka ny fanaony matetika miaraka amin'ny sabatra sy lefona, mandra-pahaloa-drà ny tenan'izy ireo.
\v 29 Lasa ny mitatao-vovonana, dia mbola nisafoaka ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva, nefa tsy nisy feo na nisy namaly akory; tsy nisy nihaino ny fitalahoan'izy ireo.
\s5
\v 30 Dia hoy i Elia tamin'ny olona rehetra: "Manatona eto amiko," dia nanatona azy ny olona rehetra. Dia namboatra ny alitaran'i Yaveh izay rava tanteraka izy.
\v 31 Naka vato roa ambin'ny folo Elia, ny vato tsirairay avy dia maneho ny iray amin'ireo fokon'ireo zanaka lahin'i Jakoba_ilay Jakoba niavian'ny tenin'i Yaveh, nanao hoe: "Israely no ho anaranao."
\v 32 Tamin'ireo vato ireo no nanorenany ny alitara tamin'ny anaran'i Yaveh ary izy dia nandavaka hady kely manodidina ny alitara lehibe omby voan-javatra indroan'ny famaran.
\s5
\v 33 Nandahatra ny kitay ho an'ny afo izy, nandrasarasa ny omby, ary nametraka ireo omby voarasa teo amin'ny kitay. Hoy izy hoe: "Fenoy rano ny siny efatra ka araraho eo amin'ny fanatitra dorana sy eo amin'ny kitay."
\v 34 Dia hoy izy: "Ataovy fanindroany izany," dia nataon'izy ireo fanindroany izany. Dia hoy indray izy: "Ataovy fanintelony izany," Dia nataon'izy ireo fanintelony.
\v 35 Dia niraraka nanodidina ny alitara ny rano ary nameno ny hady kely.
\s5
\v 36 Nitranga izany tamin'ny fotoan'ny fanatitra tamin'ny sorona amin'ny hariva, ary Elia mpaminany dia nanatona akaiky ka niteny hoe: "Ry Yaveh, Andriamanitr'i Abrahama, sy Isaka, ary Israely, aoka ho fantatra eto anio fa Ianao no Andriamanitra eto amin'ny Israely, ary izaho dia mpanomponao, ary nanao izao zavatra rehetra izao araka ny teninao aho.
\v 37 Mihainoa ahy, ry Yaveh, mihainoa ahy, mba hahafantaran'ireto olona ireto fa Ianao, Yaveh, dia Andriamanitra, ary Ianao no nampitodika ny fon'izy ireo taminao indray."
\s5
\v 38 Ary ny afon'Yaveh nilatsaka ka nandevona ny fanatitra dorana, ary koa ny kitay, ireo vato, ary ny vovoka, ary nandritra ny rano izay tao amin'ny hady kely.
\v 39 Rehefa nahita izany ny olona rehetra, dia nampiankohoka ny tavany teo amin'ny tany ary niteny hoe: "Yaveh, Izy no Andriamanitra! Yaveh, Izy no Andriamanitra!"
\v 40 Koa hoy i Elia tamin'izy ireo: "Sambory ireo mpaminanin'i Bala. Aza avela hisy handositra izy ireo na dia iray aza." Koa nosamborina izy ireo, ary i Elia nitondra ireo mpaminanin'i Bala nidina tany amin'ny lohasahan-driaka Kisona ary namono azy ireo tany.
\s5
\v 41 Hoy i Elia tamin'i Ahaba: "Mitsangàna, mihinàna ary misotroa, fa injany ny feon'ny oram-be."
\v 42 Koa niakatra mba hihinana sy hisotro i Ahaba. Dia niakatra teo an-tampon'i Karmela i Elia, niondrika teo amin'ny tany izy, ary nametraka ny tavany teo anelanelan'ny lohaliny.
\s5
\v 43 Ary hoy izy tamin'ny mpanompony: "Miakara ankehitriny, ka mitazàna eny amin'ny ranomasina." Dia niakatra ny mpanompony ka nitazana ary nanao hoe: "Tsy misy na inona na inona." Ka hoy indray i Elia: "Mandehana indray, impito."
\v 44 Ary nony fanim-pitony dia hoy ny mpanompony: "Indro, misy rahona miakatra avy amin'ny ranomasina, kely tahaka ny tanan'olona." Dia namaly i Elia hoe: "Miakara ka lazao amin'i Ahaba hoe: 'Ataovy vonona ny kalesinao ka midina mialohan'ny hanakanan'ny orana anao'"
\s5
\v 45 Ary vetivety monja raha niha-maintin'ny rahona sy rivotra ny lanitra, dia nisy oram-be. Ary i Ahaba nitaingina kalesy ka niakatra nankany Jezirela,
\v 46 fa ny tanan'i Yaveh dia nomba an'i Ahaba. Nisikina ny akanjony teo amin'ny fehin-kibony izy ary nihazakazaka teo alohan'i Ahaba teo amin'ny fidirana mankao Jezirela.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Nolazain'i Ahaba tamin'i Jezebela avokoa izay rehetra nataon'i Elia sy ny namonoany ireo mpaminany rehetra tamin'ny sabatra.
\v 2 Ary Jezebela nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Elia, nilaza hoe: "Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko ho toy ny ain'ny anankiray tamin'ireny mpaminany izay maty ireny ny ainao rahampitso amin'ny ora toy izao."
\v 3 Rehefa ren'i Elia izany, dia nitsangana izy ka lasa nandositra namonjy ny ainy ary nakany Beri-sheba, izay an'i Joda, ary navelany teo ny mpanompony.
\s5
\v 4 Fa izy nandeha lalana indray andro tany an'efitra, dia tonga ary nipetraka teo ambany hazo kifafambohitra. Nangataka ny ho faty izy, ka nanao hoe: "Ampy izay, ankehitriny, ry Yaveh; esory ny aiko, satria tsy tsara noho ireo razambeko aho."
\v 5 Ka dia nandry nitsilany teo ambany kifafambohitra izy. Tampoka teo dia nisy anjely nikasika azy ka niteny taminy hoe: "Mifohaza ary mihinàna."
\v 6 Nijery i Elia, ary teo akaikin'ny lohany dia nisy mofo voahendy tamin'ny vato mahamay sy rano iray tavoara. Ary nihinana sy nisotro izy ka nandry nitsilany indray.
\s5
\v 7 Tonga fanindroany indray ilay anjelin'i Yaveh, ka nikasika azy ary niteny hoe: "Miharena ary mihinàna, satria ho lava aminao ny dia."
\v 8 Ka nitsangana izy ary nihinana sy nisotro, ary nandeha tamin'ny hery azony tamin'izany sakafo izany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba, ilay tendrombohitr'Andriamanitra.
\s5
\v 9 Nandeha tao amin'ny zohy iray tany izy ary nitoetra tao amin'izany. Dia tonga taminy ny tenin'i Yaveh ary nilaza taminy hoe: "Inona no ataonao ato, ry Elia?"
\v 10 Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho an'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro aho, satria efa nahafoy ny fanekenao ny olon'Israely, nandrava ireo alitaranao, ary namono ireo mpaminaninao tamin'ny sabatra. Ankehitriny izaho, dia izaho irery, no sisa tavela ary mikasa ny hifofo ny aiko koa izy ireo."
\s5
\v 11 Yaveh namaly hoe: "Mivoaha ka mitsangàna eo amin'ny tendrombohitra eo anoloako." Ary nandalo i Yaveh, ka nisy rivotra mahery namely ny tendrombohitra ary namaky ireo vatolampy ho potipotika teo anatrehan'i Yaveh, kanefa tsy tao anatin'ny rivotra i Yaveh. Ary taorian'ny rivotra, dia nisy horohoron-tany tonga, kanefa tsy tao anatin'ny horohoron-tany i Yaveh.
\v 12 Ary taorian'ny horohoron-tany dia tonga ny afo, kanefa tsy tao anatin'ny afo i Yaveh. Ary taorian'ny afo, dia nisy feo malefaka tonga.
\s5
\v 13 Rehefa ren'i Elia ilay feo, dia notakonany tamin'ny lambany ny tavany, nivoaka izy, ary nitsangana teo amin'ny fidiran'ilay zohy. Ary nisy feo tonga taminy nanao hoe: "Inona no ataonao eto, ry Elia?"
\v 14 Elia namaly hoe: "Be zotom-po ho an'i Yaveh, Andriamanitra tompon'ny maro aho, fa ny olon'Israely nahafoy ny fanekenao, nandrava ireo alitaranao, ary namono ireo mpaminaninao tamin'ny sabatra. Ankehitriny, izaho dia izaho irery, no sisa tavela ary mikasa ny hifofo ny aiko koa izy ireo."
\s5
\v 15 Ary Yaveh nilaza taminy hoe: "Mandehana, miverena amin'ny lalanao ho any an'efitr'i Damaskosy, ary rehefa tonga any ianao dia hanosotra an'i Hazaela ho mpanjakan'i Syria,
\v 16 ary ianao hanosotra an'i Jeho zanaka lahin'i Nimsy ho mpanjakan'ny Israely, ary ianao hanosotra an'i Elisa zanaka lahin'i Safata avy any Abela-mehola ho mpaminany handimby ny toeranao.
\s5
\v 17 Ary amin'izany dia hovonoin'i Jeho izay rehetra tafatsoaka tamin'ny sabatr'i Hazaela, hovonoin'i Elisa izay rehetra tafatsoaka amin'ny sabatr'i Jeho.
\v 18 Kanefa Izaho hamela olona fito arivo ho ahy any Israely, ireo izay nandohalika ka tsy niankohoka tamin'ny Bala, sy ireo vava izay tsy mbola nanoroka azy."
\s5
\v 19 Ka niala teo i Elia ary nahita an'i Elisa zanaka lahin'i Safata, izay niasa niaraka tamin'ny ziogan'omby roa ambin'ny folo nanoloana azy, ary izy tenany ihany no niasa niaraka tamin'ny zioga faha-roa ambin'ny folo. Niampita nankeo amin'i Elisa i Elia ka nanarona ny lambany taminy.
\v 20 Avy eo dia nandao ireo ombiny i Elisa ka nihazakazaka nanenjika an'i Elia; hoy izy: "Avelao re aho hanoroka ny raiko sy ny reniko, ary hanaraka anao aho avy eo." Dia hoy i Elia taminy: "Miverena ary, kanefa saino izay efa nataoko taminao."
\s5
\v 21 Ka niverina avy any amin'i Elia i Elisa ary naka ny ziogan'omby, namono ireo biby, ary nahandro ny hena tamin'ny hazo ziogan'omby. Dia nomeny ny olona izany ka nihinana izy ireo. Avy eo dia nitsangana izy, nanaraka an'i Elia ary nanompo azy.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Nanangona ny tafiny hitambatra i Beni-hadada mpanjakan'i Syria. Nisy mpanjaka kely roa amby telopolo niaraka taminy, ary soavaly sy kalesy. Niakatra izy, nanao fahirano an'i Samaria sy niady nanohitra izany.
\v 2 Nandefa iraka nankany amin'ny tanàna ho an'i Ahaba mpanjakan'Israely izy, ka niteny taminy hoe: "Izao no nolazain'i Beni-hadada hoe:
\v 3 'Ny volafotsinao sy ny volamenanao dia ahy. Ireo vadinao sy ny zanakao ihany koa, ireo tsara indrindra, dia ahy ankehitriny.'"
\s5
\v 4 Namaly ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Ho tanteraka araka ny teninao izany, ry mpanjaka, tompoko. Izaho sy izay rehetra hananako dia anao."
\v 5 Tonga indray ireo iraka ka nanao hoe: "Izao no lazain' i Beni-hadada hoe: 'Nandefa teny taminao aho fa ianao dia tsy maintsy hanolotra ny volafotsinao, ny volamenanao, ireo vadinao, ary ireo zanakao ho ahy.
\v 6 Nefa haniraka ireo mpanompoko any aminao aho rahampitso amin'ny ora toy izao, ary hitady ny tranonao sy ny tranon'ireo mpanomponao izy ireo. Hisambotra amin'ny tanany izy ireo ka haka izay rehetra mafinaritra ny mason'izy ireo.'"
\s5
\v 7 Ary niantso ireo loholon'ny tany rehetra niaraka ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Mba raiso an-tsoratra ka jereo ny fomba hitadiavan'ity lehilahy ity olana. Efa nandefa teny tamiko izy mba hangalana ireo vadiko, ireo zanako, ary ny volafotsiko sy ny volamenako, ary tsy mbola nandà azy aho."
\v 8 Ireo loholona rehetra sy ny vahoaka rehetra niteny tamin'i Ahaba hoe: "Aza mihaino azy na manaiky izay fangatahany."
\s5
\v 9 Dia hoy i Ahaba tamin'ireo irak'i Beni-hadada hoe: "Lazao ny mpanjaka tompoko hoe: 'Manaiky ny zavatra rehetra izay nanirahanao ny mpanomponao hatao tamin'ny voalohany aho, kanefa tsy afaka hanaiky ity fangatahana faharoa ity aho.'"
\v 10 Ka lasa ireo iraka ary nitondra izany valin-teny izany teo amin'i Beni-hadada. Dia nandefa ny valin-teniny ho an'i Ahaba i Beni-hadada, ka nanao hoe: "Enga anie ireo andriamanitra hanao izany amiko ary mihoatra aza, raha ho ampy hanana eran'ny tanana avy amin'ny lavenon'i Samaria ireo vahoaka rehetra izay manaraka ahy."
\s5
\v 11 Namaly ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Lazao i Beni-hadada hoe: 'Tsy misy olona mametraka ny fiadiany, ka tokony hirehareha ho amin'ny nanesorany izany.'"
\v 12 Dia nandre izany hafatra izany i Beni-hadada raha nisotro izy, dia izy sy ireo mpanjaka ambaniny izay tao anatin'ny lain'izy ireo. Beni-hadada nandidy ireo lehilahiny hoe: "Milahara ho amin'ny ady ianareo." Dia nanomana ny tenan'izy ireo ho amin'ny ady izy ireo mba hamely ny tanàna.
\s5
\v 13 Ary indro, nisy mpaminany tonga teo amin'i Ahaba mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Hoy i Yaveh: 'Efa hitanao ve ity tafika lehibe ity? Indro, hametraka izany eo an-tananao aho anio, ary ho fantatrao tokoa fa Izaho no Yaveh.'"
\v 14 I Ahaba namaly hoe: "Amin'ny alalan'iza?" Dia namaly Yaveh ka nanao hoe: "Amin'ny alalan'ireo tanora manam-pahefana izay manompo ireo governoran'ny distrika." Dia Ahaba nanao hoe: "Iza no hanomboka ny ady?" Yaveh namaly hoe: "Ianao."
\v 15 Dia nanambatra ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ny komandin'ny isan'antokony i Ahaba. Niisa 232 izy ireo. Taorian'izy ireo dia nanambatra ireo miaramila rehetra izy; ny tafik'Israely rehetra; niisa fito arivo.
\s5
\v 16 Nivoaka tamin'ny mitatao vovonana izy ireo. Beni-hadada dia efa avy nisotro ary nahamamo ny tenany tao an-dainy, izy sy ireo mpanjaka kely roa amby telopolo izay nanohana azy.
\v 17 Ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ny komandin'ny isan'antokony no nandroso mialoha. Dia nampahalalain'ireo tily izay nirahiny i Beni-hadada hoe: "Misy lehilahy mivoaka avy ao Samaria."
\s5
\v 18 Hoy i Beni-hadada hoe: "Na tamin'ny filaminana na tamin'ny ady no nivoahan'izy ireo, dia sambory velona izy ireo."
\v 19 Dia nivoaka ny tanàna ireo tanora manam-pahefana izay nanompo ireo governoran'ny isan'antokony ary nanaraka azy ireo ny tafika.
\s5
\v 20 Namono ny fahavalony avy izy ireo ka nandositra ireo Syriana. Nanenjika azy ireo ny Israely. Beni-hadada mpanjakan'i Syria kosa nitsoaka tamin'ny soavaly niaraka tamin'ireo mpitaingin-tsoavaly sasany.
\v 21 Ary nivoaka ny mpanjakan'Israely ka nanafika ireo soavaly sy ireo kalesy, ary namono ireo Syriana tamin'ny famonoana lehibe.
\s5
\v 22 Dia nanatona ny mpanjakan'Israely ny mpaminany ka niteny taminy hoe: "Mandehana, atanjaho ny tenanao, ka takaro sy omano izay ataonao, satria amin'ny herintaona dia hiakatra hanohitra anao indray ny mpanjakan'i Syria."
\v 23 Ireo mpanompon'ny mpanjakan'ny Syria niteny taminy hoe: "Ny andriamanitr'izy ireo dia andriamanitry ny havoana. Izany no antony nampatanjaka azy ireo noho isika. Fa izao kosa andeha isika hiady amin'izy ireo eny amin'ny lemaka, ary ho azo antoka fa ho mafy noho izy ireo isika.
\s5
\v 24 Noho izany dia izao no tsy maintsy ataonao: esory eo amin'ny toeran'ny fahefany ireo mpanjaka rehetra ka soloy mpifehy miaramila izy ireo.
\v 25 Manangàna tafika tahaka ny tafika maty teo—soavaly solon'ny soavaly ary kalesy solon'ny kalesy—mba hahafahantsika miady amin'izy ireo eny amin'ny lemaka. Dia ho azo antoka fa hahery noho izy ireo isika." Dia nihaino ny torohevitr'izy ireo i Beni-hadada ary nanao izay natoron'izy ireo.
\s5
\v 26 Taorian'ny fiantombohan'ny taom-baovao, dia nanambatra ireo Syriana i Beni-hadada ka niakatra ho any Afeka mba hiady amin'Israely.
\v 27 Nangonina ireo vahoakan'Israely ary novatsiana mba hiady amin'izy ireo. Nitoby teo anoloan'izy ireo toy ny andian'osy kely roa toko ny vahoakan'Israely, nefa ireo Syriana nanenika ny tany.
\s5
\v 28 Dia nanatona akaiky ny lehilahin'Andriamanitra iray ka niteny tamin'ny mpanjakan'ny Israely hoe: "Hoy Yaveh hoe: 'Satria ireo Syriana efa niteny fa Yaveh dia andriamanitry ny havoana, fa tsy mba andriamanitr'ireo lohasaha, dia hapetrako eo an-tananao ity tafika lehibe ity, ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh."'
\s5
\v 29 Dia nitoby nifanandrify ireo tafika nandritra ny fito andro. Ary nanomboka ny ady tamin'ny andro fahafito. Namono Syriana mpandeha an-tongotra 100. 000 ny vahoakan'Israely tanatin'ny iray andro.
\v 30 Ny sisa nitsoaka tany Afeka, tao amin'ny tanàna, ary nianjera tamin'ireo lehilahy fito arivo sy roa alina izay tavela ny manda. Nitsoaka i Beni-hadada ka nankany amin'ny tanàna, tanaty efitrano iray.
\s5
\v 31 Niteny taminy ireo mpanompon'i Beni-hadada hoe: "Indro ankehitriny, renay fa ireo mpanjakan'ny zanak'Israely dia mpanjaka mpamindra fo. Mba avelao re izahay hisikina lamba fisaonana eo amin'ny valahanay sy tady eo amin'ny lohanay, ary hivoaka ho any amin'ny mpanjakan'Israely. Mety hamindra fo aminao angamba izy."
\v 32 Ka nisikina lamba fisaonana teny am-balahany izy ireo sy tady teny an-dohan'izy ireo ary avy eo nankany amin'ny mpanjakan'Israely ka nanao hoe: "Beni-hadada mpanomponao niteny hoe: 'Mba avelao re aho ho velona.'" Hoy i Ahaba hoe: "Mbola velona ve izy? Rahalahiko izy."
\s5
\v 33 Ary nihaino izay ho famantarana avy tamin'i Ahaba ireo lehilahy, ka namaly azy faingana izy ireo hoe: "Eny, Beni-hadada rahalahinao dia velona." Ary hoy i Ahaba hoe: "Mandehana ary ento izy." Avy eo dia tonga teo aminy i Beni-hadada, ary tafakatra tany amin'i Ahaba tamin'ny kalesiny izy.
\v 34 Beni-hadada niteny tamin'i Ahaba hoe: "Averiko aminao ireo tanàna izay nalain'ny raiko tamin'ny rainao, ary afaka manao fivarotana ho anao any Damaskosy ianao, tahaka ny nataon'ny raiko tany Samaria." Namaly i Ahaba hoe: "Avelako handeha miaraka amin'ity fifanekem-pihavanana ity ianao." Ka nanao fifanekem-pihavanana taminy i Ahaba ary avy eo namela azy handeha.
\s5
\v 35 Nisy lehilahy iray, iray amin'ireo zanaka lahin'ireo mpaminany, niteny tamin'ny iray tamin'ireo mpaminany namany tamin'ny tenin'i Yaveh hoe: "Mba velezo aho." Saingy nandà ny hamely azy ilay lehilahy.
\v 36 Dia niteny tamin'ilay mpaminany namany ilay mpaminany hoe: "Satria ianao tsy nankatoa ny feon'i Yaveh, ka raha vao mandao ahy ianao, dia hisy liona hamono anao." Raha vao nandao azy ilay lehilahy, dia nisy liona niantsampy taminy ka namono azy.
\s5
\v 37 Avy eo dia nahita lehilahy hafa iray indray ilay mpaminany ary niteny hoe: "Mba veleso aho." Ka dia namely azy ilay lehilahy ary nandratra azy.
\v 38 Dia niala ilay mpaminany ary niandry ny mpanjaka teo amoron-dalana; nanova ny endriny tamin'ny fatotra teo amin'ny masony izy.
\s5
\v 39 Raha nandalo iny ny mpanjaka, dia niantso mafy ny mpanjaka ilay mpaminany ary niteny hoe: "Nivoaka ho any anaty ady mangotraka ny mpanomponao, ary miaramila iray no nanakana sy nitondra fahavalo ho ahy ka niteny hoe: 'Jereo ity lehilahy ity. Raha tsy hita amin'ny fomba rehetra izy, dia ny ainao no homena ho solon'ny ainy, na raha tsy izany dia handoa talenta volafotsy ianao.'
\v 40 Nefa satria ny mpanomponao dia mbola raikitra tamin'ny fandehanana tetsy sy teroa, dia nitsoaka ilay miaramila fahavalo." Avy eo dia niteny taminy ny mpanjakan'Israely hoe: "Izao no ho sazinao—ny tenanao izao mihitsy no efa nanapa-kevitra izany."
\s5
\v 41 Dia nanala faingana ny fatotra teny amin'ny masony ilay mpaminany, ary fantatry ny mpanjakan'Israely fa iray tamin'ireo mpaminany izy.
\v 42 Hoy ilay mpaminany tamin'ny mpanjaka hoe: "Yaveh miteny hoe: 'Satria efa navelanao handeha avy teo an-tananao ilay lehilahy izay nodidiako ho faty, dia ny ainao no hisolo toerana ny ainy, ary ny vahoakanao ho solon'ny vahoakany.'"
\v 43 Ka vinitra sy tezitra mafy ny mpanjakan'Israely nankany an-tranony, ary tonga tany Samaria.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Fotoana vitsy taty aoriana, nanana tanim-boaloboka tao Jezirela i Nabota ilay Jezirelita, teo akaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria.
\v 2 Niresaka tamin'i Nabota i Ahaba nanao hoe: "Omeo ahy ny tanim-boalobokao, mba ho zaridainana legiomako izany, satria akaikin'ny tranoko. Ho takalon'izany, homeko tanim-boaloboka tsaratsara kokoa ianao, na raha tianao, dia homeko vola sandan'izany ianao.
\s5
\v 3 Nabota namaly an'i Ahaba hoe: "Ho raràn'i Yaveh anie izay tokony lovan'ireo razambeko omeko anao."
\v 4 Ka dia nandeha tao amin'ny lapany tam-pahatezarana ary hasorenana i Ahaba nohon'ny valin-teny nomen'i Nabota ilay Jezerelita azy hoe: "Tsy homeko anao ny lovan'ireo razambeko." Nandry nitsilany teo am-pandriany izy, nanodina ny tavany, ary tsy nety nihinan-kanina izy.
\s5
\v 5 Jezebela vadiny nankao aminy ary nanao taminy hoe: "Nahoana no malahelo loatra ny fonao, izany ve no tsy hihinananao hanina?"
\v 6 Namaly azy izy hoe: "Niresaka tamin'i Nabota ilay Jezirelita aho ary nanao taminy hoe: "Omeo ahy ny tanim-boalobokao atakaloko vola, na raha tianao dia homeko tanim-boaloboka hafa ho anao ianao.' Ary namaly ahy izy hoe: 'Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.'"
\v 7 Ary Jezebela vadiny namaly azy hoe: "Fa tsy mbola manapaka ny fanjakan'ny Israely ve moa ianao? Mitsangàna ary misakafoana; aoka ho faly ny fonao. Ho alaiko ho anao ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita."
\s5
\v 8 Ary Jezebela nanoratra taratasy amin'ny anaran'i Ahaba, notombohany tamin'ny tombo-kaseny izany, ary nalefany tany amin'ireo loholona sy ireo mpanan-karena izay nipetraka niaraka taminy tao amin'ny fihaonana, ary ireo izay nipetraka akaikin'i Nabota izany.
\v 9 Nosoratany tao amin'ny taratasy hoe: "Manambarà fifadian-kanina ary apetraho ambonin'ny vahoaka i Nabota.
\v 10 Mametraha ihany koa olona tsy marina roa miaraka aminy ka aoka izy ireo hiampanga azy hoe: 'Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao.'" Ary avoahy izy ka toraho vato ho faty.
\s5
\v 11 Ka nanao izay nofariparitan'i Jezebela tamin'izy ireo, araka ny voasoratra ao amin'ny taratasy izay nalefany ho azy ireo ny lehilahin'ny tanànany, ireo loholona sy ny mpanankarena izay nipetraka tao amin'ny tanànan'i Nabota.
\v 12 Nanambara fifadian-kanina sy nametraka an'i Nabota teo ambonin'ny vahoaka izy ireo.
\v 13 Niditra ireo lehilahy tsy marina roa ary nipetraka teo anoloan'i Nabota; niampanga an'i Nabota teo amin'ny fanatrehan'ny vahoaka izy ireo, ka nanao hoe: "Nanozona an'Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabota." Ary dia nentin'izy ireo nivoaka ny tanana izy ka notoraham-bato ho faty.
\v 14 Avy eo ireo loholona dia nandefa teny tany amin'i Jezebela nanao hoe: "Notoraham-bato i Nabota ka maty."
\s5
\v 15 Ary rehefa ren'i Jezebela fa notoroham-bato i Nabota ka maty, dia hoy izy tamin'i Ahaba: "Mitsangàna ary alaivo ho fananana ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita, izay nandà ny hanome anao ny vola ho sandany, satria efa tsy velona intsony i Nabota, fa efa maty."
\v 16 Rehefa ren'i Ahaba fa maty i Nabota, dia nitsangana izy ary nidina tany amin'ny tanim-boalobok'i Nabota ilay Jezirelita ary naka izany ho fananana.
\s5
\v 17 Ary tonga tamin'i Elia ilay Tisbita ny tenin'i Yaveh manao hoe:
\v 18 "Mitsangàna ary mandehana mihaona amin'i Ahaba mpanjakan'Israely, izay mipetraka any Samaria. Ao amin'ny tanim-boalobok'i Nabota izy, any amin'izay nandehanany mba ho alainy ho fananana.
\s5
\v 19 Tsy maintsy miresaka aminy ianao ary lazao hoe izao no lazain'i Yaveh: 'Sady efa namono ve ianao no mbola naka ho fananao ihany koa?' Ary holazainao azy hoe izao no lazain'Yaveh: "Eo amin'ny toerana izay nilelafan'ny amboa ny ràn'i Nabota, no hilelafan'ny amboa ny rànao koa, eny, ny rànao.'"
\v 20 Hoy i Ahaba tamin'i Elia: "Efa nahita ahy ve ianao, ry fahavaloko?" dia namaly i Elia hoe: 'Efa hitako ianao, satria efa nivarotra ny tenanao mba hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh ianao.
\s5
\v 21 Izao no lazain'Yaveh aminao: 'Indro, hitondra loza eo aminao sy hanimba tanteraka ary hamongotra eo aminao ny zanaka lahy rehetra sy ny andevo ary ny lehilahy afaka ao Israely Aho.
\v 22 Hataoko tahaka ny fianakavian'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata ny fianakavianao, ary tahaka ny fianakavian'i Basa zanaka lahin'i Ahia, satria nihantsy Ahy tamin'ny fahatezarana ary nitondra an'ny Israely hanota ianao.'
\s5
\v 23 Yaveh ihany koa dia niresaka momban'i Jezebela hoe: 'Hihinana an'i Jezebela eo akaikin'ny mandan'i Jezirela ny amboa.'
\v 24 Izay an'i Ahaba rehetra ka maty tao an-tanàna, dia hohanin'ny amboa; ary ireo vorona eny amin'ny lanitra hihinana ireo rehetra izay maty eny an-tsaha."
\s5
\v 25 Tsy nisy olona tahaka an'i Ahaba, izay nivarotra ny tenany mba hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh, izay namporisihan'i Jezebela vadiny hanota.
\v 26 Nanao asa vetaveta ho an'ny sampy arahiny i Ahaba, tahaka izay rehetra efa nataon'ireo Hamorita, ireo izay nesorin'i Yaveh teo anatrehan'ny olon'ny Israely.
\s5
\v 27 Rehefa ren'i Ahaba ireo teny ireo, dia nandriatra ny akanjony izy ary nanao akanjo fisaonana ka nifady hanina, ary nandry tamin'ny akanjo fisaonana sy tena nalahelo mafy.
\v 28 Ary tonga tamin'i Elia ilay Tisbita ny tenin'i Yaveh hoe:
\v 29 "Hitanao ve ny fanetren-tenan'i Ahaba eto anatrehako? Satria manetry ny tenany eto anatrehako izy, dia tsy hitondra ny loza efa ho avy amin'ireo androny Aho; amin'ny andron'ny zanany lahy no hitondrako loza eo amin'ny fianakaviany."
\s5
\c 22
\p
\v 1 Nandritra ny telo taona lasa dia tsy nisy ady teo amin'i Arama sy i Israely.
\v 2 Ary tamin'ny taona fahatelo, dia nidina tany amin'ny mpanjakan'i Israely i Josafata mpanjakan'i Joda.
\s5
\v 3 Ary ny mpanjakan'i Israely dia efa niteny tamin'ny mpanompony hoe: "Mba fantatrareo ve fa Ramota-gileada dia antsika, saingy tsy manao na inona na inona isika mba hakana izany eo an-tanan'i mpanjakan'i Arama?"
\v 4 Dia hoy izy tamin'i Josafata: "Hiaraka amiko hiady any Ramota-gileada ve ianao?" Josafata namaly ny mpanjakan'i Israely hoe: "Izaho dia tahaka anao, ny vahoakako dia tahaka ny vahoakanao, ary ireo soavaliko dia tahaka ireo soavalinao."
\s5
\v 5 Hoy i Josafata tamin'ny mpanjakan'Israely hoe: "Mitadiava re tari-dalana avy amin'ny tenin'i Yaveh ny amin'izay tokony hataonao voalohany."
\v 6 Dia nampivory ireo mpaminany niaraka ny mpanjakan'Israely, lehilahy efajato, ary teneno izy ireo hoe: "Tokony ho any Ramota-gileada ve aho mba hiady, sa tsy tokony?" Dia hoy izy ireo hoe: "Manafiha, fa ny Tompo hanome izany ho eo an-tanan'ny mpanjaka."
\s5
\v 7 Fa hoy i Josafata hoe: "Tsy misy mpaminanin'Andriamanitra hafa izay mety hahazoantsika hevitra intsony ve eto?"
\v 8 Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Mbola misy lehilahy iray izay mety hahazoantsika hevitra avy amin'i Yaveh mba ho fanampiana, Mikaia zanaka lahin'i Jimia, saingy halako izy satria tsy mba maminany zavatra tsara mahakasika ahy, fa loza ihany." Fa hoy i Josafata hoe: "Tsy hiteny izany anie ny mpanjaka."
\v 9 Dia niantso manam-pahefana iray ny mpanjakan'i Israely ary nanome baiko hoe: "Ento aty i Mikaia zanaka lahin'i Imla, izao dia izao."
\s5
\v 10 Ary i Ahaba mpanjakan'Israely sy i Josafata mpanjakan'i Joda dia samy nipetraka tamin'ny seza fiandrianana avy, niakanjo ny akanjon'izy ireo, teo amin'ny toerana malalaka teo amin'ny fidiran'ny vavahadin'i Samaria, ary ireo mpaminany rehetra dia naminany teo alohan'izy ireo.
\v 11 Zedekia zanaka lahin'i Kenana tenany dia nanao tandroka vy ary niteny hoe: "Izao no voalazan'i Yaveh: 'Amin'ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.'"
\v 12 Ary ny mpaminany rehetra naminany nitovy, nanao hoe: "Tafiho Ramota-gileada ka mahazoa fandresena, fa i Yaveh efa nanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka."
\s5
\v 13 Ny mpitondra hafatra izay nandeha niantso an'i Mikaia niteny taminy, nanao hoe: "Indro ankehitriny, ny tenin'ireo mpaminany dia manambara zavatra tsara ho an'ny mpanjaka tamin'ny vava iray. Aoka re ny teninao mba ho tahaka ny iray amin'ireo ary milaza zavatra tsara."
\v 14 Dia namaly Mikaia hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, dia izay lazain'i Yaveh amiko no ho lazaiko."
\v 15 Rehefa tonga teo amin'ny mpanjaka izy, dia hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Ry Mikaia, tokony handeha hiady any Ramota-Gileada ve izahay, sa tsia?" Mikaia namaly azy hoe: "Manafiha ka mandrese. Hanolotra azy ho eo an-tanan'ny mpanjaka i Yaveh."
\s5
\v 16 Ary hoy ny mpanjaka taminy hoe: "Impiry moa aho no nila anao hianiaiana mba tsy hiteny na inona na inona amiko amin'ny anaran'i Yaveh afa-tsy ny marina ihany?"
\v 17 Dia hoy i Mikaia hoe: "Hitako niely teny an-tendrombohitra ny Israely rehetra, tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, ary Yaveh nanao hoe: 'Tsy manana mpiandry ireo. Aoka ny lehilahy tsirairay hody soa aman-tsara any an-tranony.'"
\s5
\v 18 Dia hoy ny mpanjakan'Israely tamin'i Josafata hoe: "Tsy efa niteny taminao ve aho fa tsy mety maminany zavatra tsara mahakasika ahy izy, fa loza ihany?"
\v 19 Dia hoy Mikaia hoe: "Noho izany henoy ny tenin'i Yaveh: nahita an'i Yaveh nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany aho, ary ireo miaramilan'ny lanitra rehetra dia nijoro teo akaikiny teo an-kavanany sy teo an-kaviany.
\v 20 Hoy i Yaveh hoe: "Iza no hitaona an'i Ahaba, mba hiakatra izy ka ho lavo any Ramota-gileada?' Ny iray tamin'izy ireo niteny izao ary ny iray hafa niteny izao.
\s5
\v 21 Avy eo dia nisy fanahy iray nandroso, nijoro teo anoloan'i Yaveh, ka nanao hoe: 'Izaho no hitaona azy.' Dia hoy Yaveh taminy hoe: 'Amin'ny fomba ahoana?'
\v 22 Dia namaly ilay fanahy hoe: 'Hivoaka aho ary ho fanahy mandainga eo am-bavan'ireo mpaminaniny rehetra.' Yaveh namaly hoe: 'Hahataona azy ianao, ary hahomby ihany koa. Koa mandehana ary ataovy izany.'
\v 23 Dia indro, Yaveh nametraka fanahy mandainga teo am-bavan'ireo mpaminaninao rehetra ireo, ary Yaveh efa nilaza loza ho anao."
\s5
\v 24 Ary Zedekia zanaka lahin'i Kenana, niakatra, namelaka ny takolak'i Mikaia, sady nanao hoe: "Taiza no lalan'ny fanahin'i Yaveh niala tamiko mba hiteny aminao?"
\v 25 Dia hoy i Mikaia hoe: "Indro, ho fantatrao izany amin'izany andro izany, rehefa miditra ny efitra anatiny mba hiafina ianao."
\s5
\v 26 Hoy ny mpanjakan'Israely tamin'ny mpanompony hoe: "Sambory Mikaia ary ento any amin'i Amona, ilay governoran'ny tanàna, ary any amin'i Joasy, zanako lahy.
\v 27 Lazao izy hoe: 'Ampidiro am-ponja ity lehilahy ity hoy ny mpanjaka, ary fahano mofo kely sy rano kely fotsiny izy, mandra-pahatongako soa aman-tsara.
\v 28 Ary hoy i Mikaia hoe: "Raha tahiany ka tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin'i Yaveh aho tsy akory." Ary nampiany hoe: "Henoy izany, ry vahoaka rehetra."
\s5
\v 29 Dia niakatra ho any Ramota-gileada i Ahaba, mpanjakan'Israely, sy Josafata, mpanjakan'i Joda.
\v 30 Ny mpanjakan'i Israely niteny tamin'i Josafata hoe: "Hody olon-kafa aho ary hirotsaka ao anaty ady, fa ianao kosa hanao ny akanjon'ny mpanjaka ihany." Dia nody ho olon-kafa ny mpanjakan'Israely ka nirotsaka tany anaty ady.
\s5
\v 31 Dia nandidy ny kapitenin'ny kalesiny roa amby telopolo ny mpanjakan'i Syria, nanao hoe: "Aza manafika ny miaramila kely na ny lehibe. Fa ny mpanjakan'i Israely ihany no tafiho."
\v 32 Ary rehefa nahita an'i Josafata ireo kapitenin'ny kalesy dia nanao hoe: "Iny tokoa no mpanjakan'Israely." Nihodina izy ireo mba hamely azy, ka niantsoantso mafy i Josafata.
\v 33 Ary rehefa hitan'ireo mpifehy ny kalesy fa tsy iny no mpanjakan'i Israely, dia niverina tamin'ny fanenjehana azy izy ireo.
\s5
\v 34 Fa nisy lehilahy iray nandefa ny zana-tsipìkany kitoatoa ary nahavoa ny mpanjakan'i Israely teo anelanelan'ireo fiarovan-tratrany. Ary i Ahaba niteny tamin'ny mpamily ny kalesiny hoe: "Mihodìna ka ento mivoaka ny ady aho, fa naratra mafy aho."
\s5
\v 35 Nihamafy ny ady tamin'izany andro izany ary ny mpanjaka dia notohanana hitsangana tao amin'ny kalesiny nanatrika ny Syriana. Maty izy nony hariva. Nijininika avy teo amin'ny ratrany ka hatrany amin'ny vodi-kalesy ny rà.
\v 36 Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia nisy antsoantso mafy nanerana ny tafika, nanao hoe: "Samia mody any amin'ny tanànany avy ny lehilahy rehetra; ary samia mody any amin'ny faritaniny avy ny lehilahy rehetra!"
\s5
\v 37 Dia maty i Ahaba mpanjaka ary nentina tany Samaria, ka nalevin'izy ireo tao Samaria izy.
\v 38 Nosasan'izy ireo teo amin'ny farihin'i Samaria ny kalesy, ary nolelafin'ny amboa ny ràny (teo no fandron'ireo vehivavy janga), araka izay efa nambaran'ny tenin'i Yaveh.
\s5
\v 39 Ary ny raharaha hafa mahakasika an'i Ahaba, sy izay rehetra nataony, ny trano ivory izay naoriny, ary ireo tanàna rehetra izay naoriny, moa ve tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'Israely ireo?
\v 40 Ary nodimandry tany amin'ireo razambeny i Ahaba, ka i Ahazia zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\v 41 Ary i Josafata zanaka lahin'i Asa nanomboka nanjaka nanerana an'i Joda tamin'ny taona faha-efatra nanjakan'i Ahaba mpanjakan'Israely.
\v 42 Dimy amby telopolo taona i Josafata no nanomboka nanjaka, ary nanjaka tao Jerosalema nandritra ny dimy amby roapolo taona izy. Azoba no anaran-dreniny, ilay zanaka vavin'i Sily.
\s5
\v 43 Nanaraka ny fomban'i Asa rainy izy; tsy niala tamin'ireo izy; nanao izay marina teo imason'i Yaveh izy. Kanefa ny toerana avo dia tsy mba noravàna. Fa ny vahoaka mbola nanao sorona sy nandoro ditin-kazo manitra teo amin'ireo toerana avo ihany.
\v 44 Ary i Josafata nihavana tamin'ny mpanjakan'i Israely.
\s5
\v 45 Ary ny raharaha hafa mahakasika an'i Josafata, sy ny hery izay nasehony, ary ny fomba niadiany, moa ve ireo tsy efa voasoratra ao anatin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Joda?
\v 46 Nesoriny teo amin'ny tany ireo sisa tavela tamin'ny olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy izay mbola tamin'ny andron'i Asa rainy.
\v 47 Tsy nisy mpanjaka tao Edoma, fa olona voatendry no nitondra tao.
\s5
\v 48 Josafata nanao sambo fitaterana an-dranomasina; nandeha nankany Ofira izy ireo haka volamena, kanefa tsy lasa satria nikatso tao Ezion-gebera ireo sambo.
\v 49 Dia hoy Ahazia zanaka lahin'i Ahaba tamin'i Josafata hoe: "Aoka mba hiara-hiantsambo amin'ny mpanomponao ny mpanompoko." Fa i Josafata tsy namela izany.
\v 50 Nodimandry tany amin'ireo razambeny i Josafata ary nalevina niaraka tamin'izy ireo tao an-tanànan'i Davida, razambeny; ary Jerohama zanany lahy no lasa mpanjaka nandimby ny toerany.
\s5
\v 51 Ahazia zanaka lahin'i Ahaba dia nanomboka nanjaka nanerana an'Israely tany Samaria tamin'ny taona faha-fito ambin'ny folo nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda, ary nanjaka roa taona teo amin'i Israely izy.
\v 52 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh izy ary nanaraka ny fomban'ny rainy, tamin'ny fomban'ny reniny, ary tamin'ny fomban'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata, izay nitarihany ny Israely hanota.
\v 53 Nanompo an'i Bala sy nivavaka taminy izy ary nanao izay nahatezitra an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, tahaka ny efa nataon-drainy ihany.