plt_ulb/09-1SA.usfm

1679 lines
151 KiB
Plaintext

\id 1SA
\ide UTF-8
\h 1 Samoela
\toc1 1 Samoela
\toc2 1 Samoela
\toc3 1sa
\mt 1 Samoela
\s5
\c 1
\p
\v 1 Nisy lehilahy iray avy ao Ramataima an'i Zefotita, tany havoan'ny Efraima; ny anarany dia Elkana zanaka lahin'i Jeroama zanaka lahin'i Eliho zanaka lahin'i Toho zanaka lahin'i Zofa, ilay Efraimita.
\f + \ft Fanamarihana: ny dikan-teny vaovao sasany manao hoe: "Ramataima Zofima" kanefa izany dia azo amin'ny hoe: "Zofima" izay manondro tanteraka ny faritra izay nonenan'ireo taranam-poko avy any Zofa. \f*
\v 2 Nanana vady anankiroa izy, ny voalohany dia i Hana, ary ny anaran'ilay faharoa dia i Penina. Nanan-janaka i Penina, fa i Hana kosa tsy mba nanana.
\s5
\v 3 Io lehilahy io dia isan-taona no niala avy any amin'ny tanànany mba hanompo sy hanao sorona ho an'i Yaveh tompon'ny maro ao Silo. Tao ireo zanaka roa lahin'i Ely, Ofnia sy Finehasa, mpisoron'i Yaveh.
\v 4 Rehefa tonga ny anjara andro hanaovan'i Elkana sorona isan-taona, dia nanome ampahana hena an'i Penina vadiny lalandava izy, ary ho an'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy rehetra.
\s5
\v 5 Fa ho an'i Hana kosa dia ampahany roa foana no nomeny azy, satria tiany i Hana, na dia efa nataon'i Yaveh momba aza izy.
\v 6 Nihantsy azy fatratra ny rafivaviny mba haharangitra azy, satria Yaveh nahamomba azy.
\s5
\v 7 Koa isan-taona, rehefa niakatra tany an-tranon'i Yaveh izy mbamin'ny fianakaviany, dia nihantsy azy hatrany ny rafivaviny. Noho izany dia nitomany sy tsy nihinana na inona na inona izy.
\v 8 Fa i Elkana vadiny niteny taminy mandrakariva hoe: "Hana, nahoana ianao no mitomany? Nahoana ianao no tsy misakafo? Nahoana ny fonao no malahelo? Tsy tsara aminao noho ny zanaka lahy folo ve aho?
\s5
\v 9 Indray mandeha, dia niainga i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Ary Ely mpisorona nipetraka teo amin'ny sezany teo akaikin'ny vavahadin'ny tempolin'i Yaveh.
\v 10 Ory tanteraka izy; nivavaka tamin'i Yaveh izy ary nitomany mafy.
\s5
\v 11 Nanao voady izy ary nanao hoe: "Ry Yaveh tompon'ny maro, raha hitanao ny fahorian'ny mpanomponao dia tsarovy aho, ary aza manadino ny mpanomponao, fa omeo zanaka lahy kosa ny mpanomponao, dia ho atolotro an'i Yaveh izy amin'ny androm-piainany rehetra, ary tsy hisy hareza hikasika ny lohany."
\s5
\v 12 Ary raha mbola nanohy nivavaka teo anatrehan'i Yaveh izy, dia nojeren'i Ely ny vavany.
\v 13 Niteny tao am-pony i Hana. Nihetsiketsika ny vavany, saingy tsy re ny feony. Ka dia nieritreritra i Ely fa mamo izy.
\v 14 Dia hoy i Ely taminy: "Hafiriana ianao no ho mamo? Mialà amin'ny divainao."
\s5
\v 15 Hana namaly hoe: "Tsia tompoko, vehivavy ory am-panahy aho. Tsy nisotro aho na divay na zava-mahamamo, fa mamboraka ny ato anatiko eto anatrehan'i Yaveh aho.
\v 16 Aza heverina ho vehivavy tsy misy henatra ny mpanomponao; niteny tamin'ny haben'ny fahoriako sy ny fihantsiana ahy aho."
\s5
\v 17 Ary Ely namaly ka nanao hoe: "Mandehana am-piadanana; Andriamanitr'Israely anie hamaly ny fangatahana izay nangatahinao taminy."
\v 18 Hoy ilay vehivavy: "Aoka hahita sitraka eo imasonao ny mpanomponao." Dia nandeha tamin'ny lalany ravehivavy ka nihinana; tsy nalahelo intsony ny endriny.
\s5
\v 19 Niainga vao mangiran-dratsy izy ireo ka nanompo teo anatrehan'i Yaveh, ary niverina tany an-tranony tany Rama indray izy ireo avy eo. Niara-nandry tamin'i Hana vadiny i Elkana, ary Yaveh nahatsiaro azy.
\v 20 Rehefa tonga ny fotoana, dia nitoe-jaza i Hana ary niteraka zaza lahy. Niantso ny anarany hoe: Samoela izy, nanao hoe: "Satria avy tamin'i Yaveh no nangatahako azy."
\s5
\v 21 Elkana sy ireo ankohonany rehetra dia niakatra indray mba hanolotra ny sorona isan-taona ho an'i Yaveh ka nanefa ny voadiny.
\v 22 Fa i Hana kosa tsy nandeha; efa niteny tamin'ny vadiny izy hoe: "Tsy handeha aho mandra-pisara-nono ny zazakely; ary ho entiko izy, mba hahafahany miseho eo anatrehan'i Yaveh ary hitoetra any mandrakizay."
\v 23 Hoy i Elkana vadiny taminy hoe: "Ataovy izay hitanao fa tsara aminao. Miandrasa mandra-pampisarahanao nono azy; saingy, Yaveh ihany anie no hanamafy ny teniny." Dia nijanona ilay vehivavy ary nitaiza ny zanany lahy mandra-panasarahany nono azy.
\s5
\v 24 Rehefa nosarahany nono izy, dia nentiny niaraka taminy, niaraka tamin'ny zanak'omby kely telo taona iray, sakafo iray efaha, ary tavoahangin-divay iray, ka nentiny tao an-tranon'i Yaveh tao Silo izy. Ary mbola kely ilay zaza.
\v 25 Novonoin'izy ireo ny zanak'omby, ary nentiny tany amin'i Ely ilay zaza.
\s5
\v 26 Hoy izy hoe: "O, ry tompoko! Raha mbola velona koa ianao, ry tompoko, izaho ilay vehivavy izay nijoro teo akaikinao nivavaka tamin'Yaveh.
\v 27 Fa ity zaza ity no nivavahako ary nomen'i Yaveh ahy ny fangatahako izay nangatahiko taminy.
\v 28 Efa nomeko an'Yaveh izy, raha mbola velona koa izy dia hatolotra an'i Yaveh." Dia nanompo an'iYaveh teo izy.
\f + \ft Ny dikan-teny vaovao sasany misy hoe: "Dia nanompo an'i Yaveh teo izy ireo." \f*
\s5
\c 2
\p
\v 1 Nivavaka Hana ka nanao hoe: "Ny foko mifaly ao amin'i Yaveh. Ny tandroko misandratra amin'i Yaveh. Ny molotro mirehareha manoloana ireo fahavaloko, satria mifaly amin'ny famonjenao aho.
\s5
\v 2 Tsy misy masina tahaka an'i Yaveh, fa tsy misy hafa ankoatra Anao; tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.
\s5
\v 3 Aza mirehareha loatra intsony; aoka tsy ho aloaky ny vavanao ny fiavonavonana. Fa Yaveh no Andriamanitry ny fahalalana; amin'ny alalany no handanjana ny asa.
\v 4 Ny tsipìkan'ireo lehilahy mahery dia tapaka, fa ireo tafintohina kosa dia misikin-kery tahaka ny fehikibo.
\s5
\v 5 Ireo izay voky dia nikarama mofo; ireo izay noana dia nitsahatra tamin'ny hanoanana. Na ny momba aza miteraka fito, fa ny vehivavy manan-janaka maro kosa dia mivalaketraka.
\s5
\v 6 Yaveh no mahafaty sy mitondra ho amin'ny fiainana. Izy no mampidina any amin'ny fianan-tsy hita ary manangana.
\v 7 Yaveh no mampahantra ny olona sasany ary mampanan-karena ny sasany. Mampietry Izy, nefa mampisandratra ihany koa.
\s5
\v 8 Mampitraka ny mahantra hiala amin'ny vovoka Izy. Mampisandratra ny ory hiala amin'ny lavenona mba hametraka azy ireo miaraka amin'ny andrian-dahy ka handova ny sezam-boninahitra. Ny andrin'ny tany rehetra dia an'i Yaveh ary teo amin'ireo no nametrahany an'izao tontolo izao.
\s5
\v 9 Ho ambenany ny tongotry ny olony mahatoky, fa ny ratsy fanahy kosa dia hampanginina any amin'ny aizim-pito, satria tsy misy handresy amin'ny hery.
\s5
\v 10 Ireo izay manohitra an'i Yaveh dia ho potipotika; hampikotrok'orana avy any an-danitra hanohitra azy ireo Izy. Yaveh no hitsara ny ny faran'ny tany rehetra; hanome hery ny mpanjakany Izy ary hanandratra ny tandrok'ilay voahosony."
\s5
\v 11 Avy eo i Elkana dia nankany Rama, tany an-tranony. Nanompo an'Andriamanitra teo amin'ny fanatrehan'i Ely mpisorona ny zaza.
\s5
\v 12 Ary lehilahy ratsy fanahy ireo zanaka lahin'i Ely. Tsy nahalala an'i Yaveh izy ireo.
\v 13 Ny fanaon'ny mpisorona miaraka amin'ireo vahoaka rehefa nisy lehilahy nanolotra sorona, dia manatona ny mpanompon'ny mpisorona ka mitondra fitrebika telo rantsana eny an-tanany, raha mbola mangotraka ny hena.
\v 14 Hatsindrony ao anaty lasitra izany, na fandrahoana hena, na vilany, na vilanibe. Ireo rehetra azon'ny fitrebika ao dia alain'ny mpisorona ho azy. Nataon'izy ireo tao Silo niaraka tamin'ireo Israelita rehetra izay tonga tao izany.
\s5
\v 15 Ratsy lavitra aza, mialohan'ny nandoran'izy ireo ny jabora, dia tamy ny mpanompon'ny mpisorona, ary niteny tamin'ilay lehilahy izay nanao ny sorona hoe: "Omeo hena ho atsatsika ny mpisorona, fa tsy hanaiky hena nandrahoina avy aminao izy, fa ny manta ihany."
\v 16 Raha miteny aminy ilay lehilahy hoe, "Tsy maintsy doran'izy ireo aloha ny jabora, ary avy eo dia afaka maka betsaka araka izay tinao ianao." Dia valiany hoe: "Tsia, fa omenao izao ankehitriny izao ihany izany; fa raha tsy izany, dia ho alaiko an-keriny izany."
\v 17 Lehibe dia lehibe tokoa ny helok'ireo zatovo lahy manoloana an'i Yaveh, satria nataon'izy ireo tsinontsinona ny fanatitra an'i Yaveh.
\s5
\v 18 Fa i Samoela dia nanompo an'i Yaveh raha mbola zaza niakanjo efoda rongony fotsy.
\v 19 Nanamboaran-dreniny akanjo lava kely izy ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, rehefa niakatra niaraka tamin'ny vadiny mba hanolotra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
\s5
\v 20 Ary Ely nitso-drano an'i Elkana sy ny vadiny ka niteny hoe: "Hanome anao zaza maro amin'ity vehivavy ity anie Andriamanitra nohon'ny fangatahana izay nataony tamin'i Yaveh." Avy eo dia niverina tany an-tranony izy ireo.
\v 21 Nanampy an'i Hana indray i Yaveh, ka nitoe-jaza indray izy. Niteraka telo lahy sy roa vavy izy. Nandritra izany fotoana izany, dia nitombo teo anatrehan'i Yaveh i Samoela zaza.
\s5
\v 22 Ary efa ntitra tokoa i Ely; reny avokoa izay rehetra nataon'ireo zanany lahy tamin'ny Israely rehetra, sy ny nandrian'izy ireo niaraka tamin'ny vehivavy izay nanompo eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana.
\v 23 Hoy izy tamin'izy ireo: "Fa maninona ianareo no manao zavatra tahaka izany? Efa reko tamin'ny olon-drehetra avokoa ny zava-dratsy nataonareo.
\v 24 "Tsia, ry zanako; tsy tatitra tsara no reko. Mahatonga ny vahoakan' i Yaveh tsy hankatoa ianareo.
\s5
\v 25 "Raha misy olona iray manota amin'ny iray hafa, dia hotsarain'Andriamanitra izy; fa raha misy lehilahy iray manota amin'i Yaveh, iza no hisolo vava azy?" Fa tsy hihaino ny feon'ny rainy izy ireo, satria Yaveh efa nikasa ny hahafaty azy ireo.
\v 26 Niha-lehibe i Samoela zaza, ary nitombo fitia tamin'i Yaveh sy tamin'ny olona ihany koa.
\s5
\v 27 Ary nisy lehilahin'Andriamanitra iray nanatona an'i Ely ka nanao taminy hoe: "Izao no nolazain'i Yaveh, 'Tsy efa nampiseho ny tenako taminao tamin'ny ankohonan'ireo razambenao ve Aho, raha mbola tany Egypta tamin'ny fanandevozan'ny ankohonan'i Farao izy ireo?
\v 28 Nofidiko tanatin'ireo fokon'Israely rehetra izy mba ho mpisoroko, mba hiakatra eny amin'ny alitarako, ary mba handoro ny ditin-kazo manitra, mba hiakanjo efoda manoloana Ahy. Nomeko ho an'ny taranaky ny razambenao ireo fanatitra rehetra nataon'ny vahoakan'ny Israely tamin'ny afo.
\s5
\v 29 Nahoana ary, ianao no maniratsira ireo sorona sy fanatitro izay notakiako ho eo amin'ny toerana fonenako? Nahoana no omenao voninahitra mihoatra ahy amin'ny fanatavezana ny tenanareo amin'ny tsara indrindra avy amin'ny fanatitra rehetran'ny Israely vahoakako ny zanakao?'
\v 30 Fa Yaveh, Andriamanitr'Israely, miteny hoe: 'Nampanantena Aho fa ny taranakao, sy ny ankohonan'ny razambenao, dia handeha eo anatrehako mandrakizay.' Nefa ankehitriny kosa dia hoy Yaveh: 'Sanatria Amiko ny hanao izany, izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, fa izay manao tsinontsinona Ahy kosa no ho tsinontsinoaviko.
\s5
\v 31 Indro, ho avy ny andro izay hanapahako ny herinao sy ny herin'ny ankohonan'ny razambenao, ka tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao.
\v 32 Hahita fahoriana eny amin'izay toerana honenako ianao. Na dia omena soa aza ny Israely, dia tsy hisy lehilahy ho tratra antitra intsony amin'ny taranakao.
\v 33 Ny sasany aminareo izay tsy ho esoriko amin'ny alitarako, dia ho ataoko pahina ny masonareo, ary ahatonga alahelo ny amin'ny fiainanareo Aho. Ireo lehilahy rehetra izay teraka ao amin'ny fianakavianareo dia ho faty.
\s5
\v 34 Izao no famantarana ho anao izay hanjo ireo zanakao roa lahy, amin'i Hofinia sy Finehasa: Samy ho faty amin'ny andro iray izy miralahy ireo.
\v 35 Hanangana mpisorona mahatoky ho an'ny tenako izay hanatanteraka ny ao am-poko sy ny ao amin'ny fanahiko Aho. Hanorina trano azo antoka ho azy Aho; ary handeha eo anoloan'ny mpanjaka izay voahosotro mandrakizay izy.
\s5
\v 36 Izay rehetra sisa tavela amin'ny taranakao dia ho avy ary hiankohoka eo aminy, hangataka sombim-bolafotsy sy mofo, ary hiteny hoe: "Mba tendreo ho isan'ny iray amin'ireo mpisoronao re aho mba hahafahako mihinana sombi-mofo iray.""'
\s5
\c 3
\p
\v 1 Nanompo an'i Yaveh teo amin'ny fanatrehan'i Ely i Samoela zaza. Vitsy ireo tenin'i Yaveh tamin'ireo andro ireo; tsy dia nisy fahitana ara-paminaniana matetika.
\v 2 Tamin'izany fotoana izany, Ely, izay efa nanomboka pahina masony ka tsy mahita tsara, dia nandry teo am-pandriany.
\v 3 Mbola tsy maty ny fanilon'Andriamanitra, ary nandry mba hatory tao amin'ny tempolin'i Yaveh i Samoela, tao amin'izay nisy ny fiaran'Andriamanitra.
\v 4 Yaveh niantso an'i Samoela, izay nanao hoe: "Inty aho."
\s5
\v 5 Nihazakazaka nankany amin'i Ely i Samoela niteny hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Hoy i Ely: "Tsy niantso anao aho, miverena mandry." Ka nandeha i Samoela ary nandry.
\v 6 Niantso indray i Yaveh hoe: "Ry Samoela." Dia nitsangana indray i Samoela ary nankany amin'i Ely, nanao hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Dia namaly i Ely hoe: "Tsy niantso anao aho, ry zanako, miverena mandry."
\s5
\v 7 Ary Samoela dia mbola tsy dia nahafantatra loatra an'i Yaveh, na nisy hafatra avy amin'i Yaveh mbola nambara taminy.
\v 8 Niantso an'i Samoela fanintelony indray i Yaveh. Nitsangana indray i Samoela ary nankany amin'i Ely sy niteny hoe: "Inty aho, fa niantso ahy ianao." Dia fantatr'i Ely fa i Yaveh no niantso ilay zazalahy.
\s5
\v 9 Dia hoy i Ely tamin'i Samoela: "Mandehana ary miverena mandry; raha mbola miantso anao indray Izy, dia tsy maintsy milaza ianao hoe: "Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao."' Ka nandeha i Samoela ary nandry tamin'ny toerany indray.
\s5
\v 10 Tonga i Yaveh ka nitsangana; niantso tahaka ny tamin'ireo fotoana hafa hoe: "Samoela, Samoela." Dia hoy i Samoela hoe: "Mitenena, ry Yaveh, fa mihaino ny mpanomponao."
\v 11 Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Indro, hanao zavatra amin'Israely Aho ka ny sofin'izay rehetra mandre izany dia hangorintsina.
\s5
\v 12 Amin'izany andro izany dia hanatanteraka ny zavatra rehetra efa nolazaiko tamin'i Ely momba ny ankohonany, hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany Aho.
\v 13 Nilaza taminy Aho fa hitsara ny ankohonany indray mandeha tsy miverina ny amin'ireo fahotana izay fantany, satria ireo zanany dia nitondra ozona tamin'ny tenan'izy ireo ary tsy nanakana azy ireo izy.
\v 14 Noho izany dia nianiana tamin'ny ankohonan'i Ely Aho fa ireo fahotan'io ankohonana io dia tsy ho voahonitra amin'ny sorona na fanatitra mihitsy."
\s5
\v 15 Nandry mandra-maraina i Samoela; dia nanokatra ny varavaran'ny tranon'i Yaveh izy. Fa natahotra ny hilaza tamin'i Ely momba ny fahitana i Samoela.
\v 16 Avy eo dia niantso an'i Samoela i Ely ka nanao taminy hoe: "Ry Samoela, zanako." Dia hoy i Samoela hoe: "Inty aho."
\s5
\v 17 Hoy izy: "Inona no teny nolazainy taminao? Aza afenina ahy re izany. Hanao izany aminao anie Andriamanitra, ary mihoatra noho izany aza, raha manafin-javatra amiko ny amin'ireo teny rehetra izay nolazainy anao ianao."
\v 18 Dia nolazain'i Samoela taminy ny zava-drehetra; tsy nanafina na inona na inona taminy izy. Hoy i Ely: "Izy no Yaveh. Avelao Izy hanao izay mety hoe tsara Aminy."
\s5
\v 19 Niha-lehibe i Samoela, ary i Yaveh dia niaraka taminy, ary tsy navelany hisy tamin'ireo teny faminaniany tsy ho tanteraka.
\v 20 Ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba dia nahafantatra fa i Samoela dia voatendry ho mpaminanin'i Yaveh.
\v 21 Niseho tao Silo indray i Yaveh, satria nanambara ny tenany tamin'ny teniny tamin'i Samoela tao Silo Izy.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Tonga tamin'ny Israely rehetra ny tenin'i Samoela. Ary nivoaka hiady tamin'ireo Filistina ny Israely. Nametraka toby teo Ebenezera izy ireo, ary nametraka toby teo Afeka kosa ireo Filistina.
\v 2 Nilahatra hiady tamin'ny Israely ireo Filistina. Rehefa niely ny ady, dia resin'ireo Filistina izay nahafaty teo ho eo amin'ny efatra arivo lahy teo amin'ny sahan'ady ny Israely.
\s5
\v 3 Rehefa niditra tao an-toby ny vahoaka, dia hoy ireo loholon'Israely hoe: "Nahoana Yaveh no naharesy antsika teo anatrehan'ireo Filistina androany? Andeha ho entintsika avy any Siloha hankaty ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, mba hiaraka amintsika aty izany, ka hiaro antsika amin'ny tanan'ireo fahavalontsika."
\v 4 Koa dia naniraka lehilahy nankany Siloha ny vahoaka; avy any no nitondran'izy ireo ny fiaran'ny faneken'i Yaveh tompon'ny maro, izay mipetraka ambonin'ny kerobima. Teo niaraka tamin'ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra ireo zanak'i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa.
\s5
\v 5 Rehefa niditra tao an-toby ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, dia niara-namoaka hiaka mafy ny vahoakan'Israely rehetra, ary nanakoako ny tany.
\v 6 Rehefa ren'ireo Filistina ny kotaban'ny hiakiaka, dia hoy izy ireo hoe: "Fa inona no dikan'izay tabataba mafy ao an-tobin'ny Hebreo izany?" Avy eo dia azon'izy ireo an-tsaina fa tonga tao an-toby ny fiaran'i Yaveh.
\s5
\v 7 Natahotra ireo Filistina; hoy izy ireo hoe: "Misy andriamanitra tonga ao an-toby." Hoy izy ireo hoe:
\v 8 "Loza ho antsika! Tsy mbola nisy zavatra nitranga toy izao taloha! Loza ho antsika! Iza no hiaro antsika amin'ny herin'ireo andriamanitra mahery ireo? Ireo no andriamanitra izay namely ny Egyptiana tamin'ny loza maro isan-karazany tany an'efitra.
\v 9 Alao hery, ary mbà lehilahy, ianareo ry Filistina, sao ho tonga andevon'ny Hebreo ianareo, tahaka ny naha-andevonareo azy ireo. Mbà lehilahy, ka miadia."
\s5
\v 10 Dia niady ireo Filistina, ary resy ny Israely. Nandositra tany an-tranony avokoa ny lehilahy rehetra, ary henjana tokoa ny famonoana; fa miaramila mijoro telo alina avy amin'ny Israely no lavo.
\v 11 Lasa ny fiaran'i Yaveh, ary maty i Hofinia sy Finehasa, zanak'i Ely roa lahy.
\s5
\v 12 Nisy lehilahin'i Benjamina iray nihazakazaka avy tany amin'ny filaharan'ady ka nankany Siloha tamin'io andro io ihany, tonga niaraka tamin'ny akanjony rovitra sy vovo-tany teo an-dohany.
\v 13 Rehefa tonga izy, dia nipetraka teo amin'ny sezany teo amoron-dalana nitazana i Ely satria nangorohoro ny amin'ny fiaran'Andriamanitra ny fony. Rehefa niditra ny tanàna ilay lehilahy ary nilaza ny vaovao, dia nihiaka mafy ny tanàna iray manontolo.
\s5
\v 14 Rehefa ren'i Ely ny kotaban'ny hiakiaka, dia hoy izy hoe: "Inona no dikan'izao korontana izao?" Tonga faingana ilay lehilahy ary nitantara tamin'i Ely.
\v 15 Ary valo amby sivifolo taona i Ely; pahina ny masony, ary tsy nahita izy.
\s5
\v 16 Hoy ilay lehilahy tamin'i Ely: "Izaho ilay iray izay avy any amin'ny laharan'ady. Nandositra ny ady aho androany."
\v 17 Hoy Ely hoe: "Nanahoana ny fizotrany, anaka?" Namaly ilay lehilahy nitondra ny vaovao ka nanao hoe: "Nandositra an'ireo Filistina ny Israely. Ary koa, nisy faharesena goavana teo amin'ny vahoaka. Ary koa, maty Hofinia sy Finehasa, zanakao roa lahy, ary lasa ny fiaran'Andriamanitra."
\s5
\v 18 Rehefa nanonona ny fiaran'Andriamanitra izy, dia nidoboka nitsimbadika avy teo an-tsezany teo akaikin'ny vavahady i Ely. Tapaka ny vozony, ka maty izy, satria efa antitra sady reraka. Nitsara ny Israely nandritra ny efa-polo taona izy.
\s5
\v 19 Ary ny vinantovaviny, vadin'i Finehasa, dia nitoe-jaza ary efa ho teraka. Rehefa nandre ny vaovao izy fa lasa ny fiaran'Andriamanitra ary maty ny rafozan-dahiny sy ny vadiny, dia nandohalika izy ary teraka, saingy nandavo azy ny fanaintainan'ny fiterahany.
\v 20 Tokony ho tamin'ny fotoana nahafatesany dia niteny taminy ireo vehivavy niatrika azy hoe: "Aza matahotra, fa niteraka zazalahy ianao." Saingy tsy namaly izy na nandray am-po izay nolazain'izy ireo.
\s5
\v 21 Nantsoiny hoe Ikaboda ny anaran'ilay zaza, fa hoy izy hoe: "Afa-boninahitra Israely!" fa lasa ny fiaran'Andriamanitra, ary nohon'ny rafozan-dahiny sy ny vadiny koa.
\v 22 Hoy izy hoe: "Afa-boninahitra Israely, satria lasa ny fiaran'Andriamanitra."
\s5
\c 5
\p
\v 1 Ary lasan'ireo Filistina ny fiaran'Andriamanitra, ka nientin'izy ireo avy tany Ebenezera ho any Asdoda izany.
\v 2 Nalain'ireo filistina ny fiaran'Andriamanitra, nentiny tao an-tranon'i Dagona izany, ary napetrany teo anilan'i Dagona.
\v 3 Rehefa nifoha maraina ireo vahoakan'i Asdoda ny ampitso, dia indro, nianjera niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Koa dia nalain'izy ireo i Dagona ary nampiakariny teo amin'ny toerany indray.
\s5
\v 4 Fa rehefa nifoha maraina izy ireo ny ampitso, dia indro, nianjera niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'i Yaveh ny tavan'i Dagona. Ny lohan'i Dagona sy ny tanany roa dia tapaka teo amin'ny varavarana. Ny vatan'i Dagona ihany sisa no nitoetra.
\v 5 Noho izany, no antony tsy handinganan'ireo Mpisoron'i Dagona sy izay olona miditra ao an-tranon'i Dagona ny varavaran'i Dagona ao Asdoda, na mandrak'ankehitriny aza.
\s5
\v 6 Ny tanan'i Yaveh dia navesatra teo amin'ireo vahoakan'i Asdoda. Noringaniny sy nampahoriany tamin'ny fivontosana izy ireo, i Asdoda sy ireo faritaniny.
\v 7 Rehefa tsapan'ny olon'i Asdoda izay nitranga, dia hoy izy ireo: "Aoka tsy hijanona eto aminay ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely, satria ny tanany dia manohitra mafy anay sy i Dagona andriamanitray."
\s5
\v 8 Koa dia nampiantso izy ireo ary nanangona ireo mpanapaka ny Filisitina rehetra; hoy izy ireo taminy: "Inona no tokony hataonay amin'ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely?" Namaly izy ireo hoe: "Aoka ho entina hiodidina an'i Gata ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely." Koa nentin'izy ireo tany ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely.
\v 9 Fa rehefa avy nentin'izy ireo niodidina izany, dia nanohitra ny tanàna ny tanan'i Yaveh, ka nahatonga fifanjevona lehibe. Nampahory ireo olon'ny tanàna Izy, na kely na lehibe; ka nipoitra tamin'izy ireo ny fivontosana.
\s5
\v 10 Noho izany dia nalefan'izy ireo tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra. Fa vantany vao tonga tany Ekrona ny fiaran'Andriamanitra, dia nihiaka mafy ireo Ekronita, nanao hoe: "Nitondra ny fiaran'ny Andriamanitr'Israely ho antsika mba hamonoana antsika sy ireo olontsika izy ireo."
\s5
\v 11 Ka nampiantso izy ireo ary nanangona ireo mpanapaky ny Filistina rehetra; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Hampodio ilay fiaran'ny Andriamanitr'Israely, ary avereno amin'ny toerany ihany, mba tsy hamonon'izany antsika sy ireo olontsika." Fa nisy fisavorovoroana lehibe nanerana ny tanàna; tena navesatra teo ny tanan'Andriamanitra.
\v 12 Ireo olona izay tsy maty dia nampahoriana tamin'ny fivontosana, ary ny fitarainan'ny tanàna dia niakatra nanenika ny lanitra.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ary ny fiaran'i Yaveh dia tao amin'ny tanànan'ireo Filistina nandritra ny fito volana.
\v 2 Avy eo ny vahoaka Filistina niantso an'ireo mpisorona sy ireo mpimasy; hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona no tokony hataonay amin'ny fiaran'i Yaveh?" Lazao anay ny fomba hamerenanay izany any amin'ny firenen'izany manokana."
\s5
\v 3 Hoy ireo mpisorona sy ireo mpimasy hoe: "Raha averinareo ny fiaran'ilay Andriamanitr'Israely, dia aza averina tsy miaraka amin'ny fanomezana izany; andefaso fanatitra nohon'ny heloka amin'ny fomba rehetra Izy. Dia ho sitrana ianareo, ary ho fantatrareo ny antony tsy nanalany ny tanany taminareo mandrak'ankehitriny."
\v 4 Dia hoy izy ireo hoe: "Tokony ho inona ilay fanatitra nohon'ny heloka izay averinay aminy?" Namaly izy ireo hoe: "Fivontosana volamena dimy sy totozy volamena dimy, ny dimy dia isa mitovy amin'ny isan'ireo mpanapaky ny Filistina. Fa loza mitovy no mampahory anareo sy ireo mpanapakareo.
\s5
\v 5 Noho izany dia tsy maintsy manao sarin'ny fivontosanareo ianareo, ary sarin'ny totozinareo izay mandringana ny tany, ary manome voninahitra an'ilay Andriamanitr'Israely. Angamba mety hanala ny tanany aminareo Izy, amin'ireo andriamanitrareo, ary amin'ny taninareo.
\v 6 Nahoana no tokony hanamafy ny fonareo ianareo, tahaka ny nanamafisan'ireo Egyptiana sy Farao ny fon'izy ireo? Izany dia tamin'ny namelezan'ilay Andriamanitr'Israely mafy azy ireo; moa tsy nalefan'ireo Egyptiana ve ny vahoaka, ary lasa izy ireo?
\s5
\v 7 Ankehitriny ary, manomàna sarety vaovao miaraka amin'ny omby vavy mampinono roa izay mbola tsy nitondra zioga mihitsy. Fatory amin'ilay sarety ireo omby, saingy ento mody ireo zanak'omby, hiala amin'izy ireo.
\v 8 Avy eo raiso ny fiaran'i Yaveh ary ataovy ao anatin'ilay sarety izany. Apetraho anaty vata eo anilan'izany ny sarin-javatra volamena izay averinareo aminy mba ho fanatitra nohon'ny heloka. Dia alefaso izany ary avelao handeha amin'ny lalany.
\v 9 Avy eo jereo; raha miakatra any amin'ny lalana mankany amin'ny taniny manokana any Beti-semesy izany, dia Yaveh no nanao izany loza lehibe izany. Fa raha tsy izany, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no nampahory antsika; fa kosa, ho fantatsika fa nitranga tsy nahy tamintsika izany."
\s5
\v 10 Ireo lehilahy dia nanao araka izay nolazaina tamin'izy ireo; naka omby vavy mampinono roa izy ireo, namatotra ireo teo amin'ny sarety, ary nitondra ny zanak'ombin'ireo tany an-trano.
\v 11 Napetrak'izy ireo teo amin'ilay sarety ilay fiaran'i Yaveh, niaraka tamin'ny vata misy ilay totozy volamena sy ny sarin'ny fivontosan'izy ireo.
\v 12 Nandeha nahitsy tany amin'ny lalana mizotra any Beti-semesy ireo omby vavy. Nandeha tamin'ny lalam-be iray ireo, nimàma teny am-pandehanana, ary tsy nivilivily na tany ankavanana na tany ankavia. Nanaraka azy ireo tany amin'ny sisin'i Beti-semesy ireo mpanapak'ireo Filistina.
\s5
\v 13 Ary nijinja ny varin'izy ireo teny an-dohasaha ny vahoakan'i Beti-semesy. Rehefa nanandratra ny masony izy ireo ka nahita ilay fiara, dia niravoravo.
\s5
\v 14 Tonga tany amin'ny sahan'i Josoa avy any amin'ny tanànan'i Beti-semesy ilay sarety ary nijanona tao. Nisy vato lehibe teo, ka namaky ny hazo tamin'ilay sarety izy ireo, ary nanolotra ireo omby vavy mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh.
\v 15 Nampidinin'ireo Levita ny fiaran'i Yaveh sy ilay vata izay niaraka tamin'izany, izay nisy ireo sary volamena, ary napetrany teo amin'ilay vato lehibe ireo. Nanolotra fanatitra dorana sy nanao sorona ho an'i Yaveh ny androtr'io ihany ireo mponin'i Beti-semesy.
\s5
\v 16 Rehefa hitan'ireo mpanapaka dimin'ireo Filistina izany, dia niverina tany Ekrona ny androtr'io ihany izy ireo.
\s5
\v 17 Ireto avy ireo fivontosana volamena izay naverin'ireo Filistina ho fanatitra nohon'ny heloka ho an'i Yaveh: iray ho an'i Asdoda, iray ho an'i Gaza, iray ho an'i Askelona, iray ho an'i Gata, ary iray ho an'i Ekrona.
\v 18 Ireo totozy volamena dia nitovy isa tamin'ny isan'ireo tanànan'ireo Filistina rehetra izay an'ireo mpanapaka dimy, dia ireo tanàna mimanda sy ireo zana-bohitry ny tanàna. Ilay vato lehibe, teo anilan'ilay nametrahan'izy ireo ny fiaran'i Yaveh, dia mitoetra ho vavolombelona iray ao amin'ny sahan'i Josoa ilay Beti-semesita mandrak'androany.
\s5
\v 19 Namely ny sasany tamin'ireo mponin'i Beti-Semesy i Yaveh satria nijery tao anatin'ilay fiaran'i Yaveh izy ireo. Namono lehilahy 50. 070 Izy. Nisaona ny vahoaka, satria namely mafy ny vahoaka Yaveh.
\f + \ft Fanamarihana: raha tokony hoe "lehilahy 50. 070," dia ireo fandikana sasany taty aoriana sy ireo dikan-teny amin'izao fotoana dia manao hoe "lehilahy fito-polo." \f*
\v 20 Hoy ireo mponin'i Beti-semesy hoe: "Iza no afaka hijoro manoloana an'i Yaveh, ity Andriamanitra masina ity? Ho amin'iza no iakaran'ilay fiara avy aty amintsika?"
\s5
\v 21 Naniraka mpitondra hafatra tany amin'ireo mponin'i Kiriata-Jearima izy ireo, nanao hoe: "Nentin'ireo Filistina niverina ilay fiaran'i Yaveh; midìna ary ento miverina miaraka aminareo izany."
\s5
\c 7
\p
\v 1 Tonga ny olon'ny Kiriata Jearima, naka ny fiaran'i Yaveh, ary nitondra izany tao an-tranon'i Abinadaba tany amin'ny havoana. Nanokana an'i Eleazara zanany lahy izy ireo mba hitandrina ny fiaran'i Yaveh.
\v 2 Nanomboka tamin'ny andro izay nitoeran'ny fiara tao Kiriata Jearima, dia taona maro no lasa, roapolo taona. Ny ankohonan'Israely rehetra dia nalahelo an'i Yaveh ka naniry hiverina amin'i Yaveh.
\s5
\v 3 Hoy i Samoela tamin'ny ankohonan'ny Israely manontolo hoe: "Raha miverina amin'i Yaveh amin'ny fonareo rehetra ianareo, dia esory eo aminareo ireo andriamanin-kafa sy ireo Astarta, atodiho amin'i Yaveh ny fonareo, ary Izy irery ihany tompoina, dia hamonjy anareo eo an-tanan'ireo Filistina izy."
\v 4 Dia nanala ireo Bala sy ny Astarta ny vahoakan'ny Israely, ary nanompo an'i Yaveh irery ihany.
\s5
\v 5 Ary hoy Samoela hoe: "Ento ho any Mizpa ny Israely rehetra, dia hivavaka amin'i Yaveh ho anareo aho."
\v 6 Niangona tao Mizpa izy ireo, ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan'i Yaveh. Nifady hanina izy ireo tamin'ny izany andro izany ka nanao hoe: "Efa nanota tamin'i Yaveh isika." Tany no nanapahan'i Samoela hevitra hitsara ny fifandiran'ny vahoakan'ny Israely sy nitondrany azy.
\s5
\v 7 Ary rehefa ren'ireo Filistina fa niangona tao Mizpa ny vahoakan'Israely, dia nanafika ny Israely ireo mpanapaky ny Filistina. Raha nahare izany ny vahoakan'Israely, dia natahotra ireo Filistina izy ireo.
\v 8 Ary hoy ireo vahoakan'Israely tamin'i Samoela: "Aza mitsahatra miantso an'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika, fa hanavotra antsika eo an-tanan'ireo Filistina Izy."
\s5
\v 9 Dia naka zanak'ondry mbola minono i Samoela ary nanome izany manontolo mba ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh. Ary niantso mafy an'i Yaveh ho an'ny Israely Samoela, ka namaly azy Yaveh.
\s5
\v 10 Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona hanafika ny Israely ireo Filistina. Fa Yaveh nampikotrok'orana tamin'ny feo mafy tamin'izany andro izany hanohitra ireo Filistina ka nampifanjevo azy ireo, ary resy teo anoloan'ny Israely izy ireo.
\v 11 Ary ny lehilahin'ny Israely niala avy any Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namono azy ireo mandra-pahatongany teo ambanin'i Betikara.
\s5
\v 12 Avy eo dia naka vato i Samoela ary nametraka izany teo anelanelan'i Mizpa sy Sena. Nataony hoe Ebenezera ny anaran'izany, manao hoe: "Hatramin'izao no namonjen'i Yaveh antsika."
\s5
\v 13 Dia resy ireo Filistina ka tsy niditra teo amin'ny fari-tanin'ny Israely. Ny tanan'i Yaveh nanohitra ireo Filistina tamin'ny andron'i Samoela rehetra.
\v 14 Ireo tanàna izay nalain'ireo Filistina tamin'ny Israely dia voaverina tamin'ny Israely, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; niverina tamin'ny Israely koa ny faritaniny tany amin'ireo Filistina. Dia nisy fihavanana teo amin'ny Israely sy ny Amorita.
\s5
\v 15 Nitsara ny Israely nandritra ny androm-piainany rehetra i Samoela.
\v 16 Isan-taona dia nandeha nivezivezy tany Betela, Gilgala, ary Mizpa izy. Nanapa-kevitra tamin'ny ady ho an'Israely teo amin'ireo toerana rehetra ireo izy.
\v 17 Ary niverina tany Rama indray izy. satria tany ny tranony; ary tany ihany koa no nanapahany hevitra tami'ny ady ho an'ny Israely. Nanorina alitara ho an'i Yaveh tany ihany koa izy.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Rehefa antitra i Samoela, dia nataony ho mpitsara eo amin'ny Israely ireo zanany lahy.
\v 2 Joela no anaran'ny lahimatoany, ary Abia no anaran'ny zanany lahy faharoa. Mpitsara tao Beri-sheba izy ireo.
\v 3 Tsy nandeha tamin'ny lalany ireo zanany lahy, fa nitady fihariana tsy marina. Nandray kolikoly izy ireo ary namadika ny rariny.
\s5
\v 4 Dia niara-nivory ireo loholon'ny Israely rehetra ary tonga teo amin'i Samoela tao Rama.
\v 5 Hoy izy ireo taminy: "Indro, antitra ianao, ary tsy mandeha amin'ny lalanao ireo zanakao. Manendre mpanjaka ho anay mba hitsara anay tahaka ireo firenena rehetra."
\s5
\v 6 Nefa tsy nankasitrahan'i Samoela izany raha niteny izy ireo hoe: "Omeo mpanjaka izahay mba hitsara anay." Ka nivavaka tamin'i Yaveh i Samoela.
\v 7 Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Ankatoavy ny feon'ny vahoaka amin'ny zavatra rehetra lazain'izy ireo aminao; fa tsy ianao no nolavin'izy ireo, fa Izaho no nolaviny tsy ho mpanjakan'izy ireo.
\s5
\v 8 Ankehitriny izy ireo dia manao toy izay nataony hatramin'ny andro nitondrako azy ireo nivoaka avy tao Egypta, nahafoy Ahy, ary nanompo ireo andriamani-kafa, ary toy izany koa no ataon'izy ireo aminao.
\v 9 Ankehitriny henoy izy ireo; nefa ampitandremo mafy ka ampahafantaro ny fomba hanapahan'ny mpanjaka eo amin'izy ireo."
\s5
\v 10 Koa dia nolazain'i Samoela tamin'ny vahoaka izay nangataka mpanjaka ireo tenin'i Yaveh rehetra.
\v 11 Hoy izy: "Izao no ho fanaon'ny mpanjaka izay hanjaka eo aminareo. Haka ireo zanakareo lahy izy ka hanendry azy ireo ho an'ny kalesiny sy ho lasa mpitaingin-tsoavaliny, ary hiazakazaka eo alohan'ireo kalesiny.
\v 12 Hanendry kapitenin'ny miaramila an'arivony, ary kapitenin'ny miaramila dimampolo ho azy izy. Hataony miasa ny taniny ny sasany, mijinja ny vokany ny sasany, ary hanao ny fitaovam-piadiany sy ny fitaovana ho an'ireo kalesiny ny sasany.
\s5
\v 13 Ireo zanakareo vavy ihany koa dia hataony mpangaroharo zava-manitra, mpahandro, ary mpanao mofo.
\v 14 Halainy ny tsara indrindra avy amin'ny sahanareo, ireo tanim-boalobokareo, ary ireo tanin'olivanareo, ka homeny an'ireo mpanompony.
\v 15 Halainy ny ampahafolon'ny varinareo sy ny avy amin'ireo tanim-boalobokareo ka homeny an'ireo manam-pahefany sy ireo mpanompony.
\s5
\v 16 Halainy ireo mpanomponareo lahy sy ireo mpanomponareo vavy ary ny tsara indrindra amin'ireo tovolahinareo sy ireo borikinareo; hataony hiasa ho azy izy rehetra.
\v 17 Halainy ny ampahafolon'ireo ondry aman'osinareo, ka ho lasa andevony ianareo.
\v 18 Koa amin'izany andro izany dia hitaraina nohon'ny mpanjakanareo izay nofidianareo ho an'ny tenanareo ianareo; saingy tsy hamaly anareo i Yaveh amin'izany andro izany."
\s5
\v 19 Kanefa nandà ny hihaino an'i Samoela ny vahoaka; hoy izy ireo: "Tsia! Tokony hisy mpanjaka eto aminay
\v 20 mba hitovianay amin'ireo firenena hafa rehetra, ary mba hitsaran'ny mpanjakanay anay sy hivoahany eo anoloanay ka hiady ny adinay."
\s5
\v 21 Rehefa ren'i Samoela ireo tenin'ny vahoaka rehetra dia naveriny teo an-tsofin'i Yaveh izany.
\v 22 Hoy i Yaveh tamin'i Samoela: "Ankatoavy ny feon'izy ireo ary ataovy tonga mpanjakan'izy ireo ny olona iray." Ka hoy Samoela tamin'ireo olon'ny Israely: "Tsy maintsy mandeha any amin'ny tanànany avy ny lehilahy tsirairay."
\s5
\c 9
\p
\v 1 Nisy lehilahy avy any Benjamina, lehilahy ambony iray. Ny anarany dia i Kisy zanaka lahin'i Abiela zanaka lahin'i Zerora zanaka lahin'i Bekorata zanaka lahin'i Afia, ilay zanaka lahina Benjamita iray.
\v 2 Nanan-janaka lahy nantsoina hoe Saoly izy, tovolahy tsara tarehy iray. Tsy mbola nisy olona tsara tarehy noho izy teo amin'ny olon'Israely. Manomboka eo amin'ireo sorony no ho miakatra dia lava noho ny olona rehetra izy.
\s5
\v 3 Ary ireo ampondran'i Kisy, rain'i Saoly, dia very. Koa niteny tamin'i Saoly zanany i Kisy nanao hoe: "Makà iray amin'ireo mpanompo hiaraka aminao, mitsangàna ary mandehana mitady ireo ampondra."
\v 4 Koa dia namakivaky ny tany havoan'i Efraima i Saoly ary nandeha tamin'ny tanin'ny Salisa, fa tsy hitan'izy ireo izany. Ary namakivaky ny tanin'i Salima izy ireo, nefa tsy tany ireo. Avy eo dia namakivaky ny tanin'ireo Benjamita izy ireo, fa tsy nahita ireo.
\s5
\v 5 Rehefa tonga teo amin'ny tanin'ny Zofa izy ireo, dia niteny tamin'ny mpanompony izay niaraka taminy i Saoly hoe: "Andao, andeha isika hiverina, fa mety tsy hanahy ny amin'ireo ampondra intsony ny raiko fa hanomboka hanahy ny momba antsika."
\v 6 Fa hoy ilay mpanompo taminy hoe: "Henoy, misy lehilahin'Andriamanitra amin'ity tanàna ity. Izy dia lehilahy nomem-boninahitra; izay rehetra lazainy dia tanteraka avokoa. Andao isika ho any; mety ho afaka hilaza amintsika izay lalana tokony halehantsika amin'ny diantsika izy."
\s5
\v 7 Dia hoy i Saoly tamin'ny mpanompony hoe: "Fa raha mandeha isika, inona no afaka entintsika ho an'ilay lehilahy? Ny mofo anaty kitapontsika efa lany, ary tsy misy fanomezana mba ho entintsika ho an'ilay lehilahin'Andriamanitra. Inona no hananantsika?"
\v 8 Ilay mpanompo namaly an'i Saoly ka nanao hoe: "Indro, izaho manana ampahefatry ny sekely volafotsy izay homeko an'ilay lehilahin'Andriamanitra, mba hitenenana amintsika izay lalana tokony halehantsika."
\s5
\v 9 (Taloha tany Israely, rehefa misy lehilahy mandeha mitady ny fahalalana ny sitrapon'Andriamanitra, dia miteny izy hoe: "Andao, andeha isika ho any amin'ny mpahita." Fa mpahita no fiantsoana taloha izay antsointsika hoe mpaminany ankehitriny.)
\v 10 Avy eo dia niteny tamin'ny mpanompony i Saoly hoe: "Tsara ny voalazanao. Andao, andeha isika handeha." Dia lasa izy ireo nankany amin'ny tanàna izay nisy ny lehilahin'Andriamanitra.
\v 11 Ary rehefa niakatra ny havoana tao an-tanàna izy ireo, dia nahita ireo tovovavy nivoaka hitaona rano; dia hoy i Saoly sy ny mpanompony tamin'izy ireo hoe: "Eto ve ilay mpahita?"
\s5
\v 12 Namaly izy ireo, ka nanao hoe: "Eto izy; indro, ao aloha kelinareo ao fotsiny izy. Faingàna, fa ho tonga ao an-tanàna izy androany, satria hanao sorona eo amin'ny toerana avo ny vahoaka androany.
\v 13 Raha vantany vao miditra ny tanàna ianareo dia hahita azy, alohan'ny hiakarany amin'ny toerana avo hihinanany. Tsy hihinana ny vahoaka mandram-piaviny, satria izy no hitso-drano ny sorona; aorian'izay dia hihinana ireo izay nasaina. Koa miakara izao, fa hahita azy avy hatrany ianareo."
\s5
\v 14 Dia niakatra ho any amin'ny tanàna izy ireo. Ary raha vao niditra ny tanàna izy ireo, dia nahita an'i Samoela niseho taminy, mba handeha hiakatra any amin'ny toerana avo.
\s5
\v 15 Ary ny andro talohan'ny nahatongavan'i Saoly, dia nanambara tamin'i Samoela i Yaveh hoe:
\v 16 "Rahampitso amin'izao ora izao dia handefa lehilahy iray avy amin'ny tanin'ny Benjamina aminao Aho, ary hanosotra azy ho andriana eo amin'ny Israely vahoakako ianao. Hamonjy ny vahoakako amin'ny tanan'ireo Filistina izy. Fa efa nijery ny vahoakako tamin'ny fangorahana aho satria ny antso vonjin'izy ireo dia tonga taty Amiko."
\s5
\v 17 Rehefa hitan'i Samoela i Saoly, dia niteny taminy i Yaveh hoe: "Inty ilay lehilahy nambarako anao! Izy ilay olona izay hanapaka ny vahoakako."
\v 18 Avy eo i Saoly dia nanatona an'i Samoela teo amin'ny vavahady ary nanao hoe: "Mba lazao ahy hoe aiza no misy ny tranon'ilay mpahita?"
\v 19 Namaly an'i Saoly i Samoela ka nanao hoe: "Izaho ilay mpahita. Miakara ho amin'ny toerana avo mialoha ahy, fa androany dia hiara-mihinana amiko ianao. Avelako handeha ianao amin'ny maraina, ary holazaiko anao izay rehetra ao an-tsainao.
\s5
\v 20 Raha ny amin'ireo ampondranao izay very telo andro lasa izay, dia aza manahy ny amin'izany, fa efa hita izany. Ary napetraka tamin'iza ireo fanirian'Israely rehetra? Tsy ho aminao sy ho amin'ny ankohonan-drainao rehetra ve?"
\v 21 Namaly i Saoly ka niteny hoe: "Fa tsy Benjamita ve aho, avy amin'ny foko kely indrindran'Israely? Tsy ny fianakaviambeko ve no farany indrindra amin'ireo fianakaviambe rehetra ao amin'ny fokon'ny Benjamina? Koa nahoana no izany fomba izany no niresahanao tamiko?"
\s5
\v 22 Ary noraisin'i Samoela i Saoly sy ny mpanompony, ka nentiny tany an'efitrano, ary napetrany teo amin'ny fitoerana voalohany ho an'izay voaasa izy ireo, izay tokony ho olona telopolo eo ho eo.
\s5
\v 23 Hoy i Samoela tamin'ny mpahandro hoe: "Ento ilay anjara izay nomeko anao, izay nilazako taminao hoe, 'Atokano ity.'"
\v 24 Koa nalain'ny mpahandro ny fe sy izay teo aminy ary napetrany teo anoloan'i Saoly. Ary hoy i Samoela hoe: "Indro izay voatokana dia efa napetraka teo anoloanao. Hano io, satria voatokana ho anao mandra-pahatongan'ny fotoana voatendry, tamin'ny fotoana nilazako hoe, 'Efa nanasa ny olona aho.'" Dia niara-nihinana tamin'ny Samoela i Saoly tamin'io andro io.
\s5
\v 25 Rehefa tafidina avy teny amin'ny toerana avo ho amin'ny tanàna izy ireo, dia niresaka tamin'i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela.
\v 26 Ary vao mangiran-dratsy, dia niantso an'i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela ka niteny hoe: "Miarena, mba hahafahako mandefa anao any amin'ny lalanao." Dia nifoha i Saoly, ary samy nandeha nivoaka ho eny an-dalana izy sy i Samoela.
\s5
\v 27 Ary rehefa nandeha manodidina ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin'i Saoly: "Lazao ny mpanompo mba handeha hialoha antsika"—dia nandeha teo aloha izy—"fa tsy maintsy mijanona eto fotoana vitsy ianao, mba hilazako aminao ny hafatr'Andriamanitra."
\s5
\c 10
\p
\v 1 Dia naka ny tavoara misy ny diloilo i Samoela, nandraraka izany teo ambony lohan'i Saoly, ary nanoroka azy. Hoy izy hoe: "Moa ve Yaveh tsy efa nanosotra anao ho mpanapaka ny lovany?
\v 2 Rehefa handao ahy ianao anio, dia hahita lehilahy anankiroa eo akaikin'ny fasan-dRahely, ao amin'ny faritanin'i Benjamina ao Zelza. Hiteny aminao izy ireo hoe: 'Ireo boriky izay notadiavinao dia efa hita. Ankehitriny ny razambenao dia nitsahatra tsy niahiahy ny amin'ireo boriky ary dia manahy ny momba anao, miteny hoe: "Inona no tokony hataoko mahakasika ny zanako lahy?"'
\s5
\v 3 Dia handeha lavidavitra kokoa avy any ianao, ary ho tonga eo amin'ny hazo terebintan'i Tabara. Hihaona amin'ny lehilahy telo mandeha ho any amin'Andriamanitra any Betela ianao, ny iray mitondra zanak'osy telo, ny hafa mitondra mofo telo, ary ny hafa mitondra sinin-divay hoditra.
\v 4 Hiarahaba anao izy ireo ary hanome mofo roa anao, izay halainao avy eo an-tanan'izy ireo.
\s5
\v 5 Aorian'izany, dia hiverina ho eo amin'ny havoan'Andriamanitra ianao, izay misy ny miaramilan'ny Filistina. Rehefa tonga ao amin'ilay tanàna ianao, dia hihaona amin'ny andiana mpaminany hidina avy any amin'ny toerana avo miaraka amin'ny lokanga, amponga tapaka, sodina, ary valiha eo alohan'izy ireo; haminany izy ireo.
\v 6 Ny Fanahin'i Yaveh hilatsaka eo aminao, ary haminany miaraka amin'izy ireo ianao, ka hiova ho lehilahy hafa.
\s5
\v 7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay rehetra hitan'ny tananao fa tokony ho atao, satria Andriamanitra momba anao.
\v 8 Midìna eo mialoha ahy ho any Gilgala. Dia hidina any aminao aho hanolotra ireo fanatitra dorana ary hanao sorona fanati-pihavanana. Miandrasa fito andro mandra-pandehanako ho eo aminao ary hampisehoako aminao izay tokony hataonao."
\s5
\v 9 Rehefa nitodi-damosina handao an'i Samoela i Saoly, dia nomen'Andriamanitra azy ny fo vaovao. Dia tonga ireo famantarana rehetra ireo tamin'izany andro izany.
\v 10 Rehefa tonga teny amin'ny havoana izy ireo, dia nisy andiana mpaminany nihaona taminy, ary ny Fanahin'Andriamanitra nidina teo aminy ka naminany niaraka tamin'izy ireo izy.
\s5
\v 11 Rehefa nahita azy niaraka tamin'ireo mpaminany ny olona rehetra izay nahalala azy teo aloha, dia nifampiteny ny olona hoe: "Inona no nahazo ny zanaka lahin'i Kisy? Anisan'ny iray amin'ireo mpaminany koa ve i Saoly?
\v 12 Nisy lehilahy nipetraka teo amin'io toerana io namaly hoe: "Dia iza no rain'izy ireo?" Noho izany, dia lasa fiteny ny hoe: "Anisan'ireo mpaminany ihany koa ve i Saoly?"
\v 13 Rehefa nahavita ny faminaniana izy dia nankany amin'ny fitoerana avo.
\s5
\v 14 Dia hoy ny dadatoan'i Saoly taminy sy ny mpanompony hoe: "Taiza no nalehanareo?" Namaly izy hoe: "Nitady ireo boriky. Rehefa hitanay fa tsy nety hitanay ireo, dia nankany amin'i Samoela izahay."
\v 15 Hoy ny dadatoan'i Saoly hoe: "Mba teneno amiko re izay nolazain'i Samoela taminareo."
\v 16 Namaly ny rahalahin-drainy i Saoly hoe: "Niteny taminay mazava tsara izy fa efa hita ireo boriky." Fa tsy nilaza taminy ny momba ilay resaka fanjakana, izay efa nolazain'i Samoela izy.
\s5
\v 17 Dia nantsoin'i Samoela hiaraka teo anoloan'i Yaveh tao Mizpa ireo vahoaka.
\v 18 Hoy izy tamin'ireo olon'Israely hoe: "Izao no zavatra nolazain'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: 'Namoaka ny Israely hiala avy tao Egypta Aho ary nanavotra anareo teo amin'ny tananan'ireo Egyptiana, ary tamin'ny tanan'ireo fanjakana rehetra izay nampahory anareo.'
\v 19 Fa ankehitriny nandà ny Andriamanitrareo, izay nanavotra anareo tamin'ireo loza sy fahorianareo rehetra ianareo; ary nilaza taminy ianareo hoe: 'Mametraha mpanjaka eo aminay.' Ankehitriny atolory eo anoloan'i Yaveh araka ireo fokonareo sy ireo vondronareo ny tenanareo."
\s5
\v 20 Dia nanakaiky an'i Samoela ireo fokon'Israely rehetra, ary ny fokon'i Benjamina no voafidy.
\v 21 Avy eo dia nentiny nanakaiky ny vondron'izy ireo ny fokon'i Benjamina; ary ny fokon'ny Matrita no voafidy, ary Saoly zanaka lahin'i Kisy dia voafidy. Fa rehefa nandeha nitady azy izy ireo, dia tsy nety hita izy.
\s5
\v 22 Ary ny olona dia te-hametra-panontaniana bebe kokoa tamin'Andriamanitra hoe: "Mbola misy lehilahy hafa ho avy ve?" Yaveh namaly hoe: "Nanafina ny tenany eo amin'ireo entana izy."
\v 23 Dia nihazakazaka izy ireo ary naka an'i Saoly avy tao. Rehefa nitsangana teo amin'ireo olona izy, dia lava mihoatra ny olona rehetra avy eo an-tsorony no ho miakatra izy.
\s5
\v 24 Dia hoy Samoela tamin'ireo olona hoe: "Hitanareo ve ilay lehilahy izay efa voafidin'i Yaveh? Tsy misy olona tahaka azy eo amin'ny vahoaka rehetra!" Ny olona rehetra niantsoantso hoe: "Ho ela velona ny mpanjaka!"
\s5
\v 25 Dia nilaza tamin'ny vahoaka ireo fomba sy ireo fitsipiky ny fanjakana i Samoela, nanoratra ireo tao anaty boky, ary nametraka izany teo anatrehan'i Yaveh. Avy eo dia nalefan'i Samoela ny vahoaka rehetra, ho any amin'ny tranony avy.
\s5
\v 26 Nody tany an-tranony tao Gibea ihany koa i Saoly, ary niaraka tamin'ireo lehilahy matanjaka sasany, izay nokasihin'Andriamanitra ny fony.
\v 27 Fa ny sasany tamin'ireo olona tsy misy dikany nanao hoe: "Ahoana no hahafahan'io lehilahy io manavotra anay?" Nanaraby an'i Saoly ireo olona ireo ary tsy mba nitondra fanomezana ho azy. Fa nangina kosa i Saoly.
\f + \ft Fanamarihana: ny sasany amin'ireo dikan-teny vaovao dia manampy izao andalana manaraka izao amin'ity andininy ity: "Nahasy mpanjakan'ny Amonita dia nampahory mafy ireo Gadita sy ireo Reobenita. Noloarany ny maso ankavanan'ny olona tsirairay ary tsy namela an'iza na iza hanavotra an'Israely izy. Nanerana ny reniranon'i Jordana dia tsy nisy Israelita tavela ka tsy noloaran'i Nahasy mpanjakan'ny Amonita ny masony ankavanana. Fa olona fito arivo no nandositra an'ireo Amonita ary nankany Jabesy Gileada."
\f*
\s5
\c 11
\p
\v 1 Avy eo Nahasy Amonita nandeha ary nitoby tany Jabesi-Gileada. Hoy ny olon'i Jabesy rehetra tamin'i Nahasy hoe: "Manaova fanekena miaraka aminay, dia hanompo anareo izahay."
\v 2 Dia namaly i Nahasy Amonita hoe: "Amin'izao fepetra izao no hanaovako fifanekena aminareo, dia ny hipotsirako ny maso ankavananareo rehetra, ary izany no fomba hitondrana fahafaham-baraka eo amin'Israely rehetra."
\s5
\v 3 Ary ny loholon'i Jabesy namaly azy hoe: "Avelao irery mandritra ny fito andro izahay, mba hahafahanay mandefa iraka mankany amin'ny fari-tanin'Israely rehetra. Ary, raha tsy misy na iray aza hamonjy anay, dia hitolo-batana aminareo izahay."
\s5
\v 4 Dia tonga tany Gibea, izay nitoeran'i Saoly ireo iraka, ary nilaza izay zava-nitranga tamin'ny vahoaka. Dia nitomany mafy ny vahoaka rehetra.
\v 5 Ary nanaraka ireo omby avy tao an-tsaha i Saoly. Hoy i Saoly: "Inona no mahazo an'ireo vahoaka ka mampitomany azy ireo?" Dia noresahin'izy ireo tamin'i Saoly izay nolazain'ny lehilahin'i Jabesy.
\s5
\v 6 Rehefa ren'i Saoly izay nolazain'izy ireo, dia nilatsaka teo aminy ny Fanahin'Andriamanitra, ka tezitra mafy izy.
\v 7 Naka ziogan'omby iray izy, ka nokapakapainy, ary nalefany nanerana ny Israely rehetra niaraka tamin'ireo iraka ireo. Hoy izy: "Izay rehetra tsy hivoaka hanaraka an'i Saoly sy Samoela, dia toy ireny no hanaovana ny ombiny." Ary nilatsaka tamin'ny vahoaka ny horohoron'i Yaveh, ka niara-nivoaka toy ny olona iray izy ireo.
\v 8 Rehefa namory azy ireo tany Bezeka izy, dia dia nisy telo hetsy ny vahoakan'Israely, ary ny olon'ny Joda dia telo alina.
\s5
\v 9 Hoy izy ireo tamin'ireo iraka izay tonga: "Hilaza amin'ny olon'ny Jabesi-Gileada ianareo hoe: 'Rahampitso, amin'ny fotoana mampahamay ny masoandro, dia ho voavonjy ianareo."' Koa nandeha ireo iraka ary nilaza tamin'ny olon'i Jabesy, ary faly izy ireo.
\v 10 Dia hoy ny olon'i Jabesy tamin'i Nahasy: "Hitolo-batana aminao izahay rahampitso, dia afaka ataonao aminay izay hitanao fa mety aminao."
\s5
\v 11 Ny ampitso dia napetrak'i Saoly tao anaty vondrona telo ny vahoaka. Dia nankeo afovoan'ny toby tamin'ny fiambenana maraina izy ireo, ary nanafika izy ireo ka naharesy ireo Amonita mandra-pahamay ny andro. Ireo izay mbola velona dia naely, mba tsy hisian'ny roa hiara-tavela.
\s5
\v 12 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Samoela: "Iza ilay niteny hoe: 'Hanjaka eto amintsika ve i Saoly?' Ento ireo olona, mba hahafahantsika mamono azy ireo."
\v 13 Fa hoy i Saoly: "Aoka mba tsy hisy ho faty na iray aza amin'ity andro ity, satria nanavotra an'Israely Yaveh androany."
\s5
\v 14 Avy eo dia hoy i Samoela tamin'ny vahoaka: "Andao, andeha isika handeha any Gilgala ary hanavao ny fanjakana any indray."
\v 15 Koa nandeha tany Gilgala ny vahoaka rehetra ary nanao an'i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan'i Yaveh tany Gilgala. Tany no nanaovan'izy ireo sorona fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh, ary Saoly sy ireo lehilahin'Israely dia feno hafaliana tanteraka.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Hoy i Samoela tamin'ny Israely rehetra: "Efa nihaino ny zavatra rehetra nolazainareo tamiko aho, ary efa nanendry mpanjaka teo aminareo.
\v 2 Ankehitriny, indro mandeha eo anoloanareo ny mpanjaka; ary efa antitra sy fotsy volo aho; ary, ireo zanako dia eo aminareo. Efa nandeha teo anatrehanareo hatramin'ny fahatanorako ka mandrak'androany aho.
\s5
\v 3 Inty aho; mijoroa vavolombelona hanohitra ahy eo anatrehan'i Yaveh sy eo anatrehan'ilay voahosony. Ombin'iza no efa nalaiko? Ampondran'iza no efa nalaiko? Iza no efa nambakaiko? Iza no efa nampijaliako? Avy tamin'ny tanan'iza no efa nandraisako kolikoly mba hahatampina ny masoko? Mijoroa vavolombelona hanohitra ahy, fa haveriko aminareo izany."
\s5
\v 4 Hoy izy ireo hoe: "Tsy namitaka anay ianao, tsy nampijaly anay, na naka na inona na inona avy teo an-tanan'olona."
\v 5 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Yaveh no vavolombelona aminareo, ary ilay voahosony no vavolombelona androany, fa tsy nahita na inona na inona teo an-tanako ianareo." Izy ireo namaly hoe: "Yaveh no vavolombelona."
\s5
\v 6 Hoy i Samoela tamin'ireo vahoaka hoe: "Yaveh no nanendry an'i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razambenareo niakatra avy tao amin'ny tany Egypta.
\v 7 Koa ankehitriny, atolory ny tenanareo, mba hahafahako mifandahatra aminareo eo anatrehan'i Yaveh mahakasika ireo asa marin'i Yaveh, izay nataony ho anareo sy ny razambenareo.
\s5
\v 8 Rehefa tonga tany Egypta i Jakoba, ary nitaraina tamin'i Yaveh ireo razambenareo, dia nandefa an'i Mosesy sy i Arona i Yaveh, izay nitarika ireo razambenareo hivoaka an'i Egypta ary nonina tamin'ity toerana ity izy ireo.
\v 9 Fa izy ireo nanadino an'i Yaveh Andriamaniny; ka nivarotra azy ireo teo an-tanan'i Sisera, mpitarika ireo tafik'i Hazora izy, teo an-tanan'ireo Filistina, ary teo an-tanan'ny mpanjakan'i Moaba; ireo rehetra ireo no niady tamin'ny razambenare.
\s5
\v 10 Nitaraina tamin'i Yaveh izy ireo ary nanao hoe: 'Efa nanota izahay, satria nahafoy an'i Yaveh ary efa nanompo an'ireo Bala sy ireo Astarta. Fa ankehitriny manafaha anay eo an-tanan'ireo fahavalonay, dia hanompo anao izahay.'
\v 11 Noho izany dia naniraka an'i Jerobala, Bedana, Jefta, ary Samoela i Yaveh, ary nanome fandresena anareo teo amin'ireo fahavalonareo rehetra manodidina anareo, ka nahafahanareo niaina am-pilaminana.
\s5
\v 12 Rehefa hitanareo fa avy hanohitra anareo i Nahasa mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, dia hoy ianareo tamiko hoe: 'Tsia! Fa aoka, ho mpanjaka kosa no hanjaka eto aminay'—kanefa Yaveh Andriamanitrareo, no mpanjakanareo.
\v 13 Indro ankehitriny ny mpanjaka izay nosafidinareo, izay nangatahinareo, ary izay notendren'i Yaveh ho mpanjaka eo aminareo anio.
\s5
\v 14 Raha matahotra an'i Yaveh ianareo, dia manompoa Azy, ankatoavy ny feony, ary aza mikomy hanohitra ny didin'i Yaveh, ary samy ho mpanaraka an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny mpanjaka izay manjaka eo aminareo.
\v 15 Fa raha tsy mankatò ny feon'i Yaveh ianareo, fa mikomy manohitra ireo didin'i Yaveh, dia hamely anareo ny tanan'i Yaveh, tahaka ny namelezana ireo razambenareo.
\s5
\v 16 Koa mitsangàna ankehitriny ary jereo izao zavatra lehibe izay hataon'i Yaveh eto imasonareo izao.
\v 17 Moa ve tsy fotoam-pijinjana vary tritrika izao? Hiantso an'i Yaveh aho, mba handefasany kotroka sy orana. Dia ho fantatrareo sy ho hitanareo fa lehibe ny haratsiam-panahinareo, izay nataonareo teo imason'i Yaveh, tamin'ny alalan'ny fangatahanareo mpanjaka."
\v 18 Koa dia niantso an'i Yaveh i Samoela; ary tamin'izany andro izany ihany dia nandefa oram-baratra i Yaveh. Ary dia natahotra mafy an'i Yaveh sy i Samoela ny vahoaka rehetra.
\s5
\v 19 Dia hoy ireo vahoaka rehetra tamin'i Samoela hoe: "Mivavaha ho an'ireo mpanomponao amin'i Yaveh Andriamanitrao, mba tsy ho faty izahay. Satria efa nanampy ny fahotanay rehetra tamin'izao zava-dratsy izao tamin'ny alalan'ny fangatahana mpanjaka izahay."
\v 20 Dia namaly Samoela hoe: "Aza matahotra. Efa nanao izao ratsy rehetra izao ianareo, kanefa aza miala amin'i Yaveh, fa manompoa an'i Yaveh amin'ny fonareo manontolo.
\v 21 Aza mivily manaraka ireo zava-poana izay tsy mahasoa na mahavonjy anareo, satria dia tsy misy ilàna azy ireo.
\s5
\v 22 Fa nohon'ny anarany lehibe, dia tsy handà ny olony i Yaveh, satria mahafaly an'i Yaveh ny hanao anareo ho vahoakany.
\v 23 Raha ny amiko, dia sanatriaviko ny hanota amin'i Yaveh amin'ny fitsaharana ny hivavaka ho anareo. Fa kosa hampianatra anareo ny lalana izay tsara sy marina aho.
\s5
\v 24 Yaveh ihany hatahorana ary manompoa Azy amin'ny fahamarinana amin'ny fonareo manontolo. Hevero ireo zava-dehibe izay efa nataony taminareo.
\v 25 Fa raha mikiry ny hanao ratsy ianareo, dia samy ho ringana ianareo sy ny mpanjakanareo."
\s5
\c 13
\p
\v 1 Telopolo taona i Saoly no nanomboka nanjaka; rehefa nanjaka efapolo taona teo amin'Israely izy,
\v 2 dia nifantina lehilahy telo arivo teo amin'Israely. Roa arivo no niaraka taminy tany Mikmasy sy tany amin'ny havoan'ny tanànan'i Betela, raha ny arivo kosa niaraka tamin'i Jonatana tany Gibean'i Benjamina. Ireo miaramila sisa tavela dia nalefany nody, ny lehilahy tsirairay samy ho any an-dainy avy.
\s5
\v 3 Nandresy ny toby miaramilan'ny Filistina i Jonatana izay tany Geba ary nandre izany ireo Filistina. Dia nitsoka trompetra nanerana ny tany rehetra i Saoly, niteny hoe: "Aoka handre ireo Hebreo."
\v 4 Ren'ny Israely rehetra fa i Saoly dia nandresy ny miaramilan'ny Filistina, ary ny Israely ihany koa dia tonga fofona lo ho an'ireo Filistina. Ary ireo miaramila dia nampiantsoina hivondrona hanaraka an'i Saoly any Gilgala.
\s5
\v 5 Niara-nivondrona ireo Filistina mba hiady hanohitra ny Israely: kalesy telo arivo, lehilahy enina arivo hitondra ireo kalesy, ary antoko maro an'isa toy ny fasika eny amoron-dranomasina. Niakatra izy ireo ary nitoby tany Mikmasy, atsinanan'i Betavena.
\s5
\v 6 Rehefa hitan'ireo lehilahin'Israely fa nisavoritaka izy ireo—fa ory ny vahoaka, dia niafina tao amin'ireo zohy, tao amin'ny kirihitr'ala, tao amin'ireo haram-bato, tao amin'ny famorian-drano, ary tao anaty lavaka ny vahoaka.
\v 7 Ny sasany tamin'ireo Hebreo niampita an'i Jordana ho any amin'ny tanin'i Gada sy Gileada. Fa i Saoly kosa mbola tany Gilgala, ary ny vahoaka rehetra nanaraka azy tamim-pangovitana.
\s5
\v 8 Niandry nandritra ny fito andro izy, ny fotoana izay nomen'i Samoela. Fa Samoela tsy tonga tany Gilgala, ary ny vahoaka dia niparitaka niala teo amin'i Saoly.
\v 9 Hoy Saoly: "Ento aty amiko ny fanatitra dorana sy ny fanati-pihavanana." Dia natolony ny fanatitra dorana.
\v 10 Vantany vao voatolony ny fanatitra dorana dia tonga i Samoela. Nivoaka nitsena sy niarahaba azy i Saoly.
\s5
\v 11 Ary hoy Samoela: "Inona ny nataonao?" Namaly i Saoly hoe: "Rehefa hitako fa niala tamiko ny vahoaka, ary tsy tonga teto amiko tamin'ny fotoana nomena ianao, ary ireo Filistina efa niangona tany Mikmasy,
\v 12 dia hoy aho hoe: 'Ankehitriny ireo Filistina dia hidina hanohitra ahy ao Gilgala, ary izaho tsy nitady ny fankasitrahan'i Yaveh.' Koa nanery ny tenako hanolotra ny fanatitra dorana aho."
\s5
\v 13 Ary hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nanao adalana ianao. Tsy nitandrina ny didin'i Yaveh Andriamanitrao izay nomeny anao ianao. Fa tamin'izany no nametrahan'i Yaveh ny fanapahanao eo amin'Israely mandrakizay.
\v 14 Fa ankehitriny dia tsy hitohy ny fanapahanao. Nitady lehilahy iray araka ny fony ihany Yaveh, ary Yaveh nanendry azy ho andriana eo amin'ny vahoakany, satria tsy nankatoa izay nandidiany anao ianao."
\s5
\v 15 Avy eo dia nanainga i Samoela ka niakatra avy any Gilgala ho any Gibean'ny Benjamina. Ary Saoly nanisa ny vahoaka izay tonga niaraka taminy teo, teo ho eo amin'ny enin-jato lahy teo.
\v 16 Saoly, Jonatana zanany lahy, ary ny vahoaka izay tonga niaraka tamin'izy ireo, dia nitoetra tao Gibean'ny Benjamina. Fa ireo Filistina kosa nitoby tany Mikmasy.
\s5
\v 17 Nivoaka avy tao amin'ny tobin'ireo Filistina tamin'ny vondrona telo ireo mpanafika. Ny vondrona iray nankany Ofra, any amin'ny tanin'i Soala.
\v 18 Ny vondrona iray hafa nankany Beti-horona, ary ny vondrona iray hafa nankany amin'ny sisin-tany izay hahatazanana ny Lohasahan'i Zeboima manatrika ny tany efitra.
\s5
\v 19 Tsy nahitana mpanefy nanerana ny Israely rehetra, satria hoy ireo Filistina: "Raha tsy izany ireo Hebreo dia hanamboatra sabatra na lefona ho azy ireo."
\v 20 Fa ireo lehilahin'Israely rehetra dia efa zatra nidina nankany amin'ireo Filistina, ny tsirairay mba handranitra ny tendron'angadiny, ny fihadian-taniny, ny famakiny, ary ny antsim-bilony.
\v 21 Ny sarany dia roa ampahatelon'ny sekely ny tendron'angady, sy ny fihadian-tany, ary iray ampahatelon'ny sekely ny fandranitana ny famaky sy ny fanitsiana ny fanindronana.
\s5
\v 22 Koa tamin'ny andron'ny ady, dia tsy nahitana sabatra na lefona teo an-tanan'ireo miaramila izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana; i Saoly sy Jonatana zanany ihany no nanana an'izany.
\v 23 Ireo miaramilan'ny Filistina dia nivoaka nankany amin'ny lalan'i Mikmasy.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Indray andro, i Jonatana zanak'i Saoly niteny tamin'ilay zatovo mpitondra ny fiadiany hoe: "Andao, andeha isika hiampita eny amin'ny toby miaramilan'ny Filistina eny ampita." Nefa tsy nolazainy ny rainy.
\s5
\v 2 Nipetraka teo amin'ny manodidina an'i Gibea ambanin'ny hazon'ampongamben-danitra izay tao Migrona i Saoly. Teo ho eo amin'ny lehilahy eninjato teo no niaraka taminy,
\v 3 anisan'izany Ahia, zanak'i Ahitoba (rahalahin'i Ikaboda) zanak'i Finehasa zanak'i Ely, ilay mpisoron'i Yaveh tao Silo, izay niakanjo efoda. Tsy fantatry ny vahoaka hoe lasa i Jonatana.
\s5
\v 4 Teo amin'ny lafy tsirairay amin'ny fitàna izay nirian'i Jonatana handehanana mba hankanesana any amin'ireo miaramilan'ny Filistina, dia nisy haram-bato teo amin'ny andaniny ary haram-bato hafa teo amin'ny ankilany. Ny harambato iray nantsoina hoe Bozeza ary ny harambato iray hafa nantsoina hoe Sene.
\v 5 Ny haram-bato iray nijoro teo avaratra nanoloana an'i Mikmasy, ary ilay hafa teo atsimo teo anoloan'i Geba.
\s5
\v 6 Hoy Jonatana tamin'ilay zatovo mpitondra ny fiadiany: "Andao, andeha isika hiampita eny amin'ny miaramilan'ireo namana tsy voafora ireo. Angamba Yaveh mba hiasa ho antsika, fa tsy misy na inona na inona mahasakana an'i Yaveh amin'ny famonjena amin'ny maro na amin'ny olona vitsy."
\v 7 Namaly ny mpitondra ny fiadiany hoe: "Ataovy ny zavatra rehetra izay ao am-ponao. Mandrosoa, indro, miaraka aminao aho, mba hankatoa ireo baikonao rehetra."
\s5
\v 8 Dia hoy Jonatana hoe: "Hiampita ho eny amin'ireo lehilahy isika, ary hiseho eo amin'izy ireo.
\v 9 Raha miteny amintsika izy ireo hoe: "Miandrasa eny mandra-pahatonganay eny aminareo'—dia hijanona eo amin'ny toerantsika isika ka tsy hiampita eny amin'izy ireo.
\v 10 Kanefa raha mamaly izy ireo hoe: 'Mankanesa aty aminay', dia hiampita isika; satria efa natolotr'i Yaveh ho eo an-tanantsika izy ireo. Izany no ho famantarana ho antsika."
\s5
\v 11 Koa samy niseho teo amin'ny toby miaramilan'ny Filistina izy ireo. Hoy ireo Filistina: "Indro, mivoaka avy ao amin'ireo lavaka izay nanafenan'izy ireo ny tenany ireo Hebreo."
\v 12 Dia niantso an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany ireo lehilahin'ny miaramila, ka nanao hoe: "Miakàra aty aminay, dia hampisehoanay zavatra ianareo." Hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: "Manaraha ahy avy ao aoriana, satria efa natolotr'i Yaveh eo an-tanan'ny Israely izy ireo."
\s5
\v 13 Nihanika tamin'ny tanany sy tongony i Jonatana, ary nanaraka tao aoriany ny mpitondra ny fiadiany. Novonoina teo anoloan'i Jonatana ireo Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono ny sasany tao aoriany.
\v 14 Izany fanafihana voalohany izay nataon'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany izany, dia nahafaty tokony ho lehilahy roapolo tao amin'ny faritry ny atsasa-hektara.
\s5
\v 15 Nisy savoritaka lehibe tao an-toby, tany an-tsaha, sy teo amin'ireo vahoaka. Na dia ny miaramila sy ireo mpanafika aza dia natahotra. Nihovitrovitra ny tany, ary nisy tahotra lehibe.
\s5
\v 16 Ary ireo mpitilin'i Saoly tany Gibean'ny Benjamina nijery; niparitaka ny vahoakan'ny miaramila Filistina, ary nanketsy sy nankeroa izy ireo.
\v 17 Dia hoy Saoly tamin'ny vahoaka izay niaraka taminy: "Isao ary jereo izay tsy eto ny avy amintsika." Rehefa nanisa izy ireo, dia i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
\s5
\v 18 Hoy Saoly tamin'i Ahia: "Ento aty ny fiaran'Andriamanitra," fa tany amin'ny vahoakan'ny Israely izany tamin'izany fotoana izany.
\v 19 Raha mbola niresaka tamin'ny mpisorona i Saoly, dia nitohy sy nitombo ny tabataba tao an-tobin'ny Filistina. Dia hoy Saoly tamin'ny mpisorona: "Ahemory ny tananao."
\s5
\v 20 Nivondrona ary nandeha tany an'ady i Saoly sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy. Ny sabatry ny Filistina tsirairay dia namely ny mpiray tanàna taminy, ary nisy fifanjevoana lehibe tokoa.
\v 21 Ary ireo Hebreo izay niaraka tamin'ireo Filistina taloha ireo, sy izay nandeha niaraka tamin'izy ireo tany an-toby aza dia mba nikambana tamin'ireo Israelita izay niaraka tamin'i Saoly sy Jonatana.
\s5
\v 22 Rehefa ren'ny olon'Israely rehetra izay niafina tany amin'ireo havoana akaikin'i Efraima fa nandositra ireo Filistina, dia nenjehin'izy ireo hatrany an'ady ireo.
\v 23 Koa tamin'izany andro izany dia nanavotra ny Israely i Yaveh, ary nihoatra hatrany Betavena ny ady.
\s5
\v 24 Ory ny olon'ny Israely tamin'izany andro izany satria i Saoly nametraka ny vahoaka tao ambany fianianana ary nanao hoe: "Voaozona ny olona izay mihinana sakafo mandra-pahariva ary izaho dia hamaly faty eo amin'ireo fahavaloko." Dia tsy nisy olona avy ao amin'ny antoko nanendry sakafo.
\v 25 Ary niditra tao an'ala ny vahoaka rehetra ary nisy tantely teo amin'ny tany.
\v 26 Rehefa niditra tao an'ala ny vahoaka, dia nikoriana ny tantely, nefa tsy nisy olona nanao ny tanany tao am-bavany satria natahotra ny fianianana ny vahoaka.
\s5
\v 27 Nefa tsy ren'i Jonatana fa namatotra ny vahoaka tamin'ny fianianana ny rainy. Dia nanandratra ny tendron'ny tehiny izay teny an-tanany izy ary nanatsoboka izany tao amin'ny tohon-tantely. Nampiakatra ny tanany teo am-bavany izy, ka nazava ny masony.
\v 28 Ary ny iray tamin'ny vahoaka, namaly hoe: "Novesaran'ny rainao tamin'ny fianianana henjana tokoa ny vahoaka, tamin'ny nilazany hoe: 'Voaozona ny olona izay mihinana sakafo amin'ity andro ity', na dia malemin'ny hanoanana aza ny vahoaka."
\s5
\v 29 Dia hoy Jonatana: "Nanakorontana ny tany ny raiko. Jereo fa lasa nazava ny masoko satria nanandrana kely tamin'ity tantely ity aho.
\v 30 Mainka raha nihinana am-palalahana tamin'izay voaroba tamin'ireo fahavalon'izy ireo izay hitany androany ny olona? Satria tsy lehibe teo amin'ireo Filistina ny famonoana ankehitriny."
\s5
\v 31 Tamin'io andro io dia nanafika ireo Filistina nanomboka tao Mikmasy hatrany Aialona izy ireo. Reraka tanteraka ny vahoaka.
\v 32 Nihazakazaka fatratra tamin'ireo voaroba ny vahoaka ka naka ondry, omby sy zanak'omby, ary namono ireo teo amin'ny tany. Nihinana izany niaraka tamin'ny rà ny vahoaka.
\s5
\v 33 Dia hoy izy ireo tamin'i Saoly: "Indro, nanota tamin'i Yaveh tamin'ny fihinanana niaraka tamin'ny rà ny vahoaka." Hoy i Saoly: "Nanao izay tsy mahatoky ianareo. Ankehitriny, manakodiava vato lehibe eto ho ahy."
\v 34 Hoy i Saoly: "Mivoaha avy eo amin'ny vahoaka, ary lazao azy ireo hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hitondra ny ombiny sy ny ondriny, vonoy eto ireo, ary hano. Aza manota amin'i Yaveh amin'ny fihinanana miaraka amin'ny rà."' Koa ny tsirairay tamin'ny vahoaka dia nitondra ny ombiny niaraka taminy io alina io ary namono izany teo.
\s5
\v 35 Nanamboatra alitara ho an'i Yaveh i Saoly, izay alitara voalohany namboariny ho an'i Yaveh.
\s5
\v 36 Dia hoy Saoly: "Andeha isika hanenjika ireo Filistina rahalina ary handroba azy ireo mandra-maraina; andeha tsy avelantsika hisy ho velona na dia iray amin'izy ireo aza." Namaly izy ireo hoe: "Ataovy ny zavatra rehetra izay mety ho tsara aminao." Nefa hoy ny mpisorona: "Andeha isika hanatona an'Andriamanitra eto."
\v 37 Nanontany an'Andriamanitra i Saoly hoe: "Tokony hanenjika ireo Filistina ve aho?" Hanolotra azy ireo eo an-tanan'ny Israely ve Ianao? Nefa tsy namaly azy Andriamanitra tamin'io andro io.
\s5
\v 38 Dia hoy i Saoly: "Avia eto, ianareo mpitarika ny vahoaka rehetra; fantaro ary jereo ny fomba nitrangan'izao fahotana izao androany.
\v 39 Fa, raha mbola velona koa Yaveh, izay manavotra ny Israely, na dia ao amin'i Jonatana zanako aza izany, dia ho faty tokoa izy." Nefa tsy nisy tamin'ireo olona teo amin'ny vahoaka rehetra namaly azy.
\s5
\v 40 Dia hoy izy tamin'ny Israely rehetra: "Mitsangàna eo amin'ny ankilany, ary izaho sy Jonatana zanako dia ho eo amin'ny andaniny." Hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: "Ataovy izay mety ho tsara aminao."
\v 41 Ka dia hoy Saoly tamin'i Yaveh, Andriamanitry ny Israely: "Asehoy ny Tomima." Jonatana sy Saoly no azo taminy filokana, fa tafiala tsy voafidy kosa ny vahoaka.
\v 42 Dia hoy Saoly: "Manaova filokana amiko sy Jonatana zanako." Dia i Jonatana no voafidy tamin'ny filokana.
\s5
\v 43 Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: "Lazao ahy izay nataonao." Hoy Jonatana taminy: "Nanandrana kely tamin'ny tantely teo amin'ny vodin'ny hazo izay tety an-tanako aho. Inty aho; ho faty aho."
\v 44 Hoy Saoly: "Hanao izany Andriamanitra ary hanao mihoatra amiko ihany koa, raha tsy maty ianao, ry Jonatana."
\s5
\v 45 Dia hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: "Tokony ho faty ve i Jonatana, izay nahatanteraka izao fandresena lehibe ho an'ny Israely izao? Sanatria anie izany! Raha mbola velona koa i Yaveh, dia tsy hisy singany iray amin'ny volon-dohany hilatsaka amin'ny tany, fa niasa niaraka tamin'Andriamanitra izy androany." Ka nanavotra an'i Jonatana ny vahoaka hany ka tsy maty izy.
\v 46 Dia nitsahatra tsy nanenjika ny Filistina i Saoly, ary nandeha tany amin'ny toeran'izy ireo ny Filistina.
\s5
\v 47 Rehefa nanomboka nanapaka ny Israely i Saoly, dia niady tamin'ireo fahavalony rehetra teny amin'ny lafiny rehetra izy. Niady tamin'ny Moaba, ireo Amonita, Edoma, ireo mpanjakan'i Zoba, ary ireo Filistina izy. Na taiza na taiza nitodihany, dia nampitondrany sazy izy ireo.
\v 48 Niasa tamin-kerim-po lehibe izy ka nandresy ireo Amalekita. Namonjy ny Israely ho afaka tamin'ny tanan'ireo izay nandroba azy ireo izy.
\s5
\v 49 Ireo zanaka lahin'i Saoly dia i Jonatana, Jisvy, ary Malkisoa. Ny anaran'ireo zanany roa vavy dia i Meraba, vavimatoa, ary Mikala, faravavy.
\v 50 Ahinoama no anaran'ny vadin'i Saoly; zanaka vavin'i Ahimaza izy. Ny anaran'ny kapitenin'ny tafiny dia Abnera zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
\v 51 Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, no zanaka lahin'i Abiela.
\s5
\v 52 Nisy ady mafy teo amin'ireo Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra. Rehefa nahita olona mahery, na olona mahery fo i Saoly, dia nalainy ho azy izy.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Yaveh naniraka ahy hanosotra anao ho mpanjaka eo amin'ny Israely olony. Ankehitriny dia henoy ny tenin'i Yaveh.
\v 2 Izao no lazain'i Yaveh tompon'ny maro: 'Efa tsinjoko ny nataon'i Amaleka tamin'ny vahoakan'Israely tamin'ny nanoherany azy ireo teny an-dalana, rehefa niakatra avy tany Egypta izy ireo.
\v 3 Ankehitriny mandehana ka tafiho i Amaleka ary poteho tanteraka izay rehetra hananan'izy ireo. Aza miaro azy ireo, fa samy vonoy na ny lahy na ny vavy, ny ankizy sy ny zaza, ny omby sy ny ondry, ary ny rameva sy ny boriky."'
\s5
\v 4 Nampiantso ny vahoaka i Samoela ary nanisa azy ireo tao amin'ny tanànan'i Telaima: lehilahy nandeha an-tongotra roa hetsy, ary lehilahin'i Joda iray alina.
\v 5 Avy eo i Saoly dia tonga tany amin'ny tanànan'i Amaleka ary niandry tany an-dohasaha.
\s5
\v 6 Dia hoy i Saoly tamin'ireo Kenita: "Mandehana, mialà, mivoaha avy eo amin'ireo Amalekita, mba tsy handringanako anareo miaraka amin'izy ireo. Fa nampiseho hatsaram-panahy tamin'ny Israely rehetra ianareo, fony tonga avy tany Egypta izy ireo." Noho izany dia niala teo amin'ireo Amalekita ireo Kenita.
\v 7 Avy eo dia namely an'ireo Amalekita i Saoly, hatrany Havilaha ka hatrany Sora, izay any atsinanan'i Egypta.
\s5
\v 8 Ary nataony sambo-belona i Agaga mpanjakan'i Amalekita; naringany tanteraka tamin'ny lelan-tsabatra ny vahoaka rehetra.
\v 9 Fa niaro an'i Agaga, mbamin'ireo ondry, omby, ombivavy mifahy, ary zanak'ondry tsara indrindra i Saoly sy ireo olona. Ny zavatra rehetra izay tsara, dia tsy nopotehin'izy ireo. Fa nopotehin'izy ireo kosa ny zavatra rehetra izay namavoina sy tsy misy dikany.
\s5
\v 10 Dia tonga tamin'i Samoela ny tenin'i Yaveh, nanao hoe:
\v 11 "Nanenenako ny nanaovako an'i Saoly ho mpanjaka, fa niala tamin'ny fanarahana Ahy izy ary tsy nampihatra ny didiko." Tezitra i Samoela; nihiaka mafy tamin'i Yaveh izy nandritra ny alina tontolo.
\s5
\v 12 Nifoha aloha i Samoela mba hihaona amin'i Saoly ny maraina. Nambara tamin'i Samoela hoe: "Tonga tany Karmela i Saoly ary nanangana tsangam-bato ho an'ny tenany, ary nitodi-doha ka nanohy nidina nankany Gilgala."
\v 13 Dia tonga tany amin'i Saoly i Samoela, ary hoy Saoly taminy hoe: "Endrey voatahin'i Yaveh ianao! Tanterako ny didin'i Yaveh."
\s5
\v 14 Hoy i Samoela hoe: "Inona izany fitrenan'ny ondry ao an-tsofiko izany, sy ny fitrenan'ny omby izay reko izany?"
\v 15 Namaly i Saoly hoe: "Efa nentin'izy ireo avy amin'ireo Amalekita izany. Fa niaro ireo ondry sy omby tsara indrindra ireo olona, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Efa naringanay tanteraka ny sisa tavela."
\v 16 Dia hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Andraso, dia ho lazaiko anao izay nambaran'i Yaveh tamiko tamin'ny alina." Dia hoy i Saoly taminy hoe: "Mitenena!"
\s5
\v 17 Hoy i Samoela hoe: "Na dia kely eo imasonao ihany aza ianao, moa tsy natao ho lohan'ireo fokon'Israely ve ianao? Ary Yaveh nanosotra anao ho mpanjaka eo amin'Israely,
\v 18 ary Yaveh naniraka anao tamin'ny lalanao nanao hoe: 'Mandehana ary haringano tanteraka ireo mpanota, ireo Amalekita, ary miadia amin'izy ireo ambara-paharingan'izy ireo.'
\v 19 Nahoana ianao no tsy nankatoa ny feon'i Yaveh, fa naka ireo babo kosa ianao ary nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh?"
\s5
\v 20 Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela: "Nankatoa ny feon'i Yaveh tokoa aho, ary efa nandeha tamin'ny lalana izay nanirahan'i Yaveh ahy. Efa nosamboriko i Agaga, mpanjakan'ny Amaleka, ary efa naringako tanteraka ireo Amalekita.
\v 21 Saingy naka ny sasany tamin'ireo babo—ondry sy omby, ny zavatra tsara indrindra natokana ho an'ny fandravana, mba hanaovana sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrao any Gilgala ny olona."
\s5
\v 22 Namaly i Samoela hoe: "Mankasitraka ny fanatitra dorana sy ny sorona tokoa ve Andriamanitra, tahaka ny amin'ny fankatoavana ny feon'i Yaveh? Tsara noho ny sorona ny fankatoavana, ary ny mihaino no tsara mihoatra ny tavin'ny ondry lahy.
\v 23 Fa ny fikomiana dia tahaka ny fahotan'ny sikidy, ary ny fahamafisan-doha dia tahaka ny faharatsiana sy heloka. Satria efa nolavinao ny tenin'i Yaveh, dia nandà anao tsy ho mpanjaka ihany koa Izy."
\s5
\v 24 Dia hoy i Saoly tamin'i Samoela hoe: "Efa nanota aho; satria nandika ny didin'i Yaveh sy ireo teninao, satria natahotra ny olona aho ary nankatoa ny feon'izy ireo.
\v 25 Ankehitriny, mba mamelà re ny heloko, ary miverena miaraka amiko mba hanompoako an'i Yaveh."
\s5
\v 26 Hoy i Samoela tamin'i Saoly hoe: "Tsy hiverina hiaraka aminao aho; satria nandà ny tenin'i Yaveh ianao, ary efa nandà anao tsy ho mpanjaka eo amin'ny Israely i Yaveh.'
\v 27 Raha iny nitodi-doha hiala iny Samoela, dia nohazonin'i Saoly ny moron-tongotr'akanjony, ka nitriatra izany.
\s5
\v 28 Hoy i Samoela taminy: "Efa nesorin'i Yaveh hiala aminao ny fanjakan'Israely androany ary efa nomeny ho an'ny namanao, izay tsara noho ianao.
\v 29 Ary koa, ny Tanjak'Israely dia tsy handainga na hampiova ny heviny akory; fa tsy olona Izy, ka hiova hevitra."
\s5
\v 30 Dia hoy i Saoly hoe: "Efa nanota aho. Saingy mba omeo voninahitra eo anatrehan'ireo loholon'ny vahoakako sy eo anatrehan'ny Israely re aho ankehitriny. Miaraha miverina amiko indray, mba hanompoako an'i Yaveh Andriamanitrao."
\v 31 Koa niverina nanaraka an'i Saoly indray i Samoela, ary nanompo an'i Yaveh i Saoly.
\s5
\v 32 Dia hoy i Samoela hoe: "Ento aty amiko etoana i Agaga mpanjakan'ireo Amalekita." Dia nankany aminy i Agaga mifatotra amin'ny gadra-vy ary nanao hoe: "Efa lasa tokoa ny fangidian'ny fahafatesana."
\v 33 Namaly i Samoela hoe: "Araka ny nanaovan'ny sabatrao ireo vehivavy ho momba, dia ho momba toy izany koa ny reninao eo amin'ireo vehivavy." Dia nokapakapain'i Samoela teo anatrehan'i Yaveh tany Gilgala i Agaga.
\s5
\v 34 Nankany Rama i Samoela, ary Saoly niakatra tany an-tranony tany Gibean'i Saoly.
\v 35 Tsy nahita an'i Saoly i Samoela hatramin'ny andro nahafatesany, fa nalahelo mafy an'i Saoly izy. Ary nanenina i Yaveh ny amin'ny nanaovany an'i Saoly ho mpanjaka teo amin'ny Israely.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Hoy Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Mandra-pahoviana ianao no hisaona an'i Saoly, satriaka nolaviko tsy ho mpanjaka manerana ny Israely izy? Fenoy diloilo ny tandrokao ary mandehana. Hirahiko ho any amin'i Jese avy any Betlehema ianao, fa efa nisafidy mpanjaka ho ahy amin'ireo zanany lahy aho."
\s5
\v 2 Hoy i Samoela hoe: "Ahoana no fomba andehanako? Raha mandre izany Saoly, dia ho vonoiny aho." Hoy Yaveh hoe: "Mitondrà ombivavy kely miaraka aminao ary lazao hoe: 'Tonga hanao sorona ho an'i Yaveh aho.'
\v 3 Antsoy ho amin'ilay sorona i Jese, dia ho asehoko anao izay ho ataonao. Hanosotra ilay iray izay ho lazaiko anao ho Ahy ianao."
\s5
\v 4 Nanao araka izay nolazain'i Yaveh i Samoela ary nandeha tany Betlehema. Nihorohoro ireo loholona teo amin'ilay tanàna rehefa tonga hihaona aminy izy ireo ary niteny hoe: "Tonga mba hihavana ve ianao?"
\v 5 Hoy izy hoe: "Hihavana; tonga hanao sorona ho an'i Yaveh aho. Miomàna ianareo hanokana ny tenanareo ary miarahà amiko ho any amin'ny fanaovana sorona." Dia nanokana an'i Jese sy ireo zanany lahy izy ary nanasa azy ireo ho any amin'ilay fanaovana sorona.
\s5
\v 6 Rehefa tonga izy ireo, dia nijery an'i Eliaba izy ary niteny tamin'ny tenany hoe nijoro nanoloana azy tokoa ilay voahosotr'i Yaveh. Saingy hoy i Yaveh tamin'i Samoela hoe: "Aza mijery ny endriny ivelany, na ny ahavon'ny tsanganany; satria efa nandà azy Aho.
\v 7 Fa Yaveh dia tsy mijery toy ny fijerin'ny olombelona; ny olombelona mijery ny endrika ivelany, fa i Yaveh kosa mijery ny ao am-po."
\s5
\v 8 Avy eo dia niantso an'i Abinadaba i Jese ary nampandalo azy teo anoloan'i Samoela. Dia hoy i Samoela hoe: "Tsy nifidy an'io iray io ihany koa Yaveh."
\v 9 Avy eo dia nampandalo an'i Sama i Jese, saingy hoy i Samoela hoe: "Tsy nifidy an'io ihany koa Yaveh."
\v 10 Nampandalovin'i Jese teo anoloan'i Samoela ny fito tamin'ireo zanany lahy. Dia hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Tsy nifidy an'iza na iza tamin'ireo Yaveh."
\s5
\v 11 Ary hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Eto daholo ve ireo zanakao lahy rehetra?" Namaly izy hoe: "Mboa misy ilay zanako faralahy tavela, fa miandry ondry izy." Hoy i Samoela tamin'i Jese hoe: "Mandehana ary alaivo izy; satria tsy hipetraka isika mandra-pahatongany eto."
\v 12 Nandeha i Jese ary nitondra azy niditra. Ary io tovolahy io dia mena volo sy baribary maso ary tsara endrika ivelany. Hoy Yaveh hoe: "Mitsangàna, hosory izy; fa io no izy."
\s5
\v 13 Ary dia noraisin'i Samoela ny tandroka misy ny diloilo ary nosorany teo afovoan'ireo rahalahiny izy. Nirotsaka tamin'i Davida ny Fanahin'i Yaveh tamin'izany andro izany. Avy eo dia nitsangana i Samoela ary nandeha tany Rama.
\s5
\v 14 Ary nandao an'i Saoly ny Fanahin'i Yaveh, ka nisy fanahy ratsy avy amin'i Yaveh nampihorohoro azy.
\v 15 Hoy ireo mpanompon'i Saoly taminy hoe: "Indro, misy fanahy ratsy avy amin'Andriamanitra mampikorontana anao.
\v 16 Aoka ary ny tomponay handidy ireo mpanomponao izay eo anoloanao mba hitady lehilahy iray izay feno traikefa amin'ny fitendrena lokanga. Ary rehefa eo aminao ny fanahy ratsy avy amin'Andriamanitra, dia hitendry izany izy ary ho tsara ianao."
\s5
\v 17 Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompony hoe: "Hitadiavo lehilahy izay afaka mitendry tsara aho ary ento aty amiko izy."
\v 18 Dia namaly ny iray tamin'ireo tovolahy, ary nanao hoe: "Efa nahita ny zanaka lahin'i Jese ilay Betlehemita aho, izay tena mahay mitendry, matanjaka, lehilahy be herim-po, lehilahin'ady, mahay mandaha-teny, lehilahy tsara tarehy; ary momba azy Yaveh."
\v 19 Koa dia nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Jese i Saoly, ary niteny hoe: "Alefaso amiko i Davida zanakao lahy, izay miaraka amin'ny ondry."
\s5
\v 20 Naka boriky iray nitatitra mofo, divay iray siny, sy zanak'osy i Jese, ary nandefa azy ireo niaraka tamin'i Davida zanany lahy ho any amin'i Saoly.
\v 21 Avy eo dia tonga teo amin'i Saoly i Davida ary nanomboka ny fanompoany. Tian'i Saoly loatra izy, ka lasa mpitondra ny fiadiany.
\s5
\v 22 Naniraka an'i Jese i Saoly nanao hoe: "Aoka i Davida hijoro eto anoloako, satria nahita fitia teo imasoko izy."
\v 23 Isaky ny teo amin'i Saoly ilay fanahy ratsy avy tamin'Andriamanitra, dia naka ny lokanga i Davida ary nitendry izany. Ka velombelona sy tony i Saoly, ary niala teo aminy ilay fanahy ratsy.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Ary ireo Filistina namory ireo tafik'izy ireo hiady. Niangona tao Soko, izay an'i Joda izy ireo. Nitoby teo anelanelan'i Soko sy Azeka, tao Efesa-damima izy ireo.
\s5
\v 2 I Saoly sy ireo lehilahin'Israely dia niangona ary nitoby tao amin'ny Lohasahan'i Elaha, ary nandamina ny filaharan'izy ireo amin'ny ady mba hifanehitra amin'ireo Filistina.
\v 3 Nitsangana teo ambony tendrombohitra teny am-pita ireo Filistina, ary ny Israely nitsangana teo ambony tendrombohitra teny am-pita ary lohasaha no nanelanelana azy ireo.
\s5
\v 4 Lehilahy matanjaka iray no nivoaka avy tao amin'ny tobin'ireo Filistina, lehilahy iray antsoina hoe Goliata avy any Gata, izay enina hakiho ary zehy iray ny halavany.
\v 5 Nanao satroka fiarovan-doha varahina teo amin'ny lohany izy, ary niakanjo fiarovan-tratra. Varahina dimy arivo sekely no lanjan'ilay akanjo.
\s5
\v 6 Nanao fiarovan-dranjo varahina sy lefona varahina teo anelanelan'ny sorony izy.
\v 7 Lehibe ny zaran-defony, miaraka amin'ny tady volomboloina fanipazana azy tahaka ny tady eo amin'ny vodi-tenon'ny mpanenona. Ny lohan'ny lefony dia vy milanja sekely eninjato. Nandeha teo alohany ny mpitondra ampingany.
\s5
\v 8 Nitsangana izy ary nihiaka mafy tamin'ireo filaharan'ny Israely: "Nahoana ianareo no tonga hilahatra hiady? Moa tsy Filistina ve aho, ary ianareo mpanompon'i Saoly? Misafidiana lehilahy iray aminareo ary aoka izy hidina ety amiko.
\v 9 Raha mahay miady amiko ary mahavono ahy izy, dia ho mpanomponareo izahay. Fa raha mandresy azy ary mahavono azy aho, dia ho mpanomponay ianareo ary hiasa ho anay."
\s5
\v 10 Dia hoy indray ilay Filistina hoe: "Manao fanamby amin'ireo filaharan'Israely aho androany. Omeo lehilahy iray aho mba ho afaka hiara-hiady izahay."
\v 11 Rehefa nandre izay nolazain'ilay Filistina i Saoly sy ny Israely rehetra dia kivy izy ireo, ary natahotra mafy.
\s5
\v 12 Ary i Davida dia zanaka lahin'ilay Efratita avy any Betlehema ao Joda, i Jese no anarany. Nanan-janaka lahy valo izy. Jese dia efa lehilahy antitra tamin'ny andron'i Saoly, tena antitra tokoa teo amin'ireo lehilahy.
\v 13 Ireo zokiny telo amin'ireo zanaka lahin'i Jese dia nanaraka an'i Saoly tany amin'ny ady. Ny anaran'ireo zanaka lahiny telo izay nankany amin'ny ady ireo dia i Eliaba no lahimatoa, faharoa manaraka azy i Abinadaba, ary i Sama no fahatelo.
\s5
\v 14 Davida no zandriny indrindra. Ireo telo zokiny indrindra no nanaraka an'i Saoly.
\v 15 Ary i Davida dia nandroso sy niverina teo amin'ny tafik'i Saoly sy ireo ondrin'ny rainy tao Betlehema, mba hamahana azy ireo.
\v 16 Marain-tsy hariva nandritra ny efapolo andro ilay lehilahy Filistina matanjaka no tonga nanakaiky mba hanolotra ny tenany ho amin'ny ady.
\s5
\v 17 Dia hoy i Jese tamin'i Davida zanany hoe: "Makà iray efaha amin'ity vary voaendy ity ary ireto mofo folo ireto ho an'ireo rahalahinao, ary ento haingana any amin'ny tobin'ireo rahalahinao ireto.
\v 18 Ento any amin'ny kapitenin'ireo arivo ihany koa ireto fromazy folo ireto. Jereo hoe manao ahoana ireo rahalahinao ary mitondrà porofo miverina aty fa tsy maninona izy ireo.
\s5
\v 19 Miaraka amin'i Saoly sy ireo lehilahin'Israely rehetra any amin'ny lohasahan'i Elaha, miady amin'ireo Filistina ireo rahalahinao."
\v 20 Nifoha aloha i Davida ny maraina ary namela ireo andian'ondry aman'osiny nokarakarain'ny mpiandry ondry iray. Naka ireo fitaovana izy ary lasa, araka ny nandidian'i Jese azy. Tonga teo amin'ny toby izy raha iny nandeha nivoaka teo amin'ny sahan'ady mba hihiaka ady iny ny tafika.
\v 21 Avy eo dia nilahatra hiady ny Israely sy ireo Filistina, tafika manohitra tafika.
\s5
\v 22 Namela ireo fananany tamin'ny mpitàna ireo fitaovana izy, nihazakazaka nankany amin'ny tafika, ary nihaona tamin'ireo rahalahiny.
\v 23 Raha iny niresaka tamin'izy ireo iny izy, ilay lehilahy matanjaka, ilay Filistina avy any Gata, antsoina amin'ny hoe: Goliata, dia nivoaka avy tao amin'ny laharan'ireo Filistina, ka niteny ireo teny izay efa nolazainy teo aloha, dia ren'i Davida izy ireo.
\v 24 Rehefa nahita ilay lehilahy ireo olon'Israely rehetra, dia nandositra azy ary natahotra tokoa izy ireo.
\s5
\v 25 Ireo lehilahin'Israely niteny hoe: "Hitanareo ve iny lehilahy miakatra iny? Tonga mba hihantsy ny Israely izy. Hanome harena be an'izay mamono azy ny mpanjaka, ary hanome azy ny zanany vavy ho vadiny izy, ary hanafaka ny ankohonan-drainy amin'ny fandoavan-ketra ao Israely."
\s5
\v 26 Hoy i Davida tamin'ireo lehilahy izay nitsangana teo akaikiny: "Inona no hatao ho an'ilay lehilahy izay mamono ity Filistina ity sy hanala ny fahafaham-baraka amin'Israely? Iza ity Filistina tsy voafora ity no mihantsy an'ireo tafiky ny Andriamanitra velona?"
\v 27 Dia naverin'ny olona izay efa nolazain'izy ireo ary nilaza taminy izy hoe: "Dia toy izany ihany no ho atao ho an'ilay lehilahy izay mamono azy."
\s5
\v 28 Nandre azy niresaka tamin'ireo lehilahy i Eliaba zokiny lahimatoa. Dia nirehitra tamin'i Davida ny hatezeran'i Eliaba, ka hoy izy: "Nahoana ianao no midina ety?" Iza no namelànao an'ireo ondry vitsy any an-tany efitra? Fantatro ny avonavona sy ny sompatra ao anatin'ny fonao; fa tonga nidina tety ianao mba hahita ny ady."
\v 29 Hoy i Davida: "Inona izao no nataoko? Moa tsy fanontaniana fotsiny ve izany?"
\v 30 Niala teo aminy nankany amin'ny hafa izy, ary niteny toy izany ihany. Dia namaly toy ny teo aloha ihany ny olona.
\s5
\v 31 Rehefa re ireo teny izay nolazain'i Davida, dia namerina izany tamin'i Saoly ireo miaramila, ary nampaniraka ho an'i Davida izy.
\v 32 Avy eo dia hoy Davida tamin'i Saoly: "Aoka tsy hisy lehilahy ho ketraka noho io Filistina io ny fony; ny mpanomponao dia handeha ka hiady amin'io Filistina io."
\v 33 Hoy i Saoly tamin'i Davida: "Tsy afaka handeha hanohitra io Filistina io ary hiady aminy ianao; satria mbola tanora ianao, ary izy dia lehilahin'ady nanomboka tamin'ny fahatanorany."
\s5
\v 34 Fa hoy i Davida tamin'i Saoly: "Efa zatra niandry ny andian'ondrin'ny rainy ny mpanomponao. Rehefa tonga sy maka zanak'ondry amin'ny andian'ondry ny liona na bera,
\v 35 dia nanenjika izany sy namely izany aho, ary nanavotra izany avy tao amin'ny vavany. Rehefa nitsangana hanohitra ahy izy, dia tratrako tamin'ny volombavany, nasiko izy, ary matiko.
\s5
\v 36 Nahavono liona sy bera ny mpanomponao. Ary io Filistina tsy mifora io dia ho tahaka ny iray amin'ireo, satria nihantsy ireo tafiky ny Andriamanitra velona izy."
\s5
\v 37 Hoy i Davida: "Nanavotra ahy tamin'ny tongotry ny liona sy ny tongotry ny bera i Yaveh. Hanavotra ahy amin'ny tanan'io Filistina io Izy." Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: "Mandehana, ka homba anao anie i Yaveh."
\v 38 Nampiakanjoan'i Saoly tamin'ny akanjo fiadiany i Davida. Napetrany teo amin'ny lohany ny satroka fiarovan-doha varahina, ary nampiakanjoany akanjo fiarovan-tratra izy.
\s5
\v 39 Namehy ny sabany tamin'ny akanjo fiadiany i Davida. Fa tsy afaka namindra izy, satria mbola tsy nofanina tamin'ireny. Dia hoy i Davida tamin'i Saoly: "Tsy afaka hivoaka hiady miaraka amin'itony aho, satria mbola tsy nofanina tamin'ireto." Koa nalan'i Davida ireo.
\v 40 Nalainy teny an-tanany ny tehiny ary nifantina vato malama dimy avy tao amin'ny lohasahan-driaka izy; ary napetrany tao amin'ny kitapony fiandrasany ondry ireo. Teny an-tanany ny antsamotadiny rehefa nanatona ilay Filistina izy.
\s5
\v 41 Tonga ary nanatona an'i Davida ilay Filistina, ary teo alohany ny mpitondra ny ampingany.
\v 42 Rehefa nijery ny manodidina ka nahita an'i Davida ilay Filistina, dia nanao tsinontsinona azy, satria mbola zaza izy, mena volo, ary tsara endrika.
\v 43 Dia hoy ilay Filistina tamin'i Davida: "Alika ve aho, no tonga miaraka amin'ny hazo eto amiko ianao?," ary nanozona an'i Davida tamin'ireo andriamaniny ilay Filistina.
\s5
\v 44 Hoy ilay Filistina tamin'i Davida: "Mankanesa eto amiko, dia homeko ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia any an-tsaha ny nofonao."
\v 45 Namaly ilay Filistina i Davida hoe: "Tonga eto amiko miaraka amin'ny sabatra, ary lefona ianao. Fa izaho tonga eo aminao amin'ny anaran'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitry ny tafik'Israely, izay nihantsinao.
\s5
\v 46 Anio dia hanome ahy ny fandresena anao i Yaveh, ka hamono anao aho ary hanala ny lohanao amin'ny vatanao. Anio dia hanome ny fatin'ny tafik'ilay Filistina ho an'ireo vorona eny an-danitra sy ho an'ireo bibidia ety an-tany aho, mba hahafantaran'ny tany rehetra fa misy Andriamanitra ao Israely,
\v 47 ary hahafantaran'ireo vory rehetra ireo fa i Yaveh dia tsy manome fandresena amin'ny sabatra na lefona. Fa an'i Yaveh ny ady, ka hanolotra anareo eo an-tananay Izy."
\s5
\v 48 Rehefa nitsangana sy nanatona an'i Davida ilay Filistina, dia nihazakazaka haingana nankeny amin'ny tafika fahavalo i Davida mba hitsena azy.
\v 49 Nampidiriny tao anatin'ny kitapony ny tanany, naka vato avy tao izy, nalefany tamin'ny antsamotady izany, ka nahavoa an'ilay Filistina teo amin'ny handrina. Nilentika tao amin'ny handrin'ilay Filistina ny vato, ka nidaraboka tamin'ny tavany teo amin'ny tany izy.
\s5
\v 50 Resin'i Davida tamin'ny antsamotady sy vato ilay Filistina. Voany ilay Filistina ka matiny. Tsy nisy sabatra teny an-tanan'i Davida.
\v 51 Avy eo dia nihazakazaka i Davida ka nitsangana teo ambonin'ilay Filistina sy naka ny sabany, namoaka izany avy tao amin'ny tranony, namono azy, ary nanapaka ny lohany tamin'izany. Rehefa hitan'ireo Filistina fa maty ilay lehilahy matanjak'izy ireo, dia nandositra izy ireo.
\s5
\v 52 Avy eo dia nitsangana sady nihiaka ireo lehilahin'Israely sy Joda, ary nanenjika ireo Filistina hatrany amin'ny lohasaha sy ireo vavahadin'i Ekrona. Ireo Filistina maty dia nandry teo amin'ny lalana mankany Saraima, sy ny lalana rehetra mankany Gata ary Ekrona.
\v 53 Niverina avy tamin'ny fanenjehana ireo Filistina ny olon'Israely, ary nandroba ny tobin'izy ireo.
\v 54 Nalain'i Davida ny lohan'ilay Filistina ary nentiny tany Jerosalema izany, fa ny akanjo fiadiany dia napetrany tao amin'ny lainy.
\s5
\v 55 Rehefa nahita an'i Davida nivoaka nanohitra an'ilay Filistina i Saoly, dia hoy izy tamin'i Abnera, kapitenin'ny tafika: "Ry Abnera, zanak'iza io tovolahy io?" Dia hoy i Abnera: "Raha mbola velona koa ianao, ry mpanjaka, dia tsy fantatro"
\v 56 Ny mpanjaka niteny hoe: "Anontanio ireo izay mety mahafantatra, hoe zanak'iza io zazalahy io."
\s5
\v 57 Rehefa niverina avy tany amin'ny famonoana ilay Filistina i Davida, dia naka azy i Abnera, ary nitondra azy teo anatrehan'i Saoly niaraka tamin'ny lohan'ilay Filistina teny an-tanany.
\v 58 Hoy i Saoly taminy: "Zanak'iza ianao, ry tovolahy?" Namaly i Davida hoe: "Zanak'i Jese Betlehemita mpanomponao aho."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Rehefa avy niresaka tamin'i Saoly izy, dia nifamatotra tamin'ny fanahin'i Davida ny fanahin'i Jonatana, ary notiavian'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany izy.
\v 2 Nalain'i Saoly ho amin'ny fanompoana azy i Davida tamin'io andro io; tsy navelany hiverina any an-tranon-drainy izy.
\s5
\v 3 Avy eo Jonatana sy Davida nanao faneken-pinamanana satria notiavin'i Jonatana tahaka ny fanahiny ihany izy.
\v 4 Nanala ny akanjo lava izay nanaovany i Jonatana ary nanome izany an'i Davida niaraka taminy fiarovany, sy ny sabany, ny tsipìka, ary fehin-kibo.
\s5
\v 5 Dia nandeha tany amin'izay toerana nanirahan'i Saoly azy i Davida, ary nahomby izy. Nametraka azy teo amin'ireo lehilahin'ady i Saoly. Nankasitrahana teo imason'ny vahoaka rehetra izany ary teo imason'ireo mpanompon'i Saoly ihany koa.
\s5
\v 6 Raha nandeha nody avy nandresy ireo Filistina izy ireo, dia tonga avy tamin'ireo tanànan'Israely rehetra ireo vehivavy, nihira sy nandihy, mba hitsena an'i Saoly mpanjaka, niaraka tamin'ny amponga tapaka, hafaliana, ary zava-maneno.
\v 7 Nifandimby nihira ireo vehivavy raha nilalao izy ireo. Nihira izy ireo hoe: "Novonoin'i Saoly ireo an'arivony, ary Davida kosa ireo an'aliny."
\s5
\v 8 Tezitra mafy i Saoly, ary tsy nahafaly azy izany hira izany. Hoy izy hoe: "Efa nanome an'alina ho an'i Davida izy ireo, nefa an'arivony ihany no nomen'izy ireo ho ahy. Inona ihany koa no afaka hananany afa-tsy ny fitondram-panjakana?"
\v 9 Nijery an'i Davida tam-piahiahiana i Saoly nanomboka tamin'io andro io.
\s5
\v 10 Ny andro manaraka dia nisy fanahy mampidi-doza avy amin'Andriamanitra nidina teo amin'i Saoly ary nirediredy tao an-trano izy. Noho izany dia nilalao ny zava-manenony tahaka ny ataony isan'andro i Davida. Ary nanana lefona teny an-tanany i Saoly.
\v 11 Natsipin'i Saoly ilay lefona, satria nieritreritra izy hoe: "Ho tsindroniko ho eo amin'ny rindrina i Davida." Kanefa indroa tafala ny fanatrehan'i Saoly tamin'izany fomba izany i Davida.
\v 12 Natahotra an'i Davida i Saoly, satria nomba azy Yaveh, fa tsy nomba an'i Saoly intsony.
\s5
\v 13 Koa nesorin'i Saoly teo amin'ny fanatrehany izy ary notendreny ho mpifehy ny arivo. Izany no fomba nivoahan'i Davida sy nankanesany teo anoloan'ny vahoaka.
\v 14 Nambinina tamin'ny lalany rehetra i Davida, satria nomba azy Yaveh.
\s5
\v 15 Rehefa hitan'i Saoly fa nambinina izy, dia talanjona taminy izy.
\v 16 Fa tia an'i Davida ny Israely sy Joda rehetra, satria nivoaka izy ary nankeo anoloan'izy ireo.
\s5
\v 17 Ary hoy i Saoly tamin'i Davida hoe: "Inty i Meraba zanako vavy zokiny indrindra. Homeko anao ho vady izy. Fa manàna herim-po ho ahy ary miadia ny adin'i Yaveh." Fa nieritreritra Saoly hoe: "Aza avela eo aminy tanako, fa aoka ny tanan'ireo Filistina no ho eo aminy."
\v 18 Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Iza moa aho, ary iza moa ireo havako, na ny fianakavian'ny raiko any Israely, no tokony ho vinanto lahin'ny mpanjaka aho?"
\s5
\v 19 Fa tamin'ny fotoana tokony nanomezana an'i Meraba, zanaka vavin'i Saoly ho an'i Davida, dia nomena an'i Adriela Meholatita ho vady izy.
\s5
\v 20 Kanefa i Mikala, zanaka vavin'i Saoly, dia tia an'i Davida. Niteny tamin'i Saoly izy ireo, ary nahafaly azy izany.
\v 21 Avy eo i Saoly nieritreritra hoe: "Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ary mba hanohitra azy ny tanan'ireo Filistina." Ka niteny fanindroany an'i Davida indray i Saoly hoe: "Ho vinanto lahiko ianao."
\s5
\v 22 Nandidy ireo mpanompony i Saoly hoe: "Miresaha manokana amin'i Davida, ary lazao hoe: 'Indro, mankasitraka anao ny mpanjaka, ary tia anao ireo mpanompony rehetra. Koa ankehitriny, meteza ho vinanto lahin'ny mpanjaka.'"
\s5
\v 23 Koa nilaza ireo teny ireo tamin'i Davida ireo mpanompon'i Saoly. Avy eo Davida nilaza hoe: "Zavatra kely ho anao ve ny ho vinanton'ny mpanjaka, satria olona mahantra aho, ary atao tsinontsinona?"
\v 24 Nitatitra taminy ireo teny izay nolazain'i Davida ireo mpanompon'i Saoly.
\s5
\v 25 Ary hoy i Saoly hoe: "Lazao an'i Davida izao: 'Tsy maniry vodiondry ny mpanjaka, fa lohan-tsitsy zaton'ireo Filistina ihany, mba hamaliana faty ireo fahavalon'ny mpanjaka."' Ary Saoly nieritreritra ny handavo an'i Davida tamin'ny tanan'ireo Filistina.
\v 26 Rehefa nilaza ireo teny ireo tamin'i Davida ireo ny mpanompony, dia nahafaly an'i Davida ny ho vinanton'ny mpanjaka.
\s5
\v 27 Talohan'ny nahadila an'ireo andro ireo, dia nandeha niaraka tamin'ireo olony Davida ary namono Filistina roan-jato. Nentin'i Davida ny lohan-tsitsin'izy ireo, ary nomen'izy ireo ho an'ny mpanjaka avokoa ireo, mba ho lasa vinanton'ny mpanjaka izy. Koa nomen'i Saoly azy ho vady i Mikala zanany vavy.
\v 28 Rehefa hitan'i Saoly, sy fantany fa nomba an'i Davida i Yaveh, ary Mikala zanaka vavin'i Saoly, dia tia azy,
\v 29 dia natahotra mafy kokoa an'i Davida i Saoly. Ary fahavalon'i Davida hatrany i Saoly.
\s5
\v 30 Avy eo ireo andrian-dahin'ireo Filistina nivoaka hiady, ary arakaraky ny nivoahan'izy ireo matetika, no nahombiazan'i Davida bebe kokoa noho ireo mpanompon'i Saoly rehetra, koa dia nisandratra avo ny anarany.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Ary Saoly niteny tamin'i Jonatana zanany lahy sy tamin'ireo mpanompony ny tokony hamonoan'izy ireo an'i Davida. Kanefa i Jonatana, zanak'i Saoly, dia tia an'i Davida fatratra.
\v 2 Koa hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mitady hamono anao i Saoly raiko. Noho izany miambena amin'ny maraina ary miafena amin'ny toerana mangingina.
\v 3 Izaho hivoaka hitsangana eo anilan'ny raiko eo amin'ny saha izay misy anao, ary hiresaka momba anao amin'ny raiko aho. Raha mahafantatra zavatra aho, dia hoteneniko ianao."
\s5
\v 4 Nilaza soa momba an'i Davida tamin'i Saoly rainy i Jonatana ka hoy izy taminy: "Aoka tsy hanota amin'i Davida mpanompony ny mpanjaka. Fa tsy nanota taminao izy, ary nitondra soa ho anao ireo asany.
\v 5 Fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ilay Filistina. Yaveh efa nitondra fandresena lehibe ho an'Israely rehetra. Nahita izany ianao ka faly. Nahoana no hanota hanohitra ny rà tsy manan-tsiny amin'ny famonoana an'i Davida tsy ahoan-tsy ahoana ianao?"
\s5
\v 6 Nihaino an'i Jonatana i Saoly. Ka nianiana hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hovonoina izy."
\v 7 Dia niantso an'i Davida i Jonatana, ary noteneniny tamin'i Davida izany zavatra rehetra izany. Nentin'i Jonatana tany amin'i Saoly i Davida, ary teo amin'ny fanatrehany toy ny teo aloha indray izy.
\s5
\v 8 Ary nisy ady indray, dia nivoaka hiady amin'ny Filistina i Davida ka nandresy azy ireo tamin'ny famonoana lehibe. Dia nandositra teo anatrehany izy ireo.
\v 9 Tonga tamin'i Saoly ny fanahy ratsy avy amin'i Yaveh raha nipetraka tao an-tranony niaraka tamin'ny lefona teny an-tanany izy, ary raha nitendry zava-maneno iny i Davida.
\s5
\v 10 Ary i Saoly nanandrana nikendry an'i Davida teo amin'ny rindrina tamin'ny lefony, kanefa nandositra ny fanatrehan'i Saoly izy, ka natsatok'i Saoly teo amin'ny rindrina ny lefona. Nitsoaka i Davida ary afa-nandositra tamin'iny alina iny.
\v 11 Nandefa iraka tany an-tranon'i Davida mba hijery azy mba hahafahany mamono azy i Saoly ny maraina. Mikala, vadin'i Davida, niteny azy hoe: "Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hovonoina ianao rahampitso."
\s5
\v 12 Navelan'i Mikala hidina teo amin'ny varavarankely i Davida. Dia lasa izy ka nitsoaka, ary afa-nandositra.
\v 13 Naka sampy tao an-tranony i Mikala dia nametraka izany teo am-pandriana. Ary naka ondana volon'osy izy ka napetrany teo amin'ny lohany, ary norakofany akanjo izany.
\s5
\v 14 Raha nandefa iraka mba haka an'i Davida i Saoly, dia hoy izy hoe: "Marary izy."
\v 15 Dia nandefa iraka mba hijery an'i Davida indray i Saoly, ka hoy izy: "Ento hiakatra aty amiko amin'ny fandriana izy, mba hahafahako mamono azy."
\s5
\v 16 Raha niditra ireo iraka, indro, ny sampy izay tao an-tranony no teo am-pandriana miaraka amin'ny ondana volon'osy eo amin'ny lohany.
\v 17 Dia hoy i Saoly tamin'i Mikala: "Nahoana no namitaka ahy ianao ka namela ny fahavaloko handeha, ka dia afa-nandositra izy?" Mikala namaly an'i Saoly hoe: "Hoy izy tamiko, 'Avelao aho handeha. Nahoana aho no hamono anao?'"
\s5
\v 18 Ary nitsoaka sy afa-nandositra i Davida, dia nankany amin'i Samoela tany Rama ka nilaza taminy ny zavatra rehetra izay nataon'i Saoly taminy. Dia nandeha izy sy Samoela ka nitoetra tany Naiota.
\v 19 Nisy nanambara tamin'i Saoly izany, manao hoe: "Indro, ao Naiota any Rama i Davida."
\v 20 Dia nandefa iraka hisambotra an'i Davida i Saoly. Raha nahita ny naman'ny mpaminany naminany izy ireo, ary Samoela nijoro ho lehiben'izy ireo, ny fanahin'Andriamanitra tonga tamin'ny irak'i Saoly, dia naminany koa izy ireo.
\s5
\v 21 Rehefa nilazana izany i Saoly, dia nandefa iraka hafa izy, ary naminany ihany koa izy ireo. Ary nandefa iraka fanintelony indray i Saoly, ka naminany ihany koa ireo.
\v 22 Dia nankany Rama koa izy ary tonga teo amin'ny lava-drano tao Seko. Nanontany izy hoe: "Aiza i Samoela sy Davida?" Nisy olona niteny hoe: "Indro, ao Naiota any Rama izy ireo."
\s5
\v 23 Nankany Naiota any Rama i Saoly. Dia tonga tao aminy koa ny fanahin'i Yaveh, ka naminany teny am-pandehanana mandra-pahatongany tany Naiota tany Rama izy.
\v 24 Nanala ny fitafiany izy ary naminany teo anatrehan'i Samoela. Nitanjaka nandritra ny andro sy ny alina rehetra izy. Izany no antony nanontanian'izy ireo hoe: "Isan'ireo mpaminany koa ve i Saoly?"
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary Davida nandositra avy tany Naiota any Rama ka nankany amin'i Jonatana ary nanao hoe: "Fa inona no nataoko? Inona no heloko? Inona no fahotako teo anatrehan'ny rainao, no mitady hifofo ny aiko izy"
\v 2 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: "Sanatria anie izany; tsy ho faty ianao. Tsy manao zavatra na lehibe na kely ka tsy milaza izany amiko ny raiko. Nahoana no tokony hanafina izany zavatra izany amiko ny raiko? Tsy izany velively."
\s5
\v 3 Ary nivoady indray Davida ka nanao hoe: "Fantatry ny rainao tsara fa nahita sitraka teo imasonao aho. Efa nilaza izy hoe: 'Aza avela ho fantatr'i Jonatana izao, raha tsy izany dia halahelo izy.' Nefa raha velona marina Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, dia kely fotsiny ny elanelana eo amiko sy ny fahafatesana."
\s5
\v 4 Ary hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Na inona na inona lazainao, dia hataoko ho anao."
\v 5 Hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Rahampitso ny voaloham-bolana, ka tokony hipetraka hiara-hihinana amin'ny mpanjaka aho. Nefa avelao aho andeha, mba hiafina any an-tsaha hatramin'ny harivan'ny andro fahatelo.
\s5
\v 6 Raha mahatsiaro ahy ny rainao, dia ataovy hoe: 'Nanao fierana fatratra tamiko i Davida mba hamonjy an'i Betlehema tanànany; satria efa ankatoky ny sorona isan-taona ho an'ny fianakaviana manontolo any.'
\v 7 Raha hoy izy hoe: 'Tsara izany,' dia hanam-piadanana ny mpanomponao. Fa raha tezitra mafy izy, dia fantaro fa nanapa-kevitra hanao ratsy izy.
\s5
\v 8 Noho izany dia mifanaraha tsara amin'ny mpanomponao. Fa efa nitondra ny mpanomponao ho amin'ny faneken'i Yaveh niaraka taminao ianao. Nefa raha misy fahotana amiko, dia ianao no hamono ahy; koa nahoana aho no entinao any amin'ny rainao?"
\v 9 Hoy i Jonatana: "Sanatria aminao anie izany! Raha nahafantatra aho fa nanapa-kevitra ny hanao ratsy anao ny raiko, dia tsy hilaza aminao ve aho?"
\s5
\v 10 Dia hoy i Davida tamin'i Jonatana: "Iza no hiteny amiko raha sanatria mamaly anao amin'ny teny mafy ny rainao?"
\v 11 Jonatana nanao tamin'i Davida hoe: "Andao, andeha isika hivoaka any an-tsaha." Ka nivoaka tany an-tsaha izy roa lahy.
\s5
\v 12 Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Yaveh, Andriamanitr'Israely anie no ho vavolombelona. Rehefa avy manontany an-draiko aho rahampitso amin'izao ora izao, na amin'ny andro fahatelo, jereo, raha misy zava-tsoa ho an'i Davida, moa tsy haniraka ho any aminao sy hampahafantatra anao ve aho?
\v 13 Raha mahafaly an-draiko ny hanao ratsy anao, Yaveh anie hanao izany amin'i Jonatana ary mihoatra aza raha tsy mampahafantatra izany aminao sy mandefa anao aho, mba handehananao am-piadanana. Homba anao anie Yaveh, tahaka ny efa nombàny ny raiko.
\s5
\v 14 Fa raha mbola velona koa aho, moa tsy hampiseho ahy ny tsy fivadiham-paneken'i Yaveh ve ianao, mba tsy ho faty aho?
\v 15 Aza manapaka ny tsy fivadiam-panekenao hiala amin'ny ankohonako mandrakizay—na dia foanan'i Yaveh eo amin'ny tany aza ny fahavalon'i Davida rehetra."
\v 16 Ary Jonatana nanao fanekena tamin'ny ankohonan'i Davida ka nanao hoe: "Yaveh anie hitaky ny honitra eo amin'ny tanan'ireo fahavalon'i Davida."
\s5
\v 17 Nampanao voady an'i Davida indray i Jonatana noho ny fitiavany azy, satria tia azy tahaka ny fitiavany ny fanahiny ihany izy.
\v 18 Dia hoy i Jonatana taminy: "Rahampitso ny voaloham-bolana. Ho tsaroana ianao satria foana ny sezanao.
\v 19 Rehefa nijanona telo andro ianao, dia midìna haingana ary mankanesa any amin'ny toerana izay niafenanao rehefa teo am-pelatanana ny raharaha, ary miandrasa eo akaikin'ny vatolampy Ezela.
\s5
\v 20 Handefa zana-tsipìka telo eo anilan'izany aho, toy ny hoe mtifitra zavatra kendrena.
\v 21 Ary haniraka ny zatovolahiko aho ka hiteny aminy hoe: 'Andeha tadiavo ireo zana-tsipìka.' Raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: 'Indro, itsy ankilanao itsy ireo zana-tsipìka; alaivo ireo," dia tongava; fa hisy fiarovana ary tsy hisy ratsy ho anao, raha mbola velona koa Yaveh.
\s5
\v 22 "Nefa raha miteny amin'ilay zatovolahy aho hoe: 'Indro, ao aorianao ireo zana-tsipìka,' dia mandehana amin'ny lalanao, fa efa nandefa anao i Yaveh.
\v 23 Raha ny amin'ny fifanarahana izay nifampiresahantsika, indro, eo afovoantsika mandrakizay i Yaveh.'"
\s5
\v 24 Koa niafina tany an-tsaha i Davida. Rehefa tonga ny voaloham-bolana, dia nipetraka nihinana sakafo ny mpanjaka.
\v 25 Nipetraka teo amin'ny sezany ny mpanjaka, tahaka ny mahazatra, teo amin'ny seza teo akaikin'ny rindrina. Nijoro i Jonatana, ary Abnera nipetraka teo anilan'i Saoly. Nefa foana ny sezan'i Davida.
\s5
\v 26 Tsy mbola niteny na inona na inona i Saoly tamin'io andro io, satria nieritreritra izy hoe: "Nisy zavatra nahazo azy. Tsy madio izy; azo antoka fa tsy madio izy."
\v 27 Fa tamin'ny andro faharoa kosa, ny ampitson'ny voaloham-bolana, dia foana ny sezan'i Davida. Hoy i Saoly tamin'i Jonatana zanany lahy: "Nahoana no tsy tonga amin'ny fisakafoana ny zanaka lahin'i Jese na omaly na androany?"
\s5
\v 28 Jonatana namaly an'i Saoly hoe: "Nangataka alalana fatratra tamiko mba handeha any Betlehema i Davida.
\v 29 Hoy izy: 'Avelao re aho mba handeha. Fa ny fianakavianay manana sorona ao an-tanàna, ary ny rahalahiko nandidy ahy ho any. Ankehitriny, raha efa nahita sitraka teo imasonao aho, dia avelao re aho handeha ary hijery ireo rahalahiko.' Izany no antony tsy nahatongavany teo an-databatry ny mpanjaka."
\s5
\v 30 Koa nirehitra tamin'i Jonatana ny hatezeran'i Saoly, ary hoy izy taminy: "Ianao ry zanaka lahin'ny mpamadika, vehivavy mpikomy! Moa ve aho tsy mahafantatra fa efa nisafidy ny zanaka lahin'i Jese ho fahamenarana ho anao, sy ho fahamenaran'ny fitanjahan'ny reninao ianao?
\v 31 Fa raha mbola miaina eto an-tany ny zanaka lahin'i Jese, dia tsy ho tafapetraka na ianao na ny fanjakanao. Koa ankehitriny, alefaso ary ento aty amiko izy, fa tsy maintsy ho faty tokoa izy."
\s5
\v 32 Jonatana namaly an'i Saoly rainy hoe: "Fa inona no antony tokony hamonoana azy? Inona no nataony?"
\v 33 Ary Saoly nanipy ny lefony taminy mba hamono azy. Ka dia fantatr'i Jonatana fa tapa-kevitra ny hamono an'i Davida ny rainy.
\v 34 Nitsangana niala tam-pahavinirana teo amin'ny latabatra ary tsy nihinana sakafo i Jonatana ny andro faharoan'ny volana, fa nalahelo an'i Davida izy, satria nanala baraka azy ny rainy.
\s5
\v 35 Ny maraina, nivoaka nankany an-tsaha tamin'ny fotoana voatondro niaraka tamin'i Davida i Jonatana, sy ny zatovolahy niaraka taminy.
\v 36 Hoy izy tamin'ilay zatovolahiny: "Mihazakazaha ary tadiavo ireo zana-tsipìka izay natifitro." Ary raha nihazakazaka ilay zatovolahy, dia notifiriny zana-tsipìka tao aoriany.
\v 37 Rehefa tonga teo amin'ny toerana izay nitsatohan'ny zana-tsipìka nalefan'i Jonatana ilay zatovolahy, dia niantso ilay zatovolahy i Jonatana avy eo, ary nanao hoe: "Moa tsy ao aorianao ve ny zana-tsipìka?"
\s5
\v 38 Ary niantso ilay zatovolahy i Jonatana hoe: "Faingàna, malakia, aza mijanona!" Ary ilay zatovolahin'i Jonatana nanangona ireo zana-tsipìka niakatra ary nankany amin'ny tompony.
\v 39 Nefa tsy nahalala na inona na inona ilay zatovolahy. Jonatana sy Davida ihany no nahalala ny raharaha.
\v 40 Nomen'i Jonatana an'ilay zatovolahiny ireo fitaovam-piadiana ary hoy izy taminy: "Mandehana, ento any an-tanàna ireo."
\s5
\v 41 Raha vao lasa ilay tovolahy, dia nitsangana avy tao ambadiky ny dongon-tany i Davida, niankohoka teo amin'ny tany, ary niondrika intelo. Nifanoroka sy niara-nitomany izy ireo, ary Davida nitomany mafy.
\f + \ft Fanamarihana: Mivaky toy izao ny lahatsoratra Hebreo: "Nivoaka avy any antsimo i Davida." Ny dikan-teny vaovao mandika io an-dalana io amin'ny fomba samy hafa satria sarotra takarina ny teny Hebreo. \f*
\v 42 Hoy i Jonatana tamin'i Davida: "Mandehana am-piadanana, satria efa samy nianiana tamin'ny anaran'i Yaveh isika ary nanao hoe: 'Yaveh anie ho eo afovoantsika, ary eo afovoan'ireo taranako sy ireo taranakao mandrakizay.'" Ary nitsangana Davida ka lasa, fa Jonatana kosa niverina tany an-tanàna.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Dia tonga tao Noba i Davida mba hijery an'i Ahimeleka mpisorona. Tonga mba hitsena an'i Davida tam-pangovitana i Ahimeleka ary niteny taminy hoe: "Nahoana ianao no irery ary tsy misy miaraka aminao?"
\v 2 Hoy i Davida tamin'i Ahimeleka mpisorona hoe: "Nandefa ahy hanatanteraka iraka ny mpanjaka ary niteny tamiko hoe: 'Aza avela hisy hahafantatra na inona na inona momba ny raharaha izay hanirahako anao, sy izay handidiako anao.' Nanoro lalana ireo zatovolahy ho any amina toerana iray aho.
\s5
\v 3 Koa inona ary no an-tananao izao? Omeo mofo dimy aho, na izay rehetra misy ato."
\v 4 Namaly an'i Davida ilay mpisorona ka nanao hoe: "Tsy misy mofo tsotra eto an-tanako, fa kosa misy mofo masina—raha nahatandri-tena tamin'ny vehivavy ireo tovolahy."
\s5
\v 5 Davida namaly an'ilay mpisorona nanao hoe: "Nahatandri-tena tamin'ny vehivavy tokoa izahay nandritra ireo telo andro lasa, tahaka ny fanao isaky ny miainga aho. Efa natokana ny fananan'ireo lehilahy ireo na dia ho amin'ireo iraka tsotra aza. Mainka aza voatokana izay hananan'izy ireo ankehitriny!"
\v 6 Koa dia nanome azy ilay mofo izay voatokana ilay mpisorona. Fa tsy nisy mofo afa-tsy ny mofon'ny fanatrehana mantsy tao, izay efa nesorina teo anatrehan'i Yaveh, mba hametrahana mofo vaovao eo amin'ny toeran'izany tamin'ny andro nanesorana izany.
\s5
\v 7 Ary ny iray tamin'ireo mpanompon'i Saoly izay tany tamin'izany andro izany, dia voatazona teo anatrehan'i Yaveh. Doega Edomita no anarany, lehiben'ireo mpiandry ombin'i Saoly.
\s5
\v 8 Dia hoy Davida tamin'i Ahimeleka hoe: "Tsy misy lefona na sabatra azo ampiasaina ve eo an-tananao? Fa tsy nahatondra akory aho na ny sabatro na ireo fitaovam-piadiako taty amiko, satria tena maika tokoa ny raharahan'ny mpanjaka."
\v 9 Hoy ilay mpisorona hoe: "Ny sabatr'i Goliata ilay Filistina, izay novonoinao tany amin'ny Lohasahan'i Elaha, izay mifono lamba ao ambadiky ny efoda no ato. Raha tianao alaina izany, dia alaivo, fa tsy misy fitaovam-piadiana hafa ato." Hoy i Davida hoe: "Tsy misy sabatra tahaka izany iray izany; omeo ahy izany."
\s5
\v 10 Dia nitsangana i Davida ary nitsoaka an'i Saoly tamin'izany andro izany ka nankany amin'i Akisa, mpanjakan'i Gata.
\v 11 Ireo mpanompon'i Akisa niteny taminy hoe: "Tsy i Davida, ilay mpanjakan'ny tany ve ity? Tsy ity ve ilay nifampihirahiran'izy ireo tamin'ny dihy hoe: 'Saoly namono an'arivony, ary Davida namono an'aliny'?"
\s5
\v 12 Noraisin'i Davida am-po izany teny izany ka natahotra mafy an'i Akisa, mpanjakan'i Gata izy.
\v 13 Nanova ny fihetsiny teo anatrehan'izy ireo izy ka nodiany ho very saina teo an-tanan'izy ireo; nanoratsoratra teo amin'ny lela-bavahady izy ary navelany hitsororoka teo amin'ny volom-bavany ny iviny.
\s5
\v 14 Avy eo dia hoy i Akisa tamin'ireo mpanompony hoe: "Indro, hitanareo fa very saina ilay lehilahy. Nahoana no nentinareo eto amiko izy?
\v 15 Tsy ampy olona adala angaha aho, no dia nentinareo eto amiko io mba hanao fihetsika tahaka izao eto anatrehako? Hiditra ao an-tranoko tokoa ve io namana io?"
\s5
\c 22
\p
\v 1 Ary niala tany Davida ka nandositra tao an-dava-baton'i Adolama. Raha nahare izany ireo rahalahiny sy ny ankohonan-drainy rehetra, dia nidina tany aminy izy ireo.
\v 2 Ny olona rehetra izay tao anaty fahoriana, ny olona rehetra izay tao anaty trosa, ary ny olona rehetra izay tsy faly— izy rehetra dia niangona tao aminy. Lasa kapitenin'ny mpiambina teo amin'izy ireo i Davida. Nisy teo amin'ny efa-jato lahy teo no niaraka taminy.
\s5
\v 3 Ary niala teo ho any Mizpa ao Moaba i Davida. Hoy izy tamin'ny mpanjakan'i Moaba hoe: "Mba miangavy re aoka ny raiko sy ny reniko hivoaka hiaraka aminao mandram-pahafantarako izay hataon'Andriamanitra ho ahy."
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha misy hoe: "Mba miangavy re aoka ny raiko sy ny reniko mba hitoetra hiaraka aminao," ary ny dikan-teny sasany taty aoriana dia vakiana amin'io fomba io. \f*
\v 4 Navelany niaraka tamin'ny mpanjakan'i Moaba izy ireo. Ny rainy sy reniny nitoetra niaraka taminy tamin'ny fotoana rehetra naha-tao amin'ny fiarovany mafy an'i Davida.
\v 5 Ary Gada mpaminany niteny tamin'i Davida hoe: "Aza mijanona ao amin'ny fiarovanao mafy. Miaingà ary mandehana any amin'ny tanin'i Joda." Ka dia niala tao Davida ary nandeha tao amin'ny alan'i Hareta.
\s5
\v 6 Ren'i Saoly fa hita niaraka tamin'ireo lehilahy izay niaraka taminy i Davida. Ary nipetraka tany Gibea tambanin'ny hazo tamariska tao Rama i Saoly, niaraka tamin'ny lefony teny an-tanany, ary ny mpanompony rehetra nijoro nanodidina azy.
\s5
\v 7 Hoy i Saoly tamin'ireo mpanompo nitsangana manodidina azy: "Henoy izao, ry vahoakan'i Benjamina, moa ve hanome saha sy tanim-boaloboka ho an'ny tsirairay avy aminareo ny zanaka lahin'i Jese? Moa ve hanao anareo rehetra ho kapitenin'ny tafika an'arivony sy an-jatony izy,
\v 8 ho takalon'ny tetikareo rehetra hanohitra ahy? Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy rehefa nanao fanekena tamin'ny zanaka lahin'i Jese ny zanako lahy. Tsy nisy taminareo nangoraka ahy. Tsy nisy taminareo nampahafantatra ahy fa ny zanako lahy dia namporisika an'i Davida mpanompoko hanohitra ahy. Anio dia miafina sy miandry ahy izy ary mety hanafika ahy."
\s5
\v 9 Ary i Doega Edomita, izay nitsangana teo amin'ireo mpanompon'i Saoly, namaly hoe: "Hitako nankany Noba ny zanaka lahin'i Jese, tao amin'i Ahimeleka zanaka lahin'i Ahitoba.
\v 10 Nivavaka tamin'i Yaveh izy mba hanampiany azy, ary nomeny azy ny vatsy sy ny sabatr'i Goliata Filistina".
\s5
\v 11 Ary ny mpanjaka naniraka olona mba hiantso an'i Ahimeleka mpisorona zanaka lahin'i Ahitoba sy ny ankohonan-drainy rehetra, ireo mpisorona izay tao Noba. Izy rehetra ireo dia tonga teo amin'ny mpanjaka.
\v 12 Hoy i Saoly: "Henoy ary, ry zanaka lahin'i Ahitoba." Dia namaly izy hoe: "Inty aho, tompoko."
\v 13 Ary hoy i Saoly taminy: "Nahoana ianao no nitetika hanohitra ahy, ianao sy ny zanaka lahin'i Jese, tamin'ny nanomezanao azy mofo, sy sabatra, ary nivavaka tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy, mba hitsanganany hanohitra ahy, mba hiafina any amin'ny takona, toy izao ataony androany izao?"
\s5
\v 14 Ary i Ahimeleka namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Iza tamin'ireo mpanomponao rehetra moa no mahatoky fatratra tahaka an'i Davida, izay vinanto lahin'ny mpanjaka no sady mpiambina anao ihany koa, ary omem-boninahitra ao an-tranonao?
\v 15 Androany angaha no fotoana voalohany nivavahako tamin'Andriamanitra mba hanampiany azy? Sanatria amiko anie izany! Aza mamela ny mpanjaka hanisy na inona na inona amin'ny mpanompony na amin'ny ankohonan-draiko rehetra. Fa ny mpanomponao dia tsy mahalala na inona na inona ny amin'izao raharaha rehetra izao."
\s5
\v 16 Namaly ny mpanjaka hoe: "Tsy maintsy ho faty tokoa ianao, ry Ahimeleka, ianao sy ny ankohonan-drainao rehetra."
\v 17 Dia niteny tamin'ny mpiambina nitsangana nanodidina azy ny mpanjaka nanao hoe: "Mitodiha ary vonoy ireo mpisoron'i Yaveh. Satria ny tanan'izy ireo ihany koa dia miaraka amin'i Davida, ary satria nahafantatra izy ireo fa nandositra izy, kanefa tsy nanambara izany tamiko. Fa ireo mpanompon'ny mpanjaka nefa dia tsy te-haninjitra ny tanany hamono ireo mpisoron'i Yaveh.
\s5
\v 18 Ary niteny tamin'i Doega ny mpanjaka hoe: "Mitodiha ary vonoy ireo mpisorona. Dia nitodika sy namely ireo mpisorona i Doega Edomita; namono olona dimy amby valopolo izay niakanjo efoda rongony fotsy tamin'izany andro izany izy.
\v 19 Tamin'ny lelan-tsabatra, no nanafihany an'i Noba, tanànan'ireo mpisorona, na lehilahy na vehivavy, ankizy na zaza, ary ireo omby sy ireo ampondra ary ondry. Namono azy rehetra tamin'ny lelan-tsabatra izy.
\s5
\v 20 Fa iray tamin'ireo zanaka lahin'i Ahimeleka zanaka lahin'i Ahitoba, nantsoina hoe Abiatara, nandositra ary nitsoaka nanaraka an'i Davida.
\v 21 Ary Abiatara niteny tamin'i Davida fa novonoin'i Saoly ireo mpisoron'i Yaveh.
\s5
\v 22 Hoy i Davida tamin'i Abiatara: "Fantatro tamin'iny andro iny, fa raha tao i Doega ilay Edomita, dia tsy maintsy niteny tamin'i Saoly izy. Izaho no tompon'andraikitra tamin'ny fahafatesana rehetra tamin'ny fianakavian-drainao!
\v 23 Mijanòna miaraka amiko ary aza matahotra. Fa ny olona izay mifofo ny ainao dia mifofo ny ahy ihany koa. Ho voaaro ianao miaraka amiko."
\s5
\c 23
\p
\v 1 Ary hoy izy ireo tamin'i Davida: "Indro, miady amin'i Keila ny Filistina ary mandroba ireo famoloana."
\v 2 Koa nivavaka tamin'i Yaveh Davida mba hanampy azy ka nanontany Azy hoe: "Tokony handeha hanafika an'ireo Filistina ireo ve aho?" Ary hoy Yaveh tamin'i Davida: "Mandehana ary tafiho ireo Filistina ka vonjeo i Keila."
\s5
\v 3 Ary hoy ireo lehilahin'i Davida taminy: "Indro, matahotra isika eto Joda. Koa mainka fa handeha ho any Keila ka hiady amin'ireo tafiky ny Filistina?"
\v 4 Dia mbola nivavaka tamin'i Yaveh indray Davida mba hanampy azy. Namaly azy Yaveh hoe: "Mitsangàna, midìna mankany Keila. Fa homeko anao ny fandresena ireo Filistina."
\s5
\v 5 Dia nankany Keila i Davida sy ireo lehilahiny ary niady tamin'ireo filistina. Nentiny lavitra ireo biby fiompy ary namely azy ireo tamin'ny famonoana lehibe izy. Ka voavonjin'i Davida ny mponin'ny Keila.
\v 6 Rehefa nandositra tany amin'i Davida tao Keila i Abiatara zanaka lahin'i Ahimeleka, dia nidina niaraka amin'ny efoda teny an-tanany izy.
\s5
\v 7 Ary nambara tamin'i Saoly fa nankany Keila i Davida. Hoy i Saoly: "Efa nomen'Andriamanitra ahy ho eo am-pelatanako izy. Ka voahidy ao izy satria niditra tao amin'ny tanàna misy vavahady sy fefy."
\v 8 Nampiantso ny tafiny rehetra i Saoly mba hiady, hidina ho any Keila, ary hanao fahirano an'i Davida sy ireo lehilahiny.
\v 9 Ary fantatr'i Davida fa manao teti-dratsy hanoherana azy i Saoly. Ary hoy izy tamin'i Abiatara mpisorona hoe: "Ento aty ny efoda."
\s5
\v 10 Dia hoy i Davida: "Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, efa ren'ny mpanomponao tokoa fa i Saoly dia mitady hankany Keila, mba handringana ny tanàna nohon'ny amiko.
\v 11 Hanolotra ahy ho eo an-tanany ve ny olon'ny Keila? Hidina ve i Saoly, araka ny ren'ny mpanomponao? Ry Yaveh, Andriamanitry ny Israely, mitalaho aminao aho, miangavy re mba teneno ny mpanomponao." Ary hoy Yaveh hoe: "Hidina izy."
\s5
\v 12 Dia hoy i Davida hoe: "Ho atolotry ny olon'i Keila ho eo an-tanan'i Saoly ve izaho sy ireo lehilahiko? Dia hoy Yaveh hoe: "Hanolotra anao izy ireo."
\s5
\v 13 Dia niainga i Davida sy ireo lehilahiny, izay tokony ho teo amin'ny eninjato, ka niala avy tao Keila, ary nandeha nifindrafindra toerana. Nambara tamin'i Saoly fa nandositra avy ao Keila izy, ary najanony ny fanenjehana.
\v 14 Nijanona tao anaty fiarovana mafy tany an'efitra i Davida, teny amin'ny tany havoana tany an'efitr'i Zifa. Nikaroka azy isan'andro i Saoly, nefa Andriamanitra tsy nanolotra azy teo an-tanany.
\s5
\v 15 Ary hitan'i Davida fa nifofo ny ainy i Saoly; ary efa tany an'efitry ny Zifa any Horesa i Davida.
\v 16 Ary Jonatana, zanaka lahin'i Saoly, niainga ka nankany amin'i Davida tany Horesa, ary nankahery ny tanany tao amin'Andriamanitra.
\s5
\v 17 Hoy izy taminy hoe: "Aza matahotra. Fa tsy ho hitan'ny tanan'i Saoly raiko ianao. Ianao no ho mpanjaka eo amin'ny Israely, ary izaho dia ho eo anilanao. Fantatr'i Saoly raiko izany."
\v 18 Nanao fanekena teo anoloan'i Yaveh izy ireo. Dia nijanona tao Horesa i Davida, ary Jonatana nody tany amin'ny fonenany.
\s5
\v 19 Ary nanatona an'i Saoly tao Gibea ireo Zifita ka niteny hoe: "Tsy i Davida ve no miafina any aminay ao anatin'ny batery fiarovana mafy any Horesa, any amin'ny havoana Hakila, izay any atsimon'i Jesimona?
\v 20 Ankehitriny midìna, ry mpanjaka! Araka ny sitrakao, midìna! Hanolotra azy ho eo am-pelatananan'ny mpanjaka no anjaranay."
\s5
\v 21 Ary hoy i Saoly: "Yaveh anie hitahy anareo. Fa nangoraka ahy ianareo.
\v 22 Mandehana, ataovy azo antoka kokoa. Fantaro sy tadiavo ny toerana izay hiafenany sy izay nahita azy tany. Nambara tamiko fa fetsy tokoa izy.
\v 23 Ka jereo, ary fantaro ireo toerana rehetra izay hanafenany ny tenany. Dia miverena indray aty amiko hilaza marimarina kokoa, dia hiaraka aminareo hiverina aho. Raha any amin'ny tany izy, dia hokarohiko amin'ireo Joda an'arivony rehetra."
\s5
\v 24 Avy eo nitsangana izy ireo ka nankany Zifa mialohan'i Saoly. Ary tany amin'ny efitry ny Maona i Davida sy ireo lehilahiny, tany Araba atsimon'i Jesimona.
\v 25 Nandeha nitady azy Saoly sy ny lehilahiny. Fa nambara tamin'i Davida izany, ka nidina tany amin'ny tany havoana be vato izy ary nonina tany an'efitry Maona. Rehefa nandre izany i Saoly, dia nanenjika an'i Davida tany an-tany efitr'i Maona izy.
\s5
\v 26 Ary i Saoly nandeha tamin'ny ilan'ny tendrombohitra iray, Davida sy ireo lehilahiny kosa tamin'ny ilany iray hafa. Nandeha faingana i Davida mba hanalavitra an'i Saoly. Raha efa nanodidina an'i Davida sy ny lehilahiny i Saoly sy ny lehilahiny mba haka azy ireo,
\v 27 dia nisy mpitondra teny nanatona an'i Saoly ka hoy izy taminy hoe: "Faingàna ka avia, fa manao fanafihana hanohitra ny tany ireo Filistina."
\s5
\v 28 Dia niverina avy tamin'ny fanenjehana an'i Davida i Saoly ary nandeha nifanandrina tamin'ireo Filistina. Noho izany no niantsoana io toerana io hoe: Vatolampin'ny Fandosirana.
\v 29 Niakatra avy tany Davida ka nonina tao amin'ireo fiarovana mafin'i En-jedy.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Rehefa niverina avy nanenjika an'ireo Filistina i Saoly, dia nolazaina taminy hoe: "Any an'efitr'i En-jedy i Davida."
\v 2 Avy eo i Saoly dia naka lehilahy telo arivo voafantina avy amin'Israely rehetra ary nandeha nitady an'i Davida sy ireo lehilahy teny amin'ny Vatolampin'ireo Osi-Dia.
\s5
\v 3 Nankeo amin'ny valan'ondry teny an-dalana izy, izay nisy zohy iray. Niditra tao mba hanao maloto i Saoly. Ary Davida sy ireo lehilahiny dia nipetraka lavitra tao aoriany tao amin'ny zohy.
\v 4 Hoy ireo lehilahin'i Davida taminy hoe: "Ity no andro izay niresahan'i Yaveh rehefa niteny taminao Izy hoe: 'Hatolotro eo am-pelatananao ireo fahavalonao, mba hanaovanao izay tianao hatao aminy.'" Avy eo Davida nitsangana ary nandady moramora nandroso ka nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly.
\s5
\v 5 Rehefa afaka izany dia nampahory azy ny fon'i Davida satria nanapaka ny moron'ny akanjo lavan'i Saoly izy.
\v 6 Hoy izy tamin'ireo lehilahiny hoe: "Yaveh anie handrara ny hanaovako izao zavatra izao amin'ny tompoko, ilay voahosotr'i Yaveh, dia ny haninjirako ny tanako aminy, raha mahita fa voahosotr'i Yaveh izy."
\v 7 Dia niteny mafy an'ireo lehilahiny tamin'ireo teny ireo Davida, ary tsy namela azy ireo hamely an'i Saoly. Nitsangana i Saoly, nandao ny zohy, ary nandeha tamin'ny lalany.
\s5
\v 8 Rehefa afaka izany, dia nitsangana ihany koa Davida, nandao ilay zohy, ary niantso an'i Saoly hoe: "Ry mpanjaka tompoko." Rehefa nijery azy avy ao aoriany i Saoly, dia nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany i Davida ary naneho fanajana azy.
\v 9 Hoy i Davida tamin'i Saoly hoe: "Nahoana ianao no mihaino ireo lehilahy izay manao hoe: 'Indro, mitady hanao ratsy anao Davida?'
\s5
\v 10 Ankehitriny hitan'ny masonao ny fomba nametrahan'i Yaveh anao teo am-pelatanako tamintsika tao an-johy. Ny sasany nilaza tamiko mba hamono anao, fa namindra fo taminao aho. Hoy aho hoe: 'Tsy haninjitra ny tanako amin'ny tompoko aho; satria voahosotr'i Yaveh izy.'
\v 11 Indro, ry raiko, jereo ny moron-tongotr'akanjo lavanao eo am-pelatanako. Fa ny antony nanapahako ny moron-tongotr'akanjo lavanao sy tsy namonoako anao, dia mba ho fantatrao sy hitanao fa tsy misy ratsy na fivadihana eto am-pelatanako, ary tsy nanota taminao aho, na dia mihaza ny aiko mba hahafaty ahy aza ianao.
\s5
\v 12 Yaveh anie hitsara ahy sy ianao, ary Yaveh anie hamaly faty ahy aminao, fa ny tanako dia tsy tokony hanohitra anao.
\v 13 Araka ny lazain'ny ohabolan'ny ntaolo hoe: 'Avy amin'ny ratsy fanahy no hiavian'ny faharatsiana.' Fa tsy hanohitra anao ny tanako.
\s5
\v 14 Ho an'iza no nivoahan'ny mpanjakan'Israely? Iza no enjehinao? Alika maty! Parasy!
\v 15 Yaveh anie ho mpitsara sy hanome fitsaràna ahy sy ianao, ary hijery amin'izany, ary hisolo vava ahy sy hamela ahy handositra amin'ny tananao."
\s5
\v 16 Rehefa avy niresaka ireo teny ireo tamin'i Saoly i Davida, dia hoy i Saoly hoe: "Feonao ve izany, ry Davida zanako?" Nanandratra ny feony i Saoly ary nitomany.
\s5
\v 17 Hoy izy tamin'i Davida hoe: "Marina kokoa ianao mihoatra ahy. Satria namaly soa ahy ianao, rehefa namaly ratsy anao aho.
\v 18 Nambaranao ankehitriny ny fomba nanaovanao soa tamiko, satria tsy namono ahy ianao raha nataon'i Yaveh teo an-tananao ny aiko.
\s5
\v 19 Fa raha misy lehilahy mahita ny fahavalony, dia handefa azy am-piadanana ve izy? Yaveh anie hamaly soa anao amin'izay vitanao tamiko anio.
\v 20 Ankehitriny, fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao ary ho apetraka eo am-pelatananao ny fanjakan'Israely.
\s5
\v 21 Mianiana amiko amin'i Yaveh fa tsy hamongotra ireo taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hamotika ny anarako hiala amin'ny tranon-draiko."
\v 22 Noho izany dia nanao fianianana tamin'i Saoly i Davida. Avy eo dia nandeha nody i Saoly, fa i Davida sy ireo lehilahiny kosa nandeha niakatra tany amin'ny fiarovana mafy.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Ary nodimandry i Samoela. Niara-niangona ny Israely rehetra ary nisaona azy, dia nalevin'izy ireo tany an-tranony tany Rama izy. Dia niainga i Davida ary nidina nankany an'efitr'i Parana.
\s5
\v 2 Nisy lehilahy iray tany Maona, izay tany Karmela ny fananany. Tena nanan-karena ilay lehilahy. Nanana ondry telo arivo sy osy arivo izy.
\v 3 Nanety ny ondriny tany Karmela izy. Nabala no anaran'ilay lehilahy, ary ny anaran'ny vadiny dia Abigaila. Naranin-tsaina ilay vehivavy ary tsara endrika. Fa ilay lehilahy kosa masiaka sady ratsy tamin'ny fitondrany. Taranaky ny ankohonan'i Kaleba izy.
\s5
\v 4 Ren'i Davida tany an'efitra fa nanety ny ondriny i Nabala.
\v 5 Koa dia nandefa tovolahy folo izy. Dia hoy Davida tamin'ireo lehilahy: "Miakara any Karmela, mandehana any amin'i Nabala, ary miarahabà azy amin'ny anarako.
\v 6 Lazaonareo aminy hoe: 'Miveloma anaty fanambinana. Fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an'ny ankohonanao, ary fiadanana anie ho an'izay rehetra hanananao.
\s5
\v 7 Reko fa manana mpanety maro ianao. Efa niaraka taminay ireo mpiandry ondrinao, ary tsy mba nanisy ratsy azy ireo izahay, ary tsy nisy na inona na inona tsy ampy tamin'izy ireo fony tany Karmela.
\v 8 Anontanio ny zatovo lahinao, dia ho lazain'izy ireo aminao. Ary avelao ireo zatovo lahiko hahita sitraka eo imasonao, fa tsy maintsy tonga izahay amin'ny andro fety. Mba omeo re na inona na inona hanananao eo an-tananao ho an'ireo mpanomponao ary ho an'i Davida zanaka lahinao."'
\s5
\v 9 Rehefa tonga ny zatovolahin'i Davida, dia nolazain'izy ireo tamin'i Nabala ho an'i Davida avokoa izany rehetra izany, avy eo dia niandry izy ireo.
\v 10 Namaly ireo mpanompon'i Davida i Nabala nanao hoe: "Iza moa izany Davida, ary iza izany zanaka lahin'i Jese? Nisy mpanompo maro izay nisara-dàlana tamin'ny tompon'izy ireo tamin'izany andro izany.
\v 11 Tokony haka ny mofoko sy ny ranoko ary ny henako izay efa novonoiko ho an'ny mpanetiko ve aho, ary hanome izany ho an'ny olona izay tsy fantatro akory hoe avy aiza?"
\s5
\v 12 Ka dia niverina ary nandeha nody ny zatovolahin'i Davida, ary niteny izay rehetra voalaza taminy.
\v 13 Dia hoy Davida tamin'ireo olony: "Apetaho ny sabatry ny olona tsirairay." Ka dia nametaka ny sabany ny olona tsirairay. Dia nametaka ny sabany ihany koa i Davida. Lehilahy teo amin'ny efajato teo no nanaraka an'i Davida, ary roanjato no nijanona teo akaikin'ny entana.
\s5
\v 14 Fa niresaka tamin'i Abigaila, vadin'i Nabala, ny iray tamin'ireo olona, nanao hoe: "Nandefa iraka maro avy any an'efitra mba hiarahaba ny tomponay i Davida, ary notsiratsirainy izy ireo.
\v 15 Kanefa tena tsara taminay tokoa ny olona. Fa tsy nisy ratsy nanjo anay ary tsy nisy tsy ampy taminay raha mbola nandeha niaraka tamin'izy ireo koa izahay fony tany amin'ireo saha.
\s5
\v 16 Manda ho anay izy ireo na andro na alina, nandritra izay niarahanay tamin'izy ireo niandry ny ondry.
\v 17 Noho izany fantaro izany ary hevero izay ho ataonareo, fa misy ratsy kasaina hatao amin'ny tomponay, sy ny ankohonany. Dia ny ratsy fanahy tokoa izy hany ka tsy misy iray afaka miteny azy."
\s5
\v 18 Avy eo Abigaila naka mofo roanjato faingana, divay roa tavoahangy, ondry voavoatra dimy, fatran-dango maina dimy, mofo voaloboka zato, sy ampempan'aviavy roanjato, ary napetrany teo ambon'ireo boriky ireo.
\v 19 Dia hoy izy tamin'ny zatovolahiny: "Mandehana eo alohako, dia hanaraka anao aho avy eo." Saingy tsy niteny tamin'i Nabala vadiny izy.
\s5
\v 20 Rehefa nitaingina ny borikiny izy dia nidina akaikin'ny havoana, Davida sy ireo olony nidina nankeny aminy, ary nifankahita tamin'izy ireo izy.
\s5
\v 21 Ary niteny Davida hoe: "Tena zava-poana no niambenako izay rehetra nananan'io lehilahy io tany an'efitra, fa tsy nisy na inona na inona very izay rehetra azy, dia novaliany ratsy ny soa nataoko azy.
\v 22 Hanao toy izany amiko anie Andriamanitra, ry Davida, ary mihoatra aza, raha mamela na dia lehilahy iray amin'ireo izay azy aho mandra-maraina."
\s5
\v 23 Rehefa nahita an'i Abigaila i Davida, dia nidina faingana avy eo amin'ny borikiny ary nandohalika sady niondrika ary nampiankohoka ny tenany teo amin'ny tany teo anatrehan'i Davida.
\v 24 Nandohalika teo amin'ny tongony izy ary nanao hoe: "Ho amiko irery ihany, ry tompoko, ny fahamelohana. Avelao re ny mpanomponao mba hiresaka aminao, ary mihainoa ireo tenin'ny mpanomponao.
\s5
\v 25 Aoka tsy hijery an'io Nabala, lehilahy ratsy fanahy io ny tompoko, fa araka ny anarany, dia toy izany ihany izy. Nabala no anarany, ary miaraka aminy ny hadalana. Fa izaho mpanomponao dia tsy nahita ireo zatovolahin'ny tompoko, izay nalefanao.
\v 26 Ankehitriny ary, ry tompoko, raha mbola velona koa i Yaveh, ary raha mbola velona koa ianao, satria narovan'i Yaveh tamin'ny fandatsahan-drà, sy tamin'ny famalian'ny tenanao tamin'ny tananao ihany ianao, dia aoka ireo fahavalonao, sy ireo izay mitady hanao ratsy amin'ny tompoko, ho tahaka an'i Nabala.
\s5
\v 27 Ary aoka ity fanomezana izay efa nentin'ny mpanomponao tamin'ny tompoko ity mba hatolotra ho an'ireo zatovolahy izay manaraka ny tompoko.
\v 28 Mba avelao re ny fahadisoan'ny mpanomponao, fa hanangana fonenana azo antoka ho an'ny tompoko tokoa i Yaveh, satria miady ny adin'i Yaveh ny tompoko; ary ny ratsy dia tsy ho hita eny aminao raha mbola velona koa ianao.
\s5
\v 29 Na dia mitsangana hanenjika mba hanaisotra ny ainao aza ireo lehilahy, dia efa ho fehezin'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fatoran'ny velona ny ain'ny tompoko; ary ho atsipiny ny ain'ireo fahavalonao, eo amin'ny foitran'ny antsamotady.
\s5
\v 30 Dia ho ataon'i Yaveh amin'ny tompoko ireo rehetra nampanantenainy anao, araka ny nanendreny anao ho mpitondra eo amin'ny Israely.
\v 31 Tsy ho enta-mavesatra ho anao—ny nandatsahanao rà tsy manan-tsiny, na nohon'ny nanandraman'ny tompoko hanavotra ny tenany. Fa rehefa hanao soa ho an'ny tompoko i Yaveh, dia tsarovy ny mpanomponao."
\s5
\v 32 Dia hoy i Davida tamin'i Abigaila: "Isaorana anie Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy ilay nandefa anao hihaona amiko anio.
\v 33 Ho tahiana ny fahendrenao, ary ho tahiana ianao, satria efa narovanao tamin'ny fandatsahan-drà sy famaliana faty ny tenako tamin'ny tanako ihany aho!
\s5
\v 34 Fa raha ny marina, raha mbola velona koa i Yaveh, Andriamanitr'Israely, Izy ilay niaro ahy tsy handratra anao, raha tsy nandeha faingana hihaona amiko ianao, dia tsy ho nisy niangana ho an'i Nabala afa-tsy zaza lahy kely iray ny maraina."
\v 35 Koa dia nandray izay nentiny ho azy avy amin'ny tanany i Davida; hoy izy taminy: "Mandehana am-piadanana any amin'ny ankohonanao; indro, efa nihaino ny feonao aho, ary efa nanaiky anao."
\s5
\v 36 Dia niverina tany amin'i Nabala i Abigaila; indro, nanao fanasana tao an-tranony izy, toy ny fanasan'ny mpanjaka; ary ny fon'ny mpanjaka faly tao anatiny, satria mamo tanteraka izy. Ka tsy niteny na inona na inona izy mandra-parain'ny andro.
\s5
\v 37 Nony maraina, rehefa nisava ny divain'i Nabala, dia nolazain'ny vadiny taminy ireo zavatra ireo; dia nilofika tao anatiny ny fony, ary nanjary toy ny vato izy.
\v 38 Ary folo andro taty aoriana dia namely an'i Nabala i Yaveh ka maty izy.
\s5
\v 39 Rehefa ren'i Davida fa nodimandry i Nabala, dia hoy izy: "Isaorana anie Yaveh, ilay nanala ny faniratsirana ahy avy amin'ny tanan'i Nabala, sy niaro ny mpanompony tamin'ny ratsy. Nampody ny ratsy nataon'i Nabala teo amin'ny lohany ihany izy." Avy eo Davida naniraka ary niresaka tamin'i Abigaila, mba haka azy ho vady.
\v 40 Rehefa tonga tany amin'i Abigaila tany Karmela ireo mpanompon'i Davida, dia niresaka taminy izy ireo ary nanao hoe: "Nandefa anay ho aty aminao i Davida mba haka anao ho vadiny."
\s5
\v 41 Dia nitsangana izy, nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany, ary nanao hoe: "Indro, ny mpanompo vavinao dia mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon'ny tompoko."
\v 42 Dia nitsangana faingana i Abigaila, ary nitaingina ny boriky niaraka tamin'ireo mpanompo vaviny dimy izay nanaraka azy; ary nanaraka ireo irak'i Davida izy ka lasa vadiny.
\s5
\v 43 Dia nalain'i Davida ho vadiny ihany koa Ahinoama Jezirela; dia samy lasa vadiny izy roa.
\v 44 Ary koa, Saoly nanolotra an'i Mikala zanany vavy, vadin'i Davida, ho an'i Palty zanaka lahin'i Laisa, izay avy any Galima.
\s5
\c 26
\p
\v 1 Tonga tany amin'i Saoly tany Gibea ireo Zifita ary niteny hoe: "Tsy miafina any amin'ny lohasahan'i Hakila, izay mifanatrika amin'i Jesimona ve i Davida?"
\v 2 Dia niainga i Saoly ka nidina nankany amin'ny efitr'i Zifa, nitondra lehilahin'Israely voafantina telo arivo niaraka taminy, mba hitady an'i Davida any an-tany efitr'i Zifa.
\s5
\v 3 Nitoby teo amin'ny havoan'i Hakila i Saoly, izay nanatrika an'i Jesimona, teo amoron-dalana. Fa nitoetra tany an'efitra i Davida, ary hitany fa tamy hitady azy tany an'efitra i Saoly.
\v 4 Koa naniraka mpitsikilo i Davida ka nahafantatra fa tena tonga tokoa i Saoly.
\s5
\v 5 Nitsangana i Davida ary nandeha tany amin'ny toerana izay nitobian'i Saoly; hitany ilay toerana nandrian'i Saoly, sy Abnera zanak'i Nera, ilay jeneralin'ny tafiny; nandry tao an-toby i Saoly, ary nitoby nanodidina azy ireo olona, samy sondrian-tory avokoa.
\s5
\v 6 Dia hoy i Davida tamin'i Ahimeleka Hitita, sy tamin'i Abisay zanak'i Zeroia, rahalahin'i Joaba hoe: "Iza no handeha hidina ho any amin'i Saoly ao an-toby miaraka amiko?" Hoy Abisay hoe: "Izaho! Hidina miaraka aminao aho."
\v 7 Koa nankany amin'ny tafika i Davida sy Abisay ny alina. Natory tao an-toby niaraka tamin'ny lefony nitsatoka tamin'ny tany teo akaikin'ny lohany i Saoly. Nandry nanodidina azy i Abnera sy ireo miaramilany.
\v 8 Dia hoy Abisay tamin'i Davida hoe: "Napetrak'Andriamanitra ho eo an-tananao ny fahavalonao anio. Avelao re aho izao hanindrona azy ho amin'ny tany indray mamely monja amin'ny lefona. Tsy hamely azy fanindroany akory aho."
\s5
\v 9 Hoy Davida tamin'i Abisay hoe: "Aza mamono azy; fa iza no afaka maninjitra ny tanany hamely ilay voahosotr'i Yaveh ka tsy ho meloka?"
\v 10 Hoy i Davida hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia Yaveh no hamono azy, na ho tonga ny andro hahafatesany, na handeha hiady izy ka ho faty.
\s5
\v 11 Ho raràn'i Yaveh anie ny haninjirako ny tanako hamely ilay voahosony; fa ankehitriny, miangavy aminao aho, raiso ny lefona izay eo an-dohany sy ny sinin-drano, ary andao andeha."
\v 12 Koa dia nalain'i Davida avy teo an-dohan'i Saoly ilay lefona sy ilay sinin-drano, dia niala izy ireo. Tsy nisy nahita azy ireo na nahalala momba izany, na nisy olona nifoha, fa resin-tory avokoa izy ireo, satria nilatsaka tamin'izy ireo ny torimaso lalina avy amin'i Yaveh.
\s5
\v 13 Dia nandeha teny ampita i Davida ary nijoro teo an-tampon'ny tendrombohitra lavitra teny; nisy halavirana lehibe nanelanelana azy ireo.
\v 14 Nitabataba mafy tamin'ireo vahoaka sy Abnera zanak'i Nera i Davida; hoy izy hoe: "Tsy mamaly ve ianao, ry Abnera?" Dia namaly Abnera ka nanao hoe: "Iza ianao izao miantsoantso ny mpanjaka izao?"
\s5
\v 15 Hoy Davida tamin'i Abnera hoe: "Tsy enao ve ilay lehilahy be herim-po? Iza no tahaka anao eto Israely? Nahoana ary ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy olona niditra hamono ny mpanjaka tomponao.
\v 16 Tsy tsara izao zavatra nataonao izao. Raha mbola velona koa Yaveh, dia mendrika ny ho faty ianao satria tsy niambina ny tomponao, dia ilay voahosotr'i Yaveh. Ankehitriny dia jereo izay misy ny lefon'ny mpanjaka sy ny sinin-drano teo akaikin'ny lohany!"
\s5
\v 17 Nahatsiaro ny feon'i Davida i Saoly ka nanao hoe: "Feonao ve izany, ry Davida zanako lahy?" Hoy Davida hoe: "Feoko izany, ry mpanjaka, tompoko."
\v 18 Hoy izy hoe: "Nahoana no manenjika ny mpanompony ny tompoko? Inona re no nataoko? Inona no ratsy eo an-tanako?
\s5
\v 19 Ankehitriny ary, miangavy aminao aho, aoka ny tompoko mpanjaka hihaino ny tenin'ny manompony. Raha Yaveh no nampientana anao hanohitra ahy, aoka Izy hanaiky fanatitra iray; fa raha olombelona izany, dia ho voaozona eo imason'i Yaveh anie izy, fa nandroaka ahy izy ireo androany, mba tsy hifikirako amin'ny lovan'i Yaveh; hoy izy ireo tamiko hoe: 'Mandehana manompo andriamani-kafa.'
\v 20 Ankehitriny ary, aza avela ho very eo amin'ny tany lavitry ny fanatrehan'i Yaveh ny ràko; fa efa nivoaka hitady ilay parasy kely iray tahaka ny hihazan'ny olona tsipoy iray any amin'ireo tendrombohitra ny mpanjakan'Israely."
\s5
\v 21 Dia hoy i Saoly hoe: "Nanota aho. Miverena, ry Davida, zanako lahy; fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Indro, niadaladala aho ary nanao fahadisoana ratsy indrindra."
\s5
\v 22 Namaly i Davida ka nanao hoe: "Indro, ity ny lefonao, ry mpanjaka! Aoka hisy iray amin'ireo tovolahy hiampita ary haka izany ka hitondra izany any aminao.
\v 23 Yaveh anie hamaly ny olona tsirairay nohon'ny fahamarinany sy ny fahatokiany avy; satria nametraka anao teo an-tanako Yaveh androany, saingy tsy namely ny voahosony aho.
\s5
\v 24 Indro, toy ny naha-sarobidy ny ainao teo imasoko androany, dia enga anie ka homen-danja eo imason'i Yaveh tahaka izany ny aiko, ary hanavotra ahy amin'ny fahoriana rehetra anie Izy."
\v 25 Dia hoy i Saoly tamin'i Davida: "Ho tahiana anie ianao, ry Davida zanako! Hanao zavatra lehibe tokoa ianao ary ho ambinina amin'izany." Koa nizotra tamin'ny lalany i Davida, ary niverina tany amin'ny toerany i Saoly.
\s5
\c 27
\p
\v 1 Niteny tao am-pony i Davida hoe: "Ho fatin'ny tanan'i Saoly aho indray andro any; tsy misy soa ho ahy afa-tsy ny mandositra mankany amin'ny tanin'ireo Filistina; tsy hitady ahy eran'ny fari-tanin'ny Israely rehetra intsony i Saoly; amin'izany lalana izany no handosirako hiala amin'ny tanany."
\s5
\v 2 Nitsangana i Davida ary niainga, izy sy ireo lehilahy enin-jato izay niaraka taminy, ho any amin'i Akisy zanak'i Maoka, mpanjakan'i Gata.
\v 3 Nonina niaraka tamin'i Akisy tao Gata i Davida, izy sy ireo lehilahiny, ny lehilahy tsirairay miaraka amin'ny ankohonany avy, ary Davida miaraka amin'ireo vadiny roa, Ahinoama Jerizelita sy Abigaila Karmelita, vadin'i Nabala.
\v 4 Nambara tamin'i Saoly fa nandositra any Gata i Davida, ka tsy nitady azy intsony izy.
\s5
\v 5 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Raha nahita fitia teo imasonao aho, aoka izy ireo hanome toerana ao amin'ny tanàna iray eo amin'ny firenena ho ahy, ka hahafahako monina any: fa nahoana ny mpanomponao no hiara-hitoetra ao an-tanànan'ny mpanjaka miaraka aminao?"
\v 6 Dia nomen'i Akisy azy ny androtr'io Ziklaga; izany no antony nahatonga an'i Ziklaga ho an'ny mpanjakan'i Joda nanomboka tamin'izany andro izany indrindra.
\v 7 Herintaona feno sy efa-bolana no isan'ny andro izay nonenan'i Davida tany amin'ny tanin'ireo Filistina.
\s5
\v 8 Ary toerana maro isan-karazany no notafihan'i Davida sy ireo lehilahiny, nanao fanafihana tany Gesorita, Gizrita, ary Amalekita; satria ireo firenena ireo dia mponina tao amin'ny tany, raha hankany sora, ka hatrany amin'ny tany Egypta ianao. Efa nonina tany izy ireo fahiny.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "ireo Gizrita," izay hita ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, ny dikan-teny amin'izao fotoana dia manao hoe: ""Ireo Girizita,"" izay hita eny amin'ny sisin'ny lahatsoratra Hebreo. \f*
\v 9 Nanafika ny tany Davida ary tsy nisy navelany ho velona na lehilahy na vehivavy; nentiny ny ondry, ny omby, ny ampondra, ny rameva, ary ny fitafiana; ary niverina ho any amin'i Akisy indray izy.
\s5
\v 10 Dia hoy i Akisy hoe: "Iza no notafihanareo androany?" Dia namaly i Davida hoe: "Ny atsimon'i Joda," na "Ny atsimon'ireo Jaramelita," na "Ny atsimon'ireo Kenita."
\s5
\v 11 Tsy nisy navelan'i Davida ho velona mba ho entina any Gata na lehilahy na vehivavy, fa hoy izy hoe: "Mba tsy hahafahan'izy ireo miteny hoe: 'Manao izao sy izao Davida." Izany no nataony nandritra ny fotoana rehetra nonenany tany amin'ny firenen'ireo Filistina.
\v 12 Nino an'i Davida i Akisy ka nanao hoe: "Efa nataony izay hankahalan'ny Israely vahoakany azy tanteraka; noho izany dia ho mpanompoko mandrakizay izy."
\s5
\c 28
\p
\v 1 Ary tamin'ireo andro ireo ny Filistina dia nampivondrona ireo tafiny hiady amin'ny Israely. Hoy i Akisy tamin'i Davida: "Fantaro tsara fa hivoaka hiaraka amiko ho any an-toby, ianao sy ireo lehilahinao."
\v 2 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Ho fantatrao izay afaka hataon'ny mpanomponao." Hoy Akisy tamin'i Davida hoe: "Koa hataoko mpiambina ahy raikitra ianao."
\s5
\v 3 Ary maty i Samoela, ary ny Israely rehetra nisaona azy ka nandevina azy tao Rama, tao amin'ny tanàny. Nofongoran'i Saoly tsy ho eo amin'ny tany ihany koa ireo izay niresaka tamin'ny maty na tamin'ireo fanahy.
\v 4 Ary nivondrona niaraka ireo Filistina ary tonga sy nitoby tao Sonema; ary Saoly nampivondrona ireo Israely rehetra, ka nitoby tao Gilboa izy ireo.
\s5
\v 5 Rehefa nahita ny tafik'ireo Filistina i Saoly, dia natahotra izy, ary nihorohoro mafy ny fony.
\v 6 Nitalaho fanampiana tamin'i Yaveh i Saoly, kanefa tsy namaly azy i Yaveh—na tamin'ny nofy, na tamin'i Orima, na tamin'ireo mpaminany.
\v 7 Ary hoy i Saoly tamin'ireo mpanompony: "Hitadiavo vehivavy miresaka amin'ny maty aho, mba hahafahako mankany aminy ary mitady hevitra aminy." Hoy ireo mpanompony taminy: "Indro, misy vehivavy any Andora izay milaza fa miresaka amin'ny maty."
\s5
\v 8 Nanova endrika i Saoly, nanao akanjo hafa, ary nandeha, izy sy ireo lehilahy roa niaraka taminy; nankany amin'ilay vehivavy izy ireo ny alina. Hoy izy: "Mitalaho aminao aho, manaova fiantsoana ny maty ho ahy, miaraka amin'ny fanahy, ary ento miakatra izay anarana lazaiko anao."
\v 9 Hoy ilay vehivavy taminy: "Indro, fantatrao izay nataon'i Saoly, izay namongorany izay miresaka amin'ny maty na amin'ireo fanahy tsy ho eo amin'ny tany. Koa nahoana ianao no mametraka fandrika ho an'ny aiko, mba hahafaty ahy?"
\v 10 Nianiana taminy tamin'ny alalan'i Yaveh i Saoly ka nanao hoe: "Raha mbola velona koa Yaveh, dia tsy hisy fanasaziana hiatra aminao noho izao zavatra izao."
\s5
\v 11 Ary hoy ilay vehivavy: "Iza no tokony ho entiko miakatra eto aminao?" Hoy i Saoly: "Ento miakatra ho ahy i Samoela."
\v 12 Raha nahita an'i Samoela ilay vehivavy, dia nihiaka mafy izy ary niresaka tamin'i Saoly nanao hoe: "Nahoana ianao no namitaka ahy? Fa Saoly ianao."
\s5
\v 13 Hoy ny mpanjaka taminy: "Aza matahotra. Inona no hitanao?" Hoy ilay vehivavy tamin'i Saoly: "Mahita andriamanitra miakatra avy ao amin'ny tany aho."
\v 14 Hoy izy taminy: "Tahaka ny ahoana ny endriny?" Hoy izy: "Lehilahy antitra no avy miakatra; manao akanjo lava izy." Fantatr'i Saoly fa i Samoela izany, ka nampiankohoka ny tavany tamin'ny tany izy ary naneho fanajana.
\s5
\v 15 Hoy Samoela tamin'i Saoly: "Nahoana ianao no nanakorontana ahy ka nitondra ahy niakatra?" Saoly namaly hoe: "Ory loatra aho, satria ireo Filistina dia miantsy ady hanohitra ahy, ary Andriamanitra nandao ahy ary tsy namaly ahy intsony, na tamin'ireo mpaminany, na tamin'ireo nofy. Noho izany dia niantso anao aho, mba hahafahanao mampahafantatra ahy izay tokony ataoko."
\s5
\v 16 Hoy i Samoela: "Inona ary no anontanianao ahy, satria nandao anao Yaveh, ary tonga fahavalonao Izy?
\v 17 Nataon'i Yaveh taminao izay efa nolazainy hataony. Efa nanatsoaka ny fanjakana tsy ho eo an-tananao izy ary nanome izany ho an'olon-kafa—ho an'i Davida.
\s5
\v 18 Satria ianao tsy nankatoa ny feon'i Yaveh ary tsy nitondra ny firehetan'ny fahatezerany tamin'ny Amalekita, dia nataony taminao izany androany.
\v 19 Ankoatra izany, i Yaveh dia hanolotra anao sy ny Israely ho eo an-tanan'ireo Filistina. Rahampitso ianao sy ireo zanakao lahy dia hiaraka amiko. Hatolotr'i Yaveh ho eo an-tanan'ireo Filistina ihany koa ny tafik'Israely."
\s5
\v 20 Avy hatrany dia lavo niampatra tamin'ny tany i Saoly ary tena natahotra izy noho ireo tenin'i Samoela. Tsy nisy hery tao anatiny, satria tsy nihinan-kanina izy nandritra ny andro tontolo, na tamin'ny alina tontolo.
\v 21 Nankeo amin'i Saoly ilay vehivavy ary nahita fa tena nikorontan-tsaina izy, hoy izy taminy: "Indro, ny mpanompovavinao efa nihaino ny feonao; efa napetrako teo am-pelatanako ny aiko ary efa nihaino ireo teninao izay nambaranao tamiko.
\s5
\v 22 Koa ankehitriny, mitalaho aminao aho, henoy ihany koa ny feon'ny mpanompovavinao, ary avelao aho hametraka sakafo kely eo anoloanao. Mihinàna mba hahazoanao hery rehefa handeha amin'ny lalanao ianao."
\v 23 Fa i Saoly nandà ary niteny hoe: "Tsy hihinana aho." Fa ireo mpanompony, niaraka tamin'ilay vehivavy, nanery azy, ka dia nihaino ny feon'izy ireo izy. Koa nitsangana avy eo amin'ny tany izy ary nipetraka teo am-pandriana.
\s5
\v 24 Nanana zanak'omby nifahy tao an-tranony ilay vehivavy; nandeha haingana izy ary namono izany; naka koba izy, nanafangaro izany, ary nanendy ny mofo tsy misy lalivay niaraka tamin'izany.
\v 25 Nentiny teo anoloan'i Saoly sy ireo mpanompony izany, ary nihinana izy ireo. Ary nitsangana izy ireo ka lasa ny alin'iny.
\s5
\c 29
\p
\v 1 Ary namory ireo tafiny rehetra tao Afeka ireo Filistina;
\v 2 nitoby teo akaikin'ny loharano izay tany Jezirela ireo Israelita. Nozarain'ireo andrian'ny Filistina an-jatony sy an'arivony ny miaramila; Davida sy ireo olony nandeha avy teo amin'ny mpiambina ny vodilalana niaraka tamin'i Akisy.
\s5
\v 3 Ary hoy ireo andrian'ny Filistina: "Inona no ataon'ireo Hebreo ireo aty?" Hoy Akisy tamin'ireo andrian'ny Filistina hafa: "Fa tsy i Davida ve io, ilay mpanompon'i Saoly, mpanjakan'Israely, izay efa niaraka tamiko tamin'ireny andro ireny, na tamin'ireny taona ireny akory aza, ary tsy nahita fahadisoana taminy aho hatramin'izay niarahany tamiko ka hatramin'ny androany?"
\s5
\v 4 Nefa ireo andrian'ny Filistina dia tezitra taminy; hoy izy ireo taminy: "Alefaso mandeha any izany lehilahy izany, aoka izy hiverina any amin'ny toerany izay nomenao azy; aza avela mandeha miaraka amintsika ho any amin'ny ady izy, mba tsy ho lasa fahavalontsika amin'ny ady izy. Fa ahoana no ahafahan'io namana io hihavana amin'ny tompony? Moa ve tsy amin'ny alalan'ireo lohan'ny olontsika?
\s5
\v 5 Moa ve tsy io i Davida ilay nifampihiran'izy ireo tamim-pandihizana, nanao hoe: 'Nahafaty an'arivony i Saoly, ary Davida nahafaty an'aliny'?"
\s5
\v 6 Ary Akisy niantso an'i Davida ka nanao taminy hoe: "Raha mbola velona koa i Yaveh, dia tsara ianao, ary sitrako ny miara-mivoaka sy miaraka aminao ao amin'ny tafika; fa tsy mbola nahita fahadisoana taminao aho hatramin'ny andro nahatongavanao taty amiko ka hatramin'ny androany. Na dia izany aza, dia tsy ankasitrahin'ireo andriana ianao.
\v 7 Koa ankehitriny miverena ary mandehana am-piadanana, mba tsy hampatezitra ireo andrian'ny Filistina ianao."
\s5
\v 8 Hoy i Davida tamin'i Akisy: "Fa inona no nataoko? Inona no hitanao tamin'ny mpanomponao hatramin'izay naha-teo anatrehanao ahy ka hatramin'ny androany, no dia tsy afaka mandeha miady hanohitra ireo fahavalon'ny tompoko mpanjaka aho?"
\v 9 Namaly i Akisy ka nanao tamin'i Davida hoe: "Fantatro fa tsy manan-tsiny tahaka ny anjelin'Andriamanitra eo imasoko ianao; na dia izany aza, ireo andrian'ny Filistina efa nanao hoe: 'Tsy mahazo miakatra miaraka amintsika ho any amin'ny ady izy.'
\s5
\v 10 Koa ankehitriny mifohaza maraim-be miaraka amin'ireo mpanompon'ny tomponao izay tonga niaraka taminao; vantany vao mifoha ianao ny maraim-be ary mazava ny andro, dia mandehana."
\v 11 Ary Davida nifoha maraim-be, izy sy ireo olony, mba hiala maraina, mba hiverina any amin'ny tanin'ny Filistina. Nefa ireo Filistina niakatra tany Jezirela.
\s5
\c 30
\p
\v 1 Ary rehefa tonga tany Ziklaga i Davida sy ireo olony tamin'ny andro fahatelo, dia nanafika teo amin'ny Negeva sy teo amin'i Ziklaga ireo Amalekita. Nanafika an'i Ziklaga izy ireo, ary nandoro izany,
\v 2 ary nisambotra ireo vehivavy sy ny olona rehetra izay tao amin'izany, na kely na lehibe. Tsy namono na iza na iza izy ireo, fa nitondra azy ireo raha nandeha tamin'ny lalany.
\s5
\v 3 Rehefa nankany amin'ilay tanàna i Davida sy ireo olony, dia efa may izany, ary ireo vadiny, ireo zanany lahy, sy ireo zanany vavy dia nalaina ho babo.
\v 4 Avy eo dia nampiaka-peo i Davida sy ireo olona niaraka taminy ary nitomany mandra-paha-tsy nisian'ny hery hitomaniana intsony.
\s5
\v 5 Voababo ireo vadin'i Davida roa, Ahinoama Jezeralita, ary Abigaila vadin'i Nabala Karmelita.
\v 6 Ory tanteraka i Davida, satria niresaka momba ny hitoraham-bato azy ny vahoaka, satria mangidy ara-panahy ny vahoaka rehetra, ny olona tsirairay noho ny amin'ireo zanany lahy sy ireo zanany vavy; fa Davida nanatanjaka ny tenany tamin'i Yaveh, Andriamaniny.
\s5
\v 7 Hoy i Davida tamin'i Abiatara zanak'i Ahimeleka, ilay mpisorona: "Miangavy aminao aho, ento aty amiko ilay efoda." Dia nentin'i Abiatara teo amin'i Davida ilay efoda.
\v 8 Nangataka torolalana tamin'i Yaveh i Davida, nanao hoe: "Raha manenjika io antoko io aho, ho azoko ve izy ireo?" Ary Yaveh namaly azy: "Enjeho, fa azo antoka fa ho azonao tokoa izy ireo, ary azo antoka fa hamerina ny zavatra rehetra ianao."
\s5
\v 9 Dia nandeha i Davida, izy sy ireo eninjato lahy izay niaraka taminy; ary tonga tany amin'ny reniranon'i Besora izy ireo, izay nijanon'ireo izay taraiky tany aoriana.
\v 10 Fa nanohy ny fanejehana i Davida, izy sy ireo efajato lahy; fa ny roanjato nijanona tao aoriana, izay tena osa ka tsy afaka ny handeha eo amin'ny lohasahan-driakan'i Besora.
\s5
\v 11 Nahita Egyptiana iray teny an-tsaha izy ireo ary nitondra azy tany amin'i Davida; nomen'izy ireo mofo izy, ary nihinana; nomen'izy ireo rano ho sotroina izy;
\v 12 ary nomen'izy ireo ampahana mofomamin'aviavy sy sampam-boaloboka roa izy. Rehefa nihinana izy, dia nahazo hery indray, satria tsy nihinana mofo na nisotro rano nandritra ny telo andro sy telo alina izy.
\s5
\v 13 Hoy i Davida taminy: "An'iza moa ianao? Avy aiza ianao?" Dia hoy izy: "Tovolahin'i Egypta aho, mpanompona Amalekita iray; nandao ahy ny tompoko satria narary aho telo andro lasa izay.
\v 14 Nanafika an'i Negevan'i Keretita izahay, sy izay an'i Joda, ary Negevan'i Kaleba, ary nodoranay i Ziklaga."
\s5
\v 15 Hoy i Davida taminy: "Hitondra ahy hidina any amin'ny antoko mpanafika ve ianao?" Hoy ilay Egyptiana: "Mianiàna amiko amin'Andriamanitra mba tsy hamononao ahy na hamadihanao ahy eo am-pelatanan'ny tompoko, dia hitondra anao hidina amin'izany antoko mpanafika izany aho."
\s5
\v 16 Rehefa nitondra an'i Davida nidina ilay Egyptiana, dia niparitaka teo amin'ny tany rehetra ireo mpanafika, nihinana sy nisotro ary nandihy noho ireo babo rehetra izay nalan'izy ireo tamin'ny tanin'ireo Filistina ary tamin'ny tanin'i Joda.
\v 17 Nanafika azy ireo i Davida nanomboka ny hariva ka hatramin'ny harivan'ny andro manaraka. Tsy nisy na olona iray aza tafatsoaka afa-tsy ireo tovolahy efajato, izay nitaingina rameva ka nandositra.
\s5
\v 18 Dia tafaverin'i Davida izay nalain'ireo Amalekita rehetra; ary voavotr'i Davida ireo vadiny roa.
\v 19 Tsy nisy zavatra tsy ampy, na kely na lehibe, na ireo zanany lahy na ireo zanany vavy, na ireo babo, na ny zavatra rehetra izay nobaboin'ireo mpanafika ho azy ireo. Naverin'i Davida ny zavatra rehetra.
\v 20 Nalain'i Davida ireo ondry aman'osy rehetra sy ireo omby, izay nentin'ireo olona nialoha ny biby fiompy hafa. Hoy izy ireo hoe: "Ireo no babon'i Davida."
\s5
\v 21 Tonga tany amin'ireo olona roanjato izay tena osa raha hanaraka azy i Davida, ireo izay nataon'ireo hafa nijanona tany amin'ny reniranon'i Besora. Ireo lehilahy ireo dia nandroso mba hihaona amin'i Davida sy ireo vahoaka niaraka taminy. Rehefa tonga teo amin'ireo olona ireo i Davida, dia niarahaba azy ireo izy.
\v 22 Ireo olona ratsy fanahy sy ireo namana tsy misy ilàna azy teo amin'ireo izay efa nandeha niaraka tamin'i Davida nilaza hoe: "Satria tsy nandeha niaraka tamintsika ireo lehilahy ireo, dia tsy hanome azy ireo babo izay efa azontsika isika. Raha tsy hoe afaka maka ny vadiny sy ireo zanany ireo lehilahy tsirairay, ka mitarika azy ireo, ary mandeha."
\s5
\v 23 Ary hoy i Davida: "Tsy tokony hanao izany, amin'izay efa nomen'i Yaveh antsika, ianareo ry rahalahiko. Efa narovany isika ary efa natolony teo an-tanàntsika ireo mpanafika izay tonga nanohitra antsika.
\v 24 Iza no hihaino anao amin'izany tranga izany? Fa ny fizarana dia ho an'izay mandeha amin'ny ady, sy ho an'ny olona izay miandry ny entana ihany koa; fa hizara mitovy izy ireo."
\v 25 Dia toy izany ny tamin'izany andro izany ka hatramin'izao, satria nataon'i Davida ho didy sy lalàna ho an'ny Israely izany.
\s5
\v 26 Rehefa tonga tany Ziklaga i Davida, dia nandefa ny sasany tamin'ireo babo ho an'ireo loholon'i Joda, ho an'ireo namany izy, nanao hoe: "Indro, inty misy fanomezana ho anao avy amin'ilay babo avy amin'ireo fahavalon'i Yaveh."
\v 27 Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Betela ihany koa izy, ary ho an'ireo izay tany Ramotan'ny atsimo, sy ho an'ireo izay any Jatira,
\v 28 ary ho an'ireo izay any Aroera, sy ho an'ireo izay any Sifmota, ary ho an'ireo izay any Estemoa.
\s5
\v 29 Nandefa ny sasany tany amin'ireo loholona izay any Rakala, sy ireo izay any amin'ny tanànan'i Jeramelita, ary ireo izay any amin'ny tanànan'ireo Kenita,
\v 30 ary ho an'ireo izay any Horma, sy ireo izay any Korsana, ary ho an'ireo izay any Ataka,
\v 31 sy ireo izay any Hebrona, ary amin'ireo toerana rehetra izay nandehanan'i Davida sy ireo olony matetika izy.
\s5
\c 31
\p
\v 1 Ary ireo Filistina niady nanohitra an'Israely. Ary ny lehilahin'Israely nandositra teo alohan'ny Filistina ary lavo maty teo amin'ny Tendrombohitr'i Gilboa.
\v 2 Ireo Filistina nanenjika akaiky an'i Saoly sy ireo zanany lahy. Novonoin'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba, ary i Malkisoa, zanany lahy.
\v 3 Niha-henjana teo anatrehan'i Saoly ny ady, ary ireo mpandefa zana-tsipìka nahavoa azy. Tao anatin'ny fanaintainana mafy izy nohon'ny amin'izy ireo.
\s5
\v 4 Ary hoy i Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: "Avoahy ny sabatrao ary trobahy amin'izany aho. Raha tsy izany, ireo tsy voafora ireo no ho tonga ka hanararaotra ahy." Fa tsy nanao izany ilay mpitondra ny fiadiany, satria natahotra mafy izy. Koa nalain'i Saoly ny sabany ary nianjera tambon'izany izy.
\v 5 Rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty i Saoly, dia nianjera tambonin'ny sabany tahaka izany koa izy ka maty niaraka taminy.
\v 6 Ka dia maty i Saoly, ireo zanany telo lahy, ary ny mpitondra ny fiadiany—ireo lehilahy ireo dia niara-maty tamin'iny andro iny ihany.
\s5
\v 7 Rehefa hitan'ny lehilahin'Israely izay teny ampitan'ny lohasaha, sy ireo izay teny an-dafin'i Jordana, fa nandositra ny lehilahin'Israely, ary maty i Saoly sy ireo zanany lahy, dia nandao ny tanànany ary nandositra izy ireo, ary tonga ireo Filistina ka nonina teo amin'ireo.
\v 8 Ary ny ampitson'iny, rehefa tonga hanaisotra ireo faty ireo Filistina, no nahita ireo an'i Saoly sy ireo zanany telo lahy lavo teo amin'ny tendrombohitra Gilboa.
\s5
\v 9 Notapahan'izy ireo ny lohany ary nendahiny ny fiadiany, ary nandefa ireo mpitondra hafatra nanerana ireo tanin'ireo Filistina mba hitondra ny vaovao any amin'ny tempolin-tsampin'izy ireo sy any amin'ny vahoaka izy ireo.
\v 10 Napetrak'izy ireo tao amin'ny tempolin'i Astarta ny fiadiany, ary ny vatany nofeheziny teo amin'ny mandan'ny tanànan'i Beti-sana.
\s5
\v 11 Rehefa nandre izay nataon'ireo Filistina tamin'i Saoly ny mponin'i Jabesy Gileada,
\v 12 dia nitsangana ireo lehilahy mpiady rehetra ary nandeha ny alina manontolo ka naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ireo zanany lahy teo amin'ny mandan'i Beta-sana. Nankany Jabesa izy ireo ary nodorany teo ireo.
\v 13 Ary nalain'izy ireo ny taolan'izy ireo avy eo ka nalevina tambanin'ny hazo tamariska tao Jabesy, ary nifady hanina nandritra ny fito andro izy ireo.