plt_ulb/07-JDG.usfm

1272 lines
116 KiB
Plaintext

\id JDG
\ide UTF-8
\h Mpitsara
\toc1 Mpitsara
\toc2 Mpitsara
\toc3 jdg
\mt Mpitsara
\s5
\c 1
\p
\v 1 Taorian'ny nahafatesan'i Josoa, nanontany an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, nanao hoe: "Iza no hanafika voalohany ireo Kananita ho anay, mba hiady amin'izy ireo?"
\v 2 Dia hoy Yaveh: "Hanafika i Joda. Indro, efa nomeko azy ireo ny fifehezana ity tany ity."
\v 3 Ireo lehilahin'i Joda niteny tamin'ireo lehilahin'i Simeona, rahalahan'izy ireo hoe: "Miakara miaraka aminay any amin'ny faritaninay izay voatendry ho anay fa isika miaraka no afaka miady amin'ireo Kananita. Handeha hiaraka aminareo toy izany any amin'ny faritany izay voatendry ho anareo izahay." Ka nanaraka azy ireo ny fokon'i Simeona.
\s5
\v 4 Nanafika ny lehilahin'i Joda, ary nomen'i Yaveh azy ireo ny fandresena an'ireo Kananita sy ireo Perezita. Namono lehilahy iray alina tamin'izy ireo tany Bezeka izy ireo.
\v 5 Nahita an'i Adonia Bezeka tany Bezeka izy ireo, ary niady tamin'izy ireo ka nandresy ireo Kananita sy ireo Perezita.
\s5
\v 6 Fa nitsoaka i Adonia Bezeka, ary nenjehin'izy ireo izy ka tratrany, ary notapahin'izy ireo ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongony.
\v 7 Dia hoy i Adonia Bezeka: "Mpanjaka fitopolo, izay tapaka ny ankihiben-tanany sy ny ankihiben-tongotr'izy ireo, no nanangona ny sakafon'izy ireo tao ambanin'ny latabatro. Tahaka izay efa nataoko, dia toy izany ihany koa no nataon'Andriamanitra tamiko." Nentin'izy ireo tany Jerosalema izy, ary maty tany.
\s5
\v 8 Niady tamin'ny tanànan'i Jerosalema ireo lehilahin'i Joda ary naka izany. Nanafika izany tamin'ny lela-tsabatra izy ireo ary nandoro ny tanàna.
\v 9 Taorian'izany, nidina hiady amin'ireo Kananita izay nitoetra tany amin'ny tany havoana, tany Negeva, sy tany andrefan'ny tendrombohitra mitandavana ireo lehilahin'i Joda.
\v 10 Nandroso nanohitra ireo Kananita izay nipetraka tany Hebrona i Joda (ny anaran'i Hebrona teo aloha dia i Kiriata Arba), ary nandresy an'i Sesay, Ahimana, ary Talmay izy ireo.
\s5
\v 11 Avy teny no nandroso nanohitra ireo mponin'ny Debira ireo lehilahin'i Joda (ny anaran'i Debira teo aloha dia i Kiriaty Sefera).
\v 12 Hoy i Kaleba: "Na iza na iza manafika an'i Kiriaty Sefera ary maka izany, dia homeko azy i Aksa, zanako vavy, mba ho vadiny."
\v 13 Otniela, zanaka lahin'i Kenaza (zandry lahin'i Kaleba) nisambotra an'i Debira, ka dia nomen'i Kaleba azy i Aksa, zanany vavy, mba ho vadiny.
\s5
\v 14 Tsy ela dia tonga tany amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisika azy hangataka amin'ny rainy mba hanome saha iray azy izy. Raha niala tamin'ny ampondrany izy, dia nanontany azy Kaleba hoe: "Inona no azoko atao anao?"
\v 15 Ary hoy izy taminy: "Omeo tso-drano aho. Satria efa nomenao ahy ny tany Negeva, dia omeo loharano ihany koa aho." Ka dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
\s5
\v 16 Ny taranaky ny rafozan-dahin'i Mosesy ilay Kenita dia niakatra avy tany amin'ny Tanànan-drofia niaraka tamin'ny vahoakan'i Joda, nankany an'efitr'i Joda, izay tany Negeva, mba hiaina miaraka amin'ny vahoakan'i Joda akaikin'i Arada.
\v 17 Ny lehilahin'i Joda nandeha niaraka tamin'ireo lehilahin'i Simeona rahalahin'izy ireo ary nanafika ireo Kananita izay nonina tany Zefata izy ireo ary noravan'izy ireo tanteraka izany. Ny anaran'ilay tanàna dia nantsoina hoe Horma.
\s5
\v 18 Nosamborin'ny vahoakan'i Joda ihany koa i Gaza sy ireo tany manodidina azy, Askelona sy ny tany manodidina azy, ary Ekrona sy ny tany manodidina azy.
\v 19 Niaraka tamin'ireo vahoakan'i Joda i Yaveh ary naka ny tany havoana izy ireo, nefa tsy afaka nandroaka ireo mponin'ny tany lemaka nohon'ny fananan'izy ireo kalesy vy.
\s5
\v 20 Nomena an'i Kaleba i Hebrona (araka ny efa nolazain'i Mosesy), ary noroahiny tao ireo zanaka telo lahin'i Anaka.
\v 21 Nefa tsy nandroaka ireo Jebosita izay mponin'i Jerosalema ny vahoakan'i Benjamina. Ka dia nonina niaraka tamin'ny vahoakan'i Benjamina tao Jerosalema ireo Jebosita mandrak'androany.
\s5
\v 22 Ny ankohonan'i Josefa dia niomana hanafika an'i Betela, ary nomba azy ireo i Yaveh.
\v 23 Naniraka lehilahy hitsikilo an'i Betela izy ireo (ilay tanàna izay nantsoina hoe Lozy teo aloha).
\v 24 Nahita lehilahy nivoaka ny tanàna ireo mpitsikilo, dia hoy izy ireo taminy: "Mba asehoy anay re, ny fomba hidirana ao amin'ny tanàna, dia ho tsara fanahy aminareo izahay."
\s5
\v 25 Dia nasehony azy ireo ny lalana mankao amin'ny tanàna, ka dia nanafika ny tanàna tamin'ny lelan-tsabatra izy ireo, nefa navelan'izy ireo nandeha ilay lehilahy sy ny fianakaviany.
\v 26 Avy eo dia nankany amin'ny tanin'ireo Hetita ilay lehilahy ka nanorina tanàna ary nantsoiny hoe Lozy izany, izay anarany mandrak'androany.
\s5
\v 27 Tsy noroahin'ireo vahoakan'ny Manase ireo vahoaka nitoetra tany amin'ny tanànan'i Beta Sana sy ireo zana-bohiny, na Tanasa sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Dora sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tao Ibleama sy ireo zana-bohiny, na ireo izay nonina tany Megido sy ireo zana-bohiny, satria efa tapa-kevitra ny hitoetra amin'izany tany izany ireo Kananita.
\v 28 Rehefa lasa natanjaka i Israely, dia noteren'izy ireo hanompo azy ireo tamin'ny asa mafy ireo Kananita, nefa tsy mbola nandroaka azy ireo tanteraka izy ireo.
\s5
\v 29 Tsy noroahin'i Efraima ireo Kananita izay nonina tany Gezera, ka dia nonina tany Gezera teo amin'izy ireo hatrany ireo Kananita.
\s5
\v 30 Tsy noroahin'i Zebolona ny vahoaka nipetraka tany Kitrona, na ny vahoaka nipetraka tany Nahalola, ary dia nitoetra teo amin'izy ireo hatrany ireo Kananita, nefa noteren'i Zebolona hanompo azy ireo tamin'ny asa mafy ireo Kananita.
\s5
\v 31 Tsy noroahin'i Asera ny vahoaka nitoetra tany Ako, na ny vahoaka nitoetra tany Sidona, na ireo izay nitoetra tany Alaba, Akziba, Helba, Afika, na Rehoba.
\v 32 Ka dia nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Asera (ireo izay efa nitoetra tao amin'ilay tany), satria tsy nandroaka azy ireo izy ireo.
\s5
\v 33 Tsy noroahin'ny fokon'i Naftaly ireo izay nitoetra tany Beta Semesa, na ireo izay nitoetra tany Beta Anata. Ka dia nitoetra teo amin'ireo Kananita ny fokon'i Naftaly (ny vahoaka izay efa nitoetra tamin'izany tany izany). Na izany aza, noterena tanatin'ny asa mafy ho an'i Naftaly ireo mponin'i Beta Semesa sy Beta Anata.
\s5
\v 34 Noteren'ireo Amorita hitoetra any amin'ny tany havoana ny fokon'i Dana, ary tsy navelany nidina tany amin'ny lemaka izy ireo.
\v 35 Ka dia nonina tao an-tendrombohitr'i Heresa, tany Aijalona, ary tany Salbima ireo Amorita, nefa ny miaramila maherin'ny ankohonan'i Josefa nandresy azy ireo, ary dia noteren'izy ireo hanompo azy amin'ny asa mafy izy ireo.
\v 36 Nihitatra avy tany amin'ny havoan'i Akrabima any Sela niakatra hatrany amin'ny tany havoana ny sisin-tanin'ireo Amorita.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Niakatra avy tao Gilgala hankany Bokima anjelin'i Yaveh, ary nanao hoe: "Nitondra anareo niakatra avy tao Egypta Aho, ary nitondra anareo tany amin'ny tany nianianako homena ireo razanareo. Hoy aho: 'Tsy handrava ny fanekeko aminareo mihitsy Aho.
\v 2 Aza manao fanekena amin'ireo izay mipetraka ao amin'ity tany ity ianareo. Aoka horavanareo ny alitaran'izy ireo.' Nefa tsy nihaino ny feoko ianareo. Fa inona ity nataonareo?
\s5
\v 3 Koa ankehitriny aho dia milaza fa: 'Tsy handroaka ireo Kananita eo anatrehanareo Aho, fa ho lasa tsilo eo anilanareo izy ireo, ary ireo andriamaniny dia ho lasa fandrika ho anareo.'"
\v 4 Raha niteny ireo teny ireo tamin'ny vahoakan'i Israely rehetra ny anjelin'Andriamanitra, dia nihiaka sy nitomany ny vahoaka.
\v 5 Nantsoin'izy ireo hoe Bokima izany toerana izany. Nanolotra fanatitra ho an'i Yaveh tao izy ireo.
\s5
\v 6 Ary rehefa naniraka ny vahoaka tamin'ny lalan'izy ireo Josoa, dia nankany amin'ny toerana voatendry ny vahoakan'i Israely tsirairay, mba haka ny tanin'izy ireo.
\v 7 Nanompo an'i Yaveh nandritra ny androm-piainan'i Josoa sy ireo loholona izay mbola velona taoriany ny vahoaka, ary ireo izay nahita ny asa lehiben'i Yaveh rehetra nataony ho an'Israely.
\v 8 Josoa zanaka lahin'i Nona mpanompon'i Yaveh, dia maty teo amin'ny faha-110 taonany.
\s5
\v 9 Nandevina azy tao amin'ny faritanin'ny tany nanendrena azy tao Timnata-heresa izy ireo, tao amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny Tendrombohitr'i Gasa.
\v 10 Izany taranaka rehetra izany ihany koa dia nangonina ho amin'ny razan'izy ireo. Nisy taranaka hafa nitombo taorian'izy ireo izay tsy nahafantatra an'i Yaveh na izay nataony tamin'ireo Israely.
\s5
\v 11 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh vahoakan'Israely ary nanompo an'i Bala izy ireo.
\v 12 Nisaraka tamin'i Yaveh izy ireo, ny Andriamanitry ny razan'izy ireo, izay nitondra azy ireo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta. Nanaraka ireo andriamani-kafa izy ireo, ireo tena andriamanitr'ireo vahoaka izay nanodidina azy ireo, ary niankohoka tamin'ireo. Nanetsika ny fahatezeran'i Yaveh izy ireo satria
\v 13 nisaraka tamin'i Yaveh ary nanompo an'i Bala sy ireo Astarta.
\s5
\v 14 Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh, ary nomeny an'ireo mpanafika izay nangalatra ny fananan'izy ireo taminy izy ireo. Namidiny ho andevo ireo izay voatazona tamin'ny herin'ny fahavalo manodidina azy ireo, mba tsy hahafahan'izy ireo intsony miaro ny tenany amin'ireo fahavalony.
\v 15 Na taiza na taiza nandehanan'Israely niady, ny tanan'i Yaveh dia nanohitra azy ireo mba handresy azy ireo, araka ny nianianany tamin'izy ireo ary tao anaty fahoriana mahatsiravina izy ireo.
\s5
\v 16 Ary Yaveh nanandratra mpitsara, izay namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo izay nangalatra ny fananan'izy ireo.
\v 17 Nefa tsy nihaino ireo mpitsarany izy ireo. Tsy nahatoky tamin'i Yaveh izy ireo ary nanolotra ny tenany toy ny mpijangajanga tamin'ireo andriamani-kafa sy nanompo ireo. Nivily faingana tamin'ny lalana niainan'ireo razany izy ireo_ireo izay nankatò ny didin'i Yaveh_nefa tsy mba nanao toy izany izy ireo.
\s5
\v 18 Rehefa nanandratra mpitsara ho azy ireo i Yaveh, nanampy ireo mpitsara i Yaeh ary namonjy azy ireo tamin'ny tanan'ireo fahavalon'izy ireo tamin'ny andro rehetra niainanan'ireo mpitsara. Nangoraka azy ireo Yaveh raha nisento noho ireo izay nampahory sy nampijaly azy ireo izy ireo.
\v 19 Fa rehefa maty ny mpitsara, dia niala sy nanao ireo zavatra izay ratsy kokoa noho ny nataon'ireo razany aza izy ireo. Nanaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo sy hidera azy izy ireo. Nandà ny hiala tamin'ireo fanaony ratsy rehetra na tamin'ireo lalan'ny ditrany izy ireo.
\s5
\v 20 Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh; hoy Izy: "Satria ity firenena ity dia nandrava ireo tenin'ny fanekeko izay napetrako ho an'ireo razany_satria tsy nihaino ny feoko izy ireo_
\v 21 Izaho, manombok'izao, dia tsy handroaka eo anoloan'izy ireo na ny iray amin'ireo firenena izay navelan'i Josoa rehefa maty izy.
\v 22 Hanao izany Aho mba hahafahako mitsapa ny Israely, na hitandrina ny lalan'i Yaveh sy handeha amin'izany izy ireo na tsia, toy ny nitandreman'ny razan'izy ireo izany."
\v 23 Izany no antony nandaozan'i Yaveh ireo firenena ireo sy tsy nandroahany azy ireo faingana tao ary nanomezany azy ireo teo an-tanan'i Josoa.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary Yaveh namela firenena ireo mba hitsapana an'i Israely, izany hoe ny olona rehetra tany Israely izay tsy nanana traikefa tamin'ny ady dia niady tany Kanana.
\v 2 (Nanao izany izy mba hampianarana ady an'ireo taranak'Israelita vaovao izay mbola tsy nahalala izany teo aloha).
\v 3 Ireto avy ireo firenena: ireo mpanjaka dimy avy amin'ireo Filistina, ireo Kananita rehetra, ireo Sidoniana, ary ireo Hivita izay nonina tany amin'ireo Tendrombohitra Libanona, hatramin'ny Tendrombohitra Bala-hermona ka hatrany Lalana Hamata.
\s5
\v 4 Navela ireo firenena ireo, izany ny fomba nitsapan'i Yaveh an'Israely, mba hanamafisana na nankatò ireo didy izay nomeny an'ireo razamben'izy ireo tamin'ny alalan'i Mosesy izy ireo.
\v 5 Noho izany ireo vahoakan'Israely dia nonina teo amin'ireo Kananita, ireo Hetita, ireo Amorita, Perizita, ary ireo Jebosita.
\v 6 Ireo zanaka vavin'izy ireo dia nalain'izy ireo mba ho vadin'izy ireo, ary ireo zanaka vavin'izy ireo manokana dia nomen'izy ireo ho an'ny zanaka lahin'izy ireo, ary nanompo ireo andriamaniny izy ireo.
\s5
\v 7 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahoakan'Israely ary nanadino an'i Yaveh Andrimanitr'izy ireo. Nanompo ireo Bala sy ireo Aseraha izy ireo.
\v 8 Noho izany, dia nirehitra tamin'Israely ny fahatezeran'i Yaveh, ary namidiny teo am-pelatanan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama Naharaima izy ireo. Nanompo an'i Kozana-risataima nandritra ny valo taona ireo vahoakan'Israely.
\s5
\v 9 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, dia nanandratra olona mba ho tonga hamonjy ny vahoakan'Israely i Yaveh, sy hanavotra azy ireo: Otniela zanaka lahin'i Kenaza (zandrin'i Kaleba).
\v 10 Nanome hery azy ny fanahin'i Yaveh, ary nitsara an'i Israely izy ary nivoaka tany amin'ny ady. Nomen'i Yaveh fandresena teo anatrehan'i Kozana-risataima mpanjakan'i Arama izy. Nandresy an'i Kozana-risataima ny tanan'i Otniel.
\v 11 Nilamina ny tany nandritra ny efapolo taona. Avy eo dia maty i Otniela zanaka lahin'i Kenaza.
\s5
\v 12 Taorian'izany, dia mbola nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ireo Israelita, ka nanome hery an'i Eglona mpanjakan'i Moaba mba hampandresy ireo Israelita i Yaveh.
\v 13 Nikambana tamin'ireo Amona sy ireo Amaleka i Eglona, dia nandeha izy ireo ka nandresy an'Israely, ary nalain'izy ireo ho fananany ny Tanànan-drofia.
\v 14 Nanompo an'i Eglona mpanjakan'i Moaba nandritra ny valo ambin'ny folo taona ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 15 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahokan'Israely, dia nanandratra olona iray i Yaveh hanampy azy ireo, Ehoda zanak'i Gera, Benjamita, lehilahy kavia. Nandefa azy niaraka tamin'ny fandoavan-ketran'izy ireo, tany amin'i Eglona mpanjakan'i Moaba ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 16 Nanamboatra sabatra iray izay nisy lela roa ho azy i Ehoda, iray hakiho ny halavany; nafatony tao ambanin'ny akanjony teo amin'ny feny ankavanany izany.
\v 17 Nomeny an'i Eglona mpanjakan'i Moaba ilay fanomezana. (Ary Eglona dia lehilahy matavy be.)
\v 18 Taorian'ny nanoloran'i Ehoda ilay fandoavan-ketra, dia lasa niaraka tamin'ireo izay nitondra izany izy.
\s5
\v 19 Raha ny amin'i Ehoda kosa, rehefa tonga teo amin'ilay toerana izay nisy ireo sarin-javatra voasokitra natao teo akaikin'i Gilgala izy, dia nitodika sady niverina izy, ary niteny hoe: "Manana tsiambaratelo ho anao aho, ry mpanjakako." Ary Eglona niteny hoe: "Mangina!" Ka nivoaka ny efitra ireo rehetra izay nanompo azy.
\v 20 Tonga teo aminy i Ehoda. Nipetraka irery ny mpanjaka, irery tao amin'ny mangatsiatsiaka tao amin'ny efitrano ambony. Hoy i Ehoda hoe: "Manana hafatra avy any amin'Andriamanitra ho anao aho." Nitsangana avy teo amin'ny fipetrahany ny mpanjaka.
\s5
\v 21 Nahinjitr'i Ehoda ny tanany havia ary nalainy teo amin'ny feny ankavanana ny sabatra, ka natsatony teo amin'ny vatan'ny mpanjaka izany.
\v 22 Ilay tahon-tsabatra teo aminy dia nanaraka ny lamosina. Nivoaka tao an-damosiny ilay tendron-tsabatra ary nanarona izany ilay tavy, fa tsy nanatsoaka ilay sabatra tamin'ny kibony i Ehoda.
\v 23 Avy eo dia nivoaka teo an-davarangana i Ehoda ary nanakatona ireo varavaran'ny efitra ambony ary nanidy izany.
\s5
\v 24 Rehefa lasa i Ehoda, dia tonga ireo mpanompon'ny mpanjaka; hitan'izy ireo fa mihidy ireo varavaran'ny efitra ambony, ka nihevitra izy ireo hoe: "Azo antoka fa maka aina ao amin'ny mangatsiatsiaka ao amin'ny efitra ambony izy."
\v 25 Nitombo ny ahiahin' izy ireo mandra-pahatsapan'izy ireo fa nanao tsinontsinona ny andraikiny izy ireo rehefa mbola tsy nanokatra ny varavarana tao amin'ny efitra ambony ilay mpanjaka. Ary nalain'izy ireo ny fanalahidy, dia novohainy ireo, ary nitsirara teo ny tompony, lavo tamin'ny tany, ary maty.
\s5
\v 26 Raha teo am-piandrasana ireo mpanompo, dia nanontany tena ny amin'izay tokony hatao izy ireo, nandositra i Ehoda ka nanalavitra ilay toerana misy ireo sarin-javatra voasokitr'ireo sampy, ary noho izany dia nandositra tany Seïrata izy.
\v 27 Rehefa tonga izy, dia nitsoka ny trompetra iray teo amin'ny tany havoan'i Efraima. Ka nidina niaraka taminy avy any amin'ny havoana ny vahoakan'Israely, ary izy no nitarika azy ireo.
\s5
\v 28 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Manaraha ahy, fa efa handresy ireo fahavalonareo Yaveh, dia ireo Moabita." Nanaraka azy izy ireo ary nisambotra ireo fitàn'i Jordana fandalovan'ireo Moabita, ary tsy namela na iza na iza hiampita ny renirano izy ireo.
\v 29 Tamin'izany fotoana izany dia namono lehilahy Moabita teo amin'ny iray alina teo izy ireo, ary lehilahy natanjaka sy mahavita azy izy rehetra. Tsy nisy afa-nandositra.
\v 30 Ary tamin'izany andro izany Moaba dia resin'ny tanjak'Israely, ary nilamina nandritra ny valopolo taona ny tany.
\s5
\v 31 Taorian'i Ehoda dia i Samgara zanaka lahin'i Anata izay namono olona 600 tamin'ireo Filistina tamin'ny hazo fanindromana biby fiompy no mpitsara manaraka. Nanafaka an'i Israely tamin'ny loza ihany koa izy.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Taorian'ny nahafatesan'i Ehoda, dia nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ny vahoakan'Israely.
\v 2 Namidin'i Yaveh teo an-tanan'i Jabina mpanjakan'i Kanana izay nanjaka tao Hazora izy ireo. Ny anaran'ny mpitari-tafiny dia i Sisera, ary nipetraka tao Harosetan'ireo Jentilisa izy.
\v 3 Niantso vonjy mafy tamin'i Yaveh ny vahoakan'Israely, satria nanana kalesy vy sivinjato Sisera ary nampahory ny vahoakan'Israely tamin-kery nandritra ny roapolo taona izy.
\s5
\v 4 Ary Debora, mpaminany vavy (vadin'i Lapidota), no nitarika ny fitsarana tao Israely tamin'izany fotoana izany.
\v 5 Zatra nipetraka teo ambany rofian'i Debora anelanelan'i Rama sy Betela tao amin'ny tany havoanan'i Efraima izy, ary ny vahoakan'Israely nankany aminy mba hametraka ireo fifandiran'izy ireo taminy.
\s5
\v 6 Naniraka an'i Baraka zanaka lahin'i Abinoama avy any Kadesy ao Naftaly izy. Hoy izy taminy: "Yaveh, ry Andriamanitr'Israely, mandidy anao hoe: 'Mandehana any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà lehilahy iray alina avy ao Naftaly sy Zebolona.
\v 7 Hanatsoaka an'i Sisera, mpitari-tafik'i Jabina Aho, mba hihaona aminao eo amin'ny renirano Kisona, miaraka amin'ireo kalesiny sy ireo tafiny, ary hanome anao fandresena azy ireo Aho."
\s5
\v 8 Hoy Baraka taminy: "Raha miaraka amiko ianao, dia handeha aho, nefa raha tsy miaraka amiko ianao, dia tsy handeha aho.
\v 9 Hoy izy: "Hiaraka aminao tokoa aho. Na izany aza, ny lalana izay andehananareo dia tsy hitarika anareo any amin'ny voninahitrareo, fa hivarotra an'i Sisera eo an-tanan'ny vehivavy i Yaveh." Dia niakatra Debora ary niaraka tamin'i Baraka nankany Kadesy.
\s5
\v 10 Niantso ireo lehilahin'i Zebolona sy Naftaly mba hiaraka ho any Kadesy i Baraka. Lehilahy iray alina no nanaraka azy, ary niaraka taminy i Debora.
\s5
\v 11 Ary Hebera (ilay Kenita) nisaraka tamin'ireo Kenita_taranak'i Hobaba izy ireo (rafozan-dahin'i Mosesy) _ary nanorina ny lainy teo amin'ny terebinta tany Zananima akaikin'i Kadesy izy.
\s5
\v 12 Rehefa nolazain'izy ireo tamin'i Sisera fa niakatra tany an-tendrombohitra Tabara i Baraka zanaka lahin'i Abinoama,
\v 13 dia niantso mafy ireo kalesiny rehetra i Sisera, kalesy vy sivinjato, ary ireo miaramila rehetra izay niaraka taminy, hatreo Harosetan'ny Jentilisa ka hatrany amin'ny Renirano Kisona.
\s5
\v 14 Hoy Debora tamin'i Baraka: "Mandehana! Fa ity no andro izay nanomezan'i Yaveh fandresena anareo eo amin'i Sisera. Moa ve tsy mitarika anareo i Yaveh?" Dia nidina avy teny an-tendrombohitra Tabara niaraka tamin'ireo lehilahy iray alina nanaraka azy i Baraka.
\s5
\v 15 Nampifanjevon'i Yaveh ireo tafik'i Sisera, ireo kalesiny rehetra, ary ireo tafiny rehetra. Nanafika azy ireo ny lehilahin'i Baraka ka nidina tamin'ny kalesiny i Sisera ary nitsoaka an-tongotra.
\v 16 Fa nenjehin'i Baraka hatrany Harosetan'ny Jentilisa ireo kalesy sy ny tafika, ary ny tafik'i Sisera manontolo dia novonoina tamin'ny lelan-tsabatra, ary tsy nisy niangana na dia lehilahy iray aza.
\s5
\v 17 Nefa Sisera nandositra an-tongotra tany amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita, satria nihavana i Jabina mpanjakan'i Hazora, sy ny ankohonan'i Hebera Kenita.
\v 18 Nivoaka hihaona amin'i Sisera i Jaela ary nanao taminy hoe: "Mivilia, ry tompoko, mivilia aty amiko ary aza matahotra." Dia nivily tany aminy izy ka niditra tao amin'ny lainy, ary norakofany tamin'ny bodofotsy izy.
\s5
\v 19 Hoy izy taminy: "Mba omeo rano kely ho sotroina re aho, fa mangetaheta." Nanokatra kitapon-dronono hoditra izy ary nanome azy ho sotroina, avy eo dia norakofany indray izy.
\v 20 Hoy izy taminy: "Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay. Raha misy olona tonga ary manontany anao hoe: 'Misy olona ve ato?', dia teneno hoe: 'Tsia'."
\s5
\v 21 Ary Jaela (vadin'i Hebera) naka tsatokan-day sy tantanana teny an-tanany ary niditra an-tsokosoko tao aminy, fa tao anaty torimaso lalina izy, ary nively ny tsatokan-day tamin'ny tantanana teo amin'ny faritry ny lohany izy ary nitsatoka taminy izany ka nirodana tamin'ny tany, dia maty izy.
\v 22 Raha nanenjika an'i Sisera i Baraka, dia naniry ny hivoaka hihaona aminy i Jaela ary nanao taminy hoe: "Avia, hasehoko anao ny lehilahy tadiavinao." Dia niaraka niditra taminy izy, ary indro Sisera maty nitsirara, miaraka amin'ny tsatokan-day teo anilan'ny lohany.
\s5
\v 23 Ka tamin'izany andro izany no nandresen'Andriamanitra an'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, teo anoloan'ny vahoakan'Israely.
\v 24 Ny herin'ny vahoakan'Israely dia nihanatanjaka hatrany nanoloana ny mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringanan'izy ireo azy.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany Debora sy Baraka zanak'i Abinoama dia nihira ity hira ity:
\v 2 "Rehefa mitarika ireo mpitarika ao Israely, rehefa manolo-tena am-pifaliana ho amin'ny ady ny vahoaka_ dia midera an'i Yaveh isika!
\s5
\v 3 Mihainoa, ianareo mpanjaka! Mifantoha, ianareo mpitarika! Izaho, izaho dia hihira ho an'i Yaveh; hihira fiderana ho an'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely aho.
\v 4 Yaveh, rehefa nivoaka avy tany Seira Ianao, rehefa nandeha avy tany Edoma anao, dia nihorohoro ny tany, ary nihovitrovitra koa ny lanitra; ary ny rahona nandatsaka rano ihany koa.
\s5
\v 5 Nihovitrovitra teo anatrehan'ny tavan'i Yaveh ny tendrombohitra; eny na ny Tendrombohitra Sinay aza dia nihovitrovitra teo anatrehan'ny tavan'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely.
\v 6 Tamin'ny andron'i Samgara (zanaka lahin'i Anata), tamin'ny andron'i Jaela, nilaozana ireo lalam-be, ary ireo izay nandeha ihany no nampiasa ireo sakeli-dalana miolakolaka.
\s5
\v 7 Vitsy ny mpiady tany Israely, mandra-panapahako, izaho Debora— ilay reny nanapaka tao Israely!
\v 8 Fony izy ireo nisafidy ireo andriamanitra vaovao, dia nisy ady teo amin'ny vavahadin'ny tanàna kanefa tsy nisy ampinga na lefona hita teo amin'ireo olona efatra alina tao Israely.
\s5
\v 9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka ny Israely, miaraka amin'ireo vahoaka izay nanolo-tena am-pifaliana—isaorantsika Yaveh noho izy ireo!
\v 10 Eritrereto izao—ianareo izay mitaingina ampondra fotsy mipetraka eo amin'ny lamba ho solon'ny lasely, ary ianareo izay mandeha amin'ny lalana.
\s5
\v 11 Henoy ny feon'ireo izay mihira eo amin'ny tany fanondrahana. Any no ilazan'izy ireo indray ny fahamarinan'ny asan'i Yaveh, sy ny fahitsian'ny asan'ireo mpiadiny tany Israely. Avy eo dia nidina teo amin'ny vavahadin'ny tanàna ireo vahoakan'i Yaveh.
\s5
\v 12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora! Mifohaza, mifohaza, mihirà fihirana! Mitsangàna, ry Baraka, ento ny voafonjanao, ianao ry zanaka lahin'i Abinoama.
\v 13 Avy eo dia nidina teo amin'ireo olo-manan-kaja ireo sisa velona; nidina nankeo amiko niaraka tamin'ireo mpiady ny vahoakan'i Yaveh.
\s5
\v 14 Avy tany Efraima izy ireo, ny fototr'izy ireo dia any Amaleka; nanaraka anareo ireo vahoakan'i Benjamina. Nidina avy any Makira ireo mpifehy, ary avy any Zebolona ireo izay mitondra ny tehin'ny manam-boninahitra.
\s5
\v 15 Niaraka tamin'i Debora ireo andriako tao Isakara; ary Isakara niaraka tamin'i Baraka nikoropaka nanaraka azy tany an-dohasaha izay teo ambany fifehezany. Tao amin'ireo fokon'i Robena dia nisy fikasan'ny fo lehibe.
\s5
\v 16 Nahoana ianao no mipetraka eo afovoan'ny vala, mihaino ireo mpiandry ondry mitsoka ny sodiny ho an'ireo ondry aman'osiny? Raha ny amin'ny fokon'i Robena dia nisy fikasan'ny fo lehibe.
\s5
\v 17 Nijanona tany an-dafin'i Jordana i Gileada; ary Dana, nahoana izy no nivenjivenjy teny ambony sambo? Nijanona teny amoron-dranomasina i Asera ary nitoetra teny akaikin'ny seranan-tsambo.
\v 18 Zebolona dia foko nanao vy very ny ainy hatramin'ny fahafatesana, ary Naftaly, ihany koa, dia teo amin'ny sahan'ady.
\s5
\v 19 Tonga ireo mpanjaka, niady izy ireo; niady tany Tanaka teo amoron'ny ranon'i Megido ireo mpanjakan'i Kanana. Nefa tsy naka volafotsy ho robaina izy ireo.
\v 20 Avy eny amin'ny lanitra no niadin'ireo kintana, avy eny amin'ny lalan'izy ireo manerana ny lanitra no niadian'izy ireo tamin'i Sisera.
\s5
\v 21 Nifaoka azy ireo ny Renirano Kisona, ilay renirano fahagola, ilay Renirano Kisona. Mandrosoa hatrany ry fanahiko, matanjaha!
\v 22 Ary dia nikatrokatroka ny kitron'ny soavaly—mihazakazaka, dia ny fihazakazak'ireo maheriny.
\s5
\v 23 'Ozony Meroza!' hoy ny anjelin'i Yaveh. 'Ozony dia ozony ny mponina ao aminy! — satria izy ireo tsy tonga mba hanampy an'i Yaveh— hanampy an'i Yaveh amin'ny ady hanohitra ireo mpiady mahery.'
\s5
\v 24 Voatahy mihoatra noho ireo vehivavy rehetra i Jaela, Jaela (ilay vadin'i Hebera Kenita), voatahy mihoatra noho ny vehivavy rehetra izay mitoetra ao an-day izy.
\v 25 Rano no nangatahin-dralehilahy, ary ronono no nomeny azy; nitondrany dibera teo an-dovia natokana ho an'ny andriana izy.
\s5
\v 26 Napetrany teo amin'ny tsatokan-day ny tanany, ary ny tanany havanana tamin'ny tantanan'ny mpiasa; dia namely an'i Sisera tamin'ilay tantanana izy, notorotoroany ny lohany. Raha nandefona ny firifany izy dia nopotipotehiny ho torotoro ny karan-dohany.
\v 27 Lavo teo anelanelan'ny tongony izy, nianjera izy ary nidaraboka teo. Teo anelanelan'ny tongony izy no nitsirara. Teo amin'ny toerana namonoana azy tamin-kerisetra no nahalavo azy.
\s5
\v 28 Nitazana teo ambaravarankely izy— nitazana teo amin'ny makarakaran'ny varavarankely ny renin'i Sisera ary niantso mafy tamin'ny alahelo hoe: 'Nahoana no ela loatra vao tonga ny kalesiny? Nahoana ny kitron'ny sovaliny izay mitarika ny kalesiny no mitaredretra?'
\s5
\v 29 Namaly ny hendry indrindra tamin'ny andriambaviny, ary izy tenany ihany no namaly azy hoe:
\v 30 "Tsy efa nahita sy nizara ny babo ve izy ireo? Vehivavy iray, na vehivavy roa ho an'ny isan-dahy; fandrobana lamba mena ho an'i Sisera, fandrobana lamba mena misy peta-kofehy, lamba mena roa misy peta-kofehy ho eo am-bozon'ireo nandroba?'
\s5
\v 31 Ho ringana anie ny fahavalonao rehetra, ry Yaveh! Fa ireo namanao kosa dia ho toy ny masoandro rehefa miposaka amin'ny heriny." Dia nandry nandritra ny efapolo taona ny tany.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh ny vahoakan'Israely, ary natolony teo an-tanan'i Midiana nandritra ny fito taona izy ireo.
\v 2 Nampahory ny Israely ny fahefan'i Midiana. Nohon'ny amin'ny Midiana, dia nanao fialofana ho azy ireo tao amin'ny zohy teny amin'ny havoana, tany an-dava-bato, ary tao amin'ny fiarovana mafy ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 3 Ary isaky ny namboly ireo vokany ny Israelita, dia nanafika azy ireo ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona avy any atsinanana.
\v 4 Nametraka ny tafiny teo amin'ny tany izy ireo ary namotika ireo vokatra, teny amin'ny lalana rehetra mankany Gaza. Tsy namela sakafo ho an'ny Israely, na ondry, na biby fiompy, na ampondra izy ireo.
\s5
\v 5 Isaky ny miakatra izy ireo sy ny biby fiompiny ary ny lainy, dia toy ny andiam-balala ny fiavin'izy ireo, ary tsy tambo isaina na ny olona na ireo ramevany. Nanafika ny tany mba hamotehana izany izy ireo.
\v 6 Tena nampaosa an'ireo Israelita tokoa ny Midiana hany ka niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely.
\s5
\v 7 Rehefa niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely nohon'ny amin'i Midiana, dia nandefa mpaminany ho an'ny vahoakan'Israely i Yaveh. Hoy ny mpaminany tamin'izy ireo hoe:
\v 8 "Izao no lazain'i Yaveh, Andriamanitr'Israely: 'Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho; nitondra anareo nivoaka avy tao amin'ny trano fanandevozana Aho.
\s5
\v 9 Namonjy anareo teo amin'ny tanan'ny Egyptiana, sy teo amin'ny tanan'ireo rehetra izay nampahory anareo Aho. Nandroaka azy ireny teo anoloanareo, sy nanome ny taniny ho anareo Aho.
\v 10 Hoy Izaho taminareo hoe: "Izaho no Yaveh Andriamanitrareo; nandidy anareo tsy hanompo ny andriamanitry ny Amorita, any amin'ny tany honenanareo Aho." Nefa tsy nankatò ny feoko ianareo.'"
\s5
\v 11 Ary tonga ny anjelin'i Yaveh ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta tao Ofra, izay an'i Joasy (ilay Abiezrita), raha nanasaraka ny vary tamin'ny fivelezana izany tamin'ny tany, teo amin'ny famiazana divay i Gideona, zanak'i Joasy_mba hanafenana izany amin'ireo Midianita.
\v 12 Niseho taminy ilay anjelin'i Yaveh ka niteny taminy hoe: "Momba anao i Yaveh, ry mpiady mahery!'"
\s5
\v 13 Hoy Gideona taminy: "Indrisy, ry tompoko, raha momba anay i Yaveh, nahoana no mitranga aminay izao rehetra izao? Aiza ireo asa mahagaga izay nolazain'ny razanay taminay, tamin'izy ireo niteny hoe: "Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta ve i Yaveh?' Nefa ankehitriny dia efa nahafoy anay ka nanolotra anay teo an-tanan'i Midiana i Yaveh."
\s5
\v 14 Nijery azy Yaveh ka niteny hoe: "Mandehana amin'izao hery efa hanananao izao. Afaho eo an-tanan'i Midiana i Israely. Tsy efa naniraka anao ve Aho?"
\v 15 Hoy Gideona taminy: "Ahoana re ry Tompo no hamonjeko an'Israely? Indro, ny fianakaviako no marefo indrindra ao amin'i Manase, ary izaho no farany tsy manan-danja indrindra ao an-tranon'ny raiko."
\s5
\v 16 Hoy Yaveh taminy: "Homba anao Aho, ary handresy ny tafiky ny Midianita manontolo tahaka ny olona iray ianao."
\v 17 Hoy Gideona taminy, raha mahita fitia aminao aho, dia omeo famantarana aho fa ianao tokoa no miteny amiko.
\v 18 Aza miala eto re, mandra-piaviko eto aminao hitondra ny fanomezana ary hametraka izany eo anoloanao." Hoy i Yaveh: "Hiandry Aho mandra-piverinao."
\s5
\v 19 Ary lasa i Gideona ka nanomana zanak'osy ary avy tamin'ny lafarinina eran'ny efaha no nanaovany mofo tsy misy masirasira. Nataony tao anaty harona ny hena, ary nataony tao anaty vilany ny rony dia nentiny teo aminy teo ambanin'ny hazo terebinta, ary nasehony azy ireo.
\v 20 Hoy ny anjelin'Andriamamanitra taminy: "Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira ka apetraho eo ambonin'ity vatolampy ity ireo, ary araraho ho eo amin'ireo ny rony." Dia izany no nataon'i Gideona.
\s5
\v 21 Ary ny anjelin'i Yaveh naninjitra ny tendron'ny tehina tamin'ny tanany. Tamin'izany no nikasihany ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; nisy afo niakatra avy tao amin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Avy eo dia lasa ny anjelin'i Yaveh ka tsy nahita azy intsony i Gideona.
\s5
\v 22 Ary Gideona nahafantatra fa anjelin'i Yaveh izy. Hoy Gideona hoe: "Oh, ry Yaveh Andriamanitra! Fa nifanatri-tava tamin'ny anjelin'i Yaveh aho!"
\v 23 Hoy Yaveh taminy: "Fiadanana anie ho anao! Aza matahotra, fa tsy ho faty ianao."
\v 24 Ary nanorina alitara ho an'i Yaveh teo i Gideona. Nantsoiny hoe: "Yaveh dia fiadanana" izany. Mandraka androany dia mbola mitsangana ao Ofran'ny fokon'i Abiezrita izany.
\s5
\v 25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Yaveh taminy: "Alaivo ny omby lahin-drainao, dia ny omby lahy faharoa izay efa fito taona, ravao ny alitaran'i Bala izay an'ny rainao, ary tapaho ny Aseraha izay eo anilan'izany.
\v 26 Manangana alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny tampon'ity toerana fialofana ity, dia aoreno araka ny tokony ho izy izany. Atolory ho fanatitra dorana ny omby lahy faharoa, amin'ny fampiasana ny hazo avy amin'ny Aseraha izay nokapainao."
\s5
\v 27 Ka dia naka folo tamin'ireo mpanompony i Gideona ary nanao araka izay nolazain'i Yaveh taminy. Ary satria natahotra loatra ny ankohonan-drainy sy ireo lehilahy tao an-tanàna ny hanao izany mandritra ny andro izy, dia nataony nandritra ny alina izany.
\s5
\v 28 Nony maraina rehefa nifoha ny lehilahy tao an-tanàna, dia efa rava ny alitaran'i Bala, ary ny Aseraha teo anilany dia voakapa, ary ny omby lahy faharoa dia natao fanatitra teo amin'ny alitara izay vao naorina.
\v 29 Ny lehilahy teo an-tanàna dia nifampiresaka hoe: "Iza no nanao izao?" Rehefa niresaka tamin'ny hafa izy ireo ka nikaroka izay valiny, dia hoy izy ireo: "Gideona zanak'i Joasy no nanao izao zavatra izao."
\s5
\v 30 Ary hoy ireo lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy hoe: "Avohay ny zanakao mba hovonoina ho faty, satria noravany ny alitaran'i Bala, ary satria nokapainy ny Aseraha teo anilan'izany."
\s5
\v 31 Hoy i Joasy tamin'ireo rehetra izay nanohitra azy hoe: "Hifona ny zava-misy ho an'i Bala ve ianareo? Hamonjy azy ve ianareo? Na iza na iza hifona ho azy, dia aoka izy ho vonoina ho faty raha mbola maraina koa. Raha andriamanitra i Bala, aoka izy hiaro ny tenany rehefa noravan'ny olona ny alitarany."
\v 32 Ary tamin'izany andro izany i Gideona dia nantsoin'izy ireo hoe: "Jerobala," satria hoy izy hoe: "Aoka hiaro ny tenany i Bala." satria efa nandrava ny alitaran'i Bala i Gideona.
\s5
\v 33 Ary ny Midianita sy ny Amalekita ary ny olona rehetra avy any atsinanana dia niara-nivory. Niampita an'i Jordana izy ireo ary nitoby teo amin'ny Lohasahan'i Jezirela.
\s5
\v 34 Fa tonga tamin'i Gideona ny fanahin'i Yaveh. Nitsoka ny trompetra, niantso ny fianakaviam-ben'i Abiezrita i Gideona, mba hanarahan'izy ireo azy.
\v 35 Nandefa iraka eran'i Manase manontolo izy, ary izy ireo koa, dia voahantso mba hanaraka azy. Nandefa iraka ho an'i Asera, Zebolona, ary Naftaly ihany koa izy, ary niakatra mba hihaona aminy izy ireo.
\s5
\v 36 Hoy Gideona tamin'Andriamanitra: "Raha nihevitra ny hampiasa ahy hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nolazainao_
\v 37 Indro, izaho mametraka ny volon'ondry eo amin'ny famoloana. Raha misy ando eo amin'ny volon'ondry, ka maina eo amin'ny tany rehetra, dia ho fantatro fa hampiasa ahy mba hamonjy an'Israely Ianao, araka izay nolazainao."
\s5
\v 38 Toy izao no niseho_nifoha maraina be i Gideona ny ampitso, niara-nofihazany ny volon'ondry, ary nisy ando nivoaka tamin'ny volon'ondry, ampy nahafeno lovia iray ny rano.
\s5
\v 39 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra hoe: "Aza tezitra amiko, fa mbola hiteny indray mandeha aho. Avelao re aho mba hanandrana hampiasa indray mandeha ny volon'ondry. Ho maina ny volon'ondry amin'io fotoana io, ary aoka ho feno ando ny tany manodidina azy."
\v 40 Nanao izay nangatahiny Andriamanitra tamin'izany alina izany. Ny volon'ondry dia maina, ary feno ando teo amin'ny tany rehetra nanodidina izany.
\s5
\c 7
\p
\v 1 Dia nifoha maraina i Jerobala (Gideona izany), sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy, ary nitoby teo anilan'ny loharanon'i Haroda izy ireo. Ny tobin'ny Midiana dia tao avaratr'izy ireo tao an-dohasaha nanakaiky ny vohitr'i More.
\s5
\v 2 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Maro loatra amiko ireo miaramila, mba hanomezako fandresena ho anao eo amin'ireo Midianita, mba tsy hireharehan'i Israely amiko, hanao hoe: 'Ny herinay no namonjy anay.'
\v 3 Ary ankehitriny, ambarao eo an-tsofin'ny vahoaka ka lazao hoe: 'Na iza na iza matahotra, na iza na iza mangovitra, dia aoka izy hiverina ka hiala ao an-Tendrombohitra Gileada.'" Dia lasa ny olona roa arivo sy roa alina noho izany, ary ny iray alina kosa nijanona.
\s5
\v 4 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Mbola maro loatra ihany ny olona. Ento midina eny amin'ny rano izy ireo, ary hahenako ho anao eny ny isan'izy ireo. Raha hoy Izaho aminao hoe: 'Ity iray ity no hiaraka aminao,' dia hiaraka aminao izy; fa raha hoy Izaho hoe: 'Ity iray ity tsy hiaraka aminao,' dia tsy hiaraka aminao izy."
\s5
\v 5 Dia nentin'i Gideona nidina teny amin'ny rano ny olona, ary hoy Yaveh taminy hoe: "Atokano izay rehetra milelaka ny rano, toy ny filelaky ny alika, amin'ireo izay mandohalika ambany mba hisotro."
\v 6 Lehilahy telonjato no nilelaka. Ny sisa tamin'ny lehilahy kosa nandohalika mba hisotro rano.
\s5
\v 7 Dia hoy Yaveh tamin'i Gideona hoe: "Amin'ny alalan'ireo telonjato lahy izay nilelaka ny rano, no hanavotako anareo, sy hanomezako anareo ny fandresena eo amin'ireo Midianita. Aoka ny lehilahy hafa rehetra hiverina any an-tanànany avy."
\v 8 Ka dia naka ireo vatsiny sy ireo trompetrany ireo izay voafidy. Nampodian'i Gideona ny lehilahin'Israely rehetra, ny lehilahy rehetra mba samy ho ao an-dainy, nefa nazoniny ireo telonjato lahy. Ary ny tobin'i Midiana dia tao ambaniny tao an-dohasaha.
\s5
\v 9 Tamin'io alina io ihany dia hoy Yaveh taminy hoe: "Mifohaza! Tafio ny toby, fa homeko anao ny fandresena an'izany.
\v 10 Fa raha matahotra ny hidina kosa ianao, dia midina ao an-toby miaraka amin'i Pora mpanomponao,
\v 11 ary henoy izay lazain'izy ireo, dia hatanjaka ny herim-ponao amin'ny fanafihana ny toby." Ary dia nidina niaraka tamin'i Pora mpanompony, tao amin'ireo toerana fiambenana ny toby i Gideona.
\s5
\v 12 Ny Midianita, ny Amalekita, sy ny olona rehetra avy any antsinana dia niara-nitoetra tao an-dohasaha, maro dia maro tahaka ny andiam-balala. Tsy tambo isaina ny ramevan'izy ireo; maro noho ny fasika eny amoron-dranomasina izy ireo.
\s5
\v 13 Rehefa tonga tao i Gideona, dia nisy lehilahy iray nitantara nofy tamin'ny namany. Dia hoy ralehilahy hoe: "Indro! Nanofy aho, ary nahita mofo hordea boribory nikodiadia tao an-tobin'i Midiana. Dia tonga tao an-day izany, sady nandona azy mafy dia mafy ary nianjera ka nitsimbadika ambony ambany, ka dia fisaka."
\v 14 Dia hoy ilay lehilahy iray hoe: "Tsinontsinona izany mihoatra ny sabatr'i Gideona (zanaka lahin'i Joasy), ilay Israelita. Efa nanome azy fandresena teo amin'ireo Midiana, sy ny miaramilany rehetra Andriamanitra."
\s5
\v 15 Rehefa ren'i Gideona indray ny filazana ny nofy sy ny fandikana izany, dia niankohoka nivavaka izy. Dia niverina tao an-tobin'i Israely izy ka nanao hoe: "Mifohaza! efa nomen'i Yaveh anareo ny fandresena ny miaramila Midiana."
\v 16 Dia nozarainy ho vondrona telo ny telonjato lahy, ary nomeny trompetra sy siny foana izy rehetra, miaraka amin'ireo fanilo anatin'ny siny tsirairay.
\s5
\v 17 Dia hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Mijere ahy ka ataovy izay ataoko. Jereo! rehefa tonga eo amin'ny sisin'ny toby aho, dia tsy maintsy hataonareo izay hataoko.
\v 18 Rehefa mitsoka ny trompetra aho, dia izaho sy izay rehetra miaraka amiko, dia tsofy manodidina ny toby manontolo ihany koa ny trompetranareo ka mihikà hoe: 'Ho an'i Yaveh sy Gideona!'"
\s5
\v 19 Dia tonga teo an-tsisin'ny toby i Gideona sy ny zato lahy izay niaraka taminy, tamin'ny fanombohan'ny antenantenan'ora indrindra. Raha teo am-panoloana mpiambina indrindra ireo Midianita, dia notsofin'izy ireo ny trompetra ary novakian'izy ireo ny siny izay teny an-tanan'izy ireo.
\s5
\v 20 Notsofin'ireo vondrona telo ireo trompetra ary novakiany ireo siny. Notanan'izy ireo tamin'ny tanana ankavia ireo fanilo ary tamin'ny tanana ankavanana kosa ireo trompetra mba hitsofana izany. Dia nihiaka mafy izy ireo hoe: "Ny sabatr'i Yaveh sy i Gideona."
\v 21 Nitsangana nanodidina ny toby tamin'ny fitoerany avy ny lehilahy rehetra ary nandositra ny miaramila Midiana rehetra. Dia niantsoantso izy ireo sady vaky nandositra.
\s5
\v 22 Rehefa notsofin'izy ireo ny trompetra telonjato, dia nataon'i Yaveh nifamely tamin'ny sabatra ireo Midianita sy ny namany ary ny tafiny rehetra. Dia nandositra hatrany Beti-Sita hatrany Zereraha ny miaramila, hatrany amin'ny faritanin'i Abela-mehola, akaikin'i Tabata.
\v 23 Nantsoina mafy ireo lehilahin'i Israely avy any Naftaly, Asera, ary Manase rehetra, ary nanenjika ny Midiana izy ireo.
\s5
\v 24 Dia naniraka mpitondra hafatra nanerana ny tany havoanan'i Efraima rehetra Gideona, nanao hoe: "Mandehana midina hanohitra ny Midiana ka araho maso ny onin'i Jordana, hatrany Beti-bara, mba hampitsaharana azy ireo." Dia niara-nivory ny lehilahin'i Efraima rehetra ka nanara-maso ireo rano, hatrany Beti-bara sy ny Reniranon'i Jordana.
\v 25 Voasambotr'izy ireo ny andrian'ny Midiana roa, Oreba sy Zeba. Novonoin'izy ireo tany amin'ny vatolampin'i Oreba i Oreba, ary novonoin'izy ireo tany amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba i Zeba. Dia nanenjika ny Midiana izy ireo, ary nentin'izy ireo teo amin'i Gideona ny lohan'i Oreba sy i Zeba, izay tany amin'ny lafiny iray hafan'i Jordana.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Hoy ireo lehilahin'i Efraima tamin'i Gideona hoe: "Inona izao zavatra nataonao taminay izao? Tsy niantso anay ianao raha nandeha niady tamin'ny Midiana." Nifamaly mafy taminy izy ireo.
\s5
\v 2 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Inona moa no vitako ankehitriny raha oharina aminareo? Moa ve ny fanangonam-boalobok'i Efraima tsy tsara kokoa mihoatra ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
\v 3 Andriamanitra efa nanome fandresena anareo teo anatrehan'ireo andrian'ny Midiana__dia Oreba sy Zeba! Inona moa no vitako mihoatra izay vitanareo?" Nilefy ny fahatezeran'izy ireo taminy rehefa niteny izany izy.
\s5
\v 4 Tonga teo amin'i Jordana i Gideona ary nita izany, izy sy ireo lehilahy telonjato izay niaraka taminy. Reraka loatra izy ireo, nefa dia mbola nanohy ny fanenjehana ihany.
\v 5 Hoy izy tamin'ireo olona tao Sokota hoe: "Mba omeo mofo ireo olona manaraka ahy, satria reraka loatra izy ireo, ary izaho hanenjika an'i Zebaha sy Zalamona, mpanjakan'i Midiana.
\s5
\v 6 Dia hoy ireo manam-pahefana hoe: "Moa ve eo am-pelatananao ny tanan'i Zebaha sy Zalmona ankehitriny? Nahoana no tokony hanome mofo ho an' ireo miaramilanao izahay?
\v 7 Hoy Gideona hoe: "Rehefa omen'i Yaveh fandresena izahay manoloana an'i Zebaha sy Zalamona, dia ho triariko amin'ny tsilo avy any an'efitra sy raketa ny hoditrareo."
\s5
\v 8 Niakatra avy tao izy mba ho any Penoela ary niteny tahaka izany tamin'ny olona tao ihany koa, fa ny olona tao Penoela namaly azy tahaka ireo famalin'ny olona tao Sokota.
\v 9 Niteny tamin'ny olon'i Penoela ihany koa izy nanao hoe: "Rehefa tafaverina am-pilaminana indray aho, dia harodako ity tilikambo ity."
\s5
\v 10 Ary niaraka tamin'ireo miaramilany tao Karkora i Zebaha sy Zalamona, tokony ho lehilahy dimy arivo sy iray alina eo, izay sisa rehetra tamin'ny tafikin'ny vahoaka antsinanana manontolo, satria nisy lehilahy 120. 000 lavo izay voaofana hiady amin'ny sabatra.
\s5
\v 11 Niakatra ilay lalan'ny mpitoetra an-day i Gideona, nandalo tao Noha sy Jogbeha. Nandresy ireo tafika fahavalo izy, satria tsy nanampo ny fanafiana izy ireo.
\v 12 Nandositra i Zebaha sy Zalmona, ary raha nanenjika azy ireo i Gideona, dia voasambony ireo mpanjaka roan'i Midiana—i Zebaha sy Zalmona—ary nampihorohorony ny tafik'izy ireo manontolo.
\s5
\v 13 Gideona, zanaka lahin'i Joasy, dia niverina avy tany amin'ny ady ary nandalo teo lalan'i Heresa.
\v 14 Nihaona tamina zatovolahy iray avy amin'ny mponina tao Sokota izy ary nitady torohevitra taminy. Nolazain'ilay tovolahy azy ny mombamomba ireo mpitariky ny Sokota sy ireo loholona tao, fito amby fitopolo lahy izy ireo.
\s5
\v 15 Ary tonga tao amin'ireo lehilahin'i Sokota i Gideona ka nanao hoe: "Indreo Zebaha sy Zalmona, izay nanesoanareo ahy sy nilazanareo hoe: 'Efa nandresy an'i Zebaha sy Zalmona ve ianao? Tsy fantatray fa tokony hanome mofo an'ireo tafikao izahay.'"
\v 16 Nalain'i Gideona ireo loholona tao amin'ilay tanàna, ary nofaiziny tamin'ireo tsilo avy tany an'efitra sy raketa ireo lehilahin'ny Sokota.
\v 17 Avy eo dia narodany ny tilikambo tao Penoela ary novonoiny ny lehilahy tao amin'izany tanàna izany.
\s5
\v 18 Dia hoy i Gideona tamin'i Zebaha sy Zalmona hoe: "Lehilahy tahaka ny ahoana no novonoinareo tao Tabara?" Namaly izy ireo hoe: "Tahaka anao ihany izy ireo. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia toy ny zanaka mpanjaka avokoa."
\v 19 Hoy Gideona hoe: "Rahalahiko izy ireo, zanaka lahin'ny reniko. Raha velona koa Yaveh, raha namonjy azy ireo ho velona ianareo, dia tsy namono anareo aho.
\s5
\v 20 Hoy izy tamin'i Jatera (lahimatoany) hoe: "Mitsangàna ary vonoy izy ireo!" Fa ilay tovolahy tsy nanatsoaka ny sabatrany fa natahotra, satria mbola zazalahy kely izy.
\v 21 Dia hoy Zebaha sy Zalmona hoe: "Mitsangana ianao ary vonoy izahay! Fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny." Nitsangana Gideona ary namono an'i Zehaba sy Zalmona. Nesoriny ihany koa ny ravaka sarim-bolan-tsinana izay teo am-bozon'ny ramevan'izy ireo.
\s5
\v 22 Hoy ny lehilahin'Israely tamin'i Gideona hoe: "Manapaha anay—ianao, ny zanakao lahy, ary ny zafikelinao lahy— satria ianao no nanavotra anay teo amin'ny tanan'i Midiana."
\v 23 Hoy Gideona tamin'izy ireo hoe: "Tsy hanapaka anareo aho, na ny zanako lahy koa aza dia tsy hanapaka anareo. Fa Yaveh no hanapaka anareo.
\s5
\v 24 Nilaza tamin'izy ireo i Gideona hoe: "Aoka aho hanao fangatahana aminareo: dia ny hanomezanareo ahy ireo kavina avy norobainy." (Nanana kavina volamena ireo Medianita satria Isimaelita izy ireo.)
\v 25 Namaly izy ireo hoe: "An-kafaliana no hanomezanay ireo anao." Namelatra lamba izy ireo ary samy nanipy ireo firavaka avy norobainy ny lehilahy rehetra.
\s5
\v 26 Ny lanjan'ny kavim-bolamena izay nangatahiny dia sekely volamena 1. 700. Izany fandrobana izany dia niampy ny ravaka sarim-bolan-tsinana, ireo firavaka, ny akanjo volomparasy izay nanaovan'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary niampy ny rojo izay nanodidina ny vozon'ny ramevan'izy ireo.
\s5
\v 27 Nanamboatra efoda avy amin'ireo kavina i Gideona ary napetrany tao an-tanànany, tao Ofra izany, ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana izany teo ny Israely rehetra. Lasa fandrika ho an'i Gideona sy ho an'ireo izay tao an-tranony izany.
\v 28 Ka dia resy teo anatrehan'ny vahoakan'Israely ireo Midiana ary tsy nanarina ny lohan'izy ireo intsony izy ireo. Ary nilamina nandritra ny efapolo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.
\s5
\v 29 Jerobala, zanaka lahin'i Joasy, nandeha ka nipetraka tao an-tranony.
\v 30 Nanana zanaka fitopolo lahy izay taranany i Gideona, satria maro vady izy.
\v 31 Ny vaditsindranony, izay tao Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ary Gideona nanome azy ny anarana hoe: Abimeleka.
\s5
\v 32 Gideona, zanaka lahin'i Joasy, dia maty rehefa tratra antitra tsara ary nalevina tao Ofra tao amin'ny fasan'i Joasy rainy, fokon'ny Abiezrita.
\v 33 Ary raha vao maty i Gideona, niverina indray ireo zanak'Israely ary nampijangajanga ny tenany tamin'ny fanompoana an'ireo Bala. Nataon'izy ireo ho andriamaniny i Bala-berita.
\s5
\v 34 Ary ny vahoakan'Israely dia tsy nahatsiaro ny hanome voninahitra an'i Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nanavotra azy ireo teo amin'ny tanan'ireo fahavalo rehetra manodidina.
\v 35 Tsy nitandrina ny fampanantenany tamin'ny tranon'i Jerobala (na Gideona) izy ireo, mba ho valin'ny soa rehetra nataony tamin'Israely.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Nankany amin'ny havan-dreniny tany Sekema i Abimeleka zanak'i Jerobala ary niteny tamin'izy ireo sy ny fianakaviam-ben'ny ankohonan-dreniny rehetra hoe:
\v 2 "Mba lazao re izao, mba ho ren'ny mpitarika rehetra ao Sekema: 'Inona no mety kokoa aminareo: manana ny zanak'i Jerobala fitopolo lahy hanapaka eo aminareo, sa iray ihany no manapaka eo aminareo?' Tsarovy fa nofo sy rànareo aho."
\s5
\v 3 Niresaka tamin'ireo mpitarik'i Sekema ho azy ireo havan-dreniny, ary nanaiky ny hanaraka an'i Abimeleka izy ireo, satria hoy izy ireo hoe: "Rahalahintsika izy."
\v 4 Nomen'izy ireo volafotsy madinika fitopolo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nampiasain'i Abimeleka hanakaramana ireo lehilahy mpandika lalàna sady sahisahy ratsy izay nanaraka azy izany.
\s5
\v 5 Nankany an-tranon'ny rainy tany Ofra i Abimeleka, ary novonoiny teo ambonin'ny vato iray ireo rahalahiny fitopolo, dia ireo zanak'i Jerobala. Jotama no sisa tavela, dia ilay zanak'i Jerobala faralahy, satria niafina izy.
\v 6 Niara-tonga ny mpitarik'i Sekema sy Beta-milo rehetra ka nandeha ary nanao an'i Abimeleka ho mpanjaka, teo anilan'ny hazo terebinta akaikin'ny andry izay any Sekema.
\s5
\v 7 Rehefa nolazaina ny mikasika izany i Jotama, dia nandeha izy ary nitsangana teo an-tampon'ny Tendrombohitra Gerizima. Niantsoantso izy ka niteny tamin'izy ireo hoe: "Henoy aho, ianareo mpitarik'i Sekema, mba hihainoan'Andriamanitra anareo.
\v 8 Indray andro dia nivoaka ny hazo mba hanosotra mpanjaka iray ho eo amin'izy ireo. Satria hoy izy ireo tamin'ny hazon'oliva hoe: "Manjakà aminay.'
\s5
\v 9 Nefa hoy ny hazon'oliva tamin'izy ireo: "Tokony hafoiko ve ny diloiloko, izay ampiasaina hanomezam-boninanahitra ireo andriamanitra sy ny olombelona, mba hahafahako mandeha miverina, ka hitsingevangevana eny amin'ny hazo hafa fotsiny ihany?'
\v 10 Hoy ireo hazo tamin'ilay aviavy: 'Avia ka manjakà aminay.'
\v 11 Fa hoy kosa ilay aviavy tamin'ireo: 'Tokony hafoiko ve ny hamamiko sy ny voa tsarako, mba hahafahako miverina ka hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa fotsiny ihany?'
\s5
\v 12 Hoy ireo hazo tamin'ilay voaloboka: 'Avia ka manjakà aminay.'
\v 13 Hoy ilay voaloboka tamin'izy ireo hoe: 'Tokony hafoiko ve ny divay vaovaoko, izay mampifaly ny andriamanitra sy ny olombelona, ka hiverina ary hitsingevangevana eo amin'ireo hazo hafa?'
\v 14 Dia hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilon-draketa: 'Avia ka manjakà aminay.'
\s5
\v 15 Hoy ny tsilon-draketa tamin'ireo hazo: 'Raha tena te hanosotra ahy ho mpanjaka eo aminareo ianareo, dia avia ary mitadiava fiarovana eo amban'ny aloko. Raha tsy izany, dia aoka hivoaka avy ao amin'ny tsilon-draketa ny afo ary aoka izany handoro ny sederan'i Libanona.'
\v 16 Ankehitriny ary, raha nanao ny marina sy mahitsy ianareo, tamin'ny nanaovanareo an'i Abimeleka ho mpanjaka, ary raha nanao ny tsara mahakasika an'i Jerobala sy ny ankohonany, ary raha nanafay azy araka izay mendrika azy ianareo—
\s5
\v 17 —ary mihevitra fa niady ho anareo ny raiko, nanao vy very ny ainy, ary namonjy anareo tamin'ny tanan'i Midiana—
\v 18 fa ankehitriny ianareo dia efa nitsangana hanohitra ny ankohonan-draiko ary namono ireo zanany lahy, dia olona fitopolo, teo ambony vato iray izany. Ary nataonareo mpanjaka eo amin'ireo mpitarik'i Sekema i Abimeleka, zanaky ny mpanompo vaviny, satria havanareo izy.
\s5
\v 19 Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ianareo, dia tokony hiravoravo amin'i Abimeleka, ary hamela azy hiravoravo aminareo.
\v 20 Fa raha tsy izany, dia aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo. Aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'ireo olon'i Sekema sy Beta-milo, mba handoro an'i Abimeleka."
\v 21 Nandositra ka nitsoaka i Jotama, ary nandeha tany Bera izy. Nonina tany izy satria lavitra an'i Abimeleka rahalahiny izany.
\s5
\v 22 Nanapaka teo amin'Israely nandritra ny telo taona i Abimeleka.
\v 23 Dia nandefa fanahy ratsy teo amin'i Abimeleka sy ireo mpitarik'i Sekema Andriamanitra. Namadika ny toky izay nananan'izy ireo tamin'i Abimeleka ireo mpitarik'i Sekema.
\v 24 Nanao izany Andriamanitra mba ho voavaly faty ny herisetra natao tamin'ireo zanak'i Jerobala fitopolo lahy, ary ho voatazona ho tompon'antoka ireo olon'i Sekema satria nanampy azy namono an'ireo rahalahiny izy ireo.
\s5
\v 25 Koa dia nametraka olona hiandry teo an-tampon-kavoana ireo mpitarika mba hahafahan'izy ireo mamely azy tampoka, ary norobain'izy ireo avokoa ireo izay nandalo teo amin'izy ireo teo amin'izany lalana izany. Voatatitra tany amin'i Abimeleka izany.
\s5
\v 26 Dia tonga niaraka tamin'ireo havany i Gala zanak'i Ebeda ary nankany Sekema. Nanana fitokisana taminy ny mpitarik'i Sekema.
\v 27 Nivoaka tany an-tsaha izy ireo ary nanangona voaloboka avy tao amin'ny tanim-boaloboka, ary dia nohitsakitsahiny izany. Nanao firavoravoana tao an-tranon'ny andriamaniny izy ireo, izay nihinanan'izy ireo sy nisotroany, ary nanozonan'izy ireo an'i Abimeleka.
\s5
\v 28 Hoy i Gala, zanak'i Ebeda hoe: "Iza moa i Abimeleka, ary iza i Sekema, no dia tokony hanompo azy isika? Moa tsy zanak'i Jerobala ve izy? Moa tsy Zebola ve no lefiny? Tompoy ny olon'i Hamora, dia ny rain'i Sekema izany! Nahoana isika no tokony hanompo an'i Abimeleka?
\v 29 Iriako mba teo ambany fifehezako ity vahoaka ity! Dia ho nesoriko i Abimeleka. Dia niteny tamin'i Abimeleka aho hoe: 'Antsoy ny tafikao rehetra."'
\s5
\v 30 Rehefa nandre ny tenin'i Gala zanak'i Ebeda rehetra i Zebola, manam-boninanihitry ny tanàna, dia nirehitra ny fahatezerany.
\v 31 Nandefa iraka tany amin'i Abimeleka izy mba hamitahana, nanao hoe: "Indro, Gala zanak'i Ebeda sy ireo havany dia ho avy any Sekema, ary manainga ny tanàna hanohitra anao izy ireo.
\s5
\v 32 Ankehitriny ary, dia mifohaza mandritra ny alina, ianao sy ireo miaramila miaraka aminao, ka manomàna fanafihana tampoka any an-tsaha.
\v 33 Ary amin'ny maraina, vantany vao mihiratra ny masoandro, dia mifohaza vao maraina ary manaova rodobe eny amin'ny tanàna. Rehefa mivoaka hanohitra anao izy sy ireo olona miaraka aminy, dia manaova izay afakao amin'izy ireo."
\s5
\v 34 Koa dia nifoha nandritra ny alina i Abimeleka, sy ireo lehilahy rehetra izay niaraka taminy, ary nametraka fanafihana tampoka hanohitra an'i Sekema izy ireo—nizara ho antoko efatra izany.
\v 35 Nivoaka i Gala zanak'i Ebeda ary nitsangana teo amin'ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna. Nivoaka avy tao amin'ny toerana fiafenany i Abimeleka sy ireo lehilahy niaraka taminy.
\s5
\v 36 Rehefa hitan'i Gala ireo lehilahy, dia hoy izy tamin'i Zebola hoe: "Indreo, misy olona midina avy any an-tampon-kavoana!" Hoy Zebola taminy hoe: "Toy ny olona ny fahitanao ireo aloka eo amin'ny havoana."
\v 37 Dia niteny indray i Gala ka nanao hoe: "Indreo, misy olona midina eo afovoan'ny tany, ary misy antoko iray tonga avy eo amin'ny hazo terebintan'ireo mpanandro."
\s5
\v 38 Dia hoy Zebola taminy: "Aiza ary ireo teny mieboebonao ankehitriny, ianao ilay niteny hoe: 'Iza moa i Abimeleka no tokony ho tompointsika?' Moa ve tsy nanamavo ireo lehilahy ireo ianao? Mivoaha izao ka miadia amin'izy ireo."
\v 39 Nivoaka i Gala ary nitarika ireo lehilahin'i Sekema, ary niady tamin'i Abimeleka izy ireo.
\v 40 Nanenjika azy i Abimeleka, ary nandositra teo anoloany i Gala. Maro no lavon'ny ratra mahafaty teo anoloan'ny fidirana teo am-bavahadin'ny tanàna.
\s5
\v 41 Nitoetra tany Amora i Abimeleka. Noteren'i Zebola hivoaka an'i Sekema i Gala sy ireo havany.
\v 42 Ny ampitso dia nivoaka ho any an-tsaha ireo vahoakan'i Sekema, ary voatatitra tany amin'i Abimeleka izany.
\v 43 Naka ireo vahoakany izy, nizara azy ireo ho antoko telo, ary nanomana fanafihana tampoka tany an-tsaha izy ireo. Nitazana izy ka nahita ny olona nivoaka avy any an-tanàna ary nanafika izy ka nahafaty azy ireo.
\s5
\v 44 Nanafika ary nanampina ny fidirana teo amin'ny vavahadin'ny tanàna i Abimeleka sy ireo antoko niaraka taminy. Ireo antoko roa hafa dia nanafika an'ireo rehetra tany an-tsaha ary namono azy ireo.
\v 45 Niady hanohitra ny tanàna rehetra tamin'izany tontolo andro izany i Abimeleka. Nambabo ny tanàna izy, ary nahafaty an'ireo vahoaka izay tao amin'izany. Narodany ny mandan'ny tanàna ka nandrarahany sira izany.
\s5
\v 46 Rehefa nandre ny momba izany ireo mpitarika teo amin'ny tilikambon'i Sekema, dia niditra tao amin'ny fiarovana mafin'ny tranon'i El-berita izy ireo.
\v 47 Nolazaina tamin'i Abimeleka fa niara-nivory tao amin'ny tilikambon'i Sekema ny mpitarika rehetra.
\s5
\v 48 Nandeha niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona i Abimeleka, izy sy ireo lehilahy rehetra niaraka taminy. Naka famaky i Abimeleka ary nanapaka rantsan-kazo. Napetrany teo an-tsorony izany ary nibaiko ireo lehilahy niaraka taminy izy hoe: "Izay hitanareo ataoko, faingàna ka manaova tahaka ny nataoko."
\v 49 Koa dia nikapa rantsan-kazo ny olon-drehetra ary nanaraka an'i Abimeleka. Navangongon'izy ireo teo amin'ny rindrin'ny tilikambo izany, ary nodoran'izy ireo, hany ka maty ihany koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambon'i Sekema, dia lehilahy sy vehivavy manodidina ny arivo izany.
\s5
\v 50 Dia nankany Tebeza i Abimeleka, ary nitoby tandrifin'i Tebeza izy ka nambabo izany.
\v 51 Saingy nisy tilikambo mafy tao amin'ny tanàna, ary vaky nandositra nankao amin'izany ireo lehilahy sy vehivavy ary ireo mpitarika ny tanàna rehetra ka nihidy tao. Avy eo dia niakatra teny an-tafon'ilay tilikambo izy ireo.
\s5
\v 52 Nankany amin'ilay tilikambo i Abimeleka ka niady tamin'izany, ary niakatra nanakaiky ny varavaran'ny tilikambo izy mba handoro azy.
\v 53 Saingy nisy vehivavy nandatsaka vato fikosoham-bary teo amin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.
\v 54 Avy eo dia niantso faingana an'ilay tovolahy izay mpitondra ny fiadiany izy, ary niteny taminy hoe: "Avoahy ny sabatrao dia vonoy aho, mba tsy hisy hilaza ny amiko hoe: 'Vehivavy no namono azy."' Ka notrobaran'ilay tovolahy izy, ary maty.
\s5
\v 55 Rehefa hitan'ireo olon'Israely fa maty i Abimeleka, dia nody izy ireo.
\v 56 Koa dia namaly faty ny faharatsian'i Abimeleka izay nataony tamin-drainy tamin'ny namonoany ireo rahalahiny fitopolo Andriamanitra.
\v 57 Naverin'Andriamanitra teo amin'ny lohan'izy ireo ihany ny faharatsian'ireo olon'i Sekema ary nanody azy ireo ny ozon'i Jotama zanak'i Jerobala.
\s5
\c 10
\p
\v 1 Taorian'i Abimeleka, Tola zanak'i Poa zanak'i Dodo, lehilahy avy any Isakara izay nonina tany Samira, tany amin'ny tany havoan'ny Efraima, nitsangana mba hanafaka an'Israely.
\v 2 Nitsara ny Israely nandritra ny telo amby roapolo taona izy. Maty izy ary nalevina tany Samira.
\s5
\v 3 Nodimbiasin'i Jaira ilay Gileadita izy. Nitsara ny Israely nandritra ny roa amby roapolo taona izy.
\v 4 Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo izy, ary nanana tanàna telopolo izy ireo, izay antsoina hoe Havota-jaira mandrak'androany, tany amin'ny tanin'i Gileada izy ireo.
\v 5 Maty i Jaira ary nalevina tany Kamona.
\s5
\v 6 Nanampy ny ratsy izay nataon'izy ireo teo imason' i Yaveh ny vahoakan'i Israely ary nanompo ireo Bala, ireo Astarta, ireo andriamanitr'i Arama, ireo andriamanitr'i Sidona, ireo andriamanitr'i Moaba, ireo andriamanitry ny vahoakan'i Amona, ary ireo andriamanitr'i Filistina. Nandao an'i Yaveh izy ireo ary tsy nanompo Azy intsony.
\v 7 Nirehitra tamin'i Israely ny hatezeran'i Yaveh, ary namidiny teo an-tanan'ireo Filistina sy teo an-tanan'ireo Amonita izy ireo.
\s5
\v 8 Namotika sy nampahory ny vahoakan'Israely izy ireo tamin'izany taona izany, ary nampahorian'izy ireo nandritry ny valo ambin'ny folo taona ny vahoakan'i Israely rehetra izay tany andafin'i Jordana tany amin'ny tanin'ireo Amorit, izay any Gileada.
\v 9 Ary dia niampita an'i Jordana mba hiady tamin'i Joda, tamin'i Benjamina, ary tamin'ny ankohonan'i Efraima ireo Amorita, mba hampahory mafy an'Israely.
\s5
\v 10 Dia niantso mafy an'i Yaveh ny vahoakan'Israely, nanao hoe: "Efa nanota taminao izahay, satria nandao ny Andriamanitray izahay ary nonompo ireo Bala."
\v 11 Hoy i Yaveh tamin'ny vahoakan'Israely: "Tsy nanafaka anareo tamin'ireo Egyptiana, Amorita, Amonita, Filistina,
\v 12 ary koa tamin'ireo Sidoniana ve Aho? Nampahory anareo ireo Amalekita sy ireo Maonita; dia niantso mafy Ahy ianareo, ary nafahako tamin'ny herin'izy ireo ianareo.
\s5
\v 13 Dia mbola nandao Ahy indray ianareo ary nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany, tsy hanampy ny fotoana hanafahako anareo Aho.
\v 14 Mandehana ary antsoy mafy ireo andriamanitra izay notompoinareo. Avelao izy ireo hanavotra anareo rehefa misy olana ianareo."
\s5
\v 15 Hoy ireo vahoakan'Israely tamin'i Yaveh: "Nanota izahay. Ataovy aminay na inona na inona mety ho tsara Aminao. Fa kosa, mba avoty re izahay amin'ity andro ity."
\v 16 Dia nanaisotra ireo andriamanitra tsy izy teo aminy izy ireo ary nanompo an'i Yaveh. Ary tsy zakan'i Yaveh intsony ny fahorian'Israely.
\s5
\v 17 Dia niara-nivory ireo Amonita ary nanangana toby tao Gileada. Dia niara-tonga ireo Israelita ary nanangana ny tobiny tany Mizpa.
\v 18 Ireo mpitarika ny vahoakan'i Gileada nifampiresaka hoe: "Iza ilay lehilahy izay hanomboka hiady amin'ireo Amonita? Ho lasa mpitarika ireo rehetra izay nitoetra tany Gileada izy."
\s5
\c 11
\p
\v 1 Ary Jefta ilay Gileadita dia mpiady mahery, saingy zanaka mpivaro-tena izy. Gileada no rainy.
\v 2 Niteraka ireo zanany lahy hafa koa ny vadin'i Gileada. Rehefa lehibe ny zanaky ny vadiny, dia noteren'izy ireo handao ny trano i Jefta sady nanao taminy hoe: "Tsy handova na inona na inona avy amin'ny fianakavianay ianao. Zanaky ny vehivavy hafa ianao."
\v 3 Noho izany dia nitsoaka an'ireo rahalahiny Jefta ary nonina tany amin'ny tanin'i Toba. Nisy lehilahy tsy mpanara-dalàna nanatona azy ka tonga izy ireo ary nandeha niaraka taminy.
\s5
\v 4 Andro vitsy taty aoriana, dia niady tamin'Israely ny vahoakan'i Amona.
\v 5 Rehefa niady tamin'Israely ny vahoakan'i Amona, dia tonga nitondra an'i Jefta avy any amin'ny tanin'i Toba hiverina ireo loholon'i Gileada.
\v 6 Hoy izy ireo tamin'i Jefta hoe: "Avia ary meteza ho mpitarika anay mba hahafahanay miady amin'ny vahoakan'i Amona.
\s5
\v 7 Hoy Jefta tamin'ireo mpitarika an'i Gileada hoe: "Nankahala ahy ianareo ary nanery ahy handao ny tranon-draiko.
\v 8 Nahoana ianareo ankehitriny no makaty amiko rehefa ao anatin'ny olana?" Hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: "Izany no antony hitodianay aminao ankehitriny; andao hiaraka aminay ary hiady amin'ny vahoakan'i Amona, ka ho tonga mpitarika amin'izay rehetra monina ao Gileada ianao."
\s5
\v 9 Hoy Jefta tamin'ireo loholon'i Gileada hoe: "Raha entinao mody mba hiady amin'ny vahoakan'i Amona indray aho, ary raha omen'i Yaveh fandresena isika, dia ho mpitarika anareo aho."
\v 10 Dia hoy ireo loholon'i Gileada tamin'i Jefta hoe: "Yaveh anie ho vavolombelona eo amintsika sy ianao raha tsy manao araka izay lazaintsika isika!"
\v 11 Noho izany dia lasa niaraka tamin'ireo loholon'i Gileada i Jefta, ary nataon'ny vahoaka ho mpitarika sy mpibaiko azy ireo izy. Rehefa teo anatrehan'i Yaveh tany Mizpa izy, dia namerina ireo fampanantenana rehetra nataony i Jefta.
\s5
\v 12 Avy eo Jefta naniraka mpitondra hafatra ho an'ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona, manao hoe: "Inona ity ady eto amintsika ity? Nahoana ianao no tonga tamin-kery haka ny taninay?"
\v 13 Dia namaly an'ilay mpitondra hafatr'i Jefta ilay mpanjakan'ny vahoakan'ny Amona hoe: "Satria tamin'ny vahoakan'Israely nivoaka avy tany Egypta, dia nalain'izy ireo ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, ka hatrany Jordana. Ankehitriny avereno am-pilaminana ireo tany ireo."
\s5
\v 14 Dia nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ilay mpanjakan'ny vahoakan'i Arnona indray i Jefta,
\v 15 ary hoy izy hoe: "Izao no ambaran'i Jefta: Tsy nalain'Israely ny tanin'i Moaba sy ny tanin'ny vahoakan'i Amona,
\v 16 fa niakatra avy tany Egypta izy ireo, ary Israely nandeha namakivaky ny efitra nankany amin'ny Ranomasina Mena sy tany Kadesa.
\s5
\v 17 Rehefa nandefa mpitondra hafatra ho any amin'ny mpanjakan'i Edoma i Israely, nanao hoe: 'Miangavy re mba avelao izahay handalo eo amin'ny taninareo,' dia tsy nihaino ilay mpanjakan'i Edoma. Nandefa mpitondra hafatra tany amin'ny mpanjakan'i Moaba ihany koa izy ireo, fa nandà izy. Noho izany dia nijanona tao Kadesa i Israely.
\v 18 Dia nandeha tany an'efitra izy ireo ary nivily an'ilay tanin'i Edoma sy ny tanin'i Moaba, ka nandeha nanaraka ny morony antsinanan'ny tany Moaba ary nitoby tao amin'ny ilany ampitan'i Arnona. Fa tsy nandeha nankany amin'ny faritanin'i Moaba izy ireo, satria sisin-tanin'i Moaba i Arnona.
\s5
\v 19 Ary Israely nandefa mpitondra hafatra tany amin'i Sihona, mpanjakan'ireo Amorita, izay nanjaka tany Hesbona; hoy Israely taminy hoe: 'Miangavy, avelao izahay mba hiampita ny taninao mankany amin'ny toerana izay anay.'
\v 20 Saingy tsy nahatoky an'Israely hiampita ny faritaniny i Sihona. Noho izany dia nangonin'i Sihona ny tafiny rehetra ary nafindrany tany Jahaza izany, ary tany izy no niady tamin'Israely.
\s5
\v 21 Ary Yaveh, ilay Andriamanitr'i Israely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo am-pelatanan'i Israely ka resiny izy ireo. Noho izany dia nalain'Israely ny tanin'ireo Amorita rehetra izay nonina tao amin'izany firenena izany.
\v 22 Nalain'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tao amin'ny faritanin'ireo Amorita, hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, ary hatrany an'efitra ka hatrany Jordana.
\s5
\v 23 Ary taorian'izay Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, dia nandroaka ireo Amorita teo anatrehan'i Israely vahoakany, ka tokony haka ho fananana ny tanin'izy ireo ve ianao ankehitriny?
\v 24 Moa tsy haka ny tany izay nomen'i Kemosy, andriamanitrao ho anao ve ianao? Noho izany na inona na inona tany omen'i Yaveh Andriamanintsika antsika, dia ho alaintsika.
\v 25 Koa tsara noho i Balaka zanaka lahin'i Zipora, mpanjakan'i Moaba ve ianao? Sahy niady hevitra tamin'Israely ve izy? Sahy nanangan'ady tamin'izy ireo ve izy?
\s5
\v 26 Rehefa nipetraka nandritra ny telonjato taona tany Hesbona sy ireo zana-bohiny i Israely, ary tany Aroera sy ireo zana-bohiny, sy tany amin'ireo tanàna rehetra izay eny amoron'i Arnona— koa nahoana ianareo no tsy nitondra azy ireo niverina tamin'izany fotoana izany?
\v 27 Tsy nanao ratsy anareo aho, fa ianareo kosa manao ratsy ahy amin'ny fanafihana ahy. Yaveh, ilay mpitsara, no hanapa-kevitra anio ny amin'ny vahoakan'i Israely sy ny vahoakan'i Amona."
\v 28 Nefa tsy niraharaha ny fampitandremana izay nalefan'i Jefta tany aminy ny mpanjakan'ny vahoakan'i Amona.
\s5
\v 29 Avy eo tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Yaveh, ka nandalo an'i Gileada sy Manase izy, dia nandalo an'i Mizpa any Gileada, ary avy ao Mizpa an'i Gileada izy dia nandalo ny vahoakan'i Amona.
\v 30 Nanao voady tamin'i Yaveh i Jefta ary nanao hoe: "Raha omenao fandresena eo amin'ny vahoakan'i Amona aho,
\v 31 dia na inona na inona mivoaka ny varavaran'ny tranoko mba hitsena ahy rehefa miverina am-piadanana avy any amin'ny vahoakan'i Amona aho, dia ho an'i Yaveh, ary hatolotro ho fanatitra dorana izany."
\s5
\v 32 Ary dia nandalo teo amin'ny vahoakan'i Amona i Jefta mba hiady hanohitra azy ireo, ary nomen'i Yaveh azy ny fandresena.
\v 33 Nanafika azy ireo izy ary nahatonga famonoana lehibe tao Aerora ka hatrany Minita—tanàna roapolo—ka hatrany Abela-keramina. Ka dia tao ambany fifehezan'ny vahoakan'Israely ny vahoakan'i Amona.
\s5
\v 34 Tonga tao an-tranony tany Mizpa i Jefta, ary nivoaka avy tao ny zanany vavy mba hitsena azy amin'ny apongatapaka sy dihy. Izy irery no hany zanany, ary ankoatra azy dia tsy nanana zanaka lahy na vavy izy.
\v 35 Vantany vao hitany izy, dia norovitiny ny akanjony ary hoy izy hoe: "Indrisy! Ry zanako vavy! Notorotoroninao tamin'ny alahelo aho, ary ianao ilay lasa mampahory ahy! Satria nanao fianianana tamin'i Yaveh aho, dia tsy afaka miverina amin'ny fampanantenako."
\s5
\v 36 Hoy izy taminy hoe: "Ry raiko, nanao voady tamin'i Yaveh ianao, ataovy amiko ny zavatra rehetra nampanantenainao, satria efa namaly faty an'ireo fahavalonao, dia ireo Amorita i Yaveh."
\v 37 Hoy izy tamin-drainy hoe: "Aoka hazonina ho ahy izany fampanantenana izany. Avelao ho irery mandritra ny roa volana aho, mba hahafahako mandao ka mandeha midina mankany amin'ireo havoana ary hitomany ny maha-virjiny ahy, izaho sy ny fangoraham-poko."
\s5
\v 38 Hoy izy hoe: "Mandehana." Nalefany nandritra ny roa volana izy. Dia nandao azy razazavavy, izy sy ny fangoraham-pony, ka nitomany ny maha-virjiny azy tany amin'ny havoana.
\v 39 Rehefa vita ny roa volana dia niverina tany amin'ny rainy izy, izay nanao taminy araka ny voady fampanantenana izay nataony. Ary tsy mbola niara-nandry tamin'ny lehilahy izy, ka lasa fomba fanao isan-taona tao Israely
\v 40 fa hamerina hitantara izany tantaran'ny zanakavavin'i Jefta ilay Gileadita izany, mandritra ny efatr'andro, ireo zanakavavin'i Israely.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Nisy antso tonga ho an'ireo lehilahin'i Efraima; namakivaky an'i Zafona izy ireo sady niteny tamin'i Jefta hoe: "Nahoana ianao no nandeha hiady amin'ny vahoakan'ny Amona ary tsy miantso anay hiaraka aminao? Hodoranay ianao sy ny tranonao."
\v 2 Hoy i Jefta tamin'izy ireo hoe: "Izaho sy ny vahoakako dia nanana fifandirana lehibe tamin'ireo vahoakan'i Amona. Tamin'ny niantso anao aho, dia tsy namonjy ahy teo amin'izy ireo ianao.
\s5
\v 3 Rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianao, dia napetrako tamin'ny tanjako manontolo ny fiainako ary namakivaky ny vahoakan'i Amona aho, ka nomen'i Yaveh ahy ny fandresena. Nahoana ianao no tonga hiady amiko ankehitriny?
\v 4 Nampivorin'i Jefta niaraka ny lehilahy rehetra tao Gileada ka niady tamin'i Efraima izy. Nanafika an'ireo lehilahin'i Efraima ireo lehilahin'i Gileada satria hoy izy ireo hoe: "Ianareo Gileadita dia mpandositra any Efraima—ao Efraima sy Manase."
\s5
\v 5 Nosamborin'ireo Gileadita ireo fitàn'i Jordana mankany Efraima. Raha misy amin'ireo sisa velona miteny hoe: "Avelao aho hiampita ny renirano," dia hiteny azy ireo lehilahin'i Gileada hoe: Efraimita ve ianao?" raha miteny izy hoe: "Tsia"
\v 6 dia hiteny aminy izy ireo hoe: "Tonony hoe: Shiboleta," ary raha miteny izy hoe: "Siboleta" (satria tsy nahay nanonona ilay teny mazava izy), dia hosamborin'ireo Gileada izy ary hovonoina eo amin'ny fitàn'ny Jordana. Roa arivo sy efatra alina ireo Efraimita novonina tamin'izany fotoana izany.
\s5
\v 7 Niasa toy ny mpitsara nanerana an'i Israely nandritra ny enina taona i Jefta. Avy eo dia maty i Jefta ilay Gileadita ary nalevina tao amin'ny iray amin'ireo tanànan'ny Gileada.
\s5
\v 8 Taoriany, dia i Ibzana avy ao Betlehema no niasa ho mpitsara an'i Israely.
\v 9 Nanana zanaka lahy telo-polo izy. Nahafoy zanaka vavy telo-polo hampakarina izy, ary nitondra ireo zanaka vavy telo-polo an'ny lehilahy hafa avy any ivelany ho an'ny zanany lahy izy. Nitsara an'i Israely nandritra ny fito taona izy.
\s5
\v 10 Maty Ibzana ary nalevina tao Betlehema.
\v 11 Taoriany dia i Elona ilay Zebolonita no niasa toy ny mpitsara an'Israel. Nitsara an'Israely nandritra ny folo taona izy.
\v 12 Maty i Elona ilay Zebolonita ary nalevina tao Aialona tany amin'ny tanin'i Zebolona.
\s5
\v 13 Naanaraka azy, dia i Abdona zanaka lahin' i Elela ilay Piratonita no niasa toy mpitsara an'Israely.
\v 14 Nanana zanakalahy efapolo izy ary zafikely lahy telopolo. Nitaingina ampondra fitopolo izy ireo. Ary nitsara an'Israely nadritra ny valo taona izy.
\v 15 Maty i Abdona zanaka lahin'i Elela ilay Piratonita ary nalevina tao Piratona tany amin'ny tanin'i Efraima tany havoan'ny firenen'ireo Amalekita.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Nanao izay ratsy teo imason'i Yaveh indray ny vahoakan'i Israely, ka natolony teo an-tanan'ireo Filistina nandritra ny efapolo taona izy ireo.
\v 2 Nisy lehilahy iray avy any Zora, avy amin'ny fianakavian'ireo Danita, Manoa no anarany. Tsy afaka nitoe-jaza ny vadiny ka dia tsy niteraka izy.
\s5
\v 3 Niseho tamin-dravehivavy ny anjelin'i Yaveh ka nanao taminy hoe: "Indro ankehitriny, tsy afaka nitoe-jaza ianao, ary tsy niteraka, nefa hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy.
\v 4 Ary mitandrema mba tsy hisotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana zavatra maloto.
\v 5 Indro, hitoe-jaza ianao ary hiteraka zazalahy. Tsy hisy hareza ampiasaina amin'ny lohany, satria Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza, ary izy no hanomboka hanafaka ny Israely eo an-tanan'ireo Filistina."
\s5
\v 6 Ary tonga ravehivavy ka niteny tamin'ny vadiny hoe: "Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary toy ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana azy, tena mampitahotra. Tsy nanontany azy izay niaviany aho, ary tsy nilaza tamiko ny anarany izy.
\v 7 Dia hoy izy tamiko hoe: "Indro! Hitoe-jaza, ary hiteraka zazalahy ianao. Koa noho izany dia aza misotro divay na zava-pisotro mahery, ary aza mihinana sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto, satria ny zaza dia ho Nazarita ho an'Andriamanitra manomboka amin'ny fotoana maha ao am-bohoka azy ka hatramin'ny andro hahafatesany."
\s5
\v 8 Dia nivavaka tamin'i Yaveh i Manoa ka nanao hoe: "Tompo o, mba avelao ilay lehilahin'Andriamanitra nirahinao hiverina aminay indray mba hampianarany anay izay tokony ataonay amin'ny zaza izay ho teraka tsy ho ela."
\v 9 Namaly ny vavak'i Manoa i Yaveh, ka tonga tamin-dravehivavy indray ny anjelin'Andriamanitra raha nipetraka tany an-tsaha izy. Nefa tsy niaraka taminy i Manoa vadiny.
\s5
\v 10 Koa nihazakazaka mafy ravehivavy ary nilaza ny vadiny hoe: "Indro! Niseho tamiko ilay lehilahy_ilay tonga tamiko indray andro iny!"
\v 11 Dia nitsangana i Manoa ka nanaraka am- badiny. Rehefa tonga teo amin'ilay lehilahy izy, dia hoy izy hoe: "Ianao ve ilay lehilahy niresaka tamin'ny vadiko?" Dia hoy ralehilahy hoe: "Izaho no izy."
\s5
\v 12 Ka dia hoy i Manoa hoe: "Ankehitriny ho tanteraka anie ireo teninao. Inona no ho fitsipika ho an'ilay zaza, ary inona no ho asany?"
\v 13 Hoy ny anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Tsy maintsy hanao am-pitandremana ny zava-drehetra izay nolazaiko taminy izy.
\v 14 Tsy afaka mihinana na inona na inona izay avy amin'ny voaloboka izy, ary aza avela misotro divay na zava-pisotro mahery; aza avela mihinana sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto izy. Tokony hankato ny zavatra rehetra nandidiako azy ho ataony izy."
\s5
\v 15 Hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: "Mba mijanona kelikely re, mba hanome fotoana anay hikarakarana zanak'osy ho anao."
\v 16 Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i Manoa hoe: "Na dia hijanona aza aho, dia tsy hihinana ny sakafonao akory. Fa raha manomana fanatitra dorana ianao, dia atolory ho an'i Yaveh izany." (Tsy fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.)
\s5
\v 17 Dia hoy i Manoa tamin'ilay anjelin'i Yaveh hoe: "Iza no anaranao, mba hahafahanay manome voninahitra anao rehefa tanteraka ireo teninao?"
\v 18 Dia hoy ilay anjelin'i Yaveh taminy hoe: "Nahoana no manontany ny anarako ianao? Mahafinaritra izany!"
\s5
\v 19 Ary nalain'i Manoa niaraka tamin'ny fanatitra hohanina ny zanak'osy ka natolony teo ambony vatolampy ho an'i Yaveh ireo. Nanao zava-mahagaga izy raha iny nijery iny i Manoa sy ny vadiny.
\v 20 Rehefa niakatra avy teo amin'ny alitara nankany an-danitra ny lela afo, dia niakatra tao anatin'ny lela afon'ny alitara ilay anjelin'i Yaveh. Nahita izany i Manoa sy ny vadiny ary nampiakohoka ny tavan'izy ireo tamin'ny tany.
\s5
\v 21 Tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony ilay anjelin'i Yaveh. Ary fantatr'i Manoa fa anjelin'i Yaveh izy.
\v 22 Hoy i Manoa tamin'ny vadiny hoe: "Ho faty tokoa isika, satria niseho tamintsika Andriamanitra!"
\s5
\v 23 Nefa hoy ny vadiny taminy hoe: "Raha te hamono antsika Andriamanitra, dia tsy nandray ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina nomentsika azy Izy. Tsy tokony nampiseho antsika ireny zavatra rehetra ireny Izy, na namela antsika handre zavatra toy izany amin'izao fotoana izao."
\s5
\v 24 Taty aoriana dia niteraka zazalahy ravehivavy, ary nataony hoe Samsona ny anarany. Nihalehibe ny zaza ary nitahy azy i Yaveh.
\v 25 Nanomboka nanetsika azy tany Mahana-dana ny Fanahin'Andriamanitra, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Nidina tany Timna i Samsona, ary nahita vehivavy iray tany izy, izay iray amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina.
\v 2 Rehefa niverina izy, dia niteny tamin'ny ray sy reniny hoe: "Nahita vehivavy iray tao Timna aho, iray amin'ireo zanaka vavin'ireo Filistina. Ary alaivo mba ho vadiko izy."
\s5
\v 3 Hoy ny ray sy reniny taminy hoe: "Moa ve tsy misy vehivavy amin'ireo zanaka vavin'ny havanao, na amin'ireo vahoakanao rehetra? Haka vady avy amin'ireo Filistina tsy mifora ve ianao?" Hoy i Samsona tamin'ny rainy hoe: "Alaivo ho ahy izy, fa rehefa nijery azy aho, dia mahafinaritra ahy izy."
\v 4 Fa ny ray sy reniny dia tsy nahalala fa avy amin'i Yaveh izany zavatra izany, satria naniry ny hanangana ady amin'ireo Filistina Izy (satria tamin'izany fotoana izany dia ireo Filistiana no nanjaka tao Israely).
\s5
\v 5 Ary nidina tany Timna niaraka tamin'ny ray sy reniny i Samsona, ary nankany amin'ny tanim-boalobok'i Timna izy ireo. Ary, indro, nisy liona tanora iray nanatona ary nierona taminy.
\v 6 Tonga tampoka taminy ny Fanahin'i Yaveh, ary dia nosamahiny mora toy ny manasamaka zanak'osy ilay liona, ary tsy nisy na inona na inona teny an-tanany. Nefa tsy nolazainy tamin'ny rainy na ny reniny izay nataony.
\s5
\v 7 Nandeha izy ary niresaka tamin'ilay vehivavy, ary rehefa nijery azy izy, dia nahafinaritra an'i Samsona izy.
\v 8 Andro vitsivitsy taty aoriana rehefa niverina haka vady azy izy, dia nivily lalana izy mba hijery ny fatin'ilay liona. Ary, indro, nisy andian-tantely sy tantely teo amin'ny sisa tavela tamin'ny vatan'ilay liona.
\v 9 Nangoniny teny an-tanany ilay tantely dia nandeha izy, sady nandeha izy no nihinana. Rehefa tonga tany amin'ny rainy sy ny reniny izy, dia nanomeny ampahany izy ireo, ary nihinana. Nefa tsy nolazainy azy ireo fa nalainy teny amin'ny sisa tavela tamin'ny vatan'ilay liona ilay tantely.
\s5
\v 10 Nidina tany amin'izay nisy an'ilay vehivavy ny rain'i Samsona, ary nanao fanasana tany i Samsona, satria izany ny fomban'ny tovolahy.
\v 11 Raha vao hitan'ny havan'ilay vehivavy izy, dia nitondran'izy ireo telopolo tamin'ireo namany mba hiaraka aminy.
\s5
\v 12 Hoy i Samsona tamin'izy ireo hoe: "Avelao aho anio hiteny ankamantatra aminareo. Raha misy iray aminareo mahita izany ary miteny amiko ny valiny mandritra ny fito andro fanasana, dia homeko rongony fotsy madinika telopolo sy akanjo fisolo telopolo.
\v 13 Fa raha tsy mahalaza amiko ny valiny ianareo, dia homenareo rongony fotsy madinika sy akanjo fisolo telopolo isa aho." Hoy izy ireo taminy hoe: "Lazao anay ny ankamantatrao, mba hahafahanay mandre izany."
\s5
\v 14 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Avy ao amin'ny mpihinana no misy zavatra fihinana; avy ao amin'ny matanjaka no misy zavatra malefaka." Saingy tsy nahita ny valiny tao anatin'ny telo andro ireo vahiny nasainy.
\s5
\v 15 Tamin'ny andro fahefatra dia hoy izy ireo tamin'ny vadin'i Samsona hoe: "Fitaho ny vadinao mba hilazany aminay ny valin'ilay ankamantatra, raha tsy izany dia hodoranay ianao sy ny tranon'ny rainao. Nasainareo taty mba ho ampahantraina angaha izahay?"
\s5
\v 16 Nanomboka nitomany teo anatrehany ny vadin'i Samsona; hoy izy hoe: "Halanao aho! tsy tia ahy ianao! Nanao ankamantatra tamin'ny sasany tamin'ireo vahoakako ianao, fa tsy nilaza tamiko ny valiny." Hoy Samsona taminy hoe: "Jereo aho, raha tsy nilaza tamin'ny raiko na ny reniko aho, dia tokony hiteny aminao ve?"
\v 17 Nitomany nandritra ny fito andro naharetan'ny fanasana izy. Tamin'ny andro fahafito dia nolazainy taminy ilay valiny satria nanery mafy azy izy. Dia nolazainy tamin'ny havan'ny vahoakany ilay valiny.
\s5
\v 18 Nialohan'ny niletehan'ny masoandro tamin'ny andro fahafito dia ireo lehilahy teo an-tanàna taminy hoe: "Inona no mamy mihoatra ny tantely? Inona no matanjaka mihoatra ny liona?" Hoy i Samsona tamin'izy ireo hoe: "Raha tsy niray tsikombakomba tamin'ny vadiko ianareo, dia tsy nahita ny valin'ny ankamantatro."
\s5
\v 19 Ary tonga tampoka tamin-kery tao amin'i Samsona ny Fanahin'i Yaveh. Nidina tao Askelona i Samsona ary namono telopolo tamin'ny lehilahin'izy ireo. Nalainy ny zavatra nobaboin'izy ireo, ary nomeny ireo izay nanazava ilay ankamantatra ny akanjon'izy ireo. Tamim-pahatezerana mafy, dia niakatra tany amin'ny tranon'ny rainy izy.
\v 20 Natolotra ny namany akaiky azy indrindra ny vadin'i Samsona.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Andro maromaro taty aoriana, nandritra ny fotoam-pijinjam-bary, dia naka zanak'osy i Samsona ary nandeha namangy ny vadiny. Hoy izy tamin'ny tenany hoe: "Handeha ho any amin'ny efitranom-badiko aho." Nefa tsy namela azy niditra ny rainy.
\v 2 Hoy ny rainy hoe: "Tena nihevitra aho fa nankahala azy ianao, ka nomeko ny namanao izy. Tsara noho izy ny zandriny vavy, sa tsy izany? Alaivo ho solony izy."
\s5
\v 3 Namaly azy ireo i Samsona hoe: "Amin'izany fotoana izany dia tsy hanan-tsiny eo imason'ireo Filistina aho raha manao izay mampalahelo azy ireo."
\v 4 Dia nandeha i Samsona ka nisambotra amboahaolo telonjato ary namatotra azy ireo tsiroaroa, isan-drambony. Avy eo dia naka fanilo izy ka namatotra ireo teo afovoan'ny rambo roa.
\s5
\v 5 Rehefa nandrehitra ny fanilo izy, dia namela ireo amboahaolo handeha eny amin'ny vary manirin'ireo Filistina, dia samy nodoran'izy ireo ny vary niangona sy ny vary naniry teny an-tsaha, niaraka tamin'ireo tanim-boaloboka sy ireo tanin'Oliva.
\v 6 Nanontany ireo Filistina hoe: "Iza no nanao izao?" Nolazaina tamin'izy ireo hoe: "Samsona, ilay vinanto lahin'ilay Timnita, no nanao izao satria naka ny vadin'i Samsona ilay Timinita ary nanome azy ho an'ny namany." Dia nandeha ireo Filistina ary nandoro azy sy ny rainy.
\s5
\v 7 Ary Samsona nanao tamin'izy ireo hoe: "Raha izany no ataonareo, dia hamaly faty anareo aho, ary rehefa vita izany, vao hijanona aho."
\v 8 Ary notapatapahiny tamin'ny famonoana lehibe, ny valahany sy fen'izy ireo. Ary nidina izy ka nonina tao anaty lava-bato tao amin'ny hantsan'i Etama.
\s5
\v 9 Ary niakatra ireo Filistina ka niomana ho amin'ny ady tany Joda ary nanangana ny tafik'izy ireo tany Lehy.
\v 10 Ireo lehilahin'i Joda nilaza hoe: "Nahoana ianareo no niakatra hanafika anay?" Hoy izy ireo hoe: "Manafika izahay mba hahafahanay misambotra an'i Samsona, ary hanao aminy tahaka izay nataony taminay."
\s5
\v 11 Ary nisy olon'i Joda telo arivo nidina tao amin'ny lava-baton'ny hantsan'i Etama, ary niteny tamin'i Samsona izy ireo hoe: "Moa ve ianao tsy mahafantatra fa ireo Filistina no mpanapaka eo amintsika? Inona izao nataonao taminay izao?" Namaly azy ireo i Samsona hoe: "Izay nataon'izy ireo tamiko, dia toy izany ihany koa no nataoko tamin'izy ireo."
\s5
\v 12 Hoy izy ireo tamin'i Samsona: "Nidina izahay mba hamatotra anao sy hanolotra anao eo am-pelatanan'ireo Filistina. Ary Samsona niteny tamin'izy ireo hoe: "Mianiana amiko fa tsy ianareo no hamono ahy."
\v 13 Hoy izy ireo taminy hoe: "Tsia, hamatotra anao amin'ny tady fotsiny izahay ary hanolotra anao eo amin'izy ireo. Mampanantena izahay fa tsy hamono anao." Dia namatotra azy tamin'ny tady roa vaovao izy ireo ary nitondra azy niakatra avy tao amin'ny vato.
\s5
\v 14 Rehefa tonga tany Lehy izy, dia nihorakoraka ireo Filistina raha vao nifanena taminy. Tonga taminy tamin-kery ny Fanahin'i Yaveh. Ireo tady teo amin'ny sandriny dia tonga tahaka ny lamba rongony may, ka nilatsaka avy teny amin'ny tanany.
\s5
\v 15 Nahita valanoranon'ampondra vaovao i Samsona, ka naka izany ary namono arivo lahy tamin'izany.
\v 16 Ary Samsona nilaza hoe: "Tamin'ny valanoranon'ampondra no namonoko arivo lahy, isan'antontany avy."
\s5
\v 17 Rehefa tapitra ny tenin'i Samsona, dia natsipiny ilay valanorano, ary niantsoiny hoe Ramata Lehy ilay toerana.
\v 18 Nangetaheta mafy i Samsona ka niantso an'i Yaveh ary niteny hoe: "Nanome an'ity fandresena lehibe ity tamin'ny mpanomponao Ianao. Kanefa ankehitriny kosa moa ve ho fatin'ny hetaheta aho ka ho lavo eo an-tanan'ireo izay tsy voafora?"
\s5
\v 19 Nanasaraka ilay toerana babangoana izay tany Lehy ka nisy rano nivoaka. Rehefa nisotro izy, dia niverina ny heriny ary velombelona indray izy. Koa nantsoiny hoe En-Hakore ilay toerana, ary izany dia any Lehy mandrak'ankehitriny.
\v 20 Nitsara an'Israely nandritra ny roapolo taona i Samsona tamin'ny andron'ireo Filistina.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Nandeha tany Gaza i Samsona ary nahita mpivaro-tena tany, ka niara-nandry taminy izy.
\v 2 Dia nolazaina ireo Gazita hoe: "Tonga teto i Samsona." Nodidinin'ireo Gazita ilay toerana, niandry azy teo amin'ny vavahadin'ny tanàna nandritra ny alina tontolo izy ireo. Nitazona ny fahanginana nandritra ny alina tontolo. Niteny izy ireo hoe: "Avelao izahay hiandry mandra-pahazavan'ny andro, ary avy eo avelao izahay hamono azy."
\s5
\v 3 Nijanona teo am-pandriana i Samsona mandram-pisasaky ny alina. Tamin'ny sasak'alina dia nifoha izy ary nobatainy ilay vavahady sy ny tolànany roa. Nongotany niala tamin'ny tany ireo, ny hidiny sy ny rehetra, napetrany teo an-tsorony izany, ary nentiny niakatra tany an-tampon'ny havoana ireo, teo anoloan'i Hebrona.
\s5
\v 4 Taorian'izay, dia nitia vehivavy iray izay nipetraka tany an-dohasahan'i Soreka i Samsona. Delila no anarany.
\v 5 Tonga teo aminy ireo mpanapak'ireo Filistina, ary nilaza taminy hoe: "Fitaho Samsona mba hahitana izay misy ny tanjany lehibe, sy ny fomba handresenay azy, mba hahafahanay mifehy azy hanalana baraka azy. Ataovy izany, dia omenay tsirairay avy 1. 100 sekely volafotsy ianao."
\s5
\v 6 Ary hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: "Miangavy re, lazao ahy ny mahatonga anao tena matanjaka, ary ahoana no hahafahan'ny olona mamatotra anao, ka ho voafehy ianao?
\v 7 Hoy i Samsona taminy: "Raha fatoran'izy ireo amin'ny tady vaovao fito izay tsy mbola namainina aho, dia lasa malemy aho ary ho tahaka ny lehilahy hafa rehetra."
\s5
\v 8 Ary nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola namainina ho an'i Delila ireo mpanapak'ireo Filistina, ary nofatorany tamin'ireo Samsona.
\v 9 Ary nanana lehilahy miafina am-pahanginana, izay niandry tao amin'ny efitranony anatiny izy. Hoy izy taminy hoe: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Nefa notapahiny tahaka ny tadi-kofehy mikasika afo ireo tady. Ka tsy fantatra izay tsiambaratelon'ny tanjany.
\s5
\v 10 Ary hoy Delila tamin'i Samsona hoe: "Izao ny fomba namitahanao ahy sy nilazanao lainga amiko. Miangavy re, lazao ahy hoe ahoana no hahafahana mandresy anao."
\v 11 Hoy izy taminy hoe: "Raha fatoran'izy ireo amin'ny tady vaovao izay mbola tsy nampiasaina ho amin'ny asa aho, dia halemy aho ary ho tahaka ny lehilahy hafa rehetra."
\v 12 Dia naka tady vaovao i Delila ary namatotra azy tamin'ireo, sady nilaza taminy hoe: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Ilay lehilahy niandry dia tao an'efitranony anatiny. Nefa notapahin'i Samsona tahaka ny poti-kofehy ireo tady teo amin'ny sandrin.
\s5
\v 13 Hoy i Delila tamin'i Samsona hoe: "Hatramin'izao ianao dia mbola namitaka ahy ary nilaza lainga tamiko. Lazao ahy hoe ahoana no mety handresena anao." Fa hoy i Samsona taminy hoe: "Raha zairinao ao amin'ny lamba eo amin'ny fanjairana ny vonan'ny voloko miisa fito, ary avy eo dia fantsio eo amin'ny fanjairana izany, dia ho toy ny lehilahy hafa rehetra aho."
\v 14 Raha natory izy, dia nozairin'i Delila tamin'ny fanjairana ny foto-bolo fito tamin'ny volony ary namantsika izany teo amin'ny fanjairana izy, dia hoy izy taminy: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Nifoha tamin'ny torimasony izy ary nongotany teo amin'ny fanjairana ilay lamba sy ilay tsatoka.
\s5
\v 15 Hoy izy taminy hoe: "Ahoana no hahafahanao miteny hoe: 'Tiako ianao,' raha tsy hizara ireo tsiambaratelonao amiko ianao? Namitaka ahy intelo ianao ary tsy nilaza tamiko ny nahazoanao izao tanjaka lehibe izao."
\v 16 Isan'andro dia nanery azy mafy tamin'ireo teniny ravehivavy, ary nanery azy mafy ny mba haniriany ho faty.
\s5
\v 17 Dia nolazain'i Samsona taminy ny zavatra rehetra ary hoy izy taminy hoe: "Mbola tsy notapahina tamin'ny hareza mihintsy ny volon-dohako, satria izaho dia Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko. Koa raha haratana ny lohako, dia hiala amiko ny heriko, ary halemy aho ka ho toy ny lehilahy hafa rehetra."
\s5
\v 18 Rehefa hitan'i Delila fa nilaza ny marina momba ny zavatra rehetra taminy izy, dia nandefa sy niantso ireo mpanapak'ireo Filistina izy, nanao hoe: "Miakara indray, fa efa nolazainy tamiko ny zavatra rehetra." Dia nankany aminy ireo mpanapak'ireo Filistina, nitondra ny volafotsy teny an-tanan'izy ireo.
\v 19 Nataony resy tory teo amin'ny feny izy. Niantso lehilahy iray mba hanaratra ireo vona fito teo amin'ny lohany izy, ary nanomboka nandresy azy izy, satria niala taminy ny heriny.
\s5
\v 20 Ary hoy izy hoe: "Eo aminao ireo Filistina, ry Samsona!" Nifoha tamin'ny torimasony izy ary niteny hoe: "Hivoaka tahaka ireo fotoana hafa aho ary hanetsika malalaka ny tenako." Nefa tsy fantany fa efa niala taminy i Yaveh.
\v 21 Nisambotra azy ireo Filistina ary nanaisotra ireo masony. Nitondra azy nidina tany Gaza izy ireo ary namatotra azy tamin'ny rojo varahina. Nanakodia ny fikosoam-bary tany am-pigadrana izy.
\v 22 Fa niverina naniry indray ny volo teo amin'ny lohany taorian'ny nanaratana izany.
\s5
\v 23 Niara-nivory ireo mpanapak'ireo Filistina mba hanolotra sorona lehibe ho an'i Dagòna andriamanitr'izy ireo, ary hifaly. Hoy izy ireo hoe: "nandresy an'i Samsona fahavalontsika ny andriamanitsika ary nametraka azy teo ampelan-tanantsika izy."
\v 24 Rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamanitr'izy ireo, satria hoy izy ireo hoe: "Efa nandresy ireo fahavalontsika ny andriamanitsika ary nanome azy ho antsika— ilay mpandrava ny tanànantsika, izay namono ny maro tamintsika."
\s5
\v 25 Rehefa nankalaza izy ireo, dia hoy izy ireo hoe: "Antsoy i Samsona, mba hampihomehy antsika." Niantso an'i Samsona hivoaka ny tranomaizina izy ireo ary nampihomehy azy ireo ireo. Nataon'izy ireo nitsangana teo anelanelan'ireo andry izy.
\v 26 Hoy i Samsona tamin'ilay zazalahy izay nitantana ny tanany hoe: "Avelao aho mba hikasika ireo andry izay manohina ny trano lehibe, mba hahafahako miantehitra amin'ireo.
\s5
\v 27 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano. Tao avokoa ireo mpanapak'ireo Filistina rehetra. Teo amin'ny telo arivo teo ho eo ny lehilahy sy vehivavy teo an-tafon-trano, izay nijery an'i Samsona nampiala voly azy ireo.
\s5
\v 28 Niantso an'i Yaveh Samsona, ary nanao hoe: "Tompo Yaveh, tsarovy aho! Miangavy re hatanjaho aho amin'ity indray mitoraka ity ihany, ry Andriamanitra, mba hahafahako mamaly indray mandeha ireo Filistina ny amin'ny nanalany ireo masoko roa"
\v 29 Notazomin'i Samsona ireo andry roa teo afovoany izay nanohana ny fanorenana lehibe, ary niankina teo amin'ireo izy, ny andry iray tamin'ny tanany havanana, ary ny iray tamin'ny tanany havia.
\s5
\v 30 Hoy i Samsona hoe: "Avelao aho ho faty miaraka amin'ireo Filistina!" Naninjitra ny heriny izy ka nianjera teo amin'ireo mpanapaka sy teo amin'ireo olona rehetra izay tao anatin'izany ilay fanorenana lehibe. Ka ny maty izay novonoiny tamin'izy maty dia mihoatra noho ireo izay novonoiny nandritra ny fiainany.
\v 31 Ary nidina ireo rahalahiny sy ireo ankohonan-drainy rehetra. Naka azy izy ireo, nitondra azy niverina ary nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tany amin'ny toeram-pandevenana an'i Manoa, rainy. Nitsara an'i Israely nandritra ny roapolo taona i Samsona.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Nisy lehilahy iray tany amin'ny tany havoan'i Efraima, ary Mika no anarany.
\v 2 Hoy izy tamin'ny reniny: "Ny sekely volafotsy 1. 100 izay nalaina taminao, mahakasika ilay ozona noresahinao, izay reko__indro etoana! Manana volafotsy aho aty amiko. Izaho no nangalatra izany." Dia hoy ny reniny: "Ho tahian'i Yaveh anie ianao, ry zanako!"
\s5
\v 3 Naveriny tany amin'ny reniny ny sekely volafotsy 1. 100 ary hoy ny reniny taminy: "Hatokako ho an'i Yaveh ity volafotsy ity, fa hanamboatra sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an'idina ny zanako lahy. Ka ankehitriny, dia averiko aminao ity."
\v 4 Rehefa naveriny tamin'ny reniny ilay vola, dia naka sekely volafotsy roanjato ny reniny ary nomeny ireo mpanefy vy izay nanao ireo ho sarin-javatra voasokitra sy an'idina izany, ary napetraka tao an-tranon'i Mika ireo.
\s5
\v 5 Ilay lehilahy hoe Mika dia nanana tranon-tsampy ary nanamboatra efoda sy tokantranon'ireo andriamanitra izy, ary nanakarama iray tamin'ireo zanany lahy izy mba ho lasa mpisorony.
\v 6 Ary tamin'ireo andro ireo dia tsy nisy mpanjaka tany Israely, ary nanao izay marina teo imasony ny olona rehetra.
\s5
\v 7 Ary nisy zatovo lahin'i Betlehema iray tany Joda, avy amin'ny fianakavian'i Joda, izay Levita. Nijanona tany izy mba hanatanteraka ireo adidiny.
\v 8 Niala tao Betlehema tao Joda ralehilahy mba handeha ary hitady toerana hipetrahana. Rehefa nandeha izy, dia tonga tany an-tranon'i Mika tany amin'ny tany havoan'i Efraima.
\v 9 Dia hoy Mika taminy: "Avy aiza ny fiavianao?" Ary hoy ralehilahy taminy: "Levita an'i Betlehema tao Joda aho, ary nandia aho mba hitady toerana izay mety honenako."
\s5
\v 10 Dia hoy i Mika taminy: "Mijanona eto amiko, ary aoka ianao ho ray sy ho mpisorona ho ahy. Homeko sekely volafotsy folo isan-taona, akanjo fitafy, ary ny sakafonao ianao." Koa dia niditra tao an-tranony ilay Levita.
\v 11 Dia nahafaly an'ilay Levita ny hipetraka miaraka amin-dralehilahy, ary ho an'i Mika dia tonga tahaka ny iray amin'ireo zanany lahy ilay tovolahy.
\s5
\v 12 Natokan'i Mika ho an'ny adidy masina ilay Levita, ary lasa mpisorony ilay tovolahy, ary tao an-tranon'i Mika.
\v 13 Ary hoy i Mika: "Fantatro ankehitriny fa hanao soa ho ahy i Yaveh, satria lasa mpisoroko ity Levita ity."
\s5
\c 18
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany dia mbola tsy nisy mpanjaka tao Israely. Nitady faritra honenana ny fokon'ireo taranak'i Dana, satria tamin'izany andro izany dia tsy nahazo lova tamin'ireo fokon'Israely mihitsy izy ireo.
\v 2 Naniraka lehilahy dimy tamin'ireo olona maro be tao amin'ny fokon'izy ireo ny vahoakan'i Dana, lehilahy izay mpiady efa za-draharaha avy amin'i Zora sy Estaola, mba handeha hiaodihaody an-tongotra amin'ilay tany, ary hizaha izany. Hoy izy ireo tamin'izy ireo hoe: "Mandehana ka zahao ilay tany." Tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima izy ireo, tany amin'ny tranon'i Mika, ka nijanona tao izy ireo ny alina.
\s5
\v 3 Rehefa nanakaiky ny tranon'i Mika izy ireo, dia nahafantatra ny firesak'ilay zatovo Levita. Koa dia nijanona izy ireo ary nanontany azy hoe: "Iza no nitondra anao taty? Inona no ataonao aty amin'ity toerana ity? Nahoana ianao no eto?"
\v 4 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Izao no nataon'i Mika tamiko: Nokaramainy ho lasa mpisorony aho."
\s5
\v 5 Hoy izy ireo taminy hoe: "Mba anontanio re ny hevitr'Andriamanitra, mba hahafantaranay raha hahomby ny dia izay alehanay."
\v 6 Hoy ilay mpisorona tamin'izy ireo hoe: "Mandehana am-piadanana. Hitarika anareo amin'ny lalana tokony alehanareo i Yaveh."
\s5
\v 7 Ary lasa ireo lehilahy dimy ka tonga tao Laisy, ary nahita izy ireo fa niaina am-piadanana ny vahoaka, tahaka ny fomba niainan'ireo Sidoniana, tsy voakorontana sy voaaro. Tsy nisy nambabo na nampahory azy ireo tamin'ny fomba rehetra tao amin'ilay tany. Nonina lavitra an'ireo Sidoniana izy ireo ary tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza.
\v 8 Niverina tany amin'ny fokony any Zora sy Estaola izy ireo. Dia nanontany azy ireo ny havany hoe: "Inona no tatitrareo?"
\s5
\v 9 Hoy izy ireo hoe: "Avia! Andao hanafika azy ireo! Efa hitanay ilay tany ary tena tsara izany. Tsy hanao na inona na inona ve ianareo? Aza mitaredretra hanafika sy haka ilay tany.
\v 10 Rehefa mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny vahoaka izay mihevitra fa tsy manana ahiahy izy ireo, ary midadasika ilay tany! Nomen'Andriamanitra anareo izany— dia toerana iray izay tsy ahitana tsy fahampiana ao amin'ilay tany."
\s5
\v 11 Nisy eninjato lahy avy amin'ny fokon'i Dana, mitàna fitaovam-piadiana, nivoaka avy tany Zora sy Estaola.
\v 12 Niakatra izy ireo ary nitoby tao Kiriata-jearima, ao Joda. Izany no antony hiantsoan'ny olona io toerana io hoe Mahane-dana mandrak'ankehitriny; ao andrefan'i Kiriata-jearima izany.
\s5
\v 13 Niala tao nankany amin'ny tany havoan'i Efraima izy ireo ary tonga tao amin'ny tranon'i Mika.
\v 14 Dia hoy ireo lehilahy dimy izay nandeha mba hiaodihaody tany amin'ny firenen'i Laisy tamin'ireo havany hoe: "Fantatrareo ve fa ato amin'ireto trano ireto dia misy efoda, terafima, sarin-javatra voasokitra, ary sarin-javatra an'idina? Koa manapaha hevitra ankehitriny ny amin'izay ho ataonareo."
\s5
\v 15 Koa nivily tao izy ireo ary tonga tany amin'ny tranon'ilay zatovo Levita, tao an-tranon'i Mika, ary niarahaba azy izy ireo.
\v 16 Ary ireo Danita eninjato, nanana fitaovam-piadiana, dia nitsangana teo amin'ny fidiran'ny vavahady.
\s5
\v 17 Ireo lehilahy dimy izay nandeha hisafo ilay tany dia nankany ary naka ilay sarin-javatra voasokitra, ilay efoda, ireo terafima, ary ilay sarin-javatra an'idina, raha nijoro teo amin'ny fidirana eo amin'ny vavahady niaraka tamin'ny lehilahy eninjato mitondra fitaovam-piadiana ilay mpisorona.
\v 18 Rehefa nankao amin'ny tranon'i Mika ireo ka naka ilay sary an'idina, efoda, ireo andriamanitry ny tokantrano, ary ilay sarin-jaratra voasokitra, dia hoy ilay mpisorona tamin'izy ireo hoe: "Inona izao ataonareo izao?"
\s5
\v 19 Hoy izy ireo taminy hoe: "Mangina! Ataovy eo amin'ny vavanao ny tananao ary andao hiaraka aminay, ary ho rainay sy mpisoronay ianao. Tsara kokoa ho anao ve ny ho mpisorona ho an'ny tranon'ny lehilahy iray, sa mpisorona ho an'ny foko iray sy fianakaviam-be iray ao Israely?" Faly ny fon'ilay mpisorona.
\v 20 Nalainy ilay efoda, ireo terafima, sy ilay sarin-javatra voasokitra, ary lasa nanaraka ny vahoaka izy.
\s5
\v 21 Dia nitodika izy ireo ary lasa. Nataon'izy ireo teo alohany ireo zaza madinika, torak'izany koa ireo biby fiompy sy ny fananan'izy ireo.
\v 22 Rehefa lavitra tsara ny tranon'i Mika izy ireo, dia niara-nantsoina ireo lehilahy izay tao amin'ireo trano akaikin'ny tranon'i Mika, ary tratra niaraka tamin'ireo Danita izy ireo.
\v 23 Niantso mafy ireo Danita izy ireo, dia nitodika izy ireo ary niteny tamin'i Mika hoe: "Nahoana ianareo no niara-nantsoina?"
\s5
\v 24 Hoy izy hoe: "Nangalarinareo ireo andriamanitra izay namboariko, nalainareo ny mpisoroko, ary lasa ianareo. Inona sisa no tavela ho ahy? Ahoana no hahafahanareo manontany ahy hoe: 'Inona no mahory anao?'"
\v 25 Hoy ny vahoakan'i Dana taminy hoe: "Tsy tokony hamela anay handre izay rehetra lazainao ianao, raha tsy izany dia hisy olona tezitra mafy hanafika anao, ary ho vonoina ianao sy ny fianakavianao."
\v 26 Ary nanohy ny lalany ireo vahoakan'i Dana. Rehefa hitan'i Mika fa matanjaka loatra ho azy izy ireo, dia nivily izy ary niverina tany an-tranony.
\s5
\v 27 Nalain'ny vahoakan'i Dana izay nataon'i Mika, torak'izany ny mpisorony, ary tonga tao Laisy izy ireo, tany amin'ny vahoaka izay tsy voaelingelina sy tsy manana ahiahy ka namono azy ireo tamin'ny sabatra izy ireo ary nandoro ilay tanàna.
\v 28 Tsy nisy na iza na iza nanavotra azy ireo satria lalana lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanana fifandraisana tamin'iza na iza izy ireo. Tany amin'ny lohasaha izay akaikin'ny Beti-rehoba izany. Namerina nanangana ilay tanàna ireo Danita ka nonina tao.
\v 29 Nomen'izy ireo ny anarana hoe Dana ilay tanàna, anaran'i Dana razamben'izy ireo, ilay iray amin'ireo zanaka lahin'Israely. Fa Laisy no anarana nahazatra an'ilay tanàna.
\s5
\v 30 Natokan'ny vahoakan'i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasokitra. Jonatana zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy, izy sy ireo zanany lahy dia samy mpisoron'ny fokon'ireo Danita hatramin'ny andro nahazoana ilay tany.
\v 31 Ary dia nanompo ny sarin-javatra voasokitra izay nataon'i Mika izy ireo nandritra ny fotoana naha-tao Silo ny tranon'Andriamanitra.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany, rehefa tsy nisy mpanjaka tao Israely, dia nisy lehilahy iray, Levita, nivahiny tany amin'ny faritra lavitra indrindra tamin'ny tany havoan'i Efraima. Naka vehivavy ho azy izy, vaditsindrano avy any Betleheman'i Joda.
\v 2 Nefa tsy tokam-po taminy ilay vaditsindranony; nandao azy ravehivavy ary niverina tany an-tranon-drainy tany Betleheman'i Joda. Nijanona tany efa-bolana izy.
\s5
\v 3 Ary niarina ny vadiny ka nanaraka azy mba handresy lahatra azy hody. Niaraka taminy ny mpanompony, sy ny ampondra anankiroa. Dia nentiny tany an-tranon-drainy izy. Rehefa nahita azy ny rain'ilay zazavavy, dia faly izy. Ny rafozan-dahiny,
\v 4 ilay rain'ilay zazavavy, dia nandresy lahatra azy mba hijanona telo andro. Nisakafo sy nisotro izy ireo, ary nandany ny alina tao.
\s5
\v 5 Nifoha aloha izy ireo tamin'ny andro fahaefatra, ary niomana ny handeha izy, kanefa ny rain'ilay zazavavy niteny tamin'ny vinanto lahiny hoe: "Tohano amin'ny mofo aloha ny tenanao, dia mahazo mandeha ianareo avy eo."
\v 6 Dia nipetraka izy roa ka niara-nihinana sy nisotro. Ary hoy ny rain'ilay zazavavy hoe: "Mba maneke handany ny alina ary mifalia."
\s5
\v 7 Rehefa nifoha mba handeha ilay Levita, dia nanery azy hijanona ny rain'ilay zatovovavy, nanova ny drafiny izy noho izany ary nandry tao indray.
\v 8 Tamin'ny andro fahadimy dia nifoha aloha mba hanainga izy, fa ny rain'ilay zazavavy niteny taminy hoe: "Tohano aloha ny tenanao, ary miandrasa mandra-pihilan'ny andro." Ary dia nisakafo izy roa.
\s5
\v 9 Rehefa niarina mba hanainga ilay Levita sy ny vadintsindranony ary ny mpanompony, dia niteny taminy ny rafozan-dahiny, ilay rain'ilay zazavavy hoe: "Indro, mandroso miha hariva ny andro. Mijanòna re anio alina, ary mifalia. Afaka mifoha aloha ianareo rahampitso ary mandeha mody."
\s5
\v 10 Fa ilay Levita tsy vonona ny handry. Niarina izy ary nandeha. Nandroso nankany Jebosa izy (Jerosalema izany). Nanana ampondra nisy lasely anankiroa izy_ary niaraka taminy ny vadintsindranony.
\v 11 Rehefa nanakaiky an'i Jebosa izy ireo, dia efa nadiva hifarana ny andro, ary ilay mpanompo niteny tamin'ny tompony hoe: "Andao, andeha isika hivily ao an-tanànan'ireo Jebosita ary hatory ao amin'izany."
\s5
\v 12 Hoy ny tompony taminy hoe: "Tsy hivily amin'ny tanànan'ny vahiny izay tsy isan'ny vahoakan'i Israely isika. Handroso ho any Gibea isika."
\v 13 Ilay Levita niteny tamin'ilay tovolahiny hoe: "Andao, andeha isika ho any amin'ny iray amin'ireo toerana hafa, ary handany ny alina any Gibea na Rama."
\s5
\v 14 Dia nandroso izy ireo, ary nilentika ny masoandro raha nanakaiky an'i Gibea izy ireo, ao amin'ny faritanin'i Benjamina.
\v 15 Nivily tao izy ireo ary natory tao Gibea. Nandeha izy ireo ary nipetraka teo an-kianjan'ny tanàna, fa tsy nisy olona na iray nampiantrano azy ireo ny alina.
\s5
\v 16 Fa avy eo dia nisy lehilahy antitra iray nody avy niasa tany an-tsaha iny hariva iny. Avy any amin'ny tany havoan'i Efraima izy, ary nivahiny tao Gibea. Nefa ny olona nipetraka teo amin'ilay toerana dia Benjamita.
\v 17 Nampitraka ny masony izy ary nahita ny mpandeha avy lavitra teo an-kianjan'ny tanàna. Hoy ilay lahy antitra hoe: "Ho aiza ianareo? Ary avy aiza ny fiavianareo?"
\s5
\v 18 Ilay Levita niteny taminy hoe: "An-dalana avy any Betleheman'i Joda ho any amin'ny faritra lavitra indrindra amin'ny tany havoan'i Efraima, izay niaviako izahay. Nankany Betleheman'i Joda aho, ary handeha ho any an-tranon'i Yaveh, nefa tsy hisy olona hampiantrano ahy.
\v 19 Manana mololo sy sakafo ho an'ny ampondranay izahay, ary misy mofo sy divay ho ahy sy ho an'ireo mpanompo vavinao aty, ary ho an'ny tovolahinao miaraka amin'ireo mpanomponao. Tsy misy zava-mahory anay."
\s5
\v 20 Dia niarahaba azy ireo ilay lahy antitra hoe: "Ho aminareo ny fiadanana! Izaho no hiantoka ny filànao rehetra. Fa aza mandry eto an-kianja fotsiny."
\v 21 Koa dia nentin'ilay lehilahy tany an-tranony ilay Levita ary nomeny sakafo ireo ampondrany. Nanasa ny tongony izy ireo ary nihinana sy nisotro.
\s5
\v 22 Raha mbola nampifaly ny fony izy ireo, dia nisy lehilahy maromaro tao an-tanàna, lehilahy tsy mendrika, nanodidina ny trano, nively ny varavarana. Niteny tamin'ilay lahy antitra, ilay tompon-trano izy ireo, nanao hoe: "Avoahy ilay lehilahy izay tonga ao an-tranonao, fa hiara-mandry aminy izahay."
\v 23 Nivoaka ilay lehilahy, tompon-trano, ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Tsia, ry rahalahiko, aza manao izao zava-dratsy izao tompoko! Satria vahiny ato an-tranoko io lehilahy io, ka aza manao izao zava-pady izao!
\s5
\v 24 Indro, ato ny zanako vavy virijiny sy ny vaditsindranony. Mamèla ahy hitondra azy ireo hivoaka izao. Haolano sy ataovy amin'izy ireo izay tianareo atao aminy. Fa aza manao zava-pady toy izany amin'io lehilahy io!"
\v 25 Kanefa tsy nihaino azy ireo lehilahy, ka dia nosamborin'ilay lehilahy ny vaditsindranony ary navoakany teo amin'izy ireo izy. Nisambotra azy izy ireo, nanolana azy, ary nanararaotra azy nandritra ny alina, ary navelan'izy ireo handeha izy raha nangiran-dratsy.
\v 26 Rehefa nangiran-dratsy dia tonga ravehivavy ary nianjera teo am-baravaran'ny tranon'ilay lehilahy izay nisy ny tompony izy, ary dia nitsirara teo izy mandra-pahazavan'ny andro.
\s5
\v 27 Nifoha ny tompony nony maraina ary namoha ny varavaran'ny trano ka nivoaka hanohy ny lalany. Nahita ny vadin-tsindranony niampatra teo am-baravarana izy, ary ny tanany teo an-tokonam-baravarana.
\v 28 Dia hoy ilay Levita taminy hoe: "Mifohaza, ndao isika handeha." Nefa tsy nisy namaly. Nasampiny teo amin'ny ampondra izy, ary niainga hody any aminy ilay lehilahy.
\s5
\v 29 Rehefa tonga tany an-tranony ilay Levita, dia naka antsy izy, ary noraisiny ny vaditsindranony, ary notetehiny, isam-pamavanin-taolana, ho roa ambin'ny folo tetika, ary nampitondra izany nanerana ny Israely rehetra.
\v 30 Izay rehetra nahita izany dia niteny hoe: "Zavatra mbola tsy nisy nanao na nahita hatramin'ny andro niakaran'Israely avy any amin'ny tany Egypta mandrak'androany izao. Hevero izany! Toroy hevitra izahay! Lazao anay izay tokony hatao!"
\s5
\c 20
\p
\v 1 Ary nivoaka toy ny olona iray ireo olon'Israely, avy any Dana ka hatrany Beri-sheba, anisan'izany ihany koa ny tanin'i Gileada, ary niara-nivory teo anatrehan'i Yaveh tany Mizpa izy ireo.
\v 2 Ireo lehiben'i vahoaka rehetra, ny fokon'Israely rehetra, nandray ny toeran'izy ireo tao amin'ny fiangonan'ny vahoakan'Andriamanitra—lehilahy 400. 000 mandeha tongotra, izay vonona hiady amin'ny sabatra.
\s5
\v 3 Ary ren'ireo olon'i Benjamina fa niakatra tany Mizpa ireo vahoakan'Israely. Ireo olon'Israely nilaza hoe: "Lazao anay hoe ahoana no nahatonga izao zava-dratsy izao."
\v 4 Ilay Levita, vadin-dravehivavy iray izay novonoina, namaly hoe: "Nankany Gibea any amin'ny faritra izay an'i Benjamina aho, izaho sy ny vaditsindranoko, mba handany ny alina.
\s5
\v 5 Nandritra ny alina, dia nanafika ahy ireo mpitarik'i Gibea, nanodidina ilay trano ary nikasa ny hamono ahy. Nosamboriny sy naolan'izy ireo ny vaditsindranoko, ka maty izy.
\v 6 Nalaiko ny vaditsindranoko ary nokapakapaiko ny vatany, ary nalefako tany amin'ny faritry ny lovan'Israely tsirairay ireo, satria nanatanteraka faharatsiana sy fanafintohinana tahaka izany tany Israely izy ireo.
\v 7 Ankehitriny, ianareo Israelita rehetra, omeo ny hevitrareo ary manoroa hevitra etoana."
\s5
\v 8 Niara-nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra, ary hoy izy ireo hoe: "Tsy hisy aminay hankany amin'ny lainy, ary tsy hisy aminay hiverina ao an-tranony!
\v 9 Fa ankehitriny kosa dia izao no tsy maintsy ataontsika an'i Gibea: hanafika azy ireo araka ny hitarihan'ny filokana antsika isik.
\s5
\v 10 Haka lehilahy folo amin'ny zato manerana ny fokon'Israely rehetra isika, sy zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ireo olona ireo, ka rehefa tonga any Gibea any Benjamina izy ireo, dia hosaziana amin'ny ratsy izay nataon'izy ireo tany Israely."
\v 11 Noho izany dia niangona hanohitra ny tanàna, toy ny olona iray, ireo miaramilan'Israely rehetra.
\s5
\v 12 Nandefa lehilahy tany amin'ny fokon'i Benjamina ireo fokon'Israely, nilaza hoe: "Inona izao ratsy nataonareo teo aminareo izao?
\v 13 Noho izany, omeo anay ireo lehilahy ratsy fanahy any Gibea ireo, mba hahafahanay mamono ho faty azy ireo, ary mba hanalanay tanteraka izany ratsy izany amin'i Israely." Fa i Benjamina dia tsy te-handre ny tenin'ireo rahalahiny, ireo olon'Israely.
\v 14 Ary niara-nivoaka ny tanàna ireo olon'i Benjamina mba hivonona hiady amin'ny olon'Israely.
\s5
\v 15 Ary niara-nentina avy tao amin'ny tanànan'izy ireo ny olon'Israely mba hiady amin'ny miaramila enina arivo sy roa alina izay efa voaofana hiady amin'ny sabatra. Ankoatr'izay, dia nisy lehilahy fitonjato voafidy avy amin'ireo mponin'i Gibea.
\v 16 Teo amin'ireo miaramila rehetra dia nisy lehilahy fito arivo voafidy izay kavia. Ny tsirairay tamin'izy ireo dia mahavita mitoraka singam-bolo amin'ny vaton'antsamotady ka tsy mivena.
\s5
\v 17 Ny vahoakan'Israely, raha tsy isaina ireo avy amin'i Benjamina, dia miisa 400. 000 olona, izay voaomana hiady amin'ny sabatra. Ireo rehetra ireo dia lehilahy mpiady.
\v 18 Nitsangana ireo olon'Israely, nandeha tany Betela, ary nangataka torohevitra tamin'Andriamanitra; Nanontany izy ireo hoe: "Iza no hanafika voalohany an'ireo olon'i Benjamina ho anay?" ary Yaveh nilaza hoe: "Joda no hanafika voalohany."
\s5
\v 19 Nifoha maraina ireo olon'Israely ary namindra ny tobiny akaikin'i Gibea.
\v 20 Niakatra hiady amin'i Benjamina ireo olon'Israely. Nametraka ireo toerana amin'ny ady tany Gibea izy ireo.
\v 21 Nivoaka avy any Gibea ireo olon'i Benjamina, ary namono lehilahin'ny tafik'Israely roa arivo sy roa alina taminizany andro izany.
\s5
\v 22 Fa nampahery tena ny olon'Israely ary namorona filaharana teo amin'ilay toerana izay nilaharan'izy ireo tamin'ny andro voalohany izy ireo.
\v 23 Ary niakatra ireo olon'Israely ka nitomany teo anoloan'Yaveh mandra-pahariva ny andro izy ireo, ary nitady lalana tamin'Yaveh izy ireo. Hoy izy ireo hoe: "Moa ve tokony handeha hiady amin'ireo rahalahinay izahay, ireo olon'i Benjamina?" Ary Yaveh nilaza hoe: "Tafiho izy ireo!"
\s5
\v 24 Ka nandeha nanohitra ireo miaramilan'i Benjamina ireo olon'Israely ny andro faharoa.
\v 25 Tamin'ny andro faharoa, dia nivoaka nanohitra azy ireo tany Gibea i Benjamina ary namono lehilahy valo arivo sy iray alina avy tamin'ny olon'Israely. Izy rehetra dia lehilahy voaomana hiady amin'ny sabatra.
\s5
\v 26 Dia nandeha niakatra ho any Betela avokoa ireo miaramilan'Israely sy ireo vahoaka rehetra ka nitomany, ary nipetraka teo anoloan'i Yaveh tany izy ireo ary nifady hanina mandra-pahariva tamin'izany andro izany ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Yaveh.
\s5
\v 27 Nanontany an'i Yaveh ireo olon'Israely—satria tany ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,
\v 28 ary nanompo teo anatrehan'ny fiara i Fineasy zanak'i Eliazara zanaka lahin'i Arona tamin'izany andro izany—"Tokony hivoaka hiady amin'ny olon'i Benjamina, rahalahinay, indray mandeha koa ve izahay sa hijanona?" Hoy Yaveh hoe: "Tafiho, satria hanampy anareo handresy azy ireo Aho rahampitso."
\s5
\v 29 Koa dia nametraka olona tany amin'ny toerana miafina nanodidina an'i Gibea i Israely.
\v 30 Niady tamin'ireo olon'i Benjamina ireo olon'Israely tamin'ny andro fahatelo, ary nametraka ny filaharan'ady nanohitra an'i Gibea izy ireo araka izay efa nataony teo aloha.
\s5
\v 31 Nandeha ka niady tamin'ireo vahoaka ny olon'i Benjamina, ary voaroaka niala ny tanàna izy ireo. Nanomboka namono ny sasany tamin'ireo vahoaka izy ireo. Teo amin'ny olon'Israely telopolo teo no maty tany an-tsaha sy teny an-dalana. Ny iray tamin'ireo lalana dia niakatra nankany Betela, ary ny iray hafa dia nankany Gibea.
\s5
\v 32 Dia hoy ny olon'i Benjamina hoe: "Resy izy ireo ary nandositra lavitra antsika, toy ny tamin'ny voalohany ihany." Saingy hoy ireo miaramilan'Israely hoe: "Andeha isika hihazakazaka hiverina ka handroaka azy ireo hiala amin'ny tanàna ho eny an-dalana."
\v 33 Dia nitsangana avy teo amin'ny toeran'izy ireo ny olon'Israely rehetra ary nanao filaharan'ady tany Bala-tamara. Dia nihazakazaka nivoaka avy tao amin'ny fitoerany ireo miaramilan'Israely izay niafina tao amin'ny toerana fiafenana tao Mare-gibea.
\s5
\v 34 Indreo nisy lehilahy voafantina iray alina avy any Israely nivoaka hanohitra an'i Gibea, ary namaivay ny ady, fa tsy nahalala ireo Benjamita fa nananontanona azy ireo ny loza.
\v 35 Nandresy an'i Benjamina teo anoloan'Israely i Yaveh. Tamin'izany andro izany, dia nahafaty olon'i Benjamina 25. 100 ireo miaramilan'Israely. Ireo rehetra maty dia ireo izay efa vaomana hiady amin'ny sabatra.
\s5
\v 36 Ary hitan'ireo miaramilan'i Benjamina fa resy izy ireo. Nanome lalana an'i Benjamina ireo olon'Israely, satria nahatoky ireo olona izay napetrak'izy ireo tany amin'ny fitoerana niafina tany ivelan'i Gibea izy ireo.
\v 37 Dia nitsangana ireo lehilahy niafina ka nirifatra tany Gibea faingana, ary tamin'ny sabatr'izy ireo no namonoany ny olona rehetra izay nonina tao an-tanàna.
\v 38 Ny famantarana nifanarahana teo amin'ireo miaramialan'Israely sy ireo lehilahy niafina mangingina dia hisy rahon-tsetroka lehibe hiakatra avy ao an-tanàna.
\s5
\v 39 Rehefa lasa ny famantarana dia nilavo lefona tamin'ny ady ireo miramilan'Israely. Ary nanomboka nanafika i Benjamina ka nahafaty olon'Israely manodidina ny telopolo, ary hoy izy ireo hoe: "Azo antoka fa resy eo anatrehantsika izy ireo, tahaka ny tamin'ny ady voalohany."
\s5
\v 40 Rehefa nanomboka nisy andrin-drahona nivoaka avy tao amin'ny tanàna, dia nitodika ireo Benjamita ka nahita setroka nananika ny lanitra avy eo amin'ny tanàna manontolo.
\v 41 Dia nivadika taminizy ireo ny olon'Israely. Raiki-tahotra ireo lehilahin'i Benjamina, fa hitan'izy ireo fa tonga tamin'izy ireo ny loza.
\s5
\v 42 Noho izany dia nandositra an'ireo olon'Israely izy ireo, nitsoaka tany amin'ny lalana mankany an'efitra. Nefa nahatratra azy ireo ny ady. Nivoaka ny tanàna ireo miaramilan'Israely ka nahafaty azy ireo teny amin'izay nitsanganany.
\s5
\v 43 Nihodidina an'ireo Benjamita izy ireo, nanao haza-lambo azy ireo ary nanosiosy azy ireo tany Noaha, tany amin'ny lalan'ny ilany antsinanan'i Gibea.
\v 44 Valo arivo sy iray alina no olona maty avy tao amin'ny fokon'i Benjamina, ny rehetra tamin'izy ireo dia lehilahy niavaka tamin'ny ady.
\s5
\v 45 Nihodina izy ireo ary nandositra nizotra nankany an'efitra tany amin'ny vatolampin'i Rimona. Nahafaty olona dimy arivo hafa tamin'izy ireo ny Israelita teny an-dalana. Nanenjika azy ireo hatrany izy ireo, ary nanaraka azy ireo akaiky tany an-dalana nankany Gidoma, ary tany no namonoan'izy ireo olona roa arivo fanampiny.
\v 46 Dimy arivo sy roa alina ireo miaramilan'i Benjamina rehetra lavo tamin'izany andro izany—dia lehilahy izay voaomana hiady amin'ny sabatra; izy rehetra dia niavaka tamin'ny ady.
\s5
\v 47 Nefa lehilahy eninjato no nihodina ka nandositra tany an'efitra, nankany amin'ny vatolampin'i Rimona. Nitoetra tany amin'ny vatolampin'i Rimona nandritra ny efa-bolana izy ireo.
\v 48 Niverina hanohitra ireo olon'i Benjamina ireo miaramilan'Israely ary nanafika sy namono azy ireo—ny tanàna manontolo, ireo biby fiompy, ary ireo zavatra rehetra izay hitan'izy ireo. Nodoran'izy ireo ihany koa ireo tanàna rehetra teny amin'ny lalan'izy ireo.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Ary ny lehilahin'Israely nanao fampanantenana tao Mizpa hoe: "Tsy hisy amintsika hanome ny zanany vavy hanambady Benjamita."
\v 2 Dia nankany Betela ny vahoaka ka nitoetra tany teo anatrehan'Andriamanitra hatramin'ny hariva, ary nitomany mafy tamin'ny feo avo izy ireo.
\v 3 Hoy izy ireo niantso mafy: "Nahoana, ry Yaveh, Andriamanitr'Israely, no dia nitranga tamin'ny Israely izao, ka tsy ho eto aminay intsony ny iray amin'ireo fokonay ankehitriny?"
\s5
\v 4 Nifoha maraina ny vahoaka ny ampitson'iny ka nanangana alitara teo ary nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
\v 5 Hoy ny vahoakan'Israely hoe: "Iza tamin'ireo fokon'Israely no tsy niakatra tao amin'ny fiangonana tany amin'i Yaveh?" Satria nanao fampanantenana lehibe tokoa izy ireo mahakasika ny olona izay tsy niakatra teo amin'i Yaveh tany Mizpa. Hoy izy ireo hoe: "Tena hovonoina ho faty izy."
\s5
\v 6 Nanana fangoraham-po tamin'i Benjamina rahalahin'izy ireo ny vahoakan'Israely. Hoy izy ireo hoe: "Voafongotra tsy ho eo amin'ny Israely ny foko iray ankehitriny.
\v 7 Iza no hanome vady ireo sisa tavela, satria efa nanao fampanantenana tamin'i Yaveh isika fa tsy hamela azy ireo hanambady ireo zanantsika vavy?"
\s5
\v 8 Hoy izy ireo hoe: "Iza tamin'ireo fokon'i Israely no tsy niakatra tany amin'i Yaveh tany Mizpa?" Fantatra fa tsy nisy olona tonga tao amin'ny fiangonana ny avy tany Jabesy Gileada.
\v 9 Fa rehefa niainga tamin'ny fomba nirindra ny vahoaka, indro, tsy nisy tonga teo ireo mponin'i Jabesy Gileada.
\v 10 Naniraka roa arivo sy iray alina tamin'ireo lehilahy be herim-po indrindra miaraka amin'ny toromarika ny fiangonana mba handeha any Jabesy Gileada ka hanafika azy ireo, ary hamono azy ireo, eny fa na dia ny zaza amam-behivavy aza.
\s5
\v 11 "Izao no ataovy: tsy maintsy vonoinareo ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa niara-nandry tamina lehilahy."
\v 12 Nahita tovovavy efajato izay mbola tsy niara-nandry tamina lehilahy tamin'ireo velona tao Jabesy Gileada ireo lehilahy, ka nentin'izy ireo tany an-toby tany Silo, tany Kanàna izy ireo.
\s5
\v 13 Nandefa hafatra tamin'ireo vahoakan'i Benjamina izay tany amin'ny harambaton'i Rimona ny fiangonana manontolo fa nanolotra fihavanana ho azy ireo izy ireo.
\v 14 Niverina tamin'izany andro izany ireo Benjamita ary nomena azy ireo ny vehivavin'i Jabesy Gileada, nefa tsy ampy ho azy rehetra ireo ny vehivavy.
\v 15 Nanenina tamin'izay nitranga tamin'i Benjamina ny vahoaka, satria nozarazarain'i Yaveh ireo fokon'Israely.
\s5
\v 16 Dia hoy ireo mpitarika ny fiangonana hoe: "Hataontsika ahoana ny hanomezana vady ho an'ireo Benjamita izay sisa tavela, satria efa novonoina ireo vehivavin'ny Benjamina?"
\v 17 Hoy izy ireo hoe: "Tsy maintsy misy lova ho an'ireo sisa velon'i Benjamina, mba tsy hisy foko voaringana amin'ny Israely.
\s5
\v 18 Tsy afaka manome vady avy amin'ireo zanakay vavy ho azy ireo izahay, satria nanao fampanantenana ireo vahoakan'Israely hoe: 'Voaozona izay manome vady an'i Benjamina.'"
\v 19 Dia hoy izy ireo hoe: "Fantatrareo fa isan-taona dia misy andro firavoravoana ho an'i Yaveh any Silo (avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalana miakatra avy any Betela mankany Sekema, ary atsimon'i Lebona)."
\s5
\v 20 Nandidy ireo lehilahin'ny Benjamina izy ireo, nanao hoe: "Mandehana ka miafena ary miandrasa ao amin'ny tanim-boaloboka.
\v 21 Miandrasa ny fotoana izay hivoahan'ireo zazavavy avy any Silo handihy, dia mivoaha faingana avy ao amin'ny tanim-boaloboka ka misambora vady avy amin'ireo zazavavy avy any Silo ny tsirairay avy aminareo, avy eo dia miverena any amin'ny tanin'i Benjamina.
\s5
\v 22 Rehefa tonga hanohitra antsika ireo rain'izy ireo na ireo anadahin'izy ireo, dia hiteny isika hoe: 'Anehoy famindram-po izahay! Avelao izy ireo hijanona satria tsy mba nahazo vady ho an'ny lehilahy tsirairay nandritra ny ady izahay. Tsy manan-tsiny ianareo, satria tsy nomenareo azy ireo ny zanakareo vavy."
\s5
\v 23 Nataon'ny vahoakan'i Benjamina izany. Nalain'izy ireo tamin'ireo zazavavy izay nandihy ny isan'ny vady izay nilain'izy ireo ka dia nentin'izy ireo ho vadiny izy ireo. Lasa izy ireo ary niverina tany amin'ny toeran -dovan'izy ireo. Nahorin'izy ireo indray ny tanàna sy nipetraka tao amin'izany.
\v 24 Dia nandao izany toerana izany ka nandeha nody ny vahoakan'i Israely, samy any amin'ny foko sy ny fianakaviany avy, ary samy any amin'ny lovany avy.
\s5
\v 25 Tsy nisy mpanjaka tao Israely tamin'izany andro izany. Samy nanao izay marina teo imasony ny olona rehetra.