plt_ulb/05-DEU.usfm

1995 lines
169 KiB
Plaintext

\id DEU
\ide UTF-8
\h Deotoronomia
\toc1 Deotoronomia
\toc2 Deotoronomia
\toc3 deu
\mt Deotoronomia
\s5
\c 1
\p
\v 1 Toy izao ireo teny izay nolazain'i Mosesy tamin' Israely rehetra tany an-dafin'i Jordana tany an'efitra, teny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny onin'i Jordana tandrifin'i Sofa, teo anelanelan'i Parana, Tofela, Labana, Hazerota, ary Dizahaba.
\v 2 Lalana iraika ambin'ny folo andro avy any Horeba mandalo ny tendrombohitra Seira hatrany Kadesa-Barnea izany.
\s5
\v 3 Tamin'ny taona faha-efa-polo, faha-iraika ambin'ny folon'ny volana, andro voalohan'ny volana, dia niresaka tamin'ireo vahoakan'Israely i Mosesy, nilaza tamin'izy ireo izay rehetra nandidian'i Yaveh ny mahakasika azy ireo.
\v 4 Izany dia taorian'ny nanafihan'i Yaveh an'i Sihona mpanjakan'ireo Amorita, izay nipetraka tao Hesbona, sy Oga mpanjakan'i Basana, izay nipetraka tao Astarta tany Edrehy.
\s5
\v 5 Tany an-dafin'i Jordana, tao amin'ny tanin'i Moaba, i Mosesy no nanomboka nanambara ireo lalàn'Andriamanitra, manao hoe:
\v 6 "Niresaka tamintsika tany Horeba i Yaveh Andriamanitsika, manao hoe: 'Efa nipetraka naharitra teto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.
\s5
\v 7 Tohizo indray ny dianareo, ary mandehana any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita sy any amin'ireo toerana rehetra eny amin'ny lemaky ny lohasahan-driakan'ny Reniranon'i Jordana, eny amin'ny tendrombohitra, eny amin'ny faritra iva, ao Negreva, sy eny amorontsiraka—eny amin'ny tany Kananita, sy any Lebanona hatrany amin'ny loharano lehibe, dia Eofrata.
\v 8 Indro, efa nomeko anareo ny tany; mandehana ao ary lovao ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo— tamin'i Abrahama, tamin'Isaka, ary tamin'i Jakoba—fa omena azy ireo sy ireo taranany ao aoriany.'
\s5
\v 9 Niresaka taminareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Tsy zakako irery ianareo.
\v 10 Efa nampitomboan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary, indro, ankehitriny ianareo dia maro toy ny kintana eny an-danitra.
\v 11 Yaveh, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo arivo eny ny habetsahanareo amin'izao, ary hitahy anareo, araky ny efa nampanantenainy anareo!
\s5
\v 12 Fa amin'ny fomba ahoana no hilanjako irery ny vesatrareo, ny enta-mavesatrareo, ary ny fifandiranareo?
\v 13 Mangalà lehilahy hendry, lehilahy manam-pahalalana, ary lehilahy manan-daza amin'ny tsara isaky ny foko, ary hataoko ho lohanareo izy ireo.'
\v 14 Namaly ahy ianareo ary niteny hoe: 'Ny zavatra izay nolazainao dia tsara ho ataonay'
\s5
\v 15 Koa dia nalaiko ireo lohany eo amin'ny fokonareo, dia ireo lehilahy hendry, sy lehilahy manan-daza tsara, ka hanao azy ireo ho lohanareo, mpifehy ny arivo, mpifehy ny zato, mpifehy ny dimam-polo, mpifehy ny folo, ary manamboninahitra, isaky ny foko.
\v 16 Nandidy ireo mpitsara anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Henoy ny fifamaliana eo amin'ireo rahalahinareo, ary mitsarà am-pahamarinana manoloana ny olona sy ny rahalahiny, ary ireo vahiny izay miaraka aminy.
\s5
\v 17 Tsy hampiseho fitanilànana na amin'iza na iza anaty fifandirana ianareo; hihaino ireo madinika ary hihaino ireo lehibe ihany koa ianareo. Tsy hatahotra ny endriky ny olona ianareo, satria an'Andriamanitra ny fitsarana. Ny fifandirana izay sarotra ho anareo, dia ho entinareo eto amiko, ka ho renesiko izany.'
\v 18 Tamin'izany fotoana izany aho dia nandidy anareo ireo zavatra rehetra tokony hataonareo.
\s5
\v 19 Niala avy any Horeba isika ary nandeha nanerana ny efitra lehibe sy mampitahotra izay hitanareo, teny amin'ny lalanareo ho any amin'ny tendrombohitr'ireo Amorita, araky ny nandidian'i Yaveh Andriamanitsika antsika; ka tonga tao Kadesi-Barnea isika.
\s5
\v 20 Hoy aho taminareo hoe: 'Tonga ety amin'ny tany havoanan'ireo Amorita isika, izay omen'i Yaveh Andriamanitsika ho antsika.
\v 21 Indro, Yaveh Andriamanitrao dia efa nametraka ny tany manoloana anao; mandehana, mandovà, araka ny efa nolazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenao taminao; aza matahotra na koa kivy.'
\s5
\v 22 Ianareo tsirairay avy dia nanatona ahy ary niteny hoe: 'Andao isika handefa lehilahy hialoha lalana antsika, mba hitadiavan'izy ireo ilay tany ho antsika, ary hitondra tatitra momba ny fomba hanafihantsika, sy momba ireo tanàna handehanantsika.'
\v 23 Nahafinaritra ahy ilay torohevitra; naka lehilahy roa ambin'ny folo teo aminareo aho, lehilahy iray isaky ny foko.
\v 24 Nitodi-doha izy ireo ary niakatra ho eny amin'ilay tanàna eny an-tendrombohitra, tonga tao amin'ny Lohasahan'i Eskola, ary nanao fisafoana tao.
\s5
\v 25 Naka ny sasan-tsasany tamin'ireo vokatra teo amin'ilay tany teny an-tanany izy ireo ary nitondra izany teo aminay. Nitondra teny ho anay koa izy ireo ka nanao hoe: 'Tany tsara izay omen'i Yaveh Andriamanintsika ho antsika izany.'
\s5
\v 26 Kanefa ianareo nandà ny hanafika, fa nikomy nanohitra ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo.
\v 27 Nitaraina tao anaty lainareo ianareo ary niteny hoe: "Satria halan'i Yaveh isika dia nentiny nivoaka ny tany Egypta, mba hanolotra antsika eny am-pelatanan'ireo Amorita mba hamotika antsika.
\v 28 Aiza no azontsika aleha ankehitriny? Ny fontsika dia efa nampitahorin'ireo rahalahintsika hoe: 'Ngeza sady lava noho isika ireo vahoaka ireo; lehibe sy voaaro mafy manakatra ny lanitra ny tanànan'izy ireo; fanampin'izay, efa hitantsika tany ireo zanaky ny Anakita.'"
\s5
\v 29 Dia hoy aho taminao hoe: 'Aza mihorohoro, na koa matahotra azy ireo.
\v 30 Yaveh Andriamanitrao, izay nandeha mialoha anao, dia hiady ho anao, tahaka ireo zavatra rehetra izay efa nataony teo imasonao ho anao tao Egypta,
\v 31 ary koa tany an'efitra, izay nahitanao ny fomba nikarakaran'i Yaveh Andriamanitrao anao, toy ny ikarakaran'ny lehilahy iray ny zanany lahy, na taiza na taiza nalehanao mandra-pahatonganao teto amin'ity toerana ity.'
\s5
\v 32 Kanefa na dia teo aza izany teny izany dia tsy nino an'i Yaveh Andriamanitrareo,
\v 33 izay nialoha lalana anareo mba hitady toerana hitobianareo ianareo, tamin'ny afon'ny alina ary tamin'ny rahon'ny andro.
\s5
\v 34 Ren'i Yaveh ny feon'ny teninareo ary dia tezitra Izy; nianiana Izy ary niteny hoe:
\v 35 'Azo antoka fa tsy hisy iray amin'ireto olona avy amin'ny taranaka ratsy ireto hahita ilay tany tsara izay nianianako fa homeko ireo razanareo,
\v 36 ankoatran'i Kaleba zanak'i Jefone; hahita izany izy. Homeko azy, sy ireo zanany ny tany izay efa nodiaviny, satria nanaraka tanteraka an'i Yaveh izy.'
\s5
\v 37 Tezitra tamiko nohon'ny aminareo ihany koa i Yave, manao hoe: 'Ianao ihany koa dia tsy ho any;
\v 38 Josoa zanaka lahin'i Nona, izay mijoro eo anoloanao, dia handeha any; hampaherezo izy, satria izy no hitarika an'i Israely handova izany.
\s5
\v 39 Fanampin'izany, ireo zafikelinao, ireo izay nolazainao fa ho babo, izay tsy manana fahalalana ny amin'ny tsara sy ratsy ankehitriny—dia ho any izy ireo. Omeko azy ireo izany, ary ho lovainy izany.
\v 40 Fa raha ny aminao, miverena ary mandehana any an'efitra manaraka ny lalana mankany amin'ny Ranomasina Mena.'
\s5
\v 41 Ary namaly ianareo ka niteny tamiko hoe: 'Nanota tamin'i Yaveh izahay; hijoro sy hiady izahay, ary hanaraka izay rehetra efa nandidin'i Yaveh Andriamanitsika ho ataontsika.' Ny lehilahy rehetra teo aminareo dia nampiditra ny fitaovam-piadiny, ary ianareo nivonona hanafika ilay tany havoana.
\v 42 Hoy Yaveh tamiko hoe: "Lazao azy ireo hoe: "Aza manafika ary aza miady, satria tsy hiaraka aminareo Aho, ary ho resin'ireo fahavalonareo ianareo.'
\s5
\v 43 Toy izany no nitenenako anareo, kanefa tsy nohenoinareo. Nanohitra ny didin'i Yaveh ianareo; nirehareha ianareo ary nanafika ilay tany havoana.
\v 44 Fa ireo Amorita, izay nipetraka teny amin'io tany havoana io, dia nivoaka nanohitra anareo ary nanenjika anareo toy ny tantely, ary namely anareo tao Seira, hatrany Horma.
\s5
\v 45 Niverina ary nitomany teo anatrehan'i Yaveh ianao; kanefa i Yaveh tsy nihaino ny feonao, na nijery anao.
\v 46 Koa dia nijanona tao Kadesa nandritra ny andro maro ianao, araka ireo andro izay nijanonanao tany.
\s5
\c 2
\p
\v 1 Ary niverina ka nanohy ny dianay nankany an'efitra mankany amin'ny Ranomasina Mena izahay, araka ny nolazain'i Yaveh tamiko; dia nandeha nihodidina ny tendrombohitra Seira nandritry ny andro maro izahay.
\v 2 Ary niresaka tamiko i Yaveh, nanao hoe:
\v 3 'Efa ampy ny fotoana lava nandehananareo nihodidina ity tendrombohitra ity; fa mandehana mianavaratra.
\s5
\v 4 Baikoy ny olona, manao hoe: "Mila mandalo ny sisin-tanin'ireo rahalahinareo ianareo, dia ny taranak'i Esao, izay monina any Seira; hatahotra anareo izy ireo. Noho izany mitandrema
\v 5 mba tsy hiady amin'izy ireo, fa tsy homeko amin'ny tanin'izy ireo ianareo, na dia tany eram-paladia hamindran'ny tongotra aza; satria efa nomeko an'i Esao ho fananana ny Tendrombohitra Seira.
\s5
\v 6 Vola no hividiananao sakafo amin'izy ireo, mba hahafahanao mihinana; vola ihany koa no hividiananao rano amin'izy ireo, mba hahafahanao misotro.
\v 7 Satria Yaveh Andriamanitrao dia nitahy anao tamin'ny asan'ny tananao rehetra; efa fantany ny fandehananao amin'ity tany efitra lehibe ity. Satria niaraka taminao Yaveh Andriamanitrao nandritr'izay efa-polo taona izay, ka tsy ory na inona na inona ianao.'"
\s5
\v 8 Koa dia nandalo tany amin'ny tanin'ireo rahalahintsika isika, dia ny taranak'i Esao izay monina any Seira, lavitry ny lalan'i Araba, avy any Elata sy avy any Ezion-Gebera. Avy eo niverina isika ka nandalo teo amin'ny lalana mankany amin'ny tany efitr'i Moaba.
\s5
\v 9 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Aza manakorontana an'i Moaba, ary aza miady amin'izy ireo. Fa tsy homeko anao ho fanananao manokana ny taniny, satria Ara efa nomeko ireo taranak'i Lota, ho fananan'izy ireo.'
\s5
\v 10 (Nonina tany ny Emima fahiny, izay firenena lehibe, maro an'isa, ary lava tahaka ny Anakita;
\v 11 noraisina toy ny Refaita ihany koa ireo, tahaka an'ireo Anakita; fa nantsoin'ireo Moabita hoe Emima izy ireo.
\s5
\v 12 Nonina tany Seira ihany koa ireo Horita fahiny, saingy noroasin'ny taranak'i Esao izy ireo. Naringany tsy ho eo anoloany izy ireo ka nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo, tahaka ny nataon'Israely tamin'ny tany izay nomen'i Yaveh azy ireo.)
\s5
\v 13 '"Ankehitriny mitsangàna ary mandehana any amin'ny lohasahan-driaka Zareda.'
\v 14 Ary ny andro nandehananay avy any Kadesi-Barnea hatrany amin'ny lohasahan-driaka Zareda, dia naharitra valo amby telo-polo taona. Tamin'izany andro izany no nahalasa ireo lehilahy mpiady tamin'io taranaka io teo amin'ny olona, araka ny nianianan'i Yaveh tamin'izy ireo.
\v 15 Fanampin'izany, nanohitra izany taranaka izany ny tanan'i Yaveh mba handringanana azy ireo tsy ho eo amin'ny olona mandra-pahafatin'izy ireo.
\s5
\v 16 Ka dia izao no nitranga, rehefa maty ireo lehilahy mpiady ka niala teo amin'ireo olona,
\v 17 dia niresaka tamiko i Yaveh, nanao hoe:
\v 18 'Ankehitriny ianao dia handalo an'i Ara, moron'i Moaba.
\v 19 Rehefa manakaiky ny tanin'i Amona ianao, dia aza manakorontana na mila ady amin'izy ireo; fa tsy hanome anareo ny tanin'ny vahoakan'i Amona ho fananana aho; satria efa nomeko an'ireo taranak'i Lota ho fananana izany.'"
\s5
\v 20 (Izany ihany koa dia raisina ho tanin'i Refaita. Efa nonina tao ireo Refaita fahiny—fa ireo Amonita niantso azy ireo hoe Zamzomita—
\v 21 firenena lehibe, maro an'isa, ary lava tahaka ireo Anakita. Fa Yaveh nandringana azy ireo tsy ho eo anoloan'ireo Amonita, ary noroasiny izy ireo ka nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo.
\v 22 Toy izany koa no nataon'i Yaveh tamin'i vahoakan'i Esao, izay nonina tany Seira, rehefa nandringana ireo Horita tsy ho eo anoloany izy ireo, ka nandroaka azy ireo ny taranak'i Esao ary nipetraka teo amin'ny toeran'izy ireo mandrak'ankehitriny.
\s5
\v 23 Ary ny amin'ireo Avita izay nonina tany amin'ny tanàna lavitra tahaka an'i Gaza, dia naringan'ny Kaftorita, izay avy any Kaftora izy ireo, ka nonina tao amin'ny toeran'izy ireo.)
\s5
\v 24 '"Ankehitriny mitsangàna, mandehana amin'ny dianareo, ary mandalova any amin'ny lohasahan'i Arnona; indro, natolotro eo am-pelatananao i Sihona ilay Amonita, mpanjakan'i Hesbona, sy ny taniny. Santaro ny fanananao, ary miadia aminy.
\v 25 Ankehitriny dia hanomboka hametraka ny tahotra sy horohoro anao eo amin'ireo olona izay ambanin'ny lanitra iray manontolo aho; handre vaovao momba anao izy ireo ary hangovitra sy hangorohoro nohon'ny aminao.'
\s5
\v 26 Naniraka mpitondra hafatra avy any an'efitr'i Kedemota aho hankany amin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, niaraka tamin'ny teny fihavanana, manao hoe:
\v 27 'Avelao aho handalo eo amin'ny taninao; fa manaraka ny lalambe ny handehanako; ary tsy hivily hiankavia na hiankavanana aho.
\s5
\v 28 Vola no hividianako sakafo aminao, mba hahafahako mihinana; vola no hividianako rano, mba hahafahako misotro; avelao fotsiny aho handeha;
\v 29 araka ny nataon'ny taranak'i Esao izay monina any Seira, sy ireo Moabita izay monina any Ara tamiko; mandra-pitako an'i Jordana mankany amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitray ho anay.'
\s5
\v 30 Fa Sihona, mpanjakan'i Hesbona, dia tsy hamela antsika handalo eo aminy; satria Yaveh Andriamanitrao dia nanamafy ny sainy sy nanamafy ny fony, mba hahafahany mandresy azy amin'ny herinao, izay efa nataony ankehitriny.
\v 31 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Indro, efa nanomboka nanolotra an'i Sihona sy ny taniny teo anoloanareo Aho; santaro ny fananana izany, mba hahafahanareo mandova ny taniny.'
\s5
\v 32 Avy eo Sihona tonga nanohitra antsika, izy sy ireo vahoakany rehetra, mba hiady any Jahaza.
\v 33 Fa natolotr'i Yaveh Andriamanitsika tamintsika izy ka resintsika; novonointsika ho faty izy, sy ireo zanany lahy, ary ireo vahoakany.
\s5
\v 34 Nalaintsika avokoa ny tanànany rehetra tamin'izany fotoana izany ary naringantsika tanteraka ny tanàna rehetra—ireo lahy sy vavy ary ireo madinika; tsy nisy navelantsika ho velona.
\v 35 Ny biby fiompy izay azontsika, niaraka tamin'ireo fananana tao amin'ilay tanàna ihany no nalaintsika.
\s5
\v 36 Hatrany Aroera, izay any amin'ny sisin'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny tanàna izay any amin'ny lohasaha, ka hatrany amin'ny lalana rehetra mankany Gileada, dia tsy nisy tanàna avo loatra ho antsika. Yaveh Andriamanitsika dia nanome fandresena ho antsika tamin'ireo fahavalo teo anoloantsika.
\v 37 Tany amin'ilay tanànan'ireo taranak'i Amona ihany no tsy nandehananao, mbamin'ireo sisin'ny renirano Jaboka rehetra, sy ireo tanànan'ny havoana—na taiza na taiza noraràn'i Yaveh Andriamanitray tsy ho alehantsika.
\s5
\c 3
\p
\v 1 Ary niverina izahay ka nandeha tamin'ny lalana mankany Basana. Oga, ilay mpanjakan'i Basana, tonga sy nanafika anay, izy sy ireo vahoakany rehetra, mba hiady ao Edrehy.
\v 2 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Aza matahotra azy; satria efa nomeko fandresena teo aminy ianareo ary efa nametraka ny vahoakany sy ny taniny rehetra teo ambany fahefanareo Aho. Ho ataonareo aminy izay nataonareo tamin'i Sihona, mpanjakan'i Amorita, izay mipetraka any Hesbona.
\s5
\v 3 Koa nomen'i Yaveh Andriamanitray anay ny fandresena an'i Oga mpanjakan'i Basana, ary ireo vahoakany rehetra dia natao teo ambany fahefanay. Novonoinay avokoa izy rehetra mandrapaha-tsy nisy tavela intsony ireo vahoakany.
\v 4 Nalainay avokoa ireo tanànany rehetra tamin'izany fotoana izany; tsy nisy tanàna izay tsy nalainay tamin'izy ireo: tanàna enimpolo—ny faritr'i Argoba rehetra, ny fanjakan'i Oga ao Basana.
\s5
\v 5 Ireo tanàna rehetra ireo dia voaaro tsara tamin'ny alalan'ny manda avo, vavahady, ary hidy mafy; afa-tsy vohitra maro izay tsy misy manda.
\v 6 Noravanay tanteraka izy ireo, toy ny nataonay tamin'i Sihona mpanjakan'i Hesbona, noravaina tanteraka ireo tanàna rehetra—ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny zaza.
\v 7 Fa ny biby fiompy rehetra sy ny fananana tao amin'ireo tanàna ireo kosa, dia nalainay mba ho fanananay.
\s5
\v 8 Tamin'izany fotoana izany no nakanay ny tany teo am-pelatanan'ireo mpanjaka roan'i Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, miainga eo amin'ny Lohasahan'i Arona hatrany amin'ny Tendrombohitra Hermona
\v 9 (Tendrombohitra Hermona izay nantsoin'ny Sidoniana hoe Siriona, ary nantsoin'ireo Amorita hoe Senira)
\v 10 sy ireo tanànan'ny tany lemaka rehetra, Gileada rehetra, ary ny Basana rehetra, ny lalana rehetra mankany Saleka sy Edrehy, ireo tanànan'ny fanjakan'i Oga ao Basana."
\s5
\v 11 (Tamin'ireo sisa velona tamin'i Refaita, dia i Oga mpanjakan'i Basana irery ihany sisa no tavela. Indro! Ny fandriany dia fandriana vy. Moa tsy tany Raba, tany amin'izay nonenan'ireo taranak'i Amona ve izany? Sivy hakiho ny halavany ary efatra hakiho ny sakany, araka ny fomba fandrefesan'ny olona.)
\s5
\v 12 Ny tany izay nalainay ho fananana tamin'izany fotoana izany-tamin'i Aroera, izay teo amoron'ny Lohasahan'i Arnona, ny antsasaky ny havoan'ny tanànan'i Gileada, sy ireo tanànany- dia efa nomeko an'ireo Rebonita sy ireo Gedita.
\v 13 Ny Gileada sisa tavela sy Basana rehetra, ilay fanjakan'i Oga, dia nomeko ny antsasaky ny fokon'i Manase: ireo faritr'i Argoba rehetra, sy Basana rehetra. (Izany faritany izany ihany no antsoina hoe tanin'i Refaita.)
\s5
\v 14 Jaira, taranak'i Manase, dia naka ny faritr'i Argoba rehetra hatramin'i Gesorita sy Makatita. Ny faritra rehetra, eny fa na dia i Basana aza, dia nantsoiny tamin'ny anarany manokana hoe: Havota-jaira, mandraka androany.)
\s5
\v 15 Nomeko an'i Makira i Gileada.
\v 16 Ireo Robenita sy ireo Gadita dia nomeko ny tany manomboka eo Gileada ka hatrany amin'ny Lohasahan'i Arnona—ny afovoan'ilay lohasaha no fari-tanin'ilay faritra—ary hatrany amin'ny Renirano Jaboka, izay fari-tanin'ny taranak'i Amona.
\s5
\v 17 Fari-taniny hafa ihany koa ny tany lemaky ny lohasahan-dreniranon'i Jordana, manomboka eo Kireneta hatrany amin'ny Ranomasin'i Araba (izany hoe: ilay Ranomasin-tsira) hatrany amin'ireo hantsan'ny Tendrombohitra Pisga atsinanana.
\s5
\v 18 Nandidy anareo aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: 'Yaveh Andriamanitrareo dia efa nanome anareo ity tany ity mba ho lova; ianareo, izay voaomana ho an'ny ady rehetra, dia hitam-piadiana hita eo anoloan'ireo rahalahinareo, ireo olon'Israely.
\s5
\v 19 Fa ireo vadinareo, ireo zanakareo, sy ireo biby fiompinareo (Fantatro fa manana biby fiompy maro be ianareo), dia hipetraka amin'ireo tanànanareo izay efa nomeko anareo,
\v 20 mandra-panomen'i Yaveh fitsaharana an'ireo rahalahinareo, tahaka ny nataony anareo, mandra-pananan'izy ireo ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo any an-dafin'i Jordana; avy eo ianareo, ianareo rehetra, hiverina ho any amin'ny fanananareo manokana izay efa nomeko anareo.'
\s5
\v 21 Nandidy an'i Josoa aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe: "Ireo masonao dia efa nahita izay rehetra nataon'i Yaveh tamin'ireo mpanjaka roa ireo; Yaveh dia hanao toy izany amin'ireo fanjakana rehetra izay hitànareo.
\v 22 Tsy hatahotra azy ireo ianareo, satria Yaveh Andriamanitrareo no ilay iray izay hiady ho anareo."
\s5
\v 23 Nitalaho tamin'i Yaveh aho tamin'izany fotoana izany, nanao hoe:
\v 24 "O ry Tompo Yaveh, nanomboka nampiseho ny halebiazanao sy ny tananao mahery tamin'ny mpanomponao Ianao; fa aiza any an-danitra na ety an-tany no misy andriamanitra afaka manao ireo asa toy ny efa natanao, sy ireo asa mahery tahaka izany?
\v 25 Avelao aho hita, mitalaho aminao aho, ka hahita ny tany tsara izay any an-dafin'i Jordana, ny havoana tsaran'ny tanàna, ary Lebanona ihany koa."
\s5
\v 26 Fa tezitra tamiko Yaveh noho ianao; tsy nihaino ahy Izy. Hoy i Yaveh tamiko: "Aoka ho ampy anao ity-aza miresaka betsaka amiko momba izany olana izany:
\v 27 miakara any an-tampon'i Pisga ary ampijereo any andrefana, any avaratra, any atsimo, ary any antsinanana ny masonao; jereo amin'ny masonao, satria tsy hita an'i Jordana ianao.
\s5
\v 28 Fa kosa, ampianaro i Josoa ary ampaherezo sy hatanjaho izy, satria izy no handeha manoloana ny olony, ary izy no hahatonga azy ireo handova ny tany izay ho hitanao."
\v 29 Noho izany dia nijanona tao amin'ny lohasaha ampitan'i Beti-Peora izahay.
\s5
\c 4
\p
\v 1 Ankehitriny, ry Israely, mihainoa ny lalàna sy ny didy izay ho ampianariko anareo, ho ataonareo; mba hahavelomanareo sy hidiranareo ka hakanareo ny tany izay homen'i Yaveh, ilay Andriamanitry ny razanareo anareo.
\v 2 Aoka ianareo tsy hanampy ny teny izay handidiako anareo, na hanala amin'izany, mba hitandremanareo ireo lalàn'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiako anareo.
\s5
\v 3 Ny masonareo dia efa nahita izay nataon'i Yaveh noho Bala-Peora; satria ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora, dia noringanin'i Yaveh Andriamanitrao hiala teo aminao.
\v 4 Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Yaveh Andriamanitrareo kosa dia mbola velona ankehitriny, ny rehetra aminareo.
\s5
\v 5 Indro, nampianatra didy aman-dalàna anareo aho, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitro ahy, fa tokony hanao izany eo afovoan'ny tany izay hidiranareo mba ho azonareo ianareo.
\v 6 Koa tandremo izany ka ataovy; fa izany no fahendrena sy fahazavan-tsainareo eo imason'ny olona izay handre momba ireo didy rehetra ireo ka hanao hoe: 'Azo antoka fa vahoaka hendry sady manam-pahalalana ity firenena lehibe ity.'
\s5
\v 7 Fa iza no firenena lehibe hafa izay manana andriamanitra akaiky azy tokoa, tahaka an'i Yaveh Andriamanitsika isaky ny miantso Azy isika?
\v 8 Iza no firenena lehibe hafa izay manana didy aman-dalàna marina tahaka ity lalàna izay apetrako eto anoloanareo anio ity?
\s5
\v 9 Fa mitandrema ary ambeno tsara ny tenanao, mba tsy hanadinoinao ny zavatra izay hitan'ny masonao, ary mba tsy handao ny fonao amin'ny androm-piainanao manontolo izany. Fa kosa, ampahafantaro amin'ny zanakao sy ny zafinao izany.
\v 10 Tamin'ny andro izay nijoroanao teo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao tany Horeba, dia nilaza tamiko Yaveh hoe: 'Vorio ho Ahy ny vahoaka, ary Izaho hampandre azy ireo ny teniko, mba hianaran'izy ireo hahatahotra Ahy amin'ny andro-piainan'izy ireo rehetra eto an-tany, ka hahafahan'izy ireo mampianatra ny zanany.'
\s5
\v 11 Dia nanakaiky ianareo ary nijoro teo am-pototry ny tendrombohitra. Nirehitra afo nanakatra ny halalin'ny lanitra ny tendrombohitra, niaraka tamin'ny aizina, rahona, ary aizim-pito matevina.
\v 12 Niteny taminareo avy tao afovoan'ny afo Yaveh; nandre ny feo niaraka tamin'ny teny ianareo, saingy tsy nahita endrika; nandre feo fotsiny ihany ianareo.
\s5
\v 13 Nanambara taminareo ny fanekena izay nodidiany hampiharinareo Izy, dia ny Didy Folo. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany.
\v 14 Nandidy ahy hampianatra anareo ny didy sy baiko Yaveh tamin'izany fotoana izany, mba hanaovanareo izany any amin'ny tany izay hiampitanareo ka halainareo ho fananana.
\s5
\v 15 Koa mitandrema tsara—fa tsy nahita karazan'endrika ianareo tamin'izany andro niresahan'i Yaveh taminareo tao Horeba avy teo afovoan'ny afo izany—
\v 16 mba tsy hanimba tena ianareo ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay mety ho voahary rehetra, dia endrik'olona lahy na vavy,
\v 17 na mitovy endrika amin'izay mety ho biby rehetra eto an-tany, na mitovy endrika amin'izay mety ho biby manan'elatra ary manidina eny amin'ny habakabaka,
\v 18 na mitovy endrika amin'ny zavatra rehetra izay mandady amin'ny tany, na mitovy endrika amin'ny trondro any anaty rano ambany tany.
\s5
\v 19 Aoka ny masonao tsy hiandrandra ny lanitra ary hijery ny masoandro, ny volana, na ny kintana— ny zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—ka ho voataona hivavaka amin'ireny sy hanompo an'ireny—ireo zavatra izay nanomezan'i Yaveh Andriamanitrao anjara ho an'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
\v 20 Fa Yaveh naka anareo ka nitondra anareo niala avy tao amin'ny fatana fandrendreham-by, dia avy tany Egypta, mba ho vahoaka izay lovany manokana, tahaka anareo ankehitriny.
\s5
\v 21 Tezitra tamiko Yaveh nohon'ny aminareo; nianiana Izy fa tsy hiampita an'i Jordana aho, ary tsy hiditra ao amin'izany tany soa izany, dia ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao.
\v 22 Fa kosa, tsy maintsy ho faty eto amin'ity tany ity aho; tsy mahazo miampita an'i Jordana aho; fa ianareo kosa dia hiampita ary hahazo izany tany soa izany.
\s5
\v 23 Tandremo tsara ny tenanareo, mba tsy hanadino ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nataony taminareo, ka hanamboatra sary sokitra mitovy endrika amin'izay rehetra nandraran'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho ataonao.
\v 24 Fa afo mandevona Yaveh Andriamanitrao, ary Andriamanitra saro-piaro.
\s5
\v 25 Rehefa manan-janaka aman-jafy ianao, ary rehefa nitoetra ela tao amin'ny tany, ary raha manimba ny tenanao ka manao sary sokitra araka ny endrik'izay mety ho zavatra rehetra, ary manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrao, mba hampihetsika ny fahatezerany—
\v 26 dia miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa ho ringana hiala eo amin'ny tany izay hitànareo an'i Jordana ho fanananareo tokoa ianareo; tsy ho lava andro ao ianareo, fa ho ringana tanteraka.
\s5
\v 27 Ho aparitak'i Yaveh eo amin'ny vahoaka ianareo, ka ho avela vitsy an'isa eo amin'ireo firenena, izay hitondran'i Yaveh anareo ianareo.
\v 28 Any ianareo no hanompo andriamanitra hafa, izay asan'ny tanan'olombelona, vita amin'ny hazo sy vato, izay sady tsy mahita, no tsy mandre, no tsy mihinana, na manimbolo.
\s5
\v 29 Fa avy any ianareo no hitady an'i Yaveh Andriamanitrareo, ka hahita Azy, rehefa mitady Azy amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo.
\s5
\v 30 Rehefa ory ianareo, ary rehefa tonga aminareo izany zavatra rehetra izany, dia hiverina amin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ka hihaino ny feony any aoriana any.
\v 31 Fa Andriamanitra mpamindra fo Yaveh Andriamanitrareo; tsy handao na handringana anareo Izy, na hanadino ny faneken'ny razanareo izay nianianany tamin'izy ireo.
\s5
\v 32 Fa izao dia hevero ny andro lasa, izay talohanareo: nanomboka tamin'ny andro izay naharian'Andriamanitra ny olombelona teto an-tany, ary nanomboka tamin'ny ilan'ny lanitra ka hatreo amin'ny ilany hafa, hevero raha nisy tahaka izany zavatra lehibe izany, ary moa ve nisy zavatra tahaka izany mbola re?
\v 33 Moa ve efa nisy vahoaka nandre ny feon'Andriamanitra niteny avy teo afovoan'ny afo, tahaka ny nandrenesanareo, ka velona?
\s5
\v 34 Na moa ve Andriamanitra efa nitady ny handeha ka haka firenena ho Azy avy eo afovoan'ny firenena hafa, amin'ny alalan'ny fitsapana, famantarana, ary amin'ny fahagagana, sy ady, amin'ny tanana mahery, sy sandry mitsotra, ary amin'ny horororo lehibe, tahaka ny zava-drehetra izay nataon'i Yaveh teo imasonareo ho anareo tany Egytpta?
\s5
\v 35 Ianao no nampisehoana ireny zavatra ireny, mba hahafantaranao fa Yaveh no Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy.
\v 36 Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony, mba hahafahany mampianatra anao; teto an-tany no nampisehoany anao ny afony lehibe; nandre ny feony avy teo afovoan'ny afo ianao.
\s5
\v 37 Satria tia an'ireo razambenao Izy, dia nifidy ny taranaka izay nandimby azy ireo, ka nitondra anao nivoaka an'i Egypta teo amin'ny fanatrehany, tamin'ny heriny lehibe;
\v 38 mba handroahana ny firenena lehibe sy matanjaka noho ianao hiala eo anoloanao, ka hampiditra anao ao, mba hanomezana anao ny tanin'izy ireo ho lova, tahaka ny androany.
\s5
\v 39 Koa fantaro ary anio, ary ataovy ao am-ponao izao, fa Yaveh no Andriamanitra any an-danitra any ambony sy ety an-tany ety ambany; ary tsy misy hafa.
\v 40 Hitandrina ny didiny sy ny lalàny izay handidiako anao anio ianao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao, ary mba hahalava ny andro hiainanao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh anao mandrakizay."
\s5
\v 41 Avy eo dia nisafidy tanàna telo avy teny amin'ny ilany antsinanan'i Jordana i Mosesy,
\v 42 mba hahafahan'ny olona mandositra any amin'ny iray amin'ireo raha sendra mamono olon-kafa tsinahy izy, kanefa mbola tsy fahavalony tany aloha tany. Ny fandosirana any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo no mety hahatafavoaka velona azy.
\v 43 Bezera tany an-tany efitra, tany amin'ny tany lemaka, any Robenita; Ramota tao Gileada, an'ny Gadita; ary Golana tany Basana, an'ny Manasita izany.
\s5
\v 44 Izany no lalàna izay napetrak'i Mosesy teo anoloan'ireo vahoakan'Israely;
\v 45 ireo no fanekem-pihavanana, lalàna, ary didy hafa izay nambarany tamin'ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka avy tao Egypta izy ireo,
\v 46 rehefa teny atsinanan'i Jordana izy ireo, tany amin'ny lohasaha nanandrify an'i Beta-Peora, tany amin'ny tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tao Hesbona, ilay noresen'i Mosesy sy ny vahoakan'Israely rehefa nivoaka an'i Egypta izy ireo.
\s5
\v 47 Nalain'izy ireo ho fananany ny taniny, sy ny tanin'i Oga mpanjakan'i Basana—ireo no mpanjakan'ny Amorita anankiroa, izay tany an-dafin'i Jordana niantsinanana.
\v 48 Nanomboka avy tany Aroera, teo amoron'ny lohasahan'i Arnona, ka hatrany amin'ny Tendrombohitra Siona (na Tendrombohitra Hermona) izany fari-tany izany,
\v 49 ary tafiditra tao amin'izany ny lemaky ny lohasahan-driakan'i Jordana rehetra, miantsinanana mankany an-dafin'i Jordana, mankany amin'ny Ranomasin'i Araba, ka hatrany amin'ny hantsan'ny Tendrombohitra Pisga.
\s5
\c 5
\p
\v 1 Dia niantso ny Israely rehetra i Mosesy ka nanao tamin'izy ireo hoe: "Ry Israely, henoy, ireo lalàna sy didy izay ho lazaiko ao an-tsofinareo anio, mba hahafahanareo hianatra sy hitandrina izany.
\v 2 Yaveh Andriamanitsika nanao fifanekena tamintsika tao Horeba.
\v 3 Tsy nanao izany fanekena izany tamin'ireo razambetsika Yaveh, fa tamintsika, dia isika rehetra velona eto anio.
\s5
\v 4 Niresaka mivantana taminareo teo amin'ny tendrombohitra avy tao afovoan'ny afo i Yaveh
\v 5 (Nitsangana teo anelanelanareo sy Yaveh aho tamin'izany fotoana izany, mba hanambara aminareo ny teniny; fa natahotra ianareo nohon'ny afo, ka tsy niakatra tao an-tendrombohitra ianareo). Dia hoy Yaveh hoe:
\v 6 'Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo hiala tao amin'ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana.
\s5
\v 7 Tsy hanana andriamanitra hafa eo anoloako ianareo.
\v 8 Tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anareo ianareo na endri-javatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ety ambany, na izay anaty rano ety ambany.
\s5
\v 9 Aza miankohoka amin'ireo ianao na manompo azy ireo, fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro. Mamaly ny faharatsian'ireo razambe Aho amin'ny famaizako ireo zaza madinika, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra an'izay mankahala Ahy,
\v 10 ary haneho tsy fivadiam-panekena kosa amin'ireo olona an'arivony, amin'ireo izay tia Ahy sy mitandrina ireo didiko.
\s5
\v 11 Tsy ho hampiasanao amin'ny tsy antony ny anaran'i Yaveh Adriamanitrao, fa i Yaveh dia handray azy ho meloka amin'ny fampiasana fahatany ny anarany.
\s5
\v 12 Tandremo ny andro sabata mba hanamasinana azy, arak'izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\v 13 fa enina andro no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra;
\v 14 fa ny andro fahafito kosa dia Sabata ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Amin'izany dia tsy hiasa ianao—na ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompo lahinao, na ny mpanompo vavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao, na ny vahiny izay anatin'ny vavahadinao. Natao izany mba hitsaharan'ny mpanomponao lahy sy ny mpanomponao vavy tahaka anao.
\s5
\v 15 Dia ho tsaroanao fa mpanompo tany amin'ny tany Egypta ianao, ary Yaveh Andriamanitrao no namoaka anao tany tamin'ny alalan'ny tanana mahery sy faninjirana ny sandry. Noho izany no nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao mba hitandrina ny andro Sabata.
\s5
\v 16 Manajà ny rainao sy reninao, araka izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao ho hataonao, dia ho ela velona any amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao ho anao ianao, ka dia hahasambatra anao anie izany.
\s5
\v 17 Aza mamono olona.
\v 18 Aza mijangajanga.
\v 19 Aza mangalatra.
\v 20 Aza manao vavolombelona diso amin'ny mpiara-belona aminao.
\s5
\v 21 Aza mitsiriritra ny vadin'ny mpiara-belona aminareo, aza mitsiriritra ny tranon'ny mpiara-belona aminareo, ny sahany, na ny mpanompo lahiny, na ny mpanompo vaviny, ny ombiny, na ny borikiny, na izay rehetra an'ny mpiara-belona aminareo.'
\s5
\v 22 Ireo teny ireo no nambaran'i Yaveh tamin'ny feo avo tamin'ny fiangonanareo rehetra teny amin'ny tendrombohitra avy ao afovoan'ny afo, ny rahona, ary ny aizim-pito; dia tsy nanisy teny fanampiny intsony izy. Nosoratany tamin'ny vato fisaka roa izany ka natolony ahy.
\s5
\v 23 Dia nitranga izao, rehefa nandre ny feo avy ao afovoan'ny aizina ianareo, raha mbola nirehitra ny tendrombohitra, dia nanakaiky ahy ianareo—ireo loholonareo rehetra sy ireo mpitarika ny fokonareo.
\v 24 Hoy ianareo hoe: 'Indro, Yaveh Andriamanitsika efa naneho tamintsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany, ary efa rentsika ny feony avy eo afovoan'ny afo; hitantsika androany fa rehefa miteny amin'ny olona i Yaveh, dia afaka ny ho velona izy ireo.
\s5
\v 25 Fa nahoana isika no tokony ho faty? Satria handevona antsika izany afo lehibe izany; fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony isika, dia ho faty.
\v 26 Fa iza ankoatra antsika no eo amin'ny nofo rehetra izay efa nandre ny feon'ilay Andriamanitra velona niteny avy teo afovoan'ny afo ka velona, tahaka izay efa nataontsika?
\v 27 Raha ny aminareo, dia tokony handeha sy hihaino izay rehetra ambaran'i Yaveh Andriamanintsika ianareo, hamerina aminay izay rehetra lazain'i Yaveh Andriamanintsika aminareo; hihaino sy hankatoa izany izahay.'
\s5
\v 28 Ren'i Yaveh ny teninareo raha niresaka tamiko ianareo. Hoy Izy tamiko hoe: 'Efa reko ny tenin'ireo vahoaka ireo, dia izay nolazainy taminao. Tsara izay nambaran'izy ireo.
\v 29 Endrey, raha mba misy fo tokoa izy ireo, dia hanaja Ahy sy hitandrina mandrakariva ny didiko rehetra, dia hahasoa azy ireo sy ireo taranany mandrakizay izany!
\v 30 Ndeha lazao amin'izy ireo hoe: "Miverena any an-dainareo."
\s5
\v 31 Fa raha ny aminao, mitsangàna eto anatrehako, dia hambarako aminao ny didy rehetra, ny lalàna, sy ireo fitsipika izay ho ampianarinao azy ireo, mba hitandreman'izy ireo izany any amin'ny tany izay homeko azy ireo ho fananana.'
\s5
\v 32 Ho tandremanao, noho izany, izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao; mba tsy hivily ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia ianao.
\v 33 Handeha amin'ny lalana rehetra izay nandidian'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, mba ho velona ianao, ka hahasoa anao izany, ary mba hahalava ny andro iainanao any amin'ny tany izay ho fanananao.
\s5
\c 6
\p
\v 1 Ankehitriny dia ireto avy ireo baiko, ireo didy, ary ireo lalàna izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrao ahy mba hampianarina anao, ka mba hahafahanao mitandrina ireo any amin'ny tany izay halehanao tandrifin'i Jordana izay ho fanananao;
\v 2 mba hahafahanao manome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrao, amin'ny fitandremana ireo lalàna sy ny didy rehetra izay handidiako anao—ianao, ireo zanakao, ary ireo zanaky ny zanakao, amin'ny andro rehetra hiainanao, mba hitombo ny andro hiainanao.
\s5
\v 3 Noho izany henoy ireo, ry Israely, ary tandremo ireo, mba hahasoa anao izany, mba hitomboanao fatratra, any amin'ny tany tondra-dronono sy tantely, araka izay efa nampanantenain'i Yaveh, ilay Andriamanitrin'ny razambenao taminao ho atao.
\s5
\v 4 Henoy, ry Israely: Yaveh Andriamanintsika dia iray.
\v 5 Hitia an'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo ianao, amin'ny fanahinao manontolo, ary amin'ny herinao manontolo.
\s5
\v 6 Ireo teny izay handidiko anao anio dia ho ao amin'ny fonao;
\v 7 ary hampianatra tsara an'ireo amin'ny zanakao ianao; hiresaka momba ireo ianao rehefa mipetraka ao an-tranonao, rehefa mandeha eny an-dalana, rehefa mandry, ary rehefa mifoha.
\s5
\v 8 Hamatotra ireo ianao mba ho famantarana eo amin'ny tananao, ary atao toy ny fehin-kandrina eo anelanelan'ny masonao ireo.
\v 9 Hanoratra izany eo amin'ny tolàm-baravaran'ny tranonao sy ny vavahadinao ianao.
\s5
\v 10 Rehefa mitondra anao any amin'ny tany izay nampanantenain'i Yaveh Andriamanitrao tamin'ireo razambenao, Abrahama, Isaka, sy Jakoba, fa homeny anao ianao, miaraka amin'ny tanàna lehibe sy tena tsara izay tsy nahorinao,
\v 11 sy trano maro feno karazana zavatra tsara izay tsy nataonao, famorian-drano izay tsy nohadianao, ary tanim-boaloboka sy hazon'oliva izay tsy nambolenao, hihinana ianao ka ho afa-po—
\v 12 ary mitandrema ianao mba tsy hanadino an'i Yaveh, izay nitondra anao hiala tao amin'ny tany Egypta, hivoaka ny trano fanandevozana.
\s5
\v 13 Hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrao ianao; izy no ho tompoinao, ary hianiana amin'ny anarany ianao.
\v 14 Tsy hanompo andriamanitra hafa ianao, ireo andriamanitry ny olona izay manodidina anao rehetra—
\v 15 satria Yaveh Andriamanitrao izay eo afovoanao dia Andriamanitra saro-piaro—fa raha manao izany ianao, dia hirehitra aminao ny fahatezeran'i Yaveh Andriamanitrao, ary handringana anao amin'ny tany rehetra Izy.
\s5
\v 16 Tsy hitsapa an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka ny nitsapanao azy tany Masaha ianao.
\v 17 Ianao dia hitandrina tsara ireo baikon'i Yaveh Andriamanitrao, ireo didiny, sy ireo lalàny, izay nandidiny anao.
\s5
\v 18 Hanao izay marina sy tsara eo imason'i Yaveh ianao, mba hahasoa anao izany, ary mba hahafahanao miditra sy manana ny tany tsara izay efa nianianan'i Yaveh tamin'ireo razanao,
\v 19 mba hanalana ireo fahavalonao rehetra tsy ho eo anoloanao, araka ny efa nolazain'i Yaveh.
\s5
\v 20 Rehefa manontany anao ny zanakao lahy amin'ny fotoana ho avy, manoa hoe: 'Inona avy ireo lalàn'ny fanekena, ireo fitsipika, ary ireo lalàna hafa izay nandidian'i Yaveh Andriamanitsika anao?'
\v 21 dia hilaza ny zanakao lahy ianao hoe: 'Andevon'i Farao tany Egypta isika; nitondra antsika niala ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery Izy,
\v 22 ary nampiseho famantarana sy fahagagana, lehibe sy mahery vaika, tamin'i Egypta, tamin'i Farao, ary tamin'ny tranony rehetra, teo imasontsika Izy;
\v 23 ary nitondra antsika niala tany, mba hitondrany antsika hiditra ao, mba hanomezana antsika ny tany izay efa nampanantenainy an'ireo razantsika.
\s5
\v 24 Yaveh dia nandidy antsika mandrakariva mba hitandrina ireo lalàna rehetra, mba hatahotra an'i Yaveh Andriamanitsika hahasoa antsika, mba hahavelona antsika hatrany, tahaka antsika amin'izao.
\v 25 Raha mitandrina ireo didy rehetra ireo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitsika isika, araka izay nandidiny antsika, dia ho fahamarinantsika izany.'
\s5
\c 7
\p
\v 1 Rehefa nentin'i Yaveh Andriamanitrao tany amin'ny tany izay ho fanananao ianao, dia handroaka firenena maro hiala eo anoloanao Izy—ireo Hetita, ireo Girgasita, ireo Amorita, ireo Kananita, ireo Perizita, ireo Hivita, ary ireo Jebosita—firenena lehibe fito sy mahery kokoa noho ianao.
\s5
\v 2 Izany dia Yaveh Andriamanitrao izay manolotra azy ireo ho anao rehefa mandresy azy ireo ianao, ary tsy maintsy mamotika tanteraka azy ireo ianao. Tsy hanao fifanekena amin'izy ireo ianao, ary tsy haneho famindram-po amin'izy ireo.
\v 3 Na koa hikarakara fanambadiana amin'izy ireo ianao. Tsy hanome ny zanakao vavy ho an'ny zanak'izy ireo lahy ianao, ary tsy haka ny zanak'izy ireo vavy ho an'ny zanakao lahy ianao.
\s5
\v 4 Satria izy ireo dia hampivily lalana ny zanakao ny amin'ny fanarahana Ahy, mba hahafahan'izy ireo manompo andriamanitra hafa. Noho izany dia hirehitra aminareo ny hatezeran'i Yaveh, ary handringana anareo faingana Izy.
\v 5 Izao no tokony hifanarahanao amin'izy ireo: hamotika ny alitaran'izy ireo ianareo, hamotika ny tsangam-baton'izy ireo ianareo, hanapaka ny baon'Aserahan'izy ireo, ary handoro ireo sampy voasokitr'izy ireo.
\s5
\v 6 Satria ianao dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrao. Dia nifidy anao mba ho vahoakany, mihoatra noho ireo vahoaka hafa rehetra eran'izao tontolo izao Izy.
\s5
\v 7 Tsy nametraka ny fitiavany teo aminareo na nisafidy anareo nohon'ny hamaroan'isanareo noho ny vahoaka hafa i Yaveh—satria ianareo no vitsy indrindra tamin'ireo vahoaka rehetra—
\v 8 fa satria tiany anareo, ary naniry ny hitàna ny fianianana izay nampanantenainy tamin'ireo razanareo Izy. Izany no nahatonga an'i Yaveh nitondra anareo nivoaka tamin'ny tanana mahery ary nanafaka anareo tao amin'ny trano fanandevozana, teo an-tanan'i Farao, mpanjakan'i Egypta.
\s5
\v 9 Noho izany dia fantaro fa Yaveh Andriamanitrao—Izy no Andriamanitra, ilay Andriamanitra mahatoky, izay mitàna ireo fanekena sy fahatokiana ho an'ny taranaka an'arivony miaraka amin'ireo izay tia azy sy mitandrina ireo didiny,
\v 10 fa sazio eny amin'ny tavany ireo izay mankahala Azy, mba hanimbana azy ireo; tsy handefitra amin'ireo izay mankahala Azy Izy; hamaly azy eo anatrehany izy.
\v 11 Noho izany ianao dia hitandrina ireo baiko, ireo lalàna, ary ireo didy izay nodidiko ho ataonao anio, ka hampiatra ireo ianao
\s5
\v 12 Raha mihaino ireo lalàna ianao, ary mitandrina sy manao izany, dia hitandro ny fanekena sy ny fahatokiana izay nampanantenainy tamin'ny razanao Yaveh Andriamanitrao.
\v 13 Hitia anareo Izy, hitahy anareo, ary hampitombo isa anareo; hitahy ny vokatry ny vatanareo sy ny vokatry ny taninareo, ny varinareo, ny divay vaovaonareo, sy ny menakareo, ny fitombon'ireo biby fiompinareo sy ireo zanak'ondry aman'osinareo, ao amin'ny tany izay nampanantenainy tamin'ireo razanareo fa homeny anareo.
\s5
\v 14 Ho voatahy kokoa noho ireo olona hafa rehetra ianao; tsy hisy lehilahy momba na vehivavy momba eo aminareo na eo amin'ny biby fiompinareo.
\v 15 Hanala ny aretina rehetra aminao i Yaveh; tsy hataony mahazo anao ireo aretin-dratsin'i Egypta fantatrao, fa ho ataony amin'ireo rehetra izay mankahala anao izany.
\s5
\v 16 Handringana ny vondron'olona rehetra izay hanomezan'i Yaveh Andriamanitrao fandresena anao ianao, ary tsy hiantra azy ireo ny masonao. Tsy hanompo ny andriamanitr'izy ireo ianao, satria ho fandrika ho anao izany.
\s5
\v 17 Raha milaza ao am-ponao ianao hoe: "Maro an'isa noho izaho ireo firenena ireo; ahoana no handreseko ireo?"—
\v 18 aza matahotra azy ireo; hahatsiaro izay nataon'i Yaveh Andriamanitrao tamin'i Farao sy Egypta rehetra ianao;
\v 19 ireo fijaliana be izay hitan'ny masonao, ireo famantarana, ireo fahagagana, ny tanana mahery, sy sandry mitsotra izay nitondran'i Yaveh anao nivoaka. Yaveh Andriamanitrao dia hanao toy izany koa amin'ireo vahoaka rehetra izay hatahoranao.
\s5
\v 20 Fanampin'izany, Yaveh Andriamanitrao dia handefa ny fanenitra eo amin'izy ireo, mandra-paharingan'ireo sisa tavela sy izay manafina ny tenany aminao amin'ny fanatrehanao.
\v 21 Tsy hatahotra azy ireo ianao, satria Yaveh Andriamanitrao dia eo aminao, Andriamanitra lehibe sy hatahorana.
\v 22 Yaveh Andriamanitrao dia handroaka tsikelikely ireo firenena eo anoloanao. Tsy haharesy azy rehetra indray miaraka ianao, fandrao hiamaro ireo bibi-dia hanodidina anao.
\s5
\v 23 Fa Yaveh Andriamanitrao dia hanome fandresena ho anao amin'izy ireo rehefa hiady amin'izy ireo ianao; hampivarahontsana azy ireo Izy mandra-paharingan'izy ireo.
\v 24 Ho ataony eo ambany fahefanao ireo mpanjakan'izy ireo, ka hahafoana ny anaran'izy ireo amin'ny ambany lanitra ianao. Tsy hisy afaka hitsangana manoloana anao, mandra-paharinganao azy ireo.
\s5
\v 25 Handoro ireo sary sokitr'ireo andriamanitr'izy ireo ianareo—aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay mandrakotra azy ireo ka maka izany ho an'ny tenanareo, satria raha manao izany ianareo, dia ho voafandrik'izany—satria fanevatevana an'i Yaveh Andriamanitrareo izany.
\v 26 Tsy hitondra fahavetavetana ao an-tranonao ianao ka hanomboka hanompo izany. Hankahala izany tokoa ianao, satria efa voatokana ho an'ny faharavàna izany.
\s5
\c 8
\p
\v 1 Aoka ho tananareo ireo didy rehetra izay omeko anareo androany, mba ho velona sy hihamaro ianareo, ary handeha ka hahazo ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo.
\v 2 Aoka ho tsaroanao ny lalana rehetra izay nitarihan'i Yaveh Andriamanitrao anao tamin'ny efapolo taona tany an'efitra, mba hampietreny anao, mba hitsapany anao hahafantarana izay ao am-ponao, raha hitàna ireo didiny ianao na tsia.
\s5
\v 3 Nampietry anao Izy, sy nampanoana anao, ary namoky mana anao, izay tsy fantatrao ary tsy fantatr'ireo razanao. Nataony izany mba hahafantaranao fa tsy ny mofo ihany no hiveloman'ny olona; fa kosa, ny zavatra rehetra izay aloakan'ny vavan'i Yaveh dia iveloman'ny olona.
\s5
\v 4 Tsy rovitra ary tsy niala taminao ny akanjonao, ary tsy nivonto ny tongotrao nandritr'ireny efapolo taona ireny.
\v 5 Aoka ianao hihevitra ao am-ponao, ny fomba hifehezan'ny ny olona ny zanany, dia tahaka izany no hifehezan'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\v 6 Hotànanao ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao, mba handehananao amin'ny lalany sy hanajanao Azy.
\s5
\v 7 Fa Yaveh Andriamanitrao dia mitondra anao amin'ny tany soa, tanin-dohasahan-driaka, loharano, mikoriana avy amin'ireo lohasaha ary eny anivon'ny havoana;
\v 8 tanim-barim-bazaha sy vary hordea, voaloboka, hazon'aviavy, ary ampongaben-danitra; tanin'oliva sy tantely.
\s5
\v 9 Tany izay hihinananao hanina tsy lany laniana, ary izay handehananao tsy hisy zava-mahory; tany izay misy vy ny vatony, ary avy ao amin'ny havoany no hiadianao varahina.
\v 10 Hihinana ianao ary ho voky, ary hisaotra an'i Yaveh Andriamanitrao ianao nohon'ny tany soa izay efa nomeny anao.
\s5
\v 11 Tandremo mba tsy hanadino an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary tsy hanao tsinontsinona ireo didiny, ireo fitsipiny, ary ireo lalàny izay handidiko anao androany,
\v 12 raha tsy izany, rehefa mihinana ianao ary voky, ary rehefa manorina trano tsara tarehy ary mipetraka ao amin'izany, dia hirehareha ny fonao.
\s5
\v 13 Tandremo rehefa mihamaro ny ombinao sy ny ondry aman'osinao ary mitombo ny volafotsy sy ny varahinao, ary mitombo izay rehetra hanananao,
\v 14 dia hirehareha ny fonao ary adinonao i Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, avy tao amin'ny trano fanandevozana.
\s5
\v 15 Aza manadino Azy izay nitarika anao tany amin'ny tany efitra lehibe sy mampatahotra, miaraka amin'ny menarana misy poizina sy maingoka ary tany ngazana izay tsy nisy rano, izay namoaka rano ho anao avy tao amin'ny vatolampy afovato.
\v 16 Namoky mana anao tany an'efitra Izy izay tsy mba fantatr'ireo razambenao, mba hahafahany mampietry anao sy mitsapa anao, mba hanasoa anao amin'ny farany,
\v 17 fa ianao mety hiteny ao am-ponao hoe: 'Ny heriko sy ny herin'ny tanako no nahazoako ireto harena rehetra ireto.'
\s5
\v 18 Fa aoka hahatsiaro an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, satria Izy no manome anao ny hery hahazoana harena; mba hanorenany ny fanekeny izay nianianany tamin'ireo razanao, tahaka izao anio izao.
\v 19 Ary raha hanadino an'i Yaveh Andriamanitrao ianao ary hanaraka andriamanin-kafa, hanompo azy ireo, ary hiankohoka amin'izy ireo, dia mijoro vavolombelona aminareo aho anio fa ho faty tokoa ianareo.
\v 20 Tahaka ireo firenena izay nataon'i Yaveh ringana teo anatrehanareo, dia ho toy izany no haharingana anareo, satria tsy mihaino ny feon'i Yaveh Adriamanitrareo ianareo.
\s5
\c 9
\p
\v 1 Mihainoa, ry Israely; efa hiampita an'i Jordana ianao anio, mba handeha haka ireo firenena lehibe sy mahery nohon'ny tenanao, sy ho amin'ireo tanàna izay lehibe misy manda manakatra ny lanitra,
\v 2 dia vahoaka vaventy sady lava, ireo zanaka lahin'ny Enakita, izay fantatrao, ary izay efa nandrenesanao ny olona nilaza hoe: 'Iza no afaka hitsangana manoloana ireo zanaka lahin'i Anàka?'
\s5
\v 3 Fantaro ary ankehitriny fa Yaveh Andriamanitrao no mialoha lalana anao tahaka ny afo mandevona; handringana azy ireo Izy, ary handresy azy ireo eo anoloanao; ka handroaka azy ianao ary ho vonoinao faingana izy ireo, araka izay efa nolaizain' Yaveh taminao.
\s5
\v 4 Aza milaza ny ao am-ponao, rehefa voaroakan'i Yaveh Andriamanitrao tsy ho eo anoloanao izy ireo hoe: 'Nohon'ny fahamarinako no nitondran'i Yaveh ahy ho tompon'ny ity tany ity,' satria nohon'ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no nahatonga an'i Yaveh handroaka azy tsy ho eo anoloanao.
\s5
\v 5 Tsy nohon'ny fahamarinanao na ny fahitsim-ponao no hahatonga anao ho tompon'ny tanin'izy ireo, fa nohon'ny haratsiam-panahin'ireo firenena ireo no mahatonga ny Andriamanitrao handroaka azy ireo tsy ho eo anoloanao, ary mba hahafahany manatanteraka ny fahamarinan'ny teny izay nianianany tamin'ireo razambenao, dia tamin'i Abrahama, Isaka ary Jakoba.
\s5
\v 6 Koa aoka ho fantatrao, fa tsy nohon'ny fahamarinanao no hanomezan'i Yaveh Andriamanitrao io tany tsara io ho lasanao, fa olona mafy loha ianao.
\s5
\v 7 Tsarovy ary aza adinoina ny nihantsianao ny fahatezeran'i Yaveh Andriamanitrao tany an'efitra; hatramin'ny andro nandaozanao ny tany Egypta ka hatramin'ny nahatongavanareo teto amin'ity toerana ity, dia nikomy nanohitra an'i Yaveh hatrany ianareo.
\v 8 Tany Horeba ihany koa dia nihantsy ny fahatezeran'i Yaveh ianareo, ary tena tezitra taminareo Yaveh ka saika handringana anareo.
\s5
\v 9 Rehefa niakatra ho any an-tendrombohitra aho mba handray ireo vato fisaka, dia ireo vato fisaky ny fanekena izay nataon'i Yaveh niaraka taminao, nitoetra tany an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina aho; tsy nihinana mofo na nisotro rano aho.
\v 10 Nomen'i Yaveh ahy ireo vato fisaka roa nosoratan'ny tanany; voasoratra teo amin'ireo ny zavatra rehetra araka ny teny rehetra izay nambaran'i Yaveh anareo tany an-tendrombohitra teo afovoan'ny afo tamin'ny andron'ny fivoriana.
\s5
\v 11 Ary rehefa tapitra ny efapolo andro sy efapolo alina dia nomen'i Yaveh ahy ireo vato fisaka roa, dia ireo vato fisaky ny fanekena.
\v 12 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Mitsangana, midina faingana avy eto, fa ireo vahoakanao, izay nentinao avy tany Egypta, dia efa nanimba ny tenan'izy ireo. Nalaky nivily tamin'ny lalana nandidiko azy izy ireo. Izy ireo dia nanamboatra sarin-javatra an'idina ho azy ireo.'
\s5
\v 13 Ankoatra izany, niresaka tamiko Yaveh ary nilaza hoe: 'Efa hitako ireto vahoaka ireto; vahoaka mafy loha izy ireo.
\v 14 Avelao irery aho, mba hahafahako mandringana azy ireo sy mamafa ny anarany tsy ho eo ambanin'ny lanitra, ary hataoko ho firenena mahery sy lehibe noho izy ireo ianao.'
\s5
\v 15 Noho izany dia nihodina aho ary nidina avy eny an-tendrombohitra, ary dia nirehitra ny tendrombohitra. Tety an-tanako ireo vato fisaka roan'ny fanekena.
\v 16 Nijery aho, ary indro, nanota tamin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. Namolavola zanak'omby ho anareo ianareo. Nalaky nivily tamin'ny lalana izay nandidian'i Yaveh anareo ianareo.
\s5
\v 17 Nalaiko ireo vato fisaka roa ary nariako tsy ho eo an-tanako ireo. Novakiko teo imasonareo izany.
\v 18 Niankohoka efapolo andro sy efapolo alina teo anatrehan'i Yaveh indray aho; tsy nihinana mofo aho na nisotro rano, nohon'ny amin'ireo fahotanareo rehetra izay nataonareo, tamin'ny nanaovanareo izay ratsy teo imason'i Yaveh, mba hanetsehana ny fahatezerany.
\s5
\v 19 Fa natahotra ny fahatezerana sy ny firehetan'ny tsy fankasitrahana izay tena nahatezitra an'i Yaveh taminareo ka saika handringana anareo aho. Fa nihaino ahy ihany koa Yaveh tamin'izany fotoana izany.
\v 20 Tezitra mafy tamin'i Arona Yaveh ka saika handringana azy; tamin'io dia nivavaka ho an'i Arona ihany koa aho.
\s5
\v 21 Nalaiko ny fahotanareo, ny zanak'omby izay namboarinareo, ka nodorako izany, nokapohiko, ary notorotoroiko ho tena bitika, mandra-pahatonga azy ho madinika tahaka ny vovoka. Nariako tany amin'ny renirano izay mikoriana avy any an-tendrombohitra ny vovony.
\s5
\v 22 Tany Tabera, tany Masa, ary tany Kibrota-hatava no niantsinareo ny fahaviniran'i Yaveh.
\v 23 Rehefa nandefa anareo hiala tao Kadesi-Barnea Yaveh ary niteny hoe: 'Mandehana miakatra ary alaivo ho fananana ilay tany izay nomeko anareo,' dia nikomy nanohitra ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, ary tsy nino na nihaino ny feony.
\v 24 Nikomy nanohitra an'i Yaveh ianareo hatramin'ny andro nahafantarako anareo.
\s5
\v 25 Ary niankohoka efapolo andro sy efapolo alina teo anatrehan'i Yaveh aho, satria Izy niteny fa handringana anareo.
\v 26 Nivavaka tamin'i Yaveh aho ary niteny hoe: "Ry Yaveh Tompo, aza haringana ireo vahoakanao na ireo mpandovanao izay navotanao tamin'ny fahalehibiazanao, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tanana mahery.
\s5
\v 27 Tsarovy Abrahama, Isaka, ary Jakoba mpanomponao; aza mijery ny hamafisan-dohan'ity vahoaka ity, na ny haratsiam-panahiny, na ireo fahotany,
\v 28 fandrao ny tany izay nitondranao anay hiteny hoe: "Satria Yaveh tsy afaka nitondra azy ireo tany amin'ilay tany izay nampanantenainy azy ireo, ary satria nankahala azy ireo Izy, no nitondrany azy ireo nivoaka mba hamonoana azy ireo any an'efitra."
\v 29 Kanefa vahoakanao sy lovanao ireo, izay nentinao nivoaka tamin'ny herinao lehibe sy tamin'ny fiasan'ny herinao.'
\s5
\c 10
\p
\v 1 Hoy Yaveh tamiko tamin'izany fotoana izany hoe: 'Manamboara vato fisaka roa tahaka ilay voalohany, dia miakara aty amiko aty an-tendrombohitra, ary manaova fiara vita amin'ny hazo.
\v 2 Hosoratako ao anatin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tao anatin'ireo vato fisaka voalohany izay nopotehinao, ka hapetrakao ao anatin'ilay fiara ireo.'
\s5
\v 3 Koa nanamboatra fiara tamin'ny hazo akasia aho, ary nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay voalohany aho, dia niakatra teny an-tendrombohitra aho, niaraka tamin'ireo vato fisaka roa teny an-tanako.
\v 4 Nosoratany tamin'ireo vato fisaka, tahaka ilay asa soratra voalohany, ny didy folo izay nolazain'i Yaveh taminareo tany an-tendrombohitra teo afovoan'ny afo tamin'ny andron'ny fivoriana; dia nomen'i Yaveh ahy ireo.
\s5
\v 5 Dia nihodina aho ary nidina ny tendrombohitra, ka nametraka ireo vato fisaka tao anatin'ilay fiara izay namboariko; dia tao izy ireo, araka ny nandidian'i Yaveh ahy."
\s5
\v 6 (Niainga niala tao Berota Bene-Jakana ho any Mosera ny vahoakan'Israely. Tao no maty i Arona, ary tao izy no nalevina; Eleazara, zanany lahy, no lasa mpisorona nandimby ny toerany.
\v 7 Nizotra nankany Godgoda izy ireo rehefa niala tao, ary avy tao Godgoda nankany Jotbata, tany iray be ony.
\s5
\v 8 Tamin'izany fotoana izany Yaveh nisafidy ny fokon'i Levy mba hitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh, hijoro eo anoloan' i Yaveh mba hanompo Azy, sy hitso-drano ny olona amin'ny anarany, tahaka ny ankehitriny.
\v 9 Noho izany no tsy hananan'i Levy anjara na lova amin'ny tany miaraka amin'ireo rahalahiny; fa Yaveh no lovany, araka izay nolazain'i Yaveh Andriamanitrao taminy.)
\s5
\v 10 Nitoetra tao an-tendrombohitra tahaka ny tamin'ny voalohany aho, efapolo andro sy efapolo alina. Nihaino ahy ihany koa Yaveh tamin'izany fotoana izany; tsy naniry ny handringana anao Yaveh.
\v 11 Hoy Yaveh tamiko hoe: 'Miarèna, mandehana eo alohan'ny vahoaka hitarika azy ireo amin'ny diany. Dia hiditra izy ireo ary haka ny tany izay efa nianianako tamin'ireo razambeny fa homena azy ireo.'
\s5
\v 12 Koa ankehitriny, ry Israely, inona moa no angatahin'i Yaveh Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny fatahorana an'i Yaveh Andriamanitrao, ny handehanana amin'ny lalany rehetra, ny hitiavana azy, ary ny hanompoana an'i Yaveh Andriamanitrao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo,
\v 13 ny fitandremana ireo didin'i Yaveh, sy ireo lalàny, izay handidiako anao anio mba ho soa ho anao manokana?
\s5
\v 14 Indro, Yaveh Andriamanitrao no tompon'ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra, ny tany, sy izay rehetra ao amin' ireo.
\v 15 Yaveh irery ihany no nankasitraka ireo razanao nohon'ny fitiavany azy ireo, ary nifidy anareo Izy, ianao taranany, taorian'izy ireo, mihoatra noho ireo olona hafa, tahaka ny ataony mandrak'ankehitriny.
\s5
\v 16 Koa forao ny fonareo, ary meteza tsy ho mafy hatoka intsony.
\v 17 Fa Yaveh Andriamanitrao, no Andriamanitr'ireo andriamanitra ary Tompon'ireo tompo, ilay Andriamanitra lehibe, ilay mahery sy mampahatahotra, izay tsy mizaha tavan'olona ary tsy mandray kolikoly.
\s5
\v 18 Manome rariny ny kamboty sy ny mananotena Izy, ary maneho fitiavana ny vahiny amin'ny alalan'ny fanomezana sakafo sy akanjo ho azy Izy.
\v 19 Tiavo ny vahiny noho izany; satria ianareo dia efa vahiny tany amin'ny tany Egypta.
\s5
\v 20 Yaveh Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no ho tompoinao. Aminy ianao no tsy maintsy hifikitra; ary amin'ny anarany no hianiananao.
\v 21 Izy no fideranao, ary Izy no Andriamanitrao, izay efa nanao ireo zava-dehibe sy ireo zavatra mampahatahotra ho anao, izay efa hitan'ny masonao.
\s5
\v 22 Fitopolo olona ireo razanao no nidina tany Egypta; fa ankehitriny efa nataon'i Yaveh Andriamanitrao ho maro isa tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
\s5
\c 11
\p
\v 1 Noho izany dia aoka hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo ary hitandrina mandrakariva ireo fampianarany, ny lalàny, ny fitsipiny, ary ireo didiny.
\s5
\v 2 Mariho fa tsy miteny amin'ireo zanakareo Aho, izay tsy nahafantatra akory na nahita ny fanasazian'i Yaveh Andriamanitrareo, ny fahalehibeazany, ny tanany mahery, na ny tanany mitsotra,
\v 3 ireo famantarana sy asa izay nataony tany afovoan'i Egypta tamin'i Farao, mpanjakan'i Egypta, ary tamin'ireo taniny rehetra.
\s5
\v 4 Na nahita ny nataony tamin'ny tafik'i Egypta, tamin'ireo soavaliny, na tamin'ny kalesin'izy ireo, ny fomba nanaovany ny Ranomasina Mena handifotra azy ireo raha nanenjika anareo izy ireo, ary ny fomba nandringanan'i Yaveh azy ireo mandrak'androany,
\v 5 na izay nataony ho anareo tany an'efitra mandra-pahatonganareo tamin'ity toerana ity.
\s5
\v 6 Tsy hitan'izy ireo izay nataon'i Yaveh tamin'i Datana sy Abirama, ireo zanak'i Eliaba zanaka lahin'i Robena, izay fomba nanokafan'ny tany ny vavany ary nitelina azy ireo, ny ankohonan'izy ireo, ny lain'izy ireo, ary izay zava-manan'aina rehetra nanaraka azy ireo, teo afovoan'Israely rehetra.
\v 7 Fa ny masonareo no efa nahita ireo asa lehiben'i Yaveh rehetra izay nataony.
\s5
\v 8 Noho izany tandremo ireo didy rehetra izay handidiako anareo anio, mba hahatonga anareo hatanjaka, ka hiditra sy haka ny tany izay hitànareo mba ho fananana,
\v 9 ary mba ho lava andro ianareo any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razanareo fa homena azy ireo sy ny taranak'izy ireo, izay tany tondra-dronono sy tantely.
\s5
\v 10 Fa ny tany, izay hidiranareo mba hahazoana izany, dia tsy tahaka ny tanin'i Egypta, izay niavianareo, izay namafazanareo ny voanareo sy nanondrahanareo rano izany tamin'ny tongotrareo, tahaka ny sahana hanitra maitso;
\v 11 fa ny tany, izay halehanao mba ho fananana, dia tanin-kavoana sy lohasaha, ary misotro rano avy amin'ny ranon'oran-danitra,
\v 12 ny tany izay karakarain'i Yaveh Andriamanitrareo; ny mason'i Yaveh Andriamanitrareo no mitsinjo izany mandrakariva, hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafaran'ny taona.
\s5
\v 13 Izany dia hitranga, raha hihaino tsara ireo didiko izay handidiako anareo anio ianareo, dia ny hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hanompo Azy amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo,
\v 14 mba hanomezako ranon'orana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany, dia ny voaloha-orana sy ny fara-orana, mba hahafahanareo manangona ny varinareo, ny divainareo vaovao, ary ny diloilonareo.
\v 15 Hanisy ahitra amin'ny taninareo Aho ho an'ireo biby fiompinareo, ary hihinana ianareo ka ho voky.
\s5
\v 16 Tandremo ny tenanareo mba tsy ho voafitaka ny fonareo, ka hivily sy hanompo andriamani-kafa sy hiankohoka amin'izy ireo ianareo;
\v 17 mba tsy hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Yaveh; ary mba tsy hampikatona ny lanitra Izy mba tsy hisian'ny ranon'orana, ary ny tany tsy hamoa ny voany, ary mba tsy haharingana anareo faingana amin'ny tany soa izay omen'i Yaveh anareo.
\s5
\v 18 Noho izany raketo ao am-po sy fanahinareo ireo teniko ireo, fehezo ho famantarana eo amin'ny tananareo izany, ary avelao izany ho fehiloha eo anelanelan'ireo masonareo.
\v 19 Hampianarinareo ireo zanakareo izany ary miresaha momba azy ireo rehefa mipetraka ao an-trano ianareo, rehefa mandeha eny an-dalana, rehefa mandry, na rehefa mifoha ianareo.
\s5
\v 20 Ho soratanareo eo amin'ny tolam-baravaran'ny tranonareo sy eo amin'ny vavahadin'ny tanànanareo izany,
\v 21 mba hihamaro ny andronareo sy ny andron'ireo zanakareo any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenareo omena azy ireo raha mbola ambonin'ny tany koa ny lanitra.
\s5
\v 22 Fa raha mitandrina tsara ny didy rehetra izay handidiako anareo ianareo, ka manao izany, hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo, handeha amin'ny lalany rehetra, ary hifikitra Aminy,
\v 23 dia handroaka ireo firenena rehetra ireo hiala eo anatrehanareo i Yaveh, ary ianareo dia handroaka firenena lehibe sy mahery noho ianareo.
\s5
\v 24 Izay toerana hitsahin'ny faladian-tongotrareo dia ho anareo; hatrany an'efitra ka hatrany Libanona, hatrany amin'ny renirano, ny renirano Eofrata, ka hatrany amin'ny ranomasina andrefana dia ho faritaninareo.
\v 25 Tsy hisy olona hahajoro eo anoloanareo. Yaveh Andriamanitrareo no hametraka ny tahotra anareo sy ny horohoro anareo amin'ny tany rehetra izay hitsahinareo, araka izay efa nolazainy taminareo.
\s5
\v 26 Indro, apetrako eo anoloanareo anio ny fitahiana sy ny ozona:
\v 27 ny fitahiana, raha mankatò ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo izay handidiko anareo anio ianareo,
\v 28 ary ny ozona, raha tsy mankatò ny didin'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, fa hivily amin'ny lalana izay handidiko anareo anio, ka hanaraka andriamani-kafa izay tsy mbola fantatrareo.
\s5
\v 29 Izany dia hitranga, rehefa hitondra anareo any amin'ny tany izay halehanareo mba ho fananana i Yaveh Andriamanitrareo, dia hametraka ny fitahiana any an-tendrombohitra Gerizima ianareo, ary ny ozona any an-tendrombohitra Ebala.
\v 30 Tsy any andafin'i Jordana ve ireo, andrefan'ny lalana andrefana, any amin'ny tanin'ny Kananita izay monina any Araba, tandrifin'i Gilgala, akaikin'ny hazo terebintan'i More?
\s5
\v 31 Satria hiampita an'i Jordana ianareo hiditra haka ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo, ary ho fanananareo izany ka honina ao ianareo.
\v 32 Ho tandremanareo ny didy aman-dalàna rehetra izay apetrako eo anoloanareo anio.
\s5
\c 12
\p
\v 1 Ireto no didy aman-dalàna izay ho tandremanao ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh, Andriamanitry ny razanao, ho fanananao, amin'ny andro rehetra hiainanao ety an-tany.
\v 2 Ho ravainao tokoa ny toerana rehetra izay nanompoan'ireo firenena izay ho roahanao ireo andriamaniny, izay eny amin'ny tendrombohitra avo, eny amin'ny havoana, ary eny ambany hazo mavana, izay halainao.
\s5
\v 3 Aoka hazeranao ny alitaran'izy ireo, ho torotoroinao ireo tsangam-batony, ary ho doranao ireo baon'Aserahany.
\v 4 Aoka ho tapatapahanao ny sary sokitr'ireo andriamaniny ary haringanao hiala amin'izany toerana izany ny anaran'izy ireo. Aoka tsy hanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tahaka izany ianao.
\s5
\v 5 Fa ao amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ireo fokonao mba hametrahana ny Anarany, dia izany no ho toerana honenany, ary any no halehanao.
\v 6 Any no hitondranao ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ireo rakitra hatolotry ny tananao, ny raki-boadinao, ny fanati-tsitraponao, ary ny voalohan-teraky ny omby sy ny ondry aman'osinao.
\s5
\v 7 Any no hihinanao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao sy hiravoravoanao amin'ny zava-drehetra izay nametrahanao ny tananao, dia ianao sy ny ankohonanao, any amin'izay nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\s5
\v 8 Aoka tsy hanao ireo zavatra rehetra izay ataonay ankehitriny ianao; fa ankehitriny dia manao izay marina rehetra eo imasony ihany ny olon-drehetra;
\v 9 satria tsy mbola tonga teo amin'ny fitsaharana, eo amin'ny lova izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao.
\s5
\v 10 Fa rehefa mita an'i Jordana ianao ka monina ao amin'ny tany izay hapandovain'i Yaveh anao, ary rehefa manome anao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina Izy, mba hiainanao am-pilaminana,
\v 11 dia ho amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrao mba hahavelona ny Anarany, any ianao no hitondra izay rehetra handidiako anao: dia ny fanatitra doranao, ny soronao, ny ampahafolon-karenanao, ary ny rakitra atolotry ny tananao, sy ireo raki-boady rehetra izay safidianao hivoadiana amin'i Yaveh.
\s5
\v 12 Hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao—ianao, ny zanaka lahinao, ny zanaka vavinao, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao ary ireo Levita izay ao amin'ny vavahadinao, satria tsy manana anjara na lova eo aminao izy.
\s5
\v 13 Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hanolotra ny fanatitra doranao eny amin'ny toerana rehetra izay hitanao;
\v 14 fa eo amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh eo amin'ny iray amin'ny fokonao no hanoloranao ny fanatitra doranao, ary any no halehanao mba hanao izay rehetra handidiko anao.
\s5
\v 15 Kanefa, afaka mamono na mihinana biby ao anatin'ny vavahadinao rehetra ianao, araka izay tianao, amin'ny fandraisana ny fitahian'i Yaveh Andriamanitrao noho izay rehetra nomeny anao; samy afaka mihinana amin'izany ny olona maloto sy ny olona madio, dia ny biby tahaka ny gazela sy ny diera.
\v 16 Fa aoka tsy hihinana ny ràny ianao; ho ararakao amin'ny tany tahaka ny rano izany.
\s5
\v 17 Tsy mahazo mihinana amin'ny ampahafolon'ny voanao, ny divay vaovaonao, ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny omby na ny ondry aman'osinao ao anatin'ny vavahadinao ianao; ary tsy mahazo mihinana amin'ny hena nataonao sorona miaraka amin'izay mety ho voady ataonao, na ireo fanati-tsitraponao, na ny fanatitra izay atolotry ny tananao ianao.
\s5
\v 18 Fa kosa, hohaninao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ao amin'ny toerana izay fidin'i Yaveh Andriamanitrao izany—ianao, ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompo lahinao, ny mpanompo vavinao, ary ny Levita izay ao amin'ny vavahadinao; hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ny amin'ny zavatra rehetra izay nametrahanao ny tananao ianao.
\v 19 Tandremo tsara ny tenanao mba tsy hahafoy ny Levita raha mbola miaina eo amin'ny taninao koa ianao.
\s5
\v 20 Rehefa manitatra ny sisin-taninao Yaveh Andriamanitrao, araka izay nampanantenainy anao, ka niteny ianao hoe: 'Hihinana nofo aho,' nohon'ny fanirianao hihinan-kena, dia afaka mihinan-kena ianao, araka izay irian'ny fanahinao.
\s5
\v 21 Raha lavitra anao loatra ny toerana izay nofidian'i Yaveh Andriamanitrao hametrahana ny anarany, dia aoka ianao hamono ny sasany amin'ny omby sy ny ondry aman'osinao izay nomen'i Yaveh anao, araka izay nandidiako anao; afaka mihinana ao amin'ny vavahadianao ianao, araka izay irian'ny fanahinao.
\v 22 Tahaka ny hihinanana ny gazela sy ny diera, dia toy izany no hihinananao amin'izany; afaka mihinan-kena amin'izany tahaka izany ny olona maloto sy madio.
\s5
\v 23 Tandremo fotsiny mba tsy hihinana ny rà ianao, fa aina ny rà; ary aoka tsy hihinana ny aina miaraka amin'ny hena ianao.
\v 24 Tsy hihinana an'izany ianao; ararakao eo amin'ny tany tahaka ny rano izany.
\v 25 Tsy hihinana izany ianao, mba ho lavorary ny aminao, sy ny taranaka mandimby anao, rehefa manao izay marina eo imason'i Yaveh ianao.
\s5
\v 26 Fa ireo zavatra izay an'i Yaveh izay hanananao sy ireo raki-boadinao—aoka ianao haka izany ka handeha any amin'ny toerana izay safidian'i Yaveh.
\v 27 Any no hanoloranao ny fanatitra doranao, dia ny hena sy ny rà, eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao; hararaka eo amin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao ny ràn'ny soronao, ary hohaninao ny nofon'izany.
\s5
\v 28 Tandremo ary henoy ny teny rehetra izay handidiko anao, mba ho lavorary ny aminao sy ny taranaka mandimby anao mandrakizay, rehefa manao izay tsara sy marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrao ianao.
\s5
\v 29 Rehefa mandringana ireo firenena tsy ho eo anoloanao Yaveh Andriamanitrao, rehefa mandeha mba haka izany amin'izy ireo ianao, ka azonao izany, ary monina ao amin'ny tanin'izy ireo ianao,
\v 30 dia tandremo ny tenanao mba tsy ho voafandrika hanaraka azy ireo, rehefa voaringana hiala eo anatrehanao izy ireo—ho voafandrika hizaha ny andriamanitr'izy ireo, hanontany hoe: 'Ahoana no fanompoan'ireo firenena ireo ny andriamaniny? Mba hanao tahaka izany koa aho.'
\s5
\v 31 Aoka ianao tsy hanompo an'i Yaveh Andriamanitrao toy izany, fa fahavetavetana eo amin'i Yaveh izany, dia zavatra halany—nanao izany tamin'ireo andriamaniny izy ireo; ary nandoro ny zanak'izy ireo lahy sy vavy tamin'ny afo ho an'ny andriamanitr'izy ireo mihitsy aza.
\v 32 Na inona na inona handidiko anao, dia tandremo izany. Aza manampy na manaisotra amin'izany.
\s5
\c 13
\p
\v 1 Raha misy mpaminany na mpanonofy miseho eo aminareo, ka manao famantarana na fahagagana,
\v 2 ary raha mitranga ilay famantarana na ilay fahagagana, izay resahany aminareo ka manao hoe: 'Andeha isika hanaraka andriamanitra hafa, izay tsy mbola fantatrareo, ary andeha tompointsika izy ireo,'
\v 3 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany izany, na izany mpanonofy izany; satria Yaveh Andriamanitrareo dia mitsapa anareo raha tia an'i Yaveh Andriamanitrareo amin'ny fonareo manontolo sy amin'ny fanahinareo manontolo ianareo.
\s5
\v 4 Hanara-dia an'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, hanome voninahitra Azy, hitandrina ireo didiny, sy hankato ny teniny, ary hidera Azy sy hifikitra aminy.
\v 5 Ho vonoina izany mpaminany na mpanonofy izany, satria izy dia nanohitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo nivoaka avy tao amin'ny tany Egypta, sy nanafaka anareo tany amin'ny tany fanandevozana. Mitady hitaona anareo ivelan'ny lalana izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo mba handehananareo izany mpaminany izany. Koa esory tsy ho eo aminareo ny ratsy.
\s5
\v 6 Raiso hoe ny rahalahinareo, ny zanaky ny reninareo, na ny zanakareo lahy, na ny zanakareo vavy, na ny vady famihinareo, na ny namanareo izay tianareo tahaka ny tenanareo, no hitaona mangina anareo ary hiteny hoe: 'Aoka isika andeha ary hanompo ireo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo, na ianareo na ireo razambenareo—
\v 7 dia ireo andriamanitr'ireo olona izay manodidina anareo, akaikinareo, na lavitra anareo, avy amin'izao tontolo rehetra izao.'
\s5
\v 8 Aza manaiky na mihaino azy. Tsy tokony hanana famindram-po aminy ihany koa ny masonareo, na hiantra azy na hanafina azy.
\v 9 Fa kosa, tokony ho vonoinareo tokoa izy; ny tananareo no ho voalohany hamono azy, ary avy eo ny tanan'ny vahoaka rehetra.
\s5
\v 10 Hitora-bato hahafaty azy ianareo, satria izy niezaka hitaona anareo hanalavitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, izay nitondra anareo hiala tao amin'ny tany Egypta, hiala tao amin'ilay tany fanandevozana.
\v 11 Handre sy hatahotra ny Israely rehetra, ka tsy hanohy hanao izany karazana faharatsiana izany eo aminareo intsony.
\s5
\v 12 Raha mandre olona miteny momba ny iray amin'ireo tanànanareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo mba hipetrahana ianareo:
\v 13 fa nisy mpiara-belona ratsy fanahy sasany niala teo aminareo ary nitarika ireo mponina teo amin'ny tanànan'izy ireo hoe: 'Andeha isika hanompo andriamanitra hafa izay tsy mbola fantatrareo.'
\v 14 Dia handinika ny porofo, hanao fikarohana, ary hanadihady lalina izany ianareo.' Rehefa hitanareo fa marina izany ary azo antoka fa natao teo aminareo ny zavatra fahavetavetana tahaka izany, dia hihetsika ianareo.
\s5
\v 15 Azo antoka fa hanafika ireo mponina ao amin'izany tanàna izany amin'ny lelan-tsabatra ianareo, hamotika tanteraka izany sy ny olona rehetra ao aminy, miaraka amin'ireo biby fiompy, amin'ny alalan'ny lelan-tsabatra.
\v 16 Hanangona ireo entana rehetra voababo amin'izany ho eo afovoan'ny lalana ianareo ary handoro ilay tanàna, sy ireo entana voababo rehetra—ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Ho tanàna haolo mandrakizay ilay tanàna, ka tsy ho hatsangana intsony izany.
\s5
\v 17 Tsy tokony hisy hiraikitra eo am-pelatananareo ireo zavatra izay natokana ho ravaina. Izany no tsy maintsy atao, mba hitsahatra amin'ny fahatezerany i Yaveh, hampiseho famindram-po aminareo, sy hiantra anareo, ary hampitombo isa anareo, araka ny nianianany tamin'ireo razambenareo.
\v 18 Hanao izany Izy satria ianareo mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitandremana ireo didiny rehetra izay handidiko anareo anio, sy mba hanaovana izay marina eo imason'i Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\c 14
\p
\v 1 Ianareo no vahoakan'i Yaveh Andriamanitrareo. Aza mitetika ny tenanareo, na manaratra ny faritry ny tarehinareo ho an'ny maty.
\v 2 Fa ianareo dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo, ary Yaveh nifidy anareo ho vahoaka ho fananany manokana, mihoatra ireo vahoaka rehetra izay eo ambonin'ny tany.
\s5
\v 3 Aza mihinana zavatra vetaveta na inona na inona.
\v 4 Ireto no biby azonareo hohanina: ny omby, ny ondry, ary ny osy,
\v 5 ny serfa, ny gazela, ny kapreola, ny osi-dia, ny pygarga, sy ny antilopa, ary ny ropikapra.
\s5
\v 6 Azonareo hohanina ny biby rehetra izay mivaky kitro, izany dia, izay manana kitro mizara roa, ary izay mandinika.
\v 7 Na dia izany aza, aza mihinana ireo biby sasany izay mandinika na izay manana kitro mizara roa ianareo: ny rameva, ny bitro, ary ny hyraka; satria mandinika ireo nefa tsy mivaky kitro, maloto aminareo ireo.
\s5
\v 8 Ny kisoa koa dia maloto aminareo satria mivaky kitro izy nefa tsy mandinika; maloto aminareo izy. Aza mihinana hena-kisoa, ary aza mikasika ny fatin'ireo.
\s5
\v 9 Amin'ireo zavatra izay ao anaty rano dia azonareo hohanina: izay rehetra misy vombony sy kirany;
\v 10 nefa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany dia aza hohaninareo; maloto aminareo ireo.
\s5
\v 11 Ireo vorona madio rehetra dia azonareo hohanina.
\v 12 Nefa ireto no biby tsy azonareo hohanina: ny voromahery, ny voltora, ny gypa,
\v 13 ny papango mena sy ny papango mainty, izay karazana voromahery rehetra.
\s5
\v 14 Aza mihinana ny karazana goaika rehetra,
\v 15 sy ny ostritsa, sy ny tararaka, ny vorondriaka, izay karazana tararaka rehetra,
\v 16 ny voron-dolo kely, ny voron-dolo lehibe, ny voron-dolo fotsy,
\v 17 ny sama, ny voltora madinika, ny vano.
\s5
\v 18 Aza mihinana ny vanobe, sy ny karazana vano rehetra, ny takidara, ary ny ramanavy.
\v 19 Ny zavatra manan'elatra, sy mandady rehetra dia maloto aminareo; tsy tokony hohanina ireo.
\v 20 Azonareo hanina ireo zavatra manidina madio rehetra.
\s5
\v 21 Aza mihinana zavatra izay maty ho azy; azonareo homena ny vahiny izay ao amin'ny tanànanao; mba hahafahany mihinana izany; na azonareo amidy amin'ny vahiny izany. Fa ianareo dia firenena izay voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Aza mampangotraka zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
\s5
\v 22 Aloavy ny ampahafolon'ny vokatry ny voanao rehetra, izay mivoaka avy ao amin'ny saha isan-taona isan-taona.
\v 23 Misakafoana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo, ao amin'ny toerana izay hofidiany ho fitoerany masina, ny ampahafolon'ny varinao, ny divainao vaovao, sy ny menakao, ary ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman'osinao; mba hahafahanao mianatra hanompo lalandava an'i Yaveh Andriamanitrao.
\s5
\v 24 Raha lava loatra aminareo ny dia ary tsy zakanareo izany, satria lavitra loatra anao ny toerana izay hofidian'i Yaveh Andriamanitrao ho fitoerany masina, dia, rehefa mitahy anao Yaveh Andriamanitra,
\v 25 hanova ny fanatitra ho vola ianao, hamatotra ny vola eny an-tananao, ary handeha any amin'ny toerana izay hofidian'i Yaveh Andriamanitrao.
\s5
\v 26 Ao no handanianao ny vola amin'izay rehetra irinao: amin'ny omby, na amin'ny ondry, na amin'ny divay, na amin'ny zava-pisotro mahery, na amin'izay rehetra irinao; dia any ianao no hihinana eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao, ary hifaly ianao, ianao sy ny ankohonanao.
\v 27 Ny Levita izay ao anatin'ireo vavahadinao—aza mahafoy azy, fa tsy manana anjara na lova aminao izy.
\s5
\v 28 Amin'ny faran'ny isan-telo taona dia hanolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra amin'izany taona izany ianao, ary hitahiry izany ao anatin'ny vavahadinao ianao;
\v 29 ary ny Levita, satria izy tsy manana anjara na lova aminao, sy ny vahiny, sy ny kamboty, ary ny mpitondratena izay ao anatin'ny vavahadinao, dia ho avy sy hihinana ary ho afa-po. Ataovy izany mba hahafahan'i Yaveh Andriamanitrao mitahy anao amin'ny asan'ny tananao rehetra izay ataonao.
\s5
\c 15
\p
\v 1 Amin'ny faran'ny isam-pito taona, dia manaova fanafoanana trosa ianao.
\v 2 Izany no fomban'ny fanafahana: Ny mpampindram-bola rehetra izay nampindrana dia tokony hamoy izay nampindraminy amin'ny mpiara-belona aminy; tsy hangataka izany amin'ireo mpiara-belona aminy izy na ny rahalahiny satria ny fanafoanan'I Yaveh ny trosa dia efa voambara.
\v 3 Vahiny iray no azonao hangatahina izany; fa na inona na inona anao eo ampelan-tanan'ny rahalahinao dia tokony hafoinao.
\s5
\v 4 Koa, tsy tokony hisy olona mahantra eo aminao (fa Yaveh dia hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao tahaka ny lova ho fanananao),
\v 5 raha toa ka mihaino tsara ny feon'Yaveh Andriamanitrao ianao, ka mitandrina ireo didy rehetra izay handidiko anao izao.
\v 6 Fa Yaveh Andriamanitrao hitahy anao, araka izay nampanantenainy anao; ary hampisambotra amin'ny firenena maro ianao, fa tsy hindrana; hanapaka amin'ny firenena maro ianao, fa izy ireo kosa tsy hanapaka anao.
\s5
\v 7 Raha misy lehilahy mahantra eo aminao, iray amin'ireo rahalahinao, izay ao amin'ny vavahadinao rehetra eo amin'ny tany izay nomen'Yaveh Andriamanitrao anao, aza manamafy ny fonao na manidy ny tananao amin'ny rahalahinao mahantra;
\v 8 fa sokafy tsara aminy ny tananao ary ampindramo izay ilainy izy.
\s5
\v 9 Mitandrema mba tsy hanana sain-dratsy ao am-pona, manao hoe: "Ny taona fahafito, ilay taonan'ny fanafahana, dia efa akaiky, mba tsy ho kahihitra eo imason'ireo rahalahinao ianao ary tsy hanome azy ireo na inona na inona; ary hitaraina amin'i Yaveh momba anao izy, ka fahotana ho anao izany.
\v 10 Tsy maintsy homenao izy, ary tsy tokony hanenina ny fonao rehefa manome azy ianao, satria ny valin'izany dia hitahy anao amin'ny asanao rehetra sy izay rehetra ataon'ny tananao i Yaveh Andriamanitrao.
\s5
\v 11 Satria ny mahantra dia tsy hitsahatra hisy eto amin'ny tany; noho izany no handidiko anao sy hilazako hoe: 'Sokafy tsara amin'ny rahalahinao ny tananao, ho an'izay mila ny fanampinao, ary amin'ireo mahantranao ao amin'ny taninao.'
\s5
\v 12 Raha amidy aminao sy manompo anao mandritry ny enin-taona ny rahalahinao, lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, dia tsy maintsy hamela azy malalaka ianao amin'ny taona fahafito.
\v 13 Rehefa avelanao handeha malalaka eo aminao izy, dia aza avela handeha tanam-polo.
\v 14 Vatsio ondry aman'osinao, ny famoloan'ny varinao, sy ny famiazam-boalobokao amim-pahalalahana izy. Araka izay efa nitahian'i Yaveh Andriamanitrao anao, tsy maintsy homenao izy.
\s5
\v 15 Tadidio fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianareo, ary io Yaveh Andriamanitrareo io no nanavotra anareo; noho izany mandidy anareo aho izao hanao izany.
\v 16 Hitranga izany rehefa miteny anareo izy hoe: 'Tsy hiala eo aminareo aho.' satria izy tianareo sy ny tranonareo, ary satria izy dia tsara aminareo,
\v 17 Ary alaivo ny haolo ka teveo amin'ny sofiny eo am-baravaranana, dia ho mpanomponareo mandrakizay izy. Tsy maintsy ataonareo izany koa ny mpanompovavinareo
\s5
\v 18 Tsy tokony ho sarotra aminareo ny handefa azy malalaka aminareo, satria efa nanompo anareo nandritry ny enin-taona izy ary nanome avo roa heny ny vidin'ny olona karamaina. Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'izay rehetra ataonareo.
\s5
\v 19 Ny lahy rehetra amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman'osinareo rehetra dia tsy maintsy hatokanareo ho an'i Yaveh Andriamanitrareo. Tsy hanao asa miaraka amin'ny voalohan-teraky ny ombinareo ianareo, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinareo.
\v 20 Hano eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo isan-taona isan-taona ny voalohan-teraka eo amin'ny toerana izay hofidianan'i Yaveh, anareo sy ny ankohonanareo.
\v 21 Raha misy kilema izany— ohatra, raha mandringa na jamba, na inona na inona kilema hafa—aza atao sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo izany.
\s5
\v 22 Hihinana izany ao amin'ireo vavahadinareo ianareo; ireo olona maloto sy ny olona madio dia tsy maintsy mihinana izany, tahaka ny hihinananareo gazela na diera.
\v 23 Fa kosa tsy tokony mihinana ny ràn'izany ianareo; fa ararao eo amin'ny tany tahaka ny rano ny ràny.
\s5
\c 16
\p
\v 1 Tandrovy ny volan'i Abiba, ary tandromy ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Paska, satria tamin'ny volan'i Abiba no namoahan'i Yaveh Andriamanitrareo anareo tao Egypta nandritry ny alina.
\v 2 Mandritry ny Paska dia ho ataonareo sorona ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny sasany amin'ireo ondry aman'osy ary ny omby ao amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masina.
\s5
\v 3 Haninareo miaraka amin'ny mofo tsy misy masirasira izany; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira miaraka amin'izany, ny mofom-pahoriana; satria tampoka no nivoahanareo tao Egypta. Ataovy izany mandritry ny androm-piainanareo mba hahatsiarovanareo ilay andro nivoahanareo tao amin'ny tany Egypta.
\v 4 Mandritry ny fito andro dia tsy tokony hahitana lalivay eo amin'ny faritra rehetra misy anareo; na hahitana iray amin'ireo hena izay natao sorona ny hariva ho tehirizana mandra-maraina.
\s5
\v 5 Mandritry ny Paska dia tsy hanao sorona biby ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ianareo.
\v 6 Fa kosa, manaova sorona eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina. Eo no hanaovanareo sorona ho an'ny Paska ny hariva mileti-masoandro, amin'ilay andro iray anatin'ny taona izay nivoahanareo tao Egypta.
\s5
\v 7 Hatonoy izany ary hano eny amin'ny toerana izay ho safidian'Yaveh Andriamanitrareo; ny maraina ianareo dia hitodika ary hiverina ao amin'ireo lainareo.
\v 8 Hihinana mofo tsy misy masirasira ianareo mandritry ny enina andro; amin'ny andro fahafito dia hisy fivoriana manetriketrika ho an'i Yaveh Andriamanitrareo; amin'io andro io dia tsy mahazo miasa ianareo.
\s5
\v 9 Dia manisà fito herinandro; manomboka amin'ny fotoana hijinjanareo voalohany ny vary amin'ny antsy finjinjana no hanisànareo ireo herinandro fito.
\v 10 Hazony ho an'i Yaveh Andriamanitrareo ny Herinandro Firavoravoana miaraka amin'ny fandraisana anjara amin'ny fanati-tsitrapo avy eny an-tananareo izay ho homenareo, araka ny nitahian'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\s5
\v 11 Hifaly eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanareo, sy ireo mpivahiny, ireo kamboty ray, ary ny mpitondratena eo aminareo, eo amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina.
\v 12 Ho tsaroanareo fa andevo tany Egypta ianareo; tandrovy ary hampiaro ireo lalàna ireo.
\s5
\v 13 Tandrovy ny Fetin'ny Fialofana mandritry ny fito andro aorian'ny fanangonanareo ny vokatra avy amin'ny famoloana sy ny famiazanareo.
\v 14 Hifaly ianareo mandritry ny firavoravoanareo—ianareo, ny zanakareo lahy, ny zanakareo vavy, ny mpanomponareo lahy, ny mpanomponareo vavy, ny Levita, sy ireo mpivahiny, ary ireo kamboty, sy ny mpitondratena izay ao anatin'ny vavahadinareo.
\s5
\v 15 Mandritry ny fito andro ianareo dia hitandrina ny firavoravoana ho an'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidian'i Yaveh, satria i Yaveh Andriamanitrareo dia hitahy anareo amin'ny vokatra sy ny asan'ny tananareo rehetra, ary dia hifaly tokoa ianareo.
\s5
\v 16 Ireo lehilahinareo dia hiseho in-telo isan-taona eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo eny amin'ny toerana izay ho safidiany: any amin'ny Firavoravoana ny Mofo tsy misy masirasira, any amin'ny Herinandro Firavoravoana, sy any amin'ny Fetin'ny Tabernakely; ary tsy hiseho tanam-polo eo anoloan'i Yaveh izy ireo;
\v 17 fa kosa, hanome araka izay tratrany ny lehilahy rehetra, mba hahafantaranareo ny fitahiana izay efa nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\s5
\v 18 Manendre mpitsara sy manam-boninahitra ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanareo rehetra izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo; ho alaina isam-pokonareo izy ireo, ary hitsara ny olona amin'ny fitsaràna marina. Tsy
\v 19 Tsy tokony haka an-kery ny fitsaràna ianareo; tsy tokony mampiseho fitanilanana na koa mandray kolikoly, satria ny kolikoly mahajamba ny mason'ireo hendry ary mamadika ireo tenin'ny fahamarinana.
\v 20 Tokony hanaraka ny fitsaràna ianareo, ny fitsaràna irery, mba hiainanareo sy handovanareo ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\s5
\v 21 Aza manangana Aseraha ho an'ny tenanareo, na karazana bao, akaikin'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrareo izay ho ataonareo ho an'ny tenanareo ianareo.
\v 22 Ianareo ihany koa dia tsy tokony hanangana andrim-bato masina ho an'ny tenanareo, izay halan'i Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\c 17
\p
\v 1 Aza manao sorona omby na ondry izay misy kilema na zavatra ratsy ho an'i Yaveh Andriamanitrareo, satria izany dia fahavetavetana amin'i Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\v 2 Ary raha misy eo aminareo, ao amin'ireo vavahadin'ny tanànareo izay nomen'Andriamanitra anareo, lehilahy na vehivavy hita manao izay ratsy eo imason'i Yaveh Andriamanitrareo ary mivadika amin'ny fanekeny,
\v 3 na iza na iza nandeha sy nanompo andriamani-kafa ary miankohoka amin'izy ireo, na masoandro, na volana, na izay zavatra rehetra eny amin'ny lanitra—izay tsy nandidiko anareo—
\v 4 ary raha lazaina ny amin'izany ianareo, na efa renareo izany, dia aoka ianareo hanao fanadihadiana tsara. Raha marina ary azo antoka fa nisy fametavetana tahaka izany natao tao Israely, dia izao no tokony ataonareo.
\s5
\v 5 Aoka ho entinareo eo amin'ny vavahadin'ny tanàna, ny lehilahy na vehivavy, izay nanao izany zava-dratsy izany, aoka ho torahanareo amin'ny vato ho faty izany olona izany.
\v 6 Amin'ny tenin'ny vavolombelona roa, na vavolombelona telo, dia aoka ho vonoina ho faty izy; fa amin'ny tenin'ny vavolombelona iray monja dia aoka tsy ho vonoina ho faty izy.
\v 7 Tsy maintsy ny tanan'ireo vavolombelona no voalohany mamono azy ho faty, ary aorian'izany dia ny tanan'ireo vahoaka rehetra; ary ho esorinao tsy ho eo aminareo ny ratsy.
\s5
\v 8 Raha misy raharaha mitranga izay sarotra loatra aminareo ny mitsara azy—mety hoe resaka vono olona na fahafatesana tsinahy, teo amin'ny zon'olona sy zon'olona iray hafa, na karazana fandratrana natao, na karazana raharaha hafa, raharaha mampiady hevitra eo amin'ireo vavahadin'ny tanànanareo—dia aoka ianareo hiakatra any amin'ny toerana izay ho fidian'i Yaveh Andriamanitrareo ho fitoerany masina.
\v 9 Aoka ianareo handeha any amin'ireo mpisorona, ireo taranak'i Levy, ary any amin'ireo mpitsara izay tompon'anjara amin'izany fotoana izany; hitady ny hevitr'izy ireo ianareo, ary homen'izy ireo anareo ny didim-pitsaràna.
\s5
\v 10 Aoka arahinareo ny lalàna nomena anareo ao amin'ny toerana ho safidian'i Yaveh ho fitoerany masina. Hitandrina hanao ny zava-drehetra izay hanoron'izy ireo lalana hataonareo ianareo.
\v 11 Araho ny lalàna izay ampianarin'izy ireo anareo, ary ataovy araka ireo fanapahan-kevitra omen'izy ireo anareo. Aza mivily amin'izay nolazain'izy ireo anareo, ho any ankavanana na ho any ankavia.
\s5
\v 12 Na iza na iza miavonavona, amin'ny tsy fihainoana ny mpisorona izay mitsangana hanompo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrareo, na amin'ny tsy fihainoana ny mpitsara—izany olona izany dia ho faty; hanala ny ratsy amin'Israely ianareo.
\v 13 Aoka ny olona rehetra handre ary hatahotra, ary tsy hiavonavona intsony.
\s5
\v 14 Rehefa tonga any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ianareo, ary rehefa azonareo izany ka manomboka mipetraka ao ianareo, dia hoy ianareo hoe: "Hametraka mpanjaka eo amiko aho, tahaka ireo firenena rehetra izay manodidina ahy,'
\v 15 ary dia tsy maintsy hametraka mpanjaka eo aminareo tokoa ianareo izay olona ho fidian'i Yaveh Andriamanitrareo. Tsy maintsy hametraka mpanjaka eo aminareo ianareo izay olona avy amin'ireo rahalahinareo. Tsy afaka mametraka vahiny, izay tsy rahalahinareo, eo aminareo ianareo.
\s5
\v 16 Kanefa tsy azony atao ny manamaro soavaly ho an'ny tenany, na hahatonga ny vahoaka hiverina any Egypta mba hahafahany manamaro ireo soavaly, fa hoy Yaveh taminareo hoe: "Tsy hiverina amin'izany lalana izany intsony ianareo.'
\v 17 Tsy mahazo maka vady maro ho an'ny tenany izy, mba tsy hiodinan'ny fony any an-kafa. Tsy mahazo manangona volafotsy sy volamena be dia be izy.
\s5
\v 18 Rehefa mipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany izy, dia tsy maintsy soratany ho an'ny tenany amin'ny horonan-taratasy ny lalàna, avy amin'ny lalàna izay eo anoloan'ireo mpisorona, izay Levita.
\v 19 Tsy maintsy miaraka aminy ny horonan-taratasy, ary tsy maintsy vakiany izany amin'ny andro rehetra hiainany, mba hahafahany mianatra manaja an'i Yaveh Andriamanitrareo, mba hitànany ireo teny rehetran'ireto didy aman-dalàna ireto, mba hitandremana azy ireo.
\s5
\v 20 Tsy maintsy ataony izany mba tsy hireharehan'ny fony amin'ireo rahalahiny, ary mba tsy hiviliany amin'ireo didy, ho any an-kavanana na ho any an-kavia; mba hahalava ireo androny sy ireo zanany ao amin'ny fanjakany, eo amin'Israely.
\s5
\c 18
\p
\v 1 Ireo mpisorona, izay Levitika, ary ny fokon'i Levy rehetra, dia tsy hahazo anjara na lova miaraka amin'Israely; tsy maintsy mihinana ireo fanatitr'i Yaveh natao tamin'ny afo toy ny lovany izy ireo.
\v 2 Tsy tokony mahazo lova eo amin'ireo rahalahiny izy ireo; Yaveh no lovan'izy ireo, araka ny efa nolazainy tamin'izy ireo.
\s5
\v 3 Izao no anjaran'ny mpisorona avy any amin'ny vahoaka, sy avy any amin'ireo nanao sorona na ireo omby na ireo ondry: tokony homen'izy ireo ho an'ny mpisorona ny soroka, ny takolany roa, sy ireo atiny.
\v 4 Ireo voaloham-bokatry ny varinao, ny divainao vaovao, sy ny diloilonao, ary ny volon'ondrinao voalohany, dia tokony homenao azy izany.
\v 5 Fa Yaveh Andriamanitrareo no nifidy azy teo amin'ny fokonareo rehetra mba hijoro sy hanompo amin'ny anaran'i Yaveh, izy sy ny zanany lahy mandrakizay.
\s5
\v 6 Raha misy Levita iray tonga avy amin'ny tanànanareo niala ny Israely rehetra izay nipetrahany, ary maniry amin'ny fanahiny rehetra ho tonga amin'ilay toerana izay ho fidian'i Yave,
\v 7 dia tsy maintsy manompo amin'ny anaran'i Yaveh Andriamaniny izy toy ny ataon'ireo Levita rehetra rahalahiny, izay mijoro ao manoloana an'i Yaveh.
\v 8 Tokony hanana ny anjara fihinanana mitovy izy ireo, ankoatran'izay azo amin'ny fivarotana ny lovan'ny fianakaviany.
\s5
\v 9 Rehefa tafiditra ao amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo, dia aza mianatra mandinika ny fahavetavetan'ireo firenena ireo.
\v 10 Tsy tokony hahitana olona mametraka ny zanany lahy na ny zanany vavy anaty afo eo aminareo, na iza na iza mampiasa sikidy, na misikidy, mampiasa ody, na manao ody,
\v 11 mpanao vintana, miresaka amin'ny maty, na izay miresaka amin'ireo fanahy.
\s5
\v 12 Fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fahavetavetana amin'i Yaveh izany; satria noho ireo fahavetavetana ireo no handroahan'i Yaveh Andriamanitrareo azy ireo tsy ho eo anoloanareo.
\v 13 Aoka tsy hanan-tsiny eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo.
\v 14 Fa ireo firenena izay ho alainareo ireo dia mihaino ireo mpanao ody sy sikidy; fa ianareo kosa, Yaveh Andriamanitrareo dia tsy namela anareo nanao izany.
\s5
\v 15 Hanangana mpaminany avy aminareo ho anareo i Yaveh Andriamanitrareo, iray amin'ireo rahalahinareo, tahaka ahy. Tokony henoinareo izy.
\v 16 Izany no nangatahinareo tamin'i Yaveh Andriamanitrareo tany Horeba tamin'ny andron'ny fiangonana, manao hoe: 'Andeha isika tsy handre ny feon'i Yaveh Andriamanitsika intsony, na hahita ity afo lehibe ity intsony, fandrao ho faty isika.'
\s5
\v 17 Ary hoy Yaveh tamiko hoe: 'Tsara ireo izay nolazain'izy ireo.
\v 18 Hanangana mpaminany iray ho an'izy ireo Aho ho eo amin'ireo rahalahin'izy ireo, izay tahaka anareo. Hataoko ao am-bavany ireo teniko, ary ho lazainy azy ireo izay nandidiko azy rehetra.
\v 19 Hiseho izany raha misy olona tsy mihaino ireo teniko izay lazainy amin'ny anarako, ho takiko aminy izany.
\s5
\v 20 Fa ilay mpaminany izay milaza teny am-pireharehana amin'ny anarako, ny teny izay tsy nandidiko azy ho lazaina, na izay miteny amin'ny anaran'ireo andriamanitra hafa, dia tsy maintsy ho faty izany mpaminany izany.
\v 21 Izao no tokony ho lazainareo ao am-ponareo: "Ahoana no hanekenay hafatra izay tsy nolazain'i Yaveh?'
\s5
\v 22 Hanaiky ny hafatra izay nolazain'i Yaveh ianareo rehefa miteny amin'ny anaran'i Yaveh ny mpaminany. Raha tsy mitranga na tsy tanteraka izany zavatra izany, noho izany dia zavatra tsy nolazain'i Yaveh izany ary niteny izany tamim-pireharehana ny mpaminany, ka tsy tokony hatahotra azy ianareo.
\s5
\c 19
\p
\v 1 Rehefa manapaka ireo firenena Yaveh Andriamanitrareo, ireo tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo, ary rehefa maka ny tanin'izy ireo ary monina tao amin'ny tanànan'izy ireo sy ny tranon'izy ireo ianareo,
\v 2 dia misafidiana tanàna telo ho an'ny tenanareo eo afovoan'ny taninareo izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ho fananana.
\v 3 Manamboara lalana ary zarao ho telo ny faritaninareo, ny tany izay navelan'i Yaveh Andriamanitrareo ho lovainareo, mba handositra any izay rehetra mamono olon-kafa.
\s5
\v 4 Izao no lalàna ho an'ny olona izay mamono olon-kafa ary mandositra hipetraka any: na iza na iza mamono tsinahy ny mpiara-belona aminy, ary tsy nankahala azy teo aloha—
\v 5 toy ny rehefa mankany an'ala miaraka amin'ny mpiara-belona aminy mba hanapaka hazo, ary mikapa ny hazo amin'ny famaky izy, ary miala eny amin'ny tahony ny lohan'ilay famaky ka mahavoakapoka ilay mpiara-belona aminy ka maty izy—dia tsy maintsy mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo ary mipetraka any izany lehilahy izany.
\s5
\v 6 Raha tsy izany dia mety ho arahin'ny mpamaly rà ilay iray izay hanala ny aina, ary ny firehetan-katezerany no handresy, raha lehibe loatra ny halavirana, kapohy izy ary vonoy izy, na dia tsy mendrika ny ho faty aza izany lehilahy izany, satria tsy nankahala ny mpiara-belona aminy izy tany aloha.
\v 7 Noho izany mandidy anao aho hifidy tanàna telo ho anao.
\s5
\v 8 Raha manitatra ny faritaninareo i Yaveh Andriamanitrareo, araka ny efa nianianany tamin'ireo razambenareo fa ho ataony, ary ny tany rehetra izay nampanantenainy fa homena ny razambe anareo;
\v 9 raha tandrovinareo ireo didy rehetra ireo, izay handidiko anareo anio— ireo didy mba hitia an'i Yaveh Andriamanitrareo sy handeha amin'ny lalany mandrakariva, dia tokony hanampy tanàna telo lehibe ho an'ny tenanareo ianareo, ankoatra ireo telo.
\v 10 Ataovy izany mba tsy hisy ràn'olona tsy manan-tsiny hiraraka eo amin'ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho anareo ho lova, mba tsy ho meloka amin'ny rà ianareo.
\s5
\v 11 Saingy raha misy olona mankahala ny mpiara-belona aminy, manomana tetika hamonoana azy, mitsangana hanohitra azy, ary mandratra azy mba ho faty, ary raha mandositra any amin'ny iray amin'ireo tanàna ireo izy—
\v 12 dia tsy maintsy maniraka sy maka azy hiverina avy any ireo loholona ao amin'ny tanànany, ary manolotra azy eo an-tanan'ny mpamaly faty, mba ho faty izy.
\v 13 Aoka ny masonareo tsy ampiseho famindram-po aminy; fa kosa, foano tsy ho eo amin'Israely ny famonoana olona tsy manan-tsiny, mba hahasoa anareo.
\s5
\v 14 Aza esorina amin'ny mpiara-belona aminareo ny famantaran-tany izay napetrak'izy ireo fotoana maro tany aloha, amin'ny lova izay ho lovainareo, any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo ho fanananareo.
\s5
\v 15 Tsy misy vavolombelona tokana tokony hitsangana hiampanga olona iray amin'ny heloka rehetra, na amin'ny ota rehetra, amin'ny zavatra nanotàny rehetra; fa amin'ny vavan'ny vavolombelona roa, na amin'ny vavan'ny vavolombelona telo, no hanamarinana ny zavatra rehetra.
\v 16 Raha atao hoe misy vavolombelona tsy marina iray mitsangana manohitra olona mba hijoro vavolombelona hiampanga azy amin'ny fanaovan-dratsy.
\s5
\v 17 Ary ireo lehilahy roa, izay misy tsy fiombonan-kevitra, dia tsy maintsy mijoro eo anatrehan'i Yaveh, eo anatrehan'ireo mpisorona sy mpitsara izay mpanompo tamin'izany andro izany.
\v 18 Ireo mpitsara dia tokony hanao fanadihadiana lalina; jereo, raha sandoka ny vavolombelona ary raha mijoro vavolombelona tsy marina amin'ny rahalahiny,
\v 19 dia ataovy aminy izay niriany hatao amin'ny rahalahiny; ary hanala ny ratsy eo aminareo ianareo.
\s5
\v 20 Ary ireo izay tavela dia handre sy hatahotra, ary tsy hanao zava-dratsy toy izany eo aminareo intsony manomboka eo.
\v 21 Tsy tokony hampiseho famindram-po ny masonareo; ny aina no ho solon'ny aina, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify, tanana solon'ny tanana, tongotra solon'ny tongotra.
\s5
\c 20
\p
\v 1 Raha hivoaka hiady amin'ny fahavalonareo ianareo, ka mahita ireo soavaly, ireo kalesy, ary vahoaka maro an'isa noho ianareo, dia aza matahotra azy ireo ianareo; fa miaraka aminareo i Yaveh Andriamanitrareo, Izy izay nitondra anareo niakatra niala ny tany Egypta.
\s5
\v 2 Koa rehefa mby ampototry ny ady ianareo, dia tsy maintsy hanatona ny mpisorona ka hiteny amin'ny vahoaka.
\v 3 Dia hilaza amin'izy ireo izy hoe: "Mihainoa, ry Israely, hiady amin'ny fahavalonareo ianareo. Aoka tsy ho reraka ny fonareo. Aza matahotra na mangovitra. Aza matahotra azy ireo.
\v 4 Fa i Yaveh Andriamanitrareo no hiaraka handeha aminareo mba hiady amin'ny fahavalonareo ary mba hamonjy anareo.
\s5
\v 5 Dia tsy maintsy hiteny amin'ny vahoaka ireo manam-boninahitra ka hanao hoe: "Misy lehilahy ve ao izay nanao trano vaovao ka mbola tsy nitokana izany? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho faty an'ady izy ka ho lehilahy hafa indray no hitokana izany.
\s5
\v 6 Misy lehilahy ve namboly tanim-boaloboka ka mbola tsy nisitraka ny vokatr'izany? Aoka izy hody, mba tsy ho faty an'ady izy ka olon-kafa indray no hisitraka ny vokatr'izany.
\v 7 Misy lehilahy ve ao nifamofo tamim-behivavy nefa tsy mbola nanam-bady azy? Aoka izy hody mba tsy ho faty an'ady ka ho lehilahy hafa indray no hanambady azy."
\s5
\v 8 Dia mbola hiteny amin'ny vahoaka hatrany ireo manam-boninahitra hanao hoe: "Misy lehilahy ve ao izay matahotra na reraka am-po? Aoka izy handeha ary hiverina any an-tranony, mba tsy ho ketraka toy ny fony koa ny fon'ny rahalahiny."
\v 9 Koa rehefa avy miteny amin'ny vahoaka ireo manam-boninahitra, dia tsy maintsy manendry mpifehy hitarika azy ireo izy ireo.
\s5
\v 10 Rehefa mandeha mba hanafika tanàna ianareo, dia manaova tolo-pihavanana amin'ireo vahoaka ireo.
\v 11 Raha manaiky ny tolotrareo sy manokatra ny vavahadiny ho anareo izy ireo, dia ho tonga andevonareo sy hanompo anareo ny olona rehetra izay hita ao.
\s5
\v 12 Fa raha tsy manao tolo-pihavanana aminareo izany, fa hamaky ady aminareo kosa, dia tsy maintsy ataonareo fahirano izany,
\v 13 ary rehefa manome fandresena anareo Yaveh Andriamanitrareo ka mametraka azy ireo eo ambany fifehezanareo, dia tsy maintsy vonoinareo ny lehilahy rehetra ao amin'ilay tanàna
\s5
\v 14 Fa ny vehivavy kosa, ireo zaza madinika, ny biby fiompy, sy izay rehetra ao amin'ilay tanàna, ary ny hareny rehetra, dia ho alainareo ho babo ho anareo izany. Dia hihinana ny babon'ireo fahavalonareo ianareo, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\v 15 Izany no fomba tsy maintsy ataonareo amin'ireo tanàna rehetra izay tena lavitra anareo, dia ireo tanàna tsy avy amin'ireto tanàn'ireto firenena manaraka ireto.
\s5
\v 16 Ao amin'ny tanànan'ireo olona izay omen'i Yaveh Andriamanitrareo anareo ho lovaina ireo, dia tsy azonareo asiana velona izay mety ho manam-pofon'aina.
\v 17 Fa kosa, tsy maintsy ravànareo tanteraka izy ireo: ny Hetita, sy ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita, ary ny Jebosita, araka izay nandidin'i Yaveh Andriamanitrareo anareo.
\v 18 Ataovy izany mba tsy hampianaran'izy ireo anareo hanao ireo fomba fahavetavetany, araka izay nataon'izy ireo tamin'ireo andriamaniny. Raha manao izany ianareo, dia hanota amin'i Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\v 19 Rehefa ela no hanaovanareo fahirano tanàna iray, raha miady aminy ianareo mba hahazoana azy, dia tsy azonareo kapaina amin'ny famaky ireo hazony. Satria afaka mihinana avy amin'ireo ianareo, izany no tsy hahazoanareo manjera azy ireo. Fa olona ve ny hazo ao an-tsaha no tokony ataonareo fahirano?
\v 20 Ireo hazo izay fantatrareo fa tsy hazo fihinana ihany, no azonareo simbaina sy azera; hanangana fahirano manohitra an'ilay tanàna izay miady aminareo ianareo, mandra-paharavan'izany.
\s5
\c 21
\p
\v 1 Raha misy olona hita faty ao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrareo ho fananana, mandry eo amin'ny saha, ary tsy fantatra izay nanafika azy;
\v 2 dia tsy maintsy mandeha mivoaka ireo loholonareo sy ireo mpitsaranareo, ary tsy maintsy mandrefy ireo tanàna izay manodidina an'ilay olona novonoina izy ireo.
\s5
\v 3 Ary ireo loholon'ny tanàn-dehibe izay akaikin'ny fatin'ilay olona dia tsy maintsy maka ombivavikely avy amin'ny andian'omby, anankiray izay tsy mbola nampiasaina mihitsy, ary tsy nisy zioga.
\v 4 Avy eo dia tsy maintsy roasin'izy ireo midina amin'ny lohasaha misy rano mandeha ilay ombivavikely, lohasaha izay tsy mbola nasaina tamin'ny angadin'omby na nambolena, ary eo amin'ny lohasaha izy ireo no tsy maintsy manolana ny tendan'ilay ombivavikely.
\s5
\v 5 Ireo mpisorona, taranak'i Levy, dia tsy maintsy manatona akaiky; satria izy ireo no nosafidin'i Yaveh Andriamanitrao hanompo Azy sy hitahy ny olona amin'ny anaran'i Yaveh; henoy ireo tolo-kevitr'izy ireo, satria ny tenin'izy ireo dia ho didim-pitsaràna amin'ny fifamaliana rehetra sy amin'ny fandratrana.
\s5
\v 6 Ireo loholon'ny tanàna rehetra izay akaikin'ilay olona novonoina dia tsy maintsy manasa ny tanan'izy ireo eo amin'ilay ombivavikely izay voaolana teo amin'ny lohasaha ny tendany;
\v 7 ary tsy maintsy mamaly ny zava-misy izy ireo ka miteny hoe: "Ny tananay dia tsy nandatsaka ny ràny, ary tsy nahita izany ny masonay.
\s5
\v 8 Mamelà ny vahoaka Israelinao, izay efa navotanao, ry Yaveh, ary aza atao meloka amin'ny fandatsahan-drà olona tsy manan-tsiny ny vahoaka Israelinao." Dia ho avela heloka amin'ny fandatsahan-drà izy ireo.
\v 9 Amin'izany fomba izany no hanesoranao ny rà tsy manan-tsiny eo anivonao, rehefa manao izay marina eo imason'i Yaveh ianao.
\s5
\v 10 Rehefa mandeha mivoaka hiady hanohitra ireo fahavalonao ianao ary Yaveh Andriamanitrao manome fandresena anao sy manao azy ireo ho eo ambany fahefanao, ary mihazona azy ireo ho babo ianao,
\v 11 raha mahita vehivavy tsara tarehy eo amin'izy ireo ianao, ary manam-paniriana aminy ka maniry ny haka azy ho vadinao,
\v 12 dia ho entinao any an-tranonao izy; hanaratra ny lohany izy ary hanapaka ny hohony.
\s5
\v 13 Ary hanala ny akanjo izay nanaovany tamin'izy babo izy ka hijanona ao amin'ny tranonao ary hisaona ny rainy sy ny reniny mandritry ny iray volana. Rehefa avy miara-mandry aminy ianao ary lasa vadiny, dia ho vadinao izy.
\v 14 Fa raha tsy mahazo fahafinaretana aminy ianao, dia hamela azy handeha any amin'izay iriany aleha. Fa tsy azonao atao ny mivarotra azy ho fahazoam-bola, ary tsy azonao atao ny mitondra azy tahaka ny andevo, satria efa nanala baraka azy ianao.
\s5
\v 15 Raha manana vady roa ny lehilahy iray ary ny iray dia tiana fa ny iray ankahalaina, ka samy niteraka zaza ho azy avokoa ireo roa ireo—ilay vady tiana sy ilay vady ankahalaina—raha avy amin'ilay ankahalaina ny lahimatoa,
\v 16 amin'ny andro izay hampandovan'ilay lehilahy izay hananany an'ireo zanany, dia tsy tokony hanao ny zanak'ilay vady tiana ho lahimatoa alohan'ny zanak'ilay vady ankahalaina izy, ilay zanaka izay lahimatoa ankehitriny.
\v 17 Fa kosa, tsy maintsy miaiky izay lahimatoa izy, dia ilay zanaky ny vady ankahalaina, amin'ny alalan'ny fanomezana azy anjaran-droa amin'izay fananany rehetra; satria io zanaka io no fiandohan'ny tanjany; ka azy ny fizokiana.
\s5
\v 18 Raha misy lehilahy iray manana zanaka mafy loha sy mpikomy izay tsy hankato ny feon'ny rainy na ny feon'ny reniny, ary izay, na dia ahitsin'izy ireo aza izy, dia tsy hihaino azy ireo;
\v 19 dia tsy maintsy manery azy sy mitondra azy mivoaka mankany amin'ireo loholon'ny tanànany sy any am-bavahadin'ny tanànany ny rainy sy ny reniny.
\s5
\v 20 Tsy maintsy miteny amin'ireo loholon'ny tanànany izy ireo hoe: "Ity zanakay ity dia mafy loha sy mpikomy; tsy hankato ny feonay izy; tendan-kanina sy mpimamo izy."
\v 21 Dia tsy maintsy mitora-bato azy ho faty avokoa ny olon-drehetran'ny tanànany; ary ianao dia hanala ny ratsy eo aminao. Ny Israely rehetra dia handre izany ka hatahotra.
\s5
\v 22 Raha nanao fahotana mendrika fahafatesana ny olona iray ary vonoina izy, ka haraviravinao eny amin'ny hazo,
\v 23 dia tsy azo ajanona eo amin'ny hazo mandritry ny alina tontolo mihitsy ny fatiny. Fa kosa, tsy maintsy alevinao amin'io andro io ihany izy; satria na iza na iza naraviravy dia voahozon'Andriamanitra. Ankatoavy ny didiny mba tsy handoto ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao ho lova ianao.
\s5
\c 22
\p
\v 1 Tsy tokony hiambina ny ombin'ireo Israelita namanao ianao na ny ondriny mandeha amin'ny lalan-diso ka manafina ny tenanao amin'ireo; tsy maintsy ampodinao aminy ireo.
\v 2 Raha tsy akaiky anao ireo Israelita namanao, na raha tsy mahafantatra azy ianao, dia tsy maintsy mitondra ilay biby any an-tranonao ianao, ary tsy maintsy miaraka aminao izany mandra-pitadiavany azy, ary avy eo dia tsy maintsy ampodinao any aminy izany.
\s5
\v 3 Tokony manao tahaka izany amin'ny apondrany ianao; tokony manao tahaka izany amin'ny fitafiany ianao; ary tokony manao tahaka izany amin'ireo zavatry ny Israelita namanao very rehetra ihany koa ianao, ny zavany izay very ka hitanao; tsy tokony manafina ny tenanao ianao.
\v 4 Tsy tokony mijery ny apondran'ny Israelita namanao na ny ombiny mianjera amin'ny lalana ka manafina ny tenanao amin'izy ireo ianao; tokony manampy izany hiarina indray ianao.
\s5
\v 5 Tsy tokony hitafy fitafian-dehilahy ireo vehivavy, ary tsy tokony manao fitafiam-behivavy ireo lehilahy; fa na iza na iza manao ireo zavatra ireo dia fanevatevana an'i Yaveh Andriamanitrareo izany.
\s5
\v 6 Raha misy akanim-borona miseho eo anoloanao eny an-dalana, eny amin'ny hazo rehetra na eny amin'ny tany, miaraka amin'ny zanany na atody ao aminy, ary ilay reniny mipetraka eo amin'ny zanany na eo amin'ireo atody, dia tsy tokony haka ilay reny miaraka amin'ilay zanany ianao.
\v 7 Tokony hamela ilay reny handeha ianao, fa ilay zanany dia afaka alainao ho anao. Mankatoava izany baiko izany mba ho lavorary aminao izany, ary mba hahalava ny andronao.
\s5
\v 8 Rehefa manorina trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tafonao mba tsy hitondranao rà ao an-tranonao raha misy olona mianjera avy eo amin'izany.
\s5
\v 9 Tsy tokony hamboly ny tanim-boalobokao miaraka amin'ny karazana voa roa ianao, mba tsy ho alain'ny toerana masina ny vokatra rehetra, ireo voa izay nafafinao ary ny vokatry ny tanim-boaloboka.
\v 10 Aza miasa tany amin'ny omby sy apondra indray miaraka ianao.
\v 11 Aza mitafy lamba vita tamin'ny volon'ondry sy rongony miaraka.
\s5
\v 12 Manamboara somotr'aviavy eo amin'ny zorony efatra amin'ny akanjo lava izay anaovanao.
\s5
\v 13 Raha misy lehilahy iray maka vady, miara-mandry aminy, ary avy eo mankahala azy,
\v 14 sy manendrikendrika azy amin'ny zavatra mahamenatra ary manao ratsy laza azy, sy milaza hoe: 'Naka izany vehivavy izany aho, fa rehefa nanatona akaiky azy aho, dia tsy nahita porofo amin'ny maha virijiny azy.'
\s5
\v 15 Dia tsy maintsy maka porofo ny amin'ny maha-virjiny azy ho an'ireo loholona ao amin'ny vavahadin'ny tanàna ny ray sy renin'ilay vehivavy.
\s5
\v 16 Ny rain'ilay vehivavy dia tsy maintsy milaza amin'ireo loholona hoe: 'Nanome ny zanako vavy ho vadin'izany lehilahy izany aho, ka nankahala azy izy.
\v 17 Indro, nanendrikendrika azy tamin'ny zava-mahamenatra izy, ary nilaza hoe: "Tsy hitako tao amin'ny zanakareo vavy ny porofon'ny maha virjiny azy." Kanefa ity ny porofo amin'ny maha virijiny ny zanako vavy.' Avy eo izy ireo dia hamelatra ny fitafiany eo anatrehan'ireo loholon'ny tanàna.
\s5
\v 18 Tokony haka io lehilahy io ireo loholon'ny tanàna ary hanasazy azy,
\v 19 ary tokony hampanonitra azy sekela volafotsy zato izy ireo, ary hanome izany ho an'ny rain'ilay vehivavy, satria nanao ratsy laza tamin'ny virijinin'Israely iray ilay lehilahy. Tsy maintsy ho vadiny izy; ary tsy afaka ny hisaraka aminy izy mandritry ny androny rehetra.
\s5
\v 20 Fa raha marina izany zavatra izany, fa ilay porofo maha-virijiny dia tsy hita tao amin'ilay vehivavy,
\v 21 dia tsy maintsy hitondra an'ilay vehivavy any amin'ny varavaran'ny tranon'ilay ray izy ireo, ary ireo lehilahy any amin'ny tanàna dia tsy maintsy hitora-bato azy ho faty, satria nanao zavatra maharikoriko tany Israely izy, tamin'ny fanaovana fihetsika toy ny vehivavy janga tao an-tranon-drainy; ary hanala ny ratsy eo aminareo ianareo.
\s5
\v 22 Raha misy lehilahy tratra niara-nandry tamin'ny vehivavy iray izay manambady lehilahy iray hafa, dia tsy maintsy ho faty izy roa, ilay lehilahy izay niara-nandry tamin'ilay vehivavy sy ilay vehivavy mihitsy; dia hanala ilay ratsy eo aminao ianao.
\s5
\v 23 Raha misy vehivavy virijiny iray, mivady amin'ny lehilahy iray, ary lehilahy iray hafa mahatratra azy ao amin'ny tanàna ka miara mandry aminy,
\v 24 dia alaivo ho any amin'ny vavahadin'ny tanàna izy roa, ka torahy vato ho faty. Tsy maintsy mitoraka ilay vehivavy ianao, satria tsy nitomany izy, na dia tao amin'ny tanàna aza. Tsy maintsy mitoraka ilay lehilahy ianao, satria nandika ny vadin'ny mpiara-belona aminy izy; ary hanala ny ratsy eo aminao ianao.
\s5
\v 25 Fa raha tratran-dralehilahy eny an-tsaha ilay vehivavy efa fofombadin'olona, ka raha azoniny izy ary miara-mandry aminy, dia ilay lehilahy izay miara-mandry aminy ihany no tsy maintsy ho faty.
\v 26 Fa ilay vehivavy tsy hanaovanao na inona na inona; tsy misy heloka mendrika fahafatesana ao amin'ilay vehivavy. Fa izany tranga izany dia toy ny lehilahy iray manafika ny mpiara-belona aminy sy mamono azy.
\v 27 Fa hitany tany an-tsaha izy; nihiaka mafy ilay vehivavy fofombadin'olona, kanefa tsy nisy olona afaka namonjy az.
\s5
\v 28 Raha misy lehilahy mahatratra vehivavy virijiny iray nefa tsy mbola fofombadin'olona, ary raha hazoniny sy miara-mandry aminy izy, ka raha tratra izy ireo,
\v 29 dia tsy maintsy manome sekely volafotsy dimampolo amin'ny rain'ilay vehivavy ilay lehilahy niara-nandry taminy, ary tsy maintsy lasa vadiny ilay vehivavy, satria nanala baraka azy izy. Tsy tokony hisaraka aminy izy mandritry ny androny rehetra.
\s5
\v 30 Tsy tokony maka ny vadin-drainy ho azy manokana ny lehilahy iray; tsy tokony maka ny zon'ny fanambadin'ny rainy izy.
\s5
\c 23
\p
\v 1 Tsy misy lehilahy naratra tamin'ny fanesorana na fanapahana ny filahiany afaka hiditra ao amin'ny fiangonan'i Yaveh.
\v 2 Tsy misy zazasary afaka ho isan'ny fiangonan'i Yaveh; ka hatrany amin'ny taranaka fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'ny fikambanan'i Yaveh izy ireo.
\s5
\v 3 Ny Amonita sy Moabita dia tsy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh; ka hatrany amin'ny taranaka fara-mandimbiny fahafolo, tsy hisy ho isan'ny fiangonan'i Yaveh izy ireo.
\v 4 Izany dia satria tsy nitsena anareo tamin'ny mofo sy rano teny amin'ny lalana nivoahanareo avy tany Egypta izy ireo, ary satria nanakarama an'i Balama zanaka lahin'i Beora avy any Petora any Arama Naharaima hanoherana anao izy ireo, mba hanozona anao.
\s5
\v 5 Fa Yaveh Andriamanitrao dia tsy hihaino an'i Balama; fa kosa, navadik'i Yaveh ho fitahiana ho anao ilay ozona, satria tian'i Yaveh Andriamanitrao ianao.
\v 6 Tsy tokony hitady ny fiadanana na fanambinan'izy ireo mihitsy ianao, mandritry ny androm-piainanao rehetra.
\s5
\v 7 Tsy tokony hankahala Edomita ianao, satria rahalahinao izy; tsy tokony hankahala Egyptiana ianao, satria vahiny tany amin'ny taniny ianao.
\v 8 Ireo taranaka avy amin'ny taranaka fahatelo izay naterak'izy ireo dia mety ho anisan'ny fiangonan'i Yaveh.
\s5
\v 9 Raha mandeha tahaka ny tafika manohitra an'ireo fahavalonao ianao, dia tokony hitandrina ny tenanao amin'ny zavatra ratsy rehetra.
\v 10 Raha misy lehilahy tsy madio noho izay nitranga taminy ny alina eo aminao, dia tokony hivoaka ao amin'ny tobin'ny tafika izy; tsy mahazo miverina ao amin'ny toby intsony izy.
\v 11 Rehefa tonga ny hariva, dia tokony hanasa ny tenany amin'ny rano izy; rehefa milentika ny masoandro, dia hiverina ao amin'ny toby izy.
\s5
\v 12 Tokony hanana toerana any ivelan'ny toby ihany koa ianao izay handehananao;
\v 13 ary hanana zavatra ao amin'ny fitaovam-piasanao ianao mba handavahana; rehefa mitingitingina manao maloto ianao, dia tokony handavaka amin'izany ary avy eo mamerina ny tany ka manototra izay nivoaka avy tao aminao.
\v 14 Satria i Yaveh Andriamanitrao dia mandeha eny afovoan'ny tobinao mba hanome fandresena ho anao sy hanolotra ireo fahavalonao aminao. Noho izany dia tokony ho masina ny tobinao, mba tsy hahitany zavatra tsy madio eo aminao ka hivadika aminao.
\s5
\v 15 Ny andevo izay nitsoaka avy any amin'ny tompony dia tsy tokony haverina any aminy.
\v 16 Avelao izy hipetraka hiaraka aminao, na aiza na aiza tanàna fidiany. Aza ampahoriana izy.
\s5
\v 17 Tsy tokony hisy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy eo amin'ireo zanaka vavin'Israely, na koa hisy mpijangajanga amin'ny fanompoan-tsampy eo amin'ireo zanaka lahin'Israely.
\v 18 Ireo karaman'ny mpivaro-tena na karaman'alika dia tsy tokony entinao miditra ao an-tranon'i Yaveh Andriamanitrao mba hanatanterahana voady; satria samy fahavetavetana amin'i Yaveh Andriamanitrao ireo.
\s5
\v 19 Tsy tokony haka tombony amin'ireo Israelita namanao ianao rehefa mampindrana—tombony amin'ny vola, tombony amin'ny sakafo, tombony amin'ny na inona na inona nampindramina hakàna tombony.
\v 20 Mety hampindrana hakàna tombony ianao amin'ny vahiny; fa amin'ireo Israelita namanao dia tsy tokony hampindrana hakàna tombony ianao, mba hitahian'i Yaveh anao amin'izay rehetra hametrahanao tanana, ao amin'ny tany izay ho lasa fanananao.
\s5
\v 21 Rehefa manao voady amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, dia tsy tokony hiraikiraiky amin'ny fanatanterahana izany, satria azo antoka fa ho takian'i Yaveh Andriamanitrao aminao izany; ho fahotana ho anao ny tsy fanatanterahana izany.
\v 22 Fa raha hanindry fo ianao amin'ny fanaovana voady, dia tsy ho fahotana ho anao izany.
\v 23 Ny teny izay naloaky ny vavanao dia tandrovy ary tanteraho; arak'izay voady nataonao tamin'i Yaveh Andriamanitrao, na inona na inona nampanantenainao maimaimpoana tamin'ny vavanao.
\s5
\v 24 Rehefa mankany amin'ny tanim-boaloboky ny mpiara-belona aminao ianao, dia mety hihinana voaloboka maro araka izay irinao, fa aza manisy ao anaty haronao.
\v 25 Rehefa mandeha mankany amin'ny tanimbarin'ny mpiara-belona aminao ianao, dia mety hioty salohim-bary amin'ny tananao, fa aza ametrahana antsy fijinjàna ny salohim-barin'ny mpiara-belona aminao.
\s5
\c 24
\p
\v 1 Raha misy lehilahy maka vady ka manambady azy, ary raha tsy mahita sitraka eo imasony ravehivavy satria nahita zavatra tsy nety taminy izy, dia tsy maintsy manoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana aminy izy, apetrao eo am-pelatanany izany ary roahy ao an-tranony izy.
\v 2 Rehefa niala tao amin'ny tranony izy, dia afaka mandeha sy ho vadin'ny lehilahy hafa.
\s5
\v 3 Raha mankahala azy ilay vadiny faharoa ka hanoratra taratasy fanamarinana fisaraham-panambadiana, dia apetraho eo am-pelatanany izany, ary roahy ao an-tranony izy; na raha maty ilay vadiny faharoa, ilay lehilahy izay naka azy ho vady—
\v 4 dia afaka tsy maka vady azy intsony ilay vadiny teo aloha, izay voalohany nandroaka azy, rehefa voaloto izy; satria ho fahavetavetana amin'i Yaveh izany. Aza manao izay mahatonga ny tany ho meloka ianao, dia ilay tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao ho lova.
\s5
\v 5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy tokony handeha an'ady miaraka amin'ny tafika izy, na baikoina handeha hanao asa an-terivozona; ho afaka hipetraka ao ao an-tranony mandritry ny herin-taona ary hampifaly ny vadiny izay nampakariny izy.
\s5
\v 6 Tsy misy lehilahy maka fikosoham-bary na ny vatony ambony ho antoka, satria izany dia maka ny ain'olona ho antoka.
\s5
\v 7 Raha misy lehilahy tratra maka an-keriny ny iray amin'ireo rahalahiny izay eo amin'ny vahoakan' Israely, sy manao azy ho toy ny andevo ary hivarotra azy, dia tsy maintsy ho faty izany mpangalatra izany; ary hanafaka ny ratsy eo aminao ianao.
\s5
\v 8 Mitandrema amin'ny areti-mandringan'ny habokana, mba hahafahanao manara-maso tsara sy manaraka ny toromarika rehetra izay nomena anareo sy izay nampianarin'ireo mpisorona, ireo Levita anareo; araka ny nandidiako azy ireo, ka ho arahinareo.
\v 9 Tsarovy ny nataon'i Yaveh Andriamanitrao tamin'i Miriama rehefa avy tany Egypta ianareo.
\s5
\v 10 Rehefa mampisambo-javatra ny mpiara-belona aminao ianao, dia aza miditra ao an-tranony mba haka ny antokany.
\v 11 Hijoro ao ivelany ianao, ary ilay lehilahy izay nampindraminao dia hitondra ilay antoka hivoaka eo aminao.
\s5
\v 12 Raha lehilahy mahantra izy, aza entina matory ho fanananao ny antokany.
\v 13 Fa tsy maintsy averinao any aminy ilay antoka amin'ny fotoana hilentehan'ny masoandro, mba hahafahany matory ao anaty lambany ary hitahiany anao; ho fahamarinana ho anao eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao izany.
\s5
\v 14 Aza mampahory ny mpanompo nokaramaina izay mahantra sy ao anatin'ny tsy fahampiana, na zanak'ireo Israelita namanao, na ireo vahiny izay ao amin'ny tany izay ao am-bavahadin'ny tanànanao;
\v 15 omeo azy isan'andro ny karamany; aza avela ho tratry ny masoandro milentika izany, satria mahantra izy ary miandrandra izany. Ataovy izany mba tsy hitarainany any amin'i Yaveh ny aminao, ary mba tsy ho fahotana ho anao izany.
\s5
\v 16 Ny ray aman-dreny dia tsy tokony ho vonoina noho ireo zanany, na ny zanaka ho vonoina noho ireo ray aman-dreniny. Fa kosa, ny tsirairay avy dia tsy maintsy vonoina nohon'ny fahotany manokana.
\s5
\v 17 Tsy tokony hampiasa hery ianao mba hanalana ny rariny amin'ny vahiny na ny kamboty, na haka ny lamban'ny mpitondratena ho antoka.
\v 18 Fa kosa, tsarovy fa ianao dia andevo tany Egypta, ary Yaveh Andriamanitrao no namonjy anao tany. Noho izany mananatra anao hankatoa izany didy izany aho.
\s5
\v 19 Raha mijinja ny vokatrao any amin'ny sahanao ianao, ary raha nanadino amboara iray tany an-tsaha, dia aza miverina maka izany; avelao ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty ary ho an'ny mpitondratena izany, mba hitahian'i Yaveh Andiamanitrao anao amn'ny asan'ny tananao rehetra.
\v 20 Rehefa manintsana ny hazo olivanao ianao, dia aza mamerina mitsimpona ireo eny amin'ny sampany intsony; ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena izany.
\s5
\v 21 Rehefa manangona ny voaloboka eny amin'ny tanim-boalobokao ianao, dia aza mitsimpona izany intsony. Fa izay sisa tavela dia ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, ary ho an'ny mpitondratena.
\v 22 Tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao; noho izany mananatra anao hankato izany didy izany aho.
\s5
\c 25
\p
\v 1 Raha misy fifamaliana eo amin'ireo lehilahy ka mankany amin'ny fitsarana izy ireo, ary tsarain'ireo mpitsara izy ireo, dia ho afahan'izy ireo madiodio ilay marina ary ho melohina ilay ratsy fanahy.
\v 2 Raha mendrika ny ho kapohina ilay meloka, dia ho ampandrian'ilay mpitsara izy ary ho kapohina eo anatrehany miaraka amin'ny isan'ny kapoka voatondro, araka ny helony.
\s5
\v 3 Mety hanome kapoka efa-polo azy ny mpitsara, saingy tsy afaka mihoatra an'io isa io izy; satria raha manome mihoatra io isa io izy ka mikapoka azy bebe kokoa, dia ho afa-baraka eo imasonareo ireo Israelita namanareo.
\s5
\v 4 Aza manakombona ny vavan'ny omby rehefa mively vary izy.
\s5
\v 5 Raha misy mpirahalahy miara-mipetraka ary maty ny iray amin'izy ireo, ka tsy nanan-janaka lahy, dia tsy mahazo manambady olona ivelan'ny fianakaviana ny vadin'ilay lehilahy maty. Fa kosa, tsy maintsy miara-mandry aminy ny zaodahiny ka maka vady azy, ary manao ny adidy amin'ny maha-zaodahy azy.
\v 6 Izany dia mba hahombiazan'ilay teraka voalohany izay nentiny tao an-kibony amin'ny anaran'ilay rahalahin'io lehilahy io izay maty, mba tsy ho levona ao Israely ny anarany.
\s5
\v 7 Fa raha tsy manam-paniriana ny haka ny vadin'ny rahalahiny ho azy ilay lehilahy, dia tsy maintsy mankany amin'ny vavahady any amin'ireo loholona ny vadin'ny rahalahiny ary miteny hoe: 'Ny zaodahiko dia mandà ny hanome anarana ho an'ny rahalahiny eto Israely; tsy hanao ny adidin'ny zaodahy amiko izy.'
\v 8 Avy eo ireo loholona eo an-tanànany tsy maintsy miantso azy ary hiresaka aminy. Fa raha atao hoe mihizingizina izy ary miteny hoe: 'Tsy manam-paniriana haka azy aho.'
\s5
\v 9 Avy eo ny zaodahiny tsy maintsy manatona azy eo anatrehan'ireo loholona, manala ny kapa eny an-tongony, ary mandrora eny amin'ny tarehiny. Tsy maintsy mamaly azy izy ary miteny hoe: 'Toy izany no atao amin'ny lehilahy izay tsy manorina ny tranon'ny rahalahiny.'
\v 10 Ny anarany dia ho antsoina ao Israely hoe: 'Ny tranon'ilay nesorina ny kapany.'
\s5
\v 11 Raha miady ireo lehilahy, ary tonga ny vadin'ny iray mba hanavotra ny vadiny eny an-tanan'izay namely azy, ary raha maninjitra ny tanany ka mandray azy any amin'ny filahiny izy,
\v 12 dia tsy maintsy tapahinao ny tanany; tsy tokony hanana famindram-po ny masonao.
\s5
\v 13 Tsy tokony hanana vatomizana samihafa ianao ao anaty kitaponao, ilay kely sy lehibe.
\v 14 Tsy tokony hanana fandrefesana samihafa ianao ao an-tranonao, ilay kely sy lehibe.
\s5
\v 15 Vatomizana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao; fandrefesana tonga lafatra sy marina no tokony hanananao, mba ho lava ny andronao ao amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao.
\v 16 Fa ireo rehetra izay manao zavatra toy izany, ny rehetra izay manao fihetsika tsy am-pahamarinana, dia fahavetavetana eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao.
\s5
\v 17 Tadidio izay nataon'i Amalekita anao teny an-dalana raha nivoaka an'i Egypta ianareo,
\v 18 ny fomba nihaonany taminao teny an-dalana sy ny nanafihany ny sasany taminao avy tao aoriana, ireo rehetra izay osa taorianao, rehefa reraka sy sasatra ianao; tsy nanome voninahitra an'Andriamanitra izy.
\v 19 Noho izany, rehefa nomen'i Yaveh Andriamanitrao fitsaharana tamin'ireo fahavalo nanodidina anao ianao, tao amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao mba ho lova, dia tsy tokony hadinoinao fa tsy maintsy mamono ny fahatsiarovana an'ireo Amelekita eo ambany lanitra ianao.
\s5
\c 26
\p
\v 1 Rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao ianao, ary rehefa lasanao sy honenanao izany,
\v 2 tsy maintsy alainao ny sasany amin'ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ilay tany izay nitondrana anao teo amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao. Tsy maintsy hataonao ao anaty harona izany ary handeha any amin'ny toerana izay nosafidin'Yaveh Andriamanitrao ho fitoerany masina ianao.
\s5
\v 3 Tsy maintsy mandeha any amin'ny mpisorona izay hanompo amin'ireo andro ireo ianao, ary hiteny aminy hoe: 'Miaiky an'i Yaveh Andriamanitrao aho ankehitriny fa izaho dia avy amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razantsika mba homena antsika.'
\v 4 Tsy maintsy halain'ny mpisorona eo an-tananao ilay harona ary hapetrany manoloan'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao.
\s5
\v 5 Tsy maintsy miteny eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao hoe: 'Syrianina mienjienjy ny razambeko. Nandeha nidina tany Egypta izy ary nijanona tany, ary vitsy an'isa ireo vahoakany. Tany no nahatonga azy ho lehibe, nahery, ary firenena be mponina.
\s5
\v 6 Ratsy fitondrana sy nampahory antsika ireo Egyptiana. Nampanaoviny ny asan'ireo andevo isika.
\v 7 Nitaraina tamin'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'ireo razantsika isika, ary henony ny feontsika ary hitany ny fahoriantsika, ny asantsika, ary ny fijaliantsika.
\s5
\v 8 Nentin'i Yaveh nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tanana mahery isika, tamin'ny faninjirana sandry, sy tamin'ny fampitahorana lehibe, tamin'ny famantarana, ary tamin'ny fahagagana;
\v 9 ary Izy nitondra antsika tamin'ity toerana ity sy nanome antsika ity tany ity, dia tany izay tondra-dronono sy tantely.
\s5
\v 10 Indro ankehitriny, mitondra ny voaloham-bokatry ny tany izay nomenao, Yaveh, ahy aho. 'Tsy maintsy hapetrakao eo ambany manoloana an'i Yaveh Andriamanitrao izany ary manaova fanompoam-pivavahana eo anoloany;
\v 11 ary ianao dia tsy maintsy miravoravo amin'izay zava-tsoa rehetra nataon'i Yaveh Andriamanitrao taminao, tamin'ny ankohonanao—ianao, sy ny Levita, ary ireo mpivahiny eo aminao
\s5
\v 12 Rehefa avy manolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra tamin'ny taona fahatelo ianao, izay, taonan'ny ampahafolon-karena, dia tsy maintsy homenao ho an'ny Levita izany, ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, sy ho an'ny mpitondratena, mba hahafahan'izy ireo mihinana ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanao ka ho voky.
\v 13 Tsy maintsy milaza eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrao ianao hoe: 'Nentiko nivoaka ny tranoko ireo zavatra izay an'i Yaveh, ary nomeko ny Levita, ny mpivahiny, ny tsy manan-dray, sy ny mpitondra tena, araka ny didinao rehetra izay nomenao ahy. Tsy nisy nodikaiko ireo didinao, na nohadinoiko ireo.
\s5
\v 14 Tsy nihinana tamin'izany aho nandritry ny fisaonako, na nataoko teny ho eny tamin'ny andron'ny fahalotoko, na nomeko ho fahan-kanina hanajana ny maty. Nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitro aho; nankatoaviko avokoa izay rehetra nandidianao ahy mba hataoko.
\v 15 Mijere ambany avy eny amin'ny toerana masina izay hitoeranao, avy eny an-danitra, ary tahio ireo Israely vahoakanao, sy ilay tany izay nomenao anay, araka izay nianiananao tamin'ireo razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.'
\s5
\v 16 Anio Yaveh Andriamanitrao dia mandidy anao mba hankato ireo lalàna sy didy ireo; noho izany dia hitandrina azy ireo ianao ary hanaraka izany amin'ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo.
\v 17 Nanao fanambarana ianao androany fa Yaveh dia Andriamanitrao, ka handeha amin'ny lalany ianao ary hitandrina ireo fitsipiny, ireo didiny, sy ireo lalàny, ary hiaino ny feony ianao.
\s5
\v 18 Anio Yaveh dia manao fanambarana fa ianao dia vahoaka izay Azy manokana, araka izay nampanantenainy anao, ary ianao dia natao hitandrina ireo didiny rehetra,
\v 19 ary ho hataony ho ambony noho ireo firenena hafa rehetra izay nataony ianao, ary ianao dia hahazo dera, laza, ary voninahitra. Ho vahoaka voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy."
\s5
\c 27
\p
\v 1 Mosesy sy ireo loholon'Israely nandidy ny vahoaka ary niteny hoe: "Tandremo ireo didy rehetra izay andidiako anareo androany.
\v 2 Rehefa hiampita an'i Jordana ianareo indray andro any ho any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao, dia tsy maintsy hametraka vato lehibe maromaro ianao ary handalotra ireo amin'ny sokay.
\v 3 Tsy maintsy soratanao ao amin'ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity rehefa tafita ianao, mba hiditra ao amin'ilay tany izay omen'i Yaveh anao ianao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka ny efa nampanantenain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenao.
\s5
\v 4 Rehefa tafita ny Jordana ianareo, dia hatsangano ireo vato izay handidiako anareo androany, ao an-tendrombohitra Ebala, ary lalory sokay ireo.
\v 5 Ao no tsy maintsy hanorenanao alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao, alitara vita amin'ny vato; kanefa aza mampiasa fitaovana vy hiasana ireo vato.
\s5
\v 6 Vato tsy voapaika no tsy maintsy hanamboaranao ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao; tsy maintsy hanao fanatitra dorana ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'io ianao,
\v 7 ary hanao sorona fanati-pihavanana ianao ka hihinana ao. Hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao.
\v 8 Ho soratanao feno eo amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity."
\s5
\v 9 Mosesy sy ireo mpisorona, ary ireo Levita, niresaka tamin'ireo Israely rehetra, nanao hoe: "Mangina, ary mihainoa, ry Israely: Androany dia efa tonga vahoakan'i Yaveh Andriamanitrao ianao.
\v 10 Noho izany dia tsy maintsy mankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mankatò ireo didiny sy ny lalàny izay handidiako anao androany."
\s5
\v 11 Tamin'io andro io ihany dia nandidy ny olona i Mosesy ary niteny hoe:
\v 12 "Ireto foko ireto no tsy maintsy hitsangana eo an-tendrombohitra Gerizima mba hitso-drano ny olona rehefa tafita an'i Jordana ianareo: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina.
\s5
\v 13 Ireto foko ireto no tsy maintsy hitsangana eo amin'ny Tendrombohitra Ebala mba hanonona ozona: Roben, Gada, Asera, Zebolona, Dana, ary Naftaly.
\v 14 Hamaly ireo Levita ary hiteny amin'ireo lehilahin'Israely rehetra amin'ny feo avo hoe:
\s5
\v 15 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an'idina, izay fahavetavetana amin'i Yaveh, ny asan'ny tanan'ny mpanao asa tanana, sy izay manangana izany mangingina.' Ary ny vahoaka rehetra hamaly ary hilaza hoe: 'Amena.'
\s5
\v 16 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\v 17 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamindra ny mari-tanin'ny mpiray vodirindrina aminy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\s5
\v 18 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamery lalana ny jamba.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\v 19 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mampiasa hery mba hahazoana ny rariny izay tokony ho an'ny vahiny, ny kamboty, na ny mpitondratena.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\s5
\v 20 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny vadin'ny rainy, satria nangalatra ny zon'ny rainy izy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\v 21 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'izay mety ho karazam-bibidia.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\s5
\v 22 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny anabaviny, ny zanaka vavin'ny rainy, na ny zanaka vavin'ny reniny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\v 23 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny rafozam-baviny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\s5
\v 24 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamono mangingina ny mpiray vodirindrina aminy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\v 25 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mandray kolikoly mba hamonoana ny olon-tsy meloka.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\s5
\v 26 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay tsy manamafy ireo tenin'ity lalàna ity, fa hankatò azy ireo izy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'
\s5
\c 28
\p
\v 1 Raha mihaino tsara ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao ary mitandrina ireo didiny rehetra izay handidiako anao androany, dia hametraka anao ambonin'ny firenena hafa rehetra eto an-tany Yaveh Andriamanitrao.
\v 2 Ireo fitahiana rehetra ireo dia ho tonga aminao ary hahatratra anao, raha mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao.
\s5
\v 3 Ho tahiana ianao ao an-tanàna, ary ho tahiana ianao any an-tsaha.
\v 4 Ho tahiana izay naterakao, sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanak'ireo bibinao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao.
\s5
\v 5 Ho tahiana ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao.
\v 6 Ho tahiana ianao raha miditra, ary ho tahiana ianao raha mivoaka.
\s5
\v 7 Hahatonga ireo fahavalonao izay mitsangana manohitra anao ho resy eo anoloanao Yaveh; hivoaka hanohitra anao amin'ny lalana iray izy ireo nefa handositra eo anoloanao amin'ny lalana fito.
\v 8 Handidy ny fitahiana ho tonga aminao ao amin'ireo sompitrao sy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao Yaveh; hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao Izy.
\s5
\v 9 Hanorina anao tahaka ny vahoaka izay voatokana ho Azy Yaveh, tahaka ny efa nianianany taminao, raha mitandrina ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mandeha amin'ny lalany.
\v 10 Ireo vahoaka rehetra eto an-tany hahita fa ianao dia nantsoina tamin'ny anaran'i Yaveh, ary hatahotra anao izy ireo.
\s5
\v 11 Hanao anao ho mpanan-karem-be amin'ny zanakao, amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, amin'ny tany izay nianianany tamin'ireo razanao homena anao Yaveh.
\v 12 Hanokatra ho anao ny trano fitehirizany any an-danitra mba hanome orana ho an'ny taninao amin'ny fotoany, sy mba hitahy ny asan'ny tananao rehetra i Yaveh; hampisambotra ny firenena maro ianao, fa tsy hisambotra.
\s5
\v 13 Hanao anao ho lohany, ary tsy ho rambony i Yaveh; ho ambony ihany ianao, fa tsy ho ambany mihitsy, raha mihaino ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao izay handidiako anareo androany, ary mitandrina sy manao ireo,
\v 14 ary raha tsy mivily amin'ny iray amin'ireo teny izay handidiako anao androany ireo ianao, amin'ny havanana na amin'ny havia, ary manaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo azy ireo.
\s5
\v 15 Fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mitandrina ireo didiny sy ireo lalàny rehetra izay handidiako anao androany, dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ary hahatratra anao.
\s5
\v 16 Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha.
\v 17 Hozonina ny ao amin'ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao.
\s5
\v 18 Hozonina izay naterakao, ny vokatry ny taninao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao.
\v 19 Hozonina ianao raha miditra, ary hozonina ianao raha mivoaka.
\s5
\v 20 Yaveh handefa aminao ireo ozona, fisafotofotoana, ary ireo fitenenana mafy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao, mandra-paharinganao, ary mandra-pahafatinao haingana noho ireo asa ratsinao izay hahafoizanao Ahy.
\v 21 Hampifikitra ny areti-mandringana aminao mandra-pandringanany anao amin'ny tany izay ho azonao i Yaveh.
\s5
\v 22 Hamely anao amin'ireo areti-mifindra, amin'ny tazo, amin'ny fanaintainana, ary amin'ny hafanana main-tany sy mandoro, ary amin'ny rivotra mahamay sy maty fotsy i Yaveh. Hanenjika anao mandra-pahafatinao ireo.
\s5
\v 23 Ny lanitrao izay ambonin'ny lohanao dia ho varahina, ary ny tany izay ambaninao dia ho vy.
\v 24 Hanao ny oran'ny taninao ho fasika sy vovoka i Yaveh; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao, mandra-paharinganao.
\s5
\v 25 Hahatonga anao ho resy eo anoloan'ireo fahavalonao i Yaveh; hivoaka amin'ny lalana iray hanohitra azy ireo ianao nefa handositra eo anoloan'izy ireo amin'ny lalana fito. Hisamboaravoara etsy sy eroa ao amin'ireo fanjakan'ny tany rehetra ianao.
\v 26 Ny fatinao dia ho sakafon'ireo vorona avy eny an-anitra rehetra sy ho an'ireo bibin'ny tany; tsy hisy na iza na iza hampitahotra ireo.
\s5
\v 27 Yaveh hamely anao amin'ireo vain'i Egypta sy amin'ireo fery, fahabokana, ary hidihidy, ary tsy ho sitrana amin'izany ianao.
\v 28 Yaveh hamely anao amin'ny fahaverezan-tsaina, amin'ny fahajambana, ary amin'ny fikorotanan-tsaina.
\v 29 Hitsapatsapa amin'ny atoandro toy ny jamba mitsapatsapa anaty aizina ianao, ary tsy hambinina amin'ireo lalanao ianao; hampahoriana sy ho robaina foana ianao, ary tsy hisy na iza na iza hamonjy anao.
\s5
\v 30 Ho lasa mpifamofo amin'ny vehivavy ianao, nefa ny lehilahy hafa hisambotra azy ary hanolana azy. Hanamboatra trano ianao nefa tsy hipetraka ao amin'izany; hanao tanim-boaloka ianao nefa tsy hisitraka ny vokatr'izany.
\v 31 Ho vonoina eo anoloan'ny masonao ny ombinao, nefa tsy hihinana ny henan'izany ianao; halaina an-keriny eo anoloan'ny masonao ny borikinao ary tsy haverina aminao. Homena ireo fahavalonao ny ondrinao, ary tsy hanana na iza na iza hanampy anao ianao.
\s5
\v 32 Ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy dia homena ireo olon-kafa; hitady azy ireo tontolo andro ireo masonao, nefa tsy hahavita miandry azy ireo. Tsy hisy hery eo an-tananao.
\s5
\v 33 Ny vokatry ny taninao sy ny asanao rehetra— firenena izay tsy fantatrao no hihinana izany; hampahoriana sy ho potehina mandrakariva ianao,
\v 34 mba hahatonga anao ho very saina noho izay zava-mitranga hitanao.
\v 35 Yaveh hamely anao amin'ny vay mahery eo amin'ny lohalika sy tongotra ary tsy ho sitrana amin'izany ianao, hatrany amin'ny faladianao ka hatrany amin'ny tampon-dohanao.
\s5
\v 36 Yaveh hitondra anao sy ny mpanjaka izay hapetrakao ho an'ny tenanao ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao; hanompo ireo andriamanin-kafa hazo sy vato ao ianao.
\v 37 Ho lasa loharanon'ny horohoro, ohabolana, ary oha-pitenenenana, eo amin'ireo vahoaka rehetra izay handroahan'i Yaveh anao ianao.
\s5
\v 38 Hamboly voa betsaka eo an-tsaha ianao, kanefa voa kely no ho hangoninao ao, satria ireo valala dia handany izany.
\v 39 Hanao tanim-boaloboka ianao ary hamboly amin'ireo, nefa tsy mba hisotro amin'ny divay, na hanangona ireo voaloboka akory, satria ireo kankana no hihinana ireo.
\s5
\v 40 Hanana hazon'oliva ao anatin'ny faritaninao rehetra ianao, nefa tsy hanosotra ny menaka amin'ny tenanao, satria ireo hazon'olivanao hanintsana ireo voany.
\v 41 Hanan-janaka lahy sy zanaka vavy ianao, nefa tsy hijanona ho anao izy ireo, fa ho lasa any amin'ny fahababoana.
\s5
\v 42 Ireo hazonao rehetra ary ny vokatry ny taninao— ireo valala no handany izany.
\v 43 Ny vahiny izay eo aminao dia hisandratra avo dia avo amboninao; ianao tenanao dia hidina ambany dia ambany.
\v 44 Hampisambotra anao izy, nefa ianao tsy hampisambotra azy; ho lohany izy, fa ianao kosa ho rambony.
\s5
\v 45 Ireo ozona rehetra ireo dia ho tonga aminao sy hanenjika ary hahatratra anao mandra-paharingana anao. Hitranga izany satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary tsy nitandrina ireo didiny sy ireo fitsipiny izay nandidiany anao.
\v 46 Ireo ozona ireo ho aminao ho famantarana sy fahagagana, ary ho amin'ny taranakao mandrakizay.
\s5
\v 47 Satria ianao tsy nanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tamim-kafaliana sy fifalian'ny fo rehefa tao anatin'ny fanambinana ianao,
\v 48 noho izany dia hanompo an'ireo fahavalo izay halefan'Andriamanitra hanohitra anao ianao; hanompo azy ireo amin'ny hanoanana, amin'ny hetaheta, amim-pitanjahana, ary amim-pahantrana ianao. Hametraka zioga vy eo am-bozonao mandra-pandringanany anao izy.
\s5
\v 49 Yaveh dia hitondra firenena hanohitra anao avy lavitra, avy any amin'ny faran'ny tany, tahaka ny voromahery manidina ho amin'ny hazany, firenena izay tsy azonao ny fiteniny;
\v 50 firenena masiaka endrika izay tsy manaja ny zokiolona ary tsy maneho sitraka an'ireo tanora.
\v 51 Hihinana ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharingana anao izy ireo. Tsy hamela voa ho anare, divay vaovao, na diloilo, ny zanaky ny biby fiompinao na ny an'ny ondry aman'osinao izy ireo, mandra-pahafatiny anao.
\s5
\v 52 Hanao fahirano anao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy ireo, mandra-pianjeran'ireo rindrinao avo sy mafy rehetra ao an-tanànanao, ireo rindrina izay nitokisanao. Hanao fahirano anao ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao rehetra manerana ny tany rehetra izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao izy ireo.
\v 53 Hihinana ny vokatry ny vatanao ihany, ny nofon'ireo zanakao lahy sy ny an'ireo zanakao vavy, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, eo amin'ny fahirano sy eo amin'ny fahoriana izay ho ataon'ireo fahavalonao eo aminao.
\s5
\v 54 Ny lehilahy izay marefo sy tena malefaka eo aminareo—dia hialona ny rahalahiny sy ny vady malalany, ary ireo zanaka rehetra nilaozany izy.
\v 55 Ka tsy hanome na amin'ny iray amin'izy ireo ny nofon'ny zanany izay ho haniny izy, satria tsy hanana na inona na inona tavela ho an'ny tenany amin'ny fahirano sy amin'ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy.
\s5
\v 56 Ny vehivavy marefo sy malefaka eo aminao, izay tsy sahy mametraka ny faladian-tongony amin'ny tany nohon'ny faharefoana sy fahalefahana— dia hialona ny vady malalany ihany izy, ny zanany lahy, sy ny zanany vavy,
\v 57 ary ny zanany vao teraka izay mivoaka avy ao anelanelan'ny tongony, sy ireo zanaka izay haterany. Hihinana azy ireo mangingina izy nohon'ny tsy fisian-javatra hafa, mandritra ny fahirano sy ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao.
\s5
\v 58 Raha tsy mitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izay voasoratra ao amin'ity boky ity izao ianao, ary tsy manaja ity anarana be voninahitra sy mampahatahotra ity, Yaveh Andriamanitrao,
\v 59 dia ho ataon'i Yaveh mahatsiravina ny areti-mandringanao, sy ny an'ireo taranakao; ho areti-mandoza ireo, izay maharitra ela, ary aretina mahery, maharitra ela.
\s5
\v 60 Ho entiny aminao indray ireo aretin'i Egypta rehetra izay natahoranao; hifikitra aminao ireo.
\v 61 Ny aretina sy ny areti-mandringana rehetra izay tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ity lalàna ity ihany koa, ireo ihany koa dia ho entin'i Yaveh aminao mandra-paharingana anao.
\v 62 Avela ho kely an'isa ianareo, na dia tahaka ireo kintan'ny lanitra aza ny isanareo, satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo.
\s5
\v 63 Tahaka ny nifalian'i Yaveh taminareo tany taloha tamin'ny fanaovana ny tsara ho anareo, sy tamin'ny fampitomboana anareo, no hifaliany aminareo amin'ny famonoana anareo sy amin'ny fandringanana anareo. Hongotana amin'ny tany izay andehananao mba hatao fananana ianareo.
\v 64 Yaveh dia hampiely anao eo amin'ireo vahoaka rehetra eny amin'ny faran'ny tany iray ka hatrany amin'ny farany hafan'ny tany; any ianao dia hanompo ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao, ireo andriamanitra hazo sy vato.
\s5
\v 65 Any amin'ireo firenena ireo dia tsy hahita fitoniana ianao, ary tsy hisy fitsaharana ho an'ireo faladian-tongotrao; fa kosa, homen'i Yaveh fo tora-kovitra, maso mitanondrika, ary fanahy izay malahelo ianao any.
\v 66 Hihantona amin'ny ahiahy eo anatrehanao ny fiainanao; hatahotra isan-kalina sy isan'andro ianao ary tsy hahazo antoka ny fiainanao akory.
\s5
\v 67 Amin'ny maraina dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho hariva izao!' ary amin'ny hariva dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho maraina izao!' nohon'ny tahotra ao am-ponao sy ireo zavatra izay ho hitan'ireo masonao.
\v 68 Yaveh hitondra anao indray any Egypta amin'ny sambo, amin'ny lalana izay nolazaiko taminao hoe: 'Tsy hahita an'i Egypta intsony ianao.' Hanolotra ny tenanareo ho varotra any amin'ireo fahavalonareo toy ny mpanompo lahy sy vavy ianareo, nefa tsy hisy na iza na iza hividy anareo."
\s5
\c 29
\p
\v 1 Ireto ny teny izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ho lazaina amin'ny vahoakan'Israely tany amin'ny tany Moaba, teny izay nanampiana ny fanekena izay nataony tamin'izy ireo tao Horeba.
\s5
\v 2 Nantsoin'i Mosesy ny vahoakan'Israely rehetra ka hoy izy tamin'izy ireo: "Efa hitanareo izay rehetra nataon'i Yaveh tamin'i Farao teo anoloan'ny masonao tany amin'ny tany Egypta, dia tamin'ireo mpanompony rahetra, sy tamin'ny taniny rehetra—
\v 3 ireo fahoriana lehibe izay hitan'ny masonao, ireo famantarana, ary ireo fahagagana lehibe.
\v 4 Fa hatramin'ny anio dia tsy nanome fo hahafantarana, maso hahitana, sofina handrenesana ho anareo Yaveh.
\s5
\v 5 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an'efitra, tsy niala taminareo ny akanjonareo, ary tsy niala teo an-tongotrao ny kapanao.
\v 6 Tsy nihinana mofo ianareo, tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa, mba hahafantaranareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo.
\s5
\v 7 Raha tonga tamin'ity toerana ity ianareo, dia nivoaka mba hiady amintsika, i Sihona, ilay mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, ilay mpanjakan'i Basana, dia lavontsika izy ireo.
\v 8 Nalaintsika ireo taniny ary nomentsika ho lovan'ireo Robenita, sy Gadita, ary ho an'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase izany.
\v 9 Noho izany tandremo ireo tenin'ity fanekena ity ary ataovy izany, mba ho hambinina amin'izay rehetra hataonareo anie ianareo.
\s5
\v 10 Mijoro ianareo androany, ianareo rehetra, eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo; ireo lehibenareo, ireo fokonareo, ireo loholonareo, ary ireo manam-boninahitrareo—ireo lehilahin'i Israely rehetra,
\v 11 ireo zaza madinikareo, ireo vadinareo, ary ny vahiny izay ao aminao ao amin'ny tobinao, na izay manapaka ny hazonao hatramin'izay mantsaka ny ranonao.
\s5
\v 12 Tonga eto ianao mba hiditra amin'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrao sy amin'ny fianianana izay hataon'i Yaveh Andriamanitrao aminao ani,
\v 13 ka hahatonga anao ho vahoakany Izy, ary Izy ho Andriamanitrao, arak'izay nolazainy taminao, sy arak'izay nianianany tamin'ny razanao, tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba.
\s5
\v 14 Fa tsy aminareo ihany no hanaovako izao fanekena sy fianianana izao—
\v 15 dia amin'izay rehetra mitsangana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitsika miaraka amintsika eto anio—fa amin'ireo izay tsy miaraka amitsika eto anio ihany ko.
\v 16 Fantatrareo ny fomba niainantsika tany amin'ny tany Egypta, ary ny fomba namakivakisantsika ireo firenena izay nolalovanareo.
\s5
\v 17 Efa hitananareo ireo zava-maharikorikon'izy ireo: dia ireo sampy hazo sy ireo sampy vatony, volafotsy sy volamena, izay teo amin'izy ireo.
\v 18 Aoka tsy hisy eo aminareo na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko izay mivily miala amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fony anio, ka handeha hanompo ny andriamanitr'ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy faka mamokatra zava-mangidy sy zava-mahafaty eo aminareo.
\v 19 Koa raha ren'izany olona izany ireo tenin'ity fanozonana ity, dia hitso-drano ny tenany ao am-pony izy ka hanao hoe: 'Hanam-piadanana aho, na dia mandeha araka ny ditran'ny foko aza.' Izany dia haharingana ny lena miaraka amin'ny maina.
\s5
\v 20 Ary tsy hamela azy Yaveh, fa kosa, hirehitra amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony, ary ho tonga aminy ny ozona rehetra izay voasoratra anatin'ity boky ity, ary ho fafan'i Yaveh tsy ho eo ambany lanitra ny anarany.
\v 21 Ary hatokan'i Yaveh ho eny ivelan'ny fokon' Israely rehetra amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay vaosoratra anatin'ity bokin'ny lalàna ity.
\s5
\v 22 Ny taranaka ho avy, dia ireo zanaka izay handimby anareo, ary ny vahiny izay avy amin'ny tany lavitra, dia hiteny rehefa hitan'izy ireo ny areti-mandringana amin'ity tany ity sy ireo aretina izay nampahararian'i Yaveh izany—
\v 23 Ary rehefa hitan'izy ireo fa tonga solifara sy sira mirehitra ny tany manontolo, izay tsy namafazana na inona na inona na namoha voa, izay tsy misy zava-maniry, tahaka ny naharava an'i Sodoma sy Gomoro, Adma sy Jeboima, izay noravan'i Yaveh tamin'ny fahavinirany sy fahatezerany—
\v 24 dia hiara-hilaza amin'ny firenen-kafa rehetra izy ireo hoe: "Nahoana no nanao izao tamin'ity tany ity i Yaveh? Inona no hevitr'izao firehetan'ny fahatezerana lehibe izao?'
\s5
\v 25 Ary hiteny ireo vahoaka hoe: "Izao no izy satria tsy nanaraka ny faneken'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo, izay nataony tamin'izy ireo tamin'ny nitondrany azy ireo nivoaka ny tany Egypta,
\v 26 ary satria izy ireo nandeha nanompo andriamani-kafa sady niankohoka tamin'izany izy ireo, dia ireo andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo ary tsy nomeny ho azy ireo akory.
\s5
\v 27 Noho izany ny fahatezeran'Andriamanitra dia narehitra tamin'ity tany ity, ka tonga teo aminy ireo ozona rehetra izay voasoratra tamin'ity boky ity.
\v 28 Ary nofongoran'i Yaveh tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fahavinirana, ary tamin'ny fahasosorana lehibe, tsy ho amin'ny taniny izy ireo, ary nariany tany amin'ny tany hafa, mandrak'androany."
\s5
\v 29 Ireo zava-miafina dia an'i Yaveh Andriamanitsika irery ihany; fa ny zavatra ambara kosa dia natao ho antsika sy ireo taranatsika mandrakizay, mba hahafahantsika manatanteraka ny teny rehetran'ity lalàna ity.
\s5
\c 30
\p
\v 1 Rehefa tonga eo aminao izao zavatra rehetra izao, ireo fitahiana sy ireo ozona izay napetrako teo anolonao, ary rehefa mahatsiaro azy ireo ianao eo amin'ireo firenena hafa rehetra izay nitondran'i Yaveh Andriamanitrao anao,
\v 2 ary rehefa miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao ka makanto ny feony, manaraka izay rehetra handidiako anao izao— ianao sy ireo zanakao— amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo,
\v 3 dia hanova ny fahababonao sy hanana famindram-po aminao i Yaveh Andriamanitrao; hiverina izy ary hanangona anao amin'ireo olona rehetra izay naparitak'i Yaveh Andriamanitrao.
\s5
\v 4 Raha misy iray amin'ireo olonao natao sesitany any amin'ireo toerana lavitra indrindra ambanin'ny lanitra, any amin'izany no hanangonan'i Yaveh Andriamanitrao anao, ary any amin'izany no hitondrany anao.
\v 5 Yaveh Andriamanitrao hitondra anao amin'ny tany izay nananan'ny razambenao, ka ho lasa fanananao indray izany; hanao soa anao izy ary hampitombo anao mihoatra noho ny nataony tamin'ireo razambenao.
\s5
\v 6 Ho forain'i Yaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon'ireo taranakao, ka ho tiavinao amin'ny fonao manontolo sy amin'ny fanahinao manontolo i Yaveh Andriamanitrao, mba ho velona ianao.
\v 7 Yaveh Andriamanitrao dia hametraka ireo ozona rehetra ireo eo amin'ireo fahavalonao sy eo amin'ireo mankahala anao, ireo izay nanenjika anao.
\v 8 Hiverina sy hankato ny feon'i Yaveh ianao, ary hanao ireo didiny rehetra izay handidiako anao izao.
\s5
\v 9 Hampahomby anao i Yaveh Andriamanitrao amin'ny asan'ny tananao rehetra, amin'ny vokatry ny tenanao, sy amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, ho fandrosoana; fa i Yaveh hifaly aminao indray nohon'ny fandrosoana, toy ny nifaliany tamin'ireo rainao.
\v 10 Hanao izany izy raha hankato ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, mba hitandrina ireo didiny sy ireo fitsipika izay voasoratra tao amin'izany bokin'ny lalàna izany, raha miverina amin'i Yaveh Andriamanitrao ianao amin'ny fon sy fanahinao manontolo.
\s5
\v 11 Fa ity didy izay handidiako anao izao ity dia tsy mafy loatra aminao, na lavitra loatra ny hanakaranao azy.
\v 12 Tsy any an-danitra izany, ka tokony hiteny ianao hoe: 'Iza no hiakatra any an-danitra ho antsika sy hitondra izany midina aty amintsika ary manome fahafahana antsika handre izany, mba hanaovantsika izany?'
\s5
\v 13 Tsy any ampitan-dranomasina izany, ka tokony hiteny ianao hoe: 'Iza no hiampita ny ranomasina ho antsika sy hitondra izany amintsika ary mampandre izany antsika, mba hanaovantsika izany?'
\v 14 Fa efa akaikinao ny teny, ao amin'ny vavanao sy ny fonao, mba hahafahanao manao izany.
\s5
\v 15 Indro, nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny tsara, ary ny fahafatesana sy ratsy ankehitriny.
\v 16 Raha mankato ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, izay handidiako anao ankehitriny mba hitia an'i Yaveh Andriamanitrao, handeha amin'ireo lalany, ary hitandrina ireo didiny, ireo fitsipiny, sy ireo lalàny, dia ho velona sy hitombo ianao, ary Yaveh Andriamanitrao hitahy anao any amin'ny tany izay hidiranao ho fanananao.
\s5
\v 17 Fa raha mivily lalana ny fonao, ary tsy mihaino ianao fa kosa voasarika lavitra sy miankohoka amin'ireo andriamanitra hafa ary manompo azy ireo,
\v 18 dia ambarako anao ankehitriny fa ho faty ianao; tsy hanalava ireo andronareo ianareo any amin'ny tany izay hitànao an'i Jordana mba hidirana sy ho fananana.
\s5
\v 19 Miantso ny lanitra sy tany aho mba ho vavolombelona manohitra anao ankehitriny izay efa napetrako teo anoloanao dia ny fiainana sy ny fahafatesana, ireo fitahiana sy ireo ozona; noho izany fidio ny fiainana mba ho velona, ianao sy ireo taranakao.
\v 20 Ataovy izany mba ho fitiavana an'i Yaveh Andriamanitrao, mba hankatoavana ny feony, ary hifikirana aminy. Satria Izy no fiainanao sy halavan'ireo andronao; ataovy izany mba hiainanao any amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razambenao, tamin'i Abrahama, Isaka, sy i Jakoba mba homena azy ireo."
\s5
\c 31
\p
\v 1 Mosesy nandeha ary niteny ireo teny ireo tamin'i Israely rehetra.
\v 2 Hoy izy tamin'izy ireo: "Roapolo amby zato taona aho ankehitriny; tsy afaka mandeha mivoaka sy miditra intsony aho; hoy Yaveh tamiko hoe: 'Tsy hita an'i Jordana ianao.'
\v 3 Yaveh Andriamanitrao, dia handeha manoloana anao; hamotika ireo firenena eo anoloanao Izy, ka ho azonao ireny. Josoa, handeha eo anoloanao izy, araka izay nolazain'i Yaveh.
\s5
\v 4 Yaveh dia hanao amin'izy ireny toy izay nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ireo Amorita, sy amin'ireo tanin'izy ireo, izay nosimbainy.
\v 5 Yaveh dia hanome fandresenareo azy ireo rehefa miady ianareo, ka hanao izay rehetra nandidiako anareo amin'izy ireo ianareo.
\v 6 Matanjaha ary mahereza tsara, aza matahotra, ary aza raiki-tahotra azy ireo; satria Yaveh Andriamanitrao, Izy izay mandeha miaraka aminao; tsy hanary anao na koa hahafoy anao Izy."
\s5
\v 7 Niantso an'i Josoa i Mosesy ary niteny taminy teo imason'Israely rehetra hoe: "Matanjaha ary mahereza tsara, satria handeha hiaraka amin'ireo vahoaka ireo any amin'ny tany izay nampanantenain'i Yaveh tamin'ny razan'izy ireo fa homeny azy ireo ianao; hahatonga azy ireo handova izany ianao.
\v 8 Yaveh, Izy no handeha eo anoloanao; hiaraka aminao Izy; tsy hanary anao na hahafoy anao Izy; aza matahotra, aza kivy."
\s5
\v 9 Nanoratra izany lalàna izany i Mosesy ary nanome izany an'ireo mpisorona, ireo zanak'i Levy, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh; nanome dika mitovy amin'izany an'ireo loholon'Israely rehetra ihany koa izy.
\v 10 Nandidy azy ireo Mosesy ary niteny hoe: "Isaky ny faran'ny fito taona, amin'ny fotoana voatondro amin'ny fanafoanana ireo trosa, mandritry ny Firavoravoan'ny Fialofana,
\v 11 rehefa tonga hiseho eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'ny toerana izay safidiany ho fitoerany masina ny Israely rehetra, dia hamaky io lalàna io manoloana an'Israely rehetra eo an-tsofin'izy ireo ianao.
\s5
\v 12 Vorio ny olona, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, ary ny vahininao izay ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao, mba ho afaka handre sy hianatra izy ireo, ary mba ho afaka hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo sy hitandrina ny teny rehetra amin'io lalàna io izy ireo.
\v 13 Ataovy izany mba ho afaka handre sy hianatra hanome voninahitra an'i Yaveh Andriamanitrareo, ny zanak'izy ireo, izay tsy mahafantatra, raha mbola mipetraka ao amin'ny tany izay hitànareo ho any Jordana ho fanananareo ianareo.
\s5
\v 14 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Indro, ho avy ny andro izay tsy maintsy hahafatesanao; antsoy Josoa ary manolora tena ao amin'ny lay fihaonana, mba hahafahako manome baiko azy." Dia nandeha Mosesy sy Josoa ary nanolotra ny tenan'izy ireo tao amin'ny lay fihaonana.
\v 15 Niseho tao amin'ny lay tamin'ny andry rahona i Yaveh; ny andrin-drahona nitsangana teo amin'ny varavaran'ny lay.
\s5
\v 16 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Indro, hiara-handry amin'ireo razanao ianao; io vahoaka io dia hitsangana ka hanao tahaka ny mpijangajanga manaraka andriamanitra hafa izay eo amin'izy ireo ao amin'ny tany izay handehanan'izy ireo. Hahafoy Ahy izy ireo ary handrava ny fanekeko izay nataoko tamin'izy ireo.
\s5
\v 17 Ary, amin'io andro io, dia hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako ary handao azy ireo Aho. Hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho ka ho levona izy ireo. Aretina maro sy korontana no ho hitan'izy ireo mba hiteny toy izao izy ireo amin'io andro io hoe: 'Tsy tonga eto anivontsika ve ireo aretina ireo satria tsy eto afovoantsika ny Andriamanitsika?'
\v 18 Hanafina ny tavako amin'izy ireo tokoa Aho amin'io andro io nohon'ny ratsy rehetra izay nataon'izy ireo, satria nitodika tany amin'ireo andriamani-kafa izy ireo.
\s5
\v 19 Ankehitriny ary dia soraty ho an'ny tenanareo ity hira ity ary ampianaro ny vahoakan'Israely izany. Ataovy ao am-bavan'izy ireo izany, ka mety ho fijoroana vavolombelona ho Ahy amin'ireo vahoakan'Israely izany hira izany.
\v 20 Satria rehefa hitondra azy ireo any amin'ny tany izay nampanantenaiko homena ireo razamben'izy ireo Aho, tany izay tondra-dronono sy tantely, ary rehefa avy nihinana ka voky sy afa-po izy ireo, dia hitodika any amin'ireo andriamani-kafa sy hanompo azy ireo ary hanao tsinontsinona Ahy sy handrava ny fanekeko.
\s5
\v 21 Rehefa tonga eo anivon'io vahoaka io ny ratsy sy ny korontana maro, dia ho vavolombelona eo anatrehan'izy ireo io hira io (satria tsy ho adino eo ambavan'ireo taranak'izy ireo izany). Satria fantatro ny tetikasa izay foronin'izy ireo ankehitriny, na dia nentiko tany amin'ny tany izay nampanantenaiko azy ireo aza izy ireo."
\s5
\v 22 Noho izany dia nanoratra io hira io tamin'io andro io ihany i Mosesy ary nampianatra izany an'ireo vahoakan'Israely.
\v 23 Nanome didy an'i Josoa zanaka lahin'i Nona i Yaveh nanao hoe: "Matanjaha ary mahereza tsara; satria ianao no hitondra ny vahoakan'Israely ao amin'ny tany izay nampanantenaiko azy ireo, ary hiaraka aminao Aho."
\s5
\v 24 Izao no niseho rehefa nahavita nanoratra ireo tenin'ny lalàna tao anaty boky i Mosesy,
\v 25 fa handidy an'ireo Levita izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Yaveh izy, manao hoe:
\v 26 "Raiso ity bokin'ny lalàna ity ary apetraho eo ankilan'ny fiaran'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrareo, mba ho eo tahaka ny vavolombelona manohitra anao izany.
\s5
\v 27 Satria fantatro ny fikomianareo sy ny fahamafisan-dohanareo; indro, raha mbola velona miaraka aminareo aho androany, dia mpikomy manohitra an'i Yaveh ianareo; mainka fa rehefa maty aho?
\v 28 Vorio eto amiko ireo loholon'ny fokonareo rehetra, sy ireo manam-boninahitra, mba hahafahako miteny ireo teny ireo eo an-tsofin'izy ireo sy miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona manohitra azy ireo.
\v 29 Satria fantatro fa aorian'ny hahafatesako ianareo dia hamitaka ny tenanareo tokoa ka hiala amin'ny lalana izay nandidiako anareo; ho avy aminareo ny aretina amin'ny andro manaraka izany. Hiseho izany satria hanao izay ratsy eo imason'i Yaveh ianareo, izay hahatonga Azy ho tezitra amin'ireo asan'ny tananareo."
\s5
\v 30 Dia nolazain'i Mosesy teo an-tsofin'ireo vahoakan'Israely rehetra ny tonon'izany hira izany mandrapa-tapitrany.
\s5
\c 32
\p
\v 1 Mihainoa, ry lanitra, ary avelao aho hiteny. Aoka ny tany hihaino ny tenin'ny vavako.
\v 2 Aoka ny fampianarako hilatsaka toy ny ranon'orana, aoka ny teny halahatro hiraraka toy ny ando, ho toy orana manify amin'ny ahi-maitso, sy ho toy ny oram-be amin'ny zava-maniry.
\s5
\v 3 Fa hitory ny anaran'i Yaveh aho, ary hanaiky ny fahalehibiazan'ny Andriamanitsika.
\v 4 Ilay Vatolampy, tanteraka ny asany; fa marina avokoa ny lalany rehetra. Izy ilay Andriamanitra mahatoky, izay tsy misy heloka. Marina sy mahitsy Izy.
\s5
\v 5 Nanao ratsy nanohitra azy izy ireo. Tsy mba zanany izy ireo. Fahafaham-baraka ho azy ireo izany. Taranaka simba toetra sy meloka izy ireo.
\v 6 Izany ve no fomba hamalianao fitia an'i Yaveh, ry vahoaka adala sy tsy misy saina? Tsy rainao ve izy, ilay iray izay nahary anao? Nanao sy nanorina anao Izy.
\s5
\v 7 Avereno ao an-tsainao ireo andron'ny fotoana fahiny, saino ny taona maro efa lasa. Anontanio ny rainao ary dia hasehony anao, ireo loholonao ary dia ho lazain'izy ireo aminao.
\v 8 Tamin'ny nanomezan'Ilay Avo Indrindra an'ireo firenena ny lovan'izy ireo—tamin'ny nizarany ny olombelona rehetra, ary ny nametrahany ny faritanin'ny vahoaka, ary ny namerany ny isan'ireo andriamaniny ihany koa.
\s5
\v 9 Fa ny anjaran'i Yaveh dia ireo vahoakany; Jakoba no zara lovany.
\v 10 Hitany tany amin'ny tany efitra izy, sy tany amin'ny tany efitra lao sy tsy mamokatra; niaro sy nikarakara azy Izy, niambina azy toy ny anakandriamasony Izy.
\s5
\v 11 Toy ny voromahery izay miambina ny ankaniny sy manidintsidina eo ambonin'ireo zanany, namelatra ny elany Yaveh ary naka azy ireo, ary nentiny teny ambonin'ny elany izy ireo.
\v 12 Yaveh irery no nitarika azy; tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.
\s5
\v 13 Nampandeha azy teny amin'ireo toerana avon'ny tany Izy, ary namahana azy ny vokatry ny saha; namelona azy tamin'ny tantely avy amin'ny vatolampy izy, ary menaka tamin'ny harambato afovato.
\s5
\v 14 Nihinana hero-dronono avy amin'ny omby sy nisotro ronono avy amin'ireo ondry aman'osy izy, niaraka tamin'ny tavin'ny zanak'ondry, ondry lahin'ny Basana sy ireo osy lahy, niaraka tamin'ny varim-bazaha tsara indrindra— ary nisotro divay mandroatra avy tamin'ny ranom-boaloboka ianao.
\s5
\v 15 Fa nihanatavy Jesorona ka nitsipaka— nihanatavy ianao, tena natavy loatra ianao, ary nihinana izay nahavoky anao—nahafoy an'Andriamanitra izay nanao azy izy, ary nolaviny ny Vatolampin'ny famonjeny.
\v 16 Nanai izay nahasaro-piaro an'i Yaveh tamin'ireo andriamanin-kafa izy ireo; tamin'ireo zava-betavetany no nampahatezerany azy.
\s5
\v 17 Nanao sorona tamin'ny demonia izy ireo, izay tsy Andriamanitra— andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo, andriamanitra izay vao niseho, andriamanitra izay tsy natahoran'ireo razambenareo.
\v 18 Nataonao foana ny Vatolampy, izay efa tonga rainao, ary nohadinoinao ilay Andriamanitra izay niteraka anao.
\s5
\v 19 Hitan'i Yaveh izany ka nafoiny izy ireo, satria nihantsy Azy ny zanany lahy sy vavy.
\v 20 Hoy Izy hoe: "hanafina ny tavako amin'izy ireo Aho," "ary ho hitako eo izay hiafaran'izy ireo; fa taranaka mpivadika izy ireo, zanaka izay tsy mahatoky.
\s5
\v 21 Nanao izay nahasaro-piaro Ahy tamin'izay tsy andriamanitra izy ireo ary nampahatezitra ahy tamin'ireo zava-poany. Izaho hampialona azy ireo amin'izay tsy vahoaka; hampahatezitra azy ireo amin'ny firenena adala Aho.
\s5
\v 22 Fa nirehitra ny afo nohon'ny fahatezerako ary mandoro hatrany amin'ny fiainan-tsy-hita ambany indrindra; mandevona ny tany sy ny vokatra ao aminy izany; mampirehitra ireo fototry ny tendrombohitra izany.
\s5
\v 23 Hampivangongo loza eo amin'izy ireo Aho; hitifitra azy ireo amin'ny zana-tsipìkako rehetra Aho;
\v 24 Ho fatin'ny hanoanana izy ireo ary ho levonin'ny hafanana mahamay sy fandravana mafaitra; Halefako ho eo amin'izy ireo koa ny nifin'ireo bibidia, miaraka amin'ny poizin'ny biby mandady amin'ny vovoka.
\s5
\v 25 Hampahory any ivelany ny sabatra, ary hanao tahaka izany koa ny fampihorohoroana ao amin'ny efitra fatoriana. Handringana ny tovolahy sy ny virijiny izany, ny zaza minono, ary ny lehilahy fotsy volo.
\v 26 Fa efa nolazaiko fa hampiely azy ireo lavitra Aho, ary hatsahatro tsy ho eo amin'ny olombelona ny fahatsiarovana azy ireo.
\s5
\v 27 Raha tsy nohon'ny fahatahorako ny fiantsian'ny fahavalo, sy ny tsy hitsaran'ireo fahavalony azy ireo diso, ka hitenenan'izy ireo hoe: 'Misandratra ny tananay,' dia nataoko avokoa ireo rehetra ireo.
\s5
\v 28 Fa firenena tsy hahitam-pahendrena Israely, ary tsy misy fahazavan-tsaina ao aminy.
\v 29 Indrisy, raha mba hendry izy ireo, ka afaka nahatakatra izany, ka afaka nandinika izay hiafarany!
\s5
\v 30 Ataon'ny iray ahoana ny hanenjika arivo, na ny roa hampandositra iray alina, raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, ary Yaveh no efa nahafoy azy ireo?
\v 31 Fa ny vatolampin'ireo fahavalontsika dia tsy mitovy amin'ny Vatolampintsika, araka izay efa eken'ny fahavalontsika.
\s5
\v 32 Fa ny voalobony dia avy amin'ny voalobok'i Sodoma, ary avy amin'ireo sahan'i Gomora; voaloboka misy poizina ny voalobony; ary mangidy ireo sampany.
\s5
\v 33 Poizin'ny menarana ny divain'izy ireo ary poizi-mandozaben'ny menarana.
\v 34 Tsy fikasana miafina notehiriziko ve izany, voaisy tombo-kase tao an-trano fitoeran-drakitro?
\s5
\v 35 Ahy ny famaliana, sy ny fampanodiavana, amin'ny fotoana hahasolafaka ny tongotr'izy ireo; fa antomotra ny andro hahitan'izy ireo loza, ary hitranga faingana ireo zavatra voatendry ho azy ireo"
\s5
\v 36 Satria Yaveh dia hanome rariny ny olony, ary hamindra fo amin'ireo mpanompony Izy. Ho hitany fa tsy manan-kery izy ireo, ary tsy nisy tafajanona, na ireo andevo na ny olon'afaka.
\s5
\v 37 Dia hiteny Izy hoe: "aiza ireo andriamaniny, ny vatolampy izay nialofan'izy ireo? —
\v 38 Ireo andriamanitra izay nihinana ny tavin'ireo sorona nataony sy nisotro ny divaim-panatitra ahidin'izy ireo? Aoka izy ireo hitsangana ka hanampy anareo; aoka izy ireo ho fiarovanareo.
\s5
\v 39 Jereo ankehitriny fa Izaho, dia Izaho, ihany no Andriamanitra, ary tsy misy andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no mahafaty, ary Izaho no mahavelona; Izaho no mandratra, ary Izaho no manasitrana, ary tsy misy hafa afaka hamonjy anao amin'ny heriko.
\v 40 Eny manandratra ny tanako ho amin'ny lanitra Aho ary miteny hoe: 'Satria velona mandrakizay Aho, dia hiasa.
\s5
\v 41 Rehefa mandranitra ny sabatro manjelatra Aho, ary rehefa manomboka mitondra ny rariny ny tanako, dia hamaly ireo fahavaloko Aho, ary hovaliako ireo izay nankahala Ahy.
\s5
\v 42 Hataoko mamon-drà ny zana-tsipìkako, ary ny sabatro hihinana nofo miaraka amin'ny ràn'ireo voavono sy ireo babo, ary hatramin'ny lohan'ireo mpitarika ny fahavalo."'
\s5
\v 43 Miravoravoa, ianareo ry firenena, miaraka amin'ny vahoakan'Andriamanitra, fa hamaly ny ràn'ny mpanompony Izy; hamaly faty ireo fahavalony Izy, fa hanao fanavotana ho an'ny taniny Izy, dia ho an'ny olony.
\s5
\v 44 Ary tonga Mosesy ka nitanisa ny teny rehetran'izany fihirana izany teo an-tsofin'ireo vahoaka, izy, sy Hosea zanaka lahin'i Nona.
\v 45 Ary tapitra voatanisan'i Mosesy tamin'Israely manontolo izany teny rehetra izany.
\s5
\v 46 Ary hoy Izy tamin'izy ireo: 'Hafantohy ao an-tsainareo ireo teny rehetra izay nijoroako vavolombelona taminareo androany, mba handidianareo ny zanakareo hitandrina an'izany, ny teny rehetra an'ity lalana ity.
\v 47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, satria fiainanareo, fa amin'izany zavatra izany no hahalava ny andronao amin'ilay tany izay hiampitanao an'i Jordana ho fanananao."
\s5
\v 48 Niresaka tamin'i Mosesy Yaveh tamin'io andro io ihany ka niteny hoe:
\v 49 "Mandehana miakatra amin'ireo tendrombohotr'i Abarima, miakatra hatrany an-tendrombohitra Nebo, izay any amin'ny tanin'i Moaba, tandrifin'i Jeriko. Hitazana ny tany Kanana, izay homeko ireo zanak'Israely ho fananany ianao.
\s5
\v 50 Ho faty eo amin'ny tendrombohitra izay hiakaranao ianao, ary ho voahangona eo amin'ireo vahoakanao, tahaka ny nahafatesan'i Arona Israelita namanao tany an-tendrombohitra Hora ka nahangona teo amin'ireo vahoakany.
\v 51 Izany no hiseho satria ianao dia tsy nahatoky Ahy teo anatrehan'ireo vahoakan'Israely tany amin'ny ranon'i Meriba tany Kadesy, tany an'efitr'i Zina; satria ianao tsy nitondra Ahy tamim-boninahitra sy tamim-panajana teo anatrehan'ireo vahoakan'Israely.
\v 52 Fa ho hitanao eo anoloanao ny tany, kanefa tsy handeha any ianao, any amin'ny tany izay homeko ny vahoakan'Israely."
\s5
\c 33
\p
\v 1 Izao no tso-drano nataon'i Mosesy lehilahin'Andriamanitra tamin'ny vahoakan'Israely talohan'ny nahafatesany.
\v 2 Hoy izy hoe: Avy tao Sinay i Yaveh ary niposaka avy tao Seira teo ambonin'izy ireo. Namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Parana Izy, ary tonga niaraka tamin'ireo anjely masina iray alina. Tselatra no teo an-tanany havanana.
\s5
\v 3 Eny, tia an'ireo vahoaka Izy, ireo anjeliny masina rehetra dia eo an-tananao avokoa, ary miankohoka eo an-tongotrao izy ireo; nandray ny teninao izy ireo.
\v 4 Nandidy lalàna iray ho antsika i Mosesy, dia lova iray ho an'ny fiangonan'i Jakoba
\s5
\v 5 Dia nisy mpanjaka tao Jesorona, rehefa nivory ireo loholon'ny vahoaka, ireo fokon'i Israely rehetra miaraka.
\v 6 Aoka ho velona Robena ka tsy ho faty, nefa ho vitsy anie ireo olony.
\s5
\v 7 Izao no tso-drano ho an'i Joda. Hoy Mosesy hoe: Henoy, ry Yaveh, ny feon'i Joda, ka ento eo amin'ny olony indray izy. Miadià ho azy; meteza ho fanampiana manohitra an'ireo fahavalony.
\s5
\v 8 Momba an'i Levy kosa, dia hoy Mosesy hoe: Ny Tomimanao sy ny Orimanao dia an'ny olonao tsy mivadika, dia izay nizahanao toetra tao Masa, izay nifamalianao tao amin'ny ranon'i Meriba.
\s5
\v 9 Ilay lehilahy izay nilaza momba ny rainy sy ny reniny hoe: "Tsy nahita azy ireo aho." Tsy nekeny na dia ireo rahalahiny aza, ary tsy noheveriny ireo zanany. Fa nitandrina ny teninao izy, ka nitàna ny fanekenao.
\s5
\v 10 Nampianatra an'i Jakoba ny didinao Izy ary Israely ny lalànao. Hametraka dinti-kazo manitra eo anoloanao izy sy ny fanatitra dorana rehetra eo ambonin'ny alitaranao.
\s5
\v 11 Tahio, ry Yaveh, ireo fananany, ary ekeo ny asan'ny tanany. Torotoroy ny valahan'izay mitsangana hanohitra azy, sy ny an'ireo olona izay mankahala azy, mba tsy ho tafatsangana indray izy ireo.
\s5
\v 12 Ny amin'i Benjamina, dia hoy Mosesy hoe: Ilay malalan'i Yaveh dia mandry fahizay eo anilany; Yaveh no miaro azy mandrakariva, ary monina eo anelanelan'ny sandrin'i Yaveh izy.
\s5
\v 13 Ny amin'i Josefa, dia hoy Mosesy hoe: Ho tahin'i Yaveh anie amin'ireo zava-tsoan'ny lanitra anie ny taniny, dia amin'ny ando, ary amin'ny rano lalina izay mamitsaka ambany.
\s5
\v 14 Ho tahiana amin'ireo zava-tsoa izay vokatry ny masoandro anie ny taniny, amin'ireo zava-tsoa vokatr'ireo volana,
\v 15 amin'ireo zavatra tsara indrindran'ireo tendrombohitra fahagola, ary amin'ireo zava-tsoan'ireo havoana maharitra mandrakizay.
\s5
\v 16 Ho tahiana amin'ireo zava-tsoan'ny tany sy izay hareny anie ny taniny, ary amin'ny sitrapo tsaran'Izy izay tao amin'ilay voaroy. Aoka ny fitahiana ho eo an-dohan'i Josefa, ary ho eo an-tampon-dohan'ilay andriana teo amin'ireo rahalahiny.
\s5
\v 17 Ny voalohan-teraky ny omby, dia be voninahitra izy, ary ireo tandrony dia tandrok'ombimanga. Amin'izany no hanotoany ny olona, izy rehetra, hatrany am-paran'ny tany. Ireo no an'alinalin'i Efraima; ireo no an'arivorivon'i Manase.
\s5
\v 18 Ny amin'i Zebolona, dia hoy Mosesy hoe: Mifalia, ry zebolona, amin'izay halehanao, ary ianao, ry Isakara, ao an-dainao.
\v 19 Hiantso ireo vahoaka ho any an-tendrombohitra izy ireo. Any no hanateran'izy ireo fanati-pahamarinana. Fa izy ireo no hitroka ireo haren-dranomasina, sy avy amin'ny fasika eo amoron-dranomasina.
\s5
\v 20 Ny amin'i Gada dia hoy Mosesy hoe: Ho tahiana izay manitatra an'i Gada, honina any tahaka ny liona vavy izy, dia hamiravira sandry na loha eny izy.
\s5
\v 21 Naka ny tsara indrindra ho an'ny tenany izy, fa tany no nanokanana ny zara-tanin'ny mpitarika. Tonga niaraka tamin'ireo lehiben'ny vahoaka izy. Notanterahiny niaraka tamin'Israely ny fahamarinan'i Yaveh mbamin'ireo didiny.
\s5
\v 22 Ny amin'i Dana, dia hoy Mosesy hoe: i Dana dia zana-diona izay miantsampy avy any Basana.
\s5
\v 23 Ny amin'i Naftaly, dia hoy Mosesy hoe: i Naftaly, voky fankasitrahana, sady feno ny fitahian'i Yaveh, mandovà ny tany hatrany andrefana sy atsimo.
\s5
\v 24 Ny amin'i Asera, dia hoy Yaveh hoe: Ho tahiana mihoatra noho ny zanaka lahy hafa rehetra anie Asera; aoka ho hankasitrahan'ireo rahalahiny izy, ary aoka izy hanatsoboka ny tongony anaty menaka oliva.
\v 25 Ho vy sy varahina anie ireo hidin'ny tanànanao; araka ny fahalavan'ireo andronao, no ho fahamaroan'ny filaminanao.
\s5
\v 26 Ry Jesorona—ilay mahitsy, tsy misy tahaka an'Andriamanitra, izay mitaingina ny lanitra mba hamonjy anao, ary eny amin'ny rahona amin'ny fiandrianany.
\s5
\v 27 Ilay Andriamanitra mandrakizay dia fialofana, ary ireo sandry mandrakizay no eo ambany. Mandroaka ny fahavalo tsy ho eo anoloanao Izy, ka manao hoe: "Aringano!"
\s5
\v 28 Mandry fahizay Israely. Azo antoka ny loharanon'i Jakoba ao amin'ny tany misy vary sy divay vaovao; eny, aoka ny lanitrany handatsaka ando eo aminy.
\s5
\v 29 Maro ireo fitahianao, ry Israely! Iza no tahaka anao, dia firenena voavonjin'i Yaveh, ilay ampingan'ny famonjenao, ary sabatry ny voninahitrao? Ho tonga hangovitra eo anoloanao ireo fahavalonao; dia hitsahinao ireo fitoerany avo.
\s5
\c 34
\p
\v 1 Dia niakatra avy any amin'ny tany lemak'i Moaba nankany amin'ny Tendrombohitra Nebo, nankany an-tampon'i Pisga, izay tandrifin'i Jeriko i Mosesy. Tany Yaveh no nampiseho taminy ny tanin'i Gileada rehetra ka hatrany Dana,
\v 2 sy Naftaly rehetra, ary ny tanin'i Efraima sy Manase, sy ny tanin'i Joda rehetra, mankany amin'ny ranomasina andrefana,
\v 3 sy any Negeva, ary ny tany lemaky ny lohasahan'i Jeriko, ny Tanànan'ny Rofia, ka hatrany Zoara.
\s5
\v 4 Hoy Yaveh taminy hoe: "Ity ny tany izay nianianako tamin'i Abrahama, Isaka, sy Jakoba, nanao hoe: 'Homeko ny taranakareo ity.' Navelako hijery izany tamin'ny masonareo ianareo, saingy tsy handeha any."
\v 5 Ary dia maty tao amin'ny tanin'i Moaba i Mosesy, araka ny teny nampanantenain'i Yaveh.
\v 6 Nalevin'i Yaveh tao amin'ny lohasaha ao amin'ny tanin'i Moaba manandrify an'i Beti- peora izy, fa tsy nisy nahalala izay misy ny fasany mandrak'ankehitriny.
\s5
\v 7 Roapolo amby zato taona i Mosesy tamin'izy maty; tsy pahina ny masony, na nihena ny hery voajanahariny.
\v 8 Nisaona an'i Mosesy tany amin'ny tany lemak'i Moaba nandritry ny telopolo andro ny vahoakan'Israely, avy eo tapitra ireo andro fisaonana an'i Mosesy.
\s5
\v 9 Feno ny fanahin'ny fahendrena i Josoa zanaka lahin'i Nona, satria nametra-tanana taminy Mosesy. Nihaino azy ny vahoakan'Israely ary nanao izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy.
\s5
\v 10 Tsy nisy mpaminany tahaka an'i Mosesy mihitsy tao Israely, izay fantatr'i Yaveh nifanatrika taminy.
\v 11 Tsy mbola nisy mpaminany toa azy tamin'ireo famantarana sy fahagagana rehetra izay nanirahan'i Yaveh azy mba hatao any amin'ny tany Egypta, any amin'i Farao, sy ireo mpanompony rehetra, ary any amin'ny taniny rehetra.
\v 12 Tsy mbola nisy mpaminany tahaka azy amin'ny asa lehibe rehetra sy mampatahotra izay nataon'i Mosesy teo imason'Israely rehetra.