finished Isaiah

This commit is contained in:
Larry Versaw 2020-12-30 18:08:01 -07:00
parent a80ffa9a3b
commit 5adba1ba18
3 changed files with 2926 additions and 3 deletions

2923
23-ISA.usfm Normal file
View File

@ -0,0 +1,2923 @@
\id ISA
\ide UTF-8
\h Isaia
\toc1 Isaia
\toc2 Isaia
\toc3 isa
\mt Isaia
\s5
\c 1
\cl Toko 1
\p
\v 1 Ny fahitàn'i Isaia zanak'i Amosa, izay hitany nahakasika an'i Joda sy Jerosalema, tamin'ny andron'i Ozia, Jotama, Ahaza, ary i Hezekia, mpanjakan'i Joda.
\s5
\v 2 Mihainoa, ry lanitra, ary manongilàna sofina, ry tany; fa efa niteny Yaveh hoe: "Efa namahana sy nitaiza ny ankizy Aho, nefa nikomy Tamiko izy ireo.
\v 3 Ny omby mahalala ny tompony, ary ny boriky mahafantatra ny tavy famahanan'ny tompony azy, kanefa tsy fantatry ny Israely, tsy takatry ny Israely.
\s5
\v 4 Loza! Ry firenena, mpanota, vahoaka mavesa-keloka, taranaka mpanao ratsy, zanaka lahy mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Yaveh izy ireo, efa nanao tsinontsinona an'ilay Iray Masin'Israely izy ireo, efa nampihemotra ny tenan'izy ireo taminy izy ireo.
\s5
\v 5 Nahoana ianareo no mbola voakapoka? Nahoana ianareo no mikomy hatrany hatrany? Marary ny loha manontolo, torovana tanteraka ny fo.
\v 6 Tsy misy faritra tsy maratra hatramin'ny faladia ka hatrany amin'ny loha; fery, sy mangana ary ratra vao ihany; mbola tsy voakatona, voadio, na nofehezina, na notsaboina tamin'ny diloilo akory ireny.
\s5
\v 7 Rava ny firenenareo; may ireo tanànanareo; ireo sahanareo_ eo amin'ny fanatrehanareo, no hamotehan'ny olona hafa firenena ireo_ foana sy rava, naringanan'ireo olona hafa firenena.
\v 8 Ny zanaka vavin'i Ziona dia navela tahaka ny trano bongo eny an-tanim-boaloboka, tahaka ny fandriana eny amin'ny sahana kaokaombira, toy ny tanàna natao fahirano.
\s5
\v 9 Raha tsy namela sisa kely tamintsika i Yaveh Tompon'ny maro, efa tahaka an'i sodoma isika tahaka izay, efa nitovy tamin'i Gomora isika tahaka izay.
\s5
\v 10 Mandrenesa ny tenin'i Yaveh, ianareo ry mpanapak'i Sodoma; mihainoa ny lalàn'Andriamanitsika, ianareo ry vahoakan'i Gomora hoe:
\v 11 "Inona izay fahamaroan'ny soronareo ho Ahy?" hoy Yaveh. "Efa tofoky ny ondrilahy atao fanatitra dorana Aho, sy ny jaboran'ny biby mifahy; ka tsy sitrako ny ran'ny ombilahy, zanak'ondry, na osy.
\s5
\v 12 Rehefa tonga hiseho eto anatrehako ianareo, iza no nangataka izany taminareo, mba hanitsaka ny kianjako?
\v 13 Aza mitondra fanati-poana intsony; fahavetavetana ny ditin-kazo manitra amiko, ny volana vaovao sy ny Sabata fiangonana_ tsy afaka ny hilefitra amin'ireny fiangonan-dratsy ireny Aho.
\s5
\v 14 Halako ireo volana vaovaonareo sy ireo firavoravoana voatondronareo, enta-mavesatra ho Ahy ireny; ketraka amin'ny fiharetana ireny Aho.
\v 15 Koa dia rehefa mamelatra ny tananareo amin'ny vavaka ianareo, dia manafina ny masoko tsy ho aminareo Aho; na dia manolotra vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; feno rà ny tananareo.
\s5
\v 16 Sasao, diovy ny tenanareo; esory tsy ho eo imasoko ny faharatsin'ireo asanareo; mitshara amin'ny faharatsiana;
\v 17 mianara manao ny tsara; mitadiava ny rariny, ahitsio ny fampahoriana,
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka "ahitsio ny fampahoriana" ireo dikan-teny sasany manao hoe "ampio ny nampahoriana". \f*
manomeza rariny ho an'ireo kamboty, arovy ny mananon-tena.
\s5
\v 18 "Avia ary, andeha isika hiara-hifampidinika," hoy Yaveh; "Na dia tahaka ny jaky ary ny fahotànareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala ireny, na dia mena tahaka ny sily aza ireny, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy.
\s5
\v 19 Raha manaiky sy mankatò ianareo, dia hihinana ny soa avy amin'ny tany,
\v 20 fa raha mandà sy mikomy ianareo, dia ho levonin'ny sabatra," fa ny vavan'i Yaveh no miteny izany.
\s5
\v 21 Indrisy, tonga janga ilay tanàna mahatoky! Izy izay feno rariny_ izy izay feno fahamarinana, fa ankehitriny kosa izy feno mpamono olona.
\v 22 Niova ho tain-drendrika ny volafotsinareo, miharo rano ny divainareo.
\s5
\v 23 Ireo andrianareo dia mpikomy ary sakaizan'ny mpandroba; tia kolikoly avokoa ny rehetra ary fatra-pitady tombony. Tsy miaro ny kamboty izy ireo, na ny fitarainana ara-dalàn'ny mananon-tena izay tonga eo anatrehan'izy ireo.
\s5
\v 24 Noho izany dia izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro, ilay Maherin'Israely hoe: "Loza ho azy ireo! Hanao valifaty ho an'ireo mpifanandrina amiko Aho, ary hamalifaty ireo fahavaloko Aho;
\v 25 hamerina ny tanako aminareo Aho, hanadio ny tain-drendrikareo tahaka ny amin'ny karbonetra Aho, ary hanala ny tain-drendrika rehetra aminareo.
\s5
\v 26 Hamerina amin'ny laoniny ireo mpitsaranareo toy ny tamin'ny voalohany Aho, ary ireo mpanolo-tsainareo toy ny tamin'ny vao niandoha; aorian'izany ianareo dia ho antsoina hoe tanànan'ny fahamarinana, tanàna mahatoky.
\s5
\v 27 Ho voavonjy amin'ny rariny i Ziona, ary ireo mpibebany amin'ny fahamarinana.
\v 28 Hiaraka ho torotoro ny mpikomy sy ny mpanota, ary ireo izay nahafoy an'i Yaveh dia ho vita ny aminy.
\s5
\v 29 "Fa ho afa-baraka ianareo amin'ireo hazo terebintana masina izay nirianareo fatratra, ary ho menatra ianareo amin'ireo saha izay efa nofidianareo.
\v 30 Fa ho tahaka ny hazo terebinta iray izay mihintsan-dravina ianareo, ary toy ny saha izay tsy misy rano.
\s5
\v 31 Ny lehilahy mahery dia ho tahaka ny vohavoha, ary ny asany tahaka ny pitik'afo; hiara-may izy roa ireo, ary tsy misy hamono ny afon'izy ireo.
\s5
\c 2
\cl Toko faha 2
\p
\v 1 Ireo zavatra hitan'i Isaia zanak'i Amoza tao anaty, mahakasika an'i Joda sy Jerosalema.
\v 2 Amin'ny andro farany no hanorenana tendrombohitrin'ny tranon'i Yaveh ho tendrombohitra avo indrindra, ary hitsangana eo ambonin'ny havona, ary ireo firenena rehetra hikoriana amin'izany.
\s5
\v 3 Olona maro no ho tonga sy hilaza hoe: "Avia, andrha isika hiakatra eny an-tendrombohitr'i Yaveh, any an-tranon'i Andriamanitr'i Jakoba, mba hahafahany mampianatra ny sasany amin'ireo lalany amintsika, ary mba handehanntsika amin'ny lalany." Fa ny lalàna dia hivoaka avy ao Ziona, ary ny tenin'i Yaveh avy any Jerosalema.
\s5
\v 4 Hitsara eo amin'ireo firenena Izy ary hanome fanapahan-kevitra ho an'ireo olona maro be; hanorotoro ny sabany izy ireo ho lelan'angady, ary ny lefon'izy ireo ho fanetezam-boaloboka; ny firenena tsy hanandratra ny sabany hanohitra firenena, na hiofana ho amin'ny ady.
\s5
\v 5 Ry ankohonan'i Jakoba, avia, ary aoka isika handeha amin'ny fahazavan'i Yaveh.
\v 6 Fa efa nandao ny olonareo ianareo, ry ankohonan'i Jakoba, satria fenon'ny fomban'ny antsinanana izy ireo sy mpamaky fambara toy ireo Filistina, ary nifandray tanana tamin'ny zanaky ny vahiny izy ireo.
\s5
\v 7 Feno volafotsy sy volamena ny tanin'izy ireo, ary tsy misy fetrany ny hareny; feno soavaly ihany koa ny tanin'izy ireo, ary tsy misy fetrany ny kalesiny.
\v 8 Feno sampy ihany koa ny tanin'izy ireo; manompo ny asan'ny tanany ihany, zavatra izay nataon'ny ratsan-tanany ihany izy ireo.
\s5
\v 9 Hiankohoka ny vahoaka, ary ny olona hianjera; noho izany aza manangana azy ireo.
\v 10 Mandehana any amin'ny toerana feno vato ary miafena amin'ny tany amin'ny horohoron'i Yaveh sy amin'ny voninahitry ny fiandrianany.
\v 11 Ny fiandrandran'ny mason'ny olona dia hahetry, ary ireo olona mireharehareha dia hahidina, ary Yaveh irery ihany no hasandratra amin'izany andro izany.
\s5
\v 12 Fa hisy ny andron'i Yaveh tompon'ny maro hanohitra ny olona rehetra izay mirehareha sy misandratra, ary manohitra ny olona rehetra izay miavonavona—ary hahetry izy—
\v 13 ary manohitra ireo sederan'ny Libanona rehetra izay ambony sy nasandratra, ary manohitra ireo hazo terebintan'i Basana rehetra.
\s5
\v 14 Fa hanohitra ireo tendrombohitra avo rehetra izany andron'i Yaveh tompon'ny maro izany, sy hanohitra ireo havoana rehetra izay efa nasandratra,
\v 15 ary manohitra ireo tilikambo avo, sy manohitra ireo manda tsy mety rava,
\v 16 ary manohitra ireo sambon'ny Tarsisy rehetra, sy manohitra ireo sambo tsara tarehy rehetra.
\s5
\v 17 Ny fireharehan'ny olona dia hahetry, ary ny havonavon'ny olona dia ho hianjera; Yaveh irery ihany no hasandratra amin'izany andro izany.
\v 18 Ho levona tanteraka ireo sampy rehetra.
\v 19 Handeha anaty lava-bato ireo olona ary ao anaty lavakin'ny tany, noho ny horohoron'i Yaveh, sy noho ny voninahitrin'ny fiandrianany, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
\s5
\v 20 Hanipy ireo sampy volafotsy sy volamena ny olona amin'izany andro izany izay nataon'izy ireo ho tompoina—hanipy ireo any amin'ny voalavo sy ramanavy izy ireo.
\v 21 Handeha anaty lavaka eo amin'ny vato ny vahoaka ary an-tsefatsefakin'ny harambato, noho ny horohoron'i Yaveh sy noho ny voninahitrin'ny fiandrianana, rehefa mitsangana hampihorohoro ny tany Izy.
\v 22 Atsaharo ny fahatokiana ny olona, izay eo amin'ny vavorony ny fofon'ainy, fa inona no hanampian'izany?
\s5
\c 3
\cl Toko faha 3
\p
\v 1 Indro, Tompo Yaveh tompon'ny maro dia efa hanaisotra mpiandraikitra sy vatsy amin'i Jerosalema sy Joda: dia ny famatsia-mofo rehetra, sy ny famatsian-drano rehetra;
\v 2 ny lehilahy mahery, ny mpiady, ny mpitsara, ny mpaminany, ny mpamaky fambara, ny loholona;
\v 3 ny kapitenin'ny dimampolo, ny mponina manan-kaja, ny mpanolo-tsaina, ny mpanao asa-tanana za-draharaha, ary ny mpimasy kinga.
\s5
\v 4 "Zatovo fotsiny ihany no hapetrako ho mpitarika azy ireo, ary ireo tanora no hanapaka eo amin'izy ireo.
\v 5 Hampahoriana ny vahoaka, ny tsirairay ampahorian'ny hafa, ary ny tsirairay ampahorian'ny namany; ny zaza no hanaraby ny zokiolona, ary hihantsy ireo mendri-kaja ireo nambaniana.
\s5
\v 6 Haka ny rahalahiny ao an-tranon-drainy mihitsy aza ny olona iray ka hiteny hoe: 'Manana akanjo ianao; meteza ho mpanapaka anay, ary aoka izao faharavana izao ho eo an-tananao.'
\v 7 Amin'izany andro izany dia hitabataba izy ka hiteny hoe: 'Tsy ho mpanasitrana aho; tsy mana-mofo aho na fitafiana. Tsy hanao ahy ho mpanapaka ny vahoakanao ianao."'
\s5
\v 8 Fa lavo Jerosalema, ary nianjera i Joda, satria manohitra an'i Yaveh ny fiteniny sy ny asany, mihantsy ny mason'ny voninahiny.
\v 9 Ny fijerin'ny tavany dia vavolombelona miampanga azy ireo; ary ambaran'izy ireo tahaka an'i Sodoma ny fahotany; tsy mba hafeniny izany. Loza ho azy ireny! Fa nahatanteraka loza be ho azy ireo ihany izy.
\s5
\v 10 Lazao ny olo-marina fa tsy haninona, fa hihinana ny vokatry ny asany izy ireo.
\v 11 Loza ho an'ny ratsy fanahy! Fa ho rasty ny hanjo azy, fa ny valin'ny asan'ny tanany no hatao aminy.
\v 12 Ry oloko—ankizy no mpampahory azy ireo, ary vehivavy no manjaka eo aminy. Ry oloko, ireo izay mitarika anareo dia mamily lalana anareo ary mampisafotofoto ny lalan-kizoranareo.
\s5
\v 13 Mitsangana nohon'ny fiampangana Yaveh, mitsangana hiampanga ny olona Izy.
\v 14 Ho avy amin'ny fitsarana hanohitra ireo loholon'ny olony sy ireo mpitariny Izy hoe: "Namotika ny tanim-boaloboka ianareo; ao an-tranonareo izay voaroba avy tamin'ny mahantra.
\v 15 Nahoana ianareo no manorotoro ny oloko ary manosiosy ny tavan'ny mahantra?" Izany no fanambaran'i Tompo Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\v 16 Izany no lazain'i Yaveh satria mirehareha ny zanaka vavin'i Ziona, mandeha amin'ny loha mianjonanjona, ary mangarika amin'ny masony, mijaikojaiko am-pandehanana raha mampikoritsandritsana amin'ny tongony,
\v 17 noho izany dia hampisy aretina manakom-pery eo an-dohan'ny zanaka vavin'i Ziona ny Tompo, ary hataon'i Yaveh sola izy ireo.
\s5
\v 18 Amin'izany andro izany dia hanala ireo firavaky ny ranjo tsara tarehiny, ireo fehilohany, ireo fihaingona sari-volana,
\v 19 ireo kavina, ireo rojon-tanana, sy ireo voaly;
\v 20 ireo saron-doha, ireo rojon-kitro, ireo fehin-kibo, sy ireo vata fasiana ranomanitra, ary ireo ravaka mitondra vintana ny Tompo.
\s5
\v 21 Ho esoriny ireo peratra sy ireo kavin'orona;
\v 22 ireo akanjo lava fanaovana lanonana, ireo kapoty, ireo voaly, ireo poketra kely;
\v 23 ireo fitaratra kely, ireo atin'akanjo rongony fotsy madinika, ireo haingon-doha, ary ireo fisaronana.
\s5
\v 24 Hamaimboana no ho solon'ny ranomanitra mamerovero; ary tady no ho solon'ny fehin-kibo; loha sola no ho solon'ny volo tsara-hogo; ary lamba fisaonana no ho solon'ny akanjo lava; ary fitomboka mahamay ho solon'ny fahatsarana.
\v 25 Ho lavon-tsabatra ny lehilahinareo, ary ho lavo an'ady ireo lehilahy maherinareo.
\v 26 Hitomany ny vavahadin'i Jerosalema ka hisaona; ary ho irery izy ary hitorombona amin'ny tany.
\s5
\c 4
\cl Toko faha 4
\p
\v 1 Amin'izany andro izany hisy vehivavy fito hitazona lehilahy iray ka hiteny hoe: "Ny sakafonay ihany no hohaninay, ny fitafianay ihany no hotafianay. Fa aoka izahay haka ny anaranao hanesorana ny henatray."
\v 2 Amin'izany andro izany ny sampan'i Yaveh dia hafinaritra sy be voninahitra, ary ny vokatrin'ny tany dia hatsiro sy hafinaritra ho an'ireo sisa velona any Israely.
\s5
\v 3 Fa izay tavela any Ziona sy izay sisa tavela any Jerosalema dia hantsoina hoe masina, ny tsirairay izay voasoratra ho velona any Jerosalema.
\v 4 Hitranga izany rehefa hanasa ny fahaloton'ireo zanaka vavin'ny Ziona ny Tompo, ary hanasa ny rà izay mandoto hatramin'ny afovoan'i Jerosalema, amin'ny alalan'ny fanahin'ny fitsarana sy ny fanahin'ny afo mirehitra.
\s5
\v 5 Ary eo ambonin'ny fitoeran'ny tendrombohitr'i Ziona manontolo sy eo amin'ny toeran'ny fiangonany, Yaveh dia hamorona rahona sy setroka amin'ny andro, ary famirapiratan'ny afo mirehitra amin'ny alina; ary ho sarona ambonin'ny voninahitra rehetra izany.
\v 6 Ho alokaloka fialofana amin'ny hafanana izany amin'ny andro, ary ho fialofana sy ho fiarovana amin'ny tafiotra sy ny orana.
\s5
\c 5
\cl Toko faha 5
\p
\v 1 Avelao aho hihira ho an'ny malalako tsara, hiran'ny malalako momban'ny tanim-boalobony. Nanana tanim-boaloboka teo amin'ny havoana tena lonaka ny malalako tsara.
\v 2 Nasainy izany, nafindrany ireo vato, ary namboly izany tamin'ny karazam-boaloboka tena tsara izy. Nanangana tilikambo teo afovoan'izany izy, ary koa nanangana famiazanam-boaloboka. Niandry izany izy hamokatra voaloboka, saingy voalobo-dratsy ihany no namoha.
\s5
\v 3 Ary ankehitriny, ny mponin'i Jerosalema sy ny olon'i Joda, dia mitsara ahy sy ny tanim-boaloboko.
\v 4 Inona koa no tokony natao tamin'ny tanim-boaloboko, izay mbola tsy vitako taminy? Rahoviana no naniry izany mba hamokatra ireo voaloboka aho, nahoana no namokatra voalobo-dratsy izany?
\s5
\v 5 Ary izao ho teneniko anareo izay hataoko amin'ny tanim-boaloboko: Halako ny fefy, havadiko ho ahitra izany, dia ho ravaiko ny mandany, ary ho voahitsaka izany.
\v 6 Ho simbasimbaiko izany, ary tsy ho voarakotra na voakarakara. Fa kosa, ireo hery sy ireo tsilo no hitsimoka. Ho baikoiko ihany koa ny rahona tsy hanorana eo aminy.
\s5
\v 7 Fa ny tanim-boalobok'i Yaveh Tompon'ny maro no taranak'Israely, ary ny lehilahin'ny Joda no voly tiany; niandry ny rariny izy, kanjo, famonoana no nisy; ny fahamarinana, kanjo, fihiakin'ny fitarainana no solon'izany.
\s5
\v 8 Loza ho an'ireo izay mampifandray ny isan-trano, izay mampifandray ny isan-tsaha, ambarapaha-tsy misy efitra tavela, ka ianareo irery no sisa hitoetra eo amin'ny tany!
\v 9 Hoy Yaveh Tompon'ny maro tamiko, trano maro no ho foana, na dia lehibe sady tsara aza, tsy misy mpitoetra.
\v 10 Fa bata iray monja no ho vokatry ny voaloboka folo zemeba, ary efaha iray monja no ho vokatry ny voanjavatra iray homera.
\s5
\v 11 Loza ho an'ireo izay mifoha vao mangiran-dratsy mba hahazo zava-pisotro mahery, ireo izay mijanona amin'ny alina mandra-pahamamon'ny divay azy ireo.
\v 12 Nanasa tamin'ny harpa, lokanga, ny ampongatapaka, ny sodina, ary ny divay izy ireo, kanefa tsy nihevitra ny asan'i Yaveh izy ireo, na koa nihevitra ireo zava-bitan'ny tanany.
\s5
\v 13 Koa efa lasan-ko babo nohon'ny tsy fahampian'ny fahazavan-tsaina ny oloko; ho noana ireo mpitarika mendri-kaja azy ireo, ary tsy hisy ho sotroina ireo vahoakany.
\v 14 Koa efa nataon'ny Fiainan-tsy hita ho lehibe ny homany ary nosokafany misanasana ny vavany; ary nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita, ireo sangany, ny vahoaka, ireo mpitariny, ary ireo mpampiseo sy ireo izay faly teo amin'izy ireo.
\s5
\v 15 Ny olona ho terena hiankohoka, ary ny olombelona dia hahetry; ny mason'ny avo dia hahidina.
\v 16 Yaveh Tompon'ny maro dia hisandratra amin'ny fitsarany, ary ilay Andriamanitra Ilay Masina haneho ny tenany ho masina amin'ny alalan'ny fahamarinany.
\v 17 Ary ny ondry dia hifahana toy ny eny amin'ny tanim-bilony ihany, ary tao amin'ny korontana, ireo zanak'ondry dia hihinana toy ny vahiny.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany misy hoe: "ary ao amin'ny korontan'ny mpanan-karena, dia hihinan'ahitra ireo zanak'ondry". \f*
\s5
\v 18 Loza ho an'ireo izay mitari-keloka amin'ny kofehy tsy misy ilana azy ary izay mitarik'ota toy ny hoe amin'ny tadin-tsarety izany.
\v 19 Loza ho an'ireo izay milaza hoe: "Aoka handondona Andriamanitra, aoka hiasa faingana Izy, mba afahantsika mahita ny fisehon'izany; ary aoka ho tonga ny fikasan'Ilay Masin'Israely, mba hafantarantsika azy ireo."
\s5
\v 20 Loza ho an'ireo izay milaza ny ratsy ho tsara, ary tsara ho ratsy; izay manambara ny aizina toy ny mazava, ary mazava toy ny aizina; izay milaza ny mangidy ho mamy, ary ny mamy ho mangidy!
\v 21 Loza ho an'ireo izay hendry eo imasony ihany, ary malina amin'ny fahazavan-tsainy ihany!
\s5
\v 22 Loza ho an'ireo izay tompon-daka amin'ny fisotroana divay, ary tompony amin'ny fangaroana fisotro mahery;
\v 23 izay manome tsiny ny ratsy fanahy ho amin'ny fanefana, ary manaisotra ny tsy manan-tsiny amin'ireo mariny!
\s5
\v 24 Koa tahaka ny lelan'afo mandevona mololo, ary tahaka ny ahitra maina levon'ny afo, dia ho lo ny fakan'ireo, ary ho voatsoka tahaka ny vovoka ireo felany. Hitranga izany satria nanda ny lalan'i Yaveh Tompon'ny maro izy ireo, ary satria efa nanao tsinotsinona ny tenin'Iray Masin'Israely.
\s5
\v 25 Ka noho izany ny fahatezeran'i Yaveh dia nirehitra amin'ireo olony. Efa naninjitra ny tanany manohitra azy ireo ary efa nanasazy azy ireo Izy. Hangovitra ireo tendrombohitra, ary ny fatin'izy ireo dia tahaka ny fako eny an-dalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mbola miafana ny hatezerany; fa kosa, mbola hihinjitra ihany ny tanany.
\s5
\v 26 Ary hanangana faneva famantarana ho an'ireo firenena lavitra Izy ary hisioka ho an'ireo izay any am-paran'ny tany. Indro, ho avy faingana ary avy hatrany izy ireo.
\s5
\v 27 Tsy misy reraka na tafintohina amin'izy ireo; ary tsy misy rendrehana na matory. Na mivaha ny fehin-kibon'izy ireo, na tapaka ny fehin-kapany.
\v 28 Maranitra ny zana-tsipìkany ary mienjana ny tsipìkany rehetra; ny kitron-tsoavalin'izy ireo dia tahaka ny afovato, ary ny kodiaran-kalesiny tahaka ny tafio-drivotra.
\s5
\v 29 Ny fierony dia ho tahaka ny liona; ary hierona tahaka ny zana-diona izy ireo. Dia hierona sy hisambotra ny haza ireo ary hitaritarika izany, ary tsy hisy hamonjy.
\v 30 Amin'izany andro izany dia hierona hanohitra ny haza tahaka ny fieron'ny ranomasina izy ireo. Raha misy olona mijery ny tany, dia hahita haizina sy fijaliana izy; na dia ho maizin'ny rahona aza ny hazavana.
\s5
\c 6
\cl Toko faha 6
\p
\v 1 Tamin'ny taona nahafatesan'i Ozia mpanjaka, dia nahita ny Tompo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianana aho; sady avo no ambony Izy, ary nameno ny tempoly ny moron'akanjo lavany.
\v 2 Teo amboniny dia nisy ny serafima; samy nanana elatra enina avy; ny roa nanarona ny tavany, ny roa hafa nanarona ny tongony, ary ny roa nanidinany.
\s5
\v 3 Nifampiantso izy ireo ary nanao hoe: "Masina, masina, masina, i Yaveh Tompon'ny maro! Izao tontolo izao dia feno ny voninahiny."
\s5
\v 4 Nihozongozona tamin'ny feon'ireo izay mitaraina ny fototr'ireo tokonam-baravarana, ary feno setroka ny trano.
\v 5 Ary hoy aho hoe: "Loza! Very aho satria lehilahy maloto molotra aho, ary niaina teo amin'ny vahoaka maloto molotra, satria ny masoko dia efa nahita ny Mpanjaka, Yaveh, Yaveh tompon'ny maro!"
\s5
\v 6 Avy eo dia nisy iray tamin'ireo serafima nanidina teo amiko; nisy vain'afo teny an-tanany, izay nalainy niaraka tamin'ny tandra teny amin'ny alitara.
\v 7 Nikasika ny molotro tamin'izany izy ary niteny hoe: "Indro, nikasika ny molotrao ity; afaka ny helokao, ary voavela ny fahotanao."
\s5
\v 8 Nandre ny feon'ny Tompo aho nanao hoe: "Iza no tokony hirahiko; iza no handeha ho antsika?" Dia hoy aho hoe: "Inty aho; hiraho aho."
\v 9 Hoy Izy hoe: "Mandehana ary lazao ireo vahoaka ireo hoe: 'Henoy, fa aza takarina; jereo, fa aza mamantatra.'
\s5
\v 10 Hamafiso ny fon'io vahoaka io, ary ataovy marenina ny sofin'izy ireo, ary ataovy jamba ny mason'izy ireo. Raha tsy izany dia mety hahita amin'ny masony izy ireo, handre amin'ny sofiny, sy hahalala amin'ny fon'izy ireo, ary avy eo hiova ka ho sitrana." Ary hoy izaho, "Tompo o, mandra-pahoviana anefa?" Dia hoy Izy,
\s5
\v 11 Dia hoy aho hoe: "Ry Tompo, mandra-pahoviana?" Namaly Izy hoe: "Mandra-pahafoanan'ny tanàna, ka tsy hisy mponina, ary ny trano ytsy hisy olona, ary ny tany ho lao tokoa,
\s5
\v 12 ary Yahweh hampande lavitra ny olona, ka ho be ny lao ao amin'ny tany.
\s5
\v 13 Na ny ampaha-folon'ny olona tavela ao amin'izany aza, dia ho potehina indray; tahaka ny terebinta sy oka notapahina ka misy rantsany tavela, ilay voa masina dia ao amin'ny fotony."
\s5
\c 7
\cl Toko faha 7
\p
\v 1 Tamin'ny andron'i Ahaza zanaka lahin'i Jotama zanaka lahin'i Ozia, mpanjakan'i joda, dia niakatra nankany Jerosalema i Rezina mpanjakan'i Syria, sy Pelza zanaka lahin'i Remalia, mpanjakan'Israely mba hanangana ady amin'izany, fa tsy nandresy izany izy ireo.
\v 2 Notaterina tany amin'ny fianakavian'i Davida fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana. Nangovitra ny fony, sy ny fon'ny vahoakany, toy ireo hazo any an'ala ahozongozon'ny rivotra.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony ho: "... fa niaraka tamin'ny Efraima ny Syriana", ny dikan-teny sasany dia manao hoe: "... fa nitoby tao Efraima ny Syriana." \f*
\s5
\v 3 Dia hoy Yaveh tamin'Isaia hoe: "Mivoaha miaraka amin'i Seara-jasoba zanakao lahy mba hitsena an'i Ahaza eo amin'ny faran'ny lakan-dranon'ny kamory ambony, eny amin'ny lalana mankany amin'ny Sahan'ny Mpanasa lamba.
\v 4 Lazao azy hoe: 'Mitandrema, aza taitaitra, aza matahotra na ampitahorin'ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin'ny hatezeran'i Rezina sy Syria, ary Pelza zanaka lahin'i Remalia.
\s5
\v 5 Syria, Efraima, ary ny zanaka lahin'i Remalia dia nanao teti-dratsy hanoherana anao; hoy izy ireo hoe:
\v 6 "Andeha isika hanafika an'i Joda sy hampihorohoro azy, ary aoka isika hamaky azy ary hametraka ny mpanjakantsika, ilay zanaka lahin'i Tabeala ao."
\s5
\v 7 Hoy ny Tompo Yaveh hoe: "Tsy ho tanteraka izany; tsy hitranga izany,
\v 8 satria Damaskosy no lohan'i Syria, ary Rezina no lohan'i Damaskosy. Ao anatin'ny dimy amby enim-polo taona, dia ho torotoro ny Efraima ary tsy ho vahoaka intsony.
\v 9 Samaria no lohan'i Efraima, ary ny zanaka lahin'i Remalia no lohan'i Samaria. Raha tsy mitoetra mafy amin'ny finoana ianareo, dia azo antoka fa tsy ho voaaro."'"
\s5
\v 10 Niresaka tamin'i Ahaza indray ny Tompo hoe:
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Niresaka ny Tompo", dia ny dikan-teny sasany manao hoe: "Niresaka Yaveh." \f*
\v 11 "Mangataha famantarana amin'i Yaveh Andriamanitrao; mangataha an'izany amin'ny lalina na amin'ny hahavon'ny ambony."
\v 12 Fa hoy Ahaza hoe: "Tsy hangataka aho, na hitsapa an'i Yaveh."
\s5
\v 13 Koa namaly Isaia hoe: "Henoy, ry fianakavian'i Davida. Tsy ampy anareo vahoaka ve ny mitsapa ny faharetan'ny vahoaka? Tsy maintsy mitsapa ny faharetan'ny Andriamanitro koa ve ianareo?
\v 14 Noho izany dia ny Tompo mihintsy no hanome famantarana anareo: indro, hitoe-jaza ilay tovovavy, hiteraka zazalahy, ary hiantso ny anarany hoe Imanoela.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Ilay tovovavy", dia ny dikan-teny sasany manao hoe: "ny tovovavy." \f*
\v 15 Hihinana rononomandry sy tantely izy rehefa mahay mandà ny ratsy ary misafidy ny tsara.
\s5
\v 16 Fa mialohan'ny hahaizan'ilay zaza mandà ny ratsy ary misafidy ny tsara, dia ho lao ny tanin'ireo mpanjaka roa izay natahoranao ireo.
\v 17 Yaveh dia hitondra andro tsy mbola nisy hatramin'ny nialan'i Efraima tamin'i Joda aminao, sy ny vahoakanao, ary amin'ny fianakavian-drainao—ho entiny eo aminao ny mpanjakan'i Asyria."
\s5
\v 18 Amin'izany andro izany Yaveh dia hisioka lalitra avy lavitra eny amin'ny onin'i Egypta, ary tantely avy eny amin'ny tanin'i Asyria.
\v 19 Ho tonga avokoa izy rehetra ary hipetraka ambany eny amin'ny lohasaha lao, eny an-tsefatsefaky ny harambato, eny amin'ny fefy tsilo rehetra, ary eny amin'ny tany fihinanam-bilona rehetra.
\s5
\v 20 Amin'izany fotoana izany ny Tompo dia hanaratra amin'ny hareza nofaina tany amoron'ny Onin'i Eofrata—ilay mpanjakan'i Asyria—ny loha sy ny volon-tongotra; hanala ireo volom-bava ihany koa izany.
\v 21 Amin'izany andro izany, dia hiompy ombivavy kely sy ondry roa ny olona,
\v 22 ary nohon'ny habetsaky ny ronono izay homen'izy ireo, dia hihinana rononomandry izy, satria ny olona rehetra tavela eo amin'ilay tany dia hihinana rononomandry sy tantely.
\s5
\v 23 Amin'izany fotoana izany, teo amin'izay nisy divay aman'arivony tombanana sekely volafotsy arivo, dia tsy hisy na inona na inona afa-tsy tsilo.
\v 24 Handeha ho any mba hihaza amin'ny tsipìka ny olona, satria ny tany rehetra dia ho tsilo avokoa.
\v 25 Hijanona lavitr'ireo tanety rehetra izay navadika tamin'ny angady izy ireo, nohon'ny tahotra an'ireo tsilo; fa ho toerana fihinanan'ny biby fiompy sy ondry izany.
\s5
\c 8
\cl Toko faha 8
\p
\v 1 Nilaza tamiko Yaveh hoe: "Makà vato fisaka lehibe ary soraty amin'izany hoe: "Mahera-Salala-Hasi-Baza.'
\v 2 Hampiantso vavolombelona mahatoky hanamarina Ho Ahy Aho, dia Oria mpisorona, sy Zakaria zanaka lahin'i Jeberekia."
\s5
\v 3 Nankany amin'ny mpaminany vavy aho, ary nanan'anaka ka niteraka zazalahy izy. Ary Yaveh nilaza tamiko hoe: "Ataovy hoe: 'Mahera-salala-hasi-baza.' ny anarany.
\v 4 Fa mialohan'ny hahaizan'ny zaza miantso hoe: 'dadako,' sy 'neniko,' ny mpanjakan'ny Asyria dia haka ny haren'i Damaskosy sy ny babon'ny Samaria."
\s5
\v 5 Niresaka tamiko indray Yaveh hoe:
\v 6 "Satria ity vahoaka ity dia nandà ny rano misononok'i Siloa, ary faly eo amin-dRezina sy amin'ny zanaka lahin'i Remalia,
\v 7 noho izany ny Tompo dia hitondra ireo ranon'ny renirano ho eo amin'izy ireo, mahery sy betsaka, ny mpanjakan'ny Asyria sy ny voninahiny rehetra. Ho tonga amin'ireo fantsony rehetra izany ka hahatondraka ireo morony.
\s5
\v 8 Ny Renirano dia hifaoka manomboka ao amin'i Joda, hanondraka sy hamakivaky, mandra-pahatongan'izany eo amin'ny tendanao. Ireo elany mivelatra dia hameno ny sakan'ny tany, ry Imanoela."
\s5
\v 9 Ho torotoro ianareo ry vahoaka. Mihainoa, ry firenana lavitra rehetra: vonony amin'ny ady ny tenanareo ary torotoroa; vonony ny tenanareo ary torotoroa.
\v 10 Manaova fikasana, fa tsy ho tanteraka izany; mamoaha didy, fa tsy ho tanteraka izany, fa momba anay Andriamanitra.
\s5
\v 11 Yaveh niteny tamiko, niaraka tamin'ny tanany mahery izay teo amiko, ary mampitandrina ahy tsy handeha amin'ny lalan'ity vahoaka ity.
\v 12 Aza antsoina ho tetika ny zavatra izay antsoin'ity vahoaka ity ho tetika, tsy hatahotra izay hatahorany ianao, ary aza raiki-tahotra.
\v 13 Fa Yaveh Tompon'ny maro no omenao voninahitra ho masina; Izy no ilay izay tokony hatahoranao, ary izy ilay izay tokony hangovitanao.
\s5
\v 14 Ho tonga fitoerana masina Izy; fa ho vato famelezana Izy, ary ho vatolampy hanatafitohina_ ho an'ny ankohonan'Israely, ary ho an'ny vahoakan'i Jerosalema dia ho fandrika sy tonta Izy.
\v 15 Maro no ho tafitohina amin'izany ka ho lavo ary ho rava, ho voafandrika ka ho baboana.
\s5
\v 16 Fehezo ny fijoroako vavolombelona, ary asio tombo-kase ny firaketana ofisialy, ary omeo ireo mpianatro izany.
\v 17 Hiandry an'i Yaveh aho, izay manafina ny tavany amin'ny ankohonan'i Jakoba; hiandry Azy aho.
\v 18 Indro, izaho sy ireo zanako lahy izay nomen'i Yaveh ahy ho famantarana sy ho zava-mahagaga ao Israely avy amin'i Yaveh Tompon'ny maro, izay mipetraka eo amin'ny Tendrombohitr'i Ziona.
\s5
\v 19 Hiteny aminao izy ireo hoe: "Anontanio ireo mpahita sy ireo mpisikidy," ireo izay tsindrian-javatra mimonomonona sy mibitsibitsika fiantsoana. Fa tsy tokony hanontany ny Andriamaniny ve ny olona? Tokony hanontany ny maty ho an'ny velona ve izy ireo?
\v 20 Araka ny lalàna sy ny fijoroana vavolombelona! Raha tsy miteny zavatra tahaka izany izy ireo, dia satria tsy manana ny fahazavan'ny maraina.
\s5
\v 21 Handalo eo amin'ny tany amin'ny fahoriana sy ny hanoanana lehibe izy ireo. Rehefa noana izy ireo, dia ho tezitra ary hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamanitry, raha manandratra ny tavan'izy ireo ambony.
\v 22 Hijery ny tany izy ireo ka hahita ny fahoriana, ny aizina, ary ny fanjombonana mampahory. Ho roahina makany amin'ny tanin'ny fahamaizinana izy ireo.
\s5
\c 9
\cl Toko faha 9
\p
\v 1 Hiala ny aizim-pito eo aminy izay tao anatin'ny fangirifiriana. Tamin'ny taloha dia nanala baraka ny tanin'i Zebolona sy ny tanin'i Naftaly Izy, nefa amin'ny fotoana aty aoriana dia hanao izany ho be voninahitra izy, sy lalana mankany amin'ny ranomasina, any an-dafin'i Jordana, ireo firenen'i Galilea.
\v 2 Efa nahita fahazavana lehibe ny vahoaka izay mandeha amin'ny aizina; ireo izay efa niaina tao amin'ny tanin'ny aloky ny fahafatesana, efa namirapiratra teo amin'izy ireo ny fahazavana.
\f + \ft Fanamarihana: raha tokony hoe: "ny aloky ny fahafatesana", ireo dikan-teny sasany manao hoe "aizina". \f*
\s5
\v 3 Efa nampamaro ny firenena Ianao; efa nampitombo ny hafalian'izy ireo Ianao. Mifaly manoloana Anao izy ireo tahaka ny fifaliana amin'ny fotoan'ny fijinjana, toy ny olona faly rehefa mizara ny voaroba izy ireo.
\s5
\v 4 Notorotoroinao toy ny taminny andronny Midiana ny zioga mavesany, ny andry teo an-tsorony, ny tsorakazonny mpampahory azy.
\v 5 Fa ny kiraro rehetra izay manitsaka eo aminny fikorontanana sy ireo akanjo mihoson-drà, dia ho dorana, atao solika ho anny afo.
\s5
\v 6 Fa zaza no teraka ho antsika, zanaka lahy no nomena antsika, ary ny fanapahana ho eo amin'ny sorony; ary ny Anarany ho antsoina hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andriandahin'ny Fiadanana.
\v 7 Amin'ny fitombon'ny Governemantany sy amin'ny fiadanana dia tsy hisy farany, raha manapaka eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida Izy, sy eo amin'ny fanjakany, mba hametrahany sy hanohanany izany amin'ny rariny sy fahamarinana tamin'ny nanomboka tamin'io fotoana io ary ho mandrakizay. Ny zotom-pon'i Yaveh Tompon'ny maro no hanao izany.
\s5
\v 8 Nandefa teny ho an'i Jakoba ny Tompo, ary tonga teo amin'Israely izany.
\v 9 Ny vahoaka rehetra hahafantatra, na dia i Efraima sy ireo mponin'i Samaria, izay miteny amin'ny fiavonavona sy fireharehan'ny fony hoe:
\v 10 "Efa nianjera ireo biriky, nefa hatsangatsika indray amin'ny vato fandraka izany; efa voatapaka ireo amontana, fa ho solointsika sedera eo amin'ny toerany."
\s5
\v 11 Noho izany hitsangana hanohitra azy i Yaveh dia i Rezina, ilay mpifanandrina aminy, ary hamporisika ireo fahavalony,
\v 12 dia ireo Syriana avy any atsinanana, ary ireo Filistina avy any andrefana. Handevona ny Israely amin'ny vavany misanasana izy ireo. Amin'izany zavatra rehetra izany, tsy nihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany.
\s5
\v 13 Nefa ny olona tsy hiverina Aminy izay namely azy ireo, na hitady an'i Yaveh Tompon'ny maro.
\v 14 Koa dia ho tapahin'i Yaveh ny loha sy ny rambon'Israely, ny sampan-drofia sy ny volotara, ao anatin'ny indray andro.
\v 15 Ny mpitarika sy ny olona mendri-kaja no lohany; ary ny mpaminany izay mampianatra lainga no rambony.
\s5
\v 16 Ireo izay mitarika ireo vahoaka ireo no mitarika azy ireo amin'ny lalan-diso, ary ireo izay mitarika azy ireo no voatelina.
\v 17 Noho izany tsy ho faly amin'ny zatovolahin'izy ireo ny Tompo na hanana fangoraham-po eo amin'ny kambotin'izy ireo sy ireo mpitondratena Izy, satria ny olona rehetra mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy, ary ny vava rehetra miteny adalana. Amin'izany zavatra rehetra izany, dia tsy mihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany.
\s5
\v 18 Fa ny faharatsiana mandoro toy ny afo; mandevona ny hery sy ny tsilo izany; mandoro ny kirihitr'ala aza izany, izay miakatra ao amin'ny savorovoron-tsetroka.
\v 19 Amin'ny fahatezeran'i Yaveh Tompon'ny maro no mandoro ny tany, ary ny olona dia toy ny solika ho an'ny afo. Tsy misy olona miantra ny rahalahiny.
\s5
\v 20 Handrapaka ny sakafo amin'ny tanana ankavanana izy ireo nefa noana ihany; hihinana ny sakafo amin'ny tanana ankavia izy ireo nefa tsy ho afa-po. Na dia ny tsirairay aza dia hihinana ny nofon'ny sandriny ihany.
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka "ny nofon'ny sandriny ihany", ny dikan-teny sasany manao hoe "ny nofon'ny zanany ihany". \f*
\v 21 Manase handevona an'i Efraima, ary Efraima handevona an'i Manase; ka hiaraka hanafika an'i Joda izy ireo. Amin'izany zavatra rehetra izany, tsy hihena ny fahatezerany; fa kosa, mbola mihinjitra ny tanany.
\s5
\c 10
\cl Toko faha 10
\p
\v 1 Loza ho an'ireo izay manao lalàna tsy araka ny hitsiny ary manoratra didy tsy ara-drariny.
\v 2 Tsy manome rariny ireo mila fanampiana izy ireo, mandroba ny oloko mahantra amin'ny zony izy ireo, mandroba ireo mpitondratena, ary manao ireo kamboty ho hazan'izy ireo!
\s5
\v 3 Inona no hataonao amin'ny andro fitsarana rehefa ho tonga avy lavitra ny faharavana? Amin'iza ianao no hitady fanampiana, ary aiza no hamelanao ireo harenanao?
\v 4 Tsy hisy na inona na inona ho tavela, ary hitampify eo amin'ireo gadra ianao na ho lavo eo amin'ireo maty. Amin'ireo zavatra rehetra ireo, dia tsy hihena ny hatezerany; fa kosa, ny tanany dia mbola mihinjitra hatrany.
\s5
\v 5 Loza ho an'ireo Asyriana, ny tsorakazon'ny fahatezerako, tsorakazo izay hitondrako ny fahavinirako!
\v 6 Alefako hanohitra firenena miavonavona sy hanohitra ny vahoaka izay mizaka ny hatezerako manafotra izy. Mandidy azy haka ny babo, haka ny haza, ary hanitsaka ireo tahaka ny fotaka eny amin'ireo lalana Aho.
\s5
\v 7 Kanefa tsy izany no kasainy, na hoe mihevitra toy izany izy. Ao am-pony izany hoe handrava sy handringana firenena maro izany.
\v 8 Fa hoy izy hoe: "Moa tsy mpanjaka avokoa ve ireo andrian-dahiko rehetra?"
\v 9 Tsy tahaka an'i Karkemisy ve i Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada ve i Hamata? Tsy tahaka an'i Damaskosy ve i Samaria?
\s5
\v 10 Tahaka ny nandresen'ny tanako ireo fanjakana mpanompo sampy, izay ireo sarin-javatra sokitr'izy ireo dia lehibe kokoa noho ireo an'i Jerosalema sy Samaria,
\v 11 tahaka izay nataoko tany Samaria sy ireo sampy zava-poany, moa tsy hanao toy izany amin'i Jerosalema sy ireo sampiny ihany koa ve aho?"
\s5
\v 12 Rehefa nahavita ny asany teo amin'ny Tendrombohitra Ziona sy tao Jerosalema ny Tompo, dia hanasazy ny tenin'ny fo miavonavon'ny mpanjakan'i Asyria sy ny fijery feno avonavony Aho.
\v 13 Fa izy niteny hoe: "Amin'ny alalan'ny tanjako sy ny fahendreko no hiasako." Manana fahazavan-tsaina aho, ary efa nanala ny fefin'ireo vahoaka. Efa nangalariko ny haren'izy ireo, ary tahaka ny ombilahy no nampidinako ireo mponina.
\s5
\v 14 Toy ny fisamborana avy ao amin'ny akany, no nakan'ny tanako ireo haren'ny firenena, ary tahaka ny fanangonan'ilay iray ireo atody nilaozana, no hanangonako ny tany rehetra. Tsy nisy nanakopakopaka ny elany izy ireo na nanokatra ny vavany na nihiakiaka."
\s5
\v 15 Moa ve ny famaky hirehareha momba ny tenany amin'ilay iray izay mampiasa izany? Moa ve ny tsofa hidera bebe kokoa ny tenany noho ilay iray izay manapaka amin'ny alalan'izany? Izany dia tahaka ny hoe: tsorakazo iray izay afaka miainga amin'ireo izay manainga izany na toy ny hoe afaka manainga olona ilay tsorakazo.
\v 16 Noho izany dia handefa fahiazana eo amin'ireo mpiadiny sangany i Yaveh Tompo tompon'ny maro; ary eo ambanin'ny voninahiny dia hisy firehetana tahaka ny afo mirehitra.
\s5
\v 17 Ho tonga afo ny fahazavan'Israely, ary ilay Iray Masiny ho lelan'afo; handoro sy handevona ireo tsilony ao anatin'ny iray andro monja izany.
\v 18 Yaveh dia hanimba ny voninahitry ny alany sy ny taniny mamokatra, dia ny fanahin'izany sy ny vatan'izany; ho tahaka ny ain'ny olona marary miha-osa izany.
\v 19 Ho vitsy ireo sisa tavela amin'ireo hazon'ny alany, ka na ny zaza aza afaka hanisa ireo.
\s5
\v 20 Amin'izany andro izany, ireo Israely sisa, ireo fianakavian'i Jakoba izay nitsoaka, dia tsy hiantehitra amin'ilay iray izay nandresy azy ireo intsony, fa hiankina amin'i Yaveh tokoa, dia ilay Iray Masin'Israely.
\v 21 Izay tavela amin'i Jakoba dia hiverina any amin'ilay Andriamanitra mahery.
\s5
\v 22 Fa na ny olonao aza, ry Israely, dia tahaka ny tora-pasika eny amoron-dranomasina, izay sisa tavela amin'izy ireo ihany no hiverina. Notendrena ny faharavana, araka ny fangatahana manafotry ny fahamarinana.
\v 23 Fa i Yaveh Tompo tompon'ny maro, dia eo an-dalam-pitondrana ny faharavana izay notendrena manerana ny tany.
\s5
\v 24 Noho izany i Yaveh Tompo tompon'ny maro milaza hoe: "Ry vahoakako izay mipetraka ao Ziona, aza matahotra ireo Asyriana." Hamely anao amin'ny tsorakazo izy, ary hanangana ny tehiny aminao, araka izay nataon'ireo Egyptiana.
\v 25 Aza matahotra azy, fa afaka fotoana fohy dia hifarana ny hatezerako aminao, ary hitarika ny faharavany ny hatezerako."
\s5
\v 26 Ary i Yaveh tompon'ny maro dia hanainga ny karavasiny amin'izy ireo, toy ny tamin'ny nandreseny an'i Midiana teo am-batolampy Oreba. Hanainga ny rantsan-kazony eo amin'ny ranomasina Izy ary hanainga izany toy ny nataony tao Egypta.
\v 27 Amin'izany andro izany, ny vesany dia hiainga avy eo amin'ny sorokao ary ny ziogany avy eo amin'ny vozonao. Ary ny zioga dia ho rava nohon'ny hatavezana.
\f + \ft Fanamarihana: Ny andalana farany amin'ity andininy ity dia sarotra satria tahaka ny hoe tsy mifanaraka amin'ny foto-kevitra io. Ny dikan-teny sasany vaovao dia manala ny hoe: "nohon'ny hatavezana". Ny dikan-teny vaovao hafa dia misy hoe: "ary ny zioga dia ho rava avy eo amin'ny vozonao. Niakatra any Rimona izy." Eto ny hoe: "Izy" dia midika hoe: mpanjaka Asyriana sy ny tafiny. \f*
\s5
\v 28 Tonga tao Aiata ny fahavalo ary nandalo an'i Migrona; tany Mikmasy no nitehirizany ireo vatsiny.
\v 29 Niampita tamin'ny fandalovana izy ireo ary nitoetra tao Geba. Nihovitrovitra i Rama ary nandositra i Gibean'i Saoly.
\s5
\v 30 Mikiakiaha mafy, ry zanaka vavin'i Galima! Aoka ho liana, ry Laisy! Indrisy ry Anatota mahantra.
\v 31 Mandositra i Madmena, ary ireo mponin'i Gebima dia mihazakazaka ho amin'ny fiarovana.
\v 32 Amin'io andro io mihitsy no hijanona ao Noba izy ka hamokona ny totohondriny any an-tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona, ilay havoan'i Jerosalema.
\s5
\v 33 Indro, ilay Yaveh Tompo tompon'ny maro hampianjera ny sampana amin'ny fianjerana mahatsiravina; ireo hazo lava indrindra dia hotapahana, ary izay avo dia hafohezina.
\v 34 Hamaky ireo matevina indrindra amin'ny ala amin'ny famaky izy, ary i Libanona dia hianjera amin'ny fiandrianany.
\s5
\c 11
\cl Toko faha 11
\p
\v 1 Hisy sampany hitsimoka avy amin'ny fototr'i Jese, ary hisy rantsana avy amin'ny fakany hitondra voany.
\v 2 Hitoetra ao aminy ny Fanahin'i Yaveh, ilay fanahin'ny fahendrena sy fahazavan-tsaina, ilay fanahin'ny fampianarana sy hery, ilay fanahin'ny fahalalana sy tahotra an'i Yaveh.
\s5
\v 3 Ny sitrany no ho tahotra ny Tompo; tsy ho tsaraina amin'izay hitan'ny masony izy, na hanapa-kevitra amin'izay ren'ny sofiny.
\v 4 Fa kosa, hitsara ny mahantra amin'ny fahamarinana izy ary hanapa-kevitra ara-drariny amin'ny mpanetry tenan'ny tany. Hamely ny tany amin'ny tsora-kazon'ny vavany izy, ary hamono ny ratsy fanahy amin'ny fofon'ain'ny molony.
\v 5 Ny fahamarinana no ho fehin-kibon'ny andilany, ary fahatokiana no fehin-kibo mihodidina ny valahany.
\s5
\v 6 Ary ny amboadia hiara-hiaina amin'ny zanak'ondry, ary ny leoparda hiara-mandry amin'ny zanak'osy, zanak'omby, ny liona tanora ary ny ombikely hatavezina. Zazakely no hitarika azy ireo.
\v 7 Ny ombivavy sy ny bera dia hiara-hiraoka, ary ny zanak'izy ireo hiara-mandry. Ny liona dia hihinana mololo tahaka ny omby.
\s5
\v 8 Hilalao eo an-davaky ny menarana ny zaza, ary ny zaza nisara-nono hametraka ny tanany eo an-davaky ny bibilava.
\v 9 Tsy handratra na handrava eny amin'ny tendrombohitro masina rehetra izy ireo; satria ho feno fahalalana an'i Yaveh ny tany, toy ny rano mandrakotra ny ranomasina.
\s5
\v 10 Amin'izany andro izany, dia hitsangana toy ny faneva ho an'ny vahoaka ny fototr'i Jese. Hitady azy ireo firenena ary ho be voninahitra ny toerana fitsaharany.
\v 11 Amin'izany andro izany, dia hanitatra ny tanany indray ny Tompo mba handrakotra ireo sisa amin'ny vahoakany izay mitoetra any Asyria, Egypta, Patrosa, Kosa, Elama, Sinara, Hamata, ary ireo nosin'ny ranomasina.
\s5
\v 12 Hametraka faneva ho an'ireo firenena Izy ary hanangona ireo voaroakan'Israely sy ireo voaelin'i Joda avy any amin'ny zorony efatry ny tany.
\v 13 Hamadika ny fanirian'i Efraima Izy, ary ho fongorana ny fankahalan'i Joda. Tsy haniry an'i Joda ny Efraima, ary Joda tsy hankahala an'i Efraima intsony.
\s5
\v 14 Fa hidina hanafika any amin'ny havoan'ny Filistina any avaratra kosa izy ireo, ary hiara-hambabo ny vahoaka any antsinanana. Hanafika an'i Edoma sy Moaba izy ireo, ary hankatoa azy ireo ny vahoakan'i Amona.
\v 15 Hamotika tanteraka any sakeli-dRanomasin'i Egypta i Yaveh. Miaraka amin'ny rivony mahamay dia hanofahofa ny tanany eo amin'ny Ony Eofrata Izy ary hanasaraka izany ho sampana fito, ka afaka hiampitana miaraka amin'ny kapa izany.
\s5
\v 16 Hisy lalam-be ho an'ny sisa amin'ny vahoakany izay miverina avy any Asyria, toy ny nisian'izany ho an'Israely tamin'ny niakaran'izy ireo avy any amin'ny tany Egypta.
\s5
\c 12
\cl Toko faha 12
\p
\v 1 Amin'izany andro izany dia hilaza ianao hoe: "Hanatitra fisaorana ho Anao aho, ry Yaveh. Fa na tezitra tamiko aza Ianao, dia niodina ny fahatezeranao, ary nankahery ahy Ianao.
\v 2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; hatoky aho ary tsy hatahotra, fa Yaveh, eny, Yaveh no heriko sy hirako. Izy no tonga famonjena ahy."
\s5
\v 3 Amin-kafaliana no hisintomanao rano avy amin'ny loharanon'ny famonjena.
\v 4 Amin'izany andro izany no hilazanao hoe: "Manatera fisaorana ho an'i Yaveh ary miantsoa ny Anarany; ambarao amin'ny olona ireo asany, ambarao fa nasandratra ny Anarany."
\s5
\v 5 Mihirà ho an'i Yaveh, fa nanao zavatra be voninahitra Izy, aoka ho fantatra manerana ny tany izany.
\v 6 Miantsoa mafy ary mihiakiaha fifaliana, ianao ry mponin'i Ziona, fa lehibe eo afovoanao ny Iray Masin'Israely."
\s5
\c 13
\cl Toko faha 13
\p
\v 1 Fanambarana mahakasika an'i Babylona, izay voarain'i Isaia zanaka lahin'i Amoza:
\v 2 Manangàna faneva any an-tendrombohitra mangadihady, mihikiaha mafy amin'izy ireo, ahofahofay amin'izy ireo ny tananareo mba hidirany amin'ny vavahadin'ireo andriana.
\v 3 Efa nandidy ireo masiko Aho, eny efa niantso ny maheriko mba hanatanteraka ny fahatezerako, eny na dia ireo mibitaka am-pireharehana aza.
\s5
\v 4 Ny horakoraky ny maro an'isa any an-tendrombohitra, dia tahaka ny vahoaka marobe! Ny tabataban'ny fanjakana tahaka ireo firenena maro tafatambatra! Yaveh tompon'ny maro no mampahery ny tafika amin'ny ady.
\v 5 Avy any amin'ny firenena lavitra izy ireo, avy any amin'ny faravodilanitra. Yaveh sy ireo fitaovana fitsarany, mba handravana ny tany manontolo.
\s5
\v 6 Midradradradrà, fa efa antomotra ny andron'i Yaveh; ho avy miaraka amin'ny fahapotehana avy amin'ilay Tsitoha izany.
\v 7 Noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra ary ho onena ny fo.
\v 8 Hihorohoro izy ireo; ho azon'ny fanaintainana sy fahoriana izy ireo, tahaka ny vehivavy miteraka. Samy ho talanjona amin'izy samy izy ireo; ary hirehitra ireo tavany.
\s5
\v 9 Indro, tonga amin'ny fahavinirana lozabe sy fahatezerana manafotra ny andron'i Yaveh, mba hahatonga ny tany ho lao sy hamotika ireo mpanota avy ao amin'izany.
\v 10 Ireo kintan'ny lanitra sy ireo telonohorefy dia tsy hanome ny hazavany. Ny masoandro dia ho mazina amin'ny fiposahany, ary tsy hamiratra ny volana.
\s5
\v 11 Hanasazy izao tontolo izao noho'ny faharatsiany ary ireo ratsy fanahy nohon'ny helok'izy ireo Aho. Hampitsahatra ny fiavonavon'ireo mpirehareha sy hanafoana ny fiavonavon'ny masiaka Aho.
\v 12 Hataoko mahalana noho ny volamena voadio ny olona ary ny olombelona ho saro-tadiavina noho ny volamena tsy mifangaron'i Ofira.
\s5
\v 13 Noho izany dia hataoko mihovitrovitra amin'ny alalan'i Yaveh tompon'ny maro, sy amin'ny androm-pahatezerany lehibe ny lanitra, ary hataoko miozongozona eo amin'ny toerany ny tany.
\v 14 Tahaka ny gazela voahaza na tahaka ny ondry tsy misy mpiandry, no hiverenan'ny olona tsirairay amin'ny vahoakany ary handosirany any amin'ny taniny.
\s5
\v 15 Izay rehetra hita dia ho faty avokoa, ary izay rehetra tratra dia ho fatin'ny sabatra.
\v 16 Ny zaza madinik'izy ireo dia hotorotoroina eo imasony. Ny tranon'izy ireo dia ho baboina ary ireo vadiny ho voasavika.
\s5
\v 17 Indro, mamporisika ireo Mediana mba hanafika azy ireo Aho, izay tsy ho voakasiky ny volafotsy, na hankamamy ny volamena.
\v 18 Ny tsipìkan'izy ireo handefona ireo zatovony. Tsy hanana antra amin'ny zaza sy tsy hamindra fo amin'ny ankizy izy ireo.
\s5
\v 19 Ary Babylona, ilay mendri-piderana indrindra amin'ireo fanjakana, ilay famirapiratan'ny reharehan'ny Kaldeana, dia horavana tahaka an'i Sodoma sy Gomora.
\v 20 Tsy honenana na hitoerana izany hatramin'ny taranaka fara-mandimby. Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na hisy mpiandry ondry hampandry ny ondriny any.
\s5
\v 21 Fa ireo bibidian'ny efitra no hitoetra any. Ho feno vorondolo ny tranon'izy ireo; ary ostrisa sy osilahy no hifalihavanja ao.
\v 22 Hierona ao anaty fiarovany ny kary, ary ny amboadia ao amin'ireo toerana mahafinaritra. Antomotra ny fotoanany, ary ireo androny dia tsy ho tara.
\s5
\c 14
\cl Toko faha 14
\p
\v 1 Hangoraka an'i Jakoba Yaveh; hifidy an'Israely indray Izy ary hamerina azy ireo ao amin'ny taniny. Hikambana amin'izy ireo ny vahiny ary hampifatotra ny tenany amin'ny ankohonan'i Jakoba.
\v 2 Hitondra azy ireo any amin'ny toerany ireo firenena. Dia hitondra azy ireo any amin'ny tanin'i Yaveh ho mpanompo lahy sy vavy ny ankohonan'Israely. Hambabo ireo izay efa nambabo azy izy ireo, ary hanapaka ireo mpampahory azy.
\s5
\v 3 Amin'ny andro izay hanomezan'i Yaveh fitsaharana ho anareo amin'ny fijaliana sy ny fangirifiriana, sy amin'ny asa mafy izay takiana ho tanterahinareo,
\v 4 dia hihira izao hira fanesoana ho an'ny mpanjakan'i Babylona izao ianareo hoe: "Endrey vita ny amin'ny mpampahory, tapitra ny fahavinirana mieboebo!
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Tapitra ny fahavinirana lehibe", ny dikan-teny sasany manao hoe: "Tapitra ilay tanàna volamena", "Tapitra ny korontana", "tapitra ny fandrafiana", na "Tapitra ny fiavonavonana". \f*
\s5
\v 5 Efa namotika ny tehin'ny ratsy fanahy Yaveh, ny tehim-panjakan'ireo mpanapaka ireo,
\v 6 izay mamely ny vahoaka amin'ny fahatezerana amin'ny fitsofana tsy manam-pitsaharana, izay nanapaka ireo firenena tamim-pahatezerana, tamin'ny fanafihana izay tsy nitsahatra.
\s5
\v 7 Mitsahatra ary mandry ny tany manontolo; manomboka mankalaza amin'ny hira izy ireo.
\v 8 Na dia ny hazo kypreso aza dia mifaly aminao mbamin'ireo sederan'i Libanona; hoy ireo: 'Koa satria nahetry ambany ianao, dia tsy nisy mpanapaka hazo niakatra mba hikapa anay.'
\v 9 Miandry fatratra ny hitsena anao ny Fiainan-tsy hita ambany raha mankany ianao. Manangana ny maty ho anao izany, ry mpanjakan'ny tany rehetra, mampitsangana azy ireo eo amin'ny seza fiandrianany, ry mpanjakan'ny firenena rehetra.
\s5
\v 10 Hiteny avokoa izy rehetra ary hanao aminao hoe: 'Efa tonga malemy tahaka anay ianao. Efa tonga tahaka anay ianao.
\v 11 Efa nahidina ho any amin'ny Fiainan-tsy hita tamin'ny feom-balihinao ny voninahitrao. Miparitaka eo ambaninao ireo olitra, ary mandrakotra anao ireo kankana.'
\s5
\v 12 Akory ny nianjeranao avy any an-danitra, ry kintan'ny andro, zanaky ny maraina! Akory ny hanapahana anao amin'ny tany, ianao izay nandresy ireo firenena!
\v 13 Efa nilaza tao am-ponao ianao hoe: 'Hiakatra ho any an-danitra aho, hanandratra ny seza fiandrianako ambonin'ireo kintan'Andriamanitra aho, ary hipetraka eo an-tendrombohitry ny fiangonana, any amin'ny farany lavitry ny avaratra.
\v 14 Hiakatra ambonin'ireo rahona avo aho; ataoko tahaka ny Andriamanitra Avo Indrindra ny tenako.'
\s5
\v 15 Kanefa nahidina tany amin'ny fiainan-tsy hita ianao, tany amin'ny lalin'ny lavaka.
\v 16 Ireo izay mahita anao dia handinika anao ka hihaino anao izy ireo. Hanao izy ireo hoe: 'Moa ity ve ilay lehilahy izay nampangovitra ny tany, izay nampihozongozona ireo fanjakana,
\v 17 izay nanao izao tontolo izao ho tahaka ny efitra, izay nandrava ireo tanànan'izany ary tsy namela ireo gadrany hody?'
\s5
\v 18 Ny mpanjakan'ireo firenena rehetra, izy rehetra dia mandry amim-boninahitra, ny tsirairay samy ao amin'ny fasany avy.
\v 19 Nefa ianao dia ho esorina ao amin'ny fasanao tahaka ny ratsan-kazo nariana. Mandrakotra anao tahaka ny fitafiana ny maty, dia ireo izay notrobarana tamin-tsabatra, izay midina any amin'ireo vaton'ny lavaka.
\v 20 Tsy ho alevina tahaka azy ireo ianao, satria efa namotika ny taninao sy namono ny vahoakanao. Ny taranaky ny mpanao ratsy dia tsy ho tononina intsony."
\s5
\v 21 Omany ho an'ireo zanany ny famonoanao, ho an'ny helok'ireo razambeny, mba tsy hitsangana izy ireo ka haka ny tany ary hameno izao tontolo izao amin'ireo tanàna.
\v 22 "Hitsangana hanohitra azy ireo Aho"—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro. Ho foanako hiala amin'i Babylona ny anarana, ny taranaka, ary ny harena"—izany no fanambaran'i Yaveh.
\v 23 "Hataoko ho ao amin'ny fananan'ireo vorondolo ihany koa izy, sy ao amin'ireo dobon-drano, ary hofafako amin'ny kifafan'ny fandringanana izy"—izany no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro.
\s5
\v 24 Efa nianiana Yaveh Tompon'ny maro hoe: "Araka ny efa nokasaiko tokoa, no hitranga; ary araka izay efa nokendreko, dia izany no ho izy:
\v 25 Ho potehiko ao amin'ny tany ireo Asyriana, ary hitsahiko amin'ny tongotra eo amin'ireo tendrombohitro izy. Dia ho esorina hiala amin'izy ireo ny ziogany ary hiala eo amin'ny hatok'izy ireo ny enta-mavesany."
\s5
\v 26 Izany no fikasana izay nokasaina ho an'ny tany tontolo, ary izany no tanana izay nasandratra ho an'ireo firenena rehetra.
\v 27 Fa efa nikasa izany Yaveh Tompon'ny maro; iza no hahasakana Azy? Misandratra ny tanany, ka iza no hampihemotra izany?
\s5
\v 28 Tamin'ny taona izay nahafatesan'i Ahaza mpanjaka no nahatongavan'izao fanambarana izao hoe:
\v 29 Aza mifaly, ianareo ry Filistina rehetra, fa tapaka ny tsora-kazo izay namely anareo. Fa avy ao amin'ny fakan'ny bibilava no hivoahan'ny menarana, ary ny haterany dia ho bibilava mirehitra manidina.
\v 30 Hampihinana ireo ondriny eo amin'ireo fihinanam-biloko ny lahimatoan'ny mahantra, ary handry amim-pilaminana ny ory. Hovonoiko amin'ny mosary izay hamono ny sisa velona aminareo ny fakanareo.
\s5
\v 31 Midradradradà, ry vavahady; mitomania, ry tanàna; ianareo rehetra dia hiempo avokoa, ry Filistia. Fa avy ao avaratra no hiavian'ny rahon-tsetroka, ary tsy misy miala eo an-daharany.
\v 32 Koa ahoana ary no hamalian'ny olona ny irak'izany firenena izany? Fa hitan'i Yaveh i Ziona, ary ao aminy no hahitan'ny ory amin'ny olony fialofana.
\s5
\c 15
\cl Toko faha 15
\p
\v 1 Fanambarana mahakasika an'i Moaba. Eny tokoa, anatin'ny alina iray dia foana sy potika i Ara-moaba; eny tokoa, anatin'ny alina iray dia foana sy potika i Kira-moaba.
\v 2 Niakatra ho any an-tempoly izy ireo, niakatra ho any amin'ny tampony ny olon'i Dibona mba hitomany; mitomany ao Nebo sy ao Medeba i Moaba. Voaharatra ho sola ny lohan'izy ireo ary voatapaka ny volom-bavan'izy rehetra.
\s5
\v 3 Mitafy lamba fisaonana izy ireo eny amin'ireo lalan'izy ireo; midradradradra eo amin'ny tampon-trano sy eny an-kianja ny tsirairay, ketraky ny tomany.
\v 4 Miantso vonjy i Hesbona sy i Elale; re hatrany Jahaza ny feon'izy ireo. Ka miantso vonjy ireo lehilahin'i Moaba mitam-piadiana; mangovitra ao anatin'izy ireo ihany izy ireo.
\s5
\v 5 Mitomany ho an'i Moaba ny foko; mandositra ho any Zoara sy Egleta-selisia ireo mpandosiny. Miakatra any amin'ny fiakaran'i Lonita am-pitomaniana izy ireo; midradradradra mafy ny amin'ny fahasimbany amin'ny lalana ho any Horonaima izy ireo.
\v 6 Ritra ireo ranon'i Nimrima; malazo ireo ahitra ary maty ireo ahi-baovao; tsy misy na inona na inona maitso.
\v 7 Izay rehetra nampitomboiny sy nangonin'izy ireo dia nentin'izy ireo any an-dohasahan-driakan'ireo hazomalahelo.
\s5
\v 8 Nanerana ny faritanin'i Moaba ny tomany; hatrany Eglaima sy Ber-elima ny fidradradradrana.
\v 9 Fa feno rà ireo ranon'i Dimona; fa mbola bebe kokoa no ho entiko amin'i Dimona. Hanafika izay tafatsoaka avy ao Moaba sy ireo sisa tavela eo amin'ny tany ny liona.
\s5
\c 16
\cl Toko faha 16
\p
\v 1 Andefaso omby aman'osy ny mpanapaka ny tany avy any Sela any an'efitra, hatrany amin'ny tendrombohitry ny zanaka vavin'i Ziona.
\v 2 Tahaka ireo vorona mpirenireny, tahaka ireo akany miparitaka, ka ny vadin'i Moaba dia ho ao amin'ny fintana any amin'ny reniranon'i Arnona.
\s5
\v 3 Manomeza hevitra, ampiharo ny rariny; manomeza alokaloka tahaka ny alina amin'ny mitataovovonana; hafeno ireo mpandositra; aza mamadika ireo mpandositra.
\v 4 Aoka honina eo aminareo izy ireo, ry mpitsoa-ponenana avy any Moaba; meteza ho toerana fiafena ho azy ireo amin'ny mpandringana." Fa hijanona ny fampahoriana, ary hitsahatra ny fandravana, ireo izay nanosihosy dia hanjavona amin'ny tany.
\s5
\v 5 Hapetraka amin'ny fanekena mahatoky ny seza fiandrianana; ary ny iray avy amin'ny lain'i Davida dia hipetraka ao am-pahatokiana. Hitsara tahaka ny fitadiavany ny rariny izy ary hanao fahamarinana.
\s5
\v 6 Naheno ny avonavon'i Moaba izahay, ny fireharehany, ny fihoa-bavany, ary ny hatezerany. Fa ny fireharehany dia teny foana.
\v 7 Ka midradradradra ho an'i Moaba i Moaba_Midradradradra izy rehetra! Misaonà ho an'ny ampempam-boalobok'i Kira-haresa, ianao izay rava tanteraka.
\s5
\v 8 Nihamaina tahaka ireo voalobok'i Sibma ireo sahan'i Hesboma. Ny mpanapaka amin'ny firenena dia nanosihosy ireo safidim-boaloboka izay tonga hatrany Jazera ary niparitaka tany an'efitra. Ireo sampany niely teny ivelany, nandeha manerana ny ranomasina izy ireo.
\s5
\v 9 Dia hitomany miaraka amin'i Jazera ho an'ireo voalobok'i Sibma tokoa aho. Hanondraka anao amin'ireo ranomasiko aho, ry Hesbona, sy Elale. Fa teo amin'ireo sahan'ny voa lohataona sy ny fijinjana no namaranako ireo hiakam-pifaliana.
\v 10 Noesorina tamin'ny alan'ny hazo fihinam-boa ny fifaliana sy firavoaravoana; ary tsy misy hira na hiaka ao amin'ny tanim-boaloboka. Tsy hisy na iza na iza hanitsaka divay ao amin'ny famiazana, fa efa natsahatro ireo hiakan'ny iray izay manitsaka.
\s5
\v 11 Ka misento tahaka ny harpa ho an'i Moaba ny foko, ary ny ao anatiko ho an'i Kira Hareseta.
\v 12 Rehefa mampiakanjo ny tenany any amin'ny toerana avo i Moaba ka miditra ny tempoliny mba hivavaka, dia tsy hahatanteraka na inona na inona ny vavany.
\s5
\v 13 Izany no teny izay notenenin'i Yaveh mahakasika an'i Moaba teo aloha.
\v 14 Miteny indray Yaveh hoe: "Anatin'ny telo taona, dia hanjavona ny voninahitr'i Moaba, na dia maro aza ireo olony, dia ho vitsy ireo sisa tavela ary tsy hisy dikany."
\s5
\c 17
\cl Toko faha 17
\p
\v 1 Fanambarana momba an'i Damaskosy.
\v 2 Hafoy ireo tanànan'i Aroera. Ho toerana handrian'ny biby fiompy ireny, ary tsy hisy hampitahotra azy ireo.
\v 3 Hanjavona tsy ho ao Efraima, ilay fanjakana avy any Damaskosy, ary ilay sisa tavelan'i Arama ireo tanàna voaaro—ho tahaka ny voninahitry ny vahoakan'Israely ireo—izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\v 4 Ary amin'izany andro izany dia ho bitika ny voninahitr'i Jakoba, ary hanjary hahia ny fahatavezan'ny nofony.
\v 5 Ho takaka ny amin'ny fanangonan'ny mpinjinja ny vary an-tahony izany, ary ny sandriny mijinja ny salohim-bary. Ho tahaka ny amin'ny fanotazan'ny olona iray ny salohim-bary eny amin'ny Lohasahan'ny Refaima izany.
\s5
\v 6 Hisy sisa voaagona ho tavela, kanefa, ho tahaka ny amin'ny fihozongozonan'ny hazon'oliva: misy oliva roa na telo eo amin'ny rantsany ambony indrindra, efatra na dimy eo amin'ny sampany avo indrindra amin'ny hazo mamoa—izany no fanambaran'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.
\v 7 Amin'izany andro izany dia hitodika amin'ny Mpahary azy ny olona, ary ny masony hijery ny Iray Masin'Israely.
\s5
\v 8 Tsy hijery ny alitara izy ireo, izay asan'ny tanan'izy ireo, na hijery izay nataon'ny ratsan-tanany, dia ny baon'Aseraha na ireo sary masoandro.
\v 9 Amin'izany andro izany dia ho tahaka ny bao hazo nafoy eny amin'ny tendron'ny havoana ny tanàna mafy orin'izy ireo, izay nafoy noho ireo vahoakan'Israely ary hanjary ho lao izany.
\s5
\v 10 Fa nanadino ny Andriamanitry ny famonjenareo ianareo, ary nodianareo fanina ny vatolampin'ny herinareo. Koa mamboly zava-maniry mahafinaritra ianareo, ary mametraka tahom-boaloboka voaray avy tamin'ny vahiny,
\v 11 amin'ny andro hambolenareo, sy hamefenareo, sy hampanirianareo. Tsy ho ela dia haniry ny voanareo, saingy tsy hahavanona ny vokatrareo amin'ny andro fahoriana sy alahelo mafy.
\s5
\v 12 Loza! Ny fikomian'ny olona maro, izany mierona tahaka ny fieron'ny ranomasina, ary ny fisafoaky ny firenena, izay mifaoka tahaka ny fipaokan'ny rano mahery!
\v 13 Hierona tahaka ny fipaokan'ny rano maro ireo firenena, saingy hibedy azy ireo mafy Andriamanitra. Handositra lavitra izy ireo ary hazaina tahaka ny ahi-dratsy tsofin'ny rivotra eny amin'ny tendrombohitra, ary tahaka ny ahi-drasty ahodikodin'ny tafiotra.
\v 14 Amin'ny hariva, indro, ny horohoro! Mialohan'ny maraina dia ho dify ireo! Izany no anjaran'ireo izay mambabo antsika, ny amboaran'ireo izay mandroba antsika.
\s5
\c 18
\cl Toko faha 18
\p
\v 1 Loza ho an'ny tanin'ny fibitsibitsihin'ireo elatra, izay miaraka amin'ireo onin'ny Etopia;
\v 2 izay nandefa masoivoho amin'ny ranomasina, ao anaty fanaka taratasy papirosy eny amin'ny rano. Mandehana, ianareo ry iraka haingam-pandeha, any amin'ny firenena lava sy malama, any amin'ny olona matahotra lavitra sy akaiky, firenena matanjaka sy manosihosy, izay nozarai'ny ony ny taniny.
\s5
\v 3 Ianareo mponina rehetra eto amin'izao tontolo izao sy ianareo izay monina eto an-tany, rehefa niainga eo an-tampon-tendrombohitra ny fanairana, mijere, ary rehefa tsofina ny trompetra, mihainoa.
\s5
\v 4 Izao no nambaran'i Yaveh tamiko, "Handinika moramora avy eny amin'ny tranoko Aho, toy ny fipoakan'ny hafanana eny amin'ny masoandro, toy ny zavon'ny rahona amin'ny hafanan'ny fijinjana.
\v 5 Mialohan'ny fijinjana, rehefa tapitra mamelana ny, ary ny voninkazo dia mamoa ho voaloboka, handrantsana ireo voniny amin'ny fanetezam-boaloboka izy, ary hokapainy sy ho entiny ireo rantsana voaely.
\s5
\v 6 Havela ho an'ny voron'ny tendrombohitra sy ireo biby eny ambonin'ny tany koa izy ireo. Handany fahavaratra amin'izy ireo ny vorona, ary ireo biby manan'aina rehetra dia handany ririnina amin'izy ireo."
\v 7 Amin'izany fotoana izany dia hisy fanomezam-boninahitra an'i Yaveh Tompon'ny maro avy amin'ireo vahoaka lava sy malama, avy amin'ny vahoaka natahotra alavitra sy akaiky, firenena matanjaka sy voahitsaka, ireo izay nosarahan'ny ony ny taniny, ao amin'ny toeran'ny anaran'i Yaveh Tompon'ny maro, hatrany amin'ny tendrombohitra Ziona.
\s5
\c 19
\cl Toko faha 19
\p
\v 1 Fanambarana momba an'i Egypta. Indro, Yaveh mitaingina rahona haingam-pandeha ka ho avy any Egypta; mihovitrovitra eo anatrehany ireo sampin'i Egypta, ary dia ketraka anaty ny fon'ireo Egyptiana.
\v 2 "Hamporisihiko hiady ireo Egyptiana samy Egyptiana: lehilahy iray hiady amin'ny rahalahiny, ary lehilahy iray hanohitra ny namany; tanàna hanohitra tanàna, ary fanjakana hanohitra fanjakana.
\s5
\v 3 Ho ketraka anaty ny fanahin'i Egypta. Ho potehiko ny toroheviny, na dia nitady ny hevitr'ireo sampy, sy fanahin'olo-maty, sy mpahita ny ho avy, ary mpanao sikidy aza izy ireo.
\v 4 Hatolotro eo an-tanan'ny tompo masiaka ireo Egyptiana, ary mpanjaka matanjaka no hanapaka eo amin'izy ireo_ izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro."
\s5
\v 5 Ho ritra ny ranon'ny ranomasina, ary ho ritra ny ony ka ho foana.
\v 6 Ho tonga maloto ireo renirano; hihena ny riak'i Egypta ka ho ritra; ny volotara sy ny zozoro halazo.
\s5
\v 7 Ireo volotara amoron'i Neily, amoron'ny vavan'i Neily, sy ireo tanim-bolin'i Neily rehetra dia ho kina, hanjary vovoka, ka ho voatsoka.
\v 8 Hidradradradra sy hisaona ireo mpanjono, ary izay rehetra manipy ny fintany ao amin'i Neily hisaona, ary izay mamelatra ny haratony ao amin'ny rano halahelo.
\s5
\v 9 Ireo mpiasa amin'ny bangon-drongony sy izay manenona lamba hiova ho hatsatra.
\v 10 Ho voatorotoro ireo mpanao lamban'i Egypta; ireo rehetra miasa amin'ny fikaramana halahelo anaty.
\s5
\v 11 Adala tanteraka ireo andrian'i Zoana. Ny torohevitr'ireo mpanolotsaina hendry indrindran'i Farao miova ho tsy misy dikany. Ahoana no hitenenanao amin'i Farao hoe: "Izaho no zanaka lahin'ireo olon-kendry, zanaka mpanjaka fahiny?"
\v 12 Koa aiza ary izay olon-kendrinao eo? Aoka izy ireo hilaza aminao ka hampahafantatra izay kasain'i Yaveh Tompon'ny maro mahakasika an'i Egypta.
\s5
\v 13 Efa adala ny andrian'i Zoana, voafitaka ireo andrian'i Memfisa; efa nanao an'i Egypta handeha amin'ny lalan-diso izy ireo, izay fehizoron'ireo fokony.
\f + \ft Fanamarihana: raha toa ka "Memfisa", ireo dikan-teny sasany manao hoe "Nofa", anarana Hebreo ho an'io tanàna any Egypta io ihany. \f*
\v 14 Yaveh efa nampifangaro fanahin'ny fifandroritana teo anivony, ary izy ireo efa nitarika an'i Egypta tamin'ny lalan-tsy izy amin'izay ataony rehetra, tahaka ny mamo mivembena amin'ny naloany.
\v 15 Tsy misy na inona na inona azon'ny olona atao intsony ho an'i Egypta, na ny loha na ny rambo, na ny rantsan-drofia na ny volotara.
\s5
\v 16 Amin'izany andro izany, ireo Egyptiana ho tahakan'ny vehivavy. Hihorohoro sy hatahotra izy ireo noho ny fisandratry ny tanan'i Yaveh Tompon'ny maro izay atsangany eo amin'izy ireo.
\v 17 Ho tonga anton'ny fivemben'i Egypta ny tanin'ny Joda. Na rahoviana na rahoviana misy olona hampahatsiahy azy ireo Azy, dia hatahotra izy ireo, noho ny fikasan'i Yaveh, izay rafetiny hanohitra azy ireo.
\s5
\v 18 Amin'izany andro izany dia hisy tanàna dimy ao amin'ny tany Egypta izay hiteny ny fitenin'i Kanàna ary hianiana fankatoavana amin'i Yaveh Tompon'ny maro. Iray amin'ireo tanàna ireo ho antsoina hoe Ilay Tanànan'ny Masoandro.
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka "Ilay Tanànan'ny Masoandro" izay angamba manondro an'i Helopolisy tanànan'ny Egyptiana. Ireo dikan-teny sasany taloha sy taty aoriana manao hoe "Ilay Tanànan'ny Faharavana". \f*
\s5
\v 19 Amin'izany andro izany dia hisy alitara ho an'i Yaveh eo afovoan'ny tany Egypta, ary tsangam-bato ho an'i Yaveh eo amin'ny sisiny.
\v 20 Izany dia ho famantarana sy vavolombelona ho an'i Yaveh Tompon'ny maro ao amin'ny tany Egypta. Rehefa mitomany an'i Yaveh noho ireo mpampahory izy ireo, dia handefa mpanavotra sy mpiaro ho azy ireo Izy, ary hanafaka azy ireo.
\s5
\v 21 Ho tonga fantatr'i Egypta i Yaveh, ary hahalala an'i Yaveh ireo Egyptiana amin'izany andro izany. Hanompo amin'ny sorona sy fanatitra izy ireo, ary hanao voady amin'i Yaveh izy ireo ka hanatanteraka ireo.
\v 22 Hampahory an'i Egypta i Yaveh, mampahory ary manasitrana. Hiverina amin'i Yaveh izy ireo; hihaino ny vavak'izy ireo Izy ka hanasitrana azy ireo.
\s5
\v 23 Amin'izany andro izany dia hisy lalam-be hantrany Egypta ka hatrany Asyria, ka ho tonga any Egypta ny Asyriana, ary ny Egyptiana any Asyria; ary hanompo miaraka amin'ireo Asyriana ireo Egyptiana.
\s5
\v 24 Amin'izany andro izany, Israely no ho fahatelo amin'i Egypta sy Asyria, fitahiana iray eo afovoan'ny tany;
\v 25 hitahy azy ireo Yaveh Tompon'ny maro ka hiteny hoe: "Hotahiana anie Egypta, vahoakako; i Asyria, asan'ny tanako; ary Israely, lovako."
\s5
\c 20
\cl Toko faha 20
\p
\v 1 Tamin'ny taona nahatongavan'i Tartana tao Asdoda, rehefa naniraka azy i Sargona mpanjakan'i Asiria, dia niady tamin'i Asdoda izy ary naka izany.
\v 2 Tamin'izany fotoana izany i Yaveh dia niresaka tamin'Isaia zanaka lahin'i Amoza ary niteny hoe: "Mandehana ary esory ny lamba fisaonana eny amin'ny andilanao sy ny kapa eny an-tongotrao." Koa nataony izany, nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa.
\s5
\v 3 Hoy Yaveh hoe: "Tahaka ny nandehanan'Isaia nitanjaka sy tsy nanao kapa nandritry ny telo taona, dia famantarana sy fambara mahakasika an'i Egypta sy mahakasika an'i Etiopia izany—
\v 4 amin'izany fomba izany no hitarihan'ny mpanjakan'i Asyria ireo babon'i Egypta, sy ireo sesi-tanin'i Etiopia, tanora sy antitra, mitanjaka sy tsy manao kapa, ary miaraka amin'ny vody tsy mirakotra, ho amin'ny fahamenaran'i Egypta.
\s5
\v 5 Hatahotra sy ho menatra izy ireo, satria nalain'i Etiopia ny fanantenan'izy ireo ary nalain'i Egypta ny voninahitr'izy ireo.
\v 6 Amin'izany andro izany ny mponin'ireo sisin-tany ireo dia hilaza hoe: 'Loharan'ny fanantenanay tokoa izany, izay nandosiranay mba hila fanampiana ho voaavotra amin'ny mpanjakan'i Asyria, ary ankehitriny, ahoana no afahanay mandositra?'"
\s5
\c 21
\cl Toko faha 21
\p
\v 1 Fanambarana momban'ny tany efitra amoron-dranomasina. Tahaka ny tadio mamakivaky an'i Negeva no hiavian'izany mandalo avy any an'efitra, avy any amin'ny tany loza.
\v 2 Fahitana mahatsiravina no nomena ahy: ilay lehilahy mpamitaka dia namitaka, ary ny mpandrava dia nandrava. Miakara ary tafio, ry Elama; ataovy fahirano, ry Mediana; hampitsahatra ny tarainany rehetra Aho.
\s5
\v 3 Noho izany dia feno fanaintainana ny valahako; fanaintainana tahaka ny fanaintainan'ny vehivavy miteraka no namatotra ahy; niankohoka noho ilay zavatra reko aho; nikorontana tamin'ny zavatra hitako aho.
\v 4 Torotoro ny foko, mangovitry ny tahotra aho. Ny hariva, fotoana ankafiziko anatin'ny andro, dia nitondra horohoro ho ahy.
\s5
\v 5 Nanomana ny latabatra izy ireo, novelarin'izy ireo ny lamba firakotra ka nihinana sy nisotro; mitsangàna, ry andriandahy, osory diloilo ny ampinganareo.
\s5
\v 6 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Mandehana, mametraha lehilahy mpiambina iray; tsy maintsy mitatitra izay hitany izy.
\v 7 Rehefa mahita kalesy, mpitaingi-tsoavaly roa, mpitaingina boriky, ary mpitaingina kamela izy, dia tokony handinika sy ho mailomailo."
\s5
\v 8 Nitaraina ilay lehilahy mpiambina hoe:
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe "Niantso mafy izy" dia ny sasany amin'ireo dika-teny taloha manao hoe: "Nisy liona niantso mafy" \f*
"Ry Tompo, teo amin'ny tilikambo fihambenana aho dia nijoro nandritry ny iray andro tontolo, isan'andro, ary teo amin'ny toeram-pitiliko no nijoroko nandritry ny alina manontolo."
\v 9 Indro tamy ny kalesy iray miaraka amin'ny lehilahy iray sy mpitaingin-tsovaly roa. Niantso mafy izy nanao hoe: "Efa rava Babylona, rava, ary ireo sary vongan'ny andriamaniny rehetra dia potika amin'ny tany."
\s5
\v 10 Ry novelesina sy nosivaniko, zanaky ny trano fitotom-bariko! Izay reko tamin'i Yaveh tompon'ny maro, ilay Andriamanitr'Israely, efa nambarako taminareo.
\s5
\v 11 Fanambarana momban'i Edoma. Nisy iray niantso ahy avy any Seira hoe: "Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina? Ry mpiambina, rahoviana no hifarana ny alina?
\v 12 Hoy ilay mpiambina hoe: "Ho avy ny maraina ary ny alina ihany koa. Raha maniry ny anontany ianao, dia manontania; ary miverena indray."
\s5
\v 13 Fanambarana momban'i Arabia. Any amin'ny tany efitr'i Arabia no andanianareo ny alina, ry andian-Dedanita.
\v 14 Mitondrà rano ho an'ny mangetaheta; ry mponina ao amin'ny tanin'i Tema, tsenao amin'ny mofo ireo mpitsoaha-ponenana.
\v 15 Fa izy ireo dia nandositra ny sabatra, tamin'ny sabatra voarendrika, tamin'ny tsipika voahenjana, ary tamin'ny vesatry ny ady.
\s5
\v 16 Fa izao no nolazain'ny Tompo tamiko hoe: "Ao anatin'ny taona iray, tahaka ny hitan'ny mpiasa tany nokaramaina mandritry ny taona, dia hifarana ny voninahitr'i Kedara rehetra.
\v 17 Mpandefa tsipíka, lehilahy mpiadin'i Kedara vitsy sisa no ho tavela," satria Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely, no efa niteny.
\s5
\c 22
\cl Toko faha 22
\p
\v 1 Fanambarana mahakasika ny Lohasahan'ny Fahitana: Inona no antony nandehananareo rehetra ho any amin'ireo tampon-trano?
\v 2 Ny mba hahenonareo ny tanàna feno tabataba ve, tanàna izay feno firavoravoana? Ny maty eo aminao dia tsy matin'ny sabatra, ary tsy maty tamin'ny ady izy ireo.
\s5
\v 3 Ireo mpanapaka anao rehetra niara-nitsoaka, fa voababo tsy nampiasana zana-tsipika izy ireo; izy rehetra dia voababo niaraka, na dia nandositra lavitra aza izy ireo.
\v 4 Noho izany dia hoy aho hoe: "Aza mijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; aza miezaka hampionona ahy mahakasika ny faharavan'ny zanaka vavin'ny oloko."
\s5
\v 5 Fa misy ny andron'ny tabataba, fanosihosena, ary fifanjevoana ho an'ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, ao amin'ny Lohasahan'ny Fahitana, faharavan'ireo mandà, ary ny olona miantsoantso mafy any amin'ireo tendrombohitra.
\v 6 Elama naka ny tranon-jana-tsìpaka, niaraka tamin'ny kalesin'ireo lehilahy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ary Kira nanala ny fonon'ny ampinga.
\v 7 Fa ireo lohasaha izay nofidinao indrindra dia ho feno kalesy, ary ireo mpitaingin-tsoavaly dia haka ny toerany eo am-bavahady.
\s5
\v 8 Nanala ny fiarovan'i Joda Izy; ary tamin'izany andro izany ianao dia nijery ireo fitaovam-piadina eo amin'ny Lapan'ny Ala.
\v 9 Nahita ny bangan'ny tanànan'i Davida ianareo, fa maro ireo, ary nanangona ny ranon'ny dobo ambany ianareo.
\s5
\v 10 Nanisa ny ankohonan'i Jerosalema ianareo, ary nandrodana ireo trano mba hanamafisana ny mànda.
\v 11 Namboatra fitahirizana teo anelanelan'ireo mànda roa ianareo ho an'ny ranon'ny dobo tranainy. Fa tsy mba nihevitra ny mpamorona ny tanàna ianareo, izay nanomana izany hatry ny ela.
\s5
\v 12 Tamin'izany andro izany ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro niantso fitomaniana, fisaonana, fiaratan-doha, ary fanaovana akanjo fisaonana.
\v 13 Fa indro, kosa, ny fankalazana sy ny fifaliana, ny famonoan'omby sy ny famonoan'ondry, fihinan-kena sy fisotroan-divay; aoka isika hisotro sy hihinana, fa ho faty isika rahampitso.
\v 14 Izao no nambaran'i Yaveh Tompon'ny maro teo an-tsofiko: "Eny tokoa fa tsy havela izany helokareo izany, eny fa na dia ho faty aza ianareo," hoy ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro.
\s5
\v 15 Ny Tompo Yaveh Tompon'ny maro, nilaza izao: "Mandehana mankany amin'ny mpitandrin-draharaha, any amin'i Sebna, izay manapaka ny trano, ary lazao hoe:
\v 16 'Inona no ataonao eto ary iza no nanome alalana anao handavaka fasana ho an'ny tenanao, hanamboatra fasana eny ambony sy handavaka toerana fialana sasatra eny amin'ny vatolampy?'"
\s5
\v 17 Indro, Yaveh efa hanipy anao, ry lehilahy mahery, hanipy anao ho ambany; hanitsakitsaka anao mafy tokoa Izy.
\v 18 Hanakodiadia anao tokoa Izy, ary hampisamboaravoara anao ho toy ny baolina makany amin'ny tany malalaka. Any no hahafatesanao, ary ho any koa ireo kalesin'ny voninahitrao; ho tonga henatra ho an'ny tompon'ny tranonao ianao!
\v 19 "Ho roahiko hiala eo amin'ny raharahanao sy ny toeranao ianao. Haongana ianao.
\s5
\v 20 Amin'izany andro izany Aho dia hiantso an'i Eliakima mpanompoko zanaka lahin'i Hilkia.
\v 21 Hampiakanjoako amin'ny akanjo lavanao izy ary hasiako ny fehin-kibonao, ary hafindrako ho eo an-tanany ny fahefanao. Ho rain'ny mponin'ny Jerosalema sy ny ankohonan'ny Joda izy.
\v 22 Hapetrako eo an-tsadriny ny fanalahidin'ny ankohonan'ny Davida; hamoha izy, ary tsy hisy hanidy; hanidy izy, ary tsy hisy hamoha.
\s5
\v 23 Hampitoeriko izy, toy ny fihantonan-javatra amin'ny toerana azo antoka, ary ho tonga toeram-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy izy.
\v 24 Hahanton'izy ireo aminy ny voninahitry ny ankohonan-drainy rehetra, ny zanany sy ireo taranany, ny fanaka bitika rehetra avy amin'ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra.
\s5
\v 25 Amin'izany andro izany_ izao no fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro_ ho esorina ilay fihantonan-javatra amin'ny toerana mafy orina, ho potehina ary ho lavo, ary ny lanja amin'izany dia ho tapahina_ fa Yaveh no niteny.
\s5
\c 23
\cl Toko faha 23
\p
\v 1 Ny fanambarana momba an'i Tyro: Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy; fa tsy misy na trano na seranana; avy tao amin'ny tanin'i Sipra no nanambarana izany tamin'izy ireo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Sipra", ireo dikan-teny sasany vaovao mitazona hoe "Kitima", anarana hebreo ho an'izany nosy izany. \f*
\v 2 Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka; fa ny mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo amin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo.
\f + \ft Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taloha sy ankehitriny manao hoe:
"Mangìna, ianareo ry mponin'ny morontsiraka, dia ireo mpivarotra ao Sidona, izay miatsambo ambonin'ny ranomasina, dia efa nameno anareo" na "Mangìna, ianareo ry mponin'ny moron-tsiraka sy ianareo mpivarotra ao Sidona izay nofenoin'ireo izay miatsambo ambonin'ny ranomasina'" \f*
\v 3 Teo ambonin'ireo rano lehibe no nisy ny varin'i Sihora, ny vokatr'i Neily no vokany; ka tonga varotra ho an'ireo firenena izany.
\s5
\v 4 Aoka ho menatra, ry Sidona; fa efa niteny ny ranomasina, dia ilay mahery amin'ny ranomasina. Hoy izy: "Tsy mbola nihetsi-jaza aho na niteraka, na nanangana zatovolahy na nitaiza zatovovavy."
\v 5 Ka rehefa tonga any Egypta ny tatitra, dia halahelo mahakasika an'i Tyro izy ireo.
\s5
\v 6 Miampità an'i Tarsisy; midradradradrà, ianareo ry mponin'ny morontsiraka.
\v 7 Moa ve nitranga taminao izany, ry tanàna faly, izay avy amin'ireo fotoana taloha no niandohany, izay nentin'ny tongony lavitra any amin'ireo toerana vahiny mba hitoerana?
\s5
\v 8 Iza no nikasa izany hanoherana an'i Tyro, ilay mpanome ireo satro-boninahitra, izay ny mpivarotra dia andrian-dahy, izay ny mpanakalo dia ireo olona manam-boninahitra amin'ny tany?
\v 9 Yaveh Tompon'ny maro efa nikasa izany mba hanala baraka ny fiavonavonany sy ny voninahiny rehetra, mba hampamenatra ireo olony manam-boninahitra rehetra amin'ny tany.
\s5
\v 10 Asao ny taninao, tahaka ny iasan'ny olona an'i Neily, ry zanakavavin'i Tarsisy. Tsy misy tsena intsony ao Tyro.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Asao ny taninao", ireo dikan-teny sasany manao hoe: Mamakivakia ny taninao" na "Ataovy tondraka ny taninao". \f*
\v 11 Efa naninjitra ny tanany teo ambonin'ny ranomasina Yaveh, ary efa nanozongozona ireo fanjakana Izy; efa nanome baiko nahakasika an'i Fenisia, mba handrava ireo fiarovana mafy Izy.
\v 12 Hoy Izy: "Tsy hifaly intsony ianao, ry virijiny ory zanakavavin'i Sidona; mitsangàna; miampità ho any Sipra; nefa na dia any aza dia tsy hanam-pitsaharana ianao."
\s5
\v 13 Jereo ny tanin'ireo Kaldeana. Efa tsy nisy intsony ireo vahoaka tao; efa nanao izany ho efitra ho an'ireo bibidia ireo Asyriana. Efa nanangana ireo tilikambony izy ireo; noravainy ireo lapan'izany; nataony ho antontam-paharavana izany.
\v 14 Midradradradrà, ianareo ry sambon'i Tarsisy; fa efa noravana ny fialofanareo.
\s5
\v 15 Amin'izany andro izany, dia ho adino mandritra ny fito taona i Tyro, tahaka ireo andron'ny mpanjaka. Aorian'ny faran'ny fito taona dia hisy zavatra tahaka ny ao amin'ny hiran'ny mpijangajanga hitranga ao Tyro.
\v 16 Makà harpa, mandehandehana any amin'ny tanàna, ianao ry mpijangajanga nohadinoina; tendreo tsara izany, mihirà hira maro, mba ho tsaroana ianao.
\s5
\v 17 Ary aorian'ny fito taona, dia hamonjy an'i Tyro Yaveh, ka hanomboka hitady vola amin'ny fanaovana ny asan'ny mpijangajanga indray izy, ary hiasa ho an'ny fanjakan'ny tany rehetra.
\v 18 Hatokana ho an'i Yaveh ny tombony sy ny fananany. Tsy ho tehirizina na ho angonina ao amin'ny firaiketana ireo, fa ny tombony dia homena ireo izay mitoetra eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ary ho ampiasaina mba hamatsy azy ireo amin'ny sakafo tondraka sy mba ahafahan'izy ireo mahazo ny akanjo tsara kalitao indrindra.
\s5
\c 24
\cl Toko faha 24
\p
\v 1 Indro, hanafoana ny tany Yaveh, handrava izany, hahalao azy ary hampiely ireo mponiny.
\v 2 Ho tahaka izany no ho an'ireo mponina, ny mpisorona; ny mpanompo, ny tompony, mpiasa an-trano; ny tompovaviny, ny mpividy, ny mpivarotra; ny mpanome trosa, ny mpitrosa; ny mpandray tombontsoa, ary ny mpanome tombontsoa.
\s5
\v 3 Ho rava tanteraka ny tany ary ho foanana tanteraka; satria Yaveh no efa niteny izany teny izany.
\v 4 Maina sy malazo ny tany, milofika sy malazo izao tontolo izao, mihaosa ny olona malazan'ny tany.
\v 5 Maloto amin'ny alalan'ireo mponiny ny tany satria efa nandika lalàna, nanota ny didy, ary nivadika tamin'ny fanekena maharitra mandrakizay izy ireo.
\s5
\v 6 Noho izany dia mandevona ny tany ny ozona, ary meloka ireo mponiny. May ireo mponin'ny tany, ary vitsy sisa no tavela.
\v 7 Maina ireo divay vaovao, malazo ny voaloboka, misento avokoa ireo faly am-po.
\s5
\v 8 Mitsahatra ny feo mandrotsirotsin'ny ampongatapaka, sy ny fitabataban'ireo mifaly; mitsahatra ny fifaliana amin-dokanga.
\v 9 Tsy misotro divay na mihira intsony izy ireo, ary ny toaka dia mangidy ho an'ireo izay misotro izany.
\s5
\v 10 Rava ny tanànan'ny fikorontanana; mihidy sy foana avokoa ireo trano rehetra.
\v 11 Misy tabataba noho'ny divay eny an-dalambe; maizina ny haravoana, nanjavona ny fifaliana.
\s5
\v 12 Faharavana sisa no eo amin'ny tanàna, ary ny vavahady dia potika.
\v 13 Fa toy izany no ho amin'ny tany rehetra eo amin'ny firenena, tahaka ny hazo oliva voakapoka, tahaka ny fitsimponam-boaloboka rehefa vita ny fiotazana.
\s5
\v 14 Hanandratra ny feony sy hiantso ny voninahitr'Andriamanitra, ary hihiaka am-pifaliana avy amin'ny ranomasina izy ireo.
\v 15 Noho izany dia mankalazà an'i Yaveh any atsinanana, manomeza voninahitra ny anaran'i Yaveh, ilay Andriamanitr'Israely ao amin'ireo nosy.
\s5
\v 16 Hatrany am-paran'ny tany no nandrenesanay hira hoe: "Voninahitra anie ho an'ilay marina!" Fa hoy aho hoe: "Efa nihaosa aho, efa nihaosa aho, indrisy! Ny mpamitaka dia nitondra am-pitaka; eny, ny mpamitaka dia tena nitondra am-pitaka tokoa."
\s5
\v 17 Aminareo ny tahotra, ny lavaka, ary ny fandrika, ry mponin'ny tany.
\v 18 Izy izay mandositra ny feon'ny fampihorohoroana dia ho latsaka ao an-davaka, ary izy izay miakatra avy ao an-davaka dia ho azon'ny fandrika. Hisokatra ny varavaran'ny lanitra, ary ireo fanorenan'ny tany dia hiozongozona.
\s5
\v 19 Ho rava tanteraka ny tany, hitresaka ny tany; hiozongozona mafy ny tany.
\v 20 Hivembena tahaka ny olona mamo ny tany ary hitsingevaeva tahaka ny trano bongo izany. Hivesatra amin'izany ny fahotany ary hianjera izany ka tsy hiarina intsony.
\s5
\v 21 Ary amin'izany andro izany dia hanasazy ny miaramilan'ilay avo any ambony, sy ireo mpanjakan'ny tany ety an-tany i Yaveh.
\v 22 Hatambatra izy ireo, gadra ao an-davaka, ary hangina ao am-ponja; ary afaka andro maromaro dia ho voasazy izy ireo.
\v 23 Ary dia ho menatra ny volana, ary ho afa-baraka ny masoandro, satria hanjaka amim-boninahitra ao an-tendrombohitr'i Ziona sy ao Jerosalema, ary manoloana ireo zokiolony i Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\c 25
\cl Toko faha 25
\p
\v 1 Ry Yaveh, Andriamanitro ianao; hanandratra anao Aho, hidera ny anaranao Aho; fa efa nanao zava-mahagaga ianao, zavatra efa nomanina ela, am-pahatokisana tanteraka.
\v 2 Fa efa nataona ho korotam-bato ny tanàna, ary ny tanàna voaro mafy, ho faharavana, ary ny fiarovana mafy ireo vahiny tsy ho tanàna.
\v 3 Ka dia hanome voninahitra anao ireo olona mahery; hatahotra anao ny tanànan'ny ireo firenena feno herisetra.
\s5
\v 4 Fa fitoerana fiarovana ho an'ny olona mahantra ianao, fialofana ho an'izay ory ao amin'ny fahoriany_fialofana amin'ny tafio-drivotra sy alokaloka amin'ny hafanana. Raha toy ny tafio-drivotra hanohitra ny rindrina ny fofonain'ireo masiaka,
\v 5 ary toy ny hafanana amin'ny tany maina, no nandresenao ny tabataban'ireo vahiny, tahaka ny haresen'ny aloky ny rahona ny hafanana dia toy izany koa no hamaliana ny hiran'ireo masiaka.
\s5
\v 6 Eto amin'ity tendrombohitra ity no hanaovan'i Yaveh Tompon'ny maro fanasana amin'ireo zavatra matavy, amin'ny divay maro karazany, amin'ny laoka be tsoka, fanasana amin'ny divay efa niotrika ela ho an'ny vahoaka rehetra.
\v 7 Horavaina eto amin'ity tendrombohitra ity ny fandrakofana eo amin'ny vahoaka rehetra, ny tranokala tenona eo amin'ny firenena rehetra.
\v 8 Hateliny mandrakizay ny fahafatesana, ary Yaveh Tompo hamafa ny ranomaso amin'ireo tava rehetra, hoesorina amin'ny tany rehetra ny fahafaham-barakan'ny olony, fa Yaveh no efa niteny izany.
\s5
\v 9 Ary holazaina amin'izany andro izany hoe: "Indro, ity no Andriamanintsika; efa niandry azy isika, ary izy hamonjy antsika. Izy no Yaveh, efa niandry azy isika, hifaly sy hiravo ny amin'ny famonjeny isika."
\v 10 Fa eto amin'ity tendrombohitra ity no hitsaharan'ny tanan'i Yaveh; ary Moaba ho voahitsakitsaka amin'ny toerany, na dia voahitsakitsaka ao an-davaka feno zezika aza ny maloto.
\s5
\v 11 Namelatra ny tanan'izy ireo teo afovoan'izany izy ireo, toy ny famelatry ny mpilomano ny tanany rehefa milomano, Fa Yaveh hampietry ny avonavon'izy ireo na dia eo aza ny hakingan'ny tanan'izy ireo.
\v 12 Ny manda avo fiarovanao dia haetriny amin'ny tany, ho eo amin'ny amin'ny vovoka.
\s5
\c 26
\cl Toko faha 26
\p
\v 1 Amin'izany andro izany ity hira ity no hiraina any amin'ny tanin'ny Joda: Manana tanàna mafy izahay; Andriamanitra efa nanao ny famonjena ho rindrin'izany sy tovon-tany fiarovany.
\v 2 Voahy ny vavahady, mba ahafahan'ny firenena marina izay mihazona finoana miditra ao.
\s5
\v 3 Ny saina izay mitoetra ao aminao, hotehirizinao amin'ny fiadanana tanteraka izy, satria mitoky aminao;
\v 4 Matokia an'i Yaveh mandrakariva; fa ao amin'i Yah, Yaveh, no vatolampy tsy manam-pahataperana.
\s5
\v 5 Fa hanetry ireo izay miaina amim-piavonavonana Izy; ny tanàna mimanda harodany, Harodany amin'ny tany; fisahany eny amin'ny vovoka izany.
\v 6 Ho voahitsaky ny tongotry ny mahantra sy ny dian'ny ory izany.
\s5
\v 7 Voaravona ny lalan'ny olo-marina, Ilay Marina; ny lalan'ny marina ahitsinao.
\v 8 Eny, amin'ny lalan'ny fitsaranao, ry Yaveh, no iandrasanay Anao; ny Anaranao sy ny lazanao no fanirianay.
\v 9 Manina Anao aho nony alina; eny, mitady Anao fatratra ny fanahy ato amiko. Fa rehefa tonga ety ambonin'ny tany ny fitsaranao, dia hahalala ny fahamarinana ny mponin'ny tany.
\s5
\v 10 Aoka haseho amin'ny ratsy fanahy ny sitraka, nefa tsy hahalala ny fahamarinana akory izy. Any amin'ny tanin'ny fahitsiana no hanehoany faharatsiana ka tsy mahita ny voninahitr'i Yaveh.
\s5
\v 11 Ry Yaveh, misandratra ny tananao kanefa tsy tsikaritr'izy ireo akory. Nefa ho hitan'izy ireo ny zotom-ponao amin'ny vahoaka ka halàna baraka, satria handevona azy ireo ny afon'ireo mpifanandrina aminao.
\v 12 Ry Yaveh, hitondra fiadanana ho anay Ianao; fa indrindra, efa nahavita ireo asanay ho anay Ianao.
\s5
\v 13 Ry Yaveh Andriamanitray, tompo hafa maro ankoatra Anao no efa nanapaka teo aminay; nefa ny anaranao irery ihany no derainay.
\v 14 Maty izy ireo, fa tsy mba ho velona; nodimandry izy ireo, fa tsy mba hitsangana. Tonga tamin'ny fitsarana tokoa Ianao ary nandringana azy ireny, ka nanafoana ny fahatsiarovana azy ireo rehetra.
\s5
\v 15 Efa nampitombo ny firenena Ianao, ry Yaveh, efa nampitombo ny firenena Ianao; omem-boninahitra Ianao; efa nanitatra ireo faritry ny tany rehetra Ianao.
\s5
\v 16 Ry Yaveh, tamin'ny horohoro no nijeren'izy ireo Anao; nibitsika vavaka izy ireo rehefa tao amin'izy ireo ny fananaranao.
\f + \ft Fanamarihana: ity andininy sarotra ity dia manana dikan-teny maro samihafa amin'ireo dikan-teny taty aoriana. \f*
\v 17 Tahaka ny vehivavy bevohoka mby akaiky fotoana hiterahana, amin'ny fotoana mampihetsi-jaza azy ka mitaraina amin'ny fiterahany, dia tahaka izany koa izahay eo anoloanao, ry Tompo.
\s5
\v 18 Efa nitondra vohoka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, nefa izany dia tahaka ny miteraka rivotra ihany. Mbola tsy nitondra famonjena tamin'ny tany izahay, ary mbola tsy potraka ireo mponin'ny tany.
\s5
\v 19 Hitsangana ny maty ao aminao; hitsangana ny fatin'izy ireo. Hifoha ka hihira fifaliana, ianao izay mitoetra amin'ny vovoka; fa ny andonao dia andom-pahazavana, ary ny tany hitondra avo efatra heny ireo maty ao aminy.
\s5
\v 20 Mandehana, ry vahoakako, midira any an'efitranonareo, ka hidio ireo varavaranareo; miafena ao anatin'ny fotoana vitsy, mandra-pahalasan'ny fahatezerana.
\v 21 Fa, indro, Yaveh efa mby hiala avy ao amin'ny toerany mba hanasazy ny mponin'ny tany noho ny helok'izy ireo; hampiharihary ny fandatsahan-dràny ny tany, ary tsy hanafina intsony ny faty ao aminy.
\s5
\c 27
\cl Toko faha 27
\p
\v 1 Amin'izany andro izany Yaveh dia hanafay ny Leviatana menarana tsy misy dikany, amin'ny sabany mafy, lehibe ary masiaka, ny menarana mitambolombolona, ary hamono ny biby mampatahotra izay ao anaty ranomasina.
\v 2 Amin'izany andro izany: ny tanim-boalokin'ny divay: hihira ny amin'izany.
\v 3 "Izaho, Yaveh, Izaho no mpiaro izany; manondraka izany matetika Aho. Miambina izany andro sy alina Aho ka tsy hisy afaka hanimba izany.
\s5
\v 4 Endrey, tsy tezitra aho, na nisy ahitra sy tsilo aza! Handeha hanohitra azy ireo amin'ny ady Aho. Hodorako miaraka izy ireo;
\v 5 raha tsy hoe mifikitra amin'ny fiarovako izy ireo ary mihavana amiko; aoka izy ireo hihavana amiko.
\s5
\v 6 Amin'ny andro ho avy, dia haka faka i Jakoba; hamony sy hitsimoka Israely; ary hameno manerana ny tany amin'ny voany izy ireo."
\s5
\v 7 Moa namely an'i Jakoba sy Israely tahaka ny namelezany ireo firenena izay namely azy ireo ve Yaveh? Moa ve novonoina tahaka ny famonoana ireo firenena izay novoinoin'izy ireo i Jakoba sy Israely?
\v 8 Amin'ny refy marina izay efa nalahatrao, nandroahana an'i Israely sy Jakoba; noentiny tany alavitra miaraka amin'ny rivo-maheriny izy ireo, tamin'ny andron'ny rivotra antsinanana.
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka hoe "Amin'ny refy marina" ireo dikan-teny taty aoriana nahita hevitra mitovy amin'ny hoe: "Amin'ny alalan'ny fandroahana azy ireo". \f*
\s5
\v 9 Ka noho izany, ho voahonitra amin'izany ny helok'i Jakoba, fa izao no ho vokatra rehetra tamin'ny nanesorana ny otany: rehefa hanao ireo alitara vato tahaka ny tsaoka izay voapotipotika izy, ary tsy hisy hitoetra hitsangana ny baon'Aseraha na ireo alitaran'ny ditin-kazo manitra.
\s5
\v 10 Fa ny tanàna namafisina dia ho lao, ny fonenana dia ho ngazana ary hafoy tahaka ny efitra. Ao no hamahanana ny zanak'omby, ary ao no handriany sy handevonany ireo rantsany.
\v 11 Rehefa malazo ireo sampany, dia hotapaina izy ireo. Ho avy ny vehivavy ka handrehitra afo amin'izy ireo, fa tsy olon'ny fahazavan-tsaina ity. Koa, tsy hanana fangoraham-po amin'izy ireo ny Mpahary azy, ary izay nanao azy dia tsy hanana famindram-po amin'izy ireo.
\s5
\v 12 Amin'izany andro izany dia hisy fampihintsanana avy any amin'ny reniranon'i Eofrata ka hatrany amin'ny loasahan-driakan'i Egypta izay hataonao sy Yaveh, ry vahoakan'Israely, dia hangonona hiaraka tsirairay.
\v 13 Amin'izany andro izany, dia hotsofina ny trompetra lehibe; ary ho avy izay rava avy any amin'ny tanin'i Asiria, sy izay voaroka tamin'ny tanin'ny Egypta, hanome voninahitra an'i Yaveh eny an-tendrombohitra masina any Jerosalema.
\s5
\c 28
\cl Toko faha 28
\p
\v 1 Lozan'ny satro-boninahitra voninkazo izay reharehan'ireo mpimamo ao Efraima, sy ny voninkazo malazon'ny hatsaràny be voninahitra, ilay satro-boninahitra izay apetraka eo an-dohan'ny lohasaha maitso mavan'ireo izay resin'ny divay!
\v 2 Indro, ny Tompo dia mandefa izay lehibe sy matanjaka; toy ny tafio-drivotr'avandra sy tafio-drivotra mandrava, toy ny orana mitarika sy rano manafotra; ary hanipy ny satro-boninahitra voninkazo tsirairay ho amin'ny tany Izy.
\s5
\v 3 Ho hitsakitsahina ambany tongotra ny voninkazo reharehan'ireo mpimamon'i Efraima.
\v 4 Ny voninkazo malazon'ny hatsarany be voninahitra, izay eo an-dohan'ilay lohasaha lonaka, dia ho toy ny aviavy mialin-taona alohan'ny fahavaratra, izay, rehefa hitan'ny olona izany, raha eo an-tanany izany, dia arapany.
\s5
\v 5 Amin'izany andro izany Yaveh tompon'ny maro dia ho lasa satro-boninahitra tsara tarehy sy diademan'ny hatsaràna ho an'ireo sisa tavela amin'ny vahoakany,
\v 6 fanahin'ny rariny ho azy izay mipetraka amin'ny fitsàrana, ary hery ho an'ireo izay mampiverina ireo fahavalony eo am-bavahadin'izy ireo.
\s5
\v 7 Fa na dia ireo aza dia midoladola amin'ny divay, ary mivembena amin'ny zava-pisotro mahery. Ny mpisorona sy ny mpaminany dia adoladolan'ny zava-pisotro mahery, ary atelin'ny divay izy ireo. Mivembena amin'ny zava-pisotro mahery izy ireo, mivembena amin'ny fahitana ary midoladola amin'ny fanapahan- kevitra.
\v 8 Rakotra loa tokoa ny latabatra rehetra, koa tsy misy toerana madio.
\s5
\v 9 Amin'iza no ho hampianarany fahalalana, ary amin'iza no hanazavany ilay hafatra? Amin'ireo izay vao nisara-nono ve?
\v 10 Fa baiko manampy baiko, baiko manampy baiko izany; fitsipika manampy fitsipika; fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery.
\s5
\v 11 Miaraka amin'ny molotra maniratsira sy fiteny vahiny tokoa no hiresahany amin'ity vahoaka ity.
\v 12 Taloha Izy dia niteny tamin'izy ireo hoe: "Ity no fitsaharana, omeo fitsaharana izay reraka; ary ity no famelombelomana," fa tsy nihaino izy ireo.
\s5
\v 13 Koa ho baiko manampy baiko, baiko manampy baiko; fitsipika manampy fitsipika, fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery amin'izy ireo ny tenin'i Yaveh; mba handeha izy ireo ary hianjera, ary ho simba, voafandrika, ary voasambotra.
\s5
\v 14 Koa henoy ny tenin'i Yaveh, ianareo izay maniratsira, ianareo izay manapaka amin'ity vahoaka izay ao Jerosalema ity.
\v 15 Hitranga izany satria niteny ianareo hoe: "Nanao fanekena tamin'ny fahafatesana izahay, ary nanao fifanarahana tamin'ny Fiainan-tsy hita. Koa raha mandalo eo ny karavasy manafotra, dia tsy hahazo antsika izany. Satria isika nanao ny lainga ho arontsika, ary ny fitaka ho fiherentsika."
\s5
\v 16 Noho izany Tompo Yaveh dia milaza izao: "Indro: Hanorina fototra ao Ziona Aho, vato voasedra, vato fehizoro sarobidy, fototra azo antoka. Izay mino dia tsy ho menatra.
\s5
\v 17 Hataoko fitsipika ny fitsaràna, ary pilao ny fahamarinana. Hamafa ny fialofan'ireo lainga ny havandra, ary hanafotra ny toerana miafina ireo tondra- drano.
\s5
\v 18 Ho levona ny fanekenareo tamin'ny fahafatesana, ary tsy hijoro ny fifanarahanareo tamin'ny Fiainan-tsy hita. Rehefa mandalo ny tondra-drano misamboaravoara, dia ho difotr'izany ianareo.
\v 19 Na oviana na oviana handalovan'izany, dia handifotra anareo izany, ary isa-maraina dia handalo izany ary ho avy andro aman'alina izany. Rehefa azo ilay hafatra, dia hampihorohoro izany.
\s5
\v 20 Fa foy loatra ny fandriana raha hitsoranan'ny olona, ary kely loatra ho azy ny firakofana raha handrakofana ny tenany."
\v 21 Hitsangana toy ny Tendrombohitra Perazima i Yaveh; hanaitra ny tenany toy ny tany amin'ny Lohasahan'i Gibeona Izy mba hanao ny asany, ny asany tsy mahazatra.
\s5
\v 22 Noho izany ary dia aza maniratsira, raha tsy izany dia ho henjanina ny fatotrareo. Efa nandre lalàna famotehana eto an-tany tamin'i Tompo Yaveh tompon'ny maro aho.
\s5
\v 23 Mifantoha ka henoy ny feoko; mihainoa tsara ary henoy ny teniko.
\v 24 Moa ve miasa tany fotsiny ny mpamboly izay miasa tany tontolo andro mba hamafy? Mitombon-doha mandrakariva sy mandravona bainga ny saha ve izy?
\s5
\v 25 Rehefa avy nanomana ilay tany izy, moa ve tsy manaparitaka ny voan'ny nigela, mamafy ny komina, mametraka ny vary tritika mitandahatra ary ny vary hordea amin'ny toerana voafaritra, ary ny ampemby eny amin'ny sisiny izy?
\f + \ft Fanamarihana: Ny famantarana ny sasany amin'ireo zava-manitra ireo dia mampisalasala, koa manana dikan-teny isan-karazany ireo fandikàna. Ankoatr'izay, ireo dika-teny sasany dia manome fandikàna samihafa amin'ireto fomba fiteny izay adika ato ireto hoe: "mitandahatra" sy "amin'ny toerana voafaritra", satria tsy azo antoka tsara ireo amin'ny Hebreo. \f*
\v 26 Mampianatra azy ny Andriamaniny; mampianatra azy am-pahendrena Izy.
\s5
\v 27 Fanampin'izany, tsy velesina amin'ny vy ny nigela, na akodiadia amin'ny komina ny kodian'ny sarety; fa velesina amin'ny fantàka ny nigela, ary amin'ny hazo ny komina.
\v 28 Kosohana atao mofo ny vary nefa tsy manify loatra, ary na dia manaparitaka izany aza ireo kodian'ny kalesiny sy ireo soavaliny, dia tsy manitsaka izany ireo soavaliny.
\s5
\v 29 Ireo koa dia avy amin'i Yaveh tompon'ny maro, izay mahafinaritra amin'ny fampianarana ary tsara dia tsara amin'ny fahendrena.
\s5
\c 29
\cl Toko faha 29
\p
\v 1 Lozan'i Ariela, Ariela, ilay tanàna nitobian'i Davida! Ampio taona ny taona; aoka hitsingeringerina ny andro firavoravoana.
\v 2 Fa hanao fahirano an'i Ariela Aho, ka hisaona sy hitomany izy; ary ho tahaka an'i Ariela izy Amiko.
\s5
\v 3 Hitoby manodidina anao Aho sy hametraka fahirano hanemitra anao, ary hanangana manda hanohitra anao Aho.
\v 4 Haetry ianao ka hiteny eny amin'ny tany; ho ambany avy eny amin'ny vovoka ny teninao. Ho tahaka ny angatra mivoaka ao amin'ny tany ny feonao, ary ny teninao dia halefaka tokoa avy ao amin'ny vovoka.
\s5
\v 5 Ireo andian-jiolahy mpanafika anao dia ho tahaka ny vovoka madinika, ary maro amin'ireo izay masiaka no ho tahaka ny akofa izay levona. Hiseho tampoka izany, ao anatin'ny fotoana fohy.
\v 6 Ho avy ao aminao miaraka amin'ny kotrok'orana, horohoron-tany, tabatabata be, miaraka amin'ny rivo-mahery sy tafio-drivotra, ary lelan'afo mandevona i Yaveh.
\s5
\v 7 Ho tahaka ny nofy, fahitana amin'ny alina izany: Ny andian-jiolahin'ny firenena rehetra hiady hanohitra an'i Ariela sy ny fiarovana mafiny. Hanafika azy izy ireo ary ny fanamafisany hanery azy.
\v 8 Ho tahaka ny lehilahy noana izay manonofy mihinana, kanefa rehefa mifoha izy dia foana ny kibony. Ho tahaka ny olona mangetaheta izay manonofy misotro, kanefa rehefa mifoha izy dia reraka, sady tsy afaka hetaheta. Eny, ho toy izany ny firenena lehibe maro izay miady hanohitra ny Tendrombohitra Ziona.
\s5
\v 9 Ataovy talanjona ny tenanareo ka aoka ho talanjona; tampeno ny masonareo ka aoka ho jamba! Aoka ho mamo, kanefa tsy amin'ny divay; aoka hivembena, kanefa tsy amin'ny toaka.
\v 10 Fa i Yaveh efa nandraraka ny fanahin'ny torimaso lalina tao aminareo. Efa nanirina ny masonareo Izy, ry mpaminany, ary efa nanarona ny lohanareo, ry mpahita.
\s5
\v 11 Ireo fanambarana rehetra taminareo dia efa tahaka ny soratra ao amin'ny boky izay voatombo-kase, izay mety homen'ny olona ilay iray izay nampianarina, ka hatao hoe: "Vakio ity." Izy koa dia manao hoe: "Tsy azoko atao, satria voatombo-kase ity."
\v 12 Raha omena ny iray izay tsy mahay mamaky ilay boky, ka hatao hoe: "Vakio ity," dia izy hanao hoe: "Tsy mahay mamaky aho."
\s5
\v 13 Ny Tompo nanao hoe: "Manatona Ahy amin'ny vavany ireo vahoaka ireo ary mankalaza ahy amin'ny molotr'izy ireo, kanefa lavitra Ahy ny fon'izy ireo. Ny fankalazan'izy ireo Ahy dia didin'ireo olona izay nampianarina ihany.
\v 14 Noho izany, indro, hivoaka hanao zava-mahagaga eo amin'ireo vahoaka ireo Aho, fahagagana arahina fahagagana. Ho foana ny fahendren'ny olon-kendrin'izy ireo, ary hanjavona ny fahazavan-tsain'ny olo-malin'izy ireo."
\s5
\v 15 Lozan'ireo izay manafina lalina ny fikasany amin'i Yaveh, sy ireo izay miasa ao anaty haizina. Hoy izy ireo hoe: "Iza moa no mahita anay, ary iza no mahalala anay?"
\s5
\v 16 Mampitsimbadi-javatra ianareo! Tokony heverina ho tanimanga ve ny mpanao tavy, mba hahafahan'ireo zavatra izay namboarina miteny mahakasika azy izay nanamboatra izany hoe: "Tsy nanao ahy izy," na ny zavatra novolavolaina hiteny momba ny namolavola azy hoe: "Tsy mahay izy"?
\s5
\v 17 Vetivety monja, dia ho tonga saha i Libanona ary ny saha ho ala.
\v 18 Amin'izany andro izany dia handre ny tenin'ny boky ny marenina, ary ny mason'ny jamba dia hahita ao amin'ny haizim-pito.
\v 19 Ny ory dia hiravo ao amin'i Yaveh indray, ary ny mahantra eo amin'ireo olona dia hiravo ao amin'ilay Iray Masin'ny Israely.
\s5
\v 20 Fa ireo masiaka dia hitsahatra, ary ny mpaniratsira dia hanjavona. Ireo rehetra izay tia manao ratsy dia hofoanana,
\v 21 amin'ny sabatra no hanalana ny olona amin'ny mpanao ratsy. Mametraka fandrika ho azy izay mikatsaka ny rariny eo am-bavahady sy mametraka ny marina eo amin'ny lainga foana izy ireo.
\s5
\v 22 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh mahakasika ny ankohonan'i Jakoba_Yaveh, izay nanavotra an'i Abrahama: "Tsy ho menatra intsony i Jakoba, na hivaloarika ny tavany.
\v 23 Kanefa rehefa mahita ny zanany izy, izay asan'ny tanako, dia hanamasina ny anarako izy ireo. Hanamasina ny anaran'ilay Iray Masin'i Jakoba izy ireo ary hijoro amin-tahotra an'Andriamanitr'i Israely.
\v 24 Ireo izay mivily fanahy dia mbola hahazo fahazavan-tsaina, ary ireo mpitaraina dia hahazo fahalalana."
\s5
\c 30
\cl Toko faha 30
\p
\v 1 "Loza ho an'ireo ankizy mpikomy," izany no fanambaran'i Yaveh. "Manao fikasana izy ireo, fa tsy avy amiko; manao fihavanana amin'ny firenena hafa izy ireo, saingy tsy notoroan'ny Fanahiko lalana, koa dia manampy fahotana omban'ny fahotana izy ireo.
\v 2 Mivonona ny hidina ho any Egypta izy ireo, saingy tsy nangataka ny toro-lalako. Mitady fiarovana avy amin'i Farao izy ireo ary mialoka ao amin'ny alok'i Egypta.
\s5
\v 3 Noho izany dia ho fahamenaranareo ny fiarovan'i Farao, ary ny fialofana eo amin'ny alok'i Egypta, ho fahafaham-barakanareo,
\v 4 na dia any Zoana aza ny andrian'izy ireo, ary tonga tany Hanesa ireo mpitondra hafany.
\v 5 Ho menatra avokoa izy rehetra nohon'ny amin'ny vahoaka iray izay tsy afa-manampy azy ireo, izay sady tsy fanampiana no tsy famonjena, fa fahamenarana, ary fahafaham-baraka mihitsy aza."
\s5
\v 6 Fanambarana momba ireo bibidian'i Negeva: Avy amin'ny tanin'ny fahoriana sy loza, liom-bavy sy lion-dahy, ny menarana sy ny bibilava mirehitra manidina, no hitondran'izy ireo ny hareny eo an-damosin'ny boriky, ary ny rakiny eo amin'ny vohon'ny rameva, ho any amina vahoaka izay tsy afa-manampy azy ireo.
\v 7 Fa tsy misy dikany ny fanampian'i Egypta; noho izany dia nantsoiko hoe Rahaba izy, izay mipetraka tsy mihontsina.
\s5
\v 8 Mandehana izao, soraty eo amin'ny fanatrehan'izy ireo amin'ny vato fisaka izany, ary raketo ao amina horonan-taratasy, mba ho voatahiry ho amin'ny andro ho avy ho fijoroana vavolombelona.
\v 9 Fa vahoaka mpikomy ireo, ankizy mpandainga, ankizy izay tsy mba handre ny fampianaran'i Yaveh.
\s5
\v 10 Hoy izy ireo amin'ny mpahita hoe: "Aza mahita;" ary amin'ireo mpaminany hoe: "Aza maminany ny marina aminay; milazà teny mandoka aminay, maminania nofinofy.
\v 11 Mihodìna hiala amin'ny lalana, mivilia amin'ny lalana; ataovy mitsahatra miteny eo anatrehan'ny tavanay ilay Iray Masin'Israely."
\s5
\v 12 Noho izany dia hoy ny Iray Masin'Israely hoe: "Satria mandà izao teny izao ianareo ary matoky ny fampahoriana sy fitaka ka miantehitra amin'izany,
\v 13 koa izany fahotana izany dia ho tahaka ny singa vaky izay vonona ny hianjera aminao, tahaka ny triatra eo amin'ny rindrina avo izay ho tampoka ny fianjerany, ao anatin'ny fotoana fohy."
\s5
\v 14 Ho vakiany tahaka ny fahavakisan'ny lovian'ny mpanefy tanimanga izany; tsy hiaro izany Izy, ka tsy hisy potiny ho hita eo amin'ireo vakiny izay azo hanalana ny afo avy ao am-patana, na handoarana ny rano avy ao amin'ny siniben-drano.
\s5
\v 15 Fa izao no lazain'ny Tompo Yaveh, ilay Iray Masin'Israely: "Ho avotra amin'ny fiverenana sy fijanonana ianareo; amin'ny fahanginana sy fatokiana no ho herinareo. Saingy tsy nanam-piniavana ianareo.
\v 16 Hoy ianareo hoe: 'Tsia, fa handositra amin'ny soavaly izahay,' koa dia handositra ianareo; ary, 'Hitaingina soavaly faingam-pandeha izahay,' koa dia ho faingam-pandeha ireo izay manenjika anareo.
\s5
\v 17 Arivo no handositra noho ny fampitahoran'ny iray; amin'ny fampitahoran'ny dimy no handosiranareo ambara-pahatongan'ny sisa tavela aminareo ho tahaka ny tahon-jozoro eny an-tampon-tendrombohitra, na tahaka ny zozoro eny amin'ny havoana."
\s5
\v 18 Fa mbola miandry ny hamindra fo aminareo Yaveh, noho izany dia vonona ny haneho fiantrana aminareo Izy. Fa Yaveh dia Andriamanitry ny rariny; sambatra ireo izay miandry Azy.
\v 19 Fa hisy vahoaka honina any Ziona, any Jerosalema, ary tsy hitomany intsony ianareo. Hamindra fo amin'ny feon'ny fitarainanareo tokoa Izy. Rehefa reny izany, dia hamaly anareo Izy.
\s5
\v 20 Na dia manome anareo ny mofon'ny ady sarotra sy ny ranon'ny fampahoriana aza Yaveh, na dia izany aza, dia tsy hiafina intsony ny mpampianatrareo, fa hahita ny mpampianatrareo amin'ny masonareo mihitsy ianareo.
\v 21 Ny sofinareo handre teny avy aorianareo hanao hoe: "Ity no lalana, amin'ity mandeha," na mivily ho amin'ny ankavanana na mivily ho amin'ny ankavia ianareo.
\s5
\v 22 Ho zimbazimbainareo ireo sary voasokitrareo izay norakofana volafotsy sy ireo sary an'idina volamena. Harianareo tahaka ny vorodamban'ny fadimbolana izany. Hiteny amin'ireny ianareo hoe: "Mialà eto."
\s5
\v 23 Hanome orana ho an'ny volinareo Izy rehefa mamafy eny amin'ny tany ianareo, ary mofo mitobatobaka avy amin'ny tany, ary ny vokatra dia hitobatobaka. Amin'izany andro izany dia hiraoka eny amin'ny amin'ny ahitra midadasika ireo biby fiompinareo.
\v 24 Ireo omby sy ireo boriky, izay miasa tany, dia hihinana ny voaisy sira izay nokororohina tamin'ny angady sy angady fitrebika.
\s5
\v 25 Eny amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana ambony rehetra, dia hisy lohasahan-driaka hikoriana ary rano mandeha, amin'ny andron'ny famonoana lehibe izay hianjeran'ny tilikambo.
\v 26 Ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro ny fahazavan'ny volana, ary ny fahazavan'ny masoandro dia hamiratra impito-heny, tahaka ny tara-masoandron'ny andro fito. Hamehy ny fanorotoroana ny olony Yaveh ary hanasitrana ny ferin'ny nandratrany azy ireo.
\s5
\v 27 Indro, ny anaran'i Yaveh dia tonga avy any amin'ny toerana lavitra, mirehitra amin'ny fahatezerany sy setroka matevina. Feno fahavinirana ny molony, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona.
\v 28 Ny fofonainy dia tahaka ny fikijan'ny riaka izay mahatratra hatrany amin'ny tenda kely, mba hanivana ny firenena amin'ny sivan'ny fandringanana. Ny fofonainy dia hisatra amin'ny valanoranon'ny olona mba hahatonga azy ireo hirenireny.
\s5
\v 29 Hanana hira toy ny amin'ny alina hitandremana ny firavoravoana masina ianareo, ary firavoravoam-po, tahaka ny amin'ny fandehanan'ny olona miaraka amin'ny sodina ho eny an-tendrombohitr'i Yaveh, ho eo amin'ny Vatolampin'Israely.
\s5
\v 30 Hataon'i Yaveh re ny fampirapiratan'ny feony ary hasehony ny fiofaofan'ny sandriny amin'ny fahatezerana mirehitra sy lelafo, amin'ny tafio-drivotra, oram-baratra, ary havandra.
\s5
\v 31 Fa amin'ny feon'i Yaveh, dia hianjera i Asyria; hamely azy ireo amin'ny tehina Izy.
\v 32 Ny kapoka rehetra amin'ilay tsora-kazo voatendry izay hapetrak'i Yaveh amin'izy ireo dia hiarahan'ny feon'aponga tapaka sy valiha eo am-pitolomany sy hiadiany amin'izy ireo.
\s5
\v 33 Fa misy toerana fandorana voaomana hatry ny ela. Eny tokoa, voaomana ho an'ny mpanjaka izany, ary nataon'Andriamanitra lalina sady malalaka. Efa vonona amin'ny afo sy kitay be dia be ny antontany. Ny fofonain'i Yaveh, tahaka ny fandriaky ny solifara, dia handrehitra izany.
\s5
\c 31
\cl Toko faha 31
\p
\v 1 Loza ho an'ireo izay midina any Egypta hitady vonjy sy miantehitra amin'ireo soavaly, ary mitoky amin'ireo kalesy (fa maro ireo) ary amin'ireo mpitaingin-tsoavaliny (fa tsy voaisa izy ireo). Nefa tsy mba miandrandra Ilay Masin'i Israely, na mitady an'i Yaveh izy ireo!
\v 2 Kanefa hendry Izy, ary hitondra loza Izy ka tsy hanafoana ireo teniny. Hitsangana hanohitra ny ankohonan'ny ratsy sy hanohitra ny mpamonjin'ireo izay manota Izy.
\s5
\v 3 Olona i Egypta fa tsy Andriamanitra, nofo ny soavalin'izy ireo fa tsy fanahy. Rehefa maninjitra ny tanany Yaveh, ny olona izay mamonjy dia ho tafintohina, ary ny olona izay vonjena dia ho lavo; samy hiara-ho faty izy roa.
\s5
\v 4 Izao no lazain'i Yaveh amiko: "Tahaka ny liona, na ny zana-diona, mierona amin'ny rembiny, rehefa antsoina hanohitra izany ny andian'ny mpiandry ondry, dia tsy mba hangovitra amin'ny feon'izy ireo izany, na hikisaka amin'ny fihorakorak'izy ireo; dia tahaka izany no hidinan'i Yaveh Tompon'ny maro hiady eo an-Tendrombohitr'i Ziona, eo amin'izany havoana izany.
\s5
\v 5 Tahaka ny vorona manomba, no hiarovan'i Yaveh Tompon'ny maro an'i Jerosalema; hiaro sy hamonjy Izy raha mandalo eo amin'izany ary mitahiry izany.
\v 6 Miverena Aminy izay efa nihodinanareo fatratra, ry vahoakan'Israely.
\v 7 Fa amin'izany andro izany ny tsirairay avy dia hanala ireo sampy volafotsiny sy ireo sampy volamenany izay nataon'ny tananareo ihany tamim-pahotana.
\s5
\v 8 Ary ny Asyriana ho lavon'ny sabatra izay tsy mba an'olombelona no handringana azy. DIa handositra ny sabatra izy, ary ny zatovony hampanaovina fanompoana mafy.
\v 9 Ary izy ireo dia very fahatokisana nohon'ny fahatahorana, ary ireo mpanapaka azy hivadi-po eo anatrehan'ny fanevan'i Yahweh - Izany dia fanambarana nataon'i Yahweh - Izay manana ny afony ao Ziona sy ny fatany fandorana ao Jerosalema."
\s5
\c 32
\cl Toko faha 32
\p
\v 1 Indro, ny mpanjaka dia hanjaka amin'ny fahamarinana, ary ny andrian-dahy dia hanapaka amin'ny rariny.
\v 2 Ny tsirairay avy dia ho tahaka ny fialofana amin'ny rivotra ary ho fialofana amin'ny kotroka, tahaka ny ranovelona amin'ny toerana maina, tahaka ny aloky ny vatolampy lehibe any amin'ny tanin'ny faharerahana.
\v 3 Ary ny mason'ireo izay mahita dia ho pahina, ary ny sofin'ireo izay mandre dia hihaino tsara.
\s5
\v 4 Ireo kely fisainana dia hihevitra tsara amin'ny fahazavan-tsaina, ary ireo mibadabada dia hahay hiteny mahitsy tsara.
\v 5 Ny adala dia tsy ho antsoina intsony hoe mendrika, na ny mpamitaka ho hajaina.
\v 6 Fa ny adala dia hiteny fahadalana, ary ny fony dia hanao teti-dratsy sy hanao asa miatsaravelatsihy, ary hiteny diso hanohitra an'i Yaveh izy. Hampanoana ireo noana izy, ary hahatonga ireo mangetaheta tsy hanana zavatra hosotroina.
\s5
\v 7 Ratsy ireo fomban'ny mpamitaka. Mihevitra teti-dratsy izy mba hanimbàna ny mahantra amin'ny lainga, na dia milaza izay marina aza ny mahantra.
\v 8 Fa ny olona mendrika kosa dia manao tetika mendrika; ary noho ireo tetiny mendrika dia hahomby izy.
\s5
\v 9 Mitsangàna, ry vehivavy tsy manano-sarotra, ary henoy ny feoko; ry vehivavy tsy mivaky loha, henoy Aho.
\v 10 Fa afaka herintaona farafahakeliny dia ho rava ny fahatokianao, ry vehivavy tsy mivaky loha, fa tsy hisy ny fihotazam-boaloboka, tsy ho tonga ny fanangonana.
\s5
\v 11 Mangovita, ry vehivavy tsy manano-sarotra; aoka hangovitra, ianao izay mahatoky; esory ireo akanjo manifinao ary aoka ianao hiboridana; ary asio lamba fisaonana ny valahinao.
\v 12 Hidradradradra amin'ireo saha mahafinaritra ianao, ho an'ireo voaloboka mamokatra.
\v 13 Ny tanin'ny vahoakako dia ho rakotr'ireo tsilo sy ireo hery, eny fa na dia ny ao amin'ireo trano mahafaly rehetra ao amin'ny tanànan'ny firavoravoana aza.
\s5
\v 14 Fa ny lapa dia ho afoy, ny tanàna feno vahoaka dia ho foana; ny havoana sy ny tilikambo dia ho lava-bato mandrakizay, fifaliana ho an'ireo boriky dia, ahi-maitso ho an'ireo ondry aman'osy;
\v 15 mandra-pilatsahan'ny Fanahy avy any amin'ny avo amintsika, ka ny tany efitra dia ho tonga saha mamokatra, ary ny saha mamokatra dia heverina toy ny hoe ala.
\s5
\v 16 Ary hitoetra ao amin'ny tany efitra ny rariny; ary ny fahamarinana hitoetra ao amin'ny saha mamokatra.
\v 17 Ny asan'ny fahamarinana dia ho fiadanana; ary ny vokatry ny fahamarinana, dia fahanginana sy fahatokiana mandrakizay.
\v 18 Ny vahoakako dia honina ao amin'ny fitoerana feno fiadanana, ao amin'ireo trano azo antoka, ary ao amin'ny toerana mangingina fakàna aina.
\s5
\v 19 Kanefa raha misy ireo havandra dia ho simba ny ala, ka dia ringana tanteraka ny tanàna,
\v 20 ianao izay mamafy eny akaikin'ireo onja dia ho voatahy, ianao izay mamoaka ireo ombinao sy ireo borikinao mba hiraoka.
\s5
\c 33
\cl Toko faha 33
\p
\v 1 Loza ho anareo, ry mpandrava izay tsy mbola noravàna! Loza ho an'ny mpamadika izay tsy mbola novadian'izy ireo! Raha mihato amin'ny famotehana ianareo, dia ho potehina! Raha mihato amin'ny famadihana ianareo, dia hivadihan'izy ireo.
\s5
\v 2 Ry Yaveh, mamindrà fo aminay; miandry Anao izahay; aoka mba ho sandrinay isa-maraina, ary famonjenay amin'ny andro fahoriana.
\s5
\v 3 Anatin'ny feo mafy no handosiran'ny olona; rehefa mitsangana Ianao, dia miparitaka ireo firenena.
\v 4 Nalevina tahaka ny valala niangona ny babonao; tahaka ny fifanaretsak'ireo andiam-balala, no ifanaretsahan'ny olona amin'izany.
\s5
\v 5 Nasandratra i Yaveh. Mitoetra any amin'ny toerana avo Izy. Ho fenoiny amin'ny fitsaràna sy fahamarinana ny Ziona.
\v 6 Ho filaminana amin'ny fotoanareo Izy, famonjena be, fahendrena, ary fahalalana; ny fahatahorana an'i Yaveh no hareny.
\s5
\v 7 Indro, ireo irak'izy ireo mitaraina eo an-dalana; mitomany mafy ireo iraka manantena fiadanana.
\v 8 Foana ireo lalam-be; tsy misy mpandeha intsony. Rava ny fanekena, notsinotsiniavina ireo vavolombelona, ary tsy voahaja ny maha- olombelona.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "notsinontsiniavina ny vavolombelona", ny dika-teny sasany manao hoe: "notsinontsiniavina ny tanàna". \f*
\s5
\v 9 Misaona ny tany ary milofika; menatra Lybanona ary karakaina;
\f + \ft Fanamarihana: ny dika-teny sasany manao hoe: "maina ny tany ary malazo." \f*
Saràna dia tahaka ny lemaka maina; ary manintsana ny raviny i Basana sy Karmela.
\s5
\v 10 "Ankehitriny hitsangana Aho," hoy Yaveh; "ankehitriny ho hasandratra Aho; ankehitriny ho eny amin'ny avo Aho.
\v 11 Manorotoro ny voam-bary ianareo, ary miteraka mololo; afo mandevona anareo ny fofon'ainareo.
\v 12 Ho voadoro ireo olona, tahaka ny tsilo notapahina sy nodorana.
\s5
\v 13 Ianareo izay lavitra, henoy izay efa nataoko; ary, ianareo izay akaiky, ekeo ny heriko."
\v 14 Matahotra ireo mpanota any Ziona; fangovitana no efa nahazo ny mpiatsaravelatsihy. Iza amintsika no afaka hijanona amin'ny afo mandevona? Iza amintsika no afaka hijanona eo amin'ny firehetana mandrakizay?
\s5
\v 15 Izy ilay mandeha amin'ny fahamarinana sy miresaka am-pahatsorana; Izy ilay nanafoana ny tombon'ny fampahoriana, izay mandà ny handray kolilkoly, izay tsy manao teti-dratsy heloka bevava fandatsahan-drà, ary tsy mitady ny ratsy__
\v 16 ho ataony amin'ny avo indrindra ny fonenany; ny toerana fiambenany dia ho fiarovana mafy amin'ny harambato; ny sakafony sy ny ranony dia ho feno famatsiana.
\s5
\v 17 Ny masonareo dia hahita ny mpanjaka amin'ny hatsarany; hitsinjo tany malalaka izy ireo.
\v 18 Ho tsaron'ny fonareo ny horohoro; aiza ny mpanora-dalàna, aiza izy izay nandanja ny vola? Aiza izy izay nanisa ireo tilikambo?
\v 19 Tsy hahita ny olona mpanohitra anareo intsony ianareo, olona hafa fiteny izay tsy takatrareo.
\s5
\v 20 Jereo Ziona, ilay tanànan'ny fankalazantsika; hahita an'i jerosalema tahaka ny mponina milamina ny masonareo, lay izay tsy mba ho esorina, izay tsy ho voahongotra mihitsy ny tsato-kazony na ho tapaka ny kofehiny.
\v 21 Fa kosa, homba amin-kery amintsika i Yaveh, any amin'ny toerana amoron'ny ony sy lakan-drano. Tsy hisy sambo voizina handeha amin'izany, ary tsy hisy sambo lehibe hamakivaky izany.
\s5
\v 22 Fa Yaveh no mpitsara antsika, Yaveh no mpanome lalàna antsika, Yaveh no mpanjakantsika; ary hamonjy antsika Izy.
\s5
\v 23 Miraviravy ireo fanodikodinanareo; tsy afaka hiazona ny hazo lava amin'ny toerany ireo; tsy afaka hanaparitaka ny lay ireo; rehefa nozaraina ilay voababo lehibe, na dia ny mandringa aza hanintona ilay babo.
\v 24 Tsy hilaza ny mponina hoe: "Marary aho;" ny olona izay mitoetra any dia ho voavela amin'ny helok'izy ireo.
\s5
\c 34
\cl Toko faha 34
\p
\v 1 Manatòna akaiky, ianareo ry firenena; ary mihainoa, mifantoha, ianareo ry vahoaka! Ny tany sy izay mameno izany dia tsy maintsy mihaino, izao tontolo izao, sy ny zavatra rehetra avy amin'izany.
\v 2 Fa tezitra amin'ny firenena rehetra Yaveh, ary vinitra amin'ny tafik'izy ireo rehetra; nandrava azy ireo tanteraka Izy, nanolotra azy ireo teo an-tanan'ny mpamono Izy.
\s5
\v 3 Ireo vata-mangatsiakan'ireo maty dia hatsipy any ivelany. Ny fofona maimbon'ireo faty dia ho eny rehetra eny; ary ireo tendrombohitra ho vonton'ny ràn'izy ireo.
\v 4 Ho levona avokoa ny kintan'ny lanitra, ary ny lanitra dia hiorona tahaka ny horonana; ary ny kintany rehetra dia ho levona, toy ny ravina izay malazo mihintsana amin'ny tahom-boaloboka, sy toy ny aviavy lo mihintsana amin'ny hazon'aviavy.
\s5
\v 5 Fa rehefa mamon'ny ràny any an-danitra ny sabatro; indro, ankehitriny hidina any Edoma izany, eo amin'ny vahoaka izay hatokako amin'ny fandravana.
\v 6 Ny sabatr'i Yaveh dia mitete rà sy rakotra tavy, mitete ràn'ireo zanak'ondry sy ireo osilahy, rakotry ny tavin'ny voan'ireo ondrilahy. Fa manana fanatitra ao Bozra sy famonoana lehibe ao amin'ny tanin'i Edoma i Yaveh.
\s5
\v 7 Hovonoina miaraka amin'izy ireo ny ombidia, sy ireo vantotr'omby miaraka amin'ireo efa antitra. Ny tanin'izy ireo dia ho mamon-drà, ary ny vovokany dia matavin'ny hatavezana.
\s5
\v 8 Fa ho andro famalian'i Yaveh izany sy ho taona hamaliany ny amin'i Ziona.
\v 9 Ny rian-dranon'i Edoma dia ho tonga dinty, ny vovokany ho solifara, ary ny taniny ho tonga dinty mirehitra.
\v 10 Hirehitra andro aman'alina izany; ny setrok'izany dia haharitra mandrakizay; amin'ny taranaka mifandimby dia ho tany ngazana izany; tsy hisy olona handalo eo amin'izany mandrakizay doria.
\s5
\v 11 Fa ireo vorondia sy ireo bibidia no hitoetra any; ny vorondolo sy ny goaika no hanao ny tranony ao amin'izany. Ary hohenjaniny eo amin'izany ny tady fandrefesan'ny fahapotehina sy ny fantson-drano fandravana.
\v 12 Ireo olo-mendri-kajany dia tsy hanana zavatra ho tavela ho antsoina hoe fanjakana, ary ny andriandahy rehetra dia ho tsinontsinona.
\s5
\v 13 Tsilo no haniry eo amin'ireo lapany, voaroy sy amiana no eo amin'ny trano fiarovany. Ho fitoeran'ireo ambodia izany, sy toeran'ireo ostritsa.
\v 14 Ny bibidia sy ireo kary no hihaona any, ary ireo osidia no hifampiantso any. Ny bibin'ny alina no hanorim-ponenana any ka hahita toeram-pialantsasatra ho azy ireo.
\v 15 Ireo vorondolo hanao akany, hanatody sy hikotrika ireo atodiny, hikotrika ary hiaro ireo zanany. Eny, any no hiangonan'ireo papango, ny tsirairay miaraka amin'ny namany avy.
\s5
\v 16 Tadiavo ao amin'ny horonan-taratasin'i Yaveh; fa tsy misy iray amin'ireo tsy ho ao. Tsy misy tsy hanana namana; fa ny vavany no mandidy izany, ary ny fanahiny no manangona azy ireo.
\v 17 Nanao filokana ho an'ny toerany izy ireo Izy, ary ny tanany no nandrefy izany tamin'ny tady ho azy ireo. Ho tompon'izany mandrakizay izy ireo; hatramin'ny taranaka faramandimby no hitoeran'izy ireo any.
\s5
\c 35
\cl Toko faha 35
\p
\v 1 Ny tany efitra sy karakaina dia hiravoravo; ary ny tani-hay hifaly sy hamony. Toy ny raozy,
\v 2 hamelana be dia be izany ary hihoby amin'ny fifaliana sy ny hirahira; ny voninahitr'i Libanona dia homena izany, ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarona; hahita ny voninahitr'i Yaveh izy ireo, ny famirapiratan'Andriamanintsika.
\s5
\v 3 Ampaherezo ny tanana miraviravy, ary atanjaho ireo lohalika mangovitra.
\v 4 Lazao amin'ireo reraka am-po hoe: "Mahereza, aza matahotra! Indro, ny Andriamanitrareo ho avy miaraka amin'ny famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra. Ho avy Izy ary hamonjy anareo."
\s5
\v 5 Dia hahiratra ny mason'ireo jamba, ary handre ny sofin'ireo marenina.
\v 6 Dia hitsambikina toy ny diera ny olona mandringa, ary ny lelan'ny moana dia hihira, fa hivoaka avy any amin'ny tany karankaina ny rano, ary ireo loharano any an'efitra.
\v 7 Ho tonga farihy ny fasika mandoro, ary ny tany mangetana ho tonga loharano miboiboika; any amin'ny fitoeran'ireo amboadia, izay itoeran'izy ireo fahiny, dia ho feno ahitra volotara sy zozoro.
\s5
\v 8 Ny lalam-be any dia ho antsoiana hoe Lalana Masina. Tsy handeha amin'izany ny maloto. Fa izany dia natao ho an'izay mandeha amin'izany. Tsy misy adala handeha amin'izany.
\v 9 Tsy hisy liona any, tsy hisy biby masiaka ao amin'izany; tsy ho hita ao izy ireo, fa ireo izay voavonjy no handeha ao.
\s5
\v 10 Hiverina ny vidim-panavotan'i Yaveh ary ho avy any Ziona amin'ny fihirana, ary fifaliana mandrakizay no ho eo an-dohan'izy ireo; hahazo fihobiana sy firavoravoana izy ireo, handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
\s5
\c 36
\cl Toko faha 36
\p
\v 1 Tamin'ny taona faha efatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka, Sankeriba, mpanjakan'i Asyria, dia nanafika ireo tanàna rehetra mimandan'i Joda ary nambabo azy ireo.
\v 2 Dia nalefan'ny mpanjakan'i Asyria avy any Lakisa ho any Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka ny lehibe mpifehy miaraka amin'ny tafika lehibe. Nampifanantona ny lakan-dranon'ny farihy ambony izy, amin'ny lalam-be mankany amin'ny sahan'ny mpanasa lamba, ary nitsangana tamin'izany.
\v 3 Ny manam-pahefana Israelita izay nivoaka ivelan'ny tanàna mba hiresaka amin'izy ireo dia i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, ny mpandrindra ny lapa, Sebna mpitan-tsoratrin'ny mpanjaka, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, izay nanoratra ireo fanapahan-kevitrin'ny governemanta.
\s5
\v 4 Niteny tamin'izy ireo ny lehibe manam-pahefana hoe: "Lazao amin'i Hezekia fa ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria, dia miteny hoe: "Inona ny loharanon'ny tokinareo?"
\v 5 Tsy miteny afa-tsy teny tsy dia ilaina ianareo, milaza fa misy torohevitra sy hery amin'ny ady. Ankehitriny amin'iza no itokianareo? Iza no nankahery anareo hikomy hanohitra ahy?
\s5
\v 6 Indro, mahatoky an'i Egypta ianareo, izay volotara misintaka izay ampiasainareo tahaka ny tehina, fa rehefa miantehitra amin'izany ny olona iray, dia hifikitra amin'ny tanany ka handefona azy izany. Tahaka izany i Farao mpanjakan'i Egypta amin'ny olona izay mahatoky azy.
\v 7 Fa raha miteny amiko ianareo hoe: "Mahatoky an'i Yaveh Andriamanitray izahay," tsy azy ve ireo toerana avo sy ireo alitara izay nalain'i Hezekia, ary efa niteny tamin'i Joda sy Jerosalema hoe: "Miankohofa eo anoloan'ity alitara any Jerosalema ity"?
\s5
\v 8 Ary ankehitriny, maniry ny hanao fanomezana tsara ho anao avy amin'ny mpanjakan'i Asyria aho. Hanome anao soavaly roa arivo aho, raha toa ka mahavita mitady mpitaingina ho azy ireo ianao."
\s5
\v 9 Ahoana no ahafahanao manohitra na ny kapiteny iray izay kely indrindra amin'ny mpanompon'ny tompoko? Nametraka ny fahatokisanareo tamin'i Egypta noho ireo kalesy sy ireo mpitaingin-tsoavaly ianareo!
\v 10 Ary ankehitriny, moa nandeha taty tsy niaraka tamin'i Yaveh mba hiady hanohitra ity tany ity sy handrava izany ve aho? Hoy Yaveh tamiko,"manafia ity tany ity ary ravao izany.""
\s5
\v 11 Ary Eliakima zanaka lahin'i Hilkia, sy Sebna, ary Joa niteny tamin'ny lehibe manam-pahefana hoe: "Mitenena re amin'ireo mpanomponao amin'ny fiteny Syriana, Aramaika, mba hahazoanay izany. Aza miresaka aminay amin'ny fitenin'i Joda eo an-tsofin'ireo vahoaka izay ao amin'ny manda."
\v 12 Fa hoy ny lehibe manam-pahefana: "Moa nandefa ahy mba hiteny ireo teny ireo ho any amin'ny tomponao sy ho any aminao ve ny tompoko? Tsy nandefa ahy ho any amin'ireo lehilahy izay mipetraka eo amin'ny manda izy, izay hihinana ny malotony ihany sy hisotro ny amaniny ihany miaraka aminao?"
\s5
\v 13 Ary nitsangana ny lehibe manam-pahefana ary nihiaka tamin'ny feo mafy tamin'ny fiteny Jiosy, miteny hoe: "Mihainoa ny tenin'ny mpanjaka lehibe, mpanjakan'i Asyria.
\v 14 Hoy ny mpanjaka: "Aza mety hofitahin'i Hezekia ianao, fa tsy afaka ny hanavotra anao izy.
\v 15 Aza avela hampatokian'i Hezekia amin'i Yaveh ianao, izay miteny hoe; "Hamonjy anay tokoa i Yaveh, tsy homena ho eo an-tanan'ny mpanjakan'ny Asyria ity tanàna ity.
\s5
\v 16 Aza mihaino an'i Hezekia fa izao no lazain'ny mpanjakan'i Asyria: "Mihavana amiko ary manatona ahy. Ary ny tsirairay aminareo dia hihinana avy amin'ny voalobony sy avy amin'ny hazo aviaviny ihany, ary hisotro ny rano ao anatin'ny fitoeran-dranony ihany.
\v 17 Izany no ataonareo ambara-pahatongako sy hakako anareo ho any amin'ny tany tahaka ny taninareo ihany, tanin'ny vary sy tanin'ny divay vaovao, tanin'ny mofo sy tanim-boaloboka."
\s5
\v 18 Aza mamela an'i Hezekia hamitaka anareo, miteny hoe: "Yaveh no hamonjy atsika". Moa nisy tamin'ireo andriamanitrin'ny vahoaka ve ka nahavonjy azy ireo avy eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria?
\v 19 Aiza ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada? Ary aiza ihany koa ireo andriamanitr'i Sefarvaima? Moa ve nahavonjy an'i Samaria tamin'ny heriko izy ireo?
\v 20 Tamin'ireo andriamanitra rehetra teto amin'ny tany, moa nisy andriamanitra nahavonjy ny taniny tamin'ny heriko ve? Tahaka ny hoe afaka mamonjy an'i Jerosalema amin'ny heriko ve i Yaveh?
\s5
\v 21 Fa ny vahoaka nijanona nangina ary tsy nisy namaly, fa izany no didin'ny mpanjaka hoe: "Aza mamaly azy."
\v 22 Ary i Eliakima zanaka lahin'i Hilkia izay lehiben'ny ankohonana, sy Sebma mpanora-dalàna, ary Joa zanaka lahin'i Asafa, mpitàna ny raharaham-panjakana, dia nanatona an'i Hezekia miaraka amin'ireo akanjony rovitra, ary nitatitra taminy ireo tenin'ny lehibe manam-pahefana.
\s5
\c 37
\cl Toko faha 37
\p
\v 1 Rehefa ren'i Hezekia Mpanjaka ny tatitr'izy ireo, dia nandriatra ny akanjony izy, ka nanarona ny tenany tamin'ny akanjo fisaonana, ary nankany an-tranon'i Yaveh.
\v 2 Izy dia naniraka an'i Eliakima, izay lohan'ny ankohonana, sy Sebna mpanora-dalàna, ary ireo lohan'ny mpisorona, samy nisarona akanjo fisaonana avokoa, ho any amin'i Isaia mpaminany, zanak'i Amoza.
\s5
\v 3 Hoy izy ireo taminy: "Hoy i Hezekia hoe: 'Ity andro ity dia andron'ny fahoriana, fibedesana, ary fanalam-baraka, tahaka ny zaza efa ho teraka, nefa ny reniny dia tsy manana hery hiterahana ny zanany.
\v 4 Mety ho ren'i Yaveh Andriamanitrao ihany ireo tenin'ny lehiben'ny mpifehy, izay nirahin'ny mpanjakan'i Asyria mba hihantsy an'Andriamanitra velona, ka hiteny mafy ireo teny izay ren'i Yaveh Andriamanitrao. Ankehitriny dia asandrato ho an'izay mbola tavela eto ny vavakao."'
\s5
\v 5 Ka nankany amin'i Isaia ireo mpanompon'i Hezekia mpanjaka,
\v 6 ary hoy i Isaia tamin'izy ireo: "Lazao amin'ny tomponareo hoe: "Aza matahotra ny teny izay efa renao, izay tamin'izany no nanevatevan'ireo mpanompon'ny mpanjakan'i Asyria ahy.
\v 7 Indro, hametraka fanahy ao aminy aho, ary hahare ny tatitra sasany izy ka hiverina any amin'ny taniny. Hataoko lavon'ny sabatra any amin'ny taniny ihany izy.""'
\s5
\v 8 Ary niverina ireo lehiben'ny mpitarika ka nahita ny mpanjakan'i Asyria niady tamin'i Libna, fa efa reny fa niala tao Lakisy ny mpanjaka.
\v 9 Ary ren'i Senkeriba fa nihetsika hiady aminy i Tiraka mpanjakan'i Etiopia sy Egypta, ka naniraka mpitondra hafatra miaraka amin'ny hafatra tany amin'i Hezekia indray izy:
\v 10 "Lazao amin'i Hezekia, mpanjakan'i Joda hoe: 'Aza avela handiso fanantenana anao ny Andriamanitrao izay itokianao, manao hoe: "Tsy hatolotra eo an-tanan'ny mpanjakan'i Asyria i Jerosalema."
\s5
\v 11 Indro, efa renareo izay nataon'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tany rehetra tamin'ny fandravana azy ireo tanteraka. Koa ho voavonjy ve ianareo?
\v 12 Moa ve namonjy azy ireo andriamanitry ny firenena, dia ireo firenena izay noravan'ireo razambeko: Gozana, Harana, Razefa, ary ny vahoakan'i Edena tao Telasara?
\v 13 Aiza ny mpanjakan'i Hamata, mpanjakan'i Arpada, mpanjakan'ireo tanànan'i Sefarvaima, Hena, ary Iva?"'
\s5
\v 14 Nandray ny taratasy teny an-tanan'ny mpitondra hafatra i Hezekia ary namaky izany. Dia nankany an-tranon'i Yaveh izy ary namelatra izany teo anatrehany.
\v 15 Nivavaka tamin'i Yaveh i Hezekia hoe:
\v 16 "Ry Yaveh Tompon'ny maro, Andriamanitr'Israely, Ianao izay mipetraka eo ambony Kerobima, Ianao irery no Andriamanitra eo amin'ny fanjakan'ny tany rehetra. Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany.
\s5
\v 17 Atongilano ny sofinao, ry Yaveh, ary mihainoa. Sokafy ny masonao, ry Yaveh, ka jereo, ary henoy ireo tenin'i Sankeriba, izay efa nalefany hanesoana an'Andriamanitra velona.
\v 18 Marina izany, ry Yaveh, fa noravan'ny mpanjakan'i Asyria ny firenena rehetra sy ny tanin'izy ireo.
\s5
\v 19 Efa nataony tao anaty afo ireo andriamaniny, fa tsy andriamanitra ireny fa asan-tanan'olona, hazo sy vato ihany. Ka dia nopotehin'ny Asyriana ireo.
\v 20 Koa ankehitriny, ry Yaveh Andriamanitray, vonjeo eo amin'ny heriny izahay, mba ho fantatry ny fanjakan'ny tany rehetra fa Ianao irery ihany no Yaveh."
\s5
\v 21 Ary nandefa hafatra tany amin'i Isaia zanak'i Amoza i Hezekia, manao hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely manao hoe: 'Satria efa nivavaka tamiko mahakasika an'i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ianao,
\v 22 dia izao ny teny izay nolazain'i Yaveh ny momba azy: "Manao tsinontsinona sy manala baraka anao ny zanaka vavy virijin'i Ziona; mihifikifi-doha aminao ny zanaka vavy. Nihantsy sy naniratsira an'iza ianao?
\v 23 Nampiaka-peo sy nivandravandra tam-pireherehana tamin'iza ianao? Tamin'ny Ilay Masin'Israely.
\s5
\v 24 Tamin'ny alalan'ireo mpanomponao no nihantsianao ny Tompo ary nanaovanao hoe: 'Tamin'ny hamaroan'ny kalesiko no niakarako teny amin'ny havoan'ireo tendrombohitra, tamin'ny fiakarana avo indrindra an'i Libanona. Hokapaiko ireo sederany lava ary hofidiako ireo hazon-kypreso any, ary hihiditra ao amin'ny toerany ambony indrindra aho, dia ny alany mamoha be indrindra.
\v 25 Efa nihady lava-drano aho ary nisotro rano;
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany taloha sy vaovao misy hoe "Efa niady lava-drano sy nisotro rano tany an-tanin'ny vahiny aho." \f*
Noritraiko ny reniranon'i Egypta rehetra ambanin'ny faladian-tongotro.'
\s5
\v 26 Moa ve tsy renao ny namaritako izany fotoana maro lasa izay sy nanaovako izany tamin'ny fotoana fahiny? Ary entiko mba hitranga izany. Eto ianao mba handrava ireo tanàna matanjaka ho lasa korotam-bato.
\v 27 Ireo mponiny, tsy manan-kery, dia kivy sy afa-baraka. Voly any an-tsaha izy ireo, ahi-maitso, ahitra eny ambony tafo na eny an-tsaha, mialohan'ny rivotra avy any atsinana.
\s5
\v 28 Fa fantatro ny fipetrakao, ny fivoahanao, ny fidiranao, ary ny hatezeranao Amiko.
\v 29 Nohon'ny hatezeranao Amiko, nohon'ny avonavonao izay nipàka tamin'ny sofiko, dia hametrahako farangoko eo amin'ny oronao, ary ny lamboridiko eo amin'ny vavanao; haveriko any amin'izay lalana niavianao ianao."
\s5
\v 30 Izao no ho famantarana ho anao: Hihinana izay maniriniry foana ianao amin'ity taona ity, ary izay maniry amin'izany amin'ny taona faharoa. Fa amin'ny taona fahatelo dia tsy maintsy mamboly ianao ary mioty, manaova tanim-boaloboka ary hano ny vokany.
\s5
\v 31 Ireo sisa amin'ny ankohonan'i Joda izay tsy maty dia hamaka sy hamokatra indray.
\v 32 Fa avy ao Jerosalema no hivoahan'ireo sisa; avy ao an-Tendrombohitr'i Ziona ireo tsy maty. Hanao izany ny zotom-pon'i Yaveh Tompon'ny maro."'
\s5
\v 33 Noho izany dia izao no lazain'i Yaveh momban'ny mpanjakan'i Asyria: "Tsy hiditra eto amin'ity tanàna ity, na hanipy tsipìka eto izy. Na ho tonga alohan'izany miaraka amin'ny ampinga na hanangana rindrina fiakarana amin'izany izy.
\v 34 Ny lalana nahatongavany ihany no ho lalana hialany; tsy hiditra ao amin'ity tanàna ity izy_izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 35 Fa hiaro ity tanàna ity Aho ary hamonjy izany, nohon'ny Amiko sy nohon'ny amin'i Davida mpanompoko."
\s5
\v 36 Ary ny anjelin'i Yaveh dia nivoaka ka nanafika ny tobin'ireo Asyriana, nahafaty miaramila185.000. Rehefa nifoha maraim-be ireo lehilahy, dia nitsirara teny rehetra teny ny fatin'olona.
\v 37 Ka nandao an'Israely i Sankeriba mpanjakan'i Asyria ary nody tany an-trano ka nitoetra tao Ninive.
\s5
\v 38 Taty aoriana, raha mbola nidera tao an-tranon'i Nisroka andriamaniny izy, dia namono azy tamin'ny sabatra i Adrameleka sy Sarezera zanany lahy. Avy eo dia nitsoaka tany amin'ny tanin'i Ararata izy ireo. Ary dia i Esara-hadona zanany no nanjaka teo amin'ny toerany.
\s5
\c 38
\cl Toko faha 38
\p
\v 1 Tamin'ireo andro ireo i Hezekia dia narary mafy efa eo andalam-pahafatesana. Koa tonga teo aminy Isaia zanaka lahin'i Amoza, ilay mpaminany, ary nanao taminy hoe: "Izao no lazain'i Yaveh: 'Alamino ny tranonao; fa ho faty ianao, fa tsy ho velona."'
\v 2 Dia nanodina ny tavany nankany amin'ny rindrina i Hezekia ary nivavaka tamin'i Yaveh.
\v 3 Hoy izy: "Mba tsarovy re ry Yaveh, ny nandehanako am-pahatokiana tamin'ny foko manontolo teo anatrehanao, sy ny nanaovako ny tsara teo imasonao." Dia nitomany mafy i Hezekia avy eo.
\s5
\v 4 Ary tonga tamin'Isaia ny tenin'i Yaveh, manao hoe:
\v 5 "Mandehana ary lazao amin'i Hezekia, mpitarika ny oloko hoe: 'Izao no lazain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'i Davida razambenao: Efa reko ny vavakao, ary efa hitako ireo ranomasonao. Indro, hanampy dimy ambin'ny folo taona amin'ny fiainanao Aho.
\v 6 Dia hanavotra anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho, ary hiaro ity tanàna ity.
\s5
\v 7 Izao no ho famantarana avy amin'i Yaveh ho anao, fa ho ataoko izay nampanantenaiko.
\v 8 Indro, hampiverina ny aloka eo amin'ireo tohatr'i Ahaza ho folo dingana Aho."" Ka niverina ambaratonga folo ireo tohatra teo amin'izay nihoatra.
\s5
\v 9 Izao no vavaka voasoratr'i Hezekia mpanjakan'i Joda, rehefa narary ary sitrana izy:
\v 10 "Izaho nilaza fa eo amin'ny antenantenan'ny fiainako dia handeha amin'ireo vavahadin'ny fiainan-tsy hita aho; nalefa tany aho mandritra ny taona sisa hiainako.
\v 11 Hoy aho hoe tsy hahita an'i Yaveh intsony aho, Yaveh any amin'ny tanin'ny velona; tsy hijery ny olombelona na ireo mponin'ny tany intsony aho.
\f + \ft Fanamarihana: "ireo mponin'izao tontolo izao": Ny ankamaroan'ny dikan-teny vaovao dia manana io dika io. Ireo dikan-teny Hebreo Taloha dia manao hoe: "ireo mponina eo amin'ny toerana tsy misy." (izany hoe: fisiana vetivety ihany) \f*
\s5
\v 12 Nesorina sy nalàna tamiko tahaka ny lain'ny mpiandry ondry ny aiko; naforiporitro tahaka ny tenona ny aiko; manapaka ahy amin'ny fitaovana fanenomana Ianao; eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko.
\v 13 Nihiaka mafy mandra-maraina aho; tahaka ny liona no famakiany ireo taolako rehetra. Eo antenantenan'ny andro sy ny alina Ianao no manapitra ny aiko.
\s5
\v 14 Mikoraraika tahaka ny sidintsidina aho; mitolokoloko tahaka ny voromailala aho; reraka miandrandra ambony ny masoko. Ry Tompo, ory aho; ampio aho.
\v 15 Inona no tokony ho lazaiko? Sady niteny izy, no nanatanteraka izany tamiko; hamindra moramora amin'ny taona hiainako rehetra aho satria tototry ny alahelo.
\s5
\v 16 Ry Tompo, ireo fijaliana nalefanao dia tsara ho ahy; ho averina amiko indray anie ny aiko; namerina ny aiko sy ny fahasalamako Ianao.
\v 17 Tombontsoa ho ahy ny niainako alahelo tahaka ireny. Nanavotra ahy tamin'ny lavaky ny faharavana Ianao; efa nanipy ireo fahotako rehetra ho any an-damosinao Ianao.
\s5
\v 18 Fa tsy misaotra anao ny fiainan-tsy hita; tsy midera anao ny fahafatesana; ireo izay midina ao anaty lavaka dia tsy manantena ny fahamendreham-pitokisanao.
\v 19 Ny olombelona, ny olombelona, izy no ilay iray izay manome fisaorana anao, tahaka ny ataoko amin'ity andro ity; ray mampahafantatra ny fahamendreham-pitokisanao amin'ireo zanaka.
\s5
\v 20 Eo andalam-pamonjena ahy i Yaveh, ary hankalaza amin'ny hira izahay amin'ny androm-piainanay rehetra ao an-tranon'i Yaveh."
\s5
\v 21 Ary hoy Isaia: "Aoka izy ireo haka vongan'aviavy ary hametraka izany eo amin'ny vay, dia ho sitrana izy."
\v 22 Hoy ihany koa i Hezekia hoe: "Inona no ho famantarana fa tokony hiakatra ho any an-tranon'i Yaveh aho?"
\s5
\c 39
\cl Toko faha 39
\p
\v 1 Tamin'izany andro izany Merodaka-baladana zanaka lahin'i Baladana, mpanjakan'i Babylona, dia nandefa taratasy sy fanomezana ho an'i Hezekia; satria reny fa narary i Hezekia ary sitrana.
\v 2 Faly tamin'ireo zavatra ireo i Hezekia; nasehony an'ireo mpitondra hafatra ny trano fitahirizany zavatra sarobidy—ny volafotsy, ny volamena, ireo zava-manitra ary menaka tsara, ny trano fitahirizany an'ireo fitaovam-piadiany, sy izay rehetra hita tao amin'ireo trano fitahirizany. Tsy nisy zavatra tao an-tranony, na tao amin'ny fanjakany rehetra, ka tsy nasehon'i Hezekia azy ireo.
\s5
\v 3 Avy eo Isaia mpaminany tonga tany amin'i Hezekia mpanjaka ary nanontany azy hoe: "Inona no lazain'ireo olona ireo aminao? Avy aiza izy ireo?" Hoy Hezekia hoe: "Tonga eto amiko avy any amin'ny firenena lavitr'i Babylona izy ireo."
\v 4 Dia nanontany Isaia hoe: "Inona no hitan'izy ireo tao an-tranonao?" Namaly Hezekia hoe: "Hitan'izy ireo avokoa ny zavatra rehetra tao an-tranoko. Tsy nisy zavatra tamin'ireo zavatro sarobidy ka tsy nasehoko azy ireo."
\s5
\v 5 Dia hoy Isaia tamin'i Hezekia hoe: "Henoy ny tenin'i Yaveh tompon'ny maro:
\v 6 'Indro, tonga ny andro izay hitondrana ny zavatra rehetra ao amin'ny lapanao, ireo zavatra izay notahirizin'ireo razambenao mandrak'ankehitriny ho any Babylona. Tsy hisy ho tavela, hoy Yaveh.
\s5
\v 7 Ireo zanaka lahy naterakao, izay efa notaizainao—ho alainy izy ireo, ary ho lasa tandapa ao amin'ilay lapan'ny mpanjakan'i Babylona izy ireo.'"
\v 8 Avy eo Hezekia niteny tamin'Isaia hoe: "Tsara ny tenin'i Yaveh izay efa noresahinao." Fa nihevitra izy hoe: "Hisy fiadanana sy fahamarinan-toerana amin'ny androko."
\s5
\c 40
\cl Toko faha 40
\p
\v 1 "Hampaherezo, hampaherezo ny vahoakako," hoy ny Andriamanitrareo.
\v 2 "Miresaha mora amin'i Jerosalema; ary hambarao aminy fa efa nitsahatra ny adiny, fa voavela ny helony, fa efa nandray avo roa heny teny an-tanan'i Yaveh izy tamin'ny fahotany rehetra."
\s5
\v 3 Nisy feo niantso mafy hoe: "Omano ny lalan'i Yaveh any an'efitra; manaova lalam-be mahitsy any amin'ny tany foana ho an'ny Andriamanintsika."
\f + \ft Fanamarihana: Misy amin'ireo dikan-teny moderina taloha manao hoe "Misy feo niteny mafy any an'efitra..." \f*
\v 4 Ny lohasaha rehetra dia hasandratra, ary ny tendrombohitra sy havoana rehetra dia hankarina; ary ny tany mideza ho lembalemba, ary ireo tany saro-dalana ho tonga lemaka;
\v 5 ary ny voninahitr'i Yaveh dia ho ampahafantarina, ary ny vahoaka rehetra hiaraka hahita izany; fa ny vavan'i Yaveh no niteny izany.
\s5
\v 6 Nisy feo nanao hoe: "Antsoy." Nisy iray namaly hoe: "Inona no antso tokony ataoko?" "Ny nofo rehetra dia ahitra, ary ny fifaneken'izy ireo dia toy ny voninkazo eny an-tsaha.
\v 7 Maina ny ahitra ary malazo ny voninkazo rehefa mitsoka eo amin'izany ny fofon'ain'Andriamanitra; azo antoka fa ahitra ny olombelona.
\v 8 Maina ny ahitra, malazo ny voninkazo, fa ny tenin'ny Andriamanintsika dia haharitra mandrakizay."
\s5
\v 9 Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly.
\f + \ft Fanamarihana: raha toa ka "Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly" dia ireo dika-teny sasany manao hoe "Ianao izay mitondra vaovao mahafaly any Ziona, miakara eny amin'ny tendrombohitra avo \f*
Manandrata feo mafy, ry Jerosalema. Ianao izay mitondra ireo vaovao mahafaly, asandrato ny feonao, aza matahotra.
\f + \ft Raha toa ka "Manandrata feo mafy, ry Jerosalema. Ianao izay mitondra ireo vaovao mahafaly" dia ny dika-teny sasany manao hoe "Torio amin'i Jerosalema ny vaovao mahafaly." \f*
Lazao amin'ireo tanànan'i Joda hoe: "Io no Andriamanintrareo!"
\v 10 Indro, ny Tompo Yaveh tonga toy ny lehilahy mpiady nivoaka mpandresy, ary ny sandriny mahery no hanapaka ho azy. Indro, ny valisoany miaraka aminy, ary ireo izay navotany dia mandeha eo anoloany.
\s5
\v 11 Hamahana ny ondry aman'osiny toy ny mpiandry ondry Izy, hanangona ireo ondry eo an-tsandriny Izy, ka hilanja ireo ao am-pony, ary hitarika amin-katsaram-panahy ireo ondry vavy mampinono ireo zanany.
\s5
\v 12 Iza no nandrefy ny rano teo am-pelantanany, nandrefy ny lanitra tamin'ny zehin'ny tanany, nihazona ny vovon-tany tanaty harona, nandanja ny tendrombohitra tamin'ireo fandanjana, na ireo havoana tamin'ny mozana?
\s5
\v 13 Iza no efa nahatakatra ny eritreritr'i Yaveh, na nanoro lalana Azy toy ny mpanolotsainy?
\v 14 Avy amin'iza no efa nandraisany toro-lalana? Iza no nampianatra Azy ny fomba fanaovana zavatra amin'ny tokony ho izy, ary nampianatra Azy fahalalana, na nampiseho Azy ny fomba fahatakarana?
\s5
\v 15 Indro, ireo firenena dia toy ny rano indray mitete anaty siny, ary noraisina toy ny vovoka eo ambonin'ny fandanjana; indro, lanjainy toy teboka bitika ireo nosy.
\v 16 Libanona dia tsy ampy ho dorana, na ireo bibidiany tsy ampy atao fanatitra dorana.
\v 17 Ny firenena rehetra dia tsy feno eo anatrehany; ireo dia noraisiny toy ny tsy misy.
\s5
\v 18 Amin'iza izany no hampitahainareo amin'Andriamanitra?
\v 19 Sampy! namolavola izany ny mpanao asa-tanana: ny mpanefy volamena dia nanao takela-bolamena sy nanefy rojo volafotsy ho an'izany.
\v 20 Mba hanaovana fanatitra dia misy iray mifidy hazo tsy mety lo; mitady mpanao asa-tanana mahay izy mba hanao sampy izay tsy mety mirodana.
\s5
\v 21 Tsy fantatrareo ve? Tsy mbola henonareo ve? Tsy efa nolazaina taminareo tany am-piandohana ve izany? Tsy efa takatrareo ve izany tamin'ny fanorenana ny tany?
\v 22 Izy ilay tokana mipetraka ambonin'ny habakabaky ny tany; ary ny mponina dia toy ny valala eo anatrehany. Nandrovitra ny lanitra toy ny lamba Izy ary nanaparitaka ireo toy ny lay hipetrahana.
\s5
\v 23 Nampihena ireo mpanapaka toy ny tsy misy Izy ary nanao ireo mpanapaky ny tany ho tsy misy dikany.
\v 24 Vao novolena izy ireo, vao nafafy, ny sampan'ireo dia vao namaka tamin'ny tany, rehefa nitsoka teo amin'izy ireo Izy ka nalazo ireo, ary nentin'ny rivotra toy mololo izy ireo.
\s5
\v 25 Amin'iza izany no hampitahainao Amiko, iza no mitovy Amiko?" hoy Ilay Masina.
\v 26 Jereo ny lanitra! Iza no namorona ireo kintana rehetra ireo? Mamoaka azy ireo amin'ny filaharany Izy ary miantso azy rehetra amin'ny anarany. Tamin'ny halehiben'ny heriny sy tamin'ny tanjaky ny fahefany, dia tsy nisy iray tsy nipoitra.
\s5
\v 27 Nahoana ianao, ry Jakoba, no niteny sy nanambara tamin'Israely hoe: "Ny lalako dia miafina amin'i Yaveh, ary ny Andriamanitro dia tsy voakasiky ny fahamarinako?"
\v 28 Tsy fantatrareo ve? Tsy renareo ve? Ilay Andriamanitra maharitra mandrakizay, Yaveh, ilay namorona ireo vazan-tany, dia tsy vizana na reraka; tsy misy fetrany ny fahalalany.
\s5
\v 29 Manome hery ny reraka Izy; ary manome hery vao ho an'izay marary.
\v 30 Na ny tanora aza dia ho lasa vizana sy reraka, ary ireo zatovo dia ho tafintohina ka hianjera:
\v 31 Fa ireo izay miandry an'i Yaveh dia hanavao ny herin'izy ireo; hanidina amin'ny elatra toy ny voromahery izy ireo; hiazakazaka izy ireo ka tsy ho reraka; handeha izy ireo ary tsy ho torana.
\s5
\c 41
\cl Toko faha 41
\p
\v 1 "Mihainoa am-pahanginana manoloana Ahy, ianareo moron-tsiraka; aoka hanavao ny heriny ireo firenena; aoka izy ireo hanatona akaiky ary hiteny; aoka isika hiaraka hanakaiky mba hifandahatra sy hiady hevitra.
\v 2 Iza no nanentana ny iray avy any atsinanana, niantso azy am-pahamarinana ho amin'ny fanompoany? Manolotra ny firenena ho azy Izy ary manampy azy handresy ireo mpanjaka. Mamadika azy ireo ho vovoka amin'ny sabany izy, tahaka ny mololo tsofin'ny rivotra amin'ny tsipíkany.
\s5
\v 3 Manenjika azy ireo izy ka tafita soa aman-tsara, tamin'ny lalana tsara izay tsy nodiavin'ny tongony.
\v 4 Iza no nanao sy nahavita ireo asa ireo? Iza no nampiantso ireo taranaka hatrany am-piandohana? Izaho, Yaveh, no voalohany, ary miaraka amin'ireo farany, Izaho no Izy.
\s5
\v 5 Nahita ireo nosy ka natahotra; miovitrovitra ny faran'ny tany; nanatona izy ireo ka tonga.
\v 6 Samy manampy ny namany ny olon-drehetra, ary ny olona rehetra nifampiresaka hoe: 'Mahereza.'
\v 7 Koa dia mampahery ireo mpanefy volamena ny mpandrafitra, ary izay miasa amin'ny tantanana mampahery izay miasa amin'ny riandriana, milazan'ny solohoto hoe: 'tsara izany.' Nofehezin'izy ireo tamin'ny fantsika izany mba tsy hihozongozona.
\s5
\v 8 Fa ianao, ry Israely, mpanompoko, ry Jakoba izay efa nofidiako, taranak'i Abrahama namako,
\v 9 ianao izay haveriko avy amin'ny fiafaran'ny tany, ary izay nantsoiko avy tamin'ireo toerana lavitra, ary izay nolazaiko hoe: 'Mpanompoko ianao;' Efa nifidy anao Aho ary tsy nolaviko ianao.
\s5
\v 10 Aza matahotra, fa momba anao Aho. Aza mitebiteby, fa Izaho no Andriamanitrao. Hampatanjahako ianao, ary hanampy anao Aho, ary hanohana anao amin'ny tanako ankavana marina Aho.
\s5
\v 11 Indro, ho menatra sy ho afa-baraka, ireo rehetra izay tezitra taminao; ho toy ny tsy misy dikany izy ireo ary ho faty, ireo rehetra izay manohitra anao.
\s5
\v 12 Hitady ianao nefa tsy hahita ireo izay nifandahatra taminao; ireo izay niady taminao dia ho toy ny tsy misy dikany, tena tsy misy dikany.
\v 13 Fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, no hiazona ny tananao ankavanana, milaza aminao hoe: 'Aza matahotra; fa hanampy anao Aho.'
\s5
\v 14 Aza matahotra, ianao ry Jakoba kankana, ary ianareo olon'ny Israely; fa hanampy anareo aho—izany no fanambaran'i Yaveh, mpanavotra anareo, ilay Iray Masin'Israely.
\v 15 Indro, ataoko ho toy ny kodia vy maranitra ianao, vao sady roa-lela; hamely ireo tendrombohitra ianao ary hanorotoro ireo; hataonao ho toy ny akofa ireo havoana.
\s5
\v 16 Hikororoka azy ireo ianao, ary ny rivotra hitondra azy ireo hiala; hanaparitaka azy ireo ny rivotra. hiravoravo amin'i Yaveh ianao, hiravoravo amin'ny ilay Iray Masin'Isarely.
\s5
\v 17 Mitady rano ireo ory sy mahantra, kanefa tsy misy, ary ny lelan'izy ireo dia ho maina nohon'ny hetaheta; Izaho, Yaveh, no hamaly ny vavak'izy ireo; Izaho, Ilay Andriamanitr'Israely, dia tsy hahafoy azy ireo.
\v 18 Hahatonga ny renirano hikoriana amin'ny hantsana Aho, ary loharano eo afovoan'ny lohasaha; hataoko dobon-drano ny tany hay, ary ny tany maina ho loharano.
\s5
\v 19 Any amin'ny tany efitra no hametrahako ireo sedera, akasia, rotra, ary ny hazon'Oliva. Hametraka ny kypreso eny amin'ny lemaky ny tany hay, miaraka amin'ireo kesika sy ireo hazo kypreso Aho.
\v 20 Hanao izany Aho mba hahita, hanaiky, ary hiara-hahatakatra ny olona, fa ny tanan'i Yaveh no nanao izany, ary ilay Iray Masin'Israely no namorona izany.
\s5
\v 21 "lazao ny mahakasika anao," hoy i Yaveh, "asehoy ny hevitrao tsara indrindra ho an'ireo sampinao," hoy ny Mpanjaka an'i Jakoba.
\v 22 Aoka izy ireo hitondra ny hevitr'izy ireo manokana; asaivo mandroso izy ireo ary ambarao aminay izay hiseho, mba hahafantaranay tsara ireo zavatra ireo. Asaivo ambaran'izy ireo aminay ireo fanambarana voavina mialoha, mba hahafahanay manao azy ireo ho fitaratra sy hahafantaranay ny fomba nahatanterahan'ireny
\s5
\v 23 Lazao ireo zavatra momba ny ho avy, mba hahafantaranay fa andriamanitra ianareo; manaova zavatra tsara na ratsy, mba hahatahotra sy hiaky volana izahay.
\v 24 Indro, tsy misy dikany ianareo sampy ary ny asanareo dia tsy misy dikany; ilay iray izay nifidy anareo dia maharikoriko.
\s5
\v 25 Efa nanangana iray avy any avaratra Aho, ary tonga izy; avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro no hiantsoako izay miantso ny anarako, ary hanitsaka ireo mpanapaka toy ny fotaka izy, toy ny mpanefy tanimanga manitsakitsaka ny tanimanga.
\v 26 Iza no nanambara izany hatrany am-piandohana, mba hahafantaranay? Alohan'izany fotoana izany, mba hilazanay hoe: "Marina izy"? Eny tokoa, tsy nisy nanao izany ho lalàna izy ireo, eny, tsy nisy naheno anareo nilaza zavatra.
\s5
\v 27 Hoy Aho tamin'i Ziona tamin'ny voalohany: 'Indro indreto izy ireo;" nandefa mpitondra hafatra tany Jerosalema Aho.
\v 28 Rehefa mijery aho, dia tsy misy na iza na iza, na ny iray eo amin'izy ireo izay afaka manome toro-hevitra tsara, izay, afaka hamaly teny, rehefa manontany Aho.
\v 29 Indro, tsy misy dikany izy rehetra, ary ny asan'izy ireo dia tsy misy dikany; rivotra sy zava-poana ny sary an'idin'izy ireo.
\s5
\c 42
\cl Toko faha 42
\p
\v 1 Indro, ny mpanompoko, izay tantanako; ilay nofidiko, ao aminy no andraisako sitraka. Efa napetrako teo aminy ny Fanahiko; hitondra rariny eo amin'ireo firenena izy.
\v 2 Tsy hitaraina na hihiaka izy, na hanao ny feony ho re eny an-dalana.
\s5
\v 3 Tsy ho tapahiny ny volotara torotoro, ary tsy ho vonoany ny afon'ny jiro mirehitra: hanatanteraka ny rariny amim-pahatokiana izy.
\v 4 Tsy hitombo harerahana izy na ho kivy mandra-pametrahany ny rariny ety ambonin'ny tany; ary ny tany amorontsiraka hiandry ny lalàny.
\s5
\v 5 Izao no lazain'Yaveh Andriamanitra__izay namorona ny lanitra ary nanenjana ireo, ilay nanao ny tany sy izay rehetra vokariny, izay manome fofonaina ho an'ny olona amin'izany ary fianana ho an'ireo izay miana eo amin'izany hoe:
\v 6 "Izaho, Yaveh, efa niantso anao tamin'ny fahamarinana ary hihazona ny tananao. Hiambina anao Aho ary hametraka anao toy ny fanekena ho an'ny olona, tahaka ny fahazavana ho an'ireo Jentilisa,
\s5
\v 7 mba hanokatra ny mason'ny jamba, mba hanafaka ireo voafonja ao amin'ny trano maizina, ary avy amin'ny trano fonenan'ireo izay mipetraka ao amin'ny aizina.
\s5
\v 8 Izaho no Yaveh, izany no anarako; ary ny voninahitro tsy ho zaraiko amin'ny hafa na ny fiderana Ahy ho amin'ny sampy voasikotra.
\v 9 Indro, efa lasa ny zavatra taloha, ankehitriny hanambara zava-baovao aminareo Aho. Mialohan'ny hanomboan'ireo dia hiteny anareo mahakasika ireo Aho."
\s5
\v 10 Mihirà hira vaovao ho an'i Yaveh, ary ny fiderany hatrany amin'ny faran'ny tany; ianareo izay midina any amin'ny ranomasina, sy izay rehetra ao aminy, ireo tany amorontsiraka, ary ireo izay mivelona any.
\v 11 Aoka hitaraina ny efitra sy ireo tanàna, ny tanàna izay honenan'i Kedara, dia hihiaka amin'ny fifaliana! Aoka hihoby ny mponin'i Sela; aoka hihiaka avy eo an-tampon- tendrombohitra izy ireo.
\s5
\v 12 Aoka hanome voninahitra an'i Yaveh izy ireo ary hanambara ny fiderany amin'ny tany amorontsiraka.
\v 13 Hivoaka tahaka ny mpiady i Yaveh; tahaka ny lehilahin'ady hamporisin'ny zotom-pony Izy. Hihiaka Izy, eny, hierona amin'ny hiakan'adiny Izy; hasehony ny fahavalony ny heriny.
\s5
\v 14 Efa nangina Aho hatrizay; efa nangina Aho ary nifehy ny tenako; ankehitriny hitaraina toy ny vehivavy miteraka Aho; miehakehaka tsy avy miaina.
\v 15 Hataoko lao ny tendrombohitra sy ny havoana ary hanamaina ny zava-maniriny rehetra; ary hamadika ny ony ho nosy Aho ary hanamaina ny farihy.
\s5
\v 16 Hitondra ny jamba amin'ny lalana izay tsy fantatr'izy ireo Aho; amin'ny lalana izay tsy fantatr'izy ireo no hitarihako azy ireo. Hamadika ny aizina ho mazava eo anoloan'izy ireo Aho, ary hanao ny toeranan'ny meloka ho marina. Ireo zavatra ireo no hataoko, ary tsy handao azy ireo Aho.
\s5
\v 17 Hiverina izy ireo, ary ho afa-baraka tanteraka, ireo izay matoky ny sarin-javatra voasokitra, izay milaza ny sarin-javatra narendrika tamin'ny vy hoe: "Ianareo no andriamanitray."
\s5
\v 18 Mihainoa, ianareo ry marenina; ary mijere, ianareo jamba, mba hahita.
\v 19 Iza no jamba nefa mpanompoko? Na marenina toy ny mpitondra hafatra niraiko? Iza no jamba tahaka ny sakaizam-panekeko, na marenina tahaka ny mpanompon'i Yaveh?
\s5
\v 20 Maro ny zavatra hitanareo, saingy tsy takatrareo; manongilan-tsofina, nefa tsy misy mandre.
\v 21 Nahafaly an'i Yaveh ny midera ny fahamarinany ary ny manome voninahitra ny lalàny.
\s5
\v 22 Nefa ity dia vahoaka nangalarana sy voaroba; voafandrika any amin'ny lavaka avokoa izy ireo, notanana ho babo tao am-ponja; efa lasa voaroba izy ireo ka tsy misy na iza na iza hanavotra azy, ary tsy misy miteny hoe: "Avereno izy ireo!"
\s5
\v 23 Iza aminareo ireo no hihaino izany? Iza no hihaino sy handre amin'ny ho avy?
\v 24 Iza no nanome an'i Jakoba ho an'ireo jiolahy, ary ny Israely ho amin'ny mpandroba? Moa ve izany tsy i Yaveh, izay efa nanotantsika, izay nolavin'izy ireo andehanana ny lalany, ary izay nolavin'izy ireo harahina ny lalàny?
\s5
\v 25 Noho izany dia nararany tamin'izy ireo ny firehetan'ny fahatezerany, mbamin'ny fandravan'ny ady. Niredareda nanodidina azy ireo izany, nefa tsy nahafantatra izany izy ireo; ka nandoro azy ireo izany, nefa tsy noraisin'izy ireo am-po izany.
\s5
\c 43
\cl Toko faha 43
\p
\v 1 Fa ankehitriny dia izao no lazain'i Yaveh, Izy izay namorona anao, ry Jakoba, ary Izy izay nanamboatra anao, ry Israely: "Aza matahotra, fa efa nanavotra anao Aho; efa niantso anao tamin'ny anaranao Aho, Ahy ianao."
\s5
\v 2 Raha mandeha mamakivaky ny rano ianareo, dia ho eo aminareo Aho; ary amin'ireo renirano, dia tsy hanafotra anareo ireny. Rehefa mandeha mamakivaky ny afo ianareo dia tsy ho may, ary tsy handrava anareo ny lelafo.
\v 3 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo, ilay Iray Masin'Israely, Mpamonjinareo. Nomeko ho toy ny vidim-panavotanareo i Egypta, i Etiopia sy i Seba ho takalonareo.
\s5
\v 4 Fa sarobidy sy miavaka eo imasoko ianareo, tiako ianareo; noho izany dia hanome olona ho takalonareo Aho, ary vahoaka hafa ho takalon'ny ainareo.
\v 5 Aza matahotra, fa momba anareo Aho; hitondra ny taranakareo avy any atsinanana Aho, ary hanangona anareo avy any andrefana.
\s5
\v 6 Hilaza amin'ny avaratra Aho hoe:' Afaho izy ireo', ary amin'ny atsimo hoe:' Aza misy tazonina;' Ento avy any lavitra ireo zanako lahy, ary ireo zanako vavy avy any amin'ireo faritany lavitry ny tany,
\v 7 ny tsirairay izay nantsoina tamin'ny Anarako, izay nohariako ho an'ny voninahitro, izay namboariko, eny, izay nataoko.
\s5
\v 8 Avoahy ireo olona izay jamba, na dia mana-maso aza izy ireo, sy ireo marenina, na dia manan-tsofina aza izy ireo.
\v 9 Miara-miangona ny firenena rehetra, ary mivory ny vahoaka. Iza amin'izy ireo no afaka nanambara izany sy nanambara taminay ireo tranga teo aloha? Aoka izy ireo hitondra ny vavolombelony mba hanaporofo marina azy ireo, aoka izy ireo hihaino sy hanamafy hoe:' Marina izany.'
\s5
\v 10 Manambara i Yaveh hoe: "Ianareo no vavolombeloko, ary mpanompoko izay nofidiako, ka tokony hahafantatra sy hino Ahy ianareo, ary hahatakatra fa Izaho no Izy. Tsy nisy andriamanitra voaforona talohako, ary tsy hisy ao aoriako.
\v 11 Izaho, Izaho no Yaveh, ary tsy misy Mpamonjy ankoatra Ahy.
\s5
\v 12 Efa nanambara Aho, namonjy, ary nanambara am-pahibemaso, ary tsy misy andriamani-kafa eo aminareo. Ianareo no vavolombeloko," hoy i Yaveh," Izaho no Andriamanitra.
\v 13 Hatramin'io andro io dia Izaho no Izy, ary tsy misy afaka manavotra an'iza na iza eo tanako. Miasa Aho, ary iza no afaka hamadika izany?"
\s5
\v 14 Izao no lazain'i Yaveh, Mpanavotra anareo, ilay Iray Masin'Israely: "Fa noho ny aminareo no handefasako any Babylona sy hitarihako azy ireo rehetra hidina toy ny mpandositra, hamadihana ny fanehoan'ireo Babyloniana hafaliana ho hiram-pitomaniana.
\v 15 Izaho no Yaveh, ilay Iray Masinareo, Mpamorona an'Israely, Mpanjakanareo."
\s5
\v 16 Izao no lazain'i Yaveh( izay nanokatra lalana namakivaky ny ranomasina sy lalana teo amin'ny rano mahery,
\v 17 izay namoaka ny kalesy sy ny soavaly, ny tafika sy ny miaramila mahery. Niara-lavo izy ireo; tsy hitsangana intsony izy ireo; maty izy ireo, mitsilopilopy tahaka ny lahin-jiro.)
\s5
\v 18 "Aza mieritreritra momba ireny zavatra taloha ireny, na mahatsiaro ireo zavatra taloha efa ela.
\v 19 Indro, Izaho efa manao zava-baovao; efa hanomboka mitranga izany ankehitriny; tsy mahalala izany ve ianareo? Hanao lalana any an-tany efitra sy rian-drano any an-tany karakaina Aho.
\s5
\v 20 Hanome voninahitra Ahy ny bibidia an-tsaha, ireo amboadia sy ireo ostritsa, satria manome rano any an-tany karakaina Aho, ary renirano any an-tany efitra, mba hosotroin'ny vahoaka voafidiko,
\v 21 ireo vahoaka izay novolavolaiko ho Ahy ihany, fa mety hitantara ny fiderana Ahy izy ireo.
\s5
\v 22 Fa tsy niantso Ahy ianao, ry Jakoba; reraka ny Amiko ianao, ry Israely.
\v 23 Tsy mba nitondra tamin'ireo ondrinareo ho fanatitra dorana ho Ahy ianareo, na nanome voninahitra Ahy tamin'ireo soronareo. Tsy nanavesatra anareo tamin'ny fanatitra vary Aho, na nanasatra anareo tamin'ny fangatahana ditin-kazo manitra.
\s5
\v 24 Tsy nividy veromanitra ho Ahy tamin'ny vola ianareo, na nandraraka Tamiko ny jaboran'ireo soronareo; fa nanavesatra Ahy tamin'ny fahotanareo ianareo; nanasatra Ahy tamin'ireo asa ratsinareo.
\s5
\v 25 Izaho, eny, Izaho, no Ilay mamono ny fandikan-dalànareo noho ny Amiko ihany; ary tsy hahatsiaro ireo fahotanareo intsony Aho.
\v 26 Ampahatsiahivo Ahy izay nitranga. Aoka isika hiara-hifandahatra; asehoy ny hevitrareo, fa mety ho voaporofo ho tsy manan-tsiny ianareo.
\s5
\v 27 Nanota ny rainareo voalohany, ary nikomy tamiko ireo loholonareo.
\v 28 Noho izany dia holotoiko ireo manam-pahefana masina; hanao an'i Jakoba ho ringana tanteraka Aho, ary i Israely amin'ny fanalam-baraka mahery setra."
\s5
\c 44
\cl Toko faha 44
\p
\v 1 Mihainoa ankehitriny, ry Jakoba mpanompoko, sy ry Israely, izay nofidiako:
\v 2 Izao no lazain'i Yaveh, Izy izay nanao anao sy namolavola anao tao am-bohoka sy izay hamonjy anao hoe: "Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko; sy ianao, ry Jesorona, izay nofidiako.
\s5
\v 3 Fa handatsaka rano amin'ny tany mangetana, sy rian-doharano amin'ny tany maina Aho; handatsaka ny Fanahiko amin'ny zanakao Aho, ary ho amin'ireo zanakao ny fitahiako.
\v 4 Hitsimoka eo amin'ny ahitra, tahaka ny hazomalahelo eo akaikin'ny rian-drano izy ireo.
\s5
\v 5 Ny iray hiteny hoe: 'An'i Yaveh aho', ary ny hafa hiantso mafy ny anaran'i Jakoba, ary ny hafa hanoratra eo amin'ny tanany hoe: 'An'i Yaveh', ka hiantso ny tenany amin'ny anaran'i Israely."
\s5
\v 6 Izao no lazain'i Yaveh— ilay Mpanjakan'ny Israely sy Mpanavotra azy, dia Yaveh Tompon'ny maro: "Izaho no voalohany, ary Izaho no farany; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
\s5
\v 7 Iza no tahaka Ahy? Aoka izy hilaza izany ka hanazava Amiko ireo zavatra izay nitranga hatramin'ny nanorenako ny vahoakako taloha, ary aoka izy ireo hanambara ireo zavatra ho avy.
\s5
\v 8 Aza matahotra na miahiahy. Moa ve Aho tsy efa nanambara taminareo tany aloha tany, ka nilaza izany? Vavolombeloko ianareo: Moa ve misy Andriamanitra afa-tsy Izaho? Tsy misy Vatolampy hafa; tsy mahafantatra na iray aza Aho."
\s5
\v 9 Ny rehetra izay mamboatra sampy dia tsinontsinona; zava-poana ireo zavatra ankasitrahany; ny vavolombelon'izy ireo dia tsy mahita na mahalala na inona na inona, ary halaim-baraka izy ireo.
\v 10 Iza no hamolavola andriamanitra na hanamboatra sampy izay zava-poana?
\s5
\v 11 Indro, ny mpiara-miasa aminy rehetra dia halaim-baraka avokoa; ireo mpanao asa tanana dia olona ihany. Aoka izy ireo hiara-hijoro; hatahotra izy ireo ary halaim-baraka.
\s5
\v 12 Ny mpanefy dia miasa amin'ireo fitaovany, mamolavola izany, miasa amin'ny arina. Mamolavola izany amin'ny tantanana ary miasa izany amin'ny sandriny mahery izy. Noana izy, ka mihena ny tanjany, tsy misotro rano izy ka manjary reraka.
\s5
\v 13 Mandrefy ny hazo amin'ny fitsipihana ny mpandrafitra, ary misokitra izany amin'ny fandraka. Mamolavola izany amin'ireo fitaovany izy ary manamarika izany amin'ny kompà. Mamolavola izany ho toy ny endrik'olona izy, tahaka ny olombelona manintona, mba hipetraka ao an-trano izany.
\s5
\v 14 Manapaka sedera izy, na mifidy hazon-kypreso na hazo terebinta. Maka hazo any an'ala ho azy izy. Mamboly kesika izy ary mampaniry izany ny orana.
\s5
\v 15 Dia ampiasain'ny olona hampirehetana afo sy hamindroana izany. Eny, mandrehitra afo izy ka manao mofo. Dia manao andriamanitra amin'izany izy ka miankohoka amin'izany; manao sampy izy ka miankohoka amin'izany.
\v 16 Mandoro ny sasany amin'ny hazo hampirehetana afo izy, mitono ny henany amin'izany. Mihinana izy ka afa-po. Mamindro izy ka manao hoe: "Aha, mafana aho, efa nahita afo aho."
\s5
\v 17 Amin'ny hazo sisa tavela no anamboarany andriamanitra, ny sariny voasikotra; miankohoka eo amin'izany izy sady manaja izany, ary mivavaka amin'izany manao hoe: "Avoty aho, fa ianao no andriamanitro."
\s5
\v 18 Tsy mahafantatra, na mahatakatra izy ireo, fa jamba ny mason'izy ireo ka tsy mahita, ary tsy mahalala ny fon'izy ireo.
\s5
\v 19 Tsy misy mihevitra, na mahazo izy ireo ka manao hoe: "Efa nandoro ny sasany tamin'ny hazo tao anatin'ny afo aho; eny, efa nanao mofo teo ambonin'ny ariny ihany koa aho. Efa nitono hena teo amin'ny arina aho ka nihinana. Ankehitriny, tokony hanao zavatra maharikoriko amin'ny hazo hafa sasany mba ho tompoina ve aho? Tokony hiankohoka amin'ny vatan-kazo ve aho?"
\s5
\v 20 Tahaka ny hoe mihinana lavenona izy; mampivily azy ny fony voafitaka. Tsy afa-mamonjy ny tenany izy, na manao hoe izy: "Ity zavatra eto an-tanako havanana ity dia andriamani-tsy izy."
\s5
\v 21 Hevero ny momba ireo zavatra ireo, ry Jakoba, sy ry Israely, fa mpanompoko ianao: efa namolavola anao Aho; mpanompoko ianao: ry Israely, tsy ho adinoko ianao.
\v 22 Novonoiko, tahaka ny raho-matevina, ireo asa fikomianao, ary tahaka ny rahona, ireo fahotanao; miverena Amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
\s5
\v 23 Mihirà, ianareo ry lanitra, fa Yaveh no nanao izany; mikiaha, ianareo ry halalin'ny tany. Mihobia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra, ianao ry ala mbamin'ny hazo rehetra ao; fa efa navotan'i Yaveh i Jakoba, ka hahita ny voninahiny ao Israely.
\s5
\v 24 Izao no lazain'i Yaveh, Mpanavotra anao, Izy izay namolavola anao hatrao am-bohoka: "Izaho no Yaveh, izay nanao ny zavatra rehetra, izay Izaho irery no nanenjana ny lanitra, izay Izaho irery no nanamboatra ny tany.
\v 25 Izaho izay manafoana ny famantaran'ireo mpiteniteny foana sy izay manala-baraka ireo izay mamaky famantarana; Izaho izay mandrava ny fahendren'ny hendry sy manao ny torohevitr'izy ireo ho adalana.
\s5
\v 26 Izaho, Yaveh, izay nanamafy ireo tenin'ny mpanompony ary mampandalo ireo faminanian'ireo iraka, izay milaza amin'i Jerosalema hoe: 'Honenana izy', ary an'ireo renivohitr'i Joda hoe: 'Hatsangana indray izy ireo, ary hanarina ny faharavany Aho';
\v 27 izay milaza amin'ny ranomasina lalina hoe: 'Aoka ho ritra, ary ho ritraiko ireo oninao.'
\s5
\v 28 Yaveh Ilay izay miteny an'i Kyrosy hoe: 'Izy no mpiandry ondriko, hanao ny faniriako rehetra Izy, handidy ny amin'i Jerosalema Izy hoe: 'Hatsangana indray izy' ary ny amin'ny tempoly hoe: 'Aoka haorina ireo fototrao.'"
\s5
\c 45
\cl Toko faha 45
\p
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh amin'ilay voahosony, amin'i Kyrosy, izay tazoniko amin'ny tanany ankavanana, mba haharesy ireo firenena eo anatrehany, mba hampilavo lefona ny mpanjaka, ary mba hanokatra ny varavarana eo anoloany, mba hijanona hisokatra ireo vavahady.
\s5
\v 2 "Handeha eo anoloanao aho ary hampahitsy ireo tendrombohitra; ho tapatapahako ireo varavarana varahina ary ho potipotehiko ireo bara vy,
\v 3 ary homeko anao ireo haren'ny aizina sy ny harena niafina, mba hahafantaranao fa Izaho, Yaveh, no miantso anao amin'ny anaranao, dia Izaho, ilay Andriamanitr'Israely.
\s5
\v 4 Noho ny amin'i Jakoba mpanompoko, sy Israely voafidiko, dia niantso anao tamin'ny anaranao Aho: nanome anao anaram-boninahitra, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao.
\v 5 Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa; tsy misy Andriamanitra ankoatra Ahy. Izao no ampisikina anao ho amin'ny ady, na dia tsy nahafantatra Ahy aza ianao;
\v 6 mba hahafantaran'ny olona hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro, ka hatrany andrefana, fa tsy misy andriamanitra ankoatra Ahy: Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa.
\s5
\v 7 Izaho no nanao ny mazava ary nahary ny aizina; izao no mitondra fiadanana ary mahatonga loza; Izaho no Yaveh, izay manao izany zavatra rehetra izany.
\v 8 Ianareo ry lanitra, aoka hanorana avy any ambony! Aoka ny habakabaka hanorana fahamarinana. Aoka ny tany hitroka izany, mba hitsimoka miaraka amin'izany ny famonjena, ary hiara-hitsiry amin'izany ny fahamarinana. Izaho, Yaveh, no nahary azy ireo.
\s5
\v 9 Loza ho an'izay rehetra miady amin'izay nanao azy, amin'izay toy ny vilany tany eo anivon'ireo vilany tany hafa eo amin'ny tany ihany! Moa ve ny tanimanga mba miteny amin'ny mpanefy tanimanga hoe: 'Inona izato amboarinao?' na 'Tsy mahafehy izany ny asanao'?
\s5
\v 10 Loza ho an'izay miteny amin'ny ray hoe: 'Inona ity aterakao?' na amina vehivavy hoe: 'Inona ity avoakanao?'
\s5
\v 11 Izao no lazain'I Yaveh, ilay Iray Masin'Israely, Mpahary azy: 'Nahoana ianao no mametra-panontaniana ny amin'izay ataoko ho an'ny zanako? Miteny amiko izay tokony hatao mahakasika ireo asan'ny tanako ve ianao?
\s5
\v 12 'Izaho no nanao ny tany ary nahary ny olona teo amin'izany. Ny tanako no namelatra ny lanitra, ary Izaho no nandidy ny kintana rehetra mba hipoitra.
\s5
\v 13 Izaho no nanentana an'i Kyrosy tamin'ny fahamarinana, ary izaho no hanalama ny lalany rehetra. Izy no hanangana ny tanànako; izy no hampody ireo oloko sesitany, ary tsy misy vidiny na kolikoly,'" hoy i Yaveh tompon'ny maro.
\s5
\v 14 Izao no lazain'i Yaveh: "Ny fidiram-bolan'i Egypta sy ny entam-barotr'i Etiopia mbamin'ireo Sabeana, izay olona lava ranjanana, dia ho entina eo aminao. Ho anao ireo. Hanaraka anao ireny, handeha miaraka amin'ny gadra vy. Hiankohoka eo aminao ireny ka hifona aminao hanao hoe: 'Miaraka aminao tokoa Andriamanitra, ary tsy misy hafa ankoatra Azy."'
\v 15 Marina tokoa fa Ianao no Andriamanitra izay manafina ny tenanao, ry Andriamanitr'Israely, Mpamonjy.
\s5
\v 16 Hiara-menatra sy ho afa-baraka avokoa ireny; ireo izay manao sampy voasokitra dia handeha amin'ny fahafaham-baraka.
\v 17 Fa ho avotan'i Yaveh amin'ny famonjena mandrakizay Israely; tsy ho menatra na ho afa-baraka intsony ianao.
\s5
\v 18 Izao no lazain'i Yaveh, izay nahary ny lanitra, ilay Andriamanitra marina izay nahary ny tany sy nanao izany, izay nanorina izany. Izy no nahary izany, tsy tahaka ny fakofako, fa nataony mba ho azo hipetrahana: "Izaho no Yaveh, ary tsy misy hafa.
\s5
\v 19 Tsy niteny mangingina, tany amin'ny toerana miafina Aho; tsy mba niteny tamin'ny taranak'i Jakoba Aho hoe: 'Tadiavo fahatany Aho!' Izaho no Yaveh, izay miteny marina; zavatra marina no ambarako.
\s5
\v 20 Vorio ny tenanareo ka avia! Miaraha-miangona, ianareo mpitsoa-ponenana avy any amin'ireo firenena! Tsy mba manam-pahalalana, ireo izay mitondra sary voasokitra sy mivavaka amin'ny andriamanitra izay tsy afa-mamonjy.
\s5
\v 21 Manakaikeza ary ambarao amiko izany, ento ny porofo! Aoka izy ireo hiara-hikononkonona. Iza no nampiseho izany hatry ny ela? Iza no nitory izany? Tsy Izaho Yaveh ve? Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; tsy misy hafa ankoatra ahy.
\s5
\v 22 Miverena amiko ary aoka ho voavonjy, ry faran'ny tany rehetra; fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy ankoatra Ahy.
\v 23 Mianiana amin'ny tenako Aho, milaza ny lalàna mariko, ary tsy hihemotra izany: 'Amiko no hitolefika ny lohalika rehetra, ary hianiana ny lela rehetra.
\s5
\v 24 Hilaza ny Amiko izy ireo hoe: "Ao amin'i Yaveh irery ihany ny famonjena sy ny hery."'"' Ho menatra avokoa ireo izay tezitra aminy.
\v 25 Ao amin'i Yaveh no hanamarinana ny taranak'Israely rehetra; ao aminy no hireharehan'izy ireo.
\s5
\c 46
\cl Toko faha 46
\p
\v 1 Miankohoka i Bela, mitanondrika i Nebo; ireo sampin'izy ireo dia entin'ny biby fiompy sy biby folahina. Ireo sampy izay entinareo ireo dia enta-mavesatra ho an'ny biby reraka.
\v 2 Miara-miondrika izy ireo, miara-mandohalika; ka tsy mahavonjy ny entany, ary izy ireo dia efa lasan-ko babo.
\s5
\v 3 Henoy aho, ry taranak'i Jakoba, ry taranak'Israely sisa rehetra, izay efa nentiko mialohan'ny fahaterahanareo, efa nobabeko hatrany am-bohoka.
\v 4 Eny na dia amin'ny taom-pahanteranareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-paha fotsy ny volonareo dia hitondra anareo Aho. Nahary anareo Aho ka hitrotro anareo; hitondra anareo Aho ary hanavotra anareo.
\s5
\v 5 Amin'iza no hampitahainareo Ahy? Iza no heverinareo fa mitovy amiko, ka azo ampitahaina izahay?
\v 6 Nandraraka volamena avy ao anaty kitapo ny vahoaka ary nandanja izany teo amin'ny mizana. Manakarama mpanefy vy izy ireo, ary manamboatra izany ho andriamaniatra izy, miankohoka sy manompo izany izy ireo.
\s5
\v 7 Mampiakatra izany eo an-tsorony izy ireo ka mitondra izany, mametraka izany eo amin'ny toerany izy ireo, mijoro eo amin'ny toerany izany ary tsy mihetsika eo. Mitaraina amin'izany izy ireo, kanefa tsy afaka mamaly na mamonjy na iza na iza amin'ny lozany izany.
\s5
\v 8 Hevero ny momba ireo zavatra ireo; aza tsinontsinoavina ireo, ry mpikomy!
\v 9 Hevero ny momba ireo zavatra vao tsy ela, ireo tamin'ny fotoan-dasa, fa Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy hafa, Izaho no Andriamanitra, ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko.
\s5
\v 10 Ambarako any am-piandohana ny fiafarana, ary mialohan'izay mbola tsy niseho; Izaho manao hoe: "Ho tanteraka ny fikasako, ary hanao araka izay faniriako Aho."
\v 11 Antsoiko avy any atsinana ny vorona mpiremby, ary ny olona voafidiko avy any amin'ny tany lavitra; eny, efa nolazaiko; ka ho tanterahiko; efa natolotro, ka hataoko ihany koa izany.
\s5
\v 12 Mihainoa Ahy, ianareo ry vahoaka mafy hatoka, izay lavitry ny fanaovana ny mahitsy.
\v 13 Mampanakaiky ny fahamarinako Aho; tsy lavitra izany, ary tsy miandry ny famonjeko; ary hanome ny famonjena ho an'i Ziona sy ny hatsarako ho an'i Israely Aho.
\s5
\c 47
\cl Toko faha 47
\p
\v 1 Midìna ka mipetraha eo amin'ny vovoka, ry zanaka vavy virjinin'i Babylona; mipetraha eo amin'ny tany tsy misy fiandrianana, ry zanaka vavin'ny Kaldeana. Tsy ho antsoina hoe kanto sy marefo intsony ianareo.
\v 2 Raiso ny fikosoham-bary ka mitotoa vary; esory ny voalinareo, esory ny akanjo lavanareo, aboridano ny tongotrareo, ka miampità ny renirano.
\s5
\v 3 Hiseho ny fitanjahanareo, eny, ny henatrareo dia ho hita: hamaly faty Aho ary tsy hamindra fo amin'olona.
\v 4 Ny Mpanavotra antsika, Yaveh tompon'ny maro no anarany, ilay Iray Masin'ny Israely.
\v 5 Mitoera amin'ny mangina ary mandehana any amin'ny maizina, ry zanaka vavin'ny Kaldeana; fa ianareo dia tsy ho antsoina hoe andriam-bavin'ny fanjakana intsony.
\s5
\v 6 Tezitra tamin'ny vahoakako Aho; nandoto ny lovako Aho ary nanome ireo ho eo an-tananareo, kanefa tsy naneho fiantrana tamin'izy ireo ianareo; nametraka zioga mavesatra tamin'ny antitra ianareo.
\v 7 Hoy ianareo hoe: "Hanapaka mandrakizay tahaka ny fiandrianan'ny andriambavy aho." Tsy nandray ireo zavatra ireo tamin'ny fo ianareo, na nihevitra izay ho fivadihany.
\s5
\v 8 Koa henoy izao ankehitriny, ianareo izay tia fahafinaretana sy mipetraka am-pilaminana; ianareo izay manao anakam-po hoe: "Misy aho, ary tsy misy tahaka ahy; tsy ho mananon-tena mihitsy aho, na hiaina ny fahaverezan-janaka mihitsy."
\v 9 Fa ireto zavatra roa ireto dia ho avy tampoka aminareo ao anatin'ny iray andro: ho avy aminareo amin'ny fahafenoan-kery ny fahaverezan-janaka sy ny tsy fananam-bady intsony, na dia eo aza ny famosavianareo sy ireo fandraikiraikenareo ary ireo odinareo.
\s5
\v 10 Nahatoky ny faharatsianareo ianareo; hoy ianareo hoe: "Tsy misy mahita ahy"; ny fahendrenareo sy ny fahaizanareo no mitarika anareo any amin'ny lalan-diso, fa hoy ianareo manao anakam-po hoe: "Misy aho ary tsy misy na iza na iza mitovy amiko."
\v 11 Handresy anareo ny loza; tsy hahavita handroaka izany ianareo sy ny fandraikiraikenareo. Ho ao aminareo ny fahapotehana; tsy hahavita hamafa izany ianareo. Hamely tampoka anareo ny loza, mialohan'ny hahafantaranareo izany.
\s5
\v 12 Mahareta amin'ny fanaovanareo fanozonana sy ny famosavianareo izay nataonareo tsianjery tamim-pahatokiana hatramin'ny fahazazanareo; mety hahomby ianareo, mety hatahotra loza ianareo.
\v 13 Reraka ianareo nohon'ny fakan-kevitra; aoka hijoro ireo olona ireo ka hiaro anareo_ireo izay miandrandra ny lanitra sy mijery ny kintana, ireo izay manambara volana vaovao_aoka izy ireo hamonjy anareo amin'izay hiseho aminareo.
\s5
\v 14 Indro, ho lasa mololo izy ireo. Handoro azy ireo ny afo. Tsy hahavonjy ny ainy eo an-tanan'ny lelan'afo izy ireo. Tsy hisy vain'afo hanafana azy ireo ary tsy hipetraka akaikin'ny afo izy ireo!
\v 15 Izao no efa nahatonga azy ireo ho aminareo, ireo izay efa niara-niasa taminareo, ary niara-nividy sy niara-nivarotra taminareo fony tanora ianareo, ary izy rehetra dia mbola manao ny adalany ihany; ary rehefa miantso vonjy ianareo, dia tsy hisy na iza na iza afaka hamonjy anareo."
\s5
\c 48
\cl Toko faha 48
\p
\v 1 Mihainoa izao, ry taranak'i Jakoba, izay nantsoina tamin'ny anaran'ny Israely, ary izay avy tamin'ny ranon'ain'i Joda; ianao izay mianiana amin'ny anaran'i Yaveh sy mangataka ny Andriamanitry ny Israely, nefa tsy tamin-kitsimpo na fomba marina.
\v 2 Fa miantso ny tenany ho vahoakan'ny tanàna masina izy ireo ary matoky an'Andriamanitry ny Israely. Yaveh Tompon'ny maro no anarany.
\s5
\v 3 "Efa voalazako ny zavatra tamin'ny fahiny; naloaky ny vavako izy ireo, ary nampalaza azy ireo Aho; Ary tampoka no nanaovako azy ireo ary tonga mba andalo izy ireo.
\v 4 Satria nahafantatra Aho fa be-dia-doha ianao, ny hozatry ny hatokao dia toy ny vy, ary ny handrinao dia toy ny varahina. Koa dia nambarako taminao mialoha izany zavatra izany,
\v 5 mialohan'ny isehoan'izany dia efa nampilaza anao Aho, koa tsy tokony hiteny ianao hoe: 'ny sampiko no efa nanao azy ireo,' na 'ny sari-sokitro sy sarin-javatro an'idina no nandidy izany zavatra izany.'
\s5
\v 6 Efa nandre izany zavatra izany ianao; jereo ny porofon'izany rehetra izany, ary ianao, tsy hanaiky ve ianao fa izay voalazako dia marina? Manomboka izao, mampiseho anao zava-baovao Aho, zava-miafina izay tsy mbola fantatrao.
\v 7 Vao izao, ary tsy tamin'ny teo aloha, satria tonga izy ireo, ary talohan'ny androany dia tsy mbola naheno ny momba azy ireo ianao, koa tsy afaka ny hiteny ianao hoe, 'Eny, izaho mahafantatra azy ireo.'
\s5
\v 8 Tsy mbola nahare mihintsy ianao; tsy nahalala ianao; izany zavatra izany dia tsy natao ho an'ny sofinao mialoha. Fa fantatro fa ianao dia tena mpamitaka, ary efa mpikomy hatrany an-kibo.
\s5
\v 9 Fa nohon'ny anarako dia leferiko ny fahatezerako, ary nohon'ny voninahitro no hisalasalako ny amin'ny fandravana anao.
\v 10 Indro, voadioko ianao, nefa tsy toy ny volafotsy; efa nanadio anao tao amin'ny lafaoron'ny fahoriana Aho.
\v 11 Nohon'ny tenako, eny nohon'ny tenako no hanaovako izany; fa ahoana no amelako ny anarako ho fahafaham-baraka? Tsy homeko olon-kafa ny voninahitro.
\s5
\v 12 Mihainoa ahy, ry Jakoba, sy ry Israely, izay nantsoiko: Izao no izy; Izaho no voalohany, ary Izaho ihany koa no farany.
\v 13 Eny, ny tanako mametraka ny fanorenana eo amin'ny tany, ary ny tanan'ny olona marina hovelarina amin'ny lanitra; Rehefa miantso azy ireo Aho, dia miara-mitsangana izy ireo.
\s5
\v 14 Mivoria ianareo, ianareo rehetra, ary mihainoa! Iza teo aminareo no efa nanambara izany zavatra izany? Izay tian'i Yaveh no hanatanteraka ny tanjony hanohitra an'i Babylona. Hanatanteraka izay tian'i Yaveh hanoherana ireo Kaldeana.
\v 15 Izaho, efa niteny aho, eny, efa nampiantso azy Aho, efa nitondra azy Aho, ary hahomby izy.
\s5
\v 16 Makanesa eto akaikiko, mihainoa izao: Hatrany am-piandohana no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina; rehefa miseho izany, dia eto Aho." Ankehitriny Yaveh Tompon'ny maro no naniraka ahy, ary ny Fanahiny.
\s5
\v 17 Izao no nambaran'i Yaveh, mpanavotra anao, ilay Tokana Masin'ny Israely: "Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay mampianatra anao hahomby, izay mitarika anao amin'ny lalana izay tokony alehanao.
\v 18 Raha mba efa nankatoa ny didiko ianao! Dia fiadananao sy fanambinanao no hikoriana toy ny ony, ary ny famonjenao dia toy ireo onjan-dranomasina.
\s5
\v 19 Tsy ho hita isa toy ny fasika ireo taranakao, ary ny zanaka aloaky ny kibonao hitovy isa toy ny sombim-pasika; ny anaran'izy ireo dia tsy ho tapaka na ho foana avy eo anoloako.
\s5
\v 20 Mivoaha hiala any Babylona! Mandosira ireo Kaldeana! Ambarao ami'ny feo hikiaka izany! Ataovy malaza izany, aelezo hatrany am-paran'ny tany izany! Lazao hoe: 'Efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony i Yaveh,'
\s5
\v 21 Tsy nangetaheta izy ireo raha noentiny tany an'efitra; nampikoriana ny rano avy tamin'ny vatolampy ho azy ireo izy; nampitresaka ny vatolampy izy, ary niboiboika ireo rano.
\v 22 Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy-hoy Yaveh."
\s5
\c 49
\cl Toko faha 49
\p
\v 1 Mihainoa ahy, ianao ry nosy! Ankehitriny hevero aho, ianareo ry vahoaka alavitra. Efa nantsoin'i Yaveh hatramin'ny nahaterahako tamin'ny anarako aho, rehefa nitondra ahy hoe eto an-tany ny reniko.
\v 2 Nataony tahaka ny sabatra maranitra ny vavako; nafeniny tao amin'ny aloky ny tanany aho; nataony toa ny zana-tsipìka voalangolango aho; tao an-tranon'ny zana-tsipìkany no nanafenany ahy.
\s5
\v 3 Niteny tamiko izy hoe: "Ianao no mpanompoko, Israely, izay hanehoako ny voninahitro."
\v 4 Fa namaly aho hoe: "Raha nihevitra aho hoe niasa tam-pikirizana, dia nandany ny heriko tamin'ny zava-poana aho, fa efa ao amin'ny Yaveh ny rariny izay ahy, ary ny valin'ny asako dia ao amin'Andriamananitro.
\s5
\v 5 Ankehitriny Yaveh dia miteny_Izy ilay namorona ahy hatramin'ny nahaterahako ho mpanompony, mba hampiverina amin'ny laoniny indray an'i Jakoba ho azy tenany, ka hampitambatra ny Israely ho eo aminy, fa omem-boninahitra eo imason'i Yaveh aho, ary tonga heriko ny Andriamanitro_
\v 6 ary hoy Izy: "Zavatra kely aminao ny ho mpanompoko izay hanorina indray ny fokon'i Jakoba ary hampiverina ireo sisa tsy maty amin'ny Israely. Hanao ho fahazavana anao amin'ny Jentilisa Aho, ianao izay mety ho famonjeko any am-paran'ny tany."
\s5
\v 7 Izao no lazain'i Yaveh, mpanavotra ny Israely, ilay Masiny Iray, amin'ny iray izay manana fiainana voatsinontsinona, halan'ireo firenena, ary andevon'ireo mpanapaka hoe: "Ho hitan'ny mpanjaka ianao ary hitsangana, Ary hahita anao ireo andriana ka hiankohoka, noho i Yaveh izay mahatoky, na dia ny Iray Masin'Israely, izay nifidy anao aza."
\s5
\v 8 Izao no lazain'i Yaveh: "Amin'ny fotoana izay hanapahako hevitra hanehoako ny fankasitrahako dia hamaly anao Aho, ary amin'ny andron'ny famonjena dia hanampy anao Aho; hiaro anao Aho, ary hanome anao tahaka ny fanekena ho an'ny vahoaka, mba hanangana indray ny tany, mba hanendry indray ny lova efa lao.
\s5
\v 9 Hiteny amin'ireo gadra ianao hoe: 'Manatona;' ireo izay ao anatin'ny trano-maizina hoe: "Asehoy ny tenanareo". Hihinana eny amin'ireo lalana izy ireo, ary ireo hantsana mangadihady rehetra dia ho ahitra ho azy ireo.
\s5
\v 10 Tsy ho noana na hangetaheta; na hafana be na ho kapohin'ny masoandro izy ireo, fa Izy izay manana famindram-po amin'izy ireo no hitarika azy ireo; hitantana azy ireo ho any amin'ireo loharano izy.
\v 11 Dia hanao ireo tendrombohitro rehetra ho lalana Aho, ary hanao ireo lalam-be hisandratra.
\s5
\v 12 Indro, ho tonga avy any amin'ny alavitra izy ireo, ny sasany avy any amin'ny avaratra sy ny antsinanana; ary ireo sasany avy any amin'ny tanin'ny Sinima.
\v 13 Mihirà, ry lanitra, ary mifalia, ry tany; mivakia amin'ny fihirana, ianareo ry tendrombohitra! Fa mankahery ny olony Andriamanitra, ary hanana fangoraham-po amin'ireo ory.
\s5
\v 14 Fa i Ziona niteny hoe: "Nahafoy ahy Yaveh, ary nanadino ahy ny Tompo."
\v 15 Moa ve ny reny hahavita hanadino ny zanany, izay minono eo an-tratrany, ka tsy hanana fangoraham-po amin'ny zanany lahy izay naterany? Eny, mety hanadino izy, fa Izaho tsy mba hanadino anao.
\s5
\v 16 Indro, efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ny anaranao. eo anoloako foana ny mandanao.
\v 17 Ny zanakareo dia mandeha faingana ao aoriana, raha mbola miala aminao ireo izay mpandringana anao.
\v 18 Jereo ny manodidina ka mijere, miangona manodidina anao izy rehetra ary manatona anao. Raha mbola miaina tokoa Aho_izany no fanambaran'i Yaveh_Hiakanjo ireo tahaka ny firavaka tokoa ianao, ary hitafy azy ireo tahaka ny ampakarina ianao.
\s5
\v 19 Fa very sy lao ianao, tany izay rava, ankehitriny dia ho kely indrindra ianao amin'ireo mponina, ary ireo izay nihinana anao dia hiala alavitra.
\v 20 Ny zaza izay ho teraka mandritry ny fotoanan'ny alahelonao dia hibitsika eo an-tsofinao hoe: "Tery loatra ho anay ny toerana, manaova efitra ho anay, mba ahafahanay monina eto."
\s5
\v 21 Dia hanontany tena ianao hoe: "Iza no niteraka ireto zaza ireto ho ahy? Fa momba sy nalahelo aho, sesitany ary nisaram-panambadiana. Iza no nanangana ireto ankizy ireto? Indro, navela irery tokoa aho; avy aiza no niavian'izany?""
\s5
\v 22 Izao no nolazain'i Yaveh Tompo hoe: "Indro, hanandratra ny tanako amin'ireo firenena Aho, hanandratra ny fanevako amin'ireo vahoaka Aho. Hitondra ireo zanaka lahinao eo an-tsandriny sy ireo zanaka vavinao eo an-tsorony izy ireo.
\s5
\v 23 Ny mpanjaka no ho ray mpamelona anao, ary ireo mpanjakavaviny no ho mpifehy anao; hiankohoka miaraka amin'ny tavany amin'ny tany aminao izy ireo ary hamafa ny vovoka eo an-tongotrao; ary ho fantatrao fa Izaho no Yaveh; ireo izay niandry ahy dia tsy ho menatra."
\s5
\v 24 Moa ve afaka alaina amin'ireo mpiady ireo voasambotra? na ireo babo ho voavonjy amin'ny mafy?
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka hoe: "amin'ny mafy", ny lahatsoratra Hebreo nanao hoe: "amin'ny fahamarinana" fa ny ankamaroan'ny dikan-teny taty aoriana nanova azy hoe: "amin'ny mafy". \f*
\v 25 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Eny, halaina amin'ny mpiady ireo babo, ary ho voavonjy ireo voasambotra; fa hanohitra ireo fahavalonao Aho ary hanavotra ireo zanakao.
\s5
\v 26 Hofahanako ireo nofon'ny tenany ireo mpampahory anao; ary ho mamon'ny ran'ny tenany izy ireo, tahaka ny hoe raha divay izany. Dia ho fantatrin'ny olombelona rehetra fa Izaho, Yaveh, no Mpamonjy sy Mpanavotra anareo, ilay Iray Maherin'i Jakoba."
\s5
\c 50
\cl Toko faha 50
\p
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh: "Aiza ny fanamarinam-pisarahana izay nisarahako tamin'ny reninareo? Iza tamin'ireo mpampisambotra Ahy no nivarotako anareo? Indro, namidy ianareo noho ireo fahotanareo, ary noho ireo fikominareo, dia nalefa nandeha ny reninareo.
\s5
\v 2 Nahoana Aho no tonga kanefa tsy nisy olona tany? Nahoana Aho no niantso kanefa tsy nisy namaly? Moa fohy loatra ny tanako mba hanavotra anareo? Moa ve tsy nanan-kery Aho mba hamonjy anareo? Indro, amin'ny fitenenako mafy no andritako ny ranomasina; hanao ireo ony ho efitra Aho; matin'ny tsy fisian-drano sy hetaheta ny hazan-dranony.
\v 3 ampitafiako aizina ny habakabaka, lamba fisaonana no anaronako izany."
\s5
\v 4 Ny Tompo Yaveh no efa nanome ahy lela tahaka ireo izay efa nampianarina, mba hitenenako teny mampahery ho an'ny reraka; mamoha ahy isa-maraina Izy; mamoha ny sofiko mba hiaino tahaka ireo efa nampianarina Izy.
\s5
\v 5 Efa nanokatra ny sofiko Yaveh, ka dia tsy mba nikomy aho, na nihodina nankany aoriana.
\v 6 Nomeko ho an'ireo izay namely ahy ny lamosiko, ary ny tarehiko ho an'ireo izay nanongotra ny volom-bavako; tsy nanafina ny tavako tamin'ireo fihetsika nahamenatra sy naharikoriko aho.
\s5
\v 7 Fa ny Tompo Yaveh no hanampy ahy; noho izany dia tsy ho afa-baraka aho; koa dia efa nanao ny tarehiko ho afovato aho, satria fantatro fa tsy ho alàna baraka aho.
\s5
\v 8 Izy izay hanamarina ahy dia eo akaikiko. Iza no hanohitra ahy? Andeha isika hitsangana ka hifanatrika. Iza no mpiampanga ahy? aoka izy hanakaiky ahy.
\v 9 Indro, ny Tompo Yaveh no hanampy ahy. Iza no hanameloka ahy? Indro, izy rehetra ireo ho rovitra tahaka ny akanjo, ny kalalao no hihinana azy ireo.
\s5
\v 10 Iza aminareo no matahotra an'i Yaveh? Iza no mankatò ny feon'ny mpanompony? Iza no mandeha amin'ny aizina lalina tsy misy fanilo? Tokony hatoky amin'ny anaran'i Yaveh izy ka hiantehitra amin'Andrimaniny.
\s5
\v 11 Indro, ianareo rehetra izay mandrehitra afo; izay mivatsy fanilo; mandehana amin'ny hazavan'ny afonareo sy amin'ny afo izay efa narehitrareo. Izany no efa noraisinareo avy amiko, dia handrianareo eny amin'ny toeran'ny fanaintainana.
\s5
\c 51
\cl Toko faha 51
\p
\v 1 Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny fahamarinana, ianareo izay mitady an'i Yaveh: jereo ny vatolampy izay nanesorana anareo sy ny fihadiam-bato izay nanalana anareo.
\s5
\v 2 Jereo Abrahama, rainareo, sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia niantso azy Aho. Nitahy azy Aho ary nahamaro azy.
\s5
\v 3 Eny, Yaveh no hampionona an'i Ziona; hampionona ireo toerany banga Izy; ny tany efiny nataony tahaka an'i Edena, ny tany karakainany eo anilan'ny Ony Lohasahan'i Jordana ho toy ny zaridainan'i Yaveh; faharavoravoana sy fifaliana no hita ao aminy, fisaorana, ary feon'ny fihirana.
\s5
\v 4 "Mifantoha amiko, ry vahoakako; ary mihainoa Ahy ry vahoakako! Fa hamoaka didy Aho, ary hataoko ho fahazavana ho an'ny firenena rehetra ny fahamarinako.
\v 5 Akaiky ny fahamarinako; hivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ireo firenena; ireo tany amoron-tsiraka dia hiandry Ahy; fa ny sandriko no endrasan'izy ireo fatratra.
\s5
\v 6 Andrandrao eny amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany, fa ho levona toy ny setroka ny lanitra, ny tany ho voritra tahaka ny akanjo, ary ny mponina eo amin'izany ho faty toy ny lalitra. Fa ny famonjeko dia haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako dia tsy hitsahatra hiasa.
\s5
\v 7 Mihainoa Ahy, ianareo izay mahalala ny marina, ianareo vahoaka izay manana ny lalako ao am-ponareo: "Aza matahotra ny faniratsiran'ny olona na kivy amin'ny fanararaotany.
\v 8 Fa ny kalalao hihinana azy ireo toy ny akanjo, ary ny kankana hihinana azy ireo toy ny volon'ondry; fa ho mandrakizay ny fahamarinako, ary ho an'ny taranaka rehetra ny famonjeko."
\s5
\v 9 Mifohaza, mifohaza, tafio hery ny tenanareo, dia ny sandrin'i Yaveh. Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny, ny taranaka tamin'ny fotoana fahiny. Tsy ianao ve no nanitsakitsaka an-dRahaba, ianao izay nandefona ilay dragona?
\v 10 Tsy Ianao ve no nandritra ny ranomasina, ny ranon'ny lalina indrindra, ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho lalam-pamonjena mba handalovana?
\s5
\v 11 Ny navotan'i Yaveh dia hiverina ary hankany Ziona amin'ny hiakiam-piravoravoana sy am-pifaliana mandrakizay eo amin'ny lohan'izy ireo; ary ny fifaliana sy faharavoravoana hameno azy ireo, ka handositra azy ireo ny alahelo sy ny fisaonana.
\s5
\v 12 "Izaho dia Izaho no ilay mampionona anao. Inona no hatahoranao ny olona, izay ho faty, ny zanak'olombelona izay natao toy ny ahitra?
\s5
\v 13 Nahoana no nanadino an'i Yaveh izay mpahary anao ianao, izay naninjitra ny lanitra sy nametraka ny fanambanin'ny tany? Miaina amin'ny tahotra lalandava ianao isan'andro nohon'ny firehetan'ny fahatezeran'ny mpampahory raha tapa-kevitra ny handringana izy. Aiza ny fahatezeran'ny mpampahory?
\s5
\v 14 Izay mitanondrika, ho avy faingana hanafaka i Yaveh; tsy ho faty ary tsy handeha hidina any an-davaka, na tsy hanana mofo izy.
\v 15 Fa Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina mba hampierona ny onjan'izany_ Yaveh Tompon'ny maro no Anarany.
\s5
\v 16 Efa nametraka teo am-bavanao ireo teniko, ary nanarona anao tao amin'ny aloky ny tanako Aho, mba hahafahako manorina ny lanitra, sy mametraka ny fanambanin'ny tany, ka hiteny amin'ny Ziona hoe: 'Vahoakako ianao."'
\s5
\v 17 Mifohaza, mifohaza, mitsangàna, ry Jerosalema, ianao izay efa nisotro tamin'ny tanan'i Yaveh avy tamin'ny lovian'ny fahatezerany; ianao izay efa nisotro tamin'ny lovia, hatreny amin'ny faikany ambany amin'ny kapoakan'ny fivembenana.
\v 18 Tsy misy tamin'ireo zanany lahy rehetra izay naterany mba hitarika azy; tsy misy tamin'ireo zanany lahy izay natsangany mba hitantana azy.
\s5
\v 19 Mitranga aminao ireo olana roa ireo_ iza no alahelo iaraka aminao? _ faharavana sy fandringanana, ary ny mosary sy ny sabatra. Iza no hampionona anao?
\f + \ft Fanamarihana: Ny lahatsoratra Hebreo sy ny dikan-teny sasany taty aoriana manao hoe: "Ahoana ny hampiononako anao?", maro amin'ireo dikan-teny taty aoriana no manitsy ity andalana ity hoe: "Iza no hampionona anao?" \f*
\v 20 Efa reraka ireo zanakao lahy; lavo eny anjoron-dalam-be rehetra eny izy ireo, toy ny diera ao anaty harato; mameno azy ireo ny fahaviniran'i Yaveh, ny teny mafin'Andriamanitrao.
\s5
\v 21 Fa ankehitriny henoy izao, ianao izay nampahoriana sy nomamoina, nefa tsy mamon-divay:
\v 22 Yaveh Tomponao, Andriamanitrao, izay mandahatra ny manjo ny olony, miteny hoe: "Indro, efa nesoriko teo an-tananao ny kapoakan'ny fivembenana_ ny lovia, izay kapoakin'ny fahatezerako_ mba tsy hisotronao izany intsony.
\s5
\v 23 Hataoko eo an-tanan'ny mpanenjika anao izany, izay efa niteny taminao hoe: "Mitsilania mba hahafahanay manitsakitsaka anao'; nataonao ho toy ny tany sy toy ny lalana handehanan'izy ireo ny lamosinao.
\s5
\c 52
\cl Toko faha 52
\p
\v 1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona; tafio ireo akanjonao tsara tarehy, ry Jerosalema, tanàna masina; fa tsy hiditra aminareo intsony ny tsy voafora na ny maloto.
\s5
\v 2 Ahintsano ny vovoka amin'ny tenanareo; miarena ary mipetraha, ry Jerosalema; esory ny rojo vy eo am-bozonao, ry zanaka vavin'i Ziona babo.
\v 3 Fa izao no lazain'i Yaveh hoe: "Namidy maimaimpoana ianareo, ary ho vonjena maimaimpoana."
\s5
\v 4 Fa izao no ambaran'ny Tompo Yaveh: "Tany am-piandohana ny oloko dia nandeha nidina nankany Egypta mba hitoetra mandirtry ny fotoana voafetra; efa nampahorian'i Asyria vao tsy ela izy ireo.
\s5
\v 5 Ankehitriny inona no hananako eto— izany no fanambaran'i Yaveh—hita fa nalaina tamin'ny tsy antony ny oloko? Maniratsira ireo izay manapaka eo amin'izy ireo—izany no fanambaran'i Yaveh—ary voahendrikendrika foana ny anarako tontolo andro.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Maniratsisra", ny dika-teny sasany manana teny Hebreo hafa midika hoe: "midradradradra." \f*
\v 6 Noho izany ny oloko dia hahalala ny anarako; ho fantatr'izy ireo amin'izany andro izany fa Izaho ilay miteny hoe: "Eny, Izaho izany!"
\s5
\v 7 Endrey ny hatsaran'ny tongotr'ireo mpitondra hafatra eny an-tendrombohitra izay mitondra vaovao tsara, izay manambara fiadanana, izay mitondra teny soa mahafaly, izay manambara famonjena, izay miteny amin'i Ziona hoe: "Manjaka ny Andriamanitrao!"
\v 8 Henoy, manandratra ny feony ireo mpiambinao, miara-mihiaka fifaliana izy ireo, satria hahita ny fiverenan'i Yaveh any amin'ny Ziona izy ireo, ny mason'izy ireo rehetra.
\s5
\v 9 Miaraha mihoby hiram-pifaliana, ianareo ry ravan'i Jerosalema; fa Yaveh dia efa nampahery ny olony; efa nanavotra an'i Jerosalema Izy.
\v 10 Efa nampiseho ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra Yaveh; hahita ny famonjen'ny Andriamanintsika ny tany rehetra.
\s5
\v 11 Mialà, mialà, mivoaha teto; aza mikasika zavatra maloto; mialà teo afovoany; diovy ny tenanareo, ianareo izay mitondra ny fanak'i Yaveh.
\v 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, na tahotra no hialanareo; satria Yaveh dia handeha hialoha anareo; ary ilay Andriamanitr' Israely no ho vodi-lalanareo.
\s5
\v 13 Indro, hiasa am-pahendrena ny mpanompoko; ho ambony sy hisandratra izy, ary ho avo indrindra.
\v 14 Fa toy ny nigagan'ny maro taminao— dia simba loatra tsy toy ny an'olombelona ny tavany, ary tsy hita toy ny olombelona intsony ny endriny.
\s5
\v 15 Na dia izany aza, hamafy firenena maro ny mpanompoko ary hanakombona ny vavany noho izy ireo mpanjaka. Fa izay tsy mbola nolazaina azy ireo, dia ho hitan'izy ireo, ary izay tsy mbola ren'izy ireo, dia ho azon'izy ireo.
\s5
\c 53
\cl Toko faha 53
\p
\v 1 Iza no nino izay reny avy taminay, ary tamin'iza no nampisehoana ny sandrin'i Yaveh?
\v 2 Fa nitombo tahaka ny zana-kazo madinika teo anatrehan'i Yaveh izy, ary tahaka ny tsimoka avy ao amin'ny tany karankaina; tsy nanana hatsaran-tarehy mahatalanjona na famirapiratana izy; rehefa nahita azy isika, dia tsy nisy hatsarana manintona antsika teny.
\s5
\v 3 Izy dia notsinontsinoavina ary nolavin'ny olona; olon'ny alahelo, ary zatra fahoriana. Tahaka ilay iray izay hanafenan'ny olona ny tavany, natao tsinontsinona izy; ary ataontsika tahaka ny tsy misy dikany.
\s5
\v 4 Kanefa nitondra ny aretintsika tokoa izy ary nizaka ny alahelontsika; fa nihevitra isika hoe nosazian'Andriamanitra izy, nasian'Andriamanitra, ary nampahoriana.
\s5
\v 5 Fa nolefonina noho ireo asa fikomiantsika izy; potika noho ireo otantsika izy. Ny sazin'ny fiadanantsika dia teo aminy, ary tamin'ireo ratrany no nahasitrana antsika.
\s5
\v 6 Isika rehetra dia tahaka ny ondry izay nandeha tamin'ny lalan-diso; samy nandeha tamin'ny lalany avy isika, ary Yaveh nametraka ny fahotantsika rehetra teo aminy.
\s5
\v 7 Nampahoriana izy; nefa rehefa nanetry tena izy, dia tsy nanokatra ny vavany; tsy nanokatra ny vavany tahaka ny zanak'ondry izay tarihina ho any amin'ny famonoana; sy tahaka ny ondry izay mangina manoloana ny mpanety azy izy.
\s5
\v 8 Tamin'ny faneriterena sy fitsarana no niampangana azy; iza amin'io taranaka io no mbola mieritreritra ny momba azy? Fa naringana tamin'ny tanin'ny velona izy; noho ireo fandikan-dalàn'ny oloko dia natao teo aminy ny fanasaziana.
\v 9 Nataon'izy ireo niaraka tamin'ireo jiolahy ny fasany, niaraka tamin'ny lehilahy manan-karena ny fahafatesany, na dia tsy nanao herisetra aza izy, na nisy fitaka aza teo imolony.
\s5
\v 10 Fa sitrapon'Yaveh ny hamotika azy sy hanao azy ho marary. Rehefa nataony ho sorona ho an'ny fahotana ny ainy, dia hahita ny fisasarany izy, hanalava ny androny izy, ary ny tanjon'i Yaveh dia ho tanteraka amin'ny alalany.
\v 11 Aorian'ny fijaliany teo amin'ny fiainany, dia hahita fahazavana izy ary ho afa-po amin'ny fahalalany.
\f + \ft Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Aorian'ny fijaliany tamin'ny fiainany" ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe: "Hatrany amin'ny fijaliany tamin'ny fiainana dia hahita vokany izy." \f*
Ilay mpanompoko marina no hanamarina ny maro; hitondra ny helok'izy ireo izy.
\f + \ft Fanamarihana: Ny dikan-teny vaovao maro sasany dia manampy hoe: "hazavana". Ny dikan-teny vaovao sasany dia manao hoe: "Amin'ny fahalalany, no hanamarinan'ilay mpanompoko marina ny maro." \f*
\s5
\v 12 Noho izany dia hanome azy ny anjarany eo amin'ireo maro aho, ary hizara ireo babo amin'ny maro izy, satria nampiharihary ny tenany tamin'ny fahafatesana izy ary natao ho isan'ireo mpandika lalàna. Nitondra ny otan'ny maro izy ary nanelanelana ireo mpandika lalàna.
\s5
\c 54
\cl Toko faha 54
\p
\v 1 "Mihirà, ry vehivavy momba, ianareo izay tsy niteraka; miravoravoa amin'ny hiram-pifaliana ary mihiakà mafy, ianareo izay tsy mba nihetsi-jaza. Fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro kokoa noho ny zanaky ny vehivavy manambady," hoy i Yaveh.
\s5
\v 2 Ataovy lehibe kokoa ny lainareo ary velaro ny ambain-dainareo, velaro tsara; alavao ny tadinareo ary hamafiso ny tsato-kazonareo.
\v 3 Fa hiely any an-kavanana sy any an-kavia ianareo, ary ireo taranakareo dia handresy ireo firenena ary honina amin'ireo tanàna lao.
\s5
\v 4 Aza matahotra fa tsy ho menatra ianareo, na kivy fa tsy ho afa-baraka ianareo; hanadino ny henatry ny hatanoranareo sy ny fahafaham-barakan'ny fandaozana anareo ianareo.
\s5
\v 5 Fa ilay Mpahary anareo no vadinareo; Yaveh tompon'ny maro no Anarany. Ilay Iray Masin'Israely no Mpanavotra anareo; Izy dia antsoina hoe Andriamanitry ny tany rehetra.
\v 6 Fa Yaveh efa namerina niantso anareo ho toy ny vady izay nilaozana sy malahelo am-panahy, tahaka ny vehivavy nanambady tanora ary nariana," hoy ny Andriamanitrareo.
\s5
\v 7 "Fa nanary anareo nandritra ny fotoana fohy Aho, fa amin'ny fangorahana lehibe no hanangonako anareo.
\v 8 Vetivety ihany no nanafenako ny tavako taminareo tamin'ny tondra-dranon'ny hatezerana; fa amin'ny fanekena mahatoky tsy manam-pahataperana no hangorahako anareo—hoy i Yaveh, ilay iray izay manavotra anareo.
\s5
\v 9 Fa izao dia tahaka ny tondra-dranon'i Noa Amiko: tahaka ny nianianako fa ny tondra-dranon'i Noa dia tsy handalo amin'ny tany intsony, no hianianako fa tsy ho tezitra aminareo na hiteny mafy anareo Aho.
\v 10 Na hianjera aza ireo tendrombohitra na koa hiozongozona aza ireo havoana, ny fitiavako tsy miova kosa dia tsy hiodina aminareo, na ny fiadanako mahatoky ho voaozongozona—hoy i Yaveh, izay mamindra fo anareo.
\s5
\v 11 Ianareo ory, afotofoton'ny tafio-drivotra sy tsy manana fampiononana, indro, ho ataoko amin'ny vatosoa ny rarivatonareo, ary amin'ny safira no hametrahako ny fototrareo.
\v 12 Hataoko robina ireo tilikambonareo ary amin'ny vato mamirapiratra ny vavahadinareo, ary ny mandanareo any ivelany amin'ny vato tsara tarehy.
\s5
\v 13 Dia i Yaveh no hampianatra ireo zanakareo rehetra; ary ho lehibe ny fiadanan'ireo zanakareo.
\v 14 Amin'ny fahamarinana no hamerenako anareo amin'ny laoniny. Tsy hiaina fanenjehana intsony ianareo, ka tsy hatahotra ianareo, ary tsy hisy na inona na inona mampitahotra ho avy eo anilanareo.
\s5
\v 15 Indro, raha misy olona mitarika korontana, dia tsy avy Amiko izany; na iza na iza mitarika korontana eo aminareo dia ho lavo amin'ny faharesena.
\v 16 Indro, efa nahary mpanao asa tanana, izay mitsoka ny vain'afo mirehitra sy manefy fitaovam-piadiana ho asany Aho, ary efa nahary ny mpamotika mba hamotika Aho.
\s5
\v 17 Tsy misy fitaovam-piadiana izay voaforona hanohitra anareo haharesy; ary ianareo dia hanameloka izay rehetra miampanga anareo. Izany no lovan'ireo mpanompon'i Yaveh, ary ny fanamarinan'izy ireo avy Amiko—izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\c 55
\cl Took faha 55
\p
\v 1 "Avia, ianareo rehetra izay mangetaheta, makanesa eo amin'ny rano, ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividina ary mihinana! Avia, mividiana divay sy ronono tsy andoavam-bola sady tsy must vidiny.
\s5
\v 2 Nahoana ianareo no mandanja volafotsy ho amin'izay tsy mofo, ary nahona ianareo no miasa mafy amin'izay tsy mahafa-po anareo? Henoy tsara Aho ka mihinana izay tsara, ary amin'ny hatavezana no hafinaritra ny tenanareo.
\s5
\v 3 Atongilano ny sofinareo ary manatona aty amiko! Mihenoa, dia ho velona ianareo. Hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho: ny tokiako, fitiavana mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
\v 4 Indro, efa nataoko amin'ny toerany tahaka ny vavolombelona ho an'ireo firenena izy, toy ny mpitarika sy mpibaiko ho an'ny vahoaka.
\s5
\v 5 Indro, hiantso ny firenena izay tsy fantatrareo ianareo; ary ny firenena izay tsy nahafantatra anareo no hiazakazaka ho any aminareo noho Yaveh Andriamanitrareo, ilay masin'Israely, izay efa nanome voninahitra ho anareo."
\s5
\v 6 Mitadiava an'i Yaveh dieny mbola hita Izy; miantso Azy dieny mbola eo akaiky eo Izy. Aoka hiala amin'ny lalany ny ratsy fanahy, ary ny mpanota hiala amin'ny heritreriny.
\v 7 Aoka izy hiverina amin'i Yaveh, dia hihantra azy Izy, ary an'Andrimanitsika, izay hamela tanteraka azy.
\s5
\v 8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, na ny lalanareo no lalako__izany no fanambaran'i Yaveh__
\v 9 Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra izay avo kokoa noho ny tany, no hahavon'ny lalako kokoa noho ny lalanareo, ary ny fihevitro mihoatra noho ny fihevitrareo.
\s5
\v 10 Fa toy ny orana sy ny fanala hilatsaka avy eny an-danitra ka tsy miverina eny raha tsy hoe mameno ny tany ireo ary hamokatatra sy hitsimoka izany ary hanome voa ho an'ny mpamboly izay mamafy ary mizara mofo ho an'ny mpihinana,
\v 11 koa ho aloakin'ny vavako ihany koa ny teny: tsy mba hiverina amiko amin'ny tsy misy dikany izany, saingy izany no hanatanteraka izay iriko, ary hahomby izy ho amin'izay nalefako an'izany.
\s5
\v 12 Fa hivoaka am-pifaliana ianareo ary hotarihana am-piadanana; ireo tendrombohitra sy ny havoana dia ho vaky amin'ny hiaka am-pifaliana eo anatrehanareo, ary ny hazon'ny saha rehetra dia hiteha-tanana.
\v 13 Raha tokony ho fefy tsilo, dia ny kipreso no haniry; ary raha tokony tsilo, dia hazo rotra no haniry, ary ho an'i Yaveh izany, fa ny anarany, tahaka ny famantarana izay tsy ho tapaka mandrakizay.
\s5
\c 56
\cl Toko faha 56
\p
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh: "Tandremo izay marina, manaova izay rariny; fa akaiky ny famonjeko, ary efa haseho ny fahamarinako.
\v 2 Voatahy ny olona izay manao, sy mihazona mafy izany. Izy dia mitandrina ny Sabata, fa tsy mandoto izany, ary mifehy ny tanany amin'ny fanaovan-dratsy."
\s5
\v 3 Aoka ny hafa firenena izay tonga mpanaraka an'i Yaveh tsy hisy hanao hoe: "Hanala ahy ao amin'ireo vahoakany tokoa Yaveh." Ny tandapa tsy tokony hiteny hoe: "Indro izaho fa hazo maina."
\s5
\v 4 Fa izao no lazain'i Yaveh: "Ho an'ireo tandapa izay mitandrina ireo Sabatako, sy misafidy ny ankasitrahako, ary mihazona ny fanekeko,
\v 5 ho azy ireo no hananganako ao an-tranoko sy ao anatin'ny mandako ny tsangam-bato izay tsara kokoa nohon'ny manan-janaka lahy sy zanaka vavy. Hanome azy ireo tsangam-bato maharitra mandrakizay izay tsy ho kapaina mihitsy Aho.
\s5
\v 6 Ireo hafa firenena izay miaraka amin'i Yaveh ihany koa_ mba hanompo Azy, ary ireo izay tia ny anaran'i Yaveh_mba hidera Azy, ny olona rehetra izay mitandrina ny Sabata, izay mihazona amin'ny tsy fandotoana izany, ary izay mihazona ny fanekeko
\v 7 _dia ho entiko any an-tendrombohitro masina ary hampiravoravoko ao an-trano fivavahako izy ireo; ny fanatitra dorany sy ny soron'izy ireo dia hekena eo ambonin'ny alitarako. Fa ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra,
\s5
\v 8 izany no fanambaran'i Yaveh Tompo, izay manangona ireo vaoroakan'Israely_mbola hanangona ireo hafa ho fanampin'izy ireo Aho."
\s5
\v 9 Ianareo bibidia rehetra any an-tsaha, avia ka arapao, ianareo bibidia rehetra any an'ala!
\v 10 Ireo mpitily azy rehetra dia jamba, tsy mahatakatra izy ireo. Amboa moana avokoa izy ireo ka tsy afaka mivovoa. Manofy, sy mitsilailay izy ireo ary tia matory.
\s5
\v 11 Tenda-kanina tokoa ireo amboa; tsy mety voky mihintsy izy ireo; mpiandry ondry tsy mahay manavaka izy ireo; nivily tamin'ny lalany avy izy rehetra ireo, samy fatra-pitia tombony tsy ara-drariny ny tsirairay.
\v 12 "Avia" hoy izy ireo: "Andao hisotro divay sy taoka isika. Ho toy ny androany ihany ny rahampitso, andro lehibe tafahoatra."
\s5
\c 57
\cl Toko faha 57
\p
\v 1 Maty ny marina, nefa tsy misy mihevitra izany, ary nangonina ny olon'ny fanekena mahatoky, nefa tsy misy olona mahatakatra fa angonina avy amin'ny ratsy ny marina.
\v 2 Miditra ao amin'ny fiadanana izy; miala sasatra eo am-pandriany izy ireo, dia ireo izay mandeha amin'ny fahitsiany.
\s5
\v 3 Fa manatona eto, ianareo zanaky ny mpanandro, zanaky ny mpijangajanga ary ny vehivavy izay efa nivarotra ny tenany.
\v 4 Iza no maneso amin-kafaliana anareo? Amin'iza no anokafanareo vava sy hitranganareo lela? Moa ve tsy zanaka mpikomy, zanaka mpamitaka ianareo?
\s5
\v 5 Manafana ny tenanareo amin'ny fiarahana matory eo ambanin'ny hazo terebinta, ambanin'ny ahi-maitso rehetra ianareo. Ianareo izay mamono ny zanakareo eo amin'ny renirano maina, eo ambanin'ny tsefatsefakin'ny vato.
\s5
\v 6 Amin'ireo kilonjy malaman'ny reniran-dohasaha ireo zavatra izay notendreko ho anareo. Ireo no anton'ny fanoloran-tenanareo. Ianareo dia mandraraka ny fanatitrareo sotrona ho azy ireo sy manandratra ny fanatitra vary. Amin'ireo zavatra ireo ve no tokony hifaliako?
\s5
\v 7 Nanomana ny fandrianareo tany an-tendrombohitra avo ianareo; niakatra tany koa ianareo mba hanolotra ireo sorona.
\v 8 Tao ivohon'ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanareo ireo famantaranareo. Ianareo dia nitsoaka nandao Ahy, nampitanjaka ny tenanareo, ary niakatra; nampihanjaka ny fandrianareo. Nanao fanekena tamin'izy ireo ianareo; nitia ny fandrian'izy ireo ianareo; nahita ny faritra saro-padiny ianareo.
\s5
\v 9 Nankany amin'i Moleka niaraka tamin'ny diloilo ianareo; nampitombo ny zava-manitra ianareo.
\f + \ft Fanamarihana: Raha toa ka hoe "amin'i Moleka", ny dikan-teny sasany misy hoe "amin'ny mpanjaka". \f*
Nandefa ireo irakareo lavitra ianareo; nidina tany amin'ny Fiainan-tsy hita ianareo.
\v 10 Reraky ny dianareo lavitra ianareo, nefa tsy niteny mihintsy ianareo hoe: "Tsy misy fanantenana izany." Nahita fiainana teo an-tananareo ianareo; noho izany dia tsy nihaosa ianareo.
\s5
\v 11 "Iza no ahianareo? Iza no atahoranareo mafy ka nahatonga anareo hamitaka, ka tsy nahatsiaro na niheritreritra Ahy ianareo? Satria nangiana hatry ny ela Aho ary tsy matahotra Ahy intsony ianareo.
\v 12 Hanambara ireo asa marinareo sy hilaza izay efa nataonareo rehetra Aho, fa tsy hanampy anareo ireny.
\s5
\v 13 Rehefa mitaraina ianareo, aoka hamonjy anareo ireo karazan-tsampinareo. Raha tokony ny rivotra no hitondra azy rehetra ireo, dia ny fofon'aina no hitondra azy rehetra. Fa izay mialoka Amiko dia handova ny tany sy haka ho fananana ny tendrombohitro masina.
\s5
\v 14 Hiteny izy hoe: 'Amboary, amboary! Savao ny lalana! Esory eo amin'ny lalan'ny vahoakako ny zavatra manafintohina rehetra!'"
\v 15 Fa izao no lazain'Ilay ambony sy avo, izay velona mandrakizay, masina ny Anarany: "Izaho dia mipetraka amin'ny toerana avo sy masina, miaraka aminy koa ny fanahy torotoro sy manetry tena, mba hamelomana indray ny fanahin'ireo izay manetry tena, ary mba hamelomana indray ny fon'ireo izay manenina.
\s5
\v 16 Fa tsy hiampanga mandrakizay, na ho tezitra mandrakizay Aho, fa ny fanahin'ny olona dia reraka teo anatrehako, dia ireo aina izay nataoko.
\v 17 Nohon'ny fahotan'ny tombony tsy ara-drariny, dia tezitra Aho, ary nanafay azy; nanafina ny tavako Aho ary tezitra, nefa nandeha tamin'ny lalan'ny fony izy.
\s5
\v 18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa ho sitraniko izy. Hitarika azy Aho ary hampahery sy hampionona ireo izay misaona ho azy,
\v 19 ary foroniko ny vokatr'ireo molony. Fiadanana, fiadanana, ho an'ireo izay any lavitra sy ho an'ireo izay akaiky_hoy i Yaveh_hositraniko izy ireo.
\s5
\v 20 Kanefa ireo ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misambaravoara, izay tsy afaka mijanona, ary ny ranon'izany dia fotaka misambaravoara.
\v 21 Tsy misy fiadanana ho an'izay ratsy fanahy_hoy Andriamanitra."
\s5
\c 58
\cl Toko faha 58
\p
\v 1 "Mitomania mafy; aza tazonina. Asandrato tahaka ny trompetra ny feonao. Atreho amin'ny fikomiany ny oloko, ary amin'ny fahotany ny ankohonan'i Jakoba.
\v 2 Kanefa mbola mitady ahy isan'andro izy ireo ary finaritra amin'ny fahalalana ny lalako, tahaka ny firenena izay nanao ny fahamarinana ary tsy nahafoy ny lalàn'ny Andriamanitr'izy ireo. Mangataka fitsarana marina amiko izy ireo; finaritra amin'ny fiheverana ny fanakaikezan'Andriamanitra izy ireo.
\s5
\v 3 'Nahoana izahay no nifady' hoy izy ireo, 'kanefa tsy hitanao izany? Nahoana izahay no nanetry tena, kanefa tsy tsikaritrao?' Indro, amin'ny andron'ny fifadianareo no hahitanareo ny fahafinaretanareo manokana ary ampahorianareo ny mpiasanareo rehetra.
\s5
\v 4 Indro, mifady hanina ianareo mba hifanditra sy hiady, ary hamely amin'ny totondrin'ny faharatsianareo; tsy mifady ianareo androany mba ho re any ambony ny feonareo.
\v 5 Izany tokoa ve no karazana fifadiana tiako: Andro hanetren'ny rehetra ny tenany, mba hampiondrehany ny lohany tahaka ny volotara, ary hamelarany lamba fisaonana sy lavenona ao ambaniny? Fifadiana tokoa ve no iantsoanareo izany, andro ifalian'i Yaveh?
\s5
\v 6 Tsy izao ve no fifadiana safidiako: Ny hanafaka ny famatoran'ny faharatsiana, ny hamaha ny tadin'ny zioga, ny hanafaka ireo torotoro, ny hanapaka ny zioga rehetra?
\v 7 Tsy ny hizara ny mofonao amin'ny noana ary hitondra ireo mahantra sy ireo tsy manan-kialofana ho ao an-tranonao ve?" Rehefa mahita olona miboridana ianao, dia tokony hampitafy azy; ary tsy tokony hanafina ny tenanao amin'ireo havanao ihany ianao.
\s5
\v 8 Dia hipoaka tahaka ny masoandro ny fahazavanao, ary hitsimoka faingana ny fanasitranana anao; handeha eo anoloanao ny fahamariananao, ary ny voninahitr'i Yaveh no ho vodi-lalanao.
\s5
\v 9 Dia hiantso ianao, ary hamaly Yaveh; hihiaka famonjena ianao, ary hiteny izy hoe: "Inty Aho." Raha esorianao hiala aminao ny zioga, ny fanondro miampanga, ary ny lahatenin'ny faharatsiana,
\v 10 raha manome ho an'ny noana ianao ary mamoky ny tra-pahoriana; dia hiposaka ao amin'ny aizina ny fahazavanao, ary ny aizinao ho tahaka ny amin'ny mitataovovonana.
\s5
\v 11 Dia hitarika anao lalandava Yaveh ka hamoky anao any amin'ny faritany izay tsy misy rano, ary hanatanjaka ny taolanao Izy. Ho tahaka ny sahan-drano ianao, ary tahaka ny loharano, izay tsy mitsahatra mandrakizay ny ranony.
\s5
\v 12 Ny sasany aminareo dia hanorina indray ny rava fahiny; hanangana ireo ravan'ny taranaka maro ianareo; ho antsoina ianareo hoe "mpanamboatra ny manda," "Mpamerina ny lalana honenana."
\s5
\v 13 Raha atao hoe mamily ny tongotrao hiala amin'ny fanaovana dia amin'ny andro Sabata ianao, ary hiala amin'ny fanaovana ny fahafinaretanao manokana amin'ny androko masina. Raha atao hoe miantso ny Sabata ho sitraka, ary miantso ny raharahan'i Yaveh ho masina sy manan-kaja ianao. Raha atao hoe manaja ny Sabata amin'ny fahafoizana ny raharahanao manokana ianao, ary amin'ny tsy fitadiavana ny fahafinaretanao manokana ary amin'ny tsy filazana ny teninao manokana.
\s5
\v 14 Dia hahita mamy ao amin'i Yaveh ianao; ary hampitaingenako ny haavon'ny tany ianao; hamoky anao avy amin'ny lovan'i Jakoba rainao Aho—fa ny vavan'i Yaveh no niteny."
\s5
\c 59
\cl Tokoa faha 59
\p
\v 1 Indro, ny tanan'i Yaveh tsy fohy akory ka tsy hahavonjy; ary ny sofiny tsy lalodalovana, ka tsy handre.
\v 2 Ny asa ratsinareo, kanefa, no nampisaraka anareo tamin'ny Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no nahatonga Azy hanafina ny tavany aminareo ka tsy hihaino anareo.
\s5
\v 3 Fa tasin'ny rà ny tananareo ary ny ratsan-tananareo tasin'ny fahotana. Milaza lainga ny molotrareo ary ny lelanareo miteny amin-kafetsena.
\v 4 Tsy misy miantso ny marina, ary tsy misy mifona amin'ny fahamarinana. Mitoky amin'ny teny foana izy ireo, ary milaza lainga; lainga no torotoroniny ary fahotana no aterany.
\s5
\v 5 Mikotrika atodim-bibilava feno poizina izy ireo ary manenona tranon-kala. Izay rehetra mihinana ny atodiny dia maty, ary raha misy atody voahitsaka, dia foy ho bibilava feno poizina izany.
\v 6 Tsy azo ampiasaina hatao akanjo ny tranon-kalany, na afaka manarona ny tenany ny asany. Asan'ny fahotana ny asany, ary asan'ny herisetra no eo an-tanany.
\s5
\v 7 Mihazakazaka ho any amin'ny ratsy ny tongony, ary mihazakazaka handatsaka rà tsy manan-tsiny izy ireo. Fihevitra fahotana ny fiheviny; herisetra sy fandravana no lalany.
\v 8 Ny lalan'ny fiadanana tsy mba fantatr'izy ireo, ary tsy misy rariny eo amin'ny lalany. Nanamboatra lala-meloka izy ireo; izay rehetra mandeha amin'izany lalana izany dia tsy mahita fiadanana.
\s5
\v 9 Noho izany dia lavitra anay ny rariny, ary tsy mahatratra anay ny fahamarinana. Miandry fahazavana izahay, nefa mahita aizina; mitady famirapiratana izahay, kanefa mandeha amin'ny aizina.
\v 10 Mitsapatsapa rindrina tahaka ny jamba izahay, tahaka ireo izay tsy mahita. Voafingana amin'ny atoandrobenanahary izahay toy ny hoe amin'ny takariva; eo amin'ny ireo mahery dia tahaka ny olona maty izahay.
\s5
\v 11 Mierona tahaka ny bera izahay ary mitolokoloko tahaka ny voromailala; miandry rariny izahay, saingy tsy misy; miandry fanavotana, saingy lavitra anay izany.
\s5
\v 12 Fa eo anoloanao ny helokay, ary ny fahotanay no miampanga anay; fa ny helokay dia miaraka aminay, ary fantatray ny fahotanay.
\v 13 Nikomy izahay, nandà an'i Yaveh ary niala tamin'ny fanarahana ny Andriamanitray. Nilaza fampahoriana izahay ary nivily lalana, namorona fitarainana avy ao am-ponay sy teny lainga.
\s5
\v 14 Nesorina ny rariny, ary mijoro lavitra dia lavitra ny fahamarinana; fa tafintohina eny ankalamanjana ny fahamarinana, ary tsy ho tonga ny marina.
\v 15 Efa dify lavitra ny fahamendreham-pitokisana, ary ilay iray izay miala amin'ny ratsy no mahatonga ny tenany ho tra-doza. Hitan'i Yaveh izany ary tsy faly Izy fa tsy misy ny rariny.
\s5
\v 16 Nahita Izy fa tsy misy olona, ary talanjona fa tsy mba misy miditra an-tsehatra. Noho izany dia ny tanany ihany no nitondra famomjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy.
\s5
\v 17 Mitafy fahamarinana ho saron-tratra Izy ary aro-loha famonjena eo amin'ny lohany. Nitafy ankanjo valifaty izy ary nanao ny zotom-po ho aron'akanjo.
\v 18 Novaliany noho izay vitany izy ireo, dia fitsarana feno fahatezerana amin'ny rafiny, famaliana ho an'ny fahavalony, ary famaizana ho valim-pitian'ireo.
\s5
\v 19 Koa dia hatahotra ny anaran'i Yaveh avy any andrefana izy ireo, ary ny voninahiny avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro; fa ho avy tahaka ny riaka mipaoka Izy, izay entin'ny fofonain'i Yaveh.
\v 20 "Misy mpanavotra tonga ao Ziona ary amin'ireo izay miala amin'ny asany feno fikomiana ao amin'i Jakoba—izany no fanambaran'i Yaveh.
\s5
\v 21 Raha ny amiko, dia izao no fanekeko amin'izy ireo—hoy Yaveh—ny fanahiko izay ao amin'izy ireo, ary ny teniko izay napetrako teo am-bavanao, dia tsy hiala amin'ny vavanao, na hiala amin'ny vavan'ireo zanakao, na hiala amin'ny vavan'ireo zafinao—hoy Yaveh—manomboka izao ka ho mandrakizay."
\s5
\c 60
\cl Toko faha 60
\p
\v 1 Mitsangàna, mihazavà; fa tonga ny fahazavanao, ary efa nisandratra taminao ny voninahitr'i Yaveh.
\s5
\v 2 Fa handrakotra ny tany ny aizina, ary ireo firenena ny aizim-pito; nefa hisandratra eo aminao Yaveh, ka ho hitanao ny voninahiny.
\v 3 Ho tonga eo amin'ny fahazavanao ireo firenena, ary eo amin'ny tara-pahazavanao izay misandratra ireo mpanjaka.
\s5
\v 4 Mijere manodidina ka tazano. Miara-miangona izy rehetra ka tonga eo aminao. Ho tonga avy any lavitra ireo zanakao lahy, ary ho entina eo an-tsandriny ireo zanakao vavy.
\v 5 Dia hijery ianao ka ho miramirana, ary tokony hifaly sy ho safotra ny fonao, satria hararaka aminao ny habetsahan'ny ranomasina, ho tonga aminao ny haren'ireo firenena.
\s5
\v 6 Handrakotra anao ireo andian-drameva, dia ireo rameva tanora any Midiana sy Efaha; ireo rehetra ireo dia ho avy any Sheba avokoa; hitondra volamena sy ditin-kazo manitra ireo, ary hihira fiderana an'i Yaveh.
\v 7 Ireo ondry aman'osin'i Kedara rehetra dia hangonina eo aminao, ireo ondry lahin'i Nebaiota dia hety amin'izay ilainao; ho fanatitra ankasitrahina eo amin'ny alitarako ireo; ary homeko voninahitra ny tranoko be voninahitra.
\s5
\v 8 Iza moa ireny manidina tahaka ny rahona, sy tahaka ny voromailala ao amin'ny fialofany ireny?
\v 9 Mitady Ahy ny tany amorontsiraka, ary mitarika ny sambon'i Tarsisy, mba hitondra ireo zanakao lahy avy lavitra, ny volafotsiny sy ireo volamenany miaraka amin'izy ireo, ho an'ny anaran'i Yaveh Andriamanitrao, sy ho an'Ilay Masin'Israely, satria efa nanome voninahitra anao Izy.
\s5
\v 10 Ny zanaka lahin'ireo hafa firenena hanangana indray ireo mandanao; ary hanompo anao ireo mpanjakany; fa na dia tamin'ny fahatezerako aza no namaizako anao, dia amin'ny fankasitrahako kosa no hangorahako anao.
\v 11 Hisokatra hatrany hatrany ihany koa ireo vavahadinao; tsy hakatona na andro na alina ireo, mba hitondrana ny haren'ireo firenena, mbamin'ireo mpanjakany tarihina.
\s5
\v 12 Ireo firenena sy ireo fanjakana izay tsy hanompo anao dia ho levona tokoa; ho rava tanteraka izany firenena izany.
\v 13 Ho tonga aminao ny voninahitr'i Libanona, ny hazo kypreso, ny kesika, ary ny bokso miaraka, dia hanendrika ny fitoerako masina; ary hanome voninahitra ny fitoeran-tongotro Aho.
\s5
\v 14 Ho tonga eo aminao mba hiankohoka izy ireo, dia ny zanaka lahin'ireo izay nanetry anao; hiankohoka eo an-tongotrao izy ireo; hiantso anao hoe Ilay tanàn'i Yaveh izy ireo, dia i Zion'Ilay Masin'Israely.
\s5
\v 15 Ho solonao nilaozana sy nankahalaina, ka tsy misy mandalo anao, dia hataoko zavatra fireharehana mandrakizay ianao, fifaliana hatramin'ny taranaka mifandimby.
\v 16 Hisotro ny rononon'ireo firenena ihany koa ianao, ary hinono eo amin'ny tratran'ireo mpanjaka; dia ho fantatrao fa Izaho, no Yaveh, Mpamonjy anao sy Mpanavotra anao, Ilay Masin'i Jakoba.
\s5
\v 17 Ho solon'ny varahina dia hitondra volamena Aho, ho solon'ny vy dia hitondra volafotsy Aho; ho solon'ny hazo, dia varahina; ary ho solon'ny vato, dia vy. Hanendry fiadanana ho governoranao aho, ary rariny no mpanapakao.
\v 18 Tsy ho re ao amin'ny taninao intsony ny herisetra, na fandravana na fahapotipotehina ao amin'ireo faritaninao; fa ho antsoinao hoe Famonjena ireo mandanao, ary Fiderana ireo vavahadinao.
\s5
\v 19 Tsy ho fahazavanao ny andro intsony ny masoandro, na hamiratra aminao ny fahazavan'ny volana; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ary ny Andriamanitrao no voninahitrao.
\v 20 Tsy hilentika intsony ny masoandronao, na hiala ka hanjavona ny volanao; fa Yaveh no ho fahazavanao maharitra mandrakizay, ka hifarana ireo andro fisaonanao.
\s5
\v 21 Ho marina avokoa ny vahoakanao rehetra; haka ny tany amin'ny fotoana rehetra izy ireo, dia ny rantsan'ny voliko, ny asan'ny tanako, mba homena voninahitra Aho.
\v 22 Ho tonga an'arivony ny kely, ary ho firenena matanjaka ny bitika; Izaho, Yaveh, dia hanatanteraka ireo faingana rehefa tonga ny fotoana.
\s5
\c 61
\cl Toko faha 61
\p
\v 1 Ato amiko ny Fanahin'ny Tompo Yaveh, satria nanosotra ahy hitory vaovao mahafaly amin'izay ory i Yaveh. Naniraka ahy mba hanasitrana ny marary am-po Izy, mba hanambara fahafahana amin'reo babo, ary fisokafan'ny fonja ho an'ireo izay voafatotra.
\s5
\v 2 Naniraka ahy mba hanambara ny taona fankasitrahan'i Yaveh, ny andron'ny valifatin'ny Andriamanintsika, sy mba hampionona an'izay rehetra misaona Izy.
\s5
\v 3 Naniraka ahy Izy—mba hanome ho an'ireo izay misaona ao Ziona—mba hanome satroka ho azy ireo fa tsy lavenona, diloilom-pifaliana fa tsy fisaonana, lamba fiderana ho solon'ny faharerahan'ny fanahy, mba hiantsoana azy ireo hoe hazon'ny fahamarinana, ilay nambolen'i Yaveh, mba homem-boninahitra izy.
\s5
\v 4 Hanangana ireo rava taloha indray izy ireo; hamerina ireo fandravana teo aloha indray izy ireo. Hamerina ireo tanàna rava indray izy ireo, ireo fandravana tamin'ny taranaka maro teo aloha.
\v 5 Hitsangana ary hamahana an'ireo ondry aman'osinareo ireo vahiny, ary ireo zanaka lahin'ny vahiny hiasa ny sahanareo sy ny tanim-boalobokareo.
\s5
\v 6 Ho antsoina hoe mpisoron'i Yaveh ianareo; hiantso anareo hoe mpanompon'ny Andriamanintsika izy ireo. Hihinana ny haren'ireo firenena ianareo, ary hirehareha amin'ny haren'izy ireo.
\v 7 Hahazo avo roa heny ianareo solon'ny henatrareo; ary hifaly amin'ny fizaran'izy ireo ianareo solon'ny fahafaham-baraka. Noho izany izy ireo dia hahazo zara avo roa heny amin'ny tanin'izy ireo; hafaliana mandrakizay no ho azy ireo.
\s5
\v 8 Fa Izaho, Yaveh, dia tia ny rariny, ary halako ny fandrobana sy ny herisetra tsy ara-drariny. Hamaly azy ireo am-pahamarinana Aho, ary hanao fanekena mandrakizay amin'izy ireo.
\v 9 Ho fantatra eo amin'ireo firenena ny taranak'izy ireo, ary eo amin'ireo vahoaka ny zanak'izy ireo. Izay rehetra mahita azy ireo dia hanaiky azy ireo, fa izy ireo no vahoaka izay notahin'i Yaveh.
\s5
\v 10 Hifaly tanteraka amin'i Yaveh aho; ho ravo ao amin'ny Andriamanitro aho. Fa Izy no nampiankanjo ahy tamin'ireo fitafian'ny famonjena; nampiankanjo ahy tamin'ny akanjo lavan'ny fahamarinana Izy, toy ny mpampankatra mandravaka ny tenany amin'ny satroka, ary toy ny ampankarina mandravaka ny tenany amin'ireo firavany.
\v 11 Fa tahaka ny tany mampitsimoka ny zava-maniry ao aminy, no hampanirian'i Yaveh fahamarinana sy fiderana eo anatrehan'ny firenena rehetra.
\s5
\c 62
\cl Toko faha 62
\p
\v 1 Nohon'ny amin'i Ziona dia tsy hangina aho, ary nohon'ny amin'i Jerosalema dia tsy hikombom-bava aho, mandra-pivoahan'ny fahamarinana mamirapiratra, ary ny famonjeny toy ny fanilo mirehitra.
\v 2 Hahita ny fahamarinanao ireo firenena, ary ny mpanjaka rehetra ny voninahitrao. Ho antsoina amin'ny anarana vaovao ianao izay ho safidian'i Yaveh.
\s5
\v 3 Ho satro-boninahitry ny hatsarana eo an-tanan'i Yaveh ihany koa ianao, ary satroky ny fanjakana eo an-tanan'ny Andriamanitrao.
\v 4 Tsy ho lazaina ny aminao intsony ny hoe: "Nafoy"; na ho lazaina amin'ny taninao intsony ny hoe: "Lao." Fa kosa, ho antsoina hoe: "Ilay sitrako," ary ny taninao hoe: "Manambady," satria sitrak'i Yaveh ianao, ary hanambady ny taninao.
\s5
\v 5 Tahaka ny tovolahy manambady tovovavy tokoa, no hanambadian'ireo zanakao anao, ary toy ny mpampakatra mifaly amin'ny ampakariny, no hifalian'ny Andriamanitrareo aminareo.
\s5
\v 6 Nametrahako mpiambina teo amin'ireo mandanao, ry Jerosalema; tsy mangina izy ireo andro sy alina. Ianareo izay mampatsiahy an'i Yaveh, aza mitsahatra.
\v 7 Aza avela hiala sasatra Izy mandra-pametrahany an'i Jerosalema indray sy mandra-panaovany izany ho fiderana eto an-tany.
\s5
\v 8 Nianiana tamin'ny tanany an-kavanana sy tamin'ny sandrin'ny heriny Yaveh hoe: "Azo antoka fa tsy hanome ny varinareo ho sakafo ho an'ireo fahavalonareo intsony Aho. Ireo vahiny dia tsy hisotro ny divay vaovaonareo, izay niasanareo.
\v 9 Fa ireo izay mijinja ny vary dia hihinana izany sy hidera an'i Yaveh, ary ireo izay mioty ny voaloboka dia hisotro ny divay ao amin'ny fitsaràn'ny fitoerako masina."
\s5
\v 10 Mivoaha, mivoaha amin'ny vavahady! Homano ny lalana ho an'ny olona! Hamboary izany, hamboary ny lalam-be! Angony ireo vato! Manangàna saina famantarana ho an'ireo firenena!
\s5
\v 11 Indro, manambara amin'ny faran'ny tany Yaveh hoe: "Lazao amin'ny zanakavavin'i Ziona hoe: Indro, tonga ny mpanavotra anareo! Jereo, miaraka aminy ny valisoany, ary mandeha eo anoloany ny valin-kasasarany."
\v 12 Hiantso anareo izy ireo hoe: "Ilay vahoaka masina; ilay navotan'i Yaveh," ary ianao dia ho antsoina hoe: "Notadiavina; tanàna tsy nafoy."
\s5
\c 63
\cl Toko faha 63
\p
\v 1 Iza ity izay avy any Edoma ity, nitafy akanjo menamena avy any Bozra? Iza moa izy izay nitafy akajon'andriana, mandeha am-pahatokiana noho'ny haben'ny heriny? Izaho izany, izay milaza fahamarinana sy mahavonjy tanteraka.
\v 2 Nahoana no mena ny fitafianao, ary nahoana izy ireo no tahakan'izay efa nanitsakitsaka ny voaloboka eo amin'ny famiazana?
\s5
\v 3 Nanosihosy irery ny voaloboka teo amin'ny famiazana Aho, ary tsy nisy na dia firenena iray aza nanantona Ahy. Nohosihoseko tamin'ny fahatezerako sy nitsakitsahiko tamin'ny fahavinirako izy ireo. Ny ràn'izy ireo dia nipitika tamin'ny fitafiako ary voaloto ireo fitafiako rehetra.
\v 4 Fa tsy andriko ny andro'ny famaliako, ary ny taonan'ny fanavotako dia efa tonga.
\s5
\v 5 Nijery Aho, ary tsy nisy na iza na iza nanampy. Talanjona Aho fa tsy nisy nanampy, fa ny sandriko no nitondra fandresena ho Ahy, ary ny fahatezerako lehibe no nanohana Ahy.
\v 6 Nitsakitsahiko tamin'ny fahatezerako ireo olona ary nahamamo azy ireo tamin'ny fahavinirako Aho, ary naidiko teo amin'ny tany ny ràn'izy ireo.
\s5
\v 7 Hanambara ny asan'ny fanekena mahatokin'i Yaveh aho, ireo asa mendri-piderana nataon'i Yaveh. Hanambara izay rehetra nataon'i Yaveh ho antsika aho, ary ny haben'ny fanaovan-tsoany tamin'ny taranak'Israely. Efa nasehony antsika ny fangoraham-pony nohon'ny famindrampony, ary tamin'ny asa maron'ny fanekena mahatoky.
\v 8 Fa hoy izy: "Fa oloko tokoa ireo, zanaka izay tsy mba tsy mena-mivadika."Tonga Mpamonjin'izy ireo Izy.
\s5
\v 9 Tamin'ny fijalian'izy ireo rehetra, dia nijaly koa izy, ary namonjy azy ireo ny anjely avy amin'ny fanatrehany. Amin'ny fitiavany sy ny famindrampony no namonjeny azy ireo, ary nanandratra sy nitondra azy ireo tamin'ny fotoana fahiny rehetra Izy.
\s5
\v 10 Fa nikomy sy sosotra tamin'ny Fanahy Masiny izy ireo. Ka tonga fahavalon'izy ireo Izy ary niady hanohitra azy ireo.
\s5
\v 11 Ny olony dia nihevitra ireo fotoanan'i Mosesy fahiny. Hoy izy ireo: "Aiza Andriamanitra, izay nitondra azy ireo nivoaka tao amin'ny ranomasina miaraka amin'ny mpiandry ny ondry aman'osiny? Aiza Andriamanitra, izay nametraka ny Fanahy Masina teo amin'izy ireo?
\s5
\v 12 Aiza Andriamanitra, ilay nanao ny heriny be voninahiny nandeha tamin'ny tanana ankavanan'i Mosesy, ary nampisaraka ny rano teo anoloan'izy ireo, mba hanaovana anarana mandrakizay ho azy?
\v 13 Aiza Andriamanitra, ilay nitondra azy ireo tamin'ny rano lalina? tahaka ny soavaly mihazakazaka eny amin'ny tany mahitsy, tsy tafintohina izy ireo.
\s5
\v 14 Toy ny biby fiompy izay midina an-dohasaha, ny Fanahin'i Yaveh nanome fitsaharana azy ireo. Ka nitondra ny vahoakanao ianao, mba hanaovana anarana fiderana ho anao.
\s5
\v 15 Mijere ambany avy eny amin'ny lanitra ary miambena avy eny amin'ny fonenanao masina sy be voninahitra. Aiza ny zotom-ponao sy ny asanao mahery? Ireo asa famindrampo sy ny fangorahanao dia notazomina taminay.
\v 16 Satria rainay ianao, fa Abrahama tsy mahalala anay, ary Israely tsy mahafantra anay, ianao, ry Yaveh, no rainay. 'Mpanavotra anay' no efa anaranao hatramin'ny fahiny.
\s5
\v 17 Ry Yaveh, nahoana no avelanao hirenireny hiala amin'ny lalanao izahay ary manamafy ny fonay, mba tsy hankatoavanay Anao? Miverena noho'ny amin'ireo mpanomponao', ny fokon'ny lovanao.
\s5
\v 18 Fotoana fohy no nananan'ny vahoakanao ny toeranao masina, dia nitsakitsahin'ny fahavalonay izany.
\v 19 Tonga tahaka ireo izay tsy mbola nofehizinao izahay, tahaka ireo izay tsy mba nantsoina tamin'ny anaranao."
\s5
\c 64
\cl Toko faha 64
\p
\v 1 "Endrey, raha manasaraka ny lanitra Ianao ka midina! Dia hiozongozona eo anatrehanao ny tendrombohitra,
\v 2 tahaka ny afo rehefa mirehitra amin'ny borosy hazo, na ny afo mampangotraka rano. Endrey, fa ho fantatr'ireo fahavalonao ny Anaranao, fa hangovitra eo anatrehanao ny firenena!
\s5
\v 3 Taloha, raha nanao zava-mahagaga izay tsy nandrasanay Ianao, dia nidina Ianao, ary nangovitra teo amin'ny fanatrehanao ny tendrombohitra.
\v 4 Hatramin'ny taloha dia tsy nisy nahare na nahafantatra, na nahita maso Andriamanitra afa-tsy Ianao, izay manao zavatra ho an'izay miandry Azy.
\s5
\v 5 Tonga manampy ireo izay mifaly amin'ny fanaovana ny marina Ianao, ireo izay mahatsiaro ireo lalanao sy mankatò ireny. Tezitra Ianao raha nanota izahay. Avotra tamin'ny lalanao foana izahay.
\s5
\v 6 Fa tonga tahaka ireo maloto avokoa izahay, ary ireo asam-pahamarinanay rehetra dia tahaka ny ravin-dambam-padim-bolana. Malazo tahaka ny ravina avokoa izahay; ireo helokay dia tahaka ny rivotra, mitondra anay lavitra.
\v 7 Tsy misy miantso amin'ny Anaranao, na miezaka mba hifikitra Aminao. Fa nanafina ny tavanao taminay Ianao ary mandamaka anay eo amin'ny tanan'ireo helokay.
\s5
\v 8 Nefa, ry Yaveh, Ianao no Rainay; izahay no tanimanga. Ianao no mpamolavola anay; ary izahay rehetra no asan'ny tananao.
\v 9 Aza tezitra loatra, ry Yaveh, na koa mahatsiaro ireo otanay hanohitra anay. Mba miangavy re jereo izahay rehetra, olonao.
\s5
\v 10 Tonga tany karakaina ireo tanànanao masina; tonga tany karakaina i Ziona, lao i Jerosalema.
\v 11 Ny tempolinay masina sy tsara, izay nideran'ny razanay Anao, dia ravan'ny afo, ary ireo rehetra izay maminay dia niongana.
\v 12 Ahoana no mbola hitazananao fotsiny, ry Yaveh? Ahoana Ianao no mitazona fahanginana ary mbola manala baraka anay hatrany?"
\s5
\c 65
\cl Toko faha 65
\p
\v 1 "Efa vonona ny ho ren'ireo izay tsy nanontany Aho; vonona ny ho hitan'ireo izay tsy nitady. Hoy Aho hoe: 'Inty Aho! Inty Aho!' ho amin'ny firenena izay tsy niantso ny anarako.
\v 2 Efa namelatra ny tanako tontolo andro ho tamin'ny vahoaka mafy hatoka Aho, izay mandeha amin'ny lalana izay tsy tsara, izay efa nandeha araka ny saim-pantany sy ny fikasany!
\s5
\v 3 Izy ireo dia vahoaka izay tsy mitsahatra manafintohina Ahy, manao sorona ao amin'ireo zaridaina, ary mandoro ditin-kazo manitra eo ambony tanimanga.
\v 4 Miambina eo amin'ny fasana izy ireo ary eo mandritry ny alina, ary mihinana henan-kisoa miaraka amin'ny ron'ny hena fahavetavetana eo an-dovian'izy ireo.
\s5
\v 5 Hoy izy ireo hoe: 'Miataha, aza manakaiky ahy, fa izaho dia masina kokoa noho ianao.' Ireo zavatra ireo dia teo am-bavoroko, afo izay mandoro mandritry ny tontolo andro.
\s5
\v 6 Indro, voasoratra eo anoloako hoe: Tsy hangina Aho, fa hampanefa azy ireo; hamaly azy ireo eo am-pofoany,
\v 7 fa ny fahotan'izy ireo sy ny razany dia mitambatra," hoy Yaveh. "Hamaly azy ireo noho'ny fandorana ditin-kazo manitra tao amin'ireo tendrombohitra sy nohon'ny fanesoana Ahy tao amin'ireo havoana Aho. Noho izany dia handrefy ireo asa vitan'izy ireo eo am-pofoany Aho."
\s5
\v 8 Izao no lazain'i Yaveh: "Tahaka ny ranom-boankazo hita ao an-tsampahom-boaloka, ka milaza ny iray hoe: 'Aza simbana io, satria misy tsara ao aminy,' izany no hataoko nohon'ny amin'ny mpanompoko: Tsy handringana azy rehetra Aho.
\s5
\v 9 Hitondra taranaka avy amin'i Jakoba, sy avy amin'i Joda izay hanana ireo tendrombohitro Aho. Ireo izay voafidiko dia hanana ny tany, ary ny mpanompoko dia honina ao.
\v 10 Sarona dia ho tonga fiandrasana ondry aman'osy, ary ny lohasahan'i Akora ho toerana fampandrian'omby, ho an'ireo oloko izay mitady Ahy
\s5
\v 11 Fa ianareo izay mandao an'i Yaveh, izay manadino ny tendrombohitro masina, izay manomana latabatra ho an'ny andriamanitra Gada, ary mameno divay voaharo ny fisotroana ho an'ny andriamanitra Meny.
\s5
\v 12 Handahatra anao ho an'ny sabatra Aho, ary ianareo dia hiankohoka amin'ny fahafatesana avokoa, satria fony niantso Aho, dia tsy namaly ianareo; fony niteny Aho, dia tsy nihaino ianareo. Fa nanao izay ratsy teo anatrehako sy nisafidy ny hanao izay tsy mahafaly Ahy ianareo."
\s5
\v 13 Izao no lazain'ny Tompo Yaveh: "Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho noana; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa hangetaheta; indro, hiravoravo ny mpanompoko, fa ianareo kosa ho menarina.
\v 14 Indro hihiaka fifaliana ny mpanompoko nohon'ny hafaliam-po, fa ianareo kosa hitomany nohon'ny fanaintainan'ny fo, ary hidradradradra nohon'ny fahatorotoroan'ny fanahy.
\s5
\v 15 Hamela ny anaranareo ho ozona ho an'ireo voafidiko mba hiteny ianareo; Izaho, ilay Tompo Yaveh, no hamono anareo; Ho antsoiko amin'ny anarana hafa ireo mpanompoko.
\v 16 Na iza na iza manambara fitahiana ao amin'ny tany dia ho voatahiko, ilay Andriamanitry ny fahamarinana. Na iza na iza mianiana amin'ny tany dia mianiana amin'ny alalako, ilay Andriamanitry ny fahamarinana, satria ho adinoina ireo loza taloha, fa hiafina tsy ho hitan'ny masoko ireo.
\s5
\v 17 Fa indro, hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao Aho; ary ireo zavatra taloha dia tsy tsaroana na hampatsiahivina.
\v 18 Fa ho faly ianareo ary hiravo mandrakizay ao amin'izay vao ho foroniko. Indro, hamorona an'i Jerosalema ho fifaliana, ary ny mponiny ho sitraka Aho.
\v 19 Hiravoravo manerana an'i Jerosalema, sy ho faly eo amin'ireo vahoakako Aho; ny tomany sy ny tarainan'ny fahoriana dia tsy ho re ao aminy intsony.
\s5
\v 20 Tsy hisy zaza madinika hiaina andro vitsy intsony ao; na lehibe maty mialohan'ny androny. Izay maty amin'ny faha zato taona dia heverina ho olona maty tanora. Izay tsy mahatratra ny faha arivo taona dia heverina ho voaozona.
\v 21 Hanorina trano izy ireo ka honina ao amin'izany, ary hamboly voaloboka ka hihinana ny voany.
\s5
\v 22 Tsy hanorina trano intsony izy ireo ka ny hafa no hipetraka ao amin'izany; tsy hamboly izy ireo ka ny hafa no hihinana; fa ny andron'ny hazo maniry no ho andron'ny vahoakako. Ny voafidiko dia hisitraka feno ny asan'ny tanany.
\v 23 Tsy hiasa maina izy ireo, na hiteraka mba hampitahotra. Satria izy ireo sy ireo taranany dia zanak'ireo izay voatahin'i Yaveh.
\s5
\v 24 Mialohan'ny hiantsoan'izy ireo, dia hamaly Aho; ary raha mbola eo am-pitenenana izy ireo, dia hihaino Aho.
\v 25 Ny amboadia sy ny zanak'ondry dia hiara-hiraoka, ary ny liona hihinana mololo tahaka ny omby; fa vovoka no ho sakafon'ny bibilava. Tsy handratra na hamotika eny amin'ny tendrombohitro intsony izy ireo" hoy Yaveh.
\s5
\c 66
\cl Toko faha 66
\p
\v 1 Izao no lazain'i Yaveh hoe: "Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro, aiza ary ny trano izay haorinao ho Ahy? Aiza ny toerana izay ahafahako miala sasatra?
\s5
\v 2 Ny tanako no nanao ireo zavatra rehetra ireo; izany no nahatonga ireny zavatra ireny hisy_izany no fanambaran'i Yaveh. Izao no olona izay ekeko, izay torotoro sy manenina am-panahy, ary izay mangovitra amin'ny teniko.
\s5
\v 3 Izay mamono omby dia mamono olona ihany koa; izay manao sorona ny zanak'ondry dia manapaka ny vozon'alika; izay manolotra fanatitra hoanina dia manolotra ràn-kisoa; izay manolotra ditin-kazo manitra ho fahatsiarovana dia misaotra ny faharatsiana. Nisafidy ireo lalany izy ireo, ary naka fahafinaretana tamin'ireo fahavetavetany.
\s5
\v 4 Tahaka izany koa no hisafidianako ny famaizana azy ireo ihany; hoentiko eo amin'izy ireo izay hatahorany, satria rehefa niantso Aho, dia tsy nisy namaly; rehefa niteny Aho, dia tsy nisy na iray aza ka nihaino. Nanao izay ratsy teo imasoko izy ireo, ary nisafidy ny hanao izay zavatra nampahatezitra Ahy."
\s5
\v 5 Mihainoa ny tenin'i Yaveh, ianao izay mangovitra amin'ny teniny hoe: "Ireo rahalahinao izay mankahala sy manilika anao nohon'ny anarako niteny hoe: 'Aoka homem-boninahitra i Yaveh, dia ahita ny hafalianao Izy,' fa ho menatra izy ireo.
\s5
\v 6 Ny feon'ny ady mitabataba dia avy any amin'ny tanàna, feo avy ao amin'ny tempoly, ny feon'i Yaveh mamaly ireo fahavalony.
\s5
\v 7 Fony mbola mietsi-jaza izy, dia teraka; mialoahan'ny fanaintainana ho eo aminy, dia niteraka zazalahy izy.
\v 8 Iza no naheno zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Moa ve ho teraka anaty andro iray ny tany? Afaka hiorina anatin'ny fotoana iray ny firenena? Fony mbola tsy nihetsi-jaza i Ziona, dia efa niteraka ireo zanany.
\s5
\v 9 Moa ve mitondra zaza amin'ny fahavononan'ny fahaterahana Aho ka tsy mamela ny zaza ho teraka? _nanontany Yaveh. Na nitondra zaza amin'ny fotoanan'ny fiterahana ka hamerina izany? _manontany Andriamanitrao."
\s5
\v 10 Mifalia miaraka amin'i Jerosalema ary mifalia ho azy, ianareo rehetra izay tia azy; mifalia miaraka aminy, ianareo rehetra izay malahelo azy!
\v 11 Fa hitaiza ianao ary ho afapo; hampiononina eo amin'ireo nonony ianao; fa hisotro izany amin'ny hafenoana sy fahafinaretanan'ny voninahiny be ianao.
\s5
\v 12 Izao no lazain'i Yaveh: "Handeha hampiely fanambinana manerana azy tahaka ny renirano Aho, ary ny haren'ny firenena ho tahaka ny loharano mitondraka. Hinono amin'ny ilany ianao, ho eo an-tsandriny, ary ho ahindrahindra eo amin'ireo lohaliny.
\v 13 Tahaka ny ankaherezan'ny reny ny zanany, noho hankaherezako anao, ary hankaherezina ianao ao Jerosalema."
\s5
\v 14 Hahita izany ianao, dia hifaly ny fonao, ary ny taolanao hitsimoka tahaka ny ahi-maitso. Hampahafantarin'i Yaveh ireo mpanompony ny tanany. Fa hampiseho ny hatezerany hanohitra ireo fahavalony Izy.
\s5
\v 15 Fa indro, tonga miaraka amin'ny afo, ary tonga tahaka ny tafio-drivotra ireo kalesiny mba hitondra ny hafanan'ny fahatezerany sy ny fitenenany mafy miaraka amin'ireo lelan'afo.
\v 16 Fa hanao ny fitsarana amin'ny olombelona amin'ny alalan'ny afo sy ny sabany Izy. Ho maro ireo izay hovoavonon'i Yaveh.
\s5
\v 17 Manamasina ny tenany sy manadio ny tenany izy ireo, ka afaka miditra ao an-tsaha, manaraka ny iray izay eo afovoany mihinana nofon-kisoa sy ireo zavatra vetaveta tahaka ny voalavo.
\f + \ft Fanamarihana: Ity andininy ity dia tena sarotra, ka ny dikan-teny taty aoriana dia namorona fandikana maro isan-karazany. \f*
"Ho avy amin'ny fiafarana izy ireo_izany no fanambaran'i Yaveh."
\s5
\v 18 Fa fantatro ireo asany sy ireo eritreriny. Ho avy ny fotoana rehefa hanangona ireo firenena sy ireo fiteny rehetra Aho. Ho avy izy ireo ary hahita ny voninahitro.
\f + \ft Fanamarihana: Ity andiany ity dia tena sarotra ka ny dikan-teny taty aoriana dia namorona fandikana maro samihafa. \f*
\v 19 Hametraka famantarana mahery eo amin'izy ireo Aho. Avy eo dia handefa ireo sisa tsy maty avy amin'izy ireo any amin'ireo firenena Aho: Any Tarsisy, Pola, ary Lydia, mpandefa zana-tsipìka izay manenjana ireo tsipìkany, Amin'i Tobala, Javana, ary ireo amoron-tsiraka alavitra izay tsy nahenoan'izy ireo Ahy na nahitany ny voninahitro. Hanambara ny voninahitro manerana ny firenena izy ireo.
\s5
\v 20 Hampiverina ireo rahalainao rehetra hivoaka ireo firenena rehetra izy ireo, tahaka ny fanatitra ho an'i Yaveh. Ho avy amin'ny soavaly, sy anatin'ireo kalesy, anatin'ireo filanjana, ambonin'ireo ampondra, ary ambonin'ireo rameva, ho any amin'i Jerosalema tendrombohitro masina_hoy Yaveh. Fa ny vahoakan'i Israely dia hitondra fanatitra vary anaty lovia madio ho ao an-tranon'i Yaveh.
\v 21 Na ny sasany amin' izyireo aza dia hofidiko ho mpisorona sy Levita_hoy Yaveh.
\s5
\v 22 Fa tahaka ireo lanitra vaovao sy tany vaovao izay hataoko dia hitoetra eo anatrehako_izao no fanambaran'i Yaveh_ka hitoetra ireo taranakao, ary hitoetra ny anaranao.
\v 23 Fa amin'ny volana iray ka hatramin'ny manaraka, ary ny Sabata iray ka hatramin'ny manaraka, ho avy hiankohoka Amiko ireo olona rehetra_hoy Yaveh.
\s5
\v 24 Hivoaka izy ireo ary hahita ireo fatin'olona izay nikomy hanohitra Ahy, fa ny kankana izay mihinana azy ireo dia tsy ho faty, ary ny afo izay handevina azy ireo dia tsy ho voavono; ary ho rikoriko ho an'ny nofo rehetra izany."

View File

@ -3,4 +3,4 @@
STRs:
* https://git.door43.org/unfoldingWord/SourceTextRequestForm/issues/214 (NT)
* https://git.door43.org/unfoldingWord/SourceTextRequestForm/issues/445 (OT)
* https://git.door43.org/unfoldingWord/SourceTextRequestForm/issues/445 (OT)

View File

@ -22,12 +22,12 @@ dublin_core:
description: 'An unrestricted literal Bible'
format: 'text/usfm'
identifier: 'ulb'
issued: '2020-11-12'
issued: '2020-12-30'
language:
direction: 'ltr'
title: 'Plateau Malagasy'
identifier: 'plt'
modified: '2020-11-12'
modified: '2020-12-30'
publisher: 'Door43'
relation:
- 'plt/tn'