Wed Jul 19 2023 22:19:16 GMT-0400 (Eastern Daylight Time)

This commit is contained in:
jdwood 2023-07-19 22:19:16 -04:00
commit 72f5f9047a
257 changed files with 614 additions and 0 deletions

1
01/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 1 \v 1 Ny boky nisoroatako talaoha, ry Teofilo, dia mivaolagna ny jiaby zay natombok'i Jesôsy ndraiky nampianariny, \v 2 zisiky amin'ny andro nampakaragna Azy, aveo nagniraka reo Apostoly zay nifidny tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny Izy. \v 3 Tafaran'ny nijaliany, dia nagnamboaka ny haigniny velogno taminjareo Izy niaraka tamin'ny reo profo mandresy lahatra maro. Niboaka taminjareo Izy nandritra ny aifapôlo andro, aveo nikoragna mahakasiky ny fanjakan-Jagnahary.

1
01/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Koafa tafivôry zareo dia nagnontany Azy zareo nagnanjao: "Tompo, zeo moa no fotoagna hampodiananao ny fanjakagna ho nihin'ny Israely?" \v 7 Hoizy Izy taminjareo: "Tsy areo no hahay ny fotoagna na reo vagnin'andro zay nitindren'ny Iada tamin'ny fahefagnany zeraiky. \v 8 Fao koafa tonga ndraiky ny Fagnahy Masigny dia hahazo angôvo areo, kay hanjary antomoa magnairagna Jerosalema ndraiky Jodia jiaby aveo Samaria, ndraiky zisiky am-paran-tany."

1
01/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Koafa nivaolagna zany raha zany Jesôsy Tompo, dia niandrandra zareo, nakarigny Izy, ary ny zavogno nambada Azy teo imason-jareo. \v 10 Raha mbôla nizaha langitry igny zareo tamin'ny nandihanany, tampoko teo, nisy aroa lahy nagnano ankanjo fôtsy nitsangagna tankila-njareo. \v 11 Nivaolagna zareo nagnanjao: "Oa lalahy avy akagny Galilia, magnino areo mitsangagna aketo mizaha langitry? Igny Jesôsy nalaigny taminareo zay nampakarigny akagny an-dangitry igny, dia himpôdy tôrotro ny nahitavanareo azy nakatra akagny an-dangitry teo igny.

1
01/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Avakeo zareo nimpôdy tagny Jerosalema avy tao amin'ny tanetin'Oliva, zay marikitry Jerosalema, tôrotro amin'ny dian'ny andro Sabata araiky. \v 13 Koafa tonga zareo, nakatra tao amin'ny efitry agnambo rimba, zay nidaohan-jareo. Zareo dia Petera, Jaona, Jakoba, Andrea, Filipo, Tomasy, Bartolomeo, Matio, Jakoba zanak'i Alifeo, Simona Zelota, aveo Jodasy zanak'i Jakoba. \v 14 Nitambatra ho araiky izy jiaby, aveo nazôto nivavaka. Agnisany zany reo vaiavy, Maria ninin'i Jesôsy, ndraiky reo rahalahiny.

1
01/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Fao afa voasaoratra ao amin'ny Bokin'ny Salamo: "Ambilào ho lemby ny sahany, ary aza availao na dia ôlogno araiky aby hidôko akao'; 'avilao ho alain'ôlon-kafa ny andraikiny."

1
01/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko 1

1
02/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 2 \v 1 Koafa tonga ny andron'ny Pentekosta, nivôry tamin'ny toairagna araiky izy jiaby. \v 2 Tampoko teo avy akagny an-dangitry nisy feo karaha rivotro mafy nivaololagna, ary nameno tragno jiaby zay nidaohan-jareo zany. \v 3 Nisy môtro tôrotro laila maro zay nizarazara, avakeo nidôko tambonin-jareo tsiaraikiaraiky aby. \v 4 Izy jiaby feno ny Fagnahy Masigny ary nanomboko nivaolagna tamin'ny fivolagnagna maro samy hafa, araka ny nagnamaizan'ny Fagnahy Masigny hivolagnan-jareo.

1
02/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Nagnino maharegny zareo atsika, amin'ny fivolagnantsika tsiaraikiaraiky aby zay naha gaida atsika?\v 9 Partianina ndraiky Medianina aveo Elemita, ary reo zay mipaitraka akagny Mesopotemia, akagny Jodia ndraiky Kapadokia, akagny Ponto ndraiky Asia,\v 10 Frygia ndraiky Pamfylia, akagny Egypta ary Libya zisiky akagny amin'i Kyrena, ary reo mpitidiky avy akagny Roma, \v 11 Jiosy ndraiky Proselyta, Kreatana ndraiky Arabo, dia regnintsika mivaolagna amin'ny fivolagnantsika mahakasiky ny asa goalahy tsabon-Jagnahary."

1
02/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Zareo dia gaga avakeo sahiran-tsaigny; ary nifampivaolagna zareo nagnanjao: Ino no dikan'ny zany?" \v 13 Fao reo sasany nankalaifaka salakady nivaolagna: "Zareo dia mamon'ny divay vava."

1
02/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Fao Petera nitsangagna niaraka tamin'izy araiky ambin'ny fôlo, napakatra ny feony, aveo nagnambara taminjareo : "Oa lalahin'i Jodea ndraiky areo jiaby zay midôko aketo Jerosalema, aoka ho hainareo zao, tandremo reo vaolagna naha. \v 15 Hoan'ny reo ôlogno tsy mamo karaha zay hieritreretanareo, fao voh fotoagna fahatelo amin'ny andro zao.

1
02/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Fao zao lehy nambaran'i Joela mpagnazary: \v 17 'Amin'ny andro farany,' Zagnahary mivaolagna: 'Halatsako amin'ny ôlogno jiaby ny Fagnahinaha. Reo zanakareo lalahy ndraiky ny zanakareo vaiavy dia haminagny, ny zatovonareo hahita fahitagna, avakeo ny antilahinareo hagninôfy.

1
02/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Ny masaova dia hanjary hizigny ary ny davaolagna hanjary lio, alaohan'ny andro lehibe sady miavaka havian'ny Tompo.\v 21 Ary ny ôlogno jiaby zay magnansto agnaran-Jagnahary dia hoavaotagna.

1
02/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Fao Davida mivaolagna mahakasiky Azy, "Nahita Tompo teo agnatraihako lalandava zaho, fao aketo an-tagnako an-kahery Izy kay tsy tôkony hangôzohôzo zaho. \v 26 Dia taigna ravo ny fôko aveo niravoravo ny lailako. Ary koa, ny nôfoko hivelogno amin'ny fahatokiagna.

1
02/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Fao tsy nialana hoagny amin'ny fiainan-tsy hita ny fagnahiky avakeo tsy hagnambaila ny Araiky Masigny ho lô anao. \v 28 Nagnambara zaho reo lalan'ny fiainagna Anao; Anao dia hameno haravoagna zaho amin'ny bikanao.'

1
02/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Oa rahalahy, afaka mivaolagna aminareo am-patokisagna mahakasiky Davida Patriarika zaho: afa maty izy no nalevigny, ary ny fasany dia aketo amintsika zisiky niany.\v 30 Noho zany, mpagnazary izy ary hainy fao afa nifanta taminy Zagnahary, fao ny tamingany no hoakeo amin'ny dabilio fiandrianany. \v 31 Afa hitany zany dia nikoragna mahakasiky ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny fahafataisagna, 'sady izy tsy navaila tao amin'ny fiainan-tsy hiata, no tsy nagnano ny nôfony ho takatrin'ny fahaloavagna.'

1
02/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Io Jesôsy io-Zagnahary no nanangagna Azy, kay antomoan'ny zany zahay jiaby. \v 33 Noho zany koafa nakariny tagnan-kaherin-Jagnahary Izy dia nandray ny Fagnahy Masigny nampanantenaigny avy tamin'ny Iada, afa nalatsany zany, zay hitanareo ndraiky regninareo.

1
02/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Niaraka tamin'ny koragna maro hafa no nitsanganany ho antomoa ndraiky nampirisahany zareo; nagnambara izy nagnanjao, "Avaoto ny haigninao amin'ny tô taminga ratsy fagnahy tô." \v 41 Avakeo zareo nalaka ny vaolagna kay nitsabogny batisa, ary tôkony fagnahin'ôlogno teo amin'ny telo arivo teo no nampiagna tamin'ny io andro io. \v 42 Nanôhy sady naharitry ny asa fitoriagna ndraiky ny fampianaran'ny apostoly zareo, teo amin'ny fanapahagna ny môfo ndraiky ny fivavahagna.

1
02/43.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 43 Tonga teo amin'ny fagnahin'ny tsiaraikiaraiky hamboriagna, aveo fahagagagna ndraiky famantaragna maro no vita tamin'ny alalan'ny apostoly. \v 44 Reo jiaby nino dia nivôry ave nanagna raha nitôvy, \v 45 ary zare dia nivarotro taniny ndraiky fanagnany kay nirasa zany tamin'izy jiaby, araka zay nilainy aby.

1
03/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Aveo Petera ndraiky Jaona nakatra tegny amin'ny tempoly tamin'ny fotoagnan'ny fivavahagna, ny fotoagna fahasivy.\v 2 Avakeo nisy lalahy araiky nalemy rango am-pitirahagna nindesigny isan'andro tegny amin'ny tamiagna Tsaran'endriky ny tempoly, mbô hangataka fagnomaizagna ara-baola akagny amin'ny reo ôlogno zay magnegny amin'ny tempoly.\v 3 Koafa nahita Petera ndraiky Jaona zay handaiha hitsôfotro ny tempoly, dia nangataka fagnomaizagna ara-baola taminjareo izy.

1
03/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Ary noho izy nitagna Petera ndraiky Jaona, ny ôlogno jiaby dia nihôrogno nandaiha taminjareo tegny amin'ny fialaofagna zay nantsôvigny hoe fialaofan'i Solomona, ary taigna sondriagna. \v 12 Koafa nahita zany Petera dia namaly ny ôlogno nagnanjao: "Areo vahoakan'Israely, magnino no sondriagna areo? magnino ny masonareo mandiniky zahay, karaha angôvonay na fahamasignagnay manaokagna moa nampaningagna azy?

1
03/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Nivononareo ny Mpagnorigny ny fiainagna, zay natsangan-Jagnahary tamin'ny maty_ary antomoan'ny zany zahay. \v 16 Zeo, noho ny finoagna amin'ny agnarany_lehy lalahy zay hitanareo sady hainareo_igny agnarany igny faogna no nahatonga azy hahery. Ny finoagna avy amin'i Jesôsy no nagnamia zao fahasitragnagna feno zao hoazy aketo agnatraihanareo jiaby.

1
03/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Mibaibaha, noho zany, aveo mimpodiana, mbô ho voavono ny fahotanareo, mbô ho tonga ny fotoagna mahavelombelogno akeo agnatraihan'ny Tompo; \v 20 aveo mbô handaifa lehy Kristy zay voatendry hoanao izy, dia Jesôsy.

1
03/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko Faha 3

1
04/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Raha nikoragna tamin'ny reo vahoaka Petera ndraiky Jaona, dia avy reo mpisôrgno ndraiky ny lehiben'ny mpiambigny ny tempoly ary reo Sadoseo. \v 2 Vingitry mafy zareo nohony Petera ndraiky Jaona nampianatra vahoaka ndraiky nitory ny fitsanganagna amin'ny maty tamin'ny alalan'i Jesôsy. \v 3 Nisambôrigny zareo ary natao tagny angadra papiky hatongavany maraindraigny, satria afa haligny ny andro tamin'ny zany. \v 4 Kanaifa maro tamin'ny reo ôlogno zay nitandregny hafatra no nankatô; aveo ny isan'ireo lalahy zay nankatô dia dimy arivo teo ho eo.

1
04/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Jesôsy Kristy dia vato zay natanareo mpagnorin-tragno tsinotsinona kanaifa afa natao ho laohan'ny vato fehizoro. \v 12 Aveo tsisy famonjiagna avy amin'ny hafa, fao tsisy agnaragna hafa ambanin'ny langitry namaizan'ny ôlogno zay tsy maintsy hahavonjy atsika."

1
04/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Kanaifa namaly zareo Petera ndraiky Jaona nivaolagna nagnanjao: "Raha marigny eo imason-Jagnahary ny magneky areo mihoatra Azy, dia areo no mitsara.\v 20 Tsy afaka ny hijanogno tsy hivaolagna mahakasiky reo raha hitanay sady regninay zahay."

1
04/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Tafaran'ny namotsaoragna zare, dia tonga teo amin'ny vahoakany Petera ndraiky Jaona ary notateriny taminjareo zay jiaby nivolagnin'ny reo laohan'ny mpisôrogno ndraiky reo sojabe taminjareo. \v 24 Koafa regnin-jareo zany, dia niara-nampakatra ny feonjareo hoan-Jagnahary zareo kay nivaolagna nagnanjao: "Tompo, Anao no nitsabo langitry ndraiky tany, ndraiky ny ranomasigny, ary zay jiaby akao aminazy.\v 25 Nivaolagna tamin'ny alalan'ny Fagnahy Masigny tamin'ny vavan'ny mpanomponao, ny iadantsika Davida Anao nagnanjao: 'Nagnino vingitry reo firenena Jentilisa, ndraiky reo ôlogno mieritreritry raha tsisy ilagna azy?'

1
04/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Areo mivaolagna: Mpanjakan'ny tany dia nitambatra, aveo reo mpanapaka dia nivôndrogno hanohitry ny Tompo, ndraiky hanohitry ny Kristiny.'

1
04/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Fao afa Heroda ndraiky Pontsy Pilaty, zay niaraka tamin'ny reo Jentilisa aveo reo vahoakan'i Israely, no niaraka nivôry tao an-tanagna hanohitry Jesôsy mpanomponareo, zay nosoranareo. \v 28 Niara-nivôry zareo mbô hagnano zay jiaby natan'ny tagnagnagnareo ndraiky reo drafitry areo zay afa nitapahin-jareo ho tsabogny alaoha.

1
04/34.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 34 Tsisy ôlogno nanagna raha mampijaly teo amin-jareo, fao zay jiaby nanagna tany na tragno dia navidy ary ninday ny vaolan'ny raha jiaby zay lafo. \v 35 Avakeo napaitraka teo an-tongotro reo apostoly, ary nirasaigny tamin'ny ôlogno tsiaraikiaraiky araka zay ilainjareo.

1
04/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko Faha 4

1
05/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Fao nisy lalahy araiky nantsôvigny hoe Ananiasy, niaraka tamin'i Safira vadiny, nivarotro anjara tany, \v 2 aveo nitanany ny sasany tamin'ny reo vaola vidiny (ny vadiny faogna koa nahay zany), avakeo ninday ny ampahany hafa tamin'ny zany ary nagnambaila azy teo antongotro reo apostoly.

1
05/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Avakeo Petera nivaolagna azy nagnanjao: "Nagnino areo nagneky hiaraka hitsapa Fagnahin'ny Tompo? Tô, reo hongotro reo ôlogno zay nadevigny ny vadianao dia eo antamiagna, ary hagnaboaka anao zareo. \v 10 Ary lavo samby teo amin'ny hongony izy aveo afaka ny aigniny. Koafa niditry tao reo tôvolahy, dia nahita azy maty, kay nitondra azy niboaka sady nandevigny azy teo ankilany vadiny. \v 11 Ambory ny fiangonagna jiaby, ndraiky reo jiaby zay naharegny zany raha zany.

1
05/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Famantaragna ndraiky fahagagagna maro no niboaka tamin'ny reo vahoaka tamin'ny alalan'ny tagnagna reo Apostoly. Niraka teo amin'ny fialofan'i Salomona zareo. \v 13 Fao tsisy ôlogno hafa nanagna fahasakiagna hiaraka aminjareo; kanaifa ny vahoaka dia nanadratra fankasitrahagna zareo.

1
05/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Ary nandritran'ny aligny dia nisy anjelin'ny Tompo nanaokatra tamiagnan'ny fonja ary nagnaboaka zareo tao, aveo nivaolagna nagnajao: \v 20 "Mandihiana, mitsangana ao amin'ny tempoly avakeo mivolagna amin'ny ôlogno reo vaolagna jiaby ny tô fiainagna tô."\v 21 Koafa naharegny zany zareo, dia niditry tao amin'ny temply zareo koa voh marandraigny ny andro kay nampianatra. Fao tonga ny mpisôrogno be, ndraiky reo zay niaraka taminazy, aveo nagnantso ny filan-kevitry jiaby, reo sojabe jiaby ny vahoakan'Israely, aveo nalaifa tagny am-ponja mbô hagnaboaka reo apostoly.

1
05/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Fao koafa tonga lehy mpiambigny raharaha dia tsy nahita zareo tam-ponja, kay nimpôdy zareo aveo nitatitry nagnanjao: \v 23 "Nahita tragno mahizigny nigadra tsara zahay aveo mpiambigny nitsangagna niambigny tantamiagna, fao koafa nisokoafinay zany, tsy nahita ôlogno tagnatiny zahay."

1
05/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Koafa naharegny zany reo tao amin'ny filan-kevitry, dia vingitry zareo ary nikasa hamono reo apostoly. \v 34 Fao nisy Fariseo araiky nantsôvigny hoe Gamaliela, mpampian-dalàgna, zay najain'ny ôlogno jiaby, nitsangagna aveo nagniraka reo apostoly mbô ho alaigny aboaka hely akagny ambailany.

1
05/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Ary izy nivaolagna taminjareo nagnajao: "Lalahy Israely, Tandremo tsara ny amin'ny raha zay ho tsabonareo miaraka amin'ny reo ôlogno reo. \v 36 Fao tagny alaoha tagny, Teodasy nivaolagna ny haigniny ho raha, aveo vôndrogn'ôlogno, tôkony ho aifa-jato, nagnaraka azy. Nivonogny izy, aveo reo jiaby zay nagneky azy dia niparitaka ary nanjary tsinotsinona. \v 37 Avakeo lalahy io, Jodasy avy akagny Galilia dia nitsangagna tamin'ny andron'ny fagnisagna ary nanagno ôlogno maromaro hagnaraka azy. Izy faogna koa nivonogny, aveo reo jiaby zay nagneky azy dia nipariaka.

1
05/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Ary nagnantso reo apostoly hiditry zareo aveo namboko sady nagniraka zareo tsy hivaolagna amin'agnaran'i Jesôsy, avakeo nambaila zareo handaiha. \v 41 Zareo dia tsy nagneky ny filan-kevitry tan-karavoagna satria magnaiva ny hitondra fahafaham-baraka hoan'i Lehy Agnaragna.\v 42 Tafaran'ny zay isan'andro, tsy nijanogno nampianatra ndraiky nitory Jesôsy ho Kristy zareo, teo am-banjan'ny Tempoly ndraiky tamin'ny tragno maro.

1
05/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Tokofa Faha 5

1
06/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Ary tamin'ny zany andro zany, koafa nahay nisôsoko ny isan'ny reo mpianatra, dia nanomboko nisy fitaraignagna natan'ny reo Jiosy mivaolagna Grika hanohitry reo Hebreo, satria natan-jareo tsinotsinona reo mpitondra-taignany tamin'ny firasàgna hanigny isan'andro.

1
06/02.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 2 Ny aroa ambin'ny fôlo dia nagnantso reo mpianatra koafa ho agny aminjareo sady nivaolagna nagnajao: "Tsy mety amintsika raha tsy magneky vaolagna Zagnahary mbô hikarakara reo latabatra. \v 3 Noho zany areo dia tôkony mifidy, rahalahy, fito aminareo, lalahy tsara laza, feno ny Fagnahy ndraiky fahindriagna, mbô ho tindrenay hikarakara zany raharaha zany. \v 4 Raha ny aminay, dia hanôhy hatragny amin'ny fivavahagna ndraiky amin'ny fampianaragna vaolagna zahay.''

1
06/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Kay nipariaka faogna ny vaolagna Zagnahary, aveo ny isan'ny mpianatra tao Jerosalema dia nahay fôntry, ary mpisôrogno maro faogna no nanjary mpankatô ny finoagna.

1
06/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Ary Stefana, feno fahasoavagna ndraiky angôvo, dia nagnano fahagagagna ndraiky famantaragna gaida teo amin'ny vahoaka. \v 9 Fao nisy vahoaka sasany nitsangagna zay nihin'ny Synagoga zay volagnigny fao ny sinagogan'ny Libertina, ndraiky nihin'ny Kyreniana aveo Aleksandriana, ary ny sasany avy akagny Kilikia ndraiky Azia. Reo ôlogno reo dia niady hevitry tamin'i Stefana.

1
06/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko Faha 6

1
07/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Satria reo Patriarika dia nalaigny Josefa, kay navidin-jareo tagny Egypta izy; Fao Zagnahary niaraka taminazy \v 10 aveo namonjy azy tamin'ny reo ôlony jiaby. I Josefa namaizany fankasitrahagna ndraiky fahindriagna teo agnatraihan'i Farao, mpanjakany Egypta, zay nampidôko azy ho governora manapaka Egypta ndraiky agnambony reo fanagnany jiaby.

1
07/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Ary havy ny silagno nagnairagna Egypta ndraiky Kanana, aveo fijaliagna gaida, ary reo razantsika dia tsy nahita hanigny. \v 12 Fao koafa nahiregny Jakoba fao nisy vary tao Egypta, nandaifa reo razantsika tamin'ny dian-jareo voalaohany izy. \v 13 Tamin'ny dian-jareo faharoa Josefa nagnambara haigniny tamin'ny reo rahalahiny, ary ny fianakaviagnan'i Josefa dia nanjary hain'i Farao.

1
07/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Koafa narikitry ny fotoagnan'ny lehy fampanantenagna, lehy fampanantenagna zay nitsabon-Jagnahary tamin'i Abrahama, dia nahay maro ndraiky nisôsoko ny ôlogno tao Egypta,\v 18 mandra-pitsanganan'ny mpanjaka hafa tao Egypta, mpanjaka zay tsy nahay ny mahakasiky Josefa. \v 19 Io mpanjaka io faogna no namitaka ny vahoakantsika ndraiky nampijaly reo razantsika, zareo dia nanery razantsika tsy hagneky reo zanany ambava loza mbô tsy ho levogno.

1
07/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Ny andro magnaraka dia tonga tao amin'ny reo Isaelita sasany izy koa zareo niady; nagnandragna nampitony ny tsiaraikiaraiky avy izy, nivaolagna nagnanjao: "Oa lalahy, areo dia mpirahalahy, magnino areo miady?"\v 27 Fao ny araiky zay nagnano tsy nanjary tamin'ny namany nanosiky azy, aveo nivaolagna nagnanjao: "Zôvy no nanendry anao ho mpanapaka ndraiky hitsara zahay? \v 28 Tianao moa ny hamono zaho, karaha ny namonoanao reo Egyptianina lomoaligny?"

1
07/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Niala Mosesy koafa naharegny zany; nanjary vahiny izy tao amin'ny tanin'ny Miadiana, zay nitirahany ny zanany aroa lahy. \v 30 Koafa nandilatra aifapôlo tagno, nisy anjely araiky niboaka taminazy tagny antanimaty tegny amin'ny tanety Sinay, teo amin'ny lailamôtron'ny lehy voaroy nirehitra.

1
07/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 Koafa hitan'i Mosesy lehy môtro, sondriagna izy tamin'ny lehy fahitagna; ary koafa nagnatogno izy kay nizaha lehy izy, tô avy akagny nisy feon'ny Tompo nivaolagna nagnanjao: \v 32 "Zaho no Zagnaharin'ny reo razagnao, Zagnaharin'i Abrahama, ndraiky Isaka, aveo Jakoba.'' Nangitakitaka Mosesy aveo tsy nahasaky nizaha.

1
07/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Ny Tompo nivaolagna taminazy: "Alào ny kapa egny amin'ny hongotroa, fao io toairagna zay hitsangnana io tany masigny. \v 34 Afa hitako tatôbe ny fijalian'ny vahoaka zay akao Egypta, regniky ny fitaraignan-jareo, aveo afa nijôtso nagnavotro zareo Zaho; koa zeo alaifako akagny Egypta anao."

1
07/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Io lehy Mosesy zay tsy nikehinjareo, koafa nivaolagna zare nagnanjao: "Zôvy no nagniraka anao ho mpanapaka ndraiky ho mpitsara?" Izy lehy taokagna zay nalaifan-Jagnahary sady ho mpanapaka aveo mpagnavotro. Zagnahary nagnandaifa azy tamin'ny alalan'i lehy anjely zay niboaka tamin'i Mosesy tegny amin'ny voaroy. \v 36 Nitariky zareo hiala tao Egypta i Mosesy, koafa avy nagnano fahagagagna ndraiky famantaragna tao Egypta ndraiky tegny amin'ny ranomasigny maina, ary tagny antanimaty nandritry ny aifa-pôlo tagno. \v 37 Io faogna lehy Mosesy zay nivaolagna tamin'ny vahoakan'Israely nagnanjao: "Zagnahary hanangagna mpagnazary ho nihinareo akeo amin'ny rahalahinareo, mpagnazary tôrotro zaho."'

1
07/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Izy lehy lalahy zay tam-piangonagna tao agnefitry niaraka tamin'ny lehy anjely zay nivaolagna taminazy tagny amin'ny tanetin'i Sinay. Izy lehy lalahy niaraka tamin'ny reo razantsika; izy lehy lalahy zay nalaka ny vaolagna velogno rasaigny hoantsika.\v 39 Izy lehy lalahy zay tsy nankatoavin'ny reo razantsika; natosiky n-jareo lavitry zareo izy, aveo akagny ampônjareo dia nimpôdy tagny Egypta zareo.\v 40 Tamin' io fotoagna io nivaolagna tamin'ny Arona zareo nagnanjao: "Tsaboano Zagnahary zahay hitariky zahay, karaha Mosesy, zay nitariky atsika hiboaka akagny Egypta, tsy haintsika zay nahavoa azy.''

1
07/41.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 41 Ary nagnano aomby hely zareo tamin'ny zany andro zany aveo ninday fagnatitry teo amin'ny lehy sampy, ary niravo tamin'ny asan-tagnany zareo. \v 42 Nitodiky Zagnahary avakeo nagnambaila zareo mbô ho fideragna reo lakintagna egny an-dangitry, araka ny voasaoratra tao amin'ny bokin'ny mpagnazary: "Areo moa nanôlotro zaho biby maty ndraiky fagnatitry nandritran'ny aifapôlo tagno tao antany maty, tragnon'Israely?

1
07/43.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 43 Nikehinareo ny tabernakelin'i Moloka ndraiky ny lakitan-Janahary Refana, ndraiky reo sary zay natanareo hideragna azy, aveo zaho nitondra areo akagny hafan'ny Babylona."

1
07/47.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 47 Fao Solomona no nagnamboatra tragno ho nihin-Jagnahary. \v 48 Na zany aby, ny taigna Agnambo dia tsy nibidôko tao amin'ny tragno vita tamin'ny tagnagna, araka ny nikoragnin'ny mpagnazary: \v 49 "Ny langitry no dabilio fiandriagnako, avakeo ny tany no fidaohan-kongotro. Tragno karaha ino no afaka hamboarinao ho nihinaha? Hoizy ny Tompo, na toairagna karaha ino no hitsaharako? \v 50 Tsy tagna naha moa nitsabo reo raha jiaby reo?

1
07/54.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 54 Ary koafa naharegny reo raha reo ny mpiômbogno akao amin'ny filan-kevitry, tôhigny ny fôn-jareo, aveo nihidy vazagna zareo tamin'ny Stefana. \v 55 Fao izy, zay feno Fagnahy Masigny, nizaha tsara ny langitry ary nahita ny vogninahitry Zagnahary, ary nahita Jesôsy nitsangagna teo an-kaherin-Jagnahary. \v 56 Stefana nivaolagna nagnajao: "Zahavo, hitako misaokatra reo langitry, aveo ny Zanak'ôlogno mitsangagna eo ankaherin-Jagnahary."

1
07/57.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 57 Teo amin'ny zany dia nibadan-jareo mpiômbogno ao amin'ny filan-kevitry ny sôfigny n-jareo, avakeo nangaiky nakatra tamin'ny feo agnambo, nilomoay zareo nagnegny aminazy. \v 58 Nitaritin-jareo ambailan'ny Tanàgna izy ary nanomboko nanopy vato azy zareo, ary reo antomoa dia nagnambaila ny lambany teo amin'ny hongony lehy zaza lalahy antsôvigny Saoly.

1
07/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko Faha 7

1
08/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 8 \v 1 Nagneky ny fahafataisany i Saoly. Kay nanomboko tamin'io andro io ny fagninjaihagna gaida hanohairagna ny fiangonagna zay tao Jerosalema; areo reo mpino jiaby dia niparitaka nagnairagna reo faritry Jodia ndraiky Samaria, hafan'ny reo apostoly. \v 2 Reo lalahy matahotro Zagnahary dia nandevigny i Stefana ary nagnano hira fisaonagna azy. \v 3 Fao Saoly nandratra tatôbe ny fiangonagna; nitety tragno izy aveo nalaka reo lalahy ndraiky reo vaiavy, ary nandaifa zareo tagny an-tragno mahizigny.

1
08/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Fao reo mpino zay niparitaka dia nandaiha nitory ny vaolagna. \v 5 Filipo dia nijôtso tagny amin'ny tanàgna gaidan'ny Samaria aveo nitory i Kristy tamin-jareo.

1
08/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Koafa naharegny ndraiky nahita reo famantaragna zay nitsabon'i Filipo ny vahoaka maro, dia nifantoko tsara tamin'ny zay nivolagniny zareo.\v 7 Reo fagnahy maloto dia niboaka tamin'ny reo maro zay nidirany, nangaiky mafy, avakeo maro tamin'ny reo malemy ndraiky misy antsa no nahivagna.\v 8 Noho zany dia nisy haravoagna gaida tao an-tanambe.

1
08/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Fao nisy lalahy araiky nantsôvigny hoe Simona tao an-tanambe, zay voh nalaky aveo nisaoma aôdy; mazagna nampivariagna reo vahoakan'ny Samaria izy, koafa mivaolagna fao izy dia ôlogno manan-kaja. \v 10 Reo Samaritana jiaby, manomboko amin'ny taigna hely zisiky amin'ny lehy taigna gaida, dia nitandregny tsara azy; aveo hoizy zare: "Io lalahy io lehy fahefan-Jagnahary zay antsôvigny hoe Gaida." \v 11 Zareo nitandregny azy, satria izy nampivariagna zareo afa nandritry ny fotoagna haila tamin'ny reo aôdiny.

1
08/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Fo hoizy Petera taminazy: "Ho levogno miaraka aminao ny vaolafôtsinao, satria anao nieritreritry hahazo fagnomaizan-Jagnaghary amin'ny alalan'ny vaola. \v 21 Anao dia tsy managna anjara na ampahany amin'ny zany raha zany, satria ny fônao tsy marigny amin-Jagnahary. \v 22 Noho zany mibaibaha amin'ny faharatsiagna, ary mivavaha amin'ny Tompo, tsaha mbô mety hamaila ny fagnirian'ny fônao Izy. \v 23 Fao zaho mahita fao anao voapoizin'ny lôlom-pô ndraiky voafehin'ny fahotagna anao."

1
08/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 Simona namaly aveo nivaolagna nagnanjao: "Mivavaha amin'ny Tompo hoanaha, mbô tsy hisy havoa zaho reo zay nivolagninao."

1
08/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Koafa nitsangagna antomoa ndraiky nagnambara ny vaolagna ny Tompo zareo, dia nimpôdy tagny Jerosalema i Petera ndraiky Jaona, nitory vava maharavo tamin'ny reo tanàgna maro ao Samaritana.

1
08/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Ary nisy anjelin'ny Tompo nikoragna tamin'i Filipo sady nivaolagna nagnanjao: "Mitsangàna aveo mamdihana magnatsimon'ny lalagna mijôtso avy akagny Jerosalema magnagny Gaza. \v 27 ("Io lalagna io dia akagny an-tanimaty.) Dia nitsangagna izy ary nandaiha. Tô, nisy lalahy avy akagny Etopia, tandapan'ny Kanadasy, mpanjaka vavin'ny reo Etiopiana. Izy no niandraikitry ny hariagnany jiaby. Tonga tagny Jerosalema izy mbô hidaira.\v 28 Ary nôdy izy kay nipaitraka teo amin'ny kalesiny, aveo namaky ny vaolagna Isaia mpagnazary.

1
08/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Ary lehy fagnahy nivaolagna tamin'i Filipo: "Mandihiana ary aza miala lavitry io kalesy io." \v 30 Kay nilomoay nagnatogno azy izy, aveo naharegny azy namaky teny tao amin'ny Isaia mpagnazary aveo nivaolagna nagnanjao: "Azonao moa io vakina io?" \v 31 Nivaolagna lehy Etompiana nagnanjao: "Akôry no hahaizako, raha tsisy ôlogno mitari-dalagna zaho?" Niangavy Filipo izy mbô hagnatogno kalesy aveo hantotry hiaraka aminazy.

1
08/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Ary ny an-dalantsaoratra masigny zay nivakin'lehy Etopiana dia nagnanjao: "Nindesinao ho vonogny karaha ondry izy, aveo tôrotro zank'ondry möa eo agnatraihan'ny mpagnety azy, noho zany tsy nisaoka-bava izy.\v 33 Fao tamin'ny fagnalam-baraka azy dia nalagna taminazy ny rariny. Zôvy no afaka hamaritry tatôbe reo tamingany? Nohon'ny aigny nalagna teto an-tany."

1
08/34.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 34 Noho zany dia nagnontany lehy tandapa Filipo, nagnanjao: "Miangavigny aminao zaho, zôvy no koragnin'io mpagnazary io, ny haigniny faogna moa sa ôlon-kafa?" \v 35 Nanomboko nivaolagna Filipo, avakeo nanomboko tamin'ny zany saoratra masigny zany no nitoriany ny vava maharavo mahakasiky Jesôsy taminazy.

1
08/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko Faha 8

1
09/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Fao Saoly, dia mbôla nivaolagna fandrahaonagna faogna egny fao na zisiky amin'ny famonoagna manohitry reo mpiantra ny Tompo aby, nandaiha tagny amin'ny mpisôrogno be\v 2 ary nagnontany zareo taratasy hoan'ny reo Synagoga tao Damaskosy, kay raha mahita na zôvy na zôvy amin'ny lalagna nazy izy, na lalahy na vaiavy, dia ndesigny hitadiagna akagny Jerosalema zareo.

1
09/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Saoly namaly nagnanjao: "Zôvy anao, Tompo?" Hoizy Tompo: "Zaho no Jesôsy zay injehinao, \v 6 fao mitsangàna, midira ao amin'ny tanàgna, aveo ho volagniky aminao zay tsy maintsy hitsabonao." \v 7 Ny lalahy zay niara-dià tamin'i Saoly dia nitsangagna tsy nahavaolagna, naharegny feo fao tsy nahita na zôvy na zôvy.

1
09/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Nitsangagna avy tamin'ny tany Saoly, aveo koafa nanaokatra masony izy, dia tsy afaka nahita na ino na ino izy, kay nindesin-jareo tamin'ny tagnany izy aveo nindesigny tagny Damaskosy. \v 9 Tsy nahita izy nandritry ny telo andro, ary tsy nihinagna izy sady tsy nigiaka.

1
09/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Kay lôsogno Ananiasy, ary niditry tao amin'ny tragno. Namaitraka ny tagnany teo aminazy, dia nivaolagna izy: "Rahalahy Saoly, ny Tompo Jesôsy, zay niboaka taminao tegny an-dalagna koafa nandaiha tatoy anao, no nandaifa zaho tatoy mbô mety hahitavanao ary ho feno ny Fagnahy Masigny.''\v 18 Samby teo dia raha tôrotro ny sisin-dako no nihaindaka samby teo amin'ny mason'i Saoly, aveo nahita izy; nitsangagna izy ary nitsabogny Batisa;\v 19 ary nihinagna izy kay nahazo angôvo. Nibidôko niaraka tamin'ny reo mpianatra tao Damaskosy nandritry ny andro maro izy.

1
09/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Samby teo dia nagnambara Jesôsy tao amin'ny Synagoga izy, nivaolagna fao Izy no Zanaka Zagnahary. \v 21 Zay jiaby naharegny azy dia gaga ary nivaolagna nagnanjao: "Tsy io ôlogno io moa namono reo tagny Jerosalema zay nagnantso tamin'io agnaragna io? Tonga teto izy mbô halaka zareo ho tadiagna hoagny amin'ny mpisôrogno be." \v 22 Fao nanjary nahay nahery i Saoly, aveo nampijaly jiosy zay nipaitraka tao Damaskosy kay nagnaprofo fao Jesôsy no Kristy.

1
09/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Tafaran'ny andro maromaro, niara-nitsabo tetiky mbô hamono azy reo Jiosy.\v 24 Fao nanjary hain'i Saoly ny tetiky zareo. Ary niambigny tamiagna andro aman'aligny mbô hamono azy zareo.\v 25 Fao nangala azy tamin'ny aligny reo mpianany aveo nagnambaila azy hijôtso tamin'ny rimba, nampijôtso azy tao agnaty harogno.

1
09/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Koafa homby teo Jerosalema izy dia nagnandragna ny hagnatogno reo mpianatra i Saoly, naifa natahotro azy jiaby reo, tsy nino fao mpianatra izy.\v 27 Fao nalaka azy Barnabasy aveo ninday azy teo amin'ny reo apostoly, aveo nivaolagna tamin'ny reo izy hoe akôry no nahitavan'i Saoly ny Tompo tegny an-dàlagna ndraiky nivolagnan'ny Tompo taminazy, aveo akôry no nitorian'i Saoly am-pahasakiagna tamin'ny agnaran'i Jesôsy tao Damaskosy.

1
09/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Nitratro taminjareo izy koafa niditry aveo niboaka Jerosalema. Nivaolagna am-pahasakiagna tamin'ny agnaran'i Jesôsy Tompo izy \v 29 ary niady hevitry niaraka tamin'ny reo Jiosy Grika; naifa mbôla niaizaka ny hamono azy faogna zareo.\v 30 Koafa hain'ny reo rahalahy zany, dia nindesinjareo nijôtso tagny Kaisaria izy aveo nalaifany hoagny Tarsosy izy.

1
09/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Nahita ôlogno antsôvigny hoe Aenasy tao izy, zay afa teo am-pandriagnany nandritry ny valo tagno, satria nalemy izy. \v 34 Petera nivaolagna taminazy nagnanjao: "Aenasy, mapahivagna anao Jesôsy Kristy. Mitsangàna aveo amboaro ny fandriagnanao,'' ary niaraka tamin'ny zay dia nitsangagna izy. \v 35 Fao zay jiaby nibidôko tao Lyda ndraiky Sarona dia nahita ny lalahy kay nitodiky tamin'ny Tompo zareo.

1
09/36.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 36 Aveo nisy mpianatra araiky atnsôvigny tabita tao Jopa, zay adika: "Dorkasy." Nagnano asa tsara maro vaiavy io ary nagnano fagnampiagna feno asa fiantragna zay nitsabony hoan'ny mijaly. \v 37 Tamin'ny reo andro reo narary izy aveo maty; koafa nagnasa azy zareo, dia napaitraka zareo tao amin'ny efitragno agnambo izy.

1
09/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Satria afa narikitry Lydia i Jopa, avakeo naharegny reo mpianatra fa tao Petera, dia nandaifa ôlogno aroa tagny aminjareo, niangavigny azy: "Tongava moa akagny aminay tsisy hatak'andro." \v 39 Nitsangagna Petera ary nandaiha niaraka taminjareo. Koafa tonga izy, dia ninday azy tao amin'ny efitry agnambo zareo, aveo ny mpitondra taigna jiaby nitsangagna tankilany nitomoagny, nagnaboaka azy ankanjo ndraiky ny lamba zay nitsabon'ny reo Dorkasy tamin'izy niaraka taminjareo.

1
09/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Nalaifan'i Petera tagny ambailan'ny efitry izy jiaby, nandongoalitry, ary nivavaka; avakeo nitodiky tamin'ny lehy razagna, nivaolagna izy nagnanjao: "Tabita, mitsangàna."\v 41 Dia nanaokatra masony izy aviteo, ary nahita Petera izy dia niarigny. Avakeo nanôlo-tagnagna azy Petera ary nampitsangagna azy; ary koafa nagnantso reo mpino ndraiky reo mpitondra taigna izy, dia naboakany taminjareo ny fahavilaomany.\v 42 Nanjary hay nagnairagna Jopa jiaby zany raha zany, aveo ôlogno maro no nino ny Tompo.\v 43 Tamin'ny zany Petera dia nidôko andro maromaro niaraka tamin'ny lehy lalahy araiky antsôvigny hoe Simona tao Jopa, zay mpandoko hôditry.

1
09/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko Faha 9

1
10/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Ary nisy lalahy araiky tao amin'ny tanagnan'ny Kaisaria, ata hoe konelio, kapitenin'ny reo antoko Miaramila Italiana.\v 2 Lalahy mpivavaka izy, lehy araiky zay midaira Zagnahary miaraka amin'ny fianakaviany jiaby; nagnamia vaola maro reo zay tao agnatin'ny tsy fahampiagna izy, ary nivavaka lalandava tamin-Jagnahary.

1
10/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Koafa lôsogno lehy anjely zay nikoragna taminazy, dia nagnatso ny aroa tamin'ny mpanompony tao an-tragnony i Kornelio, aveo miaramila mpivavaka araiky tamin'ny reo zay nanompo azy. \v 8 Kornelio nagnambara taminjareo zay jiaby nitranga avakeo nandaifa zareo tagny Jopa.

1
10/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Dia nisy feo nivaolagna taminazy nagnanjao: "Mitsangàna, Petera, mamono aveo mihinàna." \v 14 Fao Petera nivaolagna nagnanjao: "Tsia, Tompo; fao mbôla tsy nihinagna raha zay voarara ndraiky tsy madio velively zaho." \v 15 Naifa tonga taminazy fagnindroany ndremandaiha lehy feo nagnanjao: "Zay nidiovin-Jagnahary, dia tsy antsôvigny hoe fady." \v 16 Niboaka in-telo zany; ary teo lehy fikajiagna dia nimpôdy nakatra samby teo tagny an-dangitry.

1
10/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Ary koafa very hevitry mahakasiky ny dikan'ny lehy fahitagna zay hitany Petera, tô, reo lalahy zay nalaifan'i Kornelio nitsangagna nagnoloagna tamiagna, aveo zareo nagnontany zay lalan-jareo magnao an-tragno.\v 18 Dia nagnantso zarel avakeo nagnontany Simona, nantsôvigny faogna koa hoe Petera, zay nijanogno teo.

1
10/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Raha mbôla nieritreritry mahakasiky lehy fahitagna Petera, nivaolagna tamin'ny Fagnahy nagnanjao: "Tô, lalahy telo no mizaha anao. (Fagnamarihagna: Ny amin'ny dikan-teny talaoha nagnanjao: "Lalahy aroa no mitady anao'' na ''misy lalahy sasantsasany mitady anao.) \v 20 Mitsangàna aveo mijotsoà kay miaraha amin-jareo. Aza misalasala miaraka aminjareo, satria zaho no nagnandaifa zareo. \v 21 Aveo Petera nijôtso tagny amin'ny reo lalahy reo kay nivaolagna nagnanjao: "Zaho lehy zahavanareo. Ino antony navianareo?"

1
10/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Hoizy zareo: "Ny kapiteny antsôvigny hoe Kornelio, lalahy marigny ary ôlogno zay midaira Zagnahary, aveo tsara laza akagny amin'ny firenenen'ny Jiosy jiaby, zay nikoragnin'ny anjely masin-Jagnahary mbô halaka anao hoagny an-tragnonazy, noho zany dia afaka mitandregny ny hafatra avy aminao izy.''\v 23 Dia nagnasa zareo hiditry ndraiky hijanogno hiaraka aminazy Petera. Ny amaraigny igny nitsangagna izy kay niaraka taminjareo, avakeo ny sasany tamin'ny reo rahalahy avy akagny Jopa dia nagnaraka azy.

1
10/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Raha mbôla nikoragna niaraka taminazy i Petera, niditry izy ary nahita ôlogno maro niara-nivôry. \v 28 Hoizy izy tamin-jareo: "Ny haigninareo mahay fao tsy ara-dalà amin'ny Jiosy ny miara-miasa na mamangy ôlogno avy amin'ny firenena hafa. Fao Zagnahary nahiregny taminaha fao tsy tôkony hagnantso ôlo-pady na tsy madi zaho. \v 29 Zany no antony nahatongavako tsisy fanakatsakanagna, koafa nirahiny zaho. Kay magnontany areo zaho magnanjao nagino areo magniraka zaho."

1
10/39.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 39 Atsika antomoan'ny reo raha vitan'i Jesôsy jiaby, tagny amin'ny tanin'ny Jiosy ndraiky tagny Jerosalema. Nivonon-jareo izy tamin'ny alalan'ny fagnantaogna azy teo amin'ny kakazo, \v 40 fao Zagnahary nanangagna azy tamin'ny andro fahatelo aveo nagnano zay hahitagna azy, \v 41 tsy reo ôlogno jiaby, fao reo antomoa zay voafidin-Jagnahary mialaoha-tamintsika zay nihinagna ndraiky nigiaka niaraka taminazy tafaran'ny nitsanganany tamin'ny maty.

1
10/46.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 46 Fao regnin-jareo reo Jentilisa zay mivaolagna amin'ny reo fivolagnagna hafa ndraiky mankalaza Zagnahary. Dia namaly Petera:\v 47 Moa misy ôlogno afaka mitagna rano mbô tsy hanaovagna batisa zareo, reo ôlogno zay nalaka ny Fagnahy Masigny karaha atsika koa? \v 48 Dia nagniraka zareo mbô ho tsabogny batisa amin'ny agnaran'i Jesôsy Kristy izy. Aviteo nangataka azy zareo mbô hibidôko hiaraka amin-jareo mandritry ny andro vitsivitsy.

1
10/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko Faha 10

1
11/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Ary reo apostoly ndraiky reo rahalahy zay tagny Jodia naharegny fao reo Jentilisa faogna koa nalaka Vaolagna Zagnahary.\v 2 Koafa nakatra tagny Jerosalema Petera, reo zay tao amin'ny antokony reo voafora dia nanakagna azy; \v 3 hoizy zareo: "Anao nikambagna niaraka tamin'ny reo lalahy tsy voafora sady nihinagna niaraka taminjareo!"

1
11/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Fao Petera nanomboko nagnazava ny raha nisy taminjareo tamin'ny antsipiriany; hoizy izy nagnanjao: \v 5 "Nivavaka tagny amin'ny tanàgnan'ny Jopa zaho, aveo nahita fahitagna ny amin'ny fisin-draha araiky zay nijôtso, karaha lamba gaida nahidigny avy akagny an-dangitry tamin'ny reo zôrony aifatra zaho. Nijôtso taminaha zany. \v 6 Niatriky zany zaho avakeo nandinindiniky mahakasiky zany. Nahita reo biby manan-kongotro aifatra ny tany, reo biby dia, reo biby mandady, ary reo vôrogno egny amin'ny langitry zaho.

1
11/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Raha voh nanomboko nivaolagna taminjareo zaho, ny Fagnahy Masigny tonga taminajareo, karaha ny nijotsoany taminay tagny am-boalaohany. \v 16 Tsaroako ny vaolagna Tompo, ny nivolagniny nagnanjao: "Jaona nitsabo batisa tamin'ny rano tatô be; fao areo mila tsabogny batisa ao amin'ny Fagnahy Masigny."

1
11/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Reo vava mahakasiky zareo dia tonga tegny an-tsôfignin'ny fiangonagna tao Jerosalema, ary zareo nagniraka Barnabasy zisiky Antioka.\v 23 Koafa tonga izy kay nahita fagnomaizan-Jagnahary, dia ravoravo izy; ary izy nampahery azy jiaby mbô hibidôko miaraka amin'ny Tompo amin'ny fônjareo jiaby.\v 24 Satria izy lalahy tsara salakady feno Fagnahy Masigny ndraiky finoagna, ary ôlogno maro no nisôsoko hoan'ny Tompo.

1
11/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Dia nandaiha nagnagny Tarsosy i Barnabasy mbô hizaha Saoly. \v 26 Koafa hitany izy dia nindesiny tagny Antioka. Aveo nandritra ny herintaogno piky zareo niara-nivôry tamin'ny fiangonagna aveo nampianatra ôlogno maro. Reo mpianatra dia nantsôvigny hoe kristiana tao Antioka.

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More