txy_2ch_text_reg/30/07.txt

1 line
755 B
Plaintext

\v 7Aoky handrareo sy hitovy amigny razambendrareo na gny rahalahindrareo, ze nanota tamin'i Yaveh, gny zagnahariny gny razamben'ereo, dra nandringanany anereo, araky gny hitandrareo. \v 8Dra ka maheriloha, manahaky reo razambendrareo; fa koa, manolora tegna ho an'i Yaveh handrareo dra midira ao amigny fitoerany masy, zefa nihamasininy mandrakizay, dra manopoa an'i Yaveh zagnaharindrareo ba hiala amindrareo gny firehetanigny fahatezerany. \v 9Fa raha mihery amin'i Yaveh handrareo, dra hahita fangoraha-po manoloa an'ireo ze ninday anereo ho gadra gny rahalahindrareo vo gny zanandrareo, dra hihery amity tany tihoky ereo. Fa Yaveh zagnaharindrareo, dra mahari-po vo mamindra fo, dra sy hagnavony gny tavany amindrareo, raha mihery aminazy handrareo."