txy_2ch_text_reg/29/15.txt

1 line
748 B
Plaintext

\v 15Namory reo rahalahiny ereo, dra nagnamasy gny vatany, dra nilisy, araky gny nandidianigny pazaka, tamigny fagnaraha reo zakan'i Yaveh, ba hagnalio gny tragnon'i Yaveh. \v 16Nilisy tao amigny efisy agnatinigny tragnon'i Yaveh reo pisoro ba hagnalio anizay; nandesin'ereo niboaky gny loto aby ze hitany tao atepolin'i Yaveh tao akiazanigny tragno. Nalan'ireo Levita zay ba hangala anizay ao an-dohasakan-driakin'i Kidrona. \v 17Dra natombok'ereo gny fagnamasigna tamigny andro volohanigny vola volohany. Dra tamigny andro fahavolohanygny vola dra nihazo teo amigny lavarangin'i Yaveh ereo. Dra nandrisy gny valo andro hafa avo koa dra nagnamasy gny tragnon'i Yaveh ereo. Tamigny andro fahaenina ambiny folonigny vola volohany dra vitan'ereo zay.