2020-12-02 19:19:05 +00:00
|
|
|
\v 3 "Jiosy iaho, teraky te Tarsosy agny Kilikia agny, fa be tam'ty tanà 'ty tetoa iaho, t'ambanin'ny Gamaliela. Napenary gne fomba sy gne lalàna mikasiky gne razatsika iaho. Sady lahateo koa da olo nafana fo iaho gne tamin'Andriamanitry, da akô gne aninareo am'zao io evakoa. \v 4 Nagnejiky en'io lalàna io atram'farany iaho, nogadrako sady nofieziko indreo, nidiako agny amè tragno figadrà na lelahy izany na viavy, \v 5 ary gne mpisoro sy gne loholo agnaby da afaky mijoro vava velo etoa fa nahita an'zany. Nahazo taratasy avy tam'ndreo iaho ho an'gne rahalahy mipetraky agny Damaskosy, da lasa tokôtry ninday endreo miaraky amè rozy vy ho agny Jerosalema fa ho gadrà indreo.
|