tdx_luk_text_reg/14/15.txt

1 line
438 B
Plaintext

\v 15 Rehefa naheno ireo zavatra ireo ny iray tamin'ireo niray latabatra tamin'i Jesosy, dia niteny taminy izy hoe: ''Sambatra izay hihinana ny mofo ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra!'' \v 16 Fa Jesosy niteny taminy hoe: ''Nisy lehilahy iray nikarakara sakafo lehibe ary nanasa olona maro. \v 17 Rehefa voakarakara ny sakafo, dia naniraka ny mpanompony izy hiteny an'ireo izay nasaina hoe: 'Mandrosoa, fa ny zava-drehetra dia efa vonona.'