plt-x-tanala_num_text_reg/04/15.txt

1 line
738 B
Plaintext

\v 15 Laha avy nanarogna tanteraka ny toerana masina sy ny fitôvam-pesana abiaby niaraka tamin'ijay i Arona sy ny janagne lahy, sady laha mifindra toerana ny toby, die tsy mentsy magnariny mba hibata ny toerana masina ny taranak'i Kehata. Laha mikitike ny fitôvana masina areo, die tsy mentsy maty. Ijao ny asan'ny taranak'i Kehata, die ny mibata ny fanaka ao amin'ny tragno lay fihôgnana. \v 16 Eleazara janaka lahin'i Arona mpisorogna ny magnara-maso ny fikarakarana ny solika hôn'ny fagnilo, ny ditin-kajo magnitre, ny fagnatitra voa mahajatre, ary ny diloilo fagnosotre. Magnara-maso ny fikarakarana ny tabernakely manontolo sy ijay abiaby ao agnatin'ijay ijy, die ny toerana masina sy ny fitôvam-pesana abiaby miaraka amin'ijay.