plt-x-tanala_num_text_reg/01/01.txt

1 line
649 B
Plaintext

\v 1 Nivoria tamin'i Mosesy teo amin'ny tragno lay fihôgnana tagne an-tany efitr'i Sinay i Yaveh. Nipoitre ijany tamin'ny andro vôlohane tamin'ny volagna faharoe nandritra ny taogna faharoe tafaran'ny nivoahan'ny fokon'olon'Israely laha tagne amin'ny tany Egypta. Hoy Yaveh: \v 2 "Mitarita fagnisam-pokon'olo amin'ny lelahin'Israely abiaby isan-tokone, ao amin'ny havan'iaban-dreo. Isay amin'ny agnarane areo. Isay ny lelahy abiaby, ny lelahy kiraidraike aby \v 3 ijay rôpolo taogna na mihôtre. Isay aby ireo ijay afaka miady ho miaramila hôn'Israely. Ôka hiriketinao sy Arona an-tsoratre ny isan'ny lelahy amin'ny vondron-dreo mitam-pediana.