plt-x-tanala_num_text_reg/07/01.txt

1 line
805 B
Plaintext

\v 1 Tamin'ny andro nahefan'i Mosesy ny tabernakely, die nosorane ijay ka natokagne hôn'i Yaveh, niaraka tamin'ny fanaka abiaby. Natane manahaka an'ijay mandy koa ny alitara sy ny fanaka abiaby. Nosarane ijay ka natokagne hôn'i Yaveh. \v 2 Tamin'ijay andro ijay die nagnome sorogna ny mpitarik'Israely, sy ny lohan'ny havan'ny rajambene. Ireo lelahy ireo ny nitarika ny foko. Areo ny nagnara-maso ny fagnisana olo tamin'ny fagnisam-pokon'olo.\v 3 Nindôsin-dreo teo agnatrehan'i Yaveh ny fagnatitran-dreo. Nitondra sarety misarogna enina sy ahomby roe ambin'ny folo areo, ka ny mpitarika kiraidraike die nitondra ahomby raike. Nitondra sarety raike isaky ny mpitarika roe aby areo, ka ny mpitarika kiraidraike die nitondra ahomby raike aby. Naterin-dreo teo agnatrehan'ny tabernakely io raha abiaby io.