\v 1 Nivoria tamin'i Mosesy sy Arona i Yaveh. Hoy ijy hoe: \v 2 "Manôva fagnisana an'ireo lelahin'ny taranak'i Kehata eo amin'ny Levita,araka ny fokon-dreo sy ny rajamben'ny havan-dreo. \v 3 Isay ny lelahy abiaby ijay telopolo hatamin'ny dimampolo taogna. Ireo lelahy ireo die tsy mentsy magnatevin-daharana ny antoko mba hanompo ao amin'ny tragno lay fihôgnana. \v 4 Ny taranak'i Kehata die tsy mentsy mikarakara ny raha masina indrindra natokagna hôn'Ahe ao amin'ny tragno lay fihôgnana.