Thu Jul 13 2023 11:24:21 GMT-0400 (Eastern Daylight Time)

This commit is contained in:
jdwood 2023-07-13 11:24:21 -04:00
commit 15030ebc63
111 changed files with 287 additions and 0 deletions

1
01/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Tamin'ny volana fahavalo tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, de avy tamin'i Zakaria zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, mpaminany, ny tenin'i Yaveh, manao hoe: \v 2 "Tezetra be tamin'ireo razambenao i Yaveh! \v 3 Tarony reo hoe:'zao ro taronin'i Yaveh Tompon'ny maro: Mitodiha Aminahy! izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro de hitodika aminareo Aho, hoy Yaveh Tompon'ny maro.

1
01/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Aoka agnareo tsa hitovy amin'ny razambenareo izay nantsoin'ireo mpaminany taloha, manao hoe:"Izao ro taronin'i Yaveh Tompon'ny maro: Mialà amin'ny lalan-dratsinareo sy ny fampiharan-dratsinadreo!" Fa tsa nitaigno reo ary tsa niraharaha Anahy izay ro fanambaran'i Yaveh.' \v 5 Ireo razambenareo, aia reo? Aia reo mpaminany, eto mandrakizay ve reo? \v 6 Fa reo taroko sy reo lalàko ze nandidiko an'ireo mpaminany mpanompoko, tsa efa nahatratra reo razambenareo ve reo? Koa nibebaka reo ary nanao hoe:' Araka izay efa nalahats'i Yaveh Tompon'ny maro hatao aminay izay mendrika ireo lalanay sy reo asanay, ro nataony taminay.""

1
01/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Tamin'ny andro fahetsa amby roapolo tamin'ny fahiraika amin'ny folon'ny volana, izay volan'ny Sebata, tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa, de avy tamin'i Zakaria, zanaka lahin'i Berekia zanaka lahin'Ido, ilay mpaminany, ny taron'i Yaveh, manao hoe:\v 8 "Nahita tamin'ny aligna aho, ary indro! nisy liaka raika nitaingina soavaly mena, ary teo amin'ny hazo rotsa izay teo amin'ny lohasaha i; ary tafarany de nisy soavaly fotsy." \v 9 Hoy aho hoe:"inona ireo raha ireo, ry Tompo?" Sy ateo de nisy anjely raika niresaka taminahy nanao hoe:"Ho atoroko agnao hoe inona ireo raha ireo."

1
01/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Ary nilay liaka izay nitsangana teo amin'ny hazo rotsa namaly ary nitarogna hoe:"Ireo ro nalefan'i Yaveh mba hirenireny manerana ny tany." \v 11 Namaly ilay anjelin'i Yaveh izay nitsangana teo amin'ny hazo rotsa reo; hoy reo yaminazy hoe:"Efa nirenireny nanerana ny tany agnay; indro, ny tany aby de vana mitoatsa sy mitsahatra."

1
01/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 De namaly ilay anjelin'Yaveh ary nitarogna hoe: "Ry Yaveh Tompon'ny maro, mandra-pahoviana ro hanehoanao tsa fangoraham-po amin'i Jerosalema sy amin'ireo tanànan'ny Joda izay efa niaritsa fahatezerana izay fitopolo taogna izay?"\v 13 Namaly ilay anjely izay nitarogna taminahy, tamin'ny teny soa, teny fampaherezana i Yaveh.

1
01/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Ka nitarogna ilay anjely izay niresaka taminahy hoe: "Mikeha mafy ary mitarogna hoe: 'Izao ro taronign'i Yaveh Tompon'ny maro: Saro-piaro tamim-pitiavana lihibe tamin'i Jerosalema sy tamin'i Ziona Aho! Romotsa mafy amin'ireo firenena izay ao agnatin'ny fitomaniandreo Aho. \v 15 Lehe vana romotsa kely tamindreo Aho, de vao mainka nampaharatsy ny fahoriana reo.

1
01/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 ho izay de izao ro tarogn'i Yaveh Tompon'ny maro: Efa nipody tamin'i Jerosalema tamim-pamindram-po Aho. Ho voaorina ao agnatiny ny tranoko-izay ro tarogn'i Yaveh Tompon'ny maro-ary ny famolaina de ho henjanina amin'i Jerosalema!' \v 17 Mikeha mafy ndraika, manao hoe:'Izao ro tarogn'i YAveh Tompon'ny maro: Ho tondraka soa ndraika ireo tanànako, ary hampahery an'i Ziona ndraika Yaveh, ary hifidy an'i Jerosalema ndraika I."'

1
01/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 De nanandratsa ny masoko aho ary nahita tandroka efatsa! \v 19 Niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka taminahy aho hoe: "Inona reo?" Namaly anahy i hoe: " Ireo ro tandroka izay efa nanaparitaka an'i Joda, Israely, ary Jerosalema."

1
01/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 Sy ateo de nampiseho mpanao asa tanana efatsa taminahy i Yaveh. \v 21 Hoy aho hoe: ''Inona ro anton-dian'ireo ona reo?'' Namaly I, ary nitarogna hoe: '' Ireo ro tandroka izay nanaparitaka an'i Joda mba tsa hisy ona afaka hanandratsa ny lohany. Fa ireo ona ireo de avy mba handroaka andreo, mba handrava ireo tandrok'ireo firenena izay nanandratsa tandroka manohitsa ny tanin'i Joda mba hanaparitaka anazy."

1
01/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko 1

1
02/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Manaraka izay de nanandratsa ny masoko aho ary nahita liaka niaraka tamin'ny tady fandrefesana teny an-tanany. \v 2 Hoy aho hoe: "Andeha ho aia roa agnao?'' De hoy i taminahy hoe: ''Handrefy an'i Jerosalema, hamaritsa ny sakany sy ny halavany."

1
02/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 De roso ilay anjely izay niresaka taminahy ary ny anjely hafa nivoaka mba hitsena anazy.\v 4 Hoy ilay anjely faharoa taminazy hoe: ''Mihazakazaha ary miresaha amin'iny liaka iny; tarogny hoe: 'Hitoatsa eo amin'ny tanàna misokatsa i Jerosalema nohon'ny hamaroan'ny ona sy ireo biby ao aminazy.\v 5 Fa iaho-izay ro fanambaran'i Yaveh-de ho tonga manda afo manodidina anazy, ary ho voninahitsa eo afovoany Aho.

1
02/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Malaky! Malaky! Milefasa hatagny amin'ny tany avaratsa-izay ro fanambaran'i Yaveh-fa Iaho efa nampiely agnareo toy ny rivotsa efatsy ny lagnitsa!-Izay ro fanambaran'i Yaveh. \v 7 Eh! Milefasa mankany Ziona, agnareo izay mitoatsa miaraka amin'ny zanaka vavin'i Babylona!"'

1
02/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Fa tafaran'ny nanomezan'i Yaveh Tompon'ny maro voninahitsa anahy sy nandefasany anahy hanohitsa ireo firenena izay nandroba agnareo-fa na ia na ia mikasika agnareo, de mikasika ny anakan-driamason' Andriamagnitsa!-sy avy nanao izay Yaveh, de hoy i hoe: \v 9 "Iaho mihitsy ro haninjitra ny tanako amindreo, ary de ho babo ho an'ireo andevo reo." De ho fantatsareo fa i Yaveh Tompon'ny maro ro naniraka anahy.

1
02/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Mihirà ho amin'ny fifaliana, ry zanaka vavin'i Ziona, fa Iaho mihitsy ro ho avy sy hitoby eo aminareo!-izay ro fanambaran'i Yaveh."\v 11 Sy ateo reo firenen-dehibe hiaraka amin'i Yaveh amin'izay andro izay. Hoy i hoe: "Ary de ho lasa vahoakako eo ampovoanareo Aho," ary ho fantatsareo fa Yaveh Tompon'ny maro ro naniraka anahy ho eo aminareo.

1
02/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Fa Yaveh hampandova an'i Joda dekoa ny fananany ara-drariny any amin'ny tany masina ary hifidy ndraika an'i Jerosalema ho anazy. \v 13 Aza mitarogna, eo anatrehan'i Yaveh, aby ry nofo, fa nitsangana hatagny amin'ny toerna masina I!

1
02/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 2

1
03/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Sy ateo Yaveh nampiseho anahy an'i Josoa ilay mpisoronabe izay nijoro nanooloagna ny anjelin'i Yaveh sy Satana nijoro teo an-tanan-kavanany mba hiampanga anazy ho nanota.\v 2 Hoy ilay anjelin'i Yaveh tamin'i satana hoe: "Hitarogna mafy agnao anie Yaveh, ry Satana; Yaveh, izay nisafidy an'i Jerosalema anie, hitarogna mafy agnao! Moa tsa forohana nosarihina tamin'ny afo ve ito?"\v 3 Niakanjo fitafiana maloto Josoa lehe nijoro teo anoloan'ilay anjely.

1
03/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Nilaza ilay anjely ary nitarogna tamindreo ze nijoro teo anoloany hoe: "Esory aminazy ireo akanjo maloto." De hoy i tamin'i Josoa hoe: "Indro! efa nesoriko taminao ny helokao ary hampiakanjoako akanjo soa agnao." \v 5 Hoy i hoe: "Aoka ireo hametraka hamama madio eo an-dohany!" De nametraka hamama madio teo ambony lohan'i Josoa reo ary nampiakanjo anazy tamin'ny akanjo madio lehe nijoro marigny an'ilay anjelin'i Yaveh.

1
03/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Sy ateo ilay anjelin'i Yaveh nibaiko am-pahamatorana an'i Josoa de nitarogna hoe:\v 7 "Izao ro tarognin'i Yaveh Tompon'ny maro: Lehe nandeha amin'ny lalako agnao, ary lehe nitandrigna ireo didiko agnao, de hifehy ny ao an-dranoko agnao ary hiambigna ny kianjako, satria havelako handeha sy hiditsa eo amindreo izay mijoro manoloana Anahy reo agnao.

1
03/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Tainò, ry Josoa mpisoronabe, agnao sy reo namanao izay monina miaraka aminao! Fa famantarana ireo ona ireo, satria Iaho mihitsy ro hampiakatra ny mpanompoko ilay Rantsagna. \v 9 Ary Jireo ilay vato izay napetrako eo anoloan'i Josoa. Misy maso fito ao amin'io vato tokana io, ary hanao sokitsa soratsa Aho-izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro-ary hanala ny fahotana amin'ity tany ity ao anatin'ny andro raika Aho.

1
03/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Amin'izay andro izay-izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro- ny ona tsiraidraika de hanasa ny mpiara-belogna aminazy mba hitoatsa ambanin'ny voalobony sy ambanin'ny hazon'aviaviny."

1
03/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 3

1
04/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Sy ateo nitodika ary nanaitsa anahy dekoa ona tairina amin'ny torimasony ilay anjely izay niresaka taminahy. \v 2 Hoy i taminahy hoe: "Inona ro hitanao?" De hoy aho hoe: "Mahita fanaovan-jiro vita amin'ny volamena tanteraka aho, miaraka amin'ny fitoeran-diloilo eo an-tampony. Misy lela fanaovan-jiro fito eo amin'izay ary misy fantsona fito eo an-tampon'ny lahin-jiro tsiraidraika.\v 3 Misy hazon'oliva roa eo anilan'izay, raika eo amin'ny ilany amin'ny tanan-kavanan'ny fitoeran-diloilo ary ilay hafa eo amin'ny ilany an-kavia."

1
04/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Noho izay de niresaka tamin'ilay anjely izay niresaka taminahy ndraika aho. Hoy aho hoe: "Ina ro dikan'ireo raha ireo, ry Tompoko?"\v 5 Namaly anahy lay anjely izay niresaka taminahy ary nanao taminahy hoe: "tsa fantatsa ve ny dihan'ireo raha ireo?" De hoy aho hoe: "tsia, ry tompoko."

1
04/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Noho izay de hoy i taminahy hoe: "Izao ro tarogn'i Yaveh tamn'i Zerobabelo: Tsa amin-kery na amin'ny tanjaka, fa amin'ny Fagnahiko, hoy i Yaveh Tompon'ny maro.\v 7 Ina moa gnao, ry tendrombohitsa lihibe? Ho avy tany lemaka eo anoloan'i Zerobabela agnao, ary hitondra ny vato atao tendrony i mba hihiaka hoe: "Fahasoavana! Fahasoavana ho amin'izay!"'

1
04/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Tonga taminahy ny tarogn'i Yaveh, nanao hoe: \v 9 "Nametraka ny fototr'ity trano ity ny tanan'i Zerobabela ary hanefa izay ny tagnany. De ho fantatsao fa Yaveh Tompon'ny maro ro naniraka anahy ho aminao.\v 10 Ia ro nanao tsinontsinona ny andron'ireo raha kely? Hiravo ireo ona ireo ary hahita ny vato pilao eny an-tanan'i Zerobabela. (Ireo lahin-jiro fito ireo ro masin'i Yaveh izay mizaha an'izao tontolo izao.)" \v 11 Sy ateo de nanontagny an'ilay anjely aho hoe: "Ina reo hazon'oliva roa izay mitsangana eo an-kavia sy an-kavananan'ny fanaovan-jiro ireo?"

1
04/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Nanontany anazy ndraika aho hoe: "Ina ireo sampan-kazon'oliva roa marigny ireo fantsona volamena roa izay misy diloilo volamena miaraka aby eo amindreo?" \v 13 Sy ateo de hoy i taminahy hoe: "Tsa fantatsa ve hoe ina reo?" Hoy aho hoe: "Tsia, tompoko."

1
04/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Noho izay de hoy i hoe: "ireo ro zana-diloilo vao izay mitsangana manoloagna ny Tompon'izao tontolo aby izao."

1
04/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 4

1
05/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 De nitodika aho ka nampiandrandra ny masoko, ka nahia, iny, horonan-taratasy mitsidina! \v 2 Hoy ilay anjely taminahy hoe: "Ina ro hitanao?" De namaly aho hoe: "Horonan-taratasy mitsidigna ro hitako, roapolo hakiho ny halavany ary folo hakiho ny sakany."

1
05/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 De hoy i taminahy hoe: "Ity ro ozena izay mivoaka eran'izao tontolo izao, fa ny mamgalatsa de hofongorina aby manomboka izao izay mifitotsa amin'izay lazainy amin'ny andaniny, ary izay aby milaza fianianana diso de ho fongorina izay mifototsa amin'izay lazainy amin'ny ankilany, araka ny tarondreo.\v 4 "Ho avoakako izay-izay ro fanambaran'i Yaveh Tompon'ny maro- koa hiditsa ao an-tranon'ny mpangalatsa sy ao an-dragnon'izay mianiana diso amin'ny agnarako izay. Hitoetsa ao an-dragnony izay ary hanimba ny hazony sy ireo vatony."

1
05/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 nivoaka ilay anjely niresaka taminahy ary nitarogna hoe: "Asandrato ny masonao ka jireo izay avy eo" \v 6 De hoy aho hoe: "Ina iny?" De hoy i hoe: "Harogna misy efaha iny avy iny. Inty aby ro helokandreo amin'ny tany manontolo."\v 7 De nalàna tamin'ny harogna ny firaka fandrakofana ary nisy ampela tao ambanin'izay izay nitoatsa tao!

1
05/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 De nitarogna ilay anjely hoe: "Faharatsiagna ity!" Natsipiny tao agnaty harona ndraika i, ary natsipiny teo amin'ny fisokafany ilay firaka fandrakofana.\v 9 Nanakatsa ny masoko aho ary nahita ampela roa magnatona anahy, ary ny rivotsa de teny amin'ny elatrandreo-fa nagnan'elatsa dekoa ny elatsy ny vano reo. Nanandratsa ny harony teo anelanelan'ny tany sy ny lagnitsa reo.

1
05/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Ka nitarogna tamin'ilay anjely aho hoe: "Ho ferindreo aia ny harogna?" \v 11 De hoy i taminahy hoe: "Hanamboaragna tempoly any amin'ny tanin'i Sinara hoa an'izay, ka sy vonona ny tempoly, de hampitoerina any eo amin'ny fototsa voahomana ho anazy ny harona."

1
05/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 5

1
06/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 De nitodika aho ary nananrdratsa ny masoko ka nahita kalesy efatsa nivoaka avy tanelanelan'ny tendrombohitsa roa; ary ireo tendrombohitsa roa ireo de vita avy tamin'ny varahina.\v 2 Ny kalesy voalohany de nanana soavaly mena, ny kalesy faharoa de nanana soavaly mainty, \v 3 ny kalesy fahatelo nanana soavaly fotsy ary ny kalesy fahefatsa de nanana soavaly sada fotsy. \v 4 De namaly aho ka nitarogna tamin'ilay anjely niresaka taminahy hoe: "Ina reo, ry tompoko?"

1
06/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Namaly ilay anjely ka nitarogna taminahy hoe: "Ireo ro rivotsa efatry ny lagnitsa izay nivoaka teo amin'ny toeragna ze nitsanganandreo teo anoloan'ilay Tompon'ny tany aby. \v 6 Ilay raika izay miaraka amin'ny soavaly mainty de nivoaka mankany amin'ny firenena avaratsa; ireo soavaly fotsy de mivoaka mankany amin'ny firenena andrefagna; ary reo soavaly sada fotsy de mivoaka mankany amin'ny firenena atsimo."

1
06/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 ireo soavaly matanjaka de nivoaka ary nitady handeha sy hirenireny eny amin'ny tany, ka hoy ilay anjely hoe: "Mandehana mirenireny eny amin'ny tany!" Ary nandeha nirenireny eran'ny tany aby manontolo reo. \v 8 De nitaraina taminahy i ka niresaka ary nanao hoe: "Jireo ireo ze mivoaka ho any amin'ny firenena avaratsa; hamoitony ny fagnahiko mahakasika ny firenena avaratsa reo."

1
06/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Ary avy taminahy ny tenin'i Yaveh, manao hoe:\v 10 "Makà fanatitsa amindreo tany an-tsesitany-ary any Helday, Tobia, ary Jedaia- ary mandehana amin'izay andro izay koa ary alao ao an-dragnon'i Josia zanak'i Zefania, izay avy tany Babylona izay.\v 11 De alao ny volafotsy sy volamena, manaova satro-boninahitsa ary apetraho eo amin'ny lohan'i Josoa zanaka lahin'i Jozadaka, ilay mpisoronabe izay.

1
06/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Miresaha aminazy ary tarogny hoe: 'Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro:" Ity liaka ity, ny agnarany de Rantsagna! Hitombo eo amin'ny misy anazy i sady hanorina ny tempolin'i Yaveh!\v 13 I ro hanorina ny tempolin'i Yaveh ary hanandratsa avo ny famirapiratan'izay; de hitoatsa sy hanapaka eo amin'ny seza fiandrianany i ary hisy ny fahazavan-tsain'ny fiadanana eo amindreo roa.

1
06/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Hatoatsa eo amin'ny tempolin'i Yaveh ny satro-boninahitsa an'i Helema, Tobia, sy Jedaia ary ho fahatsiarovana ny hatsaram-panahin'ny zanaka lahin'i Zefania.\v 15 Ary reo ze lavitsa de ho avy sy hanorina ny tempolin'i Yaveh, ka ho fantatsao fa Yaveh Tompon'ny maro ro naniraka anahy ho aminareo; fa hitranga izay lehe tena mitaigno ny feon'i Yaveh Andriamagnitsareo agnareo!"'

1
06/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 6

1
07/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Tamin'i Dariosa mpanjaka ro mpanapaka nandritsy ny efa-taona, tamin'ny andro fahefatsa nanjakan'i Kisleva (izay volana fahasivy), de avy tamin'i Zakaria ny tenin'i Yaveh.\v 2 Nandefa an'i Serezera sy Regema-meleka ary reo ona ny vahoakan'i Betela mba hiangavy anoloan'ny tavan'i Yaveh. \v 3 Niresaka tamin'ireo mpisorona izay tao an-dragnon'i Yaveh Tompon'ny maro sy tamin'ireo mpaminany reo; hoy reo hoe: "Tokony hisaona amin'ny alalan'ny fifadian-kanina ve aho amin'ny volana fahadimy, sahala zay efa nataoko taona maro ireny?"

1
07/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 De avy taminahy ny tarogn'i Yaveh Tompon'ny maro, nanao hoe: \v 5 "Mitarogna amin'ny mponin'ny tany aby sy amindreo mpisorona ka ataovy hoe: 'Lehe nifady hanina sy nisaona tamin'ny volana fahadimy sy fahafito agnareo nandritsan'izay fito taona zay, moa ve nifady hanina ho Anahy tokoa angnareo?\v 6 Lehe nihinana sy nisotro agnareo, moa ve tsa nisotro sy nihinana ho an'ny tenanareo agnareo? \v 7 Moa ve tsa reo teny reo ihany ro nambaran'i Yaveh tamin'ny vavandreo mpaminany taloha, lehe vana nonina tao Jerosalema sy reo tanàna nanodidigna tamin'ny fanambinana ary nitoatsa tao Negeva, sy reo lemaka amoron-tsiraka any andrefana agnareo?"'

1
07/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Avy tamin'i Zakaria ny tarogn'i Yaveh, nanao hoe: \v 9 'Mitsarà amin'ny fitsarana marina, fanekena mahatoky, ary famindram-po. Aoka ny ona tsiraidraika hanao izay amin'ny rahalahiny. \v 10 Ny amin'ny mpitondratena sy kamboty, ny vahiny, ary ny ona mahantra-aza mampahory andreo, ary aoka tsa hisy amonareo hitetika hanisy ratsy ny hafa ao am-ponareo.'

1
07/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 fa nandà ny hataigno reo ary nanamafy ny sorondreo. Nanentsigna ny sofiny reo mba tsa hitaigno.\v 12 Nanamafy ny fony sahala ny vato reo mba tsa hitaigno ny lalàna na reo tenin'i Yaveh Tompon'ny maro. Nandefa ireo hafatsa ireo ho an'ny vahoaka tamin'ny alalan'ny Fagnahiny tamin'ny fotoana taloha, tamin'ny alalan'ny vavan'ireo mpaminany I. Nefa nandà ny nitaigno ny vahoaka, ka nasiaka mafy tamindreo Yaveh Tompon'ny maro.

1
07/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Ary sy nikaika I, de tsa nitaigno reo. Sahala an'izay koa," hoy Yaveh Tompon'ny maro, "ro hikehandreo mafy Anahy, fa tsa hitaigno Aho. \v 14 Fa haboeliko amin'ny tadio any amin'ireo firenena aby ze tsa vana hitany reo, ary ho lao manaraka andreo ny tany. Fa tsa misy ona handalo amin'ny tany na hipody ao amin'izay satria efa namadika ny tanindreo mahafinaritsa ho tany ngazana ny vahoaka."

1
07/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 7

1
08/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 vy taminahy ny terogn'i Yaveh Tompon'ny maro, nanao hoe: \v 2 "Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Tea fatratsa an'i Ziona amin'ny zotom-po lihibodaka Aho ary saropiaro nohon'ny aminazy amin'ny hatezerana lihibodaka Aho!\v 3 Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: hipody any Ziona Aho ary hitoatsa ao afovoan'i Jerosalema, fa efa nokehina hoe ilay Tanànan'ny Fahamarinana i Jerosalema ary ny tendrombohitsin'i Yaveh Tompon'ny maro de hokehina hoe ilay Tembohitsa Masina!

1
08/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Lahy antitsa sy vavy antitsa koa ro ho eny an-dalam-ben'i Jerosalema, ary ny ona tsiraidraika hila tehana ho eny an-tanany satria niha-antitsa i.\v 5 Ho feno tovolahy sy tovovavy milalao eny amin'ireo lalam-ben'ny tanàna.

1
08/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Amin'izay andro izay lehe misy raha tsa hay atao eo imason'ireo vahoaka sisa tavela, de tokony tsa ho hay atao eo imasoko koa ve izay? -izay ro fanambaran'i Yaveh. \v 7 Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Indro, eo an-dalam-panavotagna ny onako amin'ny tany fiposahan'ny masoandro Aho ary eo amin'ny tany filentehan'ny masoandro! \v 8 Fa hitondra andreo hipody Aho, ary hitoatsa ao afovoan'i Jerosalema reo, mba ho vahoakako ndraika reo, ary ho Andriamagnidreo amin'ny marina sy amin'ny fahamarinana Aho!

1
08/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: agnao ze manohy mitaigno reo tarogna sahala izay nivoaka tamin'ny vavan'ny mpaminany sy napetraka ny fototsy ny tranoko-ity tranoko itty, Yaveh Tompon'ny maro: Atanjaho reo tananao mba ho voatsangana ny tempoly. \v 10 Fa talohan'izat andro izay de tsa nisy vokatsa voaangon'ny ona, tsa nisy tombony na ho an'ny ona na ho an'ny biby, ary tsa nisy fiadanana ho an'izay ona mivoaka na miditsa hatagny amin'ireo fahavalo. Efa nampitoatsa ny ona tsiraidraika hanohitsa ny namany Aho.

1
08/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Fa izao izay de tsa ho sahala ny tamin'ny andro taloha, homba ny sisan'ity vahoaka ity Aho-izay ro fanambaran'ny Yaveh Tompon'ny maro. \v 12 Fa hafafy ny voan'ny fiadanana; de hanome ny voany ny hazo voaloboka ary ny tany hanome ny vokam-pamboleny; hanome ny andony ny lagnitsa, fa hampandoaviko izay raha aby izay sisa amin'ity vahoaka ity.

1
08/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 atsa ho an'ireo firenen'ny ozona hafa agnareo, ry taranak'i Joda sy taranak'Israely. Koa de hamonjy agnareo Aho ary ho fitahiana agnareo. Aza matahotsa; aoka hatanjaka ny tananareo! \v 14 Fa izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: sahala ny nanomanaka hanao ratsy aminareo sý nampatezitra Anahy reo razambenareo- hoy Yaveh Tompon'ny maro-ary tsa nileftsa Aho,\v 15 ro hanomanako hanao raha ssoa ndraika ho an'i Jerosalema sy ny taranak'i Joda koa amin'izay andro izay! Aza matahotsa!

1
08/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 eto ro raha ze tsy maintsy hataonareo: Milazà ny marina, ny ona tsiraidraika ain'ny namany. Mitsarà amin'ny marina, rariny, ary fiadanana eo amin'ny vavahadinareo. \v 17 Aza manao fikasan-dratsy ao am-ponareo amin'ny hafa, ary aza mitia fianian-diso-satria mankahala reo raha reo Aho!-izay ro fanambaran'i Yaveh."

1
08/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 De avy taminahy ny tarogn'i Yaveh Tompon'ny maro, manao hoe: \v 19 "Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ny fifadian-kanina amin'ny volana fahefatsa, volana fahadimy, volana fahafito, ary ny volana fahafolo de ho lasa fotoanan'ny fifaliana, firavoravoana, ary fotoana mahafinaritsa ho an'ny taranak'i Joda! Noho izay tiavo ny fahamarinana sy ny fiadanana!

1
08/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 ao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Ho avy ndraika ny vahoaka, na de reo izay monina amin'ireo tanàna maro samihafa aza. \v 21 Handeha ho any amin'ny tanàna hafa ny mponin'ny tanàna ka hanao hoe: "Aoka handeha malaky eo anoloan'i Yaveh tsika ka hitady an'i Yaveh Tompon'ny maro! Handeha ihany tsika.\v 22 Vahoaka be sy firenena mahery be ro ho avy hitadia an'i Yaveh Tompon'ny maro any Jerosalema ary hiangavy ny fankasitrahan'i Yaveh!

1
08/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Izao ro lazain'i Yaveh Tompon'ny maro: Amin'izay andro izay de liaka folo hatagny amin'ny fiteny sy firenena aby ro hiazona ny sisin'ny akanjonao ary hitarogna hoe: 'Aoka hiaraka aminao agnay, fa efa renay fa momba agnao Andriamagnitsa!"'

1
08/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 8

1
09/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Izao ro fanambaran'ny tarogn'i yaveh momban'ny tanin'i Hadraka sy Damaskosy. Fa ny mason'i Yaveh de amin'ny olombelogna aby, ary koa amin'ny fokon'Israely aby.\v 2 Ity fanambarana ity koa de momban'ny an'i Hamata, ze mifanolotsa amin'i Damaskosy, ary momba an'i Tyro sy Sidona izay, na de tena hendry aza reo.

1
09/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Efa nanorina fiarovana mafy ho an'ny tenany i Tyro ary nanangona volafotsy sahala ny vovoka sy volamena voadio sahala ny fotaka eny an-dalama. \v 4 Indro! hanafoana anazy Andriamagnitsa ary hanimba ny tanjany an-dranomasina, mba ho levon'ny afo i.

1
09/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Hahita i Askelona ka hatahotsa! Hangovitsa mafy koa i Gaza! Ekrona, ho foana ny fanantiniany! Ho faty any Gaza ny mpanjaka, ary i Askelona de tsa hisy mponina koa! \v 6 Hanao ny tranony ao Asdoda reo vahiny, ary hanafoana ny fireharehan'ireo Filistina Aho. \v 7 Fa hanala ny ràndreo avy eo amin'ny vavany Aho ary fahavetavetandreo eo anelanelan'ny nifiny. Ary de ho lasa sisa ho an'Andria,agnitsika sahala ny foko any Joda reo, ary Ekrona de ho lasa sahala reo Jebosita.

1
09/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Hitoby manodidina ny taniko Aho mba hanohitsa reo miaramilan'ny fahavalo ka tsa hisy na raika aza afaka mandroso na mipody, fa tsa hisy mpampahory handalo eo amin'izay koa. Fa zao de hiambina ny taniko amin'ny masoko Aho!

1
09/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 hobia amin'ny fifaliam-be, ry zanaka vavin'i Ziona! Mihobia am-pifaliana, ry zanaka vavin'i Jerosalema! Indro! Avy amim-pahamarinana aminao ry mpanjaka ary manavotsa agnao. Manetry tena i ka mitaingina eo amin'ny boriky, eo ambony zana-boriky. \v 10 Ary ho foanakony kalesy hatagny Efraima sy ny soavaly hatagny Jerosalema, ary ny tsipìka de ho foanana amin'ny ady; fa hilaza fiadanana amin'ireo firenena i, ary ny fanapahany de ho avy amin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina, ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faravazan-tany!

1
09/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 he ny aminareo, nohon'ny ràn'ny fanekeko ao aminareo, de hafahako aby ao an-davaka izay tsa misy rano ireo gadranareo. \v 12 Mipodiana any amin'ny fiarovana mafy, ry gadran'ny fanantiniana! Eny na de androany aza de manambara Aho fa hanohitsa avo roa heny aminareo,\v 13 fa efa nanenjana an'i Joda ho tsipìkako Aho. Efa namahana ny zana tsipìkako tamin'ny Efraima Aho. Efa nanaitra ireo zanakareo lahy Aho, ry Ziona, hanohitsa reo zanakareo lahy, ry Grisia, ary efa nanao agnareo sahala ny sabatsy ny mpiady Aho, ry Ziona!

1
09/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Hipoitra amindreo Yaveh, ary hitifitsa sahala ny tselatra ny tsipìkany! Fa Yaveh Tompoko hitsoka trompetra ary handroso avy ami'ny tafio-drivotsa hatagny Temana.\v 15 Yaveh Tompon'ny maro ro hiaro andreo, ary handevona andreo sy handresy ny vaton'antsamotadiny reo. Ary de hisotro reo ary hidradradradra sahala ny ona mamon'ny divay, ary ho feno divay sahala reo lovia reo, sahala reo zoron'ny alitara.

1
09/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Koa amin'izay andro zay de hamonjy andreo i Yaveh Andriamagniny; de ho sahala ny ondrin'ny vahoakany reo, fa reo ro ho firavaky ny satro-boninahitsa, hisandratsa eo amin'ny taniny. \v 17 Fa akory ny hasoany sy hatsaran-tarehindreo! Haniry eo amin'ny vary ny tovolahy ary ny virijiny eo amin'ny voaloboka mamy!

1
09/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 9

1
10/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Mangataha orana amin'i Yaveh amin'ny vanim-potoan'ny oran-dohataona-Yaveh ze manao kotrokorana-ary manome orna mivatravatra ho an'ny ona aby sy ny zava-maitso eny an-tsaha.\v 2 Fa reo sampy ao an-tokatrano de mitarogna lainga; ny mpisikidy manao sary an-tsaina lainga; mitarogna nofy fitaka reo ary manome fampiononana foagna, ka mirenireny sahala ny ondry ary mijaly nohon'ny tsa fisian'ny mpiandry reo.

1
10/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Ny hasosorako de mirehitsa amin'ireo mpiandry ondry; ireo osilahy-mpitarika-no ho faiziko. Yaveh Tompon'ny maro koa de hanatrika ireo ondriny, de ny taranak'i Joda, ary hanao andreo toy ny soavaly feriny any amin'ny ady.

1
10/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 atagny amindreo hiavian'ny vato fehizoro; hatagny amindreo ro hiavian'ny fihantonan-draha ny lay; hatagny amindreo ro hiavian'ny tsipìka fiadanana; hatagny amindreo ro hiavian'ny mpitarika aby hiaraka.\v 5 Ho sahala ny mpiady ze manitsaka ny fahavalony eo amin'ny fotaky ny lalana amin'ny ady reo; hiady reo, satria Yaveh ro momba andreo, ary hahamenatsa reo ze mitaingina soavalin'ady reo.

1
10/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Hampahery ny taranak'i Joda Aho ary hamonjy ny taranak'i Josefa; fa hanapody andreo amin'ny laoniny Aho ka hamindra fo amindreo. Ho sahala ny hoe tsa nolaviko reo, satria Aho ro Yaveh Andriamagnindreo, ary hamaly andreo Aho. \v 7 De ho sahala ny mpiady i Efraima, ary hifaly sahala ny azon'ny divay ny fondreo; hahita izay reo zanany de hifaly. Hifaly Aminahy ny fondreo!

1
10/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Hisioka ho andreo Aho ary hanongana andreo, satria hamonjy andreo Aho, ary ho avy lihibe sahala ny taloha reo! \v 9 Namafy an'ireo teny amin'ireo ona reo Aho, nefa hahatsiaro Anahy any amin'ireo firenena lavitsa reo, ka ho velogna sy hipody reo sy ny zanany. \v 10 Fa hampody andreo hatagny amin'ny tany Egypta Aho ary hanangona andreo hatagny Asyria. Hitondra andreo any amin'ny tanin'ny Gileada sy Libanona Aho mandra-paha tsa hisy efitrano ho andreo koa.

1
10/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Hamakivaky ny ranomasim-pahoriandreo Aho; hamely reo onjan'izay ranomasina izay Aho ary hanamaina ny lalin'i Neily aby. Hahetry ny voninahits'i ASyria, ary ny tehim-panjakan'i Egypta hiala amin'ireo Egyptiana. \v 12 Hanamafy orina andreo aminahy Aho, ary handeha amin'ny agnarako reo-izay ro fanambaran'i Yaveh.

1
10/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Tokko faha 10

1
11/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 ohay ny varavaranao, ry Libanona, mba handevonan'ny afo ny sederanao!\v 2 Misaonà, ry hazo kypreso, fa efa nigebona ny hazo sedera! Reo avo de efa nofongorana! Misaonà, agnareo ry hazo terebintan'i Basana, fa efa ripaka ny ala mikitroka. \v 3 Midradradradra reo mpiandry ondry, fa efa rava ny voninahindreo! Mierona ny feon'ny zanaky ny liona, fa efa rava ny reharehan'ny Ony Jordana!

1
11/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Fa izao ro lazain'i Yaveh Andriamagnitso: "Sahala ny mpiandry ondry, miambina ny ondry ze ho vonoina!\v 5 (mamono andreo ilay mividy anazy ary tsa voasazy, ary ilay mivarotsa andreo manao hoe:'Isaorana anie Yaveh! Efa avy mpanan-karena aho!' fa reo mpiandry miasa ho an'ireo tompon'ondry de tsa niantra andreo.) \v 6 Fa tsa hiantra ny mponin'ny tany koa Aho!-izay ro fanambaran'i YAveh. Indro! Ny tenako mihitsy ro hamerina ny ona aby eo an-tanan'ny namany sy eo an-tanan'ny mpanjakany, ary handrava ny tany reo ary tsa hisy na raika amindreo aza hafahako eo an-tanandreo."

1
11/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Koa de lasa mpiandry ny ondry voalahtsa ho vonoina Aho, ho andreo ze nitondra ny ondry. Nandray tehina roa Aho; ny tehina raika nantsoiko hoe "Fahasoavana" ary ilay hafa nokehiko hoe "Fikambanana". Tamin'izay fomba izay ro niandrasako ny ondry. \v 8 Mpiandry ondry telo ro novonoiko tao anatin'ny iray volana, satria tsa naharitsa tamindreo aho, ary nankahala ahy rahateo reo. \v 9 De hoy aho tamin'ny tompon'ondry hoe: "Tsa hiasa ho mpiandry ondrinao koa aho. ny ondry izay maty-de avelao ho faty, ny ondry izay ringana-de avelao ho ringana. aoka ny ondry ze sisa tavela samy hihinana ny nofon'ny namany."

1
11/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 De noraisiko ny tehiko "Fahasoavana" ary nosimbaiko izay mba hanafoanako ny fanekena ze efa nataoko tamindreo fokoko aby.\v 11 Tamin'izay andro izay de rava ilay fanekena, ka reo izay nitondra ny ondry sy nijery Anahy de nahafantatsa fa nitarogna Yaveh. \v 12 De hoy aho tamindreo hoe: "Lehe toa ka tsara aminareo izay, de aloavy ny karamako. Fa lehe tsa izay, de aoka ihany." Ka de nolanjaindreo ny karamako-sekely volafotsy telopolo.

1
11/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Ary hoy Yaveh taminahy hoe: "Apetraho ao amin'ny fitoeran-drakitsa ny volafotsy, nt sand soa indrindra izay nanombandreo agnao!" Ka de nalaiko ny sekely volafotsy telopolo ary napetrako tao amin'ny fitoeran-drakotra tao an-tranon'i Yaveh. \v 14 Sy ateo nopotehiko ny tehiko faharoa, "Fikambanana", mba hamotehana ny firahalahian'i Joda sy Israely.

1
11/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Hoy Yaveh taminahy hoe: "Alao ho an'ny tenanao ndraika ny fitaovan'ny mpiandry ondry adala, \v 16 fa indro, hametraka mpiandry ondry eo amin'ny tany Aho. Tsa hiraharaha ny ondry maty i. Tsa hitadia ny ondry very i, na koa hanasitrana ny mandringa. Tsa hamahana ny ondry izay salama i, fa hihinana ny nofon'ny ondry matavy ary hamiravira ny kitrondreo.

1
11/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Loza ho an'ny mpiandry ondry tsa mendrika izay mahafoy ny ondry! hamely ny sandriny sy ny masony an-kavanana anie ny sabatra! Halazo anie ny sandriny ary ho jamba ny masony ankavanana!"

1
11/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 11

1
12/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Ito de fanambarana ny tarognan'i Yaveh momban'ny an'i Israely-fanambaran'i YAveh, ze nanandratsa reo habakabaka sy nametraka ny fototsy ny tany, ze mamolavola ny fanahin'olombelogna ao agnatin'ny ona hoe: \v 2 "Indro, eo an-dalam-panaovana an'i JErosalema agnaty kapoaka Aho hahatonga reo vahoaka aby manodidina anazy hivembena. De ho sahala zay koa ny an'i Joda mandritsy ny fahirano an'i Jerosalema.\v 3 Amin'izay andro izay, hataoko ho vato mavesatsa ho an'ny ona aby i Jerosalema. Zay manandratsa mafy ny tenany, ka hitambatsa hanohitsa zay tenany, ka hitambatsa hanohitsa zay tanàna izay reo firenen'ny tany aby.

1
12/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Amin'izay andro zay-izay ro fanambaran'i YAveh-hamely ny soavaly tsiraidraika amin'ny horohoro Aho ary ny mpitaingina anazy amin'ny fahaverezan-tsaina. Hizaha am-pankasitrahana ny taranak'i Joda Aho ary hamely ny soavalin'ireo tafika amin'ny fahajambana.\v 5 Sy ateo reo mpitarik'i Joda hitarogna anakampo hoe: 'reo mponin'i Jerosalema ro tanjatsika noho i Yaveh Tompon'ny maro, Andriamagnindreo.'

1
12/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Amin'izay andro izay de hataoko sahala ny fatana mirehitsa eny amin'ny hazo ary sahala ny fanilo eny amin'ny amboara reo mpitarika ny Joda, fa reo ro handevona reo firenena aby manodidina eo an-kavanany sy eo an-kaviany. Hitoatsa eo amin'ny toerany ndraika i Jerosalema."

1
12/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Hamonjy reo lain'i Joda i Yaveh, mba tsa ho lihibe noho ny sisa tavela amin'i Joda ny voninahitsy ny taranak'i Davida sy ny voninahindreo zay mitoatsa ao Jerosalema. \v 8 Amin'izay andro izay de ho mpiaro reo mponin'i Jerosalema i Yaveh, ary amin'izay andro izay reo izay ketraka amindreo de ho sahala an'i Davida, ary ny taranak'i Davida de ho sahala an'Andriamagnitsa, sahala ny anjelin'i Yaveh eo anoloandreo.\v 9 "Amin'izay andro izay de hanomboka handringana reo firenena aby ze avy hanohitsa an'i Jerosalema Aho.

1
12/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Nefa handraraka ny fanahin'ny fangoraham-po sy fitarainana amin'ny taranak'i Davida sy reo mponin'i Jerosalema Aho, mba hitodihandreo Aminahy, ilay RAika zay nolefonindreo. Hisaona nohon'ny Aminahy, sahala ny ona misaona nohon'ny amin'ny zanany lahy tokana reo; hisaona ho Anazy sahala reo zay misaona nohon'ny fahafatesan'ny voalohan-janaka reo.\v 11 Amin'izay andro zay ny fisaonana ao Jerosalema de ho sahala ny fisaonana tao Hadadrimona eo amin'ny lemak'i Megido.

1
12/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Hisaona ny tany, ny fianakaviambe tsiraidraika hitokana amin'ireo fianakaviambe hafa. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Davida hitokana ary reo vadindreo hitokana amin'ireo liakany. Ny fianakaviamben'ny taranak'i Natana hitokana ary reo vadindreo hitokana amin'ireo liaka. \v 13 Ny fianakaviamben'ny taranak'i Levy hitokana ary reo vadindreo hitokana amin'ireo liaka. Ny fianakaviambendreo Simeita hitokana ary ny vadindreo hitokana amin'ireo liaka. \v 14 Ny fianakaviambe tsiraidraika amin'ireo fianakaviambe tafajanona-ny fianakaviana tsiraidraika de samy hitsitokatokana ary ny vadindreo hitokana amin'ireo liaka."

1
12/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 12

1
13/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 Amin'izay andro izay de hisy loharano hisokatsa ho an'ny ankohonan'i Davida sy reo mpponin'i Jerosalema, nohon'ny fahotandreo sy ny tsa fahadiovandreo.\v 2 Amin'izay andro zay-izay ro fanambaran'i YAveh Tompon'ny maro-no hanafoanako ny anaran'ireo sampy amin'ny tany mba tsa ho tsaroana koa reo. Hampivoaka reo mpaminany tsa marina sy ny fanahy malotondreo amin'ny tany koa Aho.

1
13/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Lehe misy ona manohy maminany, de hitarogna aminazy ny abany sy ny neniny izay niteraka anazy hoe: "Tsa ho velona agnao, satria mitarogna lainga amin'ny anaran'i Yaveh!' Sy ateo ny abany sy ny neniny zay niteraka anazy handefona anazy aby maminany i.

1
13/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 amin'izay andro izay ny mpaminany tsairaidraika de ho megntsa amin'ny fahitany aby eo am-paminaniana i. Reo mpaminany reo de tsa hanao lamba voloina, mba hamitahana ny ona koa. \v 5 Fa ny tsiraidraika hitarogna hoe: 'Tsa mpaminany aho! Liaka miasa tany aho, satria ny tany ro lasa asako lehe vana tovolahy aho!' \v 6 Fa hisy ona raika hitarogna aminazy hoe: 'Ina reo ratra eo anelanelan'ireo sandrinao reo?' ary hamaly i hoe: "Naratra niaraka tamindreo zay tao amin'ny tranon'ireo namako aho."

1
13/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 "Ry sabatsa! Asandratso amin'ny mpiandry ondriko, ilay liaka zay mitsangana eo akaikiko ny tenako-zay ro fanambaran'i YAveh Tompon'ny maro. Vileso ny mpiandry ondry, de hiparitaka reo ondry! Fa hamerina ny tanako hanohitsa reo madinika Aho.

1
13/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Ary manerana ny tany aby-izay ro fanambaran'i Yaveh-de hisy roa ampahatelon'izay fotoana! Ho levona reo ona reo; raika ampahatelony ihany ro hijanona any.\v 9 Ho feriko amin'ny afo io ampahatelony io ary ho dioviko sahala ny manadio volafotsy reo; ho zahako sahala ny volamena voazaha reo. Hikaika ny agnarako reo, ka hamaly andreo Aho ary hanao hoe: 'Ity ro onako!' ary hitarogna reo hoe: 'Yaveh ro Andriamagnitso!"''

1
13/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 13

1
14/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 1 ndro! Ho avy ny andron'i Yaveh sý hozaraina eo afovoanareo ny babonareo.\v 2 Fa hangoniko hanohitsa an'i Jerosalema amin'ny ady ny firenena aby ka ho voababo ny tanàna. Reo trano de ho voababo ary ny ampela ho voaholana. Ny antsasaky ny tanàna de ho voababo, fa ny sisa tavela amin'ireo ona de tsa ho esorina eo amin'ny tanàna.

1
14/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Fa i Yaveh de hivoaka ary hiady amin'ireo firenena sahala Anazy aby miady amin'ny andron'ny ady.\v 4 Amin'izay andro izay ny tongony de hitsangana eo ambonin'ny tendrombohits'i Oliva, zay eo akaikin'i Jerosalema any atsinanana. Ny tendrombohits'i Oliva de hitresaka roa ary ho sarahan'ny lohasaha lihibe ary ny antsasaky ny tendrombohitsa de hipody manoloana ny avaratsa ary ny antsasany manoloana ny atsimo.

1
14/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Sy ateo agnao hilefa hidigna ny lohasaha eo anelanelan'ireo tendrombohits'i Yaveh, fa ny lohasaha eo anelanelan'ireo tendrombohitsa de hipaka hatrany Azela. Handositra sahala ny nandosiranao tamin'ny horohoron-tany tamin'ireo andron'i Ozia, mpanjakan'i Joda agnao. De ho avy i Yaveh Andriamagnitso ary hiaraka Aminazy aby reo olomasina aby.

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More