msh_zec_text_reg/14/16.txt

1 line
592 B
Plaintext

\v 16 Sady zao ro hiseho, zay iaby tavela ao amin'ireo firenena zay avy manohitsy gnan'i Jerosalema la hiakatsy isan-tao koa mba hidera gny mpanjaka, la i Yaveh Tompon'ny maro, sady hitandry firavoravoan'ny fialofa. \v 17 Laha tsy mandeha miakatsy ho agny Jerosalema mba hidera gnan'ilay mpanjaka, la i Yaveh Tompon'ny maro, gny olo bakam'ireo firenena iabin'ny tany, la tsy handay ora amin-drozy i Yaveh. \v 18 Laha tsy miakatsy gny firenen'i Egypta, la tsy hahazo ora rozy. Hisy areti-mandringa bakamin'i Yaveh zay hamely reo firenena zay tsy hiakatsy mba hita gny firavoravoan'ny Fialofa.