Sun Nov 17 2019 17:26:27 GMT-0800 (Pacific Standard Time)

This commit is contained in:
tsDesktop 2019-11-17 17:26:28 -08:00
commit 78035ee3ae
178 changed files with 354 additions and 2 deletions

1
01/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 1 \v 1 Ity no fanomboan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, ilay zanak'Andriamanitra. \v 2 Araka zegny vôsoratra akô amin'Isaia mpaminagny hoe: "Indro, zaho zô magniraka ny Irako inga aloanô, ilay tokana agnamboatra ny lalanô. \v 3 Misy fiô regny magnantso mafy any an-tany foagna hoe: "Atovy vognona ny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy ny lalana arainy'''.

1
01/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 Tonga Jaona, nagnano batisa tagny an-tany foagna ary nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka amin'ny fahotana. \v 5 Ny tanin'i Jodia manontolo sy ny mponigna jiaby takô Jerosalema de tonga nagnatogna anazy. Natôny batisa tamin'ny reniranon'i Jordana zarô, rehefa nagneky ny fahotana. \v 6 Jaona de nagnatô sikina volon-drameva, ary nagnatô fekibo oditra tamin'ny andilagny, ary valalagna sy tintely nirimbejina no rahanina anazy.

1
01/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Nagnatoro izy hoe: "Misy reka ho avy afarako mbola mahery lavitra miôatra anaa, tsy tokony aho na de amaha ny tadin-kirarony aza. \v 8 Zao nagnano batisa anarô tamin'ny rano, fa Izy koza agnano batisa anarô amin'ny fanahy masina".

1
01/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Tamin'ny andro natongavan'i Jesosy avy takagne Nazareta agny Galilia no nitrangn'izany, ary natôn'i Jaona batisa takiô amin'ny renin-dranon'i Jordan Izy. \v 10 Ra vô niboagna avy tagnatirano Jesosy, de hitany nisokatra ny lagnitra, ary nandrorogna takiô Amanazy kara voro-mailala ny fagnahy masina. \v 11 Ary misy fiô avy tagny an-dagnitra nagnano hoe: "Anô ny zanako tsy foeko, anô no tiako."

1
01/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 Avy takiô de nindôny fanahy nandia tagny antany fogna Jesosy. \v 13 Efapolo andro Izy no tagny antany foagna, de nalôny satana fagnay. Nipetraka niaraka tamin'ny bibidia Izy, ary nanompo Anazy ireo anjely.

1
01/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Ary rehefa voasambotra Jaona, de tonga takô Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra, \v 15 ary nizaka hoe: "Efa tonga ny fotôna, ary efa marivo ny fanjakan'Andriamanitra. Mifonà de minoà ny filazantsara."

1
01/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Rehefa nandia tagny amoron-dranomasin'i Galilia Izy, de nahita an'i Simona sy andrea tambokireka amin'i Simona nagnarato, satria mpagnarato ny asan-jarô. \v 17 Hoy Jesosy taman-jarô hoe: "Andô magnaraka Anaa fa atôko mpagnarato olona ndreka andriô." \v 18 Tiô tiô my de nagnombela ny aratony zarô ka nagnaraka Anajy.

1
01/19.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 19 Reefa nandia lavidavitra Jesosy, de nahita an'i Jakoba zanak'i Zebedeo sy Jaona tambokireka amanazy; zay takô andakana bitika nagnamboatra ny aratony. \v 20 Nagnantso an-jarô Izy ka tonga de nilozany takô andakana bitika i Zebedio iabany niaraka taman-jarô mpikarama, ka nagnaraka Anajy zarô.

1
01/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Avy takiô de tonga tô Kapernaomy zarô, ary tamin'ny andro Sabata, de niditra takô amin'ny Synagoga Jesosy ary nampianatra. \v 22 Magnana tamin'ny fampenarany zarô, satria nampianatra anjarô kara olona managna fahefana Izy fa tsy karan-jarô mpitondra fanjakana.

1
01/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Avy takiô de nisy lilay reka takiô amin'ny Synagogan-jarô izay nanagna fagnahy ratsy nibarara be, \v 24 nagnano hoe: "Ino no ifandresane Aminô, ry Jesosy avy agny Nazareta"? Tonga amono ane ve Anô?Fantako my anô. Anô lay masin'Andriamanitra!" \v 25 Nizaka mafy ny devoly Jesosy ka nagnano hoe: "Maregnina ka mivoa amanazy!" \v 26 Ary ny fagnahy maloto de nandavo anazy sy nivoaka tamanazy ka nagnantso tamin'ny fiô mafy.

1
01/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Magnana ny olona manontolo, ka nifagnadina zarô hoe: "Ino ty"? Fampenarana vôvô misy faefana? Bokeny na de ny fagnay ratsy aza de magneky Anazy!" \v 28 Ny vôvô momba Anajy de efa miparitaka takegny amin'ny faritr'i Galilia manontolo.

1
01/29.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 29 Rehefa nande nivoakan'ny Synagoga, de tonga takô andragnon'i simona sy Andrea zarô, niaraka tamin'i Jakoba sy Jaona. \v 30 Ary raofozam-bavin'i Simona nandry nararin-tazo, ka nizaken-jarô tamin'i Jesosy ny momba anazy. \v 31 De nagnatogna Izy, de nandramby anazy tamin'ny tagnany, ary nagnarina anazy, de afaka ny tazony, ary nanomboka nanompo an-jarô izy.

1
01/32.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 32 Tamin'io folak'andro io, tampy afaty masoandro, de nindôn-jarô takiô amanajy izay narary jiaby na izay misy devoly. \v 33 Tafavory niaraka takiô ambarangaragna takiô daolo ny takiô antanàna. \v 34 Nagnasitrana olona maro zegny nararin'ny aretina samy hafa Izy ary nandroaka demonia maro, fa tsy nambelany nizaka ny demonia satria nafantatra Anazy zarô.

1
01/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Nifoa mandregna be Izy, ra mbola mizigna ny andro; de niala takiô Izy de ninga tagny amin'ny toerana mangigna ary takiô Izy no nivavaka. \v 36 Niaragna Anazy Simona sy zarô niaraka taminy. \v 37 Nahita Anazy zarô ary nizaka tamin'ny hoe: "Miaragna anô ny olona jiaby".

1
01/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Hoy Izy hoe: "Andô antsena inga antany afa, agny avelegny agny ama'ireo tanàna magnodidigna, mba afahako mitory teny agny koa. Fa zany no antony nivoako taty". \v 39 De nitety ny Galilia manontolo Izy, nitoriteny tamin'ny Synagogan-jarô sady nandroaka demonia maro.

1
01/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Nisy boka reka tonga takiô Aminy. Nitaregna tamanazy; nandoalika takiô Amanazy ary nizaka tamanazy hoe: "Raha tianô, de afaka magnadio anà Anô" \v 41 Nalahelo anazy Izy, de nagnampatra ny tagnany Jesosy ary nikasika anazy, sady nagnano taminy hoe: "Sitrako. Madiova anô" \v 42 Niala tamin'ny avetragny ny abokany, ary nadio izy.

1
01/43.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 43 Namepetra anazy mafy Jesosy ary nandefa anazy. \v 44 Hoy Izy tamanazy hoe: "Tandremo sô izaka na man-jovy na man-jovy anô, fa mandianaa, asehoy amin'ny mpisorogna ny tegnanô, ary magnamboara fanatitra nony fagnadiovana anô araka ny nagnasan'i Mosesy, mba ho fijoroana vavolombelona ho anjarô".

1
01/45.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 45 Fa nivoaka izy ary nanomboka nizaka taman'olona jiaby sy nagnely be ny teny ka de tsy nasahy niditra nibaribary tamin'ny tanàna mantolo koza Jesosy. Ka nibodika tagny avelagny takagny amin'ny toerana mitokana Izy ary nagnatogna Anazy ny olona avy amin'ny toerana rehetra.

1
01/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Marka Toko 1

1
02/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 2 \v 1 Rehefa nierigna takô Kapernaomy Izy rehefa afaka andro visivisy, de regny fa takô andragno Izy. \v 2 Maro be ny olona nitangorogna tiô ka non'izany de tsy nisy toerana intsony, na de tiô ambarangaranga aza, ary nizaka raha taman-jarô Jesosyy.

1
02/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 De nisy lilay mompa mompagna nagnatogna an'Azy izay nitondra lelay malemy reka; zay nolanjen'olona efa-day. \v 4 Refa tsiafaka nagnatogna anazy akeky zarô nony amaroan'ny vaôka, de nagnendan-jarô ny tafotragno tiô ambonin'i Jesosy, ary reefa vôsokatran-jarô de nampidignin-jarô tiô ny randriana nisy an'ilay lelay nalemy.

1
02/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Non'ny naita ny finoan-jarô, Jesosy de hoy Izy tamin'ilay lelay malemy hoe: "Anaka vôvela ny elokao". \v 6 Ary nisy ny sasagny taman-jarô mpitondra fanjakana nipetraka tiô, ka nimonomonogna takagny ampony zarô hoe: \v 7 "Aôna no afan'io lilay io mizaka karan'izany? Miteny ratsy Izy! Fa tsy andriamanitra reka my va mamela eloka?"

1
02/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Fa jesosy nafantatra avy atragny tam-pagnainy ny zavatra nieretreretin-jarô, ary hoy izy taman-jarô hoe: "Nagnino anarô mieritreritra zany ra izany tao amponarô? \v 9 Ino no moramora koa ny mizaka amin'io lelay malemy io hoe: "Vôvela ny elokanô" Sa hoe: "Misangàna, batiô ny fandriagnanô, ka mandiana?"

1
02/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Fa mba afantaranarô fa managna faefana hamela eloka eto amboniny tany ny zanak'olona, ho Izy tamin'ilay makemy hoe: \v 11 "Zakeko amanô, misangàna ka batiô ny rafandriananô ka modia agny andragnonô" \v 12 De nisangana izy de tonga de nibata ny rafandriany avy atragny, ka nivoaka ny tragno takiô agnatrean'olona rehetra, ka variana ny olona manontolo ka nagnome voninahitra an'Anandriamanitra, ary hoy zarô hoe: "Mbola tsy naita ra karan'ity ze."

1
02/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Aviô de nivoaka tiô amoron-dranomasina ndreka Izy ary nagnatogna anazy daolo ny vaôka, de nampianariny zarô. \v 14 Ary rehefa nandalo Izy de naita an'i Levy zanak'i Alfeo nitoetra tiô amin'ny toerana fandoavan-karatra ka hoy Izy taminy hoe: "Magnaraa ana". De nisangana izy ka nagnaraka anazy.

1
02/15.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 15 Nihinana tao andragnon'i Levy Jesosy ary mpitaky hetra sy olona mpnonta marobe no niaraka ninan-kanina tamanazy sy zarô mpianany, fa maro zarô takô ka nagnaraka anazy. \v 16 Ary zarô mpaay lalàna, izay fariseo, ra naita an'i Jesosy niara-ninan-kanina taman'olona mpanonta sy ire mpanery hetra, de nagnadina ny mpianatra hoe: "Nagnino Izy no miaraka minan-kanina amin'ny mpanangon'etra sy olona mpanonta?''

1
02/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Raha naregny an'izany Jesosy de hoy Izy taman-jarô hoe: "Tsy ny salama no mila mpisabo; fa ny marary iany no mila an'izany. Tsy tonga agnantso ny olo-marina Aho , fa ny mpanota."

1
02/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Ary nifady ra-anina zarô mpianatr'i Jaona sy zarô Fariseo. Lilay maromaro no nagnatogna Anazy ka nizaka tamin'ny hoe: "Nagnino ny mpianatr'i Jaona sy mpianatran-jarô Fariseo no mifady ra-anina, fa mpianatra anô koza tsy mba mifady?" \v 19 De hoy Jesosy tamanjarô hoe: "Afaka mifady ra-anina va ny mpagnatrika ny fampakarana ra mbola akiô ny mpampakatra? Ra mbola miaraka aman-jarô akiô ny mpampakatra, de tsy afaka mifady ra-anina zarô.

1
02/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 De ho tonga ny andro angalanan'ny mpampakatra eo aman-jarô, de aman'izegny andro zegny vao hifady ra-anina zarô. \v 21 Tsy misy olona manombigna lamba rota amin'ny lamba vôvô, ra izany de miala amin'ny lamba vôvô ny lamba rota ary vômenka ratsy ny farotavany.

1
02/22.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 22 Ary tsy misy olona magnatô divegna vôvô agnatin'ny siô oditra rota, ra izany de vaky ny siô oditra rota, ka ho very ny divegna. Fa divegna vôvô de atô agnatin'ny siô oditra vôvô.

1
02/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Tamin'ny andro Sabata Jesosy de nande tegny ankoraka maromaro, ary nanomboka nambely tan-tagnombary ny mpianany. \v 24 De hoy zariô Fariseo Taminy: "Antegno, nagnino zarô no magnano raha tsy arakaky ny lalàna amin'ny andro Sabata?"

1
02/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 De hoy Izy taman-jarô hoe: "Mbola tsy nivakinarô angamba zegny natôny Davida rehetra tô agnatin'ny tsy fanagnana sy farefognana izyˍsy zarô lilay niaraka taminy. \v 26 Nagnino ny fomba nidirany takô andragnon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiatara mpisorogna be, ka ninana ny mofon'ny fanatrehana, zay tsy ara-dalana n'iza n'iza no omana anazy ra tsy mpisorogna my ary mbola nagnomezany be de be zarô niaraka tamananzy aza?"

1
02/27.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 27 Jesosy nizaka hoe: "Ny Sabata de natô ho an'ny zanak'olombelona, fa tsy ny zanak'olombelona natô ho an'ny Sabata. \v 28 Non'izany , de ny zanak'olona no tompo, nade amin'ny Sabata aza''.

1
02/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Marka toko faha 2

1
03/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 3 \v 1 De ninga taman'ny Synagoga ndreka Jesosy ary nisy lilay maty tagnana takô. \v 2 Nizaa marivo Anazy ny olona sasagny mba ahita raha agnasitrana azy amin'ny Sabata Izy mba afahan-jarô magnameloka Anazy.

1
03/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Hoy Jesosy tamin'ny lilay maty tagnana hoe: "Misangána ka mijoroà aketo agnivon'ny olo-maro aketo". \v 4 De nizaka tamin'olona izy hoe: "Azo atao va magnano ra tsara amin'ny andro Sabata sa magnano ratsy; ny magnavotra egna, sa ny mamono?" Nefa zarô tsy nizaka se.

1
03/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Nizaha an-jarô tamin'avignirana Jesosy, sady nalaelo Izy nony hamafin'ny fon-jarô, de nizaka tamin'ilay lilay Izy hoe : "Amparo ny tagnanô". \v 6 De namparin'ilay lilay ny tagnany ka sitrana. Nivoaka zarô Fariseo ka nignonognonogna be niaraka tamin'ny Herodiana hiaragna fomba amonona Anazy.

1
03/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Avy tiô Jesosy, niaraka taman-jarô mpianany, ninga tagny andranomasina, ary nisy olona maro nagnara avy tagny Galilia sy avy agny Jodia, \v 8 ary avy agny Jerosalema sy avy agny Edoma ary hatragny ami'ny reniranon'i Jordan sy magnodidigna ny Tyro sy Sidona. Rehefa naregny momba ny zavatra natôny zarô, de nisy vaôaka maro nandea ankiô aminy.

1
03/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 De nagnasa ny mpianany niaragna lakana bitika Jesosy ho Anazy non'ny amaroan'olona tiô, mbarase tsy voatosik'olona Izy. \v 10 Nony Izy nagnasitrana olona maro, dia nifarombaka nagnatogna Anazy ny olona manontolo zegny nanagna aretina mba ikasika Anazy.

1
03/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Isaky naita Anazy ireo fagnahy maloto, de miandoalika aloany ary mibarara, ary hoy zarô hoe: "Anô no zanak'Andriamanitra". \v 12 Nizakeny mafy ireo mba tsy agnatoro Anazy.

1
03/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Niakatra tegny antam-potavirana Izy, ary nagnantso an-jarô zegny tiany, mba inga akiô Aminy zarô. \v 14 Nagnasa an-jarô roa ambifolo lahy Izy (izay nantsoiny hoe Apositoly), mba afahan-jarô miaraka Aminy sady koa afahany mandefa an-jarô magnambara ny afatra, \v 15 sady hanagnany faefana androaka demonia. \v 16 Avy tiô de nagnasa ireo roa ambifolo Izy: Simona, zay nameny agnarana hoe Petera;

1
03/17.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 17 Jakoba zanak'i Zebedio, sy Jaona tambokireka amanazy, zay nameny agnarana hoe Boanarijesy, mitovy amin'ny hoe, zana-baratra; \v 18 ary Andrea, Filipo, Baritolomeo, Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Tadeo, Simona Zelota, \v 19 ary Jodasy Iskariota, izay hamadika Anazy.

1
03/20.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 20 De nody tan-dragno Izy, de niara-tonga ndreka ny vaôaka, ka tsy afaka ninan-kanina se zarô. \v 21 Ra naregny ny momba anizany ny avany, de nivoaka zarô angalaka Anazy, satria nizakan-jarô hoe: "Foka Izy." \v 22 Zariô mpitondra fanjakana de nandrorogna avy takagny Jerosalema ka nizaka fa: "Ipetrahan'ny Belzeboba Izy ka amin'ny alalan'ny mpanapaky ny demonia my no androhany demonia."

1
03/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 De nantsovan'i Jesosy agnatogna Anazy zarô ka nizakany tamin'ny alalan'ny fagnoarana hoe: "Karakory ma afahan'ny Satana mandroakan'i satana? \v 24 Ra misy fanjakana miady andragno, de ho rava zany. \v 25 Na misy tokantrano miady andragno, de ho potika izany tokan-tragno zany.

1
03/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Ra nitsangana nanohitra ny tegnany Satana de misaraka, de tsy aharitra, ka hifaragna. \v 27 Fa tsisy afaka miditra andragnon'ny lilay matanjaka ka mandrobaka ny fanagnany ra tsy mamatotra zay mahery aloaka, de androbaka ny tragony izy avy akiô.

1
03/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Zakeko mazava tsara aman-driô, ho vôvela daholo ny olona, amin'ny teny ratsy rehetra izay avôkan'ny vavany, \v 29 fa zay miteny ratsy ny Fagnay Masina koza de tsy vôvela heloka mandrakizay." \v 30 Nagnambara izany Jesosy non'ny filazan-jarô hoe: "Managna fagnay maloto Izy."

1
03/31.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 31 Avy tiô de tonga ny mamany sy tambokoreka amanazy nipetraka tagny avelagny. Nagnasa olona niaragna Anazy zarô, ka nagnantso Anazy. \v 32 Nipetraka magnodidigna Anazy ny vaôka de hoy zarô tamanazy hoe: "Ny mamanô sy tambokireka amanô de avelagny akô, miaragna anô zarô kô".

1
03/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Ary Izy namaly hoe: "Zovy mà mamako sy tambokireka amanaa?" \v 34 Ary nizaha nagnodidigna taman'olona nitoetra magnodidigna Anazy Izy de hoy Izy hoe: "Antegno, itôgna ny mamako sy tambokireka amanaa! \v 35 Fa na zovy na zovy magnano ny sitrapon'Andriamanitra, de zany olona zany no ralahiko, sy anakaviko, ary mamako."

1
03/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Marka toko faha 3

1
04/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 4 \v 1 Ary nagnandogna nampianatra tiô amoron-dranomasina ndreka Izy, de nisy vaôka maro be nipetraka nagnodidigna Anazy. Niditra tan-dakana bitika tiô an-dranaomasina Izy, ary nitoetra taman'izany. Ny vaôka mantolo koza de nizanogna tiô amoron-dranomasina. \v 2 Nampianatra an-jarô ra maro be tamin'ny alalan'ny fagnoarana Izy, ary tiô amin'ny fampenarany, de zô no nizakeny taman-jarô.

1
04/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Tsonoè, nisy mpamafy ande amafy voa. \v 4 De rehefa namafy izy, de nisy voa sasagny niraraka tan-ketogna, de rehefa avy ny vorogna de nihinana anazy. \v 5 Ny voa sasagny niraraka tamin'ny tany be vatovato, zay tsy nisy tany firy. Afaka naniry avy atrany izy regny, fa tsy lalina ny tany nisy anazy.

1
04/06.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 6 Ka rehefa mipiriàka agnandro, de nalazo zarô, satria tsisy vahany, de megna. \v 7 Ny voa afa niraraka tamin'ny tany be fatsy (tagnatina ahitra maniry). Ary naniry menka agnona ny fatsy de namia anazy, de tsy namoa izy.

1
04/08.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 8 Ny voa afa ndreka niraraka tami'ny tany tsara (tany malemy) ka namokatra voa tiô am-pagnoasany, ary nisasgny nitombo avo telopolo eny, ny sasagny enimpolo, ary ny sasgny zato. \v 9 Avy tiô de hoy Izy hoe: ''Zay manantadigny tonoana ra, de aok' izy iteno!"

1
04/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Rehefa nipetra manokana Jesosy, de nagnadina Anazy mikasika io fagnoarana io zarô marivo Anazy sy zarô mpianany roambifolo. \v 11 Hoy Izy taman-jarô hoe: "Andriô no tsy agnafenana ny ra miafina ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra". Fa ho an-jarô agny avelagny de fagnoarana daholo, \v 12 mba amin'ny fotôna izahanan-jarô, eny angitigna zarô, nefa tsy haita, ary mba amin'ny fotôna hitonoàn-jarô, eny aregny zarô, nefa tsy afantatra an'izany, na koa hiodigna zarô de amindra fo aman-jarô Andriamanitra.

1
04/13.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 13 Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Tsy azon-driô ma fagnoarana zany a? Aôna zany azaoanariô ny fagnoarana afa rehetra? \v 14 Ny mpamboly zegny mamafy ny voa de olona reka zegny mamafy ny teny. \v 15 Ireto zay niraraka tegny an-dalana, de namafy ny teny, ka rehefa regnin-jarô zany, de tonga de avy Satana de nangalatra ny teny izay vôfafy taman-jariô.

1
04/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Ireto zegny vôfafay tamin'ny tany be vatovato, de zarô naregny ny teny, de tonga de nandray tam-pifaliana avy atragny. \v 17 Tsisy vahàny taman-jarô, fa tagnatiny fotôna fohy fogna. Ka ra tonga ny fijaliana na ny fagnenjeana non'ny teny, de tonga de lavo zarô.

1
04/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Ireo afa zay vôfafy tamin'ny tany be fatsy (be aitra). Regnin-jarô ny teny, \v 19 fa ny fagnain'izao tontolo zao, ny famitahan'ny arena, sy ny fagniriana ny raha hafa de tafiditra ka manageza ny teny, ka tsy mamoa vokatra zany. \v 20 Ary ireo zay vôfafy teny amin'ny tany tsara dia ireo zay maregny ny teny ka mandray zany, ka mamoa vokatra izy ireoˍtelopolo, enimpolo, na avo zato henin'izay nafafy.

1
04/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Jesosy nizaka taman-jarô hoe: "Mô entinô andragno va ny jiro de atô akô ambany tanty, na ambanin'ny farafara? Fa andonô miditra zany de atônô ambonin'ny fagnatovan-jiro. \v 22 Fa tsisy raha miafina zay tsy ho fantatra, ary tsisy tsiambaratelo zay tsy voaka. \v 23 Ra misy manan-tadigny tsonoana ra, de aoka izy hiteno!"

1
04/24.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 24 Hoy Izy taman-jarô hoe: "Mitandrema amin'ny teny zay regnin-driô, fa arakaraky ny oatra anoaran-driô my, no anoarana an-driô, ary ho ampiana aminarô zany. \v 25 Satria na zovy na zovy managna, de omena lalina be izy, ary na zovy na zovy tsy managna, na de zegny anagnany aza de alana amanazy."

1
04/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Ary hoy iany koa Izy hoe: "Ny fanjakan'Andriamanitra de tahaka ny olona reka mamafy ny voany amin'ny tany. \v 27 Mandry izy amin'ny andro alina ary mifoa amin'ny mandregna, ary ny voa de mipaka de maniry, fa tsy fantany hoe ahôna. \v 28 Ny tany de mamoa amin'ny tegnany hiany: vôlognany ny tagnantagnany, avy akiô de ny taony, avy akiô de ny voa matoe eo amin'ny taony. \v 29 Ary rehefa matoe ny voa de tonga de andefasana mpambely, fa efa tonga ny fotom-pambilezana."

1
04/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Ary hoy indray Izy hoe: "Ino ra azontsena agnoarana amin'ny fanjakan'Andriamanitra, inona no fagnoarana ampesentsena agnazavanan'izany? \v 31 Izany de karany ny vôtsinampy, rehefa afafy, de izy ny voa farany bitika indrindra amin'ny voa mantolo aketo ambonin'ny tany. \v 32 Nefa rehefa vôfafy zany, de maniry ary lasa lebe nohon'ny kakazo mantolo, ary managna tagnantagnana maventy, ka azon'ny vorogna mirigna agnanovana tragno amin'ny malemileminy."

1
04/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Ary fagnoarana maro karan'izany no nizakany teny taman-jariô, arak'izegny azahoan-jarô anazy, \v 34 ary tsy nizaka taman-jarô ra-tsy tamin'ny fagnoarana Izy. Fa rehefa Izy reka, de azaveny amin'ny mpianany manokana my ny zavatra rehetra.

1
04/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Taman'izany andro zany, rehefa tonga ny folak'andro, de hoy Izy hoe: "Andô ntsena hisaka agnilany." \v 36 Ka niala tamin'ny vaôka zarô, nitondra an'i Jesosy niaraka taman-jariô, tendrika Anazy tagnaty lakana bitika igny. Nisy lakana bitika afa ndreka nandia niaraka taminy. \v 37 Avy takiô nanomboka nisy rivotra be ary ny onjan-drano nandifotra ny lakana bitika ka efa seky feno rano ny lakana bitika.

1
04/38.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 38 Ary Jesosy reka nandry tiô ambodin'ny lakam-bitika, tambonin'ny ondana. Nifoazin-jarô Izy, nagnano hoe: "Mpampiatra ô, tsy mampagnino Anô ve ra hofaty aketo ntsena?" \v 39 Ary nifoha Izy, de nizaka mafy tamin'ny rivotra, ary nizaka taman'ny ranomasina hoe: "Mitsahara! milamina!" Ary nizanona ny rivotra, ka nilamina sô mantsara.

1
04/40.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 40 Ary hoy Izy taman-jarô hoe: "Naoana anariô no mataotra? Mbola tsy manam-ponoana fogna va nariô?" \v 41 Vaka be zariô ka nifampizaka hoe: "Iza mô ty, fa na de ny rivotra sy ny ranomasina aza de magneky Anazy?"

1
04/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 4

1
05/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 5 \v 1 Tonga tagny agnilany ranomasina zariô, tao amin'ny faritr'i Gerasena. \v 2 Rehefa niala avy tiô amin'ny lakam-bitika Jesosy, de tonga de nisy lilay reka azon'ny fagnahy maloto no nagnatogna Anazy avy tegny amin'ny fasagna.

1
05/03.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 3 Nibodika tegny amin'ny fasagna ity lilay ity. Tsy nisy koza olona afaka nitàna anazy nade tamin'ny rojo vy aza. \v 4 Voafatotra matetika tamin'ny gadra vy sy rojo vy izy. Notapahiny ireo rojo ary potika ireo gadra vy.Tsy nisy nanagna hery nifehy ananjy.

1
05/05.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 5 Isan'alina sy isan'adro tegny amin'ireo fasagna sy tegny an-tendrombohitra, de nihoekoeka izy ary mandratra ny vatagny tamin'ny vato marangitra. \v 6 Rehefa nahita an'i Jesosy avy alavitra izy, de nisadodo ninga akiô Amanazy ary niankohoka tiô aloany.

1
05/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Ary nangeka tamin'ny fiȏ mafy izy hoe: ʺIno ma no ifadraisako aminȏ, ry Jesosy zanak'Andriamanitra Avo indridra? Mangataka aminȏ amin'ny agnaran'Andriamanitra reka my zao, aza mampijaly ana". \v 8 Fa Izy niteny tamanajy hoe: ʺMivoaà aman'io lilay io, ry fagnahy malotoʺ.

1
05/09.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 9 Ary izy nagnadina ananjy hoe: ʺZovy agnaranô? Ka novaliny hoe: ʺLegiona no agnarako, satria maro be zeʺ. \v 10 Ary nangataka mafy Taminy hatragny hatragny mba tsy anora anjarô agny ivelagn'ny faritra.

1
05/11.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 11 Ary nisy lambo marobe nitrongy tamin'ny tagnambona, \v 12 ary nangataka Taminy zariô hoe: ʺAlefaso amin'ny lambo rôgna ze; avile ze hiditra akô". \v 13 Ka de navelany zarô; ary nivoaka ireo fagnahy maloto ka de niditra tamin'ireo lambo, de tonga de nibiridika tegny amin'ny elaka ho agny an-dranomasina ireo, ary lambo tiô amin'ny roa arivo tiô no maty tao an- dranomasina.

1
05/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Ninga nilefa ireo namahagna ny lambo ary nitatitra ny zava-niseo tiô an-tanàna sy tagny ambanivolo, ary olona maro no nivoaka izaha ny raha niseo. \v 15 Avy tiȏ zariô de ninga amin'i Jesosy ary hitan-jariô ny lilay nitoeran'ny demonia, ilay izay nitoeran'ny Legiona, nipetraka tiô, nagnatô lamba ary nilamintsaina tsara; ka de natahotra zariô.

1
05/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Ireo zay nahita ny ra-niseo tamin'ilay lilay nipetrahan'ny demonia de nikorana taman-jarô ny momba zany tamin'ny antsipiriany, ary koa nitantara momba ireo lambo taman-jariô. \v 17 De nanomboka nangataka Azy zariô mba hialany eo amin'ny faritra misy an-jarô.

1
05/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Rehefa hiakatra tao amin'ny lakam-bitika Izy, dia niangavy taminy ilay lilay nipetrahan'ny demonia mba omba Anazy. \v 19 Saingy tsy nagnek'izany nefa Jesosy, fa nagnano Taminy hoe: "Nda mody agny amin'ny tragnonô sy ny fianakavianô ka tantariô aman-jariô izay natôn'ny Tompo taminô, sy ny namindrany fo taminô!" \v 20 De ninga nody izy ary nanomboka nagnambara ny zava-dehibe izay natôn'i Jesosy tamanazy tany Dekapolisy, ary gaga ny rehetra.

1
05/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Ary rehefa nandia tegny agnilany ndreka Jesosy, tamin'ny lakam-bitika, de indro nisy olona maro be nivory nagnodidina Ananjy, raha tiô amorogn'ny ranomasina iny Izy. \v 22 Avy tiô de tonga ny reka taman-jariô mpitarikan'ny Synagoga, atao hoe Jairo, ka ra vô nahita Azy, de nisoroaka tamin'ny Ongony. \v 23 Nibiôbiôka tiô izy, ka nagnano hoe: "Marary be efa ho faty ny zanako viavy. Mitalaho aminô zao, andô koa de atife amanazy ny tagnanô mbarase sitrana sy ho velona izy". \v 24 De ninga niaraka tamanazy Izy, ary olona maro be no nagnaraka sy nagnety nagnodidina Ananjy.

1
05/25.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 25 Ary nisy viavy reka tiô voan'ny fahaverezan-drà nandritry ny roamby folo tôna. \v 26 Nijaly be fogna izy ary nitety mpitsabo maro sy nandany ny fanagnany manontolo, nefa de tsy sitrana se fa vômenka aza menkarasy. \v 27 Rehefa naregny ireo tatitra mamomban'i Jesosy izy, de ninga tafara tao anaty vaôaka izy ary nikasika ny akanjony.

1
05/28.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 28 Satria hoy izy hoe: "Raha mahakasika ny lambany fogna aho, de efa sitrana." \v 29 Ndreka nikasika Anazy izy, de negnina ny fahaverezan-drà, ary sapany atragny agnatiny fa sitrana tamin'ny aretinanazy izy.

1
05/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Fantan'i Jesosy niaraka taman'izany fa nisy hery niala avy tamananjy. Nitodika tamin'ny vaôaka Izy ary nizaka hoe: "Zovy no nikasika ny akanjoko tiô?" \v 31 De namaly Azy ny mpianany hoe: "Hitanô vaôaka maro be mibosesika aminô io ka hoy Ianô hoe: "Zovy no nikasika Anà." \v 32 Fa nagnintigna ny magnodidina Ananjy Jesosy mba ahitany zegny nagnano an'izany.

1
05/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Ilay viavy, nafantatra zegny raha nitranga taminy, de nataotra sy nangitakitaka. Nande izy ary nisoroàka tiô alohan'i Jesosy ka nizaka tamanazy ny marina manontolo. \v 34 De hoy Jesosy hoe: "Anaka, ny finoanô no nagnasitrana anô. Mandiana aminy fiadanana ary misitranà amin'ny aretina anô."

1
05/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Raha mbola nizaka Izy, dia tonga ny olona sanagny avy tagny amin'ny mpitarika ny Synagoga, nagnano hoe: "Efa maty ny zanagno. Naoana no mbola mampijaly ny mpampianatra my anô?".

1
05/36.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 36 Fa rehefa naregny raha nizaken-jariô Jesosy, de hoy Izy tamin'ilay mpitarika ny Synagoga hoe: "Aza matahotra. Fa minoà fogna." \v 37 Ary tsy nisy navelany iaraka aminy, ra-tsy Petera, Jakoba, ary Jaona, tamboka reka amin'i Jakoba my. \v 38 Tonga tagny andragnon'ilay mpitarika ny Synagoga zariô ary nahita olona nihoalahola be takiô Izy; nitomagny sy nibarara be zariô.

1
05/39.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 39 Raha vô niditra tan-dragno Izy, dia hoy Izy taman-jariô hoe: "Naôana andrio no mitabataba sy mitomagny? Tsy maty ny zaza fa mandry." \v 40 Nimoe an'Azy zariô. Nefa navoagny tagny avelagny izy manontolo ary nangalaka ny iabany sy ny renin'ilay zaza sy ireo izay niaraka taminy, ary niditra tao amin'ny efitragno nisy ilay zaza Izy.

1
05/41.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 41 Nisamboriny ny tagnan'ilay zaza ary nizaka taminy hoe: "Talita, Komy!" zany raha adika de hoe: "Ry zaza viavy, mizaka aminô Zao ,mitsangȧna." \v 42 Tonga de nitsangana zaza viavy ary nandiaa (satria roa ambin'ny folo taona izy). Magnana fogna lilaka zariô. \v 43 Nizakeny mafy zariô mba tsy hisy na zovy na zovy afantatra ny momban'izô. Avy tiô de naseny namena ra-anina razaza viavy.

1
05/title.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
Toko faha 5

1
06/01.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\c 6 \v 1 Niala taman'io toerana io Izy ka nandiaa antanin-drazagna, ary nagnaraka Anazy zarô mpianany. \v 2 Ary raa tonga ny andro sabata, de nampianatra tiô amin'ny Synagoga Izy. Maro ny olona niteno Anazy ka magnana zariô. Hoy zariô hoe: "Avy akeza no nazaoan'io fampianarana io''? ''Ino zô fahedrena zay namena Anazy zô?" Ino ra mamagnana zay natôny taman'ny tagnany io?'' \v 3 Tsy le mpandrafitra va io, ilay zanak'i Maria tambokireka aman'i Jakoba, Josesy, Jodasy ary Simona? Tsy miaraka amantsena aketo koa ve ny anakaviny?'' Voatoina taman'i Jesosy zariô.

1
06/04.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 4 De hoy Jesosy taman-jarô hoe: ''Tsy misy mpaminagny azaina eo amin'ny tanindrazagny sy ny eo amin'ny avany ary eo amin'ny ankohonany. \v 5 Tsy afaka nagnano asa magaga Izy, ra tsy ny fametran-tagnana tamin'ny marary visivisy ary magnasitrana an-jarô. \v 6 Magnana nony tsy finoan-jarô Izy. Avy takiô de nandia nagnodidigna ireo tanàna Izy hampianatra.

1
06/07.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 7 Avy takiô de nagnantso an-jarô roambifolo lahy Izy ary nanomboka nagnasan-jarô siroe roe, ary nomeny fahefana tamin'ny fagny ratsy zariô, \v 8 Ary nandrara an-jarô tsy tondra na ino na ino amin'ny diany, na mofo, na kitapo, na vola amin'ny fehikibon-jarô, ra-tsy tehina my, \v 9 fa magnatova kapa, fa aza magnatô akanjo roé.

1
06/10.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 10 Hoy Izy taman-jarô hoe: ''Na oviana na oviana andriô miditra andragno reka, de mipetraha akô tampy ialanarô akagny. \v 11 Ary ra misy tanàna tsy mandray narô na tsy miteno ndriô, ka rehefa magnamboho zany toerana zany anarô, de fafao ny vovoka amin'ny tongonarô mba ho vavolombelona iampanga an-jarô.

1
06/12.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 12 De ninga zarô ka nitory fa ny olona de tokony hibebaka amin'ny fahotany. \v 13 Nandroaka demonia maro zarô, ary nagnosotra marary maro tamin'ny ilo ka nagnasitrana anazy reny.

1
06/14.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 14 Regnin'i Heroda mpanjaka izany, satria rengy laza ny agnaran'i Jesosy. Ny sasagny de nizaka hoe: "Nitsangana tamany maty Jaona mpagnano batisa ka zany no anagnany hery aezany magnano raha magaga io. Zarô sasagny koza nizaka hoe: "Elia izy". \v 15 Fa zarô sasagny mbola nizaka hoe: "Mpaminagny Izy, kara ny reka aman-jariô mpaminagny tamin'ny andro talofa my".

1
06/16.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 16 Fa rahefa naregny an'izany Heroda de hoy izy hoe: "Jaona, ilay notapaiko loha, no nitsangana tamin'ny maty" \v 17 Fa Heroda nagniraka olona anambotra an'i Jaona ka nampigadra azy nohon'ny rahalain'ny Herodiasy (vadiny Filipo rahalahiny), satria natôny vady raviavy.

1
06/18.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 18 Fa Jaona nizaka taman'i Heroda hoe: "Tsy araka ny lalàna no angalaranô ny vadin'ny ralainô." \v 19 Fa vignitra tamanazy Herodiasy ka niaragna tetika amonoana anazy, nefa tsy afaka, \v 20 nony fatahoran'i Heroda an'i Jaona; fantany fa olo-marina sy feno fahamasinana izy, ary niaro anazy izy. Nampiasa loha anazy ny faregnesany anizany. Kanefa mbola niteno anazy tamin-kafaliana izy.

1
06/21.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 21 Avy tiô de nisy niraina tamin'ny fiveregnany taona naterakan'i Heroba ka nagnano fanasana ho an-jariô lebeny, sy ireo mpifehiny, ary zariô mpitarikan'ny Galilia Izy. \v 22 De niditra tagn'efitragno fanasana ny zanaka vavin'i Herodiasy ary nandihy ho an-jariô, ary nahafinaritra an'i Heroda sy zariô vahiny nantsovana tamin'ny finanan-kanina izy. Hoy ny mpanjaka tamin'ny zaza viavy hoe: "Laoe amanaa zegny ra rehetra tianô fa omeko anô zany".

1
06/23.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 23 Ary niafatrafatra tamazy izy ka nagnano hoe: "Na ino na ino no angatahinô amanaa, de omeko anô, na de antsasagny fanagnako aza. \v 24 "De nivoaka izy, de nizaka tamany mamany hoe: "Ino ma ra tokony laoeko amanazy"? De hoy mamany hoe: "Ny lohan'i Jaona mpagnano batisa". \v 25 Takiô takiô my de nierigna tamin'ny mpanjaka izy, ka nagnano hoe: "Tiako omenô ana zô de zô, eo ambony lasety ny lohan'i Jaona mpagnano batisa.''

1
06/26.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 26 Na de nampalahelo be ny mpanjaka aza zany, de tsy afaka nandà fangatahany izy nony afatrafatra izay natôny sy nony vahiny nantsovana nihinana takiô amin'ny fanasana. \v 27 Non' izany de tonga de nagnasa maramila reka avy tamin'ny mpiambina ny mpanjaka ka nagnasa anazy hitondra ny lohan'i Jaona ankiô aminy. Nandeha ilay mpiambina ka nanapaka ny lohany tao antragnom-pigadrana. \v 28 Nindôny tambonin'ny lasety ny lohany ka nomeny an-jaza viavy, ary le zaza viavy nagnomia anazy an-dreniny. \v 29 Rehefa naregny an'izany zarô mpianany de ninga nangalaka ny vatagny ka nalevigny agny ampasagna.

1
06/30.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 30 Nierigna tagny amin'i Jesosy jariô Apositoly ary nitantara taminy zegny ra rehetra vitan-jarô sy nampenarin-jarô. \v 31 Ary hoy Izy taman-jarô: "Andô ntsena inga antany foagna mba angalaka robiana bitika.''' Fa maro ny olona misavoesavoe, ary tsy manam-potoana hinanan-kanina koza zarô. \v 32 De nandia an-dakana bitika zarô mba ho agny antany foagna.

1
06/33.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 33 Fa zariô nahita an-jarô ninga ary maro no nahafantata an-jarô, de niara-niazakazaka an-tongotra avy tagny amin'ny tanàna rehetra zarô, ary tonga teo talohan-jarô. \v 34 Rehefa tonga tegny amorogny zariô, de natazagna vaôaka maro Izy ary nangoraka an-jarô Izy, satria kara ondry tsisy mpiambina zariô. Ka nanomboka nampianatra raha maro an-jarô Izy.

1
06/35.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 35 Ary rehefa folak'andro ny andro, de nagnatogna Anazy zariô mpianany ka nagnano hoe: "Tany foagna ity, ary ny andro de efa ho alina koá. \v 36 Avile zarô mba inga agny amin'ireo fonegnany sy tanàna magnodidigna hividy sakafo mba hoanin-jarô."

1
06/37.txt Normal file
View File

@ -0,0 +1 @@
\v 37 Fa namaly Izy ka nagnano taman-jarô hoe: "Omeo raha ohanina zarô''. De hoy zariô taminy hoe: "Afaka mande minga mivanga mofo azon'ny denaria roanjato ve zé ka agnomen'izany an-jariô ho aniny?" \v 38 De hoy Izy taman-jarô hoe: "Firy ny mofo anagnandriô? Ndá de zahano." Refa hitany, de hoy zariô hoe: "Mofo dimy sy lôka roe."

Some files were not shown because too many files have changed in this diff Show More