bmm_rev_text_reg/06/12.txt

1 line
490 B
Plaintext

\v 12 Kôfa nanôkatra ny tombo-kase faenignia ny Zanak'ondry, de nizaha za ary nisy hôrohôron-tany maventy. Lasa mainty toy ny lamba fisônagna ny masoandro, ary ny volana fenomanana de lasa karaha rà. \v 13 Ire kintagna teny amin'ny lagnitra de nianjaira tety an-tany, karaha aviavy manintsana ny voany manta kôfa ahetsiky ny rivotra mahery. \v 14 Ny lagnitra de nanjavogna karaha horonan-taratasy zay naorongorogna. Ny tendrombohitra sy ny nosy jiaby de nalagna take amin'ny toerany.