bmm_heb_text_reg/06/16.txt

1 line
654 B
Plaintext

\v 16 Fô ny ôlogno de mianiana amin'ny ôlogno zay maventy kokoà noho ny tagnanjaré ré. Isakin'ny tapitra ny fifamalianjaré ré, de misy voady araiky natô ho fagnamasinagna. \v 17 Kôfa nanapa-kevitra ny hampiseho mazava kokoà tamin'iré mpandovan'ny fampanantinagna ny tsy fiovan'ny kalitaon'ny tanjony Andriamanitra, de namiany antoka tamin'ny voady izégny. \v 18 Natôny izégny mbô ho amin'ny alalan'ny raha tsy azo ovaigna aro — zay tsy hain'Andriamanitra ny mandainga amin'izégny—de hanagna fampahirezagna matanjaka mbô hihazogna mafy ny fahatokiagna zay napetraka také alôhantsika, atsika, zay nandositra mbô hanagna fialofagna.