-x-antambahoaka_mat_text_reg/16/21.txt

1 line
605 B
Plaintext

\v 21 Tamin'izany fotôna zany Jesôsy nanomboka nizaka tamin'ny mpianatrany fa tsy mentsy ho any Jerosalema Izy, hizaka fijalena maro eo an-tagnan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mban'ny mpanora-dalàna, ho vonina, hatsangana ndreka amin'ny andro fahatelo. \v 22 Aveo Petera nangala an'Azy ka nizaka mafy an'Azy, magnano hoe: "Ho lavitra anao anie zany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihitsy anie zany." \v 23 De nitodika Jesôsy ka nizaka tamin'i Petera hoe: "Mengà agny afarako, anao satana! Anao de fanafintohinana ho Anaha, avy aminao tsy miaraharaha ny rahan'Andriamanitra, fa ny rahan'olona."