\v 19 De tafara ny fotôna ela de nierigna ny tompon'ireo mpanompo regny de nandamin-draharaha tamin'iary zareo. \v 20 Niditra ny mpanompo zegny nahazo talenta dimy sady nitondra talenta dimy hafa. Hoy izy hoe: "Tompoko, nomenao talenta dimy izaho. Igny, de nagnatombo talenta dimy hafa izaho." \v 21 Nizaka ny tompony tamin'azy hoe: " Tsara izany a mpanompo tsara sady mahatoky! Natoky tamin'ny raha bitabitaka anao. Zaho hampandrekitra anao amin'ny raha maro. Midira amin'ny fifalian'ny tomponao."