\v 25 Ka nagnantso an’iary zareo Jesôsy hagnantogna an’Azy de nizaka hoe : « Fantanareo fa ny mpanapaka ny Jentilisa de hampijaly an’iary zareo, de ny lilay manankaja amin’iary zareo de hagnampatra ny fahefany amin’iary zareo.\v 26 Fa tsy tokony ho karan’izany ny aminareo. Fa mifanohitra amin’izany, n'iza n'iza magniry hanjary ho lebe aminareo de tsy mentsy ho mpiasanareo, \v 27 ka n'iza n'iza magniry ho voalohany aminareo de tsy mentsy ho mpiasanareo, \v 28 karan'ny Zanak’Olona tsy tonga ho mpampiasa, fa ho mpiasa, sady hagnome ny tegnany mba ho vidim-pagnavotana ho an’ny maro."