\v 12 Mengavy anareo aho, ry rahalahy, magnamboara kara anaha, satri izaho koa de efa nanjary kara anareo. Tsy nagnano ratsy taminaha anareo. \v 13 Nefa de fantanareo fa avy amin'ny aretim-batagnako no nagnambarako tamibareo ny filazantsara tam-bôlohany. \v 14 Ndre de nitondra anareo tamin'ny fakam-panahy aza ny toe-batagnako, de nagnano tsisy dikany na nagnilikilika anaha anareo. Fa nandray anaha karan'ny anjelin'Andriamanitra koza anareo karan'ny hoe izaho mihitsy no Kristy Jesôsy.