-x-antambahoaka_2ti_text_reg/01/08.txt

1 line
889 B
Plaintext

\v 8 Aza megnatra amin'ny fitsanganana ho vavolombelogna ny Tompontsena, na amiko, Paoly , ny saziny. Fakoja, mizarà amin'ny fijalena ny filazatsara nony herin'Andriamanitra. \v 9 Fa Andriamanitra no namonjy antsena sady nagnatso antsena tamin'ny antso masina. Nagnatao an'izany Izy, tsy non'ny asantsena, fa non'ny drafitra zegny efa namboariny de ny hantsarany. Na de mbola tsy nanomboka aza ny fotôna de fa nagnome antsena ny raha reo tamin'i Kristy Jesôsy Izy.\v 10 Fa amizao ny famonjen'Andriamanitra de naseho avy tamin'ny fisehoan'i Kristy Jesôsy Mpagnavotra antsena. Kristy zay nagnafoagna ny fahafatesana sady nitondra fiaignana zegny tsy hotapitra mandrakizay mba hagnazava ny avy amin'ny filazatsara. \v 11 Nony zany, de vôtendry ho mpitory teny zaho, ho apostoly, de ho mpampianatra. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha sanagny de magnampy hoe: "Ho an'ny Jentilisa."]